jeudi 30 novembre 2017

Alakamisy 30 Novambra 2017 - Sal 121 : 1 - 8

1 Hira fiakarana.
Manopy maso any amin'ireo tendrombohitra aho.
Avy aiza moa ny famonjena ahy?

2–Ny famonjena ahy dia avy amin'ny TOMPO,
Mpanao ny lanitra sy ny tany!
3–Tsy havelany ho solafaka anie ny tongotrao;
tsy ho rendremana anie ny mpiambina anao!

4–Tsia, tsy rendremana na matory
ny mpiambina an'i Israely.
5Ny TOMPO no mpiambina anao amin'ny alina;
ny TOMPO eo anilanao no fialofanao;
6ka tsy hamely anao ny masoandro, raha antoandro;
tsy hamely anao ny volana, raha alina.
7Ny TOMPO hiambina anao amin'ny ratsy rehetra;
eny, hiambina ny ainao Izy,
8hiambina anao mandroso sy miverina
manomboka izao ka ho mandrakizay!

Anisan'ny fihirana fanao rehefa fety lehibe ity Salamo ity. Miaraka amin'ny vahoaka voafidy hatrany ny Tompo ary misongadina ny toky hananan'izay miandry Azy.
Tompo miaro Izy :

1- Miaro andrò aman'alina nv Tompo (and 3-6)
Ny famonjena eto dia ìlay fiarovan'ny Tompo ny Sangonana ka tsy mahalany ritra azy. Andriamanttra Tompon'ny fotoana Izy, koa tsy mba misy fetra na fiatoana ny fombany ny vahoakany. Tahaka ny Fetin'ny Taranaka ka. mahatsiaro fa na dia eo aza ny elanelan-tany, ny tendrombohitra novakivakìana andrò aman'alina, dia teo nv Tompo niaro : ka afaka manao izany fivahiniana masina izany. Ny mpino koa amin'ny asa fitoriana amin'ny lalana Iavitra tsy maintsy aleha dia toky ho antsika ny Tompo fa hiaro na andrò na alina.

2- Hiaro nv fanahin'nv mpino nv Tompo (and.7-8)
Hìhaona any amin'ny Tempolin'i Jehovah ny mpino. Alohan'izany dia tiany raha miroso amin'ny fanadiovana ara-panahy hananany fahamasinana, satria masina Andriamanitra. Tsy ny eny an-dalana ihany no arovan'ny Tompo ny mino, fa amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra koa. Hita taratra ny fiarovan'ny Tompo ny fanahy amin'ny ratsy rehetra (and.7), ahatonga antsika hitana ny fìnoana na dia any am-pielezana aza. Izany no mahatonga antsika hijoro ka tsy ho menatra ho vavolombelon'ny Tompontsika.

Fanontaniana :
Rehefa fetin'ny taranaka, manao ahoana ny haben'ny fiderantsika ny Tompo?


mercredi 29 novembre 2017

Alarobia 29 Novambra 2017 - Amo 4 : 6 - 13

6Izaho mihitsy no efa nahatonga mosary
tao amin'ny tanànanareo rehetra,
ary tsy fahampian-tsakafo
tao amin'ny fonenanareo rehetra;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
7Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana
tsy ho eo aminareo,
raha mbola telo volana mialoha ny fararano.
Ka tamin'ny tanàna anankiray nandatsahako orana,
fa tamin'ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako;
ny saha anankiray nilatsahan'ny orana,
fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8Nivembena nankao amin'ny tanàna iray
ny mponina tamin'ny tanàna roa na telo
mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
9Nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra
sy maty fotsy ianareo;
nofongorako4.9 nofongorako: voambolana heverina ho mitombina; ny RM dia midika hoe mampitombo.  ny zaridainanareo sy ny voalobokareo,
nohanin'ny valala ny aviavinareo sy ny ôlivanareo,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy
tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta4.10 Jereo Eks 9.3.;
novonoiko ho faty tamin'ny sabatra ny zatovolahinareo,
sady nobaboina koa ny soavalinareo;
ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo
ny hamaimbon'ny faty ao an-tobinareo;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitry ny TOMPO izany.
11Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo
tahaka izay nataoko tamin'i Sôdôma sy Gômôra4.11 Jereo Gen 19.24-25.;
ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana
nosarihina avy ao amin'ny afo
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
12Koa dia hisy sazy hataoko aminao, ry Israely;
ary rehefa izany no hataoko aminao,
dia miomàna ianao hihaona amin'Andriamanitrao4.12 miomàna... Andriamanitrao: dkt hafa miomàna ianao hiseho fitsarana eo anatrehan'Andriamanitrao. .»
13Satria tandremo fa Izy no mpamorona ny tendrombohitra
sy mpahary ny rivotra,
Izy no manambara amin'ny olombelona ny fikasany,
mahatonga ny maraina ho haizina
sady mandeha eny am-paratampon'ny tany:
Ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao no anarany.

Niala tamin'ny Tompo ny vahoaka, mafy fo. in-5 ny teny hoe "nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo hoy i Jehovah" no hita eto, na dia efa niala nenina tamin'ireo famaizana isan-karazany aza ny Tompo.

1- Andriamanitra mahitsv nv Tompo (and. 12)
Na dia naseho teo amin'Isiraely avokoa aza ny karazana famaizana rehetra : tamin'ny tsy fahampian-kanina, tsy fahampian-drano, vary, areti-mandringana, afo mandoro dia mbola tsy niverina tamin'i Jehovah ihany i Israely. Ambaran'ny Tompo mazava eto fa misy valiny ny tsy fíverenana Aminy. Koa ny hamafin'ny hatoky ny Israely dia tsy maintsy hovalina, satria "satria hanao izany aminao Aho" (and. 12) hoy Izy. Mitaona antsika tsy hanamafy fo izany, ka hiverina amin'Andriamanitra. « Handinintena amin'ireo fampitandremana isan-karazany * efa nataon'ny Tompo ary hiverina Aminy 'ndrao "mba hanenina ny amin'ny loza Izy".

2- Andriamanitra mahefa nv zavatra rehetra ny Tompo (and.13)
Andriamanitra manambara ny Tenany no hita eto, ka miharihary ao amin'ny famoronana sy ny asany indrindra ny Anarany. Andriamanitry ny tontolo no miasa. Izany no tokony hatahorantsika Azy mandrakariva satria Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Izy. Amin'ny maha-Tsitoha Azy, dia tsy misy azo oharina na ampitahaina Aminy.

Fanontaniana :
Inona no mahatonga ny olona mafy hatoka ka tsy handray fananarana?

mardi 28 novembre 2017

Talata 28 Novambra 2017 - Asa 26 : 21 - 23

21Izany no nisamboran'ny Jiosy ahy raha tao an-kianjan'ny tempoly* aho, ary nitadiavany hamonoana ahy. 22Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola intỳ aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin'ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran'ny mpaminany* sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao: 23hijaly ny Mesia* ary Izy no ho voalohany hisantatra ny fitsanganan'ny maty* ka hitory fahazavana amin'ny vahoaka Israely* sy amin'ny hafa firenena

Mijoro ny mpanara-dia ny Tompo

1- Na dia enjehina aza (and.21)
Vanim-potoana mavaivay tamin'ny fanenjehana ny kristianina no indro i Paoly Apostoly mandahateny eo anatrehan'i Agripa mpanjaka. Manakaiky azy tanteraka ny loza sy ny fahafatesana amin'izany, satria ny hafa aza natao haza lambo, mainka fa ny Apostoly Paoly izay efa eo anatrehan'ny fîtsarana rahateo. Koa manambara ny fanenjehana sy ny físamborana ary ny fihendrena hahafaty azy ity, saingy noho ny fitahian'Andriamanitra no mbola mampijoro azy. Koa n'inona n'inona miseho eo amin'ny fiainantsika kristianina, azo itokiana fa ny fitahian' Andriamanitra no mampaharitra antsika.

2- Mba hanambara an'i Kristv (and.22-23)
Ny voalazan'ny lalàna sy ny mpaminany no votoatin'ny fanambarana, izay tsy iza fa i Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin'ny maty. I Paoly eto dia tsy sasatra manambara an'i Kristy. Tsy mandehandeha ho azy ny fîainantsika. Tsy misy hoe vintana sy anjara ny antony ahavelomantsika fa ho mpitory sy ho mpanambara an'i Kristy amin'ny androntsika rehetra, na ho lava na ho fohy ïzany. Tsy maintsy miainga amin'ny Tenin'Andriamanitra voasoratra ao amin'ny Soratra Masina hatrany anefa izany, mba ho marina ny fanambarana ataontsika.

Fanontaniana :
Efa nanomboka ny "iraka" ve ianao? Raha "Tsia", inona no antony? Raha "Eny". inona no mety hampijanona anao?

lundi 27 novembre 2017

Alatsinainy 27 Novambra 2017 - Apo 22 : 16 - 21

16«Izaho Jesoa dia efa naniraka ny anjeliko hijoro vavolombelona aminareo ka hanambara izany zavatra izany eo anivon'ireo Fiangonana. Izaho no solofo sy taranak'i Davida, ary kintana fitarikandro mamirapiratra22.16 Ampit Is 11.1, 10; Apôk 2.28; 5.5. –eo anivon'ireo Fiangonana: dkt hafa momba ireo Fiangonana. .»

17Ary hoy ny Fanahy Masina sy ny ampakarina hoe: «Avia!»
Izay mahare, aoka hanao hoe: «Avia!»
Izay mangetaheta, aoka ho avy; izay maniry ranovelona, aoka hanovo maimaimpoana amin'izany22.17 Ampit Is 55.1.!

18Izaho Jôhany dia manao fampitandremana amin'izay rehetra mandre ny teny faminaniana raketin'ity boky ity: raha misy manampy ireo, dia hampiharan'Andriamanitra ny loza voasoratra ato anatin'ity boky ity; 19ary raha misy manaisotra teny amin'ity boky faminaniana ity22.19 and 18-19: ampit Deot 4.2; 13.1., dia hoesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazo manome fiainana sy ny anjarany ao amin'ny tanàna masina* araka izay voasoratra ato anatin'ity boky ity.

20Hoy Ilay mijoro vavolombelon'ireo zavatra ireo hoe: «Eny, ho avy faingana Aho!»
Amen*! Avia, ry Jesoa Tompo22.20 Ampit 1Kôr 16.22 sy nta.!
21Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Tompo!



"Eny, avyfaingana Aho" and.
20 Ny fihavian'ny Tompo

1- Tenv fampanantenana
Antso ho amin'ny fitsaharana no ambara eto. Ny fiombonan'ny mpino na ny fiangonana, tahaka ny vady ampakarin'i Kristy, no miantso fitsaharana ka tsy hisy intsony ny ranomaso sy ny fahoriana. I Jesoa Ilay Andriamanitra faka sy taranaka avy amin'i Davida, no kintana mamirapiratra mandrava ny aliña ary hanambara ny maraina vaovao eo amin'ny fiainan'ny mpino. Fanantenana ny amin'ny hoavy any am-parany izany. Fanantenana hahafaka hetaheta ho an'ny fanahin'ireo mpino izany, dia ny hisotro ny onin'ny ranonain'ny fïainana mandrakizay (ampitahao Apo 22.1; Isa55.1-2).

2- Tenv fampitandremana
Tafîditra eo anelanelan'ny fampanantenan'i Kristy ny fampitandremana nataon'i Jaona (andl8-19). Mpanoratra fotsiny ihany anefa i Jaona fa ny Tompo mivantana mihitsy no efa nilaza izany hatry ny ela (Deo 4, 2; Jer 26, 2). Ambara eto ny fahefan'ny faminaniana amin'ny teny koa tsy azo ovana, na analana, na ampiana izany. Mifampiankina tanteraka ny famonjena sy ny fiankinana amin'ny Tenin'Andriamanitra. izay maharitra hatramin'ny farany amin'ny Teny no hovonjena.

Famontaniana :
Nahoana no mampatahotra ny olona ny fïavian'i Kristy?

dimanche 26 novembre 2017

Alahady 26 Novambra 2017 - Zef 3 : 14 - 20

14Mihobia, ry tanànan'i Tsiôna*!
Manaova firavoravoana, ry vahoakan'i Israely!
Mifalia sy mibitaha amin'ny fonareo manontolo,
ry mponin'i Jerosalema!
15Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana
izay nitambesatra taminareo;
Izy efa nampandositra ny fahavalonareo.
Ny TOMPO, mpanjakan'i Israely, no momba anareo
ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.
16Io andro io no hilazana amin'i Jerosalema hoe:
«Aza matahotra, ry tanànan'i Tsiôna,
aza miraviravy tanana!
17Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao;
mahery Izy ka hampandresy anao.
Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy;
ny fitiavany no anavaozany anao3.17 anavaozany anao: araka ny dkt tranainy grika; ny rijan-teny hebreo kosa manao hoe ho sondriana na hoe hangina. ;
noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy
18toy ny amin'ny andro fety.»

Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana,
hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.
19Indro tonga ny fotoana hamelezako
izay rehetra nampahory anareo.
Hotsaboiko ny maratranareo,
hampodîko ny voasesitany;
eny, havadiko ho voninahitra sy laza
ny fanaovana tsinontsinona anareo
tany amin'ny tany rehetra.
20Amin'izany fotoana izany tokoa
no hampodiako sy hamoriako anareo.
Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo;
homeko voninahitra sy laza ianareo
any amin'ny firenena rehetra eto an-tany.»

Ny fitsaran'Andriamanitra hatrany no mameno ny bokin'i Zefania, fa mivadika ho fitahiana sy tsodrano kosa izany manomboka eo amin'ny 3, 11. Ny fihavian'ilay Mesia no kihon-dalana manova izany: Ho avy ny Mesia

1- Hampodv nv fifaliana (and 14-17)
Na dia mitsara sy manasazy aza Andriamanitra, dia aseho kosa fa hifarana sy hitsahatra izany ka ny fahavalo sy ny Ioza hisolo fifaliana lehibe. Mitodika amin'ny firenena voafidy ny fifaliana tahaka ny ao amin'ny Zakaria 9, 11. Hiverina amin'ny laonina ireo fombam-pivavahana samihafa, izay tsy afaka natao fony babo, nefa ioharanon'ny fifaliana sy ny fiderana an'Andriamanitra. Omen' Andriamanitra fahafam-po mihitsy izy ireo, ka faly sy ravoravo amin'i Jehovah (Ampitahao Deo 30,9). Mety mihitsy ny mifaly sy midera an'Andriamanitra amin'izao fitsenana ny fahatongavan'ny noely izao.

2- Handray an-tanana ny vahoakanv (and 18-20)
I Zefania dia niezaka namaly ny fanontaniana hoe miraharaha ny olona ve Andriamanitra? Ambaran'i Jehovah mazava fa : hangoniko, hasiako, hovonjeko, hovoriko, hataoko, hitondrako,... hampodiako. Midika izany fa Izy Andriamanitra mivantana mihitsy no handray an-tanana ny fanarenana indray ny fiainan'ny vahoaka babo. Hitondra fanafahana tanteraka no hahatongavany. Tao amin'i Jesoa Kristy rahateo no fahatanterahan'ny Lio 4,8 fa "hitory fandefasana amin'ny mpifatotra sy ny fampahiratana ny jamba, hanafaka izay nampahoriana"

Fanontaniana :
Inona no anjara fankalazana noely omaninao dieny izao?

samedi 25 novembre 2017

Sabotsy 25 Novambra 2017 - Deo 2 : 26 - 27

26Avy teo an-taniefitra Kedemôta2.26 Io taniefitra io dia eo avaratra andrefan'ny ranon-driaka Arnôna. no nandefasako iraka hankany amin'i Sihôna, mpanjaka tao Hesbôna, ombàn'ny teny fihavanana hoe: 27«Aoka mba hamaky ny taninao izahay; ny lalambe ihany no halehanay ka tsy hivilivily ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia izahay.

Ny vavolombelona miandry ny Tompo dia :

1- Mankato nv baikon'ny Tompo
Tantaran'ny fisantaran'ny Zanak'Isiraely ny fandovana ny tany Kanana, ka nandreseny an'i Sihona mpanjakan'i Hesbona ity hita eto ity. Rehefa avy nivezivezy 38 taona tany an'efitra ny Zanak'Isiracly (and. 14), dia nodidian' Andriamanitra hisantatrany fandovana ny tany Kanana (and.24); saingy nanome baiko koa ny Tompo tsy hikasîhana ny tanin'ny Amonita izay taranak'i Lota (and. 19, 37) ary dia notanterahan'izy ireo antsakany sy andavany izany. Fahendrena teo amin'ny fifandraisana samihafa, na tamin'Andriamanitra na tamin'ny vahoaka, na tamin'ny firenen-kafa no nananan'i Mosesy, Tokana ihany no nibaiko azy dia hoe koa izay miandry ny Tompo dia tsy maintsy mankato ny Teniny.

2- Mahazo fandresena lehibe
Ankoatran"i Hesbona, dia tanàna maro no afaky ny Zanak'Isiraely hatrany Gileada, satria momba azy ireo Andriamanitra. Tsy tahak'ireo ray aman-dreniny izay ambaran'ny Soratra Masina hoe "taramba ratsy fanahy" (Deol, 35), ka nahatonga azy ireny ho ringana tany an'ady (Deol, 44) sy tsy nandova ny tany Kanana (Deo 2.15). Noho izany dia zava-dehibc ny fíandrasana ny Tompo sy ny fahatokiana azy, indrindra manoloana ireo ady samihafa izay atrehantsika kristianina. Antoka fa hampandresy antsika izao teny izao.

Fanontaniana :
Nahoana no mbola maro ny kristianina resy an'ady (adim- piainana, adin-tsaina, adim-panahy)?

vendredi 24 novembre 2017

Zoma 24 Novambra 2017 - Jak 5 : 7 - 11

7Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin'ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan'ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona5.7 Ampit Deot 11.14; Jl 2.23.. 8Mahareta koa ianareo; aoka ho feno herimpo, fa efa mby akaiky ny fiavian'ny Tompo. 9Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan'Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana. 10Ry havana, aoka ireo mpaminany* izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no hataonareo filamatry ny fifandeferana sy faharetana. 11Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan'i Jôba, ary fantatrareo izay nataon'ny Tompo ho azy tamin'ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo5.11 Jôba: jereo Jôb 1.20-22; 2.10. –satria... ny Tompo: ampit Sal 103.8..

In'enina miverina eto amin'ity mofonaina ity ny teny iray taríka amin'ny hoe "faharetana". Toetra fototra takina amin'ny mpino eo am-piandrasana ny Tompo izany.

Ny Kristiana maharitra

1- Maharitra amin'ny fanantenana (and.7-8)
Oharina amin'ny fíandrasan'ny mpiasa tany ny ranon'orana ny fiandrasantsika ny fíavian'i Kristy. Ny mpiasa tany dia maharitra miandry amin'ny fanantenana ny ranon'orana, na ho ela na ho haingana izany. Azony antoka mantsy fa tsy maintsy ho avy io, ary izany fanantenana izany no mafy orina ao anatiny. Tahaka izany koa isika kristianina, taomina hampiorina ny finoana amin'ny fanantenana ny fíavian'i Kristy na ho ela na ho haingana izany. Ka samy hampahery ny fony satria ao am-po no hiraketana izany finoana izany (Rom 10.10)

2- Maharitra amin'ny fahoriana (and.9-11)
I Joba eto no ohatra alain-tahaka ny amin'izany fahoriana izany. Izy dia olona tsy nanan-tsiny ary na dia efa tao anaty fahoriana mangidy indrindra aza izy, "dia tsy nanota" (Job 1, 22 /2.10). Koa toetra tokony hanananlsika ny faharetana amin'ny fahoriana, fa misy valiny lehibe izany (and 11). Ny Soratra Masina koa dia miteny hoe "ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana" Rom 5.4. Tsarovy fa i Jesoa Kristy koa no efa niharitra hatramin'ny fahoriana mangidy indrindra izay niafara teny amin'ny hazo fïjalîana.

Fanontanìana :


Hatraiza ny fetran'ny fahazakantsika fahoriana?

jeudi 23 novembre 2017

Alakamisy 23 Novambra 2017 - Kol 1 : 21 - 23

21Ianareo koa dia lavitra an'Andriamanitra fahiny sady fahavalony, noho ny ratsy nosaininareo sy nataonareo. 22Fa ankehitriny kosa, noho i Kristy niharan'ny fahafatesana tao amin'ny vatany mety maty, dia namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra1.22 namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra: misy stf sasany ahitana hoe nampihavanina tamin'Andriamanitra indray ianareo.  mba hahatonga anareo ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany. 23Kanefa tsy maintsy maharitra amin'ny finoana ianareo, ka miorina sy mitombina tsara, ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana vokatry ny Vaovao Mahafaly* efa renareo. Izaho Paoly dia efa tonga mpanompon'izany Vaovao Mahafaly izany, dia ilay notorîna tamin'ny olona rehetra eto ambanin'ny lanitra.

Manoloana ireo fampianaran-diso marobe tany Kolosia izay manohitra sy manda ny maha-Kristy an'i Jesoa, dia miezaka manao fampianaram-pinoana i Paoly Apostoly.

I Kristy no fampihavanana

1- Nandrav antsika ho masina (nnà2l-22)
"lanareo olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy" dia midika fa nisaraka, tapaka, nisintaka ary nankahala an'Andriamanitra noho ny fahotana ny olona. Midika ho fanovana na fanesorana hatramin'ny fakany ny hevitry ny fampihavanana eto. Koa noho ny fahotana dia lavitra an'Andriamanitra ny olombelona, fa noho ny fahafatesan'i Jesoa Kristy teo amin'ny hazo fijaliana kosa dia ovana akaiky Azy isika. Miara-maty Aminy ary miara-hatsangana amin'i Kristy ny mpino, ka manjary masina tahaka Azy (Efe 1.4).

2- Mampaharitra amin'ny finoana (and.23)
Izay resy lahatry ny fampihavanana ataon'i Kristy ihany no manam-pinoana sy maharitra amin'izany. Ny faharetana sy fiorenana ao amin'i Kristy Ilay fanorenana tsara indrindra (1 Kor 3. 11), no kitro ifaharan'ny fitoriana ny Filazantsara maneran-tany sy hanaovan'ny mpino ny asa fanompoana. Vokatra madiodion'ny fiovam-pon'ny mpino, araka izany, ny asa fitoriana fa tsy haitraitra na filàna raharaha tsy akory. Ny fiainan'ny mpino mihitsy no miova ho vaovao (2 Kor 5, 17). ka mibaiko azy amin'ny fitiavan'i Kristy ary mitarika azy ho amin'ny asa tsara samihafa.

Fanontaniana :
Nahoana no misy kristiana tsy mety manao tafika masina?

mercredi 22 novembre 2017

Alarobia 22 Novambra 2017 - Sal 20 : 6 - 9

6Dia hanaovanay fihobiana
ny fandresena ho azonao;
ary hahofahofanay ny faneva
ho voninahitry ny Andriamanitsika.
Eny, hotanterahin'ny TOMPO anie
izay rehetra angatahinao aminy!
7Fantatro izao ankehitriny fa ny TOMPO
manome fandresena ny mpanjaka nohosorany;
avy any an-danitra toeramasiny
no amaliany ny vavaka ataony,
ka ny herin'ny tanany ankavanana
no anolorany fandresena ho azy.
8Ny an'ny sasany, ny kalesiny no itokiany;
ny an'ny hafa, ny soavaliny no iankinany;
ny anay kosa, ny anaran'ny TOMPO Andriamanitray
no hany hery ianteheranay.
9Koa ireny mitolefika sy mianjera,
fa izahay kosa maharitra mijoro.

Mialoha sy aorian'ny ady ataon'ny vahoaka voafídy dia manandratra vavaka izy ireo. Ity Sal 20 ity, ohatra, no fanao alohan'ny ady raha toa ka ny Sal 21 no fisaorana aorian'ny ady. Aseho fa an' Andriamanitra ny ady fa ny mpanjaka dia mpitarika ary ny vahoaka no miaramilany.

Jehovah no Mpamonjy

1- Ho an'izav matokv Azv
Ny famonjena ambara amin'ity toko ity dia fandresena amin'ny ady amin'ny fahavalo. Ny mpanjaka izay misolo tena ny vahoaka manontolo no miantehitra amin'i Jehovah. Ny fahefana rehetra izay misy na ara-piarahamonina na ara-poütika dia samy manaiky fa tsy noho ny tanjaka manokan'ny tena, na noho traikefa an'ady, na ny fahaizana ara-diplómatika no mitondra fadresena, fa ny fahatokiana amin'Andriamanitra irery ihany. Ataon'Andriamanitra miavaka amin'ny manodidina izay matoky Azy. Miantso ny mpitondra rehetra hiantehitra amin'Andriamanitra.

2- Ho an'izay mangataka Aminy
Vavaka no ifampiresahan'ny vahoaka voafídy amin'i Jehovah Mpamonjy. Ny and.9 dia midika koa hoe : "Omeo fandresena ny mpanjaka, ka mamalia anay". Ny fifandraisana tsy tapaka amin'Andriamanitra no antokv nv fandresena. Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka no hamaly ka hitondra fandresena tsy ho an'ny mpanjaka ihany fa ho an'ny vahoaka iray manontolo mihitsy. Latsaka an- katerena ny firenentsika, andeha isika hitalaho famonjena amin'Andriamanitra Mpamonjy antsika izay manóme fandresena.

Fanontaniana:
Ahoana ny vavaka efa nasandratrao ho an'ny firenena?

mardi 21 novembre 2017

Talata 21 Novambra 2017 - Lio 21 : 25 - 28

25–Hisy famantarana koa eny amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana21.25 Ampit Is 13.10; Ezek 32.7; Jl 3.3-4.; ary etỳ an-tany dia ho ory sy ho very hevitra ny firenena noho ny ranomasina hikotrokotroka sy hanonja izaitsizy. 26Hisy olona ho fatin'ny tahotra sy ny fanahiana izay hanjo ny tany tontolo, satria hihozongozona ny herin'ny habakabaka. 27Amin'izay no hahitana ny Zanak'olona* tamy voahodidin-drahona sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe21.27 Dan 7.13.. 28Raha vao miantomboka anefa izany zavatra izany, dia mitrakà ianareo ary andrandrao ny lohanareo fa efa antomotra ny fanavotana anareo.

"Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-keiy sy voninahitra ¡ehibe izy" and. 2 7

Ny fihavian'ny Zanak'Olona, dia :

1 - Amin'ny famantarana lehibe
Famantarana Iehibe avy any an-danitra no hiseho (and. 11) ary i Matio sy i Marka no manazava kokoa fa ny masoandro hohamaizinina, ny volana tsy hahazava ary ny kintana hiraraka avy any an-danitra. Fanamafísana ny efa voalazan'ny faminaniana tany aloha izany (Isa 13,9-10; Joe2.10), ary hotanteraka araka ny voalazan'ny fahitana ao amin'ny Apo 6,12-13. Fahariana vaovao eo amin'ny tany sy ny lanitra no hiseho amin'ny fíhavian'i Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra. Isika mpino ihany koa dia hiatrika izany fanavaozana lehibe izany.

2 - Amin'ny herv sy voninahitra lehibe
Ny rahona no hisolo ny kalesy fítondran'ny mpanjaka (Sal 104, 3). Maneho ny fanatrehan'Andriamanitra ny vahoakany ny rahona tao amin'ny Testamenta Taloha. Amin-kery sy voninahitra Iehibe no hisehoan'i Kristy manoloana izany rehetra izany, ka ny firenena sy ny fokom-pirenena rehetra ambonin'ny tany na ny mino na tsia dia hiondrika eo anatrehany avokoa (Dan7, 13-14). Hoavy Izy hanavotra ny olony sy hanarina ny tany rava ary hametraka ny fanjakany, satria nv fanjakan'izao tontolo izao dia efa lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay" Apol 1, 15

Fanontaniana:
Nahoana ny olona no matahotra ny fiavian'ny Tompo?

lundi 20 novembre 2017

Alatsinainy 20 Novambra 2017 - Tit 2 : 11 - 15

11Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra. 12Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an'Andriamanitra sy handà ny filàn'izao tontolo izao*, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao. 13Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan'ny voninahitr'i Jesoa Kristy*, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika2.13 I Jesoa Kristy, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika: dkt hafa ilay Andriamanitra lehibe sy ny voninahitr'i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. . 14I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara2.14 Ampit Sal 130.8; Ezek 37.23; Eks 19.5; Fifan 14.2; 1Pt 2.9; Ef 2.10..

15Izany lazaina sy ananarana ary andresena lahatra ombàn'ny fahefana rehetra anananao. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao.

Avoitran'ny Apostoly Paoly amin'ity Epistily ity ny momba ny fahasoavan'Andriamanitra:

1- Handavana nv ratsv rehetra (and. 11-12)
Famonjena ny olona rehetra ny fahasoavan'Andriamanitra. koa aharihary eto ny tsy tokony hatao ka holavina, toy ny toe-panahy tsy araka an' Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao. Mazava kosa anefa ny tokony hatao, ka harahina dia ny fivelomana araka ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra. Ny fahatongavan'i Jesoa Kristy hamonjy sy hanadio ny mpanota no tena fahasoavana lehibe indrindra.

2- Hiandrasana ny Voninahitr'i Kristy (and. 13)
Tokana ato amin'ny Testamenta Vaovao sy amin'ny Baiboly manontolo mihitsy ny filazana fa Andriamanitra Lehibe i Jesoa Kristy. Koa ho fitsenana izany Voninahitra lehibe loatra izany no antony namonjena antsika, ka nandrotsahany ny fahasoavany amintsika. Ny mpino no hitsena azy, ka ho lavorary ilay vavaka fanaontsika hoe : "ho longa anie ny Fanjakanao".

3- Marikv nv fanolorantenan'i Kristv (and.14)
 Lafinv roa mazava tsara ny fanoloratenan'i Kristy dia ny fanavotana sy ny fanadiovana. Nv manana antoka ihanv no mahazo ireo fahafahana ireo, koa ny ran'i Jesoa Kristy teo ambony hazo fijaliana irery ihany no antoka lehibe indrindra mahafapo ny fitsaran'Andriamanitra. (Ampitahao Marka 10.45). Raha izany, isika koa andeha, "mba atolotrareo ny tenananareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra" Romana i2.la.

Fanontaniana :
Ahoana ny hevitrao, fahasoavana ve ny fahazoana harena?

dimanche 19 novembre 2017

Alahady 19 Novambra 2017 - Isa 25 : 9 - 12

9Amin'izany andro izany no hilazana hoe:
«Indro ny Andriamanitsika.
Nanantena Azy isika, hany ka novonjeny.
Eny, Izy no TOMPO nantenaintsika,
koa mifalia sy miravoa isika fa novonjeny!
10Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity
ny tanam-piarovan'ny TOMPO!»

Fa i Môaba kosa hohosihosena eo amin'ny toerany
toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano25.10 Ny amin'i Môaba dia jereo Is 15.1 sy nta..
11Ao izy no hitsiparaka tanana
toy ny fanaon'ny mpilomano;
nefa hampietry ny avonavon'i Môaba ny TOMPO
na dia eo aza ny hamailaky ny tanany.

12Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Môaba,
dia efa nazeran'ny TOMPO sy narodany
ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka.

Vao omaly no nahitantsika fa midika fanantenana ny fiandrasana an'i Jehovah. Koa misongadina eto :

Ilay Andriamanitry ny fanantenana,

1- Mitondra famonjena
Any am-pahababoana ny vahoakan'i Joda no ampanantenana fa ho avy ny Mpanjaka hanafaka azy ireo (24, 23). Sary ilazana ireo fahavalo rehetra manodidina ihany i Moaba, koa na dia manana manda sy fiarovana mafy sy avo aza ireny, dia tsy hisv hahajanona eo anatrehan'i Jehovah. Tsy fandresena ho an'ny vahoakan'i Joda fotsiny, araka izany, fa fandresen'Andriamanitra mihitsy. "Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?"

2- Mitondra fifaliana
Tsy afa-misaraka amin'ny fahazoana Mpanjaka ny fety lehibe ombam-pifaliana (ISam 11,15 ; IMpa 1, 25). Na dia babo aza dia ampanantenana fanasana lehibe ao an- tendrombohitra Ziona: hisotro divay efa niotrika ela, hihinana ny matavy, tsy hisy ranomaso, ho foana ny fahafatesana (and 6-8). Sarin'ilay fiainana mandrakizay ao amin'ny Tompo no ambara eto. Endriky ny fahasoavan' Andriamanitra atolotra ny mpino izay mahatoky sy marina ao aminy ny fifaliana maharitra sy mandrakizay ary santarina dieny ankehitriny. Koa manana fanantenana ary "aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika".

Fanontaniana:
Inona no fanantenana ampanantenan'Andriamanitra eto?

samedi 18 novembre 2017

Sabotsy 18 Novambra 2017 - Sal 27 : 7 - 14

7TOMPO ô, mba henoy ny feoko
raha miantso vonjy aminao,
ary iantrao aho ka valio.
8«Ndeha ianao, hoy ny foko amiko,
ndeha ianao mitady ny TOMPO.»
Izany indrindra no itodihako aminao.
9Koa aza mihodina amiko Ianao,
aza mandroaka ahy an-katezerana,
fa Ianao no efa namonjy ahy.
Aza arianao aho ary aza ilaozanao,
fa Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.
10Raha nandao ahy ny ray aman-dreniko,
Ianao kosa, TOMPO ô, no nandray ahy.
11TOMPO ô, asehoy ahy ny lalana soritanao;
noho ny amin'ireo fahavaloko,
dia tariho amin'ny lala-mahitsy aho.
12Aza avela hanaram-po amiko ireo mpandrafy ahy,
fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kamely
sy mifofofofo erỳ mba hiampanga ahy.
13Inona ny amiko raha tsy natoky aho
fa hahita ny hatsarampon'ny TOMPO
eto amin'ity tany iainantsika ity?

14Mahandrasa ny TOMPO ianao!
Matanjaha ary mahereza fo;
eny, mahandrasa ny TOMPO!

Niharan'ny fanenjehana ihany koa I Davida, Mpanjaka ary voamarika amin'ny tononkira Salamo izany. Manoloana ny fanenjehana dia :

1- Mitadiava ny tavan'Andriamanitra (and.7-10)
Ny tavan'Andriamaiiitra dia hentitra ilazana ny fanatrehan' Andriamanitra na maneho ihany koa ny maha-Izy Azy an'Andriamanitra. Koa ny fitadiavana ny tavany dia maneho fìombonam-piainana feno amin' ny Tompo. Na ireo sokajin'olona akaiky toy ny ray aman-dreny aza mety dia mety hiala, fa rehefa miombom-piainana Aminy kosa isika dia tsy handao mihitsy na hahafoy akory Izy.

2- Araho ny lalàn'Andriamanitra (and.11-12)
Ny fiverenana amin'ny Tenin'Andriamanitra irery ihany no lalana marina tokony hizoran'ny mpino manoloana ny fanenjehana. Ny Teniny mantsy no amantarana ny sitrapony, ka ampandeferana ny sìtrapon'ny tena. Tsarovy mandrakariva ny manontany sitrapon'Andriamanitra araka ny Soratra Masina rehefa tojo ady sarotra.

3- Manantenà an'Andriamanitra (and.13-14)
Ny fiandrasana an'ì Jehovah hamonjy amin'ny fahavalo (and. 14), dia mifono fanantenana mandrakariva. Alefa mialoha eto ny fanantenana fa hoavy ny Tompo hiantsehatra, ka hamonjy amin'ny tanan'ny fahavalo. Ny fiandrasana ny fiavian'ny Mesia dia fanantenana lehibe ho an'ny mpino fa mitondra famonjena tokoa Izy. Ankehitriny dia mbola amin'ny fanantenana no hiandrasantsika azy ho avy amin'ny Voninahitra lehibe rahatrizay.

Fanontaniana :
Inona no fihetsika ataonao rehefa misy manenjika anao?

vendredi 17 novembre 2017

Zoma 17 Novambra 2017 - Sal 119 : 33 - 40

33TOMPO ô, atoroy ahy ny lalànanao ho sori-dàlako
mba hanarahako azy hatramin'ny farany.
34Ataovy mahira-tsaina aho hanarahako ny lalànanao,
sy hitandremako azy amin'ny foko manontolo.
35Ampizory amin'ny sori-dàlan'ny didinao aho,
satria izany no fahafinaretako.
36Ampirony amin'ny baikonao ny foko
fa tsy amin'ny fitiavan-karena.
37Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana;
velomy amin'ny sori-dàlanao aho.
38Tovy amin'ny mpanomponao ny hafatrao
izay nataonao ho an'ny mpanaja Anao.
39Halaviro ahy ny fahafaham-baràka atahorako,
satria tsara ny fitsipikao.
40Indro maniry ny fepetranao aho,
koa velomy ao amin'ny fahamarinanao.

Ny Salamo 119 día maneho ny fankalazan'ny mpino ny Tenin'Andriamanitra. lo Tenin'Andriamanitra io rahateo no maneho ny fifandraisana lalina sy maharitra eo amin'Andriamanitra sy ny mpino. Fifandraisana roa lafy no hita eto amin'ity mofonaina ity, ka misy ny :
1- Anjaran' Andriamanitra
Ny tapany voalohany isaky ny andininy dia mitodika hatrany amin'Andriamanitra. Ambara fa Andriamanitra no Tompon'ny Teny, koa mitodika Aminy ny mpanompony. Samy entina ilazana io Teny io avokoa na didy, na lalána, na lalán'ny didy, na teni-vavolombelona, na fitsipika. Manana anjara amin'ny fifandraisan'ny mpino amin' Andriamanitra ny Soratra Masina. Ny vavaka no ifandraisantsika Aminy fa ny Teniny kosa no itenenany amintsika. Koa omeo anjara toerana lehibe ny Soratra Masina hampitohy hatrany ny fifandraisana.
2- Anjaran'ny olombelona
Ny tapany faharoa isaky ny andininy kosa, dia maneho fahavononana feno avy amin'ny mpino amin'ny fanarahana izay ambaran'ny Soratra Masina. Ny fitozoana hatramin'ny farany amin'ny fankatoavana ny ambaran'ny Soratra Masina no miantoka ny famonjena ho an'ny mpino rahatrizay. Eo am-piandrasana ny fíhavian'ny Tompo dia tarihina isika tsy hamaky na hihaino fotsiny ny Soratra Masina fa ho mpankato izany, satria ndrao hamitaka ny tena hoy ny Jakoba 1.22.
Fanontaniana:
Ny vavaka sa ny Soratra Masina no manan-danja kokoa?

jeudi 16 novembre 2017

Alakamisy 16 Novambra 2017 - I Tes 4 : 13 - 18

13Ry havana, tianay ho fantatrareo ny marina momba ireo efa nodimandry mba tsy halahelovanareo toy ny olona sasany tsy manana fanantenana. 14Inoantsika fa maty i Jesoa ary efa nitsangana ho velona indray; inoantsika toy izany koa fa hoentin'Andriamanitra miaraka amin'i Jesoa ireo olona nodimandry tafaray amin'i Jesoa.

15Koa dia izao no lazainay aminareo araka ny voalazan'ny Tompo taminay: isika velona aina, sisa tavela amin'ny andro hiavian'ny Tompo, dia tsy hialoha an'ireo efa nodimandry tsy akory. 16Hisy baiko hatao antso avo ombàn'ny feon'arkanjely4.16 Ny teny hoe arkanjely dia ilazana anjely ambony laharana kokoa. sy ny feon-trompetran'Andriamanitra, ka ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra. Ireo olona maty tafaray amin'i Kristy* no hitsangana ho velona voalohany; 17avy eo, dia hakarina hiaraka amin'ireo ho eny amin'ny rahona koa isika velona aina sisa tavela, mba hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka; ary dia hiaraka amin'ny Tompo mandrakizay isika4.17 and 15-17: ampit 1Kôr 15.51-52.. 18Koa izany teny izany àry no aoka hifampiononanareo.

Valinteny nasetrin'i Paoly ho an'ireo miroa saina momba ny andro farany sy ny amin'ireo mpino efa nodimandry ity. Nambarany fa tsy tokony halahelo sy hifampionona ny mpino satria :

1- Manahaka an'i Jesoa Kristv
I Jesoa no efa maty sy nitsangana tamin'ny maty ary nasandratr'Andriamanitra. Hanahaka Azy toy izany koa ny mino. I Jesoa mivantana rahateo koa no efa nilaza fa, izay mino Azy dia tsy ho faty mandrakizay. Fototry ny finoana kristianina mihitsy ny fahafatesan'ny Tompo hamonjy ny olona sy ny fitsanganany tamin'ny maty. Fa "raha tsy misy fìtsanganana amin'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana. ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo" IKor 15, 13-14.

2- Ho any amin'ny Tompo mandrakariva
Tsy fanolorana tetiandrom-paminaniana momba ny andrò farany no nataon'i Paoly fa fampaherezana ny mpino. Aseho amin'ny antsipirihany kokoa eto ny momban'ny dia nalehan'i Jesoa araka ny Jaona 14, 1-3, fa handeha hamboatra fitoerana ho an'ny mino. Hotanteraka ny fifalian'ny mino satria tsy manam-pahatamperana intsony ny fiarahana amin'ny Tompo. Tsy hisy intsony fisedrana sy fizahan-toetra samihafa. Ambaran'i Paoly any amin'ny Fil 1, 23 fa "maniry hiala ka ho any amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany".

Fanontaniana :
Ahoana no fampaherezana tokony hataon'ny kristianina rehefa hamangy fahoriana?

mercredi 15 novembre 2017

Alarobia 15 Novambra 2017 - Isa 40 : 9 - 11

9Ry vahoakan'i Tsiôna*
nanankinana vaovao mahafaly ô,
miakara eny an-tendrombohitra avo;
ry vahoakan'i Jerosalema
nanankinana vaovao mahafaly ô,
ingao mafy ny feonao ka aza matahotra.
Lazao amin'ireo ao tanànan'i Joda hoe:
«Indro Andriamanitrareo.
10Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery
sady manana ny fahefana hanjaka.
Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany
sady eo anoloany ho valin-kasasarany40.10 Toa filazana ireo Jiosy voasesitany tao Babilônia izany. –Momba ny faran'ity and ity, dia jereo 62.11; Apôk 22.12..
11Tahaka ny mpiandry* ondry
miandry ny andian'ondriny Izy
ka manangona ireny amin'ny baikon-tanany;
trotroiny eo an-tratrany ny zanak'ondry
ary roahiny miadana ny ampianahany40.11 Ampit Ezek 34.15; Jôh 10.11..»

Mandra-pihavin'ny Tompo
Hafatra miantefa manokana amin'ny Fiangonana ny hafatra eto. Isika Fiangonana ankehitriny mantsy no tondroina amin'ny hoe Ziona na Jerosalema eto. Miandry ny tiavian'ny Tompo isika kaneta koa mamita iraka mandra-pihaviny. Noho izany:

1- Torio hatranv ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy (and 9-10)
Ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin'ny maty ka nandresy ny fahafatesana io teny soa mahafaly tsy maintsy toriana sy ambaran'ny Fiangonana io. Esory ny tahotra fa efa nomen'ny Tompo antsika ny fahefana, ary efa nataony eo ambavantsika Fiangonana ny Teniny. Mitsangána hitory izany Vaovao Mahafaly izany manerana ny nosintsika. Ambarao ihany koa ny tsy maintsy hihaviany indray hitsara ny olona rehetra.

2~ Lazao ny maha-mpiandrv Tsara Azy (and 11)
Asongadina eto ny maha-mpiandry tsara an' Andriamanitra. Tanteraka tao amin'i Jesoa tokoa izany (Jao 10).
Tsy zava-mahatahotra ho an'ny mpino ny fíavian'ny Tompo indray. Andró hisehoany amin'ny maha-Mpiandry tsara Azy izany mba hanangonany antsika ondriny ho andiany iray eo ambany fiandrasany. Amin'izay dia hiainantsika amin'ny fahafenoany tokoa izay voalazan'ny Sal 23.

Fanontaniana:
Ahoana no tokony hampiharan'ny Fiangonana io and 9 io eo amin'ny fanaovana tafika Masina?

mardi 14 novembre 2017

Talata 14 Novambra 2017 - Jao 4 : 19 - 26

19Dia hoy ravehivavy taminy:
–Hitako, Tompoko, fa mpaminany* Ianao! 20Ireo razanay Samaritanina dia nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo Jiosy kosa milaza fa any Jerosalema4.20 Voailika tsy ho anisan'ny ankohonambe jiosy intsony ny Samaritanina ka nanorina tempoly teo amin'ny tendrombohitra Gerizîma, tendrombohitra akaikin'i Sekema renivohitra taloha. –any Jerosalema: ampit Sal 122.1-4. no tsy maintsy ivavahana.

21Fa izao no tenin'i Jesoa taminy:
–Minoa Ahy ianao, ramatoa! Avy ny andro izay tsy hivavahana amin'ny Ray eto amin'ity tendrombohitra ity na any Jerosalema intsony. 22Ianareo Samaritanina* dia mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; fa izahay Jiosy kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria mipoitra avy amin'ny Jiosy ny famonjena4.22 Ampit Is 2.3; Rm 9.3-4.. 23Kanefa, ho an'ireo tena mpivavaka, dia avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hivavahany amin'ny Ray araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina; satria ny mpivavaka aminy araka izany no tadiavin'ny Ray. 24Andriamanitra dia Fanahy, ary ny mpivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina.

25Dia hoy ravehivavy tamin'i Jesoa:
–Fantatro fa misy Mesia* anankiray ho avy, dia Ilay atao hoe Kristy*! Ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.

26I Jesoa kosa nilaza taminy hoe:
–Izaho Izay miresaka aminao no Izy!

I Jesoa izay andrasana
Nitory tamin'ny vehivavy Samaritana iray î Jesoa. Niezaka nandresy lahatra Izy. Nambarany tamin'ity vehivavy ily ny marina. Nampahafantatra i Jesoa fa:

1- Izy no tsy maintsy inoana (and 21)
Maneke Ahy. matokia Ahy. Tarihin'ny Tompo ho amin'izany ity vehivavy miresaka Aminy ity. Ny mahazatra azy mantsy dia ny mivavaka amin'izay andriamanitra tsy fantany. Hitany ankehitriny Ilay Andriamanitra tokony inoana ka dia taomin'ny Tompo izy handray ny fanambaràny. Minoa Ahy hoy i Jesoa. Anio no itaoman'ny Tompo antsika mba hino Azy sy ny fanambaràny . Atsaharo hatreo ny finoanoam-poana. Mampahafantatra ihany koa i Jesoa fa:

2- Andriamanitra irery ihany no ivavahana (and 23)
Ny tena mpivavaka dia izay mivavaka amin' Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy. Lamina efa napetrak'Andriamanitra hatrany amin'ny andron'ny Testamenta Taloha izany. "Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany" hoy Izy (Eks 20,3). Misafidiana hivavaka amin'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy ary aoka hivavaka Aminy amin'ny fanahy sy fahamarinana marina tokoa isika mandra-pihavin'ny Tompo. Na iza na iza dia samy antsoin'i Jesoa hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy fahamarinana sy hino Azy ho ny Mpamonjy.

Fanontaniana :
Hatraiza no hanekena ny filazan'ny sasany hoe: Andriamanitra iray ihany no ivavahana?

lundi 13 novembre 2017

Alatsinainy 13 Novambra 2017 - Sal 9 : 7 - 10

7Nifarana hatreo ny amin'ny fahavalonay,
satria rava tanteraka izy;
efa narodanao ireo tanànany,
ka tsy hotsarovana intsony.

HE
8Injay ny TOMPO Izay maharitra mandrakizay:
mametraka ny sezafiandrianana hitsarany Izy,
9ka hitsara izao tontolo izao araka ny rariny
sy hanapaka ny firenena araka ny hitsiny.

VAO
10Ny TOMPO no fialofana ho an'ny ampahorîna,
eny, fialofana amin'ny andro mahory.

Mendrika ny ho andrasana ny Tompo
Isan'ny boky mampahafantatra ny maha-izy azy an'Andriamanitra ny bokin'ny Salamo. Izany rahateo ny mahatonga ny mpanao Salamo hanandratra fiderana an'Andriamanitra. Mendrika ny ho andrasana ny Tompo satria:

1- Mpitsara Izv (and 7-8)
Marina sy mahitsy Andriamanitra. Amin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana noho izany no tsy maintsv hitsarany ny firenena rehctra. Izay rehetra miandrandra ny fahamarinana sy ny hitsiny dia maharitra amin'ny fiandrasana ny Tompo. Izy no Mpitsara marina.

2- Mpiaro Izv(and 9)
Ny raharaham-pitsarana rehetra dia ahitana mpitsara sy mpiaro. Tsy hitoetra ho mpitsara antsika fotsiny ny Tompo fa hitsangana ho mpiaro antsika ihany koa Izy. Fialofan'ireo mahantra sy zohim-pahoriana Izy. Izany no mahazava-dehibe ny fiandrasana Azy mba hiaro antsika amin'ny fiampangana sy ny fanamelohan'i Satana (Rom 8, 33-34).

3- Mahatokv Izv (and 10)
Noho ireo maha-izy Azy ireo dia azo itokisana ny Tompo. Miandanv mandrakariva amin'izay mitady sy matoky ny famonjeny tokoa Izy. Andrandrao ny Tompo fa ho avy Izy ilay Mpitsara marina sady Mpiaro azo antoka.

Fanontaniama :
Inona no porofo manambara fa Mpitsara sy Mpiaro tokoa i Jesoa Kristy?

dimanche 12 novembre 2017

Alahady 12 Novambra 2017 - Mika 7 : 7 - 10

7Fa izaho kosa mitodika amin'ny TOMPO
ary manantena an'Andriamanitra mpamonjy ahy,
fa hihaino ahy ilay Andriamanitro.

8Aza mihomehy ny aminay ianareo fahavalonay7.8 Ny mpaminany eto dia miteny amin'ny anaran'ny vahoaka israelita tao Joda (izany no nanovana ny mpisolo anarana ho milaza maro); fa eo amin'ny and 11-13 kosa izy dia miteny amin'ny vahoaka jodeanina. –ry fahavalonay: angamba i Edôma no resahina eto (jereo Hôb 12) na fahavalo amin'ny ankapobeny.!
fa na lavo aza izahay, dia mbola hiarina;
ary na mipetraka ao amin'ny maizina aza izahay,
dia ny TOMPO no fahazavana ho anay.
9Satria efa nanota tamin'ny TOMPO izahay,
dia hozakainay ny fahatezerany,
mandra-piarony ny adinay
ka hanomezany rariny anay.
Hamoaka anay ho eo amin'ny mazava Izy
ka ho finaritra izahay hahita ny soa nataony taminay.
10Hahita izany ny fahavalonay
ka ho rakotry ny henatra,
dia ireo niteny taminay hoe:
«Aiza ihany ny TOMPO Andriamanitrareo?»
Ho finaritra izahay hahita azy ireo,
fa amin'izay dia ho tonga fanosy
toy ny fotaka eny an-dàlana izy.

Miandrasa ny famonjen'ny Tompo

Nahoana tokoa moa isika no miandry ny famonjen' Andriamanitra? Satria:

1- Mihaino ny fitarainan'nv mila voniv Izv (and 7)
Eo amin'ny and 5-6 día ambaran'ny Soratra Masina amintsika fa na dia ny olona mifanakaiky sy mifamato- piainana indrindra aza dia tsy afaka mifampihaino intsony satria tsy misy ny fifampitokisana. Ny olona rahateo dia tsy mahavonjy tena ka izany no tsy maintsy iandrasana ny famonjen'Andriamanitra. Izy no hany afaka ny hiaino ny fitarainan'ny mila vonjy ka antony nanirahany ny Zanany lahitokana hiara-monina amintsika. Miantoraha amin' Andriamanitra amin'ny alalan'i Jcsoa Kristy fa mihaino ny fitarainan'izay rehetra mila vonjy Aminy Izy.

2- Manarina ny lavo Izv (and 8-9)
Lavo noho ny fahotana ny Isiraely. Lasan-kobabo noho izany izy ireo. Ny fahababoana dia toy ny aizina nandrakotra ny fiainan'izy ireo. Tsy mba manao tsindrio fa lavo anefa Andriamanitra na mamela ny aizina handrakotra hatrany ny fiainan'ny olony. Manarina ny lavo sy mandresy ny aizina Izy rehefa miaiky ny maha- mpanota antsika isika ka tsy mihirim-belona amin'ny fahotana (Mar 2.17). Hamarinina maimaim-poana ao amin'i Jesoa Kristy ny mpanota mibebaka ka mitafy toetra sy fiainam-baovao ao Aminy.

Fanontaniana:
Omeo ny toko sy andininy manambara fa i Jesoa no fahazavan'izao tontolo izao?

samedi 11 novembre 2017

Sabotsy 11 Novambra 2017 - Sal 37 : 1 - 8

1 Nataon'i Davida.

ALEFA
Aza tezitra amin'ny mpanao ratsy
ary aza mialona ireo mpanao heloka;
2fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo,
toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina.

BETA
3Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara,
dia honina amin'ny tany nomeny ianao
ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.
4Aoka ny TOMPO no hiravoanao,
dia homeny anao izay irîn'ny fonao!

GIMELA
5Ankino amin'ny TOMPO ny fiainanao,
ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.
6Ny rariny anananao hasehony
ho toy ny mazavatsinanana;
ny zo tandrify anao haharihariny
ho tahaka ny mitataovovonana.

DALETA
7Aoka hitombina tsara eo anatrehan'ny TOMPO
ka hiandry Azy amim-paharetana ianao!
Aza tezitra amin'izay mahomby,
dia amin'ny olona manao fetsifetsy.

HE
8Ialao ny hatezerana, avelao ny havinirana;
aza misafoaka fa loza no hiafaran'izany.

Vavolombelona miandry ny Tompo

Mahalasa eritreritra ihany ny mahila fa toa ambinina ny ratsy fanahy eto amin'izao fiainana izao. Tsy vitsy ny olona izay miezaka ny mandeha amin'ny fahamarinana no mila ho ketraka eo anatrehan'izany. Ho fampaherezana antsika indrindra ity Salamo ity. Vavolombelona miandry ny Tompo isika ka mijoroa hatrany amin'ny fahamarinana.

1- Andriamanitra hatrany no aoka ho anton'izav hatao rehetra
Tarihin'ny mpanao Salamo isika mba hanao an' Andriamlanitra ho ivon'izay hetsika rehetra ataontsika. Taomina isika hahatoky an'Andriamanitra, hiravoravo Aminy, hanankina ny fiainantsika Aminy, hiandry ny famonjeny. Jesoa sy ny hazofijaliany irery ihany no banjino mba hahafahantsika mifikitra amin'ny fahamarinana sy manao izany eo anivon'izao fiaraha- monina hanjakan'ny ratsy fanahy izao.

2- Hisy valiny tsara nv fijoroana amin'ny fahamarinana
Mandalo ny fahafinaretan'ny ratsy fanahy (and 1-2). ahazo valim-pitia maharitra sy mateza kosa izay sahy mijoro amin'ny fahamarinana noho nv fahatokiana an'Andriamanitra. Honina amin'ny tanin' I  izy (and 3b), henoin'Andriamanitra ny fangatahany (and 4), Andrimanitra no miasa eo amin'ny fiainany (and 5b-6).

Fanontaniana :
Inona avy ireo lesona azo tsoahina eo amin'ny and 7-8?

vendredi 10 novembre 2017

Zoma 10 Novambra 2017 - Mat 6 : 1- 15

1–Tandremo ny manao adidy ara-pivavahana eo imason'ny olona mba ho hitany, sao ianareo tsy mahazo valisoa avy amin'ny Rainareo Izay any an-danitra.

2Koa rehefa manao fiantrana ianao, aza dia antsoantsoina ho ren'ny tany ama-monina, sahala amin'ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy any amin'ny sinagôga* sy eny an-dalambe, mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany. 3Fa ianao kosa, rehefa manao fiantrana, aoka na dia ny olona sakaizanao indrindra aza tsy hahalala izay ataonao6.3 aoka... izay ataonao: dkt ara-bakiteny aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana (fomba fiteny izay midika fa tsy misy olona tokony hahalala ny asa soa ataonao afa-tsy Andriamanitra)., 4hany ka miafina no anaovanao ny fiantrànao; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao.

5–Rehefa mivavaka ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy. Tian-dry zareo ny maka toerana ao amin'ny sinagôga sy eny amin'ny fihaonan-dalana6.5 Amin'ny vanim-potoana raikitra no tsy maintsy anatontosan'ny Jiosy tia vavaka ny tonom-bavaka fanaony, hany ka amin'ireny toerana ampahibemaso ireny no hararaotin'ny sasany hampisehoana fa tena mazoto ara-pivavahana izy. Ampit Lk 18.10-14. raha mivavaka, mba hahitan'ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany. 6Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, midira ao amin'ny efitranonao, hidio ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao Izay ao amin'ny miafina; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao.

7Rehefa mivavaka ianareo, aza mba maro teny tahaka ny mpanompo sampy. Heverin'izy ireny fa rehefa maro teny izy, vao henon'Andriamanitra. 8Koa aza mba manahaka azy ianareo, satria fantatry ny Rainareo rahateo ny zavatra ilainareo, alohan'ny hangatahanareo izany aminy. 9Koa mivavaha toy izao6.9 Ny vavaka nampianarin'ny Tompo dia misy fitoviany amin'ny vavaka jiosy (indrindra ilay vavaka mirakitra fankalazana 18) na ny vontoatiny na ny endriny; saingy ny mampiavaka azy dia ny fiantsoana an'Andriamanitra amim-pahatsorana sy ny filaharan'ireo zavatra angatahina. àry ianareo:

«Ry Rainay any an-danitra ô,
hohamasinina anie ny anaranao;
10ho tonga anie ny Fanjakanao;
hatao anie ny sitraponao,
eto an-tany tahaka ny any an-danitra.
11Omeo anay anio ny hanina sahaza anay6.11 sahaza anay: dkt hafa ilainay na ho an'ity andro ity na ho an'ny rahampitso. ,
12avelao ny helokay,
ary tahaka izany koa no amelanay izay meloka taminay;
13aza avela ho azon'ny fakampanahy izahay,
fa manafaha anay amin'ilay Ratsy*!
[Anao ny fanjakana sy ny hery,
Anao ny voninahitra mandrakizay6.13 Anao... mandrakizay: jereo 1 Tan 29.11-13.! *Amen.]

14Eny, raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela anareo koa ny Rainareo Izay any an-danitra; 15fa raha tsy mamela ny olona kosa ianareo, dia mba tsy hamela ny fahadisoanareo koa ny Rainareo Izay any an-danitra.

Ny mpanara-dia ny Tompo

Mba hiavahana amin'ny mpivavaka haia, ny mpanara-dia nyTompo dia :

1 - Miasa mangina (and 2-4)
Ampianarin'i Jesoa hanao asa fiantrana isika. Manao izany koa anefa na dia ny tsy mpino aza. Saingy manao izany ho fìlan-dera sy filana sitraka amin'ny olona izy ireny. Ny mifanohitra amin'izany kosa no ampianarin'ny Tompo antsika eto. Asa fìantrana atao amin'nv fitiavana sv ny fanetre-tena ka tsy isehosehoana na itadiavana sitraka amin'ny olona. Tsy miafina amin'Andriatnanitra ny asa soa ataontsika na dia hatao ao amin'ny mangingina sy lavitry ny mason'ny mpitazana aza.

2- Mivavaka mangina fand 5-15)
Toy izany ny koa ny fomba fivavaka sy ny tonom-bavaka atao. Tsy ny físehoana ivelany na ny halavan'ny tonom-bavaka hatao no ilazana fa tena mpivavaka marina isika. Ny vavaka atao amin'ny fanetre-tena sy ny fahatsorana ay tsy miolakolaka no sitrak'Andríamanitra. Ohatra tsara indrindra amin'izany ny vavaka nampianarin'i Jesoa antsika. Asongadin'ny Tompo eto fa zava-dehibe ny fahavononana hamela heloka (and 14-15). Ny fahaizana mamela heloka no mahatsara ny fífandraisantsika amin' Andriamanitra sy amin'ny mpiara-belona amintsika ary amin'ny tenantsika ihany koa.

Fanontaniana
Inona no sakana tsy ahafahanao mamela ny heloky ny hafa?

jeudi 9 novembre 2017

Alakamisy 09 Novambra 2017 - Fil 3 : 17 - 21

17Ry havana, aoka hanahaka ahy ianareo ary diniho hatrany ireo manao fitondrantena araka izay ohatra nomenay anareo. 18Efa voalazako imbetsaka taminareo, ary dia mbola lazaiko amin-dranomaso ankehitriny, fa maro no manao fitondrantena manohitra an'i Kristy maty teo amin'ny hazofijaliana. 19Fahaverezana no hiafaran'ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha3.19 ny kibony: ireo fandrarana ny hanina sasany izay tandreman'ny mpanaraka lalàna jiosy (ampit Rm 16.18; Kôl 2.16, 20-21) no toa kendren'i Paoly hokianina eto. –ahazoany henatra: mety mampahatsiaro ny famorana (Gal 6.13, 15).. 20Fa isika kosa dia mizaka ny zo maha mponin'ny lanitra; ka Mpamonjy avy any an-danitra no andrasantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo. 21Izy no hanova izao tenantsika tsinontsinona izao, ka hampitovîny amin'ny tenany be voninahitra, araka ny heriny miasa hahatonga ny zavatra rehetra hanaiky Azy.

Fantaro Ilay Mpamonjy andrasana (and 20-21)

Tsy takona afenina fa na eto amin'ny firenentsika aza dia misy ny mitonon-tena ho i Jesoa Kristy. Tsy mahagaga izany fa efa nambaran'ny Soratra Masina rahateo (Mat 24, 5). Fantaro avy amin'ny fanambaran'ny Soratra Masina anefa Ilay tena Mpamoniy andrasana.

1- Ny anaranv:
Jesoa Kristy. Maneho ny maha izy azy ny olona iray ny anarany. Andriamanitra no mpamonjy no hevitry ny anarana hoe Jesoa. Ilay voahosotra kosa no dikan'ny hoe Kristy. I Jesoa, ilay zanaka lahitokan'Andriamanitra, naterak'i Maria virijina no hany tokana voahosotr' Andriamanitra hamonjy Ìzao tontolo izao tamin'ny nahafatesany teo amin'ny hazofíjaliana.

2~ Nv fiaviany:
Avy anv an-danitra Izy. Mazava nv fanambaran'nv Soratra Masina. Avv any an-danitra no iandrasantsika Mpamonjy mba hahitan'izao tonlolo izao Azy (cf Apo 1.7). Izany dia midika fa tsy misy afa-tsy i Jesoa niakatra ho any an-danítra ihany no hidina indray amin'ny andro farany.

3- Izay ho ataonv:
Hitondra fanovàna. Voalohany indrindra amin'izany ny hanovàny ny tenantsika sy ny toetsika hanana voninahitra mitovy amin'ny Azy mba hahafahantsika miara-belona sy mitoetra miaraka Aminy mandrakizay (jereo Jao 14,1-3)

Fanontaniana:
Mahafeno ireo fepetra ireo ve izay mìtonon-tena fa Jesoa Kristy renao ankehitriny?

mercredi 8 novembre 2017

Alarobia 08 Novambra 2017 - Eks 14 : 10 - 14

10Natopin'ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO 11sady niteny tamin'i Mosesy hoe:
–Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta? 12Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».

13Fa namaly azy i Mosesy hoe:
–Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon'ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana. 14Ny TOMPO no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina fotsiny.

Eo am-piandrasana ny Tompo

Tandindon'ny fiainan'ny mpino miatrika zava-tsarotra eo ampiandrasana ny fiavian'ny Tompo ny tranga nahazo ny zanak'Israeiy eto. Eo ampiandrasana ny Tompo dia:

1- lalao nv fanomezan-tsìny ("and 11-12)
Fanomezan-tsiny an'i Mosesy no nibahana tao an-tsain'ny vahoaka rehefa injay ka tazan'izy ireo nanaraka avy ao afara i Farao sy ny miaramilany (and 10). Toe-tsaina mpahazo ny maro koa matetika ny fanomezan-tsiny ny mpitarika rehefa injay ka tojo ny sarotra na ny tsy nampoizina. Fimonomonomana, fanomezan-tsiny, fialana andraikitra no mipololotra ao am-pon'ny maro fa tsy mba fifanomezan-tanana sy fifampaherezana.

2- Itokio nv herin'nv Tompo (and 13-14)
Naverin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy ilay teniny hoe: « Aza matahotra ». Narahina fampanantenana fa ny Tompo no hiady ho azy ireo. Teny fanomezan-toky eo anatrehan'ny sarotra izao teny izao. Mandra-piavin'nv Tompo dia tsy maintsy misedra ny sarotra ny mpino. Antoka handresena izany anefa ny herin'i Jesoa efa nandresy ny fahafatesana sy ny teny fanomezan-toky nomeny ho antsika manao hoe: « aty amin'izao lontolo ìzao no ahitanareo fahoriana. nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao »(Jao 16,33).

Fanontaniana:
Manao ahoana ny fihetsikao raha misy olana tampoka mitranga eo amin'ny fiainan'ny Sampana na ny Fiangonana?

mardi 7 novembre 2017

Talata 07 Novambra 2017 - Mat 25 : 1 - 13

1Amin'izay ny Fanjakàn'ny lanitra* dia ho tahaka ny amin'ny tovovavy folo izay nitondra ny fanàlany ka lasa hitsena ny mpampakatra. 2Ny dimy tamin'ireo tovovavy ireo dia adala; fa ny dimy kosa hendry. 3Ireo adala dia nitondra ny fanalany, kanefa tsy nitondra solika; 4fa ireo hendry kosa nitondra ny fanalany sady nitondra solika tamin'ny tavoahangin-tsolika. 5Andrasana ela ny fiavian'ny mpampakatra, ka dia samy rendremana avokoa izy folo vavy ary natory.

6Nony mamatonalina, dia nisy niantso mafy hoe: «Intỳ tamy ny mpampakatra! Mandehana ianareo mitsena azy!» 7Tamin'izay dia samy niarina avokoa ireo tovovavy ary samy namboatra ny fanalany. 8Ka hoy ireo adala tamin'ny hendry: «Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny fanalanay.» 9Dia novalian'ny hendry hoe: «Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo; fa aleo mankany amin'ny mpivarotra ianareo mividy ho anareo.» 10Raha mbola nandeha nividy solika ireo adala, dia tonga ny mpampakatra; ka ireo tovovavy dimy efa vonona no niara-niditra tamin'ny mpampakatra tao amin'ny fanasambe fampakaram-bady ary nohidiana ny varavarana. 11Taorian'izany, dia tonga ireo tovovavy sasany ka nanao hoe: «Tompoko, tompoko, vohay izahay!» 12Fa novalian'ny mpampakatra hoe: «Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro ianareo.»

13Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Miambena àry ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

Aza ho isan'izay adala

Fanoharana efa diso fantatry ny maro loatra ny amin'ny virijina folo. Fampitandremana mba tsy ho tahaka ireo virjina dimy adala no hafatry ny Tompo aminlsika. Aza ho isan'izay mpino adala fa:

1- Mivonòna mandrakariva amin'nv fíhavian'ny Tompo
Tsy fantatra tahaka ny hiavin'ny mpampaka-bady ny hìavin'ny Tompo. Tsy mba manavaka ny Tompo. Samy tiany hanam-pifaliana ao amin'ny fanjakany avokoa ny olona rehetra. Miankina amin'ny Fiomanana sy ny fahavononan'ny tsirairay kosa anefa ny ananany anjara amin'izany na tsia. Endriky ny tsy fahalavorarian'ny fiomanana ny tsy fahampian'ny solika teo amin'ireo dimy adala (and3).

2- Aza misaraka amin'ny Tenin'Andriamanitra
Ny lesoka teo amin'ireo virjina dimy adala dia ny tsy fahampian'ny solika iandrasana ny fíavin'ny mpampakatra sy hanazavana ny alina. Nanampy trotraka izany ny tsy fíandrasany ny toro-hevitry ny mpampakatra. Mpino miandry ny fiavian'ny Tompo isika ka mila manana hatrany ny Tenin'Andriamanitra izay fanilon'ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika (cf Sal 119,105). Mihalevona ny finoana ary tsy ampy iandrasana ny fiavin'ny Tompo raha toa ka tsy tezaina sy hampitomboina amin'ny alalan'ny fìainana ny tenin'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Mahavaky Baiboly isan'andro ve ianao?

lundi 6 novembre 2017

Alatsinainy 06 Novambra 2017 - Apo 2 : 1 - 7

1–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Efeso: «Izao no lazain'Ilay mihazona ny kintana fito eo an-tanany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fitoeranjiro volamena fito: 2Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny faharetanao, mbamin'ny tsy fahazakànao ny ratsy fanahy; efa nozahanao toetra ireo milaza ny tenany ho apôstôly, kanjo tsiizy ary hitanao fa mpandainga ireo; 3ary manana faharetana ianao, ka mizaka ny mafy noho ny amiko sady tsy ketraka. 4Saingy izao no anomezako tsiny anao: nihemotra tamin'ilay fitiavanao tany am-boalohany ianao. 5Koa tsarovy izay nitoeranao fony mbola tsy lavo, dia ialao ny toe-dratsinao2.5 ialao ny toe-dratsinao: jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA., ka ataovy indray ny asanao tany am-boalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanaisotra ny fitoeranjironao amin'izay misy azy, raha toa tsy ialanao ny toe-dratsinao. 6Izao kosa no anananao sitraka: ankahalainao ny asan'ireo Nikôlaita2.6 Ny and 2, 14, 20 sy 24 dia toa mampahatsiahy ny fampianarana sy ny lalànam-pitondrantena nijoroan'ny antokom-pivavahana Nikôlaita (jereo 2.15), kanefa tsy misy loharano hafa azontsika hahafantarana azy bebe kokoa., izay ankahalaiko ihany koa.

7«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana!

«Izay maharesy dia havelako hihinana amin'ny voan'ilay hazo manome fiainana izay ao amin'ny sahan'Andriamanitra2.7 Jereo Gen 2.8-9..»

Ny Fiangonana miandry ny fíavian'ny Tompo

Nahazo hafatra manokana avy tamin'ny Tompo ny Fiangonana tany Efesosy. Eo am-piandrasana ny fiaviany indray dia taomina ny mpino mba

1- Hifikitra amin'i Jesoa hatranv (and 2-4)
Noderain'ny Tompo manokana noho ny asany, ny fikelezainy aina, ny faharetany ary ny tsy fahazakany ny mpanao ratsy ity Fiangonana ity. Nahazo fanakianana mafy kosa anefa izy noho ny fíalany tamin'ilay fitiavana voalohany. Tsy inona izany fa ny tsy fìsian'ny finoana an'i Jesoa Kristy intsony tahaka ny tamin'ny andro voalohany nandraisan'izy ireo ny Filazantsara. Tsy ampy noho izany ny fihetsiketsehana iveiany hahazoana sitraka amin'ny Tompo raha toa ka mihen-danja ny filiavana Azy. Hazony mafy mba tsy hihen-danja ny fitiavana an'i Jesoa eo am-piandrasana indray ny fiverenany.

2-Hibebaka amin'izay nananaran'ny Tompo (and 5)
Miverina matetika eto ny antso ho amin'ny fibebahana. Fiverenana amin'ny Tompo no hevitr'izany amin'ny ankapobeny. Fiantsoana ny mpino mba hihazona ny hafanam-po amin'ny iìtiavana an'i Jesoa kosa izany eto, na inona na inona mitranga mandra-pihaviny. Fahavoazana lehibe no ateraky ny tsy fibebahana eto satria very maina ny Jisasarana rehetra natao tsy amin'ny fitiavana ny Tompo (jereo Mat 7,22-23)

Fanontanìana:
Inona no tokony hatao mba tsy hampihena ny fitiavana nv Tompo?

dimanche 5 novembre 2017

Alahady 05 Novambra 2017 - Sal 33 : 18 - 22

18Tsinjovin'ny TOMPO kosa ireo mpanaja Azy,
dia ireo olona miantehitra amin'ny fitiavany,
19mba hanafaka ny ainy amin'ny fahafatesana
sy hamelona azy na dia misy mosary aza.
20Miandry ny TOMPO tokoa isika:
famonjena sy fiarovana ho antsika Izy.
21Eny, Izy Tompo no ifalian'ny fontsika;
masina ny anarany ka itokiantsika.
22TOMPO ô, ho aminay anie ny fitiavanao
araka ny ianteheranay aminao!

Hobio ny Tompo

Iray amin'ireo Salamo fíhobiana sy fankalazana an' Andriamanitra ity Salamo ity. Mendrika ny hobiana sy ankalazaina tokoa ny Tompo satria:

1- Mamoniv izav matahotra Azv Izv (and 18-19)
Miatomboka amin'ny fijeren'AndrÌamanitra ny olona izay mahatoky Azy ny fatnonjeny. Mitohy amìn'ny fanaovany hetsi-panafahana izanv ho fanatanterahana ny famonjena. Midika izany fa mijery akaiky arv tsy miala amin'ny olona izay miandrandra ny famonjeny sy matoky nv fitiavany ny mason'ny Tompo. Izanv indrindra no nanirahany anM Jesoa hiara-monina amintsika sv ho faty teo amin'ny hazofijaliana ho famonjena antsìka amin'ny fahafatesana tambin'ny ota. Noho izanv dia:

2-Fahendrena nv miandrv ny famojjeny (and 20-22)
Mitaona ny manodidina azy ny mpanao Salamo mba hiandrv nv famonjen'ny Tompo mandrakariva. Tsv misy afa-tsy ny Tompo no azo antoka hitondra famonjena noho ny famindrampony. Nasehony lao amin'i Jesoa ny maha-mpamonjy tokana Azy. Izv irery iliany no nanaiky ho faty hisolo heioka ny maro mba ho fainonjena izao tontolo izao. Na inona na inona mitranga dia fahendrena ny miandry ny famonjen'Andriamanitra ho an'nv mpino satria efa nafoiny ho famonjena ho antsika ny Zanany Iahitokana

Fanontaniana:
Inona no heverinao ho antony mahatonga nv olona sasany tsy ahandry ny famonjen'Andriamanitra?

samedi 4 novembre 2017

Sabotsy 04 Novambra 2017 - Eks 19 : 9 - 25

9Koa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin'ny rahona19.9 rahona: jereo 13.21 sy nta. matevina, mba handrenesan'ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany.
Dia naverin'i Mosesy teo anatrehan'ny TOMPO ny valin-tenin'ny vahoaka.

10Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Miverena any amin'ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany. 11Aoka izy ho vonona ho amin'ny rahafakampitso, fa amin'io andro io dia ho hitan'ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO. 12Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty. 13Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany19.13 ny olona sasany: jereo 24.1, 9-11 –And 12-13: jereo Heb 12.18-20..

14Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin'ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo. 15Ary hoy izy taminy:
–Miomàna ianareo ho amin'ny rahafakampitso. Aza mikasika vehivavy akory!

16Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra19.16 kotro-baratra sy tselatra: jereo Apôk 4.5. –rahona: jereo 13.21 sy nta.. Injany nisy feon'anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby. 17Nasain'i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin'Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

18Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan'ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin'ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo. 19Nihamafy hatrany ny feon'ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin'Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka. 20Nidina nankeo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an'i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy. 21Ary hoy ny TOMPO taminy:
–Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy. 22Na dia ny mpisorona izay mahazo manatona AHY aza dia tsy maintsy hanoman-tena fandrao mahafaty azy AHO.

23Ary hoy i Mosesy tamin'ny TOMPO:
–Tsy afaka hiakatra eto Sinay ny vahoaka, satria Ianao ihany no efa nandidy anay mba hamaritra ny tendrombohitra ka hanavaka azy.

24Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Ndeha midina ianao, ka ento miakatra miaraka aminao i Aharôna. Nefa aoka ireo mpisorona sy ny vahoaka tsy hirohotra hiakatra atỳ amiko, fandrao hamely azy ho faty Aho.

25Dia nidina nankeo amin'ny vahoaka i Mosesy ary niteny taminy.


Izay takiana amin'ny olona te-hihaona amin'ny Tompo

Fihaonana amin'Ilay Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka ny fihaonana amin'Andriamanitra. Ho mari-panajana Azy dia takiana amin'izav te-hihaona Aminy ny:

1- Fahamasinana (and 10)
Fanokanana, fanavahana no hevitry ny teny fanamasinana. Navahan'ny Tompo tao anatin'ny maro nv mpino ka mila mitandro izany fanavahana azy izany mandrakariva mba hahazoany mifandray sy mihaona aminTlay mpaniraka sy ahafahany mijoro ho vavolombelony rahateo.

2- Fahadiovana (and 14)
Azo raisina ara-bakitenv ho ny íanadiovana ny fitaííana ny fanirahana ny ZanakTsraely hanasa ny fitafiany eto, mialoha ny fihaonana amin'ny Tompo. Fihaonan'ny Tompo sy mpanompo rahateo izao ka mari-panajana ny fanaovana fitafiana madio. Kanefa koa dia azo lazaina fa íìtaomana ny olona hananana ny fahadiovam-po sv fanahy mialoha ny fihaonana amin'ny Tompo (Mat 5.S).

3- Fanarahana toro-lalana
Misv toro-lalana sv fepetra maro samihafa omena nj' Zanak'Israely hahatomombana tsara nv fihaonana amin'ny Tompo(and 12-13; 21-25). Ny fanarahana an-tsakany sy andavany izany no mahalavorary ny fihaonana ainin'izy Tompo. Jesoa no fahatanterahan'ny Laíàna sy ny fepetra ahazoana manatona sv mihaona amin'Andriamanitra Ray.

Fanontaniana:
Mahatsiaro ho tafahoana amin'ny Tompo tokoa ve ianao rehefa mivavaka na miangona?

vendredi 3 novembre 2017

Zoma 03 Novambra 2017 - Rom 8 : 18 - 25

18Heveriko fa tsy mendrika hohàrina amin'ny voninahitra izay haseho ao amintsika ny fijaliana amin'izao andro izao. 19Fa tsindrian-daona erỳ ny zavaboaary miandry ny hanehoan'Andriamanitra an'ireo zanany*. 20Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany8.20 Ny rijan-teny grika fototra dia milaza fotsiny hoe ilay nampanaiky azy toy izany; kanefa ny lazainy eto dia toa Andriamanitra sy ny vokatry ny fitsarany eo anoloan'ny fahotan'ny olombelona. Misy kosa mihevitra fa i Satàna no lazaina eto.. Saingy eo ny fanantenana: 21Fa ny zavaboaary koa aza dia hoafahana tsy ho andevon'ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin'ny fahafahana be voninahitra hananan'ireo zanak'Andriamanitra. 22Saingy fantatsika fa mandraka ankehitriny, ny zavaboaary manontolo dia miara-misento sy mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza. 23Ary tsy ny zavaboaary ihany; fa isika koa, izay manana ny Fanahy Masina ho santatry ny fanomezan'Andriamanitra, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny hanaovan'Andriamanitra antsika ho zanany ka hanavotany tanteraka ny tenantsika8.23 Ampit 2Kôr 5.2-4. –Misy stf sasany tsy ahitana hoe hanaovan'Andriamanitra antsika ho zanany ka. . 24Eny, efa voavonjy isika saingy mbola amin'ny fanantenana; ny mahita izay nantenaina dia tsy manantena intsony; satria iza no mbola hanantena izay zavatra efa hitany? 25Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.

Ny voninahitra omen'ny Tompo ny mino(and 18)

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. Tsy azo lavina izany. Ny Tompo koa ancfa dia niteny fa « Izay manóme voninahitra Ahy no homeko voninahitra «(1 Sam 2,30). Ny voninahitra omen'ny Tompo dia :

1- Voninahitra lehibe
« Tsy tokony oharina »no ilazana ny fahalehibiazan'ny voninahitra atafin'nv Tompo izay rehetra maharitra amin'ny fínoana Azy. Tsy misy azo ampitahaina na ampitoviana lanja amin'izany voninahitra izany. Tsy toa inona akory ny vesatry ny fahoriana iaretan'ny mino raha oharina amin'ny voninahitra omen'ny Tompo azy. Ireo apostolv dia sahy nilaza fa satro-boninahitra tsy mety lo no miandry ireo izay maharitra amin'ny fínoana ny Tompo(l Kor 9,25: Jak 1, 12: 1 Pet 5, 4)

2- Voninahitra aseho
Hoy ny voalaza eto: « amin 'ny voninahitra izay haseho amintsika ». Ny mpino dia sady hanehoan'ny Tompo ny voninahiny no fanehoan'Andriamanitra ny voninahiny amin'ny hafa ihanv koa. Tsy mba takona afenina noho izany ny voninahitr'Andriamanitra fa asehony amintsika izany kanefa koa dia asehony amin'ny hafa amin'ny alalantsika rehefa manaiky ho vavolombelony marina tokoa isika.

Fanontaniana :
Voninahitra manao ahoana no tena katsahin'ny olona ankehitriny?

jeudi 2 novembre 2017

Alakamisy 02 Novambra 2017 - Heb 6 : 9 - 15

9Na izany aza no teninay, ry hava-malala, dia zavatra tsara kokoa sady miantoka ny famonjena anareo no antenainay, raha ny aminareo. 10Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin'ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo. 11Ary dia irînay haneho fahazotoana toy izany hatramin'ny farany ianareo tsirairay avy, mba ho tanteraka tokoa ny zavatra antenainareo. 12Tsy tianay ho ketraka ianareo fa mba hanahaka ireo mino sy maharitra ka manana anjara amin'ny soa nampanantenain'Andriamanitra.

13Ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama dia nombàm-pianianana. Ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany hianianan'Andriamanitra, dia nianiana tamin'ny tenany Izy 14ka nanao hoe: «Homba fitahiana anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro fara sy dimby anao6.14 Gen 22.16-17..» 15Nanam-paharetana i Abrahama ka, araka izany, dia nahazo izay nampanantenain'Andriamanitra azy. 

Manantena zavatra tsara amin'ny mpino ny Tompo eo am- piandrasana ny fiverenanv indray. Noho izany andeha:

1- Hanompo amin'nv fitiavana (and lOa)
Nantsoina ho amin'ny asa fanompoana an'Andriamanitra sy ny fanehoam-pitiavana n\- mino. Atomboka eo amin'ny samy mpino izany kanefa koa dia azo itarina eny anivon'ny fìaraha-monina. Tsy mahaketraka ny manao izanv satria Andriamanitra tsy mba manadino ny mpanompony izay mikely aina amin'ny fampandrosona ny fítiavana sy ny asa tsara rehetra(and 12.13-15).

2- Hanompo ho voninahitr'Andriamanitra
Hoy nv voalaza eto hoe : « ny asanareo sy nv fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny anarany ». Raha miasa sy maneho fitiavana ny mino dia tsy ho filan-dera na ho fisehosehoana na koa ho fitadiavana laza ho an'ny tenany manokana. Manao izany ny mpino satria ny fitiavan'i Kristy no manery azy sady ho fanehoana ny voninahitr' Andriamanitra izay miasa ao anatiny.

3- Hanompo mandra-pihavin'nv Tompoíand 10b-ll)
Tsv vonjy tavan'andro na zavatra miserana ny asa fanompoana sy ny fanehom-pitiavana ataon'nv mpino. Fiainana izany ka tokony hatao maharitra sv mandra-pihavin'ny Tompo mihitsy. Izany rahateo no mampiavaka ny Fiangonana amin'ny fikambanana politika na fìkambanana mpanao asa soa.

Fanontaniana:
Inona no heverinao ho asa fanompoana sy fanehoam- pitiavana tokon\' imasoan'ny Fiangonana ankehitriny?

mercredi 1 novembre 2017

Alarobia 01 Novambra 2017 - Lio 2 : 36 - 38

36Nisy koa vehivavy mpaminany* natao hoe Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy amin'ny fokon'i Asera. Tena antitra izy. Fito taona ihany no nanambadiany taorian'ny nahatovovavy azy. 37Dia nipetraka ho mpitondratena izy ary feno 84 taona izao ny andro niainany2.37 Dia nipetraka... niainany: dkt hafa ary efa 84 taona izao no naha-mpitondratena azy. . Tsy niala tao amin'ny tempoly mihitsy izy, fa nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina, ka nifady hanina* sy nivavaka. 38Tonga koa i Ana tamin'io fotoana io ka nisaotra an'Andriamanitra ary nilazalaza momba ity zaza ity tamin'izay rehetra fatra-piandry ny hanavotan'Andriamanitra an'i Jerosalema.

Nv mino miandry ny Tompo

1- Mazoto amin'ny fanoloran-tena
Vehivavy mpitondra tena sy efa antitra i Ana mpaminanivavy kanefa mbola nazoto nankeo ankianjan’ny tempoly sy tsy niala teo. Izany dia noho ny faniriany ahita ny Mpamonjv. Toy izay nataon'ity vehivavy ity dia tsy tokony hatao ho sakana amin'ny fanoloran-tena ny fahosana sy ny fahasahirana. Mazotoa mivavaka sy mamonjy Fiangonana ary mazotoa amin'ny fanoloran-tena mandra-pihavin'ny Tompo Jesoa.

2- Manompo amin'nv fahononan-tena
Ny fivavahana omban'ny fifadian-kanina dia hanehoano fahononan-tena sy fiankinana tanteraka amin'ny herin'Andriamanitra. Mahonon-tena amin'nv zavatra rehetra ny mpino mandra-pihavin7nv 'l'ompo. Ny herinv koa no aoka ianteherantsika mandra-pihaviny indray.

3- Manambara nv amin'i Jesoa Kristv
Nahita ny Mesia i Ana ka nanambara tamin'ireo izav niandry fatratra ny fanavotan'ny Tompo. Fijoroana vavolombelona hanambara ny maha-mpamonjy an'i Jesoa no tsy maintsy ataontsika mpino eo am-piandrasana ny fiverenany indray.

Fanontaniana :
Inona no tena vato misakana amin'ny fanoloran-tenanao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12