jeudi 31 décembre 2020

Alakamisy 31 Desambra 2020 - I Jao 5 : 1 - 9

 1Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak’Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay Andriamanitra niteraka, dia tia izay naterak’Andriamanitra koa. 2Ny ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fanatontosàntsika ireo didiny. 3Eny, ny fitiavana an’Andriamanitra dia ny fitandremantsika ireo didiny; sady tsy mavesatra ireo didiny ireo, 4satria izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao. Ary ny fitaovam-pandresena izay maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5Iza moa no maharesy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no ilay Zanak’Andriamanitra?

Vavolombelona manambara an’i Jesoa Kristy

6I Jesoa Kristy dia Ilay avy tamin’ny alalan’ny rano sy tamin’ny alalan’ny ra. Tsy tamin’ny rano ihany no nahatongavany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara izany, satria ny Fanahy Masina no fahamarinana. 7Fa ankehitriny, telo no vavolombelona manambara: 8dia ny Fanahy Masina sy ny rano ary ny ra; sady mifanaraka tsara izy telo. 9Raisintsika ny zavatra ambaran’ny olona; ary lehibe noho izany ny zavatra ambaran’Andriamanitra, satria ny zavatra ambaran’Andriamanitra dia izay efa nambarany momba ny Zanany.

mercredi 30 décembre 2020

Alarobia 30 Desambra 2020 - Isa 11 : 1 - 10

 1Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay;

misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.

2Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy,

dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka

Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka,

Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;

3ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO.

Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy

na hanapaka araka izay ren’ny sofiny,

4fa hitsara ny malahelo ara-drariny

ary hamoaka didy araka ny hitsiny

ho an’ny mahantra eo amin’ny tany.

Ny teniny no toy ny tsorakazo

hikapohany ny tany

ary ny fofonain’ny vavany

no hamonoany ny olon-dratsy.

5Ny rariny no ho fisikinany

ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.

6Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin’ny zanak’ondry,

ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy;

ny zanak’omby sy ny liona tanora hiara-mihinana

ka zazalahy kely no hitarika azy.

7Ny ombivavy sy ny orsavavy hiara-miraoka;

ary ny zanak’izy ireo hiara-matory.

Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.

8Ny zaza mbola minono

hilalao eo an-davaky ny bibilava;

ary ny zaza misara-nono

hanatsofoka ny tanany

ao an-davaky ny menarana.

9Tsy hisy hanimba na handratra

manerana ny tendrombohitra masina,

satria ny fahalalana ny TOMPO

no hanenika izany tany izany

tahaka ny anaronan’ny rano

ny fanambanin’ny ranomasina.

10Amin’izany andro izany ny solofon’i Jisay

dia hatsangana ho fanevan’ny firenena rehetra;

ka hitady azy ny firenen-kafa,

ary hanjary be voninahitra ny fonenany.

mardi 29 décembre 2020

Talata 29 Desambra 2020 - Rom 11 : 7 - 15

 7Ahoana àry? Tsy nahazo izay nokatsahiny akory ny vahoaka Israely, fa ireo voafidin’Andriamanitra no nahazo izany. Nohamafisina kosa ny fon’ny hafa rehetra, 8araka izay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nomen’Andriamanitra fanahy mahadonto izy ireo ka ny masony tsy mahita ary ny sofiny tsy mandre mandraka androany.» 9Hoy koa i Davida hoe:

«Ho fandrika sy ho tonta ho azy ireo anie ny sakafony,

ary ho fandavoana sy ho famaizana azy.

10Ho rakotry ny haizina anie ny masony ka tsy hahita;

ary ho vokoka lalandava anie ny lamosiny!»

11Manontany àry aho hoe: Sao solafaka ny Jiosy, ka lavo tsy ho tafarina intsony? Sanatria izany! Fa ny hadisoan’ny Jiosy no ahazoan’ny hafa firenena ny famonjena mba hahavelom-pialonana ny Jiosy. 12Koa raha ny fahadisoan’ny Jiosy aza tonga harena ara-panahy ho an’izao tontolo izao, ary ny fietreny tonga harena ara-panahy ho an’ny hafa firenena, vao mainka fa ny fiverenany tanteraka amin’ny famonjena!

13Aminareo hafa firenena dia izao kosa no teniko: araka ny maha apôstôlin’ny hafa firenena ahy, dia hajaiko ny asa fanompoana nankinina tamiko; 14sao mba hahavelom-pialonana ireo havako ara-nofo, ka hahavonjeko ny sasany amin’izy ireo. 15Nony nailika ry zareo, dia voavitrana ny fihavanan’izao tontolo izao amin’Andriamanitra. Ka raha voaray indray ry zareo, inona no hitranga? Ny fiainana ho an’ireo efa maty!

lundi 28 décembre 2020

Alatsinainy 28 Desambra 2020 - Mat 4 : 12 - 17

 12Nony ren’i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany, dia lasa nankany Galilea Izy. 13Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron’ny farihin’i Galilea, anatin’ny faritanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ. 14Ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe:

15«Ry tanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ,

ry lalana amoron’ny farihy,

ry faritra ampitan’i Jôrdàna,

ry Galilea onenan’ny hafa firenena,

16ny vahoaka izay mihitsoka amin’ny maizina

dia nahita hazavana lehibe,

ary ny olona izay mihitsoka amin’ny toerana alofan’ny fahafatesana

dia niposahan’ny hazavana.»

17Hatramin’izay i Jesoa dia nanomboka nitoriteny ka nanao hoe:

–Ialao ny toe-dratsy, fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra.

dimanche 27 décembre 2020

Alahady 27 Desambra 2020 - Jer 1 : 4 - 10

 4Nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:

5–Mbola tsy noforoniko

tao an-kibon-dreninao akory ianao

dia efa fantatro,

ary mbola tsy teraka akory ianao

dia efa natokako hanompo Ahy

sy notendreko ho mpaminany

ho an’ny firenena maro.

6Ary namaly aho hoe:

–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô,

mbola tanora loatra aho

ka tsy mahay mandahateny.

7Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe:

–Aza manao hoe «mbola tanora loatra aho»

fa tsy maintsy handeha

amin’izay rehetra hanirahako anao ianao

ka hilaza aminy

izay rehetra nandidiako anao.

8Aza matahotra azy

fa miaraka anao Aho mba hanafaka anao.

Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.

9Avy eo IZY dia nandroso ny tanany

ka nanendry ny vavako

ary nilaza tamiko hoe:

–Ianao no hanambara ny teniko.

10Jereo fa omeko fahefana ianao anio

amin’ireo firenena sy fanjakana

mba hanongotra sy hanjera,

hanapotika sy handrava,

ary hanorina sy hamboly.

samedi 26 décembre 2020

Sabotsy 26 Desambra 2020 - Gal 4 : 1 - 7

 1Izao anefa no teniko: raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny mpanompo izy na dia tompon’ny zavatra rehetra aza; 2fa fehezin’izay mpikarakara azy sy ny mpitandrim-pananany izy mandra-pahatongan’ny fetr’andro voatendrin’ny rainy. 3Dia tahaka izany koa isika; fony mbola zaza, dia nandevozin’ireo herin-javatr’izao tontolo izao isika; 4fa rehefa tonga tokoa ny fotoanandro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany: natera-behivavy io Zanany io ary niaina teo ambany fahefan’ny lalàna jiosy, 5mba hanavotra izay teo ambany fahefan’ny lalàna ary mba handraisantsika ny anjara maha zanak’Andriamanitra.

6Ary ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan’Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany miantso hoe: «Raiko ô!» 7Hany ka tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka; ary raha zanaka ianao, dia mpandova koa noho ny ataon’Andriamanitra.

vendredi 25 décembre 2020

Zoma 25 Desambra 2020 - Mat 2 : 6 - 12

 6«Ary ianao, ry Betlehema, tanin’i Joda, tsy ianao tsy akory no kely indrindra amin’ireo tanàna malazan’i Jodea; fa avy aminao no hipoiran’ilay filoha izay ho mpiandry an’i Israely vahoakako.»

7Tamin’izay dia nampiantsoin’i Herôda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan’ny kintana; 8izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe:

–Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin’ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.

9-10Nony avy nandre ny tenin’ny mpanjaka ireo olon-kendry, dia niainga. Ary indro tazany indray ilay kintana hitany fony niposaka, hany ka faly dia faly aoka izany ry zareo. Nialoha lalana azy ireo hatrany ilay kintana ary tsy nijanona raha tsy efa teo ambonin’ny toerana nisy ny zaza. 11Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin’i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan’ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora. 12Ary notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, ka dia lalan-kafa no nizorany hody any amin’ny tany fonenany.

jeudi 24 décembre 2020

Alakamisy 24 Desambra 2020 - Sal 2 : 7 - 12

 7–Aoka hambarako, hoy ilay mpanjaka,

ny didy navoakan’ny TOMPO;

fa hoy Izy tamiko: «Ianao no zanako;

Rainao niteraka anao Aho manomboka anio.

8Koa angataho amiko ny firenena rehetra,

dia homeko ho fanananao ireny

hatrany amin’ny faravazan-tany,

9ary hofehezinao amin’ny tehim-by

ka ho azonao potehina toa vilany tany.»

10Koa misehoa ho hendry, ianareo mpanjaka;

ary minoa anatra, ry mpitsara ny tany.

11-12Tompoy amin-tahotra ny TOMPO

ary ekeo amin-kovitra ny fahefàny,

fandrao hirehitra tampoka ny hatezerany

ka ho fatin’ny fikasanareo ianareo.

Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

mercredi 23 décembre 2020

Alarobia 23 Desambra 2020 - Efe 1 : 1 - 4

 1Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin’i Kristy Jesoa noho ny sitrapon’Andriamanitra.

Mamangy anareo atỳ Efeso aho, dia ianareo vahoakan’Andriamanitra sady mpino tafaray amin’i Kristy Jesoa. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra. 4Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin’i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika,

mardi 22 décembre 2020

Talata 22 Desambra 2020 - Heb 1 : 8 - 12

 8Fa ny amin’ilay Zanaka kosa dia hoy Izy hoe:

«Ny sezafiandriananao, Andriamanitra ô,

dia maharitra mandrakizay mandrakizay;

araka ny hitsiny no itondranao ny Fanjakànao.

9Tia rariny Ianao fa hàlanao kosa ny ratsy;

noho izany Andriamanitra, ilay Andriamanitrao, dia

nifidy sy nanokana Anao fa tsy ireo namanao,

ka nampidina diloilom-pifaliana teo an-dohanao.»

10Ary hoy koa Andriamanitra hoe:

«Ianao, Tompo ô, no nanorina ny tany tamin’ny voalohany;

ary ny lanitra dia asan’ny tananao.

11Ireo ho levona, fa Ianao kosa maharitra.

Ny tany sy ny lanitra dia ho tonta toy ny fitafiana

12sy havalonao toy ny lamba,

ka hovana toy ny fitafiana.

Ianao kosa dia mbola Ianao ihany,

ary tsy manam-pahataperana ny fiainanao.»

lundi 21 décembre 2020

Alatsinainy 21 Desambra 2020 - Heb 3 : 1 - 6

 1Koa amin’izany, ry havana, efa voatokana ho an’Andriamanitra ianareo sady efa voaantsony hiombon’anjara amin’ny fiainana any an-danitra, ka diniho i Jesoa ilay irak’Andriamanitra sady Mpisorombe antoky ny finoana izay ekentsika. 2Fa i Jesoa dia nahatoky an’Andriamanitra teo amin’ny andraikitra nanendreny Azy, nahatoky tahaka an’i Mosesy izay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo izy.» 3Nefa mendri-boninahitra kokoa noho i Mosesy i Jesoa, satria ny mpanao trano dia mahazo haja bebe kokoa noho ny trano nataony. 4Ny trano rehetra manko dia nisy mpanao azy, fa Andriamanitra kosa no nanao ny zavatra rehetra. 5Ary i Mosesy dia nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo, araka ny maha mpanompo azy, ka natao hanambara ny zavatra izay holazain’Andriamanitra amin’ny ho avy. 6Fa i Kristy kosa dia nahatoky araka ny maha Zanaka Azy, ka mifehy ny tranon’Andriamanitra; ary dia isika izany tranon’Andriamanitra izany, raha mitana ny fahasahiana sy ny fanantenana ireharehantsika.

dimanche 20 décembre 2020

Alahady 20 Desambra 2020 - Mat 1 : 18 - 25

 18Toy izao no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Efa fofombadin’i Jôsefa i Maria renin’i Jesoa tamin’izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan’ny Fanahy Masina. 19Olo-marina i Jôsefa vadiny, ka tsy te hanala baràka azy, fa nikasa hametraka azy mangingina. 20Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy ka nilazany hoe:

–Ry Jôsefa taranak’i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao! Noho ny asan’ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy. 21Ary ho tera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoanao ny zaza: fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin’ny fahotany.

22Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:

23«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy;
ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela,»

(izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»).

24Vao nifoha maraina i Jôsefa dia nanatontosa izay nandidian’ilay anjelin’ny Tompo azy, ka nampakatra an’i Maria vadiny. 25Tsy niray tamin’i Maria i Jôsefa mandra-pahatera-dahy an’i Maria; ary i Jesoa no anarana niantsoan’i Jôsefa ny zaza.

samedi 19 décembre 2020

Sabotsy 19 Desambra 2020 - I Jao 4 : 1 - 3

 1Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran’izao tontolo izao. 2Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: ny olona rehetra manaiky fa efa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy, dia manana ny Fanahy avy amin’Andriamanitra; 3ny olona rehetra tsy manaiky an’i Jesoa araka izany, dia tsy manana ny Fanahy avy amin’Andriamanitra: ny fanahy ananany dia ny fanahin’ilay antikristy, izay renareo fa ho avy ary efa eo amin’izao tontolo izao sahady aza ankehitriny.

vendredi 18 décembre 2020

Zoma 18 Desambra 2020 - II Tim 3 : 14 - 17

 14Ianao kosa, mahareta tsara amin’izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany. 15Hatramin’ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an’i Kristy Jesoa. 16Ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny, 17mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tsara ofana sy ary fitaovana hanao asa soa isan-karazany.

jeudi 17 décembre 2020

Alakamisy 17 Desambra 2020 - Jao 12 : 20 - 36

 20Nisy Grika vitsivitsy anisan’izay niakatra tao Jerosalema hivavaka mandritra ny fankalazana. 21Nohatonin’ireo i Filipo, izay avy any Betsaidà tanànan’i Galilea, ka nanaovany fangatahana hoe:

–Mba te hahita an’i Jesoa izahay, tompoko!

22Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andrea; ary i Andrea sy i Filipo no lasa nilaza tamin’i Jesoa. 23Dia hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy:

–Tonga ny fotoanandro hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona. 24Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary latsaka ao amin’ny tany, dia mitoetra irery; raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. 25Izay mandala ny ainy no hahavery azy; fa izay tsy mandala ny ainy eto amin’izao tontolo izao no hitahiry azy ho aina maharitra mandrakizay. 26Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy; ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko. Raha misy olona manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.

27–Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Hoe: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’izao ora fijaliana izao? Kanefa ny handalo amin’izao ora fijaliana izao indrindra no nahatongavako. 28Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao!

Tamin’izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:

–Efa nomeko voninahitra ny anarako ary mbola homeko voninahitra indray.

29Ny vahoaka izay teo ka nahare, dia nanao hoe:

–Kotro-baratra izany!

Fa hoy ny sasany:

–Anjely no niteny taminy!

30I Jesoa kosa nilaza hoe:

–Tsy ho Ahy no nahatongavan’izany feo izany fa ho anareo. 31Ankehitriny no hanamelohana an’izao tontolo izao; ankehitriny no handroahana ny filohan’izao tontolo izao. 32Ary Izaho, rehefa voasandratra avy eo amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.

33Ny nolazain’i Jesoa tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana efa hihatra aminy. 34Ka hoy ny vahoaka namaly Azy:

–Efa renay tamin’ny bokin’ny lalàna fa maharitra mandrakizay ny Mesia; ka ahoana no ilazanao hoe: tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona? Iza moa izany Zanak’olona izany?

35Dia hoy i Jesoa taminy:

–Kely foana sisa hitoeran’ny fahazavana eo aminareo. Mandehana dieny mbola anananareo ny fahazavana, mba tsy ho tratry ny haizina ianareo; fa izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany. 36Minoa ny fahazavana dieny mbola anananareo ny fahazavana, mba ho tonga olona miaina araka ny fahazavana ianareo.

mercredi 16 décembre 2020

Alarobia 16 Desambra 2020 - Mat 11 : 25 - 30

25Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe:

–Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika. 26Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!

27Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin’izay tian’ny Zanaka hanehoana azy!

28Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalàna, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo. 29Raiso ny fampianarako ary mianara amiko fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; ary dia hahita fialan-tsasatra ao anatinareo ianareo. 30Eny, mora raisina ny fampianarako ary mora arahina ny lalànako.

mardi 15 décembre 2020

Talata 15 Desambra 2020 - Mar 9 : 14 - 29

 14Nony tafaverina teo amin’ny mpianatra hafa ry i Jesoa efa-mianaka, dia nahita vahoaka maro nanodidina ireto mpianatra ary koa mpahay lalàna niady hevitra taminy teo. 15Raha vao nahita an’i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy. 16Dia nanontany ireto mpianatra i Jesoa nanao hoe:

–Inona izato iadianareo hevitra amin’ny mpahay lalàna?

17Fa nisy olona iray tamin’ny vahoaka namaly Azy hoe:

–Mpampianatra ô, nentiko eto aminao ny zanako lahy fa azon’ny fanahy mampahamoana. 18Ary na aiza na aiza ahazoany azy, dia alavony amin’ny tany ilay zaza ary ataony mandoa vory sy mikitro-nify dia mihinjitra eo. Niangaviako ny mpianatrao handroaka ilay fanahy, kanefa tsy vitany.

19Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka:

–Karazan’olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!

20Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany ary niolanolana sy nandoa vory. 21Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe:

–Hatramin’ny oviana izao?

Dia hoy ny rainy:

–Hatramin’ny fahakeliny. 22Ary matetika izy no nazeran’io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay!

23Fa hoy ny navalin’i Jesoa azy:

–Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan’izay mino!

24Avy hatrany ilay rain’ilay zaza dia niantsoantso mafy nanao hoe:

–Mino aho, nefa vonjeo fa tsy ampy finoana.

25Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe:

–Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!

26Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon’ny maro hoe maty. 27Fa noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.

28Rehefa tonga tao an-trano i Jesoa, dia nanontany Azy manokana ny mpianany nanao hoe:

–Nahoana izahay no tsy naharoaka azy iny?

29Dia hoy i Jesoa taminy:

–Iny karazana iny dia tsy misy fomba azo amoahana azy afa-tsy ny fivavahana ihany.

lundi 14 décembre 2020

Alatsinainy 14 Desambra 2020 - Rom 3 : 21 - 36

 21Ankehitriny kosa dia efa nahariharin’Andriamanitra ny fomba anekeny antsika ho marina; ary tsy avy amin’ny lalàna velively izany. Ny lalànan’i Mosesy mbamin’ireo bokin’ny mpaminany rahateo dia efa mijoro ho vavolombelona manambara 22fa ny finoana niainan’i Jesoa Kristy no haneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina; ary mankamin’ny mpino rehetra izany, satria tsy misy fanavakavahana intsony. 23Eny, nanota ny olon-drehetra ka tsy eo afovoan’izy ireo intsony ilay Andriamanitra be voninahitra. 24Kanefa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia nekeny maimaimpoana ho marina izy ireo tamin’ny alalan’ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa. 25Fa notendren’Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an’ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan’ny olombelona fahiny dia noleferin’Andriamanitra 26ary tsy nosazîny, satria tiana haseho ankehitriny ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina. Hita amin’izany fa marina tokoa Andriamanitra sady mahatonga ho marina izay entanin’ny finoana niainan’i Jesoa!

dimanche 13 décembre 2020

Alahady 13 Desambra 2020 - Eze 3 : 1 - 3

 1Dia hoy Ilay niteny tamiko hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hano io horonan-taratasy izay naseho anao io, dia mandehana miteny amin’ny Israelita.» 2Dia nosokafako ny vavako ary nafahany ahy ilay horonan-taratasy. 3Ary hoy Izy tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, fenoy ny kibonao ary vokiso amin’io horonan-taratasy omena anao io ny tenanao.» Dia nohaniko izany, ka tao am-bavako dia mamy toy ny tantely.

samedi 12 décembre 2020

Sabotsy 12 desambra 2020 - Jao 11 : 21 - 27

 21Ary hoy i Marta tamin’i Jesoa:

–Raha teto Ianao, ry Tompo, dia tsy maty ny anadahiko. 22Ary na dia izao ankehitriny izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra, dia homen’Andriamanitra Anao.

23I Jesoa kosa niteny taminy hoe:

–Hitsangana velona ny anadahinao!

24Fa hoy i Marta taminy:

–Fantatro fa hitsangana velona izy amin’ilay fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany!

25Dia hoy i Jesoa taminy:

–Izaho no manangana ho velona sy manome aina. Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona; 26ary izay rehetra mivelona amiko ka mino Ahy, dia tsy ho faty na oviana na oviana. Mino izany ve ianao?

27Ka novalian’i Marta hoe:

–Eny, ry Tompo, mino aho fa Ianao no ilay Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay tonga eo amin’izao tontolo izao!

vendredi 11 décembre 2020

Zoma 11 Desambra 2020 - Efe 1 : 15 - 23

 15Noho izany, rehefa nandre ny finoanareo an’i Jesoa Tompo sy ny fitiavanareo ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho, 16dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra noho ny aminareo. Mahatsiaro anareo aho amin’ny fivavahako 17ka mangataka amin’ilay Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia amin’ilay Ray be voninahitra, mba hanomezany anareo ny Fanahy Masina Izay mampahendry anareo sy manambara an’Andriamanitra aminareo ka hahalalanareo Azy tokoa. 18Mangataka aho ny hanokafan’Andriamanitra ny sainareo handray ny fahazavàny: mba hahafantaranareo ny fanantenana niantsoan’Andriamanitra anareo; sy hahafantaranareo ny haren’ny voninahiny ary ny lova izay natokany ho an’ny vahoakany; 19ary hahafantaranareo ny hery lehibe sy mihoa-pampana tokoa izay anasoavany antsika mpino, araka ny fiàsany tsy hay tohaina sy mahery vaika. 20Izany hery izany dia nampiasain’Andriamanitra tamin’ny nananganany an’i Kristy ho velona avy tany amin’ny maty ary tamin’ny nampipetrahany Azy eo ankavanany any an-danitra. 21Any i Kristy dia ambony lavitra noho ny fanapahana sy fahefana ary hery sy fanjakana rehetra eny ana habakabaka; any Izy ambony lavitra noho ny anaram-boninahitra rehetra azo tononina tsy amin’izao fiainana izao ihany fa amin’ny ho avy koa. 22Fa napetrak’Andriamanitra eo ambany tongotr’i Kristy ny zavatra rehetra; ary i Kristy dia nomen’Andriamanitra ny Fiangonana ho Filoha faratampony. 23Ny Fiangonana no tenan’i Kristy sady heniky ny hafenoana omen’i Kristy Izay manerana ny zavatra rehetra hatraiza hatraiza.

jeudi 10 décembre 2020

Alakamisy 10 Desambra 2020 - Gen 49 : 8 - 10

8Ry Joda, hidera anao ireo rahalahinao;

Hofolahinao kosa ny hatok’ireo fahavalonao,

ka hiankohoka eo anatrehanao ireo ralahahinao.

9Ry Joda zanako, toy ny liona tanora ianao,

dia liona avy niremby ka mamonjy fierena;

mitorevaka toy ny lion-dahy i Joda ka matory,

ary mamitsaka toy ny liom-bavy,

ka iza no hampitsangana azy?

10Tsy hiala amin’i Joda ny tehim-panjakana,

ary tsy hiala amin’ny taranany ny tehim-pibaikoana

mandra-pahatongan’ilay tena tompony

izay hankatoavin’ny firenena rehetra.

mercredi 9 décembre 2020

Alarobia 09 Desambra 2020 - Jao 10 : 31- 42

 31Dia naka vato indray ny Jiosy hitorahana Azy, 32fa hoy i Jesoa taminy:

–Maro ny asa tsara nasehoko teo aminareo noho ny fahefana azoko tamin’ny Ray; ka inona amin’ireny asa ireny no itorahanareo vato Ahy?

33Ka novalian’ny Jiosy hoe:

–Tsy ny asa tsara no itorahanay vato Anao, fa ny fanevatevànao an’Andriamanitra; olombelona ihany manko Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.

34I Jesoa kosa niteny taminy hoe:

–Tsy voalaza ao amin’ny Soratra Masina ve izao: «Hoy Aho: Andriamanitra ianareo»? 35Ary tsy azo foanana ny Soratra Masina; fa ireo olona nanambarana ny tenin’Andriamanitra dia natao hoe «Andriamanitra». 36Izaho kosa natokan’ny Ray sy nirahiny ho eo amin’izao tontolo izao; kanefa dia ataonareo hoe manevateva an’Andriamanitra Aho satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho! 37Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, dia aza mino ahy; 38fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino ahy aza ianareo, dia minoa ny asako mba hahafantaranareo sy hanekenareo fa ny Ray ato anatiko, ary Izaho ao anatin’ny Ray!

39Tamin’izay dia nitady hisambotra an’i Jesoa indray ry zareo fa niala teo Izy ka tsy voatanany.

40Dia lasa i Jesoa nankany andafin’ny ony Jôrdàna, any amin’ilay toerana nanombohan’i Jôhany nanao batisa, ka nijanona tany. 41Maro no nankeo aminy ka nanao hoe:

–I Jôhany tsy nanao famantarana na dia iray aza; nefa izay rehetra voalazan’i Jôhany ny amin’ity Lehilahy ity, dia marina avokoa.

42Ary maro no nino an’i Jesoa teo.

mardi 8 décembre 2020

Talata 08 Desambra 2020 - Mat 1 : 1 - 17

 1Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.

2I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka, i Itsehàka, ray niteraka an’i Jakôba; i Jakôba, ray niteraka an’i Joda mirahalahy avy. 3I Joda, ray niteraka an’i Farèsa sy i Zara (ary dia i Tamara no renin’izy roa lahy); i Farèsa, ray niteraka an’i Hesrôna; i Hesrôna, ray niteraka an’i Arama. 4I Arama, ray niteraka an’i Haminadàba; i Haminadàba, ray niteraka an’i Nahasôna; i Nahasôna, ray niteraka an’i Salmôna. 5I Salmôna, ray niteraka an’i Bôhaza (ary dia i Rahaba no reniny); i Bôhaza, ray niteraka an’i Ôbeda (ary i Rota no reniny); i Ôbeda, ray niteraka an’i Jisay; 6i Jisay, ray niteraka an’i Davida mpanjaka.

I Davida kosa no ray niteraka an’i Salômôna (ary dia ny vadin’i Orià no reniny); 7i Salômôna, ray niteraka an’i Rehabohàma; i Rehabohàma, ray niteraka an’i Abià; i Abià, ray niteraka an’i Asà. 8I Asà, ray niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata, ray niteraka an’i Jôrama; i Jôrama, ray niteraka an’i Ozià. 9I Ozià, ray niteraka an’i Jôtama; i Jôtama, ray niteraka an’i Ahaza; i Ahaza, ray niteraka an’i Hezekià. 10I Hezekià, ray niteraka an’i Manase; i Manase, ray niteraka an’i Amôna; i Amôna, ray niteraka an’i Jôsià. 11I Jôsià, ray niteraka an’i Jekônià mirahalahy avy. Tamin’izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna.

12Taorian’ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna kosa dia izao: i Jekônià no ray niteraka an’i Sealtièla; i Sealtièla, ray niteraka an’i Zerobabèla. 13I Zerobabèla, ray niteraka an’i Abihoda; i Abihoda, ray niteraka an’i Eliakîma; i Eliakîma, ray niteraka an’i Azôra. 14I Azôra, ray niteraka an’i Sadôka; i Sadôka, ray niteraka an’i Akima; i Akima, ray niteraka an’i Elihoda. 15I Elihoda, ray niteraka an’i Eleazara; i Eleazara, ray niteraka an’i Matàna; i Matàna, ray niteraka an’i Jakôba. 16I Jakôba, ray niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria; ary dia i Maria no reny niteraka an’i Jesoa, ilay atao hoe Mesia.

17Koa 14 izany no isan’ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida; 14 koa hatramin’i Davida ka hatramin’ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna ka hatramin’ny Mesia.

lundi 7 décembre 2020

Alatsinainy 07 Desambra 2020 - I Jao 2 : 20 - 25

 20Ianareo kosa dia manana ny Fanahy Masina avy amin’i Kristy ary mahafantatra izany avokoa ianareo. 21Tsy noho ianareo tsy mahafantatra ny hafatra marim-pototra no nanoratako taminareo, fa noho ianareo mahafantatra izany; ary fantatrareo koa fa tsy misy lainga avy amin’ilay hafatra marim-pototra.

22Iza no mpandainga, raha tsy izay mandà an’i Jesoa tsy ho Kristy? Izy no ilay antikristy, mandà ny Ray sy ny Zanaka. 23Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.

24Ianareo kosa, dia ny hafatra izay efa renareo hatramin’ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo ny hafatra izay efa renareo hatramin’ny voalohany, dia hitoetra ao anatin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo. 25Ary ny zavatra nampanantenain’i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

dimanche 6 décembre 2020

Alahady 06 Desambra 2020 - I Kor 12 : 1 - 3

 1Izaho kosa, ry havako, ny amin’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina: Irîko ny hahalalanareo ireo fanomezana ireo. 2Fantatrareo fa fony mbola tsy kristianina ianareo, dia voasintona tany amin’ny sampy moa araka izay nitaomana anareo. 3Koa ampahafantariko anareo fa tsy misy olona tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra ka hiteny hanao hoe: «Voaozona i Jesoa!» Ary tsy misy koa afaka hilaza hoe: «I Jesoa no Tompo», raha tsy tarihin’ny Fanahy Masina.

samedi 5 décembre 2020

Sabotsy 05 Desambra 2020 - Asa 16 : 25 - 34

 25Tamin’ny mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy; ary nihaino azy roa lahy ny gadra hafa. 26Dia injay nisy horohorontany mafy tonga tampoka nanozongozona ny fonja hatrany amin’ny fanorenany. Nivoha nidanadana ho azy ny varavarana rehetra, ary samy nivaha ho azy ny fatoran’ireo gadra rehetra. 27Tamin’izay dia taitra ilay mpiambina; ary nony hitany fa nivoha avokoa ny varavaran’ny fonja, dia nanatsoaka ny sabany saika hamono tena izy satria nampoiziny ho efa nitsoaka nandositra avokoa ny gadra. 28Fa niantso mafy i Paoly nanao hoe:

–Aza mamono tena, fa indreto avokoa izahay!

29Dia nangataka jiro ilay mpiambina ka niditra faingana nankao amin’ny fonja anatiny indrindra; ary tora-kovitra izy no niantoraka teo anoloan’i Paoly sy i Silasy. 30Dia navoakan’ilay mpiambina izy roa lahy sady nanontaniany hoe:

–Inona, tompoko, no tokony hataoko mba hovonjena aho?

31Dia novaliany hoe:

–Minoa an’i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao mbamin’ny ankohonanao!

32Dia nitorian’i Paoly sy i Silasy ny tenin’ny Tompo ilay mpiambina mbamin’izay rehetra tao an-tranony. 33Tamin’izany ora izany, iny alina iny ihany, dia nandray azy roa lahy ilay mpiambina ka nanasa ny feriny; ary natao batisa niaraka tamin’izay izy sy ny ankohonany rehetra. 34Nentin’ilay mpiambina niakatra tao an-tranony i Paoly sy i Silasy ka norosoany sakafo. Ary niravoravo niaraka tamin’ny olona rehetra tao an-tranony ralehilahy, noho izy efa tonga mpino an’Andriamanitra.

vendredi 4 décembre 2020

Zoma 04 Desmabra 2020 - Jao 6 : 59 - 71

 59Izany teny izany no nataon’i Jesoa, fony Izy nampianatra tao amin’ny sinagôga tany Kafarnahòma.

60Koa maro tamin’ny mpianatr’i Jesoa, rehefa avy nandre Azy no nilaza hoe:

–Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?

61Fantatr’i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona ny mpianany noho izany teny izany, ka hoy Izy taminy:

–Misakana anareo tsy hino Ahy ve izany? 62Ahoana ianareo raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha? 63Ny Fanahy Masina no mamelona aina; raha ny maha olombelona fotsiny dia tsy mahasoa akory. Ireo teny izay nolazaiko taminareo no mahatonga anareo handray ny Fanahy Masina mamelona aina, 64kanefa misy tsy mino aminareo. (Fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany manko ireo tsy mino sy ilay hanolotra Azy.)

65Ary hoy i Jesoa:

–Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany!

66Nanomboka tamin’io fotoana io dia maro tamin’ny mpianatr’i Jesoa no nihemotra, ka tsy niara-dia taminy intsony. 67Ka hoy i Jesoa tamin’ny 12 lahy:

–Ianareo koa ve mba te hiala?

68Dia novalian’i Simôna Petera hoe:

–Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny manome ny aina maharitra mandrakizay; 69sady izahay efa mino sy mahalala fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra!

70Fa hoy i Jesoa tamin’ny 12 lahy:

–Tsy Izaho ve no nifidy anareo 12 lahy? Kanefa devoly ny anankiray aminareo!

71Ny nolazainy dia i Jodasy, zanakalahin’i Simôna Iskariôta; izy io manko, na dia anisan’ny 12 lahy aza, no ilay efa hanolotra an’i Jesoa.

jeudi 3 décembre 2020

Alakamisy 03 Desambra 2020 - Asa 10 : 34 - 39

 34Dia niteny i Petera ka nanao hoe:

–Azoko tsara ankehitriny, fa tsy mba mijery tavan’olona Andriamanitra. 35Eny, ankasitrahin’Andriamanitra avokoa izay olona manaja Azy sy manao ny rariny na aiza na aiza firenena misy azy. 36Fantatrareo ny teny nampitondrain’Andriamanitra ho an’ny vahoaka Israely, anambaràny ny Vaovao Mahafaly: dia ny fampihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay Tompon’ny olona rehetra. 37Fantatrareo ny zava-nitranga tany Galilea aloha ary dia nanerana an’i Jodea, taorian’ny toriteny sy ny batisa nataon’i Jôhany: 38nandrotsahan’Andriamanitra ny herin’ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefàn’ny devoly, satria nombàn’Andriamanitra Izy. 39Izahay dia vavolombelona nahita ny zavatra rehetra nataony manerana ny tanin’ny Jiosy sy tao Jerosalema. Io Jesoa io dia nahanton’ny olona tamin’ny hazofijaliana no namonoany Azy, 40nefa natsangan’Andriamanitra ho velona tamin’ny andro fahatelo. Nasehon’Andriamanitra miharihary Izy, 41tsy tamin’ny vahoaka ankapobeny fa taminay vavolombelona efa notendren’Andriamanitra mialoha hanambara an’i Jesoa. Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay taorian’ny nananganan’Andriamanitra Azy ho velona avy any amin’ny maty; 42ary nomeny baiko mba hitory amin’ny vahoaka sy ho vavolombelona manambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. 43Samy mijoro ho vavolombelona momba azy ny mpaminany rehetra ka manambara fa izay rehetra mino Azy dia hahazo famelan-keloka amin’ny anarany.

mercredi 2 décembre 2020

Alarobia 02 Desambra 2020 - Jao 4 : 16 - 24

 16I Jesoa kosa niteny taminy hoe:

–Ndeha antsoy ny vadinao, ka miverena atỳ?

17Fa novalian-dravehivavy hoe:

–Tsy manam-bady aho!

Ary hoy i Jesoa taminy:

–Marina ny filàzanao hoe tsy manam-bady ianao; 18efa nanam-bady indimy ianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny. Koa marina izany voalazanao izany.

19Dia hoy ravehivavy taminy:

–Hitako, Tompoko, fa mpaminany Ianao! 20Ireo razanay Samaritanina dia nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; fa ianareo Jiosy kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy ivavahana.

21Fa izao no tenin’i Jesoa taminy:

–Minoa Ahy ianao, ramatoa! Avy ny andro izay tsy hivavahana amin’ny Ray eto amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema intsony. 22Ianareo Samaritanina dia mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; fa izahay Jiosy kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria mipoitra avy amin’ny Jiosy ny famonjena. 23Kanefa, ho an’ireo tena mpivavaka, dia avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hivavahany amin’ny Ray araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina; satria ny mpivavaka aminy araka izany no tadiavin’ny Ray. 24Andriamanitra dia Fanahy, ary ny mpivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12