mardi 30 septembre 2014

Talata 30 Septambra 2014 - Isa 52 : 7 - 12

7Endrey tsara tokoa erỳ an-tendrombohitra
ny famindran'ilay mpitondra hafatra,
izay manambara fiadanana
sy mampita hafatra mahasambatra
ary manambara famonjena
ka manao amin'i Tsiôna hoe:
«Mpanjaka ny Andriamanitrao.»
8Injany ny feon'ireo napetrakao ho mpitily!
Manandra-peo izy ka miara-mihorakoraka-pifaliana,
satria mahita maso ny fiverenan'ny TOMPO ao Tsiôna*.
9Manaova horakora-pifaliana
ka redòny ny hiram-pihobiana,
ry toerana rava ao Jerosalema,
satria efa nampahery ny vahoakany ny TOMPO
sady efa nanavotra an'i Jerosalema!
10Nahariharin'ny TOMPO
teo imason'ny firenen-kafa rehetra
ny hery maneho ny fahamasinany
ka hahita ny famonjen'Andriamanitsika
ny vazan-tany rehetra.

lundi 29 septembre 2014

Alatsinainy 29 Septambra 2014 - Mar 16 : 14 - 18

14Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan'i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona.

15Dia hoy koa i Jesoa taminy:
–Mandehana eran'izao tontolo izao, torio amin'ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly*. 16Izay hino ka hatao batisa*, dia ho voavonjy; fa izay tsy hino, dia hohelohina. 17Ary ireto no famantarana homba izay mino: handroaka demony* amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny vaovao; 18handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin'ny marary, dia ho sitrana ireny.

dimanche 28 septembre 2014

Alahady 28 Septambra 2014 - Rom 10 : 11 - 17

11Fa hoy ny Soratra Masina* hoe: «Izay (rehetra) mino Azy tsy mba hangaihay.» 12Koa mitovy na Jiosy na hafa firenena*, fa ny Tompo iray ihany ny an'ny rehetra, Tompo malala-tanana amin'izay rehetra miantso Azy. 13Satria izao no tenin'ny Soratra Masina: «Izay rehetra hiantso ny Tompo, dia ho voavonjy.» 14Hataon'ny olona ahoana àry no fiantso ny anaran'ny Tompo, raha tsy efa ninoany? Hataony ahoana no fino Azy, raha tsy efa reny? Hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitoriteny? 15Ary hatao ahoana no fitoriteny, raha tsy nirahina? Araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: «Endrey, tsara izany mahita ireo mpitondra Vaovao Mahafaly* tonga hanambara teny soa!» 16Tsy àry nanaiky ny Vaovao Mahafaly avokoa anefa ny olona rehetra, fa hoy i Isaià hoe: «Tompo ô, iza no nino ny hafatra nambaranay?» 17Koa ny finoana dia vokatry ny hafatra ambara; ary ny hafatra ambara dia ny teny momba an'i Kristy. 18Kanefa manontany aho hoe: Sao tsy nandre ny hafatra ny olona? Nandre tokoa izy rehetra, fa izao no tenin'ny Soratra Masina:

                             «Lasa nanerana ny tany tontolo ny feon'ireo mpitory,
                              ary nipaka hatrany amin'ny faran'ny tany ny teniny!»

samedi 27 septembre 2014

Sabotsy 27 Septambra 2014 - Lio 8 : 1 - 3

1Taorian'izany, lasa nitety tanàn-dehibe sy tanàna kely i Jesoa nitoriteny sy nanambara ny Vaovao Mahafaly* momba ny Fanjakàn'Andriamanitra*. Niaraka tamin'i Jesoa ny 12 lahy 2ary koa ireo vehivavy sasany izay nositraniny tamin'ny fanahy maloto* sy ny aretina: dia i Maria, antsoina hoe Magdalèna, izay nialana demony* fito, 3sy i Jôhanina, vadin'i Kozà mpitandrim-pananan'i Herôda*, ary i Sozanina sy ny maro hafa koa. Ireo vehivavy ireo dia samy nanampy an'i Jesoa sy ny mpianany tamin'ny fananany.

vendredi 26 septembre 2014

Zoma 25 Septambra 2015 - Rom 15 : 14 - 24

14Fa raha ny aminareo, ry havako, dia matoky koa aho fa feno hatsaram-po ianareo ary henika ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa. 15Kanefa, mba ho toy ny hamohafohazana ny fahalalana efa ao aminareo no nanoratako taminareo tamin-kasahiana ihany ombieny ombieny, noho ilay tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy; 16fa izaho dia natokan'Andriamanitra ho mpanompon'i Kristy* Jesoa eo amin'ny hafa firenena*. Manatontosa fanompoana toy ny mpisorona aho, amin'ny itoriako ny Vaovao mahafaly* avy amin'Andriamanitra, mba ho zary fanatitra ankasitrahin'Andriamanitra ireo hafa firenena, rehefa voatokana ho azy noho ny asan'ny Fanahy Masina. 17Koa satria tafaray amin'i Kristy Jesoa aho, dia afaka mirehareha ny amin'ny asa ataoko ho an'Andriamanitra. 18Fa tsy misy sahiko lazaina, raha tsy izay notontosain'i Kristy tamin'ny alalako mba hitaomana ny hafa firenena hanaiky an'Andriamanitra: dia izay notontosain'i Kristy tamin'ny teny sy asa, 19tamin'ny herin'ny famantarana* sy zava-mahagaga ary tamin'ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra. Hany ka feno tokoa ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly momba an'i Kristy, hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany amin'ny faritany Iliria. 20Ary tamin'izany, dia nataoko ho voninahitra ny mitory ny Vaovao Mahafaly tamin'izay toerana tsy mbola nandrenesan'olona ny momba an'i Kristy; fa tsy tiako ny hanorina eo amin'ny fototra nataon'ny sasany, 21araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:

                   «Ireo tsy mbola nilazana Azy dia hahita;
                     ary ireo tsy mbola nandre dia hahalala!»

22Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy ho tonga hatratỳ aminareo. 23Ankehitriny anefa, tsy misy raharaha mitana ahy amin'ireto faritany ireto intsony, sady naniry hankatỳ aminareo hatramin'ny taona maro aho. 24Koa manantena aho fa amin'ny diako hankany Espaina, dia handalo eo aminareo ka hahita anareo; ary dia hampianareo ho any amin'io tany io, rehefa fenofeno ny hafaliako aminareo.

jeudi 25 septembre 2014

Alakamisy 25 Septambra 2014 - mar 13 : 5 - 13

5Ka hoy i Jesoa taminy:
–Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo. 6Maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: «Izaho no ilay Mesia*»; ary maro ny olona ho voafitany. 7Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra fa tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no ho farany. 8Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; hisy horohorontany amin'ny toerana samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.

9Tandremo ny amin'ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin'ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin'ny sinagôga*; ary hitsangana eo anoloan'ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany. 10Kanefa tsy maintsy hotorîna amin'ny firenena rehetra aloha ny Vaovao Mahafaly*. 11Rehefa hoentina hatolotra amin'ny mpitsara ianareo, dia aza manahy hoe inona no holazainareo; fa izay teny homena anareo amin'izay fotoana izay, lazaina; satria tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin'ny Fanahy Masina. 12Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy ray hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampanameloka azy ho faty. 13Hankahalain'ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; kanefa izay maharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy.

mercredi 24 septembre 2014

Alarobia 24 Septambra 2014 - Asa 26 : 19 - 32

19Ary amin'izany, ry Agripà mpanjaka, tsy notoheriko ny fahitana avy tany an-danitra. 20Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin'ny hafa firenena* ka nanainga azy rehetra aho hiala amin'ny toetra ratsiny sy hiverina amin'Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny. 21Izany no nisamboran'ny Jiosy ahy raha tao an-kianjan'ny tempoly* aho, ary nitadiavany hamonoana ahy. 22Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola intỳ aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin'ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran'ny mpaminany* sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao: 23hijaly ny Mesia* ary Izy no ho voalohany hisantatra ny fitsanganan'ny maty* ka hitory fahazavana amin'ny vahoaka Israely* sy amin'ny hafa firenena.

24Raha mbola mandahatra hiarovan-tena araka izany i Paoly, dia niantso tamin'ny feo mahery kosa i Festo nanao hoe:
–Lasa adala ianao, ry Paoly! Ny fianarana be loatra vitanao no mahalasa adala anao!

25Dia novalian'i Paoly hoe:
–Tsy lasa adala akory aho, Andriamatoa governora hajaina, teny azo antoka sady voadinika izao lazaiko izao. 26Tsy vahiny amin'ny mpanjaka izany toe-javatra izany, ka dia miteny tsy mihambahamba eto anatrehany aho. Matoky aho fa tsy misy miafina aminy velively izany, satria tsy mba an-takontakona no nanaovana azy. 27Ry Agripà mpanjaka, inoanao ve izay voalazan'ny mpaminany*? Fantatro fa inoanao.

28Ary hoy i Agripà tamin'i Paoly:
–Heverinao moa fa dia ho tonganao kristianina haingana toy izany aho?

29Dia novalian'i Paoly hoe:
–Na ho haingana na mbola ho ela, dia mivavaka amin'Andriamanitra aho mba tsy ianao ihany fa izay rehetra mihaino ahy androany no ho tonga tahaka ahy afa-tsy amin'ny maha mpifatotra ahy.

30Dia nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary i Berenîka mbamin'izay rehetra niara-nipetraka taminy; 31ka nony niala teo, dia nifampiresaka hoe:
–Tsy misy fahadisoana vitan'io lehilahy io, tokony hahamendrika azy ho voaheloka ho faty na hatao am-ponja.

32Hoy kosa i Agripà tamin'i Festo:
–Azo nalefa ihany io lehilahy io raha tsy noho izy nampiakatra ny raharahany amin'ny amperôra rômanina.

mardi 23 septembre 2014

Talata 23 Septamra 2014 - Asa 13 : 32 - 39

32Ary izahay koa dia mitory aminareo izao Vaovao Mahafaly* izao: 33Ny zavatra efa nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny razantsika dia notanterahin'Andriamanitra tamintsika ankehitriny, fony Izy nanangana an'i Jesoa ho velona, araka izay voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny Salamo faharoa hoe:

«Zanako Ianao,
Ray niteraka Anao Aho manomboka anio.»

34–Nambaran'Andriamanitra koa fa natsangany ho velona i Jesoa ka tsy hiverina amin'ny fahalòvana intsony, araka ny teny hoe:

«Homeko anareo ny fanambinana masina sy azo antoka
efa nampanantenaiko an'i Davida!»

35Izany koa no itenenan'Andriamanitra ao amin'ny Salamo hafa hoe:

«Tsy havelanao ho tratry ny fahalòvana Ilay voatokana ho Anao.»

36Eny, i Davida, rehefa nanatanteraka ny fikasan'Andriamanitra hahasoa ny mpiara-belona taminy, dia nodimandry ka nalevina mifanila amin'ireo razany ary tratry ny fahalòvana. 37Fa Ilay natsangan'Andriamanitra ho velona kosa dia tsy mba tratry ny fahalòvana. 38-39Ry havako, izao àry no aoka ho fantatrareo: amin'ny alalan'i Jesoa no itoriana famelan-keloka aminareo. Tsy nanafaka ny helokareo velively ny lalànan'i Mosesy ary tsy nahatonga anareo ho olo-marina eo anatrehan'Andriamanitra; fa ao amin'i Jesoa, izay rehetra mino dia afaka amin'ny heloka rehetra ary tonga olo-marina eo anatrehan'Andriamanitra.

lundi 22 septembre 2014

Alatsinainy 22 Septambra 2014 - Mar 5 : 18 - 29

18Raha ilay niondrana an-tsambokely iny i Jesoa, dia niangavy taminy kosa ilay azon'ny demony teo aloha nanao hoe:
–Avelao aho hiaraka aminao!

19Tsy nanaiky i Jesoa fa niteny taminy hoe:
–Andeha mody any an-tranonao, any amin'ireo havanao; ka lazao azy izay rehetra nataon'ny Tompo taminao noho ny famindrampony.
20Dia lasa ralehilahy nanao antso avo, eran'ny faritany atao hoe Dekapôly*, izay rehetra nataon'i Jesoa taminy; ka dia gaga avokoa ny olona.

21Nony tafaverina an-tsambokely teny ampita i Jesoa, dia vahoaka maro no nitangorona nanatona Azy, fa Izy kosa nijanona teo amoron'ny farihy ihany. 22Dia avy ny anankiray tamin'ireo lehiben'ny sinagôga*, atao hoe Jaîro; raha vao nahita an'i Jesoa izy, dia niankohoka teo an-tongony 23sady niangavy azy mafy nanao hoe:
–Eo ambavahoanan'ny fahafatesana ny zanako vavy; koa tongava hametra-tanana aminy, dia ho sitrana izy ka ho velona.

24Dia lasa niaraka tamin'i Jaîro i Jesoa. Vahoaka nifanitsa-kitro no nitanjozotra nanaraka Azy, ka nifanety taminy. 25Ary nisy vehivavy marary mitsi-dra nandritra ny 12 taona; 26efa niaritra zavatra mafy maro tamin'ny dokotera maro izy io ka lany fananana tamin'izany rehetra izany, nefa tsy nihatsara velively fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. 27Nandre ny amin'i Jesoa ravehivavy, dia lasa nifanjevo tamin'ny vahoaka avy tao ivoho, ka nikasika ny lamban'i Jesoa 28fa hoy mantsy izy: «Na dia ny lambany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.» 29Dia ritra niaraka tamin'izay ny loharanon'aretiny, ka tsapany tao amin'ny tenany fa sitrana tsy nandeha ra intsony izy.

dimanche 21 septembre 2014

Alahady 21 Septambra 2014 - Nah 2 : 1 - 5

1Ry vahoakan'i Joda, indro tamy eny an-tendrombohitra
ny iraka mitondra vaovao mahafaly sy mitory fiadanana.
Ankalazao ny fetinareo, efao ny voadinareo*!
Fa tsy handalo eo aminareo intsony ilay olom-poana,
satria efa fongotra tanteraka izy.
2Miakatra hamely anao, ry Ninive, ireo mpandrava;
koa ambeno ny manda, andraso ny lalana.
Mivonòna hiady ary angony ny tafikao rehetra.
3Fa efa ampodin'ny TOMPO indray
ny voninahitry ny taranak'i Jakôba
efa ampodiny indray ny voninahitr'i Israely,
ilay voaloboka rava sady simban'ny mpandroba.

4Ampinga miloko mena sy akanjo jaky midorehitra
no entin'ny tafika fahavalonao, ry Ninive.
Manjelatra toy ny afo ny kalesiny
ary mirangaranga ny lefony,
rehefa mivonon-kiady izy.
5Miriotra mamakivaky ny arabe ny kalesiny,
ary mifanaretsaka eny an-kianja malalaka;
toy ny harendrina no fijery azy
fa mitsoriaka tahaka ny tselatra.

samedi 20 septembre 2014

Sabotsy 20 Septambra 2014 - Efe 3 : 1 - 13

1Noho izany izaho Paoly, izay migadra noho ny amin'i Kristy* Jesoa hanasoavana anareo hafa firenena, dia mangataka amin'Andriamanitra ho anareo. 2Matoky aho fa efa renareo ny andraikitra tontosaiko aminareo, noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy. 3Fanambarana avy tamin'Andriamanitra no nahalalako ny tsiambaratelony. (Efa nisy voasoratro fohifohy ihany momba izany tetsy aloha, 4ka raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahalalàko ilay tsiambaratelo momba an'i Kristy.) 5Tsy mbola nampahafantarina ny olombelona izany tsiambaratelo izany tamin'ny andro lasa; fa ireo apôstôly* sy mpaminany* voatokana ho an'Andriamanitra kosa no nanambarana azy ankehitriny noho ny asan'ny Fanahy Masina. 6Izao àry izany tsiambaratelo izany: amin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly*, ny hafa firenena dia natao hitambatra amin'ny Jiosy ka hiara-mandova ny zava-tsoa natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany*, sy ho tena iray ihany ary hiombona anjara amin'ny fampanantenàn'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa. 7Tonga mpanompon'ny Vaovao Mahafaly aho noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy maimaimpoana, araka ny fiàsan'ny heriny. 8Kely noho izay bitika indrindra amin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen'Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin'ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren'i Kristy tsy hita lany, 9ary ny hampahazava amin'ny olona rehetra ny fomba hanatanterahan'Andriamanitra ny tsiambaratelony. Hatrizay hatrizay dia voaafina tao amin'Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra, izany tsiambaratelo izany; 10fa ankehitriny kosa naseho tamin'ny alalan'ny Fiangonana izany, ka tonga fantatr'ireo fanapahana sy ny fahefana eny ana habakabaka ny fahendren'Andriamanitra, dia fahendrena mahefa zavatra tsy tambo isaina. 11Izany rahateo no fandaharana hatrizay hatrizay ka notanterahin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa Tompontsika. 12Ary isika efa tafaray amin'i Kristy dia manana ny fahasahiana manatona an'Andriamanitra amim-pahatokiana, noho ny finoana niainan'i Kristy. 13Koa izany no angatahako anareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriana manjo ahy hanasoavana anareo, fa misy vokany be voninahitra ho anareo izany.

vendredi 19 septembre 2014

Zoma 19 Septambra 2014 - Efe 1 : 3 - 14

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin'ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin'i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra. 4Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin'i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan'Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika, 5dia natokan'Andriamanitra isika mba ho Azy, mba ho tonga zanany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, fa izany no safidin'ny sitrapony. 6Hiderantsika an'Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin'ilay Zanany* malalany. 7Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan'Andriamanitra ny harem-pahasoavany, 8izay natosany be dia be tamintsika ka nahazoantsika fahendrena amam-pahalalana feno. 9Dia nampahafantarin'Andriamanitra antsika ilay tsiambaratelon'ny sitrapony, araka ny safidy noheveriny hotontosaina ao amin'ny Zanany. 10Eny, hotanterahiny mandra-pahatongan'ny fotoanandro farany izany tsiambaratelo izany: dia ny hampivondrona ny zavatra rehetra, ny any an-danitra sy ny eto an-tany, ao amin'i Kristy Filoha tokana. 11Tafaray amin'i Kristy izahay ka tonga anjara lovan'Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan'Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain'ny sitrapony. 12Hideranay an'Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an'i Kristy. 13Tafaray amin'i Kristy koa ianareo, satria efa renareo ilay hafatra marim-pototra, izany hoe ny Vaovao Mahafaly* izay nitondra ny famonjena taminareo, ary efa ninoanareo i Kristy. Ka dia nasiana tombokase maha fananan'Andriamanitra ianareo, tamin'ny nanomezana anareo ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina. 14Io Fanahy Masina io no antoka hahazoantsika ny lova natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany*, mba hahatanteraka ny fanavotana ireo olona natao mba ho fananan'Andriamanitra, hiderantsika ny voninahitr'Andriamanitra izany!

jeudi 18 septembre 2014

Alakamisy 18 Septambra 2014 - Lio 14 : 19 - 28

19Hoy kosa ny faharoa: «Misy omby folo vao novidiko izay, ka handeha hizaha azy aho; miangavy anao, aoka re mba tsy ho tsiniko!» 20Ary hoy indray ny fahatelo: «Vao avy nampaka-bady aho, ka noho izany tsy afaka mankany.» 21Dia niverina ilay mpiasa ka nanambara izany tamin'ny tompony. Nisafoaka ilay tompom-panasana ka nanao tamin'ilay mpiasa hoe: «Mandehana faingana ianao mankeny amin'ireo kianja sy araben'ny tanàna, ka ampandrosoy atỳ ny mahantra sy ny kilemaina mbamin'ny jamba sy ny mandringa.» 22Tsy ampy toy inona, dia hoy ilay mpiasa hoe: «Vita, tompoko, izay nodidianao hatao, kanefa mbola misy toerana ihany.» 23Ary hoy ny tompom-panasana tamin'ilay mpiasany: «Ny lalan-kely sy ny sisim-boly indray àry aleha, ka ataovy izay hidiran'ny olona atỳ mba ho feno ny tranoko!»

24Dia ireo nasaina tonga no nitenenan'ny tompom-panasana hoe: Eny, lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafoko ireo olona nasaina voalohany ireo na dia iray aza!

25Nisy vahoaka marobe niara-dia tamin'i Jesoa. Dia nitodika niatrika azy ireo i Jesoa ka nanao hoe:
26–Raha misy manatona Ahy, aoka ho tia Ahy mihoatra noho ny ray aman-dreniny sy ny vady aman-janany mbamin'ny mpiray tampo aminy, ary mihoatra noho ny tenany aza; fa raha tsy izany, tsy afaka ho mpianatro*. 27Izay tsy mizaka ny hazofijaliany ary tsy miaraka amiko, dia tsy afaka ho mpianatro.

28Raha misy aminareo te hanorina tilikambo, dia hipetraka izy aloha hitetika tsara izay ho lany, hahitany raha misy vola hanefana izany.

mercredi 17 septembre 2014

Alarobia 17 Septambra 2014 - I Tan 16 : 23 - 27

23Mihirà ho an'ny TOMPO, ry mponin'ny tany tontolo,
torio isan'andro isan'andro ny namonjeny antsika.
24Ambarao amin'ireo firenena ny voninahiny*,
lazao amin'ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony.
25Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra
sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.
26Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa,
fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.
27Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy,

mardi 16 septembre 2014

Talata 16 Septambra 2015 - I Kor 9 : 13 - 18

13kanefa dia hiseho ny asan'ny tsirairay amin'ilay andro fitsarana izay hampiharihary izany. Fa amin'ny afo no hisehoan'izany andro izany, ka dia hosedrain'io afo io ny asa vitan'ny tsirairay hahitana izay hamafiny. 14Raha asa mahatanty afo moa no narafiny teo ambony fototra, dia handraisany valisoa. 15Raha asa kilan'ny afo kosa, dia hahafaty antoka azy; kanefa ny tenany dia hovonjena ihany, saingy toy ny namakivaky afo. 16Tsy fantatrareo ve fa tempolin*'Andriamanitra ianareo ary ao aminareo ny Fanahin'Andriamanitra? 17Raha misy olona manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimbàn'Andriamanitra koa. Fa masina ny tempolin'Andriamanitra, ary ianareo no tempoliny! 18Aoka tsy hisy hamita-tena. Raha misy aminareo mihevi-tena ho hendry araka ny filamatr'izao tontolo izao*, aoka hanjary adala izy mba ho hendry.

lundi 15 septembre 2014

Alatsinainy 15 eptambra 2014 - Eks 15 : 1 - 10

1Noho izany dia nihira izao hira izao ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO i Mosesy sy ny Israelita ka nanao hoe:

Hihira ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO aho;
fandresena miezinezina no azony,
natsipiny any an-dranomasina
ny soavaly sy ny mpitaingina azy!
2Ny TOMPO no heriko ka hataoko an-kira,
tonga namonjy ahy Izy,
Izy no Andriamanitro, ka hoderaiko
izy no Andriamanitry ny razako, ka hankalazaiko.
3Mpiady mahery ny TOMPO;
mandia ny anarany hoe TOMPO.
4Fa navariny ao an-dranomasina
ny kalesy sy ny andian-tafiky ny Farao*,
ireo manam-boninahiny voafantina
nasitriny ao an-dranomasin'ny Volotara*.
5Nandrakotra azy ny ranobe:
nilentika any amin'ny farany ambany
toy ny vato alatsaka izy.
6TOMPO ô, malaza ho mahery
ny sandrinao ankavanana,
ka manorotoro fahavalo!
7Mahatalanjona ny fahalehibiazanao
fa manapotika ny mpanohitra Anao.
Alefanao ny fahatezeranao
ka mandoro azy toy ny mololo.
8Noho ny hamafin'ny fofonainao
dia nisavovona ny ranobe;
nivangongo toa rindrina ny onjan-drano;
teo amin'ny fanambanin'ny ranomasina
no nifitsaka ny alon-drano.
9Dia hoy ireo fahavalony hoe:
«Hoenjehintsika ireny ka hotratrarintsika,
halaintsika ho babo ka hanaranantsika fo;
hotsoahantsika ny sabatra,
ka hamongotra azy ny tanantsika.»
10Saingy natsokanao ny rivotrao,
dia norakofan'ny ranomasina ireo.
Nilentika ao anaty ranomody
toy ny vongam-piraka izy.

dimanche 14 septembre 2014

Alahady 14 Septambra 2014 - Lio 9 : 1 - 6

1Novorîn'i Jesoa ny 12 lahy, ka nomeny hery amam-pahefana hampiaiky ny demony* rehetra sy hahasitrana ny aretina, 2ary nirahiny hitory ny Fanjakàn'Andriamanitra* sy hanasitrana ny marary, 3sady nohafatrafarany hoe:
–Aza mitondra na inona na inona ianareo rehefa mandeha, na tehina, na kitapo, na sakafo, na vola, na akanjo hisoloana. 4Izay trano hampandrosoana anareo dia itoero, ka avy ao no miaingà hanohy ny dianareo. 5Izay rehetra tsy mandray anareo dia ialao ny tanànany; ka ny vovoka avy amin'ny tongotrareo ahintsano ho fiampangana azy.

6Dia lasa ireo mpianatra nitety isan-tanàna ka nanambara ny Vaovao Mahafaly* sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

samedi 13 septembre 2014

Sabotsy 13 Septambra 2014 - Asa 14 : 11 - 18

11Rehefa nahita izay vao nataon'i Paoly ny vahoaka, dia niantsoantso mafy tamin'ny fiteny likaônianina hoe:
–Naka endrik'olombelona ireo andriamanitra ka tafidina atỳ amintsika!

12I Barnabà moa nataon'ny vahoaka hoe Jopitera; ary i Paoly kosa nataony hoe Hermesy satria izy no mpandaha-teny. 13Ary ilay mpisoron'i Jopitera izay nanana ny tempoliny teo am-bavahadin'ny tanàna dia efa nitondra ombilahy voaravaka fehiloha voninkazo teo am-bavahady satria nikasa hanao sorona tamin'i Barnabà sy i Paoly izy mbamin'ny vahoaka.

14Fa nony nandre izany ireo apôstôly*, dia nandriatra ny fitafiany* ka nanao anjolofo nitsarapaka tao anaty vahoaka sady niantsoantso hoe:
15–Adray rey olona! Nahoana no manao izao ianareo? Olombelona tahaka anareo ihany izahay! Manambara ny Vaovao Mahafaly* aminareo izahay, ka manainga anareo handao ireto sampy tsy mahasoa ireto ary hitodika amin'ilay Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'ny zavatra rehetra ao aminy.16Tamin'ny andro lasa dia navelan'Andriamanitra samy hanaraka ny lalana mahadiavolana ny fony avy ny firenena rehetra; 17kanefa tsy navelan'Andriamanitra tsy hanana vavolombelona manambara Azy ny tenany amin'ny fanasoavana anareo: fa Izy no mandatsaka ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo hampahavokatra ny tany ara-potoana ary manome hanina anareo hameno fifaliana ny fonareo.

18Na dia niteny toy izany aza izy roa lahy, dia nananosarotra vao nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy.

vendredi 12 septembre 2014

Zoma 12 Septambra 2014 - Mar 1 : 9 - 15

9Tamin'izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanàna any Galilea i Jesoa ary nataon'i Jôhany batisa* tao Jôrdàna. 10Vantany vao niakatra avy ao anaty rano i Jesoa, dia nahita ny lanitra nitriatra sy ny Fanahy Masina nidina teo aminy tahaka ny voromahailala. 11Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
–Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako.

12Ary niaraka tamin'izay dia nasesiky ny Fanahy Masina hankany an-taniefitra i Jesoa 13ka nijanona efapolo andro tany, nalain'i Satàna* fanahy, niara-nonina tamin'ny bibidia, ary notompoin'ny anjely*.

14Ary naiditra am-ponja i Jôhany. Taorian'izay, dia nankany Galilea i Jesoa, nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly* avy amin'Andriamanitra 15ka nilaza hoe:
–Tonga ny fotoanandro; efa akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra*, ialao ny toe-dratsy ary minoa ny Vaovao Mahafaly.

jeudi 11 septembre 2014

Alakamisy 11 Septambra 2014 - Sal 71 : 14 - 24

14Izaho kosa hanantena Anao lalandava,
ary hampitombo ny fiderana Anao;
15isan'andro no hitanisan'ny vavako
ny fahamarinanao sy ny famonjenao,
na tsy voaisako avokoa aza ireny.
16Tompo ANDRIANANAHARY ô, hiditra ao an-tranonao aho,
satria Ianao nirotsaka an-tsehatra nomba ahy;
ary dia ny fahamarinanao irery no hotsahiviko.
17Hatry ny fony aho mbola tanora
no efa nampianarinao, Andriamanitra ô;
ary mandraka izao dia tsy mitsahatra
manambara ireo asanao mahagaga.
18Antitra sy fotsy volo aho ankehitriny,
nefa aza afoy, Andriamanitra ô;
enga anie aho ho afaka hanambara
ny asanao mahery vaika sy mahomby
amin'ireo tanora sy ny taranaka manaraka!
19Ambony dia ambony tokoa
ny fahamarinanao, Andriamanitra ô;
ary nahavita zava-baventy Ianao!
Tsy misy toa Anao, Andriamanitra ô.
20Fahoriana be sady mafy
no navelanao hihatra tamiko;
kanefa hovelombelominao indray aho,
ary hampiakarinao indray ho afaka
amin'ny fasana mampihitsoka.
21Dia mbola hampionona indray Ianao
ary hamerina amiko ny voninahitro.
22Izaho kosa hidera Anao amim-baliha
noho ny toetranao mahatoky, ry Andriamanitro ô,
sy hiredona salamo arahin-dokanga
ho Anao, ry ilay Masin'i Israely.
23Eny, hihorakoraka hihoby ho Anao aho
sady hankalaza Anao amin-java-maneno,
satria efa notsimbininao ny aiko.
24Isan'andro no hitanisako ny fahamarinanao,
satria efa menatra sy mangaihay
ireo olona nitady hanisy ratsy ahy.

mercredi 10 septembre 2014

Alarobia 10 Septambra 2014 - Asa 16 : 6 - 10

6Noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin'Andriamanitra tany Azia i Paoly sy ny namany ka nandeha namaky ny faritany Frijia sy Galatia. 7Nihazo ny faritany Mizia izy ireo ary nitady hankany Bitinia, kanjo tsy navelan'ny Fanahin'i Jesoa. 8Dia namaky an'i Mizia ry i Paoly ka nanitsy nankany Trôasy, tanàna seranana. 9Tamin'ny alina dia nisehoam-pahitana i Paoly: nisy lehilahy Masedônianina nijoro teo anatrehany, sady niangavy azy hoe: «Mità mankatỳ Masedônia, ka vonjeo izahay!» 10Tsy nangataka andro izahay taorian'izany fahitàn'i Paoly izany, fa nivonona hiainga ho any Masedônia, satria azonay antoka fa nantsoin'Andriamanitra hitondra ny Vaovao Mahafaly* amin'ny olona any izahay.

mardi 9 septembre 2014

Talata 09 Septambra 2014 - Lio 4 : 42 - 44

42Raha vao naraina ny andro, dia niala tao an-tanàna i Jesoa ary nankany amin'ny toerana mangina. Nokarohin'ny vahoaka i Jesoa, ary dia hitany ka nokasainy hotazonina tsy hiala teo aminy. 43Fa hoy i Jesoa taminy:
–Tsy maintsy anambaràko ny Vaovao Mahafaly* momba ny Fanjakàn'Andriamanitra* koa ny tanàna hafa, satria izany no nanirahan'Andriamanitra Ahy.

44Dia nitoriteny tao amin'ny sinagôga* eran'i Jodea Izy.

lundi 8 septembre 2014

Alatsinainy 08 Septambra 2014 - Sal 67 : 1 - 7

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira.*
Hampiarahina amin'ny valiha. Tononkira.

2Andriamanitra ô, mba iantrao sy tahio* izahay
ka enga anie hojerenao amin-kamoram-po!

3Dia ho fantatra eto an-tany ny fomba fiasanao
ary ho hitan'ny firenen-drehetra fa Mpamonjy Ianao.
4Andriamanitra ô, hidera Anao anie ny vahoaka,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!

5Aoka hifaly sy hihoby Anao ireo firenena
satria Ianao mitsara ny tontolo ara-drariny,
mitsara ny vahoaka araka ny hitsiny
sy mitondra ireo firenena eto an-tany!

6Andriamanitra ô, hidera Anao anie ny vahoaka,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!

7Indro ny tany nanome ny vokany,
fa Andriamanitra Andriamanitray
no efa nomba fitahiana anay.

dimanche 7 septembre 2014

Alahady 07 Septambra 2014 - I Kor 15 : 1 - 11

1Tiako hampahatsiahivina anareo, ry havako, ilay Vaovao Mahafaly* izay notorîko taminareo ka noraisinareo sady ifikiranareo. 2Izany Vaovao Mahafaly izany no amonjena anareo koa, raha tananareo araka ny nitoriako azy; raha tsy izany kosa dia ninonino foana ianareo. 3Izao no fampianarana isan'ny voalohany indrindra voaraiko ary nampitaiko taminareo: i Kristy dia maty ho fanalana ny fahotantsika araka ny voalazan'ny Soratra Masina*, 4nalevina, nitsangana velona tamin'ny andro fahatelo araka ny voalazan'ny Soratra Masina, 5ary niseho tamin'i Petera, vao tamin'ny 12 lahy. 6Manaraka izany, dia mpianany* mihoatra ny 500 no indray nisehoany: mbola velona mandraka androany ny ankamaroany amin'ireo, fa ny sasany ihany no efa nodimandry. 7Taorian'izay, dia nisehoany koa i Jakôba, vao ny apôstôly* rehetra. 8Ary faran'izy rehetra, mba nisehoany koa aho, izay toy ny zaza tsy tonga volana. 9Raha izaho manko dia faraidiny amin'ny samy apôstôly, ka tsy mendrika hantsoina hoe apôstôly satria efa nanenjika ny Fiangonan'Andriamanitra. 10Saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apôstôly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko. 11koa izany àry no torînay, na izaho na ry zareo; ary izany no efa ninoanareo.

samedi 6 septembre 2014

Sabotsy 06 Septambra 2014 - Isa 61 : 1 - 3

1Ny Fanahin'ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko,
satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy
mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny malahelo,
hanasitrana ny olona torotoro fo,
hanambara fanafahana ho an'ireo babo
sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,
2hanambara ny taona hanehoan'ny TOMPO fanambinana
sy ny andro hanafaizan'Andriamanitra ny fahavalony
ary hitondra fampaherezana ho an'ny misaona rehetra.
3Manao fisaonana an'i Tsiôna* ireo,
kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha
ho solon'ny lavenona amin'ny lohany,
hanome diloilo manitra ho solon'ny alahelo
sy fitafiana fitondra amin'ny fety
ho solon'ny toetra manjoretra.
Amin'izay no hiantsoana azy ireo hoe:
«Hazo vokatry ny fitahiana,
saha nambolen'ny TOMPO
mba hanehoany ny famirapiratany.»

vendredi 5 septembre 2014

Zoma 05 Septambra 2014 - II Tim 2 : 1 - 7

1Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny alalan'ny fahasoavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia ankino amin'ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa.
3Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran'i Kristy Jesoa.4Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin'ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin'izay mandatsaka azy hiantafika. 5Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. 6Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin'ny vokatra. 7Saino izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.

jeudi 4 septembre 2014

Alakamisy 04 Septambra 2014 - Sal 40 : 1 - 10

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'i Davida.

2Niandry ny Tompo am-paharetana aho
ka niondrehany ary nohenoiny taraina;
3nosintoniny avy tao an-davaka lalina aho,
nakariny avy tao amin'ny fota-mandrevo;
ny tongotro najorony tambony vatolampy
ka indro azo antoka sy matotra ny diako.
4Nasiany hira vaovao teo am-bavako,
dia hira fiderana an'Andriamanitsika!
Maro tokoa no hahita izany,
ka hanaja sy hatoky ny TOMPO.
5Sambatra ny olona manao ny TOMPO ho tokiny
ka tsy mba mirona velively amin'ny sampy
na miandany amin'ny mpanompo andriamani-tsiizy.
6TOMPO Andriamanitro ô, maro tokoa
ny zava-mahagaga izay nataonao;
ka tsy misy azo ampitahaina aminao!
Ary ny hevitra anasoavanao anay
dia maro loatra ka tsy tambo isaina,
tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.
7Nampahafantarinao ahy tsara tokoa
fa tsy sitrakao ny sorona* amam-panatitra;
tsy ilainao ny sorona* dorana manontolo
sy ny sorona fanalana ny ota.
8Ka hoy aho hoe: «Inty aho tamy!
Ao amin'ny bokin'ny Lalàna no ahitako
fa voasoratra izay tokony hataoko.»
9Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitro ô,
eny, ny hanao ny sitraponao no sitrako;
ary ny lalànanao* dia ato anatin'ny foko.
10Ny vahoakanao tafangona maro no hilazako
vaovao mahafaly ny amin'ny fanafahanao.
Indro tsy hangina mihitsy aho,
ary fantatrao izany, ry TOMPO ô!

mercredi 3 septembre 2014

Alarobia 03 Septambra 2014 - Lio 7 : 18 - 27

18Ary i Jôhany Mpanao batisa* nilazan'ny mpianany izany rehetra izany, ka niantso roa lahy tamin'ireo mpianany 19sy naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»

20Nony tonga tany amin'i Jesoa izy roa lahy, dia nanao hoe:
–I Jôhany Mpanao batisa no naniraka anay hankatỳ aminao hanontany hoe: «Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?»

21Tamin'izany indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro tamin'ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra ny jamba maro.

22Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe:
–Ndeha ambarao amin'i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra*, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly* ny mahantra. 23Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!

24Nony lasa ireto iraka, dia niteny momba an'i Jôhany tamin'ny vahoaka i Jesoa nanao hoe:
–Hizaha inona no nalehanareo tany an-taniefitra? Bararata hetsiketsehin-drivotra ve? Tsia! 25Fa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana sy manaram-po amin'ny fiainana, dia any amin'ny lapan'ny mpanjaka! 26Koa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Mpaminany* ve? Izany tokoa, hoy Aho aminareo, ary mihoatra noho ny mpaminany aza. 27Fa i Jôhany no ilay voalazan'ny          Soratra Masina* hoe:
        Indro alefako hialoha Anao ny irako,
        hoy Andriamanitra,
        mba hanomana ny lalan-kombànao!»

mardi 2 septembre 2014

Talata 02 Septambra 2014 - Asa 10 : 34 - 42

34Dia niteny i Petera ka nanao hoe:
–Azoko tsara ankehitriny, fa tsy mba mijery tavan'olona Andriamanitra. 35Eny, ankasitrahin'Andriamanitra avokoa izay olona manaja Azy sy manao ny rariny na aiza na aiza firenena misy azy. 36Fantatrareo ny teny nampitondrain'Andriamanitra ho an'ny vahoaka Israely*, anambaràny ny Vaovao Mahafaly*: dia ny fampihavanana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, ilay Tompon'ny olona rehetra. 37Fantatrareo ny zava-nitranga tany Galilea aloha ary dia nanerana an'i Jodea, taorian'ny toriteny sy ny batisa* nataon'i Jôhany: 38nandrotsahan'Andriamanitra ny herin'ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefàn'ny devoly*, satria nombàn'Andriamanitra Izy. 39Izahay dia vavolombelona nahita ny zavatra rehetra nataony manerana ny tanin'ny Jiosy sy tao Jerosalema. Io Jesoa io dia nahanton'ny olona tamin'ny hazofijaliana no namonoany Azy, 40nefa natsangan'Andriamanitra ho velona tamin'ny andro fahatelo. Nasehon'Andriamanitra miharihary Izy, 41tsy tamin'ny vahoaka ankapobeny fa taminay vavolombelona efa notendren'Andriamanitra mialoha hanambara an'i Jesoa. Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay taorian'ny nananganan'Andriamanitra Azy ho velona avy any amin'ny maty; 42ary nomeny baiko mba hitory amin'ny vahoaka sy ho vavolombelona manambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.

lundi 1 septembre 2014

Alatsinainy 01 Septambra 2014 - Rom 1 : 13 - 17

13Tiako ho fantatrareo, ry havana, fa matetika aho no manam-pikasana hankatỳ aminareo, saingy azon-tsampona ihany hatramin'izao. Te hahazo voka-tsoa eto aminareo koa manko aho toy ny tany amin'ny firenena sasany. 14Saingy ananako adidy avokoa na ny Grika na ny firenen-kafa, na ny manam-pahaizana na ny tsy nahita fianarana; 15hany ka maika erỳ aho hanambara ny Vaovao Mahafaly* aminareo atỳ Rôma koa.

16Fa tsy menatra ny Vaovao Mahafaly aho, satria io no herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena*. 17Eny, asehon'ny Vaovao Mahafaly fa ny aneken'Andriamanitra ny olona ho marina dia ny finoana, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: «Ny olo-marina noho ny finoana dia ho velona.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12