vendredi 30 novembre 2012

Zoma 30 Novambra 2012 - II Kor 7 : 1 - 4

1 Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. 2 Mba ataovy omby anay ny fonareo. Tsy nanisy ratsy olona izahay, na nanimba olona, na nanambaka olona. 3 Tsy ny hanameloka anareo no ilazako izany; fa efa voalazako rahateo fa lalainay ao am-ponay ianareo, ka ho tafaraka aminay hatrany na velona na maty. 4 Lehibe ny fahatokiako anareo, tena reharehako tokoa ianareo; ka feno fampaherezana aho sady tsy omby tratra ny hafaliako amin'ny fahoriana rehetra manjo anay.

jeudi 29 novembre 2012

Alakamisy 29 Novambra 2012 - I Pet 3 : 8 - 13

8 Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9 Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10 Fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Izay te hankamamy fiainana sy te hahita andro soa, aoka izy hitsaha-miteny ratsy ary hitsaha-milaza fitaka; 11 aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa, aoka hitady fihavanana tsy an-kiato; 12 satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina sy mihaino ny fitarainany, fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy. 13 Iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'ny tsara ianareo?

mercredi 28 novembre 2012

Alarobia 28 Novambra 2012 - Lio 3 : 7 - 14

7 Toy izao ary no tenin'i Johany tamin'ny vahoaka nidodododo hataony batisa: Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran'Andriamanitra izay efa antomotra? 8 Asehoy amin'ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho razambenay izahay! Satria lazaiko aminareo fa hain'Andriamanitra ny manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 9 Indro efa eo am-potokazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. 10 Ary hoy ny vahoaka nanontany an'i Johany hoe: Inona ary no tokony hataonay? 11 Dia novaliany hoe: Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin'izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa. 12 Mba nisy koa mpamory hetra tonga hatao batisa ka niteny tamin'i Johany hoe: Mpampianatra o, inona no tokony hataonay? 13 Dia novaliany hoe: Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo. 14 Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe: Mba inona kosa no tokony hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza maka zavatr'olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin'ny karamanareo.

mardi 27 novembre 2012

Talata 27 Novambra 2012 - Oha 12 : 17 - 20

17. Izay milaza ny marina no manambara ny rariny; fa fitaka kosa no ambaran'ny vavolombelona mandainga. 18. Izay mitsaontsaona dia mety handratra toy ny sabatra; fa ny tenin'ny hendry kosa dia fanasitranana. 19. Ny teny marina dia mitombina hatrany; fa ny lainga kosa dia indray mipi-maso ihany. 20. Fitaka no ao am-pon'izay miteti-dratsy;fa fifaliana kosa ho an'izay misaina fihavanana.

lundi 26 novembre 2012

Alatsinainy 26 Novambra 2012 - I Pet 2 : 1 - 5


1 Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin'ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany. 2 Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin'Andriamanitra, mba hitomboanareo amin'izany ka hahazoanareo famonjena, 3 raha tahiny efa nandramanareo tokoa fa tsara fo ny Tompo. 4 Manatona ny Tompo ianareo, fa Izy no vato velona nolavin'ny olona, kanefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Manatona ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan'ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy.

dimanche 25 novembre 2012

Alahady 25 Novambra 2012 - Amo 8 : 1 - 6


1 Ary izao indray no nasehon'ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin'ny fahitana: indro nisy voankazo masaka iray harona. 2 Dia nanontany ahy Izy hoe: Inona no hitanao, ry Hamosa? Ka novaliako hoe: Voankazo masaka iray harona! Dia hoy ny TOMPO tamiko: Tonga ny farany ho an'ny Israely vahoakako, tsy holeferiko intsony ny fahadisoany. 3 Amin'izany andro hiaviako izany, ireo vehivavy mpihira ao an-dapa dia hanao hiram-pisaonana. ho marobe ny faty ka fahanginana no hanjaka hatraiza hatraiza. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no manao izany teny hentitra izany. 4 Mihainoa izao ianareo te hitelina ny mahantra sy te hamongotra ny mpandefitra eto amin'ny tany, 5 ka velom-panontaniana anakampo hoe: Rahoviana no hifarana ny fetin'ny tsinam-bolana ka hivarotantsika vary? Rahoviana no hifarana ny sabata, mba hanokafantsika ny sompitra? Hohakelezintsika ny zinga famarana, hampitombointsika ny vato fandanjana, mizana mandainga no hampiasantsika, 6 ary hatramin'ny vary loha-kororoka no hamidintsika. Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra, noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.

samedi 24 novembre 2012

Sabotsy 24 Novambra 2012 - I Kor 6 : 1 - 8


1 Raha misy aminareo manana fifanolanana amin'ny havana kristianina, ahoana no dia ahasahiany mangataka fitsarana amin'ny olona tsy mpino fa tsy amin'ny vahoakan'Andriamanitra? 2 Sa tsy fantatrareo ve fa ny vahoakan'Andriamanitra no hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia tsy mendrika anareo ve ny fitsarana izay raharaha madinika indrindra. 3 Tsy fantatrareo ve fa hitsara anjely aza isika? Mainka fa izay raharaha momba izao fiainana izao! 4 Koa raha zavatra momba izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, dia olona ivelan'ny Fiangonana ve no tendrenareo ho mpitsara? 5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ve tsy misy olon-kendry na dia anankiray aza eo aminareo mba afaka handamina ny fifanolanan'ny samy kristianina? 6 Sady kristianina ve dia hanana ady amina kristianina ary izay indray tsaraina eo anatrehan'ny tsy mpino? 7 Efa tena mikorosy fahana ianareo matoa misy fifanolanana samy ianareo. Tsy aleonareo ve mizaka ny tsy rariny? Tsy aleonareo ve miaritra ny fanambakana? 8 Kanefa dia ianareo indray no manao ny tsy rariny sy manambaka, ary dia ny havanareo iray finoana ihany no anaovanareo izany.

vendredi 23 novembre 2012

Zoma 23 Novambra 2012 - Eez 18 : 5 - 9


5. ''Aoka hatao hoe misy lehilahy marina iray ka manao izay marina sy mahitsy. 6. Tsy mihinana amin'ny sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra izy na manompo ireo sampin'ny Israelita, tsy mandoto ny vadin'ny namany na matory amin'ny vehivavy voan'ny fadimbolana. 7. Tsy mitsentsitra na mangalatra izy fa mamerina ny antoka amin'ny mpitrosa, ary manome hanina ho an'ny noana sy fitafiana ho an'ireo tsy manana. 8. Tsy mampindram-bola mba hahazoana zana-bola sy tombony izy , tsy miray tsikombakomba amin'ny tsy marina fa manao fitsarana tsy miangatra. 9. Manaraka ny lalanako sy mitandrina ny fitsipiko izy mba hanao izay mahitsy. Olo-marina io lehilahy io ka ho velona tokoa. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.

jeudi 22 novembre 2012

Alakamisy 22 Novambra 2012 - Efe 4 : 17 - 24


17 Koa dia izao no lazaiko sy ambarako noho izaho tafaray amin'ny Tompo: aza atao intsony ny fomba fiainan'ny mpanompo sampy, izay manaraka ny hevi-poanany 18 sady maizin-tsaina. Olon-ko azy amin'ny fiainam-baovao omen'Andriamanitra ireny, satria tena tsy mahalala sady mafy fo tokoa; 19 efa lany henatra mihitsy, ka mivarilavo amin'ny fihetsika tsy maotina sady revo manaram-po amin'ny fahalotoana isan-karazany. 20 Tsy mba toy izany kosa no nianaranareo an'i Kristy! 21 Fa efa nandre ny aminy tokoa ianareo ary efa norosoana ny fampianarana marina ao amin'i Jesoa, araka ny maha kristianina anareo. 22 Noho izany aoka hialanareo ny toetrareo taloha nifandraika tamin'ny fitondrantenanareo fahiny, dia ilay toetra mihasimba noho ny fitaky ny filandratsy. 23 Aoka hohavaozina tanteraka ny fanahinareo sy ny sainareo; 24 ary aoka ianareo hitafy ny toetra vaovao, dia ilay toetra noarina araka an'Andriamanitra, ka asehon'ny fiainana mandala rariny sy masina vokatry ny fampianarana marina.

mercredi 21 novembre 2012

Alarobia 21 Novambra 2012 - Mar 7 : 17 - 23


17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka i Jesoa ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy momba io fanoharana io ny mpianany; 18 ka hoy i Jesoa taminy: Hay ve ianareo koa mba tsy mahafantatra? Tsy takatrareo ve fa izay rehetra avy ety ivelany ka miditra ao amin'ny olona dia tsy mahaloto azy, 19 satria tsy miditra ao am-pony fa ao an-kibony ihany, ka alefa any amin'ny fanariana azy. (Izany no nentin'i Jesoa nanambara fa madio avokoa ny hanina rehetra). 20 Dia hoy koa i Jesoa: Ny zavatra mipoitra avy ao amin'ny olona, izany no mahaloto ny olona; 21 satria avy ao anaty, avy ao am-pon'ny olona no ipoiran'ny sain-dratsy mahatonga azy hijangajanga, hangalatra, hamono olona, 22 haka vadin'olona, ho tia harena, hasiaka, hanambaka, haloto fitondrantena, hialona, hanao vava ratsy, hiavonavona, ho adala toetra. 23 Ireo zava-dratsy rehetra ireo no mipoitra avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.

mardi 20 novembre 2012

Talata 20 Novambra 2012 - I Mpa 21 : 1 - 16


1 Taorian'izany dia izao no nitranga: nisy lehilahy natao hoe Nabota tao Jizrehela, izay nanana tanimboaloboka teo akaikin'ny lapan'i Ahaba mpanjakan'i Samaria. 2 Dia niteny tamin'i Nabota i Ahaba indray andro nanao hoe: Omeo ahy ny tanimboalobokao hataoko zaridaina fambolena anana, satria mba akaikin'ny lapako izy; homeko tanimboaloboka tsara kokoa noho io ianao ho takalony, na koa homeko izay vola tokom-bidiny raha izany no mety aminao. 3 Fa hoy i Nabota tamin'i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan'ny TOMPO raha izay hanome anao ny lova avy amin'ny razako! 4 Ary nalahelo sady tezitra i Ahaba no niverina tao an-tranony, satria nilazan'i Nabota avy ao Jizrehela hoe: Tsy homeko anao ny lova avy amin'ny razako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nitodika tany amin'ny rindrina ary tsy nety nihinan-kanina. 5 Fa nanatona azy i Jezebela vadiny ka nanao taminy hoe: Nahoana no manjonitra toy izao ianao ka tsy mety mihinan-kaninay 6 Dia hoy ny navaliny azy: Nitenenako i Nabota avy ao Jizrehela hoe: Omeo ahy ny tanimboalobokao hovidiko na koa hatakaloko tanimboaloboka hafa, raha izany no mety aminao; fa namaly izy hoe: Tsy homeko anao ny tanimboaloboko. 7 Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: Ny tenanao no manjaka amin'i Israely; koa miarena, dia mihinana, ary aoka hifaly ny fonao, fa ny tenako mihitsy no hanome anao ny tanimboalobok'i Nabota ilay Jizrehelita. 8 Dia tamin'ny anaran'i Ahaba no nanoratan'i Jezebela taratasy, ka nasiany tombon-kasem-panjakana ireny ary nalefany ho an'ny loholona sy ny manampahefana tao an-tanana nonenan'i Nabota. 9 Izao no voasorany tao amin'ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina ka i Nabota no asaivo mitarika ny vahoaka amin'izany. 10 Mifanatrika aminy eo kosa dia asio roa lahy mba hiampanga lainga azy ho nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka. Ary ento any ivelan'ny tanana izy ka torahy vato ho faty. 11 Ary ny loholona sy ny manampahefana tao an-tananan'i Nabota dia nanao araka ny baikon'i Jezebela tamin'ny taratasy nalefany ho azy ireo. 12 Niantso andro fifadian-kanina izy ka i Nabota no nasainy nitarika ny vahoaka. 13 Dia niroso teo anoloan'i Nabota ireo tsivalahara roa lahy ka niampanga lainga azy teo anatrehan'ny olona hoe: Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota! Koa dia nentin'ny olona tany ivelan'ny tanana izy ary notorahany vato mandra-pahafatiny. 14 Ary naniraka olona hilaza amin'i Jezebela ny manampahefana tao an-tanana fa notoraham-bato i Nabota ka maty. 15 Rehefa ren'i Jezebela fa maty notoraham-bato i Nabota, dia hoy izy tamin'i Ahaba: Mitsangana ka alao ho anao ny tanimboaloboka izay tsy neken'i Nabota hamidy taminao, satria tsy isan'ny velona intsony izy fa efa maty. 16 Rehefa ren'i Ahaba fa maty i Nabota, dia lasa izy nankany amin'ny tanimboalobok'i Nabota ilay Jizrehelita mba haka izany.

lundi 19 novembre 2012

Alatsinainy 19 Novambra 2012 - I Tes : 2 : 1 - 6

1 Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay taty aminareo. 2 Fantatrareo koa fa taloha kelin'izay, dia nampijalina sy nalam-baraka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen'ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana. 3 Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin'ny fitaka na amin'ny fahalotoana na amin'ny fisolokiana; 4 fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin'olombelona izahay, fa amin'Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay. 5 Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay. 6 Tsy nitady voninahitra tamin'olombelona izahay, na taminareo na tamin'ny hafa,

dimanche 18 novembre 2012

Alahady 18 Novambra 2012 - Jao 12 : 1 - 8

1 Enina andro talohan'ny Paska, dia tonga tao Betania ry i Jesoa, tao amin'izay nitoeran'i Lazara, ilay natsangany ho velona avy any amin'ny maty. 2 Nanaovan'ny tao fanasana Izy; ary i Marta no nandroso sakafo, fa i Lazara kosa isan'izay niara-nihinana tamin'i Jesoa. 3 Tamin'izay i Maria dia naka ilomanitra sarobidy, natao tamin'ny narda, lanjana ampahatelon-kilao. Nanosotra ny tongotr'i Jesoa izy, dia namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany ka heraka ny fofona mamerovero avy amin'ilay ilomanitra ny trano. 4 Fa hoy i Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianatr'i Jesoa, ilay efa hanolotra Azy: 5 Nahoana iny ilomanitra iny no tsy namidy denary telonjato homena ny mahantra? 6 Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nitenenany an'izany fa noho izy mpangalatra: mpitana ny kitapom-bola izy ary naka izay nalatsaka tao anatiny. 7 Fa hoy i Jesoa: Aoka re izy, ry Jodasy, fa ho fitsinjovana ny andro hamboarana Ahy halevina no anatontosany izany! 8 Ny mahantra moa eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba eto aminareo mandrakariva.

samedi 17 novembre 2012

Sabotsy 17 Novambra 2012 - Asa 7 : 17 - 22

17 Rehefa nanakaiky ny fotoana hanatanterahan'Andriamanitra ny fampanantenana nataony tamin'i Abrahama, dia nitombo ny firenentsika tany Ejipta ka tonga nihamaro be. 18 Avy eo nisy mpanjaka hafa nijoro tany Ejipta, dia mpanjaka tsy mba nahalala an'i Josefa. 19 Fetsy ratsy tamin'ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin'ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny. 20 Tamin'izany fotoana izany no nahaterahan'i Mosesy, zazalahy mahatehotia teo imason'Andriamanitra. Notezaina telo volana tao an-tranon-drainy izy; 21 fa nony voatery nariana, dia nalain'ny zanakavavin'ny Farao ka nobeaziny toy ny zanany. 22 Notezaina tamin'ny fahaizana isan-karazany nananan'ny Ejiptianina i Mosesy, ka tonga nahery tamin'ny teniny sy ny asany.

vendredi 16 novembre 2012

Zoma 16 Novambra 2012 - II Sam 12 : 1 - 15

1 Naniraka an'i Natana mpaminany ho any amin'i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: Nisy lehilahy roa tao amin'ny tanana iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra. 2 Nanana ondry sy omby marobe ilay mpanankarena; 3 fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavikely iray izay novidiny. Nofahanany tsara izy io, ka niara-nitombo tamin'ireo zanany tao aminy. Ny sakafo fihinan'ilay mahantra no nihinanany; ny ronono fisotrony no nisotroany; ary teo akaikiny no nampatoriany. 4 Indray andro, nandray vahiny ilay manankarena. Tsy mba naka tamin'ireo omby aman'ondriny anefa izy hamahanany azy, fa ny ondrivavikelin'ilay mahantra no nalainy ka namboariny ho an'ilay vahiny. 5 Tezitra mafy tamin'izany lehilahy izany i Davida ka nilaza tamin'i Natana hoe: Velona ny TOMPO ka manizingizina aho fa mendrika ny ho faty izay olona nanao izany! 6 Ary ny ondrivavikely dia hosoloiny avo efatra heny, satria nanao izany tsy nisy antra izy. 7 Dia hoy i Natana tamin'i Davida: Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin'ny famelezan'i Saoly. 8 Natolotro hofehezinao ny fianakavian'i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefanao ny vahoakan'i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao. 9 Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin'ny nanaovanao izay ratsy eo imasokoy Nasianao tamin'ny sabatra i Oria ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin'ny sabatry ny Hamonita. 10 Noho izany, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin'i Oria ilay Hetita mba ho vadinao. 11 Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin'ny ankohonanao Aho. Halako eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary. 12 Ary ianao nanao izany tao amin'ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason'i Israely manontolo. 13 Dia hoy i Davida tamin'i Natana: Nanota tamin'ny TOMPO aho. Ary hoy kosa i Natana tamin'i Davida: Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14 Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon'ny TOMPO tamin'izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty. 15 Dia nody tany an-tranony i Natana. Namely aretina ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida ny TOMPO, ka dia narary mafy izy.

jeudi 15 novembre 2012

Alakamisy 15 Novambra 2012 - Eze 22 : 6 - 14

6. ''Ao aminao dia samy manampatra fahefana ny mpitondra ary mamono olona. 7. Ao aminao dia tsy hajaina ny ray sy reny, tsentsefina ny vahiny, ampahorina ny kamboty sy ny mpitondratena , 8. atao tsinontsinona ny toerana voatokana ho Ahy ary zimbazimbaina ny andro sabatako. 9. Ao aminao dia misy mpanaratsy mba handrisika amin'ny famonoana olona; ary ny mponinao dia misy mihinana sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra. Ao aminao dia fanaovam-pijangajangana : 10. misy mandry amin'ny vadin-drainy, misy manolana vehivavy voan'ny fadimbolana , 11. misy manao zava-maharikoriko amin'ny vadin'ny namany, misy nanery ny vinantovaviny hijangajanga ary misy manolana ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy. 12. Ao aminao misy manaiky ho tambazam-bola mba hamono olona, misy mampindram-bola hakana zanany tafahoatra sy mangoron-karena tamin'ny fandrobana ny namany, ka manadino Ahy mihitsy. Teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany. 13. ''Koa indro Aho hamely mafy anareo, ry mponin'i Jerosalema, noho ireo harena nangoninareo tsy an-drariny sy ireo vonoan'olona nataonareo. 14. Moa hanan-kery sy fahasahiana hahatohitra ve ianareo, amin'ny andro hamelezako anareo? Fa IzahoTOMPO dia milaza sady manatanteraka izany.

mercredi 14 novembre 2012

Alarobia 14 Novambra 2012 - Mat 21 : 12 - 17

12 Dia namantana tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo dia noroahiny avokoa, ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ireo mpivaro-boromahailala nazerany; 13 ary hoy i Jesoa tamin'ireo olona ireo: Izao no voalazan'ny Soratra Masina: Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana. Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren'ny mpangalatra! 14 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona an'i Jesoa tao an-kianjan'ny tempoly ka dia nositraniny. 15 Fa tezitra mafy kosa ireo lohandoha-mpisorona sy ireo mpahay lalana nony nahita ny zava-mahagaga nataony sy nahita ny ankizy madinika niantsoantso tao an-kianjan'ny tempoly hoe: Dera anie ho an'ny Zanak'i Davida! 16 Ka hoy ry zareo tamin'i Jesoa: Renao ve izay lazain'ireo? Dia novaliany hoe: Eny, reko tokoa! Sady tsy mbola novakinareo ve ny andinin'ny Soratra Masina hoe: Ny vavan'ny ankizy madinika aman-jaza minono avy no nataonao hahazoan-dera? 17 Dia nilaozan'i Jesoa ry zareo; ary niala tao an-tanana Izy hankany Betania, ka nandry tany.

mardi 13 novembre 2012

Talata 13 Novambra 2012 - Sal 34 : 11 - 15

KAFA
11. Na dia ireo mpanankarena aza, mety tsy ampy hanina ka ho noana; fa izay mitady ny TOMPO tsy mba ho orin-java-tsoa.
LAMEDA
12. Avia hihaino ahy ianareo, rey anaka, fa hampianariko hanaja ny TOMPO.
MEMA
13. Raha misy olona mankamamy fiainana ka te ho ela velona sy ho sambatra,
NONA
14. dia tsy maintsy mitandrina tsy hiteny ratsy ary koa mitandrina tsy hilaza fitaka,
SAMEKA
15. hiala amin'ny ratsy ka hanao ny tsara ary haharitra hikatsaka fiadanana.

lundi 12 novembre 2012

Alatsinainy 12 Novamba 2012 - Rom 13 : 8 - 10

8 Aoka tsy hananan'olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalana. 9 Satria ny hoe aza maka vadin'olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra, mbamin'ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin'ilay teny manao hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. 10 Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalana.

dimanche 11 novembre 2012

Alahady 11 Novambra 2012 - I Tes 4 : 1 - 8

1 Farany, ry havana, efa nianaranareo taminay ny fitondrantena ankasitrahin'Andriamanitra, ary efa manaraka izany rahateo ianareo. Kanefa dia izao no iangavianay sy ampirisihinay anareo amin'ny anaran'i Jesoa Tompo: manaova tsaratsara kokoa hatrany! 2 Fantatrareo rahateo ireo fepetra avy amin'i Jesoa Tompo nomenay anareo; 3 satria izao no sitrapon'Andriamanitra: mba ho masina ianareo, ka hifady ny fijangajangana. 4 Aoka samy hahay maka vady amin'ny fomba masina sy mihaja ianareo lehilahy, 5 fa tsy hobaikoin'ny filandratsy, toy ireo mpanompo sampy izay tsy mahalala an'Andriamanitra; 6 ka amin'izany raharaham-panambadiana izany, dia aoka tsy hisy olona hanao ny tsy rariny amin'ny namany na hifetsy azy. Araka ny efa voalazanay taminareo sy nameperanay mafy anareo, dia hofaizin'ny Tompo izay manao ireny karazan-javatra ireny. 7 Fa Andriamanitra tsy niantso antsika hiaina amin'ny fahalotoana fa hiaina amin'ny fahamasinana. 8 Koa izay manda izany fampianarana izany, dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.

samedi 10 novembre 2012

Sabotsy 10 Novambra 2012 - Tit 1 : 10 - 14

10 Fa maro tokoa, indrindra tamin'ireo Jiosy tonga kristianina, no mikomy sy manodoka ny olona amin'ny taria poaka aty. 11 Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin'ny fomba maloto. 12 Kretoa anankiray izay heverin'izy samy Kretoa ho mpisolo vava an'Andriamanitra no efa nilaza hoe: Mpandainga mandrakariva ny Kretoa, biby masiaka, kamo be tenda! 13 Azo antoka izany zavatra ijoroany ho vavolombelona izany. Koa reseo lahatra ireo mba hanana finoana tsy misy tomika, 14 mba tsy hifikitra intsony amin'angano jiosy sy didy nataon'olona izay niala tamin'ny fampianarana marim-pototra.

vendredi 9 novembre 2012

Zoma 09 Novambra 2012 - Oha 12 : 1 - 7


1. Izay tia fananarana tia fahalalana; fa adaladala izay mankahala tsikera. 2. Ny tsara fanahy dia mahazo sitraka avy amin'ny TOMPO, fa izay manana sain-dratsy kosa helohiny. 3. Tsy haratsiam-panahy no mahatafaorina ny olona; fa ny marina kosa mamaka tsy misy mahozongozona. 4. Satroboninahitry ny vadiny ny vehivavy tsara fanahy, fa homamiadana mikiky azy kosa ny vehivavy tsy mendrika. 5. Ny olo-marina mihevitra ny rariny; fa ny olon-dratsy kosa misaina fitaka. 6. Ny tenin'ny olon-dratsy dia fandrika mahafaty; ny lazain'ny olo-marina kosa mamonjy ny hafa. 7. Raha miongana ny olon-dratsy, dia tsy misy tafajanona; fa ny ankohonan'ny olo-marina kosa maharitra hatrany.

jeudi 8 novembre 2012

Alakamisy 08 Novambra 2012 - Lev 19 : 11 -13


11 Aza mangalatra, aza mandainga, ary aza mifamitaka ianareo. 12 Aza mianiana amin'ny anarako mba hamitahana satria manala baraka ny anarako izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. 13 Aza mamoritra ny namanareo hahazoana ny fananany, aza manendaka azy; ary aza tananao miloaka alina ny karaman'ny mpikaramanareo.

mercredi 7 novembre 2012

Alarobia 07 Novambra 2012 - Mar 10 : 17 - 22


17 Ary nony niainga handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nanatona Azy, ka nandohalika teo anoloany ary nanontany Azy hoe: Ry Mpampianatra tapitra ohatra o, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay? 18 Dia hoy i Jesoa taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, aza maka vadin'olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina, aza manambaka, hajao ny rainao sy ny reninao. 20 Fa hoy ralehilahy taminy: Mpampianatra o, izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin'ny fahatanorako! 21 Dia nijery azy tsara i Jesoa ka velom-pitiavana azy ary niteny taminy hoe: Zavatra iray no tsy ampy aminao; ndeha amidio ny fanananao rehetra ka zarao amin'ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia hiaraka amiko. 22 Dia nanjombona endrika ralehilahy noho izany teny izany; ka lasa nandeha tamin'alahelo, satria nanan-karembe.

mardi 6 novembre 2012

Talata 06 Novambra 2012 - Jer 22 : 13 - 17


13. ''Lozanao, ry Joiakima , fa nanorina ny lapanao ianao nefa tsy araka ny hitsiny, ary nanampy rihana ianao nefa tsy araka ny rariny fa nampiasainao maina ny namanao ka tsy nomenao ny karamany. 14. Hoy ianao anakamponao hoe: ''Manorina lapa miezinezina ho ahy aho miaraka amin'ny rihana malalaka''. Dia loahanao hisy varavaran-kely izy sady petahanao valin-drihana sedera ary nasainao nolokoana mena ny rindriny. 15. Te haneho ny maha mpanjaka ve ianao ka nifidy ny hazo sedera mba hampaningana anao? Moa tsy nihinana sy nisotro tahaka ny besinimaro ve ny rainao sady nampihatra ny rariny sy ny hitsiny? Ary nahitany hasambarana izany. 16. Notsarainy ara-drariny tokoa ny mahantra sy ny malahelo; ary nahitany hasambarana izany. Moa tsy izay manao toy izany ve no tena mahalala marina Ahy TOMPO, hoy ny teny hentitra ambarako? 17. Fa ianao kosa tsy nijery afa-tsy ny tombontsoanao, ianao kosa tsy nieritreritra afa-tsy ny hamono ny tsy manan-tsiny ho faty ary ny hanao famoretana sy herisetra.''

lundi 5 novembre 2012

Alatsinainy 05 Novambra 2012 - Deo 24 : 10 -18


10 Rehefa ny namanareo no ampindraminareo zavatra na inona na inona, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. 11 Mijanona ao alatrano, ary ny lehilahy izay nampindraminareo zavatra no hamoaka ny antoka ho aminareo ao alatrano. 12 Raha ohatra lehilahy mahantra no manome ny lambany ho antoka, dia aza tananareo miloaka alina io antoka io fa tsy maintsy haverinareo aminy mihitsy rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ka hisaorany anareo. Dia ho asa soa vitanareo izany eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo. 14 Aza ampahorinareo ny mpikarama izay mahantra sy ory, na anisan'ny mpiray firenena aminareo izy na anisan'ny vahiny eo amin'ny taninareo sy ao an-tanananareo. 15 Fa ny andro anaovany ihany no hanomezanareo ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany satria mahantra izy sady io karama io no andrandrain'ny fony. Aoka tsy hitaraina amin'ny TOMPO noho ny nafitsokareo izy, fa dia ho fahotana aminareo izany. 16 Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny ray aman-dreniny; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny isam-batan'olona. 17 Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho antoka. 18 Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ary ny TOMPO Andriamanitrareo no efa nanavotra anareo ho afaka tany; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.

dimanche 4 novembre 2012

Alahady 04 Novambra 2012 - Gen 25 : 29 - 34


29 Teo am-pandrahoana sakafo indrindra i Jakoba indray andro, no tonga avy any an-tsaha i Hesao sady reraka mafy, 30 ka nangataka taminy hoe: -Mba omeo kely amin'io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin'ny anaram-bositra hoe Edoma na Ilaimena). 31 Dia namaly azy i Jakoba hoe: -Amidio amiko ary aloha ny fizokianao. 32 Dia hoy i Hesao hoe: -Inty hono aho ka ho faty, dia hataoko inona moa izay fizokiana? 33 Fa namaly indray i Jakoba hoe: -Mianiana amiko ary ianao izao anio izao. Dia nianiana taminy izy ka nivarotra tamin'i Jakoba ny fizokiany. 34 Ary nomen'i Jakoba mofo sy voanemba masaka i Hesao ka nihinana sy nisotro. Avy eo izy dia niainga ary lasa nandeha fa tsy niraharaha ny fizokiany.

samedi 3 novembre 2012

Sabotsy 03 Novambra 2012 - Sal 32 : 1 - 2


1. Tononkalo fananarana nataon'i Davida. Sambatra ny olona afa-keloka sy voavelan'Andriamanitra ny otany. 2. Sambatra izay tsy heverin'ny TOMPO ho diso sady tsy misy fitaka ny fanahiny.

vendredi 2 novembre 2012

Zoma 02 Novambra 2012 - lev 25 : 35 - 38


35 Raha misy mihamahantra ny mpiray firenena aminareo, na ny vahiny valovotaka aza, ka tsy afa-manefa ny trosanareo, dia ampio izy mba hahazoany mivelona eo anilanareo. 36 Aza maka zana-bola na tombony aminy; izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo sady hahazoany mivelona eo anilanareo. 37 Aza asiana zana-bola raha mampisambotra vola aza ianareo, ary aza maka tombony raha mampisambotra hanina azy ianareo. 38 Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba hanome anareo ny tany Kanahana sady ho Andriamanitrareo.

jeudi 1 novembre 2012

Alakamisy 01 Novambra 2012 - Lio 19 : 1 - 10


1 Tafiditra tao Jerikao i Jesoa ary namakivaky ny tanana. 2 Ary indro nisy lehilahy atao hoe Zakeo, sady lehiben'ny mpamory hetra no mpanankarena. 3 Mba nitady hahita izany Jesoa izany izy, saingy fohy ka tsy afa-nanoatra satria nifanety ny vahoaka. 4 Dia nilomay nialoha izy ka nianika hazo amontana mba hitazana an'i Jesoa, fa akaikin'izany no efa handalovany. 5 Nony tonga teo i Jesoa, dia nitraka ary niteny tamin'i Zakeo hoe: Ry Zakeo, midina faingana fa any aminao Aho anio no tsy maintsy miantrano. 6 Nidina faingana i Zakeo ary nandray an'i Jesoa tamin-kafaliana. 7 Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe: Any amin'ny mpanota indray re no amantanany! 8 Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an'ny mahantra; ary izay zavatr'olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny! 9 Ary hoy i Jesoa taminy: Anio ny famonjena dia tafiditra amin'ity trano ity; noho izany ity lehilahy ity koa dia zanak'i Abrahama! 10 Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan'ny Zanak'olona!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12