mercredi 31 juillet 2019

Alarobia 31 Jolay 2019 - Asa 18 : 5 - 11

5Rehefa tonga avy any Masedônia i Silasy mbamin’i Timôty, dia ny toriteny no nimasoan’i Paoly, ary nambarany tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia. 6Kanefa nanohitra sy nanevateva azy ry zareo; ka dia nanopakopa-damba i Paoly sady nanao taminy hoe:
–Anareo ny andraikitra raha toa ka manalavitra an’Andriamanitra ianareo, fa afaka adidy aminareo aho. Manomboka anio dia any amin’ny hafa firenena no halehako.

7Dia niala teo i Paoly ka nankao amin’i Tisio Josta, mpanaja an’Andriamanitra, izay nanan-trano nifanolotra tamin’ny sinagôga. 8Kanefa nino ny Tompo i Krispo, lehiben’ny sinagôga, mbamin’ny ankohonany manontolo; ary maro koa ny Kôrintianina nihaino an’i Paoly no tonga mpino ary natao batisa.

9Indray alina dia nisehoam-pahitana i Paoly, ka nilazan’ny Tompo hoe:
–Aza matahotra, fa mitenena hatrany ary aza mangina. 10Fa momba anao Aho, ary tsy hisy olona afaka hihazona anao mba hampahorîna, satria vahoaka maro no voatokana ho Ahy amin’ity tanàna ity.

11Nitoetra herintaona sy tapany tao Kôrinto i Paoly, ka nampianatra ny tenin’Andriamanitra tamin’ny olona.

mardi 30 juillet 2019

Talata 30 Jolay 2019 - Mat 28 : 16 - 20

16Ary ny mpianatra 11 lahy dia nankany Galilea, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa halehany. 17Nony nahita an’i Jesoa ny mpianatra, dia nitsaoka Azy; kanefa mbola nisalasala ihany ny sasany. 18Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy etỳ an-tany; 19koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra; ka ataovy batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, 20sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.

lundi 29 juillet 2019

Alatsinainy 29 Jolay 2019 - Apo 3 : 1 - 6

1–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Sardy:

«Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy Masina ombàm-panomezana fito avy amin’Andriamanitra sy mitana ny kintana fito: Fantatro ny asanao; fantatro fa malaza hoe velona ianao, kanjo maty. 2Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa efa mila ho faty, satria tsy nisy nahitako lavorary eo anatrehan’Andriamanitro ny asanao. 3Koa tsarovy izay fomba nandraisanao sy nihainoanao ny tenin’Andriamanitra ary dia tano izany ka ialao ny toe-dratsinao. Raha tsy miambina ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao. 4Kanefa eto Sardy ianao dia manana olona vitsivitsy izay tsy nandoto ny akanjony; ary miakanjo fotsy no hiara-mandeha amiko ireo, satria mendrika.

5«Izay maharesy dia hampiakanjoina akanjo fotsy toy izany koa; tsy hamono ny anarany ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay Aho; ary hanaiky azy ho mpomba Ahy eo anatrehan’ny Raiko sy ny *anjeliny.

6«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana.»

dimanche 28 juillet 2019

Alahady 28 Jolay 2019 - Sal 68 : 7 - 14

7Ny manirery omeny ankohonana,
ny voagadra avoakany ho afaka.
Ny mpikomy ihany no hitoetra
any amin’ny tany karankaina.

8Andriamanitra ô, fony Ianao niainga
mba hialoha ny vahoakanao
ka namakivaky izany taniefitra,

9dia nihovotrovotra ny tany,
nanorana koa ny habakabaka
teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Sinay,
teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Israely.
10Ranonoram-pitahiana no narotsakao
ka velombelona terỳ ilay taninao lany hery.
11Tao ny vahoakanao no niorim-ponenana,
fa izany no namboarinao ho an’ny ory
satria tsara fo Ianao, Andriamanitra ô.

12Injao ny Tompo mandefa hafatra,
ka dia zavon-tany ny vehivavy
mitondra ny vaovao manao hoe:
13«Samy vaky nandositra avokoa
na mpanjaka na tafika fahavalo.
Ireo vehivavy tavela tao an-trano
dia mizarazara ny zavatra voababo.
14Na ianareo tsy mba niady aza
fa nijanona niandry valan’ondry,
dia ho tahaka ny voromahailala
misy elany mirava-bolafotsy
sy volony mirava-bolamena tsara.

samedi 27 juillet 2019

Sabotsy 27 Jolay 2019 - Kol 2 : 1 - 7

1Eny, tiako ho fantatrareo fa miezaka mafy tokoa aho hanasoavana anareo sy izay any Laôdisia mbamin’izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako velively. 2Miezaka mafy aho mba ho tafaray tsara amin’ny fitiavana izy ireo ka hampaherezina ny fony ary mba hanan-toky be dia be vokatry ny fahazavan-tsaina omen’Andriamanitra; hany ka ho fantatr’izy ireo tsara ilay tsiambaratelon’Andriamanitra, dia i Kristy: 3fa miafina ao amin’i Kristy ny rakitra rehetra momba ny fahendrena sy ny fahalalana avy amin’Andriamanitra.

4Lazaiko aminareo izany mba tsy hahavoafitaka anareo amin’ny fandrebirebena tsara lahatra. 5Fa na dia lavitra anareo aza aho ara-batana, dia eo aminareo ihany am-panahy; ka faly aho mahita fa milamina tsara ianareo ary ijoroanareo mafy ny finoanareo an’i Kristy.

6Noho ianareo efa nandray an’i Kristy Jesoa ho Tompo, dia manaova fitondrantena toy ny olona tafaray aminy. 7Aoka hahazo vahatra sy hiorina ao amin’i Kristy ianareo; aoka hihamafy hatrany ny finoanareo araka izay efa nampianarina anareo, ary aoka ho feno fisaorana an’Andriamanitra ianareo.

vendredi 26 juillet 2019

Zoma 26 Jolay 2019 - Jer 46 : 27 - 28

27Aza matahotra kosa ianareo,
ry taranak’i Jakôba mpanompoko.
Aza kivy ianao, ry firenena Israely,
fa indro Aho hamonjy anao
avy any amin’ny faritany lavitra any;
indro Aho hamonjy ireo taranakao
avy any amin’ny tany izay nahababo azy.
Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba,
ka hiadana sy handry feizay
fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
28Ry taranak’i Jakôba mpanompoko,
aza matahotra ianareo,
satria Izaho no miaraka aminareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Hofongorako ny firenen-kafa rehetra
izay nanelezako anareo;
ianareo kosa tsy mba hofongorako,
na dia tsy maintsy faiziko
araka ny hitsiny ihany aza
fa tsy havelako ho afa-maina!

jeudi 25 juillet 2019

Alakamisy 25 Jolay 2019 - Mar 6 : 47 - 56

47Efa maizina ny andro no teo ampovoan’ny farihy ny sambokely, ary i Jesoa irery sisa teny an-tanety; 48hitany fa sahirana mafy ny mpianatra nivoy ny sambokely, satria notohain’ny rivotra ry zareo. Ary tokony ho tamin’ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony farihy ka efa hihoatra azy. 49Nahatazana an’i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ary nihevitra Azy ho matoatoa, ka niantsoantso mafy. 50Samy nahatazana an’i Jesoa izy rehetra ka raiki-tahotra.

Avy hatrany dia niteny taminy anefa i Jesoa ka nanao hoe:
–Matokia, fa Izaho ity. Aoka izay ny tahotra!

51Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra, 52satria tsy azony an-tsaina ilay nampitomboana ny mofo, noho ny hamafin’ny fony.

53Ary nony tafita ny rano i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia tonga tao amin’ny faritanin’i Genesareta, ka niantsona teo. 54Rehefa niala tao an-tsambokely ry zareo, dia nahafantatra an’i Jesoa avy hatrany ny olona, 55ka lasa nitety haingana ny faritany manontolo ary nitondra ny marary tamin’ny filanjana hankany amin’izay reny fa nisy Azy. 56Ary tany amin’ny toerana rehetra nalehan’i Jesoa, na tanàna kely na tanàn-dehibe na ambanivohitra, dia teny amin’ny kianja no nametrahana ny marary; ary dia niangavian’ny olona i Jesoa mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany fotsiny ihany aza; ary izay rehetra nikasika Azy dia sitrana avokoa.

mercredi 24 juillet 2019

Alarobia 24 Jolay 2019 - Eks 25 : 1 - 9

1Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:

2–Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin’ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy. 3Ireto avy no fanatitra izay hangoninareo: volamena, volafotsy, halimo, 4volon’ondry miloko volomparasy na mena na jaky, rongony madinika, volon’osy, 5hoditr’ondry miloko mena, hoditra mafy, hazo mimôza, 6solika hampiasaina amin’ny fitoeran-jiro, ilomanitra hafangaro amin’ny ilomasina fanokanana sy amin’ny vovo-javamanitra hodorana, 7vato berila sy vatosoa hafa ho an’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe. 8Hanamboatra tranolay masina ho Ahy ny Israelita mba hitoerako eo aminy. 9Araka ny planina sy ny môdely izay hasehoko anao no handrafetanareo io fonena-masina io sy ny fanaka rehetra momba azy.

mardi 23 juillet 2019

Talata 23 Jolay 2019 - II Tan 6 : 1 - 6

1Dia hoy i Salômôna: «TOMPO ô, efa nilaza Ianao fa honina ao anatin’ny haizim-pito. 2Kanefa izaho efa nanorina trano hipetrahanao, dia toerana honenanao mandrakizay!»

3Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy. 4Avy eo izy dia hoe:
–Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe: 5«Hatramin’ny andro nitondrako ny vahoakako niala tany Ejipta, dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra hanaovana tempoly mba hitoeran’ny voninahitro; ary tsy mbola nisy koa olona nofidiko ho mpifehy an’i Israely vahoakako. 6Fa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny voninahitro, ary nifidy anao Aho, ry Davida hifehy ilay Israely vahoakako.»

lundi 22 juillet 2019

Alatsinainy 22 Jolay 2019 - Eks 3 : 1 - 10

1Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra. 2Tao izy no nisehoan’ny anjelin’ny TOMPO tanaty lelafo teo afovoan’ny roimemy anankiray. Hitan’i Mosesy fa mirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nisy nahalevonana. 3Dia tapa-kevitra hanatona i Mosesy mba hizaha io fisehoana mahagaga io hahalalany izay antony tsy ahalevonan’ny roimemy. 4Rehefa hitan’ny TOMPO fa nanatona mba hizaha i Mosesy, dia tao afovoan’ny roimemy Izy no niantso azy nanao hoe:
–Ry Mosesy! Ry Mosesy!

Ka hoy ny navaliny Azy:
–Inty aho.

5Dia hoy ny TOMPO hoe:
–Aza manatona ny roimemy! Esory ny kapa amin’ny tongotrao fa tany masina ny toerana ijoroanao. 6Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.

Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra. 7Ary hoy ny TOMPO hoe:
–Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan’ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany. 8Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita. 9Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan’ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian’ny Ejiptianina azy. 10Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin’ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.

dimanche 21 juillet 2019

Alahady 21 Jolay 2019 - I Kor 14 : 23 - 25

23Koa raha vory daholo ny mpiangona, ka fiteny tsy fantatra no itenenan’ny olona rehetra, ary misy miditra ao aminareo ny mbola tsy mahalala na ny tsy mpino, tsy holazainy ve fa very saina ianareo? 24Fa raha samy milaza hafatra avy amin’Andriamanitra kosa ny olona rehetra, ka miditra ny tsy mpino na ny mbola tsy mahalala, dia hiaiky ho diso sy meloka izy noho ny anatra ataon’ny olona rehetra; 25hiseho miharihary ny zavatra takona ao am-pony, ka hiankohoka hivavaka amin’Andriamanitra izy sady hilaza fa eo aminareo tokoa Andriamanitra.

samedi 20 juillet 2019

Sabotsy 20 Jolay 2019 - Neh 9 : 7 - 12

7Ianao no TOMPO Andriamanitra,
Izay nifidy an’i Abrama
ka nampiala azy tao Ora any Kaldea
sy nanome anarana azy hoe Abrahama.
8Fo mahatoky anao no hitanao taminy,
ka nanaovanao fanekempihavanana izy
fa homenao ho azy sy ho an’ny taranany
ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hitita, ary ny Amôrita
mbamin’ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita;
ary efa notanterahinao ny teninao,
satria marina Ianao.
9Hitanao ny fahorian’ny razanay tany Ejipta
sady renao ny fitarainany teo amoron’ny Ranomasin’ny Volotara;

10dia nanao famantarana sy fahagagana Ianao
hamelezana ny Farao sy ny mpanompony rehetra
ary ny olona rehetra teo amin’ny taniny,
satria fantatrao fa nianjonanjona
tamin’ny razanay ry zareo.
Nahazoanao laza izany
tahaka izay hita amin’izao anio izao.
11Nosarahinao teo anoloan’ny razanay ny ranomasina
ka nandeha teo afovoany nandia tany maina izy;
fa ireo mpanenjika azy kosa natsipinao tao amin’ny hantsana
ka nilentika tahaka ny vato amin’ny rano lalina.
12Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro,
ary andry afo kosa nony alina,
mba hanazava ny lalan-kalehany.

vendredi 19 juillet 2019

Zoma 19 Jolay 2019 - Sal 91 : 14 - 16

14Hoy ny Tompo hoe: «Nifikitra tamiko izy, ka hovonjeko;
harovako izy satria miaiky ahy ho Tompo.
15Raha miantso vonjy amiko izy, dia hovaliako;
raha azom-pahoriana izy, dia ho eo anilany Aho;
hafahako izy sy homeko voninahitra.
16Hataoko ela velona tokoa izy
ary hanehoako ny famonjeko.»

jeudi 18 juillet 2019

Alakamisy 18 Jolay 2019 - Efe 1 : 1 - 14

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin’i Kristy Jesoa noho ny sitrapon’Andriamanitra.

Mamangy anareo atỳ Efeso aho, dia ianareo vahoakan’Andriamanitra sady mpino tafaray amin’i Kristy Jesoa. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra. 4Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin’i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika, 5dia natokan’Andriamanitra isika mba ho Azy, mba ho tonga zanany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, fa izany no safidin’ny sitrapony. 6Hiderantsika an’Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin’ilay Zanany malalany.

7Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan’Andriamanitra ny harem-pahasoavany, 8izay natosany be dia be tamintsika ka nahazoantsika fahendrena amam-pahalalana feno. 9Dia nampahafantarin’Andriamanitra antsika ilay tsiambaratelon’ny sitrapony, araka ny safidy noheveriny hotontosaina ao amin’ny Zanany. 10Eny, hotanterahiny mandra-pahatongan’ny fotoanandro farany izany tsiambaratelo izany: dia ny hampivondrona ny zavatra rehetra, ny any an-danitra sy ny eto an-tany, ao amin’i Kristy Filoha tokana.

11Tafaray amin’i Kristy izahay ka tonga anjara lovan’Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan’Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain’ny sitrapony. 12Hideranay an’Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an’i Kristy.

13Tafaray amin’i Kristy koa ianareo, satria efa renareo ilay hafatra marim-pototra, izany hoe ny Vaovao Mahafaly izay nitondra ny famonjena taminareo, ary efa ninoanareo i Kristy. Ka dia nasiana tombokase maha fananan’Andriamanitra ianareo, tamin’ny nanomezana anareo ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina. 14Io Fanahy Masina io no antoka hahazoantsika ny lova natokan’Andriamanitra ho an’ny vahoakany, mba hahatanteraka ny fanavotana ireo olona natao mba ho fananan’Andriamanitra, hiderantsika ny voninahitr’Andriamanitra izany!

mercredi 17 juillet 2019

Alarobia 17 Jolay 2019 - Sal 97 : 1 - 6

1Ny TOMPO no mpanjaka: miravoa, ry tany tontolo;
mifalia, ry mponina amin’ny nosy maro.
2Rahona sy zavona mikitroka no manodidina Azy;
rariny sy hitsiny no iorenan’ny fanjakany.
3Misy afo mandeha mialoha Azy
ka mandevona ny fahavalony eny manodidina.
4Mahazava izao tontolo izao ny tselany;
mahita izany ny tany ka dia mangovitra.
5Miempo toy ny savoka ny tendrombohitra
eo anoloan’ilay TOMPOn’ny tany tontolo;
6manambara ny fahamarinany ny lanitra
ary mahita ny voninahiny ny firenen-drehetra.

mardi 16 juillet 2019

Talata 16 Jolay 2019 - Zak 8 : 1 - 8

1Ary nisy tenin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tamiko nanao hoe:

2«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:
Miredaredam-pitiavana an’i Tsiôna Aho;
eny, miredaredam-pitiavana fatratra azy Aho.
3Koa Izaho TOMPO mihitsy no milaza
fa efa tafaverina indray eto Tsiôna Aho
ka monina eo afovoan’i Jerosalema.
Ny hiantsoana an’i Jerosalema dia «Tanàna mahatoky.»
ary ny hiantsoana an’i Tsiôna tendrombohitro
dia «Tendrombohitra masina.»
4Eny, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao,
mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra
hipetrapetraka eny an-kianjan’i Jerosalema;
ka isan’olona ireo, noho ny fahanterany,
dia samy hitondra tehina an-tanana.
5Ary ny kianjan’io tanàna io koa
dia ho feno zazalahy sy zazavavy milalao.
6Dia hoy ihany Izaho TOMPOn’izao rehetra izao:
Raha sarotra atao ho amin’ireo andro ireo izany
ho an’ny vahoaka israelita sisa velona,
dia tsy ho sarotra atao kosa izany amiko.
Izaho TOMPOn’izao rehetra izao
no manao izany teny hentitra izany.
7Eny, Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia mampanantena
fa ny vahoakako voaeliko dia hovonjeko
avy any atsinanana sy avy any andrefana.
8Hitondra azy avy any Aho,
ka hamponina azy ao Jerosalema;
dia ho vahoakako izy,
ary Izaho ho Andriamaniny
amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana.»

lundi 15 juillet 2019

Alatsinainy 15 Jolay 2019 - Lev 26 : 9 - 12

9Hijery anareo am-pitiavana Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo ary hitazona ny fanekempihavanako aminareo. 10Ho be ny vokatra miakatra ka haharitra hihinananareo ny vokatra tranainy ary hisy sisa hatao varo-boba fotsiny aza mba hasiana ny vao. 11Hiorim-ponenana eo afovoanareo Aho ary tsy ho tofoka aminareo. 12Handeha miaraka aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo ho vahoakako.

dimanche 14 juillet 2019

Alahady 14 Jolay 2019 - Mat 18 : 18 - 20

18Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.

19–Lazaiko marina aminareo koa fa raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ an-tany fa hangataka zavatra na inona na inona am-bavaka, dia ho azony avy amin’ny Raiko Izay any an-danitra izany. 20Satria na aiza na aiza iangonan’olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany Aho.

samedi 13 juillet 2019

Sabotsy 13 Jolay 2019 - II Pet 3 : 14 - 18

14Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo. 15Hevero fa ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr’i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen’Andriamanitra azy. 16Toy izany koa no ataony ao amin’ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin’ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin’ny teny hafa raketin’ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.

17Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan’ny hevi-dison’ireo ratsy fanahy, ka hiala amin’izay iorenanareo. 18Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.

vendredi 12 juillet 2019

Zoma 12 Jolay 2019 - Amo 5 : 16 - 17

16Koa izao no lazain’ny TOMPO,
ilay Andriamanitr’izao rehetra izao sady Tompoko:
«Eny an-kalamanjana rehetra
dia hisy tomanim-pisaonana;
ary eny amin’ny arabe rehetra
dia hisy hanao hoe: ‹Indrisy! Indrisy!›
Ny mpamboly koa hantsoina hiaraka ory;
ary ireo mpiantsa fahoriana hanao hiram-pisaonana.
17Any amin’ny tanimboaloboka rehetra
dia hisy tomanim-pisaonana,
satria handalo ao aminareo Aho.
Izaho TOMPO no miteny.»

jeudi 11 juillet 2019

Alakamisy 11 Jolay 2019 - Apo 22 : 1 - 5

1Dia nasehon’ny anjely tamiko ity onin-dranovelona manganohano toy ny vato kristaly, nivoaka avy teo amin’ilay sezafiandrianana ipetrahan’Andriamanitra sady ipetrahan’ny Zanakondry. 2Teo anelanelan’ny lalamben’ny tanàna etsy an-kilany ary ny ony etsy an-daniny, dia nisy hazo anankiray manome fiainana: io hazo io dia mamoa voa in-12 isan-taona, izany hoe indray mandeha isam-bolana; ary ny raviny dia hanasitranana ny firenena. 3Ka tsy hisy zavatra hiharan’ny loza nambaran’Andriamanitra intsony.

Ilay sezafiandrianana, ipetrahan’Andriamanitra sady ipetrahan’ny Zanakondry, no ho ao an-tanàna; ka dia hanompo an’Andriamanitra ireo mpanompony 4sy hahita ny tavany ary hanana ny anaran’Andriamanitra voasoratra eo amin’ny handriny. 5Tsy hisy alina intsony ary tsy mba mila fahazavàn’ny jiro na fahazavàn’ny masoandro ireo mpanompon’Andriamanitra, satria hohazavain’ny Tompo Andriamanitra izy rehetra sady hanjaka mandrakizay mandrakizay.

mercredi 10 juillet 2019

Alarobia 10 Jolay 2019 - Job 42 : 7 - 10

7Rehefa voalazan’ny Tompo tamin’i Jôba ireo teny ireo, dia i Elifaza avy any Temàna no nataotaony hoe:
–Tezitra aminao sy ny namanao roa lahy Aho satria tsy mba marina tahaka izay nolazain’i Jôba mpanompoko ny filàzanareo Ahy. 8Koa ankehitriny makà ombilahy fito sy ondrilahy fito ianareo, dia mankanesa any amin’ny Jôba mpanompoko. Hatolotrareo ho sorona dorana manontolo noho ny fahotanareo ireo biby ireo; ary hifona ho anareo i Jôba mpanompoko. Fa ho sitrako ny vavak’i Jôba, ka tsy hamaly anareo araka ny hadalànareo Aho na dia tsy marina tahaka izay nolazain’i Jôba mpanompoko aza ny filàzanareo Ahy.

9Dia nandeha i Elifaza avy any Temàna sy i Bildada avy any Soha ary i Tsôfara avy any Nahama ka nanao izay nasain’ny TOMPO hataony; ary sitraky ny TOMPO ny vavak’i Jôba.

10Rehefa avy nivavaka ho an’ireo namany i Jôba, dia naverin’ny TOMPO hanan-karena indray ary nomeny indroan’izay rehetra nananany fahiny aza.

mardi 9 juillet 2019

Talata 09 Jolay 2019 - Jao 14 : 15 - 21

15Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko. 16Izaho koa hangataka amin’ny Ray, ary Izy no hanome anareo Mpampionona hafa mba homba anareo mandrakizay. 17Izany Mpampionona hafa izany dia ny Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo.

18Tsy hamela anareo ho kamboty Aho, fa hiverina atỳ aminareo. 19Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy satria velona Aho ary ho velona koa ianareo. 20Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho dia ao anatin’ny Ray, ianareo ato anatiko ary Izaho ao anatinareo.

21Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin’ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy.

lundi 8 juillet 2019

Alatsinainy 08 Jolay 2019 - Deo 31 : 1 - 8

1Dia avy indray i Mosesy nampita ireto teny ireto tamin’ny Israelita ka nanao taminy hoe:
2–Feno 120 taona androany aho ka tsy afa-misahana ny andraikitra fitarihana anareo intsony; sady ny TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Tsy hita io Jôrdàna io ianao!» 3Ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no hita eo alohanareo, Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanareo, mba hahazoanareo ny taniny; ary i Josoa mihitsy no hita eo alohanareo araka izay efa voalazan’ny TOMPO. 4Tahaka ny nataon’ny TOMPO tamin’i Sihôna sy i Hôga, mpanjaka amôrita, izay naringany mbamin’ny taniny, no hataony amin’ireo firenena ireo koa. 5Hatolotry ny TOMPO eo anoloanareo ireo ka araka ny didy nampitaiko manontolo taminareo no hataonareo aminy. 6Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na manahy an’ireo firenena ireo, satria ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo ary tsy handao anareo na hahafoy anareo.

7Dia nantsoin’i Mosesy i Josoa ka nitenenany teo imason’ny Israelita rehetra hoe:
–Mahereza sy matanjaha, satria ianao sy ity vahoaka ity dia hiara-miditra ao amin’ny tany izay nianianan’ny TOMPO fa homena ny razambenareo; ary ianao no hizara izany tany izany ho fananan’ity vahoaka ity. 8Ny TOMPO mihitsy no handeha eo alohanao, Izy no hiaraka aminao ary tsy handao anao na hahafoy anao; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.

dimanche 7 juillet 2019

Alahady 07 Jolay 2019 - Eks 33 : 7 - 11

7Isak’izay nilasy an-toby ny Israelita, dia nalain’i Mosesy ny tranolay masina ka naoriny teny ivelan’ny toby, teny lavidavitra. Nantsoina hoe Tranolay fihaonana izany, satria izay rehetra te hanontany ny TOMPO dia mivoaka ny toby ka mankao amin’izany tranolay izany. 8Rehefa mankany i Mosesy, dia mitsangana avokoa ny olona mankeo am-baravaran’ny tranolainy avy, ka mijery an’i Mosesy ambara-pidiny ao amin’ny tranolay masina. 9Rehefa tafiditra i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ary niresaka tamin’i Mosesy ny TOMPO. 10Raha vao hitan’ny Israelita rehetra ny andry rahona nijanona teo am-baravaran’ny tranolay masina, dia samy niankohoka amin’ny tany teo am-baravaran’ny tranolay avy ny tsirairay. 11Ary ny TOMPO niteny nifanatrika tamin’i Mosesy tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Taorian’izay dia niverina ho an-toby i Mosesy; fa i Josoa, zanakalahin’i Nona sady zatovo mpanompon’i Mosesy, no mbola nijanona tao anatin’ny tranolay masina.

samedi 6 juillet 2019

Sabotsy 06 Jolay 2019 - I Kor 11 : 23 - 26

23Fa izao no hafatra noraisiko tamin’ny Tompo ary nampitaiko taminareo: I Jesoa Tompo tamin’ilay alina nanolorana Azy, dia nandray mofo; 24ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny ka nataony hoe: «Ny tenako ity, izay ho anareo. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.» 25Taorian’ny sakafo, dia noraisiny toy izany koa ny kaopy masina sady nataony hoe: «Ity kaopy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao, aorin’Andriamanitra amin’ny rako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro amin’ny kaopy masina ianareo.» 26Koa mandra-piavin’ny Tompo, dia manambara ny fahafatesany ianareo, isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro izany fisotro izany.

vendredi 5 juillet 2019

Zoma 05 Jolay 2019 - Gen 17 : 1 - 8

1Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe:
–Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny; 2fa hotolorako ny fanekempihavanako ianao, ary hohamaroiko fatratra.

3Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:

4–Amiko, dia izao no fanekempihavanako aminao: Hanjary razamben’ny firenena maro ianao. 5Tsy hatao hoe Abrama intsony ny anaranao fa hanjary Abrahama, satria hataoko razamben’ny firenena maro ianao. 6Hataoko maro taranaka fatratra ianao ka hanjary firenena maro, sady hisy mpanjaka hipoitra avy aminao. 7Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho. 8Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany Kanahàna manontolo, dia izao tany ivahinianao izao, ho fananany mandrakizay; ary ho Andriamanitr’izy ireo Aho.

jeudi 4 juillet 2019

Alakamisy 04 Jolay 2019 - Eze 36 : 8 - 12

8Amin’izay fotoana izay ny hazo eny an-tendrombohitr’i Israely dia handravina sy hamoa ho anareo, ry Israelita vahoakako; fa efa antomotra ny hiverenanareo any an-tanindrazanareo. 9Eny, hitodika aminareo Aho ka hanambina anareo, ary hahatonga ny taninareo ho voaasa sy ho voavoly indray. 10Hohamaroiko ny mponina manerana ny tanin’i Israely. Honenana indray ireo tanàna satria efa voaorina ny rava. 11Hohamaroiko ny olona sy ny biby fiompy eo aminareo ka hitombo isa sy hiteraka. Ho betsaka tahaka ny taloha ny mponina ary hataoko mandroso kokoa noho ny fahizany. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. 12Hampivoivoy anareo ao amin’ny tany Aho, ry Israelita vahoakako. Haka azy ho fanananareo ianareo; dia ho lasanareo izy ka tsy hahalany fara anareo intsony.›

mercredi 3 juillet 2019

Alarobia 03 Jolay 2019 - Lio 7 : 1 - 10

1Rehefa avy nampandre ny vahoaka izany teniny rehetra izany i Jesoa, dia niverina tany Kafarnahòma. 2Nisy kosa kapitenin-tafika nanana mpiasa narary efa ho faty, mpiasa sarobidy aminy tokoa. 3Vao nahaheno ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholona jiosy hankany aminy hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay mpiasa.

4Rehefa tonga teo amin’i Jesoa ireto iraka, dia niangavy Azy mafy hoe:
–Mendrika hanaovana izany io kapiteny io fa tia ny firenentsika, 5ary izy mihitsy aza no nanorina ny sinagôgantsika.

6Dia niara-nandeha tamin’ireo loholona i Jesoa. Ary rehefa mby akaikin’ny trano Izy, dia nanirahan’ilay kapiteny olona mahatoky indray hilaza aminy hoe:
–Aza misahirana toy izao re, Tompoko, fa tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; 7ary izany no anton’ny tsy nisehoako vatana taminao; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana anie ny mpiasako. 8Izaho manko, na ambany fahefàn’olona aza, mba mifehy miaramila ihany: ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.

9Gaga tamin’ilay kapiteny i Jesoa raha nandre izany, ary dia nitodika tamin’ny vahoaka nanaraka Azy ka nanao hoe:
–Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza!
10Nony tafaverina tany an-tranon’ilay kapiteny ireto iraka, dia nahita ilay mpiasa salama soa aman-tsara.

mardi 2 juillet 2019

Talata 02 Jolay 2019 - I Mpa 9 : 1 - 5

1Rehefa vitan’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka ary izay rehetra niriny hatao, 2dia nisehoan’ny TOMPO tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibehôna indray izy, 3ka nilazany hoe:

–Efa reko ny vavaka amam-pifonana nataonao tamiko; koa efa voatokako ho Ahy ity trano nataonao ity mba hampitoerako mandrakizay ny voninahitro; ka ho ao aminy mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo. 4Ianao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran’i Davida rainao tamin’ny fo tsotra sy mahitsy, ka manao araka izay rehetra andidiako anao sy mitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, 5dia hampaharitra mandrakizay ny sezafiandrianam-panjakanao amin’i Israely Aho, araka ny nampanantenaiko an’i Davida rainao ka nilazako fa tsy ho diso taranaka handimby izy eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.

lundi 1 juillet 2019

Alatsinainy 01 Jolay 2019 - Sal 139 : 1 - 12

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

TOMPO ô, nandinika ahy Ianao
ka fantatrao avokoa ny momba ahy.
2Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
elabe mialoha, dia efa tsinjonao ny hevitro.
3Voadinikao aho na mamindra na miato;
ary tsy misy miafina aminao ny làlan-kalehako.
4Tsy mbola eo am-bavako akory ny teny holazaiko,
dia indro efa fantatrao avokoa, TOMPO ô.
5Voambombanao aho na eo aloha na eo ivoho;
ny fiarovanao no apetrakao amiko.
6Mahagaga loatra amiko ny fahalalànao ahy;
avo tokoa izany, ka tsy takatro velively.

7Aiza no hialàko lavitra ny Fanahinao?
Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
8Raha miakatra any an-danitra aho, any Ianao;
mandry any amin’ny toeran’ny maty aho, io koa Ianao.
9Raha maka ny elatry ny mazavatsinanana aho
na lasa honina any am-paran’ny ranomasina,
10dia mbola ny fiarovanao no mitondra ahy any
ary mbola ny herinao koa no mihazona ahy.
11Ka hoy aho hoe: «Aoka ny haizina hanarona ahy!
Aoka ny hazavana manodidina ahy hanjary alina!»
12Na ny haizina aza tsy maizina aminao,
ary ny alina koa dia mazava toy ny andro:
ny haizina dia toy ny hazavana ihany!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12