dimanche 31 mars 2013

Alahady 31 Martsa 2013 - Mat 28 : 1 - 10


1 Taorian'ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdala sy i Maria anankiray hafa. 2 Ary injay nisy horohorontany mahery vaika, fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra tonga nanakodia ny vato hidim-pasana ary nipetraka teo amboniny. 3 Namiratra tahaka ny tselatra ny tarehiny ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. 4 Azon'ny tahotra ireo mpiambina raha nahita azy ka nivadi-po ary nody maty. 5 Dia niteny tamin'ireto vehivavy ilay anjely nanao hoe: Aoka tsy hatahotra ianareo! Fantatro fa i Jesoa, Ilay nohomboana tamin'ny hazofijaliana, no tadiavinareo. 6 Tsy ato Izy, satria efa nitsangana velona araka ny voalazany. Avia ka jereo ny toerana nametrahana Azy. 7 Ndeha haingana lazao amin'ny mpianany hoe: Efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty Izy, ary indro mialoha anareo any Galilea, ka any no hahitanareo Azy. Izany ary, fa efa nilazako ianareo. 8 Dia niala haingana tao am-pasana ireo vehivavy, sady natahotra no faly tokoa, ary nihazakazaka hampandre ny mpianatr'i Jesoa. 9 Tampotampoka eo dia nifanatrika tamin'ireto vehivavy i Jesoa ary niteny taminy hoe: Ho ao aminareo anie ny fiadanana! Dia nanatona an'i Jesoa ireto vehivavy ka namihina ny tongony sady nitsaoka Azy. 10 Tamin'izay dia hoy i Jesoa taminy: Aoka izay ny tahotra! Ndeha ampandreneso ireo mpianatro izay rahalahiko, ary asaovy mankany Galilea fa any no hahitany Ahy.

samedi 30 mars 2013

Sabotsy 30 Martsa 2013 - Apo 1 : 1- 8


1 Fanambarana nataon'i Jesoa Kristy no aroso amin'ity boky ity. Izany fanambarana izany dia nomen'Andriamanitra Azy mba hanehoan'i Jesoa Kristy amin'ireo mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. I Jesoa Kristy, tamin'ny alalan'ny anjely izay nirahiny, no nampahalala izany tamin'i Johany. 2 Io Johany io no vavolombelona nampita ny teny avy amin'Andriamanitra sy ny hafatra nijoroan'i Jesoa Kristy ho vavolombelona, dia ny zavatra rehetra efa hitany. 3 Sambatra izay mamaky sy ireo mihaino ny tenin'ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoanandro hahatanterahan'ireo zavatra ireo. 4 Avy amiko Johany ireto taratasy ireto, ary mamangy ny Fiangonana fito ao amin'ny faritany Azia aho. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Ilay ankehitriny sy taloha ary avy; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ny Fanahy Masina, ombam-panomezana fito, Izay eo anoloan'ny sezafiandrianan'Andriamanitra; 5 ary ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, ilay Zanaka lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tany amin'ny maty, ary ilay filohan'ny mpanjakan'ny tany! Tia antsika i Jesoa Kristy ka efa namaha antsika tamin'ny fatoran'ny fahotantsika fony Izy nahafoy ny rany, 6 ary efa nahatonga antsika ho fanjaka-mpisorona hanompo an'Andriamanitra Rainy. Ho an'i Jesoa Kristy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay! Amen. 7 Indro i Jesoa Kristy, tamy eo amin'ny rahona, ka hahita maso Azy ny olona rehetra, na dia ireo nandefona Azy aza, ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, izany tokoa! 8 Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Tsitoha.

vendredi 29 mars 2013

Zoma 29 Martsa 2013 - Mat 27 : 45 - 56


45 Hatramin'ny mitataovovonana dia nanomboka rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin'ny telo tolakandro izany. 46 Ary tamin'ny telo tolakandro teo ho eo i Jesoa dia niantso tamin'ny feo mahery nanao hoe: Ely, Ely, lama sabaktany? (izany hoe: Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no dia nilaozanao Aho?) 47 Ny sasany tamin'ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe: Miantso an'i Elia ny anao! 48 Niaraka tamin'izay dia nihazakazaka ny anankiray tamin-dry zareo naka spaonjy; dia novontosany vinaingitra ilay spaonjy ary notohiziny volotara ka natohony an'i Jesoa mba hotsentsefiny. 49 Fa ny sasany kosa nanao hoe: Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hamonjy Azy tokoa i Elia! 50 Fa niantso tamin'ny feo mahery indray i Jesoa, dia niala aina. 51 Ary indro ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina fa nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Dia nihorohoro ny tany; nitresaka ny vatolampy; 52 ary nisokatra ny fasana ka maro ny olona anisan'ny vahoakan'Andriamanitra efa nodimandry no velona indray. 53 Dia niala tao am-pasana ireo olona ireo rehefa nitsangana velona i Jesoa ary niditra tao Jerosalema tanana masina izy ireo, ka niseho tamin'olona maro. 54 Ary ilay kapiteny sy ireo miaramila niambina an'i Jesoa niaraka taminy kosa, raha vao nahita ny horohorontany sy ny zava-nitranga, dia raiki-tahotra mafy sady loa-bolana hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io! 55 Nisy vehivavy maro koa teo, nitazana avy teny lavidavitra teny: dia ireo niaraka tamin'i Jesoa hatrany Galilea ka nanampy Azy. 56 Anisan'ireo i Maria avy any Magdala, sy i Maria renin-dry i Jakoba sy i Josefa mirahalahy, ary ny vadin'i Zebedeo.

jeudi 28 mars 2013

Alakamisy 28 Martsa 2013 - Mat 26 : 36 - 46


36 Tamin'izay i Jesoa mbamin'ireo mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane; ka hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Mipetraha eto ianareo, fa mbola hankeroa hivavaka Aho!
37 Nentin'i Jesoa niaraka taminy kosa i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedeo. Dia nanomboka nozoim-pahoriana sy feno tebiteby fatratra i Jesoa, 38 ary dia niteny tamin'izy telo lahy hoe: Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanona eto ianareo ary miaraha miari-tory amiko! 39 Dia nandroso kely i Jesoa, ary niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka hoe: Raiko o, raha azo atao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa tsy hoe araka izay sitrapoko, fa araka izay sitraponao! 40 Dia niverina nankeo amin'ny mpianany telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin'i Petera: Hay tsy nahari-tory miaraka amiko adiny iray akory ianareo? 41 Miareta tory ary mivavaha mba tsy ho azon'ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin'ny olona, fa ny nofo no malemy! 42 Dia nihataka fanindroany i Jesoa ary nivavaka hoe: Raiko o, raha tsy azo esorina izao fijaliana izao fa tsy maintsy hiaretako, dia aoka ny sitraponao no hatao! 43 Nony niverina nankeo amin'izy telo lahy indray i Jesoa, dia mbola nahita azy natory; fa efa navesatra ny masony. 44 Dia nandao azy telo lahy i Jesoa ary nihataka indray; dia nivavaka fanintelony ka ny teniny teo ihany no nataony. 45 Ary niverina Izy nankeo amin'ny mpianany telo lahy, ka nanao taminy hoe: Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Indro efa akaiky ny fotoanandro, ary efa hatolotra eo am-pelatanan'ny mpanota ny Zanak'olona! 46 Mitsangana, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy!

mercredi 27 mars 2013

Alarobia 27 Martsa 2013 - Dan 12 : 1 - 3


1 Hoy koa ilay anjely tamiko: Amin'izany fotoana izany dia hitsangana i Mikaela, ilay filoha lehibe, izay mijoro homba ny firenenao; ary hisy fotoana mampahory tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisiam-pirenena ka hatramin'io fotoana io. Ary amin'izany fotoana izany dia ho voavonjy ny olona rehetra anisan'ny firenenao, ka hita voasoratra ao amin'ny boky. 2 Ary olona marobe izay matory ao amin'ny vovoka ao am-pasana no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny zava-mahatsiravina mandrakizay. 3 Ary ireo hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay nampianatra ny maro ho marina dia hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay mandrakizay.

mardi 26 mars 2013

Talata 26 Martsa 2013 - Heb 9 : 23 - 28


23 Koa toy izany no tsy maintsy nanadiovana ireo zavatra sarintsarin'ny any an-danitra ireo; fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa nodiovina tamina sorona tsara lavitra. 24 Fa ny Toeramasina nataon'olombelona, izay sarintsarin'ny tena izy, no nidiran'i Kristy; fa ny lanitra mihitsy no nidirany mba hahazoany ankehitriny mangataka amin'Andriamanitra ho antsika. 25 Ny mpisorombe jiosy dia niditra tao amin'ny Toeramasina Indrindra isan-taona nitondra ram-biby; i Kristy kosa tsy niditra tao an-danitra mba hanolotra ny tenany matetika; 26 raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nahariana an'izao tontolo izao. Fa niseho indray mandeha monja Izy tamin'izao andro tena farany izao, mba hanaisotra ny ota tamin'ny nanolorany tena ho sorona. 27 Tendry ho an'ny olona tokoa ny ho faty indray mandeha, ary avy eo dia hotsarain'Andriamanitra izy; 28 toy izany koa i Kristy: voatolotra ho sorona indray mandeha monja Izy, mba hanesorana ny otan'ny besinimaro. Hiseho fanindroany Izy, kanefa tsy hanaisotra ota intsony amin'izay fa hamonjy an'ireo miandry Azy.

lundi 25 mars 2013

Alatsinainy 25 Martsa 2013 - Mat 21 : 1 - 11


1 Ary nanakaiky an'i Jerosalema i Jesoa mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka tonga teo anilan'ny tanana Betifage, eo amin'ny tendrombohitra atao hoe Analanoliva. Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe: 2 Mankanesa amin'itsy tanana manoloana anareo itsy. Vantany vao migadona ao ianareo, dia hahita boriky vavy mifatotra sy ny zanany miaraka aminy: vahao ilay boriky vavy dia ento aty amiko omban-janany. 3 Ary raha misy olona manontany anareo, dia valio hoe: Misy ilan'ny Tompo azy! Dia havelany hoentinareo miaraka amin'izay ny boriky vavy sy ny zanany. 4 Izany dia tonga mba ho tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: 5 Izao lazaina amin'ny mponina ao Tsiona: Indro ny mpanjakanareo fa tonga eo aminareo, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky vavy dia boriky vavy omban-janany, zanaky ny mitondra zioga. 6 Dia nandeha ireto mpianatra ka nanao araka ny nandidian'i Jesoa azy. 7 Nentin'izy roa lahy ny boriky vavy omban-janany; ary ny mpianatra rehetra dia samy nametraka ny lambany teo ambonin'ny boriky vavy omban-janany, ka tambony lamba i Jesoa no nitaingina.  8 Be tokoa ny vahoaka namelatra ny lambany teny amin'ny lalan'i Jesoa; ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka no naparitany teny amin'ny lalan'i Jesoa. 9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe: Dera anie ho an'ny Zanak'i Davida! Hombam-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie Ilay avy! Dera anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra! 10 Ary nony efa tafiditra tao Jerosalema i Jesoa, dia nihotakotaka avokoa ny iray tanana ka nanontany hoe: Iza moa io lehilahy io? 11 Dia novalian'ny vahoaka hoe: Io no Jesoa mpaminany, Izay avy any Nazareta tananan'i Galilea!

dimanche 24 mars 2013

Alahady 24 Martsa 2013 - Jer 29 : 10 - 15


10. ''Izao koa no lazain'ny TOMPO: "Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan'i Babilona, dia hirotsaka an-tsehatra Aho nohony aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo. 11. Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Ho avy azo antoka no homeko anareo. 12. Amin'izay raha miantso Ahy ianareo ka mivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. 13. -14. Raha mikatsaka Ahy ianareo, dia hahita Ahy . Izaho TOMPO dia manao teny hentitra aminareo hoe: Raha tadiavinareo amin'ny fonareo manontolo Aho, dia hanaiky ho hitanareo. Hanova izay manjo anareo Aho , ka havoakako avy any amin'ny firenen-kafa ianareo. Hangoniko ianareo ka haveriko eto amin'ny toerana izay nandefasako anareo ho babo, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO. 15. ''Noho ianareo mihambo ho nananganan'ny TOMPO mpaminany aty Babilona,

samedi 23 mars 2013

Sabotsy 23 Martsa 2013 - Gal 5 : 13 - 15


13 Fa ianareo, ry havana, dia efa nantsoina ho amin'ny fahafahana; saingy tsy hoe ilay fahafahana hahazoana manao izay sitraky ny maha olona mpanota, fa aoka hifanompo ianareo amin'ny alalan'ny fitiavana. 14 Satria ny lalana manontolo dia tanteraka amin'ny didy tokana hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao! 15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao hifandringana.

vendredi 22 mars 2013

Zoma 22 Martsa 2013 - Sal 69 : 1 - 12

1. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny gitara. Salamo nataon'i Davida. 2. Andriamanitra o, mba vonjeo aho, fa efa mby hatenda ny rano; 3. Milentika amin'ny fota-mandrevo aho sady tsy mahita izay hifaharana; tonga amin'ny rano lalina aho ary efa indaosin'ny riaka. 4. Sasatry ny miantso vonjy aho; ka maina ny tendako, vizana ny masoko, eo am-piandrasako Anao Andriamanitro. 5. Ireo mpankahala ahy tsy amin'antony dia maro kokoa noho ny volon-dohako; mahery ireo mitady hahafaty ahy, dia ireo mpandrafy ahy tsy an-drariny. Zavatra izay tsy nalaiko no indro asainy averiko. 6. Andriamanitra o, fantatrao ny hadalako; ny hadisoako tsy mba miafina aminao. 7. Ry TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao o, aoka tsy ho menatra noho ny amiko ireo olona miantehitra aminao; aoka tsy hangaihay noho ny amiko ireo mitady Anao, ry Andriamanitr'i Israely! 8. Noho Ianao no izakako latsa sy mahasafo-kenatra ny tavako, 9. ka nanjary olon-kafa sy vahiny aho ho an'ireo mpiray tampo amiko. 10. Ny fitiavako an'ilay tranonao dia mandoro ahy toy ny afo . Ny latsa natao hihatra aminao no mifotitra aty amiko. 11. Mietry tena sady mifady hanina aho, kanefa dia andatsana ahy izany. 12. Fitafiam-pisaonana no nanaovako, dia tonga fanarabin'ny olona aho

jeudi 21 mars 2013

Alakamisy 21 Martsa 2013 - Heb 5 : 7 - 10

7 I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin'Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan'ny fahafatesana; ary dia nohenoin'Andriamanitra izy, ka afaka tamin'ny tahotra ny ho faty. 8 Na dia Zanak'Andriamanitra aza Izy, dia nianatra nanoa tamin'ny fijaliana niaretany. 9 Nony efa tonga amin'izay fanaperana Izy, dia zary loharanom-pamonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manoa Azy, 10 ary dia nambaran'Andriamanitra ho Mpisorombe araka ny fomban'i Melkitsedeka.

mercredi 20 mars 2013

Alarobia 20 Martsa 2013 - Isa 35 : 5 - 10

5. Dia hahiratra ny mason'ny jamba ary handre ny sofin'ny marenina. 6. Hitsambikina toy ny diera ny mandringa, hiteny an-kafaliana ny lelan'ny moana , satria hiboiboika any an-taniefitra ny rano ary hisy ranon-driaka any amin'ny tany ngazana. 7. Ny tany karakaina hanjary farihy, ny tany mangentana hiboiboika loharano. Ary eo amin'ny toerana famitsahan'ny amboadia dia hanirian'ny volotara sy ny zozoro. 8. Any no hisy arabe voamboatra hantsoina hoe ''lalana voatokana''. Tsy hahazo handalo eo izay maloto ary tsy hitonantonana eo ny mpanompo sampy; fa ny Tompo dia hisava izany lalana izany, ho an'ny vahoakany ihany. 9. Tsy hahitana liona io lalana io sady tsy hiakaran'ny biby masiaka; tsy hisy ho hita eo ireny fa izay nafahan'ny Tompo no handeha eo. 10. Izany no lalana hiverenan'ireo navotan'ny TOMPO, ka hahatongavany ao Tsiona amin'ny fihobiana; haravoana mandrakizay no ho eny amin'ny endriny, hafaliana sy haravoana no hanenika azy fa handositra kosa ny alahelo aman-tsento.

mardi 19 mars 2013

Talata 19 Martsa 2013 - Rom 6 : 20 - 23

20 Fa fony mpanompon'ny fahotana ianareo, dia afaka tamin'ny fifehezan'ny fahamarinana. 21 Inona ary no vokatra azonareo tamin'ireny zavatra nataonareo fahiny ireny? Mahamenatra anareo izany ankehitriny satria fahafatesana no iafarany. 22 Ankehitriny anefa, natao afaka tamin'ny fahotana ianareo ary tonga mpanompon'Andriamanitra; ka ny vokatra azonareo dia ny anananareo toetra masina ary fiaina-maharitra mandrakizay amin'ny farany. 23 Satria fahafatesana no tambin'ny fahotana, dia ny fanomezan'Andriamanitra maimaimpoana kosa dia fiaina-maharitra mandrakizay ho an'izay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.

lundi 18 mars 2013

Alatsinainy 18 Martsa 2013 - Fit 3 : 52 - 63


52 Ireo fahavaloko tsy amin'antony manenjika ahy toy ny fanenji-boronkely. 53 Nanidy ahy velona tao an-davaka izy ary nanjera vato teo amboniko. 54 Nandifotra ny lohako ny rano, ka hoy aho hoe: Very aho ity! 55 Avy tany am-paran'ny lava-drano aho no niantso vonjy taminao, TOMPO o. 56 Renao ny feoko manao hoe: Aza anampenan-tsofina ny fitarainako miantso vonjy aminao. 57 Nanatona Ianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka nanao tamiko hoe: Aza matahotra! 58 Tompo o, niady ho ahy Ianao ka nanavotra ny aiko. 59 TOMPO o, hitanao ny fiangarana natao tamiko ka notsarainao ara-drariny aho. 60 Hitanao avokoa ny valifaty nataony tamiko, dia izay rehetra nokasainy hamelezana ahy. 61 TOMPO o, efa renao ny latsa nataony, dia izay rehetra nokasainy hamelezana ahy. 62 Izay lazain'ny mpanohitra ahy sy eritreretiny dia kendreny hamelezana ahy tontolo andro. 63 Jereo izy na mipetraka na mitsangana fa izaho ihany no ambentin-dresany.

dimanche 17 mars 2013

Alahady 17 martsa 2013 - Mar 7 : 31 - 37


31 Dia niala tao amin'ny faritanin'i Tiro i Jesoa ka nandalo tany Sidona ary niverina teo amin'ny farihin'i Galilea, rehefa avy namakivaky ny faritany atao hoe Dekapoly. 32 Dia nisy lehilahy sady marenina no raiki-dela, nentin'ny olona ho eo aminy ary niangaviany Azy hametrahany tanana. 33 Dia nentin'i Jesoa nihataka irery lavitra ny vahoaka ralehilahy ka noharoniny tamin'ny rantsan-tanana ny sofiny, ary nokasihiny sady nasiany rora ny lelany. 34 Dia niandrandra ny lanitra i Jesoa sady nisento ary niteny tamin-dralehilahy hoe: Efata! (izany hoe: misokafa!). 35 Ary niaraka tamin'izay dia nisokatra ny sofin-dralehilahy ary nivaha ny fatoran'ny lelany, ka afaka niteny tsara izy. 36 Dia namepetra ny olona teo i Jesoa tsy hitantara na amin'iza na amin'iza; kanefa arakaraka ny nameperan'i Jesoa azy no vao mainka koa nampielezany izany. 37 Ary dia talanjona izaitsizy ny olona ka vaky vava hoe: Tsara avokoa no nanaovany ny zavatra rehetra, fa sady nampalady ny marenina Izy no nampiteny ny moana.

samedi 16 mars 2013

Sabotsy 16 Martsa 2013 - Job 22 : 21 - 30


21. Ifankazaro sy ihavano re Andriamanitra dia hiverina aminao ny fahasambarana. 22. Mbola raiso ny fampianarana omeny anao ary alatsaho ao am-ponao ny teniny. 23. Miverena am-panetren-tena amin'ilay Tsitoha, ampanalaviro ny lainao ny tsy fahamarinana. 24. Ario amin'ny tany ny vongam-bolamenanao na avelao eny amin'ny vaton-driaka; 25. fa ilay Tsitoha no ho volamenanao sy ho volafotsy miavosa ho anao. 26. Koa dia hifaly amin'ilay Tsitohaianao ary hanandra-tava mitoky amin'Andriamanitra. 27. Raha mivavaka aminy ianao, dia ho henoiny; ary ho efainao aminy ny voadinao. 28. Fa ho tanteraka aminao izay ka sainao hatao; ary ny mazava hamiratra eo amin'ny lalanao. 29. Fa Andriamanitra manetry ny miavonavom-pisainana, nefa kosa mamonjy ny manetry tena. 30. Satria manafaka na dia ny olo-meloka aza Izy; eny, ny fahadiovan'ny tananao no hanafaka azy.

vendredi 15 mars 2013

Zoma 15 Martsa 2013 - Sal 130 : 1 - 8


1. Hira fiakarana. Anaty hantsam-pahoriana aho no miantso Anao, ry TOMPO. 2. Mba henoy, TOMPO o, izany feoko! Ho tandrin'ny sofinao anie ny feoko mitaraina! 3. Raha mitsikilo heloka Ianao, ry TOMPO, iza moa no hahatanty, Tompo o? 4. Kanefa ao aminao ny famelana mba hanajan'ny olona Anao. 5. Koa manantena mafy ny TOMPO aho sady matoky ny teniny. 6. Miandry ny TOMPO aho, manoatra ny mpiambina miandry ny maraina. Eny, manoatra ny mpiambina miandry ny maraina, 7. no aoka hitokian'ny vahoaka Israely ny TOMPO, satria ny fitiavana no ao amin'ny TOMPO ary koa ny fanavotana tsy hita lany! 8. Eny, Izy no hanavotra ny vahoaka Israely ho afaka amin'ny fahotana rehetra.

jeudi 14 mars 2013

Alakamisy 14 Martsa 2013 - II Tes 3 : 1 - 5


1 Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin'ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo. 2 Mivavaha koa mba hanafahan'Andriamanitra anay amin'ny olona tsy valahara sy ratsy fanahy; satria tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra. 3 Fa mitana ny toky nomeny ny Tompo, ka hampahery anareo sady hiaro anareo tsy ho azon'ilay Ratsy. 4 Ary omen'ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany. 5 Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian'i Kristy!

mercredi 13 mars 2013

Alarobia 13 Martsa 2013 - Isa 51 : 9 - 11


9. Mifohaza ianao, TOMPO o, mifohaza ka tafio indray ny herinao; mifohaza tahaka ny tamin'ny andro taloha, dia tamin'ny taranaka fahiny ela be. Moa tsy ianao no namotipotika an-dRahaba , sy nanagorobaka ilay dragona? 10. Moa tsy ianao no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny hantsana lalimbe, ka nahatonga ny fanambanin'ny ranomasina ho lalana hiampitan'ny voaavotra? 11. Eny, hiverina ireo nafahan'ny TOMPO ka hiditra ao Tsiona amin'ny hobim-pandresena; ary hafaliana mandrakizay no ho hita taratra eny an-tavany, fientanana sy firavoravoana no hanenika azy fa handositra ny alahelo sy ny fisentoana!

mardi 12 mars 2013

Talata 12 Martsa 2013 - Lio 4 : 14 - 22


14 Nomban'ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina tany Galilea; ary nanomboka niely tamin'ny faritany manontolo ny lazany. 15 Nampianatra tany amin'ny sinagoga Izy sady nomen'ny olona rehetra voninahitra. 16 Nandeha tany Nazareta tanana nahabe Azy i Jesoa ary tamin'ny andro sabata dia niditra tao amin'ny sinagoga araka ny fanaony. Nitsangana Izy hamaky ny Soratra Masina 17 ka natolotra Azy ny bokin'i Isaia mpaminany. Novelariny ilay boky ary izao no andinin-tsoratra hitany: 18 Ato amiko ny Fanahy avy amin'ny Tompo. Ka natokan'ny Tompo Aho hanambara Vaovao Mahafaly amin'ny mahantra; nirahiny Aho hitory fanafahana amin'ny mpigadra sy fahiratana amin'ny jamba, hanafaka ny ampahorina 19 ary hitory taona hanehoan'ny Tompo fanambinana. 20 Rehefa nahorony ilay boky ka naveriny tamin'ny mpandraharaha, dia nipetraka i Jesoa. Nifantoka teny aminy avokoa ny mason'izay rehetra tao amin'ny sinagoga. 21 Fa i Jesoa kosa niteny taminy hoe: Tanteraka androany amin'izao andrenesanareo azy izao izany andinin'ny Soratra Masina izany. 22 Ary samy vavolombelona niaiky Azy daholo ny olona sady gaga noho ny teny soa naloaky ny vavany, ka hoy izy rehetra hoe: Tsy zanak'i Josefa ve ity?

lundi 11 mars 2013

Alatsinainy 12 Martsa 2013 - Zef 3 : 9 - 13


9 Amin'izany, dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony; dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra ary hiray hina hanompo Ahy. 10 Eny fa hatrany an-dafin'ny onin'i Etiopia ireo mpivavaka amiko izay naeliko no ho avy hitondra fanatitra ho Ahy.  11 Amin'izany andro izany, ry vahoakako, dia tsy ho menatra intsony ianao tamin'izay ratsy rehetra nataonao ka nanotanao tamiko. Hoesoriko tsy ho eo aminao ny mpirehareha rehetra ary tsy hiavonavona intsony ianao eo an-tendrombohitro masina. 12 Nefa hisy olona ory sy malahelo hataoko sisa tavela eo aminao, dia olona hitady fialofana amiko TOMPO. 13 Ny sisa velona amin'ny vahoaka Israely dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony, ary tsy hanao teny mamitaka intsony. Fa hihinana sy handry feizay izy ka tsy hisy hampatahotra azy.

dimanche 10 mars 2013

Alahady 10 Martsa 2013 - I Jao 1 : 5 - 10


5 Izao no hafatra renay tamin'i Jesoa Kristy, ka mba ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy mba misy haizina akory ao aminy. 6 Raha milaza ho manam-piombonana amin'Andriamanitra isika, nefa miaina ao amin'ny haizina, dia mandainga sady tsy manatanteraka ny hafatra marim-pototra. 7 Andriamanitra dia ao amin'ny mazava: ka raha miaina ao amin'ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran'i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny karazam-pahotana rehetra. 8 Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny hafatra marim-pototra. 9 Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin'ny ratsy isan-karazany. 10 Raha milaza ho tsy nanota isika, dia mampandainga an'Andriamanitra sady tsy ao anatintsika ny teniny.

samedi 9 mars 2013

Sabotsy 09 Martsa 2013 - Deo 15 : 1 - 6


1 Isaky ny fito taona dia hanao famoizan-trosa ianareo, 2 ka izao no fomba hampiharana izany: ianareo tompon-trosa rehetra, izay nampisambo-bola ny namany, dia hamoy izany, rehefa natao antso avo ny taona famoizan-trosa ho fanajana ny TOMPO; tsy hoterenareo hamerin-trosa ilay namana mpiray tanindrazana aminareo. 3 Ny olona hafa firenena ihany no azonareo terena hamerin-trosa; fa izay trosanareo amin'ny mpiray firenena aminareo kosa dia hafoinareo. 4 Kanefa tsy hisy mahantra eo aminareo, satria hotahin'ny TOMPO tokoa ianareo, any amin'ny tany izay homen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, 5 raha henoinareo tsara ny feony ka imasoanareo hotanterahina manontolo izao didy ampitaiko aminareo anio izao. 6 Eny, hotahin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy anareo; ka ianareo tsy mba hisy hisambo-bola fa firenena maro kosa no hampisamborinareo vola; firenena maro no hofehezinareo, fa ianareo kosa tsy mba hofeheziny.

vendredi 8 mars 2013

Zoma 08 Martsa 2013 - Rom 8 : 18 - 25


18 Heveriko fa tsy mendrika hoharina amin'ny voninahitra izay haseho ao amintsika ny fijaliana amin'izao andro izao. 19 Fa tsindrian-daona ery ny zavaboaary miandry ny hanehoan'Andriamanitra an'ireo zanany. 20 Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany. Saingy eo ny fanantenana: 21 Fa ny zavaboaary koa aza dia hoafahana tsy ho andevon'ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin'ny fahafahana be voninahitra hananan'ireo zanak'Andriamanitra. 22 Saingy fantatsika fa mandraka ankehitriny, ny zavaboaary manontolo dia miara-misento sy mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza. 23 Ary tsy ny zavaboaary ihany; fa isika koa, izay manana ny Fanahy Masina ho santatry ny fanomezan'Andriamanitra, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny hanaovan'Andriamanitra antsika ho zanany ka hanavotany tanteraka ny tenantsika. 24 Eny, efa voavonjy isika saingy mbola amin'ny fanantenana; ny mahita izay nantenaina dia tsy manantena intsony; satria iza no mbola hanantena izay zavatra efa hitany? 25 Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.

jeudi 7 mars 2013

Alakamisy 07 martsa 2013 - Lio 13 : 10 - 17


10 Nampianatra tao amin'izay sinagoga izay i Jesoa indray sabata.  11 Nisy vehivavy anankiray teo, azon'ny fanahy ratsy mahafarofy nandritra ny 18 taona ka nanjoko tsy nahatraka mihitsy. 12 Niantso azy i Jesoa nony nahita azy, ka nanao taminy hoe: Ramatoa, afaka amin'ny rofinao ianao! 13 Dia nametrahan'i Jesoa tanana ravehivavy ary nitraka niaraka tamin'izay ka nanome voninahitra an'Andriamanitra. 14 Tezitra ny lehiben'ny sinagoga satria andro sabata no nanaovan'i Jesoa fanasitranana. Nandray fitenenana ny lehiben'ny sinagoga ary nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Andro enina no tokony hiasana; ka mandritra ireo andro ireo ianareo no tongava hositranina, fa tsy amin'ny andro sabata! 15 Fa hoy ny navalin'ny Tompo azy: Mpihatsaravelatsihy raha ianareo! Amin'ny andro sabata, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona avy ianareo ka mitondra azy hisotro rano? 16 Koa ity vehivavy taranak'i Abrahama ity, 18 taona ngarangidina no voafatotr'i Satana, moa tsy tokony ho amin'ny andro sabata indrindra ve no hamahana fatorana azy? 17 Nangaihay izay rehetra mpanohitra an'i Jesoa noho izany valin-teniny izany, fa ny vahoaka manontolo kosa niravoravo noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

mercredi 6 mars 2013

Alarobia 06 Martsa 2013 - Gen 50 : 22 - 26


22 Nipetraka tany Ejipta i Josefa sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainan'i Josefa, 23 ka nahita ny zafiafin'i Efraima zanany lahy izy ary nanangana ireo zanak'i Makira izay zafikeliny sady zanakalahin'i Manase. 24 Indray andro dia hoy i Josefa tamin'ireo rahalahiny: -Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay efa nianianany homena an'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba. 25 Koa mianiana amiko fa rehefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hoentinareo miakatra avy aty ny taolam-baloko. 26 Maty i Josefa, rehefa feno 110 taona. Nohosorana zava-manitra ny fatiny; ary tao anaty vata vato no nametrahana azy tany Ejipta.

mardi 5 mars 2013

Talata 05 Martsa 2013 - II Kor 4 : 7 - 11


7 Izahay mitondra izany raki-tsoa izany kosa dia toy ny vilany tany ihany, mba hahitana tsara fa izao hery tsy manan-tsahala izao dia an'Andriamanitra fa tsy anay. 8 Ifandaharam-pahoriana izahay, nefa tsy voapotsitra; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; 9 enjehin'olona, nefa tsy ilaozan'Andriamanitra; azera, nefa tsy maty. 10 Entinay mandrakariva ao amin'ny tenanay koa fa velona i Jesoa; 11 satria, eo amin'ny fiainanay, dia ny fahafatesana no mananontanona anay lalandava noho ny amin'i Jesoa mba haseho ao amin'ny tenanay mety maty koa fa velona i Jesoa,

lundi 4 mars 2013

Alatsinainy 04 Martsa 2013 - Jao 8 : 31 - 38

31Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; 32ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. 33Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo? 34Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota. 35Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva. 36Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. 37Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo. 38Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.

dimanche 3 mars 2013

Alahady 03 Martsa 2013 - Jer 15 : 19 - 21

19 Koa izao no lazain'i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy, 20 Ary hataoko manda varahina mirova ho amin'ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah; 21 Ary hanafaka anao amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpampahory.

samedi 2 mars 2013

Sabotsy 02 Martsa 2013 - II Tim 4 : 9 - 18

9 Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao; 10 fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia. 11 Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana izy. 12 Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy. 13 Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin'i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra. 14 Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany; 15 tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay. 16 Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany). 17 Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin'ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren'ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan'ny liona. 18 Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

vendredi 1 mars 2013

Zoma 01 Martsa 2013 - Isa 43 : 16 - 21


16. Izao no lazain'ny TOMPO, ilay nanokatra lalana tany an-dranomasina sy nitari-dalana teo anivon'ny rano manonja, 17. Ilay nampamoaka ny kalesy sy ny soavaly ary ny miaramila sy ny andian-tafika mahery, dia indray lavo ireo ka tsy tafarina intsony, sempotra ka maty toy ny lahin-jiro milofika; eny, izao no lazain'ny TOMPO ankehitriny: 18. ''Aza tsaroanareo intsony ny zava-niseho voalohany , aza itodihana intsony ny lasa. 19. Fa hanao zavatra vaovao Aho; ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany, ka ho hainareo fantarina tokoa. Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho sady hampandriaka ony an-tany karakaina. 20. Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia mbamin'ny amboa haolo sy ny vorombe, satria manisy rano any an-taniefitra Aho sy nampandriaka ony an-tany karakaina mba hampisotroako ny vahoaka nofidiko, 21. dia ilay vahoaka noforoniko ho Ahy ka hitantara ny antony hiderany Ahy.''

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12