mardi 30 juin 2020

Talata 30 Jona 2020 - Jak 3 : 13 - 18

13Misy hendry sy manan-tsaina ve aminareo? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara fa ny halemem-panahy, vokatry ny fahendrena, no manenika ny asa ataony. 14Raha misy fialonana mangidy sy fifampiandaniana ao am-ponareo, dia aza mirehareha ianareo ary aza mandainga manohitra ny marina. 15Izany fahendrena izany dia tsy avy any ambony fa araka ny etỳ an-tany sy araka ny maha olombelona ary avy amin’ny demony; 16satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’ny asa ratsy isan-karazany. 17Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. 18Izay mampanjaka fihavanana dia mamafy amim-pihavanana, ary dia ny rariny no vokatra azony.

lundi 29 juin 2020

Alatsinainy 29 Jona 2020 - Lio 21 : 34 - 36

34–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany, 35satria hiantonta tahaka ny fandrika harato amin’ny mponina rehetra manerana ny tany tontolo. 36Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin’izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan’ny Zanak’olona.

dimanche 28 juin 2020

Alahady 28 Jona 2020 - Oha 20 : 1 - 3

1Ny divay mahatonga ho mpaniratsira,
ny toaka mahatonga ho mpitabataba,
koa izay mimamo amin’izany tsy ho hendry.
2Ny fandrahonan’ny mpanjaka
dia mampatahotra toy ny fieron’ny liona;
ka izay mampahatezitra azy tandindomin-doza.
3Voninahitry ny olona ny mandositra fifandirana;
fa ny adala rehetra kosa no mikiribiby amin’izany.

samedi 27 juin 2020

Asabotsy 27 Jona 2020 - Zak 8 : 14 - 17

14Izao manko no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:
«Tamin’ny nampahatezeran’ny razanareo Ahy,
dia nihevitra hahatonga loza aminareo
Izaho TOMPOn’izao rehetra izao
ka tsy nisalasala nanatanteraka izany.
15Fa ankehitriny kosa dia mihevitra ny hanisy soa
hanisy soa anareo Aho,
mponin’i Jerosalema sy i Joda;
koa aza matahotra intsony ianareo.
16Izao no tsy maintsy hataonareo:
samia milaza ny marina
amin’ny namany avy ianareo;
aoka ho didim-pitsarana ara-drariny
no havoaka eo amin’ny toeram-pitsaranareo
mba hahatonga fiadanana eo aminareo.
17Aza mieritreritra hanisy ratsy ny namana
ary aza mety hianiana lainga,
fa halako ny zavatra rehetra toy ireny.
Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.»

vendredi 26 juin 2020

Zoma 26 Jona 2020 - Efe 2 : 11 - 22

11Ianareo izay hafa firenena, – dia ianareo antsoin’ny Jiosy hoe «tsy voafora», fa izy ireo miantso ny tenany hoe «voafora» (ilazana famantarana ataon’ny olona amin’ny nofony) –, tsarovy izay nanjo anareo fahiny: 12lavitra an’i Kristy ianareo tamin’izany andro izany; tsy mba navela ho anisan’ilay firenena Israely voafidin’Andriamanitra; tsy mba tao anatin’ireo fanekempihavanana izay niorina tamin’ny fampanantenàn’Andriamanitra; velona teto amin’izao tontolo izao ianareo, kanefa sady tsy nanan-kantenaina no tsy nanana an’Andriamanitra. 13Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa tonga akaiky, noho ny ra nafoin’i Kristy. 14Satria i Kristy mihitsy no nampihavana antsika roa tonta, ka nahatonga ny Jiosy sy ny hafa firenena ho iray; fa tamin’ny nanoloran’i Kristy ny tenany, dia narodany ny rindrina izay nampisaraka antsika sy nahatonga antsika hifankahala. 15Nofoanan’i Kristy ny lalàna jiosy mbamin’ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin’ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan’i Kristy fampihavanana. 16Ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana dia nanafoana ny fifankahalana, ka nanambatra antsika roa tonta ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin’Andriamanitra. 17Izany no nahatongavan’i Kristy nitory Vaovao Mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an’Andriamanitra sy taminay Jiosy izay akaiky Azy. 18Koa dia amin’ny alalan’i Kristy no ahazoantsika roa tonta manatona an’Andriamanitra Ray noho ny asan’ny Fanahy Masina iray ihany.

19Noho izany, tsy olon-ko azy na vahiny intsony ianareo hafa firenena, fa iray zo sy andraikitra amin’ny vahoakan’Andriamanitra sady anisan’ny ankohonan’Andriamanitra. 20Taotrano najoron’Andriamanitra ianareo, ka ny fanorenana dia ny apôstôly sy ny mpaminany; ary i Kristy Jesoa mihitsy no vato fehizoro. 21Ao amin’i Kristy no azo antoka ho mafy ny taotrano manontolo ka misondrotra hatrany mba ho tonga tempoly masina ao amin’ny Tompo. 22Ao amin’i Kristy koa no arafitra miaraka aminay ianareo mba ho tonga trano fonenan’Andriamanitra noho ny asan’ny Fanahy Masina.

jeudi 25 juin 2020

Alakamisy 25 Jona 2020 - Oha 25 : 21 - 22

21Raha noana ny fahavalonao, dia omeo hanina;
raha mangetaheta izy, dia omeo rano hosotroiny;
22fa raha manao izany ianao,
dia toy ny manala vainafo eo an-dohany.
Ary ny TOMPO no hamaly soa anao.

mercredi 24 juin 2020

Alarobia 24 Jona 2020 - Mat 5 : 25 - 26

25Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao dieny samy mbola eny an-dalana ho any amin’ny fitsarana ianareo; fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara; ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ny miaramila, ka hatao am-ponja ianao. 26Lazaiko marina aminao fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-panèfanao ny iraimbilanja farany.

mardi 23 juin 2020

Talata 23 Jona 2020 - Zak 7 : 8 - 10

8-9Ary nisy baikon’ny TOMPOn’izao rehetra izao mba hampahatsiahivako izay efa nambarany hoe:

«Manaova fitsarana marina ianareo,
samia mifankatia sy mifamindrafo.
10Ary aza mampahory
ny mpitondratena na ny kamboty,
na koa ny vahiny na ny mahantra.
Aza mba mihevitra hanisy ratsy ny namany.»

lundi 22 juin 2020

Alatsinainy 22 Jona 2020 - Isa 58 : 6 - 12

6Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao:
ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny,
ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy,
ny manafaka ireo ampahorîna
ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy.
7Ny hizarànao ny haninao ho an’ny noana
sy hampiantranoanao ireo mahantra mirenireny,
ny hampitafînao izay hitanao fa miboridana
ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan’ny namanao.
8Amin’izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavànao
ary ho tonga haingana ny fahasitrananao.
Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao,
ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao.
9Rehefa miantso ianao, dia hamaly anao ny TOMPO;
rehefa mitady vonjy ianao, dia hovaliany hoe: «Inty Aho.»
Raha foananao eo aminao ny ziogam-pamoretana
mbamin’ny fanendrikendrehana sy ny fitenenan-dratsy,
10raha zarainao ho an’ny noana ny haninao
ka manome sakafo ireo sahirana ianao,
dia hamirapiratra ao amin’ny haizina ny fahazavànao
ary ho toy ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.
11Hitari-dalana anao hatrany ny TOMPO;
na dia ao amin’ny tany karakaina aza ianao,
dia hovokisany hanina sy hampahatanjahiny.
Hanjary mahate hijery toy ny saha vonton-drano ianao
na toy ny loharano miboiboika tsy mety ritra.
12Noho ny ezakao, dia haorina indray
ireo zavatra rava fahiny
ary hatsangana indray ny fanorenana
izay efa nilaozana hatry ny elabe;
ary ianao dia hantsoina hoe:
«Vahoaka mpamboatra ny manda simba
sy mpamelona ny lalankely efa maty
mba ho tsara honenana ao an-tanàna.»

dimanche 21 juin 2020

Alahady 21 Jona 2020 - II Kor 13 : 11 - 14

11Ary farany, ry havako, veloma finaritra ianareo! Miezaha ho tonga lafatra, mifampahereza, miraisa saina, mihavàna, dia homba anareo ilay Andriamanitra loharanon’ny fitiavana sy ny fiadanana.
12Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pihavanana.
13Manao veloma anareo avokoa ny vahoakan’Andriamanitra.
14Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana avy amin’ny Fanahy Masina!

samedi 20 juin 2020

Sabotsy 20 Jona 2020 - Eks 23 : 1 - 11

1«Aza manely tsaho foana, na manao vavolombelona mandainga hiray tsikombakomba ny olon-dratsy. 2Aza manaiky hotarihin’ny maro hanao ratsy; aza mijoro ho vavolombelona noho ny hena-maso ny maro mitady hamadika ny rariny eo amin’ny fitsarana. 3Aza manasohaso olona eo amin’ny fitsarana, na dia ny mahantra aza.

4«Raha mifanena aminao fa diso lalana ny ombin’ny fahavalonao na ny borikiny, dia avereno any aminy. 5Raha hitanao ny borikin’izay mankahala anao fa mihohaka eo ambanin’ny entana entiny, dia aza ilaozana fotsiny ilay olona fa ampio izy hanarina ny bibiny.

6«Aza mamilivily ny rariny ananan’ny mahantranareo rehefa miseho fitsarana izy. 7Aza mihaino ny lainga tsara lahatra. Aza manameloka ho faty ny tsy manan-tsiny sy ny olo-marina, satria Izaho Tompo dia tsy hihevitra ny olon-dratsy toy izany ho marina. 8Aza mandray tsolotra fa ny tsolotra no mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ny olo-marina.

9«Aza mampijaly ny vahiny izay mipetraka ao aminareo. Fantatrareo tsara ny fiainan’ny vahiny satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo.

10«Mandritra ny enin-taona misesy no ahazoanareo mamafy ny taninareo sy mijinja ny vokatra avy aminy; 11fa amin’ny taona fahafito dia tsy maintsy avelanareo hitsahatra tanteraka ny tany. Ny mahantra iray firenena aminareo amin’izay dia hahita hohanina, ary ny sisa dia hohanin’ny bibidia. Toy izany koa no hataonareo amin’ny tanimboalobokareo sy ny tanin’ôlivanareo.

vendredi 19 juin 2020

Zoma 19 Jona 2020 - Fil 2 : 1 - 4

1Mampahery anareo tokoa ny firaisana amin’i Kristy, mampirisika anareo ny fitiavany, ary miombona amin’ny Fanahy Masina ianareo ka mahay mangoraka sy be hatsarampo. 2Noho izany, dia fenoy tanteraka ny hafaliako: aoka hifanaraka tsara ianareo ka hoentanin’ny fifankatiavana sy hiray fo ary hiray saina; 3aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filàn-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena. 4Aza dia samy mihevitra ny soa ho an’ny tena ihany, fa ny ho an’ny namana koa.

jeudi 18 juin 2020

Alakamisy 18 Jona 2020 - I Pet 3 : 8 - 12

8Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin’Andriamanitra hanana anjara amin’ny soa nampanantenainy. 10Fa izao no tenin’ny Soratra Masina:

«Izay te hankamamy fiainana
sy te hahita andro soa,
aoka izy hitsaha-miteny ratsy
ary hitsaha-milaza fitaka;
11aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa,
aoka hitady fihavanana tsy an-kiato;
12satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina
sy mihaino ny fitarainany,
fa tezitra kosa amin’ny mpanao ratsy.»

mercredi 17 juin 2020

Alarobia 17 Jona 2020 - Lev 19 : 16 - 18

16Aza manely fanendrikendrehana olona eo amin’ny mpiray firenena aminareo. Aza mitsangan-ko vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namanareo ho faty. Izaho no TOMPO.

17«Aza mankahala ao am-ponareo ny mpiray firenena aminareo fa anaro tsara izy mba tsy hahazoanareo heloka noho ny aminy. 18Aza mamaly ratsy na manao lolom-po amin’ny mpiray firenena aminao fa tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. Izaho no TOMPO.

mardi 16 juin 2020

Talata 16 Jona 2020 - I Tes 5 : 12 - 18

12Mangataka aminareo izahay, ry havana, mba hanaja izay mikely aina eo anivonareo, dia izay voatendrin’ny Tompo hitarika sy hananatra anareo. 13Fankatoavana be dia be ombàm-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavàna tsara ianareo samy ianareo.

14Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin’ny olona rehetra. 15Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.

16Mifalia mandrakariva; 17mivavaha lalandava; 18misaora an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrak’Andriamanitra hataonareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.

lundi 15 juin 2020

Alatsinainy 15 Jona 2020 - I Mpa 22 : 41 - 45

41Tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Ahaba mpanjakan’i Israely no tonga mpanjakan’i Joda i Jôsafata zanakalahin’i Asà. 42Feno 35 taona i Jôsafata fony vao nanjaka, ary naharitra 25 taona no nanjakàny tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hazobà, zanakavavin’i Silehỳ. 43Narahiny avokoa ny toetran’i Asà rainy ka tsy niala tamin’izany izy, fa nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO. 44Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, fa ny olona dia mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany. 45Ary nanao fanekempihavanana tamin’ny mpanjakan’i Israely i Jôsafata.

dimanche 14 juin 2020

Alahady 14 Jona 2020 - Mar 9 : 33 - 50

33Dia niditra tao Kafarnahòma i Jesoa sy ny mpianany. Ary rehefa mby tao an-trano i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe:
–Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana teo iny?

34Tsy niteny tsy nivolana ireo, satria ny niadiany hevitra teny an-dalana dia ny hoe iza no lehibe indrindra amin’izy samy izy. 35Dia nipetraka i Jesoa ary niantso ny 12 lahy ka nanao taminy hoe:
–Raha misy te ho voalohany, aoka izy ho farany amin’ny olona rehetra ary ho mpanompon’ny olona rehetra.

36Dia nandray zazakely i Jesoa, napetrany teo ampovoan’izy rehetra ary dia notrotroiny ka hoy Izy:
37–Na iza na iza mandray ny anankiray amin’itony zaza itony amin’ny anarako, dia Izaho no raisiny; ary na iza na iza mandray Ahy, dia tsy Izaho ihany no raisiny fa Ilay naniraka Ahy koa.

38Fa hoy i Jôhany tamin’i Jesoa:
–Mpampianatra ô, nahita olona nandroaka demony tamin’ny anaranao izahay, ka noraranay satria tsy namantsika.

39Dia hoy i Jesoa taminy:
–Aza raràna; fa tsy misy olona hanao asa mahagaga amin’ny anarako, ka hahateny ratsy Ahy eo no ho eo. 40Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. 41Ary na iza na iza manome rano eran’ny kaopy hosotroinareo noho ny maha an’i Kristy anareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho diso valisoa.

42Na iza na iza mitarika ny anankiray amin’itony madinika mino Ahy itony hanao ratsy, dia aleo izy anantonana vatobe fikoseham-bary eo amin’ny vozony ka hatsipy any anaty ranomasina. 43Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tananao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tanana nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tanan-droa nefa mivarina any amin’ny lohasahan’afo, dia any amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra. [ 44Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»] 45Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tongotrao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tongotra nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tongotra roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo. [ 46Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»] 47Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo. 48Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»

49Eny, hodiovina amin’ny alalan’ny afo avokoa ny olona rehetra tahaka ny anadiovana ny sorona rehetra amin’ny alalan’ny sira. 50Zava-tsoa manko ny sira; kanefa raha ny sira no tonga matsatso, hataonareo ahoana indray no hamerina ny tsirony? Aoka ianareo hanana sira ao aminareo, ary aoka hanjaka eo aminareo ny fihavanana.

samedi 13 juin 2020

Sabotsy 13 Jona 2020 - Rom 13 : 8 - 10

8Aoka tsy hananan’olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna. 9Satria ny hoe «aza maka vadin’olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin’ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin’ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.» 10Izay tia dia tsy manisy ratsy ny namana; koa izay tia no mahatanteraka ny lalàna.

vendredi 12 juin 2020

Zoma 12 Jona 2020 - I Kor 6 : 1 - 8

1Raha misy aminareo manana fifanolanana amin’ny havana kristianina, ahoana no dia ahasahiany mangataka fitsarana amin’ny olona tsy mpino fa tsy amin’ny vahoakan’Andriamanitra? 2Sa tsy fantatrareo ve fa ny vahoakan’Andriamanitra no hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia tsy mendrika anareo ve ny fitsarana izay raharaha madinika indrindra. 3Tsy fantatrareo ve fa hitsara anjely aza isika? Mainka fa izay raharaha momba izao fiainana izao! 4Koa raha zavatra momba izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, dia olona ivelan’ny Fiangonana ve no tendrenareo ho mpitsara? 5Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ve tsy misy olon-kendry na dia anankiray aza eo aminareo mba afaka handamina ny fifanolanan’ny samy kristianina? 6Sady kristianina ve dia hanana ady amina kristianina ary izay indray tsaraina eo anatrehan’ny tsy mpino?

7Efa tena mikorosy fahana ianareo matoa misy fifanolanana samy ianareo. Tsy aleonareo ve mizaka ny tsy rariny? Tsy aleonareo ve miaritra ny fanambakana? 8Kanefa dia ianareo indray no manao ny tsy rariny sy manambaka, ary dia ny havanareo iray finoana ihany no anaovanareo izany.

jeudi 11 juin 2020

Alakamisy 11 Jona 2020 - Gen 45 : 1 - 14

1Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason’ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Jôsefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin’i Jôsefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny. 2Mafy loatra anefa ny tomanin’i Jôsefa ka ren’ny Ejiptianina maro, ary heno hatrany an-dapan’ny Farao.

3Hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny:
–Izaho no Jôsefa; moa mbola velona any ihany ve i dada?

Tsy nahavaly azy kosa ireo rahalahiny, fa tora-kovitra teo anatrehany.

4Ka hoy indray i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny:
–Avia manatòna ahy ianareo.

Dia nanatona ireo. Ary hoy koa i Jôsefa hoe:
–Izaho no Jôsefa rahalahinareo izay namidinareo mba hoentina aty Ejipta. 5Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra tamin’ny nivarotanareo ahy toy izao, fa Andriamanitra no nandefa ahy mialoha taty mba hamonjy aina. 6Efa roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany Ejipta, kanefa ato anatin’ny dimy taona dia tsy mbola hisy ny fiasan-tany na fijinjana. 7Andriamanitra no nandefa ahy nialoha anareo tamin’ity tany ity mba tsy hahalany taranaka anareo ary mba hamelomana ny ainareo; ka famonjena lehibe izany. 8Tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra mihitsy, ary mbola Izy ihany no nametraka ahy ho mpandraharaha faratampon’ny Farao sy ho mpanapaka izay rehetra ao an-tranon’ny Farao ary ho mpitondra an’i Ejipta manontolo. 9Koa miakara haingana ho any amin’i dada ianareo, ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain’i Jôsefa zanakao: Andriamanitra efa nametraka ahy ho tompon’i Ejipta manontolo, koa midina atỳ amiko fa aza mitaredretra. 10Hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianao mbamin’ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman’osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin’izay. 11Izaho no hamatsy sakafo anao atỳ, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary fandrao ringana ianao sy ny ankohonanao ary ireo biby fiompinao.»

12Ary indro hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamîna rahalahiko izao fa ny vavako mihitsy no manambara aminareo. 13Koa mandehana tantarao avokoa amin’i dada ny voninahitro eto Ejipta mbamin’ny zavatra rehetra efa hitanareo, ary ento faingana midina atỳ i dada.

14Dia niantoraka teny am-bozon’i Benjamîna i Jôsefa ka nifamihina izy roa lahy sady nitomany.

mercredi 10 juin 2020

Alarobia 10 Jona 2020 - Jao 13 : 34 - 35

34Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa. 35Ny hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia raha mifankatia ianareo.

mardi 9 juin 2020

Talata 09 Jona 2020 - Sal 34 : 12 - 21

LAMEDA
12Avia hihaino ahy ianareo, rey anaka,
fa hampianariko hanaja ny TOMPO.
MEMA
13Raha misy olona mankamamy fiainana
ka te ho ela velona sy ho sambatra,
NONA
14dia tsy maintsy mitandrina tsy hiteny ratsy
ary koa mitandrina tsy hilaza fitaka,
SAMEKA
15hiala amin’ny ratsy ka hanao ny tsara
ary haharitra hikatsaka fiadanana.
HAINA
16Tsinjovin’ny TOMPO ireo olo-marina
ary henoiny hatrany ny antsony.
PE
17Toherin’ny TOMPO kosa ny mpanao ratsy,
ka fongorany tsy eo amin’ny tany
ny fahatsiarovana azy ireny.
TSADE
18Vao miantso vonjy ny olo-marina,
dia henoin’ny TOMPO sy afahany
tamin’izay fahoriany rehetra.
KÔFA
19Fa akaikin’ny torotoro fo IZY
sady mamonjy ny rera-tsaina.
RESA
20Na maro fahoriana aza ny olo-marina,
dia afahan’ny TOMPO amin’izany rehetra izany.
SINA
21Arovan’ny Tompo avokoa ny rantsam-batany
ka tsy hisy tapaka na taolana iray aza.

lundi 8 juin 2020

Alatsinainy 08 Jona 2020 - Kol 3 : 13 - 15

13Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany. Aoka ianareo koa mba hamela heloka, tahaka ny efa namelan’ny Tompo heloka anareo. 14Fa ambonin’ny zavatra rehetra, mitafia ny fitiavana izay mamehy ny hatsaram-panahy rehetra ho tanteraka. 15Aoka hanjaka ao am-ponareo ny fiadanana omen’i Kristy, fa ho amin’izany fiadanana izany no niantsoan’Andriamanitra anareo hitambatra ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana an’Andriamanitra ianareo.

dimanche 7 juin 2020

Alahady 07 Jona 2020 - Sal 133 : 1 - 3

1 Hira fiakarana. Nataon’i Davida.

Endrey, tsara sady mahafinaritra tokoa
izany firîndran’ny mpiray tampo miara-monina!
2Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina
ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra.
Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe
ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.
3Toy ny ando avy any amin’ny tendrombohitra Hermôna
ka mirotsaka eo amin’ny tendrombohitra Tsiôna;
satria eo Tsiôna no fanomezan’ny TOMPO fitahiana,
dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

samedi 6 juin 2020

Sabotsy 06 Jona 2020 - Asa 4 : 32 - 27

32Iray fo sy fanahy tokoa ireo mpino marobe ary tsy nisy nilaza ny fananany ho azy samirery, fa niara-nanana ny zavatra rehetra. 

33Tamin-kery lehibe no nijoroan’ny apôstôly ho vavolombelona manambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo; ary fitahiam-be avy amin’Andriamanitra no teo amin’ny mpino rehetra. 34Tsy nisy orin-javatra teo aminy; fa ireo nanana tany na trano dia nivarotra izany, ary nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafo, 35ka nanolotra izany teo anatrehan’ny apôstôly, dia nozaraina araka izay nilain’ny tsirairay. 36Ohatra i Jôsefa, levita teraka tany Sipra, izay nantsoin’ny apôstôly hoe Barnabà (izany hoe olona havanana amin’ny fampaherezana): 37i Jôsefa dia nanana saha izay namidiny, ka nanolotra ny vola vidiny teo anatrehan’ny apôstôly.

vendredi 5 juin 2020

Zoma 05 Jona 2020 - Deo 5 : 16 - 19

16«Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidiako anao, mba ho maro andro iainana ianao ary mba hahita soa any amin’ny tany omeko anao.
17«Aza mamono olona.
18«Aza manitsakitsa-bady na maka vadin’olona.
19«Aza mangalatra.

jeudi 4 juin 2020

Alakamisy 04 Jona 2020 - I Tes 3 : 9 - 13

9Inona re no saotra azonay avaly an’Andriamanitra noho ny aminareo, noho ny hafaliana be dia be omenareo anay sy tsapanay eo anatrehan’Andriamanitsika? 10Mangataka mafy aminy, andro aman’alina, izahay mba hifanatri-tava aminareo sy hameno izay tsy ampy amin’ny finoanareo.

11Izy izay Andriamanitsika sady Raintsika sy i Jesoa Tompontsika anie hitari-dalana anay ho atỳ aminareo! 12Ny Tompo anie hampitombo ny fifankatiavanareo sy ny fitiavanareo ny olona rehetra ho tahaka ny itiavanay anareo! 13Dia hampiorina ny fonareo Izy, ka tsy hanan-tsiny sy ho masina eo anatrehan’ilay Andriamanitra Raintsika ianareo, amin’ny andro hiavian’i Jesoa Tompontsika otronin’izay rehetra voatokana ho Azy.

mercredi 3 juin 2020

Alarobia 03 Jona 2020 - Oha 3 : 27 - 30

27Aza misalasala manao soa
amin’izay mila izany
raha azonao atao ihany.
28Aza manao amin’ny namanao hoe:
«Miverena fa rahampitso aho manome»,
raha manan-komena azy izao ianao.
29Aza mikendry hanisy ratsy namana
izay mitoetra amin-toky eo anilanao.
30Aza miady tsy amin’antony amin’olona,
raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.

mardi 2 juin 2020

Talata 02 Jona 2020 - I Jao 4 : 7 - 11

7Ry hava-malala, aoka hifankatia isika, fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra. 8Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. 9Izao no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika: nirahiny ho eo amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahavelona antsika amin’ny alalany. 10Izao no fitiavana: tsy hoe isika no nitia an’Andriamanitra; fa Izy no nitia antsika, ka naniraka ny Zanany lahitokana ho sorom-panonerana hamelana ny fahotantsika. 11Ry hava-malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia koa isika.

lundi 1 juin 2020

Alatsinainy 01 Jona 2020 - Rom 12 : 9 - 21

9Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara. 10Mifankatiava toy ny mpiray tampo; miezaha amin’ny fifanajana. 11Mazotoa fa aza malaina. Aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo. 12Mifalia amin’ny fanantenana; miareta amin’ny fahoriana, mahareta amin’ny fivavahana, 13mandraisa anjara amin’ny fanampiana ireo sahirana amin’ny samy vahoakan’Andriamanitra; mazotoa mandray vahiny.

14Miraria soa an’izay manenjika anareo; miraria soa fa aza manozona. 15Miaraha mifaly amin’izay mifaly, miaraha mitomany amin’izay mitomany. 16Miraisa hina; aza matimatim-boninahitra fa ny fanetren-tena ankamamiana. Aza manao ny tenanareo ho hendry.

17Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao ny tsara eo imason’ny olona rehetra. 18Ary raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. 19Aza mamaly faty, ry hava-malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hiasa, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.» 20Fa «raha noana ny fahavalonao, dia omeo hanina; raha mangetaheta, dia omeo rano hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanangona vainafo eo an-dohany.» 21Aza mety ho resin’ny ratsy, fa reseo amin’ny tsara ny ratsy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12