jeudi 27 février 2020

Alakamisy 27 Febroary 2020 - Deo 6 : 16 - 25

16Aza maka fanahy ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, tahaka ny nataonareo tany Masà. 17Tandremo tsara ny didy sy baiko aman-dalàna izay efa nampitain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo. 18Tanteraho izay mahitsy sady tsara eo imason’ny TOMPO mba ho sambatra ianareo sy hiditra hahazo ny tany soa izay tamim-pianianana no nampanantenan’ny TOMPO azy ny razambenareo; 19ary dia horoahinareo lavitra anareo avokoa ny fahavalonareo, araka izay voalazan’ny TOMPO.

20Rahatrizay ny zanakareo hanontany anareo hoe: «Inona no anton’ireo baiko sy lalàna amam-pitsipika izay efa nandidian’ny TOMPO Andriamanitsika anareo?», 21dia hovalianareo hoe: «Nandevozin’ny Farao tany Ejipta isika, ary fahefana mahery no nampialan’ny TOMPO antsika tany. 22Famantarana sy zava-mahagaga goavana sady mandoza no nataon’ny TOMPO teo imasontsika hamelezana ny Farao mbamin’ny ankohonany sy ny Ejiptianina. 23Isika kosa nampialany tany Ejipta mba hampidirina eto homena ilay tany izay nampanantenainy ny razambentsika tamim-pianianana. 24Nodidian’ny TOMPO isika hanatanteraka ireo lalàna rehetra ireo sy hanaja Azy TOMPO Andriamanitsika, mba ho sambatra lalandava sy ho velona aina tahaka ny amin’izao anio izao. 25Ary ho toetra marina ny antsika raha imasoantsika ny hanatanteraka manontolo izany didy izany eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitsika, araka izay nampitainy tamintsika.

mercredi 26 février 2020

Alarobia 26 Febroary 2020 - Apo 21 : 1 - 8

1Dia nahita habakabaka vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny habakabaka voalohany sy tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2Ary hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy tamin’Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voaomana tahaka ny ampakarina voahaingo hihaona amin’ny vadiny. 3Ary nisy feo mahery reko avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr’izy ireo. 4Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’ireo vahoakany; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony, fa efa lasa ny zavatra taloha.»

5Dia hoy Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana hoe: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra!» Avy eo Izy no niteny tamiko hoe:
–Soraty, satria azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo.

6Dia hoy indray Izy tamiko:
–Tanteraka ny zavatra rehetra! Izaho no Alfa sy Ômega, fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia hampisotroiko maimaimpoana amin’ny loharano miboiboika ranovelona. 7Izay mandresy no hahazo izany lova izany; ka dia ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 8Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin’ny farihy mirehitra
afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.

mardi 25 février 2020

Talata 25 Febroary 2020 - Jao 17 : 6 - 19

6Ny anaranao dia nampahafantariko ireo olona navahanao tamin’izao tontolo izao sy nomenao Ahy; Anao ireo ka nomenao Ahy, ary ny teninao efa notandremany. 7Fantany ankehitriny fa avy taminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy, 8satria ny teny izay nomenao Ahy dia efa nomeko azy ireo ary noraisiny; ka fantany marina fa nivoaka avy any aminao Aho, ary ninoany fa Ianao no naniraka Ahy.

9Ho azy ireo no ivavahako; tsy ho an’izao tontolo izao no ivavahako, fa ho an’ireo nomenao Ahy: satria Anao ireo, 10fa izay rehetra Ahy dia Anao ary izay rehetra Anao dia Ahy, sady efa nahazo voninahitra teo aminy Aho. 11Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho; ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa Izaho kosa mankany aminao. Ray ô, masina Ianao, ka ilay anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no itahirizo azy ireo, mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika. 12Fony mbola teo aminy Aho, dia ny anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no nitahirizako azy; ary narovako ireo, ka tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ilay nirona amin’ny fahaverezana, mba hahatanteraka ny Soratra Masina. 13Ankehitriny mankany aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto amin’izao tontolo izao Aho, mba hananan’ireo ny hafaliako tanteraka ao aminy. 14Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain’izao tontolo izao: satria tsy naman’izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman’izao tontolo izao Ahy. 15Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no ivavahako, fa ny hiarovanao azy amin’ilay Ratsy. 16Tsy naman’izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman’izao tontolo izao Ahy. 17Atokàny ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra. 18Tahaka ny nanirahanao Ahy ho eo amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho eo amin’izao tontolo izao koa. 19Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.

lundi 24 février 2020

Alatsinainy 24 Febroary 2020 - Sal 93 : 1 - 5

1Mpanjaka ny TOMPO, mitafy fiandrianana;
eny, mitafy fiandrianana IZY ary misikina hery
ka voaorina tsara tsy hihontsona izao tontolo izao.

2Efa niorina hatry ny ela ny sezafiandriananao;
hatrizay hatrizay dia Andriamanitra Ianao.
3Fahiny dia nisamboaravoara ny riaka, TOMPO ô,
eny, nisamboaravoaran’ny hatezerana
ary mbola mety misamboaravoara ihany.
4Fa mahery noho ny feon’ny ranobe
sy ny fidoboky ny onja vaventy, TOMPO ô,
ny fanapahanao any ambony any.

5Azo antoka tanteraka ny fepetra nataonao, TOMPO ô;
ho masina lalandava koa ny tranonao.

dimanche 23 février 2020

Alahady 23 Febroary 2020 - II Mpa 23 : 1 - 3

1Ary nandefa iraka ny mpanjaka hanainga tsy an-kanavaka ny loholon’i Joda sy i Jerosalema mba ho vory ao aminy. 2Dia niaraka nankao an-tranon’ny TOMPO ireo mbamin’ny mponina rehetra tao Jerosalema sy Joda, izany hoe ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny sarambabem-bahoaka rehetra na kely na lehibe. Novakin’ny mpanjaka teo anatrehan’ny besinimaro ny teny rehetra tao anatin’ny bokin’ny fanekempihavanana, dia ilay boky izay hita tao an-tranon’ny TOMPO. 3Ary niakatra teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao ny fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandremany ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io. Ary neken’ny vahoaka rehetra izany fanekempihavanana izany.

samedi 22 février 2020

Sabotsy 22 Febroary 2020 - Sal 19 : 7 - 11

7Ny faravodilanitra atsinanana no iaingany
ary ny faravodilanitra andrefana no iafarany;
ka, eny amin’ny lalan-kizorany eny,
dia tsy misy afa-miery amin’ny hafanàny.

8Lavorary ny lalànan’ny TOMPO
ka mamelombelona aina.
Mahatoky ny fepetra nataon’ny TOMPO
ka mampahendry ny olon-tsotra.
9Mahitsy ny fitsipiky ny TOMPO
ka mahafaly ny fo.
Mangarangarana ny baikon’ny TOMPO
ka manazava ny fijery.
10Madio ny fanajana ny TOMPO,
ka maharitra hatrany hatrany.
Marim-pototra ny fitsarana avoakan’ny TOMPO
ka ara-drariny avokoa;
11mahasarika noho ny volamena,
dia ny vaingam-bolamena voadio;
sady mamy noho ny tantely,
dia ny tantely avy amin’ny tohotra.

vendredi 21 février 2020

Zoma 21 Febroary 2020 - I Tim 4 : 6 - 16

6Raha izany torohevitra izany no arosonao ny havana iray finoana, dia ho mpanompo tsaran’i Kristy Jesoa ianao, ka hiharihary fa mivelona amin’ireo teny momba ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao ianao. 7Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. 8Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy. 9Azo antoka izany teny izany, ka mendrika hankatoavina tanteraka. 10Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino.

11Anafatrafaro sady ampianaro izany zavatra izany. 12Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny maha tanora anao, fa aoka ianao ho ohatra ho an’ny mpino amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.

13Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina sy mampirisika ary mampianatra. 14Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr’Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona. 15Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’ireo adidy ireo; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

jeudi 20 février 2020

Alakamisy 20 Febroary 2020 - Sal 119 : 17 - 24

17Asio soa aho mpanomponao
ho velona sy hitandrina ny teninao.
18Ampahirato ny masoko hahita
ny zava-mahagaga amin’ny lalànanao.
19Vahiny eto an-tany aho;
aza afenina ahy ny didinao.
20Matimaty erỳ aho maniry
ny fitsipikao amin’ny fotoan-drehetra.
21Rahonanao ny mpirehareha voaozona,
izay mandao ny didinao.
22Alao amin’ny fahafaham-baràka sy ny fanamavoana aho,
satria manaraka ny baikonao.
23Na andriana aza no mioko hamely ahy,
izaho mpanomponao misaintsaina ny lalànanao.
24Ny baikonao no firavoako:
ireo no manolo-tsaina ahy.

mercredi 19 février 2020

Alarobia 19 Febroary 2020 - Lio 5 : 1 - 7

1Indray andro i Jesoa, raha ilay nijanona teo amoron’ny farihin’i Genesareta iny, dia nitangoronan’ny vahoaka te hihaino ny tenin’Andriamanitra. 2Hitany fa nisy sambokely roa niantsona teo amoron-drano fa nidina nanasa harato ny mpanarato. 3Dia niakaran’i Jesoa ny sambokely anankiray izay an’i Simôna, ka niangavian’i Jesoa i Simôna hihataka kely amin’ny tany. Ary teo an-tsambokely Izy no nipetraka hampianatra ny vahoaka.

4Nony nitsaha-niteny i Jesoa, dia nanao tamin’i Simôna hoe:
–Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana trondro.

5Fa novalian’i Simôna hoe:
–Mpampianatra ô, niasa mafy izahay halina tontolo, saingy tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny baikonao, dia halatsako ihany ny harato.

6Vao nandatsaka ny harato izy ireo, dia nahazo trondro be tokoa ary saika rovitra ny harato. 7Koa nohatsihin’izy iray tarika mba ho avy hanampy azy ny namany izay teny amin’ny sambokely hafa. Dia avy ireo, ka samy feno safomorona saika hilentika ny sambokely anankiroa.

mardi 18 février 2020

Talata 18 Febroary 2020 - I Tim 1 : 12 - 16

12Velom-pisaorana an’i Kristy Jesoa Tompontsika aho, fa nomeny hery hahatontosako ny fanompoako. Velom-pisaorana Azy aho fa nataony mahatoky ka notendreny hanompo Azy, 13na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran’Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko. 14Naidin’ny Tompontsika be dia be tamiko ny fahasoavany, mbamin’ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa. 15Azo antoka izao teny izao ka mendrika hankatoavin’ny olona rehetra: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa mba hamonjy ny mpanota; ary izaho no faraidiny amin’ireny. 16Kanefa izao no anton’ny namindran’Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon’i Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho ohatra ho an’izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay.

lundi 17 février 2020

Alatsinainy 17 Febroary 2020 - Jos 1 : 1 - 9

1Taorian’ny nahafatesan’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO, dia nitenenan’ny TOMPO i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanampy an’i Mosesy nataony hoe:
2–Efa maty i Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna ankehitriny ianao sy ireto vahoaka rehetra ireto ka mità ity renirano Jôrdàna ity mba hiditra ao amin’ny tany izay omeko ny Israelita. 3Araka izay efa nampanantenaiko an’i Mosesy, dia omeko anareo ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo. 4Ny taninareo dia manomboka eo amin’ny taniefitra any atsimo ka mipaka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Libano any avaratra; ary manomboka eo amin’ny ony Eofrata any atsinanana, dia mamakivaky ny tanin’ny Hetita, ka mipaka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.

5Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an’i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana. 6Aoka ho sahy sy hahery ianao, fa ianao no hitarika ireto vahoaka ireto handova ny tany izay nianianako tamin’ny razambeny fa homeko azy. 7Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalàna manontolo izay nampitain’i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin’izay rehetra ataonao. 8Aoka ianao hahavatra mamaky ity bokin’ny lalàna ity ary handinika azy andro aman’alina mba himasoanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra anatiny. Amin’izay dia ho tontosanao tsara ny fikasanao rehetra ary hahomby ianao. 9Moa tsy efa nandidy anao ve Aho mba ho sahy sy hahery? Koa aza matahotra na mivadi-po fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no homba anao amin’izay rehetra alehanao.

dimanche 16 février 2020

Alahady 16 Febroary 2020 - I Pet 1 : 22 - 25

22Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa. 23Nateraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety lo, fa tamin’ny voa tsy mety lo: dia ny tenin’Andriamanitra, izay teny velona sady maharitra. 24Fa hoy ny Soratra Masina:

«Ny olombelona rehetra dia tahaka ny ahitra
ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra:
malazo ny ahitra, dia mihintsana ny voniny.
25Fa ny tenin’ny Tompo no maharitra mandrakizay.»

Ary izany teny izany dia ny Vaovao Mahafaly notorîna taminareo.

samedi 15 février 2020

Sabotsy 15 Febroary 2020 - Sal 33 : 1 - 11

1Manaova horakora-pihobiana, ry olo-marina,
noho ny amin’izay nataon’ny TOMPO;
fa tombontsoa ho anareo
ny midera Azy, ry olo-mahitsy.
2Miderà ny TOMPO amin’ny lokanga;
ka salamo arahim-baliha torifolo
no ataovy ho fankalazana Azy.
3Mihirà hira vaovao ho Azy.
Manaova feon-java-maneno kanto
miaraka amin’ny fihobiana.

4Fa mahitsy ny tenin’ny TOMPO
ka azo antoka avokoa izay ataony.
5Ny rariny sy ny hitsiny lalainy;
ny fitiavany manenika ny tany.
6Nandidy ny TOMPO, dia vita ny lanitra;
niteny Izy, dia ary ny planeta sy ny kintana.
7Angoniny sy fefeny ny rano an-dranomasina
ataony am-pitahirizana azy ny rano lalimbe.
8Hatahotra ny TOMPO anie ny tany tontolo;
hangovitra eo anatrehany anie
ny mponina rehetra ao aminy!
9Fa niteny Izy, dia tonga izay voalazany;
nandidy Izy, dia nisy avy hatrany ireny.

10Ny TOMPO maharava ny fikasan’ny firenena
ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;
11fa ny fikasan’ny TOMPO no maharitra mandrakizay,
ny hevitry ny fony manerana ny taranaka mifandimby.

vendredi 14 février 2020

Zoma 14 Febroary 2020 - Asa 20 : 32 - 35

32Ary ankehitriny ianareo dia ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny teniny mirakitra fahasoavana. Andriamanitra no hampahery anareo sy hanome anareo ny soa izay nataony ho anjaran’ireo rehetra voatokana ho Azy. 33Tsy mba nisy volafotsy na volamena na fitafian’iza na iza notsiriritiko. 34Fantatrareo fa ireto tanako ireto no niantoka izay nilaiko, ho ahy sy ho an’ny mpiara-dia tamiko. 35Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy mikely aina toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra. Tsarovy ireo tenin’i Jesoa Tompo fa Izy mihitsy no nilaza hoe: «Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.»

jeudi 13 février 2020

Alakamisy 13 Febroary 2020 - Lio 11 : 27 - 28

27Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray teo afovoan’ny vahoaka nanandra-peo nanao taminy hoe:
–Sambatra izay reny nitondra Anao tao an-kibony sy nampinono Anao!

28Fa hoy i Jesoa:
–Vao mainka sambatra aza ireo mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy!

mercredi 12 février 2020

Alarobia 12 Febroary 2020 - Sal 119 : 137 - 144

137Mandala ny rariny Ianao, TOMPO ô,
ary mahitsy ny fitsipikao.
138Ny baikonao dia ara-drariny
sy azo antoka tokoa.
139Mandoro ahy toy ny afo ny zotompoko,
fa hadinon’ny mpandrafy ahy ny teninao.
140Voasedra tanaty memy tokoa ny hafatrao,
ka dia tia azy ireny izaho mpanomponao.
141Kely sady mavomavo aho,
nefa tsy hadinoko ny fepetranao.
142Mahitsy mandrakizay ny fahitsianao
ary mahatoky ny lalànanao.
143Azon’ny fahoriana sy ny fahaterena aho,
nefa mbola miravo amin’ny didinao.
144Mahitsy mandrakizay ny baikonao;
ataovy mahira-tsaina aho mba ho velona.

mardi 11 février 2020

Talata 11 Febroary 2020 - Sal 119 : 129 - 136

129Mahagaga ny baikonao,
ka izany no anarahako azy.
130Manazava tokoa ny fahitana ny teninao
ary mampahira-tsaina ny olon-tsotra.
131Mitanatana vava, mihanahana aho:
ny didinao no mahaliana ahy.
132Mba todiho aho ka iantrao,
araka ny tinapakao ho an’ireo mpitia Anao.
133Hamafiso ho amin’ny hafatrao ny diako;
aoka aho tsy hanjakam-paharatsiana!
134Afaho amin’ny mpampahory aho
mba hitandremako ny fepetranao.
135Jereo amin-kamorampo izaho mpanomponao:
ampianaro ahy ny lalànanao.
136Izaho dia mamarin-dranomaso,
satria tsy voatandrina ny lalànanao.

lundi 10 février 2020

Alatsinainy 10 Febroary 2020 - II Tan 23 : 1 - 11

1Tamin’ny taona fahafito dia nanapa-kevitra hentitra i Jôiadà ka nanao fifanekena tamin’ireo mpifehy andia-miaramila: dia i Hazarià zanakalahin’i Jerôhama, i Jismahela zanakalahin’i Jôhanàna, i Hazarià zanakalahin’i Hôbeda, i Mahaseià zanakalahin’i Hadaià, ary i Elisafata zanakalahin’i Zikrỳ. 2Ary nitety an’i Joda ireo ka namory ny levita sy ny loham-pianakaviana israelita avy tany amin’ny tanàna jodeanina rehetra, dia niara-tonga tany Jerosalema ireo. 3Ary ny olona rehetra vory teo dia nanao fanekempihavanana tao an-tranon’Andriamanitra ny amin’ny mpanjaka, sady nilazan’i Jôiadà hoe:
–Indro i Jôasy zanakalahin’ny mpanjaka. Izy no tokony hanjaka araka ny nampanantenain’ny TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida.

4Koa izao no hataonareo: ianareo mpisorona sy levita izay milatsaka amin’ny andro sabata, dia aoka ny ampahatelonareo ho mpiandry ny varavaran’ny tempoly, 5ny ampahatelo hafa hiambina ao an-dapan’ny mpanjaka, ary ny ampahatelo sisa hiambina ilay vavahadin’ny Fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO. 6Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon’ny TOMPO, afa-tsy ny mpisorona sy ny levita mpanao raharaha; ireo no hahazo miditra satria voatokana ho an’Andriamanitra; fa ny vahoaka rehetra dia hitandrina izay fepetra nasain’ny TOMPO hotandremana. 7Ianareo levita hafa kosa dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitam-piadiana avy, ary koa hanaraka azy amin’izay toerana halehany; fa na iza na iza miditra ao an-tempoly, dia vonoy ho faty.

8Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin’ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan’i Jôiadà mpisorona hahazo lalana hody. 9Nomen’i Jôiadà an’ireo mpifehy andia-miaramila ny lefona aman’ampinga isan-karazany, izay an’i Davida mpanjaka saingy natoby tao an-tranon’Andriamanitra. 10Ireo miaramila rehetra samy nitam-piadiana ireo dia nalahatr’i Jôiadà hanodidina ny mpanjaka manomboka eo amin’ny lafiny havanan’ny tempoly ka hatramin’ny lafiny havia, dia teo anoloan’ny alitara fisoronana sy ny vatan-trano, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka. 11Tamin’izay dia navoaka i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny rakitsoratra momba ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka. Ary nanosotra menaka hanokanana azy i Jôiadà sy ireo zanany lahy ka niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»

dimanche 9 février 2020

Alahady 09 Febroary 2020 - Mat 7 : 24 - 29

24–Koa amin’izany, na zovy na zovy mihaino ireo teniko ireo ka manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy: 25latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria niorina teo ambony vatolampy. 26Fa izay rehetra mihaino ireo teniko ireo ka tsy manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy tsy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony fasika: 27latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny faharavàny.

28Rehefa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fomba fampianarany; 29nampianatra azy tamim-pahefana manko i Jesoa fa tsy mba tahaka ireo mpahay lalàna jiosy.

samedi 8 février 2020

Sabotsy 08 Febroary 2020 - Deo 4 : 1 - 8

1Ary hoy indray i Mosesy hoe: «Ankehitriny, ry Israelita, henoy ny lalàna amam-pitsipika izay ampianariko anareo hotanterahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy hanana ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anareo. 2Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo ary aza anesorana; fa tandremo ny didin’ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo. 3Efa nahita maso izay nataon’ny TOMPO noho ny amin’ilay Bahala tao Pehôra ianareo; fa ny olona rehetra nanompo an’io Bahala io taminareo, dia naringan’ny TOMPO Andriamanitrareo tsy ho eo aminareo intsony. 4Fa ianareo nifikitra tamin’ny TOMPO Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.

5«Araka izay nandidian’ny TOMPO Andriamanitro ahy, indro ianareo efa nampianariko lalàna amam-pitsipika hotanterahinareo any amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.» 6Koa tandremo sy tanteraho izany, fa hiheverana anareo ho hendry sy manan-tsaina eo imason’ny firenen-kafa; handre ireny lalàna rehetra ireny mantsy izy ka ho loa-bolana hoe: «Mba vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!» 7Fa aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha akaiky antsika ny TOMPO Andriamanitsika, Izay mamaly isaky ny antsoina? 8Ary aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana didy amam-pitsipika marina tahaka izao fehezan-dalàna arosoko eo anoloanareo anio izao?

vendredi 7 février 2020

Vendredi 07 Janoary 2020 - Sal 89 : 33 - 37

33dia hofaiziko tsorakazo ny fikomiany
ary hosazîko kapoka ny heloka vitany;
34kanefa tsy hofoanako ny fitiavako azy
ary tsy hivadihako ny toetrako mahatoky.
35Tsy hotsoahako ny fanekempihavanako
ary tsy hovako izay nampanantenaiko.
36Efa nanao izao fianianana izao Aho fahiny;
tamin’ny fahamasinako no nanaovako izany
fa tsy hamitaka velively an’i Davida Aho:
37Hisy hatrany hatrany ny taranany;
ary tahaka ny aharetan’ny masoandro
no haharetan’ny sezafiandrianany eo anatrehako;

jeudi 6 février 2020

Alakamisy 06 Febroary 2020 - I Jao 1 : 1 - 4

1Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo. 2Eny, efa naseho ny fiainana sady efa hitanay; ary tonga vavolombelony izahay ka manambara aminareo ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia ilay fiainana nitodika tany amin’ny Ray ka efa naseho taminay. 3Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo fiombonana aminay koa; fa izahay dia miombona amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany. 4Izany no soratanay aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika.

mercredi 5 février 2020

Alarobia 05 Febroary 2020 - Asa 13 : 26 - 37

26Ry havako, taranak’i Abrahama sy hafa firenena mpanaja an’Andriamanitra, ho antsika no nampitondrana izao hafatra momba ny famonjena izao. 27Fa ny mponin’i Jerosalema sy ireo filohany dia tsy nahafantatra an’i Jesoa ary tsy nahazo ny tenin’ny mpaminany vakîna isaky ny andro sabata, kanefa nanatanteraka ireo teny ireo tamin’ny nanamelohany an’i Jesoa; 28ary na dia tsy nahita antony hanamelohana Azy ho faty aza ry zareo, dia nangataka tamin’i Pilato ny hamonoana Azy. 29Rehefa avy nahatanteraka izay rehetra nambaran’ny Soratra Masina momba Azy ry zareo, dia nesorina teo amin’ny hazofijaliana Izy ary nalevina tao am-pasana. 30Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona avy tany amin’ny maty. 31Mandritra ny andro maro, dia niseho tamin’ireo niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema i Jesoa, ka ireo ankehitriny no vavolombelona manambara Azy amin’ny vahoaka Israely. 32Ary izahay koa dia mitory aminareo izao Vaovao Mahafaly izao: 33Ny zavatra efa nampanantenain’Andriamanitra tamin’ny razantsika dia notanterahin’Andriamanitra tamintsika ankehitriny, fony Izy nanangana an’i Jesoa ho velona, araka izay voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny Salamo faharoa hoe:

«Zanako Ianao,
Ray niteraka Anao Aho manomboka anio.»
34–Nambaran’Andriamanitra koa fa natsangany ho velona i Jesoa ka tsy hiverina amin’ny fahalòvana intsony, araka ny teny hoe:

«Homeko anareo ny fanambinana masina sy azo antoka
efa nampanantenaiko an’i Davida!»

35Izany koa no itenenan’Andriamanitra ao amin’ny Salamo hafa hoe:
«Tsy havelanao ho tratry ny fahalòvana Ilay voatokana ho Anao.»

36Eny, i Davida, rehefa nanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra hahasoa ny mpiara-belona taminy, dia nodimandry ka nalevina mifanila amin’ireo razany ary tratry ny fahalòvana. 37Fa Ilay natsangan’Andriamanitra ho velona kosa dia tsy mba tratry ny fahalòvana.

mardi 4 février 2020

Talata 04 Febroary 2020 - Jao 1 : 1 - 8

1Tamin’ny voalohany, fony nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra, dia efa nisy ilay Teny; ilay Teny dia nitodika tany amin’Andriamanitra hatrany, ary ilay Teny dia Andriamanitra. 2Tamin’ny voalohany, dia nitodika tany amin’Andriamanitra ilay Teny; 3Izy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra, ka raha tsy teo Izy dia tsy nisy ary ny zavatra noarîna. 4Ilay Teny no nirakitra ny aina, ary io aina io no nitondra fahazavana ho an’ny olombelona. 5Ary ny fahazavana dia mamirapiratra anatin’ny haizina, ka tsy nahasakana azy ny haizina.
6Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra: i Jôhany no anarany. 7Tonga hijoro ho vavolombelona i Jôhany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain’i Jôhany no hampino ny olona rehetra. 8Tsy hoe i Jôhany no fahazavana, fa izy no ho vavolombelona hanambara ny fahazavana.

lundi 3 février 2020

Alatsinainy 03 Febroary 2020 - Deo 7 : 1 - 11

1Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin’ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta. 2Rehefa hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefànareo ireny ka horesenareo, dia ataovy ringana tanteraka. Aza manao fanekempihavanana aminy na mamindrafo aminy. 3Aza mampifanambady ny zanakareo aminy; ny zanakavavinareo tsy homenareo ho vadin’ny zanakalahiny, ary ny zanakavaviny tsy halainareo ho vadin’ny zanakalahinareo. 4Fa havilin’ireny vahiny ireny tsy hanaraka ny TOMPO ireo taranakareo ka hanompo andriamani-kafa; dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ny TOMPO ka haringany vetivety ianareo. 5Fa izao kosa no ataovy amin’ireny firenena ireny: ny alitarany, horavanareo; ny tsangambaton-tsampiny, hovakivakînareo; ny tsato-kazo fanajany an’i Aserà, hokapainareo; ary ny sarin-tsampiny voasokitra, hodoranareo. 6Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo; ianareo no efa nofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany mba ho vahoaka fananany sarobidy indrindra.

7Tsy hoe ianareo maro noho ny firenena hafa rehetra no nampiraiki-po ny TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, satria vitsy noho ny firenena hafa rehetra aza ianareo. 8Fa raha nentin’ny TOMPO tamin’ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin’ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan’ny Farao mpanjakan’i Ejipta, dia satria tian’ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin’ny razambenareo.

9Aoka ho fantatrareo fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hany Andriamanitra tena Izy. Mitandro ny fanekempihavanany sy ny fitiavany hatramin’ny taranaka faharivo Izy amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny; 10fa an-karihary sady tsy an-kitaredretra kosa no amaliany sy andringanany an’izay mankahala Azy. 11Koa tandremo ny didy sy lalàna amam-pitsipika izay andidiako anareo anio mba hotanterahinareo.

dimanche 2 février 2020

Alahady 02 Febroary 2010 - Sal 111 : 1 - 8

1 Haleloià!
ALEFA
Hoderaiko amin’ny foko manontolo ny TOMPO
BETA
eo amin’ireo olo-mahitsy
tafavory sy tafangona.
GIMELA
2Lehibe ny asa ataon’ny TOMPO
DALETA
ka tsapan’izay rehetra mankafỳ an’ireny.
HE
3Madera sady malaza ny zava-bitany;
VAO
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
ZAINA
4Tiany hotsaroana ny zava-mahagaga nataony.
HETA
Miantra sy mamindrafo ny TOMPO.
TETA
5Omeny sakafo ireo matahotra Azy;
JODA
tsaroany lalandava ny fanekempihavanany.
KAFA
6Ny vahoakany nanehoany ny hery ampiasainy,
LAMEDA
fony nomeny azy ny tanin’ireo hafa firenena.
MEMA
7Mahatoky sy ara-drariny ny asa vitany;
NONA
azo antoka avokoa ny fandaharany:
SAMEKA
8mafy orina hatrany ka ho mandrakizay ireny,
HAINA
mahatoky sy mahitsy no nanaovany azy.

samedi 1 février 2020

Sabotsy 01 Febroary 2020 - Sal 119 : 105 - 112

105Fanilon’ny diako ny teninao
sy fanazavana ny làlan-kizorako.
106Hamafisiko ny velirano izay nataoko,
dia ny hitandrina ny fitsipikao ara-drariny.
107Mijaly tsy eran’ny aina aho, TOMPO ô:
mba velomy indray araka ny fampanantenànao.
108Mba raiso ny tonom-bavaka atolotro Anao:
TOMPO ô, ampianaro ahy ny fitsipikao.
109Hatenda lalandava izao ny aiko,
nefa tsy hadinoko ny lalànanao.
110Ny olon-dratsy mitady hamandrika ahy,
fa izaho tsy mihataka amin’ny fepetranao.
111Ny baikonao no fananako mandrakizay:
ireo no fifalifalian’ny foko.
112Aronako hanao ny lalànanao ny foko,
hatramin’ny antsipiriany ary mandrakizay.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12