lundi 31 mai 2021

Alatsinainy 31 May 2021 - Efe 3 : 14 - 20

 14Noho izany no andohalehako eo anatrehan’Andriamanitra Ray, 15Izay antom-pisian’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. 16Mangataka amin’Andriamanitra aho mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny hohatanjahina fatratra ao anatinareo amin’ny herin’ny Fanahiny, 17ka hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana; dia hamahatra tsara sy ho mafy orina amin’ny fitiavana ianareo. 18Mangataka amin’Andriamanitra aho ny hahaizanareo mbamin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra mahafantatra tsara ny fitiavan’i Kristy, dia izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny. 19Enga anie ho fantatrareo tokoa ny fitiavan’i Kristy – na dia tsy mety ho fantatra tanteraka na oviana na oviana aza izany –, mba hamenoana anareo ka hidiranareo ao amin’ny hafenoana rehetra ananan’Andriamanitra.

20Ary ho an’Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika, 21ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny Fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesoa, manerana ny taranaka rehetra mifandimby sy mandrakizay mandrakizay! Amen.

samedi 29 mai 2021

Sabotsy 29 May 2021 - Asa 4 : 23 - 31

 23Vantany vao afaka izy roa lahy, dia namonjy ireo namany ka nitantara izay rehetra voalazan’ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona. 24Nony nandre izany ireo mpino, dia indray nientana nanandratra tonom-bavaka tamin’Andriamanitra hoe:

–Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy; 25ary tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe:

«Nahoana no mihotakotaka ny firenena?

Nahoana no mioko foana ny vahoaka?

26Nivonon-kiady ny mpanjakan’ny tany,

ary nivondrona ny manampahefana

mba hanohitra ny Tompo sy ilay Mesiany.»

27Marina tokoa fa i Herôda sy i Pônty Pilato, niaraka tamin’ny olona hafa firenena sy ny vahoaka israelita, dia nivondrona teto amin’ity tanàna ity mba hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia. 28Notanterahin’izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin’ny herinao sy ny fikasanao. 29Tompo ô, hitanao ankehitriny ny fandrahonany, koa omeo anay mpanomponao ny hery hitoriana ny teninao amim-pahasahiana tokoa; 30ahinjiro ny tananao hahasitrana ary hahatontosa famantarana sy zava-mahagaga amin’ny anaran’i Jesoa ilay Mpanomponao masina.

31Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.

vendredi 28 mai 2021

Zoma 28 May 2021 - Nom 11 : 24 - 30

 24Nisinda kely i Mosesy ka nilaza ny tenin’ny TOMPO tamin’ny vahoaka. Nangoniny avy eo ireo fitopolo lahy tamin’ny loholom-bahoaka, dia napetrany nanodidina ny Tranolay fihaonana. 25Ary nidina teo amin’ny rahona ny TOMPO ka niresaka tamin’i Mosesy. Nangalany ny fanahy tamin’i Mosesy ka nanomezany ho an’ny loholona fitopolo lahy. Ary raha vao nipetraka tamin’izy ireo ny fanahy, dia nanomboka naminany izy ireo, nefa tsy notohizany izany.

26Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran’ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan’ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin’ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby. 27Nihazakazaka nampandre an’i Mosesy ny tovolahy iray ka nanao hoe:

–Maminany ao an-toby i Eldada sy i Medada.

28Dia loa-bolana i Josoa, zanakalahin’i Nona sady mpanompon’i Mosesy hatramin’ny fahatanorany, ka nanao hoe:

–Ry Mosesy tompoko, mba rarao re izy roa lahy.

29Fa hoy i Mosesy taminy:

–Moa mialona azy noho ny amiko ve ianao? Enga anie homen’ny TOMPO ny Fanahiny avokoa ny vahoakany rehetra ka ho tonga mpaminany!

30Dia niverina nankao an-toby indray i Mosesy sy ireto loholona.

jeudi 27 mai 2021

Alakamisy 27 May 2021 - I Kor 2 : 1 - 5

 1Ry havako, fony tonga tany aminareo aho mba hitory ny tsiambaratelo momba amin’Andriamanitra, dia tsy nampiasa lahateny marevaka na fahendrena mampitolagaga. 2Teo aminareo aho dia ninia tsy nahafantatra na inona na inona afa-tsy i Jesoa Kristy, indrindra fa Izy voahombo teo amin’ny hazofijaliana. 3Izany no nahatonga ahy ho osa sy natahotra ary nangovitra teo anoloanareo; 4ny fampianarako sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny lahateny mampiaiky volana araka ny fahendren’olombelona, fa tamin’ny fandresen-dahatra araka ny herin’ny Fanahy Masina. 5Ka dia tsy fahendren’olombelona fa herin’Andriamanitra no iorenan’ny finoanareo.

mercredi 26 mai 2021

Alarobia 26 May 2021 - Hag 2 : 1 - 9

 1Tamin’ny volana fahafito, andro faha-21 dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. 2Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky ary ho an’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany no nasain’ny Tompo nambarany hoe: 3Iza aminareo sisa ireo no mahatsiaro ny tempoly tamin’ny famirapirany taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitànareo azy ankehitriny? Moa tsy zava-poana sisa hitanareo? 4Koa izao no teny hentitra avy amiko TOMPO: Mahereza, ry Zerobabela! Mahereza, ry Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky. Mahereza, ianareo rehetra sarambabem-bahoakan’ity tany ity; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Miasà fa Izaho no miaraka aminareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao, 5araka ny fanekempihavanana nataoko taminareo fony ianareo niala tany Ejipta. Ary hitoetra eo anivonareo ny Fanahiko; koa aza matahotra ianareo. 6Eny, Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia manambara fa raha afaka kelikely dia hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tanety. 7Hakorontako ambony ambany ny firenen-drehetra. Hoentina eto, ny hareny rehetra ary dia hofenoiko famirapiratana indray ity trano ity, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. 8Ahy avokoa manko ny volamena sy volafotsy eran’izao tontolo izao; izany no teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao. 9Ny famirapiratan’ity trano ity dia ho lehibe mihoatra noho ny tany aloha; ary eto amin’ity toerana ity, hoy AHO, no hanomezako anareo fiadanana. Izany no fampanantenana avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.

mardi 25 mai 2021

Talata 25 May 2021 - Jao 16 : 12 - 15

 12Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra: satria tsy hiteny avy amin’ny tenany Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. 14Ny Fanahy fahamarinana no hanome voninahitra Ahy, satria handray avy amin’izay ananako Izy ary hanambara izany aminareo. 15Izay rehetra ananan’ny Raiko dia Ahy avokoa, ka izany no nilazako hoe: Handray avy amin’izay ananako ny Fanahy fahamarinana, ary hanambara izany aminareo.

lundi 24 mai 2021

Alatsinainy 24 May 2021 - I Tes 1 : 1 - 10

 1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.

Mamangy anareo isan’ny Fiangonana atỳ Tesalônika, izay tafaray amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timôty. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!

Ny fiainana ombàm-pinoana asehon’ny Tesalônisianina

2Velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitra izahay ny aminareo rehetra, rehefa mahatsiaro amin’ny vavaka ataonay. 3Tsaroanay tsy tapaka eo anatrehan’ilay Andriamanitsika sady Raintsika ny asa ateraky ny finoanareo, ny fikelezana aina asesiky ny fitiavanareo, ary ny faharetana vokatry ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika. 4Fantatray, ry havana, fa efa notiavin’Andriamanitra ianareo ary efa nofidiny mba ho Azy. 5Eny, ny Vaovao Mahafaly torînay dia tonganay tatỳ aminareo, tsy tamin’ny teny fotsiny ihany fa tamin’ny hery aman’asan’ny Fanahy Masina mbamin’ny fankatoavanay tanteraka ny Vaovao Mahafaly. Fantatrareo koa ny fiaimpiainanay fony izahay tatỳ aminareo ho fanasoavana anareo. 6Sady nanahaka anay sy ny Tompo ianareo; fa na dia be aza ny fahoriana nanjo anareo, dia nandray ny tenin’Andriamanitra tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina ianareo. 7Koa dia tonga ohatra ho an’ny mpino rehetra eran’i Masedônia sy i Akaîa ianareo. 8Nanako avy teo aminareo ny tenin’ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an’i Masedônia sy i Akaîa ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona. 9Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay tatỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ny sampinareo ka nitodihanareo tamin’Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina. 10Andrasanareo koa ny hahatongavan’ny Zanany avy any an-danitra, dia i Jesoa Izay efa natsangany ho velona avy tany amin’ny maty sady mpanafaka antsika amin’ilay fahatezeran’Andriamanitra ho avy.

dimanche 23 mai 2021

Alahady 23 May 2021 - Eze 36 : 22 - 30

 22Koa ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy, fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin’ny firenena izay nalehanareo. 23Nefa na dia nanimbazimba Ahy teo imason’ireny aza ianareo, dia hasehoko azy kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko hanehoako izany. Amin’izay dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.

24«Fa halaiko avy any amin’ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo. 25Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo. 26Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina. 27Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko. 28Dia honenanareo ny tany izay nomeko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo. 29Hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo. 30Hataoko vokatra koa ny hazo fihinam-boa sy ny voly eny an-tsaha, ka tsy ho voalatsan’ny hafa firenena amin’ny mosary intsony ianareo.

samedi 22 mai 2021

Sabotsy 22 May 2021 - Rom 8 : 12 - 17

 12Koa amin’izany, ry havana, misy adidy ananantsika, nefa tsy adidy amin’ny maha olona mpanota ka hivelomantsika araka ny maha olona mpanota. 13Satria raha velona araka ny maha olona mpanota ianareo, dia ho faty; fa raha ny Fanahy Masina no amonoanareo ny asan’ny maha olona mpanota, dia ho velona ianareo. 14Eny, izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. 15Satria tsy fanahy maha mpanompo no voarainareo ka hahatonga anareo hatahotra indray; fa ny Fanahy Masina maha zanak’Andriamanitra no voarainareo, ka ahafahantsika miantso an’Andriamanitra hoe: «Raiko ô!» 16Ny Fanahy Masina mihitsy no manambara amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. 17Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain’Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin’i Kristy: satria raha miara-mijaly amin’i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra aminy koa.

vendredi 21 mai 2021

Zoma 21 May 2021 - Neh 9 : 20 - 25

  20Nomenao azy koa ilay Fanahinao tsara 

mba hahatonga hahay manavaka.

Ianao nandefa hatrany ny mana ho sakafony

sy namorona rano hanala hetaheta azy.

21Eny, efapolo taona no namelomanao azy tany an-taniefitra

ka tsy nanan-java-mahory akory izy;

tsy nihatonta ny fitafiany

ary tsy nivonto ny tongony.

22Nanome azy fanjakana sy firenena maro Ianao,

dia nitsinjara ho azy ny faritanin’ireny,

ka lasany ny tanin’i Sihôna mpanjakan’i Hesbôna

sy ny tanin’i Hôga mpanjakan’i Basàna.

23Nohamaroinao ny taranaky ny razanay

ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka;

ary nentinao izy ho any amin’ny tany

izay nolazainao tamin’ny razany

fa hidirany hataony fananany.

24Dia niditra ny taranany haka ny tany ho fananany,

ary naetrinao teo anoloany ny Kanahanîta tompon-tany

ka natolotrao ho eo an-tanany.

Dia nataony araka izay nitiavany azy

ny mpanjaka sy ny vahoakan’izany tany izany.

25Nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy;

nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany,

lavaka famorian-drano voahady,

tany voavoly voaloboka sy ôliva,

ary tany misy hazo fihinam-boa marobe.

Noho ny hatsaramponao lehibe,

dia nihinana izy ka voky

ary nihanatavy ka faly nanaram-po.

jeudi 20 mai 2021

Alakamisy 20 May 2021 - Jao 14 : 15 - 26

 15Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko. 16Izaho koa hangataka amin’ny Ray, ary Izy no hanome anareo Mpampionona hafa mba homba anareo mandrakizay. 17Izany Mpampionona hafa izany dia ny Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo.

18Tsy hamela anareo ho kamboty Aho, fa hiverina atỳ aminareo. 19Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy satria velona Aho ary ho velona koa ianareo. 20Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho dia ao anatin’ny Ray, ianareo ato anatiko ary Izaho ao anatinareo.

21Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin’ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy.

22Fa i Jodasy, (tsy ilay Iskariôta), nanao tamin’i Jesoa hoe:

–Nahoana, ry Tompo, no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?

23Dia novaliany hoe:

–Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ho tia azy ny Raiko, ary Izaho sy ny Raiko dia hankao aminy ka honina ao. 24Izay tsy tia Ahy, dia tsy mitandrina ireo teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy avy amiko fa avy amin’ny Ray Izay naniraka Ahy.

25Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. 26Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin’ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

mercredi 19 mai 2021

Alarobia 19 Mai 2021 - Mar 12 : 14 - 21

 14ka nony tonga teo ry zareo, dia nanao taminy hoe:

–Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina Ianao sady tsy mampaninona anao izay mety ho hevitry ny hafa, ary tsy mizaha tavan’olona Ianao fa mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra. Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an’ny amperôra rômanina sa tsia? Tokony handoa izahay sa tsy handoa?

15Fantatr’i Jesoa anefa ny fihatsarambelatsihin’ireo, ka hoy Izy taminy:

–Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray vola denàry anankiray Aho hojereko.

16Dia nitondrany, ka hoy i Jesoa taminy:

–Sarin’iza io ary anaran’iza?

Dia novalian’ireo hoe:

–An’ny amperôra rômanina!

17Ka hoy i Jesoa taminy:

–Avereno amin’ny amperôra rômanina izay an’ny amperôra rômanina ary amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Dia gaga tamin’i Jesoa ireto iraka.

18Ireo Tsadoseanina, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty ho velona, dia mba nisy nanatona an’i Jesoa ka nanontany Azy hoe:

19–Mpampianatra ô, izao no didy voasoratra nomen’i Mosesy antsika: «Raha misy lehilahy maty namela vady nefa tsy namela taranaka, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy, mba hiteraka hamela solofo ho an’ny maty.» 20Koa nisy àry olona fito mirahalahy. Nampaka-bady ny lahimatoa, kanjo maty tsy namela solofo. 21Dia nampakatra an-dravehivavy ny faharoa, kanjo maty tsy namela solofo; dia toy izany koa ny fahatelo. 22Dia samy tsy nisy namela solofo izy fito mirahalahy. Taorian’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

mardi 18 mai 2021

Talata 18 May - Sal 104 : 24 - 30

 24Endrey ity hamaroan’ny asanao, TOMPO ô!

Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra:

henika ny zava-boaarinao ny tany!

25Ny ranomasina, indro lehibe sy midadasika;

ao no miriaria tsy tambo isaina

na ny biby madinika na ny vaventy;

26ao no mivezivezy ny sambo; ao koa i Leviatàna,

ilay trozona namboarinao ho tsilalaonao.

27Izy rehetra ireny dia miankina aminao,

mba hanome hanina azy ara-potoana.

28Raha manome Ianao, dia mandray izy;

raha sokafanao ny tananao,

dia voky zava-tsoa izy.

29Raha lavinao ny hijery azy,

dia mitebiteby izy;

raha alainao ny ainy, dia maty izy

ka miverina ho vovoka indray.

30Alefanao ny Fanahinao, dia ary indray ireo

ka mihavao ny zavatra rehetra eto ambonin’ny tany.

lundi 17 mai 2021

Alatsinainy 17 May 2021 - Isa 42 : 1 - 4

 1Indro ny mpanompoko izay tohanako,

ilay voafidiko sady ankasitrahiko.

Napetrako tao aminy ny Fanahiko

mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.

2Tsy hiantsoantso izy na hampiaka-peo

sady tsy hanao kabary eny an-dalambe.

3Tsy hotapahiny ny volotara folaka,

ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona

fa hamoaka ny lamina ara-drariny tokoa izy.

4Tsy ho reraka na ho kivy izy

mandra-panoriny ny lamina ara-drariny amin’ny tany

fa hiandry dia hiandry ny lalànany

ireo mponina any amin’ny nosy.

dimanche 16 mai 2021

Alahady 16 May 2021 - I Kor 12 : 12 - 13

 12Eny, iray ny tena kanefa misy zavatra maro ao aminy: dia toy izany koa i Kristy. Fa ireo zavatra rehetra anisan’ny tena ireo, na maro aza, dia tena iray ihany. 13Isika rehetra manko, na Jiosy na hafa firenena, na mpanompo na tsy mpanompo, dia iray ny Fanahy Masina nanaovana batisa antsika mba ho tena iray ihany isika; ary iray ny Fanahy Masina nampisotroana antsika rehetra.

vendredi 14 mai 2021

Sabotsy 15 May 2021 - II Mpa 2 : 9 - 14

 9Rehefa samy tafita izy, dia hoy i Elià tamin’i Elisà:

–Angataho izay tianao hataoko aminao mialoha ny hanesorana ahy ho lavitra anao.

Ary hoy i Elisà:

–Mba te hahazo anjara roa amin’ny fanahinao re aho.

10Fa hoy kosa i Elià:

–Zava-tsarotra no angatahinao, kanefa raha voajerinao aho amin’iny hoesorina hiala aminao iny, dia ho azonao tokoa izany; fa raha tsy voajerinao kosa aho, dia tsy ho azonao izany.

11Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elià dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any. 12Rehefa nijery izany i Elisà, dia niantsoantso hoe:

–Ry dada ô, ry dada ô, mahery noho ireo kalesin’i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny ianao!

Nony tsy hitan’i Elisà intsony i Elià, dia notriariny roa ny fitafiany. 13Ary nalainy ny akanjobe izay nilatsaka avy teny an-tsorok’i Elià; dia niverina izy ka nitsangana teo amoron’i Jôrdàna. 14Noraisin’i Elisà ilay akanjoben’i Elià ka nikapohany ny rano, sady nihiaka izy hoe:

–Aiza ny TOMPO Andriamanitr’i Elià? Aiza Izy?

Mba nikapoka ny rano koa i Elisà, dia nisaraka roa izany ary niampita izy.

Zoma 14 May 2021 - Jao 3 : 9 - 15

9Dia niteny tamin’i Jesoa i Nikôdema nanao hoe:

–Hatao ahoana no hahatonga izany?

10Ka izao no navalin’i Jesoa azy:

–Mpampianatra eto amin’i Israely ianao, ka tsy mahalala izany ve? 11Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay ary izay hitanay no ijoroanay ho vavolombelona, nefa tsy raisinareo izany fijoroanay ho vavolombelona izany. 12Raha nilaza taminareo ny zavatra etỳ an-tany Aho, dia tsy inoanareo; ka ahoana no hinoanareo Ahy, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? 13Ary tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona. 14Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny bibilava varahina tany an-taniefitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona 15mba ho velona aina mandrakizay izay rehetra mino Azy. 

mercredi 12 mai 2021

Alarobia 12 May 2021 - Rom 5 : 1 - 8

 1Noho ny finoana àry dia tonga olo-marina eo imason’Andriamanitra isika sady efa mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. 2Amin’ny alalan’i Jesoa ihany koa, rehefa mino isika, no ahazoantsika manatona ilay fahasoavana efa misy antsika ankehitriny; ary ny ireharehantsika dia ny fanantenana hanana anjara amin’ny voninahitr’Andriamanitra. 3Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4ny faharetana mahatonga toetra voasedra; ny toetra voasedra mahatonga fanantenana; 5ary ny fanantenana tsy mba manodoka, fa efa voarotsaka ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay nomena antsika.

6Mbola tsy nanan-kery isika no tonga ny fotoanandro voatendrin’Andriamanitra, ka maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy. 7Saika tsy misy aza manaiky ho faty hamonjy olo-marina; ary angamba mety hisy ihany hanana herim-po ho faty hamonjy olona tsara fanahy. 8Fa i Kristy kosa maty hamonjy antsika, fony isika mbola mpanota: nahariharin’Andriamanitra tamin’izany ny fitiavany antsika.

mardi 11 mai 2021

Talata 11 Mai 2021 - II Sam 23 : 1 - 7

 1Izao no fanambaràna farany nataon’i Davida:

Teny hentitr’i Davida, zanakalahin’i Jisay,

dia teny hentitry ny lehilahy

izay voafidin’ilay Andriamanitr’i Jakôba

mba ho voasandratra ho mpanjaka

sady voahasohason’ireo hiran’i Israely:

2Ny Fanahin’ny TOMPO no mampiteny ahy

sy mametraka ao am-bavako ny teniny.

3Ny Andriamanitr’i Israely sady mpiaro azy

no efa niteny ka nanao tamiko hoe:

«Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana

sy mitondra azy amim-panajana an’Andriamanitra

4dia toy ny fahazavan’ny maraina

raha miposaka ny masoandro

amin’iny maraina tsy misy rahona iny.

Ny tarany mafana mandimby ny orana

no mampaniry ny ahitra amin’ny tany.»

5Toy izany indrindra ny fianakaviako

eo anoloan’Andriamanitra;

fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay

no nataon’Andriamanitra tamiko,

dia fanekempihavanana mirindra

sy voatandro amin’ny lafiny rehetra.

Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko

dia Izy no ipoiran’ireny rehetra ireny.

6Fa ny olom-poana rehetra kosa

dia tahaka ny tsilo fanary

ka tsy mba fandrain-tanana.

7Izay te hikasika azy

dia tsy maintsy mirongo

faraingo vy na zaran-defona;

ary ireny tsilo ireny dia dorana amin’ny afo

eo amin’ny toerana itobiany eo ihany.


lundi 10 mai 2021

Alatsinainy 10 Mai 2021 - Gen 31 : 37 - 46

 37Nosavanao ny entako rehetra, ka inona no hitanao? Asehoy eo imason’ny havanao sy ireo havako izany hitsarany antsika. 38Roapolo taona izao no efa niarahako taminao, nefa ny ondrivavinao aman’osivavinao tsy mba namotsotra; sady tsy mbola nihinana ondrilahy tamin’ny andian’ondrinao na oviana na oviana aho. 39Tsy mbola nitondra ireo fatim-biby voaviraviran’ny bibidia tany aminao mihitsy aho, fa izaho no nanolo azy; teo am-pelatanako no nitadiavanao izay nangalarin’olona na tamin’ny andro na tamin’ny alina. 40Niaritra ny hafanana amin’ny antoandro aho, ary jihitry ny hatsiaka amin’ny alina ka tsy nopizin-tory akory. 41Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin’ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman’osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako. 42Raha tsy nomba ahy ny Andriamanitr’i Abrahama raibeko, ilay Andriamanitra nampihorohoro an’i Itsehàka, dia ho nalefanao nitondra tanam-polo aho ankehitriny. Fa nahita ny fijaliako sy ny hasasarako Andriamanitra ka nananatra anao halina.

43Dia namaly an’i Jakôba i Labàna hoe:

–Ireo zazavavy ireo dia zanako, ny zanak’ireo dia taranako, ny andian’ondry aman’osy dia ondry aman’osiko, ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa. Manomboka anio dia tsy misy na inona na inona azoko atao intsony ho an’ireto zanako vavy ireto na ho an’ireo zanakalahy izay naterany? 44Koa andeha ankehitriny hanao fifanekena izaho sy ianao, ary aoka hisy vavolombelon’izany eo amintsika.

45Dia naka vato anankiray i Jakôba ka nanangana azy ho tsangambato. 46Avy eo nasain’i Jakôba nanangona vato iretsy havany an-daniny, dia naka vato ireo ka nanao antontany; ary nihinana teo ambonin’io antontam-bato io ny besinimaro.

dimanche 9 mai 2021

Alahady 09 May 2021 - Mar 13 : 9 - 11

 9Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany. 10Kanefa tsy maintsy hotorîna amin’ny firenena rehetra aloha ny Vaovao Mahafaly. 11Rehefa hoentina hatolotra amin’ny mpitsara ianareo, dia aza manahy hoe inona no holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izay fotoana izay, lazaina; satria tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin’ny Fanahy Masina.

samedi 8 mai 2021

Sabotsy 08 May 2021 - Isa 11: 1 - 10

 1Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay;

misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.

2Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy,

dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka

Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,

Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;

3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.

Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy

na hanapaka araka izay ren’ny sofiny,

4fa hitsara ny malahelo ara-drariny

ary hamoaka didy araka ny hitsiny

ho an’ny mahantra eo amin’ny tany.

Ny teniny no toy ny tsorakazo

hikapohany ny tany

ary ny fofonain’ny vavany

no hamonoany ny olon-dratsy.

5Ny rariny no ho fisikinany

ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.

6Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin’ny zanak’ondry,

ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy;

ny zanak’omby sy ny liona tanora hiara-mihinana

ka zazalahy kely no hitarika azy.

7Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka;

ary ny zanak’izy ireo hiara-matory.

Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.

8Ny zaza mbola minono

hilalao eo an-davaky ny bibilava;

ary ny zaza misara-nono

hanatsofoka ny tanany

ao an-davaky ny menarana.

9Tsy hisy hanimba na handratra

manerana ny tendrombohitra masina,

satria ny fahalalana ny TOMPO

no hanenika izany tany izany

tahaka ny anaronan’ny rano

ny fanambanin’ny ranomasina.

10Amin’izany andro izany ny solofon’i Jisay

dia hatsangana ho fanevan’ny firenena rehetra;

ka hitady azy ny firenen-kafa,

ary hanjary be voninahitra ny fonenany.

vendredi 7 mai 2021

Zoma 07 May 2021 - II Kor 3 : 1 - 6

 1Manomboka midera tena indray ve izahay amin’izany?

Sa kosa toy ny sasany izahay ka mila taratasy filazàn-tsoa momba anay ho anareo na avy aminareo? 2Ianareo mihitsy no taratasinay, taratasy voasoratra ato am-ponay ka fantatry ny olona rehetra sady vakîny. 3Miharihary fa taratasy soratanan’i Kristy ianareo, ary nampitondraina anay; kanefa tsy taratasy voasoratra tamina ranomainty fa tamin’ny alalan’ny Fanahin’ilay Andriamanitra velona, tsy taratasy voasokitra eo amina takela-bato fa ao am-pon’olombelona.

4Milaza izany izahay satria Andriamanitra no itokianay tokoa amin’ny alalan’i Kristy. 5Izahay dia tsy mihambo hanana fahaleovana hahahevitra asa toy izany avy amin’ny tenanay; fa avy amin’Andriamanitra ny fahaleovana ananany. 6Eny, Andriamanitra no anananay fahaleovana ho mpanompon’ny Fanekempihavanana Vaovao, dia ilay Fanekempihavanana tsy miankina amin’ny lalàna voasoratra fa amin’ny Fanahy Masina. Mahafaty manko ny lalàna voasoratra fa ny Fanahy Masina no mahavelona.

jeudi 6 mai 2021

Alakamisy 06 May 2021 - Eze 37 : 1 - 14

 1Ary ny herin’ny TOMPO nanindry ahy; ka ny Fanahiny no nitondran’ny TOMPO ahy ary nametrahany ahy tao amin’ny lohasaha midadasika iray rakotra taolana. 2Ary nentiny nandehandeha nanodidina an’ireo aho tao amin’izany lohasaha izany; ka indreo maro dia maro ny taolana sady maina tanteraka.

3Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe:

–Ry ilay taranak’olombelona, moa mety ho velona indray ve ireo taola-maina ireo?

Ka novaliako hoe:

–Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao irery ihany no mahalala.

4Ary hoy indray Izy tamiko:

–Ijoroy ny maha-mpaminany anao manoloana ireo taola-maina ireo ka mitenena aminy hoe: «Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo! 5Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY aminareo: Hasiako fofonaina indray ianareo, dia ho velona. 6Hasiako hozatra ianareo ary hampaniriko nofo sy hosaronako hoditra; dia hasiako fofonaina ianareo ka ho velona. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.»

7Dia nilaza ny hafatra araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho. Fa raha mbola nampita ilay hafatra aho, dia nisy feon-javatra nifanaretsaka: nihetsiketsika sady nifanatonkatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. 8Ary hitako naniry hozatra sy nofo sady nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. 9Dia hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ny fofonaina, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka mitenena aminy hoe: ‹Ry fofonaina, mandidy anao ny Tompo ANDRIANANAHARY mba ho tonga avy amin’ny vazan-tany efatra ianao ka hitsoka amin’ireo faty ireo mba ho velona indray izy.› 10Dia nilaza ilay hafatra araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho. Koa nidiran’ny fofonaina ireo faty ireo, dia velona indray. Nitsangana tamin’ny tongony izy ary nanjary tafika iray lehibe dia lehibe.

11Ary hoy indray ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ireo taola-maina ireo dia sarin’ny vahoaka israelita rehetra. Fa hoy ny Israelita hoe: ‹Tahaka ny taola-maina izahay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.› 12Noho izany, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hosokafako ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy any ianareo, ary haveriko ao Israely tanindrazanareo. 13Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa voasokatro ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy ao ianareo; 14ary hapetrako ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo ka hamponeniko indray ao an-tanindrazanareo. Eny, amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no nampanantena sady nahatanteraka izany; teny hentitra avy amiko TOMPO izany›. »

mercredi 5 mai 2021

Alarobia 05 Mai 2021 - Mat 10 : 16 - 20

 16–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala. 17Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin’ny sinagôgany; 18ary hoentina eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan’ny Jiosy sy ny hafa firenena. 19Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo. 20Tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin’ny Fanahy Masina irahin’ilay Rainareo.

mardi 4 mai 2021

Talata 04 May 2021 - Asa 11 : 1 - 8

 1Ren’ny apôstôly sy ny havana iray finoana tany Jodea fa efa nandray ny tenin’Andriamanitra koa ny hafa firenena. 2Ka nony tafaverina tany Jerosalema i Petera, dia nifandiran’ireo mpino jiosy 3nataony hoe:

–Dia olona tsy voafora ve no niantranoanao sy niarahanao nisakafo?

4Fa notantarain’i Petera tamin’ny antsipiriany hatrany am-boalohany izay nitranga, ka hoy izy tamin’ireo mpino jiosy:

5–Tao an-tanànan’i Jôpa aho, ary sendra nivavaka indrindra no nisehoam-pahitana mahavariana. Nisy zavatra nidina avy any an-danitra: toa lamba lehibe voatana amin’ny zorony efatra, nalatsaka avy any ary tonga teo akaikiko. 6Nijery tsara sy nandinika ny tao anatiny aho, ka nahita ny biby mandeha tongotra efatra, ny bibidia, ny biby mikisaka amin’ny tany ary ny voro-manidina. 7Dia nisy feo henoko nanao tamiko hoe: «Mitsangàna, ry Petera; mamonoa ka mihinàna!» 8Ary novaliako hoe: «Sanatria, Tompoko! Tsy mbola nisy mihitsy zavatra fady na maloto niditra ny vavako.»

lundi 3 mai 2021

Alatsinainy 03 May 2021 - Lio 2 : 22 - 32

 22Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an’i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalànan’i Mosesy. Dia nentin’i Maria sy i Jôsefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo, 23satria voasoratra ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe: «Hatokana ho an’ny Tompo ny lahimatoa rehetra.» 24Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin’ny lalànan’ny Tompo ihany koa i Maria sy i Jôsefa, izany hoe fanatitra «domohina roa na voromahailala roa».

25Tao Jerosalema tamin’izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an’Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn’ny Fanahy Masina izy 26ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia avy amin’ny Tompo. 27Nentin’ny Fanahy Masina hankao an-kianjan’ny tempoly i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin’i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian’ny lalàna ny amin’ny zaza; 28dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an’Andriamanitra nanao hoe:

29–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin’izay

ity mpanomponao, araka ny teninao!

30Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao

31izay nomaninao ho an’ny firenena rehetra:

32dia fahazavana hampahalala Anao amin’ny hafa firenena

ary hanome voninahitra an’i Israely vahoakanao.

dimanche 2 mai 2021

Alahady 02 May 2021 - Deo 34 : 5 - 9

 5Teo no nahafatesan’i Mosesy, ilay mpanompon’ny TOMPO, dia teo amin’ny tany Môaba araka ny tenin’ny TOMPO. 6Ary nalevin’Andriamanitra teo an-dohasaha, tao amin’ny tany Môaba, tandrifin’i Bety-Pehôra izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.

7Efa 120 taona i Mosesy no maty; ary tsy pahina ny masony na nihena ny heriny. 8Nitomanian’ny Israelita teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy, nandritra ny telopolo andro nanatontosana ny fisaonana azy.

9I Josoa, zanakalahin’i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.

samedi 1 mai 2021

Sabotsy 01 May 2021 - Mpit 3 : 9 - 11

 9Koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita; ary IZY nanangana mpamonjy izay hanafaka ny Israelita, dia i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza izay zandrin’i Kaleba. 10Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin’ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan’i Mezôpôtamia ka resiny. 11Dia nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona; avy eo dia maty i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12