lundi 31 août 2020

Alatsinainy 31 Aogositra 2020 - Asa 21 : 10 - 14

 10Efa nitoetra tao andro maro izahay no nidina avy tany Jodea ny mpaminany anankiray, atao hoe Hagabo. 11Rehefa tonga teo aminay i Hagabo, dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly, ka nifatorany tongotra aman-tanana sady hoy izy hoe:

–Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, dia hafatotry ny Jiosy toy izao rehefa mby any Jerosalema ary hatolony eo an-tanan’ny hafa firenena.

12Nony nandre izany teny izany izahay sy ny havana iray finoana tao Kesaria, dia niangavy an’i Paoly tsy hiakatra any Jerosalema. 13Kanefa dia novaliany hoe:

–Nahoana no mitomany ianareo, ka mitady hanakivy ahy. Izaho dia tsy vonon-kifatotra ihany, fa vonon-ko faty koa any Jerosalema mba ho voninahitr’i Jesoa Tompo.

14Tsy naharesy lahatra azy izahay fa niala maina ka nilaza hoe:

–Hatao anie izay sitraky ny Tompo!

dimanche 30 août 2020

Alahady 30 Aogositra 2020 - Mar 10 : 32 - 34

 32Teny an-dalana miakatra ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany; ka i Jesoa no lohalalana, ary gaga ny mpianatra; ny olon-kafa tafara-dia tamin-dry zareo kosa raiki-tahotra. Dia nalain’i Jesoa ho eo aminy indray ny 12 lahy, ka nilazany an’izay madiva hanjo Azy:

33–Indro miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona dia hatolotra an’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna, hohelohiny ho faty; ry zareo kosa hanolotra azy amin’ny hafa firenena 34ka hoesoiny, hororany sy hokapohiny ary dia hovonoiny ho faty. Kanefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona Izy.

samedi 29 août 2020

Sabotsy 29 Aogositra 2020 - Job 2 : 1 - 10

 1Indray andro raha tonga nanao tatitra tamin’ny TOMPO ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tafaraka taminy teo koa i Satàna. 2Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna:

–Avy taiza moa ianao?

Dia namaly ny Tompo izy hoe:

–Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody tany aho.

3Hoy indray ny Tompo taminy:

–Efa nahita an’i Jôba mpanompoko ve ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany: lehilahy tsy misy hokianina sady mahitsy ary manaja Ahy izy ka mifady ny ratsy. Ary na dia nandrisika Ahy hamely azy tsy amin’antony aza ianao, dia mbola mahatoky ihany izy.

4Fa mbola namaly ny Tompo i Satàna ka nanao hoe:

–Hoditra solon’ny hoditra. Izay ananan’ny olona dia homeny hiarovany ny ainy. 5Fa ahinjiro aminy ange ny tananao ka kasiho ny taolany sy ny nofony e, raha tsy an-kitsirano izao no haniratsirany Anao!

6Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna:

–Indro eo am-pelatananao izy, ny ainy tokana ihany tsimbinina.

7Dia niala teo anatrehan’ny TOMPO i Satàna ka namely aretin-koditra mahatsiravina an’i Jôba hatreo am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany. 8Dia nitombina teo an-davenona i Jôba ary naka vakim-bilany tany hihaorany.

9Ary hoy ny vadiny taminy:

–Mbola mikiry amin’ny fahamarinanao foana ve ianao? Lavy Andriamanitra, dia matesa any ianao!

10Dia hoy i Jôba namaly azy:

–Miteniteny foana tahaka ny vehivavy adala ianao. Raha ekentsika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra tsara, nahoana no tsy ekentsika ny zavatra ratsy ho avy aminy?

Tamin’izany fitsapana azy izany, dia tsy mba nanota tamin’ny molony i Jôba na dia kely aza.

vendredi 28 août 2020

Zoma 28 Aogositra 2020 - II Tim 4 : 9 - 18

 9Ataovy mihitsy izay hahatongavanao faingana atỳ amiko. 10Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an’izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalônika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia. 11I Lioka no hany eto amiko. Alao i Marka ary ento miaraka aminao, fa afaka manampy ahy amin’ny raharaha izy. 12Nirahiko ho any Efeso i Tisiko. 13Rehefa mankatỳ ianao, dia ento ilay akanjobe tavelako tao amin’i Karpo tany Trôasy; ento koa ireo bokiko, indrindra ireo boky hoditra. 14Raha i Aleksandra mpanefy varahina, dia betsaka ny ratsy nafitsony ahy; ny Tompo no hamely azy araka izay vitany. 15Mitandrema koa ianao aminy, fa notoheriny mafy tokoa ny teninay.

16Fony aho nandaha-teny hiarovako tena tamin’ny voalohany, dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa ny olona. Tsy hotanan’Andriamanitra ho hadisoany anie izany! 17Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan’ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan’ny liona aho. 18Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra afitsoka ahy ny Tompo ka hampandroso ahy soa aman-tsara ao amin’ny Fanjakàny any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.

jeudi 27 août 2020

Alakamisy 27 Aogositra 2020 - Mat 25 : 14 - 23

 14Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ny lehilahy handeha any an-tany hafa, ka niantso ny mpanompony ary nametraka ny fananany taminy. 15Koa ny anankiray dia nomeny denàry 30 000, ny anankiray denàry 12 000 ary ny anankiray denàry 6 000, samy araka izay fahaizany avy. Dia lasa ralehilahy tompom-pananana nandeha any an-tany hafa. 16Avy hatrany ilay nandray denàry 30 000 dia nampiasa izany ka nahazo tombony denàry 30 000. 17Toy izany koa no nataon’ilay nandray ny denàry 12 000 ka nahazo tombony denàry 12 000. 18Fa ilay nandray denàry 6 000 kosa dia lasa nihady tany ka nandevina ny volan’ny tompony.

19Nony ela, dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nampamoaka azy telo lahy ny amin’ny petra-bolany. 20Dia nanatona ilay nandray denàry 30 000 ka nanolotra denàry 30 000 hafa koa sady nilaza hoe: «Denàry 30 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denàry 30 000 hafa tombony aho.» 21Dia hoy ny tompony taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin’ny zava-madinika ianao ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!» 22Dia nanatona koa ilay nandray denàry 12 000 ary nilaza hoe: «Denàry 12 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denàry 12 000 hafa tombony aho.» 23Dia hoy ny tompony taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin’ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!»

mardi 25 août 2020

Talata 25 Aogositra 2020 - Lio 16 : 9 - 13

 9Ka hoy Aho aminareo mpianatro: ampiasao ny haren’izao tontolo izao hananan-kavana handray anareo any amin’ny fonenana mandrakizay, rehefa tonga ilay andro hamoizana ireny harena ireny. 10Izay mahatoky amin’ny zava-madinika, dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe; ary izay tsy marina amin’ny zava-madinika, dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe. 11Raha tsy azo itokiana amin’ny haren’izao tontolo izao ianareo, iza no hametraka aminareo ny tena harena; 12ary raha tsy azo itokiana amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo ny fananana tena anareo?

13Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa: satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an’Andriamanitra no manompo ny harena.

lundi 24 août 2020

Alatsinainy 24 Aogositra 2020 - Asa 7 : 51 - 60

 51Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo. 52Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina. 53Nandray ny lalànan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny anjely ianareo, kanefa tsy nitandrina azy.

54Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin’ny Fitsarana ambony, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin’i Stefàna. 55Feno Fanahy Masina kosa i Stefàna ka nibanjina ny lanitra, nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa teo ankavanan’Andriamanitra, 56ary niteny hoe:

–Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak’olona mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.

57Dia nihoraka ireo tao amin’ny Fitsarana ambony sady vao mainka nanentsin-tadîny. Ary indray niantoraka teny amin’i Stefàna izy rehetra, 58ka nitarika azy tany ivelan’ny tanàna sy nitora-bato azy. Ary ny vavolombelona dia nametra-damba teo an-tongotr’izay tovolahy antsoina hoe Saoly izay. 59Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefàna kosa niantso ny Tompo nanao hoe:

–Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko!

60Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe:

–Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!

dimanche 23 août 2020

Alahady 23 Aogositra 2020 - Lio 9 : 18 - 22

 18Indray andro, nivavaka samirery tany amin’ny toerana mangina i Jesoa; dia tonga teo aminy ny mpianany, ka nanontanian’i Jesoa hoe:

–Iza moa Aho araka ny filàzan’ny olona?

19Dia novalian’ny mpianany hoe:

–Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra fahizay no miverina!

20Dia hoy i Jesoa taminy:

–Fa ianareo kosa, iza moa Aho aminareo?

Namaly i Petera ka nanao hoe:

–Ilay Mesia avy amin’Andriamanitra!

21Nofeperan’i Jesoa mafy anefa ireo mpianany tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza, 22sady nampiany hoe:

–Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka holavin’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.

samedi 22 août 2020

Sabotsy 22 Aogositra 2020 - Rom 8 : 31 - 39

 31Koa inona àry no mbola holazaintsika eo anoloan’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32Izy Ilay tsy nandala ny tena Zanany, ka nanolotra Azy ho famonjena antsika rehetra, moa ve Izy tsy hanome antsika maimaimpoana ny zavatra rehetra miaraka amin’ny Zanany koa? 33Iza no hiampanga ireo olom-boafidin’Andriamanitra? Tsy misy, satria Andriamanitra no efa nanaiky azy ireo ho marina! 34Iza no afa-manameloka? Tsy misy, satria i Kristy Jesoa efa maty sady efa nitsangana velona rahateo koa, ary mitoetra eo ankavanan’Andriamanitra ka mivavaka ho antsika!

35Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana ve, sa fihafiana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fahantrana, sa loza, sa fahafatesana? 36Araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:

«Noho ny aminao no anatrehanay fahafatesana tontolo andro; toy ny ondry hovonoina ny fihevitry ny olona anay!»

37Amin’izany rehetra izany anefa, dia tena mpandresy tanteraka isika, amin’ny alalan’Ilay efa tia antsika. 38Satria matoky aho fa tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavana asehon’Andriamanitra antsika; eny, na ny fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana na ireo hery eny ana habakabaka, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy, 39na zavaboaary inona, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavana asehon’Andriamanitra antsika ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

vendredi 21 août 2020

Zoma 21 Aogositra 2020 - Jao 16 : 25 - 33

 25–Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa ho avy ny vaninandro izay tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony fa hambarako tsotra aminareo ny momba ny Ray. 26Amin’izany andro izany dia hangataka noho ny anarako ianareo; ary Izaho tsy milaza hoe hangataka ho anareo amin’ny Ray, 27satria fatra-pitia anareo Izy. Eny, fatra-pitia anareo ny Ray, satria ianareo efa tia Ahy ary efa nino fa nivoaka avy any amin’ny Ray Aho. 28Nivoaka avy any amin’ny Ray Aho no tonga eto amin’izao tontolo izao; ary hiala eto amin’izao tontolo izao indray Aho, ka hankany amin’ny Ray.

29Dia hoy ny mpianatr’i Jesoa taminy:

–Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manana fanoharana akory. 30Fantatray izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy mila hanontanian’olona: izany no inoanay fa nivoaka avy any amin’Andriamanitra Ianao!

31I Jesoa kosa namaly azy hoe:

–Mino ve ianareo ankehitriny? 32Indro avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hielezanareo samy ho any amin’ny misy anareo avy, ary handaozanareo Ahy ho irery; kanefa tsy irery Aho, fa miaraka amiko ny Ray. 33Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!

jeudi 20 août 2020

Alakamisy 20 Aogositra 2020 - Apo 6 : 9 - 11

 9Rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin’ireo voavono ho faty satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Kristy ho vavolombelona. 10Ary niantso tamin’ny feo mahery izy rehetra nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô, rahoviana no hotsarainao ny mponina eny ambonin’ny tany ka hovalianao ny ranay nalatsany?» 11Dia samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina mbola niala sasatra fotoana fohy mandra-pahafeno ny isan’ireo mpanompo namany sy ireo havana iray finoana, izay efa hovonoina tahaka azy koa.

mercredi 19 août 2020

Alarobia 19 Aogositra 2020 - Mat 24 : 42 - 51

 42Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo. 43Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamîna. 44Noho izany, aoka ho vonona hatrany koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.

45–Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren’ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ny anjara sakafony ara-potoana? 46Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahita azy manao raharaha toy izany. 47Lazaiko marina aminareo fa hotendren’ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 48Raha ho ratsy fanahy kosa io mpanompo io ka hanao anakampo hoe: «Mbola haharitra ela ny tompoko», 49ary hihetraketraka amin’ireo mpanompo namany sady hanaram-po hihinana sy hisotro miaraka amin’ny mpimamo, 50dia ho tonga ilay tompony amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany. 51Hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin’ny mpihatsaravelatsihy; any izy no hitomany sy hikitro-nify.

mardi 18 août 2020

Talata 18 Aogositra 2020 - Jao 10 : 11 - 18

 11Izaho no Mpiandry tsara. Ny Mpiandry tsara no manolotra ny ainy hamonjena ny ondry. 12Ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry sady tsy tompon’ny ondry, dia mandao ny ondry sy mandositra raha vao mahita ny amboadia tamy; ka ny amboadia no misambotra ny ondry sy mampihahaka azy. 13Ny mpikarama no mandositra, dia satria mpikarama izy ka tsy raharahainy akory ny ondry. 14Izaho no Mpiandry tsara: fantatro ny ondriko ary ny ondriko mahafantatra Ahy, 15tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sady ahafantarako ny Ray; ary manolotra ny aiko Aho hamonjena ny ondry. 16Manana ondry hafa izay tsy avy amin’ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin’ny mpiandry tokana. 17Ny itiavan’ny Ray Ahy dia satria manolotra ny aiko Aho mba handraisako azy indray. 18Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa Izaho ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra ny aiko Aho, ary manana fahefana handray azy indray: izany didy izany no azoko tamin’ny Raiko.

lundi 17 août 2020

Alatsinainy 17 Aogositra 2020 - Oha 3 : 1 - 12

 1Anaka, aza manadino ny fampianarako;

ary aoka ho voatandron’ny fonao ny didiko.

2Fa andro lava sy taona maro iainana

ka hiadam-pinaritra hatrany

no ho vokatr’ireny ho an’ny tenanao:

3Aoka tsy hialanao mihitsy ny fitiavana sy ny toetra mahatoky;

kajio toa firavaka fiambozonanao izany,

ary soraty ao am-ponao toy ny amin’ny vatofisaka.

4Fa hahita sitraka sy fahombiazana ianao

eo imason’Andriamanitra sy ny olona.

5Matokia ny TOMPO amin’ny fonao manontolo,

fa aza miantehitra amin’ny fahakingan-tsainao.

6Mieke Azy amin’izay rehetra alehanao,

dia hatorony anao ny soritra harahinao.

7Aza manao ny tenanao ho hendry,

fa hajao ny TOMPO ka ialao ny ratsy.

8Hanasitranana ny tenanao izany

ary hamelombelomana ny taolanao.

9Anomezo voninahitra ny TOMPO ireo fanananao

sy izay voaloham-bokatrao rehetra.

10Dia ho feno vary mitafotafo ny sompitrao;

ary hihoatra ny barika fanantazanao azy ny divay.

11Anaka, aza hamavoinao ny famaizan’ny TOMPO

ary aza tofoka amin’ny fananarany.

12Fa izay tian’ny TOMPO no anariny

toy ny ataon-dray amin’ny zanany malala.

dimanche 16 août 2020

Alahady 16 Aogositra 2020 - Neh 3 : 33 - 38

 33Rehefa ren’i Sanebalato fa amboarinay indray ny manda, dia tezitra sady nisafoaka mafy izy; nihomehy anay Jiosy koa izy 34sady niteny teo anatrehan’ny namany sy ny miaramilan’i Samaria hoe:

–Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? Afaka hanamafy ny manda ve ry zareo ka hanolotra sorona amin’Andriamanitra? Hahavita asa anio ihany ve ireo ka hahatsangana ny vato avy amin’ny lavenona miavosa?

35I Tôbià, ilay Hamônita, dia teo anilan’i Sanebalato ka niteny hoe:

–Na fosa iray aza no miakatra eo amin’ny manda atsangan’ireo, dia haharava izany!

36Ary hoy aho hoe: «Mihainoa, ry Andriamanitray, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno aminy re ny latsa afitsony anay, ary aoka izy ho voatebaka any amin’ny tany izay hamaboana azy. 37Aza avela ny helony ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany, satria Ianao efa notevatevainy teo anatrehan’ireo mpandrafitra.»

38Dia narafitray ihany ny manda ka voatsangana manontolo hatreo amin’ny antsasaky ny haavony; fa nazoto niasa ny olona.

vendredi 14 août 2020

Zoma 14 Aogositra 2020 - Lio 11 : 47 - 51

 47Mampalahelo ianareo, fa anaovanareo rarivato ny fasan’ireo mpaminany izay novonoin’ny razanareo. 48Ny tenanareo ihany no vavolombelona manambara fa sitrakareo ny nataon’ny razanareo: ny razanareo moa namono, ianareo kosa manao rarivato. 49Izany no efa nitenenan’Andriamanitra araka ny fahendreny hoe: «Haniraka mpaminany sy apôstôly any aminy Aho: ka ny sasany amin’ireny hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny.» 50Koa hanadinan’Andriamanitra ny olona ankehitriny ireo mpaminany rehetra izay nalatsa-dra hatramin’ny nahariana izao tontolo izao, 51nanomboka tamin’i Abela ka niafara tamin’i Zakarià ilay novonoina teo anelanelan’ny alitara fisoronana sy ny Toeramasina. 

Eny, hoy Aho aminareo, hanadinan’Andriamanitra ny olona ankehitriny avokoa izany. 

jeudi 13 août 2020

Alakamisy 13 Aogositra 2020 - Apo 20 : 1 - 6

 1Ary hitako nisy anjely anankiray nidina avy tany an-danitra, izay nanana ny fanalahidin’ny hantsambe sy rojo vy lehibe teny an-tanany. 2Nosamborin’io anjely io ny dràgona, dia ilay bibilava fahizay (izany hoe ny devoly na i Satàna), ka nafatony arivo taona 3sy natsipiny tao amin’ny hantsambe. Dia nohidian’ilay anjely ny hantsambe ary nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hahazoan’ny dràgona mamitaka ireo firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa tsy maintsy hovahana mandritra ny fotoana fohifohy izy aorian’izany.

4Dia hitako nisy sezafiandrianana maro, izay nipetrahan’olona nomem-pahefana hitsara. Ary hitako ny fanahin’ireo notapahin-doha satria nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona sy nitory ny tenin’Andriamanitra: tsy mba nivavaka tamin’ny biby na tamin’ny sarin’ny biby ireo, sady tsy mba nandray ny marik’ilay biby teo amin’ny handriny na teo amin’ny tanany; efa velona ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona. 5(Fa ny sisa amin’ny maty dia tsy mbola velona, raha tsy efa tapitra ny arivo taona.) Izany no fitsanganana voalohany avy any amin’ny maty. 6Sambatra sy masina izay manana anjara amin’izany fitsanganana voalohany izany; tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana ireo, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy ho mpisoron’i Kristy, ka hiara-manjaka amin’i Kristy arivo taona.

mercredi 12 août 2020

Alarobia 12 Aogositra 2020 - II Tan 24 : 17 - 22

 17Rehefa maty i Jôiadà, dia avy ireo manampahefana tao Joda ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ho fiangaviana azy. Dia nihaino azy ny mpanjaka, 18hany ka nilaozan’ireo Israelita ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sy handalàny sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema. 19Ary nanirahany mpaminany izy mba hampiverina azy aminy; kanefa, na dia nananatra mafy aza ireo, dia tsy nety nihaino izy. 20Ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra kosa tamin’izay i Zakarià mpisorona zanakalahin’i Jôiadà, ka nitsangana teo amin’ny toerana avoavo manoloana ny vahoaka izy ary nanao taminy hoe: «Izao no lazain’Andriamanitra aminareo: ‹Nahoana no mandika ny didiko ianareo? Tsy ahitanareo fanambinana izany. Noho Izaho TOMPO efa nilaozanareo, dia mba handao anareo koa Aho!› »

21Dia nanao teti-dratsy nanohitra an’i Zakarià ny vahoaka, ary nitora-bato azy tao an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO, araka ny baikon’ny mpanjaka. 22Nohadinoin’i Jôasy mpanjaka tokoa ny soa nataon’i Jôiadà rain’i Zakarià, hany ka nampamono ho faty ity zanany lahy izy. Ary nony efa ho faty i Zakarià, dia niteny hoe: «Ny TOMPO anie hijery sy hamaly izao!»

mardi 11 août 2020

Talata 11 Aogositra 2020 - II Kor 6 : 1 - 10

 1Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy. 2Fa hoy Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina:

«Tamin’ny fotoana mety,
dia namaly ny antsonao Aho;
ary tamin’ny androm-pamonjena,
dia tonga namonjy anao Aho.»

Indro ankehitriny no fotoana mety amin’Andriamanitra; indro ankehitriny no androm-pamonjena.

3Mba tsy hahazoan’ny olona manakiana ny fanompoana sahaninay, dia tsy avelanay hisy zavatra mahasolafaka ny olona, na amin’inona na amin’inona. 4Fa ahariharinay kosa amin’ny zavatra rehetra fa mpanompon’Andriamanitra izahay, ka dia zakainay amim-pandeferana tokoa ny fahoriana sy ny fahaterena ary ny tebiteby: 5nokapohina izahay, nahiboka am-ponja, nianjadian-korontana, nampanaovina asa mafy, niari-tory ary nifady hanina. 6Ahariharinay fa mpanompon’Andriamanitra izahay amin’ny fahadiovan’ny toetranay, amin’ny fahalalànay, amin’ny faharetanay, amin’ny hamoram-ponay, amin’ny Fanahy Masina manentana anay, amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy asehonay, 7amin’ny fitorianay ny marina ary amin’ny hery omen’Andriamanitra anay. Izay rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena, 8na omem-boninahitra izahay na alàm-baràka, na ratsy laza izahay na tsara laza. Atao ho mpamitaka izahay nefa mpanambara ny marina, 9atao ho tsy fantatra nefa fantatra tsara, atao ho efa maty nefa dia izao velona izao. Faizina izahay, nefa tsy vonoina ho faty; 10na dia ampalahelovina aza izahay, dia faly mandrakariva; toa mahantra izahay nefa mampanan-karena olona maro; toa tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.

lundi 10 août 2020

Alatsinainy 10 Aogositra 2020 - Dan 3 : 13 - 18

 13Tezitra sy nisafoaka mafy i Nebokadnetsara ka nampanalainy i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo, 14dia nanontany azy i Nebokadnetsara hoe:

–Marina ve ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao fa tsy mety manompo ireo andriamanitro ianareo ary tsy mivavaka amin’ny sarivongana volamena izay natsangako? 15Ankehitriny, mivonòna ianareo, fa amin’ny fotoana izay handrenesanareo ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamin’ny valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia hiankohoka sy hivavaka amin’ny sarivongana izay nataoko ianareo; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay; ary iza no andriamanitra hahafaka anareo amin’ny fahefàko?

16Dia namaly i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ka nanao hoe:

–Ry Nebokadnetsara, tsy misy tokony hamalianay anao akory momba izany. 17Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin’ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin’ny fahefànao Izy, ry mpanjaka. 18Ary na tsy hataony aza izany, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa ireo andriamanitrao dia tsy hotompoinay ary ny sarivongana volamena izay natsanganao dia tsy hivavahanay.

dimanche 9 août 2020

Alahady 09 Aogositra 2020 -Heb 11 : 32 - 40

32Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany. 33Noho ny finoana dia nandresy fanjakana maro ireo, sy nampihatra ny rariny ka nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra; nanakombona ny vavan’ny liona ireo, 34namono ny afo midedadeda, tokony ho voan’ny sabatra nefa tsy voa, nalemy nefa tonga natanjaka, nahery an’ady ka nampandositra ny tafiky ny firenen-kafa. 35Noho ny finoana no nandraisam-behivavy ny zanany maty voatsangana ho velona indray.

Ny sasany nampijalijalîna ho faty nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hitsanganany ho velona aina tsara lavitra; 36ary ny sasany nesoina sy nokapohina mafy, ary nofatorana sy nahiboka am-ponja. 37Tao ireo maty notoraham-bato, tapa-droa notsofàna, novonoina tamin-tsabatra; tao ireo nafindrafindra monina nitafy hoditr’ondry na hoditr’osy, ka nahantra sy nampahorîna ary fadiranovana. 38Tsy mendrika hitoerany akory izao tontolo izao, ka nanjenjena tany an-taniefitra sy tany an-tendrombohitra ireo ary nonina tanaty zohy sy tanaty lavaka.

39Ireo olona rehetra ireo dia ny finoany no vavolombelon’ny mahatsara laza azy; kanefa, na dia izany aza, dia tsy mbola azon’ireo ny nampanantenaina azy. 40Fa Andriamanitra efa nanamboatra zavatra tsara lavitra ho antsika, mba tsy ho tonga amin’ny tanjona natao hiafarana ireo raha tsy efa mby eo koa isika.

samedi 8 août 2020

Sabotsy 08 Aogositra 2020 - Mar 13 : 5 - 13

 5Ka hoy i Jesoa taminy:

–Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo. 6Maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: «Izaho no ilay Mesia»; ary maro ny olona ho voafitany. 7Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra fa tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no ho farany. 8Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; hisy horohorontany amin’ny toerana samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.

9Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany. 10Kanefa tsy maintsy hotorîna amin’ny firenena rehetra aloha ny Vaovao Mahafaly. 11Rehefa hoentina hatolotra amin’ny mpitsara ianareo, dia aza manahy hoe inona no holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izay fotoana izay, lazaina; satria tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin’ny Fanahy Masina. 12Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy ray hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampanameloka azy ho faty. 13Hankahalain’ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; kanefa izay maharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.

vendredi 7 août 2020

Zoma 07 Aogositra 2020 - Apo 3 : 7 - 13

7–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia:
«Izao no lazain’ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha. 8Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy. 9Indro atolotro anao ny sasany avy amin’ireo olona mivavaka amin’i Satàna: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao. 10Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin’ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin’izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin’ny tany. 11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.

12«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin’ny tempolin’Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ilay tanànan’Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.

13«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana.»

jeudi 6 août 2020

Alakamisy 06 Aogositra 2020 - I Sam 22 : 11 - 23

11Koa nampiantsoan’ny mpanjaka i Ahimelèka mpisorona sady zanakalahin’i Ahitoba, mbamin’ny mpisorona rehetra tao amin’ny fianakaviany izay nipetraka tao Nôba; ary tonga niseho teo anatrehan’ny mpanjaka avokoa izy rehetra.

12Dia hoy i Saoly tamin’i Ahimelèka:
–Henoy àry, ry zanakalahin’i Ahitoba.


Ka novaliany hoe:
–Inty aho, tompoko.

13Dia hoy i Saoly taminy:
–Nahoana no nioko hanohitra ahy ianao sy ny zanakalahin’i Jisay. Nomenao mofo sy sabatra izy; ary nanontany ny Tompo ho azy koa ianao, mba hijoroany hanohitra sy hamandrika ahy tahaka izao anio izao.

14Hoy kosa no navalin’i Ahimelèka azy:
–Iza amin’ny mpanomponao rehetra ireo no mba mahatoky indrindra tahaka an’i Davida vinanton’ny mpanjaka, mpiambina ny tenanao ary nohajaina fatratra tao an-dapa? 15Ary moa sambany androany no nanontaniako ho azy tamin’Andriamanitra? Koa sanatriaviko ny hikomy aminao, ry mpanjaka! Aza ahiahînao aho mpanomponao na ny fianakaviako fa tsy mahalala na inona na inona momba izany rehetra izany aho.

16Fa hoy ny mpanjaka hoe:
–Ry Ahimelèka, tsy maintsy matiko ianao sy ny fianakavian-drainao manontolo.

17Avy eo dia hoy ny mpanjaka tamin’ny miaramila mpanotrona azy teo akaikiny:
–Ndeha vonoy ho faty ny mpisoron’ny TOMPO, fa niray tsikombakomba tamin’i Davida izy ireo, satria nahafantatra ny fandosiran’i Davida izy, kanefa tsy nampandre ahy.

Fa ny mpanompon’ny mpanjaka kosa tsy sahy nikasi-tanàna ny mpisoron’ny TOMPO. 18Koa hoy ny mpanjaka tamin’i Dôega:
–Mandehana vonoy ho faty ireo mpisorona ireo.
Dia lasa tokoa i Dôega ilay Edômita ka izy mihitsy no namono nahafaty ny mpisorona. Lehilahy 85 mpisalotra ny akanjo masina no matiny androtrio ihany. 19Ary i Nôba tanànan’ny mpisorona koa nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ka ringana avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy, na ny ankizy na ny zaza minono, na ny omby na ny boriky na ny ondry. 20Izany Abiatara zanakalahin’i Ahimelèka sy zafikelin’i Ahitoba izany ihany no hany afa-nandositra, ka namonjy nankany amin’i Davida. 21Nambaran’i Abiatara an’i Davida ny nandringanan’i Saoly ireo mpisoron’ny TOMPO. 22Ka hoy i 

Davida tamin’i Abiatara:
–Tamin’iny andro iny, dia hitako tsara fa tao Nôba koa i Dôega ilay Edômita, ka fantatro fa hitantara ny zava-drehetra tamin’i Saoly izy. Koa ny tenako no tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’ny fianakavian-drainao manontolo. 23Mitoera eto amiko ary aza matahotra; fa izay mitady ny ainao dia mitady ny aiko koa. Ho tsara antoka ianao eto.

mercredi 5 août 2020

Alarobia 05 Aogositra 2020 - Dan 6 : 17 - 25

17Tamin’izay dia nanome baiko ny mpanjaka mba halaina i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona. Dia niteny kosa ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniela hoe: «Andriamanitrao, Izay tompoinao fatratra, no hany hamonjy anao!»

18Dia nisy vato natampina ny vavan-davaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin’ny tombokaseny sy tamin’ny an’ireo olo-manan-kajany mba tsy hisy hovana ny amin’i Daniela. 19Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.

20Fa raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nifoha ny mpanjaka ka nandeha faingana nankany amin’ny lavaky ny liona. 21Ary raha nanatona ny lavaka izy, dia niantso an’i Daniela tamin’ny feo malahelo hoe:
–Ry Daniela mpanompon’Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao fatratra va afaka namonjy anao tamin’ny liona?

22Dia niteny tamin’ny mpanjaka i Daniela hoe:
–Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! 23Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny hanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka.

24Tamin’izay dia faly tokoa ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka i Daniela; rehefa tafakatra izy, dia tsy nahitana ratra akory satria natoky an’ilay Andriamaniny. 25Ary nanome baiko ny mpanjaka mba halaina ireo lehilahy izay niampanga an’i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona izy mbamin’ny vady aman-janany. Fa raha tsy mbola nipaka tamin’ny vody lavaka akory izy mianakavy, dia nifandrombahan’ny liona ka nopotipotehiny ny taolany rehetra.

mardi 4 août 2020

Talata 04 Aogositra 2020 - Fil 1 : 12 - 21

12Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly; 13ka ny ato an-dapa manontolo sy ny olon-kafa rehetra dia samy mahalala fa voafonja noho ny amin’i Kristy aho. 14Nony nahita ahy voafonja ny ankamaroan’ireo havana iray finoana, dia vao mainka nataon’ny Tompo feno fahatokiana ka mihasahisahy kokoa mitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin-tahotra.

15Eny, fialonana ahy sy fitia te hifanditra no itorian’ny sasany an’i Kristy, fa hitsim-po kosa no manentana ny sasany. 16Ireto dia asesiky ny fitiavana, satria fantany fa voatendrin’Andriamanitra hampandresy lahatra ny Vaovao Mahafaly aho; 17irerỳ kosa asesiky ny fifampiandaniana, ka tsy manambara an’i Kristy amin-kitsim-po, fa mihevitra hanampy trotraka ny fijaliako amin’izao maha voafonja ahy izao.

18Kanefa mampaninona moa izany? Amin’ny atao rehetra, na asesiky ny fihatsarambelatsihy na asesiky ny hevitra mahitsy, dia i Kristy no torîna, ka ifaliako izany; eny, hifaliako hatrany izany 19satria fantatro fa ho tonga famonjena ahy noho ny vavakareo ary noho ny fanampian’ilay Fanahy Masina nampanantenain’i Jesoa Kristy. 20Miandry sy manantena mafy tokoa aho, ka tsy hahazo henatra tsy akory; fa na ankehitriny aza, toy ny mandrakariva ihany, dia ho feno fahasahiana aho ka i Kristy no hankalazaina ao amin’ny tenako, na velona aho na maty. 21Fa amiko, dia i Kristy no fiainana; ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.

lundi 3 août 2020

Alatsinainy 03 Aogositra 2020 - Apo 2 : 8 - 11

–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Smirna:

8«Izao no lazain’ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray: 9Fantatro ny fahorianao sy ny fahantrànao, kanefa manankarena ianao. Fantatro ianao fa endrikendrehin’ireo milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsiizy fa olona mivavaka amin’i Satàna. 10Aza matahotra na inona na inona amin’izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.

11«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana.
«Izay maharesy dia tsy hiharan-doza avy amin’ny fahafatesana faharoa.»

dimanche 2 août 2020

Alahady 02 Aogositra 2020 - Asa 20 : 17 - 24

17Naniraka olona avy tao Mileto nankany Efeso i Paoly, hampaka ireo loholon’ny Fiangonana. 18Nony tonga teo aminy ry zareo, dia nataony hoe:

–Fantatrareo tsara ny fitondrantenako mandritra ny fotoana nahateto aminareo ahy, hatramin’ny andro voalohany nahatongavako tamin’ny faritany Azia. 19Nanompo ny Tompo tamim-panetrentena fatratra aho satria nianjadian’alahelo sy fitsapana noho ny fiokoan’ny Jiosy hamely ahy. 20Fantatrareo fa tsy mba nafeniko izay mahasoa anareo, fa notorîko sy nampianariko na vory vahoaka na isan-tokantrano. 21Ny Jiosy ary koa ny hafa firenena dia samy nijoroako ho vavolombelona ka notaomiko hiala tamin’ny toe-dratsy ka hitodika amin’Andriamanitra sady hino an’i Jesoa Tompontsika. 22Ary ankehitriny, indro aho teren’ny Fanahy Masina hankany Jerosalema, saingy tsy fantatro izay hanjo ahy any. 23Izao no hany fantatro: isan-tanàna alehako, dia ambaran’ny Fanahy Masina amiko fa fonja amam-pahoriana no miandry ahy. 24Kanefa tsy ataoko ho zavatra ny aiko mba hahatontosako hatramin’ny farany ilay hazakazaka imasoako sy hahatomombana ilay fanompoana nankinin’i Jesoa Tompo tamiko, dia ny ho vavolombelona hanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny fahasoavan’Andriamanitra.

samedi 1 août 2020

Sabotsy 01 Aogositra 2020 - Mat 2 : 13 - 15

13Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe:
–Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin’i Herôda ny zazakely mba hamonoany azy.

14Dia nifoha i Jôsefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny nankany Ejipta dieny mbola alina. 15Ary nitoetra tany i Jôsefa telo mianaka ambara-pahafatin’i Herôda; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:
«Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12