mercredi 30 juin 2021

Alarobia 30 Jona 2021 - Mat 16 : 13 - 19

 13Dia lasa nankany amin’ny faritany manodidina ny tanàna atao hoe Kesaria-Filipo ry i Jesoa; ary nanontany ny mpianany Izy nanao hoe:

–Iza moa ny Zanak’olona, araka ny filàzan’ny olona Azy?

14Dia novalian’ny mpianany hoe:

–Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe i Jeremià na anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra.

Ary hoy i Jesoa taminy:

15–Fa ianareo kosa, Iza moa Aho aminareo?

16Dia novalian’i Simôna Petera hoe:

–Ianao no ilay Mesia, ny Zanak’ilay Andriamanitra velona!

17Ary niteny tamin’i Petera i Jesoa nanao hoe:

–Sambatra ianao, ry Simôna zanakalahin’i Jônà, satria tsy olombelona nofo aman-dra no nanambara izany taminao fa ny Raiko Izay any an-danitra. 18Izaho koa milaza aminao fa ianao no Vato, ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako; ary ny herin’ny fahafatesana tsy hahatohitra ny Fiangonako. 19Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakàn’ny lanitra: ka na inona na inona hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.

mardi 29 juin 2021

Talata 29 Jona 2021 - I Kor 1 : 4 - 9

 4Velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitro ny aminareo aho noho ny fahasoavana efa nomeny anareo izay tafaray amin’i Kristy Jesoa. 5Eny, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa no mampanankarena anareo amin’ny fanomezana rehetra, dia ny teny sy ny fahalalana rehetra. 6Izay nijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy dia efa tafaorina mafy ao aminareo, 7ka tsy misy fanomezam-pahasoavana tsy anananareo eo am-piandrasana ny hisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika. 8Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin’ny andro hiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika. 9Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay niantso anareo hiombona amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

lundi 28 juin 2021

Alatsinainy 28 Jona 2021 - Kol 2 : 16 - 23

 16Aza avela hisy olona hitsara anareo momba ny zava-pihinana sy ny zava-pisotro, na ny fombafomba fanao amin’ny fankalazana na amin’ny tsinambolana na amin’ny sabata. 17Ireo rehetra ireo no tandindon’ny soa ho avy, fa ny tena zavatra dia i Kristy. 18Aoka tsy hisy olona hisakana anareo tsy hahazo ny amboara, ka hitaona anareo hanana fanetrentena haitraitra sy hivavaka amin’ny anjely. Manindrahindra ny fahitana azony ry zareo ka mieboebo tsy amin’antony, noho ny fisainany baikoin’ny maha olombelona azy. 19Tsy mifikitra amin’i Kristy Izay loha izy ireo, kanefa i Kristy no mamelona ny tena manontolo sady mampiray azy amin’ny alalan’ny hozatra amam-pamavàny ka mampitombo azy araka ny fitomboana sitrak’Andriamanitra.

Maty sy velona miaraka amin’i Kristy

20Niara-maty tamin’i Kristy ianareo sady afaka tamin’ny herin-javatra mangeja an’izao tontolo izao. Koa nahoana ianareo no miaina toy ny mbola voafehin’izao tontolo izao? Ary nahoana ianareo no mety hoteren’olona amin’ny fitsipika toy ny hoe: 21«Aza mihinana an’ity», «Aza manandrana an’irỳ», «Aza mikasika an’izatsy na iroa»? 22Zavatra mora levona amin’izay ampiasana azy avokoa ireo rehetra ireo, satria didy sy fampianarana avy amin’olombelona. 23Miseho ho fahendrena ireny didy sy fampianarana ireny satria hoe fivavahana vokatry ny finiavana ka ietren-tena manoloana ny anjely sy amolahana mafy ny vatana; kanefa tsy misy heriny akory hahasakana ny fanaranan’ny maha olona mpanota.

dimanche 27 juin 2021

Alahady 27 Jona 2021 - II Mpa 22 : 11 - 20

 11Nony ren’i Jôsià mpanjaka ny teny tao amin’ilay Bokin’ny Lalàna, dia nandriatra fitafiana izy. 12Ary nomeny baiko i Hilkià mpisorombe sy i Ahikama zanakalahin’i Safàna mbamin’i Hakbôra zanakalahin’i Mikaià mbamin’i Safàna mpitantsoratra sy i Hasaià mpandraharahany ka nilazany hoe:

13–Ndeha anontanio ny TOMPO ho ahy sy ho an’ny vahoaka manerana an’i Joda manontolo ny amin’ny teny raketin’ity boky vao hita ity. Ireo razantsika manko tsy nihaino ny tenin’ity boky ity sady tsy nanao araka izay rehetra voasoratra ao anatiny, hany ka hirehitra mafy amintsika ny fahatezeran’ny TOMPO.

14Dia lasa nankany amin’i Holdà mpaminanivavy i Hilkià mpisorona sy i Ahikama mbamin’i Hakbôra sy i Safàna ary i Hasaià. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon’i Jerosalema, dia vadin’i Saloma zanakalahin’i Tikvà sy zafikelin’i Harahasa sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià, 15dia nasainy miteny amin’ny mpaniraka hoe: 16«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: ‹Indro Aho hahatonga loza amin’ity tanàna ity sy ny mponiny, dia araka izay rehetra voalaza ao anatin’ilay boky novakin’ny mpanjakan’i Joda. 17Efa nandao Ahy manko ny mponin’i Jerosalema sady efa nampanetona srona ho an’ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampy rehetra nataon’ny tanany. Izany no nirehetan’ny fahatezerako tamin’ity tanàna ity, ka tsy mbola itoniany. 18Fa ny mpanjakan’i Joda, izay naniraka anareo hanatona Ahy TOMPO, dia anambarao fa Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza izao: Ny amin’ny teny izay efa renao, 19dia nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehako, rehefa nihaino izay voalazako momba ny hanjo ity tanàna ity sy ny mponiny, dia ny hanaovana azy ho lao sy ho oha-panozonana; eny, nandriatra fitafiana ianao sady nitomany teo anatrehako, ka dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 20Indro hangoniko any amin’ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an’i Jerosalema.› »

samedi 26 juin 2021

Sabotsy 26 Jona 2021 - I Pet 2 : 1 - 10

 1Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin’ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany. 2Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin’Andriamanitra, mba hitomboanareo amin’izany ka hahazoanareo famonjena, 3raha tàhiny efa nandramanareo tokoa fa tsara fo ny Tompo.

4Manatòna ny Tompo ianareo, fa Izy no vato velona nolavin’ny olona, kanefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra. 5Manatòna ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan’ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. 6Fa izao no voalaza ao amin’ny Soratra Masina:

«Indro Aho mametraka vatofehizoro ao Tsiôna,

dia vato voafidy sady sarobidy;

ary izay mino Azy tsy mba hangaihay.»

7Ny maha vato sarobidy Azy dia ho anareo izay mino, ka

«ny vato nolavin’ny mpanao trano

no nanjary vato fehizoro»;

ho an’izay tsy mino kosa, 8dia

«vato mahasolafaka

sy vato mampianjera» izany.

Solafaka tamin’io vato io izy ireo satria tsy manaiky ny tenin’Andriamanitra, sady ny ho solafaka rahateo no nanendrena azy ireo.

9Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan’Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan’Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho any amin’ny fahazavana mahagaga. 10Tsy vahoakan’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa vahoakany; tsy nahazo ny famindrampon’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa nahazo ny famindrampony.

vendredi 25 juin 2021

Zoma 25 Jona 2021 - Mat 23 : 1 - 12

 1Tamin’izay dia niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany i Jesoa 2nanao hoe:

–Nomena fahefana hivaofy ny lalànan’i Mosesy ny mpahay lalàna sy ny Farisianina. 3Koa amin’izany, ataovy sy araho izay rehetra lazainy; fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny ry zareo fa tsy manao. 4Entam-be sady tsy zaka no feheziny ka atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa na dia ny rantsan-tanan-dry zareo aza tsy tiany hanetsika izany. 5Ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; ka dia lehibe ny azy ny boaty mirakitra tenin’ny lalàna fitondra eny an-kandrina na eny an-tsandry, ary vaventy ny somotraviavy eny amin’ny lambany. 6Ny ankamamiany dia ny maka ny toeram-boninahitra amin’ny fanasana sy ny mipetraka eny aloha ao amin’ny sinagôga 7ary ny arahabaina eny an-kianja sy ny antsoin’ny olona hoe «Rabỳ» na hoe Mpampianatra. 8Ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe «Rabỳ» na hoe Mpampianatra, satria iray ihany no Mpampianatra anareo ary mpiray tampo avokoa ianareo rehetra. 9Ary aza miantso olona etỳ an-tany hoe «Rainareo» fa iray ihany no Rainareo, dia Ilay any an-danitra. 10Ary aza mba mety hantsoina hoe «Mpitarika» fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia ny Mesia. 11Izay lehibe kokoa aminareo no ho mpanomponareo. 12Fa izay hanandra-tena dia haetry; ary izay hanetry tena dia hasandratra.

jeudi 24 juin 2021

Alakamisy 24 Jona 2021 - Asa 17 : 1 - 9

 1Dia nandalo an’i Amfipôly sy i Apôlônia ry i Paoly sy i Silasy ka tonga tao Tesalônika izay nisy sinagôga anankiray fivavahan’ny Jiosy. 2Nankao amin’ilay sinagôga i Paoly araka ny fanaony. Sabata telo nifanarakaraka no nifanakalozany hevitra momba ny Soratra Masina tamin’ny olona tao; 3nohazavainy sady nasehony taminy fa, araka ny Soratra Masina, dia tsy maintsy nijaly ny Mesia ary nitsangana velona avy tany amin’ny maty. Ka hoy i Paoly:

–Izao Jesoa ambarako aminareo izao no ilay Mesia!

4Nisy sasantsasany resy lahatra tamin’ireo mpiangona ka niray anjara tamin’i Paoly sy i Silasy. Nanao toy izany koa ny olona marobe tamin’ireo Grika mpanaja an’Andriamanitra, ary tsy vitsy tamin’ireo vehivavy ambony toerana.

5Velom-pialonana kosa ny Jiosy, ka namory olon-dratsy avy amin’ireo vahoaka be nahaona teny an-dalambe. Dia nampihotakotaka ny olona ny Jiosy ka nampisavorovoro ny tanàna. Notamîn-dry zareo ny tranon’i Jasôna ary notadiaviny hoentina eo anatrehan’ny vahoaka ry i Paoly sy i Silasy. 6Nony tsy hitan-dry zareo izy roa lahy, dia i Jasôna sy ny havana iray finoana vitsivitsy no nosarihiny hanatrika an’ireo lehiben’ny tanàna sady nohorakorahiny hoe:

–Nanakorontana ny lafy valon’ny tany izy roa lahy ireny, ary mby eto amintsika ankehitriny 7ka nampiantranoin’i Jasôna. Mifanohitra amin’ny didin’ny amperôra rômanina anefa ny fihetsik’izy rehetra ireo satria ambarany fa misy mpanjaka hafa koa atao hoe Jesoa.

8Nampisahotaka ny vahoaka sy ny lehiben’ny tanàna izany teny izany; 9ka nandoa vola hatao antoka ry i Jasôna sy ny namany vao navelan’ireo lehiben’ny tanàna handeha.

mercredi 23 juin 2021

Alarobia 23 jona 2021 - Oha 23 : 26 - 35

 26Anaka, aoka hatoky ahy ny fonao

ary aoka ny masonao hifaly amin’ny sori-dalako.

27Fa mampidi-doza toy ny hady lalina ny mpivarotena

ary toy ny lava-pantsakana ety ny vehivavy vadin’olona;

28manotrika toy ny mpangalatra ireo,

ary manamaro ny lehilahy mpanitsakitsa-bady.


29Ho an’iza ny alahelo? Ho an’iza ny nenina?

Ho an’iza ny fifandirana? Ho an’iza ny toloko?

Ho an’iza ny ratra tsy amin’antony?

Ho an’iza ny maso mandroroa?

30Ho an’izay mitaraikiraiky amin’ny divay

sy ho an’izay tsy mitsaha-manandrana

fisotro mifangaro misy alikaola.

31Aza mijery ny divay mena

izay manganohano ao anaty kaopy.

Hikoriana moramora ao an-tendanao izy,

32nefa amin’ny farany hanaikitra toy ny bibilava

ary hanindrona toy ny menarana misy poizina.

33Hahita zavatra hafahafa ny masonao;

ary resaka mifanjevo no avoakan’ny eritreritrao.

34Hihevi-tena ho any afovoan’ny ranomasina ianao

ka ho toy izay mandry eny an-tampon’ny lain-tsambo.

35Dia hoy ianao anakampo hoe:

«Nisy nikapoka aho nefa tsy naharary!

Nisy nively aho nefa tsy tsaroako akory!

Raha vantany vao taitra ange aho,

dia hangataka hisotro indray!»

mardi 22 juin 2021

Talata 22 Jona 2021 - Jao 14 : 5 - 11

 5Dia hoy i Tômà taminy:

–Tsy fantatray izay alehanao, ry Tompo! Ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?

6Fa novalian’i Jesoa hoe:

–Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako. 7Raha mahafantatra Ahy ianareo, dia hahafantatra ny Raiko ihany koa; dieny izao no ahafantaranareo Azy sady efa nahitanareo Azy.

8I Filipo kosa nanao taminy hoe:

–Asehoy anay ny Ray, ry Tompo, dia ampy ho anay izay.

9Fa hoy i Jesoa taminy:

–Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: «Asehoy anay ny Ray»? 10Tsy mino ve ianao fa Izaho dia ao anatin’ny Ray, ary ny Ray ato anatiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy ambarako avy amin’ny tenako: fa ny Ray Izay mitoetra ao anatiko no manao ny asany. 11Minoa Ahy fa Izaho dia ao anatin’ny Ray ary ny Ray ato anatiko; raha tsy mino ny teniko ianareo, dia minoa ahay noho ireny asa ireny. 

lundi 21 juin 2021

Alatsinainy 21 Jona 2021 - Jer 13 : 15 - 17

15Mihainoa, ka mandrenesa tsara;

aza miavonavona satria ny TOMPO no miteny.

16Omeo voninahitra ny TOMPO Andriamanitrareo,

dieny tsy mbola nahatonga haizina Izy

ary dieny tsy mbola tafintohina ny tongotrareo

eny an-tendrombohitra rakotry ny alina eny.

Miandry ny mazava ianareo,

kanjo hovany ho alo-pahafatesana izany

sy hataony toy ny rahona mainty.

17Raha tsy mihaino izany hafatra izany ianareo,

dia hitomany ao amin’ny toera-mangina aho

noho ny avonavonareo mihoa-pampana;

eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso,

hamarin-dranomaso hijononoka be,

satria lasan-ko babo

ny andianondrin’ny TOMPO.

dimanche 20 juin 2021

Alahady 20 Jona 2021 - I Pet 4 : 1 - 6

 1Noho i Kristy efa nijaly tao amin’ny nofo, dia raiso ho fiadianareo koa ny toe-tsaina nananany; satria izay olona nijaly tao amin’ny nofo dia nampitsaharina tamin’ny ota, 2ka tamin’ny androny sisa eto an-tany dia tsy araka ny filàndratsin’ny olombelona intsony no tokony hiainany fa araka ny sitrapon’Andriamanitra. 3Eny, fotoana maharitra ihany tamin’ny lasa no nanaovanareo ny zavatra fanaon’ny mpanompo sampy, ka nizoranareo tamin’ny fihetsika tsy maotina, ny fanirian-dratsy, ny fahamamoana, ny fihinanam-be loatra, ny fisotroana tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy izay tsy fanao. 4Amin’izany dia gaga ireo mpanompo sampy satria tsy dodona intsony ianareo ny hiaraka aminy mba hanarampo amin’ny filibàna, ka dia tevatevainy; 5nefa hampamoahin’Ilay vonona hitsara ny velona sy ny maty izy ireo. 6Fa izany no nitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin’izay maty aza: mba ho velona araka ny fomban’Andriamanitra izy ao amin’ny fanahy, rehefa notsaraina tao amin’ny nofo araka ny fomban’ny olona.

samedi 19 juin 2021

Sabotsy 19 Jona 2021 - Mpi 11 : 30 - 40

 30Ary nivoady tamin’ny TOMPO i Jiftà ka nanao hoe:

–Raha hatolotrao tokoa eo an-tanako ny Hamônita, 31dia hatokako ho ANAO sady hatolotro ho sorona dorana manontolo ho Anao izay olona mivoaka voalohany ny varavaran’ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina avy nandresy ny Hamônita aho.

32Dia nihoatra ny sisin-tanin’ny Hamônita i Jiftà mba hiady aminy; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanany ireo. 33Nandresy azy i Jiftà, ka nahazo ny tanàna roapolo teo anelanelan’i Harôhera sy ny manodidina an’i Minita ary hatrany Abela-Keramima. Faharesena goavana ny an’ny Hamônita, ka dia nilefitra teo anoloan’ny Israelita izy.

34Fa nony niverina tany aminy tao Mitsepà i Jiftà, dia ny zanany vavy no nivoaka nitsena azy sady nandihy tamin’ny amponga tapaka; vavy tokany anefa io, fa tsy nanan-janaka hafa izy. 35Koa raha vao nahita azy i Jiftà, dia nandriatra ny fitafiany sady niantso hoe:

–Indrisy, anaka, fa nampidi-doza ahy ianao, ary ianao izao no fototry ny hakiviako! Efa nanao voady tamin’ny TOMPO manko aho, ka tsy mahazo mitsoaka ny teny nomeko.

36Fa namaly azy ny zanany vavy hoe:

–Dada ô, raha nanao voady tamin’ny TOMPO ianao, dia tanteraho amiko izay efa naloaky ny vavanao taminy satria IZY efa namela anao hamaly faty ny Hamônita fahavalonao. 37Nefa na izany aza, dia mba omeo fe-potoana roa volana aho hankanesako eny an-tendrombohitra miaraka amin’ny namako mba hitomaniako ny tenako tsy maintsy ho faty nefa tsy mbola nanambady akory.

38Dia nomen’i Jiftà lalana handeha mandritra ny roa volana izy. Koa nandeha izy sy ireo namany ka nitomany teny an-tendrombohitra noho ny tenany tsy maintsy ho faty nefa tsy mbola nanambady akory. 39Nony afaka roa volana, dia niverina tany amin’ny rainy izy; ka notanterahin-drainy taminy tokoa izay voady efa nataony. Dia maty mbola virijiny razazavavy. Ary hatramin’izay dia nanjary fanao teo amin’ny Israelita izao fomba izao: 40Isan-taona ny vehivavy israelita dia mandeha mitomany mandritra ny efatra andro ny zanakavavin’i Jiftà, ilay Gilehadita.

vendredi 18 juin 2021

Zoma 18 Jona 2021 - Rom 12 : 3 - 8

 3Noho ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy, dia izao lazaiko aminareo tsirairay avy: aza mihevi-tena mihoatra ny tokony hiheverana ny tena, fa aoka samy hihevi-tena amim-pahendrena, araka ny anjara finoana nomen’Andriamanitra azy avy. 4Eny, ao amin’ny vatana iray, dia misy zavatra maro anisan’izany vatana izany kanefa tsy mitovy asa avokoa ireo. 5Dia toy izany koa: na maro aza isika, dia vatana iray ihany noho isika tafaray amin’i Kristy, ka mifampiankina toy ny ifampiankinan’ireo zavatra anisan’ny vatana iray ihany. 6Manana fanomezana samihafa isika, araka ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra antsika. Raha misy manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra, dia aoka hanao izany mifanaraka amin’ny finoana. 7Raha misy manana ny fanomezana hanompo, dia aoka hanompo. Ny mpampianatra, aoka hampianatra. 8Ny mpananatra, aoka hananatra. Ny mpizara, aoka hizara amim-pahatsoram-po. Ny mpahafoy harena, aoka hahafoy amin-jotom-po. Ny mpanao asa fiantrana, aoka hanao ny asany an-kafaliana.

jeudi 17 juin 2021

Alakamisy 17 Jona 2021 - FIl 1 : 27 - 30

 27Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy. Ka amin’izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin’ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly. 28Aoka tsy ho azon’ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin’inona na amin’inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin’Andriamanitra. 29Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an’i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy: 30dia ny miatrika ady mitovy amin’izay hitanareo natrehiko fahiny sady renareo fa mbola atrehiko ankehitriny.

mercredi 16 juin 2021

Alarobia 16 Jona 2021 - Eks 2 : 1 - 10

 1Nisy lehilahy iray, anisan’ny fokon’i Levỳ, nandeha naka vady tao amin’ny mpiray foko aminy. 2Bevohòka ravehivavy ka niteraka zazalahy. Hitany fa tsara tarehy ilay zazalahy ka nafeniny nandritra ny telo volana. 3Taorian’izany, rehefa tsy afa-nanafina azy intsony izy, dia naka sobika zozoro izay nohosorany dity mineraly sy ditin-kazo, dia napetrany tao ny zaza; ary tao anatin’izany sobika izany no nanaterany azy teny amoron’i Neily teo anivon’ny bararata. 4Nijanona lavidavitra ny anabaviny mba hijery izay hanjo azy.

5Taoriana kely dia nidina tao amin’i Neily mba handro ny zazavavin’ny Farao, ary ireo mpanotrona azy kosa nitsangantsangana teny amoron’ny ony. Nahatazana ilay sobika teo anivon’ny bararata izy ka naniraka ny mpanompovaviny iray haka azy. 6Nosokafan’ny andriambavy ilay sobika, ka intỳ hitany tao zazalahy kely mitomany; ary onena azy izy ka niantso hoe:

–Zanaka Hebreo ity!

7Fa niteny tamin’ny zanakavavin’ny Farao kosa ilay anabaviny nanao hoe:

–Handeha hiantso vehivavy mpitaiza ho anao amin’ny vehivavy hebreo ve aho mba hitaiza ny zaza ho anao?

8Dia novalian’ny andriambavy hoe:

–Mandehana àry!

Dia nandeha razazavavy ka ny renin’ilay zazalahy ihany no nantsoiny. 9Ary hoy ity andriambavy tamin-dravehivavy:

–Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy fa izaho no hanome ny karamanao.

Dia nalain-dravehivavy ny zaza ka notezainy.

10Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’ny Farao, ka nanjary zanany. Dia hoy ity andriambavy hoe:

–Antsoiko hoe Mosesy izy satria avy tamin’ny rano nisarihako azy

mardi 15 juin 2021

Talata 15 Jona 2021 - II TIm 2 : 22 - 26

 22Andosiro ny zava-dratsy ironan’ny tanora fanahy; fa aoka ny rariny, ny finoana, ny fitiavana ary ny fihavanana no hiarahanao mikatsaka amin’ireo olona miantso ny Tompo amin’ny fo mahitsy. 23Aza miraharaha izay fanontaniana adaladala sy tsy misy heviny, satria fantatrao fa mahatonga ady izany; 24fa ny mpanompon’ny Tompo dia tsy tokony ho fiadîna, fa tokony halemy fanahy amin’ny olona rehetra, hahay mampianatra, hahalefitra, 25ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon’Andriamanitra miala amin’ny toe-dratsy angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra; 26ary hody ny sain’ireo ka ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.

lundi 14 juin 2021

Alatsinainy 14 Jona 2021 - Jos 3 : 7 - 17

  7Ary hoy ny TOMPO tamin’i Josoa hoe:

–Anio no hanamafisako ny fahefànao eo imason’ny Israelita rehetra mba hahafantarany fa tahaka izay nombàko an’i Mosesy no hombako anao koa. 8Ianao kosa mandidia ireo mpisorona mitondra ny Vatamasina mba hijanona ao anaty ranon’i Jôrdàna raha vao tafaroboka.

9Ary i Josoa nanao tamin’ny Israelita hoe:

–Manatona etỳ ka mihainoa izay lazain’ny TOMPO Andriamanitrareo. 10Ho fantatrareo amin’izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivîta sy Perizîta, ny Girgasita sy Amôrita ary Jebosita. 11Indro ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ilay Tompon’ny tany rehetra handroso eo alohanareo ao Jôrdàna. 12Koa ankehitriny, mifidiana 12 lahy eo aminareo. iray avy isaky ny foko israelita. 13Raha vao mandroboka tongotra ao anaty rano ireo mpisorona mitondra ny Vatamasin’ny TOMPO, dia ho tapaka ny ranon’i Jôrdàna: hijanona ny rano avy any ambony ka hisavovona toy ny antontan-javatra.

14Dia nandao ny toby mba hiampita an’i Jôrdàna ny vahoaka; ary ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana no teo alohany. 15Fotoan’ny fararano tamin’izay ka tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jôrdàna. Raha vao tonga teo ny mpisorona nitondra ny Vatamasina ka nandroboka tongotra tao anaty renirano, 16dia nijanona ny rano avy any ambony ka nisavovona toy ny antontan-javatra terỳ lavitra terỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama izay takaikin’ny tanàna Tsaratàna; ary ny rano ambany izay nikoriana ho any amin’ny Ranomasina Maty kosa dia ritra tanteraka, hany ka afaka niampita tandrifin’i Jerikao ny vahoaka. 17Ny mpisorona izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nijoro tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jôrdàna, mandra-pahatafita ny Israelita rehetra izay nandia tany maina ho eny ampita.

dimanche 13 juin 2021

Alahady 13 Jona 2021 - Jao 1 : 35 - 42

 35Ny ampitson’iny indray, dia mbola teo ihany i Jôhany sy ny mpianany roa lahy; 36ary nahatazana an’i Jesoa nandalo i Jôhany ka hoy izy hoe:

–Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra!

37Nandre an’i Jôhany niteny izany ireto mpianany roa lahy ka lasa nanaraka an’i Jesoa. 38Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy roa lahy nanaraka, dia nanao taminy hoe:

–Inona no tadiavinareo izay?

Ka novalian’izy roa lahy hoe:

–Rabỳ ô, (izany hoe Mpampianatra ô, raha adika), aiza ianao no mitoetra?

39Dia hoy i Jesoa taminy:

–Avia, fa ho hitanareo!

Koa dia nandeha izy roa lahy ka nahita izay nitoeran’i Jesoa ary nitoetra teo aminy tamin’io andro io. (Tokony ho tamin’ny efatra tolakandro tamin’izay).

40I Andrea, rahalahin’i Simôna Petera, no anankiray tamin’izy roa lahy nandre ny tenin’i Jôhany, ka nanaraka an’i Jesoa. 41Ny nihaonan’i Andrea voalohany dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe:

–Efa hitanay ny Mesia (izany hoe i Kristy na hoe Voahosotra, raha adika)!

42Dia nentin’i Andrea nankany amin’i Jesoa i Simôna; ary nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe:

–Ianao no Simôna, zanakalahin’i Jônà! Hantsoina hoe Kefasy ianao (izany hoe Petera na hoe Vato, raha adika)!

samedi 12 juin 2021

Sabotsy 12 Jona 2021 - I Sam 15 : 16 - 26

 16Fa hoy i Samoela tamin’i Saoly:

–Aoka izay, fa hambarako anao izay nolazain’ny TOMPO tamiko halina.

Ary hoy izy taminy:

–Ambarao àry!

17Dia hoy i Samoela hoe:

–Na dia nihevitra ny tenanao ho tsy nanao ahoana aza ianao taloha, dia efa tonga filohan’ny fokon’i Israely, fa ny TOMPO efa nanosotra anao ho mpanjakan’i Israely. 18Ary IZY efa nanoro lalana anao handeha hamongotra tanteraka ireo Hamalekita mpanota ireo ary hiady aminy mandra-paharingany. 19Koa nahoana no tsy nohenoinao ny tenin’ny TOMPO, fa avy hatrany ianao dia niantoraka tamin’ny remby, ary nanao izay nampalahelo ny TOMPO?

20Fa hoy i Saoly tamin’i Samoela:

–Efa nanaiky ny tenin’ny TOMPO aho, ary efa nanaraka izay natorony ahy. Efa novonoin-ko faty avokoa ny Hamalekita, afa-tsy i Agaga mpanjakany ihany izay nentiko eto; 21fa ny miaramila kosa, raha nanavaka ireo biby izay tsara indrindra tokony ho naringana, dia ny hanolorana azy ho sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eto Gilgàla.

22Dia hoy indray i Samoela hoe:

–Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy. 23Fa ratsy toy ny sikidy ny fikomiana aminy, ary ratsy toy ny fanompoan-tsampy ny tsy fanekena Azy. Koa satria nandà ny tenin’ny TOMPO ianao, dia mba laviny kosa tsy ho mpanjaka intsony.

24Ka hoy ny navalin’i Saoly azy:

–Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin’ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny. 25Ankehitriny, miangavy anao re aho, mamelà ny heloko ka miverena miaraka amiko mba hahazoako miankohoka eo anatrehan’ny TOMPO.

26Hoy kosa i Samoela taminy:

–Tsia, tsy hiverina hiaraka aminao aho, satria efa nandà ny tenin’ny TOMPO ianao, ka dia laviny koa tsy ho mpanjakan’i Israely intsony.

vendredi 11 juin 2021

Zoma 11 Jona 2021 - Gal 2 : 11 - 21

 11Kanefa nony tonga tany Antiôkia i Petera, dia notoheriko ampahibemaso satria tsy mety ny nataony. 12Fa talohan’ny nahatongavan’ireo olona vitsivitsy naman’i Jakôba, dia niara-nihinana tamin’ny mpino hafa firenena i Petera. Saingy nony tonga ireo, dia nihataka i Petera ka niala tamin’ny hafa firenena, noho izy natahotra ireo anisan’ny voafora. 13Ary ireo Jiosy mpino sasany dia niara-nihatsaravelatsihy tamin’i Petera, ka i Barnabà avy aza no voataonan’ny fihatsaràmbelatsihin-dry zareo. 14Kanefa nony hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny Vaovao Mahafaly marim-pototra izy ireo, dia hoy aho tamin’i Petera teo anatrehan’ny olona rehetra: «Raha ianao Jiosy aza miaina araka ny fanaon’ny hafa firenena fa tsy araka ny fanaon’ny Jiosy, ahoana no anerenao ny hafa firenena hanaraka ny fanaon’ny Jiosy?»

15Ary hoy aho aminareo: «Jiosy ara-pirazanana izahay, fa tsy mba mpanota avy amin’ny hafa firenena. 16Saingy fantatray fa ny olombelona dia ankatoavin’Andriamanitra ho marina, tsy avy amin’ny fanatanterahana ny lalàna fa noho ny finoana niainan’i Jesoa Kristy. Izany no nahatonga anay hino an’i Kristy Jesoa mba hankatoavan’Andriamanitra anay ho marina, noho ny finoana niainan’i Kristy fa tsy avy amin’ny fanatanterahana ny lalàna. 17Raha mitady hiray amin’i Kristy izahay mba hankatoavin’Andriamanitra ho marina, dia hita fa mpanota koa izahay, kanefa mpanompon’ny fahotana ve i Kristy? Sanatria! 18Raha ny zavatra efa noravako manko no ajoroko indray, dia asehoko miharihary ny maha pandika lalàna ahy. 19Fa izaho, dia tamin’ny alalan’ny lalàna no nahafatesako raha ny amin’ny lalàna mba hahavelomako ho an’Andriamanitra. Niara-nohomboana tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana aho; 20ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin’ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin’ny finoana niainan’ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy: 21tsy ataoko very maina ny fahasoavan’Andriamanitra! Eny, raha ny lalàna no mahatonga ho marina eo imason’Andriamanitra, dia maty tsy amin’antony i Kristy.

jeudi 10 juin 2021

Alakamisy 10 Jona 2021 - Deo 20 : 1 - 9

 1Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo. 2Iny vonon-kanafika iny ianareo, dia hohatonin’ny mpisorona ka hilazany hoe: 3«Mihainoa, ry miaramila israelita! Efa hanafika fahavalo ianareo izao, koa aza rera-po na matahotra na mikoropaka foana na mangorohoro eo anatrehany. 4Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hampandresy anareo.»

5Avy eo dia hiteny amin’ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: «Iza aminareo no nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokanany? Aoka hiverina any an-tranony izy fandrao maty any amin’ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony. 6Ary iza aminareo no efa namboly voaloboka nefa tsy mbola nioty vokatra taminy? Aoka hiverina any an-tranony izy fandrao maty any amin’ny ady, ka olon-kafa no hioty ny vokatra. 7Ary iza aminareo no manana fofombady nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.» 8Dia mbola hiteny amin’ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: «Iza aminareo no matahotra ka rera-po? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao ho rera-po tahaka azy koa ny namany.» 9Rehefa tapi-niteny tamin’ny miaramila ireo manamboninahitra ireo, dia hanendry mpifehy hitarika antoko miaramila.

mercredi 9 juin 2021

Alarobia 09 Jona 2021 - Mar 11 : 20 - 24

 20Nandalo teo amin’ilay aviavy ry zareo ny ampitso maraina, ka nahita ity hazo maina hatramin’ny fakany. 21Dia nahatsiahy i Petera ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

–Mpampianatra ô, jereo fa maina ilay aviavy nozoninao!

22Namaly i Jesoa ka nanao tamin’ireo mpianany hoe:

–Manàna finoana an’Andriamanitra! 23Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: «Mialà eo, ary mianjerà any an-dranomasina», ka tsy misalasala ao am-po, fa mino hoe ho tonga izay lazainy, dia ho tanteraka aminy tokoa. 24Koa izao no teniko aminareo: na inona na inona hangatahinareo amin’ny vavaka ataonareo, inoy fa efa azonareo, dia hotanteraka aminareo tokoa.

mardi 8 juin 2021

Talata 08 Jona 2021 - File 8 - 21

 8Noho izany, na dia azoko atao tsara aza, araka ny fahefana nomen’i Kristy ahy, ny handidy anao ny amin’izay tokony hataonao, 9dia aleoko manao fiangaviana aminao noho ny fifankatiavantsika. Eny, izaho Paoly dia efa antitra sady voafonja noho ny amin’i Kristy Jesoa ankehitriny; 10ka fiangaviana no ataoko aminao ho an’i Ônesimo, izay zanako naterako ara-panahy tato am-ponja. 11Tsy nahasoa anao izy fahiny, fa ankehitriny kosa mahasoa antsika, dia izaho sy ianao. 12Asaiko mody atỳ aminao indray izy, ilay toy ny sombinaiko. 13Satriko ihany ny mitana azy eto amiko, izao aho voafonja noho ny amin’ny Vaovao Mahafaly izao, mba ho solonao mikarakara ahy. 14Kanefa tsy te hanao na inona na inona aho raha tsy teny ierana aminao; tsy tiako ny hanoavanao ahy tsy sazoka fa mba ho nahim-ponao tokoa.

15Angamba ny nahatafasaraka an’i Ônesimo taminao vetivety dia ny hanananao azy maharitra; 16saingy tsy toy ny mpanompo intsony no hanananao azy, fa tsara lavitra noho izany, dia toy ny rahalahy malala. Rahalahy malala tokoa izy ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ny maha olona azy na amin’ny maha mpanara-dia ny Tompo azy.

17Koa raha heverinao ho namanao tokoa aho, dia raiso i Ônesimo tahaka ny andraisanao ahy. 18Raha misy ratsy nataony anao na misy trosa anananao aminy, dia ahy ny andraikitra. 19Ny tanako mihitsy no anoratako ireto teny ireto: izaho Paoly no hanonitra izany! Tsy te hilaza aminao akory aho, fa ianao koa anie ka ananako trosa mihoatra noho izany, dia ny maha kristianina anao. 20Eny, ry rahalahy, efa mpanara-dia ny Tompo ianao ka enga anie ho azoko aminao izay angatahiko; velombelomy ny foko noho ianao rahalahiko ao amin’i Kristy.

21Matoky aho fa hanaiky izay angatahiko ianao, ka izany no andefasako taratasy aminao, sady fantatro fa hanao mihoatra aza ianao. 22Ary mba anomano efitrano koa aho; satria antenaiko fa noho ny vavaka ataonareo, dia haverin’Andriamanitra ho eo aminareo aho.

lundi 7 juin 2021

Alatsinainy 7 Jona 2021 - Lio 17 : 11 - 19

 11Raha nizotra ho any Jerosalema i Jesoa, dia namaky faritany miolotra amin’i Samaria sy i Galilea. 12Raha niditra tao amin’ny tanàna anankiray Izy, dia nisy marary hoditra folo lahy nitsena Azy. Nijanona lavidavitra ihany izy folo lahy 13sady niantsoantso hoe:

–Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay!

14Nahita azy ireo i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Ndeha miseho amin’ny mpisorona ianareo!

Raha mbola teny an-dalana izy folo lahy, dia sitrana. 15Ny anankiray, raha vao nahita fa sitrana, dia niverina ka niantsoantso nanome voninahitra an’Andriamanitra, 16niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa sady nisaotsaotra Azy; ary Samaritanina ralehilahy. 17Dia niteny i Jesoa nanao hoe:

–Tsy folo lahy ve no sitrana? Ka aiza ny sivy? 18Tsy nisy nahalala niverina nanome voninahitra an’Andriamanitra ve afa-tsy ity olona hafa firenena ity?

19Ary dia hoy i Jesoa taminy:

–Mitsangàna ka modia, ny finoanao no nahasitrana anao!

dimanche 6 juin 2021

Alahady 06 Jona 2021 - Gen 7 : 1 - 5

 1Hoy ny TOMPO tamin’i Noà:

–Midira ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny ankohonanao, satria ianao irery no hitako fa marina teo anatrehako tamin’izao taranaka izao. 2Makà biby madio mpivady fito isaky ny karazany avy, ary biby maloto mpivady iray ihany kosa isaky ny karazany avy, ka ento miaraka aminao; 3toy izany koa ny amin’ny voro-manidina, makà mpivady fito isaky ny karazany avy: dia mba samy hamelona taranaka eo amin’ny velaran’ny tany tontolo ireny. 4Fa herinandro sisa dia hampilatsaka ranonorana mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina amin’ny tany Aho, ka hofoanako eo amin’ny velaran’ny tany ireo zava-mananaina rehetra nataoko.

5Dia nataon’i Noà izay rehetra nandidian’ny TOMPO azy.

samedi 5 juin 2021

Sabotsy 05 Jona 2021 - Apo 2 : 18 - 29

 18–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Tiatira:

«Izao no lazain’ilay Zanak’Andriamanitra, dia Ilay manana maso mivaivay tahaka ny lelafo sady manana tongotra mangirangirana tahaka ny varahina manganohano: 19Fantatro ny asanao, ny fitiavanao, ny finoanao, ny fanompoanao, ary ny faharetanao; ary ny asanao farany izao dia be noho ny tany am-boalohany. 20Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminany, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin’ny sampy. 21Efa nomeko andro io vehivavy io hialany amin’ny toe-dratsiny, saingy tsy mety miala amin’ny fijangajangàny. 22Indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay nanitsakitsa-bady taminy dia hozoim-pahoriana lehibe, raha toa tsy miala amin’ny asa nampianarin-dravehivavy azy. 23Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.

24«Fa ianareo sisa rehetra amin’ny Fiangonana any Tiatira dia tsy nanaraka izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ireo hoe ‹hevi-dalin’i Satàna›; ka izao no lazaiko aminareo: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25fa izay anananareo no tano mafy mandra-piaviko.

26-28«Izay maharesy ka mitandrina ny hanao ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana toy izay efa noraisiko tamin’ny Raiko: homeko fahefana amin’ny firenena izy, ka hifehy azy amin’ny tehim-by ary hanorotoro azy toy ny vilany tany. Homeko an’izay maharesy koa ny kintana fitarikandro2.26 Jereo Sal 2.8-9; ampit Nom 24.17; Apôk 22.16..

29«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana.»

vendredi 4 juin 2021

Zoma 04 Jona 2021 - Sal 81 : 8 - 16

 8Fony noporetina ianareo,

dia niantso Ahy ka nafahako;

novaliako tao anaty kotrokorana ianareo

ary nozahako toetra teo amin’ny ranon’i Meribà.

Fiatoana

9Ry vahoakako, mihainoa fa mampitandrina Aho;

satriko hihaino Ahy ianareo, ry Israelita:

10Aoka tsy hisy andriamani-kafa eo aminareo,

aoka ny andriamanitra vahiny tsy hivavahanareo,

11satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo

Izay nampiakatra anareo hiala tany Ejipta!

Atanatanao ny vavanareo, dia hofenoiko.»

12Kanjo ny vahoakako tsy nihaino Ahy,

ny Israelita tsy nila Ahy,

13koa navelako izy hizotra amin’ny ditran’ny fony

sy hanaraka izay tiany hatao.

14Raha mba nihaino Ahy ny vahoakako,

raha mba nanaraka ny torolalako ny Israelita,

15dia ho nampietreko faingana ireo fahavalony

ary ho nofaiziko ireo mpampahory azy.

16Izay mpankahala ny TOMPO ho nikoy tamiko;

ny famaizany azy ho naharitra mandrakizay.

jeudi 3 juin 2021

Alakamisy 03 Jona 2021 - Mat 9 : 18 - 26

 18Raha mbola niteny izany tamin’ny mpianatr’i Jôhany Mpanao batisa i Jesoa, dia indro tonga ity manampahefana jiosy anankiray niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe:

–Maty vao izao ny zanako vavy; ka andeha re hametraka ny tananao aminy dia ho velona izy.

19Dia nitsangana nandeha nanaraka azy i Jesoa mbamin’ny mpianany. 20Fa indro nisy vehivavy mitsi-dra efa nandritra ny 12 taona, nanatona an’i Jesoa avy eo ivoho ary nikasika ny somotraviavin-dambany; 21fa hoy izy anakampony: «Na dia ny lambany fotsiny aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.»

22Dia nitodika i Jesoa ka nahita azy ary niteny hoe:

–Mahereza, anaka; ny finoanao no nahasitrana anao!

Ary nanomboka tamin’io ora io dia sitrana ravehivavy.

23Nony tonga tany an-tranon’ilay manampahefana i Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba 24dia nanao hoe:

–Mialà ianareo! Tsy maty akory razazavavy fa matory!

Dia nihomehezan’ny olona i Jesoa. 25Nony efa navoaka tany alatrano kosa ny vahoaka, dia niditra i Jesoa ka nandray ny tanan-drazazavavy ary dia niarina izy. 26Ary niely eran’io faritany io ny lazan’izany.

mercredi 2 juin 2021

Alarobia 02 Jona 2021 - Asa 3 : 12 - 16

 12Raha nahita izany i Petera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe:

–Ry vahoaka israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo? Nahoana izahay no banjininareo hoatra ny hoe herinay manokana na ny fitiavam-bavakay no nampandeha io lehilahy io? 13Ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa ilay Mpanompony. Natolotrareo tamin’ny manampahefana i Jesoa ary nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, izay efa tapa-kevitra handefa Azy; 14ilay Masina sy Marina dia nolavinareo, ary lehilahy mpamono olona no nitakianareo famotsoran-keloka; 15ilay Mpitari-dalana ho amin’ny fiainana dia novonoinareo, nefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty; ary vavolombelona manambara izany izahay. 16Nino ny anaran’i Jesoa ralehilahy izay hitanareo sy fantatrareo io, ka ny herin’ny anaran’i Jesoa no nampanjaka azy; ny finoana avy amin’i Jesoa no nahatomady azy tanteraka indray araka izao atrehinareo rehetra izao.

mardi 1 juin 2021

Talata 01 Jona 2021 - Neh 9 : 32 - 37

 32Koa ankehitriny, ry Andriamanitra ô,

lehibe sady mahery no mahatahotra Ianao,

ary mitandro ny fanekempihavananao sy fitiavanao.

Aoka re tsy ho zavatra kely eo imasonao

ny fahoriana rehetra efa nanjo ny vahoakanao tsivakivolo

dia ny mpanjakanay sy mpanapaka anay,

ny mpisoronay sy mpaminaninay,

ary ny razanay mbamin’ny tenanay,

manomboka tamin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria

ka mandrak’izao andro anio izao!

33Mandala ny rariny Ianao tamin’izay rehetra nanjo anay;

satria marina ny nataonao, fa izahay no nanao ratsy.

34Ny mpanjakanay sy mpanapaka anay

ary ny mpisoronay sy ny razanay

dia samy tsy nanatanteraka ny lalànao,

ary tsy niraharaha ny didinao

sy ny fananarana nataonao taminy.

35Teo amin’ny zava-tsoa marobe nomenao azy nandritra ny nanjakàny

ary teo amin’ny tany malalaka sy lonaka

natolotrao ho eo anoloany,

dia tsy nanompo Anao ireo

sady tsy niala tamin’ny ratsy fanaony.

36Ankehitriny dia indreto andevozina izahay

eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay

hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy.

37Vokatra marobe tokoa no aterak’ity tany ity

kanefa lasan’ireo mpanjaka izay notendrenao

hanapaka anay noho ny fahotanay;

eny, manapaka ny tenanay sy biby fiompinay

araka izay itiavany azy izy,

ka ozoim-pahoriana mafy izahay!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12