lundi 10 avril 2023

Alatsinainy 10 Aprily 2023 - Fil 3 : 1 - 11

 1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo, sady azonareo toky tsara amin’izay. 2Tandremo ny tenanareo amin’ireo mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ireo amboa, tandremo ny tenanareo amin’ireo manan-takaitra! 3Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana, dia isika manompo an’Andriamanitra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin’i Kristy Jesoa fa tsy mitoky amin’ny fombafomban’olombelona. 4Kanefa mba manana izay ahafahako mitoky amin’ny fombafomban’olombelona ihany aho; ka raha misy olon-kafa mihevitra azy ho afa-mitoky amin’ny fombafomban’olombelona, mainka fa izaho. 5Voafora fony teraka herinandro aho; taranak’i Israely; avy amin’ny fokon’i Benjamîna; hebreo ray, hebreo reny; ny amin’ny fitandroana ny lalàna jiosy, dia Farisianina aho; 6nafana fo tokoa aho tamin’ny maha Farisianina ahy, ka nanenjika ny Fiangonana; ny amin’ny maha olo-marina mpanara-dalàna, dia tsy misy hokianina aho. 7Kanefa ireo zavatra izay noheveriko ho tombony ho ahy ireo dia ataoko ho tsinontsinona kosa ankehitriny noho ny amin’i Kristy. 8Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin’ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin’i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an’i Kristy 9ary mba hahatafaray ahy aminy. Tsy manana fahamarinana avy amin’ny fanarahan-dalàna aho; fa ny finoana niainan’i Kristy no ahazoako fahamarinana, dia ilay fahamarinana avy amin’Andriamanitra ka miorina amin’ny finoana. 10Ny hany iriko dia ny hahalalako an’i Kristy, ka hahatsapako ny herin’ny fitsanganany ho velona sy hiombonako fijaliana aminy ary hanahafako Azy amin’ny fahafatesany; 11koa manantena aho amin’izany fa hahatratra ny zava-kendrena, dia ny hitsanganan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty.

dimanche 9 avril 2023

Alahady 09 Aprily 2023 - Lio 24 : 1 - 12

 1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazany ilay vatobe fa voakodia lavitry ny vavafasana; 3nefa nony niditra izy ireo, dia tsy nahita ny vatan’i Jesoa Tompo. 4Raha mbola very hevitra ny amin’izany teo ireto vehivavy, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana manelatrelatra niseho taminy. 5Natahotra mafy ireto vehivavy ka nitanondrika, fa hoy izy roa lahy taminy:

–Nahoana no atỳ amin’ny toeran’ny maty no itadiavanareo ny velona? 6Tsy eto Izy, fa efa nitsangana velona. Tsarovy ny voalazany taminareo, fony Izy mbola tany Galilea, hoe: 7«Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ka hohomboana amin’ny hazofijaliana; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.»

8Izay ireto vehivavy vao nahatsiaro ny tenin’i Jesoa, 9ka niverina avy tany amin’ny fasana ary nitantara izany rehetra izany tamin’ny 11 lahy sy ny namany rehetra: 10ireo vehivavy ireo dia i Maria avy any Magdalà sy i Jôhanina ary koa i Maria renin’i Jakôba; ireo vehivavy niaraka tamin’izy telo vavy dia samy nilaza izany koa tamin’ny apôstôly. 11Saingy noheverin’ny apôstôly ho arirarira foana ny tenin’izy rehetra ka tsy ninoany. 12Fa nitsangana kosa i Petera, nihazakazaka nankany amin’ny fasana, niondrika nijery ka tsy nahita afa-tsy ny tapa-damba namehezana ny vatan’i Jesoa, ary lasa nody sady sanganehana tokoa tamin’ny zava-nitranga.

samedi 8 avril 2023

Sabotsy 08 Aprily 2023 - Rom 5 : 6 - 11

 6Mbola tsy nanan-kery isika no tonga ny fotoanandro voatendrin’Andriamanitra, ka maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy. 7Saika tsy misy aza manaiky ho faty hamonjy olo-marina; ary angamba mety hisy ihany hanana herim-po ho faty hamonjy olona tsara fanahy. 8Fa i Kristy kosa maty hamonjy antsika, fony isika mbola mpanota: nahariharin’Andriamanitra tamin’izany ny fitiavany antsika. 9Koa, amin’izao isika efa tonga olo-marina eo imason’Andriamanitra noho ny ra nafoin’i Kristy izao, dia vao mainka hovonjena amin’ny alalan’i Kristy tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra. 10Eny, fony fahavalon’Andriamanitra aza isika, dia nampihavanina taminy noho ny fahafatesan’ny Zanany; vao mainka izao isika efa nampihavanina tamin’Andriamanitra izao, dia tena hovonjena tokoa noho ny fahaveloman’ny Zanany. 11Tsy izany ihany, fa mirehareha ao amin’Andriamanitra koa isika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Ilay nahazoantsika izao fihavanantsika amin’Andriamanitra izao.

vendredi 7 avril 2023

Zoma 07 Aprily 2023 - Apo 7 : 9 - 12

 9Taorian’izany, dia indreo hitako nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny vahoaka mbamin’ny olona samy hafa fiteny rehetra, niakanjo fotsy lava sy nitana sampan-drofia teny an-tanany. Nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana sy ny Zanakondry ireo, 10sady niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe: «Ny famonjena dia an’ilay Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambony sezafiandrianana, ary koa an’ny Zanakondry!» 11Dia nanodidina ny sezafiandrianana sy ireo loholona ary ny zava-miaina efatra ny anjely rehetra ka niankohoka teo anoloan’ny sezafiandrianana sady nitsaoka an’Andriamanitra 12nanao hoe: «Amen! An’Andriamanitsika ny dera sy ny voninahitra amam-pahendrena, ny saotra sy ny haja ary ny fahefana sy ny hery, mandrakizay mandrakizay! Amen.»

jeudi 6 avril 2023

Alakamisy 06 Aprily 2023 - Lio 22 : 47 - 53

 47Raha mbola miteny eo i Jesoa, dia indro nisy andian’olona tamy; ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy no lohalalana. Ary nanatona an’i Jesoa i Jodasy mba hanoroka Azy. 48Fa hoy i Jesoa taminy:

–O! ry Jodasy, dia fanorohana ve no anoloranao ny Zanak’olona?

49Nahatsinjo ny zava-hitranga ireo mpianatra teo amin’i Jesoa, ka nanontany Azy hoe:

–Ahoana, Tompoko, raha mba hamely amin’ny sabatra izahay?

50Dia namely ny mpanompon’ny mpisorombe tokoa ny anankiray tamin’ireto mpianatra, ka nahafaka ny sofiny havanana. 51Fa niteny i Jesoa nanao hoe:

–Aoka izay!

Dia nikasika ny sofin-dralehilahy Izy, ka nanasitrana azy. 52Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly mbamin’ny loholona tonga teo hisambotra Azy:

–Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay. 53Teo aminareo isan’andro Aho tao an-kianjan’ny tempoly kanefa tsy nikasi-tanana Ahy ianareo; fa izao no ora voatendry ho anareo sy hanamparan’ny maizina ny fahefàny.

lundi 27 mars 2023

Alatsinainy 27 Martsa 2023 - II Sam 12 : 7 - 15

 7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida:

–Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan’i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin’ny famelezan’i Saoly. 8Natolotro hofehezinao ny fianakavian’i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefànao ny vahoakan’i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao. 9Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin’ny nanaovanao izay ratsy eo imasoko? Nasianao tamin’ny sabatra i Orià ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin’ny sabatry ny Hamônita. 10Noho izany, dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin’i Orià ilay Hetita mba ho vadinao. 11Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin’ny ankohonanao Aho. Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary12.11 Jereo 16.21-22.. 12Ary ianao nanao izany tao amin’ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason’i Israely manontolo.»

13Dia hoy i Davida tamin’i Natàna:

–Nanota tamin’ny TOMPO aho.

Ary hoy kosa i Natàna tamin’i Davida:

–Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon’ny TOMPO tamin’izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.

15Dia nody tany an-tranony i Natàna.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12