vendredi 30 novembre 2018

Zoma 30 Novambra 2018 - Apo 21 : 1 - 8

1Dia nahita habakabaka vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny habakabaka voalohany sy tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2Ary hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy tamin'Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voaomana tahaka ny ampakarina voahaingo hihaona amin'ny vadiny. 3Ary nisy feo mahery reko avy teo amin'ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan'Andriamanitra tonga eny amin'ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr'izy ireo. 4Hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'ireo vahoakany; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony, fa efa lasa ny zavatra taloha.»

5Dia hoy Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana hoe: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra!» Avy eo Izy no niteny tamiko hoe:
–Soraty, satria azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo.

6Dia hoy indray Izy tamiko:
–Tanteraka ny zavatra rehetra! Izaho no Alfa sy Ômega, fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia hampisotroiko maimaimpoana amin'ny loharano miboiboika ranovelona. 7Izay mandresy no hahazo izany lova izany; ka dia ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 8Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin'ny farihy mirehitra afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.

Ny toetoetry ny fanjakan'Andriamanitra

Ny boky Apokalipsy dia manambara ny herin' Andriamanitra sy ny fandresen'i Jesoa Kristy ho fampaherezana ary fampanantenana ho an'ireo kristiana niaina tao anatin'ny fanenjehana fahizay. Mety ihatra amin'ny fiangonana amin'ny fe-potoana rehetra anefa izay nihatra tamin'izy ireo. Toy izao ny fahitan'i Jaona Apostoly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra:

1- Fanavaozana tanteraka.

"Indro havaoziko ny zavatra rehetra" (and.5).Tsy ny olona ihany no mandalo ny fanavaozan' Andriamanitra, fa ny zava-boary manontolo. Araka izany dia ho levona izao tontolo izao ankehitriny (I Pet 3:10-13) izay efa nosimbain'ny ota. Ary ny ranomasina izay noheverin'ny Jiosy fa itoeran'ny hery mpanohitra an'Andriamanitra dia tsy hisy intsony. Tanteraka ireo (and.6). Jesoa Kristy dia efa nitondra ny aretintsika rehetra sy nivesatra ny fahotantsika. (Isa 53:4). Hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra ka tsy hisy intsony na fahafatesana na alahelo na fitarainana na fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra tàloha (and.4).

2- Fanesorana ny ratsy rehetra.

Tsy hanana anjara amin'ny fanjakan'Andriamanitra ny "osa" na ny kanosa, ny "vetaveta'" izay entina milaza ireo mpanompo sampy, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga. ny mpanao ody ratsy, ary ny mpandainga rehetra. Ireo dia hanana ny anjara ratsiny any amin'ny fahafatesana faharoa (and.8). Enga anie isika mba tsy ho anisan'ireo!

Fanontanìana:
Aiza ao amin'ny fanjakan'ny lanitra no misy anao ankehitriny?

jeudi 29 novembre 2018

Alakamisy 29 Novambra 2018 - Eks 29 : 38 - 46

38«Zanakondry iray taona roa isan'andro no hatolotra tsy tapaka eo ambony alitara. 39Ny iray hatolotra ny maraina, ary ny iray hatolotra ny hariva. 40-41Miaraka amin'ny zanakondry amin'ny maraina sy ny hariva, dia hitondrana koba telopolo kilao efa voakapoka amin'ny diloilo tsara iray litatra sy sasany sy fanatitra divay iray litatra sy sasany. Ireo dia ho sorona atolotra Ahy TOMPO, ka ho hanitra ankasitrahina ho Ahy. 42Amin'ny hoavy dia tsy ho tapaka na oviana na oviana ny fanolorana sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO eo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana, fa eo no hihaonako aminareo sy hitenenako aminao.

43«Eo amin'io toerana io no hihaonako amin'ny Israelita, ka ny voninahitro hanome hasina izany. 44Ny tenako mihitsy no hanokana ny Tranolay fihaonana sy ny alitara, tahaka ny hanokanako an'i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy. 45Hitoetra eo anivon'ny Israelita Aho sady ho Andriamaniny. 46Ka amin'izay no hiekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, dia Izaho Ilay namoaka azy hiala tany Ejipta mba hahazoako miara-monina aminy.
«Izaho no TOMPO Andriamaniny.»

Ny amin'ny fanatitra.

Misy amin'ireo kristiana no mimonomonona. indrindra rehefa betsaka ny rakitra sy adidy ifanentanana ao am- piangonana. Ho jerentsika izao izay nasain'ny Tompo nataon'ny zanak'israely:

1- lsanandro isanandro no anaovana azy (and.40-42)

Zanakondry iray taona roa isanandro no hatolotra tsy tapaka eo ambony alitara. Ny iray hatolotra maraina, ary ny iray hatolotra ny hariva. Ankoatr'izany, koba telopolo kilao efa voakapoka amin'ny diloilo tsara iray litatra sy sasany, fanatitra divay iray litatra sy sasany (and.38-40- DIEM). Eo am-baravaran'ny tranolay fihaonana izay ihaonana amin'ny Tompo sv itenenany dia tsy ho tapaka fanolorana sorona dorana manontolo. Hitantsika amin' izany fa tsy natao ho ambanin-javatra ny fanaovana fanatitra. Ankehitriny dia ny vola madinika indrindra no hita marobe fanaon'ny olona ho fanomezana masina ho an'Andriamanitra. Lazain'ny sasany fa volan-drakitra ny vola madinika.

2- Ho an'Andriamanitra no anaovana azy (and.42)

Ny antony iray faharoa mahatonga ny fimonomononana dia ny tsy fahatakarana fa fanomezana ho an'Andriamanitra ny fanatitra. Izao no voalaza: "íreo dia ho sorona atololra ho Ahy Tompo, ka ho hanitra ankasìtrahana ho ahy" (and.40b-DIEM). Rehefa manolotra dia aoka tsy hiala ao an-tsaina fa ho an'ny Tompo ny fanomezana atao, ary aoka hatao amin'ny fitiavana sy fifaliana ny fahafoizana rehetra mahakasika ny asan'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Ny ampahafirin'izay nomen'ny Tompo anao no foinao ho amin'ny asa'Andriamanitra?

mercredi 28 novembre 2018

Alarobia 28 Novambra 2018 - Jak 5 : 7 - 11

7Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin'ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan'ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona. 8Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian'ny Tompo. 9Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan'Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana. 10Ry havana, aoka ireo mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana. 11Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan'i Jôba, ary fantatrareo izay nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.

Eo am-piandrasana ny fihavian'ny Tompo.

Betsaka ny olona no tsy maharitra rehefa asaina miandry, indrindra moa fa raha tsaroana ho ela ny fotoana niandrasana. Efa nambara tamintsika fa ho tampoka ny fihavian'ny Tompo. Eo am-piandrasana izany isika izao. Ny tokony hatao àry dia:

1- Miasa

Ny mpiasa tany no ohatra tsotra omen'ny Apostoly antsika: asainy aloha ny tany, ary tsy hoe eo no ho eo ny vokatra fa tsy maintsy miandry fotoana. Mino izy fa ho avy ny orana amin'ny fotoany, inoany toy izany koa fa ho avy ny fotoana hijinjana ny vokatra. Efa hitany sary an- tsaina sahady izany rehetra izany ka tsy manana fanahiana akory izy, eny fa na dia mbola vao miasa tany aza. Ny mpino dia hazoto miasa tokoa raha miorina tsara ny finoany sy ny fanantenany ny fiavian'ny Tompo. Ny finoana ananantsika dia tokony hanetsika antsika hiasa bebe kokoa ho Azy.

2- Maharitra

Tsy amin'ny ora sy fotoana ihany no ilàna faharetana, fa indrindra indrindra koa amin'ny fahoriana sy ny fanenjehana. Ny olona manana faharetana dia tsy mifampimonomonona. Manome fianarana ho antsika ny Soratra Masina, ny amin'ny fiainan'ireo mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo (and. 10). Matetika no naharitra nandefitra sy niaritra fahoriana izy ireny. Ny tantaran'i Joba koa dia mampiseho amintsika fa mety iharitra fahoriana mafy isika eo am-piandrasana ny fiavian'ny Tompo. Rehefa naharitra izy dia namindra fo sy niantra azy ny Tompo.

Fanontaniana:
Inona izao no iharetanao amin'ny fijoroanao ho vavolombelona?

mardi 27 novembre 2018

Talata 27 Novambra 2018 - Lio 21 : 29 - 36

29Dia nilaza fanoharana tamin'ny mpihaino Azy i Jesoa nanao hoe:
–Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. 30Raha vao tazanareo manaroka izy ireny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra. 31Toy izany koa raha vao hitanareo miantomboka izany zavatra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra. 32Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tanteraka izany rehetra izany. 33Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.

34–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany, 35satria hiantonta tahaka ny fandrika harato amin'ny mponina rehetra manerana ny tany tontolo. 36Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin'izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan'ny Zanak'olona.

Ny andro farany

Raha mandinika izay voalazan'ny Soratra Masina isika, ka ekentsika ho marina izany, dia tsy isalasalana fa vanim- potoana manakaiky ny farany izao androntsika izao. Nambaran'i Jesoa tamin'ny mpianany fa ny andro farany dia:

1- Fotoana ialohavan'ny famantarana.

"Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra"(and.31). Ankehitriny dia efa miseho avokoa ny ankabeazan'ireo famantarana nolazain'ny Tompo ireo: mpaminany sandoka, ady sy tabataba, horohoron-tany sy mosary, fanenjehana, fisamborana, fanagadrana ,tondra-drano (and.25), tebiteby sy ahiahy... (and.8.9,11,12,25)

2- Fotoana fiambenana.

Tsy foin'Andriamanitra ho very isika ka nambarany tamintsika ireo famantarana mialoha ny andro farany ireo. Tsy ampy anefa ny hoe mahalala fotsiny, ka miandry izay hiseho, fa raha izany dia ho very ihany isika. Ambaran'ny Tompo amintsika izay tokony hatao: "Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibana sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao... Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin'izany loza rehetra efa ho avy izany..." (and.34, 36- DIEM). Anarina isika mba tsy hanao ny fanaon'izao tontolo izao, fa ahonon-tena sy ho marim-pijoro eo anatrehany; omeny toky isika mba tsy hanahy, taomina isika mba hivavaka mandrakariva.

Fanontaniana:
Ahoana ny fandraisanao ny hoe: "Marim-pijoro"?

lundi 26 novembre 2018

Alatsinainy 26 Novambra 2018 - I Tes 5 : 1 - 3

1Momba ny andro sy ny fotoana hitrangan'izany, ry havana, dia tsy ilaina ny hanoratako aminareo. 2Satria fantatrareo tsara fa ny andron'ny Tompo dia ho avy tampoka, toy ny iavian'ny mpangalatra amin'ny alina. 3Amin'ny anaovan'ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin'iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan'ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza.

Miomàna, fa ho avy ny Tompo.

Nampianatra zavatra maro ny amin'ny fiìtsanganana amin'ny maty sy izay hiseho amin'ny andro ihavian'ny Tompo ny Apostoly Paoly. Taorian'izany dia liana sy te hahalala ny andro iverenan'i Kristy indray ireo mpino. Izany no anton'izao fampianarana izao. Nambarany tamin'izany fa ny andro ihavian'ny Tompo dia:

1- Ho tampoka ny fiaviany.

Ho avy tampoka toy ny iavian'ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo (and.2). Tsy misy mahalala izay havoaky ny ampitso, ny azontsika atao dia ny miomana ka ho vonona mandrakariva, mba tsy ho tampoka amintsika izany. "Fa ìanareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika. (and.4,5)

2- Andro fandringanana.

"Raha misy manao azy hoe miadana sy mandry fahizay dia hanjo azy tampoka nv fandringanana."(and.3). Tsy tokony horaisina ho fampitahorana akory ny filazana izany, fa ho fampiomanana kosa. Izay efa niomana dia tsy hotampohin'ny loza. Ary fitiavana sy famindram-pon' Andriamanitra amintsika no ahazoantsika fotoana hiomanana. "Aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena... ka hitafy ny fìnoana, fìtiavana, fanantenana, hifananatra sy hifampahery", (and.6 ;8;11)

Fanontaniana:
Inona no asa maika tokony hotanterahin'ny fiangonana ho fíomanana amin'ny fiavian'ny Tompo?

dimanche 25 novembre 2018

Alahady 25 Novambra 2018 - Isa 40 : 9 - 13

9Ry vahoakan'i Tsiôna
nanankinana vaovao mahafaly ô,
miakara eny an-tendrombohitra avo;
ry vahoakan'i Jerosalema
nanankinana vaovao mahafaly ô,
ingao mafy ny feonao ka aza matahotra.
Lazao amin'ireo ao tanànan'i Joda hoe:
«Indro Andriamanitrareo.
10Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery
sady manana ny fahefana hanjaka.
Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany
sady eo anoloany ho valin-kasasarany.
11Tahaka ny mpiandry ondry
miandry ny andian'ondriny Izy
ka manangona ireny amin'ny baikon-tanany;
trotroiny eo an-tratrany ny zanak'ondry
ary roahiny miadana ny ampianahany.»

12Iza no nahafatra ny ranomasina teo am-pelatanany
na naharefy ny lanitra tamin'ny irain-jehiny?
Iza no nahangona ny vovotany
tamin'ny vata famarana tokana
ary nandanja ny tendrombohitra sy ny havoana
tamin'ny mizana anankiray monja?

13Iza no naharefy ny Fanahin'ny TOMPO,
iza no nahatakatra ny fikasany?

Mampitondra teny fampiononana ny Tompo.

Maniraka mpanompo ízy mba hilaza ny amin'ny fiaviany hanafaka ny vahoaka, dia ireo vahoaka izay nobahoina tany Babylona. Ny hafatra ampitondraina ny mpanompo voafidy dia :

1- Hilaza ny fiavian'nv Tompo (and.10)

Ho tonga amin-kery sy fahefana lehibe ny Tompo ka hanjaka amin'ny vahoakany. Irahina mba hanambara izany ny mpanompon'i Jehovah araka ny voalaza hoe: "Asandrato mafy ny feonao, Asandrato fa aza matahotra."(and.9). Tsy tokony iahotra na hatahotra ny olom-boahosotra amin'ny fanambarana ny vaovao mahafaly. Tanteraka izany faminaniana izany tamin'ny nahatongavan'i Kristy tety an-tany. Anjaran'ny fiangonana ankehitriny ny mitory ny filazantsara sy mijoro ho vavolombelona; manambara sy mampìomana ny olona rehetra ny amin'ny fiaviany indray amim- boninahitra. Koa aza menatra ny lio vavolombelon'ny Tompontsika!

2- Hilaza ny famonjeny.

"Hiandry ny ondrinv tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry (and 11). Izy no iahy sy hikarakara ny fiainan'ny vahoakany. Tsy avelany hanan-java mahory ireo; tsy havelany ho rembin'ny fahavalo intsony izay matoky Azy. Hamonjy ny olony no nanolorany ny ainy. Tanteraka izany, araka ny tenin'i Jesoa hoe: "Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny" (Jao 10:11). Hilaza izany famonjena izany no anirahana ny fiangonana.

Fanontaniana:
Inona no andrandrainao amin'ny fiavian'i Kristy indray?

samedi 24 novembre 2018

Sabotsy 24 Novambra 2018 - Eks 40 : 1 - 8

1Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO hoe:

2–Ny andro voalohany amin'ny volana voalohany no hasainao hatsangana ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana. 3Ao no hametrahana ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ka ho takona ao am-badiky ny efitra lamba. 4Ao no haiditra ny latabatra voatokana ka halamina eo amboniny ny mofo fanolotra ho Ahy; ao koa no haiditra ny fitoeran-jiro ka harehitra ny jirony. 5Hapetraka eo anoloan'ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin'ny fidirana mankao amin'ny fonena-masina. 6Ny alitara fisoronana dia hatao eo anoloan'ny fidirana ao amin'ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana; 7hapetraka eo anelanelan'ny Tranolay fihaonana sy ny alitara kosa ny kovetabe fampiasa amin'ny fidiovana, ary hofenoina rano. 8Hatsangana ireo temitry ny kianja manodidina ny Toeramasina, ary hapetraka ny varavarana lamba eo amin'ny fidirana.

Ny fananganana ny tabernakely

Nanan-danja lehibe teo amin'ny Israely ny fihaonana amin'Andrianianitra. Mampiseho izany ny fomba natao tamin'ny nananganana ny tabernakely. Misy fandaminana sy fepetra avokoa ny fametrapetrahana ny zavatra rehetra:

1- Andriamanitra no mpanome ny toromarika.

Satria fihaonana amin'Andriamanitra izany, ka dia Izy Tompo mihitsy no manome ny lamina sy mahakasika ny fitaovana masina rehetra: ny andro hananganana ny tabernakely, ny fiaran'ny Vavolombelona, ny efitra lamba, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fanaovana fanatitra, ny varavarana, ny kianja, sy ny maro hafa. Izany rehetra izany dia maneho amintsika fa masina Andriamanitra, mitaky fahamasinana sy fiomanana fatratra ny fihaonana Aminy. Ilaina ny fandaminana mialoha ny fanaka masina rehetra. Ny fanaovana ny asan'Andriamanitra rehetra dia tokony ialohavan'ny vavaka fiankinana Aminy.

2- Mosesy no mpitarika

Andraikitra goavana no ankinina amin'ny mpitondra Fiangonana. Amin'ny maha mpitarika azy, dia izy no mifandray mivantana amin'Andriamanitra ka mandray ny hafatra rehetra mialoha ny hanatanterahana ny asa. Raha maniry ahita fahombiazana amin'ny asa izay ataony ny mpitondra sy mpitarika ny vahoakan'Andriamanitra dia tsy maintsy ho olon'ny vavaka sy manam-pifandraisana marina amin'Andriamanitra aloha izy ireny.

Fanontaniana:
Voahaja tokoa ve ny fanaka masina rehetra ao am- piangonana?

vendredi 23 novembre 2018

Zoma 23 Novambra 2018 - Mat 22 : 1 - 14

1Dia nampiasa fanoharana tamin-dry zareo indray i Jesoa ka niteny hoe:

2–Ny Fanjakàn'ny lanitra dia tahaka ity mpanjaka nanao fanasambe noho ny fampakaram-badin'ny zanany lahy. 3Nirahin'ity mpanjaka ireo mpiasany hiantso ny olona nasaina hankao amin'ny fanasambe, fa tsy nety ho avy ireo. 4Dia mpiasa hafa indray no nirahiny sady nataony hoe: «Izao lazaina amin'ireo olona nasaina: Indro ny sakafo efa voaomako, ny ombiko sy ny biby nafahy efa voavono ary ny zavatra rehetra efa vonona; koa tongava amin'ny fanasambe.» 5Kanjo tsy nahoan'ireo nasaina izany, fa samy lasa nandeha izy rehetra, ny anankiray any amin'ny saha voleny, ary ny anankiray any amin'ny varotra karakarainy; 6ary ny sasany dia nisambotra ireo mpiasa ka nisetrasetra taminy sy namono azy. 7Tezitra kosa ilay mpanjaka, hany ka nandefa miaramila handringana ireo mpamono olona ireo sy handoro ny tanànany. 8Ary hoy izy tamin'ny mpiasany: «Efa voaomana ny fanasambe, saingy ireo nasaina no tsy mendrika. 9Koa mankanesa any amin'ny fihaonan-dalana, ary izay hitanareo dia asao avokoa ho atỳ amin'ny fanasambe.» 10Dia niely eran'ny arabe ireto mpiasa ka namory izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy; ary dia hipoka ny mpihinana ilay trano nanaovana ny fanasambe.

11Niditra kosa ny mpanjaka hizaha ny mpihinana; ary hitany teo ity lehilahy anankiray tsy nanao ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady 12ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, ahoana ianao no tafiditra eto, kanefa tsy manana ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady?» Fa tsy nahateny ilay olona. 13Dia hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony: «Afatory tongotra aman-tanana ilay io, dia ario any amin'ny maizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»

14Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Eny, maro no voaantso, fa vitsy no voafidy!

Miomàna hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra!

Misy fepetra arahina ny fìdirana amin'ny fanjakan'ny lanitra:

1- Aza lavina ny fanasana.

Ireo mpitondra fivavahana jiosy sy mpitondra firenena no noharina amin' ireo nahazo fanasana kanefa nandà sy nanao tsinontsinona ny tompon'ny fanasana. Maro amin' ireo olona mahalala ny Soratra Masina no manao tahaka izany, mahafantatra sy mahay tsianjery ny sitrapon' Andriamanitra izy ireny kanefa tsy mety mibebaka. Tia anao Jesoa, manasa anao Izy anio mba hiditra amin'ny fanjakany. Ny famelanao Azy hanapaka sy hanjaka ao am- ponao no midika fa tsy mandà ny hiditra ianao. Ny fanaovana tsinontsinona sy fanevatevana ny mpitory filazantsara dia endriky ny fandavana sy fanaovana tsinontsinona an'Andriamanitra.

2- lakanjoy nv akanjo fitondra amin'ny fanasana.

Nisv anankiray tamin'ireo izay nasaina eto amin'nyfanoharana no tsy mba niomana akory. Fitafiana tsy mba fitondra amin'ny fampakaram-bady no teny an-kodiny (and. 11,12). Navoaka tsy ho ao amin'ny fanasana izy noho izany. Na dia efa nomena maimaim-poana ho antsika aza ny fahasoavan'Andriamanitra, mba hananantsika fiainana mandrakizay, dia takina amintsika kosa nv toetra sy ny fitondrantena mifanaraka amin'izany. Aoka hadio eo imason'Andriamanitra ny fontsika. Ny fibebahana sy fandraisana an'i Jesoa no ahamendrika antsika amin'izany. Mibebaha ianareo. fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra! (Mat 4:17)

Fanontanìana:
Toe-panahy manao ahoana no mendrika handray ny fanasan'ny Tompo?

jeudi 22 novembre 2018

Alakamisy 22 Novambra 2018 - Sal 75 : 1 - 10

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon'ny hoe: «Aza ravana...». Salamo nataon'i Asafa. Tononkira.

2Andriamanitra ô, midera Anao izahay;
eny, midera Anao tokoa izahay.
Ataonay antso avo ny lazanao
ary tantarainay ny zava-mahagaga vitanao.
3Hoy ny Tompo hoe: «Amin'ny fotoana hotondroiko
dia hanao fitsarana araka ny hitsiny Aho.
4Hihorohoro ny tany mbamin'ireo mponina eo aminy,
nefa Izaho mbola hihazona ny andry iorenany.»

5Hoy aho aminareo mpirehareha hoe:
«Aoka izay ny fireharehànareo!»;
ary aminareo olon-dratsy hoe:
«Aza miandranandrana intsony!
6Eny, aza miandranandrana intsony;
aza mafy hatoka miteniteny foana.
7Fantaro fa ny didim-pitsarana havoaka
dia tsy avy any atsinanana na avy any andrefana,
tsy avy any avaratra na avy any atsimo;
8satria Andriamanitra no mpitsara,
ka mampietry ny sasany Izy
ary manandratra ny hafa kosa.»

9Misy tsangambava iray eo an-tanan'ny TOMPO,
dia tsangambava feno divay mifangaroharo
izay tandindon'ny hatezerany mandroatra.
Asainy sotroin'ny olon-dratsy rehetra amin'ny tany izany
ka tsy maintsy trohin'ireo hatramin'ny faikany.

10Izaho kosa tsy hitsahatra hanambara izany,
ka dia ilay Andriamanitr'i Jakôba
no hankalazaiko amin-kira hoe:

Isaoranay Ianao Andrianianitra ò!

Tsy fhazarana akory ny misaotra sy manao teny fisaorana. fa vokatry ny fahatsapana ny zavatra nataon'ny hafa tamin'ny tena. Mampianatra antsika hisaotra ny Tompo ny mpanao salamo satria:

1 - Akaiky ny Anarany (and.1)

Izany no mampiavaka ny Andriamaniira izay ivavahantsika. Manerana ny toerana rehelra, nefa koa akaiky izay rehetra miantso Azy. Raha iverenana ny Sal.74 dia mampiseho famoizam-po sy fìtalahoana fatralra hitadiavam-pamonjena noho ny faharavan'ny Tempoly. Manontany tena ny mpanao salamo ka manao hoe: "Nahoana no dia nanary anay mandrakizay Hianao, " (Sal 74:1). Eto dia miova tanteraka ny toe-javatra. Tsy manary izy, tsy lavitra Izy. akaiky ny Anarany. Eo anilantsika mandrakariva Izy. sady akaiky izay miantso Azy.

2 - Mitsara araka ny rariny Izy.

Ny fitsaran'olomhelona dia mety ho diso. Indraindray na matetika akory aza ny marina indray no tsaraina ka iharan'ny herisetra sy ny tsindry samihafa. Tsy mba toy izany kosa ny fitsaran'Andriamanitra. araka ny voalaza hoe: "fa ho avy tokoa ainin 'ny fotoana Aho: Eny izaho no hitsara marina"(and.2). Mitodika amin'ny mpirehareha sy ireo ratsy fanahy ny hafatra. mba tsy hirehareha na hampiasa hery hanimbana ny hafa. Ho avy ny fotoana, ka ireo izay manao ny tsy rariny sy mpampahory ny marina dia hotsarain'Andriamanitra araka ny rariny tokoa. Amin' izany dia ny marina ihany no hasandratra. Misaora Azy!

Fanontaniana
Impiry isanandio isika no mba misaotra ny Tompo?

mercredi 21 novembre 2018

Alarobia 21 Novambra 2018 - I Kor 4 : 1 - 5

1Aoka izahay hoheverina ho mpanompon'i Kristy sy ho mpitantana ireo tsiambaratelo momba an'Andriamanitra. 2Ny hany takîna amin'ny mpitantana dia ny ho hita fa olona mahatoky. 3Raha izaho dia tsy mampaninona ahy velively na hotsarainareo, na handia fitsaran'olombelona; fa na ny mitsara ny tenako aza tsy ataoko. 4Tsy manome tsiny ahy velively ny eritreritro, nefa tsy mahamarina ahy izany fa ny Tompo no mpitsara ahy. 5Noho izany, aza mitsara olona alohan'ny fotoana, dia mandra-piavin'ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin'ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon'ny olombelona. Ka amin'izay dia samy homen'Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.

Ny maha Apostoly

"Aoka hataon 'ny olona ho mpanompon 'i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an'Andriamanitra izahay ". (and 1)

Diso fihevitra ireo Kristiana tany Korinto ny amin'ireo Apostoly; fa ny sasany nanandratra loatra ny mpampianatra anankiray izay nofidiny ka nanevateva ny hafa izay tsy tiany. Nahitsin'i Paoly sy notoroany hevitra izy ireo, ka nambarany tamin'izany fa ny Apostoly dia:

1- Mpanompon'i Kristy.

Tsy sahala amin'i Kristy akory izahay, fa ambany noho izy. Toy ny olona rehetra ihany izahay: fa ny mpanompo tsy azo ampitoviana amin'ny tompony, ary tsy maintsy hekena ho ambany noho ny tompony izy. Izany no fanazavanv. Toe-tsaina toy izany no tokony hananan'ny mpitondra fívavahana, sy andraisantsika fiangonana azy mba tsy hahalatsaka azy amin'ny fanandratan-tena sy fiheverana ho ambony noho ny mpanompo namany.

2- Mpitandrina ny zava-miafina izay an' Andriamanitra.

Na dia manaikv ny tenany ho mpanompo aza i Paoly dia tsy mba tahaka ny hoe andevo akory, na mpanompon' olona ka hatao tsinontsinona, fa mpanompon'i Jesoa Kristy. Andraikitra sarobidy ny maha Apostoly sy ny maha mpitandrina. Izy no miahy izay rehetra ilain'ny Fiangonan'Andriamanitra mba hahatanteraka ny sitrapon'i Jesoa Kristy lohan'ny Fiangonana. Tombom-pahasoavana izany, nefa koa tsy izay tiany hatao no tanterahiny fa araka ny teny sy ny fahasoavana izay efa natolotry ny Tompo azy.

Fanontaniana:
Nahoana no vitsy ny mpiangona rehefa tsy eo ny Mpitandrina?

mardi 20 novembre 2018

Talata 20 Novambra 2018 - Eks 19 : 9 - 15

9Koa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin'ny rahona matevina, mba handrenesan'ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany.
Dia naverin'i Mosesy teo anatrehan'ny TOMPO ny valin-tenin'ny vahoaka.

10Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Miverena any amin'ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany. 11Aoka izy ho vonona ho amin'ny rahafakampitso, fa amin'io andro io dia ho hitan'ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO. 12Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty. 13Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany.

14Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin'ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo. 15Ary hoy izy taminy:
–Miomàna ianareo ho amin'ny rahafakampitso. Aza mikasika vehivavy akory!

Ny anjara toeran'ny rnpitarika

1- Mandray hafatra avy amin'Andriamanitra.

«Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mha ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. (and.9) » Tsy afaka hanatanteraka ny asa ampanaovina azy na oviana na oviana i Mosesy raha tsy mandray hafatra sy toromarika avy amin'Andriamanitra izay miantso sy maniraka azy. Ny mpitarika mahomby dia izay tsara fifandraisana amin'ny Tompo. Amin'ny alalan'ny vavaka tsy tapaka sy ny fiainana ny Tenin'Andriamanitra no ahatanterahana izany. Hoy Jesoa: « ... Fa raha misaraka Amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. (Jao /5 :5d). »

2- Mampita ny hafatry nv Tompo amin'ny vahoaka.

« Dia nidina avy tao amin'ny tendroimbohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona: dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.. (and. 14). Anjarany kosa indray izao ny mampita sy mampihatra ny hafatra amin'ny vahoaka. Nasainy nanoman-tena ny olona. nanasa ny fitafìany. nanamasin-tena. Izany no natao ho fiomanana amin'ny fiomanana mialoha ny nanomezana ny lalàna. izavy fanekena ifanaovan'i Jehovah amin'nv vahoakany. Masina Andriamanitra ka tsy misy mahazo mikasika sy mifandray Aminy raha tsy efa madio sy manamasin-tena mialoha.

Fanontaniana:
Manana fiainam-bavaka manokana ve ianao ifandraisana Aminy?

lundi 19 novembre 2018

Alatsinainy 19 Novambra 2018 - Nom 8 : 5 - 12

5Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

6«Avaho amin'ny Israelita hafa ny Levita, dia diovy izy. 7Izao no hataonao hanadiovana azy: fafazo rano fanadiovana izy, asaovy haratany ny tenany iray manontolo ary aoka hosasany ny fitafiany, dia hadio izy. 8Asaovy maka vantotr'ombilahy iray mbamin'ny fanatitra momba azy izy, dia lafarinina voatoto tsara sy voaharo menaka; ary haka vantotr'ombilahy iray kosa ianao ho sorona fanalana ny ota. 9Vorio ny fiangonan'ny Israelita rehetra, dia hasainao mankeo anoloan'ny Tranolay fihaonana ny Levita. 10Ento eo anatrehako TOMPO ireo Levita, ary hametra-tanana aminy kosa ny Israelita. 11Hanolotra ny Levita eo anatrehako i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva, mba hanao ny asa fanompoana AHY. 12Dia hametra-tanana amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa ny Levita, ka ny iray hataonao sorona fanalana ny ota ary ny iray ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, alohan'ny hanaovana amin'ny Levita ny fombam-pivavahana famelan-keloka.

Ny fiomanana ho amin'ny fanompoana an'Andriamaniíra

Tsy dia ho zava-mandeha ho azy na atao fahazarana fotsiny akory ny asa fanompoana an'Andriamanitra, satria fihaonana aminy izany ka ilana fìomanana sy fahamasinana tokoa. Ohatra iray amin'izany izay hitantsika eto. Ny nanokanana ny Levita:

1- Miomana amin'ny fidiovana (and.6,7)

"Alao ny Levita avy amin'ny zanak'ísraely, ka diovy izy... Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra" (and.6, 7). Fiomanana ara-batana izany. Tsy haitraitra na fitia te hampiseho hatsarana akory ny fidiovana ara-batana sy fitafiana rehetra. izay tsy maintsy atao mialohan'ny hamonjena ny fanompoam-pivavahana. Fa atao kosa izany satria fiomanana ihaona sy hanompo llay Andriamanitra masina. Ny loto ety ivelany dia azo itarafana ny ao anatin'ny fon'ny olona, raha tsy hoe mararv angaha izy na antony hafa manokana. Tokony ho hita taratra amin'ny fahadiovana ety ivelany ny fahadiovan'ny fo.

2- Nv fanaovana fanatitra.

Ny fanatitra dia fanomezana masina ho an'Andriamanitra. Antonv maro no manosika ny olona hanao izany, saingy izy rehetra dia mikendry zava-tokana ihany: ny ahazoana sitraka amin'Andriamanitra. Ny fanatitra tsara indrindra araka izany dia ny fanoloran-tena feno araka ny voasoratra hoe : « ... Mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahv mety hataonareo izany » (Rom. 12,1).

Fanontaniana:
Voahaja ve ny fiomanana ho amin'ny fanompoana ao amin'ny Fiangonana misy anao?

dimanche 18 novembre 2018

Alahady 18 Novambra 2018 - II Tim 4 : 1 - 8

1Izao no anafatrafarako anao mafy eo anatrehan'Andriamanitra sy eo anatrehan'i Kristy Jesoa, Ilay hitsara ny velona sy ny maty, ary koa noho ny andro hisehoan'i Kristy sy hahatongavan'ny Fanjakàny: 2torio ny tenin'Andriamanitra, ka mazotoa amin'izany na handray azy ny olona na tsy handray, mandrese lahatra, mananara mafy, mampirisiha ombàn'ny fahari-po sy ny fahaiza-mampianatra hatrany. 3Eny, ho avy ny andro tsy hahazakan'ny olona intsony ny fampianarana tsy misy tomika; fa mpampianatra araka ny maha diavolana ny fony no havoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy. 4Tsy hihaino ny fampianarana marim-pototra intsony ny olona fa hiala amin'izany ka hivily lalana ho amin'ny anganongano. 5Fa ianao kosa, aoka hahafehy tena amin'ny zavatra rehetra, zakao ny fijaliana, tontosao ny asa maha mpitory Vaovao Mahafaly anao, ataovy lavorary ny fanompoanao amin'Andriamanitra.

6Fa izaho moa dia efa halatsa-dra ho sorona araraka, efa mby akaiky ny fotoanandro hialako amin'izao fiainana izao. 7Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon'ny fihazakazahana, voatanako ny finoana. 8Ka ny miandry ahy izao dia ny satroboninahi-pandresena natokana ho an'izay manao ny marina. Ny Tompo, ilay mpitsara ara-drariny, dia hanome ahy izany satroboninahi-pandresena izany amin'ny andro fitsarana; ary tsy izaho ihany no homeny izany, fa izay rehetra miandry am-pitiavana ny hisehoany koa.

Mpanompo miandrandra satro-boninahitra:

Hoy ny Apostoly: "Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana. izay homen' ny Tompo" (and.8)

1- Efa niady ny ady tsara.

Ny ady tsara lazain'ny Apostoly eto dia ady amin'ireo fampianaran-diso mety mamilivily ny fìnoana sy ny fieritreretana tsara. Nv fiadiana entina amin'izany dia ny tenin'Andriamanilra fìainana; ny herin'Andriamanilra ho famonjena izay rehetra mino. Ny mifìkitra sy mivelona amin'izany tenin'Andriamanitra izany. ary koa ny manome ohatra velona amin'ny atao no fiadiana ny ady tsaran'ny fìainana.

2- Efa nahatanteraka ny fihazakazahany

Sahy milaza ny apostoly Paoly fa nahatanteraka ny fihazakazahany. Efa nanary izay rehetra manelingelina ka tsy ahafahany miolomay: tsy nitandro hasasarana sy hatsembohana mba hanatrarana ny loka; nanao ny ainy tsy ho zavatra... tsarovv fa hazakazaka ny asa fitoriana ny filazantsara ary tokony hararaotina izany ka tsy hasiana fotoana very. Aoka tsy hisy zavatra hitambesatra ka tsy ahafahana mitory an-kalalahana. "Mazotoa na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana." (and.2)

3- Nitahiry ny finoana
.
Ohariny ho toy ny zavatra mety ho very, na mety hirararaka mandritra ny hazakazaka ny finoana ka nilana fitehirizana fatratra. Nifikitra mafy tamin'ny finoana an'i Jesoa izy. ary tsy niala tamin'izany, hatramin'izao androm-pahanterany izao. Afa-po izy!

Fanontaniana:
Aiza amin'ireo telo ireo no efa mba tanterakao?

samedi 17 novembre 2018

Sabotsy 17 Novambra 2018 - Mar 2 : 1 - 5

1Tafaverina tao Kafarnahòma indray i Jesoa rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ren'ny olona fa hoe tao an-trano Izy. 2Dia vory marobe ny olona ka tsy nisy hitoerana intsony na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary i Jesoa nanambara ny tenin'Andriamanitra taminy. 3Dia nisy olona tamy, nitondra lehilahy malemy nolanjain'olona efa-dahy hankeo amin'i Jesoa. 4Tsy afaka nanatona an'i Jesoa ry zareo noho ny habetsahan'ny vahoaka. Ary dia ny tafon-trano, tandrifin'izay nitoeran'i Jesoa, no nanesorany; ka rehefa voasokatra, dia nampidinany ny fandriana niamparan'ilay malemy.

5Hitan'i Jesoa ny finoan'ireto olona ka hoy Izy tamin'ilay malemy:
–Voavela ny helokao, anaka!

Ny finoan'ny mpitondra marary.

Andeha hojerentsika ny finoana nanana'ireo mpitondra marary:

1- Finoana arahina asa.

Izay manana ny tsy salama dia mahita fahasahiranana. Atao daholo izay rehetra azo atao, na dia handaniana vola aman-karena aza; na dia tsy maintsy handehanana toerana lavitra aza. Jereo ange ny nataon'izy efa-dahy: nilanja ny marary, nanaisotra ny tafon-trano. nampidina azy... Fanaon'ny Fiangonana sasany ihany ny manao vavaka ho an'nv marary rehetra amin'ny "vavaka fangatahana", voatonona avokoa na ny any amin'ny hopitaly, na ny any an-trano, saingy mijanona ho vavaka ihany fa tsy hita izay fandraisana andraikitra. Ny an'ny hafa indray rehefa sitrana ny marary vao arahabaina any am-piangonana ka tolorana solon-dranom-boankazo kely. Aoka harahina asa ny finoana anananao.

2- Mampihaona ilay marary amin'ny Tompo.

Nataon'ireto lehilahy mpitondra marary ireto izay rehetra azo natao hanatonana an'i Jesoa. Vitan'izy ireo izany na dia tsy maintsy nisedrana zava-nanahirana aza. Ny finoana izay hitan'i Jesoa tamin'ireo mpitondra marary ireo no nanetsika azy ireo. Aretina mihanaka amin'izao tontolo izao ny fahalemena ara-panahy. Maro amin'ireo kristiana no tsy tonga any am-piangonana intsony noho nv fahalemena. Misy amin'izy ireny aza no tsy lavitra ny trano fiangonana ny fonenany, saingy malemy ka tsy afaka. Adidintsika Fiangonana ny mitondra azy sy manao izay ahalalany sy ihaonany amin'i Jesoa.

Fanontaniana:
Ahoana ny fampiharana izay voalaza ao amin'ny Jak.5:l4

vendredi 16 novembre 2018

Zoma 16 Novambra 2018 - Mal 2 : 17 - 3 : 4

17Manasatra ny TOMPO amin'ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: «Dia amin'inona no anasaranay Azy?» Amin'ny filazànareo hoe: «Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany.» Na koa amin'ny filazànareo hoe: «Aiza àry ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?»

1Ka hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo: «Indro Aho handefa ny irako mba hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny. Ho tonga hitondra ny fanekempihavanako ilay iraka izay irinareo; indro avy tokoa Izy!» 2Nefa zovy no hahatanty ny andro hiaviany? Ary zovy koa no hahajoro rehefa hiseho Izy? Fa ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ho tahaka ny savonin'ny mpanasa lamba Izy. 3Hipetraka toa handrendrika sy hanadio volafotsy izy. Eny, tahaka ny fanadio ny volamena sy volafotsy no hanadiovany tanteraka ireo taranak'i Levỳ. Koa dia hanolotra fanatitra amin'ny TOMPO ara-pahamarinana ireo. 4Ary ho mamin'ny TOMPO ireo fanatitry ny vahoakan'i Joda sy i Jerosalema toy ny tamin'ny andro taloha sy tamin'ny taona fahiny.

Ny Iraka.

Ampiasaintsika Fiangonana ho fiaraha-mientana amin'ny fitoriana ny filazantsara ny teny hoe Iraka. Ny zavatra tokony tsy hiala ao an-tsaina voalohany dia izao:

1- Andriamanitra no mpaniraka.

"Indro haniraka ny irako Aho"(Mal 3 :1). Ny mahatonga ny olona hanao kitoatoa amin'ny fanatanterahana ny asan'Andriamanitra dia noho ny tsy fiheverana Ilay mpaniraka azy, ny tsy fahatakarany loatra fa mbola hampamoahina izy amin'izay rehetra asa nankinin'ny Tompo taminy. Ny hevitry ny teny hoe "Malakia" dia: "Ny Irako". Andriamanitra Ilay Tompon'ny Tompo sy Mpanjakan'ny Mpanjaka no maniraka antsika mpanompony. Hain'ny olona ery ny manatanteraka an- tsakany sy an-davany izay asa ampanaovin'ny lehibeny na ny mpampiasa azy. Ny mihoatra noho izany no tokony hataontsika.

2- Ny asa anirahana.

Mazava tsara ny asa ampanaovina ny Iraka: "...Hanamboatra làlana eo alohako... ". Ho avy amin'nv heriny ny Tompo. Hampihatra nv fitsarany Izy rehefa avy. lo fotoana hisehoany io dia antsoin'ny mpaminany hoe: "Andron'i Jehovah". Mila fanamboarana sy fanomanana mialoha ny fiaviany. Amin'izao androntsika izao dia ny Fiangonana no Irahin'ny Tompo mba hanomana ny olona amin'ny fiaviany. Fotoana izao. hanambarana amin'ny olona rehetra fa ho avy ny Toinpo, andeha isika hibebaka sy hitaona ny olona ho amin'ny fibebahana.

Fanontaniana:
Inona no asa nanirahan'ny Tompo anao nefa mbola tsy vitanao?

jeudi 15 novembre 2018

Alakamisy 15 Novambra 2018 - Sal 37 : 1 - 8

1 Nataon'i Davida.

ALEFA

Aza tezitra amin'ny mpanao ratsy
ary aza mialona ireo mpanao heloka;
2fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo,
toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina.

BETA

3Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara,
dia honina amin'ny tany nomeny ianao
ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.
4Aoka ny TOMPO no hiravoanao,
dia homeny anao izay irîn'ny fonao!

GIMELA

5Ankino amin'ny TOMPO ny fiainanao,
ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.
6Ny rariny anananao hasehony
ho toy ny mazavatsinanana;
ny zo tandrify anao haharihariny
ho tahaka ny mitataovovonana.

DALETA

7Aoka hitombina tsara eo anatrehan'ny TOMPO
ka hiandry Azy amim-paharetana ianao!
Aza tezitra amin'izay mahomby,
dia amin'ny olona manao fetsifetsy.

HE

8Ialao ny hatezerana, avelao ny havinirana;
aza misafoaka fa loza no hiafaran'izany.

Miandry an'i Jehovah amin'ny fíihamarinana isika

1 - Ny mpivavaka marina tsy mialona ny mpanao ratsy

Teny mandidy na fandrarana no ilazan'ny mpanao Salamo izay lalana sy fiainana tsy tokony hataon'ny mino. Teny fahendrena nomen'ny Tompo ny olona nahita fiainana ity Salamo ity (and 2 5). Ny fisiana sy fiafaran'ny mpanao ratsy dia fandringanana "fa hojinjaina tahaka ny ahitra izy" (and 2). Tsy anjarantsika no mamaly ny ratsy vitan'ny hafa. Andriamanitra no marina feno, ka manao fitsarana marina. Mampahery antsika Kristiana miaina eto anivon'izao tontolo izao, izay ratsy ity Salamo ity.

2 - Ny mpivavaka marina mahatoky an'I Jehovah

Mahatoky mandrakariva ny mpanompon'Andriamanitra. Tsy hoe : tsy manana olana na tsy misy fahoriana mihatra aminy., fa mifaly amin'ny fahatokiana an'I Jehovah (jereo I Tes 5 : 16). Andriamanitra mampifaly ny Tompontsika ary tsy misy ratsy ny ataony amintsika. Rehefa miorim-paka lalina ao aminy ny fo sy ny finoantsika, dia miravoravo ao aminy isika. Ny fivavahantsika izany dia miorina amin'ny ataon'Andriamanitra amintsika sy ny fahatokoantsika azy.

3 - Ny mpivavaka marina maharitra miandry ny Tompo

Ilay Andriamanitra marina no afaka mitsara marina. Mampiharihary ny fahamarinan'ny mpino ny andro fitsarana farany. Lavitra izany lalana izany, rehefa alaim-panahy mahita ratsy fanahy ambinina amin'ny lalany. Afoizo ny valifaty sy ny fahatezerana mirehitra fa tsy ahafahantsika mihaona sy miaraka amin'ny Tompo hatramin'ny fiafaran'ny fiainan'ny mino izany.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fivahana mibaiko an'Andriamanitra

mercredi 14 novembre 2018

Alarobia 14 Novambra 2018 - Sal 86 : 1 - 10

1 Vavaka nataon'i Davida.

TOMPO ô, mba atongilano ny sofinao
ka valio aho fa ory sy mahantra.
2Arovy ny aiko fa mpivavaka aminao aho.
Mpanomponao aho ka matoky Anao,
vonjeo aho fa Ianao no Andriamanitro.
3Tompo ô, mba iantrao aho
fa miantso Anao tontolo andro.
4Ampifalio re aho mpanomponao
satria Ianao, Tompo ô, no ifantohako.
5Tompo ô, Ianao no tsara fo sady mpamela heloka,
be fitia amin'izay rehetra miantso Anao.
6Mba henoy, TOMPO ô, ny vavaka ataoko;
ka ho tandrinao anie ny fitarainako.
7Amin'ny androm-pahoriako,
Ianao no antsoiko satria mamaly ahy.

8Tompo ô, tsy misy tahaka Anao
amin'ireo andriamanitra;
tsy misy mahavita ny vitanao.
9Ianao no namorona ny firenen-drehetra,
ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao izy
ary hanome voninahitra Anao, Tompo ô,
10fa lehibe Ianao sy manao zava-mahagaga;
Ianao ihany no tena Andriamanitra.

Mihaona amin'ny mino ny Tompo

1- Amin'ny vavaka (and 1-7)

Salamo vavaka no hitantsika eto; ny fivavaky ny mpanompon'Andriamanitra mino sy matoky an' i Jehovah (and 1-5). Akaiky ny mino Andriamanitra : manan-tsofina mihaino sady mahita ny fahoriana mihatra amin'ny mpanompony. Izy no itokian'ny mpanompony dia izay efa nanaiky sy nanokana ny tenany hanompo Azy izay atao hoe : «masina» (and 2). Amin'ny andro fahoriana mihatra amin'ny mino dia Izy irery no azo itarainana sy antenaina hamonjy sy hanafaka. Amin'ny teny fototra dia ao amin'Andriamanitra no misy ny famindram-po. Mamaly antsika araka ny fitiavany i Jehovah. Ao amin'ny vavaka dia hita eto ny fahatsaran'Andriamanitra : mamela heloka sy be famindram-po, mihaino ny vavaky mpanompony sy izay matahotra azy.

2- Amin'ny finoana (and 8-10)

Mitondra ho amin'ny asa fanandratana sy fiderana ny finoana an'i Jehovah Andriamanitra. Misy fanekem- pinona lehibe amin'ny Mpanao Salamo. Tokana Andriamanitra ary tsy misy afa tsy Izy irery ihany. Tsy andriamanitra ny sampy sy ny andriamani-kafa sady tsy afaka ampitahaina amin'i Jehovah Andriamanitra ireny. Mpamonjy Izy sady izany rahateo ny asany (and 8). Andriamanitra manerana izao rehetra izao Andriamanitra. Ho avy ny firenena rehetra hiankohoka eo anatrehany sady hanome voninahitra Azy (and 9-10). Ny fivavahana marina dia misarika ny olona rehetra hatahotra an' Andriamanitra.

Fanontaniana :
Inona no zava-kendren'nv fivavahantsika ?

mardi 13 novembre 2018

Talata 13 Novambra 2018 - I Jao 2 : 24 - 29

24Ianareo kosa, dia ny hafatra izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo ny hafatra izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao anatin'ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo. 25Ary ny zavatra nampanantenain'i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

26Izany no voasoratro ho anareo, dia ny amin'ireo mitady hamitaka anareo. 27Ianareo kosa, dia ny Fanahy Masina efa noraisinareo avy tamin'i Kristy no mitoetra ao anatinareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo. Fa ny Fanahy Masina avy amin'i Kristy no mampianatra anareo ny amin'ny zavatra rehetra, ary zavatra marim-pototra fa tsy lainga no ampianariny; ka tomoera ao anatin'i Kristy ianareo, araka ny nampianaran'ny Fanahy Masina anareo.

28Eny, rey anaka, tomoera ao anatin'i Kristy ianareo mba hananantsika toky rahatrizay hiseho Izy ary mba tsy ho voaroaka lavitra Azy isika amin'ny andro hiaviany ka ho afa-baràka.

29Raha fantatrareo fa marina Andriamanitra, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina soritany koa dia naterak'Andriamanitra.

Tomoera tsara ao amin'i Kristy

1- Mitoera tsara ao aniin'i Kristy

Mitoera ao amin'ny Tenin'Andriamanitra amin'ny finoana. Fiombonana feno amin'ny Zanak'Andriamanitra sy amin'ny Ray. Ao amin'i Jesoa Kristy no andraisana voalohany ny fiainana mandrakizay. Misy fampianaran- diso izay mitaona ny kristiana hiala amin'izany finoana sy fampianarana izany ( and 26). Manoratra i Jaona Apostoly mba hitoetra sy haharitra amin'ny fampianarana nomena azy ny mpino. I Jesoa Kristy irery ihany no antoka ho amin'ny Fiainana mandrakizay. Ny teny fikasan' Andriamanitra ho antsika dia fiainana mandrakizay (and 25). Taomina sv ampaherezina ny kristiana mba tsy hirona amin'ny fampianarana vaovao toa malaza nefa mitondra ho amin'ny fahaverezana. Tsy misy famonjena sy fiainana mandrakizay ho an'ny olombelona ivelan' i Jesoa Kristy. Fahatanterahan'ny tenv fikasan'ny Ray ny fitoerana ao amin'i Kristy: izany no fiainana mandrakizay, izay manomboka ety an-tany.

2- Mitoera tsara ao amin'ny Fanahy Masina

I Jesoa Kristy Ilay Mesia na nohosoran'ny Fanahy Masina Zanak'Andriamanitra sady Mpamonjy. Izy ihany koa no manosotra ny mino amin'ny Fanahy Masina. Mampianatra ny kristiana ny zavatra rehetra nv Fanahy Masina. Mampatsiaro ihany koa ny fampianaran'i Jesoa tany aloha ary manohy izany ankehitriny. Tsy ny mpampianatra sandoka no andraisana ny fampianaran'ny Tompo fa ny asan'ny Fanahy Masina. Tandremo ary tsy ho lasan'ny fampianaran-dison'ny fandrosoana ankehitriny.

Fanontaniana :
Inona no fampianaran-diso fantatrao tokony horesena ?

lundi 12 novembre 2018

Alatsinainy 12 Novambra 2018 - Nom 23 : 1 - 5

1Ary hoy i Balahama tamin'i Balàka:
–Manangàna alitara fito eto ho ahy ary manomàna vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito eo.
2Nataon'i Balàka izay nolazain'i Balahama; avy eo izy roa lahy dia niara-nanatitra vantotr'ombilahy sy ondrilahy iray isan'alitara.

3Dia hoy i Balahama tamin'i Balàka:
–Mijanòna ihany eto akaikin'ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho kosa hihataka kely hijery raha ho avy hihaona amiko ny TOMPO na tsia; koa izay hasehony amiko dia hambarako anao.

Ary lasa i Balahama nankany amin'ny tendrombohitra anankiray mangadihady. 4Nisehoan'Andriamanitra teo i Balahama ka nilaza taminy hoe:
–Efa voatsangako ireo alitara fito ary efa voaatitro koa ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy iray avy isan'alitara.
5Nanisy teny tao am-bavan'i Balahama ny TOMPO, ary dia nanasa azy hiverina any amin'ny mpanjaka mba hilaza izany aminy.

Ny faneren'i Balaka an'i Balama hanozona ny Isiraely

1 - Manamby an'i Balama i Balaka

Manamby an'i Balama i Balaka Moabita, avy amin'ny taranak'i Lota hanozona ny Isiraely. Noho ny tahotr'i Balaka ny Zanak'i Isiraelyy hiakatra ny taniny rehefa nandresy ny Amorita sy noho ny hamaroan'ny Isiraely (Nom 22,2-4) dia nampaka an'i Balaka mpisikidy tao Midiana izy mba hanozona ny Isiraely (Nom 22,6).

2 - Mampanorina alitara i Balama

Alitaran-tsampy sy fanompoan-tsampy ny fivavahan'i Balama. Izany no heveriny hahafahana mihaona amin'i Jehovah Andriamanitra. Manafoana ny fahitan'ny mpanompo sampy Andriamanitra. Manafoana ny ozona hataon'ny jentilisa amin'ny vahoakany Izy. Manafoana ny sain'ny mpahita sy ny mpiroa saina ihany koa. Fivavahana azo vidim-bola sy asian-takalo ary azo karamaina ny fivavahana jentilisa. Fivavahana filan-javatra sy tombontsoa. Fahefan'Andriamanitra no manafoana ny sampy sy ny fanahinv. Andriamanitra tsy azo karamaina na tambazana. Tsy misy mahafoana ny fihevitra sy ny fisainan'Andriamanitra.

3 - Mitahy nv Isiraely Andriamanitra

Feno fisalasalana i Balama amin'ny fiheverany hihaona amin'i Jehovah : « angamba ho avy hihaona amiko i Jehovah » (and 3). Nofehezin'Andriamanitra ny vavan'i Balama sy ny fikasany ka tsy navelan'Andriamanitra hiteny afa tsy izay sitrapony izy : « Miverena anv amin 'i Balaka , ary izany no holazainao » (and 5). Hitantsika eto izany tenin'i Jehovah izany (and 6-10).

Fanontaniana :
Mino ve ianao fa efa afaka amin'ny ozona ankehitriny ?

dimanche 11 novembre 2018

Alahady 11 Novambra 2018 - Mat 3 : 1 - 12

1Tamin'izany vaninandro izany, dia niseho tany an-taniefitr'i Jodea i Jôhany Mpanao batisa, ary nanao antso avo hoe:
2–Ialao ny toe-dratsy fa efa akaiky ny Fanjakàn'ny lanitra!

3Izy no ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaià mpaminany hoe:

«Injany misy feon'olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe:
Amboary ny lalan'ny Tompo;
ahitsio ny hizorany!»

4Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan'i Jôhany; valala sy tantely remby no sakafony. 5Tamin'izay dia nirohotra nankany amin'i Jôhany ny olona avy any Jerosalema sy avy any Jodea lafy valo mbamin'ny faritany rehetra amoron'ny ony Jôrdàna; 6ary niaiky heloka izy ireo ka dia nataon'i Jôhany batisa tao Jôrdàna.

7Rehefa hitan'i Jôhany ny Farisianina sy ny Tsadoseanina maro nanatona azy mba hataony batisa, dia nilazany hoe:
–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba handositra tsy ho tratra amin'ny hatezeran'Andriamanitra izay efa antomotra. 8Asehoy amin'ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. 9Ary aza mihambo anakampo hoe: manana an'i Abrahama ho razambenay izahay! Satria lazaiko aminareo fa hain'Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 10Indro efa eo am-poto-kazo ny famaky: ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo.

11Hoy koa i Jôhany:
–Ny ahy, ao amin'ny rano no anaovako batisa anareo ho mariky ny fialana amin'ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin'ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo. 12Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin'ny afo tsy mitsaha-mirehitra.

Ny fisehoan'ny famonjena ny mpanota

1- Maniraka Mpialoha làlana azy ny Tompo

Rehefa tao amin'ny fanginana Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Taloha hatreo amin'i Malakia dia naniraka an'i Jaona Mpanao Batisa. Mialoha ny fiavian'ny Mesia dia miantso fibebahana sy manambara ny maha-akaiky ny fanjakan'ny lanitra i Jaona Mpanao Batisa. Nahomby ny antsoantsony ka maro ny olona no nibebaka dia « i Jerosaiema sy i Jodia rehetra » (and 5). Mahazatra amin'ny fivavahan'ny Isiraely ny fidiovana amin'ny rano fa ny fibebahana sy ny fiaiken-keloka no notorin'i Jaona. Votoatin'ny hafatry ny mpaminany ny fibebahana sy ny fiovam-po, satria izany no fandosirana ny fahatezerana ho avy. Miandry ny fiovam-po sy ny fandraisan'ny Jiosy ny fiainana vaovao Andriamanitra.

2- Ho avy ny Tompo

I Jesoa llay Mesia ho avy aorian'i Jaona. Izy no manao batisa amin' nv Fanahy Masina sy ny afo (and 11). Irav ihany ny Fanahy sy nv afo eto. Naseho ho endriky ny afo ny Fanahy Masina tamin'ny Pentekosta (Asa 2,3). Miditra ao amin'ny olona ny Fanahy Masina, dia ny olona mafy fo sy maditra. Izy no manova ny olona ho vaovao. Mitondra ny olona ho amin'ny famelan-keloka sy fahadiovana. Izanv no ilazana hoe : ateraka indray ny olona natao batisa amin'ny Fanahy Masina. Miova ho olom-baovao. Ho avy ny Tompo amin'ny andro farany ka hanangona izay vokatra avy amin'ny Fanahy Masina, dia ny fo mibebaka sy manaiky an'i Jesoa Kristy.

Fanontaniana :
Manao ahoana izany hoe : olona nateraky ny Fanahy Masina izany ?

samedi 10 novembre 2018

Sabotsy 10 Oktobra 2018 - Isa 66 : 12 - 17

12Fa izao tokoa no lazain'ny TOMPO:
«Indro hotarihiko hankao Jerosalema
ny fiadanana ka hihanaka toy ny ony;
ny haren'ny firenen-kafa hotarihiko hankao
ka ho tondraka toy ny renirano.
Hikarakara fatratra anareo Aho
toy ny ataon-dreny mampinono ny zanany
ka mitondra azy eo an-trotroany
sy mandrotsirotsy azy eo am-pofoany.
13Eny, ho toy ny reny mampionona ny zanany
no hampiononako anareo koa;
ary ao Jerosalema no hampiononako anareo!
14Dia ho tsapanareo amin'izany
fa ho dibo-kafaliana ny fonareo,
ary ny taolanareo efa maina hahazo hery indray
tahaka ny ahitra mirobona.»

Hataon'ny TOMPO fantatr'ireo mpanompo Azy ny fahefàny;
fa ho tezitra kosa amin'ny fahavalony Izy.
15Satria indro ny TOMPO fa tamy ao anaty afo,
miriotra toy ny rambon-danitra ny kalesiny.
Misafoaka erỳ Izy mampihatra ny fahatezerany
sy ny fandrahonany amin'ny lelafo miredareda.
16Fa amin'ny alalan'ny afo sy ny sabatra
no hitsaran'ny TOMPO ny olombelona rehetra;
ka maro no haringan'ny TOMPO,
17dia ireo mihambo hidio manokana
mba ho afa-miditra ao an-tanimboly
sy hipetraka aorian'ilay eo afovoany,
na koa ireo mihinana henakisoa
sy voalavo mbamin'ny zava-maharikoriko.
Ho indray levona avokoa ny fanao amam-pisainan'ireny.
Izany no teny hentitry ny TOMPO.

Ho avy i Jehovah Andriamanitra

1- Manome fiadanana ny Isiraely

Rehefa nofaizina sy nokapohin'i Jehovah ny Isiraely. dia omeny fampiononana. Hampionona ny Isiraely ao Jesosalema Jehovah. Tsy handre ady sy fahoriana ary sabatra ny Isiraely fa omena fiadanana sy filaminana. Tahaka ny renirano tondraka no iavian'ny fíadanana. Tsy hisy firenena hanafika sy handroba ny Isiraely intsony fa ny firenena mitondra ny hareny sy ny voninahiny. Hanjary firenena mahataona olona, itangoranan'izao tontolo izao ny Isiraely noho ny fiadanana omen'i Jehovah azy.

2- Manao fahariana vaovao Andriamanitra
Mampiseho an-tsary Isaia ny fifamatoran'ny famonjena sy ny fahariana vaovao. Tahaka ny olon-dehibe hateraka indray ny Isiraely (and 13). Ao Jerosalema ihany no anovozana ny fiononana. Hateraka indray ny Isiraely izay mangovitra noho ny tenin'i Jehovah (and 5). Hiankina amin'i Jehovah ny fahavelomany sy ny fahasambaranv, tahaka ny zaza vao teraka minono. Mpahary sady Mpamonjy Andriamanitra. Izany no mitondra antsika amin'ny fahatokiana Azy amin'ny físedrana sy ny fahoriana mihatra ankehitriny.

3- Hamaly fitsarana ny mpanota Andriamanitra
Mitsara sy mamaly ny fahotan'izay rehetra nampahory ny vahoakany ny Tompo. Tahaka izany ihany koa no handringanany ny mpanompo sampy sy nandoto ny fívavahany. Afo sy sabatra no handringanany ny mpanompo sampy sy ny vetaveta fahavalon'i Jehovah sy ny Isiraely. Mifalia amin'ny famonjen'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fanantenantsika izany fiadanana izany ?

vendredi 9 novembre 2018

Zoma 09 Novambra 2018 - Heb 11 : 13 - 16

13Tamim-pinoana no nahafatesan'ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain'Andriamanitra azy, kanefa notazanin'ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany. 14Ireo olona miteny toy izany dia mampiharihary fa mitady izay ho tanindrazany. 15Ka raha ny tany nialany no nahamanina azy, dia mbola nahita fotoana hiverenana any izy; 16saingy tanindrazana tsara lavitra no irîny, dia ilay tanindrazana any an-danitra. Izany no tsy mahamenatra an'Andriamanitra ny hantsoina hoe «Andriamanitr'izy ireo», satria olona efa nanamboarany tanàna ireo.

Efa nanamboatra tanàna ho an'ny mino ny Tompo

1- Ho an'ireo maty tamin'ny finoana

Tanisaina eo aloha ireo olo-malaza amin'ny finoana ao amin'ny Testamenta Taloha. Tsy ho diso anjara ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra izay niaina sy nitahiry ny finoana. Omen'ny Tompo antoka izay mino fa tsy maintsy ho tonga any an-danitra any amin'ny Tompo. « ary niara napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesoa » (Efes 2,6). I Mosesy dia nahatazana lavitra ny tany Kanana. fa tsy niditra tany (Deo 32,52) fa miandry ny mino rehetra.

2- Ho an'izay maniry ny tsara lavitra

Marim-pototra ny safidin'ny finoan'ny Patriarka. Tsy ilay Kanana ety an-tany no tanjon'ny finoana fa ny hitoetra any amin'Andriamanitra any an-danitra « ny tsara lavitra no iriny » (and 16). Vahiny sy mpivahiny ety an-tany ny mpino fa mponina any an-danitra. Efa mahita ny toerana itodiany ny mpino. Ny fiainan'ny mino izany dia mahita ny tsy hitan'ny maso. Any an-danitra no misy ny fonenana maharitra ho an'ny kristiana fa fandalovana no eto .

3- Satria tsy menatra azy ireo Andriamanitra

Ny tenin'ny Patriarka dia teny faminaniana avy amin' Andriamanitra. Manaiky ho Andriamanitry ny mino sy izay matoky azy ny Tompo (Heb 8, 10 ; Jer 31,33 ; 32,38). Raisiny ho vahoakany ny mino, ary Andriamanitra ho Andriamaniny. Tsy menatra antsika mpanota mibebaka ny Tompo. Izay maniry ny tsara lavitra dia tsy ho menatra mandrakizay satria tsy menatra azy ny Tompo. Malalaka ny toerana ho an'ny mino sady tsy mbola feno araka izay ambaran'ny fampianarana sandoka ankehitriny.

Fanontaniana:
Inona ny antony ilazana fa tsara ny any an-danitra ?

jeudi 8 novembre 2018

Alakamisy 08 Novambra 2018 - Apo 3 : 7 - 13

7–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia:

«Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha. 8Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy. 9Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satàna: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

12«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin'ny tempolin'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ilay tanànan'Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.

13«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

Ho avy ny Tompo

1- Ny fotoanan'ny fakam-panahy

Vanim-potoana fanenjehana ny kristiana no nanoratana ny Apokalypsy. Misy ireo izay mihevitra ny tenany fa Jiosy na mpivavaka marina sy miorina nefa «synagogan'i satana » na «fiangonan 'i satana ». Manao tafìka masina ny Tompo haka azy ireo mba hiankohoka aminy ihany koa. Na kely hery aza ny fiangonan'i Filadelfia dia mitandrina sy maharitra amin'ny Tenin'ny Tompo (and 10). Misokatra ho an'ity fiangonana kely hery ity ny Fitoriana ny Filazantsara hitomboany hery sy hanangonany ny olona maro hiankohoka eo amin'ny Tompo. Efa nanokatra varavarana ho azy i Jesoa Kristy (lKorl6.9; Kol 4.3).

2- Ny fiavian'ny Tompo

Fandresen'ny Fiangonana sy ny mpino ny fiavian'ny Tompo. Fanomezan' Andriamanitra ny valisoa ho azy mino izany. Atao andry eo amin'ny tempolin' Andriamanitra ny mino. soratana aminy ny anaran' Andrimanitra vaovao ho marika fa Jesoa Krisly no Tompony. Izany rehetra izany dia filazan'ny Tompo, llay Tompo sady Lohan'ny Fiangonana fa tsy very maina ny fanompoana Azy. Voafetra ihany koa ny fotoan'ny fanalam-baraka tsy marina ny mpino sy ny Fiangonan'i Jesoa Kristy. Ankehitriny izao tontolo izao dia mihevitra fa tsy misy Andriamanitra, ka manao izay tiany hatao sy manenjika ny ny kristiana miorina tsara amin'ny Tenin'Andrimanitra. Manorina ny fanantenana kristiana, anefa, ny finoana fa ho avy ny Tompo.

Fanontamana:
Ahoana no fisehoan'nv fanenjehana ny mino ankehitriny '?

mercredi 7 novembre 2018

Alarobia 07 Novambra 2018 - Eks 25 : 17 - 22

17«Hanaovana sarony volamena madio ilay Vatamasina, ka io sarony io dia hirefy 125 santimetatra ny lavany ary 75 santimetatra ny sakany. 18Hanefena kerobima roa volamena amin'ny sakany roa eo ambony saron'ny Vatamasina. 19Hovoasana mitambatra amin'ny saron'ny Vatamasina ireo kerobima roa ireo, eo amin'ny sakany avy. 20Hifanatrika ny kerobima roa sady manatrika ny saron'ny Vatamasina izay alofany amin'ny elany mivelatra. 21Hapetraka eo ambony Vatamasina ny sarony rehefa tafiditra ao anatiny ao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao. 22Eo ambonin'ny Vatamasina, eo anelanelan'ny kerobima roa, no hisehoako aminao; eo no hanomezako anao ny baiko rehetra momba ny Israelita.

1- Manomana ny tabernakely ny Isiraely

Manome teny amin'i Mosesy Andriamanitra hanamboatra ny tabernakely ho fihaonany amin'ny vahoakany. Fanamhoarana ny rakotra fitoeran'ny takelaka vavolomhelona no omen'ny Tompo eto. Tsy izay hevitry ny olona no anaovana azy fa araka izay refy sy endrika ilàn'Andriamanitra azy. Ny Tompo no mamaritra ny fìhaonana aminy fa tsy ny saina amam-pahalalan'ny olona. Tsy saina avy amin'ny olona ny fihaonana amin' Andriamanitra fa avy amin'izy Andriamanitra ihany. Asiana sarin'anjely kerobima volamena roa mifanatrika amin'ny andaniny roa ny rakotra. Rehefa vita ireo vao ampidirina ao « ny takelaka vavolombelona » na « ny didy folo » izany.

2- Mihaona amin'ny Israely ny Tompo

Mivavaka amin'ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Isiraely fa tsy amin'Andriamanitra hita maso. Eo anelanelan'ny sarony na ny rakotry ny vata sy ny kerobiama no miteny amin'i Mosesy Andriamanitra (and 22). Eo no toerana fanateran'ny mpisoronabe fanatitra ho an'i Jehovah. Eo i Mosesy no mihaona amin'Andriamanitra handray ny hafatr'i Jehovah. Andriamanitra tsy hita maso manaiky ihaona amin'ny olona ety an-tany amin'ny alalan'ny teniny. Eo amin'ny fiangonany no itenenan'ny Tompo amin'ny alalan'ny Tenin'Andriainanitra. Fivavahana tsy misy tery ny fivavahana kristiana, fa miorina amin'ny fanambaran'Andriamanitra mivantana amin'ny Teny.

Fanontaniana:
Inona no mety na tsy mety amin'ny fomba fanatonantsika an'Andriamanitra amin'nv fivavahana ? Hazavao.

mardi 6 novembre 2018

Talata 06 Novambra 2018 - Lio 12 : 35 - 40

35–Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto. 36Manaova toy ny mpanompo miandry izay hiverenan'ny tompony avy any amin'ny fanasana; raha vao tonga sy mandondòna izy, dia vohain'ny mpanompony miaraka amin'izay. 37Sambatra ireo mpanompo hitan'ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy. 38Na misasakalina na maneno akoho no ahatongavan'ny tompony ka mahita ireo mpanompo miari-tory toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo! 39Izao no ataovy an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny ora iavian'ny mpangalatra, dia tsy havelany hotamîna ny tranony! 40Ianareo koa, aoka ho vonona hatrany, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona.

Miandry ny Tompo isika

1 - Miambena ny fiavian'ny Tompo amin'ny fahazavana

Tahaka ny mpampakatra avy amin'ny fampakaram-bady ny Tompo. Miandry azy amim-paharetana ny mpanompony. Mazava ny tanàna sy ny trano eo am-piandrasana ny mpampakatra. Tahaka izany ny kristiana miandry ny fiavian'i Jesoa Kristy. Miaina amin'ny fiainana mazava sy masina. Vavolombelon'i Jesoa Kristy eo anivon'izao tontolo izao. Efa nanala ny aizina sy ny fahotana : tsy mirona intsony amin'ny fiainan'izao tontolo izao. Tsy tampoka amin'ny mino ny fiavian'i Jesoa Kristy, raha efa vonona amin'ny faharetana sy ny fahamasinana izy. I Jesoa Kristy mihitsy no fahazavana ao anatiny.

2 - Miambena ny fiavian'ny Zanak'olona

Tsy misy mahalala ny fotoana ahatongavan'ny Zanak'olona eny amin'ny rahon'ny lanitra ( Mar 13,32 ; Mat 24.36). Izany fiaviany fanindroany izany dia miaraka amin'ny faran'izao tontolo izao. Tsy fantatry ny Zanak'Olona dia i Jesoa Kristy ny fotoana sy ny andro hiverenany. Mbola manohv ny fanompoany ny Zanak' Olona ankehitriny any an-danitra. Omeny valim-pitia ny mpanompo miambina ny fiaviany sady mahatoky. Omeny toerana ao amin'ny fanjakany izy sady omeny fahavelomana mandrakizay. Ampitoerin'i Jesoa ao amin'ny fanjakany ny mino « ka hampipetraka azy hihinana ». Izv no mampisakafo azy ary hiara-manjaka aminy ireny ( Apok 3,20 :20.6), fotoana fialana amin'ny torimasom-pahotana izao vanim-potoanan'ny ota eto amin'izao tontolo izao. Miambena tsara ho avy i Jesoa.

Fanontaniana :
Ahoana izany atao hoe : miaina amin'ny fahazavana ?

lundi 5 novembre 2018

Alatsinainy 05 Novambra 2018 - Heb 10 : 19 - 25

19Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin'i Jesoa. 20Nanokafany lalana vaovao mitondra amin'ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin'ny efitra lamba, izany hoe eo amin'ny tenan'i Jesoa. 21Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon'Andriamanitra isika; 22koa aoka isika hanatona an'Andriamanitra amin'ny fo mahitsy sy amin'ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin'ny fieritreretana vesaran'ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin'ny rano madio ny tenantsika. 23Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian'ny Tompo.

Manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy.

1- Mahatoky ny ran'i Jesoa Kristy (and 19)

Fampiorenana ny kristiana hiorina amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy ny Epistily ho an'ny Hebreo. Mahatoky i Jesoa Kristy sy izay efa vitany teo amin'ny hazo fijaliana. Miantoka ny mino hiditra amin'ny fiainan-danitra dieny ety an-tany izany ka hatrany an-danitra. Làlana vaovao, tsy tahaka ny fivavahan'ny Jiosy izany , fa làlana mamaky eo amin'ny tenan'i Jesoa Kristy. Ny ran'i Jesoa Kristy, Ilay Mpisorona lehibe dia miantoka antsika mankany an-danitra. Misokatra ho an'ny mino an'i Jesoa Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana ny famonjena. Tsy ho an'ny Jiosy irery fa ho an'ny mino rehetra.

2- Manana Mpisorona lehibe miantoka azy ny mino

Mpisorona lehibe no iantsoana an'i Jesoa Kristy eto. Izy no miantoka ny tranon'Andriamanitra any an-danitra. Manana antoka ny mino hanatona an'i Jesoa any an- danitra. Tsara antoka ihany koa amin'ny fananany ny fiainana mandrakizay. Ireto no asa ampanaovin'i Jesoa Kristy ho antsika izay efa any an-danitra : manatona azy amin'ny fo marina sy mahitsy ; amin'ny finoana sy fo voadio ary fieritreretana tsara ; mihazona nv fanekena ny fanantenana izay manamafy orina ny fínoana. Na dia efa manana ny fiainana mandrakizay aza isika dia tena miatrika ny fanompoana ao amin'ny fiangonan' Andriamanitra eto an-tany. Manamarika ny mino ny fiombonana sy ny asa: mifampandinika hampiorina ny fitiavana sy ny asa tsara: miangona sy mifananatra mba samy hahatratra ny tanjona izay any amin'i Jesoa Kristy.


Fanontaniana:
Azontsika antoka ve fa efa any an-danitra isika izao ?

dimanche 4 novembre 2018

Alahady 04 Novambra 2018 - Amo 4 : 6 - 13

6Izaho mihitsy no efa nahatonga mosary
tao amin'ny tanànanareo rehetra,
ary tsy fahampian-tsakafo
tao amin'ny fonenanareo rehetra;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
7Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana
tsy ho eo aminareo,
raha mbola telo volana mialoha ny fararano.
Ka tamin'ny tanàna anankiray nandatsahako orana,
fa tamin'ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako;
ny saha anankiray nilatsahan'ny orana,
fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8Nivembena nankao amin'ny tanàna iray
ny mponina tamin'ny tanàna roa na telo
mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
9Nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra
sy maty fotsy ianareo;
nofongorako ny zaridainanareo sy ny voalobokareo,
nohanin'ny valala ny aviavinareo sy ny ôlivanareo,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy
tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta;
novonoiko ho faty tamin'ny sabatra ny zatovolahinareo,
sady nobaboina koa ny soavalinareo;
ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo
ny hamaimbon'ny faty ao an-tobinareo;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitry ny TOMPO izany.
11Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo
tahaka izay nataoko tamin'i Sôdôma sy Gômôra;
ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana
nosarihina avy ao amin'ny afo
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
12Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely;
ary rehefa izany no hataoko aminao,
dia miomàna ianao hihaona amin'Andriamanitrao.»
13Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra
sy mpahary ny rivotra,
Izy no manambara amin'ny olombelona ny fikasany,
mahatonga ny maraina ho haizina
sady mandeha eny am-paratampon'ny tany:
Ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao no anarany.

Mampahafantatra ny anarany i Jehovah.

1- Amin'ny famaizana sy ny fananarana

Ny loza mihatra amin'ny Isiraely dia famaizana nataon' Andriamanitra mba hiverenany aminy. Samy nihatra tamin' ny Isiraely avokoa ny aretina sy ny mosary fandringanana: ny haintany sy ny valala. Miverina mamehy ny fanambarana ny loza ny teny hoe ; « nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo. hoy i Jehovah » (and 6 ;8 ;9 ; 10; 11). Efa tena mafy ny fon'ny Zanak'i Isiraely tamin'ny andron'I Amosa. Ity tononkira nataon'i Amosa mpaminany ity dia misolo ny hiran'ny Isiraely izay mankarenina ny Tompo (Amosa 5,23). Tsy sitrak' Andriamanitra ny manafin-keloka amin'ny fivavahana ka izany no nahatonga ny loza.

2- Amin'ny faminaniana

Mihatra amin'i Jehovah ny fahotan'ny Isiraely izay ataony amin'ny mahantra sy ny malahelo. Mitohy hatrany izany ary tsy ialany na dia efa misy famaizana aza. Ho avy ny Tompo izay Mpahary izao tontolo izao (and 13). Misy fetra ny fotoana fananarana. Andriamanitra tsy mikapoka ary tsy masiaka fa mampianatra sy mananatra ary mampiomana amin'ny asa hataony. Milaza mialoha Izy fa hamaly ny Isiraely amin'ny ratsy, izay tsy ialany, ka hotanterahany izay nambarany. Tsy misy mahasakana ny Tompo amin'ny maha Tompo Mpahary Azy. Izy no Jehovah, «Andriamanitry ny maro »; Tompon'ny fahefana sy ny hery rehetra izy. Izy no mibaiko ny zava- boary rehetra hahatanteraka ny famaizana.

Fanontaniana;
Manao ahoana ny faharetan'Andriamanitra amin'ny maditra mba hovonjena izy ?

samedi 3 novembre 2018

Sabotsy 03 Novambra 2018 - Eks 19 :16 - 20


16Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon'anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby. 17Nasain'i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin'Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

18Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan'ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin'ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo. 19Nihamafy hatrany ny feon'ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin'Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka. 20Nidina nankeo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an'i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.

I Jehovah miseho amin'ny Isiraely

1-Fantaro ny fiavian'ny Tompo

Kotrokorana sy helatra, rahona matevina, feon'anjomara no nanambara ny fiavian'i Jehovah amin'ny Isiraely. Ao amin'ny Deoteronomia 33,2 dia fisehoan'ny anjely sy famirapiratana no fisehoan'Andriamanitra manome ny lalàna. Manotrona an'Andriamanitra ny zava-boahary eny amin'ny habakabaka. Miaraka amin'izany ny anjomara, ny famirapiratana, ary ny fisian'nv anjely (Deo 33,2 ; Asa 7,53). Miseho amin'ny heriny sy ny voninahiny amin'ny Isiraely Andriamanitra.

2-Tariho ihaona amin'ny Tompo ny vahoaka

Tsy afaka manatona ny Tompo irery ny olona fa ilaina ny mpitarika azy, tahaka an'i Mosesy. Jehovah midina ao an-tendrombohitra ihaona amin'ny vahoakany (and 18). Voninahitra sy hery ny fisehoan'Andriamanitra ka ilaina ny fiomanana. Mitory ny fotoam-panafahana sy fotoam-pivavahana ny fitsofana ny anjomara (Lev 25,9). Tonga Andriamanitra manafaka ny Zanak'i Isiraely.

3-Andriamanitra mihaino sy mamaly

Mihaona amin'ny Tompo i Mosesy sy ny Isiraely. Miantso an'i Mosesy ny Tompo ihaona aminy ao an-tendrombohitra. I Mosesy no mpanelanelana an' Andriamanitra sy ny Isiraely. Tsy ny olona rehetra no afaka ihaona amin'ny Tompo fa ny mpanalalana (and 20). Ankehitriny dia malalaka ny fihaonantsika amin'ny Tompo amin'ny alalan'i Jesoa Kristy , amin'ny vavaka, famakiana sy ny fihainoana ny Soratra Masina.

Fanontaniana:
Manao ahoana ny fahavononantsika amin'ny fihaonana amin'Andriamanitra raha ho avy Izy?

vendredi 2 novembre 2018

Zoma 02 Novambra 2018 - Lio 19 : 1 - 10

1Tafiditra tao Jerikao i Jesoa ary namakivaky ny tanàna. 2Ary indro nisy lehilahy atao hoe Zakeo, sady lehiben'ny mpamory hetra no mpanankarena. 3Mba nitady hahita izany Jesoa izany izy, saingy fohy ka tsy afa-nanoatra satria nifanety ny vahoaka. 4Dia nilomay nialoha izy ka nianika hazo amontana mba hitazana an'i Jesoa, fa akaikin'izany no efa handalovany. 5Nony tonga teo i Jesoa, dia nitraka ary niteny tamin'i Zakeo hoe:
–Ry Zakeo, midîna faingana fa any aminao Aho anio no tsy maintsy miantrano.

6Nidina faingana i Zakeo ary nandray an'i Jesoa tamin-kafaliana. 7Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe:
–Any amin'ny mpanota indray re no amantanany!

8Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin'ny Tompo hoe:
–Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an'ny mahantra; ary izay zavatr'olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny!

9Ary hoy i Jesoa taminy:
–Anio ny famonjena dia tafiditra amin'ity trano ity; noho izany ity lehilahy ity koa dia zanak'i Abrahama! 10Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan'ny Zanak'olona!

Ny fihaona'I Jesoa Kristy tamin'I Zakaiosy

1 - Ny fiomanan'I Zakaiosy ihaona amin'I Jesoa Kristy

Nanana hetaheta sy faniriana ahita sy  ihaona tamin'ny Jesoa I Zakaiosy, lehiben'ny mpamory hetra sady mpanankarena. Noreseny avokoa ny sakana rehetra amin' ny fihaonana amin ' I Jesoa : toe-batana; fahamaroan'ny olona tsy ahitana lalana, ny fitsaran'ny fiaraha-monina  tenany ho mpanota. Tsy mahasakana ny olona tapa-kevitra ihaona sy handray an'I Jesoa Kristy ho Tompon'ny fiainany ny zava-misy rehetra. Zava-dehibe sady maika ho an'ny mino ny fandraisana ny famonjena. Mijere an'I Jesoa Kristy dia ho tanteraka ny famonjena. (Heb 12, 2)

2 - Ny fandraisan'I Jesoa an'I Zakaiosy

Nandray an'I Zakaiosy teny amorondalana i Jesoa. Hitany ny toerana nisy ny mpanota te hibebaka sy te hanatona azy, fantany ny faniriana anaty. Maika tamin'I Jesoa Kristy ny niantrano tao amin'ny lehiben'ny mpamory hetra. I Jesoa Kristy mihintsy no nampiantrano an'I Zakaiosy tao antokantranony teto. Tsy menatra sady tsy matahotra niantrano tao amin'ny mpanota i Jesoa (and 7). Sambatra izay mihaona amin'I Jeasoa Kristy. Tonga izy nizara sy nanome fiadanana ho an'ny tokantrano. Manova fo sy mampibebaka ny fihaonanana amin'I Jesoa. Omen'I Jesoa ho azy sy ny ankohonany ny fiadanana. Vita fihavanana amin'Andriamanitra i Zakaiosy. Tafiditra tao amin'ny fanjakan'ny lanitra sady taranak'I Abrahama tamin'ny finoana i Zakaiosy. (and 9)

Fanontaniana :
Ny olona ve no mitady an'I Jesoa, sa i Jesoa no mitady ny olona? Hifampizarao amin'ny namanao izany.

jeudi 1 novembre 2018

Alakamisy 01 Novambra 2018 - Isa 35 : 3 - 4

3Ampaherezo ny tanana miraviravy
ary hatanjaho ny lohalika malemy.
4Lazao amin'izay kivy hoe:
«Mahereza, aza matahotra;
indro ny Andriamanitrareo
tonga hitondra famaizana
ka hanasazy ny fahavalonareo;
Izy mihitsy no tonga hamonjy anareo.»

"Maherezza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana" (and 4)

1 - Manome fanantenana ny Israely Andriamanitra

Mitondra ny teny fampanantenana ho an'ny Israely ny mpaminany. Hisy fahariana vaovao ho an'ny Israely voaroaka tamin'ny taniny. Ny fitsaran'Andriamanitra dia faharavan'ny fahavalo ka mahatonga azy ho tany foana. Rehefa manao ny famonjena izy dia manao ny tany ho mahavokatra sy azo honenana ary hivelomana. Tsy afaka misaraka amin'ny maha Andriamanitra mpahary azy ny maha Andriamanitra mpamonjy azy. Omena andraikitra ny mpaminany sy ny mpanompon'Andriamanitra hamelona ny finoan'ny babo, izay miatrika fitsapana sy fizahan-toetra. Ny tenin'Andriamanitra irery no antoka ka manome fanantenana ho an'ny olona mijaly. (Heb 12,12)

2 - Mitondra fanafahana Andriamanitra

Tsarain'Andriamanitra ny firenena jentilisa, izay nambabo ka nandroaka sy nampahory ny Israely. Tsy misaraka ny fitsaran'Andriamanitra ny mpampahory ny vahoakany sy ny fanafahana ny Israely ampahoriana. Mandrava ny fahavalon'ny Israely ny fitsarana marina ataon'Andriamanitra. Rehefa rava ny fahavalo dia voavony ny Israely. Tsy ny vahoakan'ny Israely no manao famaliana fa Andriamanitra mpitsara. Miasa ao anatin'ny fiainan'ny vahoakany Andriamanitra. Ny fiavin'Andriamanitra eo amin'ny Israely hamonjy azy dia amin'ny alalan'ny Mesia.

Fanontaniana :
Manao ahoana izany miandry ny fitsaran'ny Tompo?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12