dimanche 31 janvier 2016

Alahady 31 Janoary 2016 - Lio 7 : 18 - 23

18Ary i Jôhany Mpanao batisa* nilazan'ny mpianany izany rehetra izany, ka niantso roa lahy tamin'ireo mpianany 19sy naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»

20Nony tonga tany amin'i Jesoa izy roa lahy, dia nanao hoe:
–I Jôhany Mpanao batisa no naniraka anay hankatỳ aminao hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»

21Tamin'izany indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro tamin'ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra ny jamba maro.

 22Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe:
–Ndeha ambarao amin'i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra*, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly* ny mahantra. 23Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!

samedi 30 janvier 2016

Sabotsy 30 Janoary 2016 - Rom 16 : 25 - 27

25Ho an'Andriamanitra anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay mampahery anareo araka ny Vaovao Mahafaly* ambarako, araka ny hafatra torîko momba an'i Jesoa Kristy*, araka ny fanehoana tamiko ny tsiambaratelo takona hatrizay tao amin'Izy Andriamanitra. 26Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin'ny alalan'ny soratr'ireo mpaminany*, araka ny didin'ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an'i Kristy. 27Eny, ho an'Andriamanitra hany manam-pahendrena anie ny voninahitra, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, mandrakizay mandrakizay! Amen*'>

vendredi 29 janvier 2016

Zoma 29 Janoary 2016 - Mat 8 : 5 - 13

5Rehefa niditra tao Kafarnahòma i Jesoa, dia nisy kapitenin-tafika nanatona Azy sady nitaraina taminy 6hoe:
–Tompo ô, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.

7Ary hoy i Jesoa taminy:
–Ho avy Aho hanasitrana azy!

8Dia novalian'ny kapiteny hoe:
–Tompo ô, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko. 9Izaho manko, na ambany fahefan'olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.

10Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin'ireo nanaraka Azy nanao hoe:
–Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin'i Israely*. 11Ambarako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba any amin'ny Fanjakàn'ny lanitra*. 12Ireo natao handova ny Fanjakàn'ny lanitra kosa dia horoahina any amin'ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.

13Dia hoy i Jesoa tamin'ilay kapiteny:
–Mandehana, ary aoka ho tonga aminao araka izay ninoanao.
Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay mpanompony.

jeudi 28 janvier 2016

Alakamisy 28 Janoary 2016 - Eze 20 : 39 - 44

 39Ary ny aminareo Israelita kosa dia izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Samia miroso manompo ny sampiny avy ianareo! Nefa any aoriana any dia hankatò Ahy mihitsy ianareo, ary tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony amin'ny fanolorana fanatitra ho an'ny sampinareo. 40Fa teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izao: ny Israelita rehetra eo amin'ny tany dia hanao fanompoam-pivavahana Amiko eo an-tendrombohitra voatokana ho Ahy, dia ilay tendrombohitra avo any Israely'>. Eo no handraisako tsara anareo sy hiangaviako hitondranareo izay rehetra voatokanareo ho Ahy, dia ny fanomezana sy fanatitra amin'izay tsara indrindra anananareo. 41Miaraka amin'ny sorona manetona hanitra ankasitrahiko no handraisako tsara anareo, rehefa havoakako avy eo anivon'ny firenen-kafa ianareo sy hovoriko avy any amin'ny tany izay nampielezako anareo. Ka ny hataoko aminareo no hanehoako ny maha Andriamanitra Masina Ahy eo imason'ny firenen-kafa. 42Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa tafaveriko ao amin'ny tanin'i Israely izay nianianako homeko ny razanareo. 43Ao ianareo no hisaintsaina ny fitondrantenanareo tamin'ny lasa sy ireo asa nampahaloto anareo. Haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra efa nataonareo. 44Tsy araka ny toe-dratsinareo sy ny asa tsy mendrika nataonareo no havaliko anareo, ry Israelita, fa mba ho fitandroako ny lazako. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»

mercredi 27 janvier 2016

Alarobia 27 Janoary 2016 - Kol 1 : 15 - 20

15I Kristy dia endrik'ilay Andriamanitra tsy hita. Izy no Zanaka lahimatoa, ambonin'ny voaary rehetra. 16Tao aminy no naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra any an-danitra sy eto an-tany, ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana'>. Tamin'ny alalany sy ho Azy no naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra. 17Nisy talohan'ny zavatra rehetra Izy sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. 18I Kristy no lohan'ny Fiangonana izay tenany; Izy no fiandohan'ny fiainam-baovao, Zanaka lahimatoa, ilay voalohany natsangana ho velona avy tany amin'ny maty, mba ho lohalaharana amin'ny zavatra rehetra. 19Fa tao aminy no sitrak'Andriamanitra hitoeran'ny hafenoana tanterakadkt hafa ho henika Azy tanteraka. '>; 20ary ny ra nafoiny teo amin'ny hazofijalianaao amin'ny Baiboly, ny hoe ra dia tsy ra fe ra mikoriana ao amin'ny lalan-dra, fa ny aina mihitsy koa (jereo ohatra Gen 9.4-5). Ka ny hoe «ra nafoiny teo amin'ny hazofijaliana» dia manondro ny nanoloran'i Jesoa ny ainy, manondro ny fahafatesany sy ny sorona nataony teo amin'ny hazofijaliana. Ampit Ef 2.16.'> no nanaovan'Andriamanitra fampihavanana, ka dia tamin'ny alalany no sitrak'Andriamanitra hampihavanana amin'Izy Ray ny zavatra rehetra na ny eto an-tany na ny any an-danitra.

mardi 26 janvier 2016

Talata 26 Janoary 2016 - Isa 30 - 19 - 26

19Ary ianao, ry vahoakan'i Tsiôna*
izay monina ao Jerosalema,
tsy hitomany intsony ianao.
Fa hiantra anao tokoa ny Tompo,
raha vao mandre ny antsonao;
eny, hamaly anao Izy raha vao mandre.
20Homen'ny Tompo anao ny mofo sy rano
amin'ny andro ampahoriana sy amoretana anao;
Izy tokoa no mpampianatra anao
ka tsy hiafina aminao intsony,
ary ny masonao mihitsy no hahita Azy.
21Fa na handeha hiankavanana na hiankavia ianao,
dia ho renao avy aoriana izao teny izao:
«Ity no lalana ka araho».
22Hoheverinao ho zava-maloto
ny sampy voasokitra mifono volafotsy
sy ny sarivongana voarakotra volamena,
ka hatsipinao toy ny zava-maharikoriko
ary hataonao hoe: «Mialà amiko!»

23Handrotsaka ranonorana ny Tompo
ho an'ny voa izay nafafinao any an-tsaha,
ka ny sakafo hovokarin'ny tany
dia sady ho betsaka no hatsiro.
Amin'izany andro izany, ny biby fiompinao
dia hiraoka amin'ny kijàna midadasika.
24Ny omby sy boriky miasa tany
dia hihinana vilona voaisy siravilona voaisy sira. '>
sady voaparitaka amin'ny farango fikororohana.
25Amin'ny andron'ilay fandringanana goavana,
rehefa hianjera ireo tilikambo,
dia samy hisy renirano mikoriana
eny an-tendrombohitra manerinerina
sy eny amin'ny havoana miteronterona.
26Amin'ny andro hitsaboan'ny TOMPO
ireo ratra nanjo ny vahoakany
sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy,
ny fahazavàn'ny volana
dia ho tahaka ny an'ny masoandro,
ary ny fahazavàn'ny masoandro
dia hamiratra ho impito heny
raha oharina amin'ny hazavàny isan'andro.

lundi 25 janvier 2016

Alatsinainy 25 Janoary 2015 - Jao 14 : 8 - 11

8I Filipo kosa nanao taminy hoe:
–Asehoy anay ny Ray, ry Tompo, dia ampy ho anay izay.

9Fa hoy i Jesoa taminy:
–Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: «Asehoy anay ny Ray»? 10Tsy mino ve ianao fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ary ny Ray ato anatiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy ambarako avy amin'ny tenako: fa ny Ray Izay mitoetra ao anatiko no manao ny asany. 11Minoa Ahy fa Izaho dia ao anatin'ny Ray ary ny Ray ato anatiko; raha tsy mino ny teniko ianareo, dia minoa ahay noho ireny asa ireny.

dimanche 24 janvier 2016

Alahady 24 Janoary 2016 - Sal 145 : 8 - 14

HETA
              8Miantra sy be indrafo ny TOMPO,
              tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
TETA
              9tsara amin'ny olon-drehetra ny TOMPO,
              be indrafo amin'ny asany rehetra.
JODA
              10TOMPO ô, midera Anao ny asanao rehetra;
              misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
KAFA
              11Resahiny ny fanjakanao be voninahitra
              ary teneniny ny asanao mahery
LAMEDA
              12mba ho fantatry ny olona ny asanao mahery
              sy ny fanjakanao be voninahitra sy malaza.
MEMA
              13Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao;
              amin'ny taona mifandimby ny fanapahanao.
NONA
              Mahatoky amin'ny fampanantenàny rehetra ny TOMPO
              ary be fitiavana amin'ny asany rehetraNona amin'ity salamo araka ny abidỳ ity.'>.
SAMEKA
              14Ny TOMPO no manohana izay rehetra ho lavo
              sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.

samedi 23 janvier 2016

Sabotsy 23 Janoary 2016 - Apo 3 : 7 -13

7–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Filadelfia:

«Izao no lazain'ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin'i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha dia nanankinana iraka mitaky toetra mahatoky sy notolorana fahefana feno mba hanatontosa azy. Ankoatra izany koa dia taranak'i Davida mpanjaka i Kristy (jereo Asa 2.30).'>. 8Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery'> ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy. 9Indro atolotro anao ny sasany avy amin'ireo olona mivavaka amin'i Satàna*: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin'ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin'izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin'ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

12«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin'ny tempoli*n'Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ilay tanànan'Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.

13«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

vendredi 22 janvier 2016

Zoma 22 Janoary 2016 - Sal 74 : 12 - 17

12Kanefa Andriamanitra ô,
Mpanjakanay hatrizay hatrizay Ianao,
mpanao famonjena eto anivon'ny tany.
13Mampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao Ianao,
namakivaky ny lohan'ny dragona teny ambony ranobe,
14nanapotika ny lohan'izany fanany goavana izany
ka nanome ny tenabeny hohanin'ny antsantsa.
15Nanokafanao lalana ny loharano sy ny sakeli-drano,
ary nataonao tankina ny ony tsy mety ritra.
16Anao ny andro, Anao koa ny alina
fa Ianao no nahary ny masoandro amam-bolana.
17Ianao no nametra ny faritra rehetra amin'ny tany,
Ianao koa no nanao ny fahavaratra sy ny ririnina.

jeudi 21 janvier 2016

Alakamisy 21 Janoary 2016 - Jao 6 : 22 - 33

22Ny ampitson'iny, dia tsikaritry ny vahoaka izay tafajanona teny ampitan'ny farihy fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy ny anankiray ihany; ary tsikaritr'izy ireo koa fa i Jesoa dia tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany*, fa ny mpianany ihany no nandeha. 23Kanefa nisy sambokely hafa maro avy any Tiberiada tonga teo akaikin'ilay toerana nihinanan'izy ireo ny mofo, fony avy nisaotra an'Andriamanitra ny Tompo. 24Koa ny vahoaka, rehefa nahita fa tsy teo na i Jesoa na ny mpianany, dia niondrana tamin'ireo sambokely ireo ka nankany Kafarnahòma hitady an'i Jesoa.
I Jesoa no mofo manome aina

25Rehefa nahita an'i Jesoa teny ampitan'ny farihy ny vahoaka, dia nanontany Azy hoe:
–Mpampianatra ô, oviana no tonga teto Ianao?

26Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny itadiavanareo Ahy dia tsy noho ianareo nahita famantarana*, fa noho ianareo nihina-mofo ka voky. 27Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen'ny Zanak'olona* anareo; fa Izy no efa nasian'Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.

28Dia hoy ireo tamin'i Jesoa:
–Inona àry no tokony hataonay mba hanatontosanay ireo asan'Andriamanitra?

29Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Izao no asa imasoan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny!

30Fa hoy ireo taminy:
–Inona àry no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? 31Ireo razantsika dia nihinana ny mana* tany an-taniefitra, araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe: «Mofo avy tany an-danitra no efa nomen'ny Tompo azy ireo hohanina!»

32Tamin'izay i Jesoa dia niteny taminy hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ilay tena mofo avy any an-danitra; 33satria ny mofo omen'Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome ny aina ho an'izao tontolo izao!

mercredi 20 janvier 2016

Alarobia 20 Janoary 2015 - Eks 6 : 2 - 8

2Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy hoe:

–Izaho no «TOMPO». 3Tamin'ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha*» no nisehoako tamin'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr'ireo ny anarako hoe «TOMPO.» 4Nanao fanekempihavanana* tamin'izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany. 5Efa reko ny fitarainan'ny Israelita amin'ny asa fanandevozana ampanaovin'ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho. 6Noho izany, dia lazao amin'ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin'ny asa an-terivozona ampanaovin'ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin'ny fanompoana azy; ka amin'ny heriko tsy hay tohaina sy amin'ny famaizana lehibe no hanavotako anareo. 7Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin'ny asa an-terivozona nampanaovin'ny Ejiptianina. 8Hoentiko any amin'ny tany izay efa nianianako tamin'ny tsangan-tanana fa homeko an'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.»

mardi 19 janvier 2016

Talata 19 Janoary 2016 - Deo 11 : 2 - 7

 2Tsy ny zanakareo no itenenako izao fa ianareo. Tsy ny zanakareo manko fa ianareo no nahalala sy nahita ny fomba nitantanan'ny TOMPO Andriamanitrareo fahizany, dia ny fahalehibiazan'ny TOMPO sy ny fiarovany mahery ary ny fahefany tsy hay tohaina 3mbamin'ny famantarana sy asa nataony. Teo ny nataon'ny TOMPO tany Ejipta hamelezana ny Farao* mpanjakan'ny Ejiptianina sy hamelezana ny taniny manontolo; 4teo ny nataon'ny TOMPO hamelezana ny tafika ejiptianina sy ny soavaliny aman-kalesiny, dia ny nanaronany azy tao amin'ny Ranomasin'ny Volotara* fony nanenjika anareo izy ka voaringana tsy hisy intsony; 5ary teo ny nataony hanasoavana anareo tatỳ an-taniefitra mandra-pahatonganareo amin'izao toerana izao. 6Teo koa ny namelezan'ny TOMPO an'i Datàna sy i Abirama izay samy zanakalahin'i Eliaba, taranak'i Reobena; teo afovoan'ny Israelita rehetra no nisokafan'ny tany sy nitelemany azy roa lahy mbamin'ny ankohonany sy ny lainy ary ny olona rehetra mpomba azy. 7Eny, efa nahita maso ireny asa lehibe rehetra nataon'ny TOMPO ireny ianareo.

lundi 18 janvier 2016

Alatsinainy 18 Janoary 2016 - Jao 10 : 7 - 18

7Dia hoy indray i Jesoa:

–Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no vavahadin'ny ondry*. 8Mpangalatra sy jiolahy avokoa izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. 9Izaho no vavahady: raha amin'ny alalako no idiran'ny ondry, dia hovonjena izy ary ho afa-miditra sy mivoaka ny vala sady hahita tanim-bilona. 10Ny mpangalatra dia tsy tonga raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa no tonga dia ny hahavelona aina ny ondry ary hahavelona aina azy tsy misy fetra.

11Izaho no Mpiandry* tsara. Ny Mpiandry tsara no manolotra ny ainy hamonjena ny ondry. 12Ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry sady tsy tompon'ny ondry, dia mandao ny ondry sy mandositra raha vao mahita ny amboadia tamy; ka ny amboadia no misambotra ny ondry sy mampihahaka azy. 13Ny mpikarama no mandositra, dia satria mpikarama izy ka tsy raharahainy akory ny ondry. 14Izaho no Mpiandry tsara: fantatro ny ondriko ary ny ondriko mahafantatra Ahy, 15tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sady ahafantarako ny Ray; ary manolotra ny aiko Aho hamonjena ny ondry. 16Manana ondry hafa izay tsy avy amin'ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin'ny mpiandry tokana. 17Ny itiavan'ny Ray Ahy dia satria manolotra ny aiko Aho mba handraisako azy indray. 18Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa Izaho ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra ny aiko Aho, ary manana fahefana handray azy indray: izany didy izany no azoko tamin'ny Raiko.

dimanche 17 janvier 2016

Alahady 17 Janoary 2016 - Gal 1 : 11 - 17

11Ampahafantariko anareo, ry havana, fa ny Vaovao Mahafaly* notorîko taminareo dia tsy zavatra novolavolain'olombelona. 12Tsy hoe olombelona no nandraisako azy na nianarako azy, fa i Jesoa Kristy* no nanambara azy tamiko.

13Eny, efa renareo ny fomba fiainako fahiny fony aho mbola nanaraka ny fivavahana jiosy: nanenjika lozantany ny Fiangonan'Andriamanitra aho ary nilofo handrava azy. 14Nandroso tokoa aho tamin'ny fivavahana jiosy ary nihoatra ny ankamaroan'ireo indray nihira tamiko teo amin'ny fireneko sady fatra-pitana kokoa noho izy ireo ny fampianarana nampitain'ny razako.

15Kanefa natokan'Andriamanitra dieny hatrany am-bohòka aho ary nantsoiny hanompo Azy noho ny fahasoavany. 16Ary rehefa sitrak'Andriamanitra ny nanambara ny Zanany* tato anatiko, mba hitoriako ny Vaovao Mahafaly momba azy amin'ny hafa firenena*, dia tsy naka saina tamin'olombelona osa sy malemy aho, 17ary tsy niakatra tany Jerosalema hanatona ireo apôstôly* talohako; fa lasa aho nankany Arabia ary dia niverina tany Damasy indray.

samedi 16 janvier 2016

Sabotsy 16 Janoary 2016 - Mar 10 : 46 - 52

46Dia tonga tao Jerikao ry i Jesoa sy ny mpiara-dia taminy. Ary fony niala ny tanàna i Jesoa sy ny mpianany* mbamin'ny vahoaka be, dia efa nipetraka teo amoron-dalana i Bartimeo jamba mpangataka.
47Reny fa i Jesoa avy any Nazareta izay, ka nanomboka niantsoantso mafy izy hoe:
–Ry Jesoa Zanak'i Davida* ô, mamindrà fo amiko!

48Norahonan'ny olona maro izy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:
–Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!

49Ary nijanona i Jesoa ka nilaza hoe:
–Antsoy izy!

Dia nantsoin'ny olona ilay jamba nataony hoe:
–Mahereza, antsoiny ianao ka mitsangàna!

50Natsipin'i Bartimeo ny lambany, ka niantsambotra nanatona an'i Jesoa izy. 51Dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe:
–Inona no tianao hataoko aminao?

Dia hoy ilay jamba taminy:
–Mpampianatra ô, ny hampahiratra ahy!

52Ka hoy i Jesoa:
–Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao!
Dia nahiratra niaraka tamin'izay ilay jamba, ka lasa nanaraka an'i Jesoa teny an-dalana.

vendredi 15 janvier 2016

Zoma 15 Janoary 2016 - Eks 14 : 1 - 4

1Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO manao hoe:

2–Ilazao ny Israelita mba hiverina hitoby ao akaikin'i Pi-HahirôtaPi-Hahirôta dia mety hidika hoe «Vinanin-dakan-drano», Migdôla dia «tobim-piarovana kely» na «tilikambom-pitiliana», ary Bahala-Tsefôna kosa dia «Bahala-Avaratra».'> eo anelanelan'i Migdôla sy ny ranomasina. Ao no hanorenanareo toby, mifanatrika amin'i Bahala-Tsefôna, eo akaikin'ny ranomasina. 3Dia hiteny ny Farao* hoe: «voan'ny tamberintany ny Israelita, ka voahidin'ny taniefitra.» 4Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro* amin'ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO.

Notanterahin'ny Israelita izany araka ny torolalana.

jeudi 14 janvier 2016

Alakamisy 14 Janoary 2016 - Lio 9 : 10 - 17

10Nony tafaverina ny apôstôly*, dia notantarainy tamin'i Jesoa izay rehetra nataony; ary nentin'i Jesoa nitokana tany amin'ny toerana mangingina akaikin'ny tanàna atao hoe Betsaidà ny apôstôly. 11Vao nahare izany kosa ny vahoaka dia lasa nanaraka an'i Jesoa. Noraisin'i Jesoa tsara ny olona ka nilazalazany momba ny Fanjakàn'Andriamanitra ary nositraniny izay nila fanasitranana.

12Nony efa ho hariva ny andro, dia nohatonin'ny 12 lahy i Jesoa sady nataony hoe:
–Ravao ny vahoaka mba hamonjy ny tanàna kely sy trano an-tsaha eny manodidina, hitady hanina sy fandriana satria an-taniefitra isika izao.

13Dia hoy i Jesoa taminy:
–Ianareo ihany no aoka hanome hanina azy.

Fa ny mpianany kosa niteny hoe:
–Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa izahay, raha tsy hoe izahay angaha no tokony handeha hividy hanina ho an'ireo vahoaka be ireo.

14Fa dimy arivo teo ho eo ny vatan-dehilahy. Ary hoy indray i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Asaovy mipetraka mitsitokotoko ny olona, tokony ho dimampolo isany avy.

15Dia nataon'ny mpianatra izany ka nasainy nipetraka avokoa ny vahoaka.

16Noraisin'i Jesoa kosa ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra an'Andriamanitra noho ireo sakafo ireo, dia nanapaka sy nanome azy ny mpianany harosony amin'ny vahoaka. 17Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nangonina ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nisy 12 sobika.

mercredi 13 janvier 2016

Alarobia 13 Janoary 2016 - Isa 46 : 1 - 7

1Nihareraka i Bela, niletsy i Nebao.
Napetraka teo ambony biby mpitondra entana
ny sarivongan'ireo andriamanitr'i Babilôna ireo;
izay filanja tamin'ny laharam-pihobiana
dia toy ny enta-mifatratra no fitondra azy,
ka mavesatra amin'ireto biby efa reraka.
2Niletsy sy nihareraka ireo andriamanitra
ka tsy afa-mamonjy ny sarivongany intsony:
na dia ny tenany aza lasan-ko babo.

3Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak'i Jakôba,
dia ianareo rehetra sisa velona
amin'ny taranak'i Israely,
ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka
sy notrotroiko raha vao teraka.
4Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza;
hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin'ny volonareo.
Izaho no nanao anareo sy nitrotro anareo hatrany;
eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo.

5Iza moa no ampitovinareo amiko
ary hanoharanareo Ahy?
Iza no hampifandanjanareo amiko
ka hahitana fifanahafana aminay?
6Misy olona mandanilany foana ny volany;
mandanja volamena sy volafotsy amin'ny mizana izy,
dia manarama olona mpanefy firavaka
mba hamboatra ireny ho andriamanitra
izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.
7Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny
sy mitondra azy eny an-tsoroka
sady mametraka azy eo amin'ny toerany,
dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika.
Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly
sady tsy mahavonjy amin'ny fahoriana.

mardi 12 janvier 2016

Talata 12 janoary 2016 - Rom 1 : 18 - 25

18Efa anehoan'Andriamanitra ny fahatezerany avy any an-danitra ny olona, satria tsy manaja an'Andriamanitra ary manao ny tsy rariny amin'ny namana; ka noho ny asa ratsin'ny olona, dia voasarona ilay Andriamanitra tena Izy. 19Fa miharihary amin'ny olona ny tokony ho fantany momba an'Andriamanitra taminy. 20Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin'ny nahariany an'izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra ny olona. 21Nahalala an'Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto. 22Nilaza ho hendry ny olona, nefa tonga adala. 23Ilay Andriamanitra be voninahitra sy tsy mety levona nosoloany sarin-javatra mety levona, dia sary mampiseho olona, vorona, biby mandeha tongotra efatra na biby mikisaka.

24Izany no nanoloran'Andriamanitra ny olona ho andevozin'ny filàn'ny fony, ka handotoany tena amin'ny tsy fanao mahavoafady. 25Ny lainga no nasolony an'ilay Andriamanitra tena Izy, zavaboaary no nohajainy sy notompoiny ho solon'ny Mpahary Izay ankalazaina mandrakizay. Amen*!

lundi 11 janvier 2016

Alatsinainy 11 Janoary 2016 - Isa 46 : 8 - 13

8Ry mpikomy, izao no tsarovy
ka ento manovo hery indray
ary diniho tsara ao am-ponareo.
9Tsarovy ny zavatra taloha teo am-piandohanareo:
Eny, Izaho no Andriamanitra ka tsy misy hafa.
Izaho no Andriamanitra; ka zava-poana avokoa
na inona na inona ampitahaina amiko.
10Efa hatrany am-piandohana no nilazako
ny zavatra hitranga atỳ aoriana;
ary efa hatry ny ela be no nilazako
ny zavatra tsy mbola niseho.
Hoy Aho hoe: «Ny fikasàko,
dia ho tanteraka hatrany;
ary izay rehetra sitrako dia hataoko.»
11Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana,
avy any an-tany lavitra any,
no niantsoako ilay lehilahy
izay hanatanteraka ny fikasàko'>.
Fikasàna noteneniko izany sady hotanterahiko,
fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko.
12Mihainoa Ahy ianareo, ry olona mafy fo
izay mihevi-tena ho lavitra ny fanafahana:
13Hampanatoniko ny fanafahako
fa tsy ho lavitra intsony.
Tsy hitaraiky intsony ny famonjena,
fa Izaho no hanome azy ao Tsiôna*;
eny, zavatra mamirapiratra
no homeko an'i Israely.

dimanche 10 janvier 2016

Alahady 10 Janoary 2016 - Jao 5 : 30 - 38

30–Raha Izaho dia tsy mahavita na inona na inona avy amin'ny tenako. Araka izay reko amin'ny Ray no itsarako; ka ara-drariny ny fitsaràko, satria tsy ny sitrapoko no tadiaviko hatao fa ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy. 31Raha Izaho ihany no vavolombelona manambara ny tenako, dia tsy azo antoka ny fijoroako ho vavolombelona; 32fa misy hafa izay mijoro ho vavolombelona momba Ahy, ary fantatro fa azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona momba Ahy. 33Nandefa iraka tany amin'i Jôhany ianareo, ary nijoro ho vavolombelona nanambara ny marina i Jôhany. 34Tsy dia ny fijoroana ho vavolombelona avy amin'olona anefa no ianteherako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no ilazako izany. 35I Jôhany dia toy ny jiro nirehitra sy nanazava, ka satrinareo nifaliana vetivety ny fahazavany. 36Raha Izaho dia manana fijoroana ho vavolombelona manoatra ny an'i Jôhany, satria ireo asa nomen'ny Raiko hotontosaiko sady ataoko tokoa no vavolombelona momba Ahy sady manambara fa nirahin'ny Ray Aho: 37ny Ray Izay naniraka Ahy mihitsy no vavolombelona nanambara Ahy. Tsy mba nandre ny feony na nahita ny endriny na oviana na oviana ianareo, 38sady tsy mba manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny.

samedi 9 janvier 2016

Sabotsy 09 Janoary 2016 - Dan 3 : 16 - 26

16Dia namaly i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ka nanao hoe:

–Ry Nebokadnetsara, tsy misy tokony hamalianay anao akory momba izany. 17Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin'ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin'ny fahefànao Izy, ry mpanjaka. 18Ary na tsy hataony aza izany, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa ireo andriamanitrao dia tsy hotompoinay ary ny sarivongana volamena izay natsanganao dia tsy hivavahanayRaha tàhiny ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra Izay tompoinay, afaka mamonjy anay, ry mpanjaka ô, dia hanafaka anay amin'ny lafaoro misy afo mivaivay sy ny fahefànao koa Izy. Ary na dia tsy afaka hanao izany aza Izy. '>.

19Dia feno fahatezerana i Nebokadnetsara ka niova endrika tamin'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Nasainy nafanaina impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. 20Ary ireo lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao sy nanipy azy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay. 21Avy hatrany dia nafatotra niaraka tamin'ny lobany sy patalohany ary akanjony sy satrony ireo lehilahy ireo, ka natsipy tao amin'ny lafaoro misy afo mivaivay'>. 22Ary satria hentitra ny tenin'ny mpanjaka dia voafana izaitsizy ny lafaoro, ka matin'ny lelafo mbamin'ny miaramila izay nanipy an'i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. 23Fa izy telo lahy ireto kosa dia voatsipy am-patorana tao amin'ny lafaoro misy afo mivaivay (and 24-45) sy ny hiran'ny sakaizan'i Daniela telo lahy (and 46-90).'>.

24Talanjona anefa i Nebokadnetsara ka nitsangana faingana, ary nanontany ireo mpanolotsainy hoe:
–Moa tsy lehilahy telo mifatotra va no natsipintsika tao anaty afo?

Dia hoy ny navalin'ireo'>:
–Izany tokoa, ry mpanjaka!

25Ary hoy indray ny mpanjaka:
–Koa nahoana àry aho no mahita lehilahy efatra tsy mifatotra, mandehandeha ao anaty afo, nefa tsy misy maratra akory; sady ilay fahefatra dia mitovy endrika amin'ny zanak'ireo andriamanitra?

26Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnetsara ka niantso hoe:
–Ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra ô, mivoaha tao ianareo ka avia atỳ!

Niaraka tamin'izay dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao.

vendredi 8 janvier 2016

Zoma 08 Janoary 2016 - I Jao 1 : 1 - 4

1Ny amin'ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin'ny voalohanytoa midika hoe hatramin'ny fiantombohan'ny asan'i Jesoa ampahibemaso izany (jereo Jôh 1.14, 31, 39); kanefa misy mpandinika mihevitra fa hatramin'ny fiantombohan'ny fitoriana Vaovao Mahafaly nataon'ireo apôstôly izany; ary misy aza mihevitra fa hatramin'izay talohan'ny fahariana izao tontolo izao mihitsy (jereo Jôh 1.1).'>, ka efa renay, efa hitan'ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain'ny tananay no ambaranay aminareo. 2Eny, efa naseho ny fiainana sady efa hitanay; ary tonga vavolombelony izahay ka manambara aminareo ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia ilay fiainana nitodika tany amin'ny Ray ka efa naseho taminay. 3Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo fiombonana aminay koa; fa izahay dia miombona amin'ny Ray sy amin'i Jesoa Kristy Zanany*. 4Izany no soratanay aminareo, mba ho feno ny hafaliantsika.

jeudi 7 janvier 2016

Alakamisy 07 Janoary 2016 - Deo 11 : 8 - 17

8Koa tandremo avokoa ny didy izay ampitaiko aminareo anio mba hahery ianareo ka haka ho fanananareo ilay tany izay hiampitanareo sy hidiranareo, 9ary mba ho maro andro ianareo any amin'io tany io izay nianianan'ny TOMPO tamin'ny razambenareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.

10Ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana azy manko dia tsy mba tahaka an'i Ejipta izay nialanareo. Tany Ejipta, rehefa namafy voan-javatra ianareo, dia nampiasa ny tongotrareo hampidiran-drano hanondrahana azy tahaka ny fanao amin'ny voly anana. 11Fa ny tany, izay hiampitanareo mba halainareo ho fananana, dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady vonton'ny ranonoran-danitra, 12tany izay voakarakaran'ny TOMPO Andriamanitrareo sady tsinjovin'ny masony mandrakariva hatreo amin'ny fiandohan'ny taona ka hatrany amin'ny fiafaràny.

13Raha tena hankatoavinareo ny didy izay ampitaiko aminareo anio, ka ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo no hitiavanareo sy hanompoanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo, 14dia halatsakohampanirîny toy izany hoe hampanirîko, eo amin'ny and manaraka.'> eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoanandrony, izany hoe ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanareo vary sy divay ary menaka. 15Hampanirîko ahitra koa ny sahanareo ho an'ny biby fiompinareo; ary hihinan-kanina ianareo ka ho voky.

16Mitandrema ianareo fandrao ho voafitaka ny fonareo ka hivily hanompo andriamani-kafa ianareo sy hiankohoka eo anatrehany. 17Dia hirehetan'ny fahatezeran'ny TOMPO ianareo, ka hanampina ny lanitra Izy mba tsy hisy ranonorana; ary tsy hahavokatra intsony ny tany, dia ho lany ringana ianareo any amin'ny tany soa izay homen'ny TOMPO anareo.

mercredi 6 janvier 2016

Alarobia 06 Janoary 2016 - Gen 1 : 26 - 31

 26Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika sy manahaka antsika; ary aoka hanjakany ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra, ny biby fiompy sy bibidia rehetra eto an-tany ary koa ny biby madinika rehetra mandady amin'ny tany!»

27Dia nahary ny olombelona mitovy endrika aminy tokoa Andriamanitra; lehilahy sy vehivavy no nahariany azy.

28Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin'ny tany.» 29Ary hoy koa Izy hoe: «Indro omeko ho anareo eran'ny tany tontolo ny zava-maniry rehetra mamokatra voa, ary ny hazo rehetra mamokatra voankazo: ireny voanjavatra sy voankazo fihinana ireny no ho sakafonareo. 30Ary ny omeko ny ahi-maitso rehetra ho sakafony kosa dia ny biby rehetra eto an-tany sy ny voro-manidina rehetra eny an-danitra ary ny biby madinika rehetra mandady amin'ny tany, izany hoe ny manam-pofonaina rehetra.» Dia tanteraka izany. 31Ary hitan'Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.

mardi 5 janvier 2016

Talata 05 Janoary 2016 - Asa 4 : 1 - 12

1Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka teo i Petera sy i Jôhany, dia indreo tonga ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary koa ny Tsadoseanina*. 2Tsy zakan-dry zareo mihitsy ny ampianarin'izy roa lahy ny vahoaka sady itoriany fa tanteraka ao amin'ny tenan'i Jesoa ny fitsanganana velona avy any amin'ny maty. 3Nosamborin'izy ireo i Petera sy i Jôhany, ary satria efa hariva ny andro, dia nataony am-ponja mandra-paharainan'ny andro. 4Maro kosa tamin'izay nihaino ny tenin'Andriamanitra no nino, ka tafakatra ho dimy arivo ny isan'ny vatan-dehilahy mpino.

5Nony ampitson'iny vao nifamory tao Jerosalema ny manampahefana jiosy: dia ny loholona* sy ny mpahay lalàna* 6ary koa i Hanà mpisorombe* sy i Kaiàfa, i Jôhany sy i Aleksandra mbamin'izay rehetra havan'ny mpisorombe. 7Nampanatrehan-dry zareo i Petera sy i Jôhany sady nanontaniany hoe:
–Fahefana ahoana moa na amin'ny anaran'iza no nanaovanareo izany fanaratsiana izany?

8Feno Fanahy Masina i Petera tamin'izay ka nanao hoe:
–Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona, 9raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany, 10dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin'ny vahoaka Israely* manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran'i Jesoa Kristy* avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana kanefa natsangan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty. 11I Jesoa no Ilay voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
          «Ny vato nolavinareo mpanao trano
            no nanjary vato fehizoro!»

12Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin'ny lanitra anarana hafa nomen'Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!

lundi 4 janvier 2016

Alatsinainy 04 Janoary 2015 - Mar 01 : 29 - 34

29Vantany vao nivoaka ny sinagôga* i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry i Simôna sy i Andrea; niaraka taminy koa i Jakôba sy i Jôhany. 30Ary nandry teo am-pandriana ny rafozambavin'i Simôna fa voan'ny tazo, ka nampahafantarina an'i Jesoa avy hatrany. 31Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan'ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an'ireo vahiny.

32Nony hariva efa maty masoandro'>, dia nentin'ny olona teo amin'i Jesoa avokoa izay mety ho marary sy azon'ny demony*. 33Ka dia vory teo anoloan'ny varavarana ny vahoaka rehetra tao an-tanàna. 34Olona maro ianjadian'ny aretina isan-karazany no sitran'i Jesoa, ary demony maro no voaroakany; tsy navelany hiteniteny kosa ireo demony ireo, satria nahalala Azy.

dimanche 3 janvier 2016

Alahady 03 Janoary 2015 - Jao 01 : 01 - 05

1Tamin'ny voalohany, fony nahary an'izao tontolo izao Andriamanitra, dia efa nisy ilay Teny; ilay Teny dia nitodika tany amin'Andriamanitra hatrany, ary ilay Teny dia Andriamanitra. 2Tamin'ny voalohany, dia nitodika tany amin'Andriamanitra ilay Teny; 3Izy no naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra, ka raha tsy teo Izy dia tsy nisy ary ny zavatra noarîna. 4Ilay Teny no nirakitra ny ainaka raha tsy teo Izy dia tsy nisy zavatra ary; ny zavatra noarîna dia tao aminy no nisy aina. '>, ary io aina io no nitondra fahazavana ho an'ny olombelona. 5Ary ny fahazavana dia mamirapiratra anatin'ny haizina, ka tsy nahasakana azy ny haizina.

samedi 2 janvier 2016

Sabotsy 02 Janoary 2016 - Mat 08 : 23 - 27

23Ary niondrana an-tsambokely i Jesoa, ka niarahan'ireo mpianany*. 24Ary nisy tafio-drivotra mahery tonga tampoka teo amin'ny farihin'i Galilea, hany ka efa nila ho safotry ny alon-drano ny sambokely; i Jesoa anefa natory.

 25Dia nohatonin'ireto mpianany Izy, ka nofohaziny sady nataony hoe:
–Tompo ô, vonjeo fa ho faty isika!

26Ary hoy i Jesoa taminy:
–Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?

Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro.

27Gaga ny olona ka vaky vava hoe:
–Avy aiza àry io Lehilahy io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy?

vendredi 1 janvier 2016

Zoma 01 Janoary 2016 - Isa 43 : 14 - 21

14Izao no lazain'ny TOMPO mpanavotra anareo,
dia ilay Masin'i Israely:
«Noho ny fitiavako anareo
dia haniraka olona hankany Babilôna* Aho,
mba hamaha ny hidy rehetra.
15Izaho no TOMPO, ilay Masinareo,
Mpahary an'i Israely sady mpanjakanareo.»

16Izao no lazain'ny TOMPO,
ilay nanokatra lalana tany an-dranomasina
sy nitari-dalana teo anivon'ny rano manonja,
17Ilay nampamoaka ny kalesy sy ny soavaly
ary ny miaramila sy ny andian-tafika mahery,
dia indray lavo ireo ka tsy tafarina intsony,
sempotra ka maty toy ny lahin-jiro milofika;
eny, izao no lazain'ny TOMPO ankehitriny:
18«Aza tsaroanareo intsony
ny zava-niseho voalohany,
aza itodihana intsony ny lasa.
19Fa hanao zavatra vaovao Aho;
ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany,
ka ho hainareo fantarina tokoa.
Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho
sady hampandriaka ony an-tany karakaina.
20Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia
mbamin'ny amboahaolo sy ny vorombe,
satria manisy rano any an-taniefitra Aho
sy nampandriaka ony an-tany karakaina
mba hampisotroako ny vahoaka nofidiko,
21dia ilay vahoaka noforoniko ho Ahy
ka hitantara ny antony hiderany Ahy.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12