dimanche 31 mai 2020

Alahady 31 May 2020 - Jao 3 : 1 - 8

1Nisy lehilahy anankiray atao hoe Nikôdema, anisan’ny antokom-pivavahana Farisianina ary manampahefana teo amin’ny Jiosy. 
2Nanatona an’i Jesoa izy indray alina ary niteny taminy hoe:
–Mpampianatra ô, fantatray fa Mpampianatra nirahin’Andriamanitra Ianao; satria tsy misy olona mahavita ireo famantarana ataonao ireo, raha tsy ombàn’Andriamanitra.

3Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy afa-mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra.

4Dia hoy i Nikôdema taminy:
–Hataon’ny olona ahoana no hateraka indray rehefa antitra? Moa afa-miverina any an-kibon-dreniny ve izy ka hateraka fanindroany?

5Ka novalian’i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 6Izay ateraky ny olombelona, dia olombelona; izay ateraky ny Fanahy Masina, dia fanahy. 7Aza gaga ianao raha nilazako hoe: «Tsy maintsy ateraka indray ianareo.» 8Ny rivotra dia mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany: tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy Masina.

9Dia niteny tamin’i Jesoa i Nikôdema nanao hoe:
–Hatao ahoana no hahatonga izany?

10Ka izao no navalin’i Jesoa azy:
–Mpampianatra eto amin’i Israely ianao, ka tsy mahalala izany ve? 11Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay ary izay hitanay no ijoroanay ho vavolombelona, nefa tsy raisinareo izany fijoroanay ho vavolombelona izany. 12Raha nilaza taminareo ny zavatra etỳ an-tany Aho, dia tsy inoanareo; ka ahoana no hinoanareo Ahy, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? 13Ary tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona.

samedi 30 mai 2020

Sabotsy 30 May 2020 - Asa 2 : 1 - 13

1Nony tonga ny andro Pentekôsta, dia tafangona teo amin’io efitrano io ihany ny mpino rehetra. 2Ary nisy feo avy tany an-danitra tonga tampoka tahaka ny rivo-mahery mifofofofo ka nanenika ny trano nitoerany. 3Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho tamin’ny mpivory ka nizarazara nipetraka teny ambonin’ny tsirairay avy. 4Dia feno Fanahy Masina avokoa izy rehetra ary niteny fiteny samihafa araka izay nampitenenan’ny Fanahy azy avy.

5Tamin’izay dia nisy Jiosy mpivavaka tsara, zanaka am-pielezana avy tamin’ny firenen-tsamihafa ambanin’ny lanitra, tafatoetra tao Jerosalema. 6Vao nanomboka ilay feo, dia nirohotra nanatona ny besinimaro sady sanganehana fatratra satria nandre ny mpino nampiasa ny fiteny manokana mahazatra azy mpihaino tsirairay avy. 7Talanjona sy gaga izy rehetra sady vaky vava hoe:
–Fa tsy avy any Galilea avokoa ve ireo miteny ireo? 8Ka ahoana no andrenesantsika tsirairay avy ny fiteny manokana nahabe antsika? 9Misy amintsika avy any Partia, Media, Elama ary misy mponina any Mezôpôtamia; misy mponina eto Jodea; misy koa ny any Kapadôsia, Pônto, Azia, 10Frijia sy Pamfilia; ao koa ny avy any Ejipta mbamin’ny faritanin’i Sirena any Libia; ary misy ny mpivahiny avy any Rôma; 11ao ny Jiosy, ary ao ny hafa firenena mpanaraka ny fivavahana jiosy; mbola misy koa ny avy any Kreta sy Arabia; kanefa dia rentsika izy ireo milaza, amin’ny fitenintsika avy, ny zava-dehibe ataon’Andriamanitra?

12Talanjona sady very hevitra izy rehetra ka velon-dresaka hoe:
–Inona re no hevitr’izao?

13Ny sasany anefa naneso ka nanao hoe:
–Mamon-divay vaovao ry zareo!

vendredi 29 mai 2020

Zoma 29 May 2020 - Gal 5 : 16 - 26

16Izao kosa no teniko: mandehana araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy hahatanteraka ny fanirian’ny maha olona mpanota. 17Fa ny maha olona mpanota dia manam-paniriana manohitra ny fanirian’ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manam-paniriana manohitra ny maha olona mpanota: mifanohitra izy roroa, hany ka tsy izay zavatra sitrakareo no ataonareo. 18Kanefa raha tarihin’ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy fehezin’ny lalàna intsony. 19Fa miharihary ny asan’ny maha olona mpanota, dia ireto: fijangajangana, fahalotoana, fihetsika tsy maotina, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fisarahana, fitokotokoana, 21fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin’izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.

22Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky, 23fahalemem-panahy, fahononam-po: tsy misy lalàna manohitra ny toy izany. 24Ireo voatokana ho an’i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin’ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin’ny filàndratsiny amam-paniriany. 25Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina koa isika; 26fa aoka tsy ho be rehaka foana hifampihaika sy hifampialona.

jeudi 28 mai 2020

Alakamisy 28 may 2020 - Eze 36 : 22 - 30

22Koa ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy, fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin’ny firenena izay nalehanareo. 23Nefa na dia nanimbazimba Ahy teo imason’ireny aza ianareo, dia hasehoko azy kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko hanehoako izany. Amin’izay dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.

24«Fa halaiko avy any amin’ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo. 25Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo. 26Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina. 27Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko. 28Dia honenanareo ny tany izay nomeko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo. 29Hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo. 30Hataoko vokatra koa ny hazo fihinam-boa sy ny voly eny an-tsaha, ka tsy ho voalatsan’ny hafa firenena amin’ny mosary intsony ianareo.

mercredi 27 mai 2020

Alarobia 27 May 2020 - Mat 12 : 22 - 30

22Tamin’izay dia nisy lehilahy azon’ny demony nentina teo amin’i Jesoa. Jamba sy moana ralehilahy ka nositranin’i Jesoa ary dia niteny sy nahita. 

23Talanjona ny vahoaka rehetra sady vaky vava hoe:
–Tsy ity ve ny Zanak’i Davida?

24Nony nandre izany kosa ny Farisianina, dia niteny hoe:
–Tsy misy androahan’ilay io ny demony, afa-tsy fahefana avy amin’i Belzeboba, filohan’ny demony!

25Fantatr’i Jesoa anefa ny eritreritr’ireo Farisianina ka hoy Izy taminy:
–Ho rava izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na koa ankohonana miady an-trano. 

26Raha i Satàna no mandroaka an’i Satàna, dia miady an-trano izy samy izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? 27Ary raha fahefana avy amin’i Belzeboba no androahako ny demony, fahefana avy amin’iza kosa no androahan’ny mpomba anareo azy? Noho izany, ny mpomba anareo ihany no hanameloka anareo. 28Raha Izaho dia ny Fanahin’Andriamanitra mihitsy no androahako ny demony ary miharihary amin’izany fa efa tonga eo aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra.

29Hatao ahoana moa no fiditra an-tranon’ny olona matanjaka handroba ny fananany, raha tsy voafatotra aloha ilay olona matanjaka? Dia izay vao robaina ny ao an-tranony.
30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka.

mardi 26 mai 2020

Talata 26 May 2020 - Nom 24 : 1 - 9

1Hitan’i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an’ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny. 2Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy, 3dia nanao izao tononkalo izao:

«Teny hentitr’i Balahama, zanakalahin’i Behôra,
teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery
4sady mandre ny tenin’Andriamanitra
no mahita izay asehon’ilay Tsitoha,
rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy
ka tonga mahiratra fijery.

5«Akory ny hatsàran’ny lainareo,
ry taranak’i Jakôba;
endrey ny hasoan’ny fonenanareo,
ry vahoaka Israelita!
6Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny,
mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony,
velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera
nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano,
7mitobaka toy ny rano avy amin’ny fanovozana
ka manondraka tsara ny saha voafafy.
Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita
ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.
8Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta
izany vahoaka izany,
ka manan-kery tsy hay tohaina
tahaka ny an’ny omby dia.
Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy,
ka manapatapaka ny taolany
sy mandoadoaka azy amin’ny zana-tsipîka.
9Mamita-mandry toy ny liona
na tahakan’ny bibidia masiaka izy,
koa zovy no sahy hanaitra azy?

«Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely,
ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»

lundi 25 mai 2020

Alatsinainy 25 May 2020 - Asa 4 : 18 - 31

18Dia nantsoin-dry zareo i Petera sy i Jôhany, ka norarany tsy hiteny na hampianatra amin’ny anaran’i Jesoa intsony. 

19Saingy hoy izy roa lahy taminy:
–Tsarao raha rariny eo imason’Andriamanitra ny manaiky anareo toy izay manaiky an’Andriamanitra; 20raha izahay, tsy azonay atao ny tsy hiteny momba izay efa hitanay sy renay.
21Norahonan’ireto manampahefana indray i Petera sy i Jôhany vao nalefany. Tsy nahita izay hampiharana sazy ry zareo satria ny vahoaka efa samy nanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny zava-nitranga teo. 22Fa mihoatra ny efapolo taona ralehilahy nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.

23Vantany vao afaka izy roa lahy, dia namonjy ireo namany ka nitantara izay rehetra voalazan’ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona. 

24Nony nandre izany ireo mpino, dia indray nientana nanandratra tonom-bavaka tamin’Andriamanitra hoe:
–Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy; 25ary tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe:

«Nahoana no mihotakotaka ny firenena?
Nahoana no mioko foana ny vahoaka?
26Nivonon-kiady ny mpanjakan’ny tany,
ary nivondrona ny manampahefana
mba hanohitra ny Tompo sy ilay Mesiany.»

27Marina tokoa fa i Herôda sy i Pônty Pilato, niaraka tamin’ny olona hafa firenena sy ny vahoaka israelita, dia nivondrona teto amin’ity tanàna ity mba hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia. 28Notanterahin’izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin’ny herinao sy ny fikasanao. 29Tompo ô, hitanao ankehitriny ny fandrahonany, koa omeo anay mpanomponao ny hery hitoriana ny teninao amim-pahasahiana tokoa; 30ahinjiro ny tananao hahasitrana ary hahatontosa famantarana sy zava-mahagaga amin’ny anaran’i Jesoa ilay Mpanomponao masina.

31Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.

dimanche 24 mai 2020

Alahady 24 May 2020 - II Sam 23 : 1 - 7

1Izao no fanambaràna farany nataon’i Davida:
Teny hentitr’i Davida, zanakalahin’i Jisay,
dia teny hentitry ny lehilahy
izay voafidin’ilay Andriamanitr’i Jakôba
mba ho voasandratra ho mpanjaka
sady voahasohason’ireo hiran’i Israely:
2Ny Fanahin’ny TOMPO no mampiteny ahy
sy mametraka ao am-bavako ny teniny.
3Ny Andriamanitr’i Israely sady mpiaro azy
no efa niteny ka nanao tamiko hoe:
«Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana
sy mitondra azy amim-panajana an’Andriamanitra
4dia toy ny fahazavan’ny maraina
raha miposaka ny masoandro
amin’iny maraina tsy misy rahona iny.
Ny tarany mafana mandimby ny orana
no mampaniry ny ahitra amin’ny tany.»
5Toy izany indrindra ny fianakaviako
eo anoloan’Andriamanitra;
fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay
no nataon’Andriamanitra tamiko,
dia fanekempihavanana mirindra
sy voatandro amin’ny lafiny rehetra.
Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko
dia Izy no ipoiran’ireny rehetra ireny.
6Fa ny olom-poana rehetra kosa
dia tahaka ny tsilo fanary
ka tsy mba fandrain-tanana.
7Izay te hikasika azy
dia tsy maintsy mirongo
faraingo vy na zaran-defona;
ary ireny tsilo ireny dia dorana amin’ny afo
eo amin’ny toerana itobiany eo ihany.

samedi 23 mai 2020

Sabotsy 23 May 2020 - Sal 47 : 1 - 9

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’ireo terak’i Kôra.

2Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana
sy manaova hobim-pifaliana ho an’Andriamanitra;
3fa ny TOMPO no avo indrindra ka mahatahotra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo Izy.
4Vahoaka maro no reseny hofehezinay,
firenen-tsamy hafa no ataony manaiky anay.
5Nofidiny ny zaratany holovanay
ka izany no ireharehanay,
satria izahay taranak’i Jakôba
dia vahoaka tiany tokoa.

6Arahina hoby Andriamanitra no miakatra ao Tsiôna.
Ombàn’ny feon’anjomara no tonga ao Izy TOMPO.
7Ankalazao Andriamanitra, ankalazao amin-tsalamo!
Ankalazao ny Mpanjakantsika, ankalazao amin-tsalamo!
8Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Andriamanitra,
koa ankalazao amin-kira faran’izay mirindra.
9Andriamanitra manjaka amin’ny firenen-drehetra
sy mitoetra amin’ny sezafiandrianany manokana.

vendredi 22 mai 2020

Zoma 22 May 2020 - II Tan 15 : 1 - 7

1Tonga tamin’i Hazarià zanakalahin’i Hôdeda ny Fanahin’Andriamanitra; 2ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe:
–Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany. 3Nandritra ny fotoana ela ny Israelita no tsy nanana an’ilay Andriamanitra marina, na mpisorona hampianatra na lalàna. 4Fa rehefa azom-pahoriana izy, dia niverina tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ka nitady Azy ary nahita Azy. 5Tamin’izay fotoana izay dia tsy afaka nifamoivoy tamim-pilaminana ny olona; fa horohoro be no nanjo ny mponina rehetra tamin’ny tany. 6Nifandringana ny firenena sy ny tanàna, satria Andriamanitra efa nampangorohoro azy tamin’ny fahoriana isan-karazany. 7Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; satria hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.

jeudi 21 mai 2020

Alakamisy 21 May 2020 - Jao 16 : 5 - 11

–Ireo zavatra ireo dia tsy noteneniko taminareo hatramin’ny voalohany, satria mbola niaraka taminareo Aho;

 5ankehitriny kosa, mankany amin’Ilay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy intsony aminareo manontany Ahy hoe: «Hankaiza Ianao?» 6Saingy noho Izaho nilaza izany taminareo, dia vonton’alahelo ny fonareo! 7Kanefa ny marina no lazaiko aminareo: mahasoa anareo ny fialàko; fa raha tsy miala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ilay Mpanolotsaina anareo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho atỳ aminareo. 8Ary rehefa tonga ilay Mpanolotsaina anareo, dia ny fahotan’izao tontolo izao, sy ny fahamarinako, ary ny fanamelohan’Andriamanitra no hampiaikeny an’izao tontolo izao: 9ny fahotan’izao tontolo izao, satria tsy mino Ahy izao tontolo izao; 10ny fahamarinako, satria mankany amin’ny Ray Aho ka tsy ho hitanareo intsony; 11ary ny fanamelohan’Andriamanitra, satria voaheloka rahateo ilay filohan’izao tontolo izao.

mercredi 20 mai 2020

Alarobia 20 May 2020 - Lio 4 : 1 - 13

1Ary feno ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina avy any Jôrdàna. Dia nentin’ny Fanahy Masina Izy honina any an-taniefitra 2efapolo andro sady nalain’ny devoly fanahy, ary tsy nikasika hanina nandritra izany andro izany ka noana tamin’ny farany. 

3Dia hoy ny devoly taminy:
–Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, teneno io vato io hanjary mofo.

4Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona.»

5Dia nentin’ny devoly tany amin’ny toerana avo i Jesoa ka nasehony Azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra eran-tany 6sady nataony hoe:
–Homeko Anao daholo ny hery amam-boninahitr’ireo fanjakana ireo, fa efa natolotra ahy ka omeko an’izay tiako homena azy. 7Koa raha miankohoka eto anoloako Ianao, dia ho Anao avokoa ireo.

8Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitra no hiankohofanao ary Izy irery no hivavahanao.»

9Dia nentin’ny devoly tany Jerosalema i Jesoa ka najorony teo an-tendron’ny zoron’ny tempoly sady nataony hoe:
–Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà avy eto ho any ambany any; 10satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Homen’ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao mba hiaro Anao.» 

11Ary izao koa: «Ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»

12Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.»
13Nony avy naka fanahy an’i Jesoa tamin’izao fomba isan-karazany izao ny devoly dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana hafa indray.

mardi 19 mai 2020

Talata 19 May 2020 - II Tan 20 : 14 - 17

14Teo anivon’izany vahoaka tafangona izany i Jahaziela, levita zanakalahin’i Zakarià sy zafin’i Benaià sy zafiafin’i Jehiela ary zafindohalik’i Matanià sady anisan’ny taranak’i Asafa, dia voatsindrin’ny Fanahin’ny TOMPO, 15ka niteny hoe:

–Mihainoa tsara ianareo, ry Joda iray manontolo sy ry mponin’i Jerosalema, ary indrindra ianao, ry Jôsafata mpanjaka. Izao no lazain’ny TOMPO aminareo: «Aza matahotra na mivadi-po ny amin’io tafika goavana io, fa tsy anareo ny ady, fa Ahy Andriamanitrareo. 16Rahampitso dia midîna hiady amin’ny fahavalonareo izay miakatra amin’ny fiakarana Hatsitsa izao. Ianareo kosa hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny taniefitr’i Jeroela. 17Ry mponin’i Joda sy i Jerosalema, tsy ianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara fotsiny, fa ho hitanareo ny hamonjen’ny TOMPO anareo. Aza matahotra na mivadi-po; rahampitso dia miaingà hifanehatra amin’io tafika io, fa ny TOMPO no hiaraka aminareo.»

lundi 18 mai 2020

Alatsinainy 18 May 2020 - Eze 37 : 1 - 4

1Ary ny herin’ny TOMPO nanindry ahy; ka ny Fanahiny no nitondran’ny TOMPO ahy ary nametrahany ahy tao amin’ny lohasaha midadasika iray rakotra taolana. 2Ary nentiny nandehandeha nanodidina an’ireo aho tao amin’izany lohasaha izany; ka indreo maro dia maro ny taolana sady maina tanteraka.

3Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe:
–Ry ilay taranak’olombelona, moa mety ho velona indray ve ireo taola-maina ireo?

Ka novaliako hoe:
–Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao irery ihany no mahalala.

4Ary hoy indray Izy tamiko:
–Ijoroy ny maha-mpaminany anao manoloana ireo taola-maina ireo ka mitenena aminy hoe: «Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo! 

dimanche 17 mai 2020

Alahady 17 May 2020 - I Jao 4 : 12 - 17

12Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa raha mifankatia isika, dia mitoetra ao anatintsika Andriamanitra, ary lavorary ao anatintsika ny fitiavana Azy.
13Ny ahafantarantsika fa mitoetra ao anatin’Andriamanitra isika ary Izy ao anatintsika, dia ny Fanahiny efa nomeny antsika. 14Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray. 15Na iza na iza manaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao anatiny Andriamanitra ary izy ao anatin’Andriamanitra. 16Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin’ny fitiavana no mitoetra ao anatin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao anatiny. 17Izao no mahalavorary ny fitiavana eo anivontsika: hanan-toky isika amin’ny andro fitsarana, satria tahaka an’i Kristy isika eto amin’izao tontolo izao.

samedi 16 mai 2020

Sabotsy 16 May 2020 - I Sam 10 : 1 - 8

1Dia nandray tavoahangy kely feno diloilo i Samoela ka nandraraka izany teo an-dohan’i Saoly. Ary nanoroka an’i Saoly izy sady nanao hoe:

–Ny TOMPO mihitsy no nanokana anao ho filohan’ilay vahoakany. 2Anio, rehefa tafasaraka isika, dia hihaona amin’ny lehilahy anankiroa ianao, eo akaikin’ny fasan’i Rahely ao Tselitsà amin’ny faritanin’i Benjamîna; ary izy ireo hiteny aminao hoe: «Efa hita ireo borikivavy izay notadiavinao; ary ankehitriny dia tsy ny borikiny intsony no mampanahy ny rainao, fa ianareo indray. Koa dia nanontany ny amin’izay tokony hataony hahitany an-janany izy.» 3Hanohy ny lalanao ianao ka ho tonga eo akaikin’ny hazo ôakan’i Tabôra, ary hahita lehilahy telo ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny voalohany mitondra zanak’osy telo, ny faharoa mofo telo ary ny fahatelo siny hoditra feno divay. 4Hiarahaba anao izy ireo ary hanome mofo roa izay horaisinao amim-panajana. 5Rehefa izany dia ho tonga ao Gibehà-Elôhima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin’ny Toeramasina, ka ialohavan’ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo. 6Hilatsaka aminao ny Fanahin’ny TOMPO, ka haminany miaraka amin’izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao. 7Rehefa tanteraka aminao ireo famantarana ireo, dia ho fantatrao fa Andriamanitra tokoa no momba anao koa ataovy izay fantatrao fa mety. 8Tsy maintsy midina mialoha ahy any Gilgàla anefa ianao, ka ho tratrako tsy ho ela, any ny hanatrarako mba hanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana. Fito andro no hiandrasanao ahy ao; ka rehefa tonga aho, dia hambarako anao izay tokony hataonao.

vendredi 15 mai 2020

Zoma 15 May 2020 - Rom 15 : 14 - 21

14Fa raha ny aminareo, ry havako, dia matoky koa aho fa feno hatsaram-po ianareo ary henika ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa. 15Kanefa, mba ho toy ny hamohafohazana ny fahalalana efa ao aminareo no nanoratako taminareo tamin-kasahiana ihany ombieny ombieny, noho ilay tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy; 16fa izaho dia natokan’Andriamanitra ho mpanompon’i Kristy Jesoa eo amin’ny hafa firenena. Manatontosa fanompoana toy ny mpisorona aho, amin’ny itoriako ny Vaovao mahafaly avy amin’Andriamanitra, mba ho zary fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra ireo hafa firenena, rehefa voatokana ho azy noho ny asan’ny Fanahy Masina. 17Koa satria tafaray amin’i Kristy Jesoa aho, dia afaka mirehareha ny amin’ny asa ataoko ho an’Andriamanitra. 18Fa tsy misy sahiko lazaina, raha tsy izay notontosain’i Kristy tamin’ny alalako mba hitaomana ny hafa firenena hanaiky an’Andriamanitra: dia izay notontosain’i Kristy tamin’ny teny sy asa, 19tamin’ny herin’ny famantarana sy zava-mahagaga ary tamin’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra. Hany ka feno tokoa ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy, hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany amin’ny faritany Iliria. 20Ary tamin’izany, dia nataoko ho voninahitra ny mitory ny Vaovao Mahafaly tamin’izay toerana tsy mbola nandrenesan’olona ny momba an’i Kristy; fa tsy tiako ny hanorina eo amin’ny fototra nataon’ny sasany, 21araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:

«Ireo tsy mbola nilazana Azy dia hahita;
ary ireo tsy mbola nandre dia hahalala!»

jeudi 14 mai 2020

Alakamisy 14 May 2020 - Mik 3 : 5 - 8

5Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo mpaminany
izay mpamitaka ny vahoakako:
«Raha misy mahafoy hokepohiny,
dia iantsoany ‹Fiadanana›.
Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa
dia hananganany ady manokana.
6Noho izany, foana ny fisehoam-pahitana
fa ny alina no ho aminareo mpaminany mpamitaka.
Foana koa ny fanambaràna ny ho avy
fa ny haizina no hanarona anareo.
Hilentika aminareo ny masoandro,
ka ho maizina aminareo ny andro!»
7Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana,
ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy;
hisarom-bava avokoa izy rehetra,
satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.
8Izaho kosa, noho ny Fanahin’ny TOMPO,
dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po,
mba hanambara amin’ny taranak’i Jakôba ny helony,
eny, mba hanambara amin’ny vahoakan’i Israely ny fahotany.

mercredi 13 mai 2020

Alarobia 13 May 2020 - Job 27 : 1 - 10

1Mbola nanohy ny teniny ihany i Jôba ka nanao hoe:
2Velona Andriamanitra Izay tsy manome rariny ahy,
velona ilay Tsitoha Izay mameno ahy fahoriana mangidy
ka manao izao fianianana izao aho:
3raha mbola misy koa aina kely ato amiko
ary eo am-bavoroko ny fofonain’Andriamanitra,
4dia tsy hiteny fitaka ny molotro
ary tsy hilaza lainga ny lelako.
5Sanatria amiko ny hihevitra
fa manana ny marina ianareo!
Hizingiziniko mandra-pahafatiko kosa
fa tsy manan-tsiny ny tenako.
6Hazoniko mafy ny fahamarinako
ka tsy havelako hiala:
Mandry ny eritreritro
ka tsy misy hampahamenatra ahy akory
na dia ny amin’ny androko iray monja aza.

7Ny anjaran’ny ratsy fanahy anie
no ho an’ny fahavaloko!
Ary ny anjaran’ny olon-dratsy kosa
no ho an’ny mpifanandrina amiko!
8Fa hanantena inona ireo tsy mivavaka,
raha esorin’Andriamanitra ny ainy?
9Hihaino ny fitarainany ve Andriamanitra
raha sendra zoim-pahoriana izy?
10Raha mba nahita fahafinaretana
teo anilan’ilay Tsitoha izy,
dia ho niantso an’Andriamanitra mandrakariva.

mardi 12 mai 2020

Talata 12 May 2020 - Rom 8 : 9 - 17

9Ianareo kosa, tsy anjakan’ny maha olona mpanota ianareo fa anjakan’ny Fanahy Masina, satria efa monina ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy an’i Kristy. 10Fa raha ao anatinareo kosa i Kristy, na dia ho faty aza ny vatanareo noho ny fahotana, ny Fanahy Masina no fiainanareo satria efa neken’Andriamanitra ho marina ianareo. 11Ary raha monina ao anatinareo ny Fanahin’ilay Andriamanitra nanangana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty, dia Izy nanangana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty no hamelona koa ny vatanareo mety maty, amin’ny alalan’ilay Fanahiny monina ao anatinareo.

12Koa amin’izany, ry havana, misy adidy ananantsika, nefa tsy adidy amin’ny maha olona mpanota ka hivelomantsika araka ny maha olona mpanota. 13Satria raha velona araka ny maha olona mpanota ianareo, dia ho faty; fa raha ny Fanahy Masina no amonoanareo ny asan’ny maha olona mpanota, dia ho velona ianareo. 14Eny, izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. 15Satria tsy fanahy maha mpanompo no voarainareo ka hahatonga anareo hatahotra indray; fa ny Fanahy Masina maha zanak’Andriamanitra no voarainareo, ka ahafahantsika miantso an’Andriamanitra hoe: «Raiko ô!» 16Ny Fanahy Masina mihitsy no manambara amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. 17Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain’Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin’i Kristy: satria raha miara-mijaly amin’i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra aminy koa.

lundi 11 mai 2020

Alatsinainy 11 May 2020 - Isa 61 : 1 - 7

1Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko,
satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy
mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo,
hanasitrana ny olona torotoro fo,
hanambara fanafahana ho an’ireo babo
sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,
2hanambara ny taona hanehoan’ny TOMPO fanambinana
sy ny andro hanafaizan’Andriamanitra ny fahavalony
ary hitondra fampaherezana ho an’ny misaona rehetra.
3Manao fisaonana an’i Tsiôna ireo,
kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha
ho solon’ny lavenona amin’ny lohany,
hanome diloilo manitra ho solon’ny alahelo
sy fitafiana fitondra amin’ny fety
ho solon’ny toetra manjoretra.
Amin’izay no hiantsoana azy ireo hoe:
«Hazo vokatry ny fitahiana,
saha nambolen’ny TOMPO
mba hanehoany ny famirapiratany.»
4Haorina indray ireo zavatra rava fahiny,
hatsangana indray ny trano nirodana taloha;
hohavaozina ny tanàna rava,
dia ireo efa simba hatry ny ela be.

5Vahiny no hitsangana hiandry ny ondry aman’osinareo,
olona avy any an-kafa no hiasa ny tany
sy hamboly voaloboka ho anareo.
6Ianareo kosa dia hantsoina hoe:
«Mpisorona ho an’ny TOMPO»,
na holazaina koa hoe:
«Mpanao fanompoam-pivavahana
ho an’ny Andriamanitsika.»
Hanasoavana anareo ny fananan’ny firenen-kafa;
ary ianareo no higalabona amin’ny voninahiny.

7Efa nizaka henatra indroa heny ianareo
sady afa-baràka sy nandroran’ny olona.
Ka ho solon’izany, dia hoy Izaho Tompo hoe:
Handova anjara indroa heny eo amin’ny taniny ianareo
ary hanana fifaliana maharitra mandrakizay.

dimanche 10 mai 2020

Alahady 10 May 2020 - Lio 12 : 8 - 12

8–Izao no lazaiko aminareo: na iza na iza manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan’ny olona, ny Zanak’olona koa mba hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra! 9Fa izay mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan’ny olona, ny Zanak’olona koa mba handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra.

10Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.

11Raha entina hotsaraina eo amin’ny sinagôga na eo anatrehan’ny mpitondra sy ny manampahefana ianareo, dia aza manahy ny amin’izay havalinareo na izay holazainareo; 12fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo eo no ho eo ihany izay tokony holazainareo.

samedi 9 mai 2020

Sabotsy 09 May 2020 - Jao 14 : 15 - 26

15Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko. 16Izaho koa hangataka amin’ny Ray, ary Izy no hanome anareo Mpampionona hafa mba homba anareo mandrakizay. 17Izany Mpampionona hafa izany dia ny Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo.

18Tsy hamela anareo ho kamboty Aho, fa hiverina atỳ aminareo. 19Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy satria velona Aho ary ho velona koa ianareo. 20Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho dia ao anatin’ny Ray, ianareo ato anatiko ary Izaho ao anatinareo.

21Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin’ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy.

22Fa i Jodasy, (tsy ilay Iskariôta), nanao tamin’i Jesoa hoe:
–Nahoana, ry Tompo, no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?

23Dia novaliany hoe:
–Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ho tia azy ny Raiko, ary Izaho sy ny Raiko dia hankao aminy ka honina ao. 24Izay tsy tia Ahy, dia tsy mitandrina ireo teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy avy amiko fa avy amin’ny Ray Izay naniraka Ahy.

25Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. 26Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin’ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

vendredi 8 mai 2020

Zoma 08 May 2020 - Kol 1 : 9 - 14

9Izany no tsy itsaharanay mivavaka ho anareo, hatramin’ny andro nandrenesanay ny aminareo. Mangataka amin’Andriamanitra izahay mba ho feno fahalalana tsara ny sitrapony ianareo, ka homena ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy Masina. 10Izany no hanananareo fitondrantena mendrika ny Tompo, ka hanaovanareo mandrakariva izay ankasitrahiny; dia hahavokatra amin’ny asa soa isan-karazany ianareo sady hitombo fahalalana tsara an’Andriamanitra, 11ary hampahatanjahina tanteraka amin’ny heriny be voninahitra mba hanananareo fandeferana sy faharetana amin’ny zavatra rehetra. Fo heni-kafaliana 12no isaory an’Andriamanitra Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lova natokany ho an’ny vahoakany ao amin’ny hazavana; 13fa nanala antsika tamin’ny fahefàn’ny haizina Izy, ka namindra antsika ho ao amin’ny Fanjakan’ny Zanany malalany, 14Ilay ahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny helotsika

jeudi 7 mai 2020

Alakamisy 07 May 2020 - Eze 11 : 1 - 12

1Ary ningain’ny Fanahin’ny Tompo aho ka nentiny hankeo amin’ilay vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny TOMPO. Tazako teo anilan’ny fidirana ny lehilahy 25 ka anisan’ireny ireo roalahy lehiben’ny vahoaka, dia i Jazanià zanakalahin’i Hazora, sy i Pelatià zanakalahin’i Benaià. 2Ary hoy ny Fanahy tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ireo no lehilahy manomana asa ratsy sy manolo-tsaina mandoza eto Jerosalema. 3Lazainy hoe: ‹Tsy hanorenana trano intsony eto ao anatin’ny fotoana elaela! Fa ho toy ny vilany ity tanàna ity ary isika no ho hena tahirizina ao anatiny.› 4Koa ianao, ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hanohitra azy».

5Dia nilatsaka tamiko ny Fanahin’ny TOMPO ka nandidy ahy hanambara hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Fantatro izay teneninareo, ry olon’i Israely, fantatro ny eritreritra tonga ao an-tsainareo! 6Efa nahafaty olona maro teto amin’ity tanàna ity ianareo; ary namenoanareo ny lalambe ny fatiny. 7Koa hoy Izaho Tompo ANDRIANANAHARY aminareo: toy ny vilany ity tanàna ity, ary ny hena dia ireo efa novonoinareo ho faty teo anivony. Ianareo kosa anefa dia horoahiko tao. 8Matahotra ny ady ve ianareo? Raha izany, dia halefako aminareo ny ady. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany! 9Horoahiko hiala amin’ity tanàna ity ianareo, ka hatolotro ho eo an-tanàn’ny firenen-kafa; ary hotanterahiko ny didim-pitsarako ny aminareo. 10Hampihariko aminareo ny fitsarako ato anatin’ny faritr’i Israely, ka hovonoiko ho faty amin’ny ady ianareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. 11Tsy ho toy ny vilany ho anareo ity tanàna ity ary tsy ho toy ny hena tahirizina ao anatiny ianareo; fa hampihariko aminareo ny fitsarako ato anatin’ny faritr’i Israely. 12Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO Izay tsy nankatoavinareo lalàna sy tsy narahinareo fitsipika, satria nanaraka ny fomban’ireo firenena nanodidina ianareo.»

mercredi 6 mai 2020

Alarobia 06 May 2020 - Jao 15 : 26 - 27

26Ho tonga ilay Mpampahery anareo, dia ilay Fanahy fahamarinana Izay mivoaka avy any amin’ny Ray: Izy no hirahiko ho etỳ aminareo avy any amin’ny Ray, ary Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. 27Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara Ahy, satria miaraka amiko hatramin’ny voalohany ianareo!

mardi 5 mai 2020

Talata 05 May 2020 - I Kor 2 : 11 - 16

11Raha samy olombelona izao, dia ny fanahin’ny olona ao anatiny ao ihany no mahalala izao ao am-pon’ilay olona; ary toy izany koa, ny Fanahin’Andriamanitra ihany no mahafantatra izay ao am-pon’Andriamanitra. 12Raha izahay, dia tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahalalanay ny tombon-tsoa rehetra efa nomen’Andriamanitra anay. 13Ary tsy teny ampianarin’ny fahendren’olombelona no itenenanay momba izany, fa teny ampianarin’ny Fanahin’Andriamanitra; ka izay manana io Fanahin’Andriamanitra io no anazavanay ny zavatra ampitain’ny Fanahin’Andriamanitra.

14Fa ny olona tsy manana ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy mahay mandray ny fanomezana ampitain’izany Fanahy izany; fa ataony ho fahadalana izany, sady tsy hainy fantarina velively, satria ny Fanahin’Andriamanitra ihany no ahafantarana izany. 15Afaka mitsara ny zavatra rehetra ny olona manana ny Fanahin’Andriamanitra kanefa tsy azon’olona tsaraina.

16Fa hoy ny Soratra Masina hoe:

«Iza moa no mahafantatra ny fisainan’ny Tompo,
ka ho afaka hanolo-tsaina Azy?»
Fa izahay kosa dia manana ny fisainan’i Kristy!

lundi 4 mai 2020

Alatsinainy 04 May 2020 - Joe 3 : 1 - 5

1Dia hoy ny TOMPO hoe:
«Rehefa afaka izany
dia handatsaka ny Fanahiko
amin’ny olombelona rehetra Aho,
ka haminany ny zanakalahinareo
mbamin’ny zanakavavinareo,
hanonofy ny lahiantitrareo
ary hisehoam-pahitana ny tanoranareo.
2Na dia ny mpanompolahy
sy ny mpanompovavy aza
dia handatsahako ny Fanahiko
amin’izany andro izany.
3Hampiseho zava-mahagaga
eny amin’ny lanitra
sy etỳ amin’ny tany Aho,
dia ra sy afo ary setroka mitambolina.
4Ho maizina ny masoandro
ary ho mena toy ny ra ny volana
mialoha ny hiavian’ny andron’ny TOMPO
izay andro lehibe sady mahatahotra.
5Ary na iza na iza hiantso
ny anaran’ny TOMPO
dia ho voavonjy.
Fa eo an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema
dia hisy sisa afaka, araka ny voalazan’ny TOMPO.
Ary izay antsoin’ny TOMPO
dia ho isan’ny afa-mandositra.

dimanche 3 mai 2020

Alahady 03 May 2020 - Mpi 6 : 33 - 40

33Ny Midianita rehetra mbamin’ny Hamalekita ary ny mpifindrafindra lasy avy any atsinanana dia nivondrona ka niampita an’i Jôrdàna ary nanorina ny tobiny tao amin’ny lemak’i Jizrehela. 34Fa notsindrian’ny Fanahin’ny TOMPO i Gidehôna, dia nitsoka trompetra mba hiantso ny vatan-dehilahy tao amin’ny tarika abihezerita hanaraka azy. 35Nandefa iraka tany amin’ny faritany manasita manontolo koa izy mba hiantso ny vatan-dehilahy any hanaraka azy. Mbola nandefa iraka tany amin’ny foko aserita sy i zebolonita ary naftalita koa izy ka tonga nanaraka azy ny vatan-dehilahy tamin’ireny.

36Dia hoy i Gidehôna tamin’Andriamanitra:
–Raha sitrakao tokoa ny hamonjy ny Israelita amin’ny alalan’ny tanako araka izay efa voalazanao, 37dia indro havelatro eo am-pamoloana ny volon’ondry; ka raha ny volon’ondry ihany no lenan’ny ando, fa ny tany manodidina azy kosa ho maina avokoa, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hamonjenao an’i Israely, araka izay efa nambaranao.

38Dia tanteraka tokoa araka izany; fa raha nifoha maraina i Gidehôna ny ampitso ka nofiazany ny volon’ondry, dia nisy ranon’ando tokony hahafeno kaopy iray. 39Ary hoy indray izy tamin’Andriamanitra:
–Aoka mba tsy hirehi-pahatezerana amiko Ianao raha mbola angatahiko zavatra indray mandeha! Te hahazo porofo farany ny amin’ny volon’ondry aho: ka amin’ity indray mandeha ity dia aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan’ny ando avokoa.

40Tamin’iny alina iny ihany dia notanterahin’Andriamanitra izany ka ny volon’ondry ihany no maina fa ny tany nanodidina azy kosa dia lenan’ny ando avokoa.

samedi 2 mai 2020

Sabotsy 02 May 2020 - Asa 11 : 7 - 14

 7Dia nisy feo henoko nanao tamiko hoe: «Mitsangàna, ry Petera; mamonoa ka mihinàna!» 8Ary novaliako hoe: «Sanatria, Tompoko! Tsy mbola nisy mihitsy zavatra fady na maloto niditra ny vavako.» 9Dia mbola heno indray ilay feo avy any an-danitra nanao hoe: «Izay efa nambaran’Andriamanitra fa madio, dia aza ataonao ho fady.» 10Intelo niverina izany, dia nakarina manontolo tany an-danitra indray ilay zavatra. 11Tamin’izany fotoana izany indrindra dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao amin’ilay trano nitoerako: iraka avy any Kesaria hankatỳ amiko. 12Dia nitenenan’ny Fanahy Masina aho mba tsy hisalasala ny hiaraka aminy. Tafaraka tamiko tany koa ireto havana mpino enina nentiko eto aminareo ireto, ary niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay. 13Dia notantarain’i Kôrnely ny fomba nahitany tao an-trano anjely anankiray izay nanao taminy hoe: «Maniraha lehilahy any Jôpa haka an’i Simôna, izay antsoina koa hoe Petera. 14Hitondra teny hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra izy.»

vendredi 1 mai 2020

Zoma 01 May 2020 - I Kor 6 : 12 - 20

12«Azoko atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy dia ary mahasoa avokoa. «Azoko atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy misy na inona na inona avelako hanandevo ahy. 13«Ny hanina fanao an-kibo ary ny kibo fasian-kanina», hoy ianareo, kanefa samy zavatra horavan’Andriamanitra izy roroa. Ny tenantsika kosa tsy natao ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tenantsika. 14Efa nanangana ny Tompo ho velona Andriamanitra, ary isika koa dia hatsangany ho velona araka ny heriny.

15Tsy fantatrareo ve fa anisan’ny tenan’i Kristy ny tenanareo? Ka dia hoesoriko ve ny anisan’ny tenan’i Kristy hatao ho anisan’ny tenan’ny vehivavy mpijangajanga? Sanatria! 16Sa tsy fantatrareo fa ny lehilahy mikambana amin’ny vehivavy mpijangajanga dia iray tena aminy? Hoy manko ny Soratra Masina: «Ho tena iray izy roroa.» 17Fa izay mikambana amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.

18Andosiro ny fijangajangana! Ny fahotana hafa rehetra ataon’ny olona dia ivelan’ny tenany avokoa; fa izay mijangajanga kosa dia manao fahotana mihatra amin’ny tenany. 19Sa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Ilay ao anatinareo sady noraisinareo tamin’Andriamanitra? Tsy anareo ny tenanareo, 20fa novidîn’Andriamanitra lafo ho fananany ianareo. Noho izany, ampiasao hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny tenanareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12