dimanche 31 mars 2019

Alahady 31 Martsa 2019 - I Pet 1 : 13 - 16

13Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy. 14Aoka ho fatra-panaiky an’Andriamanitra ianareo, ka aza manaraka ny filàndratsinareo fahiny, fony ianareo mbola tao anatin’ny tsy fahalalana. 15Fa masina ilay Andriamanitra niantso anareo; noho izany, aoka ho masina tahaka Azy koa ianareo amin’ny lafim-pitondrantena rehetra, 16satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Aoka ho masina ianareo satria masina Aho.»

samedi 30 mars 2019

Sabotsy 30 Martsa 2019 - Mat 8 : 18 - 20

18Nony hitan’i Jesoa ny vahoaka betsaka nanodidina Azy, dia nanome baiko Izy mba hankeny ampitan’ny farihin’i Galilea.

19Nisy anefa mpahay lalàna nanatona Azy ka nilaza taminy hoe:
–Mpampianatra ô, hiaraka aminao aho na aiza na aiza alehanao!

20Fa hoy i Jesoa taminy:
–Ny fosa manan-davaka ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra!

vendredi 29 mars 2019

Zoma 29 Martsa 2019 - II Tan 29 : 1 - 11

1Feno 25 taona i Hezekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Abià, zanakavavin’i Zakarià. 2Ary nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Hezekià, tahaka izay rehetra nataon’i Davida razambeny.

3Tamin’ny volana voalohan’ny taona voalohany nanjakany, dia novohany sady namboariny avy ny varavaran’ny tranon’ny TOMPO. 4Ary nasainy tonga ireo mpisorona sy levita ka nangoniny teo amin’ny Kianja Atsinanana

5ary nilazany hoe:
–Henoinareo aho, ry taranak’i Levỳ! Ankehitriny midiova tena ianareo, diovy koa ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ny Toeramasina ny zavatra maloto ara-pivavahana. 6Fa nivadika tamin’ny TOMPO Andriamanitsika ny razantsika sy nanao izay ratsy eo imasony ary nandao Azy; niamboho ny TOMPO ireo ka tsy niatri-maso ny fonenany intsony. 7Nohidiany ny varavarana amin’ny lalantsara fidirana, navelany ho faty ny jiro, ary tsy nandoroany vovo-javamanitra sady tsy nanolorany sorona dorana manontolo ho an’Andriamanitr’i Israely intsony tao amin’ny tempoliny. 8Ka dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema; ary hataony ohatra hampihoron-koditra sy hampahonena ary hoenti-maneso, toy izao mbola hitanareo maso izao. 9He! matin’ny sabatra ireo vatan-dehilahy razantsika, ary ny vady aman-janany dia efa natao sambo-belona. 10Koa nanapa-kevitra aho ny hanao fanekempihavanana amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra. 11Ianareo kosa, manaova fanarenan-javatra ankehitriny ka aza malaina, satria ianareo no voafidin’ny TOMPO hiatrika Azy mba hanao fanompoam-pivavahana aminy sy ho mpandraharahany ary ho mpandoro vovo-javamanitra ho Azy.

jeudi 28 mars 2019

Alakamisy 28 Martsa 2019 - II Kor 6 : 14 - 7 : 1

14Aza miray petsapetsa amin’ny tsy mpino, fa tsy sahaza anareo ny miara-dia aminy. Satria ahoana no ikambanan’ny marina amin’ny ratsy fanahy? Ahoana no hiombonan’ny mazava amin’ny maizina? 15Ahoana no hifanarahan’i Kristy amin’i Beliala? Anjara inona no hiraisan’ny mpino amin’ny tsy mpino. 16Ahoana no hifandraisan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe:

«Honina eo aminy Aho ary handeha eo afovoany,
dia ho Andriamaniny Aho ary izy ireo ho vahoakako.»
17Izany no ilazan’ny Tompo hoe:
«Mialà teo aminy ka misaraha aminy;
aza mikasika zavatra tsy madio,
dia horaisiko ianareo.
18Ka ho Rainareo Aho,
ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy,
hoy ny Tompo Tsitoha.»

1Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.

mercredi 27 mars 2019

Alarobia 27 Martsa 2019 - Efe 5 : 3 - 7

3Araka ny sahaza ny vahoakan’Andriamanitra, dia aoka tsy ho voatonona eo aminareo akory aza rehefa fijangajangana sy fahalotoana isan-karazany ary fitiavan-karena. 4Fadio ny teny vetaveta sy resaka valavala na voso-dratsy izay samy tsy tokony hatao; fa aleo manao tonombavaka fisaorana an’Andriamanitra. 5Fantaro tsara izao: tsy hanana anjara lova amin’ny Fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga na ny maloto fitondrantena na ny mpitia harena (fa mpanompo sampy ny mpitia harena).

6Aza mety hofitahina amin’izay teny foana ianareo; fa ny zavatra toy izany indrindra no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra hihatra amin’ireo olona tsy manaiky Azy. 7Koa aza mety ho mpiombona amin’ireny olona ireny ianareo.

mardi 26 mars 2019

Talata 26 Martsa 2019 - Jao 8 : 2 - 11

2Ny ampitso maraina be, dia niverina tao an-kianjan’ny tempoly Izy; ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra, ka nipetraka Izy nampianatra azy ireo. 3Nisy kosa vehivavy anankiray, azo nanitsakitsa-bady. Nentin’ny mpahay lalàna sy ny Farisianina ravehivavy, ka narosony teo anoloan’ny olona;

 4dia hoy ry zareo tamin’i Jesoa;
–Mpampianatra ô, azo nanitsakitsa-bady ity vehivavy ity. 5Ary i Mosesy, ao amin’ny lalàna, dia nandidy anay hitora-bato ny vehivavy toy izany; fa Ianao kosa mba ahoana?

6Nolazain’ireo izany hamandrihana Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratsoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsan-tanany. 7

Ry zareo amin’izany mbola manontany Azy ihany; ka nitraka Izy ary niteny tamin’ireo hoe:
–Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany!

8Dia niondrika indray i Jesoa, ka nanoratsoratra teo amin’ny tany. 9Fa ry zareo kosa, nony nandre izany, dia niala teo tsirairay nanomboka hatramin’ny zokinjokiny; ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo anoloan’ny olona. 10Dia nitraka i Jesoa, ka nilaza tamin-dravehivavy hoe:
–Aiza ry zareo teo, ramatoa? Tsy nisy nanameloka anao angaha?

11Dia novaliany hoe:
–Tsy nisy, Tompoko!

Ary hoy i Jesoa taminy:
–Izaho koa tsy manameloka anao! Mandehana, ka aza manota intsony manomboka izao!

lundi 25 mars 2019

Alatsinainy 25 Martsa 2019 - I Kor 3 : 16 -17

16Tsy fantatrareo ve fa tempolin’Andriamanitra ianareo ary ao aminareo ny Fanahin’Andriamanitra? 17Raha misy olona manimba ny tempolin’Andriamanitra, dia mba hosimbàn’Andriamanitra koa. Fa masina ny tempolin’Andriamanitra, ary ianareo no tempoliny!

dimanche 24 mars 2019

Alahady 24 Martsa 2019 - Deo 28 : 9 - 14

9Raha tandremanareo ny didin’ny TOMPO Andriamanitrareo ka tanterahinareo ny sori-dàlany, dia hasandrany ho firenena voatokana ho Azy ianareo araka izay efa nianianany taminareo; 10dia hahita avokoa ny firenena fa ny anaran’ny TOMPO no antsoina aminareo, ka hatahotra anareo izy rehetra. 11Hataon’ny TOMPO manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo, any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razambenareo homena anareo: ho maro anaka ianareo, ho maro taranaka ny biby fiompinareo ary hiavosa ny vokatry ny taninareo. 12Hovohan’ny TOMPO ho anareo ny lanitra izay itahirizany rano sarobidy, mba handatsahany orana ny taninareo amin’ny fotoanandrony ary hitahiany ny asa rehetra ataonareo. Ianareo tsy mba hisambotra vola mihitsy, fa firenena maro kosa no hampisamborinareo. 13Hataon’ny TOMPO ho lohalaharana ianareo fa tsy ho farany, ary hiroso ho ambony hatrany fa tsy ho ambany, satria ekenareo sady imasoanareo harahina ny didin’ny TOMPO Andriamanitrareo, didy izay ampitaiko aminareo anio; 14eny, ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio dia aza ialana mihitsy mba hanarahana sy hanompoana andriamani-kafa.

samedi 23 mars 2019

Sabotsy 23 Martsa 2019 - II tim 2 : 14 - 16

14Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny; satria tsy mahasoa izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza. 15Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason’Andriamanitra, ka ho mpiasa tsy mahazo henatra amin’ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana marim-pototra. 16Halaviro ny taria poaka àty sady manazimba fivavahana; fa ny mpanao ireny dia vao mainka handroso amin’ny haratsiam-panahy. 17Ary ny fampianaran-dry zareo dia toy ny vay homamiadana mandany ny nofo. Isan’ireny ry i Himeneo sy i Fileto: 18efa nivaona niala tamin’ny fampianarana marim-pototra izy roa lahy sady manimba ny finoan’ny sasany, raha milaza fa zavatra efa tanteraka sahady ny fitsanganantsika ho velona. 19Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: «Fantatry ny Tompo ireo Azy», sy ny hoe «Aoka hiala amin’ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!»

20Tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao anaty lapa soa anankiray fa misy fanaka hazo sy tanimanga koa; iretsy voalohany dia fanaka mihaja fa ireto faharoa kosa dia fanaka tsotsotra. 21Izay olona miezaka hadio fo ka miala amin’ireo haratsiana ireo dia ho tahaka ny fanaka mihaja, satria voatokana ho an’ny Tompo izy sady misy ampiasany azy ary voavoatra hanao asa soa isan-karazany. 22Andosiro ny zava-dratsy ironan’ny tanora fanahy; fa aoka ny rariny, ny finoana, ny fitiavana ary ny fihavanana no hiarahanao mikatsaka amin’ireo olona miantso ny Tompo amin’ny fo mahitsy. 23Aza miraharaha izay fanontaniana adaladala sy tsy misy heviny, satria fantatrao fa mahatonga ady izany; 24fa ny mpanompon’ny Tompo dia tsy tokony ho fiadîna, fa tokony halemy fanahy amin’ny olona rehetra, hahay mampianatra, hahalefitra, 25ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon’Andriamanitra miala amin’ny toe-dratsy angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra; 26ary hody ny sain’ireo ka ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.

vendredi 22 mars 2019

Zoma 22 Martsa 2019 - Lev 20 : 1 - 9

1Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:
2«Izao no lazao amin’ny Israelita. Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, manolotra ny iray amin’ny zanany ho sorona amin’ny sampy Môlôka, dia hatao maty tokoa; ka torabato no hamonoan’ny mponina tompontany azy. 3Ary Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy satria natolony ho sorona tamin’i Môlôka ny iray amin’ny zanany; izany no andotoana ny Toeramasina onenako sy analam-baràka ny anarako masina. 4Raha mody tsy mahita izany olona izany ny mponina tompontany mba tsy hahafaty azy noho ny zanany natolony tamin’i Môlôka, 5dia Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy mbamin’ireo nanaraka azy hanompo ny sampy Môlôka.

6«Raha misy olona mivily hanaraka izay mpamoha angatra sy izay tsindrian-javatra ka hanao fombafomba fanompoan-tsampy dia hohandriniko izy ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita. 7Manokàna tena ho Ahy ianareo, ary aoka ho masina fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

8«Imasoy hotanterahinareo ny lalànako rehetra. Izaho no TOMPO Izay nanokana anareo mba ho vahoakako.

9«Na iza na iza manozona ny rainy na ny reniny, dia hatao maty tokoa; hozakain’io olona io ny ho faty, noho izy efa nanozona ny rainy na ny reniny.

jeudi 21 mars 2019

Alakamisy 21 Martsa 2019 - II Kor 1 : 8 - 14

8Tianay, ry havako, ny hahalalanareo ny fahoriana nanjo anay tany amin’ny faritany Azia; nitambesatra loatra taminay izany ary tafahoatra ny zakanay, ka tsy nanantena intsony izay hoe mbola ho velona izahay. 9Tsapanay tao amin’ny tenanay fa voaheloka ho faty izahay, mba tsy hitokianay amin’ny tenanay, fa hitokianay amin’Andriamanitra Izay manangana ho velona ny efa maty. 10Izy no nanafaka anay tamin’ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany, 11satria ianareo koa hanampy anay amin’ny fivavahana ataonareo ho anay. Dia ho maro ny olona hisaotra an’Andriamanitra ny aminay satria maro no nangataka mba hahazoanay izany fitahiana izany.

12Izao manko no ireharehanay: ny fieritreretanay dia vavolombelona manambara fa ny fomba nitondranay tena teto amin’izao tontolo izao, indrindra teo aminareo, dia tamin’ny fahatsorana sy hitsimpo nomen’Andriamanitra; satria ny fahasoavan’Andriamanitra no nitarika anay fa tsy ny fahendren’olombelona. 13-14Ka izay soratanay amin’ny taratasinay dia izay vakînareo sy azonareo tsara. Ary manantena aho fa araka ny efa fantapantatrareo ihany ankehitriny, dia ho fantatrareo tanteraka izao zavatra izao: amin’ny andro hiavian’i Jesoa Tompo, dia ho reharehanareo izahay toy ny maha reharehanay anareo.

mercredi 20 mars 2019

Alarobia 20 Martsa 2019 - Jos 14 : 6 - 15

6Indray andro dia nanatona an’i Josoa tany Gilgala ny olona sasany avy amin’ny fokon’i Joda; isan’ireny i Kaleba zanakalahin’i Jefonè, avy amin’ny tarik’i Kenaza. Dia hoy i Kaleba tamin’i Josoa:

–Tsaroanao tsara ny teny izay nolazain’ny TOMPO tamin’i Mosesy lehilahin’Andriamanitra ny momba ahy sy ianao tany Kadesy-Barnea. 7Efapolo taona aho tamin’izay no nirahin’Andriamanitra raha nirahin’i Mosesy, mpanompon’ny TOMPO, avy tao Kadesy-Barnea mba hisafo ity tany ity; ary nony niverina aho, dia nanao tatitra taminy araka izay tao am-poko, 8Ireo namana izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny vahoaka, fa izaho kosa nifikitra tanteraka tamin’ny TOMPO Andriamanitro. 9Tamin’izay andro izay dia nianianan’i Mosesy aho fa ho anjara roa lova ho ahy sy ny taranako mandrakizay ny tany izay noteteziko, noho izaho nifikitra tanteraka tamin’ny TOMPO Andriamanitro. 10Efa 45 taona izao no nanomezan’ny TOMPO izany baiko izany tamin’i Mosesy fony ny Israelita namakivaky ny taniefitra. Hatramin’izay aho mbola novelomin’ny TOMPO araka ny teniny, ka jereo ankehitriny fa efa 85 taona aho izao. 11Kanefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ny andro nanirahan’i Mosesy ahy hisafo ny tany. Eny, mbola manana hery tahaka ny fahizany tokoa aho na hiady na hanao asa hafa. 12Koa ankehitriny àry, omeo ahy irỳ tendrombohitra irỳ izay efa nampanantenain’ny TOMPO ahy tamin’izany fotoana izany; satria efa henonao tamin’izay fa ao ny Hanakita no mipetraka anaty tanàna lehibe sady misy manda. Raha momba ahy ny TOMPO, dia horoahiko tao ireo, araka izay efa nolazain’Izy TOMPO.

13Dia nitsodrano an’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè i Josoa ka nanome an’i Hebrôna ho lovany. 14Izany no nahatonga an’i Hebrôna ho lovan’ny taranak’i Kaleba mandraka androany; satria i Kaleba, zanakalahin’i Jefonè sady anisan’ny tarik’i Kenaza, dia nifikitra tanteraka tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely; 15Fa ny anaran’i Hebrôna, talohan’ny nahazoan’i Kaleba azy, dia Kiriata-Arbà na hoe tanànan’i Arbà, satria i Arbà no olo-malaza indrindra tamin’ny Hanakita.

Dia nitsahatra ny ady ka nandry feizay ny tany.

mardi 19 mars 2019

Talata 19 Martsa 2019 - II Tan 30 : 17 - 27

17Nisy maro manko tamin’ny vahoaka tafangona no tsy mbola nidio tena; dia ny levita no nampamonoina ny biby fanolotra amin’ny Paska ka nisolo izay rehetra tsy madio mba hampisy hasina ny sorony amin’ny TOMPO. 18Ny ankamaroan’ny olona, indrindra fa ireo anisan’ny foko efraimita sy manasita ary jisakarita sy zebolonita, no tsy nidio tena, kanefa nihinana ny sakafo Paska ihany, na dia tsy araka izay voasoratra aza. Saingy nivavaka ho an’ireny i Hezekià ka nanao hoe: «TOMPO tsara fo ô, mba mamelà 19izay olona efa nanomana ny fony manontolo hitady Anao TOMPO Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka izay takîn’izao zava-masina izao aza izy.» 20Ary nohenoin’ny TOMPO i Hezekià ka navelany heloka ny vahoaka.

21Ny Israelita izay tao Jerosalema dia nankalaza tamin-kafaliana lehibe nandritra ny herinandro izany fetin’ny mofo tsy misy leviora izany; isan’andro ny levita sy ny mpisorona no nidera ny TOMPO nombàn’ny zava-maneno mafy feo mba ho fanajana AZY. 22Ary ny teny nataon’i Hezekià dia nanohina ny fon’ireo levita rehetra izay feno fahazotoana tokoa ho an’ny TOMPO. Nihinana ny sakafo Paska nandritra ny herinandro ny olona ka sady nanolotra sorom-pihavanana no nisaotra ny TOMPO Andriamanitry ny razany. 23Ny vahoaka rehetra tafangona teo dia niombon-kevitra ny amin’ny mbola hanohizana herinandro indray ny fankalazana; ka dia nataony tamin-kafaliana koa izany, 24satria i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nanome ombilahy arivo sy ondry aman’osy fito arivo, ary ny manampahefana koa nanome ombilahy arivo sy ondry aman’osy 10 000 ho an’ny olona. Ankoatra izany, maro ny mpisorona no nanao fidiovan-tena. 25Faly ny besinimaro niangona teo; dia ny Jodeanina sy ny mpisorona mbamin’ny levita ary koa izay rehetra anisan’ny Israelita tavaratra na ireo nivahiny ho an’ny fety na ireo nonina tao Joda. 26Fifaliana goavana no tao Jerosalema; fa hatramin’ny andron’i Salômôna, zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely, dia tsy mbola nisy tahaka izany tao an-tanàna. 27Nony farany, nitsangana ny levita mpisorona ka nitsodrano ny vahoaka; ary nohenoin’Andriamanitra ny tonombavak’ireo satria tafapaka tany an-danitra izay fonena-masiny.

lundi 18 mars 2019

Alatsinainy 18 Martsa 2019 - Mat 5 : 1 - 9

1Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin'ny mpianany. 2Dia niteny i Jesoa ka nampianatra azy rehetra hoe:

3–Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra,
fa azy ny Fanjakàn'ny lanitra!
4Sambatra izay mitomany,
fa izy no hampiononin'Andriamanitra!
5Sambatra izay malemy fanahy,
fa izy no handova ny tany
nampanantenain'Andriamanitra!
6Sambatra izay maniry mafy hanao ny marina
nosoritan'Andriamanitra,
fa izy no homen'Andriamanitra fahafaham-po!
7Sambatra izay mamindra fo,
fa izy no hamindran'Andriamanitra fo!
8Sambatra izay mahitsy fo,
fa izy no hahita an'Andriamanitra!
9Sambatra izay mpampihavana,
fa izy no hantsoin'Andriamanitra hoe zanany!

dimanche 17 mars 2019

Alahady 17 Martsa 2019 - I Tes 2 : 1 -1 2

1Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay tatỳ aminareo. 2Fantatrareo koa fa taloha kelin'izay, dia nampijalîna sy nalam-baràka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen'ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana. 3Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin'ny fitaka na amin'ny fahalotoana na amin'ny fisolokiana; 4fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin'olombelona izahay, fa amin'Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay. 5Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay. 6Tsy nitady voninahitra tamin'olombelona izahay, na taminareo na tamin'ny hafa, 7na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apôstôlin'i Kristy anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany. 8Noho ny fankamamianay anareo, dia tsy ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra ihany no sitrakay hampitaina aminareo, fa vonona koa izahay hahafoy na dia ny ainay aza, satria efa tonga malalanay ianareo. 9Tsaroanareo, ry havana, ny nikelezanay aina sy nisasaranay mafy; niasa andro aman'alina izahay mba tsy hanahirana na dia olona iray taminareo aza, fony izahay nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra. 10Samy vavolombelonay, na ianareo na Andriamanitra, fa madio sy marina ary tsy manan-tsiny ny fitondrantenanay teo anoloanareo mpino. 11Fantatrareo fa toy ny fitondran'ny ray ny zanany naterany no nitondranay anareo tsirairay avy: 12nampirisika anareo izahay sy nampahery anareo ary nananatra anareo mba hanao fitondrantena mendrika an'Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra Izay miantso anareo hiditra ao amin'ny Fanjakàny sy ny voninahiny.

samedi 16 mars 2019

Sabotsy 16 Martsa 2019 - II Tan 29 : 12 - 19

12Ireto avy ny levita tonga teo: tamin'ny terak'i Kehata dia i Mahata zanakalahin'i Hamasay ary i Jôela zanakalahin'i Hazarià; tamin'ny terak'i Merarỳ dia i Kisy zanakalahin'i Habdỳ ary i Hazarià zanakalahin'i Jehalaleela; tamin'ny Gersônita, dia i Jôa zanakalahin'i Zimà, ary i Hedera zanakalahin'i Jôà; 13tamin'ny terak'i Elitsafàna, dia i Simrỳ sy i Jehoela; tamin'ny terak'i Asafa, dia i Zakarià sy i Matanià; 14Tamin'ny terak'i Hemàna, dia i Jehiela sy i Simehỳ; ary tamin'ny terak'i Jedotòna, dia i Semahià sy i Hoziela. 15Dia namory ny mpiray tarika aminy avy izy ireo, ka samy nidio tena; avy eo dia niditra ny tranon'ny TOMPO mba hanadio izany, araka ny didin'ny mpanjaka mifototra amin'ny tenin'ny TOMPO. 16Ny mpisorona no niditra tao amin'ny efitrano malalaka anatiny amin'ny tranon'ny Tompo mba hanadio izany ary namoaka ny fanaka maloto rehetra izay hitany tao amin'ny Toeramasin'ny TOMPO ho eo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO; ny levita kosa nandray ireny mba havoakany ho any amin'ny lohasahan-driaka Kidrôna. 17Tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany no nanombohana ny fanadiovana; ary tamin'ny andro fahavalon'io volana io no tafapaka teo amin'ny lalantsara fidirana ho ao an-tempoly izany. Valo andro koa no naharetan'ny fanadiovana ny tranon'ny TOMPO, ka andro faha-16 tamin'io volana voalohany io no vita tanteraka ny fanadiovana manontolo.

18Dia niditra tao an-tranon'i Hezekià mpanjaka ireto taranak'i Levỳ ka nanao hoe:
–Efa voadionay avokoa, ry Andriamanjaka ô, ny tranon'ny TOMPO sy ny alitara fisoronana mbamin'ny kojakoja rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo alahatra mbamin'ny kojakoja rehetra momba azy koa. 19Ary ny fanaka rehetra, izay nozimbazimbain'i Ahaza mpanjaka tamin'ny fahotana vitany nandritra ny nanjakany, dia nohavaozinay sy nodiovinay; koa indreo izy eo anoloan'ny alitaran'ny TOMPO.

vendredi 15 mars 2019

Zoma 15 Martsa 2019 - Isa 62 : 6 - 12

6Ry Jerosalema ô, efa nametrahako mpiambina
eny ambonin'ny mandanao eny,
ka tsy mahazo mangina ireo na andro na alina:
«Ianareo izay mampahatsiaro ny TOMPO,
aza mitsaha-manao izany ianareo!
7Aza avela hitsahatra Izy
mandra-panarenany azy indray
ka hametrahany an'i Jerosalema
ho voninahitra manerana ny tany.»

8Dia nataon'ny TOMPO izao fianianana izao:
«Araka ny hery amam-pahefana feno ananako,
dia mianiana aminao Aho, ry vahoakako,
fa tsy hamela ny vary novolenao
ho sakafon'ny fahavalonao intsony,
ary tsy hamela ny divay nisasaranao
hosotroin'ny vahiny intsony;
9fa izay mijinja ny vary ihany
no hihinana azy ka hidera Ahy TOMPO,
ary izay nioty ny voaloboka ihany
no hisotro ny divay eo an-kianjan'ny tempoliko.»

10Ry mponin'i Jerosalema, mivoaha tao an-tanàna,
mivoaha amin'ny vavahady,
anokafy lalana ny vahoaka mody,
ataovy mitovy tantana ny arabe
ka esory ny vato eo aminy
ary atsangano ny faneva hanaingana ireo firenena.
11Injay nisy baiko nampitain'ny TOMPO
hatrany amin'ny faran'ny tany!
Koa lazao amin'ny olona ao Tsiôna hoe:
«Indro tonga ny Mpamonjinareo,
indro entiny miaraka aminy ny karama azony
ary eo anoloany ny valin-kasasarany.»
12Ny besinimaro, na ianareo na iretsy,
dia hantsoina hoe «ilay vahoaka masina»,
«ireo olona navotan'ny TOMPO»;
ary ianao, ry Jerosalema, dia hatao hoe:
«ilay irîna», «ilay tanàna tsy foy.»

jeudi 14 mars 2019

Alakamisy 14 Martsa 2019 - Eks 31 : 12 - 17

12Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO, 13mba hamepetra ny Israelita hoe:

–Tsy maintsy hajainareo mihitsy ny andro sabata, satria ny sabata no mariky ny fifandraisako aminareo isaky ny taranaka mifandimby, ka hiekena fa Izaho no TOMPO Izay nifidy anareo ho vahoakako. 14Koa manajà ny sabata, fa andro voatokana aminareo izany. Fa izay tsy manaja ny andro sabata fa manao raharaha amin'io andro io dia hoesorina tsy ho anisan'ny firenena israelita ary hovonoina ho faty mihitsy. 15Misy andro enina hiasana isan-kerinandro, fa ny andro fahafito dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho Ahy TOMPO. Koa izay olona rehetra miasa amin'ny andro sabata dia hovonoina ho faty. 16Tsy maintsy hajain'ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby ny sabata satria fanekempihavanana raikitra izany. 17Io andro io hatrany hatrany no ho mariky ny fifandraisana amiko sy amin'ny Israelita; enina andro manko no namoronako ny lanitra sy ny tany, fa tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Aho ary niala sasatra.

mercredi 13 mars 2019

Alarobia 13 Martsa 2019 - Rom 6 : 15 - 19

15Koa ahoana àry? Hanota ve isika satria tsy eo ambany fahefan'ny lalàna fa eo ambany fahefan'ny fahasoavana? Sanatria izany! 16Tsy fantatrareo ve fa raha manolo-tena mba ho mpanompo hanaiky tompo anankiray ianareo, dia manjary mpanompon'io tompo io: na ny fahotana izay mampirona amin'ny fahafatesana izany, na ny fanekena an'Andriamanitra izay mampirona hanao ny marina? 17Isaorana Andriamanitra fa mpanompon'ny fahotana ianareo fahiny, ary ankehitriny kosa dia manaiky am-po tokoa ny fampianarana naroso taminareo. 18Natao afaka tamin'ny fahotana ianareo, ary tonga mpanompon'ny fahamarinana. 19Miteny araka ny fiheveran'ny besinimaro aho noho ny halemenareo ara-nofo. Taloha dia nanolotra ny zavatra anisan'ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ianareo, ka tonga olona ratsy fanahy; toy izany koa ankehitriny, aoka ianareo hanolotra ny zavatra anisan'ny tenanareo saingy ho mpanompon'ny fahamarinana mba hanananareo toetra masina.

mardi 12 mars 2019

Talata 12 Martsa 2019 - Eze 37 : 24 - 28

 24I Davida mpanompoko no ho mpanjakanareo ka izy irery ihany no ho mpiandry anareo rehetra. Dia hanaraka ny fitsipiko ianareo sady hitandrina ny lalànako sy hanatanteraka ireny. 25Ary honenanareo ny tany izay nomeko an'i Jakôba mpanompoko sady efa nonenan'ireo razanareo. Ao no honenanareo hatrany, dia ny tenanareo sy ny zanakareo mbamin'ny taranakareo; ary i Davida mpanompoko no ho printsy filohanareo mandrakizay. 26Hanao fanekempihavanana aminareo Aho, dia fanekempihavanana haharitra mandrakizay. Hataoko miorim-ponenana eo ianareo ka hampitomboiko ny mponina ao aminareo; ary hampitoeriko eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko. 27Hiara-monina aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo kosa ho vahoakako. 28Amin'izay dia hoeken'ireo hafa firenena fa Izaho no TOMPO, Izay manokana an'i Israely hanompo Ahy rehefa tafaorina eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.»

lundi 11 mars 2019

Alatsinainy 11 Martsa 2019 - Mat 5 : 1 - 9

1Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin'ny mpianany. 2Dia niteny i Jesoa ka nampianatra azy rehetra hoe:

3–Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra,
fa azy ny Fanjakàn'ny lanitra!
4Sambatra izay mitomany,
fa izy no hampiononin'Andriamanitra!
5Sambatra izay malemy fanahy,
fa izy no handova ny tany
nampanantenain'Andriamanitra!
6Sambatra izay maniry mafy hanao ny marina
nosoritan'Andriamanitra,
fa izy no homen'Andriamanitra fahafaham-po!
7Sambatra izay mamindra fo,
fa izy no hamindran'Andriamanitra fo!
8Sambatra izay mahitsy fo,
fa izy no hahita an'Andriamanitra!
9Sambatra izay mpampihavana,
fa izy no hantsoin'Andriamanitra hoe zanany!

dimanche 10 mars 2019

Alahady 10 Martsa 2019 - Lio 9 : 57 - 62

57Raha mbola nizotra tamin'ny diany i Jesoa sy ny mpianany, dia nisy olona anankiray nilaza tamin'i Jesoa hoe:
–Hiaraka aminao aho, na aiza na aiza alehanao!

58Fa hoy i Jesoa taminy:
–Ny fosa manan-davaka; ny voro-manidina manana ny akany; fa ny Zanak'olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra.

59Hoy kosa i Jesoa tamin'ny anankiray hafa:
–Andao hiaraka amiko!

Dia izao no navalin'io:
–Avelao aho aloha, Tompoko, handevina an'i dada!

60Fa hoy i Jesoa taminy:
–Avelao izy samy maty no hifandevina, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakàn'Andriamanitra!

61Ary hoy ny anankiray hafa indray hoe:
–Hiaraka aminao aho, Tompoko, saingy avelao aloha hanao veloma ny fianakaviako.

62Fa hoy i Jesoa taminy:
–Ny olona efa mitana amin'ny angadin'omby kanefa mbola miherika ihany, dia tsy natao ho an'ny Fanjakàn'Andriamanitra.

samedi 9 mars 2019

Sabotsy 09 Martsa 2019 - I Jao 3 : 1 - 6

1Endrey ity haben'ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika: fa nantsoina hoe zanak'Andriamanitra isika, sady zanany tokoa! Izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy nahalala an'Andriamanitra. 2Ry hava-malala, zanak'Andriamanitra isika ankehitriny, kanefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika rahatrizay. Saingy fantatsika fa rahatrizay hiseho i Kristy, dia ho tahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny maha Izy Azy. 3Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina amin'i Kristy izany dia mitandrin-tena hanana toetra madio mba hadio toetra tahaka Azy.

4Izay rehetra manota dia mandika ny lalànan'Andriamanitra, fa ny ota no fandikana ny lalànan'Andriamanitra. 5Fantatrareo kosa fa i Jesoa Kristy no niseho, dia mba hanala ny ota, ary tsy mba misy ota ao aminy. 6Izay rehetra miray amin'i Kristy dia tsy manota; izay rehetra manota, dia tsy nahita Azy na nahalala Azy.

vendredi 8 mars 2019

Zoma 08 Martsa 2019 - I Tan 15 : 3 - 15

3Dia novorin'i Davida tao Jerosalema i Israely lafy valo mba hampakatra ny Vatamasin'ny TOMPO ho eo amin'ny toerana izay efa namboarina ho azy. 4Novorin'i Davida koa ny taranak'i Aharôna sy ny levita. 5Ireto avy ny levita: tamin'ny taranak'i Kehata dia i Oriela lehibeny mbamin'ny namany 120 lahy; 6tamin'ny taranak'i Merarỳ dia i Hasaià lehibeny mbamin'ny namany 220 lahy; 7tamin'ny taranak'i Gersôna dia i Jôela lehibeny mbamin'ny namany 130 lahy; 8tamin'ny taranak'i Elitsafàna dia i Semahià lehibeny mbamin'ny namany roanjato lahy; 9tamin'ny taranak'i Hebrôna dia i Eliela lehibeny mbamin'ny namany valopolo lahy; 10tamin'ny taranak'i Hoziela dia i Haminadaba lehibeny mbamin'ny namany 112 lahy. 11Nantsoin'i Davida ny mpisorona, dia ry i Tsadôka sy i Abiatara, nantsoiny koa ny levita, dia ry i Oriela sy i Hasaià ary i Jôela mbamin-dry i Semahià sy i Eliela ary i Haminadaba, 

12ka nilazany hoe:
–Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, ho eo amin'ny toerana izay efa namboariko ho azy. 13Fa tamin'ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian'ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.

14Dia nanao ny fomba fidiovana ny mpisorona sy ny levita mba hampakatra ny Vatamasin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely. 15Ary nolanjain'ny levita teny an-tsorony tamin'ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin'i Mosesy mifandraika amin'ny tenin'ny TOMPO.

jeudi 7 mars 2019

Alakamisy 07 Martsa 2019 - Mar 2 : 13 - 17

13Dia nankany amoron'ny farihin'i Galilea indray i Jesoa ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra ka nampianariny. 14Raha nandalo i Jesoa, dia nahita an'i Levỳ zanakalahin'i Halfeo nipetraka teo amin'ny birao famorian-ketra ary hoy i Jesoa taminy:
–Avia hiaraka amiko!

Dia nitsangana i Levỳ ka nandeha niaraka taminy. 15Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Levỳ i Jesoa, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no tonga niara-nihinana tamin'Izy sy ny mpianany; fa maro ireo karazan'olona ireo no fatra-panaraka Azy. 16Rehefa nahita an'i Jesoa niara-nisakafo tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra ireo mpahay lalàna anisan'ny antokom-pivavahana Farisianina, dia nilaza tamin'ny mpianatr'i Jesoa hoe:
–Dia miara-misakafo amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota ve Izy io?

17Henon'i Jesoa izany ka hoy Izy tamin'ny mpahay lalàna:
–Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary! Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota!

mercredi 6 mars 2019

Alarobia 06 Martsa 2019 - Deo 7 : 1 - 12

1Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin'ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta. 2Rehefa hatolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo ambany fahefànareo ireny ka horesenareo, dia ataovy ringana tanteraka. Aza manao fanekempihavanana aminy na mamindrafo aminy. 3Aza mampifanambady ny zanakareo aminy; ny zanakavavinareo tsy homenareo ho vadin'ny zanakalahiny, ary ny zanakavaviny tsy halainareo ho vadin'ny zanakalahinareo. 4Fa havilin'ireny vahiny ireny tsy hanaraka ny TOMPO ireo taranakareo ka hanompo andriamani-kafa; dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'ny TOMPO ka haringany vetivety ianareo. 5Fa izao kosa no ataovy amin'ireny firenena ireny: ny alitarany, horavanareo; ny tsangambaton-tsampiny, hovakivakînareo; ny tsato-kazo fanajany an'i Aserà, hokapainareo; ary ny sarin-tsampiny voasokitra, hodoranareo. 6Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo; ianareo no efa nofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany mba ho vahoaka fananany sarobidy indrindra.

7Tsy hoe ianareo maro noho ny firenena hafa rehetra no nampiraiki-po ny TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, satria vitsy noho ny firenena hafa rehetra aza ianareo. 8Fa raha nentin'ny TOMPO tamin'ny fiarovana mahery ianareo sy navotany tamin'ny toeram-panandevozana teo ambany fifehezan'ny Farao mpanjakan'i Ejipta, dia satria tian'ny TOMPO ianareo ary tandroviny aminareo ny fianianana nataony tamin'ny razambenareo.

9Aoka ho fantatrareo fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hany Andriamanitra tena Izy. Mitandro ny fanekempihavanany sy ny fitiavany hatramin'ny taranaka faharivo Izy amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny; 10fa an-karihary sady tsy an-kitaredretra kosa no amaliany sy andringanany an'izay mankahala Azy. 11Koa tandremo ny didy sy lalàna amam-pitsipika izay andidiako anareo anio mba hotanterahinareo.

12Raha ireo fitsipika ireo no henoinareo ka imasoanareo hotanterahina, dia hotandrovin'ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo ny fanekempihavanana sy ny fitiavana izay nianianany tamin'ny razambenareo.

mardi 5 mars 2019

Talata 05 Martsa 2019 - Heb 12 : 14 - 17

14Iezaho ny hahatsara fihavanana amin'ny olona rehetra sy ny hanana toe-piainana masina; fa izay tsy manana toe-piainana masina dia tsy hahita ny Tompo. 15Mitandrema tsara mba tsy hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. Aoka mba tsy hisy ho tonga ahitra mangidy mitrebona ka hanapoizina sy hanimba ny maro. 16Aoka mba tsy hisy mpijangajanga na olona mpanazimba ny zava-masina tahaka an'i Hesao izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava. 17Fantatrareo fa te hahazo ny tsodranon-drainy izy tatỳ aoriana, kanefa dia nolavina; satria tsy afaka hanova ny efa nataony izy, na dia nitady fatratra tamin-dranomaso aza.

lundi 4 mars 2019

Alatsinainy 04 Martsa 2019 - Eks 19 : 9 - 15

9Koa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin'ny rahona matevina, mba handrenesan'ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany.

Dia naverin'i Mosesy teo anatrehan'ny TOMPO ny valin-tenin'ny vahoaka.

10Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Miverena any amin'ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany. 11Aoka izy ho vonona ho amin'ny rahafakampitso, fa amin'io andro io dia ho hitan'ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO. 12Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty. 13Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany.

14Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin'ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo. 15Ary hoy izy taminy:
–Miomàna ianareo ho amin'ny rahafakampitso. Aza mikasika vehivavy akory!

dimanche 3 mars 2019

Alahady 03 Marta 2019 - Eks 19 : 3 - 6

3Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin'Andriamanitra.

Dia niantso an'i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe:
–Izao no hambaranao amin'ny taranak'i Jakôba, dia ny Israelita. 4«Efa hitanareo izay nanaovako ny Ejiptianina, efa hitanareo koa ny nitondrako anareo atỳ ho eto anilako toy ny itondran'ny voromahery ny zanany eo amin'ny elany. 5Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin'ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo, 6saingy ianareo kosa dia ho fanjaka-mpisorona ho Ahy, ho firenena voatokana hanompo Ahy.» Ireo no teny izay hambaranao amin'ny Israelita.

samedi 2 mars 2019

Sabotsy 02 Martsa 2019 - I Tes 4 : 1 - 8

1Farany, ry havana, efa nianaranareo taminay ny fitondrantena ankasitrahin'Andriamanitra, ary efa manaraka izany rahateo ianareo. Kanefa dia izao no iangavianay sy ampirisihinay anareo amin'ny anaran'i Jesoa Tompo: manaova tsaratsara kokoa hatrany! 2Fantatrareo rahateo ireo fepetra avy amin'i Jesoa Tompo nomenay anareo; 3satria izao no sitrapon'Andriamanitra: mba ho masina ianareo, ka hifady ny fijangajangana. 4Aoka samy hahay maka vady amin'ny fomba masina sy mihaja ianareo lehilahy, 5fa tsy hobaikoin'ny filàndratsy, toy ireo mpanompo sampy izay tsy mahalala an'Andriamanitra; 6ka amin'izany raharaham-panambadiana izany, dia aoka tsy hisy olona hanao ny tsy rariny amin'ny namany na hifetsy azy. Araka ny efa voalazanay taminareo sy nameperanay mafy anareo, dia hofaizin'ny Tompo izay manao ireny karazan-javatra ireny. 7Fa Andriamanitra tsy niantso antsika hiaina amin'ny fahalotoana fa hiaina amin'ny fahamasinana. 8Koa izay mandà izany fampianarana izany, dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.

vendredi 1 mars 2019

Zoma 01 Martsa 2019 - Lev 19 : 1 - 8

1Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO 2mba hamepetra ny Fiangonana israelita tsivakivolo hoe:

«Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, ilay TOMPO Andriamanitrareo.

3«Samia manaja ny ray aman-dreninareo, ary tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

4«Aza mivily hanaraka ireo andriamani-tsiizy ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

5«Rehefa manolotra sorom-pihavanana amiko TOMPO ianareo, dia ataovy araka izay hahazoanareo sitraka amiko izany. 6Ny andro hamonoana ny sorona sy ny ampitson'iny no hihinananareo azy; fa izay sisa tratry ny andro fahatelo kosa dia hodorana. 7Raha mbola hanina amin'ny andro fahatelo izany, dia tsy hahazoana sitraka amiko satria hena tsy manan-kasina intsony. 8Izay mihinana azy amin'izany, dia itambesaran-keloka satria manamavo ny zavatra voatokana ho Ahy TOMPO; ka dia hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita izany olona izany.

9«Rehefa mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina ny salohim-bary natao hotsimponin'ny hafa amin'ny vokatrareo. 10Aza otazana koa ny sampaho tavela amin'ny voalobokareo, ary aza tsimponina ny voany latsaka amin'ny tany; fa avelao izany ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12