jeudi 30 juin 2016

Alakamisy 30 Jona 2016 - Apo 3 : 14 - 22

14–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Laôdisia:
«Izao no lazain'ny Amen*, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'ny zavaboaarin'Andriamanitra: 15Fantatro ny asanao; fantatro fa tsy mangatsiaka tsy mafana ianao; satriko ianao mangatsiaka na mafana. 16Saingy noho ianao matimaty ka tsy mafana tsy mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao! 17Hoy ianao hoe: manan-karena sy efa nihary fananam-be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mampalahelo, mahantra sy jamba ary mitanjaka. 18Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan'ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao. 19Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao. 20Indro mijoro eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy olona mihaino ny feoko sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiara-misakafo amiko.

21«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.

22«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

mercredi 29 juin 2016

Alarobia 29 Jona 2016 - Sal 74 : 18 - 23

18TOMPO ô, izao no mba tsarovy:
miteny ratsy Anao ny fahavalo,
manamavo Anao io firenena adala io.
19Aza atolotra an'ireo bibidia ireo
ny ain'ilay domohina malalanao;
aza hadinoina na oviana na oviana
ny fiainan'ireo olo-mahantranao.
20Hevero ny fanekempihavanana* nataonao,
satria feno olona iharan'ny herisetra
ireo fiafenana rehetra ato amin'ny tany.
21Aza avela hiverina amin-kenatra izay nampahorîna;
aoka kosa ny mahantra sy ny malahelo hidera Anao!
22Andriamanitra ô, mirotsaha an-tsehatra
hiandraikitra ny adinao;
tsarovy fa ireo adala ireo
dia miteny ratsy Anao isan'andro.
23Aza hadinoina ny tabataban'ireo mpandrafy Anao,
dia ny horakoraka izay ataon'ireo mpanohitra Anao
ka tsy mitsahatra miakatra any aminao.

mardi 28 juin 2016

Talata 28 Jona 2016 - Mat 17 : 14 - 20

14Nony tafaverina teo amin'ny vahoaka ry i Jesoa efa-mianaka, dia nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesoa ary nandohalika teo anatrehany 15sady nanao hoe:
–Tompo ô, mamindrà fo amin'ny zanako lahy! Mararin'ny androbe izy ka mijaly tokoa, fa matetika mianjera any anaty afo na any anaty rano. 16Efa nentiko teo amin'ireo mpianatrao*, saingy tsy nahasitrana azy ry zareo.

17Dia hoy i Jesoa:
–Karazan'olona tsy mino sady be siasia ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!
18Dia notenenin'i Jesoa mafy ny demony ka niala tamin'ilay zaza; ary sitrana razazalahy nanomboka hatramin'io ora io.
19Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa manokana ireto mpianatra ka nanontany Azy hoe:
–Nahoana izahay no tsy naharoaka iny demony iny?
20Dia hoy i Jesoa taminy:
–Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ», dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.

lundi 27 juin 2016

Alatsinainy 27 Jona 2016 - Asa 7 : 23 - 29

23Rehefa feno efapolo taona i Mosesy, dia tapa-kevitra ny hamangy an'ireo Israelita* havany. 24Nahita Israelita anankiray nihetraketrahan'ny Ejiptianina i Mosesy ka niaro ilay nampahorîna ary namono nahafaty ilay Ejiptianina mba hamaly faty an'ilay Israelita. 25Noheverin'i Mosesy ho takatr'ireo Israelita havany fa izy no hampiasain'Andriamanitra ho famonjena azy; saingy tsy takany velively. 26Ny ampitson'iny indray, dia Israelita roa lahy niady no zava-niseho tamin'i Mosesy. Tiany hampihavanina izy roa lahy ka nanariny hoe: «Ry izy roa lahy, mpirahalahy ianareo ka nahoana no mifamely toy izao?» 27Fa natosik'ilay namely i Mosesy sady nataony hoe: «Iza no nanendry anao ho mpifehy sy ho mpitsara anay? 28Moa tianao hovonoina koa ve aho tahaka ny namonoanao an'ilay Ejiptianina omaly?» 29Vao nandre izany teny izany i Mosesy, dia vaky nandositra ka nifindra monina tany Midiàna, ary nanan-janaka roa lahy tany'>.

dimanche 26 juin 2016

Alahady 26 Jona 2016 - I Sam 2 : 4 - 10

4Tapaka ny tsipîkan'ny mahery fo
fa ny osa kosa efa mihamatanjaka.
5Mikarama hahazoana mofo ireo voky taloha,
fa ny noana kosa efa manan-kohanina.
Impito niteraka ny vehivavy momba,
fa ireo mpiteraka kosa nitsaha-jaza.
6Ny TOMPO no mahafaty sy mahavelona;
mampidina ny olona any amin'ny toeran'ny maty Izy
sady manala azy avy any ihany koa.
7Ny TOMPO no mampahantra sy mampanan-karena;
mampietry ny olona Izy nefa koa manandratra azy.
8Izy no manarina ny fadiranovana hiala amin'ny vovoka
ary mampitsangana ny mahantra hiala amin'ny fako
mba hanome azy toeram-boninahitra
ka hampitoetra azy miaraka amin'ny mpitondra.
Fa an'ny TOMPO ny tany tontolo
satria Izy no nametraka azy
eo amin'ny andry fiorenany.
9Tsinjoviny ny fiainan'ireo mpivavaka aminy,
fa ny olon-dratsy kosa hovereziny any amin'ny haizina;
satria tsy amin'ny herin'ny tenany
no hahazoan'ny olona fandresena.
10Homontsanin'ny TOMPO ireo fahavalony;
fa kotrokorana avy any an-danitra*
no indro hamelezany azy ireny,
satria IZY no hitsara ny tany tontolo.
Hanome hery ny mpanjakan'ny vahoakany Izy
ary hampitombo fahefana an'ilay Mesiany.

samedi 25 juin 2016

Sabotsy 25 Jona 2016 - Rom 7 : 14 - 25

14Fantatsika tokoa fa ara-panahy ny lalàna*; izaho anefa dia miaina araka ny maha olona mpanota ahy ary namidy ho andevon'ny fahotana. 15Tsy fantatro be ihany izay ataoko: tsy izay sitrako no ataoko, fa izay hàlako no tanterahiko. 16Raha izay tsy sitrako no tanterahiko, dia miaiky ny lalàna ho tsara aho; 17kanefa tsy izaho intsony no manao ny tsy sitrako, fa ny fahotana izay monina ato anatiko. 18Satria ny tsara, fantatro fa tsy monina ato anatiko, izany hoe ao amin'ny maha olona mpanota ahy. Mba misy ato amiko ihany ny fikasana hanao ny tsara, fa ny fanatanterahana azy no tsy misy: 19satria tsy ny tsara izay sitrako no tanterahiko, fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. 20Kanefa raha ny tsy sitrako no tanterahiko, dia tsy izaho intsony no manao azy fa ny fahotana izay monina ato anatiko.

21Izao toe-javatra izao àry no tsapako: na sitrako aza ny hanao ny tsara, dia ny ratsy no mahazo laka ao amiko. 22Fa raha ny ao anatiko ao, dia mahafinaritra ahy ny lalànan'Andriamanitra; 23nefa misy toe-javatra hafa hitako ao amin'ireo zavatra anisan'ny tenako, dia toe-javatra manohitra ny lalàna ankatoavin'ny saiko sady toe-javatra mahatonga ahy ho voafatotry ny fanapahan'ny fahotana izay miasa ao amin'ireo zavatra anisan'ny tenako. 24Indrisy olona fadiranovana aho! Iza no hanafaka ahy amin'ity tenako izay mampirona ahy amin'ny fahafatesana ity? 25Kanefa isaorana Andriamanitra Izay hanafaka ahy amin'ny alalan'i Jesoa Kristy* Tompontsika!

Koa manompo ny lalànan'Andriamanitra izany aho amin'ny saiko, fa andevozin'ny fanapahan'ny fahotana kosa amin'ny maha olona mpanota ahy!

vendredi 24 juin 2016

Zoma 24 Jona 2016 - Sal 140 : 12 - 13

12Aoka ny olo-mahay vava tsy honina amin'ny tany,
ary ny olon-dozabe hoenjehin'antambo ka tsy hamelany!

13Fantatro, TOMPO ô, fa hotandrovinao ny zon'ny ory
ary hamoahanao fitsarana ara-drariny ny mahantra.

jeudi 23 juin 2016

Alakamisy 23 Jona 2016 - Lio 6 : 17 - 19

17Dia niara-nidina tamin'ny 12 lahy i Jesoa ho eny an-tany lemaka. Mpianany* maro sy vahoaka betsaka avy any JodeaJodea eto dia toa manondro an'i Palestinina manontolo.'> lafy valo sy Jerosalema ary ny morontsirak'i Tiro sy i Sidôna 18no tonga teo mba hihaino Azy sy hositraniny amin'ny aretiny; ka izay nampahorîn'ny fanahy maloto* dia sitrana. 19Ary notadiavin'ny vahoaka rehetra hokasihina i Jesoa satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.

mercredi 22 juin 2016

Alarobia 22 Jona 2016 - Isa 5 : 11 - 12

11Lozan'ireo olona mifoha maraina mba hitady toaka
sady midoroka divay mandra-paharivan'ny andro!
12Miala liana amin'ny feom-baliha sy lokanga
ombàn'ny ampongatapaka sy sodina ireo;
fa izay ataon'ny TOMPO tsy ahoany
ary ny asa vitany tsy jereny akory!

mardi 21 juin 2016

Talata 21 Jona 2016 - Sal 9 : 17 - 20

17Nampahafantatra ny tenany ny TOMPO
fony Izy namoaka ny didim-pitsarany:
ny fandrika nataon'ny olon-dratsy
no indro nahavoa azy ireo.
Fiatoana*

JODA

18Any amin'ny fonenan'ny maty
no aoka hiverenan'ny ratsy fanahy,
dia ireo tsy mpivavaka rehetra
izay mpanadino an'Andriamanitra!

KAFA

19Andriamanitra kosa tsy hanadino
na oviana na oviana ny malahelo;
ary tsy ho very mandrakizay
ny fanantenan'ireo mahantra.

20Mirotsaha an-tsehatra re, TOMPO ô,
aza avela hahery noho Ianao ny olona.
Enga anie ireo hafa firenena
hotsaraina eo anatrehanao!

lundi 20 juin 2016

Alatsinainy 20 Jona 2016 - Isa 61 : 1 - 3

1Ny Fanahin'ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko,
satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy
mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny malahelo,
hanasitrana ny olona torotoro fo,
hanambara fanafahana ho an'ireo babo
sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,
2hanambara ny taona hanehoan'ny TOMPO fanambinana
sy ny andro hanafaizan'Andriamanitra ny fahavalony
ary hitondra fampaherezana ho an'ny misaona rehetra.
3Manao fisaonana an'i Tsiôna* ireo,
kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha
ho solon'ny lavenona amin'ny lohany,
hanome diloilo manitra ho solon'ny alahelo
sy fitafiana fitondra amin'ny fety
ho solon'ny toetra manjoretra.
Amin'izay no hiantsoana azy ireo hoe:
«Hazo vokatry ny fitahiana,
saha nambolen'ny TOMPO
mba hanehoany ny famirapiratany.»

dimanche 19 juin 2016

Alahady 19 Jona 2016 - Jao 5 : 1 - 9

1Taorian'izany, dia nisy fankalazana nataon'ny Jiosy ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa. 2Ary tao Jerosalema teo akaikin'ny vavahadin'ny ondry, dia nisy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin'ny teny hebreo. Lala-mitafo* dimy no manamorona ilay dobo, 3ary marobe ny marary nandry tamin'ireo lala-mitafo ireo: dia ny jamba, ny mandringa, ny maty ila. [Niandry ny fihetsehan'ny rano izy rehetra, 4fa nisy anjeli*n'ny Tompo nidina tao anatin'ny dobo indraindray ary nampihetsika ny rano; ka izay marary niroboka voalohany, rehefa mihetsika ny rano, dia sitrana tamin'ny aretiny na inona na inona nanjo azy]. 5Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay narary hatramin'ny 38 taona. 6Hitan'i Jesoa nandry teo ralehilahy io sady fantany tsara fa hatramin'ny ela izy no efa toy izany, ka nilazany hoe:
–Te ho sitrana ve ianao?

7Dia novalian'ilay marary hoe:
–Tsy mba manana olona handroboka ahy ao anatin'ny dobo aho, Tompoko, rehefa voahetsika ny rano; ka nony mandeha aho, dia olon-kafa no tafidina alohako.

8Dia hoy i Jesoa taminy:
–Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana!

9Niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy, ka nitondra ny fandriany ary nandeha.
Sabata* anefa tamin'io andro io.

10Koa izao no tenin'ireo manampahefana jiosy tamin-dralehilahy vao sitrana:
–Sabata ny andro, ka tsy azonao atao ny mitondra ny fandrianao.

samedi 18 juin 2016

Sabotsy 18 Jona 2016 - Sal 70 : 1 - 5

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira.* Salamo nataon'i Davida, hitaomana an'Andriamanitra hahatsiaro azy.

2Andriamanitra ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy;
TOMPO ô, faingàna re hamonjy ahy!
3Ho menatra sy hangaihay anie
izay olona mitady hahafaty ahy;
hihemotra sy ho afa-baràka anie
izay olona maniry loza ho ahy!
4Aoka hiverina ilalana ho safotry ny henatra
ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»
5Izay rehetra mitady Anao kosa anie
hifaly sy hiravo amin'ny nataonao;
ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie
hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa Andriamanitra!»

vendredi 17 juin 2016

Zoma 17 Jona 2016 - Deo 15 : 7 - 11

7Raha sendra misy mahantra ny mpiray firenena aminareo ao an-tanàna anankiray amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia aza anidianareo fo izy na anakombonanareo tanana; 8fa sokafy tsara amin'io mahantra mpiray firenena aminareo io ny tananareo, ka ampisambory azy ny sahaza ilainy, araka izay mahory azy. 9Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponareo ny hevi-dratsy manao hoe: «Antomotra ity ny taona fahafito, dia ny taona famoizan-trosa.» Aoka ianareo tsy ho ratsy fijery an'ilay mahantra mpiray firenena aminareo, ka tsy hanome azy na inona na inona; fa hitaraina amin'ny TOMPO hiampanga anareo izy, ka dia ho fahotanareo izany. 10Omeo tokoa izy ary aoka tsy halahelo ny fonareo raha manome azy, satria izany fahalalahan-tananareo izany no hitahian*'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin'ny asa aman-draharaha rehetra ataonareo. 11Koa satria hisy mandrakariva ny mahantra eo amin'ny taninareo, dia izany no andidiako anareo hoe: Sokafy tsara amin'ny mpiray firenena aminareo ny tananareo, dia amin'ny ory sy mahantra eo amin'ny taninareo.

jeudi 16 juin 2016

Alakamisy 16 Jona 2016 - Sal 44 : 23 - 26

23Eny, noho ny aminao
no amonoana anay mandrakariva
sy iheverana anay
ho toy ny ondry fanjedaka'>.

24Mifohaza, Tompo ô! Nahoana Ianao no matory?
Miarena Ianao fa aza manary mandrakizay.
25Ahoana Ianao no tsy te hanatrika anay
ary manadino ny fahorianay sy ny famoretana anay,
26kanefa mihohoka amin'ny tany izahay
sady mifetaka amin'ny tany ny kibonay?

mercredi 15 juin 2016

Alarobia 15 Jona 2016 - Lio 21 : 1 - 4

1Ary nanopy ny masony i Jesoa ka nahita ireo mpanankarena nandrotsa-bola teo amin'ny vata fitoeran-drakitra. 2Ary hitany koa ity vehivavy mpitondratena mahantra nandrotsaka ariary anankiroa.

3Ka hoy i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena io no nandrotsaka be indrindra tamin'izy rehetra. 4Satria ireo rehetra ireo dia nandrotsaka ny ambim-bavany ho fanatitra; fa ravehivavy io kosa, na fadiranovana toy inona aza, dia ny fivelomany manontolo no narotsany.

mardi 14 juin 2016

Talata 14 Jona 2016 - Heb 11 : 32 - 40

32Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany*. 33Noho ny finoana dia nandresy fanjakana maro ireo, sy nampihatra ny rariny ka nahazo izay nampanantenain'Andriamanitra; nanakombona ny vavan'ny liona ireo, 34namono ny afo midedadeda, tokony ho voan'ny sabatra nefa tsy voa, nalemy nefa tonga natanjaka, nahery an'ady ka nampandositra ny tafiky ny firenen-kafa. 35Noho ny finoana no nandraisam-behivavy ny zanany maty voatsangana ho velona indray.

Ny sasany nampijalijalîna ho faty nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hitsanganany ho velona aina tsara lavitra; 36ary ny sasany nesoina sy nokapohina mafy, ary nofatorana sy nahiboka am-ponja. 37Tao ireo maty notoraham-bato, tapa-droa notsofàna, novonoina tamin-tsabatra; tao ireo nafindrafindra monina nitafy hoditr'ondry na hoditr'osy, ka nahantra sy nampahorîna ary fadiranovana. 38Tsy mendrika hitoerany akory izao tontolo izao, ka nanjenjena tany an-taniefitra sy tany an-tendrombohitra ireo ary nonina tanaty zohy sy tanaty lavaka.

39Ireo olona rehetra ireo dia ny finoany no vavolombelon'ny mahatsara laza azy; kanefa, na dia izany aza, dia tsy mbola azon'ireo ny nampanantenaina azy. 40Fa Andriamanitra efa nanamboatra zavatra tsara lavitra ho antsika, mba tsy ho tonga amin'ny tanjona natao hiafarana ireo raha tsy efa mby eo koa isika.

lundi 13 juin 2016

Alatsinainy 13 Jona 2016 - Isa 49 : 8 - 13

8Izao koa no lazain'ny TOMPO:
«Tamin'ny fotoana mety
dia namaly ny antsonao Aho,
ary tamin'ny androm-pamonjena
dia tonga namonjy anao Aho.
Nokolokoloiko ianao mba hataoko
ho antoky ny fanekempihavanako amin'ny olona'>.
Noho izany, dia hanarina ny tany Aho
sy hizara indray ny lova efa rava;
9ka ny mpifatotra izay ao anaty haizina
dia hitenenako hoe:
‹Mivoaha tao ianareo, misehoa.›
Eny an-dalana eny izy dia hahazo sakafo,
ka ho tahaka ny andiam-biby fiompy
mirao-bilona amin'ny havoana rehetra.
10Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo
ary tsy hampaninona azy akory
na ny rivo-mahamay na ny masoandro,
satria am-pitiavana no hitarihako azy
ary any amin'ny loharano miboiboika
no hitondrako azy hiala hetaheta.
11Ny tendrombohitra rehetra hasiako lalana;
ary ny arabe kosa hataoko tsara voatra.
12Indreny izy fa tonga avy any lavitra,
ny sasany avy any avaratra,
ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina,
ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta.»

13Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany;
manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra,
fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany
ary naneho indrafo tamin'ny mahantrany.

dimanche 12 juin 2016

Alahady 12 Jona 2016 - II Kor 8 : 1 - 6

1Tianay hampahafantarina anareo, ry havana, ny fahasoavana nomen'Andriamanitra tao amin'ireo Fiangonana any Masedônia. 2Voasedra mafy tamin'ny fahoriana nahazo azy ny mpino, kanefa lehibe tokoa ny hafaliany ary nahafoy mihitsy izy ireo tamin'ny famoriam-bola, na dia tena mahantra aza. 3Vavolombelona nahita aho fa nanome araka izay zakany ry zareo, eny mihoatra noho izay zakany aza; nahim-pony 4no niangaviany mafy taminay mba hahazo tombon-tsoa handray anjara amin'ny fanasoavana ny vahoakan'Andriamanitra* any Jodea. 5Nanao mihoatra noho izay nantenainay izy ireo, fa nanolo-tena ho an'ny Tompo aloha, ary ho anay koa noho ny sitrapon'Andriamanitra. 6Ka dia niangavianay i Tito hankatỳ aminareo hahatomombana izany asa fanasoavana izany, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.

samedi 11 juin 2016

Sabotsy 11 Jona 2016 - Mar 8 : 1 - 9

1Tamin'izany andro izany, dia vahoaka be indray no teo amin'i Jesoa ary tsy nanan-kohanina; ka nantsoin'i Jesoa ny mpianany* ary nilazany hoe:

2–Mahonena Ahy ireto vahoaka, satria efa telo andro izao no teto amiko, ka tsy manan-kohanina intsony; 3ary raha alefako mody tsy misakafo ireo, dia ho reraka eny an-dalana satria avy lavitra ny sasany.

4Dia hoy ny navalin'ny mpianatra Azy:
–Aiza no hahitana mofo hahavoky an'ireo olona ireo atỳ an-taniefitra atỳ.

5Dia nanontany i Jesoa hoe:
–Misy mofo firy any aminareo?

Ka hoy ireo mpianany hoe:
–Fito!

6Dia nasain'i Jesoa nipetraka tamin'ny tany ireto vahoaka. Ary noraisin'i Jesoa ny mofo fito; ka rehefa avy nisaotra an'Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianany harosony; ary dia naroson'ireo tamin'ny vahoaka. 7Nisy trondro vitsivitsy koa tao, ka rehefa avy nisaoran'i Jesoa an'Andriamanitra, dia nasainy naroso. 8Dia nihinana ny olona ka voky; ary nangonina ny tapa-mofo aman-trondro ambiny, ka nisy fito harona. 9Tokony ho efatra arivo anefa ny vatan-dehilahy teo. Dia nalefan'i Jesoa hody ny olona rehetra

vendredi 10 juin 2016

Zoma 10 Jona 2016 - Deo 26 : 5 - 11

5Ary samy hiteny eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe:

«Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin'olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. 6Ratsy fitondra anay ny Ejiptianina ka nampahory anay sy nampanao anay fanompoana mafy. 7Dia nitarainanay ilay TOMPO Andriamanitry ny razambenay, ka nohenoiny ny feonay ary hitany fa nahantra sy nijaly sady nampahorîna izahay. 8Fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ombàn'ny fampatahorana goavana sy famantarana ary zava-mahagaga no namoahan'ny TOMPO anay hiala tany Ejipta; 9ary nentiny hiditra teto amin'ity tany ity izahay ka nomeny anay ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. 10Koa ankehitriny, TOMPO ô, intỳ aho mitondra ny voaloham-bokatr'ilay tany izay efa nomenao ahy.»

Dia samy hametraka izany zavatra izany eo anoloan'ny Toeramasin*'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo sady hiankohoka hitsaoka ny TOMPO Andriamanitrareo. 11Avy eo noho ny soa rehetra izay nomen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hifaly ianareo miaraka amin'ny Levita* sy ny vahiny eo aminareo.

jeudi 9 juin 2016

Alakamisy 09 Jona 2016 - Jao 16 : 31 - 33

31I Jesoa kosa namaly azy hoe:

–Mino ve ianareo ankehitriny? 32Indro avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hielezanareo samy ho any amin'ny misy anareo avy, ary handaozanareo Ahy ho irery; kanefa tsy irery Aho, fa miaraka amiko ny Ray. 33Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin'ny firaisana amiko. Eto amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!

mercredi 8 juin 2016

Alarobia 08 Jona 2016 - Asa 20 : 32 - 38

32Ary ankehitriny ianareo dia ankiniko amin'Andriamanitra sy amin'ny teniny mirakitra fahasoavana. Andriamanitra no hampahery anareo sy hanome anareo ny soa izay nataony ho anjaran'ireo rehetra voatokana ho Azy. 33Tsy mba nisy volafotsy na volamena na fitafian'iza na iza notsiriritiko. 34Fantatrareo fa ireto tanako ireto no niantoka izay nilaiko, ho ahy sy ho an'ny mpiara-dia tamiko. 35Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tsy maintsy mikely aina toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra. Tsarovy ireo tenin'i Jesoa Tompo fa Izy mihitsy no nilaza hoe: «Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray'>.»

36Nony avy niteny izany i Paoly, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra. 37Nitomany avokoa ireo loholona ary samy namihina an'i Paoly sady nanoroka azy. 38Nalahelo mafy izy rehetra, indrindra noho ny nilazany hoe: «Tsy hahita ahy intsony ianareo.» Dia naterin'izy rehetra teny an-tsambo i Paoly.

mardi 7 juin 2016

Talata 07 Jona 2016 - Sal 68 : 7 - 14

7Ny manirery omeny ankohonana,
ny voagadra avoakany ho afaka.
Ny mpikomy ihany no hitoetra
any amin'ny tany karankaina.

8Andriamanitra ô, fony Ianao niainga
mba hialoha ny vahoakanao
ka namakivaky izany taniefitra,
Fiatoana*

9dia nihovotrovotra ny tany,
nanorana koa ny habakabaka
teo anoloanao, ry Andriamanitr'i Sinay,
teo anoloanao, ry Andriamanitr'i Israely.
10Ranonoram-pitahiana no narotsakao
ka velombelona terỳ ilay taninao lany hery.
11Tao ny vahoakanao no niorim-ponenana,
fa izany no namboarinao ho an'ny ory
satria tsara fo Ianao, Andriamanitra ô.

12Injao ny Tompo mandefa hafatra,
ka dia zavon-tany ny vehivavy
mitondra ny vaovao manao hoe:
13«Samy vaky nandositra avokoa
na mpanjaka na tafika fahavalo.
Ireo vehivavy tavela tao an-trano
dia mizarazara ny zavatra voababo.
14Na ianareo tsy mba niady aza
fa nijanona niandry valan'ondry,
dia ho tahaka ny voromahailala
misy elany mirava-bolafotsy
sy volony mirava-bolamena tsara.

dimanche 5 juin 2016

Alatsinainy 06 Jona 2016 - Mat 9 : 35 - 38

35Ary nitety tanàn-dehibe sy tanàna kely rehetra i Jesoa, ka nampianatra tany amin'ny sinagôga*n-dry zareo sy nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly* momba ny Fanjakàn'ny lanitra* ary nanasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. 36Onena Izy nahita ny vahoaka, satria niferinaina ireo sady nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry*.

37Dia hoy Izy tamin'ny mpianany*:
–Be ny vokatra, fa ny mpiasa hamory no vitsy. 38Koa angataho ny Tompom-bokatra mba haniraka mpiasa hamory ny vokany.

Alahady 05 Jona 2016 - II Mpa 4 : 1 - 7

1Indray andro dia nisy vehivavy vadina lehilahy anisan'ny andia-mpaminany*, tonga nitaraina tamin'i Elisà nanao hoe:
–Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa nanaja ny TOMPO izy. Tonga ao anefa ny tompon-trosa haka ny zanako roa lahy mba handevoziny.

2Dia hoy i Elisà taminy:
–Inona àry no hataoko ho anao? Lazao ahy izay anananao ao an-trano.

Fa hoy ny navalin'ilay vehivavy:
–Tsy manana na inona na inona aho afa-tsy ilomanitra indray mihosotra ihany.

3Ary hoy indray i Elisà:
–Mandehana mindrana tavoara foana amin'izay mpiara-monina aminao rehetra, kanefa aza atao vitsy. 4Rahefa izany, dia mihidia aman-trano miaraka amin'ireo zanakao; koa aidino amin'ireo tavoara rehetra ireo ny ilomanitra, ary atokano izay feno.

5Dia lasa ravehivavy nihidy aman-trano niaraka tamin'ny zanany; ary ireto zanany nanolotra ny tavoara, fa izy kosa nameno izany. 6Rehefa elaela, dia hoy ravehivavy tamin'ny zanany anankiray:
–Mbola itondray tavoara hafa koa aho.

Kanjo feno avokoa ireo tavoara teo, ka hoy izy hoe:
–Tsy misy intsony!

Dia tankina teo koa ny ilomanitra. 7Ary lasa ravehivavy nitantara ny zava-nitranga tamin'ilay olon'Andriamanitra, izay nilaza taminy hoe:
–Andeha amidio izany ilomanitra izany hanefanao ny trosan'olona; fa izay vola sisa kosa dia hivelomanao sy ireo zanakao.

samedi 4 juin 2016

Sabotsy 04 Jona 2016 - Asa 5 : 12 - 16

12 Famantarana* sy zava-mahagaga maro no vitan'ny apôstôly* teo amin'ny vahoaka. Niray fo ny mpino rehetra nivory teo amin'ny lala-mitafon'i Salômôna*, 13ary tsy nisy olon-kafa sahy nikambana taminy, kanefa nataon'ny vahoaka tsara laza izy ireo. 14Ary vao mainka marobe ny lehilahy amam-behivavy mpino ny Tompo ka nanatevin-daharana an-dry zareo. 15Nentin'ny olona teny amin'ny arabe aza ny marary ka napetrany teo ambony fandriana na tsihy mba hisy hiantefan'ny tandindon'i Petera ahay, raha sendra nandalo izy. 16Nisy vahoaka marobe koa, avy amin'ny tanàna manodidina an'i Jerosalema, nirohotra nitondra ny marary sy izay ampahorîn'ny fanahy maloto*, ary dia sitrana avokoa ireo.

vendredi 3 juin 2016

Zoma 03 Jona 2016 - Sal 31 : 1 - 8

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'i Davida.

2TOMPO ô, Ianao no fialofako;
tsy ho diso fanantenana
na oviana na oviana aho.
Araka ny fahamarinanao
dia afaho amin'ny loza aho!
3Mba anongilano sofina aho ka vonjeo faingana;
aoka Ianao ho Vatolampy fiereko
ary ho manda hahitako famonjena!
4Eny, harambato sy manda fiarovana ho ahy Ianao;
ary mba ho voninahitry ny anaranao,
dia aoka Ianao hitarika ahy sy hiandry* ahy!
5Tsoahy amin'ny fandrika harato
izay novelarina tamiko aho,
satria Ianao no miaro ahy.
6Eo an-tananao no apetrako ny fiainako'>;
TOMPO ô, Ianao no nanafaka ahy,
Ianao Ilay Andriamanitra mahatoky.
7Halako ny mivavaka amin'ny sampy;
fa izaho, TOMPO ô, dia mitoky aminao.

8Te hifaly sy hiravo aho noho ny fitiavanao,
satria hitanao ny fahantrako
sady fantatrao ny fahoriako;

jeudi 2 juin 2016

Alakamisy 02 Jona 2016 - Lio 6 : 20 - 22

20Dia nanopy maso ny mpianany i Jesoa ka nanao hoe:

–Sambatra ianareo mahantra,
fa anareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*!
21Sambatra ianareo noana ankehitriny,
fa hovokisan'Andriamanitra!
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny,
fa hampifalîn'Andriamanitra!

22Sambatra ianareo raha halan'ny olona sy roahiny ary tevatevainy sy alàny baràka noho ianareo miandany amin'ny Zanak'olona*.

mercredi 1 juin 2016

Alarobia 01 Jona 2016 - Zak 11 : 7 - 11

7Ary tonga mpiandry ny ondry aho, dia ny ondry izay kasain'ny mpanondrana hovonoina. Naka tehina roa aho; ny iray nataoko hoe «Fihavanana» ary ny iray kosa «Firaisankina». Ary nandrasako ny ondry. 8Tao anatin'ny iray volana monja dia telo'> ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin'ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy. 9Dia hoy aho taminy:

–Tsy hiandry anareo intsony Aho. Izay natao ho faty; izay natao ho ringana, dia aoka izy ho ringana; ary izay sisa velona dia aoka izy hifampihinana!

10Dia noraisiko ilay tehiko hoe «fihavanana» ka notapahiko mba hahafoana ny fanekempihavanana izay efa nataon'ny Tompo tamin'ny firenen-drehetra. 11Dia foana tamin'izany andro izany ihany ilay fanekempihavanana. Ary nijery ahy ireo mpanondrana ondry ka nahatakatra fa ny Tompo no niteny tamin'izay nataoko.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12