mardi 30 juin 2015

Talata 30 Jona 2015 - Kol 3 : 16 - 17

16Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo, ka hifampianatra sy hifananatra amim-pahendrena tanteraka ianareo; noho ny fahasoavana manenika anareo, dia mihirà amin'ny fonareo tokoa ho an'Andriamanitra ka mikaloa salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina. 17Ary ny zavatra rehetra, lazainareo na ataonareo, dia tontosao avokoa amin'ny anaran'i Jesoa Tompo ka isaory an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany.

lundi 29 juin 2015

Alatsinainy 29 Jona 2015 - Mar 6 : 1 - 6

1Dia niala teo i Jesoa ka nankany amin'ny tanàna nahabe Azy, ary nanaraka Azy tany koa ny mpianany*. 2Ary nony sabata ny andro, dia nampianatra tao amin'ny sinagôga* i Jesoa; dia talanjona ireo olona maro nihaino Azy ka vaky vava hoe:

–Avy taiza re no nahazoan'ilay io izany zavatra izany? Ary ahoana izato fahendrena nomena azy sy ireto asa mahagaga vitany? 3Tsy ilay mpandrafitra ve io, ilay zanak'i Maria sady rahalahin'i Jakôba sy i Jôsèta ary i Joda sy i Simôna? Ary tsy ireto miara-monina amintsika ireto ve ny anabaviny?

Dia voasakana hino Azy ry zareo. 4Fa hoy i Jesoa taminy:
–Mpaminany* tsy hajaina eo amin'ny tanàna nahabe azy sy eo amin'ny havany ary eo amin'ny fianakaviany, na dia heni-kaja any an-kafa aza!
5Ary tsy afaka nanao asa mahagaga teo Izy, afa-tsy tamin'ny nanasitranany marary vitsivitsy nametrahany tanana. 6Dia gaga i Jesoa, satria tsy nanam-pinoana ry zareo.

dimanche 28 juin 2015

Alahady 28 Jona 2015 - Dan 2 : 19 - 23

19Ary naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana nandritra ny alina ilay zava-miafina; koa nidera an'ilay Andriamanitry ny lanitra izy.

20Dia niteny i Daniela ka nanao hoe:
«Hisaorana anie ny anaran'Andriamanitra
hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay,
satria Azy ny fahendrena sy ny hery!
21Izy no tompon'ny fotoana sy ny tantara;
Izy no manonga-mpanjaka sy mananga-mpanjaka;
Izy no manome ny fahendrena ho an'ny hendry
ary ny fahaiza-manavaka ho an'ny mahira-tsaina.
22Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina
sady mahalala izay misy ao amin'ny maizina,
satria ny mazava no miara-mitoetra aminy.
23Misaotra sy midera Anao aho,
ry Andriamanitry ny razako ô,
satria nomenao fahendrena sy hery.
Ary ankehitriny nampahafantarinao ahy
izay zavatra nangatahinay taminao,
ka nambaranao anay ilay nofin'ny mpanjaka.

samedi 27 juin 2015

Sabotsy 27 Jona 2015 - Mat 25 : 1 - 13

1Amin'izay ny Fanjakàn'ny lanitra* dia ho tahaka ny amin'ny tovovavy folo izay nitondra ny fanàlany ka lasa hitsena ny mpampakatra. 2Ny dimy tamin'ireo tovovavy ireo dia adala; fa ny dimy kosa hendry. 3Ireo adala dia nitondra ny fanalany, kanefa tsy nitondra solika; 4fa ireo hendry kosa nitondra ny fanalany sady nitondra solika tamin'ny tavoahangin-tsolika. 5Andrasana ela ny fiavian'ny mpampakatra, ka dia samy rendremana avokoa izy folo vavy ary natory.

6Nony mamatonalina, dia nisy niantso mafy hoe: «Intỳ tamy ny mpampakatra! Mandehana ianareo mitsena azy!» 7Tamin'izay dia samy niarina avokoa ireo tovovavy ary samy namboatra ny fanalany. 8Ka hoy ireo adala tamin'ny hendry: «Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny fanalanay.» 9Dia novalian'ny hendry hoe: «Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo; fa aleo mankany amin'ny mpivarotra ianareo mividy ho anareo.» 10Raha mbola nandeha nividy solika ireo adala, dia tonga ny mpampakatra; ka ireo tovovavy dimy efa vonona no niara-niditra tamin'ny mpampakatra tao amin'ny fanasambe fampakaram-bady ary nohidiana ny varavarana.

11Taorian'izany, dia tonga ireo tovovavy sasany ka nanao hoe: «Tompoko, tompoko, vohay izahay!» 12Fa novalian'ny mpampakatra hoe: «Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro ianareo.»

13Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Miambena àry ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

vendredi 26 juin 2015

Zoma 26 Jona 2015 - I Sam 25 : 14 - 22

14Fa ny iray tamin'ny mpanompon'i Nabala nampandre an'i Abigaîla vadiny hoe:
–Indro nandefa iraka avy any an-taniefitra i Davida mba hiarahaba ny tompontsika, kanjo dia levilevy no nandraisany azy ireo. 15Ireo olona ireo anefa dia tena tsara tokoa taminay. tsy nisy ratsy nataony taminay ary tsy very na inona na inona izahay nandritra ny fifaneraseranay taminy, fony mbola tany an-tsaha izahay. 16Izy ireo no toy ny manda fiarovana ho anay andro aman'alina tamin'ny andro rehetra niandrasanay ondry teo aminy. 17Koa diniho sy eritrereto tsara izay tokony hataonao, fa hianjera amin'ny tompontsika sy ny fianakaviany ny loza. Fa ratsy fanahy tokoa i Nabala iny ka tsy azo ifampiresahana akory.

18Nilomay i Abigaîla naka mofo roanjato, divay roa siny hoditra*, ondry dimy efa voamboatra, lango voatono 17 kilao, sampahom-boaloboka maina zato ary mofomamin'aviavy roanjato.

Nakariny teo an-damosin'ireo borikiny izany, 19ka hoy izy tamin'ny mpanompony:
–Mandehana eo alohako, fa harahiko ianareo. Tsy niteny na inona na inona tamin'i Nabala vadiny anefa i Abigaîla. 20Raha nitaingina ny borikiny nidina ny toerana takon'ny havoana izy, dia indro nidina nanatona azy i Davida sy ny olony ka nifanehatra taminy.

21Fa i Davida efa niteny anakampo hoe: «Tsy misy vokany ny niarovako ny fananan'ilehiny tany an-taniefitra mba tsy hisy ho very, fa dia novaliany ratsy ny soa nataoko taminy. 22Hosazîn'Andriamanitra mafy tokoa anie aho raha toa mbola hasiako miangana na dia lehilahy iray aza amin'ny fianakavian'i Nabala, hatramin'ny rahampitso maraina!»

jeudi 25 juin 2015

Alakamisy 25 Jona 2015 - Efe 5 : 15 - 21

15Koa tandremo tsara ny fitondrantenanareo. Aza manao toy ny olona tsy misaina, fa aoka ho tahaka izay misaina. 16Hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao. 17Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.

18Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin'ny ratsy no vokatr'izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina. 19Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin'ny fo tokoa ho an'ny Tompo. 20Misaora an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika.

21Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an'i Kristy.

mercredi 24 juin 2015

Alarobia 24 Jona 2015 - Mat 11 : 16 - 19

16Iza no hanoharako ny olona ankehitriny? Tahaka ny ankizy mipetra-potsiny eny an-kianja ka omen'ny namany tsiny hoe: 17«Ianareo itsofany sodina, tsy mandihy; ianareo anaovanay hira fisaonana, tsy mitomany!» 18Fa tonga i Jôhany Mpanao batisa, tsy mihinana sady tsy misotro, nefa lazaina hoe: «Ondranondranana!» 19Tonga indray ny Zanak'olona, mihinana sy misotro, nefa lazaina hoe: «Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay, sakaizan'ny mpamory hetra* sy ny mpanota!» Andriamanitra kosa, araka ny fahendreny, dia asehon'ny asany ho marina.

mardi 23 juin 2015

Talata 23 Jona 2015 - Sal 37 : 27 - 33

27Raha manalavitra ny ratsy ka manao ny tsara ianao,
dia honina maharitra eo amin'ny tany lovanao.
28Satria ny TOMPO mitandro ny rariny
ka tsy mba mandao ny mpivavaka aminy;
hofoanana mandrakizay kosa ny olo-meloka
ary hofongorana ny taranaky ny olon-dratsy.
29Ny olo-marina no handova ny tany,
ka honina mandrakizay ao aminy.

30Fahendrena no lazain'ny olo-marina;
ara-drariny ny zavatra ambarany.
31Ny lalànan*'ny Andriamaniny no ao am-pony,
ka tsy mba solafa-mamindra izy.

32Tsikilovin'ny olon-dratsy ny olo-marina
ary tadiaviny izay hahafaty azy,
fa tsy avelan'ny Tompo ho azony
na ho voaheloka any am-pitsarana.

33Miankîna am-paharetana amin'ny TOMPO
ka ny lalana soritany no araho;

lundi 22 juin 2015

Alatsinany 22 Jona 2015 - Isa 11 : 1 - 9

1Misy rantsana misandrahaka avy amin'ny fototr'i Jisay;
misy solofo mipoitra avy amin'ny fakany.
2Ny Fanahin'ny TOMPO no mitoetra eo aminy,
dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka
Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,
Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.
Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy
na hanapaka araka izay ren'ny sofiny,
4fa hitsara ny malahelo ara-drariny
ary hamoaka didy araka ny hitsiny
ho an'ny mahantra eo amin'ny tany.
Ny teniny no toy ny tsorakazo
hikapohany ny tany
ary ny fofonain'ny vavany
no hamonoany ny olon-dratsy.
5Ny rariny no ho fisikinany
ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.
6Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin'ny zanak'ondry,
ny leôparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy;
ny zanak'omby sy ny liona tanora hiara-mihinana
ka zazalahy kely no hitarika azy.
7Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka;
ary ny zanak'izy ireo hiara-matory.
Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.
8Ny zaza mbola minono
hilalao eo an-davaky ny bibilava;
ary ny zaza misara-nono
hanatsofoka ny tanany
ao an-davaky ny menarana.
9Tsy hisy hanimba na handratra
manerana ny tendrombohitra masina,
satria ny fahalalana ny TOMPO
no hanenika izany tany izany
tahaka ny anaronan'ny rano
ny fanambanin'ny ranomasina.

dimanche 21 juin 2015

Alahady 21 Jona 2015 - Oha 8 : 12 - 21

12«Izaho Fahendrena no manana ny fahamalinana
ka nahazo ny fahaiza-manao drafitrasa.
13Ny fankahalana ny ratsy no fanajana ny TOMPO.
Samy halako na ny fiavonavonana na ny fireharehana
na ny fitondrantena ratsy na ny vava fandainga.
14Ahy ny fahaiza-mamolavola sy mampihatra;
Ahy koa ny fahaiza-manavaka sy ny hery manatanteraka.
15amin'ny alalako no anjakan'ny mpanjaka,
sy ahazoan'ny mpitondra manao didy ara-drariny;
16amin'ny alalako no ifehezan'ireo mpifehy
sy anaovan'ireo loholona fitsarana ara-drariny.
17Izaho dia tia izay tia ahy;
ary izay mikatsaka ahy no hahita ahy.
18Miaraka amiko ny harena sy ny voninahitra,
dia fananana mateza sy fanambinana sahaza.
19Izay omeko dia tsara noho ny volamena,
eny, noho ny volamena madio indrindra;
ary izay azo avy amiko dia tsara
noho ny volafotsy voafantina.
20Ny soritry ny fahamarinana no izorako
dia ny lalana anjakan'ny rariny,
21mba hampahazoako zava-tsoa ireo tia ahy
ka hamenoako ny tranon-drakiny.

samedi 20 juin 2015

Sabotsy 20 Jona 2015 - Hos 14 : 5 - 10

5Izaho TOMPO dia hanasitrana
an'ilay Israely amin'ny fiodinany.
Ho tia azy amim-po malalaka Aho;
fa efa nialan'ny fahatezerako izy.
6Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho;
dia hamony tahaka ny lisy izy
ary hamàka tahaka ny hazon'i Libàno.
7Hisandrahaka rantsana izy,
ka ho tsara tarehy toy ny hazo ôliva
ary hamerovero toy ny alan'i Libàno.
8Ho avy indray i Israely,
ka hitoetra eo ambany fiarovako.
Hamboly vary indray izy,
ka hiroborobo tahaka ny voaloboka
sy halaza tahaka ny divay avy any Libàno.
9Hataon'i Efraîma inona intsony izay sampy?
Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy
sady mitandrina azy.
Izaho no toy ny kipreso,
hazo maitso mandavan-taona.
Izaho no hahazoany vokatra.
10Iza no hendry hahafantatra
izany tenin'i Hôsea izany,
na lalin-tsaina hahalala ny heviny?
Fa mahitsy ny sori-dalan'ny TOMPO;
ka hizoran'ny olo-marina izany,
saingy hahasolafaka ny mpikomy.

vendredi 19 juin 2015

Zoma 19 Jona 2015 - I Tes : 4 : 9 - 12

9Momba ny fifankatiavan'ny samy kristianina, dia tsy ilaina ny hanoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia. 10Ary efa toy izany rahateo no ifampitondranareo amin'ny kristianina rehetra eran'i Masedônia; nefa mampirisika anareo ihany izahay, ry havana, mba hanao tsaratsara kokoa hatrany. 11Miezaha hanana fiainana tsy misy raorao ka tanteraho ny raharahanareo sy ny asa fivelomanareo, araka izay efa nameperanay anareo; 12dia haneho fitondrantena mendrika eo anoloan'ny tsy kristianina ianareo no sady tsy hanao tanty reraka amin'ny hafa.

jeudi 18 juin 2015

Alakamisy 18 Jona 2015 - I Kor 10 : 23 - 33

23«Azo atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy ary mahasoa avokoa. «Azo atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy ary mampandroso amin'ny finoana avokoa. 24Aza ny soa ho an'ny tena no katsahina fa ny ho an'ny namana.
25Hano avokoa izay hena amidy eny an-tsena, fa aza velom-panontaniana akory noho ny fieritreretana; 26satria «an'ny Tompo izao tany izao sy ny zavatra rehetra ao aminy», hoy ny Soratra Masina*.
27Raha asain'ny tsy mpino hisakafo ianareo, ka manaiky hankany, dia hano izay arosony anareo fa aza velom-panontaniana akory noho ny fieritreretanareo. 28Kanefa raha ilazan'olona ianareo hoe: «Hena natao fanatitra tany amin'ny sampy io», dia aza homana, noho ilay nilaza sy noho ny fieritreretana; 29tsy ny fieritreretanareo tsy akory izany lazaiko izany, fa ny an'ilay niteny taminareo.
«Fa nahoana kosa moa», hoy ny sasany, «no hofeperan'izay fieritreretan'olon-kafa ny fahafahako? 30Raha isaorako an'Andriamanitra izany sakafo haniko izany, nahoana no dia hanomezan-tsiny ahy amin'ny hanina izay isaorako an'Andriamanitra?»
31Koa na mihinana na misotro ianareo, eny, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra ny zavatra rehetra. 32Aza manao izay hahasolafaka olona amin'ny ratsy, na Jiosy izy na hafa firenena* na ny Fiangonan'Andriamanitra. 33Mba manaova tahaka ahy, fa iezaho izay hahafaly ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra; ka tsy ny soa ho an'ny tenako no katsahiko, fa ny ho an'ny besinimaro, mba ho voavonjy izy rehetra.

mercredi 17 juin 2015

Alarobia 17 Jona 2015 - Job 28 : 12 - 28

12Fa ny Fahendrena, aiza kosa no hahitana azy?
Aiza no toerana ipoiran'ny fahalalana?
13Tsy misy olona mahalala ny hasarobidiny,
satria tsy hita ao amin'ny tanin'ny velona izy.
14Fa hoy ny hantsana anaty ranobe: «Tsy aty izy.»
ary hoy ny Ranomasina: «Tsy ato amiko izy.»
15Tsy mahatakalo azy ny vongam-bolamena madio
ary tsy mahavidy azy ny antontam-bolafotsy.
16Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira
na ny berila sarobidy mbamin'ny safira aza.
17Tsy mitaha aminy na ny volamena na ny fitaratra.
Ary ny vazy tena volamena tsy mahatakalo azy.
18Tsy misy antony aminy na ny voahangy na ny kristaly,
fa mihoatra noho ny perla ny fahazoam-pahendrena.
19Tsy azo ampitahaina akory
ny tôpaza avy any Etiopia;
ary tsy mifandanja aminy
na dia ny volamena madio aza.

20Fa avy aiza àry ny fahendrena?
Aiza no toerana ipoiran'ny fahalalana?
21Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany,
ary takona amin'ny vorona eny an-danitra koa aza.
22Hoy Rafahafatesana sy Rafandravana hoe:
«Eny, renay siosio fotsiny ny aminy.»
23Fa Andriamanitra no mahalala ny lalana mankany,
ary Izy ihany no mahafantatra ny misy azy.
24Fa mahatsinjo hatrany am-paran'ny tany Izy
ary mahita izao rehetra ambanin'ny lanitra izao.
25Rehefa nametra ny lanjan'ny rivotra
sy nandraikitra ny fatran'ny rano Izy
26ary nandrindra lalàna ho an'ny orana
sy nanori-dalana ho an'ny kotroka,
27dia nahita ny Fahendrena
ka nanambara ny hatsarany
nony avy nandinidinika azy
ary koa namotopototra ny aminy.
28Dia hoy Andriamanitra tamin'ny olona:
«Ny fanajana ny Tompo, izany no Fahendrena;
ary ny fialana amin'ny ratsy no fahalalana.»

mardi 16 juin 2015

Talata 16 Jona 2015 - Rot 2 : 11 - 13

11Dia namaly i Bôhaza ka nanao taminy hoe:
–Efa notantaraina tsara tamiko avokoa izay nataonao tamin'ny rafozambavinao taorian'ny nahafatesan'ny vadinao; reko ny nandaozanao ny ray aman-dreninao sy ny tany nahabe anao ka nandehananao ho atỳ amin'ny firenena izay tsy mbola fantatrao akory taloha. 12Ny TOMPO anie hamaly soa ny nataonao, ka hisy valisoa mitafotafo ho anao avy amin'ny TOMPO Andriamanitr'Israely satria tonga hialoka eo ambany fiarovany ianao!

13Dia hoy i Rota hoe:
–Aoka ho tsara fanahy amiko hatrany ianao, tompoko, satria efa nampionona ahy ianao ary efa niteny ankamoram-po tamiko na dia tsy tahaka ny anankiray amin'ireo vehivavy mpiasanao aza aho.

lundi 15 juin 2015

Alatsinainy 16 Jona 2015 - Lio 2 : 39 - 52

39Rehefa avy nanatontosa ny zavatra rehetra araka ny lalànan'ny Tompo ny ray aman-drenin'i Jesoa, dia niverina nankany Galilea izy telo mianaka ho ao Nazareta tanànany. 40Nitombo sy nihatanjaka ilay zaza sady feno fahendrena; ary tao aminy ny fahasoavan'Andriamanitra.

41Mpankany Jerosalema isan-taona ny ray aman-drenin'i Jesoa amin'ny fankalazana ny Paska*. 42Nony feno 12 taona i Jesoa, dia lasa izy telo mianaka niara-niakatra araka ny fanao amin'izany fankalazana izany. 43Nody i Maria sy i Jôsefa nony tapitra ny andro fankalazana, fa i Jesoa tovolahikely dia mbola nijanona tao Jerosalema, saingy tsy tsikaritr'ireo ray aman-dreniny izany. 44Nihevitra moa izy roa fa tafaraka tamin'ny mpiara-dia ity zanany; ka efa lasa lalana indray andro, izay vao nitady Azy, nanontany ny havana sy olom-pantatra, 45nefa tsy nahita Azy. Dia niverina ilàlana izy roa nitady Azy tany Jerosalema. 46Tamin'ny andro fahatelo vao hitany tao an-kianjan'ny tempoly* i Jesoa mipetraka teo afovoan'ireo mpampianatra jiosy ka mihaino sady manontany an-dry zareo. 47Talanjona daholo ny olona nandre ity tovolahikely fa saina matotra no nasehony isak'izay niteny Izy.

48Gaga dia gaga ny ray aman-dreniny nahita Azy, ka hoy ny reniny taminy:
–Nahoana, anaka, no nanao toy izao taminay Ianao? Endrey izany tebitebinay sy ny rainao nitady Anao!

49Dia hoy i Jesoa tamin'izy mivady:
–Nahoana kosa no mitady Ahy ianareo? Hay tsy mbola fantatrareo fa tsy maintsy ato amin'ny tranon'ny Raiko Aho?

50Tsy azon'izy roa anefa izay nolazain-janany taminy.
51Dia niara-nody taminy tany Nazareta i Jesoa ary nanoa azy. Ny reniny kosa nitadidy izany rehetra izany tao am-pony. 52Ary nitombo fahendrena sy taona i Jesoa sady nandroso nahatehotia tamin'Andriamanitra sy ny olona.

dimanche 14 juin 2015

Alahady 14 Jona 2015 - Asa 6 : 8 - 15

8Feno fitahiana sy hery avy amin'Andriamanitra i Stefàna ka nanao zava-mahagaga sy famantarana* lehibe teo amin'ny vahoaka. 9Nisy anefa olona sasany nanohitra azy: dia olona avy amin'ny sinagôga*n'ny Libertina, sy ny sinagôgan'ny Aleksandrianina mbamin'ny sinagôgan'ireo terak'i Silisia sy ny faritany Azia. Niady hevitra tamin'i Stefàna izy rehetra ireo, 10kanefa tsy nahatohitra ny fahendrena avy amin'ny Fanahy Masina Izay nampiteny an'i Stefàna. 11Tamin'izay dia nanarama olona izy ireo hilaza hoe: «Renay nanevateva an'i Mosesy ary nanevateva an'Andriamanitra iny Stefàna iny.» 12Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona* ary ny mpahay lalàna*.

Dia nirohotan'ireo mpanohitra azy i Stefàna, ka nosamboriny ary nentiny ho any amin'ny Fitsarana ambony* 13sady nananganany vavolombelona mandainga hiampanga azy hoe:
–Tsy mitsahatra miteny manohitra ity tempoly* masina ity sy ny lalànan*'i Mosesy io lehilahy io, 14satria efa renay nilaza fa hoe i Jesoa avy any Nazareta dia handrodana ity tempoly ity ary hanova ny fanao natolotr'i Mosesy antsika.

15Samy nibanjina an'i Stefàna izay rehetra tao amin'ny Fitsarana ambony ka nahita ny tarehiny miendrika tarehin'anjely*.

samedi 13 juin 2015

Sabotsy 13 Jona 2015 - Oha 15 : 29 - 33

29Ny TOMPO manalavitra ny olon-dratsy,
fa mihaino kosa ny vavaky ny olo-marina.
30Ny endrika sariaka maharavo ny fo
ary ny vaovao mahafaly mamelombelona ny aina.
31Izay manongilan-tsofina hihaino anatra mahavonjy
no hiara-monina amin'ny olon-kendry.
32Izay mandà anatra manamavo ny tenany,
fa izay mihaino tsikera mahazo fahalalana.
33Ny fanajana ny TOMPO dia fananaram-pahendrena;
ary tokony hanetry tena alohan'ny hisondro-boninahitra.

vendredi 12 juin 2015

Zoma 12 Jona 2015 - Nom 24 : 1 - 14

1Hitan'i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano* an'ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny. 2Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra izy, 3dia nanao izao tononkalo izao:

«Teny hentitr'i Balahama, zanakalahin'i Behôra,
teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery
4sady mandre ny tenin'Andriamanitra
no mahita izay asehon'ilay Tsitoha*,
rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy
ka tonga mahiratra fijery.
5«Akory ny hatsàran'ny lainareo,
ry taranak'i Jakôba;
endrey ny hasoan'ny fonenanareo,
ry vahoaka Israelita!
6Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny,
mandrobona tahaka ny zaridaina amoron'ny ony,
velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera
nambolen'ny TOMPO teo amoron'ny sakeli-drano,
7mitobaka toy ny rano avy amin'ny fanovozana
ka manondraka tsara ny saha voafafy.
Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita
ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.
8Nentin'Andriamanitra niala tany Ejipta
izany vahoaka izany,
ka manan-kery tsy hay tohaina
tahaka ny an'ny omby dia.
Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy,
ka manapatapaka ny taolany
sy mandoadoaka azy amin'ny zana-tsipîka.
9Mamita-mandry toy ny liona
na tahakan'ny bibidia masiaka izy,
koa zovy no sahy hanaitra azy?
«Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely,
ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»

10Vinitra aoka izany tamin'i Balahama i Balàka ka niteha-tanana handrahona azy sady nanao taminy hoe:
–Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa fanintelony izao ianao no nitsodrano azy. 11Noho izany, dia mandehana mody any amin'ny taninao any! Nampanantena aho ny hanome voninahitra mitafotafo anao, nefa indro ny TOMPO fa nisakana ny hahazoanao izany.

12Dia hoy i Balahama tamin'i Balàka:
–Efa voalazako tamin'ireo iraka nalefanao tany amiko 13fa na dia homenao volafotsy sy volamena mahafeno ny tranonao aza aho, dia tsy afaka handika ny didin'ny TOMPO ka hitondra soa na loza araka izay nahim-poko; fa izay holazain'ny TOMPO ihany no holazaiko. 14koa ankehitriny, handeha aho hody any amin'ny fireneko. Nefa alohan'izany, dia avia fa tiako hampahafantarina anao izay hataon'ny Israelita amin'ny vahoakanao indray andro any.

jeudi 11 juin 2015

Alakamisy 11 Jona 2015 - I Sam 18 : 12 - 16

12Natahotra an'i Davida i Saoly, satria fantany fa nomba azy ny TOMPO, saingy ny tenany kosa efa nialany. 13Izany no antony nampihatahany an'i Davida tsy ho eo aminy, ka nanaovany azy ho filohan'ny andian-tafika iray. Izy no nitarika ny miaramila niantafika, 14ary fahombiazana hatrany no azon'i Davida tamin'izay rehetra nataony, satria nomba azy ny TOMPO. 15Nitombo hatrany kosa ny tahotr'i Saoly, rehefa hitany ireo fahombiazana azon'i Davida. 16Eo an-danin'izany anefa, ny Israelita sy ny Jodeanina dia samy tia an'i Davida avokoa, satria izy no nitarika azy isaka izay niantafika.

mercredi 10 juin 2015

Alarobia 10 Jona 2015 - Mat 12 : 38 - 42

38Tamin'izay dia nisy mpahay lalàna* sy Farisianina* sasany nanontany an'i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, mba te hahita famantarana* avy aminao izahay.

39Fa hoy i Jesoa taminy:
–Ratsy fanahy sady mivadika amin'Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an'i Jônà* mpaminany*. 40Nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon'ny trozona i Jônà; toy izany koa, hitoetra telo andro sy telo alina ao an-kibon'ny tany ny Zanak'olona*. 41Amin'ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive*, ka hanameloka azy; fa niala tamin'ny toetra ratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin'i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto. 42Amin'ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo, ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran'ny tany izy mba hihaino ny fahendren'i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!

mardi 9 juin 2015

Talata 09 Jona 2015 - Gen 41 : 33 - 40

33Koa ankehitriny, ry Farao, mijere olona marani-tsaina sady hendry, ka tendreo izy hanam-pahefana amin'ny tany Ejipta. 34Dia manendre koa solotena hanangona ny ampahadimin'ny vokatra eto amin'ny tany mandritra ny fito taona zina. 35Aoka hangonin'ireo ny sakafo mandritra ny fito taona ho avy, ka hotahiriziny eo ambany fiahianao ny vary ho fiandry any amin'ny isan-tanàna. 36Amin'izay dia hanana tahirin-tsakafo ho amin'ny fito taona mosarena i Ejipta, ka tsy ho fongan'ny mosary ny tany.

37Sitraky ny Farao* sy ny mpanompony ny soso-kevitr'i Jôsefa, 38ka hoy ny Farao tamin'ireo mpanompony:
–Aiza indray isika no hahita lehilahy manana ny Fanahin'Andriamanitra tahaka ity?

39Dia hoy izy tamin'i Jôsefa:
–Satria nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy olon-kendry sy manan-tsaina toa anao. 40Koa ianao no hitantana ny fanjakako, ary ny vahoakako rehetra dia hankato ny baikonao, ka ny maha mpanjaka ahy ihany no maha ambony ahy noho ianao. 41Jereo fa efa nomeko anao ny fahefana amin'i Ejipta manontolo.

lundi 8 juin 2015

Alatsinainy 08 Jona 2015 - Jak 3 : 13 - 18

13Misy hendry sy manan-tsaina ve aminareo? Aoka hasehony amin'ny fitondrantena tsara fa ny halemem-panahy, vokatry ny fahendrena, no manenika ny asa ataony. 14Raha misy fialonana mangidy sy fifampiandaniana ao am-ponareo, dia aza mirehareha ianareo ary aza mandainga manohitra ny marina. 15Izany fahendrena izany dia tsy avy any ambony fa araka ny etỳ an-tany sy araka ny maha olombelona ary avy amin'ny demony*; 16satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin'ny asa ratsy isan-karazany. 17Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. 18Izay mampanjaka fihavanana dia mamafy amim-pihavanana, ary dia ny rariny no vokatra azony.

dimanche 7 juin 2015

Alahady 07 Jona 2015 - I Mpa 3 : 16 - 28

16Indray andro dia nisy vehivavy mpivaro-tena roa tonga niseho teo anatrehan'ny mpanjaka. 17Dia hoy ilay vehivavy voalohany:
–Miray trano izaho sy ity vehivavy ity, ry andriamanjaka, ary teraka tao an-trano aho tamin'ny fotoana nahatao azy koa. 18Fa telo andro taorian'ny fiterahako, dia mba teraka ny zanany koa io vehivavy io. Izahay roa vavy ihany no tao an-trano fa tsy nisy olon-kafa ankoatra anay. 19Tamin'io alina io anefa, dia maty ny zanak'ity vehivavy ity fa voatsindriny. 20Koa tamin'ny misasakalina dia niarina izy naka ny zanako teo anilako raha ilay mbola natory iny aho, ka nampandriany teo anilany; fa ny azy maty kosa no nataony teo anilako. 21Rehefa nifoha hampinono ny zanako aho anikeheo maraina, dia indro fa maty izy. Kanjo rehefa nofantariko nony nazava ny andro, dia hitako fa hay tsy ny zanako naterako akory io.

22Tamin'izay, dia hoy kosa ilay vehivavy faharoa:
–Tsia! Ny velona no zanako, fa ny maty no anao!

Dia hoy ilay voalohany:
–Tsia! Ny maty no zanakao, fa ny velona no ahy!

Nifanditra toy izany teo anatrehan'ny mpanjaka izy roa.

23Fa hoy kosa ny mpanjaka:
–Ny iray manao hoe: «Ny velona no zanako fa ny maty no anao!» Dia mamaly ny iray hoe: «Tsia! Ny maty no zanakao fa ny velona no ahy!»

24Ka hoy aho hoe: «Itondray sabatra aho».

Rehefa tonga ny sabatra,

 25dia hoy indray ny mpanjaka:
–Zarao roa ny zaza velona, ka samy omeo ny antsasany avy ireo vehivavy ireo!

26Fa onena mafy an-janany kosa ilay vehivavy renin'ny zaza velona, ka niteny tamin'ny mpanjaka hoe:
–Ry andriamanjaka ô, aoka re homena azy ihany ny zaza velona, fa aza dia vonoina ho faty!

Fa hoy kosa ny iray:
–Zarao roa mihitsy ny zaza, fa amin'izay dia samy tsy manana.

27Dia namaly ny mpanjaka, ka nanao hoe:
–Aza vonoina ho faty ny zaza, fa omeo ilay vehivavy voalohany; izy mihitsy no reniny.

28Ren'ny Israelita rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany; ka dia nanaja azy ny olona, satria nahatsapa fa misy fahendren'Andriamanitra ao aminy hoentiny mitsara.

samedi 6 juin 2015

Sabotsy 06 Jona 2015 - Nom 14 : 6 - 10

6I Josa zanakalahin'i Nona sy i Kaleba zanakalahin'i Jefonè izay samy anisan'ny nisafo tany kosa dia nandriatra ny fitafiany* 7ary niteny tamin'ny fiangonana israelita tsivakivolo hoe:
–Ny tany izay nosafoinay dia tany tena tsara tokoa. 8Raha ambinin'ny TOMPO isika, dia hoentiny any amin'io tany tondra-dronono sy tantely io ka homeny antsika izany. 9Koa aza mikomy amin'ny Tompo ianareo; ary aza matahotra ny mponin'io tany io, fa tsy misy hataontsika indraim-bava akory ireo. Efa niala taminy ireo andriamanitra fiarovany, fa ny Tompo kosa momba antsika; koa aza matahotra azy ireny ianareo.

10Nandrahona hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka iray manontolo; kanjo indro ny voninahitry ny TOMPO fa niseho tamin'ny Israelita rehetra teo amin'ny Tranolay fihaonana*.

vendredi 5 juin 2015

Zoma 5 Jona 2015 - Deo 4 : 5 - 8

5«Araka izay nandidian'ny TOMPO Andriamanitro ahy, indro ianareo efa nampianariko lalàna amam-pitsipika hotanterahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.» 6Koa tandremo sy tanteraho izany, fa hiheverana anareo ho hendry sy manan-tsaina eo imason'ny firenen-kafa; handre ireny lalàna rehetra ireny mantsy izy ka ho loa-bolana hoe: «Mba vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!» 7Fa aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha akaiky antsika ny TOMPO Andriamanitsika, Izay mamaly isaky ny antsoina? 8Ary aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana didy amam-pitsipika marina tahaka izao fehezan-dalàna arosoko eo anoloanareo anio izao?

jeudi 4 juin 2015

Alakamisy 04 Jona 2015 - I Kor 3 : 18 - 23

18Aoka tsy hisy hamita-tena. Raha misy aminareo mihevi-tena ho hendry araka ny filamatr'izao tontolo izao*, aoka hanjary adala izy mba ho hendry. 19Fa ny fahendrena araka ny filamatr'izao tontolo izao dia fahadalana eo imason'Andriamanitra; satria izao no voalazan'ny Soratra Masina*:

«Ny hafetsen'ny olon-kendry no amandrihan'Andriamanitra azy»; 20ary izao koa: «Fantatry ny Tompo ny fisainan'ny olon-kendry fa zava-poana izany.» 21Noho izany, aoka tsy hisy hanao olona ho reharehany. Fa anareo ny zavatra rehetra, 22na i Paoly, na i Apôlao, na i Petera, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany; 23ianareo kosa an'i Kristy, ary i Kristy an'Andriamanitra.

mercredi 3 juin 2015

Alarobia 03 Jona 2015 - Eks 31 : 1 - 11

1Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy:

2–Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin'i Orỳ sady zafikelin'i Hora, avy amin'ny fokon'i Joda, 3ary nofenoiko ny Fanahiko mba ho tena kinga sy marani-tsaina ka mahalala ny haitao isan-karazany: 4hainy ny manao vinavinan'asa, ny miasa volamena sy volafotsy ary halimo, 5ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa. 6Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin'i Ahisamàka, avy amin'ny fokon'i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an'ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao: 7dia ny Tranolay fihaonana*, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana*, ny saron'ny Vatamasina, ny fitaovana rehetra momba ny tranolay masina, 8ny latabatra voatokana, ny fitoeran-jiro volamena madio sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny alitara* fandoroana vovo-javamanitra, 9ny alitara fanaovana sorona* sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny tavy fidiovana sy ny faladiany, 10ny lamba fandrakofana ny fanaka, ny fanamiana voatokana hiakanjoan'i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany, 11ny ilomasina fampiasa amin'ny fanokanana, ary ny vovo-javamanitra voatokana ho an'ny Toeramasina. Hanaraka tanteraka ny torolalana izay nandidiako anao ny mpahay taozavatra amin'ny fanaovana ireo rehetra ireo.

mardi 2 juin 2015

Talata 02 Jona 2015 - I Pet 4 : 7 - 9

7Antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka. 8Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa. 9Mifampiantranoa ka aza asiana monomonona.

lundi 1 juin 2015

Alatsinainy 01 Jona 2015 - Oha 3 : 1 - 8

1Anaka, aza manadino ny fampianarako;
ary aoka ho voatandron'ny fonao ny didiko.
2Fa andro lava sy taona maro iainana
ka hiadam-pinaritra hatrany
no ho vokatr'ireny ho an'ny tenanao:
3Aoka tsy hialanao mihitsy ny fitiavana sy ny toetra mahatoky;
kajio toa firavaka fiambozonanao izany,
ary soraty ao am-ponao toy ny amin'ny vatofisaka.
4Fa hahita sitraka sy fahombiazana ianao
eo imason'Andriamanitra sy ny olona.

5Matokia ny TOMPO amin'ny fonao manontolo,
fa aza miantehitra amin'ny fahakingan-tsainao.
6Mieke Azy amin'izay rehetra alehanao,
dia hatorony anao ny soritra harahinao.
7Aza manao ny tenanao ho hendry,
fa hajao ny TOMPO ka ialao ny ratsy.
8Hanasitranana ny tenanao izany
ary hamelombelomana ny taolanao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12