mardi 31 janvier 2012

Talata 31 Janoary 2012 - II Mpan 19 : 25 - 28


25 Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao. 26 Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry. 27 Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko. 28 Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao, ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.

lundi 30 janvier 2012

Alatsinainy 30 Janoary 2012 - Lio 17 : 11 - 19


11 Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'i* Samaria sy Galilia.[*Na: Teny anelanelan'i] 12 Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny. 13 Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. 14 Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana. 15 Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery 16 sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny. 17 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? 18 Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
19 Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.

dimanche 29 janvier 2012

Alahady 22 Janoary 2012 - Mat 22 : 15 - 22


15 Ary tamin'izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin'ny teniny. 16 Dia naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona. 17 Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia? 18 Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy? 19 Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin'ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy. 20 Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity? 21 Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. 22 Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.

samedi 28 janvier 2012

Sabotsy 28 Janoary 2012 - I Jao 3 : 18 - 24


18 Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina. 19 Izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany, 20 na amin'inona na amin'inona no anamelohan'ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra. 21 Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan'Andriamanitra isika. 22 Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika. 23 Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran'i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika. 24 Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.

vendredi 27 janvier 2012

Zoma 27 Janoary 2012 - I Tan 28 : 8 - 10


8 Ary ankehitriny, eto anatrehan'ny Isiraely rehetra, fiangonan'i Jehovah, sy eto anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy. 9 Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay. 10 Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.

jeudi 26 janvier 2012

Alakamisy 26 Janoary 2012 - Jao 21 : 15 - 19


15 Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. 16 Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. 17 Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. 18 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao. 19 Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.

mercredi 25 janvier 2012

Alarobia 25 Janoary 2012 - Sal 69 : 1 - 6


1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin'ny aiko ny rano. 2 Milentika amin'ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin'ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka. 3 Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an'Andriamanitro aho. 4 Maro noho ny volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy. 5 Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao. 6 Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon'ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.

mardi 24 janvier 2012

Talata 24 Janoary 2012 - I Kor 2 : 6 - 16


6 Anefa milaza fahendrena amin'ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao, na ny an'ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; 7 fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao; 8 ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra. 9 Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy (Isa. 64. 3), 10 dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza. 11 Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. 12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika. 13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona* araka ny Fanahy** izahay. [ * Na: teny] [** Na: raha mampikambana zava-panahy; na mampitaha zava-panahy] 14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona. 16 Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy*? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy. [* Na: azy]

lundi 23 janvier 2012

Alatsinainy 23 Janoary 2011 - Job 42 : 1 - 6


1 Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: 2 Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao. 3 Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. 4 Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro. 5 Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao; 6 Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.

dimanche 22 janvier 2012

Alahady 22 Janoary 2012 - Sal 103 :


11 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy. 12 Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. 13 Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy; 14 Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika. 15 Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, 16 Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.

samedi 21 janvier 2012

Sabotsy 21 Janoary 2011 - Jao 4 : 16 - 30


16 Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa aty. 17 Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho; 18 fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany. 19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. 20 Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. 25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. 26 Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy. 27 Ary tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao? 28 Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin'ny olona hoe: 29 Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy? 30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin'i Jesosy.

vendredi 20 janvier 2012

Zoma 20 Janoary 2011 - Hos 5 : 1 - 7


1 Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak'Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin'ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran'ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara. 2 Ny mpivadika dia fatra-pamono*; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.[Na: fatra-panao ratsy] 3 Izaho mahalala an'i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely. 4 Tsy avelan'ny ataony hiverina* amin'Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.[Na: tsy mety manao izay hiverenany] 5 Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa. 6 Hitondra ny ombiny aman'ondriny izy ka handeha hitady an'i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy. 7 Nivadika tamin'i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon'ny voaloham-bolana izy mbamin'ny zara-lovany.

jeudi 19 janvier 2012

Alakamisy 19 Janoary 2012 - Mat 11 : 25 - 27


25 Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. 26 Eny, Raiko; fa izany no sitraponao. 27 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.

mercredi 18 janvier 2012

Alarobia 18 Janoary 2012 - Jer 12 : 1 - 3


1 Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra? 2 Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin'ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin'ny fony*.[Heb. voany] 3 Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny* ho amin'ny andro hamonoana.[Heb. hamasino]

mardi 17 janvier 2012

Talata 17 Janoary 2012 - Lio 9 : 46 - 50


46 Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin'izay ho lehibe ao aminy. 47 Ary Jesosy nahalala ny fisainan'ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany; 48 ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe. 49 Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika. 50 Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.

lundi 16 janvier 2012

Alatsinainy 16 Janoary 2012 - Apo 2 : 18 - 29


18 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: 19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. 20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy. 21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. 22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy. 23 Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.  24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. 26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; 27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. 28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. 29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]

dimanche 15 janvier 2012

Alahady 15 Janoary - Mat 24 : 32 - 41

32 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy:* Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.[*aviavimbazaha] 33 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany] 34 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany. 35 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. 36 Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. 37 Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. 38 Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, 39 ary tsy fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. 40 Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. 41 Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.



samedi 14 janvier 2012

Sabotsy 14 Janoary 2012 - Dan 2 : 19 - 28


19 Dia naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana amin'ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an' Andriamanitry ny lanitra Daniela. 20 Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran' Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery. 21 Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina.
22 Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala  zay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy. 23 Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampaha-fantarinao ahy izay nangata-hinay taminao; fa nampaha-fantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka. 24 Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin'i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny
hevitry ny nofiny. 25 Dia nentin'i Arioka faingana ho eo anatrehan'ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan'ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy. 26 Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin'i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin'ny heviny va ianao? 27 Dia namaly teo anatre-han'ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny mpanjaka dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin'ny mpanjaka; 28 kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampaha-fantatra an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan'ny lohanao teo amin' ny farafaranao dia izao:

vendredi 13 janvier 2012

Zoma 13 Janoary 2012 - Marka 8 : 14 - 21


14 Ary tsy tsaroan'ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany. 15 Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda. 16 Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany. 17 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo? 18 Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo? 19 Raha ny mofo dimy no novakiko ho an'ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin'ny folo. 20 Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito. 21 Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?

jeudi 12 janvier 2012

Alakamisy 12 Janoary 2012 - Asa 1 : 21 - 26


21 Koa amin'ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo, 22 hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany. 23 Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia. 24 Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto, 25 mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany. 26 Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.

mercredi 11 janvier 2012

Alarobia 11 Janoary 2011 - Sal 44 : 17 - 22


17 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao. 18 Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay. 19 Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia* sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana.[Na: jakala] 20 Raha nanadino ny anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa, 21 Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po. 22 Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.

mardi 10 janvier 2012

Talata 10 Janoary 2012 - Jer 20 : 10 - 13

10 Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika. 11 Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry*. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany![Na: tsy ambinina] 12 Fa Hianao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko. 13 Mihirà ho an'i Jehovah, miderà an'i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin'ny malahelo tamin'ny tanan'ny mpanao ratsy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12