samedi 27 février 2021

Sabotsy 27 Febroary 2021 - Heb 13 : 7 - 16

 7Tsarovy ireo mpitarika anareo ara-pivavahana, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero izay niafaran’ny fiainany ka alao tahaka ny finoany. 8I Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. 9Aza mety havilivilin’ny fampianarana samihafa tsy araka an’i Kristy ianareo; tsara manko raha ampaherezina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fonareo, fa tsy amina fitsipika momba ny hanina izay tsy mahasoa ireo mahavatra azy.

10Ireo mpanaraka fanompoam-pivavahana ao amin’ny toeram-pivavahana jiosy dia tsy mahazo mihinana amin’izay sorona atao eo amin’ny alitarantsika. 11Entin’ny mpisorombe ao amin’ny Toeramasina Indrindra ny ran’ny biby hatao sorona ho fanalana ny ota; fa ny fatin’ireo biby ireo kosa dia dorana any ivelan’ny toby. 12Izany koa no anton’ny nahafatesan’i Jesoa tany ivelan’ny tanàna, mba hanadio ny vahoaka amin’ny ra nafoiny. 13Aoka àry isika hivoaka ny toby hankeo amin’i Jesoa, ka hiara-mizaka aminy ny fandatsana nozakainy. 14Fa tsy manana tanàna maharitra eto an-tany isika; fa ilay tanàna ho avy no katsahintsika. 15Koa amin’ny alalan’i Jesoa aoka hatolotsika ho sorona ho an’Andriamanitra mandrakariva ny fideràntsika Azy, dia fiderana ventesin’ny molotr’ireo olona miaiky an’Andriamanitra ho Tompo. 16Aza hadinoina ny fanaovan-tsoa sy ny fifanampiana, fa sorona toy izany no sitrak’Andriamanitra.

vendredi 26 février 2021

Zoma 26 Febroary 2021 - Jao 8 : 25 - 30

 25Dia hoy ireo taminy:

–Iza moa Ianao?

Ka novalian’i Jesoa hoe:

–Ilay lazaiko aminareo indrindra! 26Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana ny aminareo Aho; fa azo antoka Ilay naniraka Ahy, ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao.

27Saingy tsy fantatr’ireo fa ny Ray no voalazany taminy. 28Ka hoy i Jesoa taminy:

–Rehefa voasandratrareo ny Zanak’olona, dia ho fantatrareo fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay»; sady tsy manao na inona na inona avy amin’ny tenako aho, fa izay nampianarin’ny Ray Ahy no lazaiko. 29Ary Ilay naniraka Ahy dia miaraka amiko; fa tsy avelany ho irery Aho, satria manao izay mahafaly Azy lalandava!

30Tamin’i Jesoa niteny izany, dia maro no nino Azy.

jeudi 25 février 2021

Alakamisy 25 Febroary 2021 - II Tan 17 : 1 - 13

 1I Jôsafata, zanakalahin’i Asà, no nanjaka nandimby azy; ary nitombo hery teo anoloan’ny fanjakàn’i Israely izy. 2Nametrahany miaramila tamin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda ary koa toby miaramila tao amin’ny tanin’i Joda sy tamin’ireo tanàna efraimita efa azon’i Asà rainy. 3Niaraka tamin’i Jôsafata ny TOMPO, satria nanaraka ny toetran’i Davida razany fahiny izy fa tsy mba nitady ireo andriamanitra Bahala. 4Nitady ny Andriamanitry ny razany kosa izy, ka nizotra araka ny didiny fa tsy araka ny fanaon’ny Israelita tavaratra. 5Koa nohamafisin’ny TOMPO ny fahefàm-panjakana teo an-tanany; ary dia nitondra fanomezana ho an’i Jôsafata ny Jodeanina rehetra, hany ka nanan-karena sy voninahitra be izy. 6Nandroso tamin’ny sori-dalan’ny TOMPO tokoa ny fony, hany ka nofoanany tsy ho eo amin’ny fanjakàn’i Joda ny toeram-panasinana sy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà.

7Tamin’ny taona fahatelo nanjakàn’i Jôsafata dia nisy manampahefana nirahiny mba hampianatra tany amin’ny tanànan’i Joda, dia i Beny-Haîla sy i Hôbadià, i Zakarià sy i Natanaela ary i Mikaià. 8Nisy koa levita niaraka tamin’ireo, dia i Semahià sy i Netanià, i Zebadià sy i Hasahela, i Semiramôta sy i Jônatàna ary i Adônià sy i Tôbià; ary tafaraka taminy koa i Elisamà sy i Jôrama mpisorona. 9Nampianatra eran’i Joda ireo; fa sady nitondra ny bokin’ny lalànan’ny TOMPO izy no nitety ny tanàna rehetra tany Joda, ka nampianatra ny olona.

Ny hery amam-pahefàn’i Jôsafata

10Nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda ny tahotra ny TOMPO, hany ka tsy nisy sahy niady tamin’i Jôsafata ireo. 11Nisy aza Filistinina sasany nitondra fanomezana sy volafotsy hetra ho an’i Jôsafata; ary nisy koa Arabo nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy 7 700 sy osilahy 7 700.

12Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda. 13Nanana tahirim-bokatra betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy, ary koa miaramila maherifo tao Jerosalema.

mercredi 24 février 2021

Alarobia 24 Febroary 2021 - Mat 13 : 47 - 52

 47–Ary izao koa: ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka anaty ranomasina ka nanangona izao karazan-trondro rehetra izao. 48Rehefa feno ny harato, dia notarihina ho eny amoron-drano; ary nipetraka ny mpanarato nifantina ny tsara hataony an-karona, fa ny ratsy kosa nariany. 49Dia tahaka izany no hatao amin’ny fiafaran’izao tontolo izao; ho tonga ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny olo-marina, 50ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any ireo no hitomany sy hikotro-nify.

Zava-baovao sy tranainy

51Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

–Efa fantatrareo ve izany rehetra izany?

Ka novalian’ireo hoe:

–Eny, efa fantatray!

52Dia hoy indray i Jesoa taminy:

–Koa amin’izany àry, ny mpahay lalàna rehetra izay nanjary mpianatra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny tompon-drakitra izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny tahirin-drakiny.

mardi 23 février 2021

Talata 23 Febroary 2021 - Neh 9 : 1 - 8

 1Ny andro faha-24 tamin’izany volana izany ihany, dia nivory hifady hanina ny Israelita ka samy nitondra akanjo malailay sy nanosim-bovoka ny lohany. 2Niavaka tamin’ny olona rehetra hafa firenena ry zareo ka naka toerana mba hiaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany. 3Ary nitsangana teo amin’ny toerany avy izy, dia novakîna nandritra ny adiny telo ny teny tao amin’ny boky mirakitra ny lalànan’ny TOMPO Andriamaniny; nandritra ny adiny telo manaraka kosa dia niaiky heloka ireo sy niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO Andriamaniny.

4Ry i Jesoa sy i Binoy, i Kadmiela sy i Sebanià, i Bony sy Serebià, ary i Banỳ sy i Kenany dia nitsangana teo ambonin’ny lampihazo natokana ho an’ny levita ka nitaraina mafy tamin’ny TOMPO Andriamaniny. 5Avy eo ry i Jesoa sy i Kadmiela, i Banỳ sy i Hasabneià, i Serebià sy i Hôdià, ary i Sebanià sy i Petahià, izay samy levita, dia niteny hoe:

–Mitsangàna ka ankalazao ny TOMPO, ilay Andriamanitrareo hatrizay ka ho mandrakizay!

«Hankalazaina anie, TOMPO ô, ny anaranao malaza

izay ambonin’ny fisaorana sy fiderana rehetra!

6Ianao irery ihany no TOMPO;

Ianao no nanao ny habakabaka midadasika

mbamin’ny kintana rehetra

ny tany sy izay rehetra eo aminy,

ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy;

Ianao no mamelona ny voaary rehetra,

ka iankohofan’ny tafiky ny lanitra.

7Ianao no TOMPO Andriamanitra,

Izay nifidy an’i Abrama

ka nampiala azy tao Ora any Kaldea

sy nanome anarana azy hoe Abrahama.

8Fo mahatoky anao no hitanao taminy,

ka nanaovanao fanekempihavanana izy

fa homenao ho azy sy ho an’ny taranany

ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hitita, ary ny Amôrita

mbamin’ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita;

ary efa notanterahinao ny teninao,

satria marina Ianao.

lundi 22 février 2021

Alatsinainy 22 Febroary 2021 - I Pet 1 : 17 - 25

 17Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan’olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany. 18Fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondrantena tsy mahasoa nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba tahaka ny volafotsy na ny volamena; 19ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina. 20I Kristy dia efa voatendrin’Andriamanitra rahateo talohan’ny nahariana izao tontolo izao, saingy tamin’izao andro farany izao vao naseho noho ny aminareo; 21Izy no mahatonga anareo hino an’Andriamanitra, Ilay nanangana Azy ho velona avy any amin’ny maty sy nanome voninahitra Azy, mba hifantohan’ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’Andriamanitra.

22Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa. 23Nateraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety lo, fa tamin’ny voa tsy mety lo: dia ny tenin’Andriamanitra, izay teny velona sady maharitra. 24Fa hoy ny Soratra Masina:

«Ny olombelona rehetra dia tahaka ny ahitra ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra:

malazo ny ahitra, dia mihintsana ny voniny. 25Fa ny tenin’ny Tompo no maharitra mandrakizay.» Ary izany teny izany dia ny Vaovao Mahafaly notorîna taminareo.

dimanche 21 février 2021

Alahady 21 Febroary 2021 - I Tes 2 : 13 - 16

 13Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an’Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra notorînay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin’Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino. 14Ianareo, ry havana, dia efa tahaka ny kristianina ao amin’ireo Fiangonan’Andriamanitra any Jodea, izay tafaray amin’i Kristy Jesoa; izay nanjo anareo tamin’ny nafitsoky ny mpiray firenena aminareo no nanjo azy ireo koa tamin’ny nafitsoky ny Jiosy. 15Namono nahafaty an’i Jesoa Tompo sy ny mpaminany ry zareo Jiosy sady nanenjika anay; ka tsy mahazo sitraka amin’Andriamanitra ireo sady fahavalon’ny olona rehetra. 16Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin’ny hafa firenena ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran’ny fahotana vitan’ny Jiosy, kanjo, tamin’ny farany, dia niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ireo.

samedi 20 février 2021

Sabotsy 20 Febroary 2021 - Neh 8 : 1 - 8

 1-2Dia nivory toy ny olona iray ihany; teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano no nivoriany tamin’ny andro voalohan’io volana io. Nasain’ny vahoaka nalain’i Hezrà mpahay Lalàna ny bokin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nandidian’ny TOMPO an’ireo Israelita. Dia nentin’i Hezrà mpisorona izany ho eo anatrehan’ny Fiangonana izay nahitana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra efa mahahaino. 3Nanomboka ny maraina ka mandra-pahatongan’ny mitataovovonana, dia teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano i Hezrà ka namaky ny boky; ary nampandry sofina hihaino izany avokoa ny olona.

4Teo ambony lampihazo vao narafitra ho an’io fotoana io no nitsanganan’i Hezrà mpahay lalàna. Ary nitsangana teo anilany ankavanana ry i Matitià sy i Sema, i Hanaià sy i Orià ary i Hilkià sy i Mahaseià; teo ankaviany kosa ry i Pedaià sy i Misaela, i Malkià sy i Hasoma, i Hasbadanà sy i Zakarià ary i Mesolama. 5Dia nanokatra ny boky teo imason’ny vahoaka rehetra i Hezrà, satria ambony toerana noho ny daholobe; ka rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny vahoaka rehetra. 6Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezrà; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: «Amen!» Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan’ny TOMPO. 7Dia nitsangana indray ny olona ka samy nijanona teo amin’ny toerany avy. Ary ny levita, ry i Jesoa sy i Banỳ, i Serebià sy i Jamina, i Hakoba sy i Sabetahy, i Hôdià sy i Mahaseià, i Kelità sy i Hazarià, i Jôzabada sy i Hanàna ary i Pelaià, dia nampianatra ny vahoaka ny lalàna. 8Novakîn’ireo levita ireo mazava ny boky mirakitra ny lalànan’Andriamanitra sady novoasany koa ny heviny, ka azo tsara ny teny novakîna.

vendredi 19 février 2021

Zoma 19 Febroary 2021 - I Jao 2 : 14 - 17

 14Izao no voasoratro ho anareo ankizy: «Efa nahalala ny Ray ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin’ny voalohany ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo zatovo: «Mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo!»

15Aza mankamamy an’izao tontolo izao, na ny zavatra izay ao amin’izao tontolo izao. Raha misy olona mankamamy an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatin’izany olona izany ny fitiavana ny Ray. 16Satria ny zavatra rehetra izay ao amin’izao tontolo izao, izany hoe ny filàndratsin’ny maha olona mpanota sy ny fitsiriritan-javatra hitan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao. 17Mandalo izao tontolo izao sy ny filàndratsy itaomany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

jeudi 18 février 2021

Alakamisy 18 Febroary 2021 - Heb 6 : 13 - 20

 13Ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama dia nombàm-pianianana. Ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany hianianan’Andriamanitra, dia nianiana tamin’ny tenany Izy 14ka nanao hoe: «Homba fitahiana anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro fara sy dimby anao.» 15Nanam-paharetana i Abrahama ka, araka izany, dia nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra azy. 16Raha mianiana ny olona, dia manao izany amin’ny anaran’izay lehibe noho ny tenany, ka ny fianianana no ho antoka mafy fa hitsahatra hatreo ny fifandirana. 17Sitrak’Andriamanitra hiharihary tsara kokoa tamin’ireto natao handova ny soa nampanantenainy, fa tsy miova ny fikasany; ka dia notovonany fianianana ny fampanantenana nataony: 18ireo zavatra anankiroa ireo dia tsy azo ovàna sady tsy hain’Andriamanitra andaingana. Noho izany, isika izay mitady fiarovana ao amin’Andriamanitra dia mahazo fampirisihana mafy hitana tsara ny fanantenana natolotra antsika. 19Toy ny vatofantsiky ny aintsika izany fanantenana izany ho antsika, fanantenana azo antoka sy mafy ary mamaky ny efitra lamban’ilay tempoly any an-danitra ka miditra hatrany anatin’ny Toeramasina Indrindra. 20Ao i Jesoa no tafiditra nialoha antsika mba ho fanasoavana antsika, rehefa tonga Mpisorombe mandrakizay araka ny fomban’i Melkitsedeka.

mercredi 17 février 2021

Alarobia 17 Febroary 2021 - Jao 8 : 39 - 47

 39Dia niteny tamin’i Jesoa ry zareo nanao hoe:

–I Abrahama no rainay!

Fa hoy i Jesoa taminy:

–Raha tena zanak’i Abrahama ianareo, dia ho nanao ireo asan’i Abrahama. 40Nefa ankehitriny tadiavianareo hovonoina Aho, dia Izaho nilaza taminareo ny marina izay efa reko tamin’Andriamanitra: tsy mba nanao izany i Abrahama! 41Fa ianareo kosa dia ny asan’ny rainareo no ataonareo.

Dia hoy ireo taminy:

–Tsy zaza sary izahay no nateraka; tokana ihany ny rainay, dia Andriamanitra.

42I Jesoa kosa nanao taminy hoe:

–Raha Andriamanitra no tena Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; tsy avy amin’ny tenako no nahatongavako, fa Izy no naniraka Ahy. 43Ahoana no tsy ahazoanareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin’ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin’ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain’ny mpandainga. 45Fa Izaho kosa tsy inoanareo, satria ny marina no lazaiko. 46Iza moa aminareo no afaka hanaporofo fa nanota Aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy 47Izay avy amin’Andriamanitra no mihaino ny tenin’Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin’Andriamanitra ianareo!

mardi 16 février 2021

Talata 16 Febroary 2021 - II Tan 34 : 29 - 33

 29Ary nandefa iraka i Jôsià hanainga tsy an-kanavaka ny loholon’i Joda sy i Jerosalema mba ho vory. 30Dia niaraka nankao an-tranon’ny TOMPO ireo mbamin’ny lehilahy rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, izany hoe ny mpisorona sy ny levita ary ny sarambabem-bahoaka rehetra na kely na lehibe. Novakin’i Jôsià teo anatrehan’ny besinimaro ny teny rehetra tao anatin’ny bokin’ny fanekempihavanana, dia ilay boky izay hita tao an-tranon’ny TOMPO. 31Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandrina ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io. 32Avy eo dia nasainy nanome toky ny olona rehetra izay tao Jerosalema mbamin’ny Benjaminita. Izany no nahatonga ny mponin’i Jerosalema hitondra tena araka ny fanekempihavanana nataon’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny razany. 33Taorian’izay dia nofoanan’i Jôsià avokoa ny fombam-tsampy maharikoriko tamin’ny tany manontolo izay an’ny Israelita sady notereny ny mponina rehetra teo amin’i Israely mba hanompo ny TOMPO Andriamaniny. Tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôsià dia tsy mba nialan’ny olona ilay TOMPO Andriamanitry ny razany.

lundi 15 février 2021

Alatsinainy 15 Febroary 2021 - Sal 119 : 161 - 168

 161Enjehin’andriana tsy amin’antony aho;

ny teninao ihany no atahoran’ny foko.

162Ny hafatrao no mahafaly ahy

tahaka ny mahazo remby sesehena.

163Hàlako ary maharikoriko ahy ny fitaka,

fa ny lalànanao no ankamamîko.

164Impito isan’andro no iderako Anao

noho ny fitsipikao ara-drariny.

165Fiadanam-be ny an’izay mankamamy ny lalànanao,

ary tsy misy zavatra mahasolafaka azy.

166Ny famonjenao, TOMPO ô, no antenaiko

ka ny didinao no tanterahiko.

167Ny baikonao dia tandremako,

satria ankamamîko aoka izany.

168Eny, voatandriko ny fepetra amam-baikonao;

eo anoloanao ny làlan-kalehako rehetra.

dimanche 14 février 2021

Alahady 14 Febroary 2021 - Jao 6 : 60 - 71

 60Koa maro tamin’ny mpianatr’i Jesoa, rehefa avy nandre Azy no nilaza hoe:

–Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?

61Fantatr’i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona ny mpianany noho izany teny izany, ka hoy Izy taminy:

–Misakana anareo tsy hino Ahy ve izany? 62Ahoana ianareo raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha? 63Ny Fanahy Masina no mamelona aina; raha ny maha olombelona fotsiny dia tsy mahasoa akory. Ireo teny izay nolazaiko taminareo no mahatonga anareo handray ny Fanahy Masina mamelona aina, 64kanefa misy tsy mino aminareo. (Fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany manko ireo tsy mino sy ilay hanolotra Azy.)

65Ary hoy i Jesoa:

–Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany!

66Nanomboka tamin’io fotoana io dia maro tamin’ny mpianatr’i Jesoa no nihemotra, ka tsy niara-dia taminy intsony. 67Ka hoy i Jesoa tamin’ny 12 lahy:

–Ianareo koa ve mba te hiala?

68Dia novalian’i Simôna Petera hoe:

–Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny manome ny aina maharitra mandrakizay; 69sady izahay efa mino sy mahalala fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra!

70Fa hoy i Jesoa tamin’ny 12 lahy:

–Tsy Izaho ve no nifidy anareo 12 lahy? Kanefa devoly ny anankiray aminareo!

71Ny nolazainy dia i Jodasy, zanakalahin’i Simôna Iskariôta; izy io manko, na dia anisan’ny 12 lahy aza, no ilay efa hanolotra an’i Jesoa.

samedi 13 février 2021

Sabotsy 13 Febroary 2021 - II Tim 3 : 14 - 17

 14Ianao kosa, mahareta tsara amin’izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany. 15Hatramin’ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an’i Kristy Jesoa. 16Ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny, 17mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tsara ofana sy ary fitaovana hanao asa soa isan-karazany.

vendredi 12 février 2021

Zoma 12 Febroary 2021 - Asa 18 : 23 - 28

 23Rehefa avy nijanona kelikely tao izy, dia lasa indray nitety mifanesy ny faritany Galatia sy Frijia, ka nampahery ny mpianatra rehetra.

24Tonga tao Efeso ity Jiosy atao hoe Apôlao, teraka tany Aleksandria, lehilahy mpandaha-teny mahay sady nahalala tsara dia tsara ny Soratra Masina. 25Efa nianatra ny lalana nosoritan’ny Tompo izy ary nafana fo nanambara sy nampianatra mazava tsara momba an’i Jesoa, saingy ny batisan’i Jôhany no hany fantany. 26Niteny tamim-pahasahiana tao amin’ny sinagôga i Apôlao; ary nony nandre azy i Prisila sy i Akoilà, dia naka azy ho any aminy ka nanazava marina kokoa taminy momba ny lalana nosoritan’Andriamanitra. 27Avy eo dia nanam-paniriana ho any Akaîa i Apôlao; ka nampirisika azy ny havana iray finoana sady nanoratra taratasy ho an’ny mpianatra amin’io faritany io mba handraisany azy tsara. Nony tafapaka tany i Apôlao, dia nanampy tokoa ireo olona efa niasan’ny fahasoavan’Andriamanitra ka tonga mpino; 28teny feno hery tokoa no nandreseny lahatra ny Jiosy ampahibemaso ka nanaporofoany tamin’ny alalan’ny Soratra Masina fa i Jesoa no ilay Mesia.

jeudi 11 février 2021

Alakamisy 11 Febroary 2021 - Rom 4 : 13 - 25

 13Nampanantenain’Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany. Tsy noho izy ireo nandala lalàna, fa noho izy ireo nino ka neken’Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany. 14Raha ny fanatanterahana ny lalàna no nahatonga azy ireo ho mpandova, dia ho poaka àty ny finoana ary ho foana ny fampanantenana. 15Fa mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra ny lalàna; ka raha tsy misy ny lalàna, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalàna.

16Noho izany, dia avy amin’ny finoana no ahazoana ny fampanantenana, hany ka fanomezana azo antoka ho an’ny taranak’i Abrahama rehetra: tsy ho an’izay mandala ny lalàna ihany, fa ho an’izay mino tahaka ny nataon’i Abrahama koa. Fa raintsika rehetra i Abrahama, 17araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho.» Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan’ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy. 18Nanantena i Abrahama na dia tsy nisy hanantenany aza, ary dia nino fa ho tonga «raim-pirenena» maro, araka ny voalazan’Andriamanitra taminy hoe: «Ho tahaka izany ny taranakao.» 19Tsy nalemy finoana i Abrahama raha nandinika ny tenany izay naman’ny maty, fa efa tokony ho zato taona izy tamin’izay, ary koa raha nandinika an’i Sarà vadiny, izay tsy afa-niteraka intsony. 20Tsy very finoana ny amin’ny fampanantenana izay nataon’Andriamanitra i Abrahama, fa vao mainka aza nankahery azy ny finoany; ka dia nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, 21sady natoky mihitsy fa izay nampanantenain’Andriamanitra dia hain’Andriamanitra tanterahina. 22Izany no «nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina.» 23Tsy ho an’i Abrahama ihany anefa ilay voasoratra hoe «nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina», 24fa ho antsika koa, dia isika mino Ilay nanangana an’i Jesoa Tompontsika ho velona avy tany amin’ny maty. 25Fa natolotra ho faty noho ny fahotantsika i Jesoa ary natsangana ho velona mba hahatonga antsika ho olo-marina eo imason’Andriamanitra.

mercredi 10 février 2021

Alarobia 10 Febroary 2021 - Asa 13 : 42 - 52

 42Nony tafavoaka ny sinagôga i Paoly sy i Barnabà, dia nangatahin’ny olona hiverina indray rehetra miherina ny sabata hilazalaza ny amin’izany zavatra izany. 43Tamin’ny firavàn’ny mpiangona, dia maro ny Jiosy mbamin’ny hafa firenena mpanaja an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabà; ary izy roa lahy kosa niteny taminy ka nampirisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.

44Ary tamin’ny sabata herin’io, dia saika tafangona avokoa ny mponina rehetra ao an-tanàna mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. 45Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan’i Paoly no nanevateva azy. 46Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe:

–Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin’ny hafa firenena izahay. 47Fa izao no nandidian’ny Tompo anay:

«Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao,

mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran’ny tany!»

48Nandre izany ny hafa firenena ka faly sady nanome voninahitra ny tenin’ny Tompo; ary izay rehetra voalahatra hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay dia tonga mpino.

49Dia niely manerana izany faritany izany ny tenin’ny Tompo. 50Nomen’ny Jiosy fo anefa ireo vehivavy mpanaja an’Andriamanitra sady ambony toerana ary koa ireo lehibe tao an-tanàna; dia nahatonga fanenjehana an’i Paoly sy i Barnabà ry zareo ka nandroaka azy roa lahy hiala tamin’ny faritany. 51Nahintsan’i Paoly sy i Barnabà ny vovoka teny amin’ny tongony ho fiampangana azy ireo, dia lasa izy roa lahy nankany Ikôniôma. 52Ary heni-kafaliana sy feno Fanahy Masina ny mpianatra tao Antiôkia.

mardi 9 février 2021

Talata 09 Febroary 2021 - Lio 5 : 1 - 11

 1Indray andro i Jesoa, raha ilay nijanona teo amoron’ny farihin’i Genesareta iny, dia nitangoronan’ny vahoaka te hihaino ny tenin’Andriamanitra. 2Hitany fa nisy sambokely roa niantsona teo amoron-drano fa nidina nanasa harato ny mpanarato. 3Dia niakaran’i Jesoa ny sambokely anankiray izay an’i Simôna, ka niangavian’i Jesoa i Simôna hihataka kely amin’ny tany. Ary teo an-tsambokely Izy no nipetraka hampianatra ny vahoaka.

4Nony nitsaha-niteny i Jesoa, dia nanao tamin’i Simôna hoe:

–Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana trondro.

5Fa novalian’i Simôna hoe:

–Mpampianatra ô, niasa mafy izahay halina tontolo, saingy tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny baikonao, dia halatsako ihany ny harato.

6Vao nandatsaka ny harato izy ireo, dia nahazo trondro be tokoa ary saika rovitra ny harato. 7Koa nohatsihin’izy iray tarika mba ho avy hanampy azy ny namany izay teny amin’ny sambokely hafa. Dia avy ireo, ka samy feno safomorona saika hilentika ny sambokely anankiroa. 8Raha nahita izany i Simôna Petera, dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa nanao hoe:

–Tompo ô, halaviro aho fa mpanota!

9Taitra loatra manko izy mbamin’ireo niaraka taminy noho ny haben’ny trondro azony. 10Toa izany koa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin’i Zebedeo izay niombona asa tamin’i Simôna. Ary hoy i Jesoa tamin’i Simôna:

–Aoka izay ny tahotra; manomboka izao dia olona kosa no halainao!

11Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety i Simôna sy ny namany, dia nandao ny zavatra rehetra ka lasa niaraka tamin’i Jesoa.

lundi 8 février 2021

Alatsinainy 08 Febroary 2021 - Asa 17 : 10 - 15

 10Nony alina ny andro, dia nasain’ny havana iray finoana hiainga ho any Berea i Paoly sy i Silasy. Nony tonga tany izy roa lahy, dia nankany amin’ny sinagôga fivavahan’ny Jiosy. 11Tsara toe-po amam-panahy kokoa ireto Jiosy ireto noho ny tany Tesalônika sady nazoto tokoa nandray ny tenin’Andriamanitra. Nodinihin-dry zareo isan’andro ny Soratra Masina hanamarinany izay lazain’i Paoly. 12Koa maro tamin’ireo Jiosy no nino; ary, tamin’ireo Grika, dia tsy vitsy ny vehivavy ambony toerana sy ny vadiny no nino. 13Kanefa nony fantatry ny Jiosy tany Tesalônika fa nitorian’i Paoly ny tenin’Andriamanitra koa tao Berea, dia nankany ry zareo nampitabataba sy nampisahotaka ny vahoaka. 14Niaraka tamin’izay dia nasain’ny havana iray finoana nankany amoron-dranomasina i Paoly fa i Silasy mbamin’i Timôty kosa no mbola nijanona tao Berea. 15Ireo nanatitra an’i Paoly dia nitondra azy hatrany Atena. Ary dia niverina tany Berea indray izy ireo nitondra hafatra ho an’i Silasy mbamin’i Timôty; fa niangavian’i Paoly izy roa lahy mba hamonjy azy faran’izay haingana any Atena.

samedi 6 février 2021

Sabotsy 06 Febroary 2021 - I Tim 4 : 4 - 16

 4Fa tsara avokoa izay noarîn’Andriamanitra, ka tsy misy tokony holavina fa horaisina amim-pisaorana an’Andriamanitra; 5satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany.

6Raha izany torohevitra izany no arosonao ny havana iray finoana, dia ho mpanompo tsaran’i Kristy Jesoa ianao, ka hiharihary fa mivelona amin’ireo teny momba ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao ianao. 7Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. 8Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy. 9Azo antoka izany teny izany, ka mendrika hankatoavina tanteraka. 10Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino.

11Anafatrafaro sady ampianaro izany zavatra izany. 12Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny maha tanora anao, fa aoka ianao ho ohatra ho an’ny mpino amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.

13Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina sy mampirisika ary mampianatra. 14Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr’Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona. 15Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’ireo adidy ireo; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

jeudi 4 février 2021

Zoma 05 Febroary 2021 - I Mpa 17 : 7 - 16

 7Fa nony afaka kelikely dia ritra ilay riaka, satria tsy nisy orana nilatsaka tamin’ny tany. 8Dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Elià nanao hoe:

9–Miaingà ka mankanesa any Tsarefata akaikin’i Tsidôna ary mitoera any; fa misy vehivavy mpitondratena any, izay efa nomeko baiko mba hamatsy hanina anao.

10Dia lasa nankany Tsarefata i Elià. Ary rehefa tonga teo am-bavahadin’ny tanàna izy, dia nahita vehivavy mpitondratena mifako kitay. Nantsoin’i Elià io ka nataony hoe:

–Azafady mba itondray rano kely amin’ny zinganao aho hosotroiko.

11Dia lasa naka ravehivavy, nefa mbola nantsoin’i Elià indray izy nataony hoe:

–Azafady, mba itondray mofo ihany koa aho.

12Fa hoy ravehivavy namaly:

–Velona ny TOMPO Andriamanitrao, koa mianiana aho fa tsy manana mofo mihitsy; ny sisa ananako dia lafarinina eran’ny tanan’ila ao anaty tsatokaty sy menaka kely amin’ny tavoara. Koa rehefa avy maka kitay aho, dia hody hikarakara an’ireo mba ho ahy sy ho an’ny zanako lahy; dia hohaninay izany, ary hiandry ny hahafatesanay izahay.

13Fa hoy i Elià taminy:

–Aza matahotra! Modia ary manaova araka izany voalazanao izany; nefa anaovy mofo kely aho aloha ka ento atỳ amiko, dia izay ianao vao manao ho anao sy ho an’ny zanakao lahy. 14Fa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Tsy ho lany ny lafarinina ao amin’ny tsatokaty, ary tsy ho ritra ny menaka ao amin’ny tavoara mandra-pigadon’ny andro handatsahan’ny TOMPO ranonorana amin’ny tany.»

15Dia lasa ravehivavy ka nanao araka izay nolazain’i Elià taminy; ary dia nanan-kohanina nandritra ny fotoana elaela izy telo mianaka, dia ravehivavy sy ny zanany ary ilay mpaminany. 16Tsy lany anefa ny lafarinina tao amin’ny tsatokaty ary tsy ritra ihany koa ny menaka tao amin’ny tavoara, araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Elià.

Alakamisy 04 Febroary 2021 - Jos 1 : 1 - 9

 1Taorian’ny nahafatesan’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO, dia nitenenan’ny TOMPO i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanampy an’i Mosesy nataony hoe:

2–Efa maty i Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna ankehitriny ianao sy ireto vahoaka rehetra ireto ka mità ity renirano Jôrdàna ity mba hiditra ao amin’ny tany izay omeko ny Israelita. 3Araka izay efa nampanantenaiko an’i Mosesy, dia omeko anareo ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo. 4Ny taninareo dia manomboka eo amin’ny taniefitra any atsimo ka mipaka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Libano any avaratra; ary manomboka eo amin’ny ony Eofrata any atsinanana, dia mamakivaky ny tanin’ny Hetita, ka mipaka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana. 5Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an’i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana. 6Aoka ho sahy sy hahery ianao, fa ianao no hitarika ireto vahoaka ireto handova ny tany izay nianianako tamin’ny razambeny fa homeko azy. 7Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalàna manontolo izay nampitain’i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin’izay rehetra ataonao. 8Aoka ianao hahavatra mamaky ity bokin’ny lalàna ity ary handinika azy andro aman’alina mba himasoanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra anatiny. Amin’izay dia ho tontosanao tsara ny fikasanao rehetra ary hahomby ianao. 9Moa tsy efa nandidy anao ve Aho mba ho sahy sy hahery? Koa aza matahotra na mivadi-po fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no homba anao amin’izay rehetra alehanao.

mercredi 3 février 2021

Alarobia 03 Febroary 2021 - Deo 6 : 1 - 9

 1Izao no didy sy lalàna amam-pitsipika, nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo hampianarina hotanterahinareo any amin’ny tany izay hiampitanareo mba halainareo ho fananana. 2Ny tanjona kendrena, ho an’ny andro rehetra iainanareo, dia ny hanajanareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka hitandremanareo ny lalànany sy didiny rehetra izay ampitaiko aminareo sy amin’ny taranakareo mba ho maro andro ianareo. 3Henoy izany, ry vahoaka Israely, ary imasoy ny hanatanteraka azy, mba ho sambatra sy hitombo isa ianareo any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.

4«Mihainoa, ry vahoaka Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana. 5Koa tiavo ny TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny herinao manontolo. 6Aoka haraikitrao ao am-ponao izao didy ampitaiko anao anio izao. 7Dia ampianaro tsara ny zanakao izany; ary resaho na mipetraka ao an-tranonao ianao na mandeha eny an-dalana, na mandry ianao na mifoha. 8Mba ho fampahatsiahivana anao, dia ataovy amin’ny boaty famehy eny amin’ny hato-tananao na eny an-kandrinao ireny, 9ary soraty eo amin’ny tolàm-baravaran’ny tranonao na eo amin’ny vavahadin’ny tanànanao.»

mardi 2 février 2021

Talata 02 Febroary 2021 - Heb 4 : 1 - 13

 1Mbola namelan’Andriamanitra fampanantenana isika fa hiditra ao amin’ny toeram-pitsaharana voaomany ho antsika; koa mitandrema isika mba tsy hisy aminareo tsy ho tody amin’izany. 2Efa nitoriana ny Vaovao Mahafaly isika, tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny. Ren’ireo ny hafatra, nefa tsy nahasoa azy, satria tsy mba anisan’izay nihaino izany tamim-pinoana ireo. 3Fa isika mpino kosa dia hiditra any amin’izany toeram-pitsaharana izany, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe:

«Tezitra aho, ka nianiana hoe:

Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo.»

Izany no teny nataon’Andriamanitra na dia efa vitany tamin’ny nahariany an’izao tontolo izao aza ny asany. 4Fa misy teny anankiray izay, ao amin’ny Soratra Masina, milaza ny andro fahafito manao hoe: «Dia nitsahatra tamin’ny asany rehetra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito.» 5Ary eto indray dia ny hoe: «Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo.» 6Noho izany, ireo voalohany nandre ny Vaovao Mahafaly dia tsy tafiditra tao amin’izany toeram-pitsaharana izany, satria tsy nanaiky; fa mbola mahazo miditra ihany ny sasany. 7Koa nametra andro anankiray indray Andriamanitra, andro anankiray antsoiny hoe «anio». Izany kosa dia nolazainy tatỳ aoriana elabe, tamin’ny alalan’i Davida, ao amin’ny andinin-tSoratra Masina voatonona teo hoe:

«Anio, raha renareo ny feon’Andriamanitra

dia aza hamafisina ny fonareo.»

8Raha tàhiny efa vitan’i Josoa ny fanomezana fitsaharana ny vahoaka, dia tsy ho nilaza andro hafa indray Andriamanitra tatỳ aoriana. 9Koa dia mbola misy fitsaharana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, amin’ny andro fahafito. 10Fa izay tafiditra ao amin’ny fitsaharana voaoman’Andriamanitra, dia mitsahatra amin’ny asany tahaka ny nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny Azy. 11Koa aoka isika hazoto hiditra ao amin’izany fitsaharana izany, mba tsy hisy amintsika ho voan’ny tsy fanekena tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny.

12Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela ka maninteraka hatrany amin’ny fihaonan’ny aina sy ny fanahy ary hatrany amin’ny fihaonan’ny famavàny sy ny tsoka; hainy tsaraina ny eritreritra amam-pisainan’ny fon’ny olona. 13Tsy misy zavaboaary miafina amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin’izay ataontsika.

lundi 1 février 2021

Alatsinainy 01 Febroary 2021 - Sal 18 : 28 - 36

 28Ianao mihitsy no mamonjy ny vahoaka ory,

fa mampitanondrika an’ireo mpiavonavona.

29TOMPO Andriamanitro ô,

jiro mirehitra ho ahy Ianao

ka manazava izany haiziko.

30Noho Ianao Andriamanitro,

na hady aza itsambikinako,

na manda aza ihoarako.

31Mpitarika tonga lafatra Andriamanitra;

azo antoka ny torohevitra omen’ny TOMPO.

Toy ny ampinga fiarovana Izy

ho an’izay rehetra mialoka aminy.

32Fa iza moa no Andriamanitra

afa-tsy ny TOMPO ihany?

Ary iza no vatolampy ho anay

afa-tsy ilay Andriamanitray?

33Izy no manome hery ahy

sy mampahomby izay ataoko;

34ataony kinga toy ny gazela aho

ary ajorony amin’ny toerana avo;

35Izy no manofana ahy ho havanana amin’ny ady

ka ahaizako manenjana tsipîka varahina.

36Ny tananao ankavanana

no manohana ahy, Tompo ô;

toy ny ampingako Ianao

ka miaro sy mamonjy ahy;

mamaly ny antsoko Ianao

ary koa manandratra ahy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12