jeudi 28 février 2013

Alakamisy 28 Febroary 2013 - I Jao 5 : 13 - 15


13 Izany no voasoratro ho anareo izay mino ny anaran'ilay Zanak'Andriamanitra, mba hahafantaranareo fa velona aina mandrakizay ianareo. 14 Ary izao no toky ananantsika eo anatrehan'Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; 15 ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy na inona na inona angatahintsika, dia fantatsika koa fa azontsika izay angatahintsika aminy.

mercredi 27 février 2013

Alarobia 27 Febroary 2013 - Hag 2 : 15 - 19


15 Hoy koa ny TOMPO hoe: Hevero tsara izay zavatra hiseho aminareo manomboka anio. Talohan'ny nanangonanareo vato hananganana indray ny tempoliko, 16 inona no nitranga taminareo? Raha misy olona nandeha naka vary tao amin'ny sompitra nampoiziny hahazoana roa arivo kilao, dia tsy nahita afa-tsy arivo kilao ihany izy; ary raha nisy olona nandeha nanovo divay tao amin'ny barika nampoiziny hahazoana dimampolo litatra dia tsy nahita afa-tsy roapolo litatra ihany izy. 17 Nolevoniko ny vokatry ny asa rehetra vitanareo: rivo-mahery sy aretina ary havandra no nalefako hamely izay rehetra nambolenareo, nefa tsy nety niverina tamiko ianareo; Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany. 18 Hevero tsara izay zavatra hiseho aminareo manomboka anio. Anio no andro faha-24 amin'ny volana fahasivy, dia ny andro nametrahana ny fototry ny tempoliko. 19 Moa tsy efa ritra ny vary tao an-tsompitra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy ary ny ampongabendanitra sy ny oliva aza tsy nahavokatra. Kanefa manomboka izao anio izao kosa no hitahiako anareo.

mardi 26 février 2013

Talata 26 Febroary 2013 - Lio 24 : 32 - 35


32 Dia nifampilaza izy roa lahy hoe: Tsy nirehidrehitra ve ny fontsika tamin'Izy niresaka tamintsika teny an-dalana sy nivaofy ny Soratra Masina? 33 Teo no ho eo ihany, dia niainga niverina nankany Jerosalema izy roa lahy ka nahita ny 11 lahy sy ny namany tafavory 34 nilaza hoe: Efa nitsangana velona tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin'i Simona! 35 Izy roa lahy koa mba nitantara ny zava-niseho teny an-dalana sy ny nahafantarany an'i Jesoa fony Izy nizara ny mofo.

lundi 25 février 2013

Alatsinainy 25 Febroary 2013 - Jao 5 : 24 - 29


24 Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mihaino ireo teniko sy mino Ilay naniraka Ahy no velona aina mandrakizay; ka tsy hohelohina izy, satria efa niala tamin'ny fahafatesana mba ho velona aina. 25 Lazaiko marina dia marina aminareo fa avy ary efa tonga sahady aza ny fotoana handrenesan'ny maty ilay feon'ny Zanak'Andriamanitra, ka izay mandre dia ho velona. 26 Ny Ray dia manana fahefana hanome ny aina: toy izany koa no nanomezany fahefana ny Zanaka hanome ny aina. 27 Ary nomen'ny Ray fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona. 28 Aza gaga amin'izany, fa avy ny fotoana handrenesan'ireo rehetra any am-pasana ilay feon'ny Zanak'Andriamanitra; 29 ary hiala avy ao izy rehetra, ka izay manao ny tsara dia hitsangana mba ho velona aina, fa izay manao ny ratsy kosa dia hitsangana mba hohelohina.

dimanche 24 février 2013

Alahady 24 Febroary 2013 - Isa 49 : 8 - 13


8. Izao koa no lazain'ny TOMPO: ''Tamin'ny fotoana mety dia namaly ny antsonao Aho, ary tamin'ny androm-pamonjena dia tonga namonjy anao Aho. Nokolokoloiko ianao mba hataoko ho antoky ny fanekem-pihavanako amin'ny olona . Noho izany, dia hanarina ny tany Aho sy hizara indray ny lova efa rava; 9. ka ny mpifatotra izay ao anaty haizinadia hitenenako hoe: "Mivoaha tao ianareo, misehoa". Eny an-dalana eny izy dia hahazo sakafo, ka ho tahaka ny andiam-biby fiompy mirao-bilona amin'ny havoana rehetra. 10. Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo ary tsy hampaninona azy akory na ny rivo-mahamay na ny masoandro, satria am-pitiavana no hitarihako azy ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrako azy hiala hetaheta. 11. Ny tendrombohitra rehetra hasiako lalana; ary ny arabe kosa hataoko tsara voatra. 12. Indreny izy fa tonga avy any lavitra: ny sasany avy any avaratra; ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina; ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta. 13. Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany; manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra, fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany ary naneho indrafo tamin'ny mahantrany.

samedi 23 février 2013

Sabotsy 23 Febroary 2013 - Jao 14 : 25 - 31


25 Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. 26 Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin'ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. 27 Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy mba fiadanana tahaka ny fanomezan'izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka izay ny horohoro na ny tahotra ao am-ponareo. 28 Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho aty aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly amin'izao andehanako ho any amin'ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. 29 Niteny taminareo sahady Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany. 30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, satria tonga ilay filohan'izao tontolo izao: tsy manam-pahefana amiko velively izy, 31 saingy tonga izy mba hahafantaran'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy no ataoko. Mitsangana, ndeha isika hiala eto!

vendredi 22 février 2013

Zoma 22 Febroary 2013 - Eks 19 : 1 - 8


1 Ny andro voalohany tamin'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr'i Sinay. 2 Niala tao Refidima manko izy ireo ka nitsofoka tao an-taniefitr'i Sinay, dia nitoby tao an-taniefitra, tandrifin'ny tendrombohitra Sinay. 3 Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin'Andriamanitra. Dia niantso an'i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: -Izao no hambaranao amin'ny taranak'i Jakoba, dia ny Israelita. 4 Efa hitanareo izay nanaovako ny Ejiptianina, efa hitanareo koa ny nitondrako anareo aty ho eto anilako toy ny itondran'ny voromahery ny zanany eo amin'ny elany. 5 Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin'ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo, 6 saingy ianareo kosa dia ho fanjaka-mpisorona ho Ahy, ho firenena voatokana hanompo Ahy. Ireo no teny izay hambaranao amin'ny Israelita. 7 Niverina teo an-toby i Mosesy, nampiantso ny loholon'i Israely ary nampita tamin'izy ireo ny zavatra rehetra izay nandidian'ny TOMPO azy. 8 Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: -Izay rehetra nandidian'ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin'i Mosesy tamin'ny TOMPO ny valin-tenin'ny Israelita.

jeudi 21 février 2013

Alakamisy 21 Febroary 2013 - Asa 2 : 36 - 40


36 Noho izany, dia aoka ho fantatry ny vahoaka Israely rehetra mazava tsara fa iny Jesoa nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana iny indrindra no efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Mesia. 37 Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanontany an'i Petera sy ny apostoly namany hoe: – Ry havana, inona no tokony hataonay? 38 Dia hoy i Petera taminy: - Ialao ny toe-dratsy, ary aoka ianareo samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Kristy mba ho voavela heloka, dia handray ny Fanahy Masina fanomezan'Andriamanitra. 39 Fa ny fanomezana nampanantenain'Andriamanitra dia ho anareo sy ny zanakareo, ary ho an'ireo rehetra any lavitra any, na iza na iza hantsoin'ny Tompo Andriamanitsika hanatona Azy. 40 Mbola maro ny teny hafa nijoroan'i Petera ho vavolombelona ka nitaomany sy nananarany ny vahoaka hoe: - Vonjeo ny tenanareo ka misaraha amin'ireto olona mpaniasia ireto!

mercredi 20 février 2013

Alarobia 20 Febroary 2013 - II Mpa 20 : 1 - 7


1 Tamin'izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekia. Tonga nitsidika azy i Isaia mpaminany zanakalahin'i Amotsa ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe: Ataovy ny farahafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona. 2 Dia nitodika tany amin'ny rindrina i Hezekia ka nivavaka tamin'ny TOMPO 3 ary nanao hoe TOMPO o, tsarovy fa nitondra tena tamim-pahamarinana sy tamim-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao. Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekia. 4 Fa raha mbola tsy tonga teo amin'ny kianja anatin'ny lapa i Isaia, dia nisy tenin'ny TOMPO taminy nandidy azy 5 hiverina ka hilaza amin'i Hezekia filohan'ny ahoakan'Andriamanitra hoe: Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao. Koa hositraniko ianao, ary raha afakampitso ihany dia hiakatra ao an-tranoko ianao. 6 Hampiako 15 taona ny andro hiainanao; ary ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako amin'ny vahohon'ny mpanjakan'i Asiria. Eny, ity tanana ity dia harovako noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko. 7 Ary nampaka ampempan'aviavy i Isaia mba hapetaka eo amin'ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka.

mardi 19 février 2013

Talata 19 Febroary 2013 - II Mpa 19 : 1 - 7


1 Raha vao nandre izany tatitra izany i Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany ka nitafy gony ary lasa niditra tao an-tranon'ny TOMPO. 2 Avy teo izy naniraka an'i Eliakima mpiandraikitra ny lapa sy i Sebna mpitantsoratra ary ireo mpisorona tranainy indrindra izay samy nitafy gony mba hankany amin'i Isaia mpaminany zanakalahin'i Amotsa 3 hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fahafaham-baraka ho antsika ity andro ity! Tonga amin'ny fitenenana hoe: 'Efa ho teraka ny zaza nefa tsy misy hery hiterahana azy ny reniny. 4 Angamba ho ren'ny TOMPO Andriamanitrao ny teny rehetra nataon'ny deka asirianina izay nirahin'ny mpanjakan'i Asiria tompony hanevateva an'Andriamanitra velona, ka hofaizin'ny TOMPO Andriamanitrao izy noho izany! Koa manandrata vavaka ianao ho an'ireo sisa tavela amin'ny vahoakany.   5 Rehefa tonga tany amin'i Isaia ireo irak'i Hezekia mpanjaka, 6 dia nilazany hoe: Ambarao amin'ny tomponareo izao tenin'ny TOMPO izao: Aza matahotra eo anatrehan'ny teny renao nanevatevan'ireo manamboninahitry ny mpanjakan'i Asiria Ahy! 7 Fa indro Aho hanoro hevitra azy hiverina any amin'ny taniny, rehefa handre siosio izy; ary any no hampamonoako azy ho fatin'ny sabatra.

lundi 18 février 2013

Alatsinainy 18 Febroary - Mat 4 : 1 - 11


1 Ary dia notarihin'ny Fanahin'Andriamanitra hankany an-taniefitra i Jesoa, mba halain'ny devoly fanahy. 2 Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina i Jesoa, dia noana; 3 ary nohatonin'ny mpaka fanahy Izy ka nataony hoe: Raha Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, teneno ireo vato ireo hanjary mofo. 4 Fa novalian'i Jesoa hoe: Izao no voalazan'ny Soratra Masina: Tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra. 5 Avy eo dia nentin'ny devoly ho any Jerosalema tanana masina i Jesoa, ka najorony teo an-tendron'ny zoron'ny tempoly 6 sady nataony hoe: Raha Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao, mianjera any ambany any, fa izao no voalazan'ny Soratra Masina: Homen'ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao, ka ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao. 7 Fa hoy i Jesoa taminy: Izao koa no voalazan'ny Soratra Masina: Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao. 8 Ary nentin'ny devoly ho any amin'ny tendrombohitra avo dia avo indray i Jesoa, ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra eo amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny 9 sady nataony hoe: Homeko Anao avokoa ireo, raha miankohoka eto anoloako Ianao ho fanajana ahy! 10 Tamin'izay dia hoy i Jesoa taminy: Miala, ry Satana, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery no hivavahanao! 11 Izay vao nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy anjely tonga teo amin'i Jesoa ka nanompo Azy.

dimanche 17 février 2013

Alahady 17 Febroary 2013 - Rom 1 : 8 - 10


8 Voalohany indrindra dia velom-pisaorana an'ilay Andriamanitro aho amin'ny alalan'i Jesoa Kristy noho ny aminareo rehetra, satria re laza eran-tany ny finoanareo. 9 Vavolombeloko Andriamanitra, dia Ilay tompoiko amin'ny foko tokoa amin'ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly momba ny Zanany; eny, vavolombeloko Andriamanitra fa mahatsiaro anareo lalandava aho
10 rehefa mivavaka, sady mitalaho tsy an-kijanona mba ho sitrak'Andriamanitra ny hamela ahy ho tody soa aman-tsara aty aminareo.

samedi 16 février 2013

Sabotsy 16 Febroary 2013 - Sal 119 : 113 - 120

113. Halako ny olona miroa saina, fa ny lalananao kosa no tiako.
114. Ianao no fiereko sy ampingako; ny teninao no antenaiko.
115. Miala amiko, ianareo mpanao ratsy, hanarahako ny didin'Andriamanitra.
116. Tohany araka ny fampanantenanao aho ho velona; aoka tsy hataonao diso fanantenana!
117. Tohany hatrany aho mba ho voavonjy; ny lalananao no firavoako lalandava.
118. Izay rehetra miala amin'ny lalananao aetrinao, satria ny lainga no teti-dratsy ao an-tsainy.
119. Ny olon-dratsy eran-tany taim-by fanarinao: izany no itiavako ny baikonao.
120. Mihorohoro ny nofoko noho ny aminao, fa atahorako tokoa ny fitsipikao.

vendredi 15 février 2013

Zoma 15 Febroary 2013 - Mat 10 : 26 - 30


26 Koa aza matahotra ny olombelona ianareo. Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra. 27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina dia ambarao eny amin'ny mazava; ary izay ren'ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano. 28 Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an'Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin'ny lohasahan'afo. 29 Tsy ampaharoapolon'ny denary monja ve no vidin'ny fody roa? Kanefa tsy hisy latsaka amin'ny tany izy ireny na iray aza, raha tsy lahatry ny Rainareo. 30 Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr'Andriamanitra ny isany.

jeudi 14 février 2013

Alakamisy 14 Febroary 2013 - Jer 33 : 1 - 3


1. Fa raha mbola voatana teo an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremia, dia nisy indray tenin'ny TOMPO fanindroany taminy nanao hoe: 2. ''Izao no lazain'ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO:
3. Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao.

mercredi 13 février 2013

Alarobia 13 Febroary 2013 - I Tim 1 : 12 - 16


12 Velom-pisaorana an'i Kristy Jesoa Tompontsika aho, fa nomeny hery hahatontosako ny fanompoako. Velom-pisaorana Azy aho fa nataony mahatoky ka notendreny hanompo Azy, 13 na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran'Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko. 14 Naidin'ny Tompontsika be dia be tamiko ny fahasoavany, mbamin'ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 15 Azo antoka izao teny izao ka mendrika hankatoavin'ny olona rehetra: Tonga tety an-tany i Kristy Jesoa mba hamonjy ny mpanota; ary izaho no faraidiny amin'ireny. 16 Kanefa izao no anton'ny namindran'Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon'i Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho ohatra ho an'izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay.

mardi 12 février 2013

Talata 12 Febroary 2013 - Asa16 : 25 - 34


25 Tamin'ny mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra i Paoly sy i Silasy; ary nihaino azy roa lahy ny gadra hafa. 26 Dia injay nisy horohorontany mafy tonga tampoka nanozongozona ny fonja hatrany amin'ny fanorenany. Nivoha nidanadana ho azy ny varavarana rehetra, ary samy nivaha ho azy ny fatoran'ireo gadra rehetra. 27 Tamin'izay dia taitra ilay mpiambina; ary nony hitany fa nivoha avokoa ny varavaran'ny fonja, dia nanatsoaka ny sabany saika hamono tena izy satria nampoiziny ho efa nitsoaka nandositra avokoa ny gadra. 28 Fa niantso mafy i Paoly nanao hoe: Aza mamono tena, fa indreto avokoa izahay! 29 Dia nangataka jiro ilay mpiambina ka niditra faingana nankao amin'ny fonja anatiny indrindra; ary tora-kovitra izy no niantoraka teo anoloan'i Paoly sy i Silasy. 30 Dia navoakan'ilay mpiambina izy roa lahy sady nanontaniany hoe: Inona, tompoko, no tokony hataoko mba hovonjena aho? 31 Dia novaliany hoe: Minoa an'i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao mbamin'ny ankohonanao! 32 Dia nitorian'i Paoly sy i Silasy ny tenin'ny Tompo ilay mpiambina mbamin'izay rehetra tao an-tranony.  33 Tamin'izany ora izany, iny alina iny ihany, dia nandray azy roa lahy ilay mpiambina ka nanasa ny feriny; ary natao batisa niaraka tamin'izay izy sy ny ankohonany rehetra. 34 Nentin'ilay mpiambina niakatra tao an-tranony i Paoly sy i Silasy ka norosoany sakafo. Ary niravoravo niaraka tamin'ny olona rehetra tao an-tranony ralehilahy, noho izy efa tonga mpino an'Andriamanitra.

lundi 11 février 2013

Alatsinainy 11 Febroary 2013 - Hos 13 : 14 - 15

14 Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo tsy ho voagejan'ny fahafatesana, ka hanafaka azy amin'ny toeran'ny maty? Rafahafatesana o, aiza ny aretina fandringananao? Ry toeran'ny maty o, aiza ny loza fandripahanao? Tsy hana-maso miantra Aho. 15 Fa na dia miroborobo aza i Efraima eo anivon'ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tankina ny fantsakany. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.

dimanche 10 février 2013

Alahady 10 Febroary 2013 - Mat 7 : 24 - 29

24 Koa amin'izany, na zovy na zovy mihaino ireo teniko ireo ka manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy: 25 latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria niorina teo ambony vatolampy. 26 Fa izay rehetra mihaino ireo teniko ireo ka tsy manatanteraka azy dia ho tahaka ny lehilahy tsy misaina, izay nanorina ny tranony teo ambony fasika: 27 latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny faharavany. 28 Rehefa vitan'i Jesoa izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fomba fampianarany; 29 nampianatra azy tamim-pahefana manko i Jesoa fa tsy mba tahaka ireo mpahay lalana jiosy.

samedi 9 février 2013

Sabotsy 09 Febroary 2013 - Kol 1 : 1 8

1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra. Mamangy anareo aty Kolosy aho, dia ianareo vahoakan'Andriamanitra sady havana mpino tafaray amin'i Kristy. Mamangy anareo koa i Timoty havantsika. 2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika! 3 Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, rehefa mivavaka ho anareo. 4 Eny, velom-pisaorana an'Andriamanitra izahay satria renay laza ny finoanareo an'i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny vahoakan'Andriamanitra rehetra. 5 Mby teo aminareo ny Vaovao Mahafaly, ary ny hafatra marina raketiny no nandrenesanareo ny zavatra antenaina izay voatahiry ho anareo any an-danitra. Ka ny finoanareo sy ny fitiavanareo dia vokatr'izany fanantenana izany. 6 Ny Vaovao Mahafaly dia mitondra vokatra sy mitombo eran'izao tontolo izao koa, tahaka ny teo aminareo hatramin'ny andro nandrenesanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra araka ny marina. 7 I Epafra, hava-malala mpiray fanompoana aminay, no nampianatra anareo momba izany; mpanompo mahatokin'i Kristy izy ho fanasoavana anareo, 8 ary dia nampahafantatra anay ny fitiavana izay nomen'ny Fanahy Masina anareo.

vendredi 8 février 2013

Zoma 08 Febroary 2013 - Lio 16 : 19 - 31


19 Nisy mpanankarena anankiray nanao fitafiana tsara tarehy sady lafo vidy ary nanaram-po tamin'ny hanim-py isan'andro. 20 Nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandotra teo anoloan'ny vavahadin'ilay mpanankarena. 21 Satriny tokoa ny mba hivoky amin'ny sombintsombin-tsakafo latsaka avy amin'ny latabatr'ilay mpanankarena, saingy ny alika kosa no tonga nilelaka ny feriny. 22 Maty ilay mahantra, ka nentin'ny anjely ho eo anilan'i Abrahama; maty koa ilay mpanankarena, dia nalevina. 23 Raha ilay niferinaina tany amin'ny toeran'ny maty iny ilay mpanankarena, dia niandrandra ka tazany tery lavitra tery i Abrahama sy i Lazara teo anilany. 24 Dia niantso izy nanao hoe: Ry ikaky Abrahama o, mamindra fo amiko, iraho kely re i Lazara mba hanatsoboka ny loha fanondrony amin'ny rano hampangatsiatsiahany ny lelako, fa mijaly aho ato anaty lelafo ato. 25 Fa hoy i Abrahama hoe: Anaka, tsarovy fa ampoky ny soa ianao fahavelonao, i Lazara kosa niaritra fahoriana; ankehitriny mandray fiononana izy aty ankoatra, ary ianao kosa mijaly. 26 Sady izao koa, misy hantsam-be manelanelana antsika, hany ka izay te hiala ety hankeny aminareo tsy afa-manoatra, ary izay te hiala eny hankety aminay tsy afa-miampita. 27 Dia hoy ilay mpanankarena hoe: Miangavy anao ary aho, ry ikaky, mba iraho i Lazara ho any aminay, 28 fa misy dimy lahy iray tampo amiko any. Aoka i Lazara hananatra azy mafy, mba tsy hahatonga azy koa amin'ity toeram-pijaliana ity! 29 Fa novalian'i Abrahama hoe: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, koa aoka ireo no hohenoiny. 30 Dia hoy ilay mpanankarena: Tsy izany re, ry ikaky Abrahama, fa raha misy olona avy aty amin'ny maty miverina any aminy, dia hialan'izy dimy mirahalahy ny toe-dratsy! 31 Fa hoy i Abrahama: Raha i Mosesy sy ny mpaminany tsy henoiny, dia tsy hiaiky izy na misy olona mitsangana velona avy any amin'ny maty aza.

jeudi 7 février 2013

Alakamisy 07 Febroary 2013 - Hos 14 : 5 - 9


5 Izaho TOMPO dia hanasitrana an'ilay Israely amin'ny fiodinany. Ho tia azy amim-po malalaka Aho; fa efa nialan'ny fahatezerako izy. 6 Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho; dia hamony tahaka ny lisy izy ary hamaka tahaka ny hazon'i Libano. 7 Hisandrahaka rantsana izy, ka ho tsara tarehy toy ny hazo oliva ary hamerovero toy ny alan'i Libano. 8 Ho avy indray i Israely, ka hitoetra eo ambany fiarovako. Hamboly vary indray izy, ka hiroborobo tahaka ny voaloboka sy halaza tahaka ny divay avy any Libano. 9 Hataon'i Efraima inona intsony izay sampy? Izaho TOMPO no mamaly vavaka azy sady mitandrina azy. Izaho no toy ny kipreso, hazo maitso mandavan-taona. Izaho no hahazoany vokatra.

mercredi 6 février 2013

Alarobia 06 Febroary 2013 - Lio 8 : 49 - 56


49 Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy any an-tranon'ity lehiben'ny sinagoga nanao tamin'i Jairo hoe: Efa maty ny zanakao vavy, ka aza sahiraninao intsony ny Mpampianatra. 50 Henon'i Jesoa izany ka hoy Izy tamin'i Jairo: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona ny zanakao! 51 Nony tonga tao an-trano i Jesoa, dia tsy nisy navelany hiara-miditra aminy afa-tsy i Petera sy i Johany ary i Jakoba mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy. 52 Nitomany sy nandondon-tratra nisaona an-drazazavavy ny olona rehetra teo, ka hoy i Jesoa hoe: Aoka izay ny ranomaso! Tsy maty akory izy fa matory. 53 Dia nihomehezan'ny olona i Jesoa satria fantatr'izy rehetra fa efa maty razazavavy. 54 I Jesoa kosa nandray ny tanan-drazazavavy sady niantso hoe: Razazavavy, mifohaza! 55 Dia nody indray ny ainy ka niarina avy hatrany izy, ary nasain'i Jesoa nomena sakafo. 56 Talanjona tokoa ny ray aman-dreniny nefa nohafaran'i Jesoa tsy hilaza ny zava-nitranga na amin'iza na amin'iza.

mardi 5 février 2013

Talata 05 Febroary 2012 - I Pet 1 : 17 - 25


17 Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan'olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manana fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo ety an-tany. 18 Fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin'ny fitondrantena tsy mahasoa nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba tahaka ny volafotsy na ny volamena; 19 ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin'i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina. 20 I Kristy dia efa voatendrin'Andriamanitra rahateo talohan'ny nahariana izao tontolo izao, saingy tamin'izao andro farany izao vao naseho noho ny aminareo; 21 Izy no mahatonga anareo hino an'Andriamanitra, Ilay nanangana Azy ho velona avy any amin'ny maty sy nanome voninahitra Azy, mba hifantohan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra. 22 Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin'ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin'ny fonareo tokoa. 23 Nateraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety lo, fa tamin'ny voa tsy mety lo: dia ny tenin'Andriamanitra, izay teny velona sady maharitra. 24 Fa hoy ny Soratra Masina: Ny olombelona rehetra dia tahaka ny ahitra ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin'ny ahitra: malazo ny ahitra, dia mihintsana ny voniny. 25 Fa ny tenin'ny Tompo no maharitra mandrakizay. Ary izany teny izany dia ny Vaovao Mahafaly notorina taminareo.

lundi 4 février 2013

Alatsinainy 04 febroary 2013 - Lio 5 : 4 - 11


4 Nony nitsaha-niteny i Jesoa, dia nanao tamin'i Simona hoe: Mandrosoa eny amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana trondro. 5 Fa novalian'i Simona hoe: Mpampianatra o, niasa mafy izahay halina tontolo, saingy tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny baikonao, dia halatsako ihany ny harato. 6 Vao nandatsaka ny harato izy ireo, dia nahazo trondro be tokoa ary saika rovitra ny harato. 7 Koa nohatsihin'izy iray tarika mba ho avy hanampy azy ny namany izay teny amin'ny sambokely hafa. Dia avy ireo, ka samy feno safomorona saika hilentika ny sambokely anankiroa. 8 Raha nahita izany i Simona Petera, dia niankohoka teo an-tongotr'i Jesoa nanao hoe: Tompo o, halaviro aho fa mpanota! 9 Taitra loatra manko izy mbamin'ireo niaraka taminy noho ny haben'ny trondro azony. 10 Toa izany koa ry i Jakoba sy i Johany zanakalahin'i Zebedeo izay niombona asa tamin'i Simona. Ary hoy i Jesoa tamin'i Simona: Aoka izay ny tahotra; manomboka izao dia olona kosa no halainao! 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety i Simona sy ny namany, dia nandao ny zavatra rehetra ka lasa niaraka tamin'i Jesoa.

dimanche 3 février 2013

Alahady 03 Febroary 2013 - Gen 15 : 1 - 6


1 Taorian'ireo zavatra ireo, dia niseho tamin'i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: -Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa. 2 Fa namaly i Abrama hoe: -Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, 3 inona no homenao ahy? Izaho ity ho faty tsy manan-taranaka; ary i Elihezera, mpitandrina ny ato an-tranoko, no handova ahy, satria ianao tsy nanome ahy taranaka. 4 Fa hoy ny TOMPO taminy: -Tsy handova anao izy, fa ilay haterakao ihany no handova anao. 5 Dia nentin'ny TOMPO nivoaka teny ivelan'ny tranolay izy ka nilazany hoe: -Jereo ange ny lanitra ary isao ny kintana, raha afaka manisa azy ianao! Dia mbola nampiany hoe: -Ho toy izany ny taranakao! 6 Ary i Abrama nino ny TOMPO; dia naneken'ny TOMPO azy ho marina izany.

samedi 2 février 2013

Sabotsy 02 Febroary 2013 - Lio 2 : 25 - 32


25 Tao Jerosalema tamin'izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehona; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an'Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nomban'ny Fanahy Masina izy 26 ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia avy amin'ny Tompo. 27 Nentin'ny Fanahy Masina hankao an-kianjan'ny tempoly i Simehona, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin'i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian'ny lalana ny amin'ny zaza; 28 dia nitrotro Azy i Simehona sady velom-pisaorana an'Andriamanitra nanao hoe: 29 Tompo o, alefaso amim-piadanana amin'izay ity mpanomponao, araka ny teninao! 30 Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao 31 izay nomaninao ho an'ny firenena rehetra:  32 dia fahazavana hampahalala Anao amin'ny hafa firenena ary hanome voninahitra an'i Israely vahoakanao.

vendredi 1 février 2013

Zoma 01 Febroary 2013 - Jer 31 : 38 - 40


38. Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: ''Indro avy ny andro, izay hananganana indray ny mandan'i Jerosalema ho voninahitro, manomboka amin'ny tilikambon'i Hananelaka hatrany amin'ny vavahady an-jorony. 39. Hofaritana ny faritra vaovaon'ny tanana, ka miankandrefana hatreny amin'ny havoanan'i Gareba, avy eo dia mihodina mankany Goha. 40. Dia mihazo ny lohasaham-paty aman-davenona manontolo sy ny faritra midadasika rehetra hatrany amin'ny ranon-driakan'i Kidrona, ary tafapaka eo amin'ny zoron'ny vavahadin'ny soavaly any atsinanana. Ireo tany rehetra ireo dia hatokana ho Ahy TOMPO ka tsy hisy hanesorana na horavana intsony na oviana na oviana.''

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12