mardi 31 décembre 2013

Talata 31 Desambra 2013 - Lio 2 : 36 - 38

36Nisy koa vehivavy mpaminany* natao hoe Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy amin'ny fokon'i Asera. Tena antitra izy. Fito taona ihany no nanambadiany taorian'ny nahatovovavy azy. 37Dia nipetraka ho mpitondratena izy ary feno 84 taona izao ny andro niainany. Tsy niala tao amin'ny tempoly mihitsy izy, fa nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina, ka nifady hanina* sy nivavaka. 38Tonga koa i Ana tamin'io fotoana io ka nisaotra an'Andriamanitra ary nilazalaza momba ity zaza ity tamin'izay rehetra fatra-piandry ny hanavotan'Andriamanitra an'i Jerosalema.

lundi 30 décembre 2013

Alatsinainy 30 Desambra 2013 - Tit 1 : 1 - 4

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho mpanompon'Andriamanitra sy apôstôli*n'i Jesoa Kristy*.
Nirahina aho hampandroso ny finoan'ireo olom-boafidin'Andriamanitra ary hampahalala azy ny fampianarana marim-pototra mifanaraka amin'ny fivavahantsika, 2dia fivavahana miorina amin'ny fanantenana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Ilay Andriamanitra tsy mba mandainga dia nampanantena antsika izany fiainana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao; 3ka tamin'ny fotoanandro voatendriny no nahariharin'Andriamanitra ny teniny, dia ny hafatra izay nankinina tamiko ka torîko araka ny baikon'Andriamanitra Mpamonjy antsika.
4Mamangy anao aho, ry Tito, dia ianao izay tena zanako ao amin'ny finoana iombonantsika. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika!

dimanche 29 décembre 2013

Alahady 29 Desambra 2013 - Isa 40 : 9 - 11

9Ry vahoakan'i Tsiôna*
nanankinana vaovao mahafaly ô,
miakara eny an-tendrombohitra avo;
ry vahoakan'i Jerosalema
nanankinana vaovao mahafaly ô,
ingao mafy ny feonao ka aza matahotra.
Lazao amin'ireo ao tanànan'i Joda hoe:
 
«Indro Andriamanitrareo.
10Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery
sady manana ny fahefana hanjaka.
Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany
sady eo anoloany ho valin-kasasarany.
11Tahaka ny mpiandry* ondry
miandry ny andian'ondriny Izy
ka manangona ireny amin'ny baikon-tanany;
trotroiny eo an-tratrany ny zanak'ondry
ary roahiny miadana ny ampianahany

samedi 28 décembre 2013

Sabotsy 28 Desambra 2013 - Amo 4 : 12 - 13

12Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely;
ary rehefa izany no hataoko aminao,
dia miomàna ianao hihaona amin'Andriamanitrao
13Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra
sy mpahary ny rivotra,
Izy no manambara amin'ny olombelona ny fikasany,
mahatonga ny maraina ho haizina
sady mandeha eny am-paratampon'ny tany:
Ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao no anarany.

vendredi 27 décembre 2013

Zoma 27 Desambra 2013 - Gal 4 : 1 - 7

1Izao anefa no teniko: raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny mpanompo izy na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; 2fa fehezin'izay mpikarakara azy sy ny mpitandrim-pananany izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. 3Dia tahaka izany koa isika; fony mbola zaza, dia nandevozin'ireo herin-javatr'izao tontolo izao* isika; 4fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany*: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan'ny lalàna jiosy, 5mba hanavotra izay teo ambany fahefan'ny lalàna ary mba handraisantsika ny anjara maha zanak'Andriamanitra.
6Ry ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany miantso hoe: «Raiko ô7Hany ka tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka; ary raha zanaka ianao, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.

jeudi 26 décembre 2013

Alakamisy 26 Desambra 2013 - Lio 2 : 1 - 7

1Tamin'izany andro izany, dia namoaka didy ny amperôra Aogosta hampanao fanisàm-bahoaka eran'ny fanjakana rômanina. 2Izany fanisàm-bahoaka voalohany izany dia natao fony i Kireny no filohan'ny faritany Siria. 3Ary samy namonjy ny tanàna fiaviany avy ny olona rehetra mba hisaina.
4Niainga avy tao Nazareta tanàna any Galilea i Jôsefa hiakatra any Jodea, hankany amin'ilay tanàna fiavian'i Davida atao hoe Betlehema, noho izy taranaka sy fokon'i Davida. 5Mba hoisaina no foto-dian'i Jôsefa sy i Maria vadiny izay efa bevohòka. 6Raha tao Betlehema izy roa, dia tonga ny andro hahaveloman'i Maria. 7Teraka ny lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ary nampandrîny teo amina fihinanam-bilona; fa tsy nisy toerana ho azy telo mianaka tao amin'ny trano fivantanam-bahiny.

mardi 24 décembre 2013

Alarobia 25 Desambra 2013 - Mik 5 : 1 - 5

1Dia hoy ny Tompo hoe:
«Ianao, ry Betlehema Efratà,
isan'ireo tanàna kely indrindra ao Joda ianao!
Kanefa avy aminao no hamoahako
ilay ho Mpanjaka an'i Israely.
Efa hatramin'ny fahagola no niandohany,
dia hatramin'ny andro taloha elabe.»
2–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany
amin'ny fahavalo
mandra-piavin'ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray;
ka izay sisa velona, amin'ireo rahalahiny
voasesi-tany,
dia hiverina ho any amin'ireo Israelita namany.
3Ary hitsangana hitondra ny vahoaka
izany mpanapaka nampanantenaina izany,
hombàn'ny hery sy heniky ny famirapiratana
avy amin'ny TOMPO Andriamaniny.
Dia handry feizay ny vahoakany,
satria ho lehibe hatrany am-paran'ny tany
izany mpanapaka izany:
4izy no hitondra fiadanana!
–Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina
ka hitsofoka hatraty an-dapantsika,
dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.
5Ary handresy amin'ny sabatra sy lefom-pohy
ireo mpitari-tafika ireo
ka hifehy an'i Asiria, tanin'i Nimrôda.
Izany mpanapaka izany mihitsy
no hanafaka antsika amin'ny Asirianina
izay hihoatra sisitany
ka ho tonga hanafika ny tanintsika.

Talata 24 Desambra 2013 - Isa 11 : 1 - 10

1Misy rantsana misandrahaka avy amin'ny fototr'i Jisay;
misy solofo mipoitra avy amin'ny fakany.
2Ny Fanahin'ny TOMPO no mitoetra eo aminy,
dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka
Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,
Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;
3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.
Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy
na hanapaka araka izay ren'ny sofiny,
4fa hitsara ny malahelo ara-drariny
ary hamoaka didy araka ny hitsiny
ho an'ny mahantra eo amin'ny tany.
Ny teniny no toy ny tsorakazo
hikapohany ny tany
ary ny fofonain'ny vavany
no hamonoany ny olon-dratsy.
5Ny rariny no ho fisikinany
ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.
6Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin'ny zanak'ondry,
ny leôparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy;
ny zanak'omby sy ny liona tanora hiara-mihinana
ka zazalahy kely no hitarika azy.
7Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka;
ary ny zanak'izy ireo hiara-matory.
Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.
8Ny zaza mbola minono
hilalao eo an-davaky ny bibilava;
ary ny zaza misara-nono
hanatsofoka ny tanany
ao an-davaky ny menarana.
9Tsy hisy hanimba na handratra
manerana ny tendrombohitra masina,
satria ny fahalalana ny TOMPO
no hanenika izany tany izany
tahaka ny anaronan'ny rano
ny fanambanin'ny ranomasina.
10Amin'izany andro izany ny solofon'i Jisay
dia hatsangana ho fanevan'ny firenena rehetra;
ka hitady azy ny firenen-kafa,
ary hanjary be voninahitra ny fonenany.

lundi 23 décembre 2013

Alatsinainy 23 Desambra 2013 - Mat 1 : 18 - 25

18Toy izao no nahaterahan'i Jesoa Kristy. Efa fofombadin'i Jôsefa i Maria renin'i Jesoa tamin'izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan'ny Fanahy Masina. 19Olo-marina i Jôsefa vadiny, ka tsy te hanala baràka azy, fa nikasa hametraka azy mangingina.

 20Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan'anjelin*'ny Tompo tamin'ny nofy ka nilazany hoe:
–Ry Jôsefa taranak'i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an'i Maria vadinao! Noho ny asan'ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy. 21Ary ho tera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoanao ny zaza: fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin'ny fahotany.
 
22Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:
23«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy;
ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela
(izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»)
 
24Vao nifoha maraina i Jôsefa dia nanatontosa izay nandidian'ilay anjelin'ny Tompo azy, ka nampakatra an'i Maria vadiny. 25Tsy niray tamin'i Maria i Jôsefa mandra-pahatera-dahy an'i Maria; ary i Jesoa no anarana niantsoan'i Jôsefa ny zaza.

dimanche 22 décembre 2013

Alahady 22 Desambra 2013 - II Pet 3 : 8 - 13

8Kanefa izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin'ny Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro. 9Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenàny: saingy mahari-po aminareo Izy, satria tsy tiany hisy ho very fa mba hiroso hiala amin'ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra. 10Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo; ary amin'izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminy. 11Koa raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin'Andriamanitra? 12Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian'ilay andron'Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy! 13Kanefa isika, araka ny fampanantenàn'Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan'ny fahamarinana soritan'Andriamanitra.

samedi 21 décembre 2013

Sabotsy 21 Desambra 2013 - Eze 43 : 1 - 5

1Ary nentin-dralehilahy hankeo amin'ny vavahady atsinanana aho. 2Koa hitako tonga avy any atsinanana ny voninahitr'ilay Andriamanitr'i Israely; narahina feo tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina izany ary nanazava ny tany tamin'ny famirapiratany. 3Io fahitana io dia mitovy amin'ireo fahitana hitako fony Andriamanitra tonga handrava an'i Jerosalema sy fony aho teo amoron'ny ony Kebara; koa lavo nihohoka nitehi-tany aho. 4Ary ny voninahitry ny TOMPO dia niditra tao an-tempoly* avy eo amin'ny vavahady atsinanana. 5Ary ny Fanahin'Andriamanitra nanainga ahy avy amin'ny tany ka nitondra ahy hankeo amin'ny kianja anatiny; ary hitako nameno ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO.

vendredi 20 décembre 2013

Zoma 20 Desambra 2013 - Isa 35 : 1 - 4

1Aoka hiravoravo ny taniefitra
sy ny tany karankaina!
Aoka hifaly ny tany ngazana
ka hamony voninkazo meva toy ny lisy.
2Aoka ho rakotra voninkazo izy
ka hitotorebika sy handihy
ary hihorakora-pifaliana!
Satria nomen'ny TOMPO azy ny voninahitr'i Libano
mbamin'ny famirapiratan'ny tendrombohitra Karmela
sy ny famirapiratan'ny lemak'i Sarôna.
Amin'izay no hahitana ny voninahitry ny TOMPO
sy ny famirapiratan'ilay Andriamanitsika.
 
3Ampaherezo ny tanana miraviravy
ary hatanjaho ny lohalika malemy.
4Lazao amin'izay kivy hoe:
«Mahereza, aza matahotra;
indro ny Andriamanitrareo
tonga hitondra famaizana
ka hanasazy ny fahavalonareo;
Izy mihitsy no tonga hamonjy anareo.»

jeudi 19 décembre 2013

Alakamisy 19 Desambra 2013 - Mat 24 : 23 - 31

23Amin'izany, raha misy olona milaza aminareo hoe: «Indro atỳ ny Mesia*», na hoe: «Arỳ Izy», dia aza mino. 24Olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany manko no hijoro, ka haneho famantarana lehibe sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin'Andriamanitra aza raha azony natao. 25Izay àry, fa efa voalazako mialoha taminareo izany.
26Koa raha misy olona milaza aminareo hoe: «Indro any an-taniefitra ny Mesia», dia aza mankany; na hoe: «Indro ato amin'ny toera-miafina ato Izy», dia aza mino. 27Eny, ho tahaka ny tselatra, mipoitra avy any atsinanana ka manazava hatrany andrefana, no fiavian'ny Zanak'olona*. 28Fa na aiza na aiza misy ny faty dia any no hifamotoanan'ny voromahery.

29Raha vao afaka ny fijaliana amin'ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, hiraraka avy eny amin'ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ny herin'ny habakabaka. 30Amin'izay dia hiseho eny amin'ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak'olona*; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak'olona tamy eo amin'ny rahon'ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe. 31Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin'ny Zanak'olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin'ny vazan-tany efatra, manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny.

mercredi 18 décembre 2013

Alarobia 18 Desambra 2013 - Jao 14 : 1 - 7

1Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpianany*:
–Aoka tsy hangorohoro ny fonareo: minoa an'Andriamanitra ianareo, ary mino Ahy koa. 2Misy fonenana maro ao an-tranon'ny Raiko; raha tsy izany, dia ho nilaza taminareo ve Aho fa handeha hamboatra toerana ho anareo? 3Ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo, dia hiverina Aho haka anareo ho eo anilako; ka izay misy Ahy no hisy anareo koa. 4Ary fantatrareo ny lalana ho any amin'izay alehako.
5Dia hoy i Tômà taminy:
–Tsy fantatray izay alehanao, ry Tompo! Ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?
 
6Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin'ny Ray raha tsy amin'ny alalako. 7Raha mahafantatra Ahy ianareo, dia hahafantatra ny Raiko ihany koa; dieny izao no ahafantaranareo Azy sady efa nahitanareo Azy.

mardi 17 décembre 2013

Talata 17 Desambra 2013 - Apo 22 : 12 - 13

12«Indro avy faingana Aho, hoy i Jesoa; ary miaraka amiko ny valin'asa, mba hamaliako ny olona rehetra araka izay nataony avy. 13Izaho no Alfa sy Ômega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.

lundi 16 décembre 2013

Alatsinainy 16 Desambra 2013 - Isa 9 : 1 - 6

1Ny vahoaka mandeha ao anatin'ny haizina
dia hahita hazavana lehibe;
ary ny olona mipetraka ao amin'ny tany
izay tandindomin'ny fahafatesana
dia hiposahan'ny hazavana.
2Nohamaroinao ny fifaliany
ary nampitomboinao ny firavoravoany.
Miravoravo eo anatrehanao izy
tahaka ny iravoravoana amin'ny fararano
sy anaovana antsoantsom-pifaliana
rehefa injay mizara babo ny olona.
 
3Fa ny ziogam*-pamoretana nanindry ny vahoakanao
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny kibay namelezan'ny mpampiasa azy
dia samy hopotehinao avokoa
toy ny tamin'ny andro nampandosiranao ny Midianita.
4Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo
ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany
ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra
dia samy hodorana avokoa ho levon'ny afo.
5Satria misy zaza teraka ho antsika,
zazalahy no omena antsika;
eny an-tsorony ny mari-piandrianany,
ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe:
Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery,
Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.
6Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy
ary hampisy fiadanana tsy misy fetra.
Ny sezafiandrianan'i Davida no hipetrahany
ary ny fanjakany no hofeheziny
ka haoriny sy hohamafisiny
amin'ny rariny sy ny hitsiny,
hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Izany no hotanterahin'ny TOMPOn'izao rehetra izao,
vokatry ny firedaredam-pitiavany

dimanche 15 décembre 2013

Alahady 15 Desambra 2013 - Gal 5 : 2 - 6

2Indro fa izaho Paoly no miteny aminareo: raha manaiky hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza i Kristy. 3Ary ambarako indray amin'ny olona rehetra manaiky hoforana fa manana adidy hahatanteraka ny lalàna* manontolo izy. 4Tafasaraka amin'i Kristy ianareo miezaka ho marina eo imason'Andriamanitra amin'ny fanoavana ny lalàna; miendaka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ianareo. 5Isika kosa dia matoky fa Andriamanitra no mahatonga antsika ho marina eo imasony; izany no andrasantsika ho vokatry ny finoantsika noho ny asan'ny Fanahy Masina. 6Fa ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.

samedi 14 décembre 2013

Sabotsy 14 Desambra 2013 - Lio 21 : 5 - 9

5Nisy mpianatra* niresaka momba ny tempoly*, amin'izy voaravaka vato saro-bidy sy fanatitra fanalàm-boady. Ka hoy i Jesoa:

6–Ho avy ny andro handravana ireo zavatra banjininareo ireo ary tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.
 
7Ary nanontanian'ireo indray i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, oviana no hahatongavan'izany ary inona no hamantarana fa madiva ho avy izany?
 
8Dia novaliany hoe:
–Tandremo sao voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako sady hanao hoe: «Izaho no Mesia*», ary «Tonga ny fotoana!» Aza mba manaraka an'ireny. 9Raha mandre ady sy korontana ianareo, aza taitra; eny, tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay akory ny farandro.

vendredi 13 décembre 2013

Zoma 13 Desambra 2013 - I Pet 1 : 13 - 16

13Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Kristy*. 14Aoka ho fatra-panaiky an'Andriamanitra ianareo, ka aza manaraka ny filàndratsinareo fahiny, fony ianareo mbola tao anatin'ny tsy fahalalana. 15Fa masina* ilay Andriamanitra niantso anareo; noho izany, aoka ho masina tahaka Azy koa ianareo amin'ny lafim-pitondrantena rehetra, 16satria izao no voalazan'ny Soratra Masina*: «Aoka ho masina ianareo satria masina Aho

mercredi 11 décembre 2013

Alarobia 11 Desambra 2013 - Oha 23 : 12 - 17

12Afantohy amin'ny fanabeazana ny sainao
ary amin'ny tenim-pahalalana ny sofinao.
13Aza misalasala manafay ny zanakao,
fa tsy ho faty izy akory raha kapohinao.
14Fa raha mikapoka azy ianao,
dia ny fanahiny no ho voavonjinao
tsy ho any amin'ny toeran'ny maty.
15Anaka, raha hendry ny fonao,
dia ho faly koa ny foko.
16Ho tretrika tokoa aho,
raha amim-pahitsiana no hitenenanao.
17Aza mialona ny mpanota,
fa manajà ny TOMPO hatrany
18satria azo antoka fa misy ny hoavy
ary tsy ho foana ny fanantenànao.

mardi 10 décembre 2013

Talata 10 Desambra 2013 - Mat 24 : 45 - 51

45–Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren'ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ny anjara sakafony ara-potoana? 46Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahita azy manao raharaha toy izany. 47Lazaiko marina aminareo fa hotendren'ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 48Raha ho ratsy fanahy kosa io mpanompo io ka hanao anakampo hoe: «Mbola haharitra ela ny tompoko», 49ary hihetraketraka amin'ireo mpanompo namany sady hanaram-po hihinana sy hisotro miaraka amin'ny mpimamo, 50dia ho tonga ilay tompony amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany. 51Hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin'ny mpihatsaravelatsihy; any izy no hitomany sy hikitro-nify.

lundi 9 décembre 2013

Alatsinainy 09 Desambra 2013 - Asa 3 : 17 - 21

17Fantatro kosa, ry havako, fa tsy fahalalana no nahatonga anareo hanao izay nataonareo tamin'i Jesoa ary toraka izany koa ny manampahefana teo aminareo. 18Notanterahin'Andriamanitra tamin'izany anefa izay voalazany tamin'ny alalan'ny mpaminany* rehetra fahiny hoe: tsy maintsy hijaly ilay Mesiany*. 19Noho izany, ialao ny toe-dratsy, ary miverena amin'Andriamanitra mba ho foana ny helokareo; 20dia ho tonga aminareo ny vaninandro famelombelomana avy amin'ny Tompo ary hirahiny ho anareo ilay Mesia efa voatendriny, dia i Jesoa. 21Kanefa tsy maintsy horaisin'ny lanitra aloha Izy mandra-piavin'ny fotoana hanavaozana izao rehetra izao, araka izay nambaran'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany masina hatramin'ny fahagola.

dimanche 8 décembre 2013

Alahady 08 Desambra 2013 - Mar 13 : 24 - 32

24–Fa amin'ireo andro ireo, raha vao afaka izany fijaliana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, 25hiraraka avy eny amin'ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ireo herin'ny habakabaka. 26Amin'izay ny Zanak'olona* dia ho hita voahodidin-drahona, sady tamy omban-kery lehibe sy ombam-boninahitra; 27ary dia haniraka ny anjeliny* Izy ka hanangona ny olom-boafidiny avy any amin'ny vazantany efatra, manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny.
 
28–Raiso ho anatra ity fanoharana* avy amin'ny aviavy ity: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky izay ny fahavaratra. 29Toy izany koa, raha vao hitanareo tonga izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Zanak'olona* ary mby eo am-baravarana. 30Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tonga izany rehetra izany. 31Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.

32–Fa ny amin'izay andro sy ora hahatongavan'izany, dia tsy misy mahalala na ny anjely* any an-danitra na ny Zanak'olona*, fa Izy Ray ihany. 33Mitandrema sy miareta tory ary mivavaha fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'izany fotoanandro izany.

samedi 7 décembre 2013

Sabotsy 07 Desambra 2013 - Apo 1 : 7 - 8

7Indro i Jesoa Kristy, tamy eo amin'ny rahona, ka hahita maso Azy ny olona rehetra, na dia ireo nandefona Azy aza, ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, izany tokoa!
8«Izaho no Alfa sy Ômega», hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Tsitoha.

vendredi 6 décembre 2013

Zoma 06 Desambra 2013 - Fil 3 : 17 - 21

17Ry havana, aoka hanahaka ahy ianareo ary diniho hatrany ireo manao fitondrantena araka izay ohatra nomenay anareo. 18Efa voalazako imbetsaka taminareo, ary dia mbola lazaiko amin-dranomaso ankehitriny, fa maro no manao fitondrantena manohitra an'i Kristy maty teo amin'ny hazofijaliana. 19Fahaverezana no hiafaran'ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha. 20Fa isika kosa dia mizaka ny zo maha mponin'ny lanitra; ka Mpamonjy avy any an-danitra no andrasantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo. 21Izy no hanova izao tenantsika tsinontsinona izao, ka hampitovîny amin'ny tenany be voninahitra, araka ny heriny miasa hahatonga ny zavatra rehetra hanaiky Azy.

jeudi 5 décembre 2013

Alakamisy 05 Desambra 2013 - Isa 62 : 10 - 12

10Ry mponin'i Jerosalema, mivoaha tao an-tanàna,
mivoaha amin'ny vavahady,
anokafy lalana ny vahoaka mody,
ataovy mitovy tantana ny arabe
ka esory ny vato eo aminy
ary atsangano ny faneva hanaingana ireo firenena.
11Injay nisy baiko nampitain'ny TOMPO
hatrany amin'ny faran'ny tany!
Koa lazao amin'ny olona ao Tsiôna* hoe:
«Indro tonga ny Mpamonjinareo,
indro entiny miaraka aminy ny karama azony
ary eo anoloany ny valin-kasasarany
12Ny besinimaro, na ianareo na iretsy,
dia hantsoina hoe «ilay vahoaka masina»,
«ireo olona navotan'ny TOMPO»;
ary ianao, ry Jerosalema, dia hatao hoe:
«ilay irîna», «ilay tanàna tsy foy.»

mercredi 4 décembre 2013

Alarobia 04 Desambra 2013 - Mat 24 : 1 - 14

1Dia niala teo an-kianjan'ny tempoly* i Jesoa ka lasa nandeha; fa nanatona Azy kosa ny mpianany* hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly*.  

2Ary niteny i Jesoa nanao tamin'ny mpianany hoe:
–Hitanareo moa ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana!

3Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Analanôliva i Jesoa; dia nanatona Azy manokana ireo mpianany* ka nanao hoe:
–Lazao aminay izay fotoana hahatongavan'izany ary izay hamantarana ny fiavianao sy ny fiafaran'izao tontolo izao.
 
4Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo. 5Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: «Izaho no ilay Mesia*»; ary maro ny olona ho voafitany. 6Handre ady sy filazana ady ianareo, koa fadio izay hatahotra; eny, tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no farany. 7Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny toerana samihafa. 8Izany rehetra izany no toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.
 
9Amin'izany andro izany, dia hatolotry ny olona ianareo hampijalîna sy hovonoina; ary ho halan'ny firenen-drehetra ianareo, satria miandany amiko. 10Amin'izany andro izany koa, dia maro ny olona ho voatarika amin'ny ratsy ka hifampiampanga sy hifankahala. 11Betsaka ireo mpisandoka ho mpaminany* no hijoro, ka hamitaka olona maro. 12Ary dia hihanaka tokoa ny ratsy ka hihamangatsiaka ny fitiavana an'Andriamanitra ao am-pon'ny maro; 13Kanefa izay maharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 14Ary dia hatao antso avo eran'izao tontolo izao ity Vaovao Mahafaly* momba ny Fanjakàn'Andriamanitra* ity, mba ho vavolombelona amin'ny firenen-drehetra; izay vao ho tonga ny farany.

mardi 3 décembre 2013

Talata 04 Desambra 2013 - Mat 16 : 24 - 28

24Avy eo dia hoy i Jesoa tamin'ireo mpianany:
–Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.

25Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavany Ahy kosa no hahavonjy azy. 26Fa inona no soa azon'ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? Ary inona no azon'ny olona omena ho takalon'ny ainy? 27Eny, rahatrizay ny Zanak'olona* ho avy ombàn'ny voninahitra homen'ny Rainy sady otronin'ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan'olona. 28Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin'izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak'olona tonga amin'ny maha mpanjaka Azy.

lundi 2 décembre 2013

Alatsinainy 02 Desambra 2013 - I Kor 4 : 1 - 5

1Aoka izahay hoheverina ho mpanompon'i Kristy sy ho mpitantana ireo tsiambaratelo momba an'Andriamanitra. 2Ny hany takîna amin'ny mpitantana dia ny ho hita fa olona mahatoky. 3Raha izaho dia tsy mampaninona ahy velively na hotsarainareo, na handia fitsaran'olombelona; fa na ny mitsara ny tenako aza tsy ataoko. 4Tsy manome tsiny ahy velively ny eritreritro, nefa tsy mahamarina ahy izany fa ny Tompo no mpitsara ahy. 5Noho izany, aza mitsara olona alohan'ny fotoana, dia mandra-piavin'ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin'ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon'ny olombelona. Ka amin'izay dia samy homen'Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.

dimanche 1 décembre 2013

Alahady 01 Desambra 2013 - Zak 14 : 1 - 9

1Indro akaiky ny andron'ny Tompo.
Ka eo imasonareo, ry mponin'i Jerosalema,
no hifampizaràn'ny hafa ny fanananareo.
2Ary hangonin'ny Tompo ny firenen-drehetra
hamely an'i Jerosalema;
dia azon'ireo ny tanàna,
ka horobainy ny trano
ary hanaovany an-keriny ny vehivavy;
ny antsasaky ny mponina dia ho lasan-ko babo
fa ny vahoaka sisa kosa ho afa-mijanona ao an-tanàna.
3Dia hiainga hiady amin'ireny firenena ireny ny Tompo,
ka hiady toy izay fanaony amin'ny andro fiadiana.
4Amin'izany andro izany Izy dia hitsangana
eo amin'ny tendrombohitra Analanôliva
izay eo atsinanan'i Jerosalema.
Ary hitresaka roa ny tendrombohitra Analanôliva
ka hisy lohasaha lehibe iray hiseho eo afovoany,
manomboka avy any atsinanana no miankandrefana;
ny antsasaky ny tendrombohitra
dia hifindra hianavaratra,
fa ny antsasany kosa hianatsimo.
5Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io
no lalana handosiranareo,
satria hipaka hatrany Atsala izany.
Eny, handositra ianareo,
dia tahaka ny razanareo
nandositra ny horohorontany
tamin'ny andron'i Hozià mpanjakan'i Joda.
Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro
miaraka amin'ireo anjeliny* rehetra.
6Amin'izany andro izany
dia tsy hilaina intsony
ny fahazavan'ny masoandro;
tsy hisy intsony koa na ny hatsiaka na ny fanala.
7Dia ho andro fahizay lalandava;
ka tsy hisy andro sy alina miavaka intsony,
fa hazava hatrany na dia ny alina aza.
Ary ny Tompo irery no mahalala
ny fotoana hisehoan'izany.
8Ary amin'izany andro izany
dia hisy loharano hifantsitsitra
mandavantaona avy ao Jerosalema;
ka ny antsasany hivarina any amin'ny Ranomasina Maty
ary ny antsasany any amin'ny Ranomasina Mediteranea.
9Amin'izany andro izany ny Tompo
dia hanjaka amin'ny tany manontolo.
Izy irery ihany no Andriamanitra hivavahana,
ary ny anarany irery no hoeken'ny olon-drehetra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12