samedi 31 août 2013

Sabotsy 31 Aogositra 2013 - Oha 11 : 23 - 31

23Ny soa ihany no kendren'ny olo-marina;
fa ny fahatezeran'Andriamanitra kosa
no arehitry ny fanirian'ireo olon-dratsy.
24Misy izay malala-tanana nefa mitombo harena hatrany;
ary misy kahihitra loatra nefa mihamahantra ihany.
25Hiavosam-panambinana ny olona mpanao soa,
ary izay manome rano hosotroina dia ho afa-ketaheta.
26Ozonim-bahoaka izay mitahiry ny variny
fa tsofiny rano kosa izay mivarotra ny azy.
27Izay fatra-pikatsaka ny soa
dia misarika ny fanambinan'Andriamanitra;
fa izay mitady ny ratsy kosa dia hahita loza.
28Hihareraka izay mitoky amin'ny hareny,
fa ho tahaka ny ravin-kazo maitso kosa
no handrobonan'ny olo-marina.
29Izay mitondra korontana ao an-tranony dia adala,
ka handova rivotra sy ho tonga mpanompon'ny hendry.
30Ny vokatry ny fahamarinana dia toy ny hazon'aina;
ary ny hendry no mahataona olona.
31Omem-balisoa etỳ an-tany ny olo-marina;
koa ny ratsy fanahy sy ny mpanota
dia vao mainka hahazo ny setry sahaza!

vendredi 30 août 2013

Zoma 30 Aogositra 2013 - I Kor 10 : 23 - 33

23«Azo atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy ary mahasoa avokoa. «Azo atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy ary mampandroso amin'ny finoana avokoa. 24Aza ny soa ho an'ny tena no katsahina fa ny ho an'ny namana. 25Hano avokoa izay hena amidy eny an-tsena, fa aza velom-panontaniana akory noho ny fieritreretana; 26satria «an'ny Tompo izao tany izao sy ny zavatra rehetra ao aminy», hoy ny Soratra Masina*. 27Raha asain'ny tsy mpino hisakafo ianareo, ka manaiky hankany, dia hano izay arosony anareo fa aza velom-panontaniana akory noho ny fieritreretanareo. 28Kanefa raha ilazan'olona ianareo hoe: «Hena natao fanatitra tany amin'ny sampy io», dia aza homana, noho ilay nilaza sy noho ny fieritreretana; 29tsy ny fieritreretanareo tsy akory izany lazaiko izany, fa ny an'ilay niteny taminareo.«Fa nahoana kosa moa», hoy ny sasany, «no hofeperan'izay fieritreretan'olon-kafa ny fahafahako? 30Raha isaorako an'Andriamanitra izany sakafo haniko izany, nahoana no dia hanomezan-tsiny ahy amin'ny hanina izay isaorako an'Andriamanitra?» 31Koa na mihinana na misotro ianareo, eny, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra ny zavatra rehetra. 32Aza manao izay hahasolafaka olona amin'ny ratsy, na Jiosy izy na hafa firenena* na ny Fiangonan'Andriamanitra. 33Mba manaova tahaka ahy, fa iezaho izay hahafaly ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra; ka tsy ny soa ho an'ny tenako no katsahiko, fa ny ho an'ny besinimaro, mba ho voavonjy izy rehetra.

jeudi 29 août 2013

Alakamisy 29 Aogositra 2013 - Asa 14 : 21 - 18

21Nitory ny Vaovao Mahafaly* tao an-tanànan'i Derba ry i Paoly sy i Barnabà ka betsaka ny mpianatra* azony tao. Dia niverina indray izy roa lahy nankany Listra sy Ikôniôma ary Antiôkia any Pisidia. 22Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin'ny finoana ka nanao taminy hoe:

–Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*!

23Isam-Piangonana dia nanendry loholona* ho an'ny mpianatra* izy roa lahy, ary nony efa nivavaka sy nifady hanina* dia nanankina ny iray Fiangonana tamin'ny Tompo Izay efa ninoan'izy rehetra rahateo. 24Taorian'izany, dia namakivaky ny faritany Pisidia ry i Paoly sy i Barnabà ka tonga tany Pamfilia. 25Nitory ny tenin'Andriamanitra tao Perga izy roa lahy, ary lasa nankany Atalia. 26Avy eo no niondranany an-tsambo ho any Antiôkia, dia ilay tanàna nanankinana azy roa lahy tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho an'izao asa notontosainy izao. 27Nony tonga tao Antiôkia izy roa lahy, dia namory ny Fiangonana, ka nitantara ny zavatra rehetra nampanaovin'Andriamanitra azy ary koa nitantara ny namohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny hafa firenena* mba hahazoany mino. 28Ary elaela ihany no niarahan'i Paoly sy i Barnabà nitoetra tamin'ny mpianatra tao Antiôkia.

mercredi 28 août 2013

Alarobia 28 Aogositra 2013 - I Mpa 2 : 1 - 9

1Rehefa nandindona an'i Davida ny andro hahafatesany, dia nandidy an'i Salômôna zanany lahy izy nanao hoe:
2–Efa ho faty araka ny lalan-kizoran'ny besinimaro aho; koa aoka ianao hahery sy hiseho ho tena lehilahy! 3Tandremo izay andidian'ny TOMPO Andriamanitrao hanarahanao ny sori-dalany ary hitandrovanao ny lalànany sy ny didiny amam-pitsipiny sy ny sàtany araka ny voasoratra ao amin'ny lalànan'i Mosesy; dia hahomby ianao amin'izay rehetra hataonao sy hokasainao. 4Ary hotanterahin'ny TOMPO ilay fampanantenana izay nambarany tamiko hoe: «Raha tandreman'ireo taranakao ny fitondrantenany ka amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo no izorany eo anatrehako amim-pahitsiana, dia tsy ho diso zanakalahy handimby eo amin'ny sezafiandrianan'i Israely ianao.» 5Ankoatra izany, ianao koa mahalala ny ratsy rehetra nataon'i Jôaba zanakalahin'i Tseroià tamiko sy tamin'ny filohan'ny tafik'i Israely roa lahy, dia i Abinera zanakalahin'i Nera sy i Hamasà zanakalahin'i Jetera izay samy novonoiny ho faty sady nalatsany ra toy ny amin'ny ady nefa tsy nisy ady akory; ka dia tompon'andraikitra feno izy ny amin'ny nafitsony. 6Koa araka ny fahendrenao no ataovy, ary aza avela ho tratra antitra amim-piadanana izy no hidina any amin'ny toeran'ny maty. 7Fa ireo zanakalahin'i Barzilay avy any Gilehada kosa dia asio soa ary aoka izy hihinana eo amin'ny latabatrao, satria tonga namonjy ahy izy fony aho nandositra an'i Absalôma rahalahinao. 8Farany dia aza hadino i Simehỳ zanakalahin'i Gerà sady Benjaminita avy any Bahorima. Mafy loatra ny nanozonany ahy tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaîma; nefa nidina nitsena ahy tao Jôrdàna izy, ka dia nianiana tamin'ny TOMPO aho fa tsy hamono azy ho faty amin'ny sabatra. 9Koa ankehitriny, aza atao afa-maina izy, fa lehilahy hendry ianao ka mahafantatra izay tokony hanaovana azy; na dia efa antitra aza izy, dia amin'ny fandatsahan-dra no hampidinanao azy any amin'ny toeran'ny maty.

mardi 27 août 2013

Talata 27 Aogositra 2013 - Lev 26 : 3 - 12

3«Raha manaraka ny lalànako ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, 4dia homeko ny ranonorana sahaza anareo amin'ny fotoanandrony mba hahavokaran'ny tany ary hamoazan'ny hazo eny an-tsaha. 5Ho tratry ny fiotazam-boaloboka ny fivelezam-bary eo aminareo, ary ho tratry ny famafazana ny fiotazam-boaloboka; dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry feizay eo amin'ny taninareo. 6Hasiako fiadanana eo amin'ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo; fa hofongorako ny biby masiaka eo amin'ny tany, ary tsy mba handalovan'ady intsony izy. 7Hataonareo mandositra ny fahavalonareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo; 8hampandositra zato ny dimy aminareo ary hampandositra iray alina ny zato aminareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ireny. 9Hijery anareo am-pitiavana Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo ary hitazona ny fanekempihavanako* aminareo. 10Ho be ny vokatra miakatra ka haharitra hihinananareo ny vokatra tranainy ary hisy sisa hatao varo-boba fotsiny aza mba hasiana ny vao. 11Hiorim-ponenana eo afovoanareo Aho ary tsy ho tofoka aminareo. 12Handeha miaraka aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo ho vahoakako.

lundi 26 août 2013

Alatsinainy 26 Aogositra 2013 - I Tim 4 : 13 - 16

13Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina* sy mampirisika ary mampianatra. 14Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr'Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona. 15Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'ireo adidy ireo; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

dimanche 25 août 2013

Alahady 25 Aogositra 2013 - Mar 4 : 24 - 34

24Ary hoy koa i Jesoa taminy:

–Diniho izao teny renareo izao: izay famarana amaranareo ihany no hamaran'Andriamanitra ho anareo koa, ary hasiany fanampiny aza ny anareo. 25Satria izay manana no homena; ary izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy.


26Hoy koa i Jesoa:

–Ny Fanjakàn'Andriamanitra* dia tahaka ny amin'ity olona namafy voa amin'ny tany; 27fa na matory izy ny alina, na mahatsiaro izy ny antoandro, dia mitsimoka sy mitombo ny voa amin'ny fomba tsy fantany akory. 28Fa mamokatra fotsiny amin'izao ny tany: tahony aloha, dia salohiny maitso, ary farany dia voany matoy eny amin'ny salohiny. 29Ary raha vao azo jinjaina, dia jinjain'ilay olona fa tonga ny fotoana fijinjana.

30Dia hoy koa i Jesoa hoe:
–Inona no hampitahantsika ny Fanjakàn'Andriamanitra* sa fanoharana* inona no hoentintsika manazava azy? 31Tahaka ny voan-tsinapy*, ka raha ilay afafy amin'ny tany iny, dia madinika indrindra izy amin'ny voa famafy rehetra etỳ ambonin'ny tany; 32saingy rehefa voafafy, dia mitombo, ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, sady misy rantsana vaventy ahafahan'ny voro-manidina manao akany honenana.

33Dia fanoharana* maro tahatahaka izany no nanambaràn'i Jesoa ny tenin'Andriamanitra tamin'ny olona, araka izay mety ho takatry ny sain'ny mpihaino. 34Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin'ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin'ireo mpianany ny zava-drehetra.

samedi 24 août 2013

Sabotsy 24 Aogositra 2013 - I Tes 3 : 11 - 13

11Izy izay Andriamanitsika sady Raintsika sy i Jesoa Tompontsika anie hitari-dalana anay ho atỳ aminareo! 12Ny Tompo anie hampitombo ny fifankatiavanareo sy ny fitiavanareo ny olona rehetra ho tahaka ny itiavanay anareo! 13Dia hampiorina ny fonareo Izy, ka tsy hanan-tsiny sy ho masina eo anatrehan'ilay Andriamanitra Raintsika ianareo, amin'ny andro hiavian'i Jesoa Tompontsika otronin'izay rehetra voatokana ho Azy.

vendredi 23 août 2013

Zoma 23 Jolay 2013 - Efe 4 : 7 - 16

7Kanefa isika tsirairay avy dia samy nahazo fanomezana manokana arakaraka izay nomen'i Kristy*. 8Izany no ilazan'ny Soratra Masina* hoe:

«Raha miakatra any amin'ny avo Izy, dia nitondra babo marobe, ka nanome fanomezana ho an'ny olona.»

9Inona moa no hevitry ny hoe «niakatra Izy», afa-tsy hoe: efa nidina tany amin'ny fanambanin'ny tany lalina indrindra Izy. 10Ilay nidina ihany ho Ilay niakatra any amin'ny lanitra faratampony indrindra, mba hanerana izao rehetra izao. 11Izy mihitsy no nanolotra fanomezana manokana ho an'ny olona, ka nanao ny sasany ho apôstôly*, ny sasany ho mpaminany*, ny sasany ho mpitory ny Vaovao Mahafaly*, ny sasany ho mpiandry* sy ho mpampianatra. 12Ho fampitaovana ny vahoakan'Andriamanitra* ireny mba hahatontosana ny asa fanompoam-piangonana, ka hirafetan'ny tenan'i Kristy. 13Izany no hahatonga antsika rehetra hiray amin'ny finoana sy amin'ny fahalalana tsara ilay Zanak'Andriamanitra*; ka ho olondehibe isika, mahatratra ny halehiben'i Kristy sy heniky ny hafenoana omeny. 14Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan'ny onja etsy sy eroa na hatolatolan'ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson'ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany. 15Ny fitiavana kosa no hanambaràntsika ny fampianarana marina ka amin'ny lafiny rehetra anie no hitomboantsika firaisana amin'i Kristy Izay loha. 16Izy no mahatonga ny tena manontolo hitambatra mafy sy ho voatanan'ny famavàny rehetra hiray; ka rehefa samy miasa araka ny tandrifiny avy ny zavatra anisan'ny tena, dia hitombo ny tena manontolo sady hoentanin'ny fitiavana.

jeudi 22 août 2013

Alakamisy 22 Aogositra 2013 - Isa 40 : 27 - 31

27Ry vahoaka Israely, firenen'i Jakôba, nahoana ianao no miteny sy manamafy hoe:

«Tsy hitan'ny Tompo akory izay mahazo ahy, lalovan'Andriamanitra fotsiny ny zoko?»

28Tsy fantatrao sady tsy efa renao va fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay?
Izy no namorona ny tany manontolo. Tsy mba reraka Izy na sasatra, ary tsy misy fetra ny fahalalàny.
29Manome hery ny reraka Izy ary manatanjaka ny malemy. 30Ny tanora aza dia mihareraka sy mety sasatra, ny mahery tompon-daka aza dia mety ho solafaka. 31Fa izay matoky ny TOMPO kosa dia hahazo hery vaovao hatrany, ka hisidina ambony toy ny voromahery. Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, handeha izy nefa tsy ho reraka.

mercredi 21 août 2013

Alarobia 21 Aogositra 2013 - Lio 12 : 32 - 34

32–Aza matahotra, ry andian'ondry vitsy, fa efa sitraky ny Ray homena anareo ny Fanjakany*! 33Amidio ny fanananareo ka ny vola azo, anaovy asa fiantrana. Kitapom-bola tsy mety tontan'ny ela atao ho anareo, dia harena tsy mety lany any an-danitra; any tsy mba misy mpangalatra mihaodihaody na kadradraka manimba. 34Fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa!

mardi 20 août 2013

Talata 20 Aogositra 2013 - Fil 4 : 10 - 19

10Nahatsapa hafaliana lehibe tao amin'ny Tompo aho, satria nasehonareo indray ny fiahianareo ahy. Nitohy hatrany ny fiahianareo ahy, saingy tsy mbola nisy fotoana hanehoanareo izany. 11Tsy noho izaho sahirana no itenenako toy izao, fa efa nianatra ny hianina amin'izay ananako aho. 12Haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianarako ny hianina na aiza na aiza ary na amin'inona na amin'inona, na voky aho na noana, na manam-be aho na sahirana. 13Afaka miatrika izany rehetra izany aho, noho i Kristy* manome hery ahy. 14Kanefa soa izao nataonareo izao: niombom-pahoriana tamiko ianareo ka nanampy ahy. 15Fantatrareo koa, ry Filipianina, fa nony niala tany Masedônia aho, tamin'ny fotoana niandohan'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly*, dia ianareo no hany Fiangonana nanampy ahy ka nanana kaontin'ny miditra sy mivoaka nifanaovana tamiko. 16Fony aho mbola tany Tesalônika, dia efa indray mandeha amana indroa no nandefasanareo izay nilaiko. 17Tsy hoe mitady fanomezana aho no milaza izany, fa mitady ny vokatra hiavosa ao amin'ny kaontin'ny miditra ho anareo. 18Eny, manana ny zavatra rehetra ilaiko aho izao sady manana amby ampy; efa voaraiko tamin'i Epafrôdito ny fanomezana avy aminareo, ka heni-tsoa mitafotafo aho. Izany fanomezanareo izany dia toy ny zava-manitra mamerovero atao sorona ka raisin'Andriamanitra sady ankasitrahiny. 19Fa Andriamanitro kosa hanome mitafotafo izay rehetra ilainareo araka ny harena heni-boninahitra atolony ao amin'i Kristy Jesoa.

lundi 19 août 2013

Alatsinainy 19 Aogositra 2013 - Efe 3 : 14 - 21

14Noho izany no andohalehako eo anatrehan'Andriamanitra Ray, 15Izay antom-pisian'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. 16Mangataka amin'Andriamanitra aho mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny hohatanjahina fatratra ao anatinareo amin'ny herin'ny Fanahiny, 17ka hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana; dia hamahatra tsara sy ho mafy orina amin'ny fitiavana ianareo. 18Mangataka amin'Andriamanitra aho ny hahaizanareo mbamin'ny vahoakan'Andriamanitra* rehetra mahafantatra tsara ny fitiavan'i Kristy, dia izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny. 19Enga anie ho fantatrareo tokoa ny fitiavan'i Kristy – na dia tsy mety ho fantatra tanteraka na oviana na oviana aza izany –, mba hamenoana anareo ka hidiranareo ao amin'ny hafenoana rehetra ananan'Andriamanitra. 20Ary ho an'Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika, 21ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny Fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesoa, manerana ny taranaka rehetra mifandimby sy mandrakizay mandrakizay! Amen*.

dimanche 18 août 2013

Alahady 18 Aogositra 2013 - Isa 58 : 6 - 12

6Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao:
ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny,
ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy,
ny manafaka ireo ampahorîna
ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy.
7Ny hizarànao ny haninao ho an'ny noana
sy hampiantranoanao ireo mahantra mirenireny,
ny hampitafînao izay hitanao fa miboridana
ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan'ny namanao.
8Amin'izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavànao
ary ho tonga haingana ny fahasitrananao.
Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao,
ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao.
9Rehefa miantso ianao, dia hamaly anao ny TOMPO;
rehefa mitady vonjy ianao, dia hovaliany hoe: «Inty Aho.»
Raha foananao eo aminao ny ziogam-pamoretana
mbamin'ny fanendrikendrehana sy ny fitenenan-dratsy,
10raha zarainao ho an'ny noana ny haninao
ka manome sakafo ireo sahirana ianao,
dia hamirapiratra ao amin'ny haizina ny fahazavànao
ary ho toy ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.
11Hitari-dalana anao hatrany ny TOMPO;
na dia ao amin'ny tany karakaina aza ianao,
dia hovokisany hanina sy hampahatanjahiny.
Hanjary mahate hijery toy ny saha vonton-drano ianao
na toy ny loharano miboiboika tsy mety ritra.
12Noho ny ezakao, dia haorina indray
ireo zavatra rava fahiny
ary hatsangana indray ny fanorenana
izay efa nilaozana hatry ny elabe;
ary ianao dia hantsoina hoe:
«Vahoaka mpamboatra ny manda simba
sy mpamelona ny lalankely efa maty
mba ho tsara honenana ao an-tanàna.»

samedi 17 août 2013

Sabotsy 17 Aogositra 2013 - Lio 17 : 26 - 36

26Toy izay nitranga tamin'ny andron'i Noà* no ho tonga amin'ny andro hiavian'ny Zanak'olona. 27Nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy nampakarina ny olona tamin'izay, mandra-pigadon'ny andro nidiran'i Noà tanatin'ny sambofiara: tonga ny safodrano ary nandringana azy rehetra. 28Toy izay nitranga tamin'ny andron'i Lôta* ihany koa. Nihinana sy nisotro ny olona tamin'izay, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanorin-trano; 29nefa tamin'ny andro nialan'i Lôta tao Sôdôma*, dia nilatsaka toa oram-baratra avy any an-danitra ny afo aman-tsolifara ka nandevona azy rehetra. 30Toy izany no ho tonga amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona.
31Amin'izany andro izany, izay eny an-tampon-trano, aoka tsy hidina hamory ny entany ao an-trano; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina any an-trano. 32Tsarovy ny vadin'i Lôta! 33Izay mitady hitsitsy ny ainy no hahavery azy; fa izay manao vy very ny ainy no hahatahiry azy. 34Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany, dia hisy roa lahy miara-misakafo: ka ny iray halaina, ny iray havela; 35hisy roa vavy miara-mikoso-bary: ka ny iray halaina, ny iray havela;  36hisy roa lahy tafaraka eny an-tsaha: ka ny iray halaina, ny iray havela.

vendredi 16 août 2013

Zoma 16 Aogositra 2013 - Fil 1 : 27 - 30

 27Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy. Ka amin'izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin'ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly. 28Aoka tsy ho azon'ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin'Andriamanitra. 29Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an'i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy: 30dia ny miatrika ady mitovy amin'izay hitanareo natrehiko fahiny sady renareo fa mbola atrehiko ankehitriny.

jeudi 15 août 2013

Alakamisy 15 Aogositra 2013 - Eze 17 : 1 - 8

1Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: 2«Ry ilay taranak'olombelona, manaova ankamantatra ary fanoharana* ho an'ny Israelita, 3ka ambarao aminy fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Nisy voromahery iray lehibe nanana elatra goavana sy volo lava sady matevina no misoratsoratra. Nanidina hatrany an-tendrombohitr'i Libano izy ary naka ny tendron'ny hazo sedera, 4nanapaka izay avo indrindra tamin'ny rantsany, dia nitondra azy ho any amin'ny tanin'ny mpandranto ary nametraka azy tao an-tanànan'ny mpivarotra. 5Nalainy koa ny voa famafy anankiray hafa tao amin'ny tanin'i Israely ka naleviny tao anaty saha lonaka. Avy eo dia nafindrany teo amoron'ny rano mikoriana ny tsimok'io voa famafy io, ka nataony araka ny fanao amin'ny zanaka hazomalahelo. 6Ary naniry tokoa izany, dia tonga foto-boaloboka niroborobo sady nandadina. Nisandrahaka ny rantsany ka nitodika ho any amin'ilay voromahery ary ny fakany nitatra teo ambaniny. Tonga voaloboka izy ka nanome sakelika sy rantsana vaovao hatrany. 7Kanjo nisy voromahery lehibe iray hafa koa, nanana elatra goavana sy volo matevina. Koa nalefan'ilay voaloboka nankany aminy ny fakany sady natodiny nankany koa ny rantsany, mba hahazo rano betsaka kokoa noho ny teo amin'ny tany nisy azy izy. 8Kanefa saha tsara teo amoron'ny rano mikoriana no nambolena azy mba handrobonan'ny rantsany sy hamoazany ka ho tonga voaloboka mahafinaritra.›

mercredi 14 août 2013

Alarobia 14 Aogositra 2013 - Heb 10 : 32 - 39

32Tsarovy ny nanjo anareo tamin'ny andro fahiny. Fa rehefa nohazavain'Andriamanitra ianareo, dia niharam-pijaliana sy niaritra ady mafy tokoa: 33novetavetaina sy nampahorîna teo imasom-bahoaka ianareo indraindray, na niara-nizaka izay nanjo an'ireo natao toy izany koa indraindray; 34niarahanareo niaritra ny fijalian'izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo. 35Koa aza manary ny fahatokianareo fa misy valisoa lehibe izany. 36Ilainareo tokoa ny faharetana mba hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra ka hahazoanareo izay ampanantenainy. 37Fa hoy ny Soratra Masina*:

«Kely foana sisa dia ho tonga Ilay tsy maintsy ho avy, fa tsy hitaredretra. 38Ary ny olo-marina eo imasoko noho ny finoana dia ho velona; fa raha mihemotra izy, dia tsy sitrako.»

39Isika kosa dia tsy mba naman'izay mihemotra ka ho very fa naman'izay mino ka ho voavonjy.

mardi 13 août 2013

Talata 13 Aogositra 2013 - II Mpa 19 : 29 - 34

29Izao kosa no famantarana ho anao, ry Hezekià: Amin'ity taona ity dia hihinana izay vary maniry ho azy ny olona; ary amin'ny taona manaraka dia mbola ho toy izany koa. Fa amin'ny taona fahatelo kosa dia hamafy vary sy hijinja ianareo ary hamboly voaloboka sy hihinana ny vokatra avy aminy. 30Ary izay sisa velona amin'ny taranak'i Joda dia ho toy ny hazo hamaka lalina indray ary ho feno voa ny rantsany; 31satria ao Jerosalema no hipoiran'ny sisa tavela, ary ao an-tendrombohitra Tsiôna no hiarenan'ny sisa velona.»Dia hoy i Isaià hoe: «Izany no hataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao noho ny fitia miredareda manesika Azy. 32Izao kosa no lazain'ny TOMPO ny amin'ny mpanjakan'i Asiria: Tsy hiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipîka hamelezana azy na hiady aminy ombàn'ny ampinga na hanangana tovon-tany hanafihana azy. 33Ny lalana izay niaviany ihany no hiverenany, fa tsy hiditra amin'ity tanàna ity izy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 34Harovako i Jerosalema ary hovonjeko noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko.› »

lundi 12 août 2013

Alatsinainy 12 Aogositra 2013 - Fil 1 : 27 - 30

 27Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy. Ka amin'izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin'ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly. 28Aoka tsy ho azon'ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin'Andriamanitra. 29Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an'i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy: 30dia ny miatrika ady mitovy amin'izay hitanareo natrehiko fahiny sady renareo fa mbola atrehiko ankehitriny.

dimanche 11 août 2013

Alahady 11 Aogositra 2013 - Jao 16: 16 - 24

16–Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo.

17Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpianatr*'i Jesoa dia nifampiresaka hoe:

–Inona izany lazainy amintsika hoe: «Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo», sy ny hoe: «Mankany amin'ny Ray»? 18Inona àry izany lazainy hoe: «Rehefa afaka kelikely»? Tsy azontsika izay lazainy.

19Fantatr'i Jesoa fa te hanontany Azy ny mpianany, ka hoy Izy taminy:

–Mifanontany ve ianareo ny amin'ny teniko hoe: «Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo»? 20Lazaiko marina dia marina aminareo fa hitomany sy hisaona ianareo, ary izao tontolo izao* kosa hifaly; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. 21Ory ny vehivavy, rehefa hiteraka, satria tonga ny fotoam-panaintainany; saingy rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony izay fahoriany, noho izy faly fa hoe misy olona teraka eo amin'izao tontolo izao. 22Ianareo koa dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanaisotra ny hafalianareo.

23Amin'izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo noho ny anarako izany. 24Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona noho ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho feno ny hafalianareo

samedi 10 août 2013

Sabotsy 10 Aogositra 2013 - I Kor 9 : 24 - 27

24Tsy fantatrareo ve fa ny mpihazakazaka eo amin'ny kianja fifaninanana dia samy mihazakazaka daholo, nefa tokana ihany no mahazo ny loka? Mihazakazàha toy izany mba hahazoanareo loka. 25Izay rehetra mpanao fanatanjahan-tena dia mahonon-tena fatratra. Ataony izany mba hahazoany satroboninahitra mety simba; fa ny antsika kosa dia ataontsika mba hahazoana satroboninahitra tsy mety simba. 26Koa raha izaho, dia manao toy ny mpihazakazaka aho ka mikendry ny tanjona; mamely toy ny mpanao totohondry aho ka tsy mikapo-drivotra. 27Folahiko mafy ny tenako ary feheziko fatratra, fandrao izaho efa nitory tamin'ny hafa indray no tonga voailika.

vendredi 9 août 2013

Zoma 09 Aogositra 2013 - Oha 3 : 19 - 26

19Fahendrena sy fahaiza-manavaka no nanorenan'ny TOMPO ny tany sady nahariany ny lanitra.
20Ny fahaizany no nampiboiboika rano avy any an-kibon-tany lalina any sy mampitosaka orana avy amin'ny rahona.

21Anaka, ny fahamalinana sy ny fahaiza-mandinika no ifikiro ka imasoy hatrany.
22Fa ho antoky ny fiainana ho anao izany sady sarobidy toa firavaka fiambozonanao.
23Handroso amim-pahatokiana ianao ka tsy hosolafa-mamindra.
24Tsy hatahotra ianao rehefa miala sasatra, ary ho tafandry mandry rehefa matory.
25Aza manahy ny fampitahoran'ireo adala na ny famelezan'ny olon-dratsy, raha tonga izany.
26Fa ny TOMPO no ho tokinao ka hiaro ny tongotrao tsy ho voafandrika.

jeudi 8 août 2013

Alakamisy 08 Aogositra 2013 - Jao 6 : 1 - 13

1Taorian'izany, dia lasa i Jesoa nankeny ampitan'ny farihin'i Galilea (na hoe farihin'i Tiberiada). 2Nisy vahoaka maro nanaraka Azy, noho ny nahitan'izy ireo ny famantarana* nataon'i Jesoa hanasoavana ny marary. 3Dia niakatra teo an-tendrombohitra ry i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin'ny mpianany*. 4Tamin'izay dia efa akaiky ny Paska*, ilay fankalazana fanaon'ny Jiosy. 5Rehefa nanopy maso i Jesoa ka nahita fa nisy vahoaka maro nanatona Azy, dia nilaza tamin'i Filipo hoe:

–Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?

6Fizahan-toetra an'i Filipo no nilazan'i Jesoa izany, satria Izy nahalala rahateo izay efa hataony. 7Dia hoy i Filipo taminy:

–Na dia mofo mitentina denàry* 200 aza, tsy ampy hahazoan'ny tsirairay sombiny kely akory!

8Ny anankiray tamin'ny mpianany koa, dia i Andrea rahalahin'i Simôna Petera, nilaza taminy hoe:

9–Misy zazalahy ao manana mofo ôrza dimy sy trondro madinika anankiroa; fa ho ampy inona izany amin'izao olona marobe izao?

10Dia hoy i Jesoa hoe:

–Asaovy mipetraka ny olona!

Noho ny fisian'ny ahitra be teo amin'ilay toerana, dia nipetraka ny olona ka tokony ho dimy arivo no isan'ny vatan-dehilahy. 11Tamin'izay i Jesoa no nandray ireo mofo ka nony avy nisaotra an'Andriamanitra dia nizara azy ho an'izay nipetraka hihinana; ary nozarainy toy izany koa ny trondro arakaraka izay nilain'ny mpihinana. 12Rehefa voky ny olona, dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:

–Angony ny tapa-mofo sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very!

13Dia nangonin'ireo mpianatra, ka nahafeno sobika 12 ny tapa-mofo avy amin'ny mofo ôrza dimy, dia izay sisa tsy lanin'ny nihinana.

mercredi 7 août 2013

Alarobia 07 Aogositra 2013 - Rom 5 : 1 - 5

1Noho ny finoana àry dia tonga olo-marina eo imason'Andriamanitra isika sady efa mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika. 2Amin'ny alalan'i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin'ny voninahitr'Andriamanitra. 3Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana; 5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.

mardi 6 août 2013

Alatsinainy 06 Aogositra 2013 - Rom 5 : 1 - 11

1Indray andro i Jesoa, raha ilay nijanona teo amoron'ny farihin'i Genesareta iny, dia nitangoronan'ny vahoaka te hihaino ny tenin'Andriamanitra. 2Hitany fa nisy sambokely roa niantsona teo amoron-drano fa nidina nanasa harato ny mpanarato. 3Dia niakaran'i Jesoa ny sambokely anankiray izay an'i Simôna, ka niangavian'i Jesoa i Simôna hihataka kely amin'ny tany. Ary teo an-tsambokely Izy no nipetraka hampianatra ny vahoaka. 4Nony nitsaha-niteny i Jesoa, dia nanao tamin'i Simôna hoe:

–Mandrosoa eny amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana trondro.

5Fa novalian'i Simôna hoe:

–Mpampianatra ô, niasa mafy izahay halina tontolo, saingy tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny baikonao, dia halatsako ihany ny harato.

6Vao nandatsaka ny harato izy ireo, dia nahazo trondro be tokoa ary saika rovitra ny harato. 7Koa nohatsihin'izy iray tarika mba ho avy hanampy azy ny namany izay teny amin'ny sambokely hafa. Dia avy ireo, ka samy feno safomorona saika hilentika ny sambokely anankiroa. 8Raha nahita izany i Simôna Petera, dia niankohoka teo an-tongotr'i Jesoa nanao hoe:

–Tompo ô, halaviro aho fa mpanota!

9Taitra loatra manko izy mbamin'ireo niaraka taminy noho ny haben'ny trondro azony. 10Toa izany koa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin'i Zebedeo izay niombona asa tamin'i Simôna. Ary hoy i Jesoa tamin'i Simôna:

–Aoka izay ny tahotra; manomboka izao dia olona kosa no halainao!

11Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety i Simôna sy ny namany, dia nandao ny zavatra rehetra ka lasa niaraka tamin'i Jesoa.

lundi 5 août 2013

Alatsinainy 05 Aogositra 2013 - II Pet 3 : 14 - 18

14Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo. 15Hevero fa ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr'i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen'Andriamanitra azy. 16Toy izany koa no ataony ao amin'ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin'ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin'ny teny hafa raketin'ny Soratra Masina*, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. 17Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan'ny hevi-dison'ireo ratsy fanahy, ka hiala amin'izay iorenanareo. 18Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an'i Jesoa Kristy* Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen*.

dimanche 4 août 2013

Alahady 04 Aogositra 2013 - I Kor 14 : 12 - 19

12Dia toy izany koa ianareo: satria fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo, dia ireo hampandroso ny fiangonana amin'ny finoana no aoka hotadiavinareo hananana be dia be. 13Noho izany, izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia aoka hangataka amin'Andriamanitra mba ho afaka hanazava izany koa. 14Raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra manko aho, dia ny fanahiko no hany mivavaka fa tsy mba mandray anjara ny saiko. 15Ahoana àry no hataoko? Hivavaka amin'ny fanahiko aho no sady hivavaka amin'ny saiko ihany koa; hihira amin'ny fanahiko aho no sady hihira amin'ny saiko ihany koa. 16Raha am-panahy fotsiny no isaoranao an'Andriamanitra, hataon'izay mpiangona sarambabe ahoana no famaly «Amen*» ny vavaka fisaorana vitanao? Tsy fantany akory manko izay lazainao. 17Raha ianao, dia vavaka fisaorana kanto no vitanao, fa ny hafa kosa tsy nampandrosoinao amin'ny finoana. 18Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra. 19Kanefa, ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy mazava amin'ny saiko mba hampianarako ny hafa toy izay teny arivoarivo amin'ny fiteny tsy fantatra.

samedi 3 août 2013

Sabitsy 03 Aogositra 2013 - Isa 37 : 30 - 35

30Izao kosa no famantarana ho anao, ry Hezekià: Amin'ity taona ity dia hihinana izay vary maniry ho azy ny olona; ary amin'ny taona manaraka dia mbola ho toy izany koa. Fa amin'ny taona fahatelo kosa dia hamafy vary sy hijinja ianareo ary hamboly voaloboka sy hihinana ny vokatra avy aminy. 31Ary izay sisa velona amin'ny taranak'i Joda dia ho toy ny hazo hamaka lalina indray ary ho feno voa ny rantsany; 32satria ao Jerosalema no hipoiran'ny sisa tavela, ary ao an-tendrombohitra Tsiôna* no hiarenan'ny sisa velona.»Dia hoy ihany i Isaià hoe: «Izany no hataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao noho ny fitia miredareda manesika Azy. 33Izao kosa no lazain'ny TOMPO ny amin'ny mpanjakan'i Asiria: ‹Tsy hiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipîka hamelezana azy na hiady aminy ombàn'ny ampinga na hanangana tovon-tany hanafihana azy. 34Ny lalana izay niaviany ihany no hiverenany, fa tsy hiditra amin'ity tanàna ity izy. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO. 35Harovako i Jerosalema ary hovonjeko noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko.› »

vendredi 2 août 2013

Zoma 02 Aogositra 2013 - Mat 8 : 5 - 13

5Rehefa niditra tao Kafarnahòma i Jesoa, dia nisy kapitenin-tafika nanatona Azy sady nitaraina taminy 6hoe:

–Tompo ô, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.

7Ary hoy i Jesoa taminy:

–Ho avy Aho hanasitrana azy!

8Dia novalian'ny kapiteny hoe:

–Tompo ô, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko. 9Izaho manko, na ambany fahefan'olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.

10Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin'ireo nanaraka Azy nanao hoe:

–Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin'i Israely*. 11Ambarako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba any amin'ny Fanjakàn'ny lanitra*. 12Ireo natao handova ny Fanjakàn'ny lanitra kosa dia horoahina any amin'ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.

13Dia hoy i Jesoa tamin'ilay kapiteny:

–Mandehana, ary aoka ho tonga aminao araka izay ninoanao.
Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay mpanompony.

jeudi 1 août 2013

Alakamisy 01 Aout 2013 - Sal 144 : 1 - 15

1 Nataon'i Davida.

Hisaorana anie ny TOMPO vatolampiko,
Ilay manazatra ahy hamely fahavalo
sy manomana ahy hiady amin'ireo!
2Izy no fialofako sy fonena-mimandako
fiarovana avo sy mpanafaka ahy.
Izy no ampingako sy fiereko,
mampietry firenena maro hanoa ahy.
3TOMPO ô, mba inona moa ny olombelona no ahînao
sy izay zanak'olombelona no karakarainao?
4Fa ny olombelona toa tsio-drivotra ihany;
ny androm-piainany toa aloka mihelina.
5TOMPO ô, mba aletseo ny lanitra ka midîna;
tendreo ny tendrombohitra hanetona.
6Ataovy mitselatselatra ny helatra hipariaka;
alefao ny zana-tsipîkanao hifanaretsaka.
7Ny tananao atsory avy any ambony
mba hisarika ahy ho afaka amin'ny ranobe,
dia amin'ny famelezan'ny hafa firenena,
8izay miteny fitaka ny vavany
ary fianianana tsy marina
no anandratany tanana ankavanana.
9Andriamanitra ô, hihirako hira vaovao Ianao
ary hankalazaiko amin'ny valiha torifolo:
10«Ianao no manome fandresena ny mpanjaka
sy manafaka an'i Davida mpanomponao.»
11Vonjeo tsy ho voan'ny sabatry ny olon-dratsy aho,
afaho amin'ny famelezan'ny hafa firenena,
izay miteny fitaka ny vavany
ary fianianana tsy marina
no anandratany tanana ankavanana
12Ny zanakay lahy anie ho toy ny zana-kazo:
toy ny hazo tanora maroroka fitsiry!
Ny zanakay vavy anie ho toy ny andry fehizoro,
izay tsara sokitra toy ny any an-dapa!
13Ny sompitray anie ho feno hika,
ho hipoka vokatra isan-karazany!
Ny biby fiompy any an-tsahanay anie
hitombo arivoarivo sy alinalina!
14Ny mpiandany aminay no hizaka ny mafy,
ka ny mandanay anie tsy hisy banga!
Samy tsy hisy koa na ny faharesena
na ny fibabababàna eny an-kianja!
15Sambatra ny firenena
izay hahazo fanambinana toy izany!
Sambatra ny firenena
izay manana ny TOMPO ho Andriamanitra!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12