samedi 30 juin 2018

Sabotsy 30 Jona 2018 - Sal 144 : 6 - 11

6Ataovy mitselatselatra ny helatra hipariaka;
alefao ny zana-tsipîkanao hifanaretsaka.
7Ny tananao atsory avy any ambony
mba hisarika ahy ho afaka amin'ny ranobe,
dia amin'ny famelezan'ny hafa firenena,
8izay miteny fitaka ny vavany
ary fianianana tsy marina
no anandratany tanana ankavanana.

9Andriamanitra ô, hihirako hira vaovao Ianao
ary hankalazaiko amin'ny valiha torifolo:
10«Ianao no manome fandresena ny mpanjaka
sy manafaka an'i Davida mpanomponao.»
11Vonjeo tsy ho voan'ny sabatry ny olon-dratsy144.11 Ny firîndran'ny rijan-teny hebreo dia manainga hanambatra ny hoe (izay mamarana ny and 10) amin'ny and 11, araka ny efa nataon'ny dkt grika tranainy rahateo. aho,
afaho amin'ny famelezan'ny hafa firenena,
izay miteny fitaka ny vavany
ary fianianana tsy marina
no anandratany tanana ankavanana

Misy ady sarotra atrehin'ny mpanao salamo eto ary rehefa miady izany moa dia tsy maintsy manantena fandresena hatrany. Ny hervyna ny paikady ahafahana mandresy no tsy maintsy apetraka tsara. Ny mpanao salamo àry dia:

1 - Niandrandra ny fanampian'Andrianianitra
 Asehony sy haveriny in-droa nv zava-tsárotra hatrehinv: "afaho aho ka vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo". Milaza izany fa manan-kery ny fahavalony ka tsy azo tsinontsinoavina fotsiny. Ny fanehoana ny tànana ankavanana mamitaka eto dia filazàna fa tena hamotika mihitsy izy fa tsy hisomonga fotsiny, raha lokony ho fanampiana sy fiarovana no azo avy amin'ny tànana ankavanana (jereo Isa 41, 10). Tsy mihevi-tena ho inona ny mpanao salamo ahatohitra izany ka miandrandra indrindra ny fanampian'Andriamanitra, miantso ny mpamaky koa izy hanao tahaka azy.

2 - Midera an'Andriamanitra
Toe- javatra fanao sy mivelatra ao amin'ny salamo ary ampianarin'ny mpanao salamo ny mpamaky indrindra ny fideràna an'Andriamanitra. Raha ny marina, ny sehatra misy eto dia ao anaty ady kanefa hasehon'ny mpanao salamo fa tsy ny fisian'ny ady akory no ilazàna hoe sahirana be dia tsy hanam-potoana hiresahana sy hideràna an'Andriamanitra. Ny mifanohitra amin'izany aza no hatao, tena midera an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra ka mino fa io Andriamanitra ío dia mahafantatra izany tokony hanampiana izay rehetra mahatoky Azy. Mitaona antsika hametraka ny fiainana aminy izany na inona na inona mitranga.

Fanontaniana:
Fotoana inona ihany no tokony hideràna ny Tompo?

vendredi 29 juin 2018

Zoma 29 Jona 2018 - Rom 13 : 11 - 14

11Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareo ( hifohazanareo: misy stf sasany ahitana hoe hifohazantsika.)  amin'ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin'ny andro vao ninoantsika. 12Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao àry ny asa fanao amin'ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin'ny mazava. 13Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin'ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana. 14Fa itafio ny fiadian'i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin'ny maha olona mpanota ho amin'ny filàndratsy.

Miomana hanana anjara amin'ny fanionjena

1- Misaraha amin'ny haizina sy ny alina
Eo amin'ny and. 12 dia misy izao: "Efa ho lasa ny alina ... aoka hariantsika ny asan'nv maizina". Ny fotoana hiainantsika ankehitriny dia oharina indrindra amin'ny maizina/alina izay anjakan'ny ratsy toy ny filalaovan-dratsy, ny fahamamoana. ny fijangajangana,... Izany sy ny hafa tsy voatanisa fantatry ny maro dia mamatotra ny olona ka mahatonga azv hiaina ao anaty haizina. Ho an'izay mieritreritra hanana anjara amin'ny famonjena ao amin'ny kristy kosa anefa dia ireo izay mihevi-tena ho kristiana, Tadidio fa tsy enti-poana izany anarana izany fa tsy maintsy manapa-kevitra misaraka amin'ny maizina (jereo Jao 3, 19)

2- Raiso sy hiaino ny mazava
And. 13: "aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro". Ny ambara amin'izany dia ny fiainana izay zava- misy rehetra ao amin'ny mazava. Nv zavatra voalohany takina amin'izany dia nv fananana sy fitafiana an'i Kristy izany hoe mampiditra an' i Kristy ao aminy, manao ny asan'i Kristy. mandeha amin'ny làlan'i Kristy, ary mitory an'i Kristy. Amin'ny tenv hafa, miezaka manatanteraka izay voalaza ao amin'ny Efe 5: 8 - 11. Mety mandeha ho azy ny fitenin'ny olona hoe izaho efa mpandray ny fanasan'ny Tompo nefa aoka handini-tena tsara izy fa izao ny lazain'i Paoly: "izay manao azy fa efa mijoro tsara. dia aoka izv hitandrina fandrao ho lavo" (I Kor 10 - I2)

Fanontaniana:
Ho an'iza ny famonjena omen'Andriamanitra ao amin'i Kristy?

jeudi 28 juin 2018

Alakamisy 28 Jona 2018 - I Mpa 18 : 22 - 29

22dia hoy indray i Elià taminy:
–Izaho irery sisa no mpaminanin'ny TOMPO, fa ny mpaminanin'i Bahala kosa misy 450 lahy. 23Aoka homena ombilahy roa izahay; ka ianareo mpaminanin'i Bahala hifidy anankiray hotetehinareo sy hapetrakareo eo ambony kitay mba hatao sorona, saingy tsy hasiana afo ao. Izaho kosa hikarakara ny anankiray ka hametraka izany eo ambony kitay, saingy tsy hasiana afo koa ao. 24Hiantso ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, fa izaho kosa hiantso ny anaran'ny TOMPO; koa izay mamaly vavaka amin'ny fandrehetana ny afo no ho tena Andriamanitra.

Ary ny vahoaka rehetra namaly hoe:
–Marina izany teny izany.

25Dia hoy i Elià tamin'ny mpaminanin'i Bahala:
–Mifidiana ombilahy iray amin'ireo. Ianareo no mikarakarà voalohany, satria maro ianareo; ary antsoy ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo.

26Dia nalain'ireo ny ombilahy izay nomena azy ka nokarakarainy hatao sorona; ary niantso ny anaran'i Bahala izy hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro nanao hoe: «Ry Bahala ô, mamalia anay!» Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka nanodidina ny alitara namboariny izy. 27Tamin'ny mitataovovonana dia naneso azy ireo i Elià hoe:
–Antsoy mafy ihany fa andriamanitra izy, ka sao dia maro herehina na koa mbola varian-dresaka, na nisy dia nalehany, na koa matory angamba izy ka mila hofohazina.

28Dia niantso mafy indray ireo sady niteti-tena tamin'ny sabatra sy ny lefona mandra-pivoa-dra araka ny fanaony. 29Rehefa dila ny mitataovovonana, dia mbola nirediredy niantso an'i Bahala ihany izy mandra-pahatonga ny fotoana fanaovany sorona takariva, nefa tsy nisy nanoina na namaly teny amam-pihetsika azy akory.

Misy fampianarana ampitain'Andriamanilra amin'ny alalan'i Ellia mpaminany eto izay nalaina indrindra amin'ny ity mofonaina eto ity. Tokonv ho fieritreritry nv olona mamaky ity tenv ity izany.

1 - Tsy voatery ahavita zavatra ny maro
Fitenintsika malagasv ny toy izao: "ny mitabe tsy lanin'ny mamba, ny akanga maro tsy vakin'amboa, ..." izany hoe heverina fa mahavita zavatra sy tsy hay tohaina ny maro. Asehon'ny Tompo kosa anefa eto fa tsy voatery ho marina izany ary koa tsy rehefa vitsy, tokana aza. dia tsy hahavita na inona na inona mihitsy. Andriamanitra dia manana lalan-tsaina tena mifanohitra amin'ny an'ny olona satria ambaranv fa ny làlanareo tsy mba làlako ary ny fihevitro tsy fìhevitrareo (Isa .55, H). Asongadina eto àry fa na dia vitsy, tokana aza dia mahavita zavatra rehefa miankina amin' Andriamanitra

2- Aza mitoky amm'andriamanitra tsy izy
Ny olona dia manana faharesen-dahatra fa tsy mahavita tena velively ka mitady hery any ivelan'ny tenany mba hiankinana amin'ny trangan-javatra maro samihafa eo amin'ny fiainana. Izany no mahatonga ny olona hivavaka na ny kristiana na ny tsy kristiana. Ny zavatra hivahana kosa no samy hafa satria samy manana izay maharesy lahatra azy ka hamonoany tena mihitsy. Aseho eto anefa fa na dia misy fianteherana amin'ny andriamanitra hafa aza dia tsinontsinona ireny, koa asakasak'izay hivavaka amin'ny tsinontsinona.

Fanontaniana:
Vavaka manao ahoana no henoin'Andriamanitra sy valin'Andriamanitry ny kristiana?

mercredi 27 juin 2018

Alarobia 27 Jona 2018 - Mat 6 : 9 - 15

9Koa mivavaha toy izao ( Ny vavaka nampianarin'ny Tompo dia misy fitoviany amin'ny vavaka jiosy (indrindra ilay vavaka mirakitra fankalazana 18) na ny vontoatiny na ny endriny; saingy ny mampiavaka azy dia ny fiantsoana an'Andriamanitra amim-pahatsorana sy ny filaharan'ireo zavatra angatahina.) àry ianareo:

«Ry Rainay any an-danitra ô,
hohamasinina anie ny anaranao;
10ho tonga anie ny Fanjakanao;
hatao anie ny sitraponao,
eto an-tany tahaka ny any an-danitra.
11Omeo anay anio ny hanina sahaza anay (sahaza anay: dkt hafa ilainay na ho an'ity andro ity na ho an'ny rahampitso.),
12avelao ny helokay,
ary tahaka izany koa no amelanay izay meloka taminay;
13aza avela ho azon'ny fakampanahy izahay,
fa manafaha anay amin'ilay Ratsy!
[Anao ny fanjakana sy ny hery,
Anao ny voninahitra mandrakizay (Anao... mandrakizay: jereo 1 Tan 29.11-13.!)*Amen.]

14Eny, raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela anareo koa ny Rainareo Izay any an-danitra; 15fa raha tsy mamela ny olona kosa ianareo, dia mba tsy hamela ny fahadisoanareo koa ny Rainareo Izay any an-danitra.

Tokony ho eo ambavan'ny maro, ny lehibe sy ny kely, ny vavaka nampianarin'ny Tompo. Mety mandeha ampahazarana fotsiny anefa rehefa manonona izany, na dia ho an'ny mpandray ny fanasain'ny Tompo aza izay efa nampianarina manokana izany. Noho izany dia tokony ho ao an-tsaina ireto:

1- Ny ho an'Andriamanitra sy ho an'ny olona
Misy fanehoana mpisolotena "-nao" sy "-nay" eto ka ny "- nao" dia maneho indrindra izay zavatra rehetra atolotry ny olona an'Andriamanitra (ny fanjakanao. ny anaranao. ny sitraponao) ary ny "-nay" kosa dia maneho izay tadiavin' ny olona ainin'Andriamanitra (hanina sahaza ho anav. mamelà ny helokay tahaka ny hamelànavy, manafaha anay). Misy zavatra ifanolorana izany ambara eto fa tsv mahazo mianina fotsiny amin'ny hoe Andriamanitra dia mpanome sy mpanao zavatra ho an'ny olona hatrany. tsy maintsy misy fandraisan'ny olona anjara. Miomàna ianao manatanteraka izany.

2- Zava-dehibe ny fifamelana
Ambaran'ny fampianaran'i Jesoa Kristy eto fa izay mamela heloka no havelan'Andriamanitra heloka ary izay tsy vonon-kamela heloka dia tsy misitraka izany. Tokony ho ao an-tsain'ny olona hatrany àry fa mpanota ny olona rehetra (jereo sal 14, 3 roni 3, 10) koa aza manantena ny havelan'Andriamanitra heloka fotsiny fa atombohy ataon' ny olona samy olona aloha izany.

Fanontaniana:
Misy ve olona tsy mba diso mihitsy ka tsy mila izany famelan-keloka izany akory'?


mardi 26 juin 2018

Talata 26 Jona 2018 - Jer 31 : 10 - 14

10Mihainoa ny tenin'ny TOMPO, ianareo firenen-kafa,
ambarao any amin'ireo nosy lavitra any izany
ka lazao hoe: «Nampiely an'i Israely ny Tompo;
fa izao manangona azy Izy ary miambina azy
tahaka ny ataon'ny mpiandry amin'ny andian'ondriny.»
11Fa efa nanavotra ny olon'i Israely ny TOMPO
ka nanafaka azy tamin'ireo mahery noho izy.
12Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana
ao amin'ny havoanan'i Tsiôna;
ho miramirana endrika izy
amin'ny zava-tsoa homen'ny TOMPO:
dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo,
mbamin'ny ondry sy osy ary omby.
Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy
ka tsy mba hihamalazo intsony.
13Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy;
toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra.
Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
Hovako ho fifaliana ny alahelony,
ka hampiononiko sy hampiravoako izy
mba ho afaka amin'ny fahoriany.
14Hovokisako zava-matavy ny mpisorona
ary hofenoiko zava-tsoa ny vahoakako.

Fantatry ny kristiana tsara fa Andrianianitra dia fitiavana ary maneho izany sy manasoa ny olona amin'izany tokoa lzy. Na izany aza anefa dia tsy tokony ho hararaotin'ny olona hanaovana zavatra tsy manjary izany. Aoka ho tsaroana hatrany fa:

1- Mampiely ny olona Andrianianitra
Tokony ho tsara hatrany ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny olona raha toa ka mankatoa sy feno tahotra Azv ny olona kanefa tsy izany loatra no zava-misy. Fanaon'ny olona ny mivadibadika amin'Andriamanitra ary mahavita izay ratsy indrindra aza ny olona. Tena zavatra mahatezitra an'Andriamanitra mihitsy izany ary efa hanarina hatrany ny olona tsy hanao izany nefa mafy loha tsy azo tenenina koa tsy mahagaga raha faizin' Andriamanitra. Maro moa ny endrika famaizan' Andriamanitra fa eto dia ny fampielezany ny olona no mitranga izany hoe lasa babo any amin'ny tany hafa (jereo Sal 137)

2- Manangona ny olona koa Andriamanitra
Mahagaga koa anefa io Andriamanitra io fa na dia tezitra mafy amin'ny olona aza ka manafay azy dia manao izay hanavotana azy hatrany. Ireo nampieleziny dia mbola hangoniny indray ho eo amin'ny tany efa notendreny ho lovany. Amin'izany tsy hoe monina fotsiny fa hanomanany zava-tsoa; ny fitomaniana hiova ho fifaliana ary ho voky ny olona. Homeny ny olona izany, omeny anao, omeny ny Malagasy raha misy olona vonona hanaraka ny teniny sy ny sitrapony.

Fanontaniana:
Mba misitraka ny soa eo amin'ny taniny ve ny Malagasy?

lundi 25 juin 2018

Alatsinainy 25 Jona 2018 - mar 5 : 1 - 9

1Nandeha sambokely i Jesoa sy ny mpianany ka tonga teny ampitan'ny farihin'i Galilea, teo amin'ny faritanin'i Gergesà5.1 Ny tondroin'i Marka eto dia toa ny faritany tamin'iny atsinanan'ny farihin'i Genesareta na farihin'i Galilea iny. Ampit Mt 8.28 sy nta.. 2Raha vao niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nisy lehilahy nipoitra avy eny amin'ny fasana ( Ny fasana fahizany dia mazàna namboarina tanaty zohy vita nanahary na nolavahana tamin'ny vatolampy.), tonga nitsena Azy. Azon'ny fanahy maloto ralehilahy, 3ka teny amin'ny fasana no niorim-ponenana ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny rojo vy aza. 4Matetika tokoa manko dia nasiana gadra ny tongony sady nofatorana rojo vy ny tanany; fa ny rojo vy notapahiny, ary ny gadra nopotehiny, ka dia tsy nisy olona nahafolaka an-dralehilahy. 5Na andro na alina dia teny amin'ny fasana sy tany an-tendrombohitra tany foana izy, niantsoantso sy nandratra tena tamin'ny vato.

6Nony nahatazana an'i Jesoa ralehilahy, dia nihazakazaka nanatona Azy ka niankohoka teo anatrehany, 7ary niantsoantso ka niteny tamin'ny feo mahery hoe:
–Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra avo indrindra? Miangavy Anao amin'ny anaran'Andriamanitra aho, aza dia ampijalîna re!

8(Satria i Jesoa efa nandidy azy hoe: «Mialà amin'io lehilahy io, ry fanahy maloto!»)

9Dia nanontany an-dralehilahy i Jesoa nanao hoe:
–Iza no anaranao?

Ka namaly izy hoe:
–Tafika no anarako, satria maro izahay!

Mampijaly ny olona amin'ny heriny ny devoly

1- Tsy voafehin'ny olona izany
Voalaza-fa misy olona andevozin'ny devoly eto. Any anaty fasana izy no mitóetra ary minananana mandrakariva no ataony ary hita fa manelingelina sy mampijaly ary mampatahotra olona mihitsy izany. Niezaka nifehy azy ihany ny olona tamin'ny alalan'nv famatorana ny tànany, ny tongony fa niala maina hatrany. Tsy voafehin'ny olona mihitsv ny devoly.
Na dia tsy fahita loatra aza angamba ny fisian'ny demoniaka toy izany eo amin'nv fiainan'ny kristiana ankehitriny, dia manaiky isika fa mbola ampahorian'ny devoly ny kristiana amin'nv ankapobeny. Ary na dia tsy voafehin'ny olona aza izany dia tsy mahazo mipetra-potsiny ny kristiana, fa tsy maintsy mitady fomba handresena azy.

2- Resin'i Jesoa Kristy ny devoly
Vao nahita an'i Jesoa Kristy ilay fanahy ratsy dia voalaza eto fa niankohoka tainin'nv tany teo anatrehany. Ambaran' ny mpahay baibolv fa mariky ny fahambonian'i Jesoa Kristy manoloana ny hery rehetra izany. Ny fampiasana ny fomba fitenv hoe "moa mifaninona akory izaho sy Ianao ry Jesoa" dia mba hanosehana an'i Jesoa tsy hiditra amin'ny zavatra ataony. Kanefa i Jesoa Kristy vao maika niditra. Ny dikan'ny nanontaniana ny anarany, dia mba ahafahana mifehy azy (vakio ny tohin'ny tantara). Koa ny handresena ny devoly izany dia tsy misy afa-tsy ny herin'I Jesoa Kristy irery ihany. koa mangataha izany aminy ianao raha te handresy izany.

Fanontaniana:
Afaka mandresy nv devoly amiivizao ve ny mpiandrv?

dimanche 24 juin 2018

Alahady 24 Jona 2018 - Jer 34 : 12 - 17

12Koa tonga tamin'i Jeremià ny teny avy amin'ny TOMPO nanao hoe:
13«Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Efa nanao fifanekena tamin'ny razanareo koa Aho fony namoaka azy tany Ejipta izay toerana nanandevozana azy. 14Isaky ny fito taona, hoy Aho taminy, dia aoka ianareo samy handefa ho afaka ireo Hebreo mpiray firenena aminareo, Hebreo izay nitolo-tena ho andevo taminareo ka efa nanompo anareo enin-taona. Tokony havelanareo ho afaka malalaka izy (Jereo Eks 21.2-3; Deot 15.12-15.). Kanjo ny razanareo tsy nanaiky Ahy, ary tsy nihaino Ahy akory. 15Fa ianareo kosa tato ho ato dia nanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin'izany, ary hitako fa nanao izay mahitsy ianareo raha nanambara fanafahana ho an'ny namanareo, sady nanao fifanekena ampahibemaso tao amin'ny trano natokana ho Ahy. 16Kanjo niova hevitra ianareo sady nanao tsinontsinona Ahy, fa samy namerina indray ireo mpanompo lahy sy vavy izay efa nalefanareo handeha ka nanery azy ho andevo indray.»

17Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain'ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an'ny mpanompony avy ianareo, dia ho an'ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin'ny fanjakana rehetra eran-tany.

Mahazatra sy fanaon'ny olona

1- Mandà ny tenin'Andriamanitra
Voalaza eto fa nanao fanekena tamin'ny olona Andriamanitra tamin'nv andro nitondrany ny olona nivoaka ny tanv Egvpta. Efa fomba fìasan'Andriamanitra hatrany ampian-dohana mihitsy ny fanaovana fanekena mba hanehoany ny fitiavany ny olona sy hampandraisana andraikitra ny olona satria ny fanekena dia tsy zavatra ataon'ny andaniny amin'nv ankilany fotsiny akory, fa tena ifanaovan'ny roa tonta sy ifamatorana mihitsy aza. Ny fanekena dia zavatra nekena ankatoavina sy hotanterahina ka Andriamanitra dia tsy mba mivadi-panekena izany, saingy tsy mba marína tahaka izany ny olona. Tena zavatra fanaon'ny olona mihitsy ny tsy manaiky ny tenin' Andriamanitra.

2- Mody manaiky ny tenin'Andriamanitra
Hitan'Andriamanilra fa ratsy ny ataon'ny olona kanefa tsy navelany amin'izao ny olona fa noteneniny sy nanariny. Noho izany dia nilaza fa hanaiky ny tenin'Andriamanitra kinanjo ny nataonv ihany no mbola hataonv hatrany.

Heverina fa tena ratsy noho ny tsy manaiky avy hatrany aza ny mody manaiky satria tena mpamitaka sy mpandainga tsotra izao. Eto anefa dia aseho fa toetran'olona izany, izany hoe ratsy ny olona, mpihatsara ivelantsihy. Nahatezitra an'Andriamanitra izany ka namaizany nv olona tamin'ny alalan'ny sabatra, ny areti- mandringana, ny mosary. Loza mihantona ho an'ny olona ny fivadihana amin'ny Tompo.

Fanontaniana:
Ahoana no ataonao raha mody manaiky ny teninao fotsiny ny zanakao?

samedi 23 juin 2018

Sabotsy 23 Jona 2018 - Job 6 : 8 - 10

8Enga anie ka ho to ny faniriako
ary hotanterahin'Andriamanitra ny fanantenako!
9Ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy;
hoesoiny anie ilay tànam-piarovany
mba hanaperany ny aiko.
10Hibita-kafaliana aho na dia omba-ngirifiry mazana aza
ary hahita fiononana ahay amin'ny hoe:
tsy mba nandika ny didin'Andriamanitra masina.

Rehefa misy zavatra tena rnafy manjo dia
1- Mety ho tonga amin'nv famoizam-po
Mihasarotra ny fiainana, tsapa fa tena miha sahirana ny Malagasy ankehitrinty, ary tsy hoe fahasahiranana mandalo fa toa hitoetra mihitsv izany. Ny zava-misy eo amin'ny fiaraha-monina moa vao maika manampy trotraka izany  :  toy ny eo amin'ny lafiny politika; ny lafiny ekonomika; ny sosialy. Raha tsy hiresaka afatsy ny tsy fandriampahalemana isika. Ny tonlolon'ny fananan-tany koa dia tena zava-doza no iainana satria toa tsy an'ny malagasv intsony i Madagasikara. Mizaka fahoriana managidv ny Malagasy, ary tsikaritra noho izany fa miha mitomho ny olona mamoy fo: inona no vahaolana? aiza ny tany haleha? inona no hatao? hanao ahoana ny hoavin'ny taranaka? Mampamoy fo ny zava-misy

2- Tsaiovv fa Andriamanitra dia manana vahaolana
 Hahavanonan-doza ny famoizam-po nefa tsy vahaolana maharitra izany, fa hiteraka olana hafa ary tadidio fa mampiditra ho amin'ny kizo folsiny izany raha tanterahina tokoa. Amin'ny maha kristiana. andeha aorina ny fìnoana fa Andriamanitra ivavahantsika dia manana vahaolana maharitra sy azo antoka: vakio ny Matio 28, 11. Mitaona ny olona, ny kristiana indrindra ny Tompo mba hatoky Azy. ahay hametraka ny adiny eo Aminy fa izanv no ahafahany manampy ny kristiana. Hoy isika Malagasy: ny fahoriana tsy ambara amin'nv namana dia zakan'ny tompony ary koa nv entan-jaray mora zaka koa zarao amin'ny Tompo izanv.

Fanontaniana:
Hainao ve ny mizara ny vesatra mianjady aminao amin'ny Tompo ?

vendredi 22 juin 2018

Zoma 22 Jona 2018 - Lio 4 : 14 - 20

14Nombàn'ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina tany Galilea; ary nanomboka niely tamin'ny faritany manontolo ny lazany. 15Nampianatra tany amin'ny sinagôga Izy sady nomen'ny olona rehetra voninahitra.

16Nandeha tany Nazareta tanàna nahabe Azy i Jesoa ary tamin'ny andro sabata dia niditra tao amin'ny sinagôga araka ny fanaony. Nitsangana Izy hamaky ny Soratra Masina 17ka natolotra Azy ny bokin'i Isaià mpaminany. Novelariny ilay boky ary izao no andinin-tsoratra hitany:

18«Ato amiko ny Fanahy avy amin'ny Tompo.
Ka natokan'ny Tompo Aho hanambara
Vaovao Mahafaly amin'ny mahantra;
nirahiny Aho hitory fanafahana amin'ny mpigadra
sy fahiratana amin'ny jamba,
hanafaka ny ampahorîna
19ary hitory taona hanehoan'ny Tompo fanambinana (Isa 61.1-2, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..)»
20Rehefa nahorony ilay boky ka naveriny tamin'ny mpandraharaha, dia nipetraka i Jesoa. Nifantoka teny aminy avokoa ny mason'izay rehetra tao amin'ny sinagôga.

Indroa eto ny filazana ny fisiana sy ny llasan'ny Fanahin' Andriamanilra ao amin'i Jesoa Kristy. Izany dia manery Azy tsy hitomoemoe-poana fa ihetsika sy hiasa mba hanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Maro ny asa lehìbe vokarin'nv Fanahin'ny Tompo eo amin'ny fiainain'ny olona fa ireto no voaresaka eto:

1- Mitory nv filazantsara aniin'ny malahelo
Iraka ataon'ny Tompo ary ampanaoviny ny fiangonana ny fitoriana nv filazantsara. Ny hoe mitory ny filazantsara dia fìtaomana ny olona hanana anjara amin'ny asa fisoronana nataon'i Jesoa Kristy ho an'ny mpino Azy. Tokony ho an'ny olona rehetra izany raha ny marina (jereo Lio 2, 10-11). Ny hoe filazantsara koa, ara-bakiteny dia milaza zavatra tsara amin ny olona, manome zavatra tsara ny olona ary iza moa no omeny ny zavatra tsara? Ny tsy manana indrindra; ireo 110no tondroina amin'ny hoe malahelo mba hilazana hoe misy zavatra banga ao aminy ka hofenoin'ny filazantsara. Meteza àry malahelo mba omena ka hanana.

2- Milaza fanafahana nv mpifatotra
Ny ahalantarana ny hoe mpifatotra dia olona migadra na olona voaheloka amin'ny ankapobeny. I Paoly izao dia voalaza hoe nanoratra taratasy tany am-pifatorana. Azo lazaina koa anefa fa voafatotry ny fahotana na fahazaran-dratsy na devoly ny olona ary ireny indrindra no afahana eto. Ny olona manana ny Fanahy Masina rehetra dia tokony ahavita izany fanafahana izany koa mivonona ho isan'izany fa tsy hiseho ho voafatotra hatrany ka miandry fiantrana.

Fanontaniana:
Azo antsoina ho malahelo ve ny mpanan-karena sy ny manam-boninahitra?


jeudi 21 juin 2018

Alakamisy 21 Jona 2018 - Mpi 10 : 6 - 16

6Ary mbola nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita ka nanompo ny Bahala sy Hastarôta ( Jereo 2.13 sy nta.) andriamani-tsiizy, mbamin'ny andriamanitry ny Sirianina sy ny Tsidônianina na ny andriamanitry Môabita sy ny Hamônita ary ny Filistinina; fa nandao ny TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony. 7Dia nirehi-pahatezerana tamin'ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan'ny Filistinina sy ny Hamônita. 8Nanomboka tamin'izany taona izany ary nandritra ny 18 taona ireo no nampahory sy nanenjika ny Israelita izay nonina tany Gilehada sy tao amin'ny faritanin'ny Amôrita teny an-dafy atsinanan'i Jôrdàna. 9Niampita ny ony Jôrdàna mihitsy aza ny Hamônita mba hiady amin'ny fokon'i Joda sy i Benjamîna ary i Efraîma; ka nijaly mafy ny Israelita. 10Noho izany dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy ka nanao hoe:
–Nanota taminao izahay, satria nandao Anao Andriamanitray ka nanompo ny Bahala andriamani-tsiizy.

11Dia hoy ny TOMPO tamin'ny Israelita:
–Raha nampahory anareo ny Ejiptianina sy ny Amôrita na ny Hamônita sy ny Filistinina 12na ny Tsidônianina sy ny Hamalekita ary ny Midianita ka niantso vonjy tamiko ianareo, moa tsy namonjy anareo ho afaka teo an-tanan'ireny va Aho? 13Saingy ianareo dia nandao Ahy ka nanompo ireo andriamani-kafa. Noho izany dia tsy hamonjy anareo intsony Aho. 14Andeha antsoy ireo andriamani-tsiizy efa nofidinareo. Aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny androm-pahorianareo!

15Fa hoy ny Israelita tamin'ny TOMPO:
–Efa nanota izahay. Ataovy izay rehetra sitrakao hatao aminay, fa anio mba vonjeo ihany izahay!
16Dia narian'ny Israelita tsy ho eo anivon'izy ireo ny andriamani-kafa, ka notompoiny indray ny TOMPO Izay tsy nahazaka hijery ny fijalian'i Israely.

Ny fanompoana andriamanitra hafa dia:

1- Mahatezitra an'Andriamanitra
Fitantaràna sy fanehoan-javatra tena miavaka ao amin'ny Baiboly ny fanehoana ny fífandraisain'ny olona amin' Andriamanitra. Satria aseho ao fa tena mpivadibadika tokoa ny olona: izany hoe ny fanekeny an'Andriamanitra ho mpamonjy sy hivavahana; nefa vetivety eo dia miala amin'Andriamanitra indray izy ireo fa mitodika amin'ny zavatra hafa mihitsy. Aseho eto fa mahatezilra mafy an'Andriamanitra izany fihetsiky ny olona izany, ka mahatonga Azy hampitondra faisana ny olona. Eto izany dia aseho amin'ny hoe: nahantra indrindra ny israely izany hoe niaina tao anaty fijaliana tamin'ny lafiny rehetra noho ny fialàna tamin'Andriamanitra, satria nahatezitra mafy Azy ny zavatra nataony

2- Nefa miantso ny olona hiverina Aminy Izy
Ao amin'ny And 14 dia manao esonteny ny olona Andriamanitra noho ny hadalàn'ny olona ihany. Kanefa mampieritreritra koa Izy ka miantso azy handanjalanja ny zavatra misy eo amin'nv fíainany. Taomina ny olona hampitaha hoe nanao ahoana izy fony teo ambany fitondran'Andriamanitra sy ny zava-nanjo azy ireo rehefa niala tamin'Andriamanitra indray. Tsapa eto fa nahatsiaro ny fahadisoany ny olona ka nanao hoe " efa nanota izahay, ataovy aminay izay rehetra sitrakao, kanefa mba vonjeo izahay" (and 15). Lazaina fa mahatsara ny olona ny zava-tsarotra mihatra amin'ny fiainany mba handinihany tena.

Fanontaniana:
Manaiky ve ianao fa mahatsara ny olona, ny kristiana indrindra indrindra. ny zava-tsarotra sedraina?

mercredi 20 juin 2018

Alarobia 20 Jona 2018 - Sal 37 : 34 - 40

  34dia hasandrany ho mpandova ny tany ianao
      sady hahita ny olon-dratsy ho fongotra.
RESA
   35Izaho nahita olon-dratsy nanjakazaka
       ary nisandrahaka toa sederan'i Libano.
   36Nandalo indray aho, dia tsy teo intsony izy,
       ary nokarohiko fa tsy nety hita.
SINA
    37Diniho ny olom-banona, jereo ny olo-mahitsy,
       dia ho tsapanao tokoa fa ny hasambarana
       no valiny omena ny olona toy izany.
    38Ny olo-meloka kosa dia haringana avokoa:
       ny famongorana no valiny omena ny olon-dratsy.
TAO
    39Mamonjy ny olo-marina ny TOMPO
       sy miaro mafy azy amin'ny andro mahory.
    40Manampy sy manafaka azy ny TOMPO,
       manafaka azy amin'ny olon-dratsy
       ka mamonjy azy noho ireo mialoka aminy.

Fampanantenan'Andriamanitra ny olony hatrany am- piandohana (hatrany amin'ny genesisy) ny fampandovàna tany nv olony (ohatra: Gen 12, 7: ...sns) ary nitety vanim- potoana mihitsy izany fampanantenàna izany. Andriamanitra mantsy dia tsy mampisaraka velively ny olona amin'ny tany. Tsy ny olona rehetra anefa dia nokendreny handova izany daholo fa ireo izay manaraka ny fepetra teneniny ihany. Araka ity salamo ity dia ireto no arahana mba handovàna ny tany:

1 -  Miandry ny Tomno
Ny hoe miandry dia filazana elanelam-potoana fiandrasana izay mety tsy ho voafaritra mialoha. Rehefa miandry koa dia misy zavatra maro samihafa sedraina. Noho izany rehefa miandry ny Tompo dia mila mandefitra (jereo Sal 37.11), mandefitra amin'ny zavatra mitranga manodidina rehetra. Mitaky fiaretana koa ny miandry (jereo Sal 130. 5- 6), ary tsy miala amin'ny fialofana Aminy velively amin'izany, ka manantena ny famonjen'Andriamanitra sy ny heriny mba hanampy ny olona (jereo Oha 20, 22; Isa 57, -13). Entanina àry ny olona aharitra hiandry ny Tompo, ka tsy hanao ilay fiteny hoe andraso eo i Paoly

2 -  Mitandrina ny làlany
Ahoana moa no ahafahana hitandrina ny làlan' Andriamanitra raha tsy mahafantatra ny làlana aloha? Ho an'ny kristiana dia tsy sarotra izany satria i Jesoa no làlana. Mila manana Azy izany fa tsy mandeha amim- pahazarana fotsiny sy amin'ny endrika ivelany ihany.

Fanontaniana:
Afaka miteny ve ny kristiana hoe handova nv tany ampanantenain'nv Tompo azy?

mardi 19 juin 2018

Talata 19 Jona 2018 - Mat 20 : 29 - 34

29Nony niala tao Jerikao i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesoa. 30Ary indreo nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana. Reny fa hoe i Jesoa no nandalo, ka niantsoantso mafy izy roa lahy nanao hoe:
–Ry Tompo, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo aminay!

31Norahonan'ny vahoaka izy roa lahy hangina, kanefa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:
–Ry Tompo, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo aminay!

32Dia nijanona i Jesoa sady niantso azy roa lahy ka nanao hoe:
–Inona no tianareo hataoko aminareo?

33Ary hoy ireo taminy:
–Tompo ô, ny mba hampahiratra ny masonay!

34Onena i Jesoa ary nikasika ny mason'ireto jamba. Dia nahiratra niaraka tamin'izay izy roa lahy, ka lasa nanaraka an'i Jesoa.

Izay mahafantatra an'i Jesoa Kristy dia:

1- Mitady vonjy Aminy
Eto amin'ny and. 20 dia voalaza hoe nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesoa Kristy. Inona no antony nanarahan'izy ireo Azy? Tsy milaza na inona na inona nv amin'izany ny Soratra Masina manoloana antsika anio. Ny voalaza kosa dia izao: nisy jamba roa lahy teo amoron-dalana ka rehefa nandre fa nandalo i Jesoa Kristy dia niantsoantso nila vonjy taminv izy roa lahv ireo. Ireto jamba ireto izanv dia mahatsiaro fa mila vonjy ary i Jesoa dia ninoany fa mpamonjy afaka hanampy azy ireo koa nanararaotra niantso sy nitady vonjy Taminy izy ireo.

2- Mandresy ny sakana
Rehafa niantsoantso izy ireo dia voalaza fa "niteny mafy azy ireo ny vahoaka mba hangina" (and. 31) Inona no dikan'izany? Mankarenin-tsofína ve izy ireo dia hampanginina sa tsy tian'nv vahoaka ho sitrana izy ireo sa tsy tian'ny vahoaka elingelenina i Jesoa Kristy ? Ny andrasana izany dia ny hanginan'izy roa lahy. Tsy izany anefa no nitranga fa vao maika niantsoantso mafy izy roa lahy izany hoe nampitomboiny mafy nv kiakiakam- paniriana te ho sitranin'i Jesoa Kristy. Ary vokany dia nijanona i Jesoa Kristy namaly ny hetahetam- pahasitranan'izv roa lahv. Ny manatona an'i Jesoa sy mila vonjy Aminy dia tsy mandeha ho azy amin'izao, tsy vita mora fotsiny fa misy sakantsakana ka izay mandresy ny sakana no hisitraka famonjena.

Fanontaniana:
Misv ve mpanara-dia an'i Krisly kanefa tsy misitraka na inona na inona avy Aminy?

lundi 18 juin 2018

Alatsinainy 18 Jona 2018 - Isa 38 : 1 - 9

1Tamin'izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany, zanakalahin'i Amôtsa, ary nilaza taminy ny tenin'ny TOMPO hoe: «Ataovy ny fara hafatrao amin'ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.»

2Dia nitodika tany amin'ny rindrina i Hezekià ka nivavaka tamin'ny TOMPO, 3ary nanao hoe: «TOMPO ô, mba tsarovy fa nandeha tamim-pahamarinana sy tamin-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao!» Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.

4Ary nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Isaià nandidy 5handeha hilaza amin'i Hezekià hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao, ka hampiako 15 taona ny andro hiainanao. 6Ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria; ary ity tanàna ity dia harovako noho ny amin'ny tenako sy i Davida mpanompoko38.6 Ny and 21-22 dia natsofoka aorian'ity and 6 ity toy izay hita amin'ny andalana mirazotra ao amin'ny 2 Mp 20.1-11..»

Ary nampaka ampempan'aviavy i Isaià mba hapetaka eo amin'ny vay ka hahasitrana ny mpanjaka.

Dia hoy i Hezekià taminy: «Inona no famantarana fa afaka hiakatra ao an-tranon'ny TOMPO aho?»

7Dia novaliany hoe: «Izao no famantarana omen'ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy. 8Ny tohatr'i Ahaza38.8 Ahaza: rain'i Hezekià (2 Mp 18.1.)., izay azon'ny masoandro anikeheo, dia efa nidinan'ny aloka; indro fa hampihemorin'ny TOMPO ambaratonga folo izany aloka izany.»

Dia azon'ny masoandro indray ny ambaratonga folo izay efa nidinan'ny aloka teo.

Isan'ireo mpanjaka teo amin'ny Zanak'i Israely nihaino sy nankatoa ny tenin'Andriamanitra i Ezekiela mpanjaka. Antony iray nahatonga an'Andriamanitra namaly vavaka azy izany. Tsy ho azy irery anefa izany soa avy  amin'Andriamanitra izany fa ho an'ny tany iadidiany koa.

 Mamaly vavaka Andriamanitra raha:
1- Manao ny sitrapony ny olona
Ady hevitra eo amin'ny kristiana matetika ny hoe aiza izay valim-bavaka azo nefa efa tena nangataka aho. Tsara atao an-tsaina anefa fa Andriamanitra dia tsy miasa ho an'ny olona iray fotsiny na sehatra iray ihany, fa ho an'izao tontolo izao mihitsy. Ny olona no tsy mahita afatsy ny tenany. Ankoatra izany. ny olona rehefa miabo ny zavatra azony vao lazainy hoe mivaly nv vavaka nataony kanefa tsarovy fa efa valiny daholo na miiba aza no azo. Ny fananana toe-po sy fahavononaana hanao ny sitrapon' Andriamanitra koa dia ahafahana manantena valim-bavaka

2- Mitomany eo anatrehany ny olona
Mitomany ny olona, amin'ny ankapobeny, rehefa misy zavatra mafv manjo azy. Ny lehilahy kosa anefa dia tsy mpitomanimany fotsinv amin'izao koa inona loatra àry no tena anton'ny ranomason'i Hezekia eto? Nivavaka teo anatrehan'Andriamanitra izy tamin'ny fo feno fanetren- tena ary lasa ho azy ny ranomasony, tsy fanahy iniana mihitsy. Mandeha ho azy izany fa tsy amboarina velively, ny fo enti-mivavaka marina no zava-dehibe.

Fanontaniana:
Efa nahazo valim-bavaka tamin'ny Tompo ve ianao?

dimanche 17 juin 2018

Alahady 17 Jona 2018 - Apo 12 : 7 - 13 : 1a

7Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela (12.7 Mikaela: jereo Jod 9 sy nta.) sy ny anjeliny no niady tamin'ilay dràgona; ary niady ilay dràgona mbamin'ny anjeliny (12.7 Ampit Gen 3.1; Lk 10.18.). 8Kanefa resy ilay dràgona, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony. 9Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satàna, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin'ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny. 10Dia reko nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Tonga izao ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakàn'ilay Andriamanitsika, tonga izao ny fahefàn'ilay Mesiany; satria nazera ilay mpiampanga an'ireo havantsika, dia ilay mpiampanga azy ireo andro aman'alina teo anatrehan'Andriamanitsika (12.10 Ampit Jôb 1.9-11; Za 3.1-2. –ilay mpiampanga: izany no hevitry ny hoe Satàna raha araka ny tena fiavian'io teny io.). 11Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin'ny Zanakondry sy ny tenin'Andriamanitra nijoroan'izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza. 12Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!»

1Dia nahita biby anankiray nipoitra avy tany an-dranomasina aho; nanana tandroka folo sy loha fito izy;

13Rehefa hitan'ilay dràgona fa voazera tamin'ny tany izy, dia ilay vehivavy niteraka ny zazalahy no nenjehiny. 14Fa nomena eladroan'ny voromahery lehibe ravehivavy mba hanidinany hankany an-taniefitra, ho any amin'ny toerana izay amelomana azy mandritra ny telo taona sy tapany (12.14 Ampit Dan 7.25; 12.7.), ka ho voaaro amin'ny famelezan'ilay bibilava. 15Ny vavan'ilay bibilava kosa namoaka rano toy ny riaka hanaraka an-dravehivavy mba hipaoka azy. 16Kanjo novonjen'ny tany ravehivavy, fa nitresaka ny tany ka nitelina ny riaka izay nalefan'ny vavan'ilay dràgona. 17Dia tezitra tamin-dravehivavy ny dràgona ka lasa nandeha tamin'ny taranany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny hafatra nijoroan'i Jesoa ho vavolombelona; ary nijanona teo amin'ny fasi-dranomasina ilay dràgona12.17 ary nijanona... ilay dràgona: (misy stf sasany ahitana hoe ary nijanona teo amin'ny fasi-dranomasina aho, ka mampifandray ity andininy ity amin'ny andininy manaraka.).

Mampieritreritra sady mampatahotra tokoa izay voalaza eto amin'ny and 12: " loza ho an'ny tany... fa nidina any aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe". Eo anatrehan'izany dia:

1- Mivonona hiady amin'ny devoly
Tokony ho ao an-tsaina fa tsy i Mikaela sy ny anjeliny ihanv no mila miady fa isika koa. Misy tononkira maromaro mihitsy ao anaty fihirana manondro ny kristiana ho toy ny miaramila, koa ilaina ny miomana sy mivonona miady. Misy loza mihatra mantsy ny fiainana araka ny voalaza teo ambony, tsy azo tsinontsinoavina velively izany. Ho ao an-tsaina koa anefa fa tsy vitan'ny herin'ny olona samy irery ny miatrika izany koa ilaina indrindra ny mangataka hery avy amin'Andriamanitra, toy ilay nananan'i Mikela sy ny namany hahafahana mandresy.

2- Mitandrina ny didin'Andriamanitra
Mety tsy hanana fanomezam-pahasoavana ho tonga mpiandry avokoa ny olona rehetra. Izany anefa tsy midika hoe meneke ho resen'ny devoly fa tsy maintsy miady hatrany. Mety misy fotoana hiadivanao miaraka amin'ny olona hafa, mpiandry ohatra. fa mila miomana koa anefa hiatrika ady irery. Izao no lazain'i Jesoa Kristy: " ny zavatra rehetra hain'ny mino" (Mar: 9,23) Koa manàna fìnoana aloha, tena zava-dehibe izany ary ambonin'izany, ny mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny mitàna ny filazana an'i Jesoa Kristy dia afaka hanohitra ny devoly.

Fanontaniana:
Ny mpiandry ihany ve no afaka hanohitra ny devoly?


samedi 16 juin 2018

Sabotsy 16 Jona 2018 - Sal 40 : 11 - 17

11Tsy mba afeniko ato am-poko ny fanafahanao,
ambarako fa Mpamonjy mahatoky Ianao;
ny vahoakanao tafangona amborahako
ilay fitiavanao tsy miova ho anay.
12TOMPO ô, tsy hitsahatra hamindrafo amiko Ianao;
ilay fitiavanao tsy miova no hiaro ahy lalandava.

13Manemitra ahy ny loza tsy hita isa;
mizaka ny vokatry ny heloko aho
sady tsy mahajery azy intsony
noho izy ireny maro noho ny volon-dohako;
ka ketraka dia ketraka ny foko.
14TOMPO ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy!
TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!
15Ho menatra sy mangaihay avokoa anie
izay olona mitady hahafaty ahy!
Hihemotra sy ho afa-baràka anie
izay olona maniry loza ho ahy!
16Aoka ho ankona safotry ny henatra
ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»

17Izay rehetra mitady Anao kosa anie
hifaly sy hiravoravo amin'ny nataonao;
ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie
hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa ny TOMPO!»

lanjadiam-pahoriana maro ny mpino

1- Noho ny zava-misy ao anaty sy manodidina azy
Ny olona amin'nv ankapobeny, ny mpino koa aza dia tsy mihevitra loatra ny fahadisoana na ny ratsy ataony fa mahita mandrakariva kosa ny fahadisoain'ny hafa, tokony hampieritreritra mihitsy noho izany ilay tenin'i Jesoa Kristy araka ny Mat 7, 5. Ny mpanao salamo kosa anefa eto dia miaiky fa tena nahavita heloka be tokoa izy. Tokony ho fíeritreritra indrindra izany satria izay manetry tena no hasandratra hoy ny Soratra Masina. Ambonin' izany anefa. ny manodidina koa tsikaritra eto dia vao maika manampy trotraka ny vesatra efa entina. Tsy mahagaga raha mihamitombo ny isan'ireo mamoy fo.

2- Misy anefa ny fanantenana
Manolotra vahaolana ombam-panantenana ny mpanao salamo ho an'ny olona rehetra na mafy aza ny manjo. Tsy maintsy misy ny trangan-javatra mifamaofao eo amin'ny fiainana ary tsy manamaivana ny zava-misy velively izy akory fa mampitodika ny olona amin' Andriamanitra kosa. Mandresy lahatra ny mpino izy araka ny fehin-teniny. and. 17: na día ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy, mpamonjy sy mpanafaka ahy lanao. Manamafy izany ny Jao 16, 33. Amin'ny zava-mitranga aminao àry, mahaiza manao tahaka ity mpanao salamo ity.

Fanontaniana:
Araka ny hevitrao, afaka hiandry an'Andriamanitra toy ny mpanao salamo ve ny kristiana ianjadiam-pahoriana?

vendredi 15 juin 2018

Zoma 15 Jona 2018 - Jak 1 : 26 - 27

26Raha misy manao ny tenany ho mpivavaka saingy tsy mahafehy ny lelany, dia mamita-tena ka zava-poana ny fivavahan'izany olona izany. 27Fa amin'Andriamanitra Ray ny fivavahana madio sy tsy misy tsiny dia izao: ny miahy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriana mahazo azy (Ampit Is 1.17.) ary ny miaro tena tsy ho voapentimpentin'izao tontolo izao.

Ny tena mpivavaka marina

Melohin'ny mpanoratra ato amin'ity epistily ity ireo milaza -tena ho mpivavaka kanefa tsy manao asa mifanaraka amin'ny finoany. Ny tena mpivavaka marina hoy izy dia:

1- Mahafehy, ny lelany
Singa kely monja eo amin'ny vatana ny lela, kanefa afaka hampidi-doza ny tena manontolo. Ny teny tsy voalanjalanja ataon'ny olona iray ao amin'ny Fiangonana dia mety hampisara-hazana ny rehetra. Izany indrindra no ilazan'ny mpanoratra hoe "...Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny.. (Jak.1 :19 ). Tandremo mba tsy hanafintohina ny hafa no sady tsy hahameloka antsika eo anatrehan'ny Tompo ny teny rehetra aloaky ny vavantsika.

2- Mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena
"Rain'ny kamboty sy mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina. "(Sal 68,5). Izay rehetra zanak' Andriamanitra dia tsy maintsy hanam-pitiavana ka hanao ho zava-dehibe ny fìahiana ireo kamboty tsy manan- dray. ny mpitondratena tsy manana vady, ny vahiny tsy manana hianteherana.

3- Miaro nv tenany tsy hisy pentipentina
Ny nanoloran'i Kristy ny tenany ho sorona ho an'ny Fiangonana dia ny mba hanadiovany sy hanamasinany azy tsy ho voaloto intsony "...Tsy misy pentipentina. na fikentronana... "(Efe 5. 27). Ny olona miaro ny tenany tsy hisy pentipentina avy amin'izao tontolo izao dia izay efa nandray an'i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy azy.

Fanontaniana:
Ahoana ny fomba hifehezana ny teny aloaky ny vava?

jeudi 14 juin 2018

Alakamisy 14 Jona 2018 - Lev 25 : 39 - 46

39«Raha misy mihamahantra ny mpiray firenena aminareo ka mitolo-tena ho mpanomponareo, dia aza ampanaovina asan'andevo izy 40fa ataovy toy ny mpikarama na vahiny valovotaka; ary mandra-pahatongan'ny taona Jobily no hanompoany anareo. 41Amin'izay, dia ho afaka teo an-tananareo izy mbamin'ny zanany ka hody any amin'ny fianakaviany sy hizaka indray ny fananany. 42Fa mpanompoko ny Israelita izay navoakako hiala tany Ejipta, ka tsy tokony hamidy tahaka ny andevo. 43Aza itratrevatrevana sy ampahoriana izy, fa izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo.
44«Ny amin'izay ho andevolahinareo na andevovavinareo, dia amin'ny firenena manodidina anareo no hividiananareo azy. 45Azonareo ividianana koa amin'ny zanak'ireo vahiny valovotaka eo anivonareo sy amin'ny taranaka haterany eo amin'ny taninareo; ary dia ho fanananareo ireny. 46Hataonareo lovan'ny zanakareo mandimby anareo ireny, mba hozakainy ho fananany. Ho mpanomponareo hatrany hatrany ireny; fa ny Israelita mpiray firenena aminareo kosa dia tsy azonareo itratrevatrevana sy ampahoriana( And 39-46: jereo Eks 21.2-6; Deot 15.12-18).

Ny taon-Jobily sy ny fìaraha-monina

Amin'ny taon-jobily dia misy koa ny andraikitra miandry ny tsirairay eo anivon'ny fiaraha-monina araka izao:

1- Fitsinjovana nv mahantra
"Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao"(and.39). Izany dia mampianatra antsika mba ahay mitsinjo ny hafa, indrindra fa ireo mahantra sy sahirana. Tsy tanisaina eto izay antony nahatonga ny fahantrany. na vokatry ny hakamoana. na vokatry ny fanararaotan'ny hafa. fa ny zava-dehibe dia ny ahazoana manampy sy manarina azy amin'ny fahantrany. Ihena nv tahan'ny fahantrana eo amin'ny mponina raha arahina izay lazain'ny Soratra Masina, satria misy ny fitsinjovana manokana ireo mahantra. "Fa ny tany tsy ilaozan'olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao. dia amin'ny malahelo sy ny mahantra eo amin'ny taninao. (Deo 15. II)

2- Fanaovana ny rariny
Ny mahantra sy ny malahelo dìa ireo izay voatery hianki- doha amin'ny hafa, ary indraindray, na matetika aza dia iharan'ny fanararaotana sy ny tsy rariny izy ireny, saingy tsy afa-manoatra. "Aza ampanompoinao toy ny andevo izy". (and.39). Mety ho lasa mpikarama, na andevon'olona aza ny sasany amin'izy ireny. Tsy sitrak'Andriamanitra ny hisian'ny olona manararaotra ny fahorian'ny sasany. "Aza mampanompo azy fatratra. fa matahora an' Andriamanitrao" (and.43). Ny taon-jobily dia ikendren' Andriamanitra mba hanafahana ny olona amin'izay endri- panandevozana rehetra.

Fanontaniana:
Isaky ny fotoana inona no manao asa fiantrana ianareo?

mercredi 13 juin 2018

Alarobia 13 Jona 2018 - Est 4 : 13 - 17

13dia izao no nasainy navaly azy: «Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin'ny Jiosy rehetra ianao satria monina ao an-dapa. 14Raha hangina mihitsy ianao amin'ity toe-javatra ity, dia hisy fanampiana sy fanafahana hipoitra avy any an-kafa (avy any an-kafa: firotsahan'Andriamanitra an-tsehatra no fonosin'izany fomba fiteny izany). ho an'ny Jiosy; fa ianao no haringana ary ho lany tamingana ny fianakavianao. Ary iza no mahalala fa angamba ho amin'ity toe-javatra ity mihitsy no nanandratana anao ho mpanjakavavy?» 15Izao kosa no nasain'i Estera navaly an'i Môrdôkay: 16«Ndeha vorio àry ny Jiosy rehetra eto Sosany; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Hifady hanina toy izany koa ny tenako sy ireo mpanompovaviko; avy eo dia hankao amin'ny amperôra aho, na dia tsy ara-dalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty!» 17Dia lasa i Môrdôkay nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.

I Estera sy i Mordekay, tia ny fireneny.

Tsy izay rehetra mahay manao kabary tsara lahatra akory no tia ny fireneny. Ny tena fitiavana ny firenena dia:

1- Aseho amin'ny fandraisana andraikitra
Fantatr'i Mordekay fa misy loza mananontanona hanjo ny fireneny. Nanao izay azony natao izy mba hisakana izany. Nandefa hafatra ho an'i Estera izy. ho fampitandremana sao ho varimbariana na hihevi-tena ho efa miadana satria voahosotra ho mpanjakavavy. Na dia hizotra tsara aza mantsy ny fìainany, ka hiadam-pinaritra izy sy ny fianakaviany, dia tsy ho afa-miala amin'ny loza mitatao hanjo ny fireneny izy sy nv mpianakavin-drainy (and.14). Maro ny olona izay diso fihevitra ka tsy mba mijery sy manaraka ny vaovao momba ny fiainam-pirenena. Manana adidy amin'ny fireneny ny tsirairay ka tokony handray izay andraikitra tandrify azy, ho fijoroana ho vavolombelon'ny Tompo.

2- Aseho amin'ny fanoloran-tena
Rehefa tafita tany amin'i Estera izany hafatra izany, dia nambarany ny fahavononany handray ny andraikitra. Vonona izy ny hanao sorona ny tenany ka hiditra ao amin'ny mpanjaka. na dia tsy araka ny lalàna aza izany (and. 16). Manome fianarana ho antsika ny fiainan'i Estera izay mampiseho fahavononana hanao sorona ny ainy ho fanavotany ny mpiray firenena aminy. Fitiavana toy izany no nasehon'i Jesoa Kristy ho antsika. ka nanolorany ny tenany ho faty teo amin'nv hazo fijaliana ho fanafahana antsika amìn'ny fanamelohana vokatry nv fahotana.

Fanontaniana:
Inona no andraikitry ny Fiangonana ho fanabeazana ny vahoaka mba ho tia ny fireneny?

mardi 12 juin 2018

Talata 12 Jona 2018 - Jer 29 : 10 - 15

10«Izao koa no lazain'ny TOMPO: ‹Rehefa naharitra fitopolo taona (Jereo 25.11 sy nta). ny fanjakan'i Babilôna, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo. 11Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hoavy azo antoka no homeko anareo (Dkt hafa ny hoavy izay antenainareo, izany hoe ny fiverenany amin'ny Tany Nampanantenaina..) 12Amin'izay raha miantso Ahy ianareo ka mivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. 13-14Raha mikatsaka Ahy ianareo, dia hahita Ahy29.13 Ampit Deot 4.29.. Izaho TOMPO dia manao teny hentitra aminareo hoe: Raha tadiavinareo amin'ny fonareo manontolo Aho, dia hanaiky ho hitanareo. Hanova izay manjo anareo Aho (Hanova izay manjo anareo Aho: dkt hafa haveriko ireo babonareo) , ka havoakako avy any amin'ny firenen-kafa ianareo. Hangoniko ianareo ka haveriko eto amin'ny toerana izay nandefasako anareo ho babo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›

Andriamanitra no Tompon'ny tantara

Nampitondra teny faminaniana ho an'ireo mponin'i Joda izay lasan-ko babo tany Babylona Jeremia mpaminany. Izany tenin'Andriamanitra izany no milaza amintsika fa:

1- Mihevitra izay ahasoa ny olony ízy
Misy antony sy dikany avy amin' lzv Tompo avokoa izay rehetra miseho amin'ny fiainan'ny vahoakany. Raha amin'ny fijery maha olona tsotra dia mety ho antony ara- politika, na ara-tafika, na ara-pitantanana...sns...no mahatonga ny fahababoana. Ambarany etoana fa Izy Tompo no nandefa ny vahoakany ho babo tany Babylona. Ary rehefa tapitra ny fitopolo taona vao hiova ny tantara (and.10). Manana ny fotoanany ny Tompo. Ny fotoanan' Andriamanitra dia sady tsy lasa aloha no tsy tratra aoriana. Eo  am-pelatanany avokoa ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avintsika rehetra. Hoy ny Teniny : "Fa ìzaho mahalala ny hevilra iheverako anareo, dia hevitra ahatonga fìadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany "(and. II)

2- lzy no mpanafaka
Tsy ho aloha na aorian'io taona faha fítopolo io no hampodiana ny vahoaka avv amin'ny fahababoana; Izy Tompo irery ihany no hahatanteraka izanv, araka ny nambaranv hoe:"... Ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin'ny fìrenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako anareo... (and. 14). Toy izany ny fahasoavan' Andriamanitra izay namonjena antsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy (Efe 2, 8).

Fanontaniana:
Inona no lesona azo tsoahina avy amin'ny fahantrana

lundi 11 juin 2018

Alatsinainy 11 Jona 2018 - Dan 6 : 17 - 24

17Tamin'izay dia nanome baiko ny mpanjaka mba halaina i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona. Dia niteny kosa ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: «Andriamanitrao, Izay tompoinao fatratra, no hany hamonjy anao!»

18Dia nisy vato natampina ny vavan-davaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny tombokaseny sy tamin'ny an'ireo olo-manan-kajany mba tsy hisy hovana ny amin'i Daniela. 19Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy6.19 nampiditra vehivavy: tsy azo antoka loatra ny hevitry ny teny aramianina nadika eto. teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.

20Fa raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nifoha ny mpanjaka ka nandeha faingana nankany amin'ny lavaky ny liona. 21Ary raha nanatona ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo hoe:
–Ry Daniela mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao fatratra va afaka namonjy anao tamin'ny liona?

22Dia niteny tamin'ny mpanjaka i Daniela hoe:
–Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! 23Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny hanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka.

24Tamin'izay dia faly tokoa ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka i Daniela; rehefa tafakatra izy, dia tsy nahitana ratra akory satria natoky an'ilay Andriamaniny.

Sahia mijoro ho vavolombelona

Daniela dia nampiseho toetra feno fahamarinana. Tsy nahasakana azy hivavaka amn'I Jehovah ny didy navoakan'ny mpanjaka. Aminv dia tsy fandikan-dalàna ny fivavahana. Ka dia tsy niafina izy fa nanohy ny fivavahany isan'andro toy ny fanaony ihany. Tokony haka tahaka an'i Daniela isika. ka ho sahy hijoro ho vavolomhelona mba:

1- Ho fandresen-dahatra ny hafa
Nalahelo mafy ny mpanjaka satria tsy maintsy hatsipy ao an-davaky ny liona i Daniela. Ny fitondran-tenan'i Daniela nandritra ny nahalalanv azy no nahatonga ity mpanjaka jentilisa ity hangoraka azy. Nahagaga fa nanjarv nahay nanonona vavaka ho an'i Daniela ilav mpanjaka jentilisa ka nanao hoe: "Andriamanitrao ilay notompoinao mandrakariva anie hamonjy anao" (and 16). Azo lazaina fa tena vokatry ny fony tokoa no nanononany io vavaka io. Ny fijoroana ho vavolomhelona ataon'ny fiangonana dia fitaomana sy fandresen-dahatra ny hafa hivavaka amin'Andriamanitra.

2- Ho fanehoana ny herin'Andrianianitra manafaka
Nahatsiaro ho voafitaka ihany ny mpanjaka raha namoaka ilav didy nahatonga izao loza ihantra amin'i Daniela izao. Nanao izay rehetra azony natao izy hanafahana an'i Daniela. saingv tsy nahomby izany. Nody tamn'alahelo ny mpanjaka rehefa voatampina vato nv vava lavaka nanipazana.azy. Tian'Andriamanitra aseho amin'izao fa izy no mamonjy sy manafaka ary manao fahagagana any an-danitra sy ety an-tany: ary Izy no mamonjy an'i Daniela tamin'ny herin'ny liona.

Fanontaniana:
Efa nisy toe-javatra toy izao ve te amin'ny fiainanao?

dimanche 10 juin 2018

Alahady 10 Jona 2018 - Jao 8 : 31 - 38

31Dia hoy i Jesoa tamin'ireo Jiosy nino Azy:
–Raha maharitra mitana ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; 32sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no hanafaka anareo!

33Fa novalian'ireo hoe:
–Taranak'i Abrahama8.33 Ampit Mt 3.9; Lk 3.8. izahay ary tsy mba nandevozin'olona na oviana na oviana; ka ahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?

34Dia hoy i Jesoa taminy:
–Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay rehetra manao fahotana dia andevozin'ny fahotana. 35Tsy hijanona ao an-trano lalandava ny mpanompo, fa ny zanaka no mijanona ao lalandava. 36Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. 37Fantatro fa taranak'i Abrahama ianareo, kanefa mitady hamono Ahy satria tsy tafalatsaka ao anatinareo ny teniko. 38Izaho izay milaza izay efa hitako teo amin'ny Raiko; ianareo kosa manao izay efa renareo tamin'ny rainareo!

1 -  Jesoa no tena mpanafaka
Nihevitra ny Jiosy fa noho ny maha taranak'i Abrahania azy dia tsy mba andevo na oviana na oviana izy ireo Nambaran'i Jesoa kosa anefa fa "...Izay rehelra manota dia andevon'ny ota (and.34)..." Ary ny fahandevozana mampidi-doza indrindra dia ny ota. Ny fahandevozana hafa dia ivelan'ny tena ihany. na vokatry ny ataon'ny hafa. Ny fahotana kosa dia ao anaty. Amin'ny maha zanak'Andriamanitra an'i Jesoa dia Izy irery ihany no mahafaka antsika araka ny Teniny hoe: "Koa raha ny zanaka no hahafaka anareo. dia ho afaka tokoa ianareo." (and.36). Fa izay takiana amintsika kosa dia:

2 - Mila maharitra amin'ny Teniny
Ny tena mpianatr'i Jesoa dia izay maharitra amin'ny teniny, izany hoe izay manaiky am-pitiavana sy am- pifaliana hankato hatrany ny fampianarany: mihaino sy manatanteraka izav lazainv. Tsy ampy nv hoe manaiky am-bava fotsiny ihanv. Izav vonona hanaraka an'i Jesoa no ahalala ny marina, dia ny fahalalana sy fanekena ny sitrapon'Andriamanitra. Rehela mahalala sy manaiky ny sitrapon'Andriamanitra ny olona ka manatanteraka izany eo amin'ny fiainany dia izany no tena fahafahana. Ambony lavitra noho ny fahafahana ara-toe-karena na ara-polilika ny fahafahana ara-panahy. Ny firenenena manana ny tena fahafahana dia izay firenena manaiky sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Raha maharitra amin'ny fanarahana ny tenin'Andriamanitra isika dia ho afaka amin'ny voka-dratsin'nv fahotana, toy ny tsy fahamarinana. ny kolikoly. ny fahalotoana rehetra.

Fanontaniana:
Inona no karazam-pahotana hitanao mamatotra ny olona?

samedi 9 juin 2018

Sabotsy 09 Jona 2018 - Sal 22 : 1 - 11

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon'ny hoe «Ny dieravavy, fony mazavatsinanana». Salamo nataon'i Davida.

2Andriamanitro ô, Andriamanitro ô
nahoana no dia nilaozanao aho (22.2 Ny fiandohan'ny and 2 dia voatsiahin'i Jesoa voahombo teo ambony hazofijaliana araka ny Mt 27.46; Mk 15.34.?)
Nahoana no mijanona eny lavitra eny Ianao
ka tsy mamonjy ahy na mihaino ny tarainako?
3Mandritra ny andro aho miantso Anao
saingy tsy valianao, Andriamanitro ô;
ary miantso koa aho amin'ny alina,
saingy tsy mahazo fiononana.

4Kanefa mipetraka an-tsezafiandrianana
Ianao, ry ilay Andriamanitra masina
Izay fidèran'i Israely vahoakanao.
5Nitoky taminao ireo razanay;
natoky Anao izy ka tsy diso fanantenana,
6niantso vonjy taminao ka nafahanao,
natoky Anao ka tsy diso fanantenana.

7Efa toy ny kankana aho fa tsy olona intsony,
ka sady voaompa no lavin'ny vahoaka;
8izay mahita ahy dia maneso avokoa,
manondro molotra, mihifikifi-doha (22.8 Jereo Mt 27.39; Mk 15.29; ampit Sal 109.25..)
9Ka hoy izy ireo ny amiko hoe:
"Ny TOMPO no itokiany ka aoka hanavotra;
eny tia azy Izy, ka aoka hanafaka" (22.9 Momba ny and manontolo, jereo Mt 27.43.!)
10Ianao, Tompo ô, no namoaka ahy
mba hiala avy tao an-kibon-dreniko
ka nampandry ahy teo an-trotroany.
11Vao teraka aho, dia nankinina taminao;
mbola tany am-bohoka aho, efa Andriamanitro Ianao.

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo

Mety hisy fotoana sarotra izay iheveran'ny olona fa manadino azy Andriamanitra. Amin'ny fotoana toy izany indrindra no vao mainka tokony hitadiavana Azy sy hiantsoana fanafahana avy Aminy:

1- Amin'ny alalan'ny vavaka
"Andriamanitra ó' Andriamanitro ó! Nahoana no dia mahafoy ahy Ianao? "(And 1). Miantso an'Andriamanitra izy ka mitaraina Aminy. Fantany fa ao amin' Andriamanitra ihany no misy ny fanafahana amin'izao fahoriana lalina manjo azy izao. Inoany fa mahita ny fahoriany ny Tompo na dia toa tsy mihaino ny fitarainany sy tsy mamaly azy aza. Toy izanv no fìjoroana ho vavolomhelona takiana amintsika Kristiana manoloana ny fahoriana sy ny fanenjehana. Mety hanaraby antsika mantsy ny olona ka hanao hoe. aiza izay Andriamanitrareo no tsy mamonjy anareo amin'izao fahoriana izao? (and.8) Miantsoa fanafahana avy Aminy. Tsy hamela antsika ho amin'ny fahafatesana Izy na dia misy aza izay ady sarotra tsy maintsy hosedraina.

2- Amin'nv fahatokiana Azy
Hita taratra amin'izao vavaka izao koa ny finoana mafy orina ananan'ny mpanao Salamo ka amerenany indray ny filazana izay efa nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa. Hoy indrindra izy: "Hianao no nitokian'ny razanay...Hianao no nitarainany... Hianao no nampivoaka anay avy tao an- kibo; Hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao"(and.4,5,10). Ny olona miandrandra fanafahana dia tsy maintsy hanana finoana tsy voahozongozona.

Fanontaniana:
Nahoana no tsy mivaly araka izay angatahina nv vavaka?

vendredi 8 juin 2018

Zoma 08 Jona 2018 - Gal 5 : 13 - 15

13Fa ianareo, ry havana, dia efa nantsoina ho amin'ny fahafahana; saingy tsy hoe ilay fahafahana hahazoana manao izay sitraky ny maha olona mpanota, fa aoka hifanompo ianareo amin'ny alalan'ny fitiavana. 14Satria ny lalàna manontolo dia tanteraka amin'ny didy tokana hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao5.14 Fisor 19.18.!» 15Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao hifandringana.

Ny olona afaka.

Samihafa ny fandraisan'ny olona ny atao hoe fahafahana. Mampianatra antsika nv Soratra Masina anio fa ny olona efa nantsoina ho amin'ny fahafahana dia:

1- Afaka tamin'ny fanandevozan'ny lalàna.
Ny tena fahafahana dia fahalalahana hanao asa tsy an-tery, tsy noho ny tahotra ny lalàna fa noho ny fahatsiarovan-tena. Marina fa voararan'ny lalàna ohatra ny mangalatra, kanefa raha noho ny tahotra ny higadra fotsiny no antony tsy hanaovana izany dia tsy mbola ao ny tena fahafahana. Ny olona efa nafahan'i Kristy dia afaka tamin'ny fanandevozan'ny lalàna ka amin'ny finoana sy fitiavana no anatanterahany sy hankatoavany ny sitrapon' Andriamanitra.

2- Afaka tamin'ny filan'ny nofo
Izay efa nafahan'i Kristy dia afaka tamin'ny asan'ny nofo izay nanandevo azy taloha toy ny fijangajangana. fahalotoana, fijejojejoana. fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fìfankahalana. adiadvy, fahatezerana, kìafonafonana, fìfandrafiana, fìalonana, fidorohana, filalaovan-dratsy...sns... Toheriny mafy ireo rehetra ireo ka tsy havelany hanjaka intsony eo amin'ny fiainany.

3- Mifanompo amin'ny fitiavana
Ny fositra mampizarazara sy manapotika ny Fiangonana dia ny tsi-fìtiavana. Ny Fanahy Masina no mampianatra sy mitarika antsika hifanompo sy hifankatia, ary koa ahaizantsika mitia na dia ny fahavalo aza. Izay rehetra tia no efa nahatanteraka ny lalàna. "Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna " (Rom. 13, 10)

Fanontaniana:
Mna lena mahatsiaro ho olona afaka ve ianao?

jeudi 7 juin 2018

Alakamisy 07 Jona 2018 - Lev 25 : 8 - 13

8«Hanisa fito taona mitsingerina impito ianareo, izany fito taona impito, ka 49 taona no halàvan'izany. 9Ny andro fahafolon'ny volana fahafito, andro fankalazana ny Famelàn-keloka, dia hitsoka anjomara ombàm-pihobiana ianareo ka manerana ny taninareo no hitsofanareo azy. 10Izany no hanambarànareo fa voatokana ho Ahy ny taona fahadimampolo sy hiantsoanareo fanafahana ho an'ny mponina rehetra ao amin'ilay tany. Jobily ho anareo io taona io, ka samia mody amin'ny taninareo sy amin'ny fianakavianareo avy ianareo. 11Jobily ho anareo io taona fahadimampolo io; ka tsy hanao famafazam-bary ianareo, tsy hojinjanareo ny vokatry ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary tsy hotoazanareo ny sampaho vokatry ny voaloboka tsy norantsananareo. 12Eny, Jobily tokoa io taona io ka hatokanareo ho Ahy. Kanefa izay zavatra voajanahary vokatry ny saha dia azonareo hanina.

13«Amin'io taona Jobily io, dia samy hody amin'ny taninareo avy ianareo.

Jobily fiainana
Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa ny Jobily dia:

1- Taona Masina
"Fa Jobily izany ka ho masina ho anareo... " (and.12a) Aoka hiavaka eo amin'ny fiainan'ny Fiangonana izany taona izany .Tsy amin'ny alalan'ny fihetsiketsehana sy ny fitadiavam-bola ihany, fa indrindra amin'ny toe-panahy entina mankalaza Azy. Taona voatokana ho an'ny Tompo ny taon-jobily. Fo voadio sy voasasan'ny ran'i Jesoa Kristy Tompo no mendrika hankalazana izany.

2- Fanafahana ny olona
Ny taon-jobily dia taom-panalahana ho an'ny olona. "Ary hamasino ny taona faha dimampolo, ka miantsoa fanafahana ho an 'ny mponina rehetra ao aminy. " Samy hody any amin'ny taniny sy ny mpianakaviny avy ny olona rehetra (and. 13). Tsarovv fa mitsinjo ny olony ny Tompo ka manafaka azy amin'ny fanandevozana amin'ny alalan' i Jesoa Kristy.

3- Fanafahana ny tany
Avela hitsahatra ny tany, ka sady tsy asaina no tsy amafazana (and.11). Atao izany mba hahazoan'ny tany tsiro indray, ary koa ho fampahatsiarovana fa "An'i Jehovah ny tany" (Sal.24). Fantaro fa misy olona tsy manana zara tany akory, fa ny hafa firenena indray no lasa tompony. Kaha ny hafa firenena aza nekena hanana tany eto, dia rariny raha manana tany eto Madagasikara avokoa nv Malagasy ka ho afaka amin'ny fahantrana. Manana andraikitra amin'nv fanarenana izanv ny Fiangonana.

Fanontaniana:
Ahoana ny hevitrao raha toa ka atao ho isaky ny faha fito taona nv taom-pankalazana eo amin'ny Fiangonana?


mercredi 6 juin 2018

Alarobia 06 Jona 2018 - Lio 1 : 67 - 75

67Feno ny Fanahy Masina i Zakarià, rain'ny zazakely, ka nilaza faminaniana toy izao:

68–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr'i Israely,
noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!
69Mpamonjy mahery ho antsika no najorony
avy amin'ny taranak'i Davida mpanompony,
70araka ny efa nambarany hatramin'ny fahagola
tamin'ny alalan'ireo mpaminany masina:
71dia Mpamonjy hanafaka antsika amin'ny fahavalontsika
sy amin'ny tanan'ireo mpankahala rehetra.
72Namindra fo tamin'ny razantsika Andriamanitra
sady nahatsiaro ilay fanekempihavanana masina
73mbamin'ilay fianianana izay nataony
tamin'i Abrahama razantsika1.73 Jereo Gen 22.16-17.:
74dia ny hanala antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika,
ary ny hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,
75fa amin-toetra masina sy marina eo anatrehany
mandritra ny andro rehetra iainantsika.

1- Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Israely!"
Teo am-pananaovana ny asa fisoronana tao amin'ny tempoly Zakaria no nisehoan'ny anjelin'ny Tompo ka nilazany fa hiteraka zazalahy izy, Jaona no hatao anaranv. Tsy nino ny fanambaran'ilay anjely anefa izy ka tonga moana, mandra-pahaterak'ilay zaza. Saika hataon'ny mpiara-monina sy ny havany hoe Zakaria ny anaran'ilay zaza, fa ny rainy sy ny reniny no tsy nanaiky ka nilaza fa Jaona no ho anarany, araka izay efa nolazain'ny anjely. Tamin'izay indrindra no nisokatra ny vavan'i Zakaria ka afaka niteny indray izy. Fisaorana an'Andriamanitra no voalohan-teniny. Aoka ho feno fisaorana an' Andriamanitra mandrakariva isika raha mbola afaka misokatra ny vava!
Inona moa no nahatonga azy hisaotra an'Andriamanitra?

2- "Nitsinjo ny olony Izv".(and.68)
Satria nitsinjo ny olonv Izy. Nv hoe "nitsinjo ny olony" dia azo adika hoe: namangy sy nanavotra ny vahoakany.(DIEM). Ny fahatongavan'i Jesoa Kristy dia endriky ny lamangian'Andriamanitra ny olony sy ho fahatanterahan'izany faminaniana izany. Tsarovany ny fanekeny masina sy ny fianianany tamin'i Abrahama (and.72.75) ka dia namindra fo tamin'ny taranak'lsraely Izy. Ny tanjon'ny famangian'Andriamanitra antsika dia ny hanafaka antsika amin'ny tanan'ny fahavalo, mba hahafahantsika manompo an'Andriamanitra tsy amin- tahotra, fa amin'ny fahamasinana sy nv fahamarinana, amin'ny andro rehetra iainantsika. Ny fiangonana misokatra no endriky ny famangian'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Amin'nv fotoana toy inona no mba misaotra an'Andriamanitra isika?

mardi 5 juin 2018

Talata 05 Jona 2018 - Sal 69 : 1 - 6

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny gitara. Salamo nataon'i Davida.

2Andriamanitra ô, mba vonjeo aho,
fa efa mby hatenda ny rano;
3Milentika amin'ny fota-mandrevo aho
sady tsy mahita izay hifaharana;
tonga amin'ny rano lalina aho
ary efa indaosin'ny riaka.
4Sasatry ny miantso vonjy aho; ka maina ny tendako,
vizana ny masoko, eo am-piandrasako Anao Andriamanitro.
5Ireo mpankahala ahy tsy amin'antony69.5 Jereo Sal 35,19; tsiahivina ao amin'ny Jôh 15.25 izany andalana izany.
dia maro kokoa noho ny volon-dohako;
mahery ireo mitady hahafaty ahy,
dia ireo mpandrafy ahy tsy an-drariny.
Zavatra izay tsy nalaiko
no indro asainy averiko.
6Andriamanitra ô, fantatrao ny hadalàko;
ny hadisoako tsy mba miafina aminao.

Manafaka amin'ny fahoriana ny Tompo

Ity Salamo ity dia mampiseho ny fitarainan'ny olona izay tra-pahoriana mafy. Milaza amintsika izany fa mety iharam-pahoriana na fitsapana mahamay tokoa isika noho ireo fahavalo, na dia efa nanolo-lena ho an'ny Tompo aza. Inona áry no tokony hatao manoloana izany?

1- Ambarao amin'ny Tompo izay manjo antsika
Tsy mahavonjy tena intsony izy. Ny mitanisa ny fahavoazany sisa no azouy natao: "Milenlika amin 'ny fota- mandrevo aho sady tsy mahita izay hifaharana... maimay ny tendako pahina ny masoko. mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana... mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy (and.2-5 DIEM)" Betsaka amin'nv olona no iharam-pahavoazana mafy tahaka ny mpanao salamo eto. Saingy vitsy kosa no mahatsiaro hiantso an'Andriamanitra amin'izay mahatery azy. Antsoy Jesoa hanafaka ny fahoriana!

2- Manetre tena eo anatrehany (and.6)
Na dia noho ny ataon'ny fahavalo aza no anton'izao fahavoazana manjo nv mpanao Salamo izao dia tsy mba nanamarin-tena teo anatrehan'ny Tompo izy. Toe-tsaina mpahazo ny maro ny fanamarina-tena sy fanomezan-tsiny ny hafa rehefa misy zava-mitranga. Mihariharv eo anatrehan'ny Tompo ny momba antsika rehetra. hatramin' izay heverintsika ho miafìna indrindra aza. Manetre tena tahaka ny mpanao Salamo, manao hoe: "Andriamanilra ò, Hianao mahalala ny hadalako: ary ny heloko tsy mba miafìna aminao. "(and.6)

Fanontaniana:
Maro amin'ny Malagasv no manompo an'Andriamanitra sady mivavaka amin'ny razana. Inona no antony?

lundi 4 juin 2018

Alatsinainy 04 Jona 2018 - II Pet 2 : 11 - 16

11kanefa ny anjely, izay mahery kokoa sy ambony fahefana noho ireo mpampianatra sandoka ireo aza, dia tsy mitondra fiampangana hanevateva eo anatrehan'ny Tompo ireo atao hoe voninahitra. 12Ry zareo kosa dia manahaka ny biby tsy manan-tsaina, sady entim-pahazarana no teraka ho fisambotra sy ho famono; manevateva ny zavatra tsy fantany ireo, ka dia hovonoina tahaka ny amonoana ny biby tsy manan-tsaina: 13eny, hiharan'ny ratsy izy ireo ho tambin'ny asa ratsiny. Ny heverin'ireo ho zava-mahafinaritra dia ny manao filibàna antoandrobenanahary izao; feno tsiny amam-pondro ireo fa miliba sady manodoka anareo rehefa miara-mihinana aminareo2.13 sady manodoka anareo rehefa miara-mihinana aminareo: misy stf sasany ahitana hoe amin'ny sakafom-pifankatiavana iarahany aminareo. . 14Ny haka vadin'olona ary ny tsy hitsaha-manota amin'izany no imasoany; ny mpino tsy miorina tsara, angoleny; ary liana fitiavan-karena loatra ny fony: eny, olona hiharan'ny loza nambaran'Andriamanitra ireo! 15Efa niala tamin'ny lala-mahitsy izy ireo ka nivily nanaraka ny lalana efa nizoran'i Balahàma, zanakalahin'i Behôra: i Balahàma dia nankamamy ny tambin'ny asa ratsiny, 16saingy voaanatra noho ny hadisoany; fa niteny hoatra ny olona ny boriky moana, vao nahasakana ilay mpaminany tsy hikiry amin'ny hadalàny2.16 and 15-16: jereo Nom 22.4-35.

Fantaro ny mpaminany sandoka

Nisy mpaminany sandoka teo amin'ny vahoaka Israely, nisy hatrany izany tamin'ny andron'i Jesoa tety an-tany, sady mbola misy mandraka ankehitriny. Ahoana no hamantarana azy ireny? Inona no tokony hotandremana manoloana izany?

1- Feno fanevatevana (and.11)
"Ireo mpampianatra sandoka ireo dia olona sahy zavatra sy mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hanevateva ireo atao hoe voninahitra" (DIEM). Rehefa ny olona no manaratsy sy manevateva ny mpitondra fiangonana sy ny fivavahana misy anao dia aoka hianao handinika sy hieritreritra "Manevateva zavatra tsy fantany... " (and.12). Maro mantsv amin'izao fotoana izao no milaza azy ho mpitory filazantsara, ka maneho fahasahiana manaratsy ny fìnoain'ny hafa. Misy amin'izy ireny aza sahy milaza tsotra izao fa tsy Andriamanitra Jesoa Kristy.

2- Ratsv fitondran-tena
Balama dia iray amin'ireo mpaminany izay tsy nanaraka ny fananarana nomein'ny Tompo azy noho ny fitiavam-bola. Toy izany koa ireo mpaminany sandoka, izay manararaotra ny fahantran'nv olona ka mitaona azy handà nv làlan'nv hazo fijalian'i Kristy "Ny haka vadin'olona ary ny tsy hitsaha-manota amin 'izany no imasoany, ny mpino tsy miorina tsara angoleny; ary liana amin'ny fltiavan-karena ny fony" (and. 14-DIEM). Ny tena mpitory filazantsara dia hamarinin'nv fitondrantenany. Ny fahononan-tena hifikitra amin'ny fampianaran'ny tenin' Andriamanitra no manafaka antsika amin'izany.

Fanontaniana:
Nahoana no mahataona olona ireo mpaminany sandoka?

dimanche 3 juin 2018

Alahady 03 Jona 2018 - Deo 15 : 1 - 6

1Isaky ny fito taona dia hanao famoizan-trosa ianareo, 2ka izao no fomba hampiharana izany: ianareo tompon-trosa rehetra, izay nampisambo-bola ny namany, dia hamoy izany, rehefa natao antso avo ny taona famoizan-trosa ho fanajana ny TOMPO; tsy hoterenareo hamerin-trosa ilay namana mpiray tanindrazana aminareo. 3Ny olona hafa firenena ihany no azonareo terena hamerin-trosa; fa izay trosanareo amin'ny mpiray firenena aminareo kosa dia hafoinareo. 4Kanefa tsy hisy mahantra eo aminareo, satria hotahîn'ny TOMPO tokoa ianareo, any amin'ny tany izay homen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, 5raha henoinareo tsara ny feony ka imasoanareo hotanterahina manontolo izao didy ampitaiko aminareo anio izao. 6Eny, hotahîn'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy anareo; ka ianareo tsy mba hisy hisambo-bola fa firenena maro kosa no hampisamborinareo vola; firenena maro no hofehezinareo, fa ianareo kosa tsy mba hofeheziny.

Taon-jobily

Mankalaza ny Jobily laha 50 taonany ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara amin'ity taona ity. Manome tampianarana ho antsika ny tenin'Andriamanitra mba ahalalantsika fa ny taon-jobily dia:

1- Taonan'ny fifamelana
Teo amin'ny Israely, ny taon-jobily dia fotoana famoizan-trosa ho an'ny mpiray fírenena. fanomezana fanampiana ho an'ny ory sy mahantra, famotsorana ny andevo...lzany no natao ho fanajana ny Tompo. Ka anatin'izao taon-jobily izao dia aoka isika hifamela heloka, tahaka izay namelain'ny Tompo ny fahotantsika. Ho fampiharana izany dia taomina koa isika mba hifanampy sy hifampitsimbina; hijery manokana ireo izay mahantra sy sahirana. hanampy azy ireny mba ho afaka amin'ny fahantrana.

2- Taom-pitahiana
Tsv hisy malahelo sy mahantra eo amin'ny firenena raha toa ka votantana ara-drariny sy araka ny sitrapon' Andriamanitra ny harena rehetra. Endrika famoretana sy tsy rariny ny fanaovana am-pihi-mamba ny harem-pirenena. ka mila fanafahana mba ho fitahiana ho an'ny rehetra. Ny fihainoana sy fankatoavana ny tenin' Andriamanitra no antoky ny fitahiana ho an'ny firenena. "Fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao. izay andidiako anao anio" (Deo 15. 5).

Fanontaniana:
Nitondra fiovana teo amin'ny fiainanao ve ny Jobily?

samedi 2 juin 2018

Sabotsy 02 Jona 2018 - Eks 3 : 7 - 12

7Ary hoy ny TOMPO hoe:
–Efa hitako tokoa ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan'ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany. 8Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin'ny fahefàn'ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin'ny tany Ejipta mba ho any amin'ny tany tsara sy midadasika, any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely3.8 tany tondra-dronono sy tantely: dia tany mahatsara ny fiompiana (ronono) sy ny fambolena (ny tantely eto dia ilazana ranom-boankazo notehirizina fa tsy tantely avy amin'ny renitantely akory)., dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita. 9Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan'ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian'ny Ejiptianina azy. 10Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin'ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako3.10 And 2-10: jereo Asa 7.30-34..

Ny Tompo no mpanafaka.

Velon-taraina ny Zanak'Israely noho ny fampahoriana sy ny herim-pamoretana nampiharin'i Farao taminy. (and.9) Amin'ny fotoana toy izany indrindra no anehoan'ny Tompo ny fahefany tsy hay tohaina manafaka ny olony.

1- Mahatsapa nv fahorian'ny olonv Izy (and.7) "Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny. fantatro ny alahelony." Raha miantso sy mitaraina Aminy tokoa isika dia aoka hino miaraka amin'izay koa fa mandre sy mahita ary mahatsapa izay manjo antsika Izy.

2- Efa nidina Izy hamonjy ny olony (and.8)
Izy mihitsy no mirotsaka an-tsehatra, amin'ny fanafahana ny vahoakany amin'ny alalan'ny fanambarany fa nidina Izy. Efa nidina tety an-tany ny Tompo ka namonjy sy nanafaka antsika, araka ny nambaran'i Jesoa hoe: ~'Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy. Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy" (Jao 6:38, 39)

3- Miantso olona Izy hitondra fanafahana (and.10)
Fomban'Andriamanitra hatrizay ny miantso olona hiara- miasa Aminy hanatanterahany ny teny fikasany. Tsy mamela ny mpanompony hiady irery ny Tompo amin'izany fa manome toky sy fampanantenana ho azy, araka ny teniny: "Homba anao tokoa Aho ". (and. 12a)

Fanontaniana:
Inona no andraikitra miandry ny Fiangonana eo amin'ny fanafahana ny fìrenena amin'ny fahoriany?

vendredi 1 juin 2018

Zoma 01 Jona 2018 - Sal 70 : 1 - 5

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida, hitaomana an'Andriamanitra hahatsiaro azy.

2Andriamanitra ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy;
TOMPO ô, faingàna re hamonjy ahy!
3Ho menatra sy hangaihay anie
izay olona mitady hahafaty ahy;
hihemotra sy ho afa-baràka anie
izay olona maniry loza ho ahy!
4Aoka hiverina ilalana ho safotry ny henatra
ireo mpanakora ahy hoe: «Akorinao izay!»
5Izay rehetra mitady Anao kosa anie
hifaly sy hiravo amin'ny nataonao;
ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie
hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa Andriamanitra!»

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo.

1- Antsoy faingana Izy (and.l, 5)
Aoka isika ahatsiaro ho dodona ka tsy hangataka andro intsony. Antsoy ny Tompo fa Izy irery ihany no azo antoka hanafaka antsika amin'ny fandriky ny fahavalo sy izay ta-hanisy ratsy. Hoy ny Soratra Masina: "Antsoy Aho, dia ho valiako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.(Jer 33,3)

2- Apetraho Aminy ny ady. (and.2, 3)
Mety halaim-panahy isika ka hamaly izay manisy ratsy antsika. Ampianarina isika hatoky fa fitaovam-piadiana enti-mandresy ny vavaka "... Mba ho menatra sy hangaihay ary ho afa-baraka izay mitady hanisy ratsy sy mifaly amin'ny fahavoazantsika". Angataho ny Tompo handray an-tanana amin'ny adintsika : "Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina " (Eks. 14, 14).

3- Mivavaha ho an'ny hafa (and.4)
Tsarovy fa tsy ianao irery akory no miatrika zava-tsarotra sy manahirana .Mety misy aza mizaka ny mafimafy kokoa noho ianao ka velon-taraina sy fatra-pitady famonjena avy amin'ny Tompo. Mampianatra antsika ny mpanao Salamo mba hivavaka ho azy ireny, araka ny voasoratra hoe: "Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao: ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.

Fanontaniana:
Inona no tsaroanao sy voatonon'ny vavanao voalohany raha sendra loza tampoka ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12