lundi 30 juin 2014

Alatsinainy 30 Jona 2014 - Eks 6 : 2 - 8

2Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy hoe:
–Izaho no «TOMPO». 3Tamin'ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha*» no nisehoako tamin'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr'ireo ny anarako hoe «TOMPO.» 4Nanao fanekempihavanana* tamin'izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany. 5Efa reko ny fitarainan'ny Israelita amin'ny asa fanandevozana ampanaovin'ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho. 6Noho izany, dia lazao amin'ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin'ny asa an-terivozona ampanaovin'ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin'ny fanompoana azy; ka amin'ny heriko tsy hay tohaina sy amin'ny famaizana lehibe no hanavotako anareo. 7Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin'ny asa an-terivozona nampanaovin'ny Ejiptianina. 8Hoentiko any amin'ny tany izay efa nianianako tamin'ny tsangan-tanana fa homeko an'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.»

dimanche 29 juin 2014

Alahady 29 Jona 2014 - II Tes 1 : 1 - 10

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.Mamangy anareo isan'ny Fiangonana atỳ Tesalônika, izay tafaray amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy* Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timôty. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay, ry havana, noho ny aminareo. Mendrika hataonay izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo hatrany ny fifankatiavanareo rehetra. 4Izany no mahatonga anareo ho reharehanay manerana ireo Fiangonan'Andriamanitra, noho ianareo manam-paharetana sy mino hatrany eo anivon'ny fanenjehana sy fahoriana rehetra mianjady aminareo. 5Porofo izany fa mitsara ara-drariny Andriamanitra, satria vokatr'izay mianjady aminareo dia hatao mendrika ny Fanjakàn'Andriamanitra* ianareo, sady io Fanjakàn'Andriamanitra io no anton'ny iaretanareo fijaliana. 6Satria izao no ara-drariny amin'Andriamanitra: hovaliany fahoriana ireo mpampahory anareo, 7ary homeny fialan-tsasatra miaraka aminay ianareo ampahorîna. Ho tonga izany amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Tompo avy any an-danitra, otronin'ireo anjely* mitory ny heriny; 8voahodidin'afo miredareda Izy no tonga hanasazy ireo tsy mahalala an'Andriamanitra sady tsy manaiky ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa Tompontsika. 9Fahaverezana maharitra mandrakizay no sazy hihatra amin'ireo, ka tsy hifanatri-tava amin'ny Tompo sy ho lavitry ny heriny heni-boninahitra ireo 10amin'ilay andro hahatongavan'ny Tompo mba homen'ny vahoakany* voninahitra sady higagan'izay rehetra mino Azy. Ho isan'ireto hanome voninahitra ny Tompo ireto koa ianareo, satria nino ny fijoroanay ho vavolombelona nanambara Azy taminareo.

samedi 28 juin 2014

Sabotsy 28 Jona 2014 - Lio 18 : 24 - 30

24Ary nahita azy nalahelo toy izany i Jesoa ka nanao hoe:
–Sarotra mihitsy amin'ny mpanankarena ny miditra ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*. 25Eny, moramora kokoa ny idiran'ny rameva amin'ny vodifanjaikely noho ny idiran'ny mpanankarena ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra.

26Dia hoy ny olona nandre izany:
–Koa iza àry no mety ho voavonjy?

27Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Ny tsy vitan'olombelona, vitan'Andriamanitra.

28Hoy kosa i Petera:
–Jereo ange! Izahay dia efa nahafoy izay mba anay ka niaraka taminao!

29Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona nahafoy trano na vady na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka noho ny Fanjakàn'Andriamanitra 30ka tsy hahazo be lavitra amin'izao etỳ izao, ary ny fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny andro ho avy.

vendredi 27 juin 2014

Zoma 27 Jona 2014 - I Sam 25 : 32 - 38

32Dia hoy i Davida tamin'i Abigaîla:
–Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.

33Misaotra anao koa aho noho ny fahendrenao, dia ianao izay niaro ahy tsy handatsa-dra tsy amin'antony sy hanao fitsaran-tenany. 34Nefa velona ny TOMPO Andriamanitr'i Israely Izay nisakana ahy tsy hanisy ratsy anao, ka Izy no ianianako aminao fa raha tsy tonga faingana nihaona tamiko ianao, dia ho tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza tamin'ny fianakavian'i Nabala rahampitso vao maraina.

35Noraisin'i Davida ireo zavatra nentin'i Abigaîla ho azy, ary hoy indray izy taminy:
–Miverena soa aman-tsara any an-tranonao. Jereo fa efa nihaino ny feonao aho ary nanaiky ny fifonanao.

36Ary i Abigaîla tonga tany amin'i Nabala izay nanao fety be tao an-tranony toy ireny amin'ny fanasan'ny mpanjaka ireny. Faly aoka izany ny fon'i Nabala, ka dia nanao mamo be izy. Noho izany, dia tsy nisy zavatra azon'i Abigaîla nambara taminy na kely aza mandra-paharainan'ny andro. 37Ny ampitso maraina, rehefa afaka ny hamamoan'i Nabala, vao notantarain'ny vadiny taminy izay nitranga, ka voadona mafy ny fony, hany ka tsy nahahetsika toy ny vato izy. 38Ary tokony ho folo andro taorian'izany, dia nasian'ny TOMPO indray i Nabala ka dia maty.

jeudi 26 juin 2014

Alakamisy 26 Jona 2014 - Mar 7 : 31 - 37

31Dia niala tao amin'ny faritanin'i Tiro i Jesoa ka nandalo tany Sidôna ary niverina teo amin'ny farihin'i Galilea, rehefa avy namakivaky ny faritany atao hoe Dekapôly*. 32Dia nisy lehilahy sady marenina no raiki-dela, nentin'ny olona ho eo aminy ary niangaviany Azy hametrahany tanana. 33Dia nentin'i Jesoa nihataka irery lavitra ny vahoaka ralehilahy ka noharoniny tamin'ny rantsan-tanana ny sofiny, ary nokasihiny sady nasiany rora ny lelany.

34Dia niandrandra ny lanitra i Jesoa sady nisento ary niteny tamin-dralehilahy hoe:
–Efatà! (izany hoe: «misokafa!»).

35Ary niaraka tamin'izay dia nisokatra ny sofin-dralehilahy ary nivaha ny fatoran'ny lelany, ka afaka niteny tsara izy. 36Dia namepetra ny olona teo i Jesoa tsy hitantara na amin'iza na amin'iza; kanefa arakaraka ny nameperan'i Jesoa azy no vao mainka koa nampielezany izany.

37Ary dia talanjona izaitsizy ny olona ka vaky vava hoe:
–Tsara avokoa no nanaovany ny zavatra rehetra, fa sady nampalady ny marenina Izy no nampiteny ny moana.

mercredi 25 juin 2014

Alarobia 25 Jona 2014 - II Tes 3 : 1 - 5

1Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin'ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo. 2Mivavaha koa mba hanafahan'Andriamanitra anay amin'ny olona tsy valahara sy ratsy fanahy; satria tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra. 3Fa mitana ny toky nomeny ny Tompo, ka hampahery anareo sady hiaro anareo tsy ho azon'ilay Ratsy*. 4Ary omen'ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany. 5Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian'i Kristy*!

mardi 24 juin 2014

Talata 24 Jona 2014 - Mar 1 : 29 - 34

29Vantany vao nivoaka ny sinagôga* i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry i Simôna sy i Andrea; niaraka taminy koa i Jakôba sy i Jôhany. 30Ary nandry teo am-pandriana ny rafozambavin'i Simôna fa voan'ny tazo, ka nampahafantarina an'i Jesoa avy hatrany. 31Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan'ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an'ireo vahiny. 32Nony hariva efa maty masoandro, dia nentin'ny olona teo amin'i Jesoa avokoa izay mety ho marary sy azon'ny demony*. 33Ka dia vory teo anoloan'ny varavarana ny vahoaka rehetra tao an-tanàna. 34Olona maro ianjadian'ny aretina isan-karazany no sitran'i Jesoa, ary demony maro no voaroakany; tsy navelany hiteniteny kosa ireo demony ireo, satria nahalala Azy.

lundi 23 juin 2014

Alatsinainy 23 Jona 2014 - Jer 31 : 10 - 14

10Mihainoa ny tenin'ny TOMPO, ianareo firenen-kafa,
ambarao any amin'ireo nosy lavitra any izany
ka lazao hoe: «Nampiely an'i Israely ny Tompo;
fa izao manangona azy Izy ary miambina azy
tahaka ny ataon'ny mpiandry* amin'ny andian'ondriny.»
11Fa efa nanavotra ny olon'i Israely ny TOMPO
ka nanafaka azy tamin'ireo mahery noho izy.
12Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana
ao amin'ny havoanan'i Tsiôna*;
ho miramirana endrika izy
amin'ny zava-tsoa homen'ny TOMPO:
dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo,
mbamin'ny ondry sy osy ary omby.
Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy
ka tsy mba hihamalazo intsony.
13Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy;
toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra.
Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
Hovako ho fifaliana ny alahelony,
ka hampiononiko sy hampiravoako izy
mba ho afaka amin'ny fahoriany.
14Hovokisako zava-matavy ny mpisorona
ary hofenoiko zava-tsoa ny vahoakako.

dimanche 22 juin 2014

Alahady 22 Jona 2014 - I Pet 4 : 1 - 6

1Noho i Kristy* efa nijaly tao amin'ny nofo, dia raiso ho fiadianareo koa ny toe-tsaina nananany; satria izay olona nijaly tao amin'ny nofo dia nampitsaharina tamin'ny ota, 2ka tamin'ny androny sisa eto an-tany dia tsy araka ny filàndratsin'ny olombelona intsony no tokony hiainany fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. 3Eny, fotoana maharitra ihany tamin'ny lasa no nanaovanareo ny zavatra fanaon'ny mpanompo sampy, ka nizoranareo tamin'ny fihetsika tsy maotina, ny fanirian-dratsy, ny fahamamoana, ny fihinanam-be loatra, ny fisotroana tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy izay tsy fanao. 4Amin'izany dia gaga ireo mpanompo sampy satria tsy dodona intsony ianareo ny hiaraka aminy mba hanarampo amin'ny filibàna, ka dia tevatevainy; 5nefa hampamoahin'Ilay vonona hitsara ny velona sy ny maty izy ireo. 6Fa izany no nitoriana ny Vaovao Mahafaly* tamin'izay maty aza: mba ho velona araka ny fomban'Andriamanitra izy ao amin'ny fanahy, rehefa notsaraina tao amin'ny nofo araka ny fomban'ny olona.

samedi 21 juin 2014

Sabotsy 21 Jona 2014 - Job 33 : 26 - 30

26Mivavaka amin'Andriamanitra izy
ary mahazo sitraka aminy;
am-piravoravoana no anatrehany tava
an'Ilay manolotra fahafahana ny olona.
27Hihira izy ka hilaza amin'ny besinimaro hoe:
«Efa nanota aho fa nandika ny rariny;
nefa tsy arakaraka ny nataoko
no namaizan'Andriamanitra ahy.
28Nanavotra ahy tsy hidina any am-pasana Izy
ka velona sy mahita ny mazava aho!»

29Izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra
indroa na intelo tamin'ny olona,
30mba hamerenany azy tsy ho any am-pasana
sy hanazavany azy amin'ny fahazavan'ny velona.

vendredi 20 juin 2014

Zoma 20 Jona 2014 - Gen 14 : 13 - 20

13Ary nisy lehilahy iray afa-nandositra, dia tonga nanambara ny vaovao tamin'i Abrama ilay Hebreo nonina an-day tao amin'ny hazo ôakan'i Mamre, izay Amôrita rahalahin'i Eskôla sy i Hanera; fa izy telo lahy dia efa vita fihavanana tamin'i Abrama. 14Nony ren'i Abrama fa babo ny zana-drahalahiny, dia novoriny ireo valo ambin'ny folo sy telonjato lahy mpomba azy avy tao amin'ny fianakaviany; ka nanenjika ny fahavalo hatrany Dana izy. 15Natsitokotokon'i Abrama ireo mpanompony mba hanafihana azy amin'ny alina. Dia resiny ireo mpanjaka, ka nenjehiny hatrany Hôbà, any avaratr'i Damasy. 16Tafaveriny avokoa ny harena rehetra nobaboina sy i Lôta zana-drahalahiny mbamin'ny fananany ary ireo vehivavy mbamin'ny olon-kafa rehetra. 17Ary rehefa niverina avy nandresy an'i Kedôrlahômera sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, dia niainga ny mpanjakan'i Sôdôma mba hitsena azy tao an-dohasahan'i Save, izany hoe tao an-dohasahan'ny mpanjaka. 18Dia nitondra mofo sy divay i Melkitsedèka mpanjakan'i Salema sady mpisoron'ilay Andriamanitra avo indrindra, 19ary nitsodrano* an'i Abrama hoe:
–Hotahîn'Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama! 20Hoderaina anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao!
Dia nomen'i Abrama an'i Melkitsedèka ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.

jeudi 19 juin 2014

Alakamisy 19 Jona 2014 - II Sam 22 : 15 - 20

15Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.
16Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin'ny tany, noho ny teny mafy nataon'i Jehovah, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavorony.
17Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy.
18Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
19Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
20Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.

mercredi 18 juin 2014

Alarobia 18 Jona 2014 - Lio 8 : 26 - 37

26Dia nitody teny amin'ny faritanin'i Gergesà tandrifin'i Galilea ry i Jesoa sy ny mpianany. 27Vao niala tao an-tsambokely hankeo an-tanety i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray avy ao an-tanàna nitsena Azy. Azon'ny demony* ralehilahy ka hatry ny ela no manary lamba, sady tsy mahapetraka an-trano fa nonina teny amin'ny fasana. 28Vao nahatazana an'i Jesoa izy, dia nikiakiaka sady niankohoka teo anatrehany no niteny tamin'ny feo mahery hoe:
–Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra avo indrindra? Mihanta aminao aho, aza dia ampijalîna re!

29I Jesoa manko efa nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dralehilahy. Efa imbetsaka io fanahy maloto io no namely azy; fatorana gadra tongotra aman-tanana izy no ambenana, kanefa manapaka fatorana ihany ary entin'ny demony miriorio any an-taniefitra. 30Dia hoy i Jesoa nanontany an-dralehilahy:
–Iza no anaranao?

Ka novaliany hoe:
–Tafika no anarako.

31Fa maro tokoa ny demony tafiditra tao amin'ilay olona. Dia niangavy tamin'i Jesoa ireo demony mba tsy hodidiany hivarina any anaty hantsana*. 32Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nandrasana teo amin'ny kisolosolon'ny havoana. Koa niangavy tamin'i Jesoa ny demony mba havelany hiditra amin'ireo kisoa ireo, ary nekeny ny fangatahany. 33Rehefa niala tamin-dralehilahy ny demony, dia niditra tamin'ny kisoa; ary nirifatra ny andian-kisoa ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy, dia maty tao. 34Vao nahita ny zava-niseho ireo mpiandry kisoa, dia nandositra ary nilaza ny vaovao tao an-tanàna sy teny ambanivohitra. 35Dia lasa ny olona hijery ny zava-niseho; ka nony tonga teo akaikin'i Jesoa, dia nihoron-koditra nahita an-dralehilahy nialan'ny demony, mipetraka tsara eo an-tongotr'i Jesoa, mitafy lamba sady ary saina. 36Ry zareo nanatri-maso kosa nitantara tamin'ireo vao tonga ny nahasitranan'ilay azon'ny demony. 37Raiki-tahotra mafy ny mponina rehetra, ka dia nangataka an'i Jesoa mba hiala teo amin'ny faritanin'i Gergesà. Dia niondrana an-tsambokely Izy ndeha hiverina.

mardi 17 juin 2014

Talata 17 Jona 2014 - II Kor 4 : 7 - 15

7Izahay mitondra izany raki-tsoa izany kosa dia toy ny vilany tany ihany, mba hahitana tsara fa izao hery tsy manan-tsahala izao dia an'Andriamanitra fa tsy anay. 8Ifandaharam-pahoriana izahay, nefa tsy voapotsitra; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; 9enjehin'olona, nefa tsy ilaozan'Andriamanitra; azera, nefa tsy maty. 10Entinay mandrakariva ao amin'ny tenanay koa fa velona i Jesoa; 11satria, eo amin'ny fiainanay, dia ny fahafatesana no mananontanona anay lalandava noho ny amin'i Jesoa mba haseho ao amin'ny tenanay mety maty koa fa velona i Jesoa, 12hany ka ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana no miasa ao aminareo. 13Hoy ny Soratra Masina*: «Nino aho, ka izany no nitenenako.» Noho izahay manana io finoana omen'ny Fanahy Masina io, dia mino koa izahay ka izany no itenenanay. 14Fantatray fa Andriamanitra, Izay nanangana an'i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay koa ho velona miaraka amin'i Jesoa, ary hametraka anay mbaminareo ho eo akaikiny. 15Eny, noho ny aminareo avokoa izany rehetra izany, ka dia mihamaro ny olona tratran'ny fahasoavana mba hitomboan'ny vavaka fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra.

lundi 16 juin 2014

Alatsinainy 16 Jona 2014 - II Mpa 25 : 27 - 30

27Fony 37 taona taorian'ny fanaovana sesitany an'i Jôiakina mpanjakan'i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan'i Babilôna; koa tamin'ny volana faha-12, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina. 28Dia nanaovany teny mamy izy ary nomeny toerana ambony kokoa noho ny an'ireo mpanjaka hafa niaraka taminy tany Babilôna. 29Tsy navela hanao ny fitafian'ny mpigadra intsony izy, ary niara-nisakafo tamin'ny mpanjakan'i Babilôna nandritra ny andro sisa rehetra niainany. 30Izany koa no nahazoan'i Jôiakina tamin'ny mpanjakan'i Babilôna ny zavatra nilainy araka ny sahaza azy isan'andro mandra-pahafatiny.

dimanche 15 juin 2014

Alahady 15 Jona 2014 - Mpi 15 : 9 - 20

9Ary niakatra ny Filistinina ka nitoby tany Joda, ary nitandahatra hamely ny tanàna Lehỳ. 10Dia nanontany azy ny vatan-dehilahy tao Joda hoe:
–Nahoana no niakatra hanafika anay ianareo?

Fa novalian'ireo hoe:
–Mba hamatotra an'i Samsôna ka hanao aminy araka izay nataony taminay.

11Dia nandeha nankany amin'ny tsefatsefak'ilay harambato tao Hetama ny vatan-dehilahy andiany telo tamin'ny fokon'i Joda ka niteny tamin'i Samsôna hoe:
–Moa tsy fantatrao ve fa ny Filistinina no manjaka amintsika? Koa inona izao nataonao taminay izao?

Dia novaliany hoe:
–Araka izay nataony tamiko no nataoko taminy.

12Fa hoy kosa ireo hoe:
–Tonga izahay mba hamatotra anao ary hanolotra anao amin'ny Filistinina.

Ka hoy i Samsôna taminy:
–Mianiàna amiko àry fa tsy hamono ahy ianareo.

13Dia namaly azy indray ireo hoe:
–Tsy manam-pikasana hamono anao izahay fa ny hamatotra anao fotsiny mba hatolotray ny Filistinina.
Dia nafatotr'ireo tamin'ny mahazaka roa vaovao i Samsôna ary nentiny niala tao an-dava-bato. 14Ary nony tonga tao Lehỳ izy, dia nitsena azy tamin'ny horakora-pandresena ny Filistinina. Tamin'izay kosa no nilatsaka tamin'i Samsôna ny Fanahin'ny TOMPO, ka nivaha mora foana toy ny tady rongony main'ny afo ireo tady mahazaka namatorana ny sandriny sy ny tanany. 15Nahita valanoranom-boriky iray vao novonoina i Samsôna; ary noraisiny izany ka namonoany ho faty arivo lahy tamin'ny Filistinina. 1

6Dia hoy i Samsôna hoe:
–Valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy, valanoranom-boriky no nampivangongoako ireo faty.
17Rehefa izany, dia natsipiny terỳ ilay valanoranom-boriky teny an-tanany; izany no niantsoana io toerana io hoe Ramata-Lehỳ na Havoanan'ny Valanorano.

 18Ary nahatsiaro nangetaheta mafy i Samsôna ka niantso vonjy tamin'ny TOMPO nanao hoe:
–Ianao no nanome ahy izao fandresena lehibe izao; koa ankehitriny ve dia havelanao ho fatin-ketaheta aho, ka ho latsaka eo an-tanan'ireo tsy mifora* ireo?

19Dia notresahin'Andriamanitra ny vatolampy holoka tao Lehỳ ka nampiboiboika rano; dia nisotro i Samsôna ka nody indray ny heriny. Izany loharano izany dia nantsoina hoe Haîna-Kôrà na loharanon'ilay niantso vonjy, ary mbola ao mandraka androany. 20I Samsôna no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona tamin'ny andron'ny Filistinina.

samedi 14 juin 2014

Sabotsy 14 Jona 2014 - Sal 146 : 5 - 10

5Sambatra izay manana an'Andriamanitra ho Mpitahy,
dia ilay Andriamanitr'i Jakôba;
sambatra izay mametraka ny fitokiany
ao amin'ny TOMPO Andriamaniny:
6dia Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany
ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao amin'ireny,
mitandro fahamarinana hatrany
7ka manome rariny ny ampahorîna
ary manome sakafo ny noana.
Ny TOMPO mamaha ny mpifatotra;
8ny TOMPO mampahiratra ny jamba;
ny TOMPO mampitraka ny mitanondrika;
9ny TOMPO miaro ny vahiny
sy manohana ny kamboty ama-mpitondratena;
ny TOMPO mitia ny olo-marina
fa mampibirioka kosa ny olon-dratsy.

10Hanjaka mandrakizay ny TOMPO,
dia ny Andriamanitrao, ry Tsiôna* ô,
amin'ny taona mifandimby.
Haleloià!

vendredi 13 juin 2014

Zoma 13 Jona 2014 - File 8, 21

8Noho izany, na dia azoko atao tsara aza, araka ny fahefana nomen'i Kristy* ahy, ny handidy anao ny amin'izay tokony hataonao, 9dia aleoko manao fiangaviana aminao noho ny fifankatiavantsika. Eny, izaho Paoly dia efa antitra sady voafonja noho ny amin'i Kristy Jesoa ankehitriny; 10ka fiangaviana no ataoko aminao ho an'i Ônesimo, izay zanako naterako ara-panahy tato am-ponja. 11Tsy nahasoa anao izy fahiny, fa ankehitriny kosa mahasoa antsika, dia izaho sy ianao. 12Asaiko mody atỳ aminao indray izy, ilay toy ny sombinaiko. 13Satriko ihany ny mitana azy eto amiko, izao aho voafonja noho ny amin'ny Vaovao Mahafaly* izao, mba ho solonao mikarakara ahy. 14Kanefa tsy te hanao na inona na inona aho raha tsy teny ierana aminao; tsy tiako ny hanoavanao ahy tsy sazoka fa mba ho nahim-ponao tokoa. 15Angamba ny nahatafasaraka an'i Ônesimo taminao vetivety dia ny hanananao azy maharitra; 16saingy tsy toy ny mpanompo intsony no hanananao azy, fa tsara lavitra noho izany, dia toy ny rahalahy malala. Rahalahy malala tokoa izy ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny maha olona azy na amin'ny maha mpanara-dia ny Tompo azy. 17Koa raha heverinao ho namanao tokoa aho, dia raiso i Ônesimo tahaka ny andraisanao ahy. 18Raha misy ratsy nataony anao na misy trosa anananao aminy, dia ahy ny andraikitra. 19Ny tanako mihitsy no anoratako ireto teny ireto: izaho Paoly no hanonitra izany! Tsy te hilaza aminao akory aho, fa ianao koa anie ka ananako trosa mihoatra noho izany, dia ny maha kristianina anao. 20Eny, ry rahalahy, efa mpanara-dia ny Tompo ianao ka enga anie ho azoko aminao izay angatahiko; velombelomy ny foko noho ianao rahalahiko ao amin'i Kristy. 21Matoky aho fa hanaiky izay angatahiko ianao, ka izany no andefasako taratasy aminao, sady fantatro fa hanao mihoatra aza ianao.

jeudi 12 juin 2014

Alakamisy 12 Jona 2014 - Dan 6 : 19 - 24

19Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.

20Fa raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nifoha ny mpanjaka ka nandeha faingana nankany amin'ny lavaky ny liona.

21Ary raha nanatona ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo hoe:
–Ry Daniela mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao fatratra va afaka namonjy anao tamin'ny liona?

22Dia niteny tamin'ny mpanjaka i Daniela hoe:
–Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! 23Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny* hanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka.

24Tamin'izay dia faly tokoa ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka i Daniela; rehefa tafakatra izy, dia tsy nahitana ratra akory satria natoky an'ilay Andriamaniny.

mercredi 11 juin 2014

Alarobia 11 Jona 2014 - Gen 41 : 33 - 40

33Koa ankehitriny, ry Farao, mijere olona marani-tsaina sady hendry, ka tendreo izy hanam-pahefana amin'ny tany Ejipta. 34Dia manendre koa solotena hanangona ny ampahadimin'ny vokatra eto amin'ny tany mandritra ny fito taona zina. 35Aoka hangonin'ireo ny sakafo mandritra ny fito taona ho avy, ka hotahiriziny eo ambany fiahianao ny vary ho fiandry any amin'ny isan-tanàna. 36Amin'izay dia hanana tahirin-tsakafo ho amin'ny fito taona mosarena i Ejipta, ka tsy ho fongan'ny mosary ny tany.


37Sitraky ny Farao* sy ny mpanompony ny soso-kevitr'i Jôsefa, 38ka hoy ny Farao tamin'ireo mpanompony:
–Aiza indray isika no hahita lehilahy manana ny Fanahin'Andriamanitra tahaka ity?

39Dia hoy izy tamin'i Jôsefa:
–Satria nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy olon-kendry sy manan-tsaina toa anao.

40Koa ianao no hitantana ny fanjakako, ary ny vahoakako rehetra dia hankato ny baikonao, ka ny maha mpanjaka ahy ihany no maha ambony ahy noho ianao. 41Jereo fa efa nomeko anao ny fahefana amin'i Ejipta manontolo.

mardi 10 juin 2014

Talata 10 Jona 2014 - Lio 4 : 14 - 22

14Nombàn'ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina tany Galilea; ary nanomboka niely tamin'ny faritany manontolo ny lazany. 15Nampianatra tany amin'ny sinagôga* Izy sady nomen'ny olona rehetra voninahitra.

16Nandeha tany Nazareta tanàna nahabe Azy i Jesoa ary tamin'ny andro sabata* dia niditra tao amin'ny sinagôga* araka ny fanaony. Nitsangana Izy hamaky ny Soratra Masina* 17ka natolotra Azy ny bokin'i Isaià mpaminany*. Novelariny ilay boky ary izao no andinin-tsoratra hitany:

                18«Ato amiko ny Fanahy avy amin'ny Tompo.
                Ka natokan'ny Tompo Aho hanambara
                Vaovao Mahafaly* amin'ny mahantra;
                nirahiny Aho hitory fanafahana amin'ny mpigadra
                sy fahiratana amin'ny jamba,
                hanafaka ny ampahorîna
                19ary hitory taona hanehoan'ny Tompo fanambinana.»

20Rehefa nahorony ilay boky ka naveriny tamin'ny mpandraharaha, dia nipetraka i Jesoa. Nifantoka teny aminy avokoa ny mason'izay rehetra tao amin'ny sinagôga.

21Fa i Jesoa kosa niteny taminy hoe:
–Tanteraka androany amin'izao andrenesanareo azy izao izany andinin'ny Soratra Masina izany.

22Ary samy vavolombelona niaiky Azy daholo ny olona sady gaga noho ny teny soa naloaky ny vavany, ka hoy izy rehetra hoe:
–Tsy zanak'i Jôsefa ve ity?

lundi 9 juin 2014

Alatsinainy 09 Jona 2014 - Jao 16 : 5 - 11

5ankehitriny kosa, mankany amin'Ilay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy intsony aminareo manontany Ahy hoe: «Hankaiza Ianao?» 6Saingy noho Izaho nilaza izany taminareo, dia vonton'alahelo ny fonareo! 7Kanefa ny marina no lazaiko aminareo: mahasoa anareo ny fialàko; fa raha tsy miala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ilay Mpanolotsaina anareo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho atỳ aminareo. 8Ary rehefa tonga ilay Mpanolotsaina anareo, dia ny fahotan'izao tontolo izao, sy ny fahamarinako, ary ny fanamelohan'Andriamanitra no hampiaikeny an'izao tontolo izao: 9ny fahotan'izao tontolo izao, satria tsy mino Ahy izao tontolo izao; 10ny fahamarinako, satria mankany amin'ny Ray Aho ka tsy ho hitanareo intsony; 11ary ny fanamelohan'Andriamanitra, satria voaheloka rahateo ilay filohan'izao tontolo izao.

dimanche 8 juin 2014

Alahady 08 Jona 2014 - Asa 2 : 1 - 13

1Nony tonga ny andro Pentekôsta*, dia tafangona teo amin'io efitrano io ihany ny mpino rehetra. 2Ary nisy feo avy tany an-danitra tonga tampoka tahaka ny rivo-mahery mifofofofo ka nanenika ny trano nitoerany. 3Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho tamin'ny mpivory ka nizarazara nipetraka teny ambonin'ny tsirairay avy. 4Dia feno Fanahy Masina avokoa izy rehetra ary niteny fiteny samihafa araka izay nampitenenan'ny Fanahy azy avy. 5Tamin'izay dia nisy Jiosy mpivavaka tsara, zanaka am-pielezana avy tamin'ny firenen-tsamihafa ambanin'ny lanitra, tafatoetra tao Jerosalema. 6Vao nanomboka ilay feo, dia nirohotra nanatona ny besinimaro sady sanganehana fatratra satria nandre ny mpino nampiasa ny fiteny manokana mahazatra azy mpihaino tsirairay avy.

7Talanjona sy gaga izy rehetra sady vaky vava hoe:
–Fa tsy avy any Galilea avokoa ve ireo miteny ireo? 8Ka ahoana no andrenesantsika tsirairay avy ny fiteny manokana nahabe antsika? 9Misy amintsika avy any Partia, Media, Elama ary misy mponina any Mezôpôtamia; misy mponina eto Jodea; misy koa ny any Kapadôsia, Pônto, Azia, 10Frijia sy Pamfilia; ao koa ny avy any Ejipta mbamin'ny faritanin'i Sirena any Libia; ary misy ny mpivahiny avy any Rôma; 11ao ny Jiosy, ary ao ny hafa firenena* mpanaraka ny fivavahana jiosy; mbola misy koa ny avy any Kreta sy Arabia; kanefa dia rentsika izy ireo milaza, amin'ny fitenintsika avy, ny zava-dehibe ataon'Andriamanitra?

12Talanjona sady very hevitra izy rehetra ka velon-dresaka hoe:
–Inona re no hevitr'izao?

13Ny sasany anefa naneso ka nanao hoe:
–Mamon-divay vaovao ry zareo!

samedi 7 juin 2014

Sabotsy 07 Jona 2014 - Eze 34 : 7 - 10

7Koa ianareo mpiandry ny vahoaka Israely, mihainoa ny teniko:8Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian'ondriko ka lasan'ny mpangalatra sy zary rembin'ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy. 9Noho izany, dia henoinareo ny teniko ry mpiandry ny vahoaka Israely.10Izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin'ny ondriko ianareo ary hoesoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.

vendredi 6 juin 2014

Zoma 06 Jona 2014 - Eks 3 : 7 - 10

 7Ary hoy ny TOMPO hoe:

–Efa hitako tokoa ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan'ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany. 8Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin'ny fahefàn'ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin'ny tany Ejipta mba ho any amin'ny tany tsara sy midadasika, any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita* sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita. 9Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan'ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian'ny Ejiptianina azy. 10Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin'ny Farao* ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.

jeudi 5 juin 2014

Alakamisy 05 Jona 2014 - Asa 12 : 1 - 10

1Tamin'izany fotoana izany, dia nasain'i Herôda* mpanjaka nosamborina ny olona sasantsasany anisan'ny Fiangonana mba hampahorîna. 2Novonoiny tamin'ny sabatra i Jakôba rahalahin'i Jôhany; 3ka nony hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera. (Andro fankalazana ny Azima* indrindra tamin'izay.) 4Rehefa voasambotr'i Herôda i Petera, dia nataony am-ponja; andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy, no nasain'ity mpanjaka niandraikitra ny fiambenana azy. Nokasain'i Herôda hotsaraina imasom-bahoaka manko izy aorian'ny Paska*. 5Voatana tao am-ponja àry i Petera, fa ny Fiangonana kosa nivavaka mafy tamin'Andriamanitra ho azy.

6Ny alina mialoha ny hitsaran'i Herôda* azy ampahibemaso, dia natory teo anelanelana miaramila roa lahy i Petera. Voafatotra gadra vy anankiroa izy, ary teo am-baravaran'ny fonja dia efa nasiana mpiambina. 7Dia indro nisy anjelin*'ny Tompo tonga teo, ary namirapiratry ny hazavana tao amin'ilay efitry ny fonja.

Notohinin'ilay anjely teo amin'ny tehezany i Petera, dia nofohaziny ka nataony hoe:
–Mitsangàna faingana!

Nilatsaka ho azy ny gadra tamin'ny tanan'i Petera. 8Dia hoy ilay anjely taminy:
–Misikîna ary anaovy ny kapa.

Dia nataon'i Petera izany. Ary hoy koa ilay anjely taminy:
–Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.

9Dia niala tao am-ponja nanaraka an'ilay anjely i Petera. Saingy tsy fantany ho zavatra tena marina izay nataon'ny anjely fa noheveriny ho fahitana fotsiny. 10Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy ireo, dia tonga teo amin'ny vavahady vy mahazo ny lalana ho any an-tanàna. Nivoha nidanadana ho azy ilay vavahady ka dia tafavoaka soa aman-tsara izy ireo. Nizotra tamin'izay lalana anankiray izay izy ireo, ary dia nilaozan'ny anjely tampoka i Petera.

mercredi 4 juin 2014

Alarobia 04 Jona 2014 - Jao 8 : 31 - 38

31Dia hoy i Jesoa tamin'ireo Jiosy nino Azy:
–Raha maharitra mitana ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; 32sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no hanafaka anareo!

33Fa novalian'ireo hoe:
–Taranak'i Abrahama izahay ary tsy mba nandevozin'olona na oviana na oviana; ka ahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?

34Dia hoy i Jesoa taminy:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay rehetra manao fahotana dia andevozin'ny fahotana. 35Tsy hijanona ao an-trano lalandava ny mpanompo, fa ny zanaka no mijanona ao lalandava. 36Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. 37Fantatro fa taranak'i Abrahama ianareo, kanefa mitady hamono Ahy satria tsy tafalatsaka ao anatinareo ny teniko. 38Izaho izay milaza izay efa hitako teo amin'ny Raiko; ianareo kosa manao izay efa renareo tamin'ny rainareo!

mardi 3 juin 2014

Talata 03 Jona 014 - Mat 11 : 2 - 6

2Ren'i Jôhany Mpanao batisa tao am-ponja ny asa nataon'i Jesoa, ka nisy nirahin'i Jôhany ny mpianany 3hanontany azy hoe:
–Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?

4Dia hoy i Jesoa namaly ireto iraka:
–Ndeha ambarao an'i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: 5mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra*, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra. 6Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!

lundi 2 juin 2014

Alatsinainy 02 Jona 2014 - Sal 40 : 11 - 15

11Tsy mba afeniko ato am-poko ny fanafahanao,
ambarako fa Mpamonjy mahatoky Ianao;
ny vahoakanao tafangona amborahako
ilay fitiavanao tsy miova ho anay.
12TOMPO ô, tsy hitsahatra hamindrafo amiko Ianao;
ilay fitiavanao tsy miova no hiaro ahy lalandava.

13Manemitra ahy ny loza tsy hita isa;
mizaka ny vokatry ny heloko aho
sady tsy mahajery azy intsony
noho izy ireny maro noho ny volon-dohako;
ka ketraka dia ketraka ny foko.
14TOMPO ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy!
TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!
15Ho menatra sy mangaihay avokoa anie
izay olona mitady hahafaty ahy!
Hihemotra sy ho afa-baràka anie
izay olona maniry loza ho ahy!

dimanche 1 juin 2014

Alahady 01 Jona 2014 - Isa 42 : 5 - 9

5Izao no tenin'ny TOMPO Andriamanitra
Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy hidadasika,
Izay namelatra ny tany mbamin'ny zava-maniry vokariny,

Izay manome fofonaina ho an'ny olona eo aminy
sy fanahy ho an'ny mponina miriaria ao;
eny, izao no tenin'ny TOMPO Andriamanitra
amin'ilay mpanompo voafidiny:
6«Izaho TOMPO no niantso anao
araka ny fahamarinana
ka nitantana anao.
Izaho no niaro anao ka nanendry anao
ho antoky ny fanekempihavanako amin'ny olona
ary koa ho fahazavan'ireo firenena.
7Dia hampahiratra ny mason'ny jamba ianao,
hamoaka ny gadra avy ao am-ponja,
eny, hamoaka ireo mipetraka anaty haizina
hialany amin'ny trano nihazonana azy.»

8Izaho no TOMPO, izany no anarako
ka ny voninahitro* tsy homeko ny hafa
ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an'ny sampy.
9Indro efa lasa iny ny zava-niseho voalohany;
koa zava-baovao indray no ambarako aminareo.
Ary hampahafantariko anareo izany,
na dia mbola tsy miseho aza.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12