mercredi 31 mars 2021

Alarobia 31 Martsa 2021 - Apo 3 : 7 - 13

 7–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia:

«Izao no lazain’ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha. 8Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy. 9Indro atolotro anao ny sasany avy amin’ireo olona mivavaka amin’i Satàna: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin’ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin’izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin’ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

12«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin’ny tempolin’Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ilay tanànan’Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.

13«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana.»

mardi 30 mars 2021

Talata 30 Martsa 2021 - Sal 17 : 1 - 12

 1 Vavaka nataon’i Davida

Mandrenesa, TOMPO ô! Mitaky rariny aho.

Enga anie ho tandrinao izato fitarainako!

Mba henoy re ny vavaka ataoko

fa teny tsisy fitaka izany.

2Avy aminao no tokony hivoaka

ny didim-pitsarana momba ahy,

satria mahita ny hitsiny Ianao.

3Efa nandinika ny foko Ianao,

ary avy alina namotopototra ahy;

nizaha sy nisedra ny toetrako Ianao

fa tsy nahita n’inona n’inona hokianina.

Tsy niteny ratsy

4toy ny ataon’ny olona aho

fa ny baiko voalazanao no hany notandremako.

Ny sori-dalan’ny didinao

5no nifikiran’ny diako;

ny tongotro tsy mba nivoana

hiala amin’ireo soritrao.

6Koa miantso Anao aho, Andriamanitra ô,

satria mamaly vavaka Ianao.

Aoka mba hanongilan-tsofina amiko Ianao

handrenesanao izay lazaiko!

7Asehoy ahy ny fitiavanao mahagaga,

dia Ianao Izay mpamonjy amin’ny mpampahory

ho an’ireo mialoka eo ankavananao.

8Tandremo toy ny anakandriamaso aho

ka afeno sy arovy eo ambany elatrao

9mba tsy ho azon’ny olon-dratsy

izay mampahory ahy tokoa,

dia ireo fahavalo romotra

tonga manemitra ahy.

10Tsy mba manana fo mangoraka izy,

ary ny teniny feno avonavona.

11Mitsongo dia ahy no ataony;

ka indreo izy manodidina ahy

sady mibandrina ahy

fa te hamotraka ahy an-tany,

12toa liona mamitsaka am-pierena

efa may ny hamiravira remby.

lundi 29 mars 2021

Alatsinainy 29 Martsa 2021 - Mat 21 : 1 - 10

 1Ary nanakaiky an’i Jerosalema i Jesoa mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka tonga teo anilan’ny tanàna Betifage, eo amin’ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva. Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

2–Mankanesa amin’itsy tanàna manoloana anareo itsy. Vantany vao migadona ao ianareo, dia hahita boriky vavy mifatotra sy ny zanany miaraka aminy: vahao ilay boriky vavy dia ento atỳ amiko ombàn-janany. 3Ary raha misy olona manontany anareo, dia valio hoe: «Misy ilàn’ny Tompo azy!» Dia havelany hoentinareo miaraka amin’izay ny boriky vavy sy ny zanany.

4Izany dia tonga mba ho tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:

5«Izao lazaina amin’ny mponina ao Tsiôna:

Indro ny mpanjakanareo fa tonga eo aminareo,

feno halemem-panahy sady mitaingina boriky vavy

dia boriky vavy ombàn-janany, zanaky ny mitondra zioga.»

6Dia nandeha ireto mpianatra ka nanao araka ny nandidian’i Jesoa azy. 7Nentin’izy roa lahy ny boriky vavy ombàn-janany; ary ny mpianatra rehetra dia samy nametraka ny lambany teo ambonin’ny boriky vavy ombàn-janany, ka tambony lamba i Jesoa no nitaingina. 8Be tokoa ny vahoaka namelatra ny lambany teny amin’ny lalan’i Jesoa; ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka no naparitany teny amin’ny lalan’i Jesoa. 9Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe:

«Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida!

Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie

Ilay avy!

Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra!»

10Ary nony efa tafiditra tao Jerosalema i Jesoa, dia nihotakotaka avokoa ny iray tanàna ka nanontany hoe:

–Iza moa io lehilahy io?

dimanche 28 mars 2021

Alahady 28 Martsa 2021 - Zak 9 : 9 - 11

 9Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna!

Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema!

Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo;

marina sady mandresy Izy,

feno halemem-panahy sady mitaingina boriky,

dia boriky tanora zana-borikivavy.

10Hofoanany tsy ho ao Efraîma intsony ny kalesy

ary tsy ho ao Jerosalema ny soavaly fitondra miady

Hopotehiny ny tsipîkan’ady

ary hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy.

Ny fifehezany dia hatreo amin’ny ranomasina iray

ka hatrany amin’ny ranomasina iray hafa,

ary hatreo amin’ny onin’i Eofrata

ka hatrany am-paran’ny tany.


11Dia hoy ny Tompo hoe:

«Ny aminareo kosa, ry mponin’i Tsiôna,

noho ianareo nanaovako fanekempihavanana

izay nohamafisina tamin’ny ran-tsorona,

no efa namoahako ny mpigadranao

toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.

samedi 27 mars 2021

Sabotsy 27 Martsa 2021 - Job 2 : 1 - 10

 1Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin’ny TOMPO ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satàna. 2Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna:

–Avy taiza moa ianao?

Dia namaly ny Tompo izy hoe:

–Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody tany aho.

3Hoy indray ny Tompo taminy:

–Efa nahita an’i Jôba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka mifady ny ratsy. Ary na dia nandrisika Ahy hamely azy tsy amin’antony aza ianao, dia mbola mahatoky ihany izy.

4Fa mbola namaly ny Tompo i Satàna ka nanao hoe:

–Hoditra solon’ny hoditra. Izay ananan’ny olona dia homeny hiarovany ny ainy. 5Fa ahinjiro aminy ange ny tananao ka kasiho ny taolany sy ny nofony e, raha tsy an-kitsirano izao no haniratsirany Anao!

6Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna:

–Indro eo am-pelatananao izy, ny ainy tokana ihany tsimbinina.

7Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna ka namely aretin-koditra mahatsiravina an’i Jôba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany. 8Dia nitombina teo an-davenona i Jôba ary naka vakim-bilany tany hihaorany.

9Ary hoy ny vadiny taminy:

–Mbola mikiry amin’ny fahamarinanao foana ve ianao? Lavy Andriamanitra, dia matesa any ianao!

10Dia hoy i Jôba namaly azy:

–Miteniteny foana tahaka ny vehivavy adala ianao. Raha ekentsika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra tsara, nahoana no tsy ekentsika ny zavatra ratsy ho avy aminy?

Tamin’izany fitsapana azy izany, dia tsy mba nanota tamin’ny molony i Jôba na dia kely aza.

vendredi 26 mars 2021

Zoma 26 Martsa 2021 - Lio 8 : 11 - 15

 11–Koa izao àry no dikan’ilay fanoharana teo. Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. 12Ireny teo amoron-dalana dia izay mahaheno ihany; kanjo avy ny devoly, ka manaisotra ny teny tao am-pony sao mino izy ka ho voavonjy. 13Ireny teo ambony vatolampy kosa dia izay mahaheno sady mandray ny teny an-kafaliana nefa tsy mandatsaka lalina izany ao aminy; mba mino vetivety ihany izy, kanjo mihemotra amin’ny fotoana fitsapana. 14Ny latsaka teo amin’ny tsilo indray dia izay mahaheno ihany koa; kanjo eny an-dalam-pivahiniana, voagejan’ny ahiahy sy ny harena ary ny fahafinaretan’ny fiainana mandalo ka tsy mahavanom-boa. 15Ny latsaka tamin’ny tany tsara kosa dia izay mahaheno ny teny amin’ny fo tsara sy lavorary, ka mitana azy, ary mamokatra amin’ny faharetana.

mardi 23 mars 2021

Talata 23 Martsa 2021 - Lio 18 : 35 - 43

 35Rehefa mby teo akaikin’i Jerikao i Jesoa, dia nisy jamba anankiray efa nitalapetraka teo an-tsisin-dalana nangataka. 36Henony nihaohao ny vahoaka mitanjozotra ka nanontaniany hoe: «Inona izany?» 37Nampahalalain’ny olona izy fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo. 38Koa velona antso amin’izay izy nanao hoe:

–Ry Jesoa, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

39Norahonan’ireo olona lohalalana ralehilahy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:

–Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!

40Niato i Jesoa ary nasainy hoentina eo aminy izy, ka nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:

41–Inona no tianao hataoko aminao?

Ka novalian’ilay jamba hoe:

–Tompo ô, ny hampahiratra ahy!

42Dia hoy i Jesoa taminy:

–Mahirata, ny finoanao no nahasitrana anao!

43Dia nahiratra teo no ho eo ihany izy, ary lasa nanaraka an’i Jesoa sady nanome voninahitra an’Andriamanitra. Ny vahoaka rehetra koa, raha nahita, dia nidera an’Andriamanitra.

lundi 22 mars 2021

Alatsinainy 22 Martsa 2021 - Sal 68 : 8 - 12

 8Andriamanitra ô, fony Ianao niainga

mba hialoha ny vahoakanao

ka namakivaky izany taniefitra,

9dia nihovotrovotra ny tany,

nanorana koa ny habakabaka

teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Sinay,

teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Israely.

10Ranonoram-pitahiana no narotsakao

ka velombelona terỳ ilay taninao lany hery.

11Tao ny vahoakanao no niorim-ponenana,

fa izany no namboarinao ho an’ny ory

satria tsara fo Ianao, Andriamanitra ô.

12Injao ny Tompo mandefa hafatra,

ka dia zavon-tany ny vehivavy

mitondra ny vaovao manao hoe:

samedi 20 mars 2021

Sabotsy 20 Martsa 2021 - Jao 6 : 16 - 21

 16Nony hariva ny andro, dia nidina nankeny amoron’ny farihy ireo mpianatr’i Jesoa. 17Ary niondrana an-tsambokely izy ireo ka nita ny farihy ho any Kafarnahòma. Efa maizina ny andro tamin’izay, nefa i Jesoa mbola tsy tonga teo amin’ireo mpianany; 18ary nanonja ny farihy, satria nifofofofo mafy ny rivotra. 19Rehefa nivoy tokony ho dimy na enina kilaometatra izy ireo, dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony farihy sy nanakaiky ny sambokely; hany ka raiki-tahotra ireo mpianatra. 20Fa hoy kosa i Jesoa taminy:

–Izaho ihany ity, fa aoka izay ny tahotra!

21Dia te handray Azy ho eo an-tsambokely ireo mpianany; nefa niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasain’izy ireo haleha ny sambokely.

vendredi 19 mars 2021

Zoma 19 Martsa 2021 - Deo 8 : 1 - 14

 1Ny didy izay ampitaiko aminareo anio dia imasoy avokoa ny hanatanteraka azy, mba ho velona ianareo sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay tamim-pianianana no nampanantenan’ny TOMPO azy ny razambenareo. 2Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin’izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia. 3Rehefa nampanetry tena sy namela anareo ho noana Izy, dia namahana anareo tamin’ny mana izay hanina tsy fantatrareo na ny razanareo; tiany hampahalalaina anareo manko fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan’ny TOMPO. 4Ny fitafianareo tsy rovitra, ny tongotrareo tsy mivonto, nandritra izay efapolo taona izay. 5Dia hoekenareo ao am-ponareo fa tahaka ny anabeazan’ny raim-pianakaviana ireo zanany no nanabeazan’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo; 6ka hotandremanareo ny didiny mba hizoranareo amin’ny lalany sy hanajanareo Azy.

Ny zavatra mety hanadinoana ny Tompo any amin’ny tany nampanantenaina

7Tany soa no efa hampidiran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo: dia tany misy renirano sy loharano ary rano mitoby anaty tany ka miboiboika eny amin’ny lemaka na eny an-tendrombohitra; 8tany vokatra varimbazaha sy vary ôrza ary koa voaloboka sy aviavy aman’ampongabendanitra; tany itobahan’ny menaka ôliva sy tantely; 9tany hahitanareo vy sy vato eo aminy ary hihadianareo varahina ny tendrombohiny. Hanaram-po hihinan-kanina ianareo sady tsy hanan-java-mahory akory eo amin’izany tany izany. 10Ary rehefa hihinana ka ho voky ianareo, dia hisaotra ny TOMPO Andriamanitrareo noho ny tany soa nomeny anareo.

11Kanefa tandremo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy tandremanareo ny didy sy ny fitsipika aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio. 12Eny, hihinana sy ho voky ianareo, hanao trano tsara hitoeranareo, 13hihamaro omby sy ondry aman’osy, hitombo volafotsy sy volamena, ary hiavosa fananana isan-karazany; 14saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo.

jeudi 18 mars 2021

Alakamisy 18 Martsa 2021 - Dan 1 : 11 - 21

 11Dia hoy i Daniela tamin’ny mpiandraiki-draharaha izay voatendrin’ny lehiben’ny tandapa hikarakara azy sy i Hananià ary i Misaela sy i Hazarià:

12–Mba tsapao mandritra ny folo andro aloha izahay mpanomponao, ka anana sy rano ihany omena hohaninay sy hosotroinay. 13Avy eo dia hojerenao ny endrikay sy ny an’ireo zatovo izay mihinana ny hanina fihinan’ny mpanjaka, ka araka izay ho hitanao no hataonao aminay.

14Dia nekeny izany soso-kevitra izany, ka notsapainy nandritra ny folo andro izy efa-dahy. 15Ary nony tapitra ny folo andro, dia hita fa tsara endrika sy natavy kokoa izy noho ny zatovo rehetra izay nihinana ny hanina fihinan’ny mpanjaka. 16Koa nesorin’ilay mpiandraiki-draharaha ny anjara hanina sy divain’izy efa-dahy, ka anana no nomeny azy. 17Ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahaizana amam-pahalalana amin’ny sehatra rehetra momba ny soratra sy ny fahendrena; ary i Daniela nahafantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy rehetra.

18Rehefa tonga ny andro voatendrin’ny mpanjaka hitondrana ireto zatovo rehetra hankeo anatrehany, dia nentin’ilay lehiben’ny tandapa teo anoloan’i Nebokadnetsara ireo; 19ary niresaka tamin’ireo ny mpanjaka, ka tsy nisy hita izay tahaka an’i Daniela sy i Hananià ary i Misaela sy i Habeda-Negao. Koa dia nanompo ny mpanjaka izy efa-dahy. 20Fony nanontany azy zavatra isan-karazany momba ny fahendrena sy fahaiza-manavaka kosa ny mpanjaka, dia nahatsapa fa nihoatra impolo heny noho ny mpanao majika aman-tsikidy rehetra tao amin’ny fanjakany manontolo ireo.

21Ary i Daniela dia nahatratra ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy.

mercredi 17 mars 2021

Alarobia 17 Mar 2021 - II Kor 8 : 7 - 15

 7Manam-be tokoa ianareo amin’ny zavatra rehetra: dia amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana isan-karazany, ary amin’ilay fitiavana raisinareo avy aminay; araka izany koa no aoka hahafoizanareo be amin’izao asa soa izao.

8Tsy milaza izany ho didy aho, fa ny fahazotoana asehon’ny sasany no hitsapako raha fitiavana mangarangarana ny anareo. 9Satria fantatrareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika: fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny fahantrany.

10Ambarako aminareo izay hevitro ny amin’izany raharaha izany: mahasoa anareo izany, satria lohalaharana ianareo tsy tamin’ny firotsahana hanao azy fotsiny fa tamin’ny fanapahan-kevitra hanao azy koa. 11Ankehitriny kosa dia tontosay ny fanaovana azy. Nanana risi-po ianareo raha nanapa-kevitra hanao azy, ka dia aoka hanana risi-po tahaka izany koa hanatontosa azy araka izay anananareo. 12Fa raha misy ny risi-po hanome, dia ny manome araka izay ananana ihany no ankasitrahin’Andriamanitra, fa tsy hoe ny manome araka izay tsy ananana.

13Izany no atao, tsy sanatria ny hahaory anareo ka hiadanan’ny sasany, fa ny mba hisian’ny fitoviana. 14Amin’izao ankehitriny izao, dia manam-be ianareo mba hanafa-pahasahiranana azy ireo. Any kosa andro hahatonga azy ireo hanam-be mba hanafa-pahasahiranana anareo. Amin’izany no hisian’ny fitoviana, 15araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:

«Izay nanangona be tsy nanana amby,
ary izay nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy.»

mardi 16 mars 2021

Talata 16 Martsa 2021 - Eks 15 : 22 - 26

 22Notarihin’i Mosesy niala tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara ny Israelita, ka nizotra nankany amin’ny taniefitra Sora. Telo andro nandehanana tany an-taniefitra izy ireo nefa tsy nahita rano. 23Nony tonga tao Marà izy, dia tsy azony nosotroina ny rano tao satria nangidy. Koa izany no niavian’ny anarana hoe Marà, izay midika hoe «mangidy.» 24Dia nimonomonona tamin’i Mosesy ny vahoaka nanao hoe: Inona no hosotroinay? 25Niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia natorony rantsan-kazo iray. Natsipin’i Mosesy tao anaty rano izany ka nanjary mamy ny rano.

Tao no nanomezan’ny TOMPO fitsipika sy fombafomba ho an’ny Israelita ary nizahany toetra azy ireo. 26Hoy Izy taminy: «Raha ankatoavinareo tokoa Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka ataonareo izay heveriko ho marina, raha henoinareo ny didiko, ka tandremanareo ny fitsipiko dia tsy hisy hataoko aminareo ny aretina rehetra izay namelezako ny Ejiptianina, satria Izaho no TOMPO Izay manasitrana anareo.»

lundi 15 mars 2021

Alatsinainy 15 Martsa 2021 - Jak 1 : 1 - 18

 1Avy amiko Jakôba ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’Andriamanitra sady mpanompon’i Jesoa Kristy Tompo. Miarahaba anareo vahoakan’Andriamanitra rehetra miely patrana eran-tany aho.

Finoana sy fahendrena

2Ry havako, ataovy ho tretrika tokoa ny tenanareo raha ifandafaran’ny fitsapana samihafa; 3satria fantatrareo fa ny fisedrana ny finoanareo dia mahatonga faharetana. 4Ary aoka ny faharetanareo homban’asa tanteraka mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy ho orin-javatra na amin’inona na amin’inona. 5Kanefa raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra fa homeny; satria manome malalaka ho an’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy mba mandatsa. 6Tsy maintsy mino tsara anefa izy rehefa mangataka, fa tsy hiahanahana; satria izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina tsofin’ny rivotra sy atopatopany. 7Aoka tsy hanampo handray zavatra avy amin’ny Tompo ny olona toy izany, 8fa miroa saina sady mivadibadika amin’ny fiaimpiainany rehetra.

Ny fahantrana sy ny harena

9Aoka Andriamanitra manandratra azy no hataon’ny havana mahantra ho reharehany; 10ary aoka Andriamanitra mampietry azy no hataon’ny havana mpanankarena ho reharehany, satria hihelina toy ny vonin’ireo ahitra eny an-tsaha ny mpanankarena. 11Eny, niposaka ny masoandro ombàn’ny hafanana migaingaina, dia nampalazo ny ahitra; ka nihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Dia toy izany koa ny mpanankarena: ho levona eo anivon’ny lahasany izy.

12Sambatra ny olona izay maharitra ny fitsapana; fa rehefa voasedran’izany izy, dia ny fiainana efa nampanantenain’Andriamanitra ireo tia Azy no horaisiny ho satroboninahi-pandresena. 13Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: «Andriamanitra no maka fanahy ahy»; satria tsy mba mety alaim-panahy hanao ratsy Andriamanitra sady tsy mba maka fanahy olona. 14Fa samy alaim-panahy ny olona, rehefa mitaona azy sy mitady hamandrika azy ny filàndratsiny; 15ka rehefa eken’ny olona ny filàndratsy, dia miteraka ota; ary rehefa mahazo bahana tanteraka ny ota, dia miteraka fahafatesana ara-panahy.

16Aza mamita-tena, ry havako malala: 

samedi 13 mars 2021

Sabotsy 13 Martsa 2021 - Mpit 3 : 1 - 5

 1Ireo firenen-kafa ireo moa no navelan’ny TOMPO haharitra teo amin’ny tany dia mba hizahany toetra ny Israelita rehetra izay tsy mbola nandray anjara tamin’ny ady nahazoana an’i Kanahàna; 2tian’ny Tompo mba hianatra hiady manko ny taranaka vaovao izay tsy mbola nahalala ady. 3Koa ireto avy àry ireo firenen-kafa ireo: ny mponina tamin’ny fanjakana dimin’ny Filistinina, ny Kanahanita rehetra, ny Tsidônianina, ary ny Hivita izay nipetraka tany amin’ny tendrombohitra Libano, manomboka hatreo an-tendrombohitra Bahala-Hermôna ka hatrany Lebô-Hamata. 4Ireo no nizahan’ny TOMPO toetra ny Israelita mba hahafantarany na hankatò ny didy izay nomeny ny razany tamin’ny alalan’i Mosesy izy na tsia. 5Toy izany no nahatonga ny Israelita honina teo anivon’ny Kanahanita sy ny Hetita ary ny Amôrita mbamin’ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

vendredi 12 mars 2021

Zoma 12 Martsa 2021 - Heb 11 : 17 - 19

 17Finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Itsehàka ho sorona, fony i Abrahama nozahan’Andriamanitra toetra. Kanefa nivonon-kanao sorona ny zanany lahitokana i Abrahama, dia izy nanaovan’Andriamanitra teny fampanantenana 18sy nilazany hoe: «Avy amin’i Itsehàka no hiantsoana taranaka ho anao.» 19Noheverin’i Abrahama fa Andriamanitra dia mahay manangana an’i Itsehàka avy any amin’ny maty; ka dia noraisin’i Abrahama indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.

jeudi 11 mars 2021

Alakamisy 11 Martsa 2021 - Job 1 : 13 - 22

 13Indray andro raha nihinana sy nisotro tao an-tranon-jokiny lahimatoa ireo zanak’i Jôba, 14dia nisy iraka tonga tany amin’i Jôba nilaza taminy hoe: «Raha teo am-piasàna iny indrindra ny omby ary raha nihinana teo akaikiny ny borikivavy, 15dia nidinan’ny Sabeanina tampoka ka norobainy; novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ny mpanomponao, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»

16Fa raha tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia nisy iray hafa koa tonga nilaza hoe: «Nilatsaham-potaka ny ondry aman’osy sy ny mpiandry azy ka levona, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»

17Fa raha tsy mbola tapitra akory ny tenin’io? dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: «Nasian’ny andian-jiolahy kaldeanina telo toko ny rameva ka norobainy; novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ny mpanomponao. Izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»

18Fa raha tsy mbola tapitra koa ny teniny, dia nisy iray hafa koa tonga ka nanao hoe: «Raha teo am-pihinanana sy teo am-pisotroana tao an-tranon-jokiny ireo zanakao, 19dia nifofofofo avy any an-taniefitra ny rambondanitra ka nipaoka ny zoron-trano efatra; maty nianjeran’ny trano tao avokoa ireo zatovo, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»

20Dia nitsangana i Jôba ka nandriatra ny fitafiany sy nanaratra ny lohany ary niampatra tamin’ny tany ka niankohoka 21sady nanao hoe:

Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny,

ary mitanjaka koa no hiverenako avy an-kibon’ny tany.

Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka.

Isaorana anie ny anaran’ny TOMPO.

22Tamin’izany fahoriana rehetra izany dia tsy mba nanota i Jôba ary tsy nanome tsiny an’Andriamanitra.

mercredi 10 mars 2021

Alarobia 10 Martsa 2021 - Jao 6 : 1 - 13

 1Taorian’izany, dia lasa i Jesoa nankeny ampitan’ny farihin’i Galilea (na hoe farihin’i Tiberiada). 2Nisy vahoaka maro nanaraka Azy, noho ny nahitan’izy ireo ny famantarana nataon’i Jesoa hanasoavana ny marary. 3Dia niakatra teo an-tendrombohitra ry i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany. 4Tamin’izay dia efa akaiky ny Paska, ilay fankalazana fanaon’ny Jiosy. 5Rehefa nanopy maso i Jesoa ka nahita fa nisy vahoaka maro nanatona Azy, dia nilaza tamin’i Filipo hoe:

–Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?

6Fizahan-toetra an’i Filipo no nilazan’i Jesoa izany, satria Izy nahalala rahateo izay efa hataony. 7Dia hoy i Filipo taminy:

–Na dia mofo mitentina denàry 200 aza, tsy ampy hahazoan’ny tsirairay sombiny kely akory!

8Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andrea rahalahin’i Simôna Petera, nilaza taminy hoe:

9–Misy zazalahy ao manana mofo ôrza dimy sy trondro madinika anankiroa; fa ho ampy inona izany amin’izao olona marobe izao?

10Dia hoy i Jesoa hoe:

–Asaovy mipetraka ny olona!

Noho ny fisian’ny ahitra be teo amin’ilay toerana, dia nipetraka ny olona ka tokony ho dimy arivo no isan’ny vatan-dehilahy. 11Tamin’izay i Jesoa no nandray ireo mofo ka nony avy nisaotra an’Andriamanitra dia nizara azy ho an’izay nipetraka hihinana; ary nozarainy toy izany koa ny trondro arakaraka izay nilain’ny mpihinana. 12Rehefa voky ny olona, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

–Angony ny tapa-mofo sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very!

13Dia nangonin’ireo mpianatra, ka nahafeno sobika 12 ny tapa-mofo avy amin’ny mofo ôrza dimy, dia izay sisa tsy lanin’ny nihinana.

mardi 9 mars 2021

Talata 09 martsa 2021 - I Tes 2 : 1 - 12

 1Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay tatỳ aminareo. 2Fantatrareo koa fa taloha kelin’izay, dia nampijalîna sy nalam-baràka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen’ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana. 3Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin’ny fitaka na amin’ny fahalotoana na amin’ny fisolokiana; 4fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin’olombelona izahay, fa amin’Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay. 5Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay. 6Tsy nitady voninahitra tamin’olombelona izahay, na taminareo na tamin’ny hafa, 7na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apôstôlin’i Kristy anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany. 8Noho ny fankamamianay anareo, dia tsy ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra ihany no sitrakay hampitaina aminareo, fa vonona koa izahay hahafoy na dia ny ainay aza, satria efa tonga malalanay ianareo. 9Tsaroanareo, ry havana, ny nikelezanay aina sy nisasaranay mafy; niasa andro aman’alina izahay mba tsy hanahirana na dia olona iray taminareo aza, fony izahay nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra. 10Samy vavolombelonay, na ianareo na Andriamanitra, fa madio sy marina ary tsy manan-tsiny ny fitondrantenanay teo anoloanareo mpino. 11Fantatrareo fa toy ny fitondran’ny ray ny zanany naterany no nitondranay anareo tsirairay avy: 12nampirisika anareo izahay sy nampahery anareo ary nananatra anareo mba hanao fitondrantena mendrika an’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra Izay miantso anareo hiditra ao amin’ny Fanjakàny sy ny voninahiny.

lundi 8 mars 2021

Alatsinainy 08 Martsa 2021 - Lio 7 : 18 - 23

 18Ary i Jôhany Mpanao batisa nilazan’ny mpianany izany rehetra izany, ka niantso roa lahy tamin’ireo mpianany 19sy naniraka azy hankany amin’ny Tompo hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?» 20Nony tonga tany amin’i Jesoa izy roa lahy, dia nanao hoe:

–I Jôhany Mpanao batisa no naniraka anay hankatỳ aminao hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»

21Tamin’izany indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra ny jamba maro. 22Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe:

–Ndeha ambarao amin’i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra. 23Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!

dimanche 7 mars 2021

Alahady 07 Martsa 2021 - Gen 22 : 11 - 20

 11Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin’ny TOMPO ka nanao hoe:

–Abrahama ô! Abrahama ô!

Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy:

–Inty aho.

12Dia hoy indray ilay anjely:

–Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.

13Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy. 14Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.»

15Ary ny anjelin’ny TOMPO niantso an’i Abrahama fanindroany avy tany an-danitra 16ka nanao taminy hoe:

–Izao no lazain’ny TOMPO noho ianao nanao izany zavatra izany, ka tsy niaro ny zanakao lahitokanao tamiko, dia ny tenako no ianianako 17fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony. 18Amin’ny alalan’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko.

19Dia niverina nankeny amin’ny zatovony i Abrahama. Niainga izy rehetra ka niaraka nankany Beera-Seba; dia teo no niorim-ponenana i Abrahama.

20Taorian’izany, dia ren’i Abrahama fa tera-dahy maro tamin’i Nahôra rahalahiny koa i Milkà:

samedi 6 mars 2021

Sabotsy 06 Martsa 2021 - I Pet 4 : 12 - 19

 12Ry hava-malala, aza gaga amin’ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo. 13Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny. 14Sambatra ianareo raha haratsîna amin’ny maha mpianatr’i Kristy anareo; fa ny Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, no mitoetra eo aminareo. 15Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona; 16fa raha amin’ny maha kristianina azy no ijaliany, dia aoka izy tsy ho menatra fa hanome voninahitra an’Andriamanitra noho izany anarana entiny izany.

17Tonga ny fotoanandro hiantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’Andriamanitra; ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mety mino nyVaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra? 18Fa hoy ny Soratra Masina:

«Raha saika tsy voavonjy ny marina,

inona no hanjo ny tsy mpivavaka sy ny mpanota?»

19Koa izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon’Andriamanitra, aoka hanao soa hatrany sy hanankin-tena amin’Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny Mpahary azy.

vendredi 5 mars 2021

Zoma 05 Martsa 2021 - Asa 9 : 20 - 31

 Niara-nitoetra mandritra ny andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tany Damasy i Saoly. 20Tsy nangataka andro i Saoly fa nitoriteny tao amin’ny sinagôga, nanambara fa i Jesoa no ilay Zanak’Andriamanitra. 21Dia talanjona ny olona rehetra nandre azy ka nanontany hoe:

–Tsy ity lehilahy ity indrindra ve no mpanenjika lozan-tany an’ireo niantso ny anaran’i Jesoa tany Jerosalema? Ary ny anton-diany atỳ, moa ve tsy ny hamatotra ny olona toy izany sy hitondra azy mankany amin’ny lohandoha-mpisorona?

22Vao mainka feno hery ny toritenin’i Saoly: nasehony marimarina fa i Jesoa no Mesia, hany ka resy lahatra ny Jiosy mponina tao Damasy.

23Rehefa afaka andro maromaro, dia niara-nioko hamono an’i Saoly ny Jiosy; 24saingy nampahafantarina an’i Saoly mialoha izany fiokoana izany. Nambenan-dry zareo Jiosy andro aman’alina ny vavahadin’ny tanàna mba hamonoana an’i Saoly. 25Kanjo nalain’ny mpianatra i Saoly indray alina, dia nataony tao anaty sobika, ary nampidininy tany ivelan’ny manda.

26Vao tonga tany Jerosalema i Saoly, dia nitady hikambana tamin’ny mpianatra; saingy natahotra azy izy rehetra satria tsy afaka nino azy ho isan’ny mpianatra. 27Nalain’i Barnabà kosa i Saoly ka nentiny teo amin’ny apôstôly; dia teo anatrehan’ny apôstôly no nitantaran’i Barnabà ny fomba nahitan’i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny teny nataon’ny Tompo taminy ary koa ny fahasahian’i Saoly nitoriteny tamin’ny anaran’i Jesoa tany Damasy. 28Izay vao afa-nifanerasera tamin’ny mpianatra tao Jerosalema i Saoly sady tena sahy nitoriteny tamin’ny anaran’ny Tompo. 29Niresahan’i Saoly sy nifanakalozany hevitra koa ireo Jiosy miteny grika; kanjo notadiavin’ireo hovonoina izy. 30Nony fantatr’ireo havana iray finoana izany, dia nateriny tany Kesaria i Saoly ary nampodîny nankany Tarsa.

31Nandry feizay ny Fiangonana manerana an’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin’ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina.

jeudi 4 mars 2021

Alakamisy 04 Martsa 2021 - Mar 10 : 17 - 27

 17Ary nony niainga handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nanatona Azy, ka nandohalika teo anoloany ary nanontany Azy hoe:

–Ry Mpampianatra tapitra ohatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay?

18Dia hoy i Jesoa taminy:

–Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 19Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina», aza manambaka, «hajao ny rainao sy ny reninao.»

20Fa hoy ralehilahy taminy:

–Mpampianatra ô, izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin’ny fahatanorako!

21Dia nijery azy tsara i Jesoa ka velom-pitiavana azy ary niteny taminy hoe:

–Zavatra iray no tsy ampy aminao; ndeha amidio ny fanananao rehetra ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia hiaraka amiko.

22Dia nanjombona endrika ralehilahy noho izany teny izany; ka lasa nandeha tamin’alahelo, satria nanan-karembe.

23Fa i Jesoa kosa nijerijery manodidina azy ka niteny tamin’ny mpianany hoe:

–Sarotra mihitsy amin’ny mpanankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!

24Gaga ny mpianatra noho izany teniny izany, kanefa dia mbola namerina ny teniny indray i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Sarotra mihitsy, anaka, ny miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 25Moramora kokoa ny idiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaikely noho ny idiran’ny mpanankarena ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.

26Vao mainka talanjona ireo mpianatra ka nifanontany hoe:

–Ka iza àry no mety ho voavonjy?

27Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe:

–Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba toy izany amin’Andriamanitra. Raha amin’Andriamanitra manko, dia hainy avokoa ny zava-drehetra.

mercredi 3 mars 2021

Alarobia 03 Martsa 2021 - Jer 12 : 1 - 3

 1TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao

ka tsy tokony mifandahatra aminao aho.

Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto

dia te hiady hevitra aminao aho.

Nahoana no ahitam-pahombiazana

ny lalana ombàn’ny olon-dratsy?

Ary nahoana no miadam-pinaritra

ireo rehetra mpivadika aminao?

2Nambolenao izy dia niorim-paka,

ka nitombo sy namoa.

Tononin’ny vavany Ianao,

fa ataony lavitry ny fony.

3Ianao kosa, TOMPO ô,

mahalala ahy sady mahita ahy;

nizaha toetra ny foko Ianao

fa miandany aminao izy.

Avaho toy ny ondry hovonoina

ireny olona ratsy fanahy ireny,

atokany ho amin’ny andro fandringanana.

mardi 2 mars 2021

Talata 02 Martsa 2021 - II Kor 1 : 3 - 7

 3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, ilay Ray feno hatsaram-po sady Andriamanitra loharanon’ny fampaherezana rehetra. 4Mampahery anay amin’ny fahoriana isan-karazany manjo anay Andriamanitra, ka ny fampaherezana azonay taminy no entinay mampahery ny olona ianjadian’ny fahoriana isan-karazany. 5Miara-mijaly be dia be amin’i Kristy izahay; ary betsaka araka izany koa ny fampaherezana azonay amin’ny alalan’i Kristy. 6Raha ampahorîna izahay, dia ho fampaherezana anareo sy ho famonjena anareo izany; raha ampaherezina izahay, dia ho fampaherezana anareo koa izany, ka miasa hiaretanareo fijaliana mitovy indrindra amin’izay entinay. 7Ary miorina mafy ny fanantenany ny aminareo, satria fantatray fa toy ny iombonanareo fijaliana aminay no iombonanareo fampaherezana aminay koa.

lundi 1 mars 2021

Alatsinainy 01 Martsa 2021 - Deo 12 : 2 - 6

2Mety hisy mpaminany na mpahita mipoitra eo anivonareo ka hilaza famantarana na zava-mahagaga aminareo. 3Na dia tanteraka aza ny famantarana na zava-mahagaga nolazainy taminareo, kanefa avy eo izy manainga anareo hanaraka sy hanompo andriamani-kafa saingy andriamanitra tsy fantatrareo, 4dia aza henoinareo ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany. Mizaha toetra anareo manko ny TOMPO Andriamanitrareo hahalalany raha tia Azy TOMPO Andriamanitra amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo ianareo. 5Ilay TOMPO Andriamanitrareo no harahinareo sy hohajainareo; ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo. 6Izany mpaminany na mpahita izany kosa ataovy maty, satria efa nanao teny mampikomy anareo amin’ny TOMPO Andriamanitrareo. Izy TOMPO no efa nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nanavotra anareo tamin’ny toera-nanandevozana anareo. Ataovy maty izany olona izany satria mitaona anareo hiala amin’ny sori-dàlana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo hizoranareo. Dia izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12