samedi 31 mai 2014

Sabotsy 31 May 2014 - Jao 3 : 5 - 15

5Ka novalian'i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra. 6Izay ateraky ny olombelona, dia olombelona; izay ateraky ny Fanahy Masina, dia fanahy. 7Aza gaga ianao raha nilazako hoe: «Tsy maintsy ateraka indray ianareo.» 8Ny rivotra dia mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany: tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy Masina.

9Dia niteny tamin'i Jesoa i Nikôdema nanao hoe:
–Hatao ahoana no hahatonga izany?

10Ka izao no navalin'i Jesoa azy:
–Mpampianatra eto amin'i Israely* ianao, ka tsy mahalala izany ve? 11Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay ary izay hitanay no ijoroanay ho vavolombelona, nefa tsy raisinareo izany fijoroanay ho vavolombelona izany. 12Raha nilaza taminareo ny zavatra etỳ an-tany Aho, dia tsy inoanareo; ka ahoana no hinoanareo Ahy, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? 13Ary tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona*. 14Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava varahina tany an-taniefitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona 15mba ho velona aina mandrakizay izay rehetra mino Azy.

vendredi 30 mai 2014

Zoma 30 May 2014 - II Mpa 2 : 6 - 14

6Ary hoy indray i Elià tamin'i Elisà:
–Mijanona eto re ianao, fa irahin'ny TOMPO hankany Jôrdàna aho.

Fa novaliany hoe:
–Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao!
Dia niara-nandeha izy mianaka. 7Nisy mpaminany dimampolo nanaraka lavidavitra an'i Elià sy i Elisà izay nijanona teo amoron'i Jôrdàna. 8Nalain'i Elià ny akanjobeny, dia nahorongorony ary nikapohany ny rano.

Dia nisaraka roa ilay rano ka nita tamin'ny tany maina izy mianaka. 9Rehefa samy tafita izy, dia hoy i Elià tamin'i Elisà:
–Angataho izay tianao hataoko aminao mialoha ny hanesorana ahy ho lavitra anao.

Ary hoy i Elisà:
–Mba te hahazo anjara roa amin'ny fanahinao re aho.

10Fa hoy kosa i Elià:
–Zava-tsarotra no angatahinao, kanefa raha voajerinao aho amin'iny hoesorina hiala aminao iny, dia ho azonao tokoa izany; fa raha tsy voajerinao kosa aho, dia tsy ho azonao izany.

11Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elià dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any.

12Rehefa nijery izany i Elisà, dia niantsoantso hoe:
–Ry dada ô, ry dada ô, mahery noho ireo kalesin'i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny ianao!
Nony tsy hitan'i Elisà intsony i Elià, dia notriariny* roa ny fitafiany. 13Ary nalainy ny akanjobe izay nilatsaka avy teny an-tsorok'i Elià; dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jôrdàna.

14Noraisin'i Elisà ilay akanjoben'i Elià ka nikapohany ny rano, sady nihiaka izy hoe:
–Aiza ny TOMPO Andriamanitr'i Elià? Aiza Izy?

Mba nikapoka ny rano koa i Elisà, dia nisaraka roa izany ary niampita izy.

jeudi 29 mai 2014

Alakamisy 29 May 2014 - Fil 2 : 5 - 11

5Aoka ho ao aminareo ilay toe-tsaina tao amin'i Kristy Jesoa:

     6Nananany hatrizay hatrizay ny toetra amam-pomba
     maha Andriamanitra
     nefa tsy noheveriny hoe tsy maintsy hifikirana ilay
     fitoviana amin'Andriamanitra.
     7Fa niendahany an-tsitrapo ny fiamboniany;
     ka naka ny toetra amam-pomba maha mpanompo Izy,
     tonga nitovy tamin'ny olombelona
     ary niseho sy hita ho olombelona.
     8Nanetry tena Izy ka nanaiky
     hatramin'ny fahafatesana,
     dia ny fahafatesana teo amin'ny hazofijaliana.
     9Izany no nanandratan'Andriamanitra Azy
     ho eo amin'ny toerana faratampony,
     sy nanomezany Azy ilay anarana,
     izay ambony noho ny anarana rehetra;
     10ka ho fanajana ny anaran'i Jesoa
     dia handohalika avokoa
     izay rehetra any an-danitra na etỳ an-tany na any
     ambanin'ny tany,
     11ary hiaiky avokoa ny fiteny rehetra
     fa «i Jesoa Kristy dia Tompo»,
     ho voninahitr'Andriamanitra Ray.

mercredi 28 mai 2014

Alarobia 28 May 2014 - I Mpa 21 : 15 - 29

15Rehefa ren'i Jezebela fa maty notoraham-bato i Nabôta, dia hoy izy tamin'i Ahaba:
–Mitsangàna ka alao ho anao ny tanimboaloboka izay tsy neken'i Nabôta hamidy taminao, satria tsy isan'ny velona intsony izy fa efa maty.

16Rehefa ren'i Ahaba fa maty i Nabôta, dia lasa izy nankany amin'ny tanimboalobok'i Nabôta ilay Jizrehelita mba haka izany.

17Fa nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elià avy any Tisbe nanao hoe:
18–Midîna mankany amin'i Ahaba mpanjakan'i Israely izay ao Samaria. Ao an-tanimboalobok'i Nabôta izy izao, satria lasa nankao izy mba haka izany. 19Koa teneno izy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: «Rehefa avy nahafaty olona ve ianao, dia mbola haka ny fananany koa!» Ary teneno indray izy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: «Eo amin'ny toerana izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabôta no hilelafan'ny alika ihany koa ny ranao.»

20Dia hoy i Ahaba tamin'i Elià:
–Mbola hitanao ihany va aho, ry ilay fahavaloko?

Ka novaliany hoe:
–Eny, mbola hitako ihany ianao satria efa nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO; 21fa izao no nambarany: «Hahatonga loza aminao Aho ka handringana anao tanteraka, hofongorako ny lehilahy rehetra amin'ny fianakavianao, na zaza izy na olon-dehibe. 22Hataoko tahaka izay nanjo ny taranak'i Jerôbohama zanakalahin'i Nebata sy ny taranak'i Bahasà zanakalahin'i Ahià ny taranakao, noho ny nampahaviniranao Ahy sy ny nampanotanao an'i Israely.»

23Niteny momba an'i Jezebela koa ny TOMPO ka nanao hoe: «Ary i Jezebela dia hohanin'ny alika eo akaikin'ny mandan'i Jizrehela.» 24Izay taminganao, ry Ahaba, ka maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika, ary izay maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina.

25Fa tsy nisy mihitsy olona tahaka an'i Ahaba izay nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO, satria nampirisihin'i Jezebela vadiny izy. 26Zava-maharikoriko loatra no vitany tamin'ny nanarahany ny sampy tahaka ny nataon'ny Amôrita izay noroahin'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita.

27Rehefa ren'i Ahaba izany, dia norovitiny ny fitafiany, ka gony no nanaovany manolo-koditra; dia nifady hanina izy sady nandry tamin'ilay gony ary namindra miadana dia miadana.

28Fa nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elià avy any Tisbe nanao hoe:
29–Moa hitanao izao fietren-tenan'i Ahaba eto anatrehako izao? Satria nanao izany izy, dia tsy hahatonga loza amin'ny fianakaviany amin'ny androny Aho, fa amin'ny andron-janany kosa.

mardi 27 mai 2014

Talata 27 May 2014 - Lio 15 : 24 - 32

25Sendra tany an-tsaha ilay zanany lahimatoa tamin'izay. Nony efa nody izy ka nanakaiky ny trano, dia nandre feon-java-maneno sy olona mandihy. 26Nantsoiny ny mpiasa anankiray ka nanontaniany ny anton'izany. 27Dia novalian'ilay mpiasa hoe: «Tonga ao ny rahalahinao ka nasain-drainao novonoina ilay zanak'omby nafahy satria tafaverina soa aman-tsara eto aminy ny zanany lahy!» 28Tezitra mafy ny lahimatoa sady tsy nety niditra an-trano. Ka ny rainy mihitsy no lasa tany alatrano hiangavy azy handroso. 29Fa hoy izy tamin-drainy: «Jereo ange! Taona firifiry moa izay no nanompoako anao ary tsy mbola nandika ny didinao na oviana na oviana aho; kanefa dia nofy izany hoe mba nomenao zanak'osy iray hiarahako mihinana sy mifaly amin'ny sakaizako. 30Fa nony tonga kosa io zanakao io, izay nahafongana ny fanananao tamin'ny vehivavy mpivarotena, dia amonoanao ny zanak'omby nafahy.» 31Ary hoy ny rainy taminy: «Ianao anie, anaka, dia eto amiko mandrakariva ary anao avokoa izay rehetra ahy. 32Fa tsy maintsy atao ny fihinanam-be aman-korana, satria io rahalahinao io: efa maty no velona indray, ary efa very no hita indray.»

lundi 26 mai 2014

Alatsinainy 26 May 2014 - Neh 5 : 1 - 13

1Indray andro dia nisy lehilahy sy vehivavy sarambabem-bahoaka nitaraina mafy noho ny ataon'ny Jiosy sasany mpiray firenena aminy. 2Fa nisy nanao hoe: «Maro izahay mbamin'ny zanakay lahy aman-janakay vavy; koa te hahazo vary izahay mba hohaninay sy hivelomanay». 3Nisy koa nanao hoe: «Ny sahanay sy ny tanimboalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka; koa te hahazo vary izahay mandritra ny mosary». 4Nisy indray nanao hoe: «Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran'ny amperôra; ary ny sahanay sy ny tanimboalobokay no nataonay antoka. 5Kanefa mba tahaka ireo mpiray firenena aminay ihany ny tenanay, ary tahaka ny zanak'ireo ihany ny zanakay; saingy na izany aza, dia voatery manolotra ny zanakay lahy sy vavy ho mpanompo izahay, ary ny sasany amin'ny zanakay vavy efa mpanompo rahateo. Tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan'ny hafa ny sahanay sy ny tanimboalobokay». 6Dia tezitra mafy aho rehefa nahare ny fitarainan'ny olona sy izany teny izany

. 7Koa nanapa-kevitra anakampoko aho fa ny loholona sy mpanapaka no hanariko noho izy samy nampanàna zavatra tamin'ny mpiray firenena aminy. Dia nampanao fivoriam-be hitsarana azy aho 8sady niteny taminy hoe:
–Izahay, araka izay tratry ny fanananay, dia efa nanavotra ny mpiray firenena aminay, izany hoe ireo Jiosy namidy tamin'ny hafa firenena; fa ianareo kosa mivarotra ny mpiray firenena aminareo, ka amintsika samy isika ihany no ivarotanareo azy.

Dia sina ry zareo fa tsy nahita havaly. 9Ary hoy koa aho hoe:
–Tsy tsara izao ataonareo izao! Moa tsy tokony niaina tamim-pahatahorana an'Andriamanitra ve ianareo mba tsy hiharan'ny fanaratsian'ireo hafa firenena fahavalontsika? 10Izaho sy ny havako ary ny mpanompoko dia efa nampisambotra vola sy vary, koa aoka re isika mba samy hamoy izany trosa izany! 11Eny, avereno amin'ny mpitrosa, izao anio izao ihany, ny sahany sy ny tanimboalobony mbamin'ny tanin'ôlivany sy ny tranony; ary afoizo ny tombon-tsoa ateraky ny vola mbamin'ny vary sy divay ary menaka izay nampisamborinareo.

12Dia hoy ireo hoe:
–Eny, hanao araka izay lazainao izahay. Hamerina izay nalainay izahay ary tsy hitaky na inona na inona amin'ny mpitrosa.

Dia niantso ny mpisorona aho ka teo anatrehany no nampianianako an'ireo mpampisambotra fa hanao araka izany toky nomena izany.

13Avy eo aho dia nanakopaka ny lambako sady niteny hoe:
–Ho tahaka izany anie no hanakopahan'Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy hahatanteraka izany toky nomena izany! Eny, ho voakopaka hiala amin'ny tranony sy ny fananany anie izy, ka ho tavela tsy hanana na inona na inona!

Dia ny fivoriam-be no indray namaly hoe «Amen*» sady nidera ny TOMPO; ary nanao araka izany toky nomena izany tokoa ny olona.

dimanche 25 mai 2014

Alahady 25 May 2014 - I Tim 6 : 3 - 10

Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ampirisiho. 3Raha misy manao fampianarana hafa, ka tsy manaiky ny teny tsy misy tomika nambaran'i Jesoa Kristy* Tompontsika sy ny fampianarana mifanaraka amin'ny fivavahantsika, 4dia mieboebo foana ary tsy mahalala na inona na inona, fa adalan'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny; vokatr'izany: fialonana, fifandirana, fanevatevana, ahiahy ratsy, 5ary fifanoherana tsy misy farany eo amin'ny olona efa ratsy saina sady efa tsy mahalala ny hafatra marim-pototra intsony. Heveriny fa ny fivavahana dia atao ho filàn-karena. 6Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an'ny olona mahay mianina amin'izay ananany; 7satria tsy nitondra na inona na inona isika nanketo amin'izao tontolo izao* ary tsy hahatondra na inona na inona miala eto. 8Koa rehefa mba manan-kohanina sy hitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany. 9Fa izay te hanan-karena, dia voan'ny fakampanahy sy ny fandriky ny filàna maro tsy misy antony sady manimba, izay mandetika ny olona hihitsoka ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana. 10Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ny olona sasany, fatra-pitady izany, dia efa tafavily niala tamin'ny finoana, ka nandefon-tena tamin'ny fijaliana maro.

samedi 24 mai 2014

Sabotsy 23 May 2014 - II Sam 12 : 1 - 15a

Tsy sitraky ny TOMPO anefa izany nataon'i Davida izany. 1Naniraka an'i Natàna mpaminany* ho any amin'i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe:
–Nisy lehilahy roa tao amin'ny tanàna iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra. 2Nanana ondry sy omby marobe ilay mpanankarena; 3fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavikely iray izay novidiny. Nofahanany tsara izy io, ka niara-nitombo tamin'ireo zanany tao aminy. Ny sakafo fihinan'ilay mahantra no nihinanany; ny ronono fisotrony no nisotroany; ary teo akaikiny no nampatoriany. 4Indray andro, nandray vahiny ilay manankarena. Tsy mba naka tamin'ireo omby aman'ondriny anefa izy hamahanany azy, fa ny ondrivavikelin'ilay mahantra no nalainy ka namboariny ho an'ilay vahiny.

5Tezitra mafy tamin'izany lehilahy izany i Davida ka nilaza tamin'i Natàna hoe:
–Velona ny TOMPO ka manizingizina aho fa mendrika ny ho faty izay olona nanao izany! 6Ary ny ondrivavikely dia hosoloiny avo efatra heny, satria nanao izany tsy nisy antra izy.

7Dia hoy i Natàna tamin'i Davida:
–Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: «Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin'ny famelezan'i Saoly. 8Natolotro hofehezinao ny fianakavian'i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefànao ny vahoakan'i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao. 9Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin'ny nanaovanao izay ratsy eo imasoko? Nasianao tamin'ny sabatra i Orià ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin'ny sabatry ny Hamônita. 10Noho izany, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin'i Orià ilay Hetita mba ho vadinao. 11Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin'ny ankohonanao Aho. Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary. 12Ary ianao nanao izany tao amin'ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason'i Israely manontolo.»

13Dia hoy i Davida tamin'i Natàna:
–Nanota tamin'ny TOMPO aho.

Ary hoy kosa i Natàna tamin'i Davida:
–Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon'ny TOMPO tamin'izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.
15Dia nody tany an-tranony i Natàna.

vendredi 23 mai 2014

Zoma 23 May 2014 - Mar 6 : 35 - 38

35Efa hariva ny andro vao nanatona an'i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe:
–Taniefitra ity toerana ity ary ny andro efa hariva; 36ka ravao ny olona mba handeha hividy sakafo eny amin'ny trano an-tsaha sy tanàna kely manodidina.

37Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Ianareo ihany no aoka hanome hanina azy.

Dia hoy ny mpianatra taminy:
–Ka handeha àry ve izahay hividy mofo denàry roanjato homena hohaniny?

38Fa hoy i Jesoa taminy:
–Misy mofo firy any aminareo? Ndeha hoe jereo.

Ka nony fantatry ny mpianany, dia hoy ireo hoe:
–Mofo dimy, ary koa trondro roa!

jeudi 22 mai 2014

Alakamisy 22 May 2014 - Heb 13 : 1 - 6

1Mifankatiava hatrany toy ny mpiray tampo ao amin'i Kristy*.2Tsarovy ny fampiantranoam-bahiny. Nisy tokoa izay mahavatra nanao izany ka hay anjely* aza no nampandrosoiny nefa tsy fantany. 3Tsarovy ny voafonja, ka hevero ho toy ny miaraka voafonja aminy koa ny tenanareo; tsarovy ny ampahorîna, ka hevero ho toy ny ampahorîna tahaka azy ireo koa ny tenanareo.
4Aoka samy hanaja ny fanambadiana, ary aoka tsy hifanitsakitsaka ny mpivady; fa hohelohin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy mpaka vadin'olona. 5Aza avela hahazo laka amin'ny fiainanareo ny fitiavam-bola; aoka ianareo hianina amin'izay anananareo, fa hoy Andriamanitra: «Tsy handao anao mihitsy Aho, ary tsy hahafoy anao velively.» 6Ka dia sahintsika ny manao hoe:
                     «Ny Tompo no mpanampy ahy,
                       ka tsy hatahotra aho.
                       Inona no ho azon'olona atao amiko?»

mercredi 21 mai 2014

Alarobia 21 May 2014 - Lev 19 : 9 - 13

9«Rehefa mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina ny salohim-bary natao hotsimponin'ny hafa amin'ny vokatrareo. 10Aza otazana koa ny sampaho tavela amin'ny voalobokareo, ary aza tsimponina ny voany latsaka amin'ny tany; fa avelao izany ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. 11«Aza mangalatra, aza mandainga, ary aza mifamitaka ianareo. 12Aza mianiana amin'ny anarako mba hamitahana satria manala baràka ny anarako izany. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. 13«Aza mamoritra ny namanareo hahazoana ny fananany, aza manendaka azy; ary aza tananao miloaka alina ny karaman'ny mpikaramanareo.

mardi 20 mai 2014

Talata 20 May 2014 - Mat 18 : 21 - 35

21Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa i Petera ka nanontany Azy hoe:
–Tompo ô, impiry moa aho no tokony hamela ny havana iray finoana raha diso amiko izy? Hatramin'ny impito ve?

22Dia hoy i Jesoa taminy:
–Tsy hatramin'ny impito ihany no lazaiko aminao fa hatramin'ny impitopolo impito!

23Koa amin'izany, ny Fanjakàn'ny lanitra* dia tahaka ny amin'ny mpanjaka anankiray izay te hampamoaka ireo mpanompony momba ny kaontim-bolany. 24Raha vao natomboka ny fampamoahana, dia nentina teo anatrehan'ny mpanjaka ity mpanompo izay nananany trosa denàry* enimpolo tapitrisa. 25Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain'ny tompony hamidy ho andevo ny tenan'ilay mpanompo mbamin'ny vady aman-janany ary hamidy koa ny fananany rehetra, mba handoavana ny trosa. 26Dia niantoraka sy niankohoka teo anoloan'ny mpanjaka ilay mpanompo sady nanao hoe: «Mba omeo andro re aho fa haloako avokoa ny anao!» 27Onena azy kosa ilay tompony ka namoy ny trosa taminy ary nandefa azy. 28Vao tafavoaka anefa ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany izay nananany trosa denàry zato. Noraisin'ilay mpampitrosa teo am-bozona izy, ka nokendainy sady nataony hoe: «Aloavy izay trosako aminao.» 29Dia niantoraka teo anoloan'ilay mpampitrosa izy sady nifona taminy nanao hoe: «Mba omeo andro re aho, fa haloako ny anao!» 30Tsy nety anefa ilay mpampitrosa fa lasa nampanao azy am-ponja mandra-pandoany ny trosa.

31Nalahelo mafy ireo mpanompo namany nony nahita ny zava-nitranga, ka lasa nitantara izany rehetra izany tamin'ny tompony. 32Dia nampanalain'ny tompony tamin'izay ilay mpanompo nananany trosa be ka noteneniny hoe: «Mpanompo ratsy fanahy ianao! Efa nafoiko avokoa ny trosako taminao, noho ianao nifona tamiko. 33Ka moa tsy tokony mba hamindranao fo koa ve ilay mpanompo namanao tahaka ny namindrako fo taminao?» 34Dia tezitra ny tompony ka nanolotra an'ilay mpanompo ratsy fanahy mba hatao am-ponja sy hampijalîna mandra-pandoany ny trosany manontolo.

35Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Ho tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny havanareo amin'ny fonareo tokoa ianareo.

lundi 19 mai 2014

Alatsinainy 19 May 2014 - I Kor 13 : 4 - 13

4Mahari-po ny fitiavana; be hamoram-po ny fitiavana; tsy mialona ny fitiavana, tsy mirehareha, tsy mieboebo, 5tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora sosotra, tsy manao an-dolompo, 6tsy mifaly amin'ny tsy rariny ataon'ny olona, fa mifaly amin'ny marina ataon'ny olona. 7Ny fitiavana no ahazakana ny zavatra rehetra ka ananana finoana sy fanantenana ary fandeferana amin'ny zavatra rehetra. 8Tsy manam-pahataperana ny fitiavana. Ho foana kosa rahatrizay ny filazana hafatra avy amin'Andriamanitra, hitsahatra ny fitenenana fiteny tsy fantatra, ho foana koa ny fahaizana; 9satria sombiny no zavatra haintsika, sombiny no hafatr'Andriamanitra voalazantsika. 10Fa rehefa mby amin'ny tanteraka, dia ho foana ny sombintsombiny. 11Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; rehefa tonga olondehibe aho, dia nariako avokoa ny fanaon-jaza. 12Ankehitriny tokoa dia mahita manjavozavo toy ny amin'ny fitaratra isika, fa rahatrizay vao hahita mifanatrika. Ankehitriny dia sombiny no zavatra fantatro, fa rahatrizay aho vao hahafantatra tsara toy ny ahafantaran'Andriamanitra ahy. 13Izao kosa dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin'ireo!

dimanche 18 mai 2014

Alahady 18 May 2014 - Hag 1 : 1 - 15

1Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariôsa, fony andro voalohan'ny volana fahenina, dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany*. Hafatra ho an'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela, sy ho an'i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jôtsadaky izany ka nanao hoe:

2–Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: «Ny vahoakan'ity firenena ity milaza fa tsy mbola tonga ny fotoana hananganana indray ny tranoko*.» 3Dia nisy indray tenin'ny Tompo tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany. Hafatra ho an'ny vahoaka izany ka nanao hoe: 4–Moa ve fotoana tokony hipetrahanareo amina trano voaravaka zava-tsarobidy ankehitriny, kanefa rava ity tempoly ity? 5Koa izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo: Hevero tsara ny manjo anareo. 6Namafy be ianareo nefa kely no jinjainareo; mihinana ianareo nefa tsy voky ary misotro nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy mafana; ary ny karaman'ny mpiasa dia mora lany toy ny amin'ny kitapo loaka.» 7Izany no ilazan'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo hoe: Hevero tsara ny manjo anareo. 8Miakara any an-tendrombohitra, dia makà hazo ary atsangano indray ny tranoko. Ho sitrako sady hahazoako voninahitra izany, hoy AHO aminareo. 9Vokatra betsaka no nantenainareo, nefa hitanareo fa kely no azo. Ary izay notaominareo dia notsofiko hiparitaka. Koa manontany hentitra anareo Izaho TOMPOn'izao rehetra izao hoe: Ahoana izany? Valiny: Satria rava ny tranoko nefa ianareo samy sahirana manao ny tranonareo avy. 10Izany no tsy nisian'ny orana latsaka na zavatra naniry. 11Nantsoiko ny fahamainana hamely ny tany: dia ny tendrombohitra, ny tanimbary sy ny tanimboaloboka ary ny tanin'ôliva sy ny tanimboly hafa; hahita faisana amin'izany koa ny olona mbamin'ny biby fiompy ary ny zavatra rehetra nisasaran'ny tananareo.»
12I Zerobabela zanakalahin'i Sealtiela ary koa i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jôtsadaky mbamin'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany dia nandray tsara ny tenin'ny TOMPO Andriamaniny, izay nampitain'i Hagay mpaminany araka ny efa nanirahan'ny TOMPO Andriamaniny azy; ary naneho fanajana ny TOMPO ireo olona ireo.

13Dia araka ny hafatra nampitondrain'ny TOMPO ho an'ny vahoaka no nitenenan'i Hagay iraky ny TOMPO hoe:
–Izaho no miaraka aminareo. Fampanantenana hentitra avy amiko TOMPO izany.
14Dia notairin'ny TOMPO ny risi-pon'i Zerobabela governoran'i Joda sy ny an'i Josoa mpisorombe ary ny an'izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany; ary dia rafitra ireo nanao ny tranon'ilay TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamaniny, 15tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariôsa, volana fahenina, andro faha-24.

samedi 17 mai 2014

Sabotsy 17 May 2014 - Gen 13 : 5 - 9

5Ary i Lôta izay niara-dia tamin'i Abrama koa dia nanana andian'omby aman'ondry sy tranolay maro. 6-7Noho ny hamaroan'ny olona sy ny biby fiompy, dia tsy ampy hitoeran'izy roa lahy miaraka ny tany satria mbola nonina tao koa ny Kanahanita sy ny Perizita. Koa nisy fifandirana teo amin'ny mpiandry* biby fiompin'i Abrama sy ny an'i Lôta.

8Dia hoy i Abrama tamin'i Lôta:
–Aoka tsy hisy fifandirana amintsika na amin'ny mpiandry ireo biby fiompintsika, satria olona mpihavana isika. 9Moa tsy eo anatrehanao ve ny faritra manontolo? Koa aoka hisaraka eto isika. Fa raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; ary raha hianatsimo kosa ianao, izaho hianavaratra.

vendredi 16 mai 2014

Zoma 16 May 2014 - Lio 16 : 18 - 31

19Nisy mpanankarena anankiray nanao fitafiana tsara tarehy sady lafo vidy ary nanaram-po tamin'ny hanim-py isan'andro. 20Nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalandotra teo anoloan'ny vavahadin'ilay mpanankarena. 21Satriny tokoa ny mba hivoky amin'ny sombintsombin-tsakafo latsaka avy amin'ny latabatr'ilay mpanankarena, saingy ny alika kosa no tonga nilelaka ny feriny. 22Maty ilay mahantra, ka nentin'ny anjely ho eo anilan'i Abrahama; maty koa ilay mpanankarena, dia nalevina. 23Raha ilay niferinaina tany amin'ny toeran'ny maty iny ilay mpanankarena, dia niandrandra ka tazany terỳ lavitra terỳ i Abrahama sy i Lazara teo anilany. 24Dia niantso izy nanao hoe: «Ry ikaky Abrahama ô, mamindrà fo amiko, iraho kely re i Lazara mba hanatsoboka ny loha fanondrony amin'ny rano hampangatsiatsiahany ny lelako, fa mijaly aho ato anaty lelafo ato.» 25Fa hoy i Abrahama hoe: «Anaka, tsarovy fa ampoky ny soa ianao fahavelonao, i Lazara kosa niaritra fahoriana; ankehitriny mandray fiononana izy atỳ ankoatra, ary ianao kosa mijaly. 26Sady izao koa, misy hantsam-be manelanelana antsika, hany ka izay te hiala etỳ hankeny aminareo tsy afa-manoatra, ary izay te hiala eny hanketỳ aminay tsy afa-miampita.» 27Dia hoy ilay mpanankarena hoe: «Miangavy anao àry aho, ry ikaky, mba iraho i Lazara ho any aminay, 28fa misy dimy lahy iray tampo amiko any. Aoka i Lazara hananatra azy mafy, mba tsy hahatonga azy koa amin'ity toeram-pijaliana ity!» 29Fa novalian'i Abrahama hoe: «Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany* izy, koa aoka ireo no hohenoiny.» 30Dia hoy ilay mpanankarena: «Tsy izany re, ry ikaky Abrahama, fa raha misy olona avy atỳ amin'ny maty miverina any aminy, dia hialan'izy dimy mirahalahy ny toe-dratsy!» 31Fa hoy i Abrahama: «Raha i Mosesy sy ny mpaminany tsy henoiny, dia tsy hiaiky izy na misy olona mitsangana velona avy any amin'ny maty aza.»

jeudi 15 mai 2014

Alakamisy 15 May 2014 - Jak 5 : 1 - 6

1Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo. 2Ny harenareo efa lo ary ny fitafianareo efa lanin'ny kadradraka. 3Ny volamena sy volafotsinareo efa harafesina, ary ny harafesiny dia vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo toy ny afo. Izao efa andro farany izao no nanangonanareo harena. 4Tsy voaloanareo akory ny karaman'ireo mpiasa nijinja ny taninareo, ka mitaraina ireo; ary ny fitarainan'ireo mpijinja dia efa mby ao an-tsofin'ny Tompon'izao rehetra izao. 5Niampoka ny soa sady niliba ianareo fahavelonareo tetỳ an-tany, ka dia efa nanatavy tena mba hajedaka amin'ny andro voatendry. 6Nohelohinareo ny olo-marina sady novonoinareo, nefa tsy manohitra anareo.

mercredi 14 mai 2014

Alarobia 14 May 2014 - Tit 1 : 5 - 9

5Navelako tany Kreta ianao mba handaminanao izay mbola tokony halamina ary mba hanendrenao loholom-piangonana isan-tanàna, araka ny fepetra nomeko anao: 6ny loholona dia tokony ho lehilahy tsy manan-tsiny, tsy mampirafy; ary ny zanany dia tokony ho mpino, tsy azo ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra. 7Eny, ny mpitondra Fiangonana dia mpandraharaha ny asan'Andriamanitra, ka tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpidoroka, tsy mahery vaika, tsy maloto fila harena; 8tokony hahay mandray vahiny, hankamamy ny toetra tsara, hahafehy tena, ho tia rariny, ho masina, hahonon-tena; 9ary tokony hitana mafy ny hafatra azo antoka mifanaraka amin'ny foto-pampianarana. Amin'izay, ny mpitondra Fiangonana dia ho afaka hampirisika momba ny fampianarana tsy misy tomika sady handresy lahatra ireo mpanohitra izany.

mardi 13 mai 2014

Talata 13 May 2014 - Eks 1 : 8 - 12

8Mpanjaka vaovao kosa no nanomboka nanjaka tany Ejipta tamin'izay ka tsy nahalala an'i Jôsefa. 9Hoy izy tamin'ny vahoakany:
–Jereonareo fa betsaka ny vahoaka israelita sady mahery noho isika. 10Koa tsy maintsy itadiavana tetika hamerana ny isany. Rehefa misy ady manko, dia homba ireo fahavalontsika izy ka hiady amintsika ary hiala ny tany.

11Dia nanendry lehiben'ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin'ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an'ny Farao*. 12Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran'ny Ejiptianina azy. 13Nampanompoin'ny Ejiptianina mafy tokoa ny Israelita 14sady nataony nangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy: dia ny mandona tanimanga sy manao biriky ary manao ny asa any an-tsaha rehetra. Izany hoe ny asa fanompoana isan-karazany no nanereny azy mafy tokoa.
Enjehin'ny Farao ny Israelita

15Nisy mpampivelona hebreo anankiroa nantsoina hoe Sifrà sy Pohà. Nandidy azy ireo ny mpanjakan'i Ejipta, 16ka nanao hoe:
–Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo, dia jereo ny zaza vao teraka; ka raha zazalahy dia vonoy ho faty, fa raha zazavavy kosa dia velomy.

17Natahotra an'Andriamanitra anefa ireo mpampivelona ireo ka tsy nanao araka izay nodidian'ny mpanjakan'i Ejipta, fa namela ireo zazalahy ho velona. 18Koa nampanantsoin'ny mpanjaka ireo mpampivelona ka nanontaniany hoe:
–Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka namela ireo zazalahy ho velona?

19Fa namaly ireo mpampivelona hoe:
–Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy.

20Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian'Andriamanitra soa ireo mpampivelona, 21ka nomeny fara aman-dimby satria natahotra Azy.

lundi 12 mai 2014

Alatsinainy 12 May 2014 - Jao 15 : 11 - 16

11Izany no voalazako taminareo, dia mba ho ao aminareo ny hafaliako ary mba ho feno ny hafalianareo. 12Izao no didiko: mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo. 13Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo: 15tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nampahafantariko anareo. 16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo sady nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan'ny vokatrareo; hany ka na inona na inona angatahinareo amin'ny Ray noho ny anarako, dia homeny anareo. 17Koa izao no andidiako anareo: mifankatiava ianareo.

dimanche 11 mai 2014

Alahady 11 May 2014 - Mar 10 : 35 - 45

35Fa nanatona an'i Jesoa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin'i Zebedeo ka nanao taminy hoe:
–Mpampianatra ô, irînay ny hanaovanao aminay izay hangatahinay aminao izao!

36Dia hoy i Jesoa taminy:
–Inona àry no irînareo hataoko aminareo?

37Ka novalian'izy mirahalahy hoe:
–Ny anankiray aminay mirahalahy mba hipetraka eo ankavananao ary ny anankiray eo ankavianao, rehefa heni-boninahitra Ianao.

38Fa hoy i Jesoa taminy:
–Tsy fantatrareo manko izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako, na ny hiroso amin'ny batisa hirosoako?

39Ka novalian'ireo hoe:
–Vitanay!
Dia hoy i Jesoa taminy:
–Ny fijaliana hiaretako dia hiaretanareo tokoa, ary ny batisa hirosoako dia hirosoanareo tokoa; 40fa izany hoe hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako izany kosa tsy miankina amiko, fa ho an'izay nanomanan'Andriamanitra azy.

41Nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin'i Jakôba sy i Jôhany. 42Fa nantsoin'i Jesoa hanatona azy izy rehetra ka nilazany hoe:
–Fantatrareo fa, eo amin'ny hafa firenena, ireo heverina hoe filohany dia manjakazaka; ary ny lehibeny dia manampatra fahefana. 43Tsy mba toy izany kosa eo aminareo; fa izay te ho lehibe eo aminareo dia ho mpiasanareo, 44ary izay te ho voalohany eo aminareo dia ho mpanomponareo. 45Satria tsy hotompoina no nahatongavan'ny Zanak'olona*, fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!

samedi 10 mai 2014

Sabotsy 10 May 2014 - Lev 25 : 35 - 38

35«Raha misy mihamahantra ny mpiray firenena aminareo, na ny vahiny valovotaka aza, ka tsy afa-manefa ny trosanareo, dia ampio izy mba hahazoany mivelona eo anilanareo. 36Aza maka zana-bola na tombony aminy; izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo sady hahazoany mivelona eo anilanareo. 37Aza asiana zana-bola raha mampisambotra vola aza ianareo, ary aza maka tombony raha mampisambotra hanina azy ianareo. 38Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba hanome anareo ny tany Kanahàna sady ho Andriamanitrareo.

vendredi 9 mai 2014

Zoma 09 May 2014 - Efe 4 : 31 - 32

31Aoka ianareo tsy ho mpanao an-dolompo, tsy ho vinitra, tsy ho mora tezitra, tsy ho avo vava, tsy hanevateva: esory lavitra anareo avokoa izany, miaraka amin'ny haratsiam-panahy isan-karazany. 32Fa aoka samy ho mora fo sy antra amin'ny namany avy ianareo; mifamelà heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra heloka anareo noho ianareo miray amin'i Kristy.

jeudi 8 mai 2014

Alakamisy 08 May 2014 - I Jao 3 : 13 - 17

13Aza gaga, ry havana, raha ankahalain'izao tontolo izao* ianareo. 14Fantatsika fa tafafindra avy tamin'ny fahafatesana mba hiditra ao amin'ny fiainana isika, satria tia ireo namana iray finoana. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany. 15Izay rehetra mankahala ny namany iray finoana dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiaina-maharitra mandrakizay mitoetra ao anatiny. 16Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: i Jesoa Kristy* dia nahafoy ny ainy hamonjeny antsika; ary isika koa dia mba tokony hahafoy ny aintsika hamonjena ny namana. 17Na iza na iza manan-karena eto amin'izao tontolo izao, ary mahita ny namany mahantra nefa mihirim-belona tsy mangoraka azy, ahoana no itoeran'ny fitiavan'Andriamanitra ao anatiny?

mercredi 7 mai 2014

Alarobia 07 May 2014 - Rom 13 : 8 - 14

8Aoka tsy hananan'olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna*. 9Satria ny hoe «aza maka vadin'olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin'ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin'ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.» 10Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalàna.

11Fantatrareo rahateo indrindra koa ny andro diavintsika. Izao no fotoana tokony hifohazanareo amin'ny torimaso; satria ankehitriny antomotra antsika kokoa ny famonjena, fa tsy tahaka ny tamin'ny andro vao ninoantsika. 12Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao àry ny asa fanao amin'ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin'ny mazava. 13Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin'ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana. 14Fa itafio ny fiadian'i Jesoa Kristy* Tompo, ka aza mety hotarihin'ny maha olona mpanota ho amin'ny filàndratsy.

mardi 6 mai 2014

Talata 06 May 2014 - Lio 6 : 32 - 36

 32Raha ny manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba tia izay manam-pitiavana azy! 33Ary raha ny manasoa anareo ihany no soavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba manao toy izany. 34Ary raha ny antenain-kamerina ihany no ampisamborinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba mifampisambotra hahazoana takalony. 35Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manasoava azy ary mampisambora tsy manantena valiny, dia ho lehibe ny valisoa miandry anareo; ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay mora fo amin'ny tsy mahay mankasitraka sy ny ratsy fanahy. 36Tsara fo ilay Rainareo: noho izany, aoka ianareo ho tsara fo tahaka Azy koa!

lundi 5 mai 2014

Alatsinainy 05 May 2014 - Fil 3 : 1 - 11

1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo, sady azonareo toky tsara amin'izay. 2Tandremo ny tenanareo amin'ireo mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ireo amboa, tandremo ny tenanareo amin'ireo manan-takaitra! 3Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana*, dia isika manompo an'Andriamanitra araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin'i Kristy* Jesoa fa tsy mitoky amin'ny fombafomban'olombelona. 4Kanefa mba manana izay ahafahako mitoky amin'ny fombafomban'olombelona ihany aho; ka raha misy olon-kafa mihevitra azy ho afa-mitoky amin'ny fombafomban'olombelona, mainka fa izaho. 5Voafora fony teraka herinandro aho; taranak'i Israely*; avy amin'ny fokon'i Benjamîna; hebreo ray, hebreo reny; ny amin'ny fitandroana ny lalàna* jiosy, dia Farisianina* aho; 6nafana fo tokoa aho tamin'ny maha Farisianina ahy, ka nanenjika ny Fiangonana; ny amin'ny maha olo-marina mpanara-dalàna, dia tsy misy hokianina aho. 7Kanefa ireo zavatra izay noheveriko ho tombony ho ahy ireo dia ataoko ho tsinontsinona kosa ankehitriny noho ny amin'i Kristy. 8Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin'ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an'i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin'i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an'i Kristy 9ary mba hahatafaray ahy aminy. Tsy manana fahamarinana avy amin'ny fanarahan-dalàna aho; fa ny finoana niainan'i Kristy no ahazoako fahamarinana, dia ilay fahamarinana avy amin'Andriamanitra ka miorina amin'ny finoana. 10Ny hany iriko dia ny hahalalako an'i Kristy, ka hahatsapako ny herin'ny fitsanganany ho velona sy hiombonako fijaliana aminy ary hanafahako Azy amin'ny fahafatesany; 11koa manantena aho amin'izany fa hahatratra ny zava-kendrena, dia ny hitsanganan'Andriamanitra ho velona avy any amin'ny maty.

dimanche 4 mai 2014

Alahady 04 May 2014 - Deo 8 : 7 - 20

7Tany soa no efa hampidiran'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo: dia tany misy renirano sy loharano ary rano mitoby anaty tany ka miboiboika eny amin'ny lemaka na eny an-tendrombohitra; 8tany vokatra varimbazaha sy vary ôrza ary koa voaloboka sy aviavy aman'ampongabendanitra; tany itobahan'ny menaka ôliva sy tantely; 9tany hahitanareo vy sy vato eo aminy ary hihadianareo varahina ny tendrombohiny. Hanaram-po hihinan-kanina ianareo sady tsy hanan-java-mahory akory eo amin'izany tany izany. 10Ary rehefa hihinana ka ho voky ianareo, dia hisaotra ny TOMPO Andriamanitrareo noho ny tany soa nomeny anareo. 11Kanefa tandremo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy tandremanareo ny didy sy ny fitsipika aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio. 12Eny, hihinana sy ho voky ianareo, hanao trano tsara hitoeranareo, 13hihamaro omby sy ondry aman'osy, hitombo volafotsy sy volamena, ary hiavosa fananana isan-karazany; 14saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo. 15Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin'ny vatolampy mafy indrindra. 16Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin'ny mana*, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay. 17Aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny tanjakay sy ny herinay no nahavorianay izao harena izao!»; 18tsarovy kosa fa ny TOMPO Andriamanitrareo no manome anareo ny hery hamoriana harena, ka mahatò tahaka ny amin'izao anio izao ny fanekempihavanana* izay nataony sady nianianany tamin'ny razambenareo. 19Fa raha hadinoinareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka andriamani-kafa no harahinareo sy hotompoinareo ary hiankohofanareo, dia milaza marimarina aminareo aho fa haringana mihitsy ianareo. 20Tahaka ny handringanan'ny TOMPO ireo firenen-tsamy hafa eo anoloanareo no handringanana anareo koa, satria tsy nohenoinareo ny feon'ilay TOMPO Andriamanitrareo.

samedi 3 mai 2014

Sabotsy 03 May 2014 - Lio 19 : 1 - 10

1Tafiditra tao Jerikao i Jesoa ary namakivaky ny tanàna. 2Ary indro nisy lehilahy atao hoe Zakeo, sady lehiben'ny mpamory hetra* no mpanankarena. 3Mba nitady hahita izany Jesoa izany izy, saingy fohy ka tsy afa-nanoatra satria nifanety ny vahoaka. 4Dia nilomay nialoha izy ka nianika hazo amontana mba hitazana an'i Jesoa, fa akaikin'izany no efa handalovany.
5Nony tonga teo i Jesoa, dia nitraka ary niteny tamin'i Zakeo hoe:
–Ry Zakeo, midîna faingana fa any aminao Aho anio no tsy maintsy miantrano.

6Nidina faingana i Zakeo ary nandray an'i Jesoa tamin-kafaliana. 7Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe:
–Any amin'ny mpanota indray re no amantanany!

8Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin'ny Tompo hoe:
–Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an'ny mahantra; ary izay zavatr'olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny!

9Ary hoy i Jesoa taminy:
–Anio ny famonjena dia tafiditra amin'ity trano ity; noho izany ity lehilahy ity koa dia zanak'i Abrahama! 10Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan'ny Zanak'olona*!

vendredi 2 mai 2014

Zoma 02 May 2014 - Mar 12 : 28 - 34

28Ary nisy mpahay lalàna* anankiray nahare izany ady hevitra izany sady nahita fa namaly tsara an'ireo Tsadoseanina* i Jesoa. Dia nanatona an'i Jesoa ity mpahay lalàna ka nanontany Azy hoe:
–Inona no voalohany amin'ny didy rehetra?

29Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Izao no voalohany: «Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no Tompo tokana.» 30Koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo, amin'ny sainao manontolo, ary amin'ny herinao manontolo. 31Ary izao no faharoa: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.» Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.

32Ka hoy ilay mpahay lalàna tamin'i Jesoa:
–Mpampianatra ô, tsara izany ary marina ny filàzanao fa tokana Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy. 33Ka ny mitia Azy amin'ny fo manontolo sy amin'ny saina manontolo ary amin'ny hery manontolo, sy ny mitia namana tahaka ny itiavana ny tena dia manoatra lavitra noho ny biby dorana eo amin'ny alitara* sy ny sorona isan-karazany.

34Nony hitan'i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena ilay mpahay lalàna, dia nilazany hoe:
–Tsy lavitra ny Fanjakàn'Andriamanitra* ianao!
Ary dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

jeudi 1 mai 2014

Alakamisy 01 May 2014 - II Tim 3 : 1 - 9

1Aoka ho fantatrao fa any am-parany any dia hisy fotoana sarotra; 2satria ho tia tena ny olona, ho matimatim-bola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpanevateva an'Andriamanitra, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay mankasitraka, tsy hanaja ny zavatra masina, 3tsy hifaditra ovana, tsy hitsimbina fihavanana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, hisetrasetra, hankahala ny tsara, 4ho mpamadika, ho kirîna, ho mpieboebo, hankamamy ny fahafinaretana toy izay hankamamy an'Andriamanitra, 5hitana ny endrika ivelany isehoan'ny fivavahana nefa mandà ny heriny. Halaviro ireny olona ireny! 6Fa isan'ireny izay misokosoko miditra an-tranon'olona ka mambabo vehivavy adala ivangongoam-pahotana sy ifandroritam-pilàna maro, 7vehivavy mianatra lalandava nefa tsy afaka hahalala ny fampianarana marim-pototra na oviana na oviana. 8Tahaka ny nanoheran-dry i Janà sy i Jambrà an'i Mosesy no anoheran-dry zareo ny fampianarana marim-pototra; fa ireo dia olona efa maloto saina, ary ny finoany efa tsy azo antoka. 9Kanefa tsy handroso intsony ireo, satria haseho amin'ny olona rehetra toy ny an'i Janà sy i Jambrà koa ny hadalàny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12