dimanche 30 juin 2019

Alahady 30 Jona 2019 - Rom 5 : 1 - 5

1Noho ny finoana àry dia tonga olo-marina eo imason’Andriamanitra isika sady efa mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. 2Amin’ny alalan’i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin’ny voninahitr’Andriamanitra. 3Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana; 5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.

samedi 29 juin 2019

Sabotsy 29 Jona 2019 - Rom 8 : 5 - 11

5Eny, izay miaina araka ny maha olona mpanota, dia mirona amin’ny zavatra ankafizin’ny maha olona mpanota; fa izay miaina araka ny Fanahy Masina, dia mirona amin’ny zavatra ankafizin’ny Fanahy Masina. 6Satria ny firònan’ny maha olona mpanota dia mitondra amin’ny fahafatesana; fa ny firònan’ny Fanahy Masina dia mitondra amin’ny fiainana sy ny fiadanana. 7Ny firònan’ny maha olona mpanota dia mifanohitra amin’Andriamanitra, ka tsy manoa sady tsy afa-manoa ny lalànan’Andriamanitra akory. 8Fa izay anjakan’ny maha olona mpanota dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.

9Ianareo kosa, tsy anjakan’ny maha olona mpanota ianareo fa anjakan’ny Fanahy Masina, satria efa monina ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy an’i Kristy. 10Fa raha ao anatinareo kosa i Kristy, na dia ho faty aza ny vatanareo noho ny fahotana, ny Fanahy Masina no fiainanareo satria efa neken’Andriamanitra ho marina ianareo. 11Ary raha monina ao anatinareo ny Fanahin’ilay Andriamanitra nanangana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty, dia Izy nanangana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty no hamelona koa ny vatanareo mety maty, amin’ny alalan’ilay Fanahiny monina ao anatinareo.

vendredi 28 juin 2019

Zoma 28 Jona 2019 - Mik 3 : 6 - 8

6Noho izany, foana ny fisehoam-pahitana
fa ny alina no ho aminareo mpaminany mpamitaka.
Foana koa ny fanambaràna ny ho avy
fa ny haizina no hanarona anareo.
Hilentika aminareo ny masoandro,
ka ho maizina aminareo ny andro!»
7Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana,
ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy;
hisarom-bava avokoa izy rehetra,
satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.
8Izaho kosa, noho ny Fanahin’ny TOMPO,
dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po,
mba hanambara amin’ny taranak’i Jakôba ny helony,
eny, mba hanambara amin’ny vahoakan’i Israely ny fahotany.

jeudi 27 juin 2019

Alakamisy 27 Jona 2019 - Efe 5 : 8 - 21

8Tao amin’ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin’ny fahazavana kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin’ny fahazavana, 9satria ny fahazavana dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany. 10Miezaha mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo. 11Aza miombona amin’ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon’ireo olona ao anatin’ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr’ireny asa ireny; 12(satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin’ny miafina aza). 13Fa rehefa asehon’ny fahazavana kosa ny tena toetry ny zavatra rehetra, dia hiharihary avokoa; 14eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe:

«Mifohaza ianao izay matory,
ary mitsangàna ho velona avy any amin’ny maty,
dia hampahazava anao i Kristy.»

15Koa tandremo tsara ny fitondrantenanareo. Aza manao toy ny olona tsy misaina, fa aoka ho tahaka izay misaina. 16Hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao. 17Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.

18Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin’ny ratsy no vokatr’izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina. 19Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin’ny fo tokoa ho an’ny Tompo. 20Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.


21Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an’i Kristy.

mercredi 26 juin 2019

Alarobia 26 jona 2019 - Lio 1 : 8 - 17

8Indray andro dia nanao fisoronana teo anatrehan’Andriamanitra tao an-tempoly i Zakarià, satria tonga ny anjaran’ny antokony. 9Naroso ny antsapaka araka ny fanaon’ny mpisorona ka izy no voatendry handoro ny ditin-kazo manitra ao amin’ny Toeramasin’ny Tompo. 10Nivavaka teo ivelany kosa ny vahoaka rehetra nandritra ny fotoana nandoroana ny ditin-kazo manitra. 11Tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Zakarià sady nijoro teo ankavanan’ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra. 12Taitra mafy ka raiki-tahotra i Zakarià nony nahita azy.

13Fa hoy ilay anjely taminy:
–Aoka izay ny tahotra, ry Zakarià, fa efa nohenoin’Andriamanitra ny vavakao: Hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. I Jôhany no hataonao anarany. 14Ho faly sy ravo ianao ary ny besinimaro koa ho faly amin’ny hahaterahany! 15Eny, ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy, ary hifady divay sy zava-pisotro hafa mahamamo, sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny. 16Maro amin’ny Israelita no hampodîny amin’ny Tompo Andriamanitra. 17Hombàn’ny fanahy aman-kerin’i Elià mpaminany izy ka hialoha ny Tompo, mba hampifandray am-po ny ray aman-dreny sy zanaka sady hamerin-doha ny maditra ho olo-marina feno fahendrena, ary dia hanomana vahoaka vonona handray ny Tompo.

mardi 25 juin 2019

Talata 25 Jona 2019 - Oha 12 : 1 - 7

1Izay tia fananarana tia fahalalana;
fa adaladala izay mankahala tsikera.
2Ny tsara fanahy dia mahazo sitraka avy amin’ny TOMPO,
fa izay manana sain-dratsy kosa helohiny.
3Tsy haratsiam-panahy no maha tafaorina ny olona;
fa ny marina kosa mamaka tsy misy mahozongozona.
4Satroboninahitry ny vadiny ny vehivavy tsara fanahy,
fa homamiadana mikiky azy kosa ny vehivavy tsy mendrika.
5Ny olo-marina mihevitra ny rariny;
fa ny olon-dratsy kosa misaina fitaka.
6Ny tenin’ny olon-dratsy dia fandrika mahafaty;
ny lazain’ny olo-marina kosa mamonjy ny hafa.
7Raha miongana ny olon-dratsy, dia tsy misy tafajanona;
fa ny ankohonan’ny olo-marina kosa maharitra hatrany.

lundi 24 juin 2019

Alatsinainy 24 Jona 2019 - Mar 13 : 1 - 11

1Nony niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia hoy ny mpianany anankiray taminy:
–Mpampianatra ô, jereo ange! Endrey ireto vato, endrey ireto rafitra!

2Dia hoy i Jesoa taminy:
–Hitanao ve ireo rafitra miezinezina ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.

3Ary nony nipetraka teo amin’ny tendrombohitra Analanôliva tandrifin’ny tempoly i Jesoa, dia nanontany Azy manokana i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany sy i Andrea nanao hoe:
4–Lazao anay: oviana no hahatongavan’izany ary inona no famantarana fa hoe madiva ho tonga ny fiafaran’ireo rehetra ireo?

5Ka hoy i Jesoa taminy:
–Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo. 6Maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: «Izaho no ilay Mesia»; ary maro ny olona ho voafitany. 7Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra fa tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no ho farany. 8Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; hisy horohorontany amin’ny toerana samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.

9Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany. 10Kanefa tsy maintsy hotorîna amin’ny firenena rehetra aloha ny Vaovao Mahafaly. 11Rehefa hoentina hatolotra amin’ny mpitsara ianareo, dia aza manahy hoe inona no holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izay fotoana izay, lazaina; satria tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin’ny Fanahy Masina.

vendredi 21 juin 2019

Zoma 21 Jona 2019 - Heb 2 : 1 - 4

1Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin’izany isika. 2Nanan-danja tokoa na dia ny hafatra nentin’anjely aza, ary izay rehetra nandika izany na tsy nanaiky izany dia nahazo sazy tandrify avy; 3ka hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy raharahaintsika ny famonjen-dehibe toy izany? Ny Tompo mihitsy no efa nitory voalohany izany famonjena izany, ary nohamafisin’ireo izay nandre mba ho fanasoavana antsika. 4Andriamanitra koa dia niara-nijoro ho vavolombelona tamin’ireo nandre ireo ka niantoka izany tamin’ny famantarana sy zava-mahatalanjona ary ny asa mahagaga isan-karazany, mbamin’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina izay nozarazarain’Andriamanitra araka ny sitrapony.

jeudi 20 juin 2019

Alakamisy 20 Jona 2019 - I Kor 14 : 7 - 11

7Raiso ho ohatra ireo zavamaneno tsy manana aina, toy ny sodina na ny valiha. Raha tsy re mazava sady miavaka tsara ny feo avoakany, moa ve hisy hahalalana ny hira atao aminy avy? 8Ary raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hioman-kiady? 9Dia toy izany koa ianareo: ahoana no hahazoan’ny olona izay lazainareo, raha tsy mazava ny hafatra ambaranareo amin’ny fiteny tsy fantatra? Dia hanao teny entin-drivotra ianareo! 10Maro samy hafa ny fiteny eto amin’izao tontolo izao, kanefa samy misy heviny avokoa. 11Ka raha tsy fantatro àry ny hevitry ny fiteny iresahan’olona amiko, dia ho vahiny amin’ilay olona miresaka amiko aho ary ho vahiny amiko ilay olona miresaka amiko. 12Dia toy izany koa ianareo: satria fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina ianareo, dia ireo hampandroso ny fiangonana amin’ny finoana no aoka hotadiavinareo hananana be dia be.

mercredi 19 juin 2019

Alarobia 19 Jona 2019 - Jao 14 : 25 - 26

25Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. 26Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin’ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

mardi 18 juin 2019

Talata 18 Jona 2019 - Asa 11 : 4 - 18

4Fa notantarain’i Petera tamin’ny antsipiriany hatrany am-boalohany izay nitranga, ka hoy izy tamin’ireo mpino jiosy:

5–Tao an-tanànan’i Jôpa aho, ary sendra nivavaka indrindra no nisehoam-pahitana mahavariana. Nisy zavatra nidina avy any an-danitra: toa lamba lehibe voatana amin’ny zorony efatra, nalatsaka avy any ary tonga teo akaikiko. 6Nijery tsara sy nandinika ny tao anatiny aho, ka nahita ny biby mandeha tongotra efatra, ny bibidia, ny biby mikisaka amin’ny tany ary ny voro-manidina. 7Dia nisy feo henoko nanao tamiko hoe: «Mitsangàna, ry Petera; mamonoa ka mihinàna!» 8Ary novaliako hoe: «Sanatria, Tompoko! Tsy mbola nisy mihitsy zavatra fady na maloto niditra ny vavako.» 9Dia mbola heno indray ilay feo avy any an-danitra nanao hoe: «Izay efa nambaran’Andriamanitra fa madio, dia aza ataonao ho fady.» 10Intelo niverina izany, dia nakarina manontolo tany an-danitra indray ilay zavatra. 11Tamin’izany fotoana izany indrindra dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao amin’ilay trano nitoerako: iraka avy any Kesaria hankatỳ amiko. 12Dia nitenenan’ny Fanahy Masina aho mba tsy hisalasala ny hiaraka aminy. Tafaraka tamiko tany koa ireto havana mpino enina nentiko eto aminareo ireto, ary niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay. 13Dia notantarain’i Kôrnely ny fomba nahitany tao an-trano anjely anankiray izay nanao taminy hoe: «Maniraha lehilahy any Jôpa haka an’i Simôna, izay antsoina koa hoe Petera. 14Hitondra teny hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra izy.» 15Vao nanomboka niteny aho, dia efa nilatsaka tamin’izy rehetra ny Fanahy Masina tahaka ny nilatsahany tamintsika tany am-boalohany koa. 16Tsaroako tamin’izay ilay tenin’ny Tompo hoe: «I Jôhany dia nanao batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina.» 17Notoloran’Andriamanitra ny fanomezany isika rehefa nino an’i Jesoa Kristy Tompo; koa raha notoloran’Andriamanitra fanomezana mitovy amin’ny antsika ireo hafa firenena, dia iza moa aho no ho afa-manohitra an’Andriamanitra?

18Nony nandre izany ireo mpino jiosy, dia nitony ary nanome voninahitra an’Andriamanitra ka nanao hoe:
–Marina fa nomen’Andriamanitra ny hafa firenena ihany koa ny hiala amin’ny toe-dratsy mba hahazoany fiainana.

lundi 17 juin 2019

Alatsinainy 17 Jona 2019 - Jak 3 : 11 - 18

11Misy ve vavan-doharano manao indray mamoaka rano mamy sy rano mangidy? 12Ny aviavy ve, ry havako, mety hamoa ôliva, na ny voaloboka hamoa aviavy? Koa ny loharano masira tsy mety hanome rano mamy.

13Misy hendry sy manan-tsaina ve aminareo? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara fa ny halemem-panahy, vokatry ny fahendrena, no manenika ny asa ataony. 14Raha misy fialonana mangidy sy fifampiandaniana ao am-ponareo, dia aza mirehareha ianareo ary aza mandainga manohitra ny marina. 15Izany fahendrena izany dia tsy avy any ambony fa araka ny etỳ an-tany sy araka ny maha olombelona ary avy amin’ny demony; 16satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’ny asa ratsy isan-karazany. 17Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. 18Izay mampanjaka fihavanana dia mamafy amim-pihavanana, ary dia ny rariny no vokatra azony.

dimanche 16 juin 2019

Alahady 16 Jona 2019 - Nom 24 : 1 - 9

1Hitan’i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an’ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny. 2Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy, 3dia nanao izao tononkalo izao:

«Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra,
teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery
4sady mandre ny tenin’Andriamanitra
no mahita izay asehon’ilay Tsitoha,
rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy
ka tonga mahiratra fijery.

5«Akory ny hatsàran’ny lainareo,
ry taranak’i Jakôba;
endrey ny hasoan’ny fonenanareo,
ry vahoaka Israelita!
6Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny,
mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony,
velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera
nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano,
7mitobaka toy ny rano avy amin’ny fanovozana
ka manondraka tsara ny saha voafafy.
Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita
ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.
8Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta
izany vahoaka izany,
ka manan-kery tsy hay tohaina
tahaka ny an’ny omby dia.
Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy,
ka manapatapaka ny taolany
sy mandoadoaka azy amin’ny zana-tsipîka.
9Mamita-mandry toy ny liona
na tahakan’ny bibidia masiaka izy,
koa zovy no sahy hanaitra azy?

«Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely,
ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»

samedi 15 juin 2019

Sabotsy 15 Jona 2019 - I Pet 4 : 12 - 19

12Ry hava-malala, aza gaga amin’ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo. 13Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny. 14Sambatra ianareo raha haratsîna amin’ny maha mpianatr’i Kristy anareo; fa ny Fanahy Masina be voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, no mitoetra eo aminareo. 15Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona; 16fa raha amin’ny maha kristianina azy no ijaliany, dia aoka izy tsy ho menatra fa hanome voninahitra an’Andriamanitra noho izany anarana entiny izany.

vendredi 14 juin 2019

Zoma 14 Jona 2019 - II Tan 20 : 14 - 17

14Teo anivon’izany vahoaka tafangona izany i Jahaziela, levita zanakalahin’i Zakarià sy zafin’i Benaià sy zafiafin’i Jehiela ary zafindohalik’i Matanià sady anisan’ny taranak’i Asafa, dia voatsindrin’ny Fanahin’ny TOMPO, 15ka niteny hoe:

–Mihainoa tsara ianareo, ry Joda iray manontolo sy ry mponin’i Jerosalema, ary indrindra ianao, ry Jôsafata mpanjaka. Izao no lazain’ny TOMPO aminareo: «Aza matahotra na mivadi-po ny amin’io tafika goavana io, fa tsy anareo ny ady, fa Ahy Andriamanitrareo. 16Rahampitso dia midîna hiady amin’ny fahavalonareo izay miakatra amin’ny fiakarana Hatsitsa izao. Ianareo kosa hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny taniefitr’i Jeroela. 17Ry mponin’i Joda sy i Jerosalema, tsy ianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara fotsiny, fa ho hitanareo ny hamonjen’ny TOMPO anareo. Aza matahotra na mivadi-po; rahampitso dia miaingà hifanehatra amin’io tafika io, fa ny TOMPO no hiaraka aminareo.»

jeudi 13 juin 2019

Alakamisy 13 Jona 2019 - Isa 11 : 1 - 9

1Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay;
misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.
2Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy,
dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka
Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,
Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.
Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy
na hanapaka araka izay ren’ny sofiny,
4fa hitsara ny malahelo ara-drariny
ary hamoaka didy araka ny hitsiny
ho an’ny mahantra eo amin’ny tany.
Ny teniny no toy ny tsorakazo
hikapohany ny tany
ary ny fofonain’ny vavany
no hamonoany ny olon-dratsy.
5Ny rariny no ho fisikinany
ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.

6Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin’ny zanak’ondry,
ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy;
ny zanak’omby sy ny liona tanora hiara-mihinana
ka zazalahy kely no hitarika azy.
7Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka;
ary ny zanak’izy ireo hiara-matory.
Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.
8Ny zaza mbola minono
hilalao eo an-davaky ny bibilava;
ary ny zaza misara-nono
hanatsofoka ny tanany
ao an-davaky ny menarana.
9Tsy hisy hanimba na handratra
manerana ny tendrombohitra masina,
satria ny fahalalana ny TOMPO
no hanenika izany tany izany
tahaka ny anaronan’ny rano
ny fanambanin’ny ranomasina.

mercredi 12 juin 2019

Alarobia 12 Jona 2019 - Mar 3 : 20 - 30

20Dia niverina tao an-trano i Jesoa; ary vory maro teo indray ny vahoaka, hany ka tsy afaka nisakafo Izy sy ny mpianany. 21Ren’ny fianakavian’i Jesoa izany ka niainga ireo mba haka Azy an-keriny satria hoe lasa adala Izy.

22Ary hoy ireo mpahay lalàna nidina avy tany Jerosalema hoe:
–I Belzeboba no ao amin’ilay io ary fahefana avy amin’ny filohan’ny demony no androahany ny demony.

23Fa nantsoin’i Jesoa iretsy mpahay lalàna ka fanoharana no nitenenany taminy hoe:
–Ahoana no hahafahan’i Satàna mandroaka an’i Satàna? 24Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany; 25ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany. 26Koa raha i Satàna no mitsangana hanohitra ny tenany sy miady an-trano, dia tsy haharitra izy fa ho vita eo ny aminy.

27Kanefa tsy misy olona afaka hiditra ao an-tranon’olona matanjaka mba handroba ny fananany, raha tsy voafatony aloha ilay olona matanjaka; dia izay izy vao mandroba ny ao an-trano.

28Ary lazaiko marina aminareo fa havelan’Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan’ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an’Andriamanitra; 29fa na iza na iza manevateva ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, satria fahotana raiki-tampisaka aminy mandrakizay no mahameloka azy.

30Nilaza manko ireo mpahay lalàna fa hoe fanahy maloto no ao amin’i Jesoa.

mardi 11 juin 2019

Talata 11 jona 2019 - Gal 5 : 22 - 25

2Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, 23fahalemem-panahy, fahononam-po: tsy misy lalàna manohitra ny toy izany. 24Ireo voatokana ho an’i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin’ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin’ny filàndratsiny amam-paniriany. 25Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina koa isika;

lundi 10 juin 2019

Alatsinainy 10 Jona 2019 - II Kor 13 : 5 - 14

5Diniho ny tenanareo, ka izahao toetra raha velona amin’ny finoana tokoa ianareo na tsia. Fantatrareo tsara fa ao anatinareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo! 6Manantena kosa aho fa raha izahay, dia ho fantatrareo fa tsy mba olona tsy voazaha toetra. 7Mangataka am-bavaka amin’Andriamanitra izahay mba tsy hahavita ratsy mihitsy ianareo, tsy hoe mba hisehoanay ho olona voazaha toetra, fa mba hanaovanareo izay tsara, na dia hoheverina ho olona tsy voazaha toetra aza izahay. 8Fa tsy mba mahatohitra ny marina izahay fa ny mampandroso ny marina ihany. 9Eny, mahafaly anay raha malemy izahay fa ianareo kosa mahery; ka ny angatahinay am-bavaka, dia ny hahatanteraka anareo. 10Izany no anoratako ireo zavatra ireo aminareo, dieny mbola lavitra anareo aho; fandrao, rehefa mby eo aminareo aho, dia voatery hanao mafy loatra, araka ny fahefana nomen’ny Tompo ahy, dia fahefana natao hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy.

11Ary farany, ry havako, veloma finaritra ianareo! Miezaha ho tonga lafatra, mifampahereza, miraisa saina, mihavàna, dia homba anareo ilay Andriamanitra loharanon’ny fitiavana sy ny fiadanana.

12Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pihavanana.
13Manao veloma anareo avokoa ny vahoakan’Andriamanitra.

14Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana avy amin’ny Fanahy Masina!

dimanche 9 juin 2019

Alahady 09 Jona 2019 - Asa 2 : 1 - 13

1Nony tonga ny andro Pentekôsta, dia tafangona teo amin’io efitrano io ihany ny mpino rehetra. 2Ary nisy feo avy tany an-danitra tonga tampoka tahaka ny rivo-mahery mifofofofo ka nanenika ny trano nitoerany. 3Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho tamin’ny mpivory ka nizarazara nipetraka teny ambonin’ny tsirairay avy. 4Dia feno Fanahy Masina avokoa izy rehetra ary niteny fiteny samihafa araka izay nampitenenan’ny Fanahy azy avy.

5Tamin’izay dia nisy Jiosy mpivavaka tsara, zanaka am-pielezana avy tamin’ny firenen-tsamihafa ambanin’ny lanitra, tafatoetra tao Jerosalema. 6Vao nanomboka ilay feo, dia nirohotra nanatona ny besinimaro sady sanganehana fatratra satria nandre ny mpino nampiasa ny fiteny manokana mahazatra azy mpihaino tsirairay avy. 7Talanjona sy gaga izy rehetra sady vaky vava hoe:
–Fa tsy avy any Galilea avokoa ve ireo miteny ireo? 8Ka ahoana no andrenesantsika tsirairay avy ny fiteny manokana nahabe antsika? 9Misy amintsika avy any Partia, Media, Elama ary misy mponina any Mezôpôtamia; misy mponina eto Jodea; misy koa ny any Kapadôsia, Pônto, Azia, 10Frijia sy Pamfilia; ao koa ny avy any Ejipta mbamin’ny faritanin’i Sirena any Libia; ary misy ny mpivahiny avy any Rôma; 11ao ny Jiosy, ary ao ny hafa firenena mpanaraka ny fivavahana jiosy; mbola misy koa ny avy any Kreta sy Arabia; kanefa dia rentsika izy ireo milaza, amin’ny fitenintsika avy, ny zava-dehibe ataon’Andriamanitra?

12Talanjona sady very hevitra izy rehetra ka velon-dresaka hoe:
–Inona re no hevitr’izao?

13Ny sasany anefa naneso ka nanao hoe:
–Mamon-divay vaovao ry zareo!

samedi 8 juin 2019

Sabotsy 08 Jona 2019 - II Kor 3 : 12 - 18

12Satria manana izany fanantenana izany izahay, dia be fahasahiana tokoa. 13Izahay dia tsy tahaka an’i Mosesy izay nisaron-tava mba tsy hahitan’ny vahoaka Israely ny fiafaran’ilay famirapiratany mihelina. 14Fa nihadonto ny sain’ny vahoaka Israely; ary mandraka androany dia tsy nesorina ny zava-manarona ny sainy, fa mbola ao ihany raha mamaky ny boky mirakitra ny Fanekempihavanana Taloha izy ireo; satria ho an’ny olona tafaray amin’i Kristy no foana izany sarona izany. 15Mandraka androany, isaky ny vakîna ny bokin’i Mosesy, dia mbola misarona ihany ny fon’ny vahoaka Israely. 16Fa isaky ny miverina amin’ny Tompo kosa ny olona, dia miesotra izany sarona izany. 17Ka ny hoe Tompo eto dia ny Fanahy; fa ao amin’izay itoeran’ilay Fanahin’ny Tompo no misy fahafahana. 18Isika rehetra kosa dia tsy mba misaron-tava, fa toy ny fitaratra tarafin’ny voninahitry ny Tompo; ka dia miova endrika hanahaka ny Tompo isika, sady mitombo hatrany ny famirapiratantsika, araka ny asa tontosain’ilay Fanahin’ny Tompo.

vendredi 7 juin 2019

Zoma 07 Jona 2019 - I Kor 6 : 12 - 20

12«Azoko atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy dia ary mahasoa avokoa. «Azoko atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy misy na inona na inona avelako hanandevo ahy. 13«Ny hanina fanao an-kibo ary ny kibo fasian-kanina», hoy ianareo, kanefa samy zavatra horavan’Andriamanitra izy roroa. Ny tenantsika kosa tsy natao ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tenantsika. 14Efa nanangana ny Tompo ho velona Andriamanitra, ary isika koa dia hatsangany ho velona araka ny heriny.

15Tsy fantatrareo ve fa anisan’ny tenan’i Kristy ny tenanareo? Ka dia hoesoriko ve ny anisan’ny tenan’i Kristy hatao ho anisan’ny tenan’ny vehivavy mpijangajanga? Sanatria! 16Sa tsy fantatrareo fa ny lehilahy mikambana amin’ny vehivavy mpijangajanga dia iray tena aminy? Hoy manko ny Soratra Masina: «Ho tena iray izy roroa.» 17Fa izay mikambana amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.

18Andosiro ny fijangajangana! Ny fahotana hafa rehetra ataon’ny olona dia ivelan’ny tenany avokoa; fa izay mijangajanga kosa dia manao fahotana mihatra amin’ny tenany. 19Sa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Ilay ao anatinareo sady noraisinareo tamin’Andriamanitra? Tsy anareo ny tenanareo, 20fa novidîn’Andriamanitra lafo ho fananany ianareo. Noho izany, ampiasao hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny tenanareo.

jeudi 6 juin 2019

Alakamisy 06 Jona 2019 - Kol 3 : 12 - 15

12Olomboafidin’Andriamanitra sy voatokany ho Azy ianareo sady efa notiaviny. Noho izany, aoka ianareo hitafy hatsaram-po sy fiantrana, hamoram-po sy fanetrentena, fahalemem-panahy sy fahari-po. 13Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany. Aoka ianareo koa mba hamela heloka, tahaka ny efa namelan’ny Tompo heloka anareo. 14Fa ambonin’ny zavatra rehetra, mitafia ny fitiavana izay mamehy ny hatsaram-panahy rehetra ho tanteraka. 15Aoka hanjaka ao am-ponareo ny fiadanana omen’i Kristy, fa ho amin’izany fiadanana izany no niantsoan’Andriamanitra anareo hitambatra ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana an’Andriamanitra ianareo.

mercredi 5 juin 2019

Alarobia 5 Jona 2019 - Lio 2 : 25 - 32

25Tao Jerosalema tamin’izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an’Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn’ny Fanahy Masina izy 26ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia avy amin’ny Tompo. 27Nentin’ny Fanahy Masina hankao an-kianjan’ny tempoly i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin’i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian’ny lalàna ny amin’ny zaza;

28dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an’Andriamanitra nanao hoe:

29–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin’izay
ity mpanomponao, araka ny teninao!
30Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao
31izay nomaninao ho an’ny firenena rehetra:
32dia fahazavana hampahalala Anao amin’ny hafa firenena
ary hanome voninahitra an’i Israely vahoakanao.

mardi 4 juin 2019

Talata 04 Jona 2019 - Asa 6 : 1 - 7

1Tamin’izany andro izany, dia nihamaro be ny mpianatra, ka nifanditra tamin’ny Jiosy miteny hebreo ny Jiosy miteny grika satria natao tsirambina ny mpitondratena teo aminy tamin’ny fizaràna sakafo isan’andro. 2Dia novorîn’ny 12 lahy ny mpianatra rehetra ka nataony hoe:
–Tsy rariny raha ilaozanay mitantana sakafo ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra. 3Noho izany, ry havana, aoka hisy olona fito lahy hotsongaina avy eo afovoanareo, dia olona tsara laza sady feno Fanahy Masina ama-pahendrena, mba hampiandraiketanay izany raharaha izany. 4Izahay kosa dia hilofo amin’ny vavaka sy ny fitorian-teny.

5Nankasitrahan’ny besinimaro izany teny izany. Dia nofidin’ny mpianatra i Stefàna lehilahy vontom-pinoana sy feno Fanahy Masina, ary koa i Filipo sy i Prôkôro, i Nikanôra sy i Timôna, i Parmenà ary i Nikôlà; ka i Nikôlà dia hafa firenena avy any Antiôkia, efa mpanaraka ny fivavahana jiosy. 6Naroso teo anatrehan’ny apôstôly izy fito lahy ka nanaovan’ny apôstôly vavaka sy nametrahany tanana.
7Niroborobo ny tenin’Andriamanitra, nitombo be dia be ny isan’ny mpianatra tao Jerosalema, ary nisy mpisorona maro nanaiky ny finoana.

lundi 3 juin 2019

Alatsinainy 03 Jona 2019 - Isa 60 : 1 - 5

1Mitsangàna, ry Jerosalema ô, mamirapirata,
satria tonga ny famirapiratanao:
ny voninahitry ny TOMPO no manazava anao
toy ny masoandro miposaka.
2Ny haizim-pito manarona ny tany,
ary ny alina mandrakotra ireo firenena;
fa ianao kosa no iposahan’ny TOMPO
sady isehoan’ny voninahiny.
3Ireo firenena hanatona ny fahazavanao
ary ny mpanjaka ho voasariky ny famirapiratana
izay vao miposaka eo aminao.

4Topazo maso ny manodidina anao ka jereo:
Indreny izy rehetra fa mivory hankeo aminao.
Ny zanakao lahy dia tonga avy lavitra,
ary ny zanakao vavy kosa trotroina.
5Ho miramirana ianao hahita izany
ka ho tohina mafy sy hibita-kafaliana ny fonao,
fa ny haren’ny ranomasina hoentina eo aminao
ary ny fananan’ny firenen-kafa hatolotra anao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12