vendredi 31 juillet 2020

Zoma 31 Jolay 2020 - Lio 8 : 26 - 39

26Dia nitody teny amin’ny faritanin’i Gergesà tandrifin’i Galilea ry i Jesoa sy ny mpianany. 27Vao niala tao an-tsambokely hankeo an-tanety i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray avy ao an-tanàna nitsena Azy. Azon’ny demony ralehilahy ka hatry ny ela no manary lamba, sady tsy mahapetraka an-trano fa nonina teny amin’ny fasana. 28Vao nahatazana an’i Jesoa izy, dia nikiakiaka sady niankohoka teo anatrehany no niteny tamin’ny feo mahery hoe:
–Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra avo indrindra? Mihanta aminao aho, aza dia ampijalîna re!

29I Jesoa manko efa nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dralehilahy. Efa imbetsaka io fanahy maloto io no namely azy; fatorana gadra tongotra aman-tanana izy no ambenana, kanefa manapaka fatorana ihany ary entin’ny demony miriorio any an-taniefitra.

30Dia hoy i Jesoa nanontany an-dralehilahy:
–Iza no anaranao?

Ka novaliany hoe:
–Tafika no anarako.

31Fa maro tokoa ny demony tafiditra tao amin’ilay olona. Dia niangavy tamin’i Jesoa ireo demony mba tsy hodidiany hivarina any anaty hantsana.

32Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nandrasana teo amin’ny kisolosolon’ny havoana. Koa niangavy tamin’i Jesoa ny demony mba havelany hiditra amin’ireo kisoa ireo, ary nekeny ny fangatahany. 33Rehefa niala tamin-dralehilahy ny demony, dia niditra tamin’ny kisoa; ary nirifatra ny andian-kisoa ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy, dia maty tao.

34Vao nahita ny zava-niseho ireo mpiandry kisoa, dia nandositra ary nilaza ny vaovao tao an-tanàna sy teny ambanivohitra. 35Dia lasa ny olona hijery ny zava-niseho; ka nony tonga teo akaikin’i Jesoa, dia nihoron-koditra nahita an-dralehilahy nialan’ny demony, mipetraka tsara eo an-tongotr’i Jesoa, mitafy lamba sady ary saina. 36Ry zareo nanatri-maso kosa nitantara tamin’ireo vao tonga ny nahasitranan’ilay azon’ny demony. 37Raiki-tahotra mafy ny mponina rehetra, ka dia nangataka an’i Jesoa mba hiala teo amin’ny faritanin’i Gergesà. Dia niondrana an-tsambokely Izy ndeha hiverina. 

38Niangavy tamin’i Jesoa kosa ralehilahy nialan’ny demony mba hiaraka aminy, fa nampodîny nataony hoe:
39–Modia any an-tranonao, ka tantarao ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminao.
Dia lasa ralehilahy nitory teny eran’ny tanàna ny zava-dehibe nataon’i Jesoa taminy.

jeudi 30 juillet 2020

Alakamisy 30 Jolay 2020 - Eks 5 : 1 - 15

1Taorian’izany dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka niteny taminy hoe:
–Izao no nambaran’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.»

2Dia hoy ny Farao:
–Iza moa ny TOMPO no hoekeko, ka handefasako ny Israelita handeha? Tsy fantatro IZY, koa tsy halefako handeha ianareo!

3Dia hoy indray i Mosesy sy i Aharôna hoe:
–Ilay Andriamanitry ny Hebreo, ilay TOMPO Andriamanitray, no niseho taminay. Koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro any an-taniefitra hanao sorona aminy, fandrao hamely anay amin’ny areti-mifindra na amin’ny ady Izy.

4Fa hoy ny mpanjakan’i Ejipta taminy:
–O ry Mosesy sy i Aharôna, nahoana ianareo no manaketraka ny vahoaka israelita amin’ny asany? Mandehana ianareo mankany amin’ny asa fanompoanareo. 5Ankehitriny efa tonga marobe eto amin’ity tany ity ireo olona ireo, ka tianareo hitsahatra amin’ny asa fanompoany ve?

6Androtr’iny ihany dia nomen’ny Farao baiko ireo Ejiptianina lehiben’ny asa fanompoana sy ireo Israelita mpitandrin-draharaha ka nilazany hoe:
7–Aza omenareo mololo toy ny taloha intsony ny Israelita amin’ny fanaovam-biriky, fa izy ireo ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy. 8Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia takio aminy ihany fa aza ahenanareo, satria olona kamo ireo. Koa izany no itarainany handeha hanao sorona ho amin’ilay Andriamaniny. 9Hamafiso fanompoana ireo olona ireo, dia hifototra amin’izany ka tsy hanonofinofy teny lainga.

10Dia nivoaka ny lapa ireo lehiben’ny fanompoana sy ireo mpitandrin-draharaha ka nilaza tamin’ny Israelita hoe:
–Izao no lazain’ny Farao: tsy hanome mololo anareo intsony aho. 11Ianareo ihany no mandehana maka mololo ho anareo amin’izay ahitanareo any, kanefa tsy hisy hahena ny asa fanompoanareo.

12Dia niparitaka manerana ny tany Ejipta manontolo ny Israelita hanangona vodivary hatao mololo. 13Ireo lehiben’ny fanompoana kosa dia nandodona hoe: «Vitao ny asa takîna aminareo isan’andro, tahaka ny tamin’ny mbola nisy mololo ihany!» 14Nokapohiny aza ny mpitandrin-draharaha israelita notinendriny, sady nanontaniany hoe: «Nahoana omaly sy androany no tsy vitanareo ny isan’ny biriky anjaranareo toy ny teo aloha?»

15Nankao amin’ny Farao ireo Israelita mpitandrin-draharaha ka nitaraina hoe:
–Nahoana no dia ataonao toy izao izahay mpanomponao?

mercredi 29 juillet 2020

Alarobia 29 Jolay 2020 - II Tim 2 : 1 - 13

1Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny alalan’ny fahasoavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa. 2Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia ankino amin’ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa.

3Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran’i Kristy Jesoa. 4Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin’ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin’izay mandatsaka azy hiantafika. 5Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. 6Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin’ny vokatra. 7Saino izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.

8Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin’ny taranak’i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly torîko. 9Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin’Andriamanitra tsy mba voagadra. 10Izany no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo olomboafidin’Andriamanitra, mba hahazoan’ireo koa famonjena, dia ilay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra maharitra mandrakizay. 11Azo antoka izao teny izao:

«Raha niara-maty tamin’i Kristy isika,
dia hiara-belona aminy koa;
12raha miaritra ny mafy isika,
dia hiara-manjaka aminy koa;
fa raha lavintsika Izy,
dia mba holaviny koa isika;
13raha mivadika aminy isika,
Izy dia mahatoky hatrany
satria tsy afa-mandà ny tenany.»

mardi 28 juillet 2020

Talata 28 Jolay 2020 - Sal 40 : 11 - 17

11Tsy mba afeniko ato am-poko ny fanafahanao,
ambarako fa Mpamonjy mahatoky Ianao;
ny vahoakanao tafangona amborahako
ilay fitiavanao tsy miova ho anay.
12TOMPO ô, tsy hitsahatra hamindrafo amiko Ianao;
ilay fitiavanao tsy miova no hiaro ahy lalandava.

13Manemitra ahy ny loza tsy hita isa;
mizaka ny vokatry ny heloko aho
sady tsy mahajery azy intsony
noho izy ireny maro noho ny volon-dohako;
ka ketraka dia ketraka ny foko.
14TOMPO ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy!
TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!
15Ho menatra sy mangaihay avokoa anie
izay olona mitady hahafaty ahy!
Hihemotra sy ho afa-baràka anie
izay olona maniry loza ho ahy!
16Aoka ho ankona safotry ny henatra
ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»

17Izay rehetra mitady Anao kosa anie
hifaly sy hiravoravo amin’ny nataonao;
ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie
hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa ny TOMPO!»

lundi 27 juillet 2020

Alatsinainy 27 Jolay 2020 - Lio 4 : 14 - 21

14Nombàn’ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina tany Galilea; ary nanomboka niely tamin’ny faritany manontolo ny lazany. 15Nampianatra tany amin’ny sinagôga Izy sady nomen’ny olona rehetra voninahitra.

16Nandeha tany Nazareta tanàna nahabe Azy i Jesoa ary tamin’ny andro sabata dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony. Nitsangana Izy hamaky ny Soratra Masina 17ka natolotra Azy ny bokin’i Isaià mpaminany. Novelariny ilay boky ary izao no andinin-tsoratra hitany:

18«Ato amiko ny Fanahy avy amin’ny Tompo.
Ka natokan’ny Tompo Aho hanambara
Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra;
nirahiny Aho hitory fanafahana amin’ny mpigadra
sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka ny ampahorîna
19ary hitory taona hanehoan’ny Tompo fanambinana.»

20Rehefa nahorony ilay boky ka naveriny tamin’ny mpandraharaha, dia nipetraka i Jesoa. Nifantoka teny aminy avokoa ny mason’izay rehetra tao amin’ny sinagôga. 21Fa i Jesoa kosa niteny taminy hoe:
–Tanteraka androany amin’izao andrenesanareo azy izao izany andinin’ny Soratra Masina izany.

dimanche 26 juillet 2020

Alahady 26 Jolay 2020 - II Sam 7 : 17 - 24

17Nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa izay rehetra nolazain’Andriamanitra azy nandritra io fahitana io.

18Ary nankeo anatrehan’ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetraka sady nivavaka hoe:
–Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba iza moa aho ary mba inona ny fianakaviako, no tonganao amin’ny toerana misy ahy izao? 19Kanefa mbola kely izany eo imasonao, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin’ny taranako mbola any aoriana lavitra any. Araka ny fomban’olombelona ve izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô? 20Koa inona indray no mbola holazaiko aminao? Fa Ianao, ry Tompo ANDRIAMANITRA ô, mahalala ahy mpanomponao. 21Noho ny fampanantenànao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao hampahalalainao ahy. 22Lehibe Ianao amin’izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô: fa tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay. 23Moa misy eto an-tany firenena tahaka an’i Israely vahoakanao? Dia ilay firenena navotanao ho afaka tamin’ireo Ejiptianina sy ireo andriamaniny mba ho tonga vahoakanao ka nomenao laza tamin’ny nanatanterahanao izao asa lehibe izao ho azy ary zava-mahatahotra ho an’ny taninao. 24Nampiorina mafy an’i Israely ho vahoakanao mandrakizay Ianao, TOMPO ô, sady efa tonga Andriamaniny.

samedi 25 juillet 2020

Sabotsy 25 Jolay 2020 - Jer 34 : 8 - 11

8Ary izao indray no teny tonga ho an’i Jeremià avy amin’ny TOMPO. Izany moa dia taorian’ny nanaovan’i Tsedekià mpanjaka sy ny mponina rehetra tao Jerosalema fifanekena ampahibemaso fa samy hanambara ny fahafahan’ny andevony avy. 9Tsy maintsy handefa ny andevony hebreo na lahy na vavy ho afaka ny olona tsirairay, ka tsy hisy intsony hampanompo ny taranak’i Joda mpiray firenena aminy. 10Ny mpitondra fanjakana rehetra sy ny mponina tao Jerosalema dia samy nandray anjara tamin’izany fifanekena ampahibemaso izany avokoa ary nanaiky tsy hampanompo intsony ireo lehilahy sy vehivavy eo an-tanany, fa samy handefa azy ireny ho afaka. Samy nanaiky izany fifanekena izany avokoa ny olona ka namela ny mpanompony handeha. 11Kanjo niova hevitra izy ireo taorian’izany ka namerina ny lehilahy sy vehivavy nafahany ary nanandevo azy indray.

vendredi 24 juillet 2020

Zoma 24 Jolay 2020 - Jao 4 : 25 - 30

25Dia hoy ravehivavy tamin’i Jesoa:
–Fantatro fa misy Mesia anankiray ho avy, dia Ilay atao hoe Kristy! Ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.

Jesoa kosa nilaza taminy hoe:
–Izaho Izay miresaka aminao no Izy!

27Tamin’izay indrindra no tafaverina ny mpianany, ka gaga satria vehivavy no niresahany; saingy tsy nisy nanao hoe: «Inona no tadiavinao?» na hoe «Ahoana no iresahanao aminy?»
28Dia nandao ny sininy ravehivavy, ka lasa nankany an-tanàna hilaza amin’ny olona hoe:
29–Ndao ianareo hizaha Lehilahy anankiray, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; izao angaha no ilay Mesia?

30Dia nivoaka ny tanàna ny olona ka nankeo amin’i Jesoa.

jeudi 23 juillet 2020

Alakamisy 23 Jolay 2020 - Sal 54 : 4 - 7

4Andriamanitra ô, henoy ny fivavako;
mba mampandria sofina amin’ny teniko.

5Fa olona hafa firenena no mitsangan-kamely ahy,
olon-dozabe no mitady hahafaty ahy
tsy miraharaha Anao akory ireo.

6Indro kosa Andriamanitra manampy ahy,
ny Tompo no hany mpanohana ahy;

7Izy anie hamaly ny ratsy ataon’ny mpitsikilo ahy!
Aringano ireo satria mahatoky tokoa Ianao.

mercredi 22 juillet 2020

Alarobia 22 Jolay 2020 - Sal 26 : 1 - 12

1 Nataon’i Davida.

TOMPO ô, ambarao ho tsy manan-tsiny aho
fa madio fiaina sy matoky tanteraka ANAO.
2TOMPO ô, fotory toetra sy diniho aho
ka tsarao ny faniriako aman’eritreritro.

3Ifantohan’ny masoko ny fitiavanao;
ary ny fahamarinanao no arahiko.
4Tsy niray tsikombakomba tamin’ny mpisoloky aho
na niara-dia tamin’ny mpihatsaravelatsihy;
5fa halako ny fikambanan’ny olon-dratsy
ary ihatahako lavitra ny olo-meloka.

6Hanasa tanana aho satria tsy manan-tsiny.
TOMPO ô, hanodidina ny alitaranao aho
7ka hiredona hira fisaorana Anao
sady hitantara ny asanao mahagaga rehetra.
8TOMPO ô, tiako ny trano onenanao,
dia ny toerana ipetrahan’ny voninahitrao.

9Aza aringana miaraka amin’ny mpanota aho;
ny aiko, aza esorina toy ny an’ny mpamono olona,
10dia ireo mivimbina ody ratsy an-tanan’ila
ary ny ilany indray feno tsolotra noraisina.
11Fa izaho kosa dia madio fiaina;
koa afaho sy iantrao aho.
12Lala-mahitsy no ijoroan’ny tongotro;
ka isaky ny miangona aho, dia hisaotra ny TOMPO.

mardi 21 juillet 2020

Talata 21 Jolay 2020 - Asa 13 : 44 - 50

44Ary tamin’ny sabata herin’io, dia saika tafangona avokoa ny mponina rehetra ao an-tanàna mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. 45Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan’i Paoly no nanevateva azy.

46Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe:
–Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin’ny hafa firenena izahay.

47Fa izao no nandidian’ny Tompo anay:
«Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao,
mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran’ny tany!»

48Nandre izany ny hafa firenena ka faly sady nanome voninahitra ny tenin’ny Tompo; ary izay rehetra voalahatra hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay dia tonga mpino.

49Dia niely manerana izany faritany izany ny tenin’ny Tompo. 50Nomen’ny Jiosy fo anefa ireo vehivavy mpanaja an’Andriamanitra sady ambony toerana ary koa ireo lehibe tao an-tanàna; dia nahatonga fanenjehana an’i Paoly sy i Barnabà ry zareo ka nandroaka azy roa lahy hiala tamin’ny faritany.

lundi 20 juillet 2020

Alatsinainy 20 Jolay 2020 - Mpi 6 : 11 - 14

11Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjelin’ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta izay an’i Jôasy lehilahy anisan’ny tarik’i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin’i Jôasy tamin’izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan’ny Midianita. 

12Ary nisehoan’ilay anjelin’ny TOMPO izy ka nilazany hoe:
–Ny TOMPO no momba anao, ry ilay mpiady mahery fo!

13Fa novalian’i Gidehôna hoe:
–Azafady, tompoko! Raha momba anay ny TOMPO, nahoana no iharan’izao loza rehetra izao izahay? Aiza avokoa ireo zava-mahagaga notantarain’ny razanay fa nataon’ny TOMPO fony Izy namoaka azy ireny avy tany Ejipta? Fa ankehitriny efa nanary anay ny TOMPO, ka nanolotra anay eo an-tanan’ny Midianita.

14Dia nitodika nijery azy ny TOMPO ka niteny taminy hoe:
–Mandehàna amin’izao herinao izao, ka afaho teo am-pelatanan’ny Midianita ny Israelita, fa Izaho no naniraka anao.

dimanche 19 juillet 2020

Alahady 19 Jolay 2020 - Rom 8 : 1 - 8

1Koa ankehitriny dia tsy misy intsony fanamelohana ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa. 2Fa ny fanapahan’ny Fanahy Masina, mpanome aina ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa, dia nanafaka ahy tsy ho voafehin’ny fanapahan’ny fahotana sy ny fahafatesana. 3Satria izay tsy vitan’ny lalànan’i Mosesy, noho ny lalàna nolemen’ny maha olona mpanota, dia notontosain’Andriamanitra. Voahelok’Andriamanitra ny fahotana tao amin’ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana. 4Notontosain’Andriamanitra izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra rehetra takîn’ny lalàna amintsika, dia isika izay mizotra tsy araka ny maha olona mpanota intsony fa araka ny Fanahy Masina. 5Eny, izay miaina araka ny maha olona mpanota, dia mirona amin’ny zavatra ankafizin’ny maha olona mpanota; fa izay miaina araka ny Fanahy Masina, dia mirona amin’ny zavatra ankafizin’ny Fanahy Masina. 6Satria ny firònan’ny maha olona mpanota dia mitondra amin’ny fahafatesana; fa ny firònan’ny Fanahy Masina dia mitondra amin’ny fiainana sy ny fiadanana. 7Ny firònan’ny maha olona mpanota dia mifanohitra amin’Andriamanitra, ka tsy manoa sady tsy afa-manoa ny lalànan’Andriamanitra akory. 8Fa izay anjakan’ny maha olona mpanota dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.

samedi 18 juillet 2020

Sabotsy 18 Jolay 2020 - I Sam 17 : 34 - 47

34Fa hoy ny navalin’i Davida hoe:
–Tompokolahy, raha miandry ny ondrin-draiko aho, ka nisy liona na bera tonga maka amin’ireo, 35dia nanenjika azy aho ka mikapoka azy ary manaisotra ny haza mby am-bavany; ary raha miantsambotra amiko izy, tonga dia raisiko amin’ny vavany, dia vonoiko ho faty. 36Raha izany no nahafatesan’ny mpanomponao ny liona sy ny bera, dia ho tahaka izany koa no hanjo io Filistinina mpanompo sampy io, satria nihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona izy. 37Ny TOMPO izay efa niaro ahy tamin’ny hohon’ny liona sy ny bera, dia hanafaka ahy koa amin’ny tanan’io Filistinina io.

Dia hoy i Saoly tamin’i Davida:
–Mandehana àry, ka homba anao anie ny TOMPO!

38Nomen’i Saoly hanaovan’i Davida ny fitafiany fentiny miady dia ny satroka varahina aro loha izay napetrany teo an-dohan’i Davida, ary akanjo varahina aro tena. 39Mbola nafatotr’i Davida tamin’ny akanjony koa ny sabatr’i Saoly, ary dia nanandrana namindra izy, nefa tsy afaka, satria tsy mbola zatra nitondra ireny, ka dia hoy izy tamin’i Saoly: «Tsy mba afa-mamindra amin’ireto zavatra tsy nahazatra ahy ireto aho.» Ary nesorin’i Davida teny aminy avokoa ireny. 40Noraisiny ny tehiny, dia lasa izy nifantina vato kilonjy dimy terỳ amoron’ny ranon-driaka, ka nataony tao anaty kitapony fitondra miandry ondry. Nataony an-tanana ny antsamotadiny, dia roso izy hiatrika ilay Filistinina. 41i Gôliata etsy andaniny, ialohavan’ilay mpitondra ny ampingany, sady manatona tsikelikely an’i Davida. 42Dia nandinika an’i Davida ilay Filistinina ka naneso azy, satria hitany fa mbola tanora izy no mazava endrika ary tsara tarehy. 

43Ary hoy i Gôliata tamin’i Davida:
–Alika angaha aho no hatonin’ialahy amin’ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin’ny alalan’ireo andriamanitray! 44Avia atỳ, fa homeko ny voro-manidina sy ny bibidia ny nofon’ialahy.

45Dia hoy ny navalin’i Davida azy:
–Manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Andriamanitry ny tafik’i Israely, Izay efa nohantsinao. 46Anio ihany no hanoloran’ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin’ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely. 47Dia ho fantatry ny Fiangonan’i Israely tsivakivolo koa fa tsy mba mila sabatra na lefona ny TOMPO hanomezam-pandresena. An’ny TOMPO ny ady, koa dia hatolony ho eo an-tananay ianareo.

jeudi 16 juillet 2020

Zoma 17 Jolay 2020 - Jer 31 : 10 - 14

10Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ianareo firenen-kafa,
ambarao any amin’ireo nosy lavitra any izany
ka lazao hoe: «Nampiely an’i Israely ny Tompo;
fa izao manangona azy Izy ary miambina azy
tahaka ny ataon’ny mpiandry amin’ny andian’ondriny.»
11Fa efa nanavotra ny olon’i Israely ny TOMPO
ka nanafaka azy tamin’ireo mahery noho izy.
12Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana
ao amin’ny havoanan’i Tsiôna;
ho miramirana endrika izy
amin’ny zava-tsoa homen’ny TOMPO:
dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo,
mbamin’ny ondry sy osy ary omby.
Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy
ka tsy mba hihamalazo intsony.
13Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy;
toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra.
Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
Hovako ho fifaliana ny alahelony,
ka hampiononiko sy hampiravoako izy
mba ho afaka amin’ny fahoriany.
14Hovokisako zava-matavy ny mpisorona
ary hofenoiko zava-tsoa ny vahoakako.

Alakamisy 16 Jolay 2020 - Eks 18 : 7 - 12

7Dia niainga hitsena azy i Mosesy, niankohoka teo anatrehany sady nanoroka azy. Ary rehefa avy nifampiarahaba izy dia niditra tao an-dain’i Mosesy. 8Notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany avokoa izay rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Farao sy ny Ejiptianina noho ny amin’i Israely; notantarainy koa ny zava-tsarotra rehetra niseho teny an-dalana sy ny nanafahan’ny TOMPO ilay vahoakany. 9Nahafaly an’i Jetrao ny soa rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Israelita izay nafahany tamin’ny famoretan’ny Ejiptianina, 10ka hoy i Jetrao hoe:
–Hoderaina anie ny TOMPO Izay nanafaka anareo tamin’ny famoretan’ny Farao sy ny Ejiptianina. 

11Fantatro izao fa ny TOMPO dia lehibe mihoatra noho ny andriamanitra hafa rehetra; ny zavatra izay nataony rehefa nisetrasetra taminareo ny Ejiptianina no nanehoany izany.
12Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.

mercredi 15 juillet 2020

Alarobia 15 Jolay 2020 - Gal 5 : 2 - 6

2Indro fa izaho Paoly no miteny aminareo: raha manaiky hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza i Kristy. 3Ary ambarako indray amin’ny olona rehetra manaiky hoforana fa manana adidy hahatanteraka ny lalàna manontolo izy. 4Tafasaraka amin’i Kristy ianareo miezaka ho marina eo imason’Andriamanitra amin’ny fanoavana ny lalàna; miendaka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo. 5Isika kosa dia matoky fa Andriamanitra no mahatonga antsika ho marina eo imasony; izany no andrasantsika ho vokatry ny finoantsika noho ny asan’ny Fanahy Masina. 6Fa ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.

mardi 14 juillet 2020

Talata 14 Jolay 2020 - Eks 7 : 1- 6

1Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:
–Jereonao fa omeko fahefàn’Andriamanitra ianao manoloana ny Farao; ary i Aharôna rahalahinao kosa dia mpitondrateninao. 2Ambarao amin’i Aharôna rahalahinao izay rehetra handidiako anao, ary izy kosa no hiteny amin’ny Farao mba handefasany ny Israelita hiala amin’ny taniny. 3Izaho anefa hanamafy fo ny Farao; ka na dia maro aza ireo famantarana sy zava-mahagaga izay hataoko ao amin’ny taniny, 4dia tsy hihaino anareo izy. Koa hataoko tsapan’ny Ejiptianina ny heriko, ka famaizana lehibe no hamoahako am-pilaminana tsara ny Israelita vahoakako hiala amin’ny tany Ejipta. 5Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO, rehefa haninji-tanana hamely azy Aho ka hamoaka ny Israelita hiala eo anivony.

6Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian’ny TOMPO azy no nataony. 7Feno valopolo taona i Mosesy ary telo amby valopolo taona i Aharòna fony nandeha niteny tamin’ny Farao izy mirahalahy.

lundi 13 juillet 2020

Alatsinainy 13 Jolay 2020 - Sal 77 : 16 - 20

16Ny herinao no nanavotanao ny vahoakanao,
dia ny taranak’i Jakôba sy ny taranak’i Jôsefa.

17Andriamanitra ô, nahita Anao ny ranobe
ka raiki-tahotra;
eny, nipararetra mbamin’ny fanambanin’ny ranomasina aza.
18Nandrotsaka oram-be ny rahona,
namoaka kotro-baratra ny raho-matevina,
ary nifanaretsaka ny zana-tsipîkanao.
19Tamin’ny firohondrohon’ny kotro-baratrao
dia nahazava izao rehetra izao ny tselatra,
ary nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
20Nanao lalana tany an-dranomasina Ianao
ary sakeli-dalana tany amin’ny rano lalina,
nefa tsy nisy nahalala ny soritry ny dianao.

dimanche 12 juillet 2020

Alahady 12 Jolay 2020 - Lio 7 : 18 - 23

18Ary i Jôhany Mpanao batisa nilazan’ny mpianany izany rehetra izany, ka niantso roa lahy tamin’ireo mpianany 19sy naniraka azy hankany amin’ny Tompo hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?» 20Nony tonga tany amin’i Jesoa izy roa lahy, dia nanao hoe:
–I Jôhany Mpanao batisa no naniraka anay hankatỳ aminao hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»

21Tamin’izany indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra ny jamba maro. 22Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe:
–Ndeha ambarao amin’i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra. 23Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!

samedi 11 juillet 2020

Sabotsy 11 Jolay 2020 - Deo 29 : 1 - 8

1Novorîn’i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe:

–Tany Ejipta dia efa hitanareo izay rehetra nataon’ny TOMPO teo imasonareo tamin’ny Farao sy ny tandapany rehetra ary ny taniny manontolo. 2Efa hitanareo maso ny fitsapana mafy nianjady taminy, dia ireny famantarana sy zava-mahagaga goavana ireny. 3Nefa tsy nomen’ny TOMPO fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany. 4Efapolo taona no nitondrako anareo tany an-taniefitra; tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-koditrareo na ny kapa teny an-tongotrareo. 5Tsy mofo mba nohaninareo ary tsy divay na toaka mba nosotroinareo: niahy anareo ny TOMPO hahafantaranareo fa Izy no TOMPO Andriamanitrareo. 6Nony tonga teto amin’ity toerana ity ianareo, dia niainga hifanehatra sy hiady amintsika i Sihôna, mpanjakan’i Hesbôna, sy i Hôga mpanjakan’i Basàna; kanefa resintsika izy roa lahy. 7Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zaratanin’ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase. 8Koa imasoy hotanterahina ny fepetra momba izao fanekempihavanana izao mba hambinina ianareo amin’izay rehetra hataonareo.

vendredi 10 juillet 2020

Zoma 10 Jolay 2020 - Asa 26 : 12 - 18

12Izany no nahatonga ahy hankany Damasy, ombàn’ny fahefana sy ny baiko azoko avy tamin’ny lohandoha-mpisorona. 13Teny an-dalana aho, ry mpanjaka, raha tamin’ny mitataovovonana ny andro, dia nahita hazavana avy tany an-danitra, mahery lavitra noho ny hazavan’ny masoandro ka nanjelanjelatra manodidina ahy mbamin’ny mpiara-dia tamiko. 14Samy niankarapoka tamin’ny tany izahay, ary izaho dia nandre feo niteny tamiko tamin’ny teny aramianina hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao? Manimba tena ianao misetra lefona maranitra!» 15Izaho kosa nanontany hoe: «Iza moa Ianao, Tompoko?» Dia novalian’ny Tompo hoe: «Izaho no i Jesoa, Ilay enjehinao! 16Fa miarena ka mijoroa! Izao manko no nisehoako taminao: ny hanendry anao ho mpanompoko ary koa ho vavolombelona hanambara amin’ny hafa ny nahitanao Ahy androany sy ny zavatra mbola hasehoko anao. 17Izaho no hanafaka anao amin’ny vahoaka Israely sy ny hafa firenena izay anirahako anao. 18Hanirahako anao izy rehetra mba hampahiratinao maso, hahatonga azy hiala amin’ny haizina ho amin’ny mazava ary hiala amin’ny fahefàn’i Satàna ho amin’Andriamanitra, ka handraisany famelan-keloka noho ny finoana Ahy sy hahazoany anjara lova miaraka amin’ireo voatokana ho vahoakan’Andriamanitra.»

jeudi 9 juillet 2020

Alakamisy 09 Jolay 2020 - I Pet 2 : 13 - 17

13Noho ny Tompo dia maneke ny fahefana rehetra misy eo amin’ny olombelona: na ny filoham-pirenena izany, satria mpitondra faratampony izy; 14na ireo mpifehy izany, satria nirahin’ny filoham-pirenena izy mba hanasazy ny mpanao asa ratsy ary mba hidera ny mpanao asa soa. 15Fa izao no sitrapon’Andriamanitra: ny hanampenanareo vava ny olona adala sy tsy mahalala amin’ny asa soa ataonareo. 16Maneke araka ny maha olona afaka anareo; nefa aoka ny fahafahanareo tsy hampiasaina hanaovan-dratsy, fa hiainana araka ny maha mpanompon’Andriamanitra. 17Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an’Andriamanitra, manajà ny filoham-pirenena.

18Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amim-panajana tanteraka, tsy ny tsara fanahy sy ny malemy paika ihany fa ny sarotiny koa; 19satria izao no ankasitrahin’Andriamanitra: ny miaritra fampahoriana mihatra tsy an-drariny, noho ny fieritreretanao an’Andriamanitra.

mercredi 8 juillet 2020

Alarobia 08 Jolay 2020 - Jao 9 : 30 - 38

30Dia niteny ralehilahy ka nanao taminy hoe:
–Izany tokoa no mahagaga: tsy fantatrareo izay ipoirany, nefa nampahiratra ny masoko Izy! 31Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay tia vavaka sy manao ny sitrapony no henoiny. 32Hatrizay hatrizay dia tsy mbola nandrenesana fa hoe nisy nampahiratra mason’olona teraka jamba. 33Raha toa tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona.

34Namaly kosa ry zareo ka nanao taminy hoe:
–Tena teraka tanatin’ny ota ianao, ka ianao indray ve no mampianatra anay?
Dia noroahin’ny Farisianina hiala amin’ny sinagôga ilay jamba taloha.

35Ren’i Jesoa fa voaroaka hiala amin’ny sinagôga ilay jamba taloha, ka nony hitany dia nilazany hoe:
–Mino ny Zanak’olona ve ianao?

36Fa novaliany hoe:

–Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
37Dia hoy i Jesoa taminy:
–Efa nahita Azy ianao, ary Ilay miresaka aminao izao no Izy!

38Ka hoy ralehilahy hoe:
–Mino aho, Tompoko!

mardi 7 juillet 2020

Talata 07 Jolay 2020 - Mar 3 : 13 - 19

13Ary niakatra teo an-tendrombohitra i Jesoa, ka niantso izay tiany hantsoina; ary niala teo amin’ny vahoaka ireo ka nanatona Azy. 14Ary nanendry 12 lahy izay nomeny anarana hoe apôstôly Izy, mba hiaraka aminy sy hirahiny hitoriteny 15ka hanam-pahefana handroaka ny demony. 16Ireto no voatendriny ho isan’ny 12 lahy: i Simôna izay nampian’i Jesoa anarana hoe Petera; 17i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy zanak’i Zebedeo ary nampian’i Jesoa anarana hoe Boanerjesy, izany hoe olona mahery setra tahaka ny varatra; 18i Andrea, i Filipo, i Bartôlômeo, i Matio, i Tômà, i Jakôba zanak’i Halfeo, i Tadeo, i Simôna Kananeanina, 19ary i Jodasy Iskariôta ilay nanolotra an’i Jesoa.

lundi 6 juillet 2020

Alatsinainy 06 Jolay 2020 - I Kor 8 : 8 - 13

8Tsy izay hanina akory no hahasoa na haharatsy antsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha tsy homana isika, tsy maty antoka; ary raha homana isika, tsy mahazo tombony.

9Tandremo anefa ny fahafahanareo sao dia mitarika ny malemy ara-pinoana amin’ny fahotana. 10Satria raha ianao izay manam-pahalalana no hitan’ny malemy ara-pinoana mihinana ao amin’ny trano fanompoan-tsampy, moa tsy hampirisika azy ao amin’ny fieritreretany koa ve izany hihinana ny hena natao sorona tamin’ny sampy? 11Ka verin’ny fahalalànao ilay malemy ara-pinoana, dia ilay havana izay nahafoizan’i Kristy ny ainy. 12Raha manota toy izany amin’ny havanareo iray finoana ianareo ka manimba ny fieritreretan’izy ireo mbola osa, dia i Kristy no anotanareo. 13Koa raha izay hanina àry no hitarika ny havako amin’ny fahotana, dia tsy hihinan-kanina mandrakizay aho mba tsy hitarika ny havako amin’ny fahotana.

dimanche 5 juillet 2020

Alahady 05 Jolay 2020 - Isa 51 : 9 - 11

9Mifohaza ianao, TOMPO ô,
mifohaza ka tafio indray ny herinao;
mifohaza tahaka ny tamin’ny andro taloha,
dia tamin’ny taranaka fahiny ela be.
Moa tsy ianao no namotipotika an-dRahaba,
sy nanagorobaka ilay dragona?
10Moa tsy ianao no nahamaina ny ranomasina,
dia ny rano ao amin’ny hantsana lalimbe,
ka nahatonga ny fanambanin’ny ranomasina
ho lalana hiampitan’ny voaavotra?

11Eny, hiverina ireo nafahan’ny TOMPO
ka hiditra ao Tsiôna amin’ny hobim-pandresena;
ary hafaliana mandrakizay
no ho hita taratra eny an-dohany,
fientanana sy firavoravoana no hanenika azy
fa handositra ny alahelo sy ny fisentoana!

samedi 4 juillet 2020

Sabotsy 04 Jolay 2020 - Jao 1 : 5 - 10

5Ary ny fahazavana dia mamirapiratra anatin’ny haizina, ka tsy nahasakana azy ny haizina.

6Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra: i Jôhany no anarany. 7Tonga hijoro ho vavolombelona i Jôhany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain’i Jôhany no hampino ny olona rehetra. 8Tsy hoe i Jôhany no fahazavana, fa izy no ho vavolombelona hanambara ny fahazavana.

9Ilay Teny no tena fahazavana tonga amin’izao tontolo izao sady manazava ny olombelona rehetra. 10Teo amin’izao tontolo izao ilay Teny; ary Izy no nahariana an’izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy.

vendredi 3 juillet 2020

Zoma 03 Jolay 2020 - Lev 25 : 8 - 13

8«Hanisa fito taona mitsingerina impito ianareo, izany fito taona impito, ka 49 taona no halàvan’izany. 9Ny andro fahafolon’ny volana fahafito, andro fankalazana ny Famelàn-keloka, dia hitsoka anjomara ombàm-pihobiana ianareo ka manerana ny taninareo no hitsofanareo azy. 10Izany no hanambarànareo fa voatokana ho Ahy ny taona fahadimampolo sy hiantsoanareo fanafahana ho an’ny mponina rehetra ao amin’ilay tany. Jobily ho anareo io taona io, ka samia mody amin’ny taninareo sy amin’ny fianakavianareo avy ianareo. 11Jobily ho anareo io taona fahadimampolo io; ka tsy hanao famafazam-bary ianareo, tsy hojinjanareo ny vokatry ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary tsy hotoazanareo ny sampaho vokatry ny voaloboka tsy norantsananareo. 12Eny, Jobily tokoa io taona io ka hatokanareo ho Ahy. Kanefa izay zavatra voajanahary vokatry ny saha dia azonareo hanina.
13«Amin’io taona Jobily io, dia samy hody amin’ny taninareo avy ianareo.

jeudi 2 juillet 2020

Alakamisy 02 Jolay 2020 - Rom 6 : 20 -23

20Fa fony mpanompon’ny fahotana ianareo, dia afaka tamin’ny fifehezan’ny fahamarinana. 21Inona àry no vokatra azonareo tamin’ireny zavatra nataonareo fahiny ireny? Mahamenatra anareo izany ankehitriny satria fahafatesana no iafarany. 22Ankehitriny anefa, natao afaka tamin’ny fahotana ianareo ary tonga mpanompon’Andriamanitra; ka ny vokatra azonareo dia ny anananareo toetra masina ary fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny farany. 23Satria fahafatesana no tambin’ny fahotana, dia ny fanomezan’Andriamanitra maimaimpoana kosa dia fiaina-maharitra mandrakizay ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

mercredi 1 juillet 2020

Sabotsy 01 Aout 2020 - Mat 2 : 13 - 15

Alarobia 01 Jolay 2020 - Eks 3 : 1 - 12

1Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra. 2Tao izy no nisehoan’ny anjelin’ny TOMPO tanaty lelafo teo afovoan’ny roimemy anankiray. Hitan’i Mosesy fa mirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nisy nahalevonana. 3Dia tapa-kevitra hanatona i Mosesy mba hizaha io fisehoana mahagaga io hahalalany izay antony tsy ahalevonan’ny roimemy.

 4Rehefa hitan’ny TOMPO fa nanatona mba hizaha i Mosesy, dia tao afovoan’ny roimemy Izy no niantso azy nanao hoe:
–Ry Mosesy! Ry Mosesy!

Ka hoy ny navaliny Azy:
–Inty aho.

5Dia hoy ny TOMPO hoe:
–Aza manatona ny roimemy! Esory ny kapa amin’ny tongotrao fa tany masina ny toerana ijoroanao. 6Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.

Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra. 7Ary hoy ny TOMPO hoe:
–Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan’ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany. 8Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita. 9Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan’ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian’ny Ejiptianina azy. 10Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin’ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.

11Fa hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra:
–Zinona moa aho no hankany amin’ny Farao ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?

12Ary hoy Andriamanitra hoe:
–Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12