vendredi 23 décembre 2022

Zoma 23 Desambra 2022 - Lio 12 : 32 - 40

 32–Aza matahotra, ry andian’ondry vitsy, fa efa sitraky ny Ray homena anareo ny Fanjakany! 33Amidio ny fanananareo ka ny vola azo, anaovy asa fiantrana. Kitapom-bola tsy mety tontan’ny ela atao ho anareo, dia harena tsy mety lany any an-danitra; any tsy mba misy mpangalatra mihaodihaody na kadradraka manimba. 34Fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa!

35–Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto. 36Manaova toy ny mpanompo miandry izay hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fanasana; raha vao tonga sy mandondòna izy, dia vohain’ny mpanompony miaraka amin’izay. 37Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy. 38Na misasakalina na maneno akoho no ahatongavan’ny tompony ka mahita ireo mpanompo miari-tory toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo! 39Izao no ataovy an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny ora iavian’ny mpangalatra, dia tsy havelany hotamîna ny tranony! 40Ianareo koa, aoka ho vonona hatrany, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.

jeudi 22 décembre 2022

Alakamisy 22 Desambra 2022 - Oha 8 : 12 - 21

 12«Izaho Fahendrena no manana ny fahamalinana

ka nahazo ny fahaiza-manao drafitrasa.

13Ny fankahalana ny ratsy no fanajana ny TOMPO.

Samy halako na ny fiavonavonana na ny fireharehana

na ny fitondrantena ratsy na ny vava fandainga.

14Ahy ny fahaiza-mamolavola sy mampihatra;

Ahy koa ny fahaiza-manavaka sy ny hery manatanteraka.

15amin’ny alalako no anjakan’ny mpanjaka,

sy ahazoan’ny mpitondra manao didy ara-drariny;

16amin’ny alalako no ifehezan’ireo mpifehy

sy anaovan’ireo loholona fitsarana ara-drariny.

17Izaho dia tia izay tia ahy;

ary izay mikatsaka ahy no hahita ahy.

18Miaraka amiko ny harena sy ny voninahitra,

dia fananana mateza sy fanambinana sahaza.

19Izay omeko dia tsara noho ny volamena,

eny, noho ny volamena madio indrindra;

ary izay azo avy amiko dia tsara

noho ny volafotsy voafantina.

20Ny soritry ny fahamarinana no izorako

dia ny lalana anjakan’ny rariny,

21mba hampahazoako zava-tsoa ireo tia ahy

ka hamenoako ny tranon-drakiny.

mercredi 21 décembre 2022

Alarobia 21 Desambra 2022 - I Kor 15 : 24 - 28

 24Aorian’izany, dia ho tonga ny farany: hofoanan’i Kristy avokoa ireo fanapahana sy fahefana ary hery15.24 fanapahana sy fahefana ary hery: fiteny enti-manondro izay rehetra mitsangan-kanohitra an’i Kristy, na anjely izany na olombelona (jereo 1Kôr 2.6; Kôl 2.15; Rm 8.38). manohitra Azy, ka hatolony an’ilay Andriamanitra sady Ray ny Fanjakana. 25Satria tsy maintsy manjaka i Kristy, ary hataon’Andriamanitra eo ambany tongotr’i Kristy avokoa ireo fahavalo rehetra15.25 Jereo Sal 110.1.. 26Ny fahavalo farany hofoanana dia ny fahafatesana, 27fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Ny zavatra rehetra dia nampaneken’Andriamanitra ho eo ambanin’ny tongony15.27 Sal 8.7..» Kanefa raha ny Soratra Masina milaza hoe: «Nampanekena Azy ny zavatra rehetra», dia miharihary fa tsy mba isan’izany Andriamanitra Izay nampanaiky an’i Kristy ny zavatra rehetra. 28Ary rehefa nampaneken’Andriamanitra an’i Kristy ny zavatra rehetra, na Izy Zanaka ihany koa aza dia hanaiky an’Andriamanitra Izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra; hany ka ho zavatra rehetra amin’ny olona rehetra Andriamanitra.

mardi 20 décembre 2022

Talata 20 Desambra 2022 - Jer 29 : 4 - 9

 4«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely, ho an’izay rehetra natolony ho babo avy tao Jerosalema ho any Babilôna:

5‹Manorena trano ho anareo ka ipetraho; voleo ny tanimboly ka hano izay vokatra avy aminy. 6Manambadia ka miteraha zanakalahy sy zanakavavy; akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka koa izy. Hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy! 7Katsaho izay hampisy fiadanana any amin’ny tanàna izay nandefasako anareo ho babo, ka mivavaha amiko ho azy, fa arakaraky ny hampiadana azy no hiadananareo koa.›

8«Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely: ‹Aza manaiky hofitahin’ireo mpaminany izay eo anivonareo na ireo mpisikidy. Aza mihaino ireo mpilaza nofy izay manazava ny nofinareo29.8 Tamin’ny andron’i Jeremià dia maro ireo kalazalahy nihambo ho nahalala ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny famoahana ny hevitry ny nofy: jereo 27.9.. 9Fa mihambo ho maminany amin’ny anarako izy nefa lainga izany, fa tsy naniraka azy akory Aho, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›

lundi 19 décembre 2022

Alatsinainy 19 Desambra 2022 - Mar 13 : 9 - 13

 9Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany. 10Kanefa tsy maintsy hotorîna amin’ny firenena rehetra aloha ny Vaovao Mahafaly. 11Rehefa hoentina hatolotra amin’ny mpitsara ianareo, dia aza manahy hoe inona no holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izay fotoana izay, lazaina; satria tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin’ny Fanahy Masina. 12Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy ray hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampanameloka azy ho faty13.12 Ampit Mt 7.6.. 13Hankahalain’ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; kanefa izay maharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.

vendredi 16 décembre 2022

Zoma 16 Desambra 2022 - Dan 7 : 13 - 28

 13«Dia mbola nijery ny fahitana azoko tamin’ny alina ihany aho, ka indro nisy tahaka ny zanak’olona tonga teny amin’ny rahon’ny lanitra; ary nankeo amin’ilay Antidahy izy sady nampanakaikezina azy7.13 Jereo Mt 24.30; 26.64; Mk 13.26; 14.62; Lk 21.27, Apôk 1.7,13; 14.14. –tahaka ny zanak’olona: ny fiteny aramianina ara-bakiteny «zanak’olona iray» dia fomba fiteny niavian’ny hoe «zanak’olona» ao amin’ny Testamenta Vaovao.. 14Ary nomena azy ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy ny foko sy firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra. Ny fanapahany dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-petra, ary ny fanjakany tsy ho rava na oviana na oviana.7.14 Jereo Apôk 11.15.

15«Izaho Daniela dia nitebiteby hatramin’ny aty fanahiko7.15 hatramin’ny aty fanahiko: tsy mazava ny teny aramianina ka tsy azo antoka ny dikanteny. fa nampitahotra mafy ahy ny fahitana. 16Dia nanatona ny anankiray tamin’izay nitsangana teo aho ary nanontany azy ny tena hevitr’ireo rehetra ireo. Koa nambarany tamiko sady nampahafantariny ahy ny dikany. 17Ireo biby efatra lehibe dia mampiseho fanjakana efatra hipoitra avy amin’ny tany7.17 Ny momba ireo fanjakana efatra ireo dia jereo ny naoty eo amin’ny 2.40.. 18Aorian’izany dia ho lasan’ny olo-masin’ny Avo Indrindra ny fanjakana ho fananany mandrakizay mandrakizay7.18 Jereo Apôk 22.5.. 19Dia niriko ho fantatra mazava ny amin’ilay biby fahefatra izay hafa noho ny rehetra sady nahatsiravina loatra fa nanana nify vy sy hoho halimo izay nihinanany sy namiravirany, ka ny tongony no nanosihosy izay sisa tsy laniny; 20niriko ho fantatra mazava ny amin’ireo tandroka folo teo an-dohany sy ilay tandroka iray izay nipoitra ka nampianjera ny telo teo anoloany; io tandroka io dia nanana maso sy nanana vava niteny avonavona mihoa-pampana ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany. 21Mbola nijery ihany aho, ary hitako nanoto ny vahoakan’Andriamanitra io tandroka io ka nandresy azy7.21 Jereo Apôk 13.7., 22ambara-piavin’ilay Antidahy ka nanomezany rariny an’ilay vahoakan’ny Avo Indrindra7.22 rariny: dkt hafa fahefà-mitsara. Jereo Apôk 20.4.. Rehefa tonga ny fotoanandro, dia ho azon’io vahoaka io ny fanjakana.

23Izao no nambarany: «Ny biby fahefatra dia fanjakana fahefatra eto an-tany izay hafa noho ireo fanjakana rehetra, fa hihinana ny tany tontolo izy ka hanosihosy sady hanorotoro azy. 24Ary ny tandroka folo dia mampiseho mpanjaka folo izay hifandimby hifehy io fanjakana io; ary hisy mpanjaka iray hafa noho ireo teo alohany hitsangana manaraka an’ireo, rehefa avy handresy mpanjaka telo7.24 Jereo Apôk 17.12. Ireo mpanjaka folo ireo dia mety ho ireo mpanjaka folo voalohany tao amin’ny fanjakana seleosida.. 25Hilaza teny manohitra ny Avo Indrindra izy, hampahory ny vahoakan’ilay Avo Indrindra sady mihevitra hanova ny fankalazana sy ny lalàna; ary hatolotra eny an-tanany nandritra ny telo taona sy tapany io vahoakan’Andriamanitra io7.25 Jereo 12.7; Apôk 12.14; 13.5-6. Ny mpanjaka faha-11 (and 14) dia mety ho Antiôkôsa Epifàna (175-164 tal J.K.) izay nanenjika fatratra ny Jiosy, ka nandrara hatramin’ny fankalazana ny sabata* sy ny fety isan-karazany voarakitra tao amin’ny Kalendary jiosy. –telo taona sy tapany: ny aramianina dia maneho io fe-potoana amin’ny fomba manjavozavo ihany amin’ny filazana hoe fotoana iray, fotoana roa, ary antsasa-potoana. ireo. 26Avy eo dia ho avy ny fitsarana any an-koatra ka hesorina amin’io biby io ny fiandrianany izay horavana7.26 ny fiandrianany izay horavana: dkt hafa ny fiandrianany, ary ny tenany mihitsy no horavana. sy holevonina hatramin’ny farany. 27Ny fahefà-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana rehetra eny ambanin’ny lanitra dia homena ny vahoakan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefà-manjakan’io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy7.27 Jereo Apôk 20.4; 22.5..

28«Mifarana eo ilay tantara. Fa ny amiko Daniela kosa dia nampitebiteby mafy ahy ny eritreritro ka nivaloarika ny tarehiko; nefa notehiriziko tao am-poko izany zavatra izany.»

jeudi 15 décembre 2022

Alakamisy 15 Desambra 2022 - I Pet 2 : 11 - 17

 11Ry hava-malala, amin’ny maha vahiny sy mpivahiny anareo eto an-tany dia mampirisika anareo aho mba hifady ny filàndratsin’ny maha olona mpanota, fa miady manohitra ny fanahinareo ireny. 12Manàna fitondrantena tsara eo anivon’ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro hiavian’i Kristy.

13Noho ny Tompo dia maneke ny fahefana rehetra misy eo amin’ny olombelona: na ny filoham-pirenena izany, satria mpitondra faratampony izy; 14na ireo mpifehy izany, satria nirahin’ny filoham-pirenena izy mba hanasazy ny mpanao asa ratsy ary mba hidera ny mpanao asa soa2.14 And 13-14: ampit Rm 13.1-7.. 15Fa izao no sitrapon’Andriamanitra: ny hanampenanareo vava ny olona adala sy tsy mahalala amin’ny asa soa ataonareo. 16Maneke araka ny maha olona afaka anareo; nefa aoka ny fahafahanareo tsy hampiasaina hanaovan-dratsy, fa hiainana araka ny maha mpanompon’Andriamanitra. 17Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an’Andriamanitra, manajà ny filoham-pirenena.

mercredi 14 décembre 2022

Alarobia 14 Desambra 2022 - Lio 19 : 11 - 26

 11Raha mbola nihaino izany teo ny olona, dia nanaovan’i Jesoa fanoharana indray. Akaiky an’i Jerosalema manko Izy tamin’izay ka noheverin’ny olona fa efa nadiva hiseho ny Fanjakàn’Andriamanitra. 12Toy izao àry ny tenin’i Jesoa:

–Lasa tany an-tany lavitra ity andriandahy anankiray handray ny fahefana hanjaka, dia hiverina. 13Niantsoany folo lahy ny mpanompony talohan’ny hiaingany, ka samy nomeny denàry zato avy sady nataony hoe: «Ampiasao ireny mandra-piveriko.» 14Hàlan’ny mpiray tanindrazana aminy kosa ilay andriandahy ka nandefasany iraka nanaraka azy hilaza hoe: «Tsy mila iny lehilahy iny ho mpanjaka izahay.»

15Rehefa nahazo ny fahefana hanjaka izy, dia nody an-tanindrazana ary nampiantso an’ireo nomeny vola mba hahalalany izay tombony azony avy. 16Niseho ilay voalohany ka nilaza hoe: «Nahazo denàry arivo, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy!» 17Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara; nahatoky tamin’ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra tanàna folo.» 18Tonga ny faharoa ka nanao hoe: «Namokatra denàry dimanjato, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy!» 19Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Ianao indray dia tendreko hiandraikitra tanàna dimy.» 20Tonga kosa ny anankiray hafa ka nanao hoe: «Intỳ, tompoko, ny denàry zato nomenao ahy, fa nataoko tsara tahiry tanaty mosara. 21Natahotra anao manko aho, satria lehilahy sarotiny ianao, ka maka izay tsy napetrakao ary mijinja izay tsy nafafinao.» 22Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Mpanompo ratsy fanahy raha ianao! Ny teninao no itsarako anao: fantatrao fa lehilahy sarotiny aho, maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko; 23koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako, ka ho noraisiko mbamin’ny zana-bola rehefa tafaverina aho?» 24Ary hoy ny mpanjaka tamin’izay nanatrika teo: «Alao ny denàry zato eny aminy ka omeo an’ilay nahazo denàry arivo!» 25Dia hoy ireo tamin’ny mpanjaka: «Ka efa manana denàry arivo anie izy, tompoko!» 26Fa novaliany hoe: «Lazaiko aminareo fa izay rehetra manana no homena hatrany; ary izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy.

mardi 13 décembre 2022

Talata 13 Desambra 2022 - II Sam 7 : 8 - 16

 8Koa lazao amin’i Davida mpanompoko fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no mampita hafatra hoe: ‹Izaho no naka anao teo am-piandrasana ondry tany an-kijàna mba ho filohan’i Israely vahoakako7.8 tany an-kijàna: jereo 1 Sam 16.11; filohan’i Israely: jereo 5.2.. 9Niaraka taminao Aho teo amin’izay nalehanao rehetra, ka nandripaka ny fahavalonao rehetra teo anoloanao, ary hataoko lehibe ny lazanao tahaka ny an’ireo olona ambony eto an-tany. 10Ary handraiketako toerana iray hampiorenako azy ny Israely vahoakako, ka dia honina tsy hanana ahiahy amin’izany izy. Fa tsy hisy firenen-dozabe hampahory azy intsony taloha, 11dia tamin’ny andro nanendreko mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary hampiadana anao ho afaka amin’ny fahavalonao rehetra Aho. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO mihitsy no hanome taranaka ho anao7.11 Amin’ny and 5-11, ny RM dia manao lalaon-teny amin’ny hevitra roa ananan’ilay voambolana izay mazàna adika hoe «trano». Ara-bakiteny, dia hoy ny Tompo amin’i Davida: Tsy ianao no hanao trano ho Ahy, (tempoly no tian-kambara, and 5), fa Izaho no hanao trano ho anao (taranaka no tian-kambara, and 11).. 12Ary rehefa ho tapitra ny andronao ka hodimandry any amin’ireo razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ka haoriko mafy ny fanjakany7.12 Jereo 1 Mp 2.12-46.. 13Izy no hanao trano ho an’ny anarako7.13 Jereo 1 Mp 6.; ary haoriko mafy mandrakizay ny sezafiandrianam-panjakàny. 14Izaho ho rainy ary izy ho zanako7.14 Jereo 2Kôr 6.18; Heb 1.5.. Raha manao ratsy izy, dia hofaiziko araka ny fomban’ny olona sy amin’ny loza mahavoa ny olombelona. 15Kanefa tsy hanesotra aminy na oviana na oviana ny fitiavako Aho, tahaka ny nanesorako7.15 And 14-15: ampit Sal 89.31-35. –nanesorako izany: jereo 1 Sam 15.28. izany tamin’i Saoly izay nasoloako anao. 16Ho azo antoka hitohy mandrakizay any aorianao ny taranakao sy ny fanjakanao, ary ny sezafiandriananao tsy ho voahozongozona mandrakizay.› »

lundi 12 décembre 2022

Alatsinainy 12 Desambra 2022 - Mar 1 : 21 - 28

 21Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra. 22Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy 24ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. 25Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. 26Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. 27Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. 28Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.

dimanche 11 décembre 2022

Alahady 11 Desambra 2022 - Apo 11 : 15 - 19

 15Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. 16Ary ny loholonapresbytera fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra 17nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao. 18Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.

19Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.

samedi 10 décembre 2022

Sabotsy 10 Desambra 2022 - II Tan 32 : 16 - 23

  16Ary ny mpanompon'i Sankeriba mbola niteny ratsy an'i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony, 17sady nanoratra taratasy hihaika an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien'ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ny olony tamin'ny tanako no tsy hahavonjen'ny Andriamanitr'i Hezekia ny olony koa amin'ny tanako. 18Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna. 19Ary Andriamanitr'i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny, izay asan'tànan'olona ihany. 20Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, ka nitaraina tamin'ny lanitra. 21Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin'ny sabatra ny zanany naterany. 22Toy izany no namonjen'i Jehovah an'i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin'ny tànan'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, sy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin'ny manodidina rehetra Izy. 23Ary ny maro nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izany.

vendredi 9 décembre 2022

Zoma 09 Desambra 2022 - Apo 19 : 5 - 10

 5Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an'Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe. 6Dia nahare feo tahaka ny an'ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon'ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka. 7Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny. 8Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina. 9Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanitra. 10Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo. aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana.

jeudi 8 décembre 2022

Alakamisy 08 Desambra 2022 - Lio 12 : 13 - 21

13Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko. 14Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo? 15Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany. 16Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be. 17Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho? 18Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako. 19Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. 20Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao? 21Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.

mercredi 7 décembre 2022

Alarobia 07 Desambra 2022 - Sal 22 : 22 - 31

 22vonjeo tsy ho rotidrotiky ny liona,

ary tsy ho voan’ireo tandrok’ombimanga.

Dia namaly ny vavaka nataoko Ianao!

23Koa hanambara ny lazanao amin’ireo namako aho

ary hidera Anao, rehefa miangona izahay:

24«Miderà ny TOMPO, ianareo mpanaja Azy.

Aoka hanome voninahitra Azy

ianareo rehetra taranak’i Jakôba;

aoka hangovitra eo anatrehany

ianareo rehetra taranak’i Israely!

25Fa tsy nohamavoiny na notebahiny

ity mahantra izay vesaram-pahoriana;

tsy nandà ny hifanatri-tava aminy Izy,

fa nihaino tokoa ny tarainany.»

26Tompo ô, Ianao no ahazoako midera Anao

rehefa tafangona maro ny vahoakanao;

eo anatrehan’ireo mpanaja Anao

no hanefako ny voadiko taminao.

27Hasaiko amin’ny sakafon-tsorona ny ory:

hihinana anie izy ka ho voky!

Hidera ny TOMPO anie ireo mitady Azy

ka ho finaritra ho ela velona!

28Aoka ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany

hahatsiaro ny TOMPO ka hiverina aminy;

aoka ny fianakaviamben’ny firenen-drehetra

samy ho tonga hiankohoka eo anatrehany!

29Fa ny TOMPO no mpanjaka,

Izy no manapaka amin’ireo firenena.

30Eny, hiankohoka eo anoloany aza

ireo rehetra matory ao ambanin’ny tany:

handohalika avokoa eo anatrehany

izay rehetra miverina ho vovoka

satria efa tsy nisy aina intsony.

31Hanompo Azy ny taranak’ireny;

ny taranaka manaraka hilazana ny Tompo.

mardi 6 décembre 2022

Talata 06 Desambra 2022 - Jao 19 : 6 - 11

 6Nony mahita an’i Jesoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantsoantso nanao hoe:

–Homboy amin’ny hazofijaliana io! Homboy amin’ny hazofijaliana io!

Fa hoy i Pilato taminy:

–Entonareo Izy, ka homboy amin’ny hazofijaliana; fa Izaho tsy mahita izay helony.

7Ny Jiosy kosa namaly azy hoe:

–Manana lalàna izahay, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra!

8Rehefa nandre izany teny izany i Pilato, dia vao mainka natahotra. 9Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao hoe tamin’i Jesoa hoe:

–Avy aiza moa Ianao?

Fa tsy namaly azy i Jesoa. 10Ka hoy i Pilato taminy:

–Izaho ve no tsy itenenanao? Tsy fantatrao angaha fa sady manana fahefana handefa Anao aho, no manana fahefana hampanombo Anao amin’ny hazofijaliana koa?

11I Jesoa kosa namaly azy hoe:

–Tsy hanana fahefana amiko akory ianao, raha tsy nomen’Andriamanitra anao izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa!

lundi 5 décembre 2022

Alatsinainy 5 Desambra 2022 - I Tim 2 : 1 - 7

 1Hafatrafarako voalohany indrindra àry ny hanaovana fangatahana sy fivavahana ary fitalahoana sy fisaorana amin’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra; 2mivavaha ho an’ireo filoham-pirenena sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay ombàn’ny firaiketam-po tanteraka amin’Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina. 3Izany no tsara sady sitrak’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahalalan’izy rehetra ny finoana marina. 5Satria iray Andriamanitra, iray koa ny mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesoa Izay olona 6nanolo-tena ho fanavotana ny olona rehetra: izany no porofo mby amin’ny fotoanandrony tokoa fa tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra Andriamanitra. 7Ary ny hitory izany no nanendrena ahy ho mpitoriteny sady apôstôly, ho mpampianatra ny finoana tena izy amin’ny hafa firenena. Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.

dimanche 4 décembre 2022

Alahady 04 Desambra - Lio 17 : 20 - 30

 20Ireo Farisianina indray kosa no nanontany an’i Jesoa hoe:

–Rahoviana no ho avy ny Fanjakàn’Andriamanitra?

Dia novaliany hoe:

–Tsy talaky maso ny fiavian’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 21Tsy holazaina hoe: «Intỳ eto izy», na hoe «Irỳ erỳ», satria indro efa eo afovoanareo ny Fanjakàn’Andriamanitra.

22Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

–Ho avy ny fotoana hanirianareo hahita anankiray amin’ny andro hiavian’ny Zanak’olona, kanefa tsy hahita ianareo. 23Hisy hilaza aminareo hoe: «Irỳ erỳ izy!» na hoe «Intỳ eto!», saingy aza mitotototo mankany. 24Fa tahaka ny tselatra manelatra sady mahazava hatramin’ny faravodilanitra iray ka hatreo amin’ny faravodilanitra andaniny, ho toy izany ny Zanak’olona amin’ny androny hiaviany. 25Alohan’izany anefa, dia tsy maintsy hijaly mafy Izy ary holavin’ny olona ankehitriny. 26Toy izay nitranga tamin’ny andron’i Noà no ho tonga amin’ny andro hiavian’ny Zanak’olona. 27Nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy nampakarina ny olona tamin’izay, mandra-pigadon’ny andro nidiran’i Noà tanatin’ny sambofiara: tonga ny safodrano ary nandringana azy rehetra. 28Toy izay nitranga tamin’ny andron’i Lôta ihany koa. Nihinana sy nisotro ny olona tamin’izay, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanorin-trano; 29nefa tamin’ny andro nialan’i Lôta tao Sôdôma, dia nilatsaka toa oram-baratra avy any an-danitra ny afo aman-tsolifara ka nandevona azy rehetra. 30Toy izany no ho tonga amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.


samedi 3 décembre 2022

Sabotsy 03 Novambra 2022 - Mat 22 : 15 -22

 15Tamin’izay dia lasa ireo Farisianina ka niara-nisaina momba izay fanontaniana mety hamandrihany an’i Jesoa. 16Ary naniraka ny mpianany mbamin’ny Herôdianina ry zareo ho any amin’i Jesoa, ka hoy ireto iraka hoe:

–Mpampianatra ô, fantatray fa olo-marina Ianao ary mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra; sady tsy mampaninona Anao izay mety ho hevitry ny hafa, satria tsy mizaha tavan’olona Ianao. 17Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin’ity: Azonay atao ve ny mandoa hetra amin’ny amperôra rômanina sa tsia?

18Takatr’i Jesoa anefa ny sain-dratsin’ireo ka hoy Izy taminy:

–Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? 19Asehoy Ahy ny vola fandoa amin’ny hetra.

Dia notoloran-dry zareo denàry anankiray Izy. 20Ary hoy i Jesoa nanontany azy:

–Sarin’iza io ary anaran’iza?

21Ka novalian’ireo hoe:

–An’ny amperôra rômanina!

Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy:

–Raha izany àry, dia avereno amin’ny amperôra rômanina izay an’ny amperôra rômanina ary amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

22Gaga ireto iraka nony nandre izany, ary dia nandao an’i Jesoa ka lasa nandeha.

vendredi 2 décembre 2022

Zoma 02 Desambra 2022 - Rom 13 : 1 - 7

 1Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin’Andriamanitra avokoa. 2Koa izay manohitra ny fahefana dia mandà ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay mandà dia mihantsy fanamelohana ho an’ny tenany. 3Fa ny mpitondra dia tsy natao hampitahorana izay manao ny tsara, fa izay manao ny ratsy. Satrinao ve ny tsy hatahotra ny manampahefana? Manaova ny tsara, fa dera no ho azonao avy amin’ny manampahefana. 4Satria mpanompon’Andriamanitra natao hahasoa anao izy. Raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora azy; fa afaka mampihatra famaizana tokoa ny manampahefana, satria mpanompon’Andriamanitra natao haneho ny fahatezeran’Andriamanitra izy amin’ny fanasaziana ny mpanao ratsy. 5Noho izany, dia ilaina ny manaiky, tsy dia noho ny fahatezeran’Andriamanitra fotsiny fa noho ny baikon’ny fieritreretana koa.

6Izany ihany koa no antony andoavanareo hetra; fa ny mpiasam-panjakana miandraikitra izany dia mpandraharahan’Andriamanitra mitozo amin’io asa io. 7Aloavy amin’ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin’izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin’izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina.

jeudi 1 décembre 2022

Alakamisy 01 Desambra 2022 - I Sam 13 : 13 - 15

  13Ary hoy i Samoela tamin’i Saoly:

–Nanaonao foana tahaka ny olona adala ianao! Tsy notandremanao akory ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitrao anao. Fa raha mba nataonao anefa izany, dia ho nampanjakain’ny TOMPO mandrakizay tamin’i Israely ianao sy ny taranakao. 14Ankehitriny kosa dia tsy haharitra ny fanjakanao. Ny TOMPO efa nifidy olona izay tiany ary nanendry azy ho filohan’ny vahoakany, satria ianao tsy nitandrina ny didiny.

15Nandao an’i Gilgàla i Samoela ka nanohy ny diany. Ny miaramila sisa kosa nanaraka an’i Saoly, rehefa niala tao Gilgàla ity mpanjaka mba hanatona ireo miaramilany hafa tany Gibehàn’i Benjamîna. Noisain’i Saoly ny miaramila mbola tafaraka taminy, ka nisy lehilahy tokony ho eninjato eo ho eo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12