mercredi 31 mai 2017

Alarobia 31 May 2017 - Oha 23 : 19 - 25

19Mihainoa ahy, anaka, ary hendre;
ka mizora amin'ny lala-mahitsy.
20Aza mikambana amin'ny mpimamo divay
na ny mpiletra hena.
21Fa hihamahantra ny mpiboboka sy ny tendan-kanina,
satria be torimaso ka hisaringo-boridamba.

22Mihainoa ny rainao izay niteraka anao;
ary aza manamavo ny reninao efa antitra.
23Manàna toetra mahatoky, ka aza amidy izany;
aza amidy koa ny fahendrena
sy ny fanabeazana ary ny fahaiza-manavaka.
24Ny ray niteraka olo-marina sy hendry;
dia hibita-karavoana sy hifaly aminy;
25omeo ny rainao sy ny reninao izany fifaliana izany;
eny, aoka hibita-karavoana ilay reny niteraka anao.

mardi 30 mai 2017

Talata 30 Jona 2017 - Tit 2 : 1 - 5

1Fa ianao kosa, dia izay mifanaraka amin'ny fampianarana tsy misy tomika no lazao. 2Anaro ny lehilahy zokiolona mba hahalala onony amin'ny fisotro, ho maotina, hahafehy tena, tsy hisy tomika amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana. 3Anaro toy izany koa ny vehivavy zokiolona mba hanana fitondrantena sahaza ny olona masim-piainana, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be. Ireo vehivavy zokiolona dia tokony hanome anatra tsara 4ka hanoro ny vehivavy tanora ho tia vady aman-janaka, 5hahafehy tena, hadio toetra, hahakojakoja tokantrano, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hanevateva ny tenin'Andriamanitra.

lundi 29 mai 2017

Alatsinainy 29 May 2017 - Deo 4 : 5 - 8

5«Araka izay nandidian'ny TOMPO Andriamanitro ahy, indro ianareo efa nampianariko lalàna amam-pitsipika hotanterahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.» 6Koa tandremo sy tanteraho izany, fa hiheverana anareo ho hendry sy manan-tsaina eo imason'ny firenen-kafa; handre ireny lalàna rehetra ireny mantsy izy ka ho loa-bolana hoe: «Mba vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!» 7Fa aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha akaiky antsika ny TOMPO Andriamanitsika, Izay mamaly isaky ny antsoina? 8Ary aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana didy amam-pitsipika marina tahaka izao fehezan-dalàna arosoko eo anoloanareo anio izao?

dimanche 28 mai 2017

Alahady 28 May 2017 - Mat 25 : 1 - 13

1Amin'izay ny Fanjakàn'ny lanitra* dia ho tahaka ny amin'ny tovovavy folo izay nitondra ny fanàlany ka lasa hitsena ny mpampakatra. 2Ny dimy tamin'ireo tovovavy ireo dia adala; fa ny dimy kosa hendry. 3Ireo adala dia nitondra ny fanalany, kanefa tsy nitondra solika; 4fa ireo hendry kosa nitondra ny fanalany sady nitondra solika tamin'ny tavoahangin-tsolika. 5Andrasana ela ny fiavian'ny mpampakatra, ka dia samy rendremana avokoa izy folo vavy ary natory.

6Nony mamatonalina, dia nisy niantso mafy hoe: «Intỳ tamy ny mpampakatra! Mandehana ianareo mitsena azy!» 7Tamin'izay dia samy niarina avokoa ireo tovovavy ary samy namboatra ny fanalany. 8Ka hoy ireo adala tamin'ny hendry: «Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny fanalanay.» 9Dia novalian'ny hendry hoe: «Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo; fa aleo mankany amin'ny mpivarotra ianareo mividy ho anareo.» 10Raha mbola nandeha nividy solika ireo adala, dia tonga ny mpampakatra; ka ireo tovovavy dimy efa vonona no niara-niditra tamin'ny mpampakatra tao amin'ny fanasambe fampakaram-bady ary nohidiana ny varavarana. 11Taorian'izany, dia tonga ireo tovovavy sasany ka nanao hoe: «Tompoko, tompoko, vohay izahay!» 12Fa novalian'ny mpampakatra hoe: «Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro ianareo.»

13Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Miambena àry ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

samedi 27 mai 2017

Sabotsy 27 May 2017 - Asa 1 : 1 - 11

1Any ianao ry Teôfily,

Ilay boky voalohany#1.1 Jereo Lk 1.1-4; ny Asan'ny apôstôly dia tohin'ny Vaovao Mahafaly araka an'i Lioka. dia nanoratako ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa sy nampianariny, hatrany am-panombohany 2ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy ho any an-danitra. Talohan'ny nampiakarana Azy, dia namelany baiko tamin'ny herin'ny Fanahy Masina ireo nofidiny ho apôstôly*#1.2 namelany... ho apôstôly: dkt hafa namelany baiko ireo nofidiny ho apôstôly tamin'ny herin'ny Fanahy Masina. Misy mampitohy ny hoe tamin'ny herin'ny Fanahy Masina amin'ny hoe nampiakarana Azy (talohan'ny nampiakarana Azy tamin'ny herin'ny Fanahy Masina). . 3Porofo maro no nentin'i Jesoa nanambara tena fa velona Izy taorian'ny nahafatesany: niseho tamin'ny apôstôly Izy nandritra ny efapolo andro sady nidinidinika taminy momba ny Fanjakàn'Andriamanitra*. 4Ary indray andro i Jesoa dia niara-nisakafo taminy#1.4 niara-nisakafo taminy: dkt hafa tafaraka taminy. –Momba io tenin'i Jesoa io, dia jereo Lk 24.49. ka nanafatrafatra azy hoe:

–Aza miala eto Jerosalema, fa andraso ilay fanomezana nampanantenain'ny Ray, izay efa renareo tamiko. 5I Jôhany#1.5 Jôhany, izany hoe i Jôhany Mpanao batisa: jereo Mt 3.11; Mk 1.8; Lk 3.15; Jôh 1.33. dia nanao batisa* tamin'ny rano; fa ianareo kosa, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.

6Koa izay tafangona teo amin'i Jesoa dia nanontany Azy hoe:
–Tompo ô, izao ve no fotoana hanarenanao indray ny fanjakana ho an'i Israely#1.6 Ampit Ham 9.11-12; Lk 19.11.?

7Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Tsy anjaranareo ny mahalala ny fotoana na ny vaninandro voatendrin'ny Ray araka ny fahefàny manokana#1.7 Ampit Mk 13.32.. 8Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan'ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran'i Jodea mbamin'i Samaria ary hatrany amin'ny faran'ny tany#1.8 Ampit Mt 28.19; Mk 16.15; Lk 24.47-48..

9Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nakarina any an-danitra teo imason'izy ireo; ary nisy rahona nanakona an'i Jesoa ka tonga tsy hitan'izy ireo intsony Izy#1.9 Ampit 16.19; Lk 24.50-51..
10Raha mbola nibanjina ny lanitra niakaran'i Jesoa teo iny izy ireo, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana fotsy#1.

10 Ampit Lk 24.4. tafajoro tampoka teo anilany 11ka nanao taminy hoe:
–Ry lehilahy galileanina, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesoa Izay nalaina teo aminareo hakarina any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy nankany an-danitra.

vendredi 26 mai 2017

Zoma 26 May 2017 - Apo 7 : 11 - 17

 11Dia nanodidina ny sezafiandrianana sy ireo loholona* ary ny zava-miaina efatra ny anjely* rehetra ka niankohoka teo anoloan'ny sezafiandrianana sady nitsaoka an'Andriamanitra 12nanao hoe: «Amen*! An'Andriamanitsika ny dera sy ny voninahitra amam-pahendrena, ny saotra sy ny haja ary ny fahefana sy ny hery, mandrakizay mandrakizay! Amen.»

13Dia niteny tamiko ny anankiray tamin'ny loholona nanao hoe:
–Iza moa ireo miakanjo fotsy lava ireo ary avy taiza no niaviany?

14Ka novaliako hoe:
–Ianao, tompoko, no mahalala!

Dia hoy izy tamiko:
–Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe#7.14 Ampit Dan 12.1; Mt 24.21; Mk 13.19. ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin'ny ra nafoin'ilay Zanakondry. 15Noho izany, dia mitoetra eo anoloan'ny sezafiandrianan'Andriamanitra izy ireo ka manompo an'Andriamanitra andro aman'alina ao an-tempoliny*; ary Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana dia hiara-monina aminy ka hiaro azy. 16Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana. 17Fa ny Zanakondry Izay mipetraka eo afovoan'ny sezafiandrianana no ho Mpiandry* azy ka hitondra azy ho amin'ny loharano velona; ary hofafàn'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony#7.17 and 16-17: ampit Is 49.10; Sal 23.1; Ezek 34.23; Sal 23.2; Is 25.8..

jeudi 25 mai 2017

Alakamisy 25 May 2017 - II Mpa 2 : 9 - 14

9Rehefa samy tafita izy, dia hoy i Elià tamin'i Elisà:
–Angataho izay tianao hataoko aminao mialoha ny hanesorana ahy ho lavitra anao.

Ary hoy i Elisà:
–Mba te hahazo anjara roa amin'ny fanahinao re aho.

10Fa hoy kosa i Elià:
–Zava-tsarotra no angatahinao, kanefa raha voajerinao aho amin'iny hoesorina hiala aminao iny, dia ho azonao tokoa izany; fa raha tsy voajerinao kosa aho, dia tsy ho azonao izany.

11Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elià dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any.

12Rehefa nijery izany i Elisà, dia niantsoantso hoe:
–Ry dada ô, ry dada ô, mahery noho ireo kalesin'i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny ianao#2.12 Ampit 13.14.!

Nony tsy hitan'i Elisà intsony i Elià, dia notriariny* roa ny fitafiany. 13Ary nalainy ny akanjobe izay nilatsaka avy teny an-tsorok'i Elià#2.13 Io ilay akanjobe natsipin'i Elià tamin'i Elisà (jereo 1 Mp 19.19) mba hitaomany azy hanohy ny asany. Raha toa ka tonga tompon'ilay akanjobe i Elisà ankehitriny, dia satria izy mendrika hisolo an'i Elià.; dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jôrdàna.

14Noraisin'i Elisà ilay akanjoben'i Elià ka nikapohany ny rano, sady nihiaka izy hoe:
–Aiza ny TOMPO Andriamanitr'i Elià? Aiza Izy?

Mba nikapoka ny rano koa i Elisà, dia nisaraka roa izany ary niampita izy.

mercredi 24 mai 2017

Alarobia 24 May 2017 - Oha 2 : 1 - 9

1Anaka, raisonao ny teniko
ary ataovy raki-tsoa ho anao ny didiko.
2Henoy ny teny ataon'ny fahendrena
ka ampiezaho ny fonao hahay manavaka.
3Mangataha fanampiana amin'ny fahalalana,
miantsoa famonjena amin'ny fahaiza-manavaka.
4Fa raha tadiavinao toy ny fitady volafotsy ireo
ary katsahinao toy ny fikatsaka harena nafenina#2.4 Jereo 3.14-16; 8.11; 16.16; Jôb 28.12-19; Kôh 7.11; 9.16-18..
5dia ho fantatrao tokoa ny fanajana ny TOMPO
ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.
6Fa ny TOMPO no manome ny fahendrena;
ary avy amin'ny vavany no mipoitra
ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina#2.6 Jereo Kôh 2.26..
7Mampahomby ny olo-mahitsy Izy
ary toy ny ampinga fiarovana
ho an'izay mandeha tsy misy tsiny.
8Miaro ny lalan'ny fahamarinana Izy
ary miambina izay mpifikitra aminy.

9Raha mihaino Ahy ianao,
dia ho fantatrao ny marina sy rariny
ary hizoranao avokoa ny lalam-pahasambarana.

mardi 23 mai 2017

Talata 23 May 2017 - Jao 3 : 9 - 15

9Dia niteny tamin'i Jesoa i Nikôdema nanao hoe:
–Hatao ahoana no hahatonga izany?

10Ka izao no navalin'i Jesoa azy:
–Mpampianatra eto amin'i Israely* ianao, ka tsy mahalala izany ve? 11Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay ary izay hitanay no ijoroanay ho vavolombelona, nefa tsy raisinareo izany fijoroanay ho vavolombelona izany. 12Raha nilaza taminareo ny zavatra etỳ an-tany Aho, dia tsy inoanareo; ka ahoana no hinoanareo Ahy, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? 13Ary tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona*#3.13 Misy stf sasany ahitana hoe afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona Izay any an-danitra. –Ny amin'ny fitambaran'ity andininy ity, ampit Ohab 30.4; Rm 10.6.. 14Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava varahina tany an-taniefitra#3.14 Jereo Nom 21.9. no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona 15mba ho velona aina mandrakizay izay rehetra mino Azy

lundi 22 mai 2017

Alatsinainy 22 May 2017 - Dan 1 : 17 - 21

17Ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra fahaizana amam-pahalalana amin'ny sehatra rehetra momba ny soratra sy ny fahendrena; ary i Daniela nahafantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy rehetra.

18Rehefa tonga ny andro voatendrin'ny mpanjaka hitondrana ireto zatovo rehetra hankeo anatrehany, dia nentin'ilay lehiben'ny tandapa teo anoloan'i Nebokadnetsara ireo; 19ary niresaka tamin'ireo ny mpanjaka, ka tsy nisy hita izay tahaka an'i Daniela sy i Hananià ary i Misaela sy i Habeda-Negao. Koa dia nanompo ny mpanjaka izy efa-dahy. 20Fony nanontany azy zavatra isan-karazany momba ny fahendrena sy fahaiza-manavaka kosa ny mpanjaka, dia nahatsapa fa nihoatra impolo heny noho ny mpanao majika aman-tsikidy rehetra tao amin'ny fanjakany manontolo ireo.

21Ary i Daniela dia nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i Kirosy#1.21 Jereo Hez 1.1 sy nta..

dimanche 21 mai 2017

Alahady 21 May 2017 - Efe 4 : 1 - 6

1Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay migadra noho ny amin'ny Tompo: manàna fitondrantena mendrika ny fiantsoan'Andriamanitra anareo. 2Manetre tena lalandava, aoka halemy fanahy sady hahari-po. Mifandefera amim-pitiavana. 3Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo. 4Iray ny tena ary iray ny Fanahy, toy ny maha iray ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo. 5Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa*; 6iray Andriamanitra sady Rain'ny kristianina rehetra, manjaka amin'izy rehetra, miasa amin'ny alalan'izy rehetra ary mitoetra ao amin'izy rehetra.

samedi 20 mai 2017

Sabotsy 20 May 2017 - Jak 1 : 5 - 7

5Kanefa raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin'Andriamanitra fa homeny#1.5 Ampit Ohab 2.3-6.; satria manome malalaka ho an'ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy mba mandatsa. 6Tsy maintsy mino tsara anefa izy rehefa mangataka, fa tsy hiahanahana; satria izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina tsofin'ny rivotra sy atopatopany. 7Aoka tsy hanampo handray zavatra avy amin'ny Tompo ny olona toy izany,

vendredi 19 mai 2017

Zoma 19 May 2017 - Jao 17 : 20 - 26

20Tsy ho an'ireto ihany no ivavahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny. 21Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra: Ray ô, enga anie ho ao anatintsika izy rehetra tahaka Anao ato anatiko ary Izaho ao anatinao, mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy. 22Efa nomeko azy ireo ny voninahitra nomenao Ahy mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika: 23Izaho ao anatiny, Ianao ato anatiko, hany ka ho iray tanteraka izy, dia ho fantatr'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy sady Ianao efa tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy.

24Ray ô, tiako hiaraka amiko any amin'izay misy Ahy ireo nomenao Ahy mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy noho Ianao efa tia Ahy talohan'ny nahariana izao tontolo izao. 25Ray ô, mandala ny rariny Ianao, ka tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto efa nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. 26Efa nampahafantariko azy ireo ny anaranao sady mbola hampahafantariko hatrany, mba ho ao amin'ireo ny fitiavana izay nitiavanao Ahy ary mba ho ao anatiny koa Aho.

jeudi 18 mai 2017

Alakamisy 18 May 2017 - I Kor 13 : 1 - 3

1Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny fitenin'ny anjely* aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia zary varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny. 2Na dia manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra aza aho ka hahatakatra ny zava-miafina rehetra sady ho feno ny fahaizana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra ilaina mba hahafindra tendrombohitra aza aho13.2 Ampit Mt 17.20; 21.21; Lk 11.23., saingy tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona ihany. 3Na dia mizara ny fananako rehetra amin'ny mahantra sy mahafoy ny tenako mba hireharehako aza aho, saingy tsy manam-pitiavana13.3 sy mahafoy ny tenako... manam-pitiavana: misy stf sasany ahitana hoe ary na ana dia mahafoy ny tenako hodorana aza aho saingy tsy manam-pitiavana. , dia tsy misy mahasoa ahy akory izany.

mercredi 17 mai 2017

Alarobia 17 May 2017 - I Sam 18 : 12 - 16

12Natahotra an'i Davida i Saoly, satria fantany fa nomba azy ny TOMPO, saingy ny tenany kosa efa nialany. 13Izany no antony nampihatahany an'i Davida tsy ho eo aminy, ka nanaovany azy ho filohan'ny andian-tafika iray. Izy no nitarika ny miaramila niantafika, 14ary fahombiazana hatrany no azon'i Davida tamin'izay rehetra nataony, satria nomba azy ny TOMPO. 15Nitombo hatrany kosa ny tahotr'i Saoly, rehefa hitany ireo fahombiazana azon'i Davida. 16Eo an-danin'izany anefa, ny Israelita sy ny Jodeanina dia samy tia an'i Davida avokoa, satria izy no nitarika azy isaka izay niantafika.

mardi 16 mai 2017

Talata 16 May 2017 - Oha 15 : 1 - 9

1Famaliana am-pitiavana mampitony hatezerana;
fa teny mitratreva kosa mahatonga havinirana.
2Ny fitenin'ny hendry manosaka fahalalana mahasoa;
fa ny vavan'ny adala kosa mampiely fahadalana.
3Ny mason'ny TOMPO dia mijery eny rehetra eny
ka mahita ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4Ny teny mamy dia mitondra aina;
fa ny vava ratsy kosa mandrera-po15.4 Jereo 3.18 sy nta..
5Ny adala manamavo ny fananaran-drainy;
fa izay mandray tsikera no hita ho hendry.
6Harem-be no ao an-tranon'ny olo-marina;
fa mampiahiahy kosa no harikaren'ny olon-dratsy.
7Ny tenin'ny hendry mampiely fahalalana;
fa hafa noho izany kosa ny fon'ny adala.
8Halan'ny TOMPO ny sorona* aterin'ny olon-dratsy;
fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.
9Halan'ny TOMPO ny fitondrantenan'ny olon-dratsy;
fa tiany kosa ny mpandala ny fahamarinana.

lundi 15 mai 2017

Alatsinainy 15 May 2017 - Asa 6 : 8 - 15

8Feno fitahiana sy hery avy amin'Andriamanitra i Stefàna ka nanao zava-mahagaga sy famantarana* lehibe teo amin'ny vahoaka. 9Nisy anefa olona sasany nanohitra azy: dia olona avy amin'ny sinagôga*n'ny Libertina6.9 Ny Libertina na hoe mpanompo afaka dia ireo taranaky ny Jiosy nentin-ko babo sy tonga mpanompo fahiny, tamin'ny andron'i Prompèy mpitari-tafika rômanina (taona 63 tal J. K.) ary nafahana tatỳ aoriana., sy ny sinagôgan'ny Aleksandrianina mbamin'ny sinagôgan'ireo terak'i Silisia sy ny faritany Azia. Niady hevitra tamin'i Stefàna izy rehetra ireo, 10kanefa tsy nahatohitra ny fahendrena avy amin'ny Fanahy Masina Izay nampiteny an'i Stefàna. 11Tamin'izay dia nanarama olona izy ireo hilaza hoe: «Renay nanevateva an'i Mosesy ary nanevateva an'Andriamanitra iny Stefàna iny6.11 Ampit Mt 26.59-61; Mk 14.55-58..» 12Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona* ary ny mpahay lalàna*. Dia nirohotan'ireo mpanohitra azy i Stefàna, ka nosamboriny ary nentiny ho any amin'ny Fitsarana ambony* 13sady nananganany vavolombelona mandainga hiampanga azy hoe:

–Tsy mitsahatra miteny manohitra ity tempoly* masina ity sy ny lalànan*'i Mosesy io lehilahy io, 14satria efa renay nilaza fa hoe i Jesoa avy any Nazareta dia handrodana ity tempoly ity ary hanova ny fanao natolotr'i Mosesy antsika.

15Samy nibanjina an'i Stefàna izay rehetra tao amin'ny Fitsarana ambony ka nahita ny tarehiny miendrika tarehin'anjely*.

dimanche 14 mai 2017

Alahady 14 May 2017 - Mar 6 : 1 - 3

1Dia niala teo i Jesoa ka nankany amin'ny tanàna nahabe Azy6.1 ny tanàna nahabe Azy, izany hoe Nazareta. Ampit Mt 13.54. sy nta., ary nanaraka Azy tany koa ny mpianany*. 2Ary nony sabata ny andro, dia nampianatra tao amin'ny sinagôga* i Jesoa; dia talanjona ireo olona maro nihaino Azy ka vaky vava hoe:

–Avy taiza re no nahazoan'ilay io izany zavatra izany? Ary ahoana izato fahendrena nomena azy sy ireto asa mahagaga vitany? 3Tsy ilay mpandrafitra ve io, ilay zanak'i Maria6.3 Ampit Jôh 6.42. sady rahalahin'i Jakôba sy i Jôsèta ary i Joda sy i Simôna? Ary tsy ireto miara-monina amintsika ireto ve ny anabaviny?

samedi 13 mai 2017

Sabotsy 13 May 2017 - Mat 13 : 53 - 58

53Rehefa vitan'i Jesoa ireo fanoharana* ireo, dia niala teo Izy 54ary nankany amin'ny tanàna nahabe Azy13.54 tanàna nahabe Azy: izany hoe i Nazareta. Jereo 2.23 sy Lk 4.16.. Nampianatra ny olona tao amin'ny sinagôga* i Jesoa, hany ka talanjona ry zareo sady loa-bolana hoe:

–Avy taiza re no nahazoan'ilay io izany fahendrena izany sy nahavitany ireny asa mahagaga ireny? 55Tsy ny zanak'i Jôsefa mpandrafitra ve io? Tsy i Maria ve no anaran-dreniny? Tsy i Jakôba sy i Jôsefa ary i Simôna sy i Joda ve no anaran'ireo rahalahiny13.55 Ampit Jôh 6.42. –Jôsefa (faharoa): misy stf sasany ahitana hoe Jôsèta (ampit Mk 6.3).? 56Ary moa tsy miara-monina amintsika avokoa ve ireo anabaviny? Koa avy taiza àry ny nahazoan'ilay io izany rehetra izany?

57Dia voasakana tsy hino Azy ry zareo. Fa hoy i Jesoa taminy:
– Mpaminany* tsy hajaina eo amin'ny tanàna nahabe azy sy eo amin'ny fianakaviany, na dia heni-kaja any an-kafa aza13.57 Ampit Lk 4.24; Jôh 4.44.!

58Ary tsy nahavita asa mahagaga firy teo i Jesoa, noho ry zareo tsy nanam-pinoana.

vendredi 12 mai 2017

Zoma 12 May 2017 - Gen 41 : 33 - 40

33Koa ankehitriny, ry Farao, mijere olona marani-tsaina sady hendry, ka tendreo izy hanam-pahefana amin'ny tany Ejipta. 34Dia manendre koa solotena hanangona ny ampahadimin'ny vokatra eto amin'ny tany mandritra ny fito taona zina. 35Aoka hangonin'ireo ny sakafo mandritra ny fito taona ho avy, ka hotahiriziny eo ambany fiahianao ny vary ho fiandry any amin'ny isan-tanàna. 36Amin'izay dia hanana tahirin-tsakafo ho amin'ny fito taona mosarena i Ejipta, ka tsy ho fongan'ny mosary ny tany.

37Sitraky ny Farao* sy ny mpanompony ny soso-kevitr'i Jôsefa, 38ka hoy ny Farao tamin'ireo mpanompony:
–Aiza indray isika no hahita lehilahy manana ny Fanahin'Andriamanitra tahaka ity?

39Dia hoy izy tamin'i Jôsefa:
–Satria nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy olon-kendry sy manan-tsaina toa anao. 40Koa ianao no hitantana ny fanjakako, ary ny vahoakako rehetra dia hankato ny baikonao, ka ny maha mpanjaka ahy ihany no maha ambony ahy noho ianao.

jeudi 11 mai 2017

Alakamisy 11 May 2017 - Isa 28 : 26 - 29

26Izany no fomba natoron'Andriamaniny azy;
izany no nampianariny azy.

27Fa tsy fitaovam-pivelezana misy vy
no anintsanam-boa ny nigela,
ary tsy kodian-tsarety
no anintsanam-boa ny komina28.27 Ny vary no afofoka amina fitaovam-pivelezana tarihin'omby, fa tsy ny anana misy voany toy ny nigela na ny komina.;
fa tehina no anintsanam-boa ny nigela,
ary fantàka no anintsanam-boa ny komina.
28Saingy ny vary fanao mofo kosa
dia tsy tokony homongoina fa hovelesina;
hampanitsahana ny salohim-bary
ny fitaovam-pivelezana tarihin'omby,
kanefa tsy homongoina tsy akory ny vary.
29Izany koa dia avy amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao,
Ilay maneho fikasana mahagaga
sy fahaiza-manao mahatalanjona.

mercredi 10 mai 2017

Alarobia 10 May 2017 - I Pet 4 : 7 - 11

7Antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka. 8Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa4.8 Jereo Ohab 10.12; Jak 5.20.. 9Mifampiantranoa ka aza asiana monomonona. 10Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, mova tsy mpitandrim-pananana mitantana tsara ny fanomezana maro samy hafa avy amin'Andriamanitra. 11Izay mitoriteny, aoka ho toy ny milaza ireo hafatr'Andriamanitra; izay manompo4.11 Heverina fa izany fanompoana izany dia miantefa indrindra amin'ny fanompoana ny mahantra (ampit Asa 6.2-4; Rm 12.7)., aoka ho araka ny hery ampombain'Andriamanitra azy; ka dia amin'ny zavatra rehetra no hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy*, fa an'Andriamanitra ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen*.

mardi 9 mai 2017

Talata 09 May 2017 - Eks 31 : 1 - 11

1Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy:

2–Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin'i Orỳ sady zafikelin'i Hora, avy amin'ny fokon'i Joda, 3ary nofenoiko ny Fanahiko mba ho tena kinga sy marani-tsaina ka mahalala ny haitao isan-karazany: 4hainy ny manao vinavinan'asa, ny miasa volamena sy volafotsy ary halimo, 5ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa. 6Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin'i Ahisamàka, avy amin'ny fokon'i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an'ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao: 7dia ny Tranolay fihaonana*, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana*, ny saron'ny Vatamasina, ny fitaovana rehetra momba ny tranolay masina, 8ny latabatra voatokana, ny fitoeran-jiro volamena madio sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny alitara* fandoroana vovo-javamanitra, 9ny alitara fanaovana sorona* sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny tavy fidiovana sy ny faladiany, 10ny lamba fandrakofana ny fanaka31.10 lamba fandrakofana: tsy azo antoka ny hevitry ny voambolana hebreo nadika eto., ny fanamiana voatokana hiakanjoan'i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany, 11ny ilomasina fampiasa amin'ny fanokanana, ary ny vovo-javamanitra voatokana ho an'ny Toeramasina. Hanaraka tanteraka ny torolalana izay nandidiako anao ny mpahay taozavatra amin'ny fanaovana ireo rehetra ireo.

lundi 8 mai 2017

Alatsinainy 08 May 2017 - Kol 1 : 24 - 29

24Ankehitriny aho dia mifaly amin'ny fijaliana iaretako noho ny aminareo, satria miferinaina ara-batana aho ka mameno izay tsy ampy tamin'ny fahorian'i Kristy*1.24 fahorian'i Kristy: ny teny grika nadika hoe fahoriana eto dia ilazana ny fitsapana rehetra miara-dalana amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sady manandrify manokana izao andro farany izao. Ampit Mt 24.9; Apôk 7.14. ho an'ny tenany, izany hoe ho an'ny Fiangonana. 25Tonga mpanompon'ny Fiangonana aho, araka ny andraikitra nomen'Andriamanitra hotontosaiko aminareo: dia ny manatanteraka ny fitoriana ilay tenin'Andriamanitra, 26izany hoe ilay tsiambaratelo nafenin'Andriamanitra tamin'ny taranak'olombelona hatramin'ny fahagola, fa ankehitriny kosa efa nasehony tamin'ny vahoakany*. 27Ny vahoakany tokoa no nirin'Andriamanitra hampahafantarina ny maha sarobidy sy maha be voninahitra izany tsiambaratelo anasoavana ny firenena rehetra izany, dia intỳ: ao anatinareo i Kristy, antoky ny voninahitra homena anareo. 28Koa dia mitory an'i Kristy amin'ny olona rehetra izahay. Samy anarinay sy ampianarinay amim-pahendrena tokoa ny olona, mba hahatonga azy rehetra ho tanteraka noho izy tafaray amin'i Kristy. 29Hahatontosako izany andraikitra izany, dia mikely aina sy miezaka mafy aho, araka ny hery tsy hay tohaina omen'i Kristy sady miasa fatratra ato anatiko.

dimanche 7 mai 2017

Alahady 07 May 2017 - Dan 2 : 13 - 23

 13Dia navoaka ny didy mampamono ho faty ireo olon-kendry; ary notadiavina koa i Daniela sy ny namany mba hovonoina ho faty.

14Ary niainga tokoa i Ariôka, lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, mba hamono ho faty ireo olon-kendrin'i Babilôna. Kanefa teny feno fahamalinana sy fahendrena no nasetrin'i Daniela an'i Ariôka; 15nanontaniany momba ny antony nahahenjana ny didy navoakan'ny mpanjaka i Ariôka, dia nampahafantatra azy ny toe-javatra. 16Avy eo nankany amin'ny mpanjaka i Daniela ary niangavy azy mba hanome fotoana hahazoany manambara amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofiny.

17Dia nody tany an-tranony i Daniela ka nampahafantatra an'i Hananià sy i Misaela ary i Hazarià namany ny toe-javatra; 18ary nangatahiny izy telo lahy mba hitalaho ny famindrampon'ilay Andriamanitry ny lanitra* momba ity zava-miafina ity, ka mba tsy haringana miaraka amin'ireo olon-kendrin'i Babilôna sisa i Daniela sy ny namany. 19Ary naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana nandritra ny alina ilay zava-miafina; koa nidera an'ilay Andriamanitry ny lanitra izy. 20Dia niteny i Daniela ka nanao hoe:

«Hisaorana anie ny anaran'Andriamanitra
hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay,
satria Azy ny fahendrena sy ny hery!
21Izy no tompon'ny fotoana sy ny tantara;
Izy no manonga-mpanjaka sy mananga-mpanjaka;
Izy no manome ny fahendrena ho an'ny hendry
ary ny fahaiza-manavaka ho an'ny mahira-tsaina.
22Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina
sady mahalala izay misy ao amin'ny maizina,
satria ny mazava no miara-mitoetra aminy.
23Misaotra sy midera Anao aho,
ry Andriamanitry ny razako ô,
satria nomenao fahendrena sy hery.
Ary ankehitriny nampahafantarinao ahy
izay zavatra nangatahinay taminao,
ka nambaranao anay ilay nofin'ny mpanjaka.

samedi 6 mai 2017

Sabotsy 06 May 2017 - I Tan 29 : 6 - 9

6Tamin'zay, dia samy nanolotra fanomezana an-tsitrapo avokoa ny lohan-pianakaviana, ny filohan'ireo fokon'i Israely, ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, mbamin'ny mpiandraiki-draharahan'ny mpanjaka 7ka nanome izay hanaovana ny fanompoana ao amin'ny tranon'Andriamanitra: dia volamena milanja 170 taonina; farantsa volamena miisa 10 000; volafotsy milanja telonjato taonina; halimo milanja eninjato taonina eo ho eo ary vy milanja telo arivo taonina. 8Izay nanana vatosoa dia nanome azy teo am-pelatanan'i Jehiela, taranak'i Gersôna29.8 Io olona io ihany no antsoina hoe Jehiely, 26.21., mba ho zava-tsarobidy tahirizina ao an-tranon'ny TOMPO. 9Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin'ny fony manontolo no nanaovany an'izany ho an'ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.

vendredi 5 mai 2017

Zoma 05 May 2017 - Rom 16 : 17 - 20

17Manainga anareo aho, ry havana, hitandrin-tena amin'ireo mahatonga fisarahana sy mitaona amin'ny ratsy ka manohitra ny fampianarana noraisinareo; halaviro ireny. 18Satria tsy i Kristy* Tompontsika no tompoin'ny toy ireny, fa izay danin'ny kibony16.18 Ampit Fil 3.19., ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an'ireo tso-po. 19Efa malaza amin'ny olona rehetra manko fa manaiky an'i Kristy ianareo; ary faly aminareo aho, ka ny irîko ho toetranareo dia izao: ho kinga raha ny amin'ny tsara ary tsy hiray petsapetsa amin'ny ratsy. 20Ilay Andriamanitra loharanon'ny fiadanana kosa hanorotoro faingana an'i Satàna* eo ambany tongotrareo!

Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Tompontsika16.20 Misy stf sasany tsy ahitana ny hoe Momba anareo... Tompontsika. !

jeudi 4 mai 2017

Alakamisy 04 May 2017 - Oha 14 : 1 - 9

1Ny fahendren'ny vehivavy no mahamafy tokantrano;
fa ny fahadalàny kosa maharava izany.
2Izay mizotra amim-pahitsiana no manaja ny TOMPO;
fa izay maniasia kosa manamavo Azy.
3Ny tenin'ny adala no itsimohan'ny fiavonavonana;
fa ny resaky ny hendry kosa fiarovana ho azy.
4Raha tsy misy omby, dia foana ny efitrano fitahirizam-bary.
Fa ny omby matanjaka no mampahazo vokatra betsaka.
5Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mandainga;
fa ny vavolombelona sandoka kosa milaza lainga.
6Mba mitady fahendrena ny mpaniratsira, fa tsy mahita;
Fa izay manan-tsaina kosa mora mahazo fahalalana.
7Halaviro ny olona adala,
fa tsy hahitanao teny fahalalana.
8Mitandrim-pitondrantena ny malina satria hendry;
Verin'ny hadalany kosa ny olona adala.
9Tsy miraharaha izay hanonitra fahadisoana ny adala;
fa ny olo-mahitsy ihany no mahatsapa fahafaham-po.

mercredi 3 mai 2017

Alarobia 03 May 2017 - Lio 1 : 8 - 17

8Indray andro dia nanao fisoronana teo anatrehan'Andriamanitra tao an-tempoly* i Zakarià, satria tonga ny anjaran'ny antokony. 9Naroso ny antsapaka araka ny fanaon'ny mpisorona ka izy no voatendry handoro ny ditin-kazo manitra* ao amin'ny Toeramasin'ny Tompo*1.9 Jereo Eks 30.7-8.. 10Nivavaka teo ivelany kosa ny vahoaka rehetra nandritra ny fotoana nandoroana ny ditin-kazo manitra. 11Tamin'izay dia nisy anjeli*n'ny Tompo niseho tamin'i Zakarià sady nijoro teo ankavanan'ny alitara* fandoroana ny ditin-kazo manitra1.11 Jereo Eks 30.1-6; 1 Mp 7.48.. 12Taitra mafy ka raiki-tahotra i Zakarià nony nahita azy.

13Fa hoy ilay anjely taminy:
–Aoka izay ny tahotra, ry Zakarià, fa efa nohenoin'Andriamanitra ny vavakao: Hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. I Jôhany no hataonao anarany. 14Ho faly sy ravo ianao ary ny besinimaro koa ho faly amin'ny hahaterahany! 15Eny, ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy, ary hifady divay sy zava-pisotro hafa mahamamo1.15 Ampit Nom 6.3., sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny. 16Maro amin'ny Israelita no hampodîny amin'ny Tompo Andriamanitra1.16 Ampit Mal 2.6.. 17Hombàn'ny fanahy aman-kerin'i Elià mpaminany* izy ka hialoha ny Tompo, mba hampifandray am-po ny ray aman-dreny sy zanaka sady hamerin-doha ny maditra ho olo-marina feno fahendrena1.17 Mal 3.23-24., ary dia hanomana vahoaka vonona handray ny Tompo.

mardi 2 mai 2017

Talata 02 May 2017 - Mpi 9 : 13 - 16

13Fa namaly azy ny voaloboka hoe: ‹Dia holaviko ve ny hamokatra divay izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin'ny hazo hafa aho?› 14Farany, dia ny kirihitra tsilo no nitenenan'ny hazo rehetra hoe: ‹Andao ianao hanjaka aminay.› 15Ary namaly azy ny kirihitra tsilo hoe: ‹Raha sitrakareo tokoa ny hifidy ahy ho mpanjakanareo, dia avia mipetraka eto ambany alokaloko ianareo! Fa raha tsy hanao izany ianareo, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin'ny tsiloko ka handoro hatramin'ny hazo sederan'i Libano9.15 I Libano, tendrombohitra mitandavana eo avaratr'i Palestinina, dia malaza tamin'ny ala sedera.  aza!› »

16Dia hoy ihany i Jôtama hoe:
–Ankehitriny àry, moa rariny sy hitsiny ve ny nataonareo fony nampanjaka an'i Abimelèka ianareo? Mety ve ny nataonareo tamin'i Jerobahala sy ny ankohonany? Araka ny soa vitany taminareo ve no navalinareo azy?

lundi 1 mai 2017

Alatsinainy 01 May 2017 - Rom 16 : 25 - 27

25Ho an'Andriamanitra anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay mampahery anareo araka ny Vaovao Mahafaly* ambarako, araka ny hafatra torîko momba an'i Jesoa Kristy*, araka ny fanehoana tamiko ny tsiambaratelo takona hatrizay tao amin'Izy Andriamanitra. 26Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin'ny alalan'ny soratr'ireo mpaminany*, araka ny didin'ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an'i Kristy. 27Eny, ho an'Andriamanitra hany manam-pahendrena anie ny voninahitra, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, mandrakizay mandrakizay! Amen*.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12