vendredi 31 octobre 2014

Zoma 31 Oktobra 2014 - Rom 15 : 5 - 13

5Ary Andriamanitra loharanon'ny faharetana sy ny fampaherezana anie hampiray hina anareo, hanaraka ny ohatra nomen'i Kristy Jesoa. 6Ka mba hiray feo ianareo hiara-manome voninahitra an'Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Ho an'ny firenen-drehetra ny Vaovao Mahafaly*
7Koa mifandraisa tsara ianareo, tahaka ny nandraisan'i Kristy* anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra. 8Fa izao no ambarako aminareo: Tonga mpanompon'ny Jiosy i Kristy mba hahatanteraka ny fampanantenana natao tamin'ny razan'izy ireo ka anehoana fa azo antoka Andriamanitra. 9Ary izany koa dia mba hahazoan'ny hafa firenena* manome voninahitra an'Andriamanitra noho ny famindrampony, araka izay voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
      «Izany no hiderako Anao any amin'ny hafa firenena
        sy hihirako ho voninahitry ny anaranao.»
10Ary hoy indray ny Soratra Masina hoe:
     «Miaraha miravo amin'ny vahoakan'ny Tompo,
       ry hafa firenena!»
11Ary koa hoe:
     «Derao ny Tompo, ry firenena rehetra;
       ankalazao Izy, ry vahoaka rehetra!»
12Ary hoy indray i Isaià hoe:
     «Ho avy ilay solofon'i Jisay,
       dia ilay hitsangana hifehy ny firenena:
       Izy no hitokian'ireo firenena!»
13Ilay Andriamanitra loharanon'ny fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana tanteraka anareo noho ny finoanareo, mba hampitomboina be dia be ao aminareo ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina!

jeudi 30 octobre 2014

Alakamisy 30 Oktobra 2014 - Jod 1 : 17 - 23

17Ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain'ireo apôstôlin'i Jesoa Kristy* Tompontsika; 18satria izao no voalazany taminareo: «Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, hiaina araka ny filàn'ny haratsiam-panahiny.» 19Ireo mpampianatra sandoka ireo no mahatonga fisaratsarahana, satria entin'ny maha olombelona ihany fa tsy mba manana ny Fanahin'Andriamanitra. 20Ianareo kosa, ry hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoana masina indrindra efa anananareo, ka mivavaha ombàn'ny herin'ny Fanahy Masina; 21mitahiriza tena ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ka mahandrasa ny famindrampon'i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo fiaina-maharitra mandrakizay. 22Reseo lahatra ny sasany izay miahanahana; 23ny sasany indray, sariho ho afaka amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany kosa amindrao fo, saingy mitandrema tsara ka ankahalao na dia ny akanjo voaloton'ny maha olona mpanota azy aza.

mercredi 29 octobre 2014

Alarobia 29 Oktobra 2014 - Mar 13 : 12 - 13

12Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy ray hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampanameloka azy ho faty. 13Hankahalain'ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; kanefa izay maharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy.

mardi 28 octobre 2014

Talata 28 Oktobra 2014 - Gal 5 : 2 - 6

2Indro fa izaho Paoly no miteny aminareo: raha manaiky hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza i Kristy. 3Ary ambarako indray amin'ny olona rehetra manaiky hoforana fa manana adidy hahatanteraka ny lalàna* manontolo izy. 4Tafasaraka amin'i Kristy ianareo miezaka ho marina eo imason'Andriamanitra amin'ny fanoavana ny lalàna; miendaka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ianareo. 5Isika kosa dia matoky fa Andriamanitra no mahatonga antsika ho marina eo imasony; izany no andrasantsika ho vokatry ny finoantsika noho ny asan'ny Fanahy Masina. 6Fa ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.

lundi 27 octobre 2014

Alatsinainy 27 Oktobra 2014 - I Jao 2 : 15 - 17

15Aza mankamamy an'izao tontolo izao*, na ny zavatra izay ao amin'izao tontolo izao. Raha misy olona mankamamy an'izao tontolo izao, dia tsy ao anatin'izany olona izany ny fitiavana ny Ray. 16Satria ny zavatra rehetra izay ao amin'izao tontolo izao, izany hoe ny filàndratsin'ny maha olona mpanota sy ny fitsiriritan-javatra hitan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao. 17Mandalo izao tontolo izao sy ny filàndratsy itaomany, fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

dimanche 26 octobre 2014

Alahady 26 Oktobra 2014 - Sal 33 : 18 - 22

18Tsinjovin'ny TOMPO kosa ireo mpanaja Azy,
dia ireo olona miantehitra amin'ny fitiavany,
19mba hanafaka ny ainy amin'ny fahafatesana
sy hamelona azy na dia misy mosary aza.
20Miandry ny TOMPO tokoa isika:
famonjena sy fiarovana ho antsika Izy.
21Eny, Izy Tompo no ifalian'ny fontsika;
masina ny anarany ka itokiantsika.
22TOMPO ô, ho aminay anie ny fitiavanao
araka ny ianteheranay aminao!

samedi 25 octobre 2014

Sabotsy 25 Oktobra 2014 - Lio 21 : 12 - 19

12Kanefa alohan'izany rehetra izany, dia hosamborina sy hoenjehina ianareo, hatolotra hotsaraina any amin'ny sinagôga* ary hatao am-ponja, hoentina eo anatrehan'ireo mpanjaka sy mpifehy noho ianareo miandany amiko. 13Ho tonga aminareo izany mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy. 14Koa ataovy latsaka ao am-ponareo fa tsy tokony hihevitra mialoha izay hiarovanareo tena ianareo; 15satria Izaho ihany no hampiteny anareo sy hanome fahendrena anareo, ka tsy hahatohitra sady tsy haharesy lahatra anareo izay rehetra miampanga anareo. 16Hanolotra anareo na dia ny ray aman-dreny sy ny mpiray tampo ary ny havana aman-tsakaiza aza, ka hovonoin'olona ny sasany aminareo. 17Ho halan'ny olon-drehetra ianareo satria miandany amiko,18nefa tsy hisy very na dia singam-bolo iray amin'ny lohanareo aza. 19Aoka ho amim-paharetana no hahazoanareo famonjena ny ainareo.

vendredi 24 octobre 2014

Zoma 24 Oktobra 2014 - Jer 20 : 7 - 13

7TOMPO ô, notaominao aho ka voataona;
ary nahery tamiko Ianao ka resy aho.
Fihomehezana aho isan'andro
sady fanebaky ny olona rehetra.
8Fa isaky ny tsy maintsy miteny aho,
dia voatery miantso vonjy
ary mihorakoraka hoe:
Herisetra sy famoretana e!
Satria ny fampitako ny teninao, TOMPO ô,
no anakorana sy ihomehezana ahy isan'andro.
9Ary raha hoy aho anakampoko hoe:
«Tsy hisaintsaina izany intsony aho
na hiteny amin'ny anaran'ny Tompo intsony»,
dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko,
toy ny afo mihanaka ato anatin'ny tenako.
Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.
10Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy
ka manome anaram-bosotra hoe:
«Fihorohoroana hatraiza hatraiza
«Torio izy», hoy ny sasany;
«Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa.
Ireo sakaiza tiako indrindra aza
dia miandry kendry tohina hahavoa ahy:
«Izay angamba no hahavoafitaka azy
sy haharesentsika azy, hoy ireo,
ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty
11Kanefa Ianao, TOMPO ô,
dia miaraka amiko hatrany
toy ny mpiady ikoizana.
Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo
fa tsy haharesy ahy.
Ho menatra izy satria tsy hahomby;
fahafaham-baràka mandrakizay
tsy hohadinoina izany.

jeudi 23 octobre 2014

Alakamisy 23 Oktobra 2014 - Apo 3 : 7 - 13


7–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia:
«Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha8Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy. 9Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'iSatàna*: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao10Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao. 
12«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin'ny tempoli*n'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ilay tanànan'Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.
 13«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

mercredi 22 octobre 2014

Alarobia 22 Oktobra 2014 - Jak 5 : 7 - 11

7Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin'ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan'ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona. 8Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian'ny Tompo. 9Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan'Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana. 10Ry havana, aoka ireo mpaminany* izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana. 11Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan'i Jôba, ary fantatrareo izay nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.

mardi 21 octobre 2014

Talata 21 Oktobra 2014 - Kol 1 : 21 - 23

21Ianareo koa dia lavitra an'Andriamanitra fahiny sady fahavalony, noho ny ratsy nosaininareo sy nataonareo. 22Fa ankehitriny kosa, noho i Kristy niharan'ny fahafatesana tao amin'ny vatany mety maty, dia namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra mba hahatonga anareo ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany. 23Kanefa tsy maintsy maharitra amin'ny finoana ianareo, ka miorina sy mitombina tsara, ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana vokatry ny Vaovao Mahafaly* efa renareo. Izaho Paoly dia efa tonga mpanompon'izany Vaovao Mahafaly izany, dia ilay notorîna tamin'ny olona rehetra eto ambanin'ny lanitra.

lundi 20 octobre 2014

Alatsinainy 20 Oktobra 2014 - I Mpa 11 : 29 - 39

29Indray andro raha nivoaka an'i Jerosalema i Jerôbohama, dia tafahaona tamin'i Ahià mpaminany* avy any Silao teny an-dalana. Nitafy lamba vaovao i Ahià, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha. 30Dia noraisin'i Ahià ny lamba vaovao teny aminy ka notriatriariny ho tonga tapany 12;

31ary hoy izy tamin'i Jerôbohama:
–Raiso ho anao ny tapany folo, fa izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Indro efa hoendahako eo an-tanan'i Salômôna ny fanjakana ka homeko anao ny foko folo, 32fa ny foko iray ihany sisa no havelako ho azy noho ny amin'i Davida mpanompoko sy i Jerosalema tanàna nofidiko tamin'ny foko israelita rehetra. 33Hataoko izany satria efa nandao Ahy ireo ka niankohoka teo anatrehan'i Hastôreta* andriamani-bavin'ny Tsidônianina, sy teo anatrehan'i Kemôsy andriamanitry ny Môabita, ary teo anatrehan'i Milkôma andriamanitry ny Hamônita; fa tsy mba ny sori-dalako no nizorany hanaovana izay mahitsy eo imasoko ary hitandremana ny lalàna amam-pitsipiko tahaka ny nataon'i Davida rain'i Salômôna. 34Nefa tsy hoesoriko eo an-tanan'i Salômôna izany fanjakana manontolo izany fa efa nataoko ho filohan'ny vahoakako amin'ny andro rehetra iainany izy noho ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko sady nitandrina ny didy aman-dalànako. 35Saingy hoesoriko eo an-tanan-janany kosa ny fanjakana, ka homeko anao ny foko folo. 36Homeko foko iray ihany ny zanakalahiny mba hisy mandrakariva, ho an'i Davida mpanompoko, taranaka iray hanjaka eo anatrehako any Jerosalema izay tanàna nofidiko hampitoerako ny voninahitro.

37«Ianao kosa, ry Jerôbohama, no halaiko hanjaka amin'izay sehatra rehetra irinao ka ho mpanjaka amin'i Israely. 38Raha henoinao izay rehetra andidiako anao ka izoranao ny sori-dalako ary ataonao izay mahitsy eo imasoko sady tandremanao ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ka hampiorina taranaka maharitra ho anao tahaka izay nataoko tamin'i Davida; ary dia homeko anao i Israely, 39mba hampietreko ny taranak'i Davida –nefa tsy ho mandrakizay akory izany.»

dimanche 19 octobre 2014

Alahady 19 Oktobra 2014 - Mat 25 : 1 - 3

1Amin'izay ny Fanjakàn'ny lanitra* dia ho tahaka ny amin'ny tovovavy folo izay nitondra ny fanàlany ka lasa hitsena ny mpampakatra. 2Ny dimy tamin'ireo tovovavy ireo dia adala; fa ny dimy kosa hendry. 3Ireo adala dia nitondra ny fanalany, kanefa tsy nitondra solika;

samedi 18 octobre 2014

Sabotsy 18 Oktobra 2014 - Tit 2 : 11 - 14

11Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra. 12Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an'Andriamanitra sy handà ny filàn'izao tontolo izao*, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao. 13Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan'ny voninahitr'i Jesoa Kristy*, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika. 14I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.

vendredi 17 octobre 2014

Zoma 17 Oktobra 2014 - Dan 3 : 19 - 30

19Dia feno fahatezerana i Nebokadnetsara ka niova endrika tamin'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Nasainy nafanaina impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.20Ary ireo lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao sy nanipy azy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay. 21Avy hatrany dia nafatotra niaraka tamin'ny lobany sy patalohany ary akanjony sy satrony ireo lehilahy ireo, ka natsipy tao amin'ny lafaoro misy afo mivaivay.22Ary satria hentitra ny tenin'ny mpanjaka dia voafana izaitsizy ny lafaoro, ka matin'ny lelafo mbamin'ny miaramila izay nanipy an'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao.23Fa izy telo lahy ireto kosa dia voatsipy am-patorana tao amin'ny lafaoro misy afo 












24
Talanjona anefa i Nebokadnetsara ka nitsangana faingana, ary nanontany ireo mpanolotsainy hoe:
–Moa tsy lehilahy telo mifatotra va no natsipintsika tao anaty afo?

Dia hoy ny navalin'ireo:
–Izany tokoa, ry mpanjaka!
25Ary hoy indray ny mpanjaka:
–Koa nahoana àry aho no mahita lehilahy efatra tsy mifatotra, mandehandeha ao anaty afo, nefa tsy misy maratra akory; sady ilay fahefatra dia mitovy endrika amin'ny zanak'ireo andriamanitra?
26Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnetsara ka niantso hoe:
–Ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra ô, mivoaha tao ianareo ka avia atỳ!
Niaraka tamin'izay dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. 27Dia nitangorona ireo solotenan'andriamanjaka sy ny mpifehy faritany ary ny governora sy ireo mpanolotsain'ny mpanjaka mba hijery ireo lehilahy ireo; ka hitany fa tsy nampaninona ny tenan'izy ireo akory ny afo, tsy may ny volon-dohany, tsy simba ny fitafiany sady tsy maimbo afo akory. 28Dia loa-bolana i Nebokadnetsara ka nanao hoe:
–Hisaorana anie Andriamanitr'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; naniraka ny anjeliny* manko Izy mba hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, ka nandika ny baiko nataoko. Fa naleon'ireo kosa nanolo-tena hampijalina toy izay hanompo sy hitsaoka andriamani-kafa ankoatra ilay Andriamaniny. 29Noho izany dia mamoaka izao didy izao ho an'ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra aho hoe: «Izay manao teny tsy voahevitra ny amin'ny Andriamanitr'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao dia hotetitetehina ary hatao fanariam-pako ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.»
30Dia nasandratry ny mpanjaka i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ho amin'ny toerana ambony noho ny teo aloha tao amin'ny faritanin'i Babilôna.

jeudi 16 octobre 2014

Alakamisy 16 Oktobra 2014 - Sal 34 : 1 - 10

1 Nataon'i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka dia noroahiny ka lasa nandeha.
ALEFA
2Hisaotra ny TOMPO lalandava aho
ary tsy hitsahatra hidera Azy ny vavako.
BETA
3Ny TOMPO no reharehako;
koa mifalia, ry mpandefitra,
rehefa mandre ny fideràko Azy.
GIMELA
4Mankalazà ny TOMPO miaraka amiko ianareo,
ary aoka hiara-manandratra ny voninahiny isika.
DALETA
5Nitady ny TOMPO aho, dia novaliany vavaka;
ka nafahany avokoa ny tahotro rehetra.
HE
6Mijere Azy ianareo, dia aoka ho mirana;
VAO
ny tavanareo tsy ho safo-kenatra intsony.
ZAINA
7Niantso vonjy aho fa olo-mahantra
ka nohenoin'ny TOMPO sy novonjeny
tamin'izay fahoriako rehetra.
HETA
8Ny anjelin*'ny TOMPO miambina
manodidina ny mpanaja an'Andriamanitra
ka manafaka azy amin'ny loza.
TETA
9Andramo sy jereo fa tsara ny TOMPO.
Sambatra ny olona mialoka aminy!
JODA
10Mankatoava ny TOMPO, ianareo vahoakany:
fa tsy misy mahory ny mpankatò Azy.

mercredi 15 octobre 2014

Alarobia 15 Oktobra 2014 - I Tim 4 : 11 - 16

11Aza ekena ho anaty lisitra ireo mpitondratena mbola tanora, satria rehefa voan'ny filàm-pahafinaretana izy dia miala amin'i Kristy* ary te hanambady indray; 12ka manjary meloka ireo, satria mivadika tamin'ilay toky nomeny an'i Kristy tam-boalohany. 13Ary tsy vitan'izany, fa mianatra mandany andro miriorio mitety tranon'olona koa ireo; ary tsy hoe mandany andro fotsiny, fa mipentsompentsona, manao zavatra tsisy antony etsy sy eroa miresaka zavatra tsy tokony horesahina. 14Koa tiako mba hanambady indray ireo vehivavy mpitondratena mbola tanora, ka dia hanan-janaka sy hitondra ny tokantranony mba tsy hohararaotin'ny fahavalontsika hitenenan-dratsy antsika. 15Efa nisy sasantsasany nivily sahady nanaraka an'i Satàna. 16Raha misy vehivavy mpino, manan-kavana mpitondratena, dia aoka izy hanampy azy; fa tsy hamela azy hanahirana ny Fiangonana; amin'izay ny Fiangonana dia ho afa-manampy ireo tena mpitondratena.

mardi 14 octobre 2014

Talata 14 Oktobra 2014 - Lio 22 : 24 - 30

24Nisy fifandirana teo amin'ny apôstôly* ny amin'izay tokony ho lehibe indrindra amin'izy samy izy. 25Dia hoy i Jesoa taminy:
–Eo amin'ny hafa firenena, ny mpanjaka dia manjakazaka; ary ny mpanampatra fahefana dia antsoina hoe mpanasoa. 26Aminareo kosa tsy mba toy izany: izay lehibe kokoa eo aminareo no aoka ho toy ny zandriny, ary izay mpifehy ho toy ny mpanompo. 27Satria iza moa no lehibe kokoa: ny mipetraka mihinana sa ny mpanompo mampihinana? Moa ve tsy izay mipetraka mihinana? Izaho anefa eto afovoanareo dia toy ny mpanompo mampihinana. 28Ianareo dia naharitra niaraka tamiko tamin'ny fitsapana nanjo Ahy; 29Izaho kosa manendry anareo ho mpanjaka tahaka ny nanendren'ny Ray Ahy ho mpanjaka. 30Ka hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro ianareo any amin'ny Fanjakàko ary hipetraka ambony sezafiandrianana hitsara ny foko 12 amin'i Israely*.

lundi 13 octobre 2014

Alatsinainy 13 Oktobra 2014 - Sal 130

1 Hira fiakarana.

Anaty hantsam-pahoriana aho
no miantso Anao, ry TOMPO.
2Mba henoy, Tompo ô, izany feoko!
Ho tandrin'ny sofinao anie ny feoko mitaraina!
3Raha mitsikilo heloka Ianao, ry TOMPO,
iza moa no hahatanty, Tompo ô?
4Kanefa ao aminao ny famelana
mba hanajan'ny olona Anao.
5Koa manantena mafy ny TOMPO aho
sady matoky ny teniny.
6Miandry ny Tompo aho,
manoatra ny mpiambina miandry ny maraina.
Eny, manoatra ny mpiambina miandry ny maraina,
7no aoka hitokian'ny vahoaka Israely ny TOMPO,
satria ny fitiavana no ao amin'ny TOMPO
ary koa ny fanavotana tsy hita lany!
8Eny, Izy no hanavotra ny vahoaka Israely
ho afaka amin'ny fahotana rehetra.

dimanche 12 octobre 2014

Alahady 12 Oktobra 2014 - II Kor 11 : 21b-33

Kanefa izay sahin'ny olona lazaina – miteny toy ny adala aho – dia mba sahiko lazaina koa. 22Hebreo ve ireo apôstôly sandoka ireo? Izaho koa! Israelita* ve izy ireo? izaho koa! Taranak'i Abrahama ve izy ireo? Izaho koa. 23Mpanompon'i Kristy* ve izy ireo? Hiteny toy ny very saina aho: eny, mpanompon'i Kristy koa aho, ary mihoatra noho izy ireo; fa nisasatra mafy kokoa aho, natao am-ponja matetika kokoa, nokapohina bebe kokoa, tambavahoana imbetsaka kokoa. 24Indimy nokapohin'ny Jiosy aho, ka nandalasina in-39 misesy isaky ny mandeha; 25intelo nokaravasîn'ny Rômanina aho, ary indray maka saika matin'ny tora-bato; intelo vaky sambo aho, ary efa tavela teo anivon-dranomasina indray andro sy indray alina maninjitra. 26Matetika nanao dia an-tongotra aho ka efa tojo ny loza isan-karazany: loza tamin'ny ony tondraka, loza tamin'ny jiolahy, loza avy amin'ny Jiosy mpiray firenena amiko, loza avy amin'ny hafa firenena*, loza tao an-tanàna, loza tany an-taniefitra, loza teny an-dranomasina, loza teo anivon'ny misandoka ho havana kristianina. 27Niasa mafy sy nisasatra aho, niari-tory matetika, nijalin'ny hanoanana sy hetaheta, tsy nitendry hanina matetika, niaritra hatsiaka sady tsy nanan-kitafy. 28Ankoatra izay tsy voalaza, dia mbola mitambesatra amiko isan'andro vaky ny fiahiana ny Fiangonana rehetra. 29Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no lavo tamin'ny fahotana, ka tsy malahelo mafy aho? 30Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia ireo zavatra mampiharihary ny fahalemeko no hataoko rehareha. 31Andriamanitra, Rain'i Jesoa Tompo, Ilay ankalazaina mandrakizay, dia mahalala fa tsy mandainga aho. 32Fony tany Damasy aho, ny governora notendren'i Hareta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damasy mba hisamborana ahy. 33Fa nisy nampidina ahy an-tsobika avy teo amin'ny varavarankelin'ny mànda, ka dia afa-nandositra ny tanan'i Hareta aho.

samedi 11 octobre 2014

Sabotsy 11 Oktobra 2014 - Mar 13 : 32 - 36

32–Fa ny amin'izay andro sy ora hahatongavan'izany, dia tsy misy mahalala na ny anjely* any an-danitra na ny Zanak'olona*, fa Izy Ray ihany. 33Mitandrema sy miareta tory ary mivavaha fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'izany fotoanandro izany. 34Ho tahaka ny amin'ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin'ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina. 35Koa miambena àry fa tsy fantatrareo ny fotoana hiavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina. 36Tandremo sao tonga tampoka izy ka hitany matory ianareo. 37Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena!

vendredi 10 octobre 2014

Zoma 10 Oktobra 2014 - Heb 10 : 32 - 39

32Tsarovy ny nanjo anareo tamin'ny andro fahiny. Fa rehefa nohazavain'Andriamanitra ianareo, dia niharam-pijaliana sy niaritra ady mafy tokoa: 33novetavetaina sy nampahorîna teo imasom-bahoaka ianareo indraindray, na niara-nizaka izay nanjo an'ireo natao toy izany koa indraindray; 34niarahanareo niaritra ny fijalian'izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo. 35Koa aza manary ny fahatokianareo fa misy valisoa lehibe izany. 36Ilainareo tokoa ny faharetana mba hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra ka hahazoanareo izay ampanantenainy. 37Fa hoy ny Soratra Masina*:
            «Kely foana sisa
              dia ho tonga Ilay tsy maintsy ho avy,
              fa tsy hitaredretra.
              38Ary ny olo-marina eo imasoko noho ny finoana dia ho velona;
              fa raha mihemotra izy, dia tsy sitrako.»
39Isika kosa dia tsy mba naman'izay mihemotra ka ho very fa naman'izay mino ka ho voavonjy.

jeudi 9 octobre 2014

Alakamisy 09 Oktobra 2014 - Fil 1 : 27 - 30

 27Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy. Ka amin'izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin'ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly. 28Aoka tsy ho azon'ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin'Andriamanitra. 29Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an'i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy: 30dia ny miatrika ady mitovy amin'izay hitanareo natrehiko fahiny sady renareo fa mbola atrehiko ankehitriny.

mercredi 8 octobre 2014

Alarobia 08 Oktobra 2014 - Sal 17 : 1 - 12

1 Vavaka nataon'i Davida

Mandrenesa, TOMPO ô! Mitaky rariny aho.
Enga anie ho tandrinao izato fitarainako!
Mba henoy re ny vavaka ataoko
fa teny tsisy fitaka izany.
2Avy aminao no tokony hivoaka
ny didim-pitsarana momba ahy,
satria mahita ny hitsiny Ianao.
3Efa nandinika ny foko Ianao,
ary avy alina namotopototra ahy;
nizaha sy nisedra ny toetrako Ianao
fa tsy nahita n'inona n'inona hokianina.
Tsy niteny ratsy
4toy ny ataon'ny olona aho
fa ny baiko voalazanao no hany notandremako.
Ny sori-dalan'ny didinao
5no nifikiran'ny diako;
ny tongotro tsy mba nivoana
hiala amin'ireo soritrao.

6Koa miantso Anao aho, Andriamanitra ô,
satria mamaly vavaka Ianao.
Aoka mba hanongilan-tsofina amiko Ianao
handrenesanao izay lazaiko!
7Asehoy ahy ny fitiavanao mahagaga,
dia Ianao Izay mpamonjy amin'ny mpampahory
ho an'ireo mialoka eo ankavananao.
8Tandremo toy ny anakandriamaso aho
ka afeno sy arovy eo ambany elatrao
9mba tsy ho azon'ny olon-dratsy
izay mampahory ahy tokoa,
dia ireo fahavalo romotra
tonga manemitra ahy.

10Tsy mba manana fo mangoraka izy,
ary ny teniny feno avonavona.
11Mitsongo dia ahy no ataony;
ka indreo izy manodidina ahy
sady mibandrina ahy
fa te hamotraka ahy an-tany,
12toa liona mamitsaka am-pierena
efa may ny hamiravira remby.

mardi 7 octobre 2014

Talata 07 Oktobra 2014 - Mat 10 : 21 - 23

 21Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy raim-pianakaviana hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hanohitra ray aman-dreny ka hampanameloka azy ho faty. 22Ho halan'ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; fa izay haharitra hatramin'ny farany dia ho voavonjy. 23Raha enjehina amin'ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin'ny tanàna hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo akory ny tanàna eto Israely, dia ho avy ny Zanak'olona*.

lundi 6 octobre 2014

Alatsinainy 06 Oktobra - Apo 14 : 12 - 13

12Amin'izany no ilana ny faharetana eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra*, dia eo amin'izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny finoana niainan'i Jesoa. 13Ary reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
–Soraty izao: «Sambatra ireo maty, izay maty amin'ny fanompoana ny Tompo manomboka izao! Eny, hoy ny Fanahy Masina, aoka izy ireo hahazo fitoniana amin'ny fisasarany, fa ny asany manaraka azy.»

dimanche 5 octobre 2014

Alahady 05 Oktobra 2014 - I Sam 1 : 9 - 20

 9Indray andro, tao Silao, rehefa tapi-nisakafo ny olona, dia nitsangana i Hanà fa i Helỳ mpisorona kosa nipetraka teo an-tokonam-baravaran'ny TOMPO. 10Nalahelo mafy i Hanà, ka sady nigogogogo nitomany no nanao tamin'ny Tompo izao vavaka 11sy voady izao: «Ry TOMPOn'izao rehetra izao ô, mba jereo tokoa ny alaheloko ka tsarovy fa aza hadinoina; raha mba omenao zanakalahy anankiray aho, dia hatolotro ho ANAO kosa izy amin'ny androny rehetra; ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.» 12Raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan'ny TOMPO i Hanà, dia nodinihin'i Helỳ ny vavany;

13nivavaka am-po izy, ka ny molony ihany no hita mihetsiketsika, fa tsy re akory izay feony. I Helỳ kosa efa nihevitra azy ho mamo, 14ka nanao taminy hoe:
–Mbola haharitra ve ny fahamamoanao? Ndeha ampisindao aloha izany!

15Dia novalian'i Hanà hoe:
–Tsia, tompoko, tsy mamo aho. Malahelo fotsiny aho fa tsy nisotro divay na zava-pisotro mahamamo hafa akory. Mamboraka ny ato am-poko eto anatrehan'ny TOMPO aho. 16Aza heverinao ho toy ny vehivavy ratsy fanahy aho; fa raha nivavaka ela aho, dia satria efa tsy tantiko intsony ny alahelom-poko sy ny fahoriam-panahiko.

17Dia hoy i Helỳ hoe:
–Mandehana amim-piadanana, ary homen'ilay Andriamanitr'i Israely anao anie izay nangatahinao taminy!

18Ary niteny indray i Hanà hoe:
–Ho tsara fo amiko hatrany anie ianao!
Dia lasa i Hanà ary nihinan-kanina, ka mirana endrika tsy toy ny teo aloha. 19Ny ampitso vao maraina, rehefa avy nivavaka tamin'ny TOMPO i Elkanà sy ny fianakaviany, dia nody tany Ramà.

Ary i Elkanà niray tamin'i Hanà vadiny, ary nohenoin'ny TOMPO ny vavaka nataon-dravehivavy. 20Dia bevohòka i Hanà, ka tera-dahy, sady loa-bava hoe:
–Ny anarany dia hataoko hoe Samoela, satria nangatahiko tamin'ny TOMPO izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12