samedi 31 janvier 2015

Sabotsy 31 Janoary 2015 - Jao 14 : 8 - 11

8I Filipo kosa nanao taminy hoe:
–Asehoy anay ny Ray, ry Tompo, dia ampy ho anay izay.

9Fa hoy i Jesoa taminy:
–Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: «Asehoy anay ny Ray»? 10Tsy mino ve ianao fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ary ny Ray ato anatiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy ambarako avy amin'ny tenako: fa ny Ray Izay mitoetra ao anatiko no manao ny asany. 11Minoa Ahy fa Izaho dia ao anatin'ny Ray ary ny Ray ato anatiko; raha tsy mino ny teniko ianareo, dia minoa ahay noho ireny asa ireny.

vendredi 30 janvier 2015

Zoma 30 Janoary 2015 - Efe 6 : 23 - 24

23Ho amin'ny havana rehetra anie ny fiadanana sy ny fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy* Tompo. 24Ny fahasoavan'Andriamanitra anie homba izay rehetra tia an'i Jesoa Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety lefy!

jeudi 29 janvier 2015

Alakamisy 29 Janoary 2015 - Joe 2 : 21 - 27

21Aza matahotra, ry tany fambolena,
miravoravo sy mifalia ianao
fa manao zava-dehibe ny TOMPO.
22Aza matahotra, ry biby any an-tsaha,
fa mihamaitso ny kijana any an-taniefitra,
mamoa ny hazo
ary vokatra ny aviavy
sy ny voaloboka.
23Ary ianareo, ry mponin'i Tsiôna*,
miravoravoa sy mifalia
amin'ny TOMPO Andriamanitrareo,
fa ny oram-pararano sahaza
no omeny anareo;
alatsany aminareo toy ny fahiny koa
ny ranonorana mivatravatra,
dia ny oran-dohataona sy ny oran-dririnina.
24Koa feno varimbazaha ny famoloana;
ary mitosaka ny divay sy menaka
ka mihoatra ny vata fanantazana azy.
25«Onerako aminareo, hoy ny TOMPO,
ireo vokatra nohanin'ny fanday sy ny valala
mbamin'ny voangory sy ny kijeja;
ireny miaramila betsaka ireny
no nalefako hamely anareo.
26Hihinan-ko voky ianareo
ka hidera Ahy TOMPO Andriamanitrareo,
Izay nanao zava-mahagaga taminareo.
Ary ny vahoakako, na oviana na oviana,
dia tsy ho menatra intsony.
27Ary hiaiky ianareo
fa eo afovoanareo Israelita Aho,
ka ny TOMPO Andriamanitrareo
dia Izaho fa tsy hafa.
Ary ny vahoakako, na oviana na oviana,
dia tsy ho menatra intsony.»

mercredi 28 janvier 2015

Alarobia 28 Janoary 2015 - Lio 17 : 11 - 19

11Raha nizotra ho any Jerosalema i Jesoa, dia namaky faritany miolotra amin'i Samaria sy i Galilea. 12Raha niditra tao amin'ny tanàna anankiray Izy, dia nisy marary hoditra* folo lahy nitsena Azy.

Nijanona lavidavitra ihany izy folo lahy 13sady niantsoantso hoe:
–Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay!

14Nahita azy ireo i Jesoa ka nanao taminy hoe:
–Ndeha miseho amin'ny mpisorona ianareo!

Raha mbola teny an-dalana izy folo lahy, dia sitrana. 15Ny anankiray, raha vao nahita fa sitrana, dia niverina ka niantsoantso nanome voninahitra an'Andriamanitra, 16niankohoka teo an-tongotr'i Jesoa sady nisaotsaotra Azy; ary Samaritanina* ralehilahy.

17Dia niteny i Jesoa nanao hoe:
–Tsy folo lahy ve no sitrana? Ka aiza ny sivy? 18Tsy nisy nahalala niverina nanome voninahitra an'Andriamanitra ve afa-tsy ity olona hafa firenena ity?

19Ary dia hoy i Jesoa taminy:
–Mitsangàna ka modia, ny finoanao no nahasitrana anao!

mardi 27 janvier 2015

Talata 27 Janoary 2015 - Deo 31 : 1 - 8

1Dia avy indray i Mosesy nampita ireto teny ireto tamin'ny Israelita ka nanao taminy hoe:
2–Feno 120 taona androany aho ka tsy afa-misahana ny andraikitra fitarihana anareo intsony; sady ny TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Tsy hita io Jôrdàna io ianao!» 3Ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no hita eo alohanareo, Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanareo, mba hahazoanareo ny taniny; ary i Josoa mihitsy no hita eo alohanareo araka izay efa voalazan'ny TOMPO. 4Tahaka ny nataon'ny TOMPO tamin'i Sihôna sy i Hôga, mpanjaka amôrita*, izay naringany mbamin'ny taniny, no hataony amin'ireo firenena ireo koa. 5Hatolotry ny TOMPO eo anoloanareo ireo ka araka ny didy nampitaiko manontolo taminareo no hataonareo aminy. 6Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na manahy an'ireo firenena ireo, satria ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo ary tsy handao anareo na hahafoy anareo.

7Dia nantsoin'i Mosesy i Josoa ka nitenenany teo imason'ny Israelita rehetra hoe:
–Mahereza sy matanjaha, satria ianao sy ity vahoaka ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO fa homena ny razambenareo; ary ianao no hizara izany tany izany ho fananan'ity vahoaka ity. 8Ny TOMPO mihitsy no handeha eo alohanao, Izy no hiaraka aminao ary tsy handao anao na hahafoy anao; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.

lundi 26 janvier 2015

Alatsinainy 26 Janoary 2015 - Heb 1 : 1 - 4

1Efa imbetsaka ary tamin'ny fomba samihafa no nitenenan'Andriamanitra fahiny tamin'ny razantsika tamin'ny alalan'ireo mpaminany*; 2fa amin'izao andro farany izao kosa dia tamin'ny alalan'ny Zanany* no nitenenany tamintsika. Io Zanany io no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao*, ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra. 3Taratra mamirapiratry ny voninahitr'Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban'Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin'ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin'ny avo indrindra eo ankavanan'ilay Andriamanitra lehibe.

dimanche 25 janvier 2015

Alahady 25 Janoary 2014 - I Mpa 18 : 36 - 39

36Fa tamin'ny fotoan'ny sorona tolakandro dia nanatona i Elià mpaminany ka nanao hoe:
–Ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ô, asehoy ankehitriny fa Ianao no Andriamanitra amin'i Israely; ary izaho dia mpanomponao ka baiko avy taminao no nanaovako izao zavatra rehetra izao. 37TOMPO ô, mihainoa ahy mba hahafantaran'ireto vahoaka ireto fa Ianao TOMPO no tena Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina indray ny fony ho aminao.

38Dia nalatsaky ny TOMPO ny afo, ka nandoro ny sorona dorana manontolo sy ny kitay ary ny vato sy ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady. 39Raha nahita izany ny Israelita rehetra, dia niankohoka nitehi-tany ka nanao hoe: «Ny TOMPO no tena Andriamanitra. Ny TOMPO no tena Andriamanitra!»

samedi 24 janvier 2015

Sabotsy 24 Janoary 2015 - I Jao 5 : 18 - 21

18Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria arovan'ilay Zanak'Andriamanitra izy ka tsy voakasik'ilay Ratsy*. 19Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao* kosa eo ambany fahefàn'ilay Ratsy avokoa. 20Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an'ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin'izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy* Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay. 21Rey anaka, mitandrema tena fandrao manompo sampy ianareo.

vendredi 23 janvier 2015

Zoma 23 Janoary 2015 - Jao 15 : 1 - 8

1–Izaho no tena voaloboka; ary ny Raiko no mpamboly. 2Ny sampana rehetra izay tafaray amiko nefa tsy mamokatra dia esorin'ny Raiko; ary ny sampana rehetra izay mamokatra kosa, dioviny mba hamokatra bebe kokoa. 3Madio izao ianareo noho ny teny izay nolazaiko taminareo. 4Aoka hiray amiko hatrany ianareo toy ny iraisako aminareo. Ny sampana tsy afa-mamokatra ho azy raha tsy miray amin'ny voaloboka hatrany; dia toy izany koa ianareo: tsy afa-mamokatra, raha tsy miray amiko hatrany. 5Izaho no voaloboka; ianareo no sampana. Izay miray amiko hatrany, toy ny iraisako aminy, no mamokatra be; satria raha misaraka amiko ianareo, dia tsy afa-manao na inona na inona. 6Raha misy olona tsy miray amiko hatrany, dia ariana any ivelany tahaka ny sampana izy, ka mihamaina; ary angonina ireo sampana maina ka atsipy ao anaty afo, dia may. 7Raha miray amiko hatrany ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay zavatra tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. 8Ny ahazoan'ny Raiko voninahitra, dia ianareo mamokatra be sady tonga mpianatro*.

jeudi 22 janvier 2015

Alakamisy 22 janoary 2015 - Lev 19 : 1 - 4

1Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO 2mba hamepetra ny Fiangonana israelita tsivakivolo hoe:«Aoka ho masina ianareo satria masina Aho, ilay TOMPO Andriamanitrareo. 3«Samia manaja ny ray aman-dreninareo, ary tandremo ny sabata* nodidiako hitsaharana. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. 4«Aza mivily hanaraka ireo andriamani-tsiizy ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

mercredi 21 janvier 2015

Alarobia 21 Janoary 2015 - Mar 1 : 1 - 8

1Manomboka eto ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra*. 2Izao no voalazan'ny Soratra Masina* ao amin'ny bokin'i Isaià mpaminany*:

            «Indro alefako hialoha Anao ny irako,
              hoy Andriamanitra,
              mba hanomana ny lalanao.»
              3«Injany misy feon'olona miantso mafy
              ao an-taniefitra hoe:
              Amboary ny lalan'ny Tompo;
              ahitsio ny hizorany!»

4Araka izany, dia niseho i Jôhany ka nanao batisa* tany an-taniefitra sy nanao antso avo hoe:
–Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan'Andriamanitra ny helokareo.
5Nirohotra nankeo amin'i Jôhany avokoa ny olona avy any Jodea lafy valo sy avy any Jerosalema; ary niaiky heloka ireo ka dia nataon'i Jôhany batisa tao amin'ny ony Jôrdàna. 6Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan'i Jôhany; valala sy tantely remby no fihinany.

 7Ary hoy ny antso avo nataony:
–Tamy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehikapany akory aho. 8Ny ahy, rano no nanaovako batisa anareo; ny Azy kosa, ny Fanahy Masina no hanaovany batisa anareo.

mardi 20 janvier 2015

Talata 20 janoary 2015 - Deo 6 : 4 - 9

4«Mihainoa, ry vahoaka Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana. 5Koa tiavo ny TOMPO Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo ary amin'ny herinao manontolo. 6Aoka haraikitrao ao am-ponao izao didy ampitaiko anao anio izao. 7Dia ampianaro tsara ny zanakao izany; ary resaho na mipetraka ao an-tranonao ianao na mandeha eny an-dalana, na mandry ianao na mifoha. 8Mba ho fampahatsiahivana anao, dia ataovy amin'ny boaty famehy eny amin'ny hato-tananao na eny an-kandrinao ireny, 9ary soraty eo amin'ny tolàm-baravaran'ny tranonao na eo amin'ny vavahadin'ny tanànanao.»

lundi 19 janvier 2015

Alatsinainy 19 Janoary 2014 - Jao 9 : 26 - 38

26Dia hoy ireo taminy:
–Inona no nataony taminao? Fomba ahoana no nampahiratany ny masonao?

27Fa novaliany hoe:
–Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo! Ka ahoana no itiavanareo mihaino izany indray? Te ho tonga mpianany* koa ve ianareo?

28Dia notevatevain'ireo Farisianina ralehilahy sady nataony hoe:
–Ianao no mpianany fa izahay mpianatr'i Mosesy. 29Fantatray fa i Mosesy dia nitenenan'Andriamanitra; ilay iny kosa tsy fantatray izay ipoirany.

30Dia niteny ralehilahy ka nanao taminy hoe:
–Izany tokoa no mahagaga: tsy fantatrareo izay ipoirany, nefa nampahiratra ny masoko Izy! 31Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay tia vavaka sy manao ny sitrapony no henoiny. 32Hatrizay hatrizay dia tsy mbola nandrenesana fa hoe nisy nampahiratra mason'olona teraka jamba. 33Raha toa tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona.

34Namaly kosa ry zareo ka nanao taminy hoe:
–Tena teraka tanatin'ny ota ianao, ka ianao indray ve no mampianatra anay?
Dia noroahin'ny Farisianina hiala amin'ny sinagôga ilay jamba taloha.

 35Ren'i Jesoa fa voaroaka hiala amin'ny sinagôga* ilay jamba taloha, ka nony hitany dia nilazany hoe:
–Mino ny Zanak'olona* ve ianao?

36Fa novaliany hoe:
–Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?

37Dia hoy i Jesoa taminy:
–Efa nahita Azy ianao, ary Ilay miresaka aminao izao no Izy!

38Ka hoy ralehilahy hoe:
–Mino aho, Tompoko!
Sady niankohoka teo anatrehany izy.

dimanche 18 janvier 2015

Alahady 18 Janoary 2014 - Rom 12 : 3 - 8

 3Noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy, dia izao lazaiko aminareo tsirairay avy: aza mihevi-tena mihoatra ny tokony hiheverana ny tena, fa aoka samy hihevi-tena amim-pahendrena, araka ny anjara finoana nomen'Andriamanitra azy avy. 4Eny, ao amin'ny vatana iray, dia misy zavatra maro anisan'izany vatana izany kanefa tsy mitovy asa avokoa ireo. 5Dia toy izany koa: na maro aza isika, dia vatana iray ihany noho isika tafaray amin'i Kristy*, ka mifampiankina toy ny ifampiankinan'ireo zavatra anisan'ny vatana iray ihany. 6Manana fanomezana samihafa isika, araka ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra antsika. Raha misy manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin'Andriamanitra, dia aoka hanao izany mifanaraka amin'ny finoana. 7Raha misy manana ny fanomezana hanompo, dia aoka hanompo. Ny mpampianatra, aoka hampianatra. 8Ny mpananatra, aoka hananatra. Ny mpizara, aoka hizara amim-pahatsoram-po. Ny mpahafoy harena, aoka hahafoy amin-jotom-po. Ny mpanao asa fiantrana, aoka hanao ny asany an-kafaliana.

samedi 17 janvier 2015

Sabotsy 17 Janoary 2015 - Deo 5 : 12 - 15

12«Mitandrema ny andro sabata* mba hanokananao azy ho Ahy TOMPO Andriamanitrao, araka izay nandidiako anao. 13Enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 14Fa ny andro fahafito kosa dia sabata voatokana ho Ahy TOMPO Andriamanitrao; koa aza manao raharaha akory amin'izany, na ny tenanao, na ny zanakao, na ny mpanomponao, na ny ombinao na ny borikinao, na ny biby hafa rehetra fiompinao, na ny vahiny izay ao an-tranonao; aoka mba hitsahatra tahaka anao koa ireo mpanomponao. 15Ary tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianao ka fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina no nitondrako anao niala tany; izany no mahatonga Ahy TOMPO Andriamanitrao handidy anao hitandrina ny andro sabata.

vendredi 16 janvier 2015

Zoma 16 Janoary 2015 - I Kor 2 : 1 - 5

1Ry havako, fony tonga tany aminareo aho mba hitory ny tsiambaratelo momba amin'Andriamanitra, dia tsy nampiasa lahateny marevaka na fahendrena mampitolagaga. 2Teo aminareo aho dia ninia tsy nahafantatra na inona na inona afa-tsy i Jesoa Kristy, indrindra fa Izy voahombo teo amin'ny hazofijaliana. 3Izany no nahatonga ahy ho osa sy natahotra ary nangovitra teo anoloanareo; 4ny fampianarako sy ny toriteniko dia tsy tamin'ny lahateny mampiaiky volana araka ny fahendren'olombelona, fa tamin'ny fandresen-dahatra araka ny herin'ny Fanahy Masina. 5Ka dia tsy fahendren'olombelona fa herin'Andriamanitra no iorenan'ny finoanareo.

jeudi 15 janvier 2015

Alakamisy 15 Janoary 2015 - Jer 10 : 6 - 10

6Tsy misy tahaka Anao, ry TOMPO,
fa lehibe Ianao ary lehibe ny lazanao
amin'ny asa mahery nataonao.
7Iza no tsy hatahotra Anao,
ry Mpanjakan'ireo firenena,
fa mendrika anao izany.
Ny hendry rehetra amin'ireo firenena
sy ao amin'ireo fanjakana rehetra
dia tsy misy mitovy aminao.
8Fa adala sy very saina izy rehetra:
zava-poana ny fampianarany
fa tapa-kazo ihany izany.
9Ireo sampy ireo dia ravahana
takela-bolafotsy avy any Tarsisy
na volamena avy any Ôfira,
izay namboarin'ny mpanao asan-tanana
sy ny mpanefy firavaka;
ary lamba jaky sy volomparasy
no nampitafiana azy.
Asan'ny mpahay taozavatra avokoa
ireny sampy rehetra ireny.
10Fa ny TOMPO kosa
no tena Andriamanitra,
Andriamanitra velona
sy Mpanjaka mandrakizay.
Rehefa tezitra Izy,
dia mihorohoro ny tany;
ary ny firenena dia tsy mahatanty
ny fahavinirany.

mercredi 14 janvier 2015

Alarobia 14 Janoary 2014 - Mar 9 : 2 - 4

2Enina andro taorian'izay, dia nalain'i Jesoa niaraka taminy ry i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Dia niova tarehy teo anatrehan'izy telo lahy i Jesoa: 3ny fitafiany niova namirapiratra sady fotsy nangatsakatsaka, ary tsy misy mpanasa lamba mahadio sy mahafotsy lamba toy izany etỳ ambonin'ny tany. 4Hitan'ireto mpianatra* koa i Elià* sy i Mosesy; ary niresaka tamin'i Jesoa izy roa lahy.

mardi 13 janvier 2015

Talata 13 Janoary 2015 - Jos 24 : 19 - 28

19Dia hoy i Josoa tamin'ny vahoaka:
–Tsy hainareo ny hanompo ny TOMPO; fa Andriamanitra masina Izy, ka tsy hahazaka ny fahadisoanareo aman'otanareo. 20Raha mandao ny TOMPO ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hisapotina hampahory anareo Izy Tompo ka hahafongana anareo rehefa avy nasiany soa.

21Fa hoy ny vahoaka tamin'i Josoa:
–Tsia, fa ny TOMPO ihany no hotompoinay.

22Dia hoy indray i Josoa tamin'ny vahoaka:
–Ny tenanareo ihany no vavolombelona fa efa nifidy ny hanompo ny TOMPO ianareo.

Ka novalian'ny vahoaka hoe:
–Eny, vavolombelon'izany izahay!

23Dia nofaranan'i Josoa hoe:
–Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin'ny TOMPO
Andriamanitr'Israely ny fonareo.

24Ka niteny tamin'i Josoa ny vahoaka hoe:
–Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.

25Tamin'izany andro izany dia nanao fanekempihavanana tamin'ny vahoaka tao Sekema i Josoa, ka nanome azy fepetra amam-pitsipika. 26Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalànan'Andriamanitra ireo teny ireo; ary naka vato lehibe iray izy ka nanangana azy teo am-pototry ny hazo oaka, izay toera-masin'ny TOMPO.

27Avy eo dia hoy i Josoa tamin'ny vahoaka rehetra:
–Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain'ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin'Andriamanitrareo!

28Dia noravan'i Josoa ny vahoaka, ka samy niverina tany amin'ny zarataniny avy.

lundi 12 janvier 2015

Alatsinainy 12 Janoary 2015 - I Jao 5 : 1 - 5

1Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay Andriamanitra niteraka, dia tia izay naterak'Andriamanitra koa. 2Ny ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra* isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fanatontosàntsika ireo didiny. 3Eny, ny fitiavana an'Andriamanitra dia ny fitandremantsika ireo didiny; sady tsy mavesatra ireo didiny ireo, 4satria izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao. Ary ny fitaovam-pandresena izay maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5Iza moa no maharesy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no ilay Zanak'Andriamanitra?

dimanche 11 janvier 2015

Alahady 11 Janoary 2015 - Mat 16 : 13 - 19

13Dia lasa nankany amin'ny faritany manodidina ny tanàna atao hoe Kesaria-Filipo ry i Jesoa; ary nanontany ny mpianany* Izy nanao hoe:

–Iza moa ny Zanak'olona*, araka ny filàzan'ny olona Azy?

14Dia novalian'ny mpianany hoe:

–Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià*; ary ny hafa indray manao hoe i Jeremià na anankiray amin'ireo mpaminanin'Andriamanitra.

Ary hoy i Jesoa taminy:

15–Fa ianareo kosa, Iza moa Aho aminareo?

16Dia novalian'i Simôna Petera hoe:

–Ianao no ilay Mesia*, ny Zanak'ilay Andriamanitra* velona!

17Ary niteny tamin'i Petera i Jesoa nanao hoe:

–Sambatra ianao, ry Simôna zanakalahin'i Jônà, satria tsy olombelona nofo aman-dra no nanambara izany taminao fa ny Raiko Izay any an-danitra. 18Izaho koa milaza aminao fa ianao no Vato, ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako; ary ny herin'ny fahafatesana tsy hahatohitra ny Fiangonako. 19Homeko anao ny fanalahidin'ny Fanjakàn'ny lanitra*: ka na inona na inona hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.

samedi 10 janvier 2015

Sabotsy 10 Janoary 2015 - Isa 40 : 27 - 31

27Ry vahoaka Israely, firenen'i Jakôba,
nahoana ianao no miteny sy manamafy hoe:

«Tsy hitan'ny Tompo akory izay mahazo ahy,
lalovan'Andriamanitra fotsiny ny zoko?»

28Tsy fantatrao sady tsy efa renao va
fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay?

Izy no namorona ny tany manontolo.
Tsy mba reraka Izy na sasatra,
ary tsy misy fetra ny fahalalàny.
29Manome hery ny reraka Izy
ary manatanjaka ny malemy.

30Ny tanora aza dia mihareraka sy mety sasatra,
ny mahery tompon-daka aza dia mety ho solafaka.
31Fa izay matoky ny TOMPO kosa
dia hahazo hery vaovao hatrany,
ka hisidina ambony toy ny voromahery.
Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra,
handeha izy nefa tsy ho reraka.

vendredi 9 janvier 2015

Zoma 09 Janoary 2015 - Heb 12 : 1 - 7

1Voahodidina vavolombelona marobe tokoa àry isika; noho izany, dia aoka hanaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka ataontsika sy hanaisotra ny ota mora mangeja antsika, ary hiezaka amim-paharetana eo amin'izao fifaninanana hazakazaka naroso hataontsika izao. 2Aoka isika hifantoka tsara amin'i Jesoa, Izay loharanon'ny finoantsika hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Niaretan'i Jesoa ny namonoana Azy teo amin'ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan'ny sezafiandrianan'Andriamanitra. 3Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo. 4Fa tsy mbola nihatra taman'aina tsy akory ny ady nataonareo hanoherana ny fahotana. 5Ary efa hadinonareo ve ny teny fampaherezana milaza aminareo toy ny amin-janaka hoe:

             «Anaka, aza atao tsirambina ny famaizana ampiharin'ny Tompo;
               ary aza ketraka rehefa anariny.
               6Fa ny zanaka tiany no faizin'ny Tompo
               ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny»?

7Ho famaizana anareo no aoka hiaretanareo fijaliana; toy ny zanaka no itondran'Andriamanitra anareo, satria iza moa no zanaka tsy faizin-drainy?

jeudi 8 janvier 2015

Alakamisy 08 Janoary 2015 - I Tim 2 : 1 - 7

1Hafatrafarako voalohany indrindra àry ny hanaovana fangatahana sy fivavahana ary fitalahoana sy fisaorana amin'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra; 2mivavaha ho an'ireo filoham-pirenena sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay ombàn'ny firaiketam-po tanteraka amin'Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina. 3Izany no tsara sady sitrak'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahalalan'izy rehetra ny finoana marina. 5Satria iray Andriamanitra, iray koa ny mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesoa Izay olona 6nanolo-tena ho fanavotana ny olona rehetra: izany no porofo mby amin'ny fotoanandrony tokoa fa tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra Andriamanitra. 7Ary ny hitory izany no nanendrena ahy ho mpitoriteny sady apôstôly*, ho mpampianatra ny finoana tena izy amin'ny hafa firenena*. Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.

mercredi 7 janvier 2015

Alarobia 07 Janoary 2015 - Isa 46 : 3 - 7

3Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak'i Jakôba,
dia ianareo rehetra sisa velona
amin'ny taranak'i Israely,
ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka
sy notrotroiko raha vao teraka.
4Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza;
hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin'ny volonareo.

Izaho no nanao anareo sy nitrotro anareo hatrany;
eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo.

5Iza moa no ampitovinareo amiko
ary hanoharanareo Ahy?
Iza no hampifandanjanareo amiko
ka hahitana fifanahafana aminay?
6Misy olona mandanilany foana ny volany;
mandanja volamena sy volafotsy amin'ny mizana izy,
dia manarama olona mpanefy firavaka
mba hamboatra ireny ho andriamanitra
izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.
7Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny
sy mitondra azy eny an-tsoroka
sady mametraka azy eo amin'ny toerany,
dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika.
Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly
sady tsy mahavonjy amin'ny fahoriana.

mardi 6 janvier 2015

Talata 06 Janoary 2015 - Jao 1 : 29 - 34

29Nony ampitso, dia nahita an'i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy:

–Indro ny Zanakondrin'Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan'izao tontolo izao! 30Izy indrindra Ilay nolazaiko hoe: «Misy lehilahy tamy aoriako, Izay lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.» 31Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa mba hampisehoana Azy amin'ny vahoaka Israely no nahatongavako hanao batisa ao amin'ny rano.

32I Jôhany no vavolombelona nanambara hoe:

–Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala, ka nitoetra teo amboniny. 33Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa Andriamanitra, Izay naniraka ahy hanao batisa* ao amin'ny rano, no nilaza tamiko hoe: «Ilay ho hitanao idinan'ny Fanahy Masina sy itoerany eo amboniny, dia Izy no Mpanao batisa ao amin'ny Fanahy Masina.» 34Ary nahita aho, ka dia vavolombelona manambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra*.

lundi 5 janvier 2015

Alatsinainy 05 Janoary 2015 - Asa 17 : 22 - 34

22Dia nijoro teo afovoan'ny Areôpazy i Paoly ka nanao hoe:
 –Ry Atenianina, hitako fa amin'ny lafin-javatra rehetra dia olona fatra-pivavaka ianareo.

23Raha nitsangantsangana eran'ny tanàna aho, ka nijerijery ireo toeram-pivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: «Ho an'ilay Andriamanitra tsy fantatra.» Ka izany tsy fantatrareo izany, kanefa ivavahanareo, no ambarako aminareo. 24Ilay Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy no Tompon'ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanan'olombelona. 25Tsy hoe orin-javatra Andriamanitra ka tompoin'olombelona, satria Izy ihany no manome ny aina sy ny fofon'aina mbamin'ny zavatra rehetra ho an'ny olombelona tsy an-kanavaka. 26Noarîny avy amin'olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany. 27Nataon'Andriamanitra izany mba hahazoan'ny olombelona mitady Azy, sao izy ireo mba mety maminavina Azy sy mifandray aminy; fa Andriamanitra dia tsy lavitra antsika tsirairay avy, 28satria 
         «Ao aminy no ivelomantsika sy ihetsiketsehantsika ary isiantsika.»

 Izany indrindra koa no nilazan'ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe:
        «Avy amin'Andriamanitra no ipoirantsika.»

29Koa satria avy amin'Andriamanitra no ipoirantsika, dia tsy tokony hoheverintsika fa Andriamanitra dia mitovy endrika amin'ny sampy volamena na volafotsy na vato, sary sokitra vokatry ny fahaizana amam-pisaintsainan'olombelona. 30Kanefa ninian'Andriamanitra tsy jerena intsony ireo andro tsy nahalalana Azy, fa antsoiny hiala amin'ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra, na aiza na aiza. 31Nisy manko andro anankiray natao hitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao araka ny rariny, amin'ny alalan'ny lehilahy anankiray efa voatendriny; ary ny nananganany Azy ho velona avy any amin'ny maty no nataony porofon'izany ho an'ny olona rehetra!

32Vao nandre an'i Paoly niteny momba ny fitsanganan'ny maty* ireo olona teo amin'ny Areôpazy, dia tao ny naneso azy ary tao kosa ny nilaza hoe:

 –Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'io zavatra io.

 33Dia toy izany no nandaozan'i Paoly azy ireo. 34Kanefa nisy olona sasantsasany nikambana taminy ary tonga mpino: anisan'ireny i Diônisy, mambran'ny antenimiera Areôpazy, sy vehivavy atao hoe Damarida ary ny sasany hafa koa izay niaraka tamin'ireo.

dimanche 4 janvier 2015

Alahady 04 janoary 2015 - Isa 44 : 6 - 11

6Izao no lazain'ny TOMPO dia ilay TOMPOn'izao rehetra izao sady Mpanjakan'i Israely sy Mpanavotra azy:

 «Izaho no voalohany ary Izaho no farany, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. 7Raha misy mihambo ho mitovy amiko, aoka izy hiteny sy handahatra momba izany! Hohazavainy amiko hoe iza, hatry ny fahagola, no nampandre ny zavatra tsy maintsy tonga; ary hambarany amintsika koa ny zavatra ho avy. 8Aza mangovitra na matahotra ianareo, ry vahoakako. Tsy Izaho ve no nampandre anareo ka nanambara izany taminareo hatry ny ela? Ianareo tokoa no vavolombeloko fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Eny, tsy misy vatolampy hafa, tsy misy fantatro na iray aza.» 9Zava-poana avokoa ny mpanao sarivongan-tsampy ary tsy mahasoa akory ny zavatra lalainy: Ny sarivongan-tsampy no vavolombelona ho azy, kanefa vavolombelona tsy mahita akory, ary tsy mahalala na inona na inona ka handiso fanantenana azy. 10Iza no hanamboatra andriamani-tsiizy, handrendrika sarivongana tsy mahasoa akory? 11Indreo ho menatra izay rehetra mpomba azy fa olombelona ihany no namboatra ireny! Avelao hivory sy hiseho izy rehetra, fa hatahotra sy ho safo-kenatra avokoa.

samedi 3 janvier 2015

Sabotsy 03 Janoary 2015 - Asa 10 : 34 - 43

34Dia niteny i Petera ka nanao hoe:

 –Azoko tsara ankehitriny, fa tsy mba mijery tavan'olona Andriamanitra. 35Eny, ankasitrahin'Andriamanitra avokoa izay olona manaja Azy sy manao ny rariny na aiza na aiza firenena misy azy. 36Fantatrareo ny teny nampitondrain'Andriamanitra ho an'ny vahoaka Israely*, anambaràny ny Vaovao Mahafaly*: dia ny fampihavanana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, ilay Tompon'ny olona rehetra. 37Fantatrareo ny zava-nitranga tany Galilea aloha ary dia nanerana an'i Jodea, taorian'ny toriteny sy ny batisa* nataon'i Jôhany: 38nandrotsahan'Andriamanitra ny herin'ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefàn'ny devoly*, satria nombàn'Andriamanitra Izy. 39Izahay dia vavolombelona nahita ny zavatra rehetra nataony manerana ny tanin'ny Jiosy sy tao Jerosalema. Io Jesoa io dia nahanton'ny olona tamin'ny hazofijaliana no namonoany Azy, 40nefa natsangan'Andriamanitra ho velona tamin'ny andro fahatelo. Nasehon'Andriamanitra miharihary Izy, 41tsy tamin'ny vahoaka ankapobeny fa taminay vavolombelona efa notendren'Andriamanitra mialoha hanambara an'i Jesoa. Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay taorian'ny nananganan'Andriamanitra Azy ho velona avy any amin'ny maty; 42ary nomeny baiko mba hitory amin'ny vahoaka sy ho vavolombelona manambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. 43Samy mijoro ho vavolombelona momba azy ny mpaminany* rehetra ka manambara fa izay rehetra mino Azy dia hahazo famelan-keloka amin'ny anarany.

vendredi 2 janvier 2015

Zoma 02 Janoary 2015 - Deo 1 : 29 - 33

29Dia hoy aho taminareo: «Aza manahy, ary aza matahotra azy! 30Ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay mandeha eo alohanareo, no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo teo imasonareo tany Ejipta 31sy tatỳ an-taniefitra; efa hitanareo fa nentin'ny TOMPO Andriamanitrareo tahaka ny fitòndran'ny olona ny zanany ianareo, tany amin'ny lalana rehetra nalehanareo, mandra-pahatonganareo amin'ity toerana ity.» 32Ary, tamin'izany toe-javatra izany, dia tsy ninoanareo ny TOMPO Andriamanitrareo. 33Kanefa Izy no nandeha teo alohanareo teny an-dalana mba hitady toerana hitobianareo; ka ny afo nony alina ary ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.

jeudi 1 janvier 2015

Alakamisy 01 Janoary 2015 - Eks 6 : 2 - 8

2Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy hoe: –Izaho no «TOMPO». 3Tamin'ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha*» no nisehoako tamin'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr'ireo ny anarako hoe «TOMPO.» 4Nanao fanekempihavanana* tamin'izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany. 5Efa reko ny fitarainan'ny Israelita amin'ny asa fanandevozana ampanaovin'ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho. 6Noho izany, dia lazao amin'ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin'ny asa an-terivozona ampanaovin'ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin'ny fanompoana azy; ka amin'ny heriko tsy hay tohaina sy amin'ny famaizana lehibe no hanavotako anareo. 7Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin'ny asa an-terivozona nampanaovin'ny Ejiptianina. 8Hoentiko any amin'ny tany izay efa nianianako tamin'ny tsangan-tanana fa homeko an'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12