mardi 31 mars 2020

Talata 31 Martsa 2020 - II Tan 30 : 1 - 9

mpiangona rehetra tao Jerosalema dia niara-nandinika momba ny tokony hankalazana ny Paska amin’ny volana faharoa. Tsy nisy nahafahana nankalaza izany tamin’ny vaninandro manandrify, satria tsy mbola ampy isa ireo mpisorona nahavita ny fidiovan-tenany; ary ny vahoaka koa tsy mbola vory tao Jerosalema. Sitraky ny mpanjaka sy ny mpiangona rehetra izany eritreritra izany; ka tapaka ny hevitra fa handefasan-teny eran’i Israely manontolo hatrany Beera-Seba ka hatrany Dana mba hahatongavan’ny olona hankalaza ny Paska ao Jerosalema ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Vitsy manko ny olona nankalaza izany araka ny voasoratra. Dia nandefasan’i Hezekià iraka ny faritra rehetra amin’i Israely avaratra sy i Joda mba hanainga ny olona ho tonga ao an-tranon’ny TOMPO any Jerosalema ka hankalaza ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely; nanoratra taratasy fanasana mihitsy aza i Hezekià ho an’ny foko efraimita sy manasita.

6Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin’i Israely sy i Joda, ombàn’ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin’ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy:
–Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin’ny famelezan’ireo mpanjakan’i Asiria, miverena amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. 7Aza manahaka ny ray aman-dreninareo sy mpiray tampo aminareo, fa nivadika tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy ireo ka dia natolony ho amin’ny faharavana araka izao hitanareo izao. 8Koa aza manamafy hatoka toy ny nataon’ny razanareo ianareo, fa manomeza toky hanompo ny TOMPO ka tongava ao amin’ny tempoliny izay efa natokany hanan-kasina mandrakizay; eny, manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo mba hialan’ny fahatezerany mirehitra aminareo. 9Fa raha miverina amin’ny TOMPO ianareo, dia hahazo famindrampo ireo mpiray firenena sy mpiray fianakaviana aminareo eo anatrehan’izay nitondra azy ho babo, ka dia ho tafaverina indray amin’ity tany ity. Miantra sy mamindrafo tokoa manko ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hiambohoany ianareo raha miverina aminy.

lundi 30 mars 2020

Alatsinainy 30 Martsa 2020 - Asa 15 : 13 - 21

13Nony vita ny azy roa lahy, dia niteny kosa i Jakôba nanao hoe:
–Ry rahalahy, henoy aho! 14Notantarain’i Simôna teo ny fomba niahian’Andriamanitra ny hafa firenena hatrany am-boalohany, hahazoany vahoaka voatokana ho Azy avy amin’ny hafa firenena.

15Mifanaraka tsara amin’izany ny tenin’ireo mpaminanin’Andriamanitra, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina:
16«Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho, hoy ny Tompo;
haoriko indray ilay tranolain’i Davida izay rava,
haoriko indray izay nirodana ka hajoroko.
17Dia hitady ny Tompo ny olona sisa,
mbamin’ny hafa firenena rehetra izay efa voatokana ho fananako.
18Izany no ambaran’ny Tompo,
Izay efa nampahafantatra izany zavatra izany
hatramin’ny fahagolan-tany.»

19Koa dia izao no hevitro: tsy tokony homentsika fahasahiranana ny hafa firenena mitodika amin’Andriamanitra. 20Fa aoka hanoratantsika izy ka hangatahina tsy hihinana ny hena maloto natao sorona tamin’ny sampy, tsy hanao fifandraisana mamoafady ara-panambadiana, tsy hihinana ny henam-biby tsy nosomindaina, ary hifady ny ra. 21Satria efa torîna hatramin’ny ela isan-tanàna ary famaky ao amin’ny sinagôga isaky ny sabata ny lalànan’i Mosesy.

dimanche 29 mars 2020

Alahady 29 Martsa 200 - Mar 1 : 14 -15

14Ary naiditra am-ponja i Jôhany. Taorian’izay, dia nankany Galilea i Jesoa, nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra 15ka nilaza hoe:
–Tonga ny fotoanandro; efa akaiky ny Fanjakàn’Andriamanitra, ialao ny toe-dratsy ary minoa ny Vaovao Mahafaly.

samedi 28 mars 2020

Sabotsy 28 Martsa 2020 - Oha 1 : 20 - 23

20Miantso mafy eny ankalamanjana ny Fahendrena
ka manandra-peo eny an-kianja malalaka.
21Mitory eny amin’ny fihaonan-dalana be olona izy
ka manambara eo am-bavahadin’ny tanàna hoe:
22«Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo hakelezan-tsaina?

Ry mpaniratsira, mandra-pahoviana no handalanareo faniratsirana?
Ry adala, mandra-pahoviana no hankahalanareo fahalalana?
23Miverena hihaino ny fananarako ianareo
fa indro haidiko aminareo ny fanahiko
ary hampahafantariko anareo ny teniko.

vendredi 27 mars 2020

Zoma 27 Martsa 2020 - II Tim 2 : 22 - 26

 22Andosiro ny zava-dratsy ironan’ny tanora fanahy; fa aoka ny rariny, ny finoana, ny fitiavana ary ny fihavanana no hiarahanao mikatsaka amin’ireo olona miantso ny Tompo amin’ny fo mahitsy. 23Aza miraharaha izay fanontaniana adaladala sy tsy misy heviny, satria fantatrao fa mahatonga ady izany; 24fa ny mpanompon’ny Tompo dia tsy tokony ho fiadîna, fa tokony halemy fanahy amin’ny olona rehetra, hahay mampianatra, hahalefitra, 25ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon’Andriamanitra miala amin’ny toe-dratsy angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra; 26ary hody ny sain’ireo ka ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.

jeudi 26 mars 2020

Alakamisy 26 Martsa 2020 - Jer 3 : 22 - 25

22Miverena amiko, ry zaza mpiodina,
fa hositraniko amin’ny fiodinanareo ianareo!
(Ny vahoaka)
Indreto izahay manatona Anao,
satria Ianao no TOMPO Andriamanitray.
23Eny tokoa, fa nanodoka anay
ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana
sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra,
kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany
no hahitan’Israely famonjena.
24Fa hatry ny fahazazànay
dia efa lanin’io fivavahana mahamenatra
nanompoana an’i Bahala io
ny zavatra rehetra nisasaran’ny razanay,
dia ny omby aman’ondriny sy ny osiny,
ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
25Aoka hatory ombàn-kenatra izahay
ka hanaiky ny fahafaham-baràka,
satria efa nanao heloka
teo anatrehanao TOMPO Andriamanitray.
Fa na izahay na ny razanay dia tsy nihaino
izay nolazain’ny TOMPO Andriamanitray
hatry ny fahazazànay ka mandrak’androany.

mercredi 25 mars 2020

Alarobia 25 Martsa 2020 - Lio 15 : 11 - 24

11Dia hoy indray i Jesoa:
–Nanan-janaka mirahalahy ity lehilahy anankiray. 12Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: «Omeo ahy, ry dada, ny anjara fananana tandrify ahy.» Dia nozarainy tamin’izy mirahalahy ny fananany. 13Nony afaka andro vitsivitsy, dia nivarotra ny anjarany manontolo ilay zandriny, ary lasa nitondra ny vola azony nankany an-tany lavitra ka nandanilany foana ny fananany tamin’ny filibàna. 14Rehefa tapitra avokoa izay teo am-pelatanany, dia nisy mosary mafy tamin’izany tany izany, ary tsy nanan-koraisina intsony ny anao. 15Lasa izy niasa tamin’ny tompon-tany anankiray ka nalefan’ilay niasany hiandry kisoa tany an-tsahany. 16Satrin’ity zatovo hameno kibo amin’ny voan-javatra fihinan’ny kisoa, saingy tsy nisy nanome azy. 17Izay vao nody ny sainy ka hoy izy anakampo: «Ireo mpikaraman’i dada rehetra any izao manan-tsakafo be dia be daholo, fa izaho kosa ity maty mosary atỳ! 18Ndeha hody any amin’i dada aho ka hilaza aminy hoe: Dada ô, nanota tamin’Andriamanitra sy taminao aho, 19ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao; fa mba ataovy toy ny anankiray amin’ny mpikaramanao aho!» 20Dia lasa tokoa izy nody any amin-drainy.

Raha mbola lavitra ny trano ilay zatovo, dia tazan-drainy. Onena azy tokoa irainy ka nihazakazaka nitsena, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. 21Dia hoy ity zanany taminy: «Dada ô, nanota tamin’Andriamanitra sy taminao aho, ka tsy mendrika intsony ny hatao hoe zanakao!» 22Fa hoy kosa irainy tamin’ireo mpiasa: «Ento atỳ faingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany ary asio kapa ny tongony. 23Alaovy ilay zanak’omby mifahy ka vonoy; ary aoka isika hanao fihinanam-be, 24satria ity zanako ity: efa maty no velona indray, ary efa very no hita indray!» Dia nanomboka ny fihinanam-be aman-korana izy rehetra.

mardi 24 mars 2020

Talata 24 Marsa 2020 - Deo 30 : 1 - 10

1Ho tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia ny fampanantenàm-pitahiana sy fanambaràn-doza izay nataoko teo anoloanareo. Ary any amin’ny firenena rehetra handroahan’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hotsarovanareo ao am-ponareo izany, 2ka hiverina amin’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo; eny, hanaiky Azy ianareo sy ny taranakareo, hanaiky Azy amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo araka ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio. 3Dia haverin’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fiainanareo taloha ianareo sady hamindrany fo, ka hangoniny indray avy any amin’ny firenena rehetra nampielezany anareo. 4Na misy voaroaka any am-paran’ny tany aza ianareo, dia avy any no hangalan’ny TOMPO Andriamanitrareo azy sy hanangonany azy 5mba hampidiriny ao amin’ny tany izay fananan’ny razambenareo ka ho fanananareo koa. Hanisy soa anareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hahamaro isa anareo, mihoatra noho ny nataony tamin’ny razambenareo; 6dia hodiovin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fon’ny taranakareo hitiavanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo, mba ho velona ianareo. 7Ary hampiharin’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fahavalo mpankahala sy mpanenjika anareo ireny ozona rehetra ireny. 8Dia hanaiky ny TOMPO indray ianareo ka hanatanteraka ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio. 9Ary hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo: hambininy avokoa ny asanareo; ho maro anaka ianareo; ho maro taranaka ny biby fiompinareo; ary hiavosa ny vokatry ny taninareo. Araka izay nifalian’ny TOMPO nanasoa ny razambenareo no hifaliany hanasoa anareo koa, 10satria manaiky ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka mitandrina ny didy aman-dalàny, izay voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity, ary satria iverenanareo amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo ny TOMPO Andriamanitrareo.

lundi 23 mars 2020

Alatsinainy 23Martsa 2020 - Asa 3 : 12 - 21

12Raha nahita izany i Petera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe:
–Ry vahoaka israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo? Nahoana izahay no banjininareo hoatra ny hoe herinay manokana na ny fitiavam-bavakay no nampandeha io lehilahy io? 13Ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa ilay Mpanompony. Natolotrareo tamin’ny manampahefana i Jesoa ary nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, izay efa tapa-kevitra handefa Azy; 14ilay Masina sy Marina dia nolavinareo, ary lehilahy mpamono olona no nitakianareo famotsoran-keloka; 15ilay Mpitari-dalana ho amin’ny fiainana dia novonoinareo, nefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty; ary vavolombelona manambara izany izahay. 16Nino ny anaran’i Jesoa ralehilahy izay hitanareo sy fantatrareo io, ka ny herin’ny anaran’i Jesoa no nampanjaka azy; ny finoana avy amin’i Jesoa no nahatomady azy tanteraka indray araka izao atrehinareo rehetra izao.

17Fantatro kosa, ry havako, fa tsy fahalalana no nahatonga anareo hanao izay nataonareo tamin’i Jesoa ary toraka izany koa ny manampahefana teo aminareo. 18Notanterahin’Andriamanitra tamin’izany anefa izay voalazany tamin’ny alalan’ny mpaminany rehetra fahiny hoe: tsy maintsy hijaly ilay Mesiany. 19Noho izany, ialao ny toe-dratsy, ary miverena amin’Andriamanitra mba ho foana ny helokareo; 20dia ho tonga aminareo ny vaninandro famelombelomana avy amin’ny Tompo ary hirahiny ho anareo ilay Mesia efa voatendriny, dia i Jesoa. 21Kanefa tsy maintsy horaisin’ny lanitra aloha Izy mandra-piavin’ny fotoana hanavaozana izao rehetra izao, araka izay nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany masina hatramin’ny fahagola.

dimanche 22 mars 2020

Alahady 22 Martsa 2020 - Isa 31 : 4 - 6

4Izao no nolazain’ny TOMPO tamiko:
«Rehefa ny liona na ny liona tanora
no mierona hiambina ny remby azony
eo anoloan’andiana mpiandry ondry
izay tafangona hamely azy,
dia tsy matahotra ny antsoantson’ireo izy
na lasa mitsoaka noho ny tabatabany.
Ho tahaka izany koa Aho,
hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao,
rehefa midina hiady
eo an-tendrombohitra Tsiôna
na eo amin’ilay havoany.»
5Tahaka ny vorona mamelatra ny elany
no hamelaran’ny TOMPOn’izao rehetra izao
ny fiarovany amin’i Jerosalema;
ka sady hiaro no hanafaka azy ny Tompo,
eny, sady hitsimbina no hamonjy azy.

6Ry Israelita ô, miverena amin’Ilay efa niodinanareo lavitra.

samedi 21 mars 2020

Sabotsy 21 Martsa 2020 - Mat 2 : 17 - 3 : 7

Tamin’izay no tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Jeremià mpaminany hoe:

18«Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Ramà:
I Rahely no nitomany ny zanany,
ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!»

19Rehefa maty kosa i Herôda, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa raha tany Ejipta ka nilazany hoe:

20–Mifohaza ianao, ka ento mody any amin’ny tanin’i Israely ny zazakely sy ny reniny, fa efa maty ireo nitady ny ain’ny zaza.

21Dia nifoha i Jôsefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny niverina tany amin’ny tanin’i Israely. 22Nony ren’i Jôsefa kosa fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra ny hankany izy. Notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy indray anefa izy ka lasa nankany amin’ny faritany Galilea. 23Ary nony tonga tany izy telo mianaka, dia niorim-ponenana tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:

«Hantsoina hoe Nazareanina Izy!»

1Tamin’izany vaninandro izany, dia niseho tany an-taniefitr’i Jodea i Jôhany Mpanao batisa, ary nanao antso avo hoe:
2–Ialao ny toe-dratsy fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra!

3Izy no ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe:

«Injany misy feon’olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo;
ahitsio ny hizorany!»

4Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan’i Jôhany; valala sy tantely remby no sakafony. 5Tamin’izay dia nirohotra nankany amin’i Jôhany ny olona avy any Jerosalema sy avy any Jodea lafy valo mbamin’ny faritany rehetra amoron’ny ony Jôrdàna; 6ary niaiky heloka izy ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao Jôrdàna.

7Rehefa hitan’i Jôhany ny Farisianina sy ny Tsadoseanina maro nanatona azy mba hataony batisa, dia nilazany hoe:
–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba handositra tsy ho tratra amin’ny hatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra.

vendredi 20 mars 2020

Zoma 20 Martsa 2020 - Mat 12 : 38 - 42

38Tamin’izay dia nisy mpahay lalàna sy Farisianina sasany nanontany an’i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, mba te hahita famantarana avy aminao izahay.

39Fa hoy i Jesoa taminy:
–Ratsy fanahy sady mivadika amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny: fatra-pitady famantarana nefa tsy homena famantarana afa-tsy ilay momba an’i Jônà mpaminany. 40Nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny trozona i Jônà; toy izany koa, hitoetra telo andro sy telo alina ao an-kibon’ny tany ny Zanak’olona. 41Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive, ka hanameloka azy; fa niala tamin’ny toetra ratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin’i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto. 42Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo, ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy mba hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!

jeudi 19 mars 2020

Alakamisy 19 Martsa 2020 - Sal 85 : 1 - 13

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’ny terak’i Kôra.

2TOMPO ô, nanehoanao fitia ilay taninao
ka nampodînao ny babo tamin’ny terak’i Jakôba.
3Nesorinao ny heloky ny vahoakanao
ary navelanao avokoa ny fahotany.

4Nofoananao manontolo ny fahatezeranao
ka nialanao ny fahaviniranao mirehitra.

5Andriamanitra mpamonjy anay ô,
mba avereno ho firenena matanjaka izahay,
ka atsaharo ny loniloninao aminay.
6Ho tezitra aminay mandrakizay ve Ianao
ka hampaharitra ny fahaviniranao
amin’ny taranaka mifandimby?
7Tsy hovelominao indray ve izahay
mba hifalianay vahoakanao aminao?
8TOMPO ô, asehoy anay ny fitiavanao
ka omeo anay ny famonjenao.

9Te hihaino izay lazain’Andriamanitra TOMPO aho.
Fiadanana tokoa no ampanantenainy
ho an’ny vahoakany, dia ireo mpivavaka aminy,
raha tsy miverina amin’ny hadalàny intsony ireo.
10Eny, akaiky an’izay manaja Azy ny famonjeny;
hitoetra eto amin’ity tanintsika ity ny voninahiny.

11Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana.
12Mitrebona avy amin’ny tany ny fahamarinana
ary midina avy any an-danitra ny rariny.
13Ny TOMPO mihitsy no hanome ny zava-tsoa
ka hahavokatra tokoa ny tanintsika;

mercredi 18 mars 2020

Alarobia 18 Martsa 2020 - Joe 2 : 12 - 17

12Hoy ny teny hentitry ny Tompo:
«Dieny ankehitriny,
miverena amiko amin’ny fonareo manontolo:
mifadia hanina, mitomania
ary manaova fitalahoana.
13Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina
fa ny fonareo indrindra no ovay.»
Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo:
Fa miantra sy mamindrafo Izy
mahari-po sady be fitiavana
ary mamoy ny loza nandrahonany.
14Angamba mety hanenina Izy
ka hamela fitahiana ho anareo;
dia hisy fanatitra vokatry ny tany
sy fanatitra araraka azonareo atao
ho Azy TOMPO Andriamanitrareo.

15Tsofy ao Tsiôna ny anjomara,
manokàna andro fifadian-kanina,
ary miantsoa fivoriambe.
16Atobio miaraka ny vahoaka,
manokàna fotoana hiangonana.
Vorio ny antitra sy ny tanora
hatramin’ny zaza minono;
aoka handao ny efitranony ny mpivady vao.
17Aoka hitomany ao an-tempoly ireo mpisorona
izay mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO!
Eo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara,
no aoka hanaovany izany ka hitenenany hoe:
«TOMPO ô, mba iantrao ny vahoakanao,
aza avela ho afa-baràka ny olonao
na holatsain’ny hafa firenena hoe:
‹Aiza izay Andriamanitrareo?› »

mardi 17 mars 2020

Talata 17 Martsa 2020 - II Kor 3 : 12 - 18

12Satria manana izany fanantenana izany izahay, dia be fahasahiana tokoa. 13Izahay dia tsy tahaka an’i Mosesy izay nisaron-tava mba tsy hahitan’ny vahoaka Israely ny fiafaran’ilay famirapiratany mihelina. 14Fa nihadonto ny sain’ny vahoaka Israely; ary mandraka androany dia tsy nesorina ny zava-manarona ny sainy, fa mbola ao ihany raha mamaky ny boky mirakitra ny Fanekempihavanana Taloha izy ireo; satria ho an’ny olona tafaray amin’i Kristy no foana izany sarona izany. 15Mandraka androany, isaky ny vakîna ny bokin’i Mosesy, dia mbola misarona ihany ny fon’ny vahoaka Israely. 16Fa isaky ny miverina amin’ny Tompo kosa ny olona, dia miesotra izany sarona izany. 17Ka ny hoe Tompo eto dia ny Fanahy; fa ao amin’izay itoeran’ilay Fanahin’ny Tompo no misy fahafahana. 18Isika rehetra kosa dia tsy mba misaron-tava, fa toy ny fitaratra tarafin’ny voninahitry ny Tompo; ka dia miova endrika hanahaka ny Tompo isika, sady mitombo hatrany ny famirapiratantsika, araka ny asa tontosain’ilay Fanahin’ny Tompo.

lundi 16 mars 2020

Alatsinainy 16 Martsa 2020 - Jer 31 : 21 - 25

21Manangàna mari-dalana ho anao
ka asio orim-bato eny amoron-dalana;
hevero ny lalana efa nodiavinao,
dia ny lalana efa narahinao,
ka miverena, ry Israely malala,
miverena amin’ireo tanànanao.
22Mandra-pahoviana ianao
no mbola hiriorio etsy sy eroa,
ry zanakavavy mpikomy?
Fa ny TOMPO efa namorona
zava-baovao eto an-tany:
ny vehivavy indray no
manenji-dehilahy.

23Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Rehefa hanova ny anjaran’ity tanin’i Joda sy ireto tanànany Aho, dia hotononina indray ny fiteny hoe:

‹Hitahy anao anie ny TOMPO
ry Tsiôna tendrombohitra masina,
fonenan’ny famonjena!›

24«Amin’izay ny olona tambanivohitra sy an-tanàn-dehibe ao Joda dia hiara-monina eo amin’ny tany, isan’izany ireo tantsaha sy ireo mpiompy mifindrafindra lasy miaraka amin’ny biby fiompiny. 25Fa hampahereziko ireo efa reraka, ary homeko izay ilainy ireo rehetra efa trotraka. ( 26Izany no hilazana hoe: ‹Nony nifoha aho, dia hitako fa nahasoa ahy ny torimasoko.›)

dimanche 15 mars 2020

Alahady 15 Martsa 2020 - Asa 11 : 19 - 21

19Niely patrana ny mpino noho ilay fanenjehana nitranga taorian’ny namonoana an’i Stefàna. Ny sasany dia tonga hatrany Fenisia sy hatrany Sipra ary hatrany Antiôkia, nefa tsy nitory ny tenin’Andriamanitra afa-tsy tamin’ny Jiosy ihany. 20Nisy ihany mpino sasantsasany avy any Sipra sy avy any Sirena izay tonga tany Antiôkia ka niteny tamin’ireo Grika koa, ary nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa Tompo. 21Nombàn’ny herin’ny Tompo izy rehetra ka marobe ny olona nino sy nitodika tamin’ny Tompo.

samedi 14 mars 2020

Sabotsy 14 Martsa 2020 - Isa 44 : 21 - 23

21Ry firenen’i Jakôba, ry vahoaka Israely,
aoka hotsarovanao izao: «Mpanompoko ianao!
Izaho no namolavola anao hanompo Ahy.
Tsy hohadinoiko ianao, ry vahoaka Israely!
22Nofafako toy ny rahona ny fahadisoanao
ary nolevoniko toy ny zavona ny fahotanao.
Koa miverena amiko ianao fa efa navotako.»

23Miasa ny TOMPO ka mihobia, ry lanitra,
ary miravoravoa, ry fanambanin’ny tany.
Ataovy manako ny hoby, ry tendrombohitra
mbamin’ny ala sy ny hazo rehetra ao,
fa ny TOMPO efa nanavotra ny firenen’i Jakôba
ary efa naneho voninahitra tamin’ny vahoaka Israely.

vendredi 13 mars 2020

Zoma 13 Martsa 2020 - Apo 2 : 1 - 7

1–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efeso: «Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eo an-tanany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeranjiro volamena fito: 2Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny faharetanao, mbamin’ny tsy fahazakànao ny ratsy fanahy; efa nozahanao toetra ireo milaza ny tenany ho apôstôly, kanjo tsiizy ary hitanao fa mpandainga ireo; 3ary manana faharetana ianao, ka mizaka ny mafy noho ny amiko sady tsy ketraka. 4Saingy izao no anomezako tsiny anao: nihemotra tamin’ilay fitiavanao tany am-boalohany ianao. 5Koa tsarovy izay nitoeranao fony mbola tsy lavo, dia ialao ny toe-dratsinao, ka ataovy indray ny asanao tany am-boalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanaisotra ny fitoeranjironao amin’izay misy azy, raha toa tsy ialanao ny toe-dratsinao. 6Izao kosa no anananao sitraka: ankahalainao ny asan’ireo Nikôlaita, izay ankahalaiko ihany koa.

7«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana!
«Izay maharesy dia havelako hihinana amin’ny voan’ilay hazo manome fiainana izay ao amin’ny sahan’Andriamanitra.»

jeudi 12 mars 2020

Alakamisy 12 Martsa 2020 - Hos 7 : 10 - 16

10Vavolombelona manameloka azy
ny avonavon’i Israely.
Kanefa izy tsy niverina
tamiko TOMPO Andriamaniny;
ary, na teo aza izany rehetra izany,
dia tsy mba nitady Ahy izy.
11I Efraîma dia tahaka ny domohina
izay adaladala sady tsy manan-tsaina;
miantso an’i Ejipta izy,
ary mankany Asiria.
12Iny izy mankany iny kosa
no velariko aminy ny haratoko,
ka ataoko izay hilatsahany ao
toy ny voromanidina;
avy eo dia faiziko izy
araka ny zavatra ratsy nataony.


13«Lozan’ireo olon’i Efraîma,
satria nandositra Ahy izy.
Faharavana no eo aminy,
satria nikomy tamiko izy!
Ny tenako dia te hanavotra azy;
fa izy kosa milaza lainga,
isaky ny miteny momba Ahy.
14Tsy mba vokatry ny fony
no iantsoany vonjy amiko;
fa mitoloko eo am-pandriany izy,
ary mandidy tena mba hahazoana
vary sy divay vaovao;
fanoherana Ahy no ialany amiko.
15Izaho no nanazatra
sy nampatanjaka ny sandriny;
nefa izy kosa ny amiko
dia nisaintsain-dratsy hatrany.
16Raha misy ny fiverenany,
dia tsy ho amiko ilay Avo izany;
fa mandiso fanantenana
tahaka ny tsipîka ketraka izy.
Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy
noho ny fitsaontsaom-bavany;
izany no handatsana azy any Ejipta!

mercredi 11 mars 2020

Alarobia 11 Martsa 2020 - II Mpa 17 : 13 - 20

13Nampitandrina ny vahoakan’i Israely sy i Joda tamin’ny alalan’ny mpaminany sy mpahita rehetra ny TOMPO nanao hoe:
–Ialao ny toe-dratsinareo ka tandremo ny didy sy baiko nataoko araka ny lalàna manontolo izay nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ireo mpaminany mpanompoko ho anareo.

14Nefa tsy nihaino izany izy roa tonta fa nanamafy hatoka tahaka ireo razany izay tsy nino ny TOMPO Andriamaniny. 15Nolaviny ny lalànan’Andriamanitra sy ny fanekempihavanana izay nataony tamin’ny razany ary ny fampitandremana nananarany azy. Nanenjika zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa; ary nanaraka ny hafa firenena manodidina azy sady efa nandraran’ny TOMPO azy tsy hotahafina. 16Nafoiny avokoa ny didin’ny TOMPO Andriamaniny, ka nanao sarivongan’ombilahikely anankiroa izy sy nanangana tsatokazo fanajana an’i Aserà ary niankohoka teo anatrehan’ny planeta aman-kintana sady nanompo an’i Bahala.

17Nanolotra ny zanany lahy sy vavy ho sorona dorana izy, sady nanao majika sy sikidy, ary nivarilavo nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO, ka nampahatezitra Azy. 18Dia vinitra tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nanaisotra azy tsy ho hitan’ny masony. Ny fokon’i Joda ihany no sisa tafajanona.

19Na dia i Joda koa aza tsy nitandrina ny didin’ny TOMPO Andriamaniny, fa nanaraka ny fomba najoron’ny Israelita tavaratra. 20Izany no nandavan’ny TOMPO ny taranak’i Israely rehetra ka nampahoriny azy sy nanolorany azy ho eo an-tanan’ny mpandroba ary farany hanesorany azy ho lavitra ny fanatrehany.

mardi 10 mars 2020

Talata 10 Martsa 2020 - I Sam 7 : 2 - 4

2Hatramin’ny nitoeran’ny Vatamasin’ny TOMPO tany Kiriata-Jeharîma, dia andro maro no nifandimby, efa roapolo taona izao. Nalahelo te hiverina amin’ny TOMPO ny Israelita rehetra 3ka nilazan’i Samoela hoe:
–Raha amin’ny fonareo manontolo tokoa no hiverenanareo amin’ny TOMPO, dia atsaharo ny fanompoanareo andriamani-kafa sy fanompoanareo ny sampy Hastôreta; aoka hiraiki-po amin’ny TOMPO ianareo, ary aza manompo afa-tsy Izy irery ihany, fa hovonjeny tsy ho voagejan’ny Filistinina ianareo.

4Dia narian’ny Israelita ireo sampin’ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastôreta, ka ny TOMPO no hany notompoiny.

lundi 9 mars 2020

Alatsinainy 09 Martsa 2020 - Asa 2 : 36 - 40

36Noho izany, dia aoka ho fantatry ny vahoaka Israely rehetra mazava tsara fa iny Jesoa nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny indrindra no efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Mesia.

37Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanontany an’i Petera sy ny apôstôly namany hoe:
–Ry havana, inona no tokony hataonay?

38Dia hoy i Petera taminy:
–Ialao ny toe-dratsy, ary aoka ianareo samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy mba ho voavela heloka, dia handray ny Fanahy Masina fanomezan’Andriamanitra. 39Fa ny fanomezana nampanantenain’Andriamanitra dia ho anareo sy ny zanakareo, ary ho an’ireo rehetra any lavitra any, na iza na iza hantsoin’ny Tompo Andriamanitsika hanatona Azy.

40Mbola maro ny teny hafa nijoroan’i Petera ho vavolombelona ka nitaomany sy nananarany ny vahoaka hoe:
–Vonjeo ny tenanareo ka misaraha amin’ireto olona mpaniasia ireto!

dimanche 8 mars 2020

Alahady 08 Martsa 2020 - Lio 13 : 1 - 5

1Tamin’izay dia nisy olona tonga nitantara tamin’i Jesoa momba ireo Galileanina izay nanolotra sorona ho an’Andriamanitra iny indrindra no novonoin’i Pilato. 2Ka hoy i Jesoa taminy:

–Heverinareo ve fa ireo Galileanina ireo, matoa nozoin-doza toy izany, dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra? 3Tsia, hoy Aho aminareo, fa raha tsy ialanareo ny toe-dratsinareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. 4Ary ny olona 18 maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôà, heverinareo ve fa diso mihoatra noho ny mponina hafa rehetra ao Jerosalema? 5Tsia, hoy Aho aminareo, fa raha tsy ialanareo ny toe-ratsinareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.

samedi 7 mars 2020

Sabotsy 07 Martsa 2020 - Hos 14 : 2 - 4

2Ry Israelita ô, mba miverena
amin’ny TOMPO Andriamanitrareo,
fa ny helokareo no nahalavo anareo.
3Miverena amin’ny TOMPO
ka milazà aminy hoe:
«Avelao avokoa ny helokay;
ary ho solon’ny vantotr’ombilahy fanolotray
dia raiso tsara ireto teninay ireto:
4Tsy i Asiria no hahavonjy anay,
tsy hitaingin-tsoavaly izahay;
ary tsy amin’ny sampy asan-tananay intsony
no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›;
fa Ianao no mamindrafo amin’ny kamboty.»

vendredi 6 mars 2020

Zoma 06 Martsa 2020 - Asa 26 : 19 - 23

19Ary amin’izany, ry Agripà mpanjaka, tsy notoheriko ny fahitana avy tany an-danitra. 20Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin’ny hafa firenena ka nanainga azy rehetra aho hiala amin’ny toetra ratsiny sy hiverina amin’Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny. 21Izany no nisamboran’ny Jiosy ahy raha tao an-kianjan’ny tempoly aho, ary nitadiavany hamonoana ahy. 22Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola intỳ aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin’ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran’ny mpaminany sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao: 23hijaly ny Mesia ary Izy no ho voalohany hisantatra ny fitsanganan’ny maty ka hitory fahazavana amin’ny vahoaka Israely sy amin’ny hafa firenena.

jeudi 5 mars 2020

Alakamisy 05 Martsa 2020 - Zak 1 : 1 - 6

1Tamin’ny volana fahavalon’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Zakarià mpaminany zanakalahin’i Berekià sady zafikelin’i Hidào. 2Ary nasain’ny TOMPO nilaza izany tamin’ny Israelita i Zakarià nanao hoe: «Izaho TOMPO dia tezitra mafy tamin’ny razanareo. 3Kanefa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao hoe: Miverena amiko ianareo, dia mba hiverina aminareo Aho. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany. 4Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin’ny mpaminany fahiny tamin’ny anarako ireo mba hiala amin’ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany. 5Fantatrareo fa tsy eo intsony ny razanareo ary tsy velona eo mandrakizay ny mpaminany. 6Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin’ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.»

mercredi 4 mars 2020

Alarobia 04 Martsa 2020 - Mat 11 : 20 - 24

20Tamin’izay i Jesoa dia niteny mafy ireo tanàna nahavitana ny ankamaroan’ny asa mahagaga nataony, satria tsy niala tamin’ny toetra ratsiny ireo mponina ao aminy; ka hoy i Jesoa:
21–Mampalahelo ianao, ry Kôrazìna! Mampalahelo ianao, ry Betsaidà! Raha i Tiro sy i Sidôna no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminareo, dia efa ela ireo no nitafy lamba fisaonana ary nihosin-davenona hanambaràny fa nialany ny toetra ratsiny. 22Ka hoy Aho aminareo hoe: amin’ny andro fitsarana, dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin’i Tiro sy i Sidôna noho ny hihatra amin’i Kôrazìna sy i Betsaidà! 23Ary ianao, ry Kafarnahòma, heverinao ve fa hasandratra hatrany an-danitra ianao? Tsia, haetry hatrany amin’ny toeran’ny maty ianao! Raha i Sôdôma manko no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminao, dia ho naharitra mandraka androany izany tanàna izany. 24Ka hoy Aho aminareo hoe: amin’ny andro fitsarana dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin’i Sôdôma noho ny hihatra amin’i Kafarnahòma!

mardi 3 mars 2020

Talata 03 Martsa 2020 - I Jao 2 : 1 - 11

1Izany, rey anaka, no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy olona manota, dia manana mpisolovava eo anilan’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina. 2Izy no sorom-panonerana amelana ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
3Ny ahafantarantsika fa mahalala an’Andriamanitra isika, dia ny fitandremantsika ireo didiny. 4Izay milaza ho mahalala an’Andriamanitra, nefa tsy mitandrina ireo didiny, dia mpandainga sady tsy ao anatin’izany olona izany ny hafatra marim-pototra. 5Fa na iza na iza mitandrina ny tenin’Andriamanitra, dia lavorary ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa tafaray amin’Andriamanitra isika. 6Izay milaza fa mitoetra ao anatin’Andriamanitra izy, dia tsy maintsy miaina toa izay niainan’i Kristy koa.

7Ry hava-malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin’ny voalohany; izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo. 8Didy vaovao ihany koa no soratako aminareo, dia ilay hita marina eo amin’i Kristy sy eo aminareo, satria misava ny haizina ary efa mamiratra ny fahazavana tena izy.
9Izay milaza fa ao amin’ny fahazavana izy, kanefa mankahala ny namany iray finoana, dia mbola ao amin’ny haizina ihany. 10Izay tia ny namany iray finoana no mitoetra ao amin’ny fahazavana, ka tsy misy zavatra mitaona ny hafa amin’ny ratsy ao aminy. 11Fa izay mankahala ny namany no ao amin’ny haizina: ao amin’ny haizina no andehanany ka tsy fantany izay alehany, satria voajamban’ny haizina ny masony.

lundi 2 mars 2020

Alatsinainy 02 Martsa 2020 - Hos 12 : 1 - 7

1Hodidinin’ny olon’i Efraîma lainga Aho
ary mamely fitaka manodidina Ahy
ny firenen’i Israely.
I Joda kosa mbola miaraka amin’Andriamanitra
sady mbola matoky an’Ilay Masina Indrindra.
2Mamatsy diloilo an’i Ejipta i Efraîma;
ka rivotra no ivokisany amin’izany.
Manao fifanekena amin’i Asiria izy
dia manenji-drivotra avy atsinanana.
Tontolo andro no ampitomboiny
ny lainga sy ny herisetra.
3Manana ady amin’i Joda ny TOMPO.
ka hanafay ny firenen’i Jakôba
noho ny fitondrantenany
ary hamaly azy araka ny ratsy nataony.
4Fony i Jakôba mbola tany an-kibon-dreniny
no efa nisongona ny rahalahiny;
ary rehefa lehilahy lehibe izy,
dia nitolona tamin’Andriamanitra.
5 Anjely no nitolomany ka nandresy azy.
Nitomany i Jakôba sady nifona taminy.
Tao Betela no nahitany an’Andriamanitra
ka nitenenan’Andriamanitra taminy.
6Teo ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao,
ny TOMPO araka ny anarana ahatsiarovana Azy,
7no niteny tamin’i Jakôba hoe:
«Miverena amiko Andriamanitrao ianao!
Tandrovy ny fitiavana sy ny rariny;
ary Izaho Andriamanitrao no itokio hatrany.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12