dimanche 30 avril 2017

Alahady 30 Aprily 2017 - Deo 4 : 32 - 38

32Diniho ange ny andro fahagola talohanareo, manomboka hatreo amin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olombelona tetỳ ambonin'ny tany. Saintsaino ange ny zava-mitranga manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny. Moa efa nisy zava-dehibe niseho na re tahaka izany ve? 33Moa efa nisy ve firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao anatin'ny afo, tahaka ny efa renareo ka mbola velona ihany? 34Moa efa nisy ve andriamanitra sampy nanandrana nanafaka firenena anankiray teo an-tanan'ny firenen-kafa mba hatokany ho azy, ka nampiasa fizahan-toetra sy famantarana ary zava-mahagaga sy ady ombàn'ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ary fampatahorana goavana4.34 Fampahatsiahivana ny loza voateny ao amin'ny Eks 7.14–12.36 izany.? Tsia, kanefa teo imasoanareo indrindra no nanaovan'ny TOMPO Andriamanitrareo izany rehetra izany ho anareo tany Ejipta. 35Ianareo no nampahitany an'izany mba hahafantaranareo fa ny TOMPO no Andriamanitra, sady tsy misy afa-tsy Izy4.35 Jereo Is 45.21; Mk 12.32. . 36Avy tany an-danitra* no nampandrenesany anareo ny feony hananarany anareo, ary teto ambonin'ny tany no nanehoany anareo ny afony lehibe; ka tao anatin'izany afo izany no nandrenesanareo Azy niteny. 37Noho ny TOMPO tia ireo razambenareo sady nifidy anareo taranaka amam-parany, dia Izy mihitsy no nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nomba anareo tamin-kery lehibe; 38avy eo Izy dia nandroaka teo anoloanareo firenena maro izay lehibe sy matanjaka noho ianareo, mba hampidirany anareo amin'ny taniny sy hanomezany izany ho fanananareo, tahaka ny amin'izao anio izao.

samedi 29 avril 2017

Sabotsy 29 Aprily 2017 - Asa 18 : 9 - 11

9Indray alina dia nisehoam-pahitana i Paoly, ka nilazan'ny Tompo hoe:

–Aza matahotra, fa mitenena hatrany ary aza mangina. 10Fa momba anao Aho, ary tsy hisy olona afaka hihazona anao mba hampahorîna, satria vahoaka maro no voatokana ho Ahy amin'ity tanàna ity.

11Nitoetra herintaona sy tapany tao Kôrinto i Paoly, ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra tamin'ny olona.

vendredi 28 avril 2017

Zoma 28 Aprily 2017 - Mat 28 : 16 - 20

16Ary ny mpianatra* 11 lahy dia nankany Galilea, any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesoa halehany28.16 Jereo 26.32.. 17Nony nahita an'i Jesoa ny mpianatra, dia nitsaoka Azy; kanefa mbola nisalasala ihany ny sasany. 18Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy etỳ an-tany; 19koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra28.19 Ampit Asa 1.8.; ka ataovy batisa ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, 20sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan'andro vaky mandra-pahatongan'ny fiafaran'izao tontolo izao.

jeudi 27 avril 2017

Alkamisy 27 Aprily 2017 - I Mpa 18 : 36 - 40

36Fa tamin'ny fotoan'ny sorona tolakandro dia nanatona i Elià mpaminany ka nanao hoe:

–Ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ô, asehoy ankehitriny fa Ianao no Andriamanitra amin'i Israely; ary izaho dia mpanomponao ka baiko avy taminao no nanaovako izao zavatra rehetra izao. 37TOMPO ô, mihainoa ahy mba hahafantaran'ireto vahoaka ireto fa Ianao TOMPO no tena Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina indray ny fony ho aminao.
38Dia nalatsaky ny TOMPO ny afo, ka nandoro ny sorona dorana manontolo sy ny kitay ary ny vato sy ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady. 39Raha nahita izany ny Israelita rehetra, dia niankohoka nitehi-tany ka nanao hoe: «Ny TOMPO no tena Andriamanitra. Ny TOMPO no tena Andriamanitra!»

40Ary hoy i Elià tamin'izy ireo:

–Sambory ny mpaminanin'i Bahala ary aza avela hisy afa-mandositra na dia iray aza.

Dia nosamborina avokoa ireny ka nentin'i Elià teo amin'ny lohasahan-driakan'i Kisôna ary novonoiny ho faty teo18.40 Fomba izay mora narahiny tamin'ny fotoanandro, jereo and 13. Ireo mpaminanin'izay andriamanitra tsy manan-kery dia natao toy ny vavolombelona mandainga; ampit 2 Mp 10.18-25..

mercredi 26 avril 2017

Alarobia 26 Aprily 2017 - Eks 22 : 21 - 23

21Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty ianareo22.21 And 20-21: jereo 23.9; Lev 19.33-34; Deot 24.17-18; 27.19.. 22Fa raha mampahory azy ianareo, dia hiantso vonjy amiko izy ka hihaino ny fitarainany tokoa Aho. 23Hirehitra ny fahatezerako ka hovonoiko amin'ny ady ianareo, dia ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty ny zanakareo.

mardi 25 avril 2017

Talata 25 Aprily 2017 - Isa 40 : 21 - 26

21Moa tsy fantatrareo na efa renareo ve,
moa tsy nambara taminareo
hatrany am-piandohana ve,
ary moa tsy noeritreretinareo ve
ilay mpanangana ny fanorenan'ny tany?
22Izy no mipetraka amin'ny sezafiandrianana
eo ambonin'ny habakabaka izay andohalambon'ny tany;
ka toy ny vitsika no fijeriny ny olona avy eny.
Izy no nanenjana ny lanitra toy ny lambabe
ary namelatra azy toy ny lay hitoerany.
23Izy no mahatonga ny mpitondra ho tsinontsinona
sy maha zava-poana ny mpifehy ny tany.
24Vao tonga eo amin'ny toerany ireny,
vao manomboka miely patrana,
vao miorim-paka amin'ny tany,
dia tsofin'ny fofonain'ny TOMPO ka mihamalazo;
ary indreny fa voapaoka
toy ny mololo indaosin'ny tadio.

25«Koa hampitovînareo amin'iza Aho
ary hoharinareo amin'iza,
hoy ilay Andriamanitra masina?»

26Atopazo eny an-danitra ny masonareo
ka jereo: Iza no nahary ny kintana?
Tsy iza fa Ilay mamoaka azy isan-tokony
toy ny andian-tafika hanao matso
sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy.
Lehibe loatra ny heriny
ary tena hentitra ny fahefàny
ka tsy misy mitsoaka an-daharana ireo.

lundi 24 avril 2017

Alatsinainy 24 Aprily 2017 - Deo 26 : 16 - 19

16Anio no andidian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo hanatanteraka ireo lalàna amam-pitsipika ireo; koa himasoanareo hotanterahina amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ireo. 17Efa nampiteneninareo ny TOMPO androany fa ho Andriamanitrareo Izy, ary ianareo hanaraka ny sori-dàlany ka hitandrina ny lalànany sy didy amam-pitsipiny ary hihaino ny feony. 18Efa nampitenenin'ny TOMPO kosa ianareo androany fa ho vahoaka fananany sarobidy indrindra ianareo, araka izay nampanantenainy taminareo26.18 Jereo Eks 19.5; Tit 2.14; 1Pt 2.9., sady hitandrina ny didiny rehetra. 19Eny, tiany hasandratra ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony ianareo na amin'ny voninahitra na amin'ny laza na amin'ny famirapiratana; dia ho vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy.

dimanche 23 avril 2017

Alahady 23 Aprily 2017 - Fil 3 : 1 - 11

1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo, sady azonareo toky tsara amin'izay. 2Tandremo ny tenanareo amin'ireo mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ireo amboa3.2 Noheverina ho biby ambany sy maloto ny amboa tamin'iny faritra atsinanana manamorona ny Ranomasina Mediteranea iny. Amin'ity and ity dia ilazana ny mpanohitra, izany hoe ireo mpiandany amin'ny famorana. Ampit koa Mt 7.6., tandremo ny tenanareo amin'ireo manan-takaitra! 3Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana*, dia isika manompo an'Andriamanitra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin'i Kristy* Jesoa fa tsy mitoky amin'ny fombafomban'olombelona. 4Kanefa mba manana izay ahafahako mitoky amin'ny fombafomban'olombelona ihany aho; ka raha misy olon-kafa mihevitra azy ho afa-mitoky amin'ny fombafomban'olombelona, mainka fa izaho. 5Voafora fony teraka herinandro aho; taranak'i Israely*; avy amin'ny fokon'i Benjamîna; hebreo ray, hebreo reny; ny amin'ny fitandroana ny lalàna* jiosy, dia Farisianina* aho3.5 Ampit Rm 11.1; Asa 23.6; 26.5. –Enin-kaja manokana ny fokon'i Benjamîna: tsy niala tamin'ireo mpanjaka avy amin'ny taranak'i Davida izy.; 6nafana fo tokoa aho tamin'ny maha Farisianina ahy, ka nanenjika ny Fiangonana3.6 Jereo Asa 8.3; 22.4; 26.9-11.; ny amin'ny maha olo-marina mpanara-dalàna, dia tsy misy hokianina aho. 7Kanefa ireo zavatra izay noheveriko ho tombony ho ahy ireo dia ataoko ho tsinontsinona kosa ankehitriny noho ny amin'i Kristy. 8Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin'ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an'i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin'i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an'i Kristy 9ary mba hahatafaray ahy aminy. Tsy manana fahamarinana avy amin'ny fanarahan-dalàna aho; fa ny finoana niainan'i Kristy no ahazoako fahamarinana, dia ilay fahamarinana avy amin'Andriamanitra ka miorina amin'ny finoana. 10Ny hany iriko dia ny hahalalako an'i Kristy, ka hahatsapako ny herin'ny fitsanganany ho velona sy hiombonako fijaliana aminy ary hanafahako Azy amin'ny fahafatesany; 11koa manantena aho amin'izany fa hahatratra ny zava-kendrena, dia ny hitsanganan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty.

samedi 22 avril 2017

Sabotsy 22 Aprily 2017 - Mar 5 : 18 - 20

18Raha ilay niondrana an-tsambokely iny i Jesoa, dia niangavy taminy kosa ilay azon'ny demony teo aloha nanao hoe:
–Avelao aho hiaraka aminao!

19Tsy nanaiky i Jesoa fa niteny taminy hoe:
–Andeha mody any an-tranonao, any amin'ireo havanao; ka lazao azy izay rehetra nataon'ny Tompo taminao noho ny famindrampony.

20Dia lasa ralehilahy nanao antso avo, eran'ny faritany atao hoe Dekapôly*, izay rehetra nataon'i Jesoa taminy; ka dia gaga avokoa ny olona.

vendredi 21 avril 2017

Zoma 21 Aprily 2017 - I Kor 1 : 18 - 25

18Eny, ny fitoriana momba an'i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 19Fa izao no ambaran'ny Soratra Masina*:
«Hofoanako ny fahendren'ny hendry,
holaviko ny fahaizan'ny mahay1.19 Is 29.14, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

20Aiza ny olon-kendry? Aiza ny mpahay lalàna*? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao*1.20 Ampit Is 44.25.? Tsy efa nahariharin'Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahendren'izao tontolo izao?

21Fa ny fahendren'olombelona dia tsy nahalalan'izao tontolo izao an'Andriamanitra na dia teo amin'izay nihariharian'ny fahendren'Andriamanitra aza. Noho izany, dia sitrak'Andriamanitra ho tamin'ny alalan'ny hafatra miendrika fahadalana izay torînay no hamonjena ny olona izay mino. 22Eny, mitaky famantarana avy amin'Andriamanitra ny Jiosy, ary ny Grika mitady fahendrena; 23izahay kosa dia i Kristy voahombo teo amin'ny hazofijaliana no torînay: fanafintohinana ho an'ny Jiosy izany ary fahadalana ho an'ny hafa firenena*.

24Kanefa ho an'izay voaantson'Andriamanitra, na Jiosy na hafa firenena, dia i Kristy no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra; 25satria izay toa fahadalàn'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'olombelona.

jeudi 20 avril 2017

Alakamisy 20 Aprily 2017 - Jao 2 : 23 - 25

23Fony i Jesoa tao Jerosalema nandritra ny fankalazana ny Paska*, dia maro no nino Azy raha nahita ny famantarana izay nataony. 24Kanefa i Jesoa dia tsy natoky azy ireo, satria fantany avokoa izy rehetra 25ary tsy nilainy hisy vavolombelona manambara Azy momba ny olona; fa Izy mihitsy no nahafantatra izay tao am-pon'ny olona.

mercredi 19 avril 2017

Alarobia 19 Aprily 2017 - Dan 12 : 8 - 13

8«Izaho Daniela dia nandre izany nefa tsy nahafantatra ny heviny, ka nanontany hoe: ‹Tompoko, hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo?› 9Fa namaly izy hoe: ‹Ry Daniela, mandehana fa efa voahorona hiafina ireo teny ireo sady voaisy tombokase tsy ho azo sokafana mandra-piavin'ny fotoana farany. 10Maro no hodiovina* sy hofotsiana ary hosedraina12.10a hodiovina, hofotsiana, hosedraina: jereo 11.35.; ny olon-dratsy12.10b ny olon-dratsy... hendry no hahafantatra: ampit Apôk 22.11. kosa tsy hisy hahafantatra ny heviny ka mbola hanao ratsy ihany, fa ny hendry no hahafantatra. 11Ary manomboka amin'ny fotoana hampitsaharana ny sorona* fanao isan'andro ka hampidirana ilay fanimbazimbana mahatsiravina dia hisy 1290 andro12.11 Jereo 11.31 sy nta.. 12Sambatra izay hiandry ka hahatratra ny 1335 andro. 13Fa ianao, ry Daniela, mizora hatramin'ny farany; dia hiala sasatra ianao ka hitsangana handray ny valisoanao amin'ny andro farany.› »

mardi 18 avril 2017

Talata 18 Aprily 2017 - Mpi 13 : 24 - 25

24Ary nitera-dahy ny vadin'i Manôà ka ny anarany nataony hoe Samsôna. Dia nihalehibe ny zaza, ary ny TOMPO nitahy* azy. 25Fony i Samsôna tao an-tobin'i Dana, teo anelanelan'i Tsôrehà sy i Estaôla, no nanomboka nanetsika azy ny Fanahin'ny TOMPO

lundi 17 avril 2017

Alatsinainy 17 Aprily 2017 - Hab 3 : 1 - 3

1Izao no vavaka miendrika fitarainana nataon'i Habakòka mpaminany*.

2TOMPO ô, efa reko izay nambaranao3.2 izay nambaranao: dkt hafa ny lazanao.
ka dia raiki-tahotra aho.
TOMPO ô, enga anie ny asanao
mba ho velombelona hatrany
amin'izao andronay izao;
eny, amin'izao andronay izao
no ataovy fantatry ny olona izany.
Fa na dia tezitra aza Ianao,
asehoy anay ihany ny indrafonao.

3Tonga avy any Temàna Andriamanitra;
Ilay Andriamanitra masina no tamy
avy any an-tendrombohitra Paràna3.3 Temàna: faritanin'ny fanjakan'i Edôma, ao atsimo atsinanan'i Joda. –Ny tendrombohitra Paràna dia ao amin'ny taniefitra izay ao atsimon'i Palestinina (jereo Deot 33.2)..
Manarona ny lanitra ny voninahiny
ary maneran-tany ny fiderana Azy.

dimanche 16 avril 2017

Alahady 16 Aprily 2017 - Mat 28 : 1 - 10

1Taorian'ny sabata*, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdalà sy i Maria28.1 Jereo 27.56. anankiray hafa. 2Ary injay nisy horohorontany mahery vaika, fa nisy anjeli*n'ny Tompo nidina avy tany an-danitra tonga nanakodia ny vato hidim-pasana ary nipetraka teo amboniny. 3Namiratra tahaka ny tselatra ny tarehiny ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. 4Azon'ny tahotra ireo mpiambina raha nahita azy ka nivadi-po ary nody maty. 5Dia niteny tamin'ireto vehivavy ilay anjely nanao hoe:

–Aoka tsy hatahotra ianareo! Fantatro fa i Jesoa, Ilay nohomboana tamin'ny hazofijaliana, no tadiavinareo. 6Tsy ato Izy, satria efa nitsangana velona araka ny voalazany. Avia ka jereo ny toerana nametrahana Azy. 7Ndeha haingana lazao amin'ny mpianany hoe: «Efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty Izy, ary indro mialoha anareo any Galilea28.7 Jereo 26.32., ka any no hahitanareo Azy.» Izany àry, fa efa nilazako ianareo.

8Dia niala haingana tao am-pasana ireo vehivavy, sady natahotra no faly tokoa, ary nihazakazaka hampandre ny mpianatr'i Jesoa. 9Tampotampoka eo dia nifanatrika tamin'ireto vehivavy i Jesoa ary niteny taminy hoe:
–Ho ao aminareo anie ny fiadanana!

Dia nanatona an'i Jesoa ireto vehivavy ka namihina ny tongony sady nitsaoka Azy. 10Tamin'izay dia hoy i Jesoa taminy:
–Aoka izay ny tahotra! Ndeha ampandreneso ireo mpianatro izay rahalahiko, ary asaovy mankany Galilea fa any no hahitany Ahy.

samedi 15 avril 2017

Sabotsy 15 Aprily 2017 - II Kor 4 : 7 - 11

7Izahay mitondra izany raki-tsoa izany kosa dia toy ny vilany tany ihany, mba hahitana tsara fa izao hery tsy manan-tsahala izao dia an'Andriamanitra fa tsy anay. 8Ifandaharam-pahoriana izahay, nefa tsy voapotsitra; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; 9enjehin'olona, nefa tsy ilaozan'Andriamanitra; azera, nefa tsy maty. 10Entinay mandrakariva ao amin'ny tenanay koa fa velona i Jesoa; 11satria, eo amin'ny fiainanay, dia ny fahafatesana no mananontanona anay lalandava noho ny amin'i Jesoa mba haseho ao amin'ny tenanay mety maty koa fa velona i Jesoa,

vendredi 14 avril 2017

Zoma 14 Aprily 2017 - Mat 27 : 45 - 50

45Hatramin'ny mitataovovonana dia nanomboka rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany. 46Ary tamin'ny telo tolakandro teo ho eo i Jesoa dia niantso tamin'ny feo mahery nanao hoe:
–Ely, Ely, lamà sabaktàny? (izany hoe: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho27.46 Sal 22.2.?»)

47Ny sasany tamin'ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe:
–Miantso an'i Elià* ny anao!

48Niaraka tamin'izay dia nihazakazaka ny anankiray tamin-dry zareo naka spaonjy; dia novontosany vinaingitra ilay spaonjy ary notohiziny volotara ka natohony an'i Jesoa mba hotsentsefiny27.48 Ampit Sal 69.22..

49Fa ny sasany kosa nanao hoe:

–Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hamonjy Azy tokoa i Elià!
50Fa niantso tamin'ny feo mahery indray i Jesoa, dia niala aina.

jeudi 13 avril 2017

Alakamisy 13 Aprily 2017 - Mat 26 : 20 - 25

20Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana i Jesoa mbamin'ny 12 lahy. 21Raha teo am-pisakafoana izy rehetra, dia hoy i Jesoa:
–Lazaiko marina aminareo fa hanolotra Ahy ny anankiray aminareo!

22Nalahelo mafy ireto mpianatra, ka samy niteny tamin'i Jesoa hoe:
–Tsy izaho manko izany, Tompoko!

23Fa hoy i Jesoa:
–Ilay niara-nanatsoboka mofo tamiko tao anaty lovia26.23 Jereo Mk 14.20 sy nta., izy no hanolotra Ahy. 24Ny Zanak'olona* dia efa akaikin'ny ho faty, araka ny voalazan'ny Soratra Masina* momba Azy26.24 Jereo Sal 22.2-19; Is 53., kanefa mampalahelo ilay olona hanolotra ny Zanak'olona! Tsara raha tsy ary izany olona izany!

25Dia mba niteny koa i Jodasy, ilay efa hanolotra an'i Jesoa, ary nanao hoe:
–Tsy izaho izany, ry Mpampianatra!

Dia hoy i Jesoa taminy:
–Anao izany teny izany!

mercredi 12 avril 2017

Alarobia 12 Aprily 2017 - Sal 41 : 4 - 13

4Ny TOMPO no hanohana azy
eo am-pandriana ijaliany,
ka dia hikarakara azy
mandritra ny aharariany.

5Ka hoy aho tamin'ny TOMPO:
«Mba iantrao aho ka sitrano
fa taminao no efa nanotako!»
6Ny fahavaloko maniry loza ho ahy hoe:
«Oviana no ho faty io, ka tsy hotsaroana intsony!»
7Raha misy tonga mamangy ahy ireo,
dia mikendry ny hanendrikendrika ahy;
manangona fanaratsiana ao an-tsainy izy,
ka vao tafavoaka, dia mampiely izany.
8Nivory ireo rehetra tsy tia ahy
mba hitakoritsidritsika ny amiko
sy hanombantombana ny fahavoazako.
9Hoy ireo hoe: «Voan'ny aretin-dratsy io
ka milamaka tsy ho tafarina intsony!»
10Na dia ny sakaiza tiako indrindra aza,
izay nitokiako ka niara-nihinana tamiko,
dia nanjary nitsangana hanohitra ahy41.10 Ny and 10 dia voatsiahy ampahany ao amin'ny Mk 14.18 sy Jôh 13.18; jereo koa Mt 26.23; Lk 22.21..
11Fa Ianao kosa, TOMPO ô, miantrà ahy;
ka areno aho mba hamaliako an'ireo.
12Izao no hahafantarako fa tia ahy Ianao:
tsy hakorain'ny fahavaloko hoe resy aho.
13Ary izaho dia hotahirizinao tsy hanan-tsiny
ka hampitoerinao mandrakizay eo anatrehanao.

mardi 11 avril 2017

Talata 11 Aprily 2017 - II Pet 1 : 16 - 21

16satria izao no voalazan'ny Soratra Masina*: «Aoka ho masina ianareo satria masina Aho1.16 Lev 19.2..»

17Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan'olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany. 18Fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin'ny fitondrantena tsy mahasoa nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba tahaka ny volafotsy na ny volamena; 19ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin'i Kristy1.19 tamin'ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra: misy stf sasany ahitana hoe tamin'ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra vokatry ny asan'ny Fanahy Masina., toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina. 20I Kristy dia efa voatendrin'Andriamanitra rahateo talohan'ny nahariana izao tontolo izao*, saingy tamin'izao andro farany izao vao naseho noho ny aminareo; 21Izy no mahatonga anareo hino an'Andriamanitra, Ilay nanangana Azy ho velona avy any amin'ny maty sy nanome voninahitra Azy, mba hifantohan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.

lundi 10 avril 2017

Alatsinainy 10 Aprily 2017 - Lio 19 : 37 - 44

37Rehefa nanakaiky an'i Jerosalema Izy ka handray ilay fidinana eo amin'ny tendrombohitra Analanôliva, dia nisy mpianatra marobe indray nientan-kafaliana sady nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery, noho ny asa mahagaga rehetra efa hitany; 38hoy ny antsoantsony hoe:

«Hombàm-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie
ny Mpanjaka izay avy!
Fiadanana anie any an-danitra,
ary voninahitra anie ho an'Andriamanitra19.38 Ampit Sal 118.26; Lk 2.14.
 
39Nisy kosa Farisianina* avy teo anivon'ny vahoaka niteny tamin'i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, mba teneno ny mpianatrao hangina!
 
40Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso!
Itomanian'i Jesoa i Jerosalema
 
41Ary nanakaiky an'i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanàna, dia nitomany azy 42sady nanao hoe:
–Raha mba fantatrao amin'ity andro ity manko izay hanananao fiadanana! Nefa indrisy, takona ny masonao izany! 43Fa ho avy aminao ny andro hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, ka hanaovany fahirano anao sy hanereny anao hatraiza hatraiza. 44Hofongorana tanteraka ianao sy ny mponina ao anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, noho ianao tsy nahalala ny andro notendren'Andriamanitra hamangiana anao!

vendredi 7 avril 2017

Zoma 07 Aprily 2017 - Rom 9 : 14 - 18

14Inona àry no holazaintsika? Misy zavatra tsy ara-drariny ve ao amin'Andriamanitra? Sanatria izany! 15Fa izao no lazain'Andriamanitra amin'i Mosesy: «Hamindra fo amin'izay tiako hamindrana9.15 Eks 33.19. fo aho; ary hiantra an'izay tiako hiantrana!» 16Koa tsy izay fanirian'ny olona na izay fiezahany no ahazoany famindrampo fa Andriamanitra no mamindra fo aminy. 17Ao amin'ny Soratra Masina dia hoy Andriamanitra amin'ny Farao*, mpanjakan'i Ejipta, hoe: «Izao no antony nanandratako anao ho mpanjaka, dia ny mba hanehoako ny heriko ao aminao ary mba hanambarana ny anarako eran'ny tany tontolo9.17 Eks 9.16, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..» 18Koa izay tian'Andriamanitra hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisina fo no hamafisiny fo.

jeudi 6 avril 2017

Alakamisy 06 Aprily 2017 - II Tes 1 : 6 - 10

6Satria izao no ara-drariny amin'Andriamanitra: hovaliany fahoriana ireo mpampahory anareo, 7ary homeny fialan-tsasatra miaraka aminay ianareo ampahorîna. Ho tonga izany amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Tompo avy any an-danitra, otronin'ireo anjely* mitory ny heriny; 8voahodidin'afo miredareda Izy no tonga hanasazy ireo tsy mahalala an'Andriamanitra1.8 Ampit Is 66.15. sady tsy manaiky ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa Tompontsika. 9Fahaverezana maharitra mandrakizay no sazy hihatra amin'ireo, ka tsy hifanatri-tava amin'ny Tompo sy ho lavitry ny heriny heni-boninahitra1.9 Ampit Is 2.10, 19, 21. ireo 10amin'ilay andro hahatongavan'ny Tompo mba homen'ny vahoakany* voninahitra sady higagan'izay rehetra mino Azy. Ho isan'ireto hanome voninahitra ny Tompo ireto koa ianareo, satria nino ny fijoroanay ho vavolombelona nanambara Azy taminareo.

mercredi 5 avril 2017

Alarobia 05 Aprily 2017 - Eks 9 : 13 - 19

13Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

–Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehàna miseho eo anatrehan'ny Farao* ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, aminao: ‹Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko. 14Fa amin'ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin'ny tany. 15Ankehitriny, raha naninji-tanana namely anao sy ny vahoakanao tamin'ny areti-mandringana Aho, dia efa levona teto ambonin'ny tany ianareo. 16Saingy navelako ho velona ianao mba hahitanao ny heriko sy hitantarana ny lazako any amin'ny tany rehetra9.16 Jereo Rm 9.17.. 17Na izany aza, dia mbola manao zinona ny vahoakako ihany ianao, ka tsy mety mandefa azy. 18Noho izany, rahampitso amin'ny ora toy izao aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny andro niorenan'ny Ejipta ka mandraka androany.› 19Koa ankehitriny àry, hoy i Mosesy, maniraha hampanangona ny biby fiompinao sy izay rehetra anao any an-tsaha. Fa ny olona rehetra sy ny biby rehetra izay hita any an-tsaha, fa tsy tafiditra ao an-tranony, dia ho tratry ny havandra ka ho faty.»

mardi 4 avril 2017

Talata 04 Aprily 2017 - Efe 1 : 20 - 22

20Izany hery izany dia nampiasain'Andriamanitra tamin'ny nananganany an'i Kristy ho velona avy tany amin'ny maty ary tamin'ny nampipetrahany Azy eo ankavanany any an-danitra1.20 Jereo Sal 110.1.. 21Any i Kristy dia ambony lavitra noho ny fanapahana sy fahefana ary hery sy fanjakana rehetra eny ana habakabaka1.21 Jereo Kôl 1.16 sy nta.; any Izy ambony lavitra noho ny anaram-boninahitra rehetra azo tononina tsy amin'izao fiainana izao ihany fa amin'ny ho avy koa. 22Fa napetrak'Andriamanitra eo ambany tongotr'i Kristy ny zavatra rehetra1.22 Jereo Sal 8.7.; ary i Kristy dia nomen'Andriamanitra ny Fiangonana ho Filoha faratampony.

lundi 3 avril 2017

Alatsinainy 03 Aprily 2017 - Dan 6 : 26 - 29

26Taorian'izany i Dariôsa mpanjaka dia nanoratra ho an'ny vahoaka avy amin'ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany tontolo hoe:
–Hitombo anie ny fiadananareo!

27Mamoaka izao didy izao aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'ny Andriamanitr'i Daniela manerana ny fanjakako.

Fa Izy no Andriamanitra velona
sady maharitra mandrakizay;
ny fanjakany tsy mety rava
ary ny fanapahany haharitra tsisy farany.
28Izy no mamonjy sy manafaka
ary manao famantarana sy zava-mahagaga
any an-danitra sy etỳ an-tany;
Izy no namonjy an'i Daniela
ho afaka tamin'ny vahohon'ny liona.»

29Ary izany Daniela izany dia nitana toerana ambony tamin'ny nanjakan'i Dariôsa sy tamin'ny nanjakan'i Kirôsa ilay Persianina.

dimanche 2 avril 2017

Alahady 02 Aprily 2017 - Mat 24 : 29 - 31

29Raha vao afaka ny fijaliana amin'ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, hiraraka avy eny amin'ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ny herin'ny habakabaka24.29 Ampit Is 13.10; Ezek 32.7; J1 2.10; 3.4.. 30Amin'izay dia hiseho eny amin'ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak'olona*; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak'olona tamy eo amin'ny rahon'ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe24.30 Dan 7.13.. 31Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin'ny Zanak'olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin'ny vazan-tany efatra, manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny24.31 Ampit Deot 30.4; Za 2.10; Ne 1.9..

samedi 1 avril 2017

Sabotsy 01 Aprily 2017 - Mat 12 : 25 - 30

25Fantatr'i Jesoa anefa ny eritreritr'ireo Farisianina ka hoy Izy taminy:

–Ho rava izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na koa ankohonana miady an-trano. 26Raha i Satàna no mandroaka an'i Satàna, dia miady an-trano izy samy izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany? 27Ary raha fahefana avy amin'i Belzeboba no androahako ny demony, fahefana avy amin'iza kosa no androahan'ny mpomba anareo azy? Noho izany, ny mpomba anareo ihany no hanameloka anareo. 28Raha Izaho dia ny Fanahin'Andriamanitra mihitsy no androahako ny demony ary miharihary amin'izany fa efa tonga eo aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*.
29Hatao ahoana moa no fiditra an-tranon'ny olona matanjaka handroba ny fananany, raha tsy voafatotra aloha ilay olona matanjaka? Dia izay vao robaina ny ao an-tranony.

30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka12.30 mampihahaka: mampahatsiahy ny fanaon'ny mpiandry ondry mpikarama (Mt 26.31; Jôh 10.12; 11.52; 16.32) izay mifanohitra amin'ny fitondran'Andriamanitra ny vahoakany (Is 40.11; 49.18; Ezek 34.13; Ezek 34.13,16), dia fitondran'ny mpiandry tsara ny ondriny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12