lundi 10 avril 2023

Alatsinainy 10 Aprily 2023 - Fil 3 : 1 - 11

 1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo, sady azonareo toky tsara amin’izay. 2Tandremo ny tenanareo amin’ireo mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ireo amboa, tandremo ny tenanareo amin’ireo manan-takaitra! 3Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana, dia isika manompo an’Andriamanitra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin’i Kristy Jesoa fa tsy mitoky amin’ny fombafomban’olombelona. 4Kanefa mba manana izay ahafahako mitoky amin’ny fombafomban’olombelona ihany aho; ka raha misy olon-kafa mihevitra azy ho afa-mitoky amin’ny fombafomban’olombelona, mainka fa izaho. 5Voafora fony teraka herinandro aho; taranak’i Israely; avy amin’ny fokon’i Benjamîna; hebreo ray, hebreo reny; ny amin’ny fitandroana ny lalàna jiosy, dia Farisianina aho; 6nafana fo tokoa aho tamin’ny maha Farisianina ahy, ka nanenjika ny Fiangonana; ny amin’ny maha olo-marina mpanara-dalàna, dia tsy misy hokianina aho. 7Kanefa ireo zavatra izay noheveriko ho tombony ho ahy ireo dia ataoko ho tsinontsinona kosa ankehitriny noho ny amin’i Kristy. 8Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin’ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin’i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an’i Kristy 9ary mba hahatafaray ahy aminy. Tsy manana fahamarinana avy amin’ny fanarahan-dalàna aho; fa ny finoana niainan’i Kristy no ahazoako fahamarinana, dia ilay fahamarinana avy amin’Andriamanitra ka miorina amin’ny finoana. 10Ny hany iriko dia ny hahalalako an’i Kristy, ka hahatsapako ny herin’ny fitsanganany ho velona sy hiombonako fijaliana aminy ary hanahafako Azy amin’ny fahafatesany; 11koa manantena aho amin’izany fa hahatratra ny zava-kendrena, dia ny hitsanganan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12