mardi 26 octobre 2021

Talata 26 Oktobra 2021 - Sal 118 : 19 - 29

 19Vohay ny vavahady fidiran’ny olo-marina

mba hidirako hidera ny TOMPO.

20Ity no vavahady mankao amin’ny TOMPO;

ny olo-marina no aoka hiditra eo!

21Hidera Anao aho, Tompo ô, fa novalianao

ary Ianao no nahazoako fandresena.

22Ny vato nolavin’ny mpanao trano

no efa tonga vatofehizoro.

23Avy amin’ny TOMPO izany

ka mahagaga eo imasontsika.

24Ity no andro nataon’ny TOMPO

mba hifaliantsika sy hiravoantsika.

25Miangavy re, TOMPO ô, omeo fandresena izahay;

miangavy re, TOMPO ô, omeo fanambinana izahay.

26 Hotahîna amin’ny anaran’ny TOMPO anie ilay avy.

Ianareo koa rarînay fitahiana

avy ato an-tranon’ny TOMPO.

27Ny TOMPO no Andriamanitra,

ka hanazava antsika anie Izy!

Milahara mitana sampan-drofia,

ka manatòna ny zoron’ny alitara.

28Andriamanitro Ianao ka hoderaiko,

eny, Andriamanitro ka hasandratro.

29Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy:

–Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!

lundi 25 octobre 2021

Alatsinainy 25 Oktobra 2021 - I Kor 8 : 17 - 24

 17Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo. 18Ary ilay rahalahy izay nalaza amin’ny filazantsara any amin’ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy; 19ary tsy izany ihany, fa efa notendren’ ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ny fahazotoanay. 20Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’izao harena be angoninay izao; 21fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ny Tompo ihany, fa eny imason’ny olona koa. 22Ary nirahinay niaraka tamin’ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin’ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben’ny fahatokiany anareo.

23Raha ny amin’i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr’i Kristy. 24Koa amin’izany asehoy aminy eo imason’ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.

dimanche 24 octobre 2021

Alahady 24 Oktobra 2021 - Eks 24 : 1 - 11

 1Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

–Miakara atỳ Amiko etỳ an-tendrombohitra miaraka amin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo amin’ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin’ny tany. 2Avy eo dia ianao ihany no hanatona AHY, fa ny sisa kosa tsy mahazo manatona; ary ny vahoaka dia tsy hiakatra etỳ an-tendrombohitra miaraka aminareo.

3Dia lasa nitatitra tamin’ny Israelita izay rehetra nolazain’ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian’ny vahoaka manontolo indray niredona hoe:

–Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.

4Nosoratan’i Mosesy avokoa ny tenin’ny TOMPO taminy; ary nony ampitso dia nifoha maraina izy ka nanamboatra alitara iray teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato 12, ka iray avy isam-poko tao amin’ny Israely. 5Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana. 6Dia nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ran’ny biby ka nataony tao an-dovia, fa ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara. 7Avy eo dia nalainy ny bokin’ny fanekempihavanana ka novakîny mafy teo imason’ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe:

–Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay an-tsakany sy an-davany.

8Koa nalain’i Mosesy àry ny ra tao amin’ny lovia, dia nafafiny tamin’ny Israelita sady nataony hoe:

–Ity ra ity no manamafy ny fanekempihavanana izay nataon’ny TOMPO taminareo fony Izy nanome ireo didy rehetra ireo ho anareo.

9Taorian’izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo tamin’i Israely. 10Ary nahita an’ilay Andriamanitr’i Israely izy ireo: ny teo ambany tongony dia karazana lampivato safira, manga manganohano toa volon-danitra. 11Tsy namely ireto olo-manga israelita ireto Andriamanitra, ka afaka nijery Azy ry zareo sady nihinana sy nisotro.

samedi 23 octobre 2021

Sabotsy 23 Oktobra 2021 - Lio 14 : 28 - 35

 28Raha misy aminareo te hanorina tilikambo, dia hipetraka izy aloha hitetika tsara izay ho lany, hahitany raha misy vola hanefana izany. 29Sao vita manko ny fototra vao tsy afa-manohy, ka holatsain’ny mpitazana rehetra 30hoe: «Mba nanomboka nanorina rangahy io, nefa tsy nahatody!»

31Ary raha misy mpanjaka handeha hanafika mpanjaka hafa, dia hipetraka izy aloha handinika tsara, hahitany raha azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hifanandrina amin’ny fahavalony manana miaramila roa alina. 32Raha tsy azony atao manko, dieny mbola lavitra ilay fahavalo, dia handefasany iraka hanao raharaham-pihavanana.

33Ary nofaranan’i Jesoa hoe:

–Dia toy izany koa àry, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy afaka ho mpianatro!

34–Zavatra tsara ny sira; kanefa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no hanome hasina azy? 35Fa sady tsy mahasoa tany no tsy mahasoa zezika intsony ka dia ariam-potsiny. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

vendredi 22 octobre 2021

Zoma 22 Oktobra 2021 - Isa 56 : 6 - 8

 6Ho an’ny hafa firenena miraiki-po amin’ny TOMPO

mba hanao fanompoam-pivavahana aminy

sady tia Azy ary tonga mpanompony

dia izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO aminy:

«Raha mitandrina ny sabata izy

ka tsy manimbazimba azy

sy mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanako,

7dia hoentiko eo an-tendrombohitro masina,

ka hampifalîko ao an-trano fivavahana amiko;

ny sorona isan-karazany hatolony

dia hankasitrahiko eo ambonin’ny alitarako;

satria ny tranoko hatao hoe:

‹Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.›

8Izaho Tompo ANDRIANANAHARY,

Ilay nanangona ny vahoaka Israely tafaely,

dia mbola manao teny hentitra hoe:

‹Efa nanangona Aho, nefa mbola hanangona hafa koa›. »

jeudi 21 octobre 2021

Alakamisy 21 Oktobra 2021 - Fil 2 : 1 - 14

 1Mampahery anareo tokoa ny firaisana amin’i Kristy, mampirisika anareo ny fitiavany, ary miombona amin’ny Fanahy Masina ianareo ka mahay mangoraka sy be hatsarampo. 2Noho izany, dia fenoy tanteraka ny hafaliako: aoka hifanaraka tsara ianareo ka hoentanin’ny fifankatiavana sy hiray fo ary hiray saina; 3aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filàn-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena. 4Aza dia samy mihevitra ny soa ho an’ny tena ihany, fa ny ho an’ny namana koa. 5Aoka ho ao aminareo ilay toe-tsaina tao amin’i Kristy Jesoa:

6Nananany hatrizay hatrizay ny toetra amam-pomba

maha Andriamanitra

nefa tsy noheveriny hoe tsy maintsy hifikirana ilay

fitoviana amin’Andriamanitra.

7Fa niendahany an-tsitrapo ny fiamboniany;

ka naka ny toetra amam-pomba maha mpanompo Izy,

tonga nitovy tamin’ny olombelona

ary niseho sy hita ho olombelona.

8Nanetry tena Izy ka nanaiky

hatramin’ny fahafatesana,

dia ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana.

9Izany no nanandratan’Andriamanitra Azy

ho eo amin’ny toerana faratampony,

sy nanomezany Azy ilay anarana,

izay ambony noho ny anarana rehetra;

10ka ho fanajana ny anaran’i Jesoa

dia handohalika avokoa

izay rehetra any an-danitra na etỳ an-tany na any

ambanin’ny tany,

11ary hiaiky avokoa ny fiteny rehetra

fa «i Jesoa Kristy dia Tompo»,

ho voninahitr’Andriamanitra Ray.

12Koa amin’izany, ry hava-malalako, efa nanaiky ahy mandrakariva ianareo fony aho teo aminareo, fa vao mainka tokony hanaiky ahy bebe kokoa ianareo ankehitriny amin’izao tsy maha eo ahy izao. Miasà amin-tahotra sy hovitra hahatomombana ny famonjena anareo; 13satria miasa ao anatinareo hatrany Andriamanitra hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka izay mifanaraka amin’ny safidim-pony.

14Amin’izay rehetra atao, dia aza asiana fimonomononana sy fisalasalana,

mercredi 20 octobre 2021

Alarobia 20 Oktobra 2021 - Mat 22 : 1 - 14

 1Dia nampiasa fanoharana tamin-dry zareo indray i Jesoa ka niteny hoe:

2–Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ity mpanjaka nanao fanasambe noho ny fampakaram-badin’ny zanany lahy. 3Nirahin’ity mpanjaka ireo mpiasany hiantso ny olona nasaina hankao amin’ny fanasambe, fa tsy nety ho avy ireo. 4Dia mpiasa hafa indray no nirahiny sady nataony hoe: «Izao lazaina amin’ireo olona nasaina: Indro ny sakafo efa voaomako, ny ombiko sy ny biby nafahy efa voavono ary ny zavatra rehetra efa vonona; koa tongava amin’ny fanasambe.» 5Kanjo tsy nahoan’ireo nasaina izany, fa samy lasa nandeha izy rehetra, ny anankiray any amin’ny saha voleny, ary ny anankiray any amin’ny varotra karakarainy; 6ary ny sasany dia nisambotra ireo mpiasa ka nisetrasetra taminy sy namono azy. 7Tezitra kosa ilay mpanjaka, hany ka nandefa miaramila handringana ireo mpamono olona ireo sy handoro ny tanànany. 8Ary hoy izy tamin’ny mpiasany: «Efa voaomana ny fanasambe, saingy ireo nasaina no tsy mendrika. 9Koa mankanesa any amin’ny fihaonan-dalana, ary izay hitanareo dia asao avokoa ho atỳ amin’ny fanasambe.» 10Dia niely eran’ny arabe ireto mpiasa ka namory izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy; ary dia hipoka ny mpihinana ilay trano nanaovana ny fanasambe.

11Niditra kosa ny mpanjaka hizaha ny mpihinana; ary hitany teo ity lehilahy anankiray tsy nanao ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady 12ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, ahoana ianao no tafiditra eto, kanefa tsy manana ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?» Fa tsy nahateny ilay olona. 13Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo mpanompony: «Afatory tongotra aman-tanana ilay io, dia ario any amin’ny maizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»

14Dia nofaranan’i Jesoa hoe:

–Eny, maro no voaantso, fa vitsy no voafidy!

mardi 19 octobre 2021

Talata 19 Oktobra 2021 - Eks 34 : 18 - 20

 18«Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.

19«Ahy ny voalohan-teraka rehetra, ary anatin’izany ny bibinareo; ka ny voalohan-teraky ny omby na ondry na osy dia tsy maintsy atolotra Ahy. 20Kanefa ny lahy voalohan-teraky ny borikivavy dia hosoloinareo zanakondry na zanak’osy lahy, na hovonoinareo ka haolanareo ny tendany. Ary ny zanaka lahimatoanareo kosa dia havotanareo.

lundi 18 octobre 2021

Alatsinainy 18 Oktobra 2021 - I Tes 5 : 12 - 18

 12Mangataka aminareo izahay, ry havana, mba hanaja izay mikely aina eo anivonareo, dia izay voatendrin’ny Tompo hitarika sy hananatra anareo. 13Fankatoavana be dia be ombàm-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavàna tsara ianareo samy ianareo.

14Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin’ny olona rehetra. 15Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.

16Mifalia mandrakariva; 17mivavaha lalandava; 18misaora an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrak’Andriamanitra hataonareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.

dimanche 17 octobre 2021

Alahady 17 Oktobra 2021 - Apo 5 : 6 - 10

 6Dia hitako nisy Zanakondry nijoro teo anelanelan’ilay sezafiandrianana mbamin’ny zava-miaina efatra ankilany sy ireo loholona an-daniny. Tahaka ny efa voavono ho faty io Zanakondry io, ary nanana tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy Masina ombàm-panomezana fito avy amin’Andriamanitra, Izay efa nirahina hankany amin’ny tany tontolo. 7Dia nandroso ilay Zanakondry ka nandray ny horonamboky teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana. 8Rehefa nandray ny horonamboky Izy, dia niankohoka teo anoloan’ny Zanakondry ny zava-miaina efatra sy ny loholona 24. Samy nanana lokanga anankiray avy ny loholona ary koa lovia volamena feno vovo-javamanitra, dia ireo lovia tandindon’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra. 9Ary nandredona hira vaovao ho an’ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe:

«Ianao no mendrika handray ny horonamboky

sy hamaha ny tombokaseny.

Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao

no nanavotanao olona ho an’Andriamanitra,

dia olona avy tamin’ny foko amam-piteny samy hafa

sy avy tamin’ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.

10Ary nataonao fanjaka-mpisorona ireo

mba hanompo an’Andriamanitsika

sy hanjaka etỳ ambonin’ny tany.»

samedi 16 octobre 2021

Sabotsy 16 Oktobra 2021 - Lio 14 : 16 - 21

 16Dia hoy i Jesoa taminy:

–Nanao fanasambe ity olona anankiray ka maro no nasainy. 17Nony fotoana fisakafoana, dia nirahiny ny mpiasany hilaza amin’ireo nasaina hoe: «Tongava, tompoko, fa efa vonona ny sakafo.» 18Samy rafitra niala tsiny avokoa anefa izy rehetra. Ka hoy ny voalohany tamin’ilay mpiasa: «Misy saha vao novidiko izay, ka tsy maintsy handeha hijery azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!» 19Hoy kosa ny faharoa: «Misy omby folo vao novidiko izay, ka handeha hizaha azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!» 20Ary hoy indray ny fahatelo: «Vao avy nampaka-bady aho, ka noho izany tsy afaka mankany.» 21Dia niverina ilay mpiasa ka nanambara izany tamin’ny tompony. Nisafoaka ilay tompom-panasana ka nanao tamin’ilay mpiasa hoe: «Mandehana faingana ianao mankeny amin’ireo kianja sy araben’ny tanàna, ka ampandrosoy atỳ ny mahantra sy ny kilemaina mbamin’ny jamba sy ny mandringa.» 

vendredi 15 octobre 2021

Zoma 15 Oktobra 2021 - II Tan 30 : 13 - 20

 13Tamin’ny volana faharoa dia nisy vahoaka marobe tafavory tao Jerosalema mba hankalaza ny fety fihinanana ny mofo tsy misy leviora. Fiangonana goavana tokoa izany. 14Dia nirotsaka nandrava ireo alitara fanompoan-tsampy tao Jerosalema ny olona; noravany koa ireo alitara fandoroana vovo-javamanitra ka nariany tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna. 15Nony andro faha-14 tamin’ny volana faharoa dia novonoina ny biby fanao sorona amin’ny Paska. Azon-kenatra ny mpisorona sy ny levita, ka nidio tena mba ho afa-kampiditra ny sorona dorana manontolo ho ao an-tranon’ny TOMPO. 16Samy naka toerana toy ny mahazatra izy, araka ny lalànan’i Mosesy olon’Andriamanitra; ary nararaky ny mpisorona teo ambony alitara ny ra izay natolotry ny levita azy. 17Nisy maro manko tamin’ny vahoaka tafangona no tsy mbola nidio tena; dia ny levita no nampamonoina ny biby fanolotra amin’ny Paska ka nisolo izay rehetra tsy madio mba hampisy hasina ny sorony amin’ny TOMPO. 18Ny ankamaroan’ny olona, indrindra fa ireo anisan’ny foko efraimita sy manasita ary jisakarita sy zebolonita, no tsy nidio tena, kanefa nihinana ny sakafo Paska ihany, na dia tsy araka izay voasoratra aza. Saingy nivavaka ho an’ireny i Hezekià ka nanao hoe: «TOMPO tsara fo ô, mba mamelà 19izay olona efa nanomana ny fony manontolo hitady Anao TOMPO Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka izay takîn’izao zava-masina izao aza izy.» 20Ary nohenoin’ny TOMPO i Hezekià ka navelany heloka ny vahoaka.

jeudi 14 octobre 2021

Alakamisy 14 Oktobra 2021 - Gal 6 : 11 - 18

 11Jereo amin’ny havaventin’ny soratra fa tanako mihitsy no anoratako ho anareo izao. 12Izay rehetra te hiseho ho tsara araka ny maha olombelona, dia ireo no manery anareo hoforana; nefa noho izao antony izao ihany: mba tsy hanenjehana azy noho ny hazofijalian’i Kristy. 13Fa na dia ny tenan’izy voafora aza tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany hoforana ianareo, mba hireharehany amin’ny fampiharana izany amin’ny vatanareo. 14Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika: fa tamin’ny alalan’ny hazofijaliany no efa maty izao tontolo izao raha ny amiko, ary izaho kosa efa maty raha ny amin’izao tontolo izao. 15Tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora manko no tena zavatra, fa ny maha olom-baovao. 16Ary fiadanana sy famindrampo avy amin’Andriamanitra no ao amin’izay rehetra hanaraka io fitsipika io, izany hoe ao amin’ilay Israely vahoakan’Andriamanitra.

17Amin’ny ho avy, aoka tsy hisy olona hanahirana ahy intsony; fa izaho dia mitondra ny diam-pery eo amin’ny tenako noho ny maha mpanompon’i Jesoa ahy.

18Homba anareo anie, ry havana, ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen.

mercredi 13 octobre 2021

Alarobia 13 Oktobra 2021 - Asa 2 : 41 - 47

 41Koa izay nandray tsara ny tenin’i Petera dia natao batisa; ary olona tokony ho telo arivo no nanatevin-daharana ny mpino tamin’izany andro izany.

42Nazoto izy ireo nihaino ny fampianaran’ny apôstôly sy niombom-piainana toy ny mpiray tampo ary niara-nanao ny fiaraha-misakafo sy namonjy ny fivavahana. 43Dia raiki-tahotra avokoa ny olona noho ny zava-mahagaga sy famantarana maro vitan’ny apôstôly. 44Niray toerana ny mpino rehetra ary niombom-pananana; 45namidiny ny taniny sy ny fananany ka ny vola azo dia nifampizaràny araka izay nilain’ny tsirairay. 46Nazoto nihaona isan’andro izy rehetra: nivory tao an-kianjan’ny tempoly, niara-nisakafo tany an-tranony avy, nihinan-kanina tamin-karavoana sy fahatsoram-po, 47ary nidera an’Andriamanitra, hany ka mamy hoditra tamin’ny vahoaka rehetra. Ary ny olona izay notarihin’ny Tompo ho amin’ny famonjena dia nataony nanatevin-daharana an-dry zareo isan’andro vaky.

mardi 12 octobre 2021

Talata 12 Oktobra 2021 - Isa 55 : 1 - 3

 1He! Ianareo rehetra izay mangetaheta,

mankanesa amin’ny rano omeko!

Na dia tsy manam-bola aza ianareo,

avia maka sakafo, dia mihinàna

fa tsy ialam-bola izany55.1 Ampit Apôk 21.6; 22.17.;

avia maka divay na ronono,

fa tsy vidina izany.

2Nahoana ianareo no mandany vola

amin’izay sakafo tsy tena mahavoky?

Nahoana ianareo no misahirana

amin’ny zavatra tsy mahafa-po?

Henoy tsara Aho, dia hihinan-javatra matsiro ianareo

ary ho finaritra amin’ny sakafo mafilotra.

3Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina;

henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo55.3 Teksta voatsiahy ao amin’ny Asa 13.34 araka ny dkt tranainy grika..

Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo

ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:

lundi 11 octobre 2021

Alatsinainy 11 Oktobra 2021 - Sal 117 : 1 - 2

 1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra;

Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity..

2Fa lehibe tokoa ny fitiavany antsika

ary mandrakizay ny fahamarinany.

Haleloià!

dimanche 10 octobre 2021

Alahady 10 Oktobra 2021 - Mat 26 : 26 - 29

 26Raha mbola teo am-pisakafoana ry i Jesoa sy ny mpianany, dia nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny mpianany ka nataony hoe:

–Raiso ary hano fa ny tenako ity.

27Avy eo nandray kalisy i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia nomeny ny mpianany ka nataony hoe:

–Isotroinareo rehetra 28fa ny rako ity, dia ilay ra anorenan’Andriamanitra ny fanekempihavanany26.28 Ampit Eks 24.8; Jer 31.31-34. sady alatsaka ho an’ny besinimaro ho famelan-keloka. 29Lazaiko aminareo fa tsy hisotro divay intsony aho mandra-pahatongan’ilay andro hisotroako ny divay vaovao miaraka aminareo any amin’ny Fanjakan’ny Raiko.

samedi 9 octobre 2021

Sabotsy 09 Oktobra 2021 - Jos 24 : 23 - 28

 23Dia nofaranan’i Josoa hoe:

–Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin’ny TOMPO Andriamanitr’Israely ny fonareo.
24Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe:
–Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.
25Tamin’izany andro izany dia nanao fanekempihavanana tamin’ny vahoaka tao Sekema i Josoa, ka nanome azy fepetra amam-pitsipika. 26Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra ireo teny ireo; ary naka vato lehibe iray izy ka nanangana azy teo am-pototry ny hazo oaka, izay toera-masin’ny TOMPO. 27Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra:
–Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo!
28Dia noravan’i Josoa ny vahoaka, ka samy niverina tany amin’ny zarataniny avy.

vendredi 8 octobre 2021

Zoma 08 Oktobra 2021 - I Kor 11 : 23 - 34

 23Fa izao no hafatra noraisiko tamin’ny Tompo ary nampitaiko taminareo: I Jesoa Tompo tamin’ilay alina nanolorana Azy, dia nandray mofo; 24ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny ka nataony hoe: «Ny tenako ity, izay ho anareo. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.» 25Taorian’ny sakafo, dia noraisiny toy izany koa ny kaopy masina sady nataony hoe: «Ity kaopy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao, aorin’Andriamanitra amin’ny rako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro amin’ny kaopy masina ianareo11.25 Ampit Eks 24.6-8; Jer 31.31-34..» 26Koa mandra-piavin’ny Tompo, dia manambara ny fahafatesany ianareo, isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro izany fisotro izany.

27Noho izany na zovy na zovy mihinana ny mofo na misotro ny fisotro aroson’ny Tompo ka tsy amin-toe-panahy mendrika, dia ho meloka amin’ny tenan’ny Tompo sy ny rany. 28Aoka ny olona handini-tena vao mihinana amin’izany mofo izany sy misotro amin’izany kalisy izany; 29satria izay mihinana amin’izany mofo izany ary misotro amin’izany kalisy izany nefa sy mamantatra ny tenan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro hihantsiana ny sazin’Andriamanitra. 30Izany no mampisy ny marary sy farofy betsaka eo aminareo ary maro aza no maty. 31Fa raha mba mandini-tena isika, dia tsy hosazîn’Andriamanitra. 32Sazîn’ny Tompo sy faiziny kosa isika mba tsy ho voaheloka miaraka amin’izao tontolo izao.

33Noho izany, ry havako, rehefa miara-miangona handray ny Fanasan’ny Tompo ianareo, dia mba mifampiandrasa; 34raha misy noana, aoka izy hihinana any an-tokantranony mba tsy hihantsianareo ny sazin’Andriamanitra amin’ny fiarahanareo miangona. Ary ny zavatra sisa dia halamiko rehefa tonga aho.

jeudi 7 octobre 2021

Alakamisy 07 Oktobra 2021 - Hab 3 : 17 - 19

 17
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy

ary tsy manome voa ny voaloboka,
na dia tsy mahavanona aza ny ôliva
ary tsy mahavokatra hanina ny saha,
na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra
ary tsy misy omby intsony ao am-bala,
18dia mbola ho faly sy ravo ihany aho
satria ny TOMPO Andriamanitra no Mpamonjy ahy.
19Ny TOMPO Andriamanitra no heriko;
mampalady ahy toy ny dieravavy Izy
ka mampiriaria ahy eny an-kavoana.
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira: hohiraina miaraka amin’ny valiha3.19 Teny fahita eo am-piandohan’ny Salamo sasany (jereo Sal 4; 6; 54; 67; 76)..

mercredi 6 octobre 2021

Alarobia 06 Oktobra 2021 - Lio 22 : 7 - 20

 7Tonga ny andro fihinanana ny azima izay tsy maintsy hamonoana ny zanak’ondry ho an’ny sakafo Paska8Dia nirahin’i Jesoa ry i Petera sy i Jôhany nataony hoe:

–Ndeha manomana ny sakafo Paska ho antsika22.8 Jereo Eks 12.3-9..
9Fa hoy izy roa lahy taminy:
–Aiza no tianao hanomananay azy?
10Dia novalian’i Jesoa hoe:
–Raha vao tafiditra ny tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; ka iny arahina any amin’izay trano hidirany, 11ary lazao amin’ny tompon-trano hoe: «Izao no tenin’ny Mpampianatra aminao: Aiza, hono, izay efitrano hiarahako mihinana ny sakafo Paska amin’ny mpianatro?» 12Dia hotoroany efitrano ambony rihana ianareo, efitrano malalaka sady ary fomba; ka ao ny sakafo no omany.
13Lasa izy roa lahy ka nahita ny toe-javatra araka ny voalazan’i Jesoa taminy ary dia nanomana ny sakafo Paska.
14Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka nihinana i Jesoa mbamin’ny apôstôly15Ary hoy i Jesoa taminy:
–Niriko dia niriko tokoa hiara-mihinana ity sakafo Paska ity aminareo alohan’ny hijaliako. 16Lazaiko aminareo fa tsy hihinana ny Paska intsony Aho mandra-pahatanteraka azy any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
17Dia nandray kalisy natolotra Azy i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany ka nataony hoe:
–Raiso ity ka ifampizarao. 18Lazaiko aminareo fa tsy hisotro divay intsony Aho mandra-pahatongavan’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
19Avy eo nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny apôstôly ka nataony hoe:
–Ny tenako ity [izay omena ho anareo. Izany atao ho fahatsiarovana Ahy.
20Ary noraisin’i Jesoa toy izany koa ny kalisy taorian’ny sakafo sady nataony hoe:
–Ity kalisy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao aorin’Andriamanitra amin’ny rako izay alatsaka ho anareo22.20 Ampit ny and 20 sy Eks 24.8; Jer 31.31-34..]

mardi 5 octobre 2021

Talata 05 Oktobra 2021 - I Pet 5 : 5 - 9

 5Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe:

«Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona

fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena5.5 Ohab 3.34, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

6Koa manetre tena eo ambany tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro voatendriny5.6 Ampit Mt 3.12; Lk 14.11; 18.14.. 7Apetraho aminy avokoa ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo5.7 Ampit Sal 55.23..

8Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany. 9Finoana mafy orina entina manohitra azy, satria fantatrareo fa fijaliana toraka izany koa no iaretan’ny havanareo mpino eran’izao tontolo izao.

lundi 4 octobre 2021

Alatsinainy 04 Oktobra 2021 - Sal 116 : 12 - 19

 12Inona no havaliko ny TOMPO

noho ny soa rehetra nataony tamiko?

13Hitondra fanatitra divay aho116.13 fanatitra divay: ho fisaorana an’Andriamanitra izany.

ka hanao antso avo ny lazan’ny TOMPO.

14Hanefa ny voadiko amin’ny TOMPO aho

eo anatrehan’ny vahoakany tafangona.

15Tsy sitraky ny TOMPO velively

ny hahafatesan’ny mpivavaka aminy.

16TOMPO ô, mpanomponao aho;

eny, mpanomponao tokoa aho

sady zanaky ny mpanompovavinao,

ka novahanao ny fatorako.

17Hanolotra sorom-piderana aho

ary hanao antso avo ny lazan’ny TOMPO.

18Hanefa ny voadiko amin’ny TOMPO aho

eo anatrehan’ny vahoakany tafangona,

19dia eo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO,

eo afovoanao, ry Jerosalema.

Haleloià!

dimanche 3 octobre 2021

Alahady 03 Oktobra 2021 - Eks 12 : 21 - 29

 21Niantso ny loholon’i Israely rehetra i Mosesy ka nanao taminy hoe:

–Mandehana ianareo ka makà zanakondry na zanakosy ho an’ny fianakavianareo avy, dia vonoy ho sakafo Paska. 22Makà rantsana hisôpa iray fihina ka atsobohy ao amin’ny ran’ny zanakondry ao anaty koveta, dia hosory ra ny tolàm-baravarana roa sy ny tataom-baravaran’ny tranonareo; ary aoka tsy hisy olona hivoaka ny tranony intsony ambara-pahamarainan’ny andro. 23Fa handalo mba hanafay ny Ejiptianina ny TOMPO; koa raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa ny TOMPO dia handalo ny varavaranareo fotsiny fa tsy hamela ny areti-mandringana12.23 Areti-mandringana fandravana: toa heverina ho iraka avy any an-danitra hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izany (ampit Gen 19.23; 2 Sam 24.16; Heb 11.28). hiditra ao an-tranonareo. 24Tandremo io zavatra io mba ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany. 25Koa rehefa tafiditra ao amin’ny tany izay efa nampanantenain’ny TOMPO homena anareo ianareo, dia tandremo io fanompoam-pivavahana io. 26Ary raha manontany anareo ny anton’izany ny zanakareo, 27dia hovalianareo hoe: «Sorona atolotra ny TOMPO amin’ny andro Paska io. Fony mbola tany Ejipta manko ny Israelita, dia nanafay ny Ejiptianina ny TOMPO, fa nandalo fotsiny kosa teo anoloan’ny tranonay ka nanafaka ny fianakavianay.»

Dia niankohoka ny vahoaka israelita mba hivavaka amin’ny TOMPO. 28Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.

Ny loza farany: fahafahatesan’ny lahimatoan’ny Ejiptianina rehetra

29Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra12.29 Jereo 4.22-23..

samedi 2 octobre 2021

Sabotsy 02 Oktobra 2021 - Kol 1 : 15 - 20

 15I Kristy dia endrik’ilay Andriamanitra tsy hita. Izy no Zanaka lahimatoa, ambonin’ny voaary rehetra1.15 Ampit Ohab 8.22-26; Jôh 1.1-3.. 16Tao aminy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra any an-danitra sy eto an-tany, ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana1.16 Ity andininy ity dia mitanisa antokon’anjely maromaro izay noheverin’ny Ntaolo fahizany fa nandray anjara tamin’ny fitondrana an’izao tontolo izao. Ampit Gal 4.3 sy nta.. Tamin’ny alalany sy ho Azy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra. 17Nisy talohan’ny zavatra rehetra Izy sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra. 18I Kristy no lohan’ny Fiangonana izay tenany; Izy no fiandohan’ny fiainam-baovao, Zanaka lahimatoa, ilay voalohany natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, mba ho lohalaharana amin’ny zavatra rehetra. 19Fa tao aminy no sitrak’Andriamanitra hitoeran’ny hafenoana tanteraka1.19 hitoeran’ny hafenoana tanteraka: dkt hafa ho henika Azy tanteraka.; 20ary ny ra nafoiny teo amin’ny hazofijaliana1.20 ny ra nafoiny teo amin’ny hazofijaliana: ao amin’ny Baiboly, ny hoe ra dia tsy ra fe ra mikoriana ao amin’ny lalan-dra, fa ny aina mihitsy koa (jereo ohatra Gen 9.4-5). Ka ny hoe «ra nafoiny teo amin’ny hazofijaliana» dia manondro ny nanoloran’i Jesoa ny ainy, manondro ny fahafatesany sy ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana. Ampit Ef 2.16. no nanaovan’Andriamanitra fampihavanana, ka dia tamin’ny alalany no sitrak’Andriamanitra hampihavanana amin’Izy Ray ny zavatra rehetra na ny eto an-tany na ny any an-danitra.

vendredi 1 octobre 2021

Zoma 01 Oktobra 2021 - Jao 6 : 52 - 58

 52Tamin’izay ny Jiosy dia nifanditra hoe:

–Hataon’ilay io ahoana re no fanome antsika ny tenany hohanina?

53Ka hoy i Jesoa taminy:

–Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny tenan’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy velona aina ao anatinareo. 54Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako no velona aina mandrakizay; ary Izaho hanangana azy ho velona amin’ny andro farany. 55Fa ny tenako dia fihinana tokoa; ary ny rako dia fisotro tokoa! 56Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako, dia mitoetra ato anatiko, ary Izaho ao anatiny. 57Velona ny Ray naniraka Ahy, ary Izaho velomin’ny Ray: toy izany koa no hamelomako izay mihinana Ahy. 58Ity no mofo nidina avy tany an-danitra: tsy mba tahaka ilay nohanin’ny razanareo; maty ihany izy ireo, fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.

jeudi 30 septembre 2021

Alakamisy 30 Septambra 2021 - Lio 12 : 49 - 53

 49–Hanipy afo eto ambonin’ny tany12.49 Ampit Is 66.15-16. no nahatongavako, ka irîko dia irîko tokoa ny hirehetany sahady! 50Misy batisa tsy maintsy hirosoako, ka may erỳ Aho miandry ny hahatanterahany! 51Heverinareo moa fa tonga eto an-tany Aho mba hampihavana? Tsia, hoy Aho aminareo, fa hampifanohitra. 52Eny, manomboka izao ny olona dimy iray trano dia hifanohitra: ny telo hanohitra ny roa ary ny roa hanohitra ny telo. 53Hifanohitra ny mpianakavy ka ny ray hanohitra ny zanany lahy, ary ny zanaka lahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zanany vavy, ary ny zanaka vavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantovaviny, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozam-baviny12.53 Jereo Mi 7.6..

mercredi 29 septembre 2021

Alarobia 29 Septambra 2021 - Nom 31 : 21 - 24

21Dia hoy i Elehazara mpisorona tamin’ny miaramila nandray anjara tamin’ny fanafihana:

–Izao no fepetran-dalàna izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy: 22Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny vy fotsy ary ny firaka, 23izany hoe ny zavatra rehetra mahatanty afo, dia sedrao amin’ny afo ho afa-doto, vao atsobohy ao amin’ny rano fanadiovana. Ary izay tsy mahatanty afo kosa dia atsobohy fotsiny ao anaty rano fanadiovana31.23 rano fanadiovana: jereo 19.9.. 24Sasao ny fitafianareo amin’ny andro fahafito, dia hadio ianareo ka hahazo miditra ao an-toby amin’izay.

mardi 28 septembre 2021

Talata 28 Septambra 2021 - Gal 5 : 2 - 6

 2Indro fa izaho Paoly no miteny aminareo: raha manaiky hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza i Kristy. 3Ary ambarako indray amin’ny olona rehetra manaiky hoforana fa manana adidy hahatanteraka ny lalàna manontolo izy. 4Tafasaraka amin’i Kristy ianareo miezaka ho marina eo imason’Andriamanitra amin’ny fanoavana ny lalàna; miendaka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo. 5Isika kosa dia matoky fa Andriamanitra no mahatonga antsika ho marina eo imasony; izany no andrasantsika ho vokatry ny finoantsika noho ny asan’ny Fanahy Masina. 6Fa ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.

lundi 27 septembre 2021

Alatsinainy 27 Septambra 2021 - Jao 3 : 1 - 8

 1Nisy lehilahy anankiray atao hoe Nikôdema, anisan’ny antokom-pivavahana Farisianina ary manampahefana teo amin’ny Jiosy. 2Nanatona an’i Jesoa izy indray alina ary niteny taminy hoe:

–Mpampianatra ô, fantatray fa Mpampianatra nirahin’Andriamanitra Ianao; satria tsy misy olona mahavita ireo famantarana ataonao ireo, raha tsy ombàn’Andriamanitra.

3Fa novalian’i Jesoa hoe:

–Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray3.3 indray: ny voambolana grika nadika hoe indray dia mety midika koa hoe avy any ambony. Mifameno sy mifanatevina izany heviteny anankiroa izany. ny olona, dia tsy afa-mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra.

4Dia hoy i Nikôdema taminy:

–Hataon’ny olona ahoana no hateraka indray rehefa antitra? Moa afa-miverina any an-kibon-dreniny ve izy ka hateraka fanindroany?

5Ka novalian’i Jesoa hoe:

–Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 6Izay ateraky ny olombelona, dia olombelona; izay ateraky ny Fanahy Masina, dia fanahy. 7Aza gaga ianao raha nilazako hoe: «Tsy maintsy ateraka indray3.7 indray na hoe avy any ambony (jereo and 3 sy ny naoty tandrify azy). ianareo.» 8Ny rivotra3.8 Amin’ny fiteny grika, dia voambolana tokana no enti-manondro ny rivotra sy ny Fanahy: misy tsilalaon-teny izany eto amin’ity andininy ity. dia mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany: tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy Masina.

dimanche 26 septembre 2021

Alahady 26 Septambra 2021 - I Kor 10 : 1 - 5

 1Tiako hotsarovanareo, ry havako, izay nanjo ireo razantsika niara-dia tamin’i Mosesy. Tambanin’ny rahona izy rehetra; ary namakivaky ny Ranomasina Mena izy rehetra10.1 rahona: dia ilay andry rahona sy andry afo voalaza ao amin’ny Eks 13.21-22. –namakivaky ny Ranomasina Mena: jereo Eks 14.22-29.. 2Natao batisa tao amin’izany rahona sy ranomasina izany izy rehetra mba ho tafaray amin’i Mosesy. 3Nihinana sakafom-panahy iray ihany izy rehetra; 4ary nisotro fisotrom-panahy iray ihany izy rehetra; satria nisotro teo amin’ilay vatolampy ara-panahy tafara-dia taminy10.4 And 3: jereo Eks 16.35. –And 4: vatolampy ara-panahy tafara-dia taminy: ny raisin’i Paoly eto dia toa ny fampianaran’ireo mpampianatra jiosy, izay mihevitra fa ny vatolampy voalaza ao amin’ny Nom 20.8-11 dia tafara-dia tamin’ny vahoaka Israely hatrany hatrany tamin’izay nifindrafindrany rehetra tany an-taniefitra.: ka izany vatolampy izany dia i Kristy. 5Kanefa tsy sitrak’Andriamanitra ny ankabeazan-dry zareo ka maty ripaka tany an-taniefitra10.5 Ampit Nom 14.16..

samedi 25 septembre 2021

Sabotsy 25 Septambra 2021 - Jao 7 : 20 - 24

 20Dia hoy ny vahoaka taminy:

–Ondranondranana Ianao! Iza no mitady hamono Anao?

21Ka novalian’i Jesoa hoe:

–Asa iray monja no nataoko, dia gaga ianareo rehetra! 22Noho i Mosesy nanome didy anareo hanao famorana (kanefa tsy i Mosesy no nipoirany fa ny razanareo7.22 Jereo Lev 12.3; Gen 17.10-13.), dia mamora olona ihany ianareo na amin’ny andro sabata aza. 23Koa raha andro sabata no amorana olona mba tsy hahafoana ny lalànan’i Mosesy, dia tezitra amiko ve ianareo raha misy lehilahy anankiray nataoko sitrana soa aman-tsara ny tenany manontolo tamin’ny andro sabata7.23 Jereo 5.8-9.? 24Aza dia mitsara araka ny ivelany fa mitsarà araka ny rariny7.24 Ampit Lev 19.15; Is 11.4..

vendredi 24 septembre 2021

Alatsinainy 27 Septambra 2021 - Jao 3 : 1 - 8

 1Nisy lehilahy anankiray atao hoe Nikôdema, anisan’ny antokom-pivavahana Farisianina ary manampahefana teo amin’ny Jiosy. 2Nanatona an’i Jesoa izy indray alina ary niteny taminy hoe:

–Mpampianatra ô, fantatray fa Mpampianatra nirahin’Andriamanitra Ianao; satria tsy misy olona mahavita ireo famantarana ataonao ireo, raha tsy ombàn’Andriamanitra.

3Fa novalian’i Jesoa hoe:

–Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray3.3 indray: ny voambolana grika nadika hoe indray dia mety midika koa hoe avy any ambony. Mifameno sy mifanatevina izany heviteny anankiroa izany. ny olona, dia tsy afa-mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra.

4Dia hoy i Nikôdema taminy:

–Hataon’ny olona ahoana no hateraka indray rehefa antitra? Moa afa-miverina any an-kibon-dreniny ve izy ka hateraka fanindroany?

5Ka novalian’i Jesoa hoe:

–Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 6Izay ateraky ny olombelona, dia olombelona; izay ateraky ny Fanahy Masina, dia fanahy. 7Aza gaga ianao raha nilazako hoe: «Tsy maintsy ateraka indray3.7 indray na hoe avy any ambony (jereo and 3 sy ny naoty tandrify azy). ianareo.» 8Ny rivotra3.8 Amin’ny fiteny grika, dia voambolana tokana no enti-manondro ny rivotra sy ny Fanahy: misy tsilalaon-teny izany eto amin’ity andininy ity. dia mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany: tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy Masina.

Zoma 24 Septambra 2021 - Nom 8 : 5 - 12

 5Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

6«Avaho amin’ny Israelita hafa ny Levita, dia diovy izy. 7Izao no hataonao hanadiovana azy: fafazo rano fanadiovana izy8.7 rano fanadiovana: io angamba ilay rano voalaza ao amin’ny toko 19, na dia samy hafa aza ny voambolana hebreo, na ilay voalaza ao amin’ny Lev 14., asaovy haratany ny tenany iray manontolo ary aoka hosasany ny fitafiany, dia hadio izy. 8Asaovy maka vantotr’ombilahy iray mbamin’ny fanatitra momba azy izy, dia lafarinina voatoto tsara sy voaharo menaka; ary haka vantotr’ombilahy iray kosa ianao ho sorona fanalana ny ota. 9Vorio ny fiangonan’ny Israelita rehetra, dia hasainao mankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny Levita. 10Ento eo anatrehako TOMPO ireo Levita, ary hametra-tanana aminy kosa ny Israelita. 11Hanolotra ny Levita eo anatrehako i Aharôna ho toy ny fanatitra ahevaheva, mba hanao ny asa fanompoana AHY. 12Dia hametra-tanana amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy roa ny Levita, ka ny iray hataonao sorona fanalana ny ota ary ny iray ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, alohan’ny hanaovana amin’ny Levita ny fombam-pivavahana famelan-keloka.

jeudi 23 septembre 2021

Alakamisy 23 Septambra 2021 - Rom 2 : 25 - 29

 25Eny, mahasoa anao ny famorana raha manatanteraka ny lalàna ianao; fa raha mandika ny lalàna kosa ianao, dia toy ny tsy voafora mihitsy. 26Raha ny tsy voafora no mitandrina ny fepetran’ny lalàna, moa tsy hoheverin’Andriamanitra ho voafora ve izy, na dia tsy voafora aza? 27Koa ilay tsy voafora ara-nofo, nefa manatanteraka ny lalàna, no hanameloka anao izay manana ny lalàna voasoratra sy ny famorana nefa mandika ny lalàna. 28Tsia, tsy izay miseho etỳ ivelany no tena maha Jiosy ary tsy izay voafora ara-nofo no tena voafora; 29fa ny ao anaty no tena maha Jiosy, ary izay voafora ao am-po no tena voafora noho ny asan’ny Fanahy Masina fa tsy noho ny asan’ny lalàna voasoratra2.29 Ampit Deot 30.6.: ka tsy mba olona no midera azy, fa Andriamanitra mihitsy.

mercredi 22 septembre 2021

Alarobia 22 Septambra 2021 - Asa 8 : 34 - 40

 34Ka hoy ilay tandapa tamin’i Filipo:

–Azafady, tompoko, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany sa olon-kafa?

35Dia niteny i Filipo ary niainga avy amin’ireo andalan-tSoratra Masina ireo no nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa. 36Nizotra ny dian’izy roa lahy, ary mby teo amin’ny toerana anankiray misy rano, ka hoy ilay tandapa:

–Inty eto misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?

[ 37Dia novalian’i Filipo hoe:

–Raha amin’ny fonao manontolo no inoanao, dia azo atao batisa ianao.

Ary hoy ilay tandapa:

–Mino aho fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’Andriamanitra8.37 Angamba ho akon’ny litorijia fanaovam-batisa tany aloha be tany izany angamba..]

38Nasain’ilay tandapa najanona ny kalesy, dia niara-nidina nankeo anaty rano izy mbamin’i Filipo, ary nataon’i Filipo batisa izy. 39Nony tafakatra avy tao anaty rano izy roa lahy, dia nentin’ny Fanahin’ny Tompo niala teo i Filipo. Tsy nahita azy intsony ilay tandapa, nefa nanohy ny diany tamin-kafaliana. 40Hay tody tao Azôta8.40 I Azôta dia i Asdôda tanànan’ny Filistinina fahiny (jereo 1 Sam 5.1-7). i Filipo ary nitory ny Vaovao Mahafaly tamin’ny tanàna rehetra nolalovany mandra-pahatongany tany Kesaria.

mardi 21 septembre 2021

Talata 21 Septambra 2021 - I Kor 1 : 13 - 17

 13Heverinareo ve fa voazarazara i Kristy1.13 Heverinareo ve fa voazarazara i Kristy: misy stf sasany ahitana hoe tsy mety ho voazarazara i Kristy.? I Paoly ve no voahombo teo amin’ny hazofijaliana ho famonjena anareo? Sa tamin’ny anaran’i Paoly no nanaovana batisa anareo?

14Isaorako Andriamanitra fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy i Krispo sy i Gaio1.14 Krispo: jereo Asa 18.8. –Gaio: jereo Asa 19.29.. 15Ka tsy afaka milaza ianareo fa vita batisa tamin’ny anarako. 16(Hay koa moa nataoko batisa ny ankohonan’i Stefanasy; afa-tsy ireo, dia tsy misy hafa tsaroako ho nataoko batisa.) 17Izaho manko tsy nirahin’i Kristy hanao batisa fa hitory ny Vaovao Mahafaly; ary tsy tamin’ny fahendren’olombelona asehon’ny lahateny kanto no nitoriako mba tsy ho foana ny herin’i Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana.

lundi 20 septembre 2021

Alatsinainy 20 Septambra 2021 - Asa 8 : 4 - 17

 4Koa ireo naelin’ny fanenjehana dia nitety tany nitory ny Vaovao Mahafaly raketin’ny tenin’Andriamanitra. 5Nidina tao an-tanàna Samaria i Filipo ka nanambara ny Mesia tamin’ny mponina tao8.5 tao an-tanàna Samaria (dia i Samaria vaovao na i Sebàsta naorin’i Herôda Lehibe izany): misy stf sasany ahitana hoe tao amin’ny tanàna anankiray any Samaria. –nanambara ny Mesia: satria niandry ny fahatongavan’ny Mesia koa ny Samaritanina (jereo Jôh 4.25).. 6Indray babo avokoa ny vahoaka tamin’izay nolazain’i Filipo, raha nandre laza sy nahita maso ny famantarana vitany. 7Fa maro ny olona nandroahana fanahy maloto ary nikiakiaka ireny fanahy maloto ireny rehefa niala; maro koa ny malemy sy ny mandringa no sitrana. 8Dia nisy hafaliana be tao amin’izany tanàna izany.

9Nisy lehilahy atao hoe Simôna efa tao amin’izany tanàna izany rahateo. Mpanao majika izy ka nahatalanjona ny mponina eran’i Samaria sady nanao ny tenany ho zavatra. 10Babony daholo ny olona, hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe, ka vaky vava hoe:

–Ity lehilahy ity no herin’Andriamanitra, dia ilay antsoina hoe «hery lehibe».

11Babon’i Simôna tokoa ny olona satria hatramin’ny ela no talanjona tamin’ny majîkany. 12Saingy rehefa nino ny Vaovao Mahafaly notorîn’i Filipo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra sy momba an’i Jesoa Kristy izy ireo, dia niroso hatao batisa avokoa na lahy na vavy. 13Ny tenan’i Simôna koa aza dia nino ka natao batisa; tsy nahasaraka an’i Filipo izy ary talanjona nahita ny famantarana sy ny asa lehibe mahagaga izay notontosaina.

14Ren’ny apôstôly tany Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny mponina tao Samaria, ka nirahiny hankany i Petera sy i Jôhany. 15Rehefa tonga tany Samaria izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny mpino mba handraisany ny Fanahy Masina; 16satria tsy mbola nisy nilatsahan’ny Fanahy Masina ireo mpino ireo na iray aza, fa vita batisa tamin’ny anaran’i Jesoa Tompo ihany. 17Dia nametrahan’i Petera sy Jôhany tanana izy rehetra ka nandray ny Fanahy Masina.

dimanche 19 septembre 2021

Alahady 19 Septambra 2021 - Mat 3 : 5 - 12

 5Tamin’izay dia nirohotra nankany amin’i Jôhany ny olona avy any Jerosalema sy avy any Jodea lafy valo mbamin’ny faritany rehetra amoron’ny ony Jôrdàna; 6ary niaiky heloka izy ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao Jôrdàna.

7Rehefa hitan’i Jôhany ny Farisianina sy ny Tsadoseanina maro nanatona azy mba hataony batisa, dia nilazany hoe:

–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba handositra tsy ho tratra amin’ny hatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra. 8Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. 9Ary aza mihambo anakampo hoe: manana an’i Abrahama ho razambenay izahay3.9 Ampit Jôh 8.33,37,39.! Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. 10Indro efa eo am-poto-kazo ny famaky: ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo.

11Hoy koa i Jôhany:

–Ny ahy, ao amin’ny rano no anaovako batisa anareo ho mariky ny fialana amin’ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo. 12Efa eny an-tanany ny fikororohana3.12 fikororohana: fitaovana mitovitovy amin’ny «fourche» ka ampiasaina hanavahana ny vary sy ny mololo eo am-pamoloana. Tsy mitovy velively amin’ny hoe fikororoham-bary atỳ amintsika. ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.

samedi 18 septembre 2021

Sabotsy 18 Septambra 2021 - Asa 19 : 1 - 7

 1Raha mbola tany Kôrinto i Apôlao, dia namakivaky ny havoana lembalemban’i Azia Minôra kosa i Paoly ka tonga tao Efeso. Mpianatra vitsivitsy no hitan’i Paoly tao 2ka nanontaniany hoe:

–Efa nandray ny Fanahy Masina ve ianareo fony vao nino?

Dia novalian’ireo hoe:

–Tsy renay akory aza fa misy ny Fanahy Masina.

3Ka hoy indray i Paoly nanontany hoe:

–Batisan’iza moa no voarainareo?

Dia nataon’ireo hoe:

–Ny batisan’i Jôhany.

4Ary hoy i Paoly taminy:

–I Jôhany dia nanao batisa ny olona nanaiky hiala tamin’ny toe-dratsy19.4 Jereo Mt 3.11; Mk 1.4, 7-8. ary nilaza tamin’ny vahoaka mba hino an’Ilay ho tamy aoriany, izany hoe i Jesoa.

5Raha nahare izany teny izany ireto mpianatra, dia nangataka hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Tompo. 6Nametrahan’i Paoly tanana izy rehetra ka nahazo ny Fanahy Masina, ary dia niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sady nilaza hafatra avy amin’Andriamanitra. 7Lehilahy avokoa ireo mpianatra ireo ary tokony ho 12 no isany.

vendredi 17 septembre 2021

Zoma 17 Septambra 2021 - I Pet 3 : 18 - 22

 18Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Novonoina tao amin’ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina3.18 efa maty: misy stf sasany ahitana hoe efa nijaly, ary misy koa manampy hoe ho anareo. –hitondra antsika: misy stf sasany ahitana hoe hitondra anareo. –araka ny Fanahy Masina: ampit Rm 1.4.. 19Nombàn’ny Fanahy Masina Izy ka lasa nitoriteny tamin’ireo fanahy voagadra, 20dia ireo fanahin’ny olona tsy nanaiky an’Andriamanitra, fony Andriamanitra nampiseho ny fahari-pony tamin’ny andro nanamboaran’i Noà ny sambofiara. Olona vitsy ihany anefa, dia i Noà valo mianaka, no tafiditra tao anaty sambofiara ka voavonjy tamin’ny rano3.20 tamin’ny rano: jereo Gen 6.1–7.24.. 21Io rano io no tandindon’ny batisa izay amonjena anareo ankehitriny; ka tsy fanesorana lotom-batana ny batisa, fa toky omen’ny fieritreretana madio hitodika amin’Andriamanitra3.21 fa toky omen’ny fieritreretana madio hitodika amin’Andriamanitra: dkt hafa fa angatahana fieritreretana madio amin’Andriamanitra.. Ny batisa no amonjena anareo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy tafatsangana ho velona, 22dia Ilay efa lasa any an-danitra sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, ka eken’ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.

jeudi 16 septembre 2021

Alakamisy 16 Septambra 2021 - Asa 18 : 5 - 8

 Rehefa tonga avy any Masedônia18.5 Jereo 17.15. i Silasy mbamin’i Timôty, dia ny toriteny no nimasoan’i Paoly, ary nambarany tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia. 6Kanefa nanohitra sy nanevateva azy ry zareo; ka dia nanopakopa-damba18.6 Ny manopakopa-damba toy izany dia isan’ny fihetsika manambara fa afaka andraikitra amin’ireo Jiosy ireo i Paoly. Ampit Mk 6.11 sy nta ary koa Asa 13.51; 22.23. i Paoly sady nanao taminy hoe:

–Anareo ny andraikitra raha toa ka manalavitra an’Andriamanitra ianareo, fa afaka adidy aminareo aho. Manomboka anio dia any amin’ny hafa firenena no halehako.

7Dia niala teo i Paoly ka nankao amin’i Tisio Josta, mpanaja an’Andriamanitra, izay nanan-trano nifanolotra tamin’ny sinagôga. 8Kanefa nino ny Tompo i Krispo, lehiben’ny sinagôga, mbamin’ny ankohonany18.8 Ampit 16.15, 33. manontolo; ary maro koa ny Kôrintianina nihaino an’i Paoly no tonga mpino ary natao batisa.

mercredi 15 septembre 2021

Alarobia 15 Septambra 2021 - Sal 51 : 1 - 12

 1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida, 2fony i Natàna mpaminany nankao aminy, rehefa naka an’i Baty-Seba ity mpanjaka51.1 Jereo 2 Sam 11-12..

3Andriamanitra ô, iantrao aho

satria fatra-pitia Ianao;

koseho re ny hadisoako

satria be indrafo Ianao.

4Sasao tanteraka aho ho afa-keloka

ary diovy mba ho afa-pahotana.

5Eny, miaiky ny fahadisoako aho

sady tsaroako lalandava ny fahotako.

6Ianao irery tokoa no nanotako,

ny ratsy eo imasonao no nataoko;

hany ka ara-drariny Ianao raha miteny,

ary tsy omen-tsiny raha manadidy51.6 Ity andalana ity dia tsiahivina ao amin’ny Rm 3.4..

7Jereo fa meloka aho no teraka,

mpanota raha notorontoronina;

8nefa ny hahitsy ao anaty no sitrakao,

koa ny fahendrena am-po no atoroy ahy.

9Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio;

sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.

10Ataovy reko ny famelanao,

dia hifaly sy hiravo indray aho;

ary aoka hibitaka ny taolako

izay efa voamontsamontsanao.

11Hadinoy tanteraka ny fahotako

ary koseho avokoa ny heloka vitako.

12Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô,

fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko.

mardi 14 septembre 2021

Talata 21 Septambra 2021 - I Kor 1 : 13 - 17

 13Heverinareo ve fa voazarazara i Kristy1.13 Heverinareo ve fa voazarazara i Kristy: misy stf sasany ahitana hoe tsy mety ho voazarazara i Kristy.? I Paoly ve no voahombo teo amin’ny hazofijaliana ho famonjena anareo? Sa tamin’ny anaran’i Paoly no nanaovana batisa anareo?

14Isaorako Andriamanitra fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy i Krispo sy i Gaio1.14 Krispo: jereo Asa 18.8. –Gaio: jereo Asa 19.29.. 15Ka tsy afaka milaza ianareo fa vita batisa tamin’ny anarako. 16(Hay koa moa nataoko batisa ny ankohonan’i Stefanasy; afa-tsy ireo, dia tsy misy hafa tsaroako ho nataoko batisa.) 17Izaho manko tsy nirahin’i Kristy hanao batisa fa hitory ny Vaovao Mahafaly; ary tsy tamin’ny fahendren’olombelona asehon’ny lahateny kanto no nitoriako mba tsy ho foana ny herin’i Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana.

Talata 14 Septambra 2021 - Jao 3 : 22 - 30

 22Taorian’izany, dia nankany amin’ny faritany Jodea i Jesoa mbamin’ny mpianany; ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany Izy sady nanao batisa3.22 Jereo 4.1-2. ny olona. 23I Jôhany koa nanao batisa ny olona tao Enôna akaikin’i Salîma3.23 i Enôna sy i Salîma dia tanàna anankiroa ao amin’ny lohasahan’ny ony Jôrdàna, kanefa tsy mazava loatra ny toerana misy azy., fa be rano tao; nanatona an’i Jôhany ny olona ka nataony batisa 24fa tsy mbola naiditra am-ponja izy3.24 Jereo Mt 14.3; Mk 6.17; Lk 3.19-20..

25Tamin’izay dia nisy fifandiran’ny mpianatr’i Jôhany tamina Jiosy anankiray3.25 tamina Jiosy anankiray: misy stf sasany ahitana hoe tamina Jiosy vitsivitsy. ny amin’ny fomba fidiovana; 26ary nankany amin’i Jôhany ireo mpianany ka nilaza taminy hoe:

–Mpampianatra ô, Ilay niaraka taminao teny andafy atsinanan’ny ony Jôrdàna sady nijoroanao ho vavolombelona iny anie ka manao batisa ary hatonin’ny olona rehetra.

27Fa izao kosa no navalin’i Jôhany:

–Tsy misy olona afaka mandray na inona na inona, raha tsy nomen’Andriamanitra azy izany. 28Ianareo mihitsy no vavolombeloko fony aho nilaza hoe: «Tsy izaho no ilay Mesia, fa nirahina hialoha Azy aho3.28 Jereo 1.20. Ampit Mal 3.1..» 29Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra dia mipetraka eo anilan’ny mpampakatra sy mihaino azy ary faly tokoa mandre ny feony. Izany hafaliana izany no efa tanteraka amiko ankehitriny. 30Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

lundi 13 septembre 2021

Alatsinainy 13 Septambra 2021 - Rom 6 : 1 - 7

 1Inona àry no holazaintsika? Hitoetra ao amin’ny fahotana ve isika mba hitomboan’ny fahasoavana6.1 Ampit 3.8.? 2Sanatria izany! Isika izay efa maty raha ny amin’ny fahotana, hataontsika ahoana no mbola ho velona ao amin’ny fahotana ihany? 3Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin’i Kristy Jesoa dia natao batisa mba hiombona amin’ny fahafatesany? 4Koa tamin’ny alalan’ny batisa dia niombona amin’ny fahafatesan’i Kristy Jesoa isika ary niara-nalevina taminy, mba ho tahaka ny nananganana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty noho ny herin’Andriamanitra Ray be voninahitra no hizorantsika koa amin’ny fiainam-baovao.

5Koa raha6.5 raha: dkt hafa satria (toraka izany ao amin’ny and 8). fahafatesana mifanahaka amin’ny an’i Kristy no nampiraisana antsika aminy, dia fitsanganan-ko velona mifanahaka amin’ny Azy koa no hampiraisana antsika aminy. 6Fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, mba ho levona ny tenantsika gejain’ny fahotana ka tsy ho mpanompon’ny fahotana intsony isika; 7satria izay maty dia afaka amin’ny fangejàn’ny fahotana.

samedi 11 septembre 2021

Sabotsy 11 Septambra 2021 - Mat 28 : 16 - 20

 16Ary ny mpianatra 11 lahy dia nankany Galilea, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa halehany28.16 Jereo 26.32.. 17Nony nahita an’i Jesoa ny mpianatra, dia nitsaoka Azy; kanefa mbola nisalasala ihany ny sasany. 18Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy etỳ an-tany; 19koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra28.19 Ampit Asa 1.8.; ka ataovy batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, 20sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.

vendredi 10 septembre 2021

Zoma 10 Septambra 2021 - Asa 10 : 44 - 48

 44Raha mbola nilaza izany zavatra izany i Petera, dia nilatsahan’ny Fanahy Masina ny olona rehetra nihaino ny lahateniny. 45Talanjona ireo mpino jiosy tafaraka tamin’i Petera, satria narotsaka tamin’ny hafa firenena koa ny Fanahy Masina fanomezan’Andriamanitra; 46fa henony niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sady nankalaza an’Andriamanitra ny hafa firenena. Tamin’izay dia hoy i Petera hoe:

47–Azo sakanana tsy hatao batisa amin’ny rano ve ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika ireto?

48Dia nasain’i Petera natao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izy rehetra. Ary nangatahin’izy ireo kosa i Petera mba hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.

jeudi 9 septembre 2021

Alakamisy 09 Septambra 2021 - Gal 3 : 26 - 29

 26Noho ny finoana manko dia zanak’Andriamanitra avokoa ianareo, satria tafaray amin’i Kristy Jesoa. 27Eny, ianareo rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin’i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan’i Kristy. 28Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa. 29Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny fampanantenana nataon’Andriamanitra3.29 Ampit Rm 4.13..

mercredi 8 septembre 2021

Alarobia 08 Septambra 2021 - Lio 3 : 21 - 22

 21Indray andro, raha mbola natao batisa ny vahoaka rehetra, dia mba natao batisa koa i Jesoa. Ary nivavaka Izy nandritra izany, ka nisokatra ny lanitra. 22Dia nidina teo ambonin’i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:

–Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!

mardi 7 septembre 2021

Talata 07 Septambra 2021 - Asa 2 : 37 - 39

 37Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanontany an’i Petera sy ny apôstôly namany hoe:

–Ry havana, inona no tokony hataonay?

38Dia hoy i Petera taminy:

–Ialao ny toe-dratsy, ary aoka ianareo samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy mba ho voavela heloka, dia handray ny Fanahy Masina fanomezan’Andriamanitra. 39Fa ny fanomezana nampanantenain’Andriamanitra dia ho anareo sy ny zanakareo, ary ho an’ireo rehetra any lavitra any, na iza na iza hantsoin’ny Tompo Andriamanitsika hanatona Azy.

lundi 6 septembre 2021

Alatsinainy 6 Septambra 2021 - Rom 4 : 9 - 12

 9Ho an’iza moa izany fahasambarana izany? Ho an’ny voafora ve sa ho an’ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ny finoana no nankatoavan’Andriamanitra an’i Abrahama ho marina.» 10Ary ahoana izany? Tamin’i Abrahama efa voafora sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora; 11fa ny famorana dia famantarana noraisin’i Abrahama tatỳ aoriana, ho toy ny tombokase manamarika fa neken’Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain’izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken’Andriamanitra ho marina; 12sady tonga rainay voafora ihany koa: dia izahay sady voafora no manara-dia an’i Abrahama razanay izay efa nino fony tsy mbola voafora.

dimanche 5 septembre 2021

Alahady 05 Septambra 2021 - Lio 3 : 15 - 18

 15Velom-panantenana tokoa ny vahoaka ary samy nieritreritra tao am-pony hoe: «I Jôhany va re sa tsia no Mesia?» 16Fa i Jôhany kosa niteny tamin’izy rehetra hoe:

–Ny ahy, rano no anaovako batisa anareo. Indro tamy kosa ilay Mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho; ny Azy, ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo. 17Eny an-tanany ny fikororohana hanadiovany tanteraka ny vary eo am-pamoloana: ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.

18Fananarana maro samihafa koa no nanambaràn’i Jôhany ny Vaovao Mahafaly tamin’ny olona.

samedi 4 septembre 2021

Sabotsy 04 Septambra 2021 - Lio 3 : 15 - 18

 15Velom-panantenana tokoa ny vahoaka ary samy nieritreritra tao am-pony hoe: «I Jôhany va re sa tsia no Mesia?» 16Fa i Jôhany kosa niteny tamin’izy rehetra hoe:

–Ny ahy, rano no anaovako batisa anareo. Indro tamy kosa ilay Mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho; ny Azy, ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo. 17Eny an-tanany ny fikororohana hanadiovany tanteraka ny vary eo am-pamoloana: ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.

18Fananarana maro samihafa koa no nanambaràn’i Jôhany ny Vaovao Mahafaly tamin’ny olona.

vendredi 3 septembre 2021

Zoma 03 Septambra 2021 - Deo 30 : 1 - 6

 1Ho tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia ny fampanantenàm-pitahiana sy fanambaràn-doza izay nataoko teo anoloanareo. Ary any amin’ny firenena rehetra handroahan’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hotsarovanareo ao am-ponareo izany, 2ka hiverina amin’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo; eny, hanaiky Azy ianareo sy ny taranakareo, hanaiky Azy amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo araka ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio. 3Dia haverin’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fiainanareo taloha ianareo sady hamindrany fo, ka hangoniny indray avy any amin’ny firenena rehetra nampielezany anareo. 4Na misy voaroaka any am-paran’ny tany aza ianareo, dia avy any no hangalan’ny TOMPO Andriamanitrareo azy sy hanangonany azy 5mba hampidiriny ao amin’ny tany izay fananan’ny razambenareo ka ho fanananareo koa. Hanisy soa anareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hahamaro isa anareo, mihoatra noho ny nataony tamin’ny razambenareo; 6dia hodiovin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fon’ny taranakareo hitiavanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo, mba ho velona ianareo.

jeudi 2 septembre 2021

Alakamisy 02 Septambra 2021 - Mar 1 : 1 - 8

 1Manomboka eto ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra.

2Izao no voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny bokin’i Isaià mpaminany:

«Indro alefako hialoha Anao ny irako,

hoy Andriamanitra,

mba hanomana ny lalanao.»

3«Injany misy feon’olona miantso mafy

ao an-taniefitra hoe:

Amboary ny lalan’ny Tompo;

ahitsio ny hizorany!»

4Araka izany, dia niseho i Jôhany ka nanao batisa tany an-taniefitra sy nanao antso avo hoe:

–Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan’Andriamanitra ny helokareo.

5Nirohotra nankeo amin’i Jôhany avokoa ny olona avy any Jodea lafy valo sy avy any Jerosalema; ary niaiky heloka ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao amin’ny ony Jôrdàna.

6Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan’i Jôhany; valala sy tantely remby no fihinany. 7Ary hoy ny antso avo nataony:

–Tamy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehikapany akory aho. 8Ny ahy, rano no nanaovako batisa anareo; ny Azy kosa, ny Fanahy Masina no hanaovany batisa anareo.

mercredi 1 septembre 2021

Alarobia 01 Septambra 2021 - Kol 2 : 6 - 15

 6Noho ianareo efa nandray an’i Kristy Jesoa ho Tompo, dia manaova fitondrantena toy ny olona tafaray aminy. 7Aoka hahazo vahatra sy hiorina ao amin’i Kristy ianareo; aoka hihamafy hatrany ny finoanareo araka izay efa nampianarina anareo, ary aoka ho feno fisaorana an’Andriamanitra ianareo.

8Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny fahendren’olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain’olombelona sy ny herin-javatr’izao tontolo izao no iorenan’izany fa tsy i Kristy; 9satria ao amin’i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra. 10Ka efa heni-tsoa tokoa ianareo satria tafaray amin’Ilay ambonin’ny fanapahana sy fahefana isan-tokony.

11Noho ny firaisana amin’i Kristy, dia voafora ianareo nefa tsy tamin’ny famorana nataon-tanan’olona fa tamin’ny famorana nataon’i Kristy, izany hoe famorana manaisotra ny herin’ny maha olona mpanota; 12fa tamin’ny nanaovana batisa anareo, dia niara-nilevina tamin’i Kristy ianareo ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin’ilay Andriamanitra nanangana Azy ho velona avy tany amin’ny maty. 13Maty ara-panahy ianareo fahiny noho ny fahadisoanareo ary noho ianareo tsy voafora tamin’ny maha olona mpanota; ankehitriny kosa, dia novelomin’Andriamanitra niaraka amin’i Kristy ianareo, rehefa navelany avokoa ny fahadisoantsika. 14Novonoiny ny sora-tanana namely antsika, dia ilay nirakitra ny didy niampanga antsika; ary mova tsy nofantsihany teo amin’ny hazofijaliana izany sora-tanana izany ka nofoanany tsy hanan-kery intsony. 15Koa ny hazofijaliana no nandravan’i Kristy ny herin’ny fanapahana sy fahefana; dia nataony babo ireo ka nanjohy ny matsom-pandreseny ary nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona.

mardi 31 août 2021

Talata 31 Aogositra 2021 - II Sam 9 : 1 - 13

1Hoy i Davida indray andro:

–Mbola misy olona sisa velona ve amin’ny fianakavian’i Saoly? Mba tiako ny hanisy soa azy noho ny amin’i Jônatàna.

2Fa nanana mpanompo iray nantsoina hoe Tsibà ny fianakavian’i Saoly; ary nampanantsoina hankeo amin’i Davida izy, ka nanontanian’ity mpanjaka hoe:

–Ianao va no Tsibà?

Ary hoy izy namaly:

–Izaho, tompoko, no izy.

3Dia nanontany indray ny mpanjaka hoe:

–Mbola misy olona sisa velona ve amin’ny fianakavian’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra?

Ka novalian’i Tsibà hoe:

–Mbola misy zanakalahin’i Jônatàna iray izay, nefa malemy tongotra izy.

4Ary hoy ny mpanjaka taminy:

–Aiza izy?

Dia hoy i Tsibà namaly ny mpanjaka:

–Ao an-tranon’i Makira zanakalahin’i Hamiela ao Lô-Debàra izy.

5Ary naniraka olona haka azy any an-tranon’i Makira zanakalahin’i Hamiela ao Lô-Debàra i Davida mpanjaka. 6Rehefa tonga teo amin’i Davida i Mefibôseta zanakalahin’i Jônatàna sady zafikelin’i Saoly, dia niankohoka tamin’ny tany ho fanajana azy.

Ary hoy i Davida taminy:

–Mefibôseta!

Ka novaliany hoe:

–Inty aho, tompoko.

7Dia hoy indray i Davida taminy:

–Aza matahotra fa te hanisy soa anao noho ny amin’i Jônatàna rainao aho, ka hamerina aminao ny tany rehetra izay an’i Saoly raibenao; ary ianao dia hisakafo isan’andro eo amin’ny latabatro.

8Dia niankohoka izy sady namaly hoe:

–Zinona moa aho izay toa fatin’amboa ity no mba itodihanao, tompoko?

9Nantsoin’ny mpanjaka i Tsibà mpanompon’i Saoly, ka nilazany hoe:

–Nomeko an’i Mefibôseta, zafikelin’ny tomponao avokoa izay rehetra nananan’i Saoly sy ny fianakaviany. 10Koa ianao sy ireo zanakalahinao ary ireo mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra izay hiveloman’ny fianakaviany. Fa i Mefibôseta zafikelin’ny tomponao kosa dia hisakafo isan’andro eo amin’ny latabatro.

Nanana zanakalahy 15 sy mpanompo 20 i Tsibà, 11ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe:

–Tompoko, araka izay rehetra nandidianao mpanjaka no hataoko. Kanefa i Mefibôseta dia hisakafo eo amin’ny latabatro toy ny anankiray amin’ireo zanakalahin’i Saoly mpanjaka.

12Nanan-janakalahy tanora nantsoina hoe Mikà i Mefibôseta, ary ny olona rehetra tao an-tranon’i Tsibà dia nanompo an’i Mefibôseta avokoa. 13Fa na dia nalemy aza ny tongony roa, dia nonina tany Jerosalema i Mefibôseta satria nisakafo isan’andro teo amin’ny latabatry ny mpanjaka izy.

lundi 30 août 2021

Alatsinainy 30 Aogositra 2021 - Eks 36 : 1 - 7

 1Fa namaly an’i Mosesy ny TOMPO hoe:

–Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin’ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin’ny taniny izy ireo!

Mampanantena an’i Mosesy ny Tompo fa hanafaka ny Israelita

2Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe:

–Izaho no «TOMPO». 3Tamin’ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha» no nisehoako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr’ireo ny anarako hoe «TOMPO.» 4Nanao fanekempihavanana tamin’izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany. 5Efa reko ny fitarainan’ny Israelita amin’ny asa fanandevozana ampanaovin’ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho. 6Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo. 7Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin’ny asa an-terivozona nampanaovin’ny Ejiptianina.

dimanche 29 août 2021

Alahady 29 Aogositra 2021 - Eks 36 : 1 - 7

 1I Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sy faharanitan-tsaina ilaina hanatanterahana ny asa, dia hanamboatra ny zavatra rehetra hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina araka izay rehetra nodidian’ny TOMPO.

2Nampanantsoin’i Mosesy i Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sady vonona hanatanteraka ny asa. 3Natolotr’i Mosesy an-dry zareo ny fanomezana nentin’ny Israelita hanaovana ny Toeramasina. Isa-maraina dia mbola nisy nitondra fanomezana an-tsitrapo teo anatrehan’i Mosesy. 4Noho izany, ireo mpahay taozavatra rehetra izay nirotsaka tamin’ny fanamboarana ny Toeramasina dia nanapaka ny asany, 5mba hilaza amin’i Mosesy hoe: «Nitondra mihoatra noho izay ilaina amin’ny fanatontosana ny asa nodidian’ny TOMPO hatao ny vahoaka.» 6Niaraka tamin’izay dia nanome baiko manerana ny toby i Mosesy hoe: «Aoka tsy hisy intsony olona, na lahy na vavy, hanomana fanomezana hanaovana ny Toeramasina.» Dia nitsahatra tsy nitondra fanomezana intsony ny vahoaka, 7satria ampy hanaovana ny asa rehetra ny efa voaray ka nisy ambiny aza.

samedi 28 août 2021

Sabotsy 28 Aogositra 2021 - Heb 10 : 19 - 25

 19Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin’i Jesoa. 20Nanokafany lalana vaovao mitondra amin’ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin’ny efitra lamba, izany hoe eo amin’ny tenan’i Jesoa. 21Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon’Andriamanitra isika; 22koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika23Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian’ny Tompo.

vendredi 27 août 2021

Zoma 27 Aogositra 2021 - Mat 12 : 31 - 37

 31Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan’Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan’ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an’Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka. 32Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin’izao fiainana izao na amin’ny fiainan-ko avy.

33–Ataovy hoe tsara ny voany ka tsara koa ny hazo, na ataovy hoe ratsy ny voany ka ratsy koa ny hazo: satria ny voany no ahafantarana ny hazo. 34Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon’ny olona manko no aloaky ny vavany. 35Ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy dia mamoaka zavatra ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony. 36Ary lazaiko aminareo fa ny olona, amin’ny andro fitsarana dia hampamoahina momba ny teny tsy misy antony rehetra nataony: 37satria ny teninao no hanomezan-drariny anao ary ny teninao no hanamelohana anao.

jeudi 26 août 2021

Alakamisy 26 Aogositra 2021 - Fil 1 : 1 - 11

 1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.

Mamangy anareo vahoakan’Andriamanitra rehetra atỳ Filipy aho, dia ianareo efa tafaray amin’i Kristy Jesoa ary ao anatin’izany ireo mpitondra Fiangonana sy diakônina. Mamangy anareo koa i Timôty. Samy mpanompon’i Kristy Jesoa izahay. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Velom-pisaorana an’Andriamanitro ny aminareo aho, isaky ny mahatsiaro anareo. 4Ary isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho, dia manao izany amin-kafaliana, 5noho ianareo niray hina nanampy ahy hampandroso ny Vaovao Mahafaly hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny. 6Matoky aho fa Andriamanitra, Izay nanomboka asa tsara tao aminareo, dia hanohy izany hatrany ka hahatanteraka azy amin’ny andro hiavian’i Kristy Jesoa. 7Rariny tokoa ny iheverako anareo rehetra toy izany. Eny, entiko ato am-poko ianareo, satria mpiombona ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy ianareo rehetra, na amin’izao maha voafonja ahy izao na fony aho nampandresy lahatra sy nanamafy orina ny Vaovao Mahafaly. 8Andriamanitra no vavolombeloko fa marina izao lazaiko izao: manina anareo rehetra amin’ny fon’i Kristy Jesoa aho.

9Ary izao no tonombavaka ataoko ho anareo: hitombo bebe kokoa hatrany anie ny fitiavanareo ka hombàn’ny fahalalana marina sy ny tena fahatakaran-javatra 10mba hahaizanareo mifidy izay tsara; dia hadio sady tsy hanan-tsiny amin’ny andro hiavian’i Kristy ianareo, 11ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an’Andriamanitra.

mercredi 25 août 2021

Alarobia 25 Aogositra 2021 - Sal 133 : 1 - 3

 1 Hira fiakarana. Nataon’i Davida.

Endrey, tsara sady mahafinaritra tokoa

izany firîndran’ny mpiray tampo miara-monina!

2Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina

ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra.

Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe

ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.

3Toy ny ando avy any amin’ny tendrombohitra Hermôna

ka mirotsaka eo amin’ny tendrombohitra Tsiôna;

satria eo Tsiôna no fanomezan’ny TOMPO fitahiana,

dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

mardi 24 août 2021

Talata 24 Aogositra 2021 - Mik 6 : 6 - 8

 6«Inona àry no hoentiko,

rehefa manatona aho hiankohoka

eo anatrehan’ny TOMPO,

Andriamanitra avo indrindra?

Moa zanak’omby iray taona

hatao sorona dorana manontolo ve

no hoentiko rehefa manatona Azy aho?

7Ho sitraky ny TOMPO ve ny ondrilahy an’arivony

na ny menaka mikoriana toy ny renirano?

Hatolotro Azy ve ny zazalahy voalohan-terako

ho fanalana ny heloka amam-pahotàko?»

8Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao

ny fitondrantena tsara

sy izay tadiavin’ny TOMPO aminao:

dia ny hanao ny rariny

sy handala ny fitiavana

ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amim-panetrentena.

lundi 23 août 2021

Alatsinainy 23 Aogositra 2021 - Lio 3 : 7 - 14

 7Toy izao àry no tenin’i Jôhany tamin’ny vahoaka nidodododo hataony batisa:

–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra? 8Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: «Manana an’i Abrahama ho razambenay izahay!» Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. 9Indro efa eo am-poto-kazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

10Ary hoy ny vahoaka nanontany an’i Jôhany hoe:

–Inona àry no tokony hataonay?

11Dia novaliany hoe:

–Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin’izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa.

12Mba nisy koa mpamory hetra tonga hatao batisa ka niteny tamin’i Jôhany hoe:

–Mpampianatra ô, inona no tokony hataonay?

13Dia novaliany hoe:

–Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo.

14Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe:

–Mba inona kosa no tokony hataonay?

Dia hoy izy taminy:

–Aza maka zavatr’olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin’ny karamanareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12