jeudi 31 janvier 2019

Alakamisy 31 Janoary 2019 - Heb 10 : 26 - 31

26Satria efa nandray ny fahalalana tsara ny fampianarana marim-pototra isika no mbola minia manota ihany, dia tsy misy sorona ho afa-manala ny ota intsony; 27fa ny andrasantsika amin-tahotra dia ilay andro fitsarana sy ny afo midedadeda handevona ny fahavalon'Andriamanitra. 28Izay mandika ny lalànan'i Mosesy dia vonoina tsy asiana indrafo, rehefa hita fa meloka araka ny tenin'ny vavolombelona roa na telo. 29Hanao ahoana kosa àry izay manao tsinontsinona ilay Zanak'Andriamanitra sy mihevitra fa ny ra iorenan'ny Fanekempihavanana sady nanadiovana azy dia tsy misy hasiny ary maniratsira ny Fanahy Masina nandraisany fahasoavana? Hanao ahoana ny hamafin'ny fampijaliana heverinareo fa tokony hihatra aminy? 30Eny, fantatsika Ilay niteny hoe: «Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly», ary niteny koa hoe: «Ny Tompo no hitsara ny vahoakany.» 31Zavatra mahatahotra izany ho azon'ny tanan'ilay Andriamanitra velona!

mercredi 30 janvier 2019

Alarobia 30 Janoary 2019 - Gen 20 : 6 - 13

6Mbola tamin'io nofy io ihany no nilazan'Andriamanitra tamin'i Abimelèka hoe:
–Izaho koa dia mahalala fa tamin'ny fo tsotra no nanaovanao izany. Izaho ihany koa no nisakana anao tsy hanota amiko. Izany no tsy namelako anao hikasika azy. 7Koa ankehitriny avereno amin'ny vadiny ravehivavy. Mpaminany izy ka hivavaka ho anao, dia tsy ho faty ianao. Fa raha tsy averinao kosa izy, dia fantaro fa ho faty tokoa ianao sy izay rehetra anao.

8Dia nifoha vao maraina be i Abimelèka, ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara ny zavatra rehetra taminy; dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo. 9Nampiantso an'i Abrahama i Abimelèka, ka nanao taminy hoe:
–Inona izao nataonao anay izao? Inona no fahotana nataoko taminao no dia saika nampidiranao heloka lehibe toy izao ny tenako sy ny fanjakako? Zavatra tsy fanao no nataonao tamiko. 10Inona, hoy aho, no kendrenao tamin'ny nanaovanao izao zavatra izao?

11Namaly kosa i Abrahama hoe:
–Nihevitra anakampo aho fa tsy misy olona matahotra an'Andriamanitra amin'ity toerana ity, koa hovonoin'ireo aho noho ny amin'ny vadiko. 12Marina ihany anefa fa anabaviko izy, iray ray izahay; saingy tsy iray reny amiko izy, ka izany no nahatonga azy ho vadiko. 13Rehefa nasain'Andriamanitra nandao ny tranon-draiko aho, dia hoy aho tamin'ny vadiko: «Izao no rohim-pihavanana hampiasainao amiko: Any amin'ny toerana rehetra izay halehantsika dia lazao hoe anadahinao aho.»

mardi 29 janvier 2019

Talata 29 Janoary 2019 - Lio 17 : 11 - 19

11Raha nizotra ho any Jerosalema i Jesoa, dia namaky faritany miolotra amin'i Samaria sy i Galilea. 12Raha niditra tao amin'ny tanàna anankiray Izy, dia nisy marary hoditra folo lahy nitsena Azy. Nijanona lavidavitra ihany izy folo lahy 13sady niantsoantso hoe:
–Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay!

14Nahita azy ireo i Jesoa ka nanao taminy hoe:
–Ndeha miseho amin'ny mpisorona ianareo!

Raha mbola teny an-dalana izy folo lahy, dia sitrana. 15Ny anankiray, raha vao nahita fa sitrana, dia niverina ka niantsoantso nanome voninahitra an'Andriamanitra, 16niankohoka teo an-tongotr'i Jesoa sady nisaotsaotra Azy; ary Samaritanina ralehilahy.

17Dia niteny i Jesoa nanao hoe:
–Tsy folo lahy ve no sitrana? Ka aiza ny sivy? 18Tsy nisy nahalala niverina nanome voninahitra an'Andriamanitra ve afa-tsy ity olona hafa firenena ity?

19Ary dia hoy i Jesoa taminy:
–Mitsangàna ka modia, ny finoanao no nahasitrana anao!

samedi 26 janvier 2019

Sabotsy 26 Janoary 2019 - Isa 33 : 1 - 6

1Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba
sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka.
Rehefa mitsahatra mandrava ianao,
dia mba horavana koa;
ary rehefa mitsahatra mamitaka,
dia mba hofitahina koa.
2TOMPO ô, iantrao izahay fa manantena Anao.
Aoka Ianao no ho herinay isa-maraina
sady ho mpamonjy anay amin'ny androm-pahoriana!
3Mandositra ny vahoaka isan-tokony,
rehefa mandre ny firotsahanao an-tsehatra;
miparitaka ny hafa firenena,
vantany vao miseho ny fahambonianao.
4Miavosa toa fiavosam-balala ny remby;
ary toa firohotr'andiam-balala
no hirohotana mankeo aminy.

5Manerinerina tokoa ny TOMPO,
satria mitoetra any ambony any Izy.
Nofenoiny rariny sy hitsiny ao Tsiôna.
6Hiaina am-pahatokiana ianao, ry vahoakan'ny Tompo.
Ny fahendrena amam-pahalalana
no harem-pamonjena ho anao;
ary ny fanajana ny TOMPO
no raki-tsarobidy ho anao.

vendredi 25 janvier 2019

Zoma 25 Janoary 2019 - Mar 9 : 2 - 8

2Enina andro taorian'izay, dia nalain'i Jesoa niaraka taminy ry i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Dia niova tarehy teo anatrehan'izy telo lahy i Jesoa: 3ny fitafiany niova namirapiratra sady fotsy nangatsakatsaka, ary tsy misy mpanasa lamba mahadio sy mahafotsy lamba toy izany etỳ ambonin'ny tany. 4Hitan'ireto mpianatra koa i Elià sy i Mosesy; ary niresaka tamin'i Jesoa izy roa lahy. 5Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa:
–Mpampianatra ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa hanao lay telo izahay; ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy ary ny anankiray ho an'i Elià.

6Fa tsy hitan'i Petera izay holazaina satria samy raiki-tahotra ireto mpianatra telo lahy. 7Tamin'izay dia nisy rahona nanarona azy rehetra, ary nisy feo avy tao amin'io rahona io nanao hoe:
–Ity no Zanako, ilay Malalako; henoy Izy!

8Ary niaraka tamin'izay ireo mpianatra telo lahy dia nanopy maso manodidina, ka tsy nahita olona intsony teo aminy afa-tsy i Jesoa irery ihany.

jeudi 24 janvier 2019

Alakamisy 24 Janoary 2019 - Deo 10 : 12 - 19

12Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain'ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin'ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo. 13Andrandrain'ny TOMPO aminareo ny hitandremanareo ny didy aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio mba hahasambatra anareo. 14Indro fa an'ny TOMPO Andriamanitrareo ny lanitra midadasika ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan'ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao. 16Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an'ny TOMPO, fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17Ilay TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, tsy mba mizaha tavan'olona na mandray kolikoly; 18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19Koa tiavo ny vahiny eo aminareo, fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo.

mercredi 23 janvier 2019

Alarobia 23 Janoary 2019 - Lio 5 : 4 - 11

4Nony nitsaha-niteny i Jesoa, dia nanao tamin'i Simôna hoe:
–Mandrosoa eny amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana trondro.

5Fa novalian'i Simôna hoe:
–Mpampianatra ô, niasa mafy izahay halina tontolo, saingy tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny baikonao, dia halatsako ihany ny harato.

6Vao nandatsaka ny harato izy ireo, dia nahazo trondro be tokoa ary saika rovitra ny harato. 7Koa nohatsihin'izy iray tarika mba ho avy hanampy azy ny namany izay teny amin'ny sambokely hafa. Dia avy ireo, ka samy feno safomorona saika hilentika ny sambokely anankiroa. 8Raha nahita izany i Simôna Petera, dia niankohoka teo an-tongotr'i Jesoa nanao hoe:
–Tompo ô, halaviro aho fa mpanota!

9Taitra loatra manko izy mbamin'ireo niaraka taminy noho ny haben'ny trondro azony. 10Toa izany koa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin'i Zebedeo izay niombona asa tamin'i Simôna. Ary hoy i Jesoa tamin'i Simôna:
–Aoka izay ny tahotra; manomboka izao dia olona kosa no halainao!

11Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety i Simôna sy ny namany, dia nandao ny zavatra rehetra ka lasa niaraka tamin'i Jesoa.

mardi 22 janvier 2019

Talata 22 Janoary 2019 - Sal 111 : 1 - 10

1 Haleloià!
ALEFA
Hoderaiko amin'ny foko manontolo ny TOMPO
BETA
eo amin'ireo olo-mahitsy
tafavory sy tafangona.
GIMELA
2Lehibe ny asa ataon'ny TOMPO
DALETA
ka tsapan'izay rehetra mankafỳ an'ireny.
HE
3Madera sady malaza ny zava-bitany;
VAO
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
ZAINA
4Tiany hotsaroana ny zava-mahagaga nataony.
HETA
Miantra sy mamindrafo ny TOMPO.
TETA
5Omeny sakafo ireo matahotra Azy;
JODA
tsaroany lalandava ny fanekempihavanany.
KAFA
6Ny vahoakany nanehoany ny hery ampiasainy,
LAMEDA
fony nomeny azy ny tanin'ireo hafa firenena.
MEMA
7Mahatoky sy ara-drariny ny asa vitany;
NONA
azo antoka avokoa ny fandaharany:
SAMEKA
8mafy orina hatrany ka ho mandrakizay ireny,
HAINA
mahatoky sy mahitsy no nanaovany azy.
PE
9Nandefasany fanafahana ny vahoakany
TSADE
sy nandraiketany fanekempihavanana mandrakizay.
KÔFA
Andriamanitra masina sy mahatahotra Izy.
RESA
10Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena:
SINA
malina tsara izay rehetra mankatò izany.
Maharitra mandrakizay ny fiderana ny TOMPO.

lundi 21 janvier 2019

Alatsinainy 21 Janoary 2019 - Mar 1 : 21 - 28

21Dia nankany an-tanàna atao hoe Kafarnahòma i Jesoa mbamin'ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin'ny sinagôga i Jesoa ka nampianatra tao. 22Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalàna. 23Tamin'izay indrindra, tao amin'ny sinagôgan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon'ny fanahy maloto 24ka niantsoantso mafy hoe:
–Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra e!

25Notenenin'i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe:
–Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io.

26Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy.

27Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe:
–Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon'ity olona ity ka manaiky Azy!

28Ary poatoizay dia niely eran'ny faritany Galilea manontolo ny lazan'i Jesoa.

dimanche 20 janvier 2019

Alahady 20 Janoary 2019 - Apo 14 : 6 - 7

6Ary hitako nisy anjely anankiray hafa koa nanidina teny amin'ny habakabaka farany ambony. Io anjely io dia nanana hafatra soa maharitra mandrakizay hotorîny amin'izay monina ambonin'ny tany, dia amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena mbamin'ny olona samy hafa fiteny sy ny vahoaka isan-tokony; 7ka hoy izy tamin'ny feo mahery hoe: «Manajà an'Andriamanitra ka manomeza voninahitra Azy, fa tonga ny andro fitsaràny! Mitsaoha an'Ilay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'ny loharano.»

samedi 19 janvier 2019

Sabotsy 19 Janoary 2019 - Isa 6 : 1 - 7

1Tamin'ny taona nahafatesan'i Hozià mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo amin'ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban'akanjony. 2Nisy serafima nitsangana teo amboniny, izay samy manana elatra enina avy: ka ny roa nanakonany endrika, ny roa nanakonany vatana, ary ny roa nanidinany. 3Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe:

«Masina, masina, masina
ny TOMPOn'izao rehetra izao!
Feno ny voninahiny ny tany manontolo!»

4Nipararetra ny fanambanin'ny tokonana noho ny hamafin'ny feon'ireo serafima ireo, sady feno setroka ny trano. 5Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin'ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn'izao rehetra izao, no hitan'ny masoko!»

6Kinanjo nanidina nanatona ahy ny iray tamin'ireo serafima, nitondra vainafo teny an-tanany, dia vainafo avy nalainy tamin'ny tandra teo amin'ny alitara. 7Natehiny tamin'ny vavako izany, ary hoy izy tamiko:

«Indro efa nitehika ny molotrao ity;
koa afaka ny helokao,
ary voavela ny fahotanao.»

vendredi 18 janvier 2019

Zoma 18 Janoary 2019 - I sam 11 : 5 - 11

5Tamin'izay indrindra no tonga avy any an-tsaha niroaka ny ombiny i Saoly, ka nanontany izay anton-javatra nampitomany ny olona. Dia nitaterana izay voalazan'ny iraka avy any Jabesy izy. 6Raha nandre izany i Saoly, dia nilatsahan'ny Fanahin'Andriamanitra, ary nirehi-pahatezerana mafy. 7Naka omby roa izy, ka notetitetehiny madinika izany, ary nasainy nentin'ireo iraka manerana ny faritan'i Israely, miaraka amin'izao fampitandremana hoe:

–Ho toy izao anie ny hanjo ny ombin'izay tsy manaraka an'i Saoly sy i Samoela hiady!

Azon-korohoro ny amin'izay mety hataon'ny TOMPO ireo Israelita ka niainga hiady toy ny olona iray ihany. 8Nampanaovin'i Saoly matso tao Bezeka izy ireo, dia noisainy ka nahatratra andiany telonjato ny avy amin'ireo foko tavaratra ary andiany telopolo ny avy amin'ny fokon'i Joda. 9Ireo iraka avy any Jabesy Gilehàda kosa dia nasaina nilaza tamin'ny mponina any aminy hoe: «Rahampitso rehefa antoandrobenanahary iny, dia ho voavonjy ianareo» Dia lasa ny iraka nanambara izany vaovao izany tamin'ny mponin'i Jabesy, izay faly aoka izany 10sady niteny tamin'ny Hamônita hoe:

–Rahampitso dia hitolo-batana aminareo izahay ka ataovy aminay izay tianareo hatao.

11Ny ampitso dia nozarain'i Saoly ho antoko telo ny tafiny izay niditra tao amin'ny tobin'ny fahavalo talohan'ny madiva haraina ary namely ny Hamônita hatramin'ny mitataovovonana. Ny sisa tsy maty dia niparitaka tsy afa niara-droa akory.

jeudi 17 janvier 2019

Alakamisy 17 Janoary 2019 - Asa 5 : 1 - 11

1Nisy kosa lehilahy atao hoe Hananià nivarotra tany rehefa nifanaraka tamin'i Safira vadiny. 2Niray tsikombakomba tamin'ny vadiny ralehilahy ary nitazona ampahany ho azy roa tamin'ny vola vidin'ny tany; fa ny sisa no nentiny hatolotra teo anatrehan'ireo apôstôly. 3Dia hoy i Petera taminy:

–Ry Hananià, nahoana no dia nameno ny fonao i Satàna ka nampandainga anao tamin'ny Fanahy Masina ary nampitazona ampahany ho anao tamin'ny vola vidin'ny tany? 4Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.

5Nony nandre izany teny izany i Hananià, dia nidaboka ho azy ka niala aina. Ary raiki-tahotra mafy izay rehetra nandre izany. 6Tonga ny tovolahy, dia nofonosiny ny faty ary nentiny nalevina.

7Sahabo ho adiny telo taorian'izany, dia tamy koa ny vavy, saingy tsy fantany izay vao nitranga teo. 8Ka hoy i Petera taminy:
–Lazao ahy kely hoe: izany ihany ve no nivarotanareo ny taninareo?

Dia novalian'i Safira hoe:
–Eny, izany ihany no nivarotanay azy!

9Ary hoy i Petera taminy:
–Nahoana no dia niray tetika nizaha toetra ny Fanahin'ny Tompo ianareo? Mby eo an-tokonam-baravarana izao ireo zatovo avy nandevina ny vadinao, ka hoentiny halevina koa ianao.

10Niaraka tamin'izay i Safira dia nidaboka ho azy teo anoloan'ny tongotr'i Petera ka niala aina. Vao tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty ravehivavy, ka nentiny nalevina teo anilan'i Hananià vadiny. 11Raiki-tahotra mafy ny Fiangonana manontolo mbamin'izay rehetra nandre izany.

mercredi 16 janvier 2019

Alarobia 16 Janoary 2019 - Neh 9 : 32 - 37

32Koa ankehitriny, ry Andriamanitra ô,
lehibe sady mahery no mahatahotra Ianao,
ary mitandro ny fanekempihavananao sy fitiavanao.
Aoka re tsy ho zavatra kely eo imasonao
ny fahoriana rehetra efa nanjo ny vahoakanao tsivakivolo
dia ny mpanjakanay sy mpanapaka anay,
ny mpisoronay sy mpaminaninay,
ary ny razanay mbamin'ny tenanay,
manomboka tamin'ny andron'ireo mpanjakan'i Asiria
ka mandrak'izao andro anio izao!
33Mandala ny rariny Ianao tamin'izay rehetra nanjo anay;
satria marina ny nataonao, fa izahay no nanao ratsy.
34Ny mpanjakanay sy mpanapaka anay
ary ny mpisoronay sy ny razanay
dia samy tsy nanatanteraka ny lalànao,
ary tsy niraharaha ny didinao
sy ny fananarana nataonao taminy.
35Teo amin'ny zava-tsoa marobe nomenao azy nandritra ny nanjakàny
ary teo amin'ny tany malalaka sy lonaka
natolotrao ho eo anoloany,
dia tsy nanompo Anao ireo
sady tsy niala tamin'ny ratsy fanaony.
36Ankehitriny dia indreto andevozina izahay
eto amin'ny tany izay nomenao ny razanay
hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy.
37Vokatra marobe tokoa no aterak'ity tany ity
kanefa lasan'ireo mpanjaka izay notendrenao
hanapaka anay noho ny fahotanay;
eny, manapaka ny tenanay sy biby fiompinay
araka izay itiavany azy izy,
ka ozoim-pahoriana mafy izahay!

mardi 15 janvier 2019

Talata 15 Janoary 2019 - I Pet 2 : 17 - 25

17Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an'Andriamanitra, manajà ny filoham-pirenena.

18Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amim-panajana tanteraka, tsy ny tsara fanahy sy ny malemy paika ihany fa ny sarotiny koa; 19satria izao no ankasitrahin'Andriamanitra: ny miaritra fampahoriana mihatra tsy an-drariny, noho ny fieritreretanao an'Andriamanitra. 20Inona tokoa moa no lazanareo, raha tàhiny manao hadisoana ianareo no kapohina ka mandefitra? Fa raha tàhiny manao soa ianareo no nampahorîna ka mandefitra, dia izany no ankasitrahin'Andriamanitra. 21Eny, izany no niantsoan'Andriamanitra anareo; fa i Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany: 22i Kristy tsy nanota akory sady tsy mba niloa-bava hilaza fitaka; 23notevatevaina Izy, nefa tsy mba nanevateva; nijaly Izy, nefa tsy mba nandrahona, fa nanankin-tena tamin'Andriamanitra Izay mitsara ara-drariny; 24ny tenan'i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin'ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo. 25Eny, efa toy ny ondry nania ianareo, nefa ankehitriny dia tafaverina amin'ilay mpiandry sy mpitandrina ny fanahinareo.

lundi 14 janvier 2019

Alatsinainy 14 Janoary 2019 - Jer 32 : 36 - 44

36Ankehitriny anefa, na eo aza izany, Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia mbola manan-teny momba ity tanàna ity izay voalazanao sy voalazan'ny hafa hoe natolotra teo an-tanan'i Nebokadnetsara tamin'ny alalan'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. 37Indro ny mponin'ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin'ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin'ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo. 38Dia ho vahoakako indray izy, ary Izaho ho Andriamaniny. 39Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy. 40Hanao fanekempihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony. 41Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin'ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin'ity tany ity.

42Izao ihany koa no lazaiko: Izaho TOMPO no nahatonga izao loza lehibe rehetra manjo ny vahoakan'i Joda izao. Ary mbola Izaho ihany no hahatonga eo aminy ny soa rehetra izay efa nampanantenaiko azy. 43Hisy fividianana saha indray eto amin'ity tany ity izay lazainao hoe lao tsy misy olona na biby fiompy intsony fa efa natolotra an'i Nebokadnetsara. 44Eny, ao amin'ny faritanin'i Benjamîna sy ao amin'ny manodidina an'i Jerosalema, any amin'ny tanànan'i Joda ary koa any amin'ny tanàna any an-tendrombohitra sy any amin'ny lemak'i Sefelà ary any Negeba, dia hisy fividianana saha indray; hosoratana ny fanekem-pivarotana ka hasiana tombokase ary hiantsoana vavolombelona, satria haveriko amin'ny laoniny. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

dimanche 13 janvier 2019

Alahady 13 Janoary 2019 - Lio 23 : 39 - 43

39Ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nihantona teo dia nanevateva Azy ka nanao hoe:
–Tsy Ianao tokoa ve no ilay Mesia? Vonjeo ny tenanao ary vonjeo koa izahay.
40Fa niteny azy mafy kosa ilay faharoa nanao hoe:
–Tsy matahotra an'Andriamanitra mihitsy ve ianao, na dia voaheloka miaraka amin'ity olona ity aza? 41Ny antsika roa lahy dia rariny izao, satria valin'ny natao no raisina; fa ny Azy kosa, tsy mba nisy ratsy nataony na inona na inona.
42Dia izao no naverimberiny:
–Jesoa ô, mba tsarovy aho rahatrizay ho avy indray Ianao amin'ny maha Mpanjaka Anao.
43Ka hoy i Jesoa taminy:
–Lazaiko marina aminao fa anio ihany dia ho tafaraka amiko any am-paradisa ianao.

samedi 12 janvier 2019

Sabotsy 12 Janoary 2019 - Oha 9 : 7 - 12

7Izay mananatra ny mpaniratsira dia hahazo fanarabiana;
ary izay manaraka ny olon-dratsy dia ho afa-baràka.
8Aza mananatra ny mpaniratsira, fandrao hankahalainy ianao;
fa ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9Manomeza ho an'ny hendry, dia hihahendry izy;
ampianaro ny olo-marina, dia hitombo traikefa izy.
10Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena.
Ny fahalalana Ilay Masina no tena fahaiza-manavaka.
11Eny, izaho Fahendrena no mahamaro ny andronao
sy mampahalava ny taona hiainanao.
12Raha hendry ianao, dia tombontsoa ho anao izany.
Fa raha miavonavona kosa ianao,
dia ianao ihany no hilanja ny vokany.

vendredi 11 janvier 2019

Zoma 11 Janoary 2019 - Asa 9 : 26 - 31

26Vao tonga tany Jerosalema i Saoly, dia nitady hikambana tamin'ny mpianatra; saingy natahotra azy izy rehetra satria tsy afaka nino azy ho isan'ny mpianatra. 27Nalain'i Barnabà kosa i Saoly ka nentiny teo amin'ny apôstôly; dia teo anatrehan'ny apôstôly no nitantaran'i Barnabà ny fomba nahitan'i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny teny nataon'ny Tompo taminy ary koa ny fahasahian'i Saoly nitoriteny tamin'ny anaran'i Jesoa tany Damasy. 28Izay vao afa-nifanerasera tamin'ny mpianatra tao Jerosalema i Saoly sady tena sahy nitoriteny tamin'ny anaran'ny Tompo. 29Niresahan'i Saoly sy nifanakalozany hevitra koa ireo Jiosy miteny grika; kanjo notadiavin'ireo hovonoina izy. 30Nony fantatr'ireo havana iray finoana izany, dia nateriny tany Kesaria i Saoly ary nampodîny nankany Tarsa.

31Nandry feizay ny Fiangonana manerana an'i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin'ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan'ny Fanahy Masina.

jeudi 10 janvier 2019

Alakamisy 10 Janoary 2019 - Lio 13 : 1 - 5

1Tamin'izay dia nisy olona tonga nitantara tamin'i Jesoa momba ireo Galileanina izay nanolotra sorona ho an'Andriamanitra iny indrindra no novonoin'i Pilato.

2Ka hoy i Jesoa taminy:
–Heverinareo ve fa ireo Galileanina ireo, matoa nozoin-doza toy izany, dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra? 3Tsia, hoy Aho aminareo, fa raha tsy ialanareo ny toe-dratsinareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. 4Ary ny olona 18 maty nianjeran'ny tilikambon'i Silôà, heverinareo ve fa diso mihoatra noho ny mponina hafa rehetra ao Jerosalema? 5Tsia, hoy Aho aminareo, fa raha tsy ialanareo ny toe-ratsinareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.

mercredi 9 janvier 2019

Alarobia 09 Janoary 2019 - Sal 25 : 12 - 15

12Raha misy olona manaja ny TOMPO,
dia hotoroany ny làlan-kofidina koa izy.
13Hiaina amim-piadanana izany olona izany;
ary ny taranany no handova ny tany.
14Ireo mpanaja ny TOMPO
no anehoany ny tsiambaratelony,
satria ampahafantariny azy tokoa
izay raketin'ny fanekempihavanany.
15Banjiniko mandrakariva ny TOMPO,
fa Izy ihany no hanafaka ahy
amin'ny harato namandrihana ahy.

Ny olona mahay manavaka

Izay mitandrina amin'ny ataony mba hifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra no atao hoe : matahotra an'Andriamanitra. Koa ny olona matahotra an'Andriamanitra dia : 

1 -Tonga mahay manavaka

"Izay no hampianariny izay lalana tokony ho fidiny" (and 12). Mahay misafidy sy mahay manavaka ny lalana tokony hizorany sy ny azony handehanana ny olona matahotra an'Andriamanitra, satria ampianariny. Manana ny Fanahin'ny fahaiza-manavaka, ka mahonon-tena sy mahafantatra ny tsara ataony. Ny olona matahotra an'Andriamanitra no azo antoka fa ialohavan'Andriamanitra lalana. Handroso eo alohanao aho hoy izy (Eks 23 : 23 ; Deo 9 : 3 ; 31 : 3 - 8), ary inoantsika fa ny Fanahy Masina no hitari-dalana izay matahotra Azy ho amin'ny tsara rehetra araka ny sitrapon'Andriamanitra (Jao 16 : 13)

2 - Eken'Andriamanitra ho olo-mahatoky

"Ny fisainan'I Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy" (and 15). Ny hevitr'izany dia hoe : ametrahan'Andriamanitra fitokisany ny matahotra azy, ka ilazany tsiambaratelo sy zava miafina, ary ampandraisiny andraikitra lehibe. Izay mahatoky  amin'ny kely dia ho tendren'ny Tompo ho mpanapaka ny be (Mat 25 : 21 - 23 ; Lio 19 : 17). Ny olona matahotra an'Andriamanitra no ekeny ho mahatoky, ka ataony mpiara-miasa aminy.

Fanontaniana : 
Inona koa no ataon'ny Tompo amin'izay matahotra azy, eo amin'ny andininy 15b?

mardi 8 janvier 2019

Talata 08 Janoary 2019 -Mat 10 : 26 - 33

26–Koa aza matahotra ny olombelona ianareo. Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra. 27Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina dia ambarao eny amin'ny mazava; ary izay ren'ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano. 28Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an'Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin'ny lohasahan'afo. 29Tsy ampaharoapolon'ny denàry monja ve no vidin'ny fody roa? Kanefa tsy hisy latsaka amin'ny tany izy ireny na iray aza, raha tsy lahatry ny Rainareo. 30Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr'Andriamanitra ny isany. 31Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo!

32–Noho izany, na zovy na zovy manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. 33Fa na zovy na zovy mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

Andriamanitra irery ihany no tokony hatahorana, fa tsy izay olona mandrahona sy manenjika noho ny finoana. Koa mijora, manana fahasahiana

1 - Asehoy ny marina

Tsy azo atao ny matahotra olona izay mandrahona sy misakana antsika tsy hilaza ny marina. Izany no hevitra azo raisina eo amin'ny and. 26. Hankahala sy hanenjika izao tontolo izao, nefa aza mihemotra amin'izany. Ilaina habaribary koa ny herin'I Kristy sady tsy maintsy toriana sy hambara ny teniny. Raha bangoina ireo dia samy milaza fahamarinana, satria na i Jesoa, na ny teniny dia samy fahamarinana. Koa aza afenina ny marina! Mijoroa, manana fahasahiana, asehoy sy hambarao ny marina fa voahantso sy voafidiny ho vavolombelon'I Kristy ianao!

2 - Matokia fa miaro sy mitsimbina ny Tompo

Ny and 28 - 31 dia fampaherezana sy fanomezan-toky ho an'izay miahotra sy matahotra hijoro ho vavolombelona. Sarotra sy mety ahitan-doza ny fijoroana ho vavolombelona, kanefa manome toky ny Tompo fa hiaro sy hitsimbina. Ny antsipiriam-piainantsika dia fantany, satria ny volondohantsika aza voaisany. Milaza izany fa sarobidy eo anatrehan'ny Tompo isika mpanompony, mihoatra lavitra noho ny voronkely. Koa matokia, ary tsarovy ny teny fanomezan-toky nataony hoe : ''Mpanompoko ianao ka  tsy mba nariako" (Isa 41 : 9)

Fanontaniana :
Moa mifandray ve ny filazana ny marina sy ny fahatahorana ny Tompo, raha ny hevitra aseho eto?

lundi 7 janvier 2019

Alatsinainy 07 Janoary 2019 - II Kor 7 : 1 - 4

1Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.

2Mba ataovy omby anay ny fonareo. Tsy nanisy ratsy olona izahay, na nanimba olona, na nanambaka olona. 3Tsy ny hanameloka anareo no ilazako izany; fa efa voalazako rahateo fa lalainay ao am-ponay ianareo, ka ho tafaraka aminay hatrany na velona na maty. 4Lehibe ny fahatokiako anareo, tena reharehako tokoa ianareo; ka feno fampaherezana aho sady tsy omby tratra ny hafaliako amin'ny fahoriana rehetra manjo anay.

Aoka isika ho masina amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra

1 - Mibebaha

"Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana" (and 1). Tsy manadio tena hantsarana tena eo anatrehan'ny Tompo akory izany. Miseho amin'ny endrika roa ny manadio tena, araka ny hevitra eto : mampitsahatra ny ota ary mandao ny faharatsiana izay fanaon'ny jentilisa andaniny ; ary etsy ankilany kosa dia mitodika sy miverina amin'Andriamanitra. Iroe no atao hoe mibebaka. Tsy feno ny hevitry ny fibebahana raha tsy tanteraka ireo lafiny roa ireo. Koa mibebaha, fa izany no fiainam-pahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra

2 - Mifandraisa tsara amin'ny namana

Ratsiratsy fifandraisana tamin'ny apostoly Paoly ny mpino sasany tao amin'ny fiangonaa tao Korinto. Io no mahatonga azy hanoratra oe : "Ataovy omby anay ny fonareo" (and 2). Manazava ny tsy tokony hankahalana azy, na ny tsy hitiavana azy i Paoly. Raha tsy mifankahazo, na mifanao andolompo ny olona dia tsy miaina amin'ny fitiavana, hany ka tsy azo lazaina ho miaina amin'ny fahamarinana sy ny fahatahorana an'Andriamanitra ihany koa. Omeo toerana ny fitiavana, fa izany no manarona fahotana maro, ka mandrindra izay disadisa mampisaraka. Izany no fahamasinaa amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.

Fanontaniana :

Moa azonao amin'izay ve ny hevitry ny hoe : "Diovy ny tenanareo ry mpanota"? Jak 4 : 8

dimanche 6 janvier 2019

Alahady 06 Janoary 2019 - Eks 20 : 18 - 21

18Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon'ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny.

19Hoy ireo tamin'i Mosesy:
–Ianao ihany no mitenena aminay dia hohenoinay fa aoka tsy hiteny aminay mivantana Andriamanitra, fandrao maty izahay.

20Namaly azy ireo i Mosesy hoe:
–Aza matahotra! Raha nanatona anareo Andriamanitra, dia ny mba hizaha toetra anareo; tiany hisy eo aminareo ny fanajana Azy mba tsy hanotanareo.

21Dia nijanona teny lavitra teny ny Israelita, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona matevina izay nisy an'Andriamanitra.

samedi 5 janvier 2019

Sabotsy 05 Janoary 2018 - Isa 12 : 1 - 6

1Amin'izany andro izany,
ry olona voaavotra,
dia hiteny ianao ka hanao hoe:
«Midera Anao aho, TOMPO ô;
fa na tezitra tamiko aza Ianao,
dia afaka ny fahatezeranao
ka nampionona ahy Ianao.

2Indro Andriamanitra namonjy ahy,
matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony.
Ny TOMPO no heriko sy fidèrako,
fa Izy no mpamonjy ahy.»
3Amim-pifaliana no hantsakanareo
eo amin'ny loharanom-pamonjena.

4Amin'izany andro izany
dia hiteny ianareo ka hanao hoe:
«Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany,
ambarao amin'ny vahoaka rehetra ny asany,
ampahatsiarovy azy
fa tsy hay takarina ny anarany.
5Ankalazao an-kira ny TOMPO
fa asa lehibe no nataony;
ary aoka hampahafantarina eran-tany izany!»
6Mifalia sy miravoravoa,
ry mponina ao Tsiôna,
fa lehibe Ilay eo anivonareo,
dia Ilay Masin'i Israely.

vendredi 4 janvier 2019

Zoma 04 Janoary 2018 - Neh 5 : 6 - 13

6Dia tezitra mafy aho rehefa nahare ny fitarainan'ny olona sy izany teny izany. 7Koa nanapa-kevitra anakampoko aho fa ny loholona sy mpanapaka no hanariko noho izy samy nampanàna zavatra tamin'ny mpiray firenena aminy. Dia nampanao fivoriam-be hitsarana azy aho 8sady niteny taminy hoe:

–Izahay, araka izay tratry ny fanananay, dia efa nanavotra ny mpiray firenena aminay, izany hoe ireo Jiosy namidy tamin'ny hafa firenena; fa ianareo kosa mivarotra ny mpiray firenena aminareo, ka amintsika samy isika ihany no ivarotanareo azy.

Dia sina ry zareo fa tsy nahita havaly. 9Ary hoy koa aho hoe:
–Tsy tsara izao ataonareo izao! Moa tsy tokony niaina tamim-pahatahorana an'Andriamanitra ve ianareo mba tsy hiharan'ny fanaratsian'ireo hafa firenena fahavalontsika? 10Izaho sy ny havako ary ny mpanompoko dia efa nampisambotra vola sy vary, koa aoka re isika mba samy hamoy izany trosa izany! 11Eny, avereno amin'ny mpitrosa, izao anio izao ihany, ny sahany sy ny tanimboalobony mbamin'ny tanin'ôlivany sy ny tranony; ary afoizo ny tombon-tsoa ateraky ny vola mbamin'ny vary sy divay ary menaka izay nampisamborinareo.

12Dia hoy ireo hoe:
–Eny, hanao araka izay lazainao izahay. Hamerina izay nalainay izahay ary tsy hitaky na inona na inona amin'ny mpitrosa.

Dia niantso ny mpisorona aho ka teo anatrehany no nampianianako an'ireo mpampisambotra fa hanao araka izany toky nomena izany. 13Avy eo aho dia nanakopaka ny lambako sady niteny hoe:
–Ho tahaka izany anie no hanakopahan'Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy hahatanteraka izany toky nomena izany! Eny, ho voakopaka hiala amin'ny tranony sy ny fananany anie izy, ka ho tavela tsy hanana na inona na inona!

Dia ny fivoriam-be no indray namaly hoe «Amen» sady nidera ny TOMPO; ary nanao araka izany toky nomena izany tokoa ny olona.

jeudi 3 janvier 2019

Alakamisy 03 Janoary 2018 - Eks 15 : 1 - 10

1Noho izany dia nihira izao hira izao ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO i Mosesy sy ny Israelita ka nanao hoe:

Hihira ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO aho;
fandresena miezinezina no azony,
natsipiny any an-dranomasina
ny soavaly sy ny mpitaingina azy!
2Ny TOMPO no heriko ka hataoko an-kira,
tonga namonjy ahy Izy,
Izy no Andriamanitro, ka hoderaiko
izy no Andriamanitry ny razako, ka hankalazaiko.
3Mpiady mahery ny TOMPO;
mandia ny anarany hoe TOMPO.
4Fa navariny ao an-dranomasina
ny kalesy sy ny andian-tafiky ny Farao,
ireo manam-boninahiny voafantina
nasitriny ao an-dranomasin'ny Volotara.
5Nandrakotra azy ny ranobe:
nilentika any amin'ny farany ambany
toy ny vato alatsaka izy.
6TOMPO ô, malaza ho mahery
ny sandrinao ankavanana,
ka manorotoro fahavalo!
7Mahatalanjona ny fahalehibiazanao
fa manapotika ny mpanohitra Anao.
Alefanao ny fahatezeranao
ka mandoro azy toy ny mololo.
8Noho ny hamafin'ny fofonainao
dia nisavovona ny ranobe;
nivangongo toa rindrina ny onjan-drano;
teo amin'ny fanambanin'ny ranomasina
no nifitsaka ny alon-drano.
9Dia hoy ireo fahavalony hoe:
«Hoenjehintsika ireny ka hotratrarintsika,
halaintsika ho babo ka hanaranantsika fo;
hotsoahantsika ny sabatra,
ka hamongotra azy ny tanantsika.»
10Saingy natsokanao ny rivotrao,
dia norakofan'ny ranomasina ireo.
Nilentika ao anaty ranomody
toy ny vongam-piraka izy.

mercredi 2 janvier 2019

Alarobia 02 Janoary 2019 - I Pet 1 : 17 -20

17Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan'olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany. 18Fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin'ny fitondrantena tsy mahasoa nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba tahaka ny volafotsy na ny volamena; 19ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin'i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina. 20I Kristy dia efa voatendrin'Andriamanitra rahateo talohan'ny nahariana izao tontolo izao, saingy tamin'izao andro farany izao vao naseho noho ny aminareo;

mardi 1 janvier 2019

Talata 01 Janoary 2019 - Eks 23 : 20 - 29

20«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin'ny tany izay efa nomaniko ho anareo. 21Mitandrema tsara eo anatrehany ka henoy izay lazainy, ary aza manohitra azy; fa tsy mahazaka fikomiana izy, satria mitondra ny anarako. 22Raha mankatò azy hatrany ianareo, ka manatanteraka an-tsipiriany izay rehetra nandidiako anareo, dia Izaho Tompo no ho fahavalon'izay fahavalonareo, ary handrafy izay mandrafy anareo.

23Koa aza ataonareo ho toy ny andriamani-bolafotsy na volamena Aho, ary aza manamboatra ireny ho anareo. 24Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin'ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako. 25Fa raha hanao alitara vato ho Ahy ianareo, dia aza atao amin'ny vato voapaika; satria raha mipaika azy amin'ny fandraka ianareo, dia handoto azy. 26Aza asiana tohatohatra hiakaranareo ho eo amin'ny alitarako mba tsy hiseho ny fitanjahanareo.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12