lundi 29 février 2016

Alatsinainy 29 Febroary 2016 - II Mpa 23 : 21 - 25

21Nomen'ny mpanjaka baiko ny vahoaka rehetra mba hankalaza ny fetin'ny Paska* ho voninahitry ny TOMPO Andriamaniny, araka ny voasoratra amin'ity bokin'ny fanekempihavana* ity. 22Fa tsy nisy Paska nankalazaina toy izany hatramin'ny andro nanapahan'ny mpitsara an'i Israely* na tamin'ny andro rehetra nitondran'ny mpanjakan'i Israely sy ny mpanjakan'i Joda. 23Fa tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Jôsià no nankalazana izany Paska izany tany Jerosalema ho voninahitry ny TOMPO.

24Ho fanatanterahana ny tenin'ny lalàna voasoratra ao amin'ilay boky hitan'i Hilkià mpisorona* tao an-tranon'ny TOMPO*, dia nofoanan'i Jôsià tamin'ny tanin'i Joda sy tao Jerosalema ireo olona mpanontany ny fanahin'ny maty sy mpamoha angatra, ary nopotehiny ny sarivongan-tsampy sy ny zava-maharikoriko rehetra momba azy.

25Ho fehin'izany, talohan'i Jôsià dia tsy nisy mpanjaka tahaka azy izay ny TOMPO no nifikirany tamin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo ary ny heriny manontolo, araka ny Lalàn'i Mosesy manontolo. Ary tsy nisy tahaka azy intsony koa tatỳ aoriany.

dimanche 28 février 2016

Alahady 28 Febroary 2016 - Rom 15 : 1 - 4

1Adidintsika izay matanjaka ara-pinoana ny mizaka ny fahosan'ny malemy, fa tsy dia hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny. 2Samia isika manao izay mahafaly ny namantsika amin'izay mahasoa ka mampiorina azy amin'ny finoana. 3Satria i Kristy* koa tsy nikatsaka izay hahafaly ny tenany, fa araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe: «Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.» 4Eny, izay rehetra hitantsika ao amin'ny Soratra Masina dia voasoratra ho fampianarana antsika mba hananantsika ny fanantenana no ho ny faharetana sy ny fampaherezana avy amin'ny Soratra Masina.

samedi 27 février 2016

Sabotsy 27 Febroary 2016 - Gal 6 : 4 - 10

4fa samia mandinika ny asany avy, ka ny amin'ny tenany ihany no hahazoany mirehareha fa tsy ny amin'ny olon-kafa, 5satria samy hitondra ny anjara entany avy ny tsirairay.

6Aoka izay ampianarina ny tenin'Andriamanitra mba hanome ampahany amin'ny fananany rehetra ho an'izay mampianatra azy.

7Aza mety hofitahina ianareo. Tsy azo vazivazîna Andriamanitra, fa izay afafin'ny olona ihany no hojinjainy: 8eny, izay mamafy ny sitraky ny maha olona mpanota, dia hijinja fahaverezana avy amin'ny maha olona mpanota; fa izay mamafy ny sitraky ny Fanahy Masina, dia hijinja fiaina-maharitra mandrakizay avy amin'ny Fanahy Masina. 9Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika, satria hijinja amin'ny fotoanandro isika raha tsy kivy. 10Koa dieny mbola manana andro isika, dia aoka hanao soa amin'ny olona rehetra, fa indrindra amin'ny mpianakavin'ny finoana.

vendredi 26 février 2016

Zoma 26 Febroary 2016 - II Kor 9 : 6 - 9

 6Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be. 7Aoka samy hanome araka izay nokasain'ny fony avy, tsy amin'alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian'Andriamanitra. 8Ary hain'Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany, 9araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
                 «Malala-tanana izy nanome ny mahantra;
                   maharitra mandrakizay ny asa fiantrany.»

jeudi 25 février 2016

Alakamisy 25 Febroary 2016 - Asa 17 : 10 - 15

10Nony alina ny andro, dia nasain'ny havana iray finoana hiainga ho any Berea i Paoly sy i Silasy. Nony tonga tany izy roa lahy, dia nankany amin'ny sinagôga* fivavahan'ny Jiosy. 11Tsara toe-po amam-panahy kokoa ireto Jiosy ireto noho ny tany Tesalônika sady nazoto tokoa nandray ny tenin'Andriamanitra. Nodinihin-dry zareo isan'andro ny Soratra Masina* hanamarinany izay lazain'i Paoly. 12Koa maro tamin'ireo Jiosy no nino; ary, tamin'ireo Grika, dia tsy vitsy ny vehivavy ambony toerana sy ny vadiny no nino. 13Kanefa nony fantatry ny Jiosy tany Tesalônika fa nitorian'i Paoly ny tenin'Andriamanitra koa tao Berea, dia nankany ry zareo nampitabataba sy nampisahotaka ny vahoaka. 14Niaraka tamin'izay dia nasain'ny havana iray finoana nankany amoron-dranomasina i Paoly fa i Silasy mbamin'i Timôty kosa no mbola nijanona tao Berea. 15Ireo nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy hatrany Atena. Ary dia niverina tany Berea indray izy ireo nitondra hafatra ho an'i Silasy mbamin'i Timôty; fa niangavian'i Paoly izy roa lahy mba hamonjy azy faran'izay haingana any Atena.

mercredi 24 février 2016

Alarobia 24 Febroary 2016 - I Kor 14 : 7 - 12

7Raiso ho ohatra ireo zavamaneno tsy manana aina, toy ny sodina na ny valiha. Raha tsy re mazava sady miavaka tsara ny feo avoakany, moa ve hisy hahalalana ny hira atao aminy avy? 8Ary raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hioman-kiady? 9Dia toy izany koa ianareo: ahoana no hahazoan'ny olona izay lazainareo, raha tsy mazava ny hafatra ambaranareo amin'ny fiteny tsy fantatra? Dia hanao teny entin-drivotra ianareo! 10Maro samy hafa ny fiteny eto amin'izao tontolo izao*, kanefa samy misy heviny avokoa. 11Ka raha tsy fantatro àry ny hevitry ny fiteny iresahan'olona amiko, dia ho vahiny amin'ilay olona miresaka amiko aho ary ho vahiny amiko ilay olona miresaka amiko. 12Dia toy izany koa ianareo: satria fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo, dia ireo hampandroso ny fiangonana amin'ny finoana no aoka hotadiavinareo hananana be dia be.

mardi 23 février 2016

Talata 23 Febroary 2016 - Eks 32 : 15 - 16

15Ary nitodi-doha i Mosesy, ka nidina avy eny an-tendrombohitra. Nentiny teny an-tanany ny vatofisaka roa izay nanoratana ny didin'Andriamanitra, samy voasikotra teo amin'ny lafiny anankiray. 16Asan'Andriamanitra ireo vatofisaka roa ireo, nosoratan'ny tanan'Andriamanitra mihitsy.

17Ren'i Josoa ny feon'ny vahoaka nihorakoraka, ka hoy izy tamin'i Mosesy:
–Horakoraky ny ady any an-toby izany!

lundi 22 février 2016

Alatsinainy 22 Febroary 2016 - Apo 20 : 11 - 15

11Dia hitako ity sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany amana habakabaka dia nandositra teo anatrehany, ka tsy hita intsony izay toerana nisy azy. 12Ary hitako ny maty rehetra, na ny lehibe na ny kely, tafajoro teo anoloan'io sezafiandrianana io. Dia nisy horonamboky maro novelarina; ary nisy horonamboky iray hafa koa novelarina, dia ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; ka tamin'ny zavatra voasoratra tao anatin'ireo horonamboky ireo no nitsarana ny maty rehetra, araka ny asany avy. 13Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy; Rafahafatesana sy ny Toeran'ny maty koa namoaka ny maty tao aminy; ka samy notsaraina araka ny asany avy ny maty rehetra. 14Rafahafatesana sy ny Toeran'ny maty kosa natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany farihy afo izany no fahafatesana faharoa; 15ka raha nisy olona tsy hita voasoratra tao anatin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.

dimanche 21 février 2016

Alahady 21 Febroary 2016 - Jao 10 : 31 - 42

31Dia naka vato indray ny Jiosy hitorahana Azy, 32fa hoy i Jesoa taminy:
–Maro ny asa tsara nasehoko teo aminareo noho ny fahefana azoko tamin'ny Ray; ka inona amin'ireny asa ireny no itorahanareo vato Ahy?

33Ka novalian'ny Jiosy hoe:
–Tsy ny asa tsara no itorahanay vato Anao, fa ny fanevatevànao an'Andriamanitra; olombelona ihany manko Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.

34I Jesoa kosa niteny taminy hoe:
–Tsy voalaza ao amin'ny Soratra Masina* ve izao: «Hoy Aho: Andriamanitra ianareo»? 35Ary tsy azo foanana ny Soratra Masina; fa ireo olona nanambarana ny tenin'Andriamanitra dia natao hoe «Andriamanitra». 36Izaho kosa natokan'ny Ray sy nirahiny ho eo amin'izao tontolo izao; kanefa dia ataonareo hoe manevateva an'Andriamanitra Aho satria nilaza hoe: Zanak'Andriamanitra* Aho!

37Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino ahy; 38fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino ahy aza ianareo, dia minoa ny asako mba hahafantaranareo sy hanekenareo fa ny Ray ato anatiko, ary Izaho ao anatin'ny Ray!

39Tamin'izay dia nitady hisambotra an'i Jesoa indray ry zareo fa niala teo Izy ka tsy voatanany.
40Dia lasa i Jesoa nankany andafin'ny ony Jôrdàna, any amin'ilay toerana nanombohan'i Jôhany nanao batisa*, ka nijanona tany.

41Maro no nankeo aminy ka nanao hoe:
–I Jôhany tsy nanao famantarana* na dia iray aza; nefa izay rehetra voalazan'i Jôhany ny amin'ity Lehilahy ity, dia marina avokoa.

42Ary maro no nino an'i Jesoa teo.

samedi 20 février 2016

Sabotsy 20 Febroary 2016 - II Pet 3 : 5 - 10

 5Eny, inian'ireo mpaniratsira ireo hadinoina fa hatramin'ny ela Andriamanitra no niteny nampisy ny habakabaka sy ny tany; ka ny tany dia nipoitra avy amin'ny rano sady ny rano koa no nampirafitra azy ho mafy. 6Rano ihany koa no nandravana izao tontolo izao* fahiny, dia tamin'ny safodrano. 7Izao habakabaka sy tany ankehitriny izao kosa dia mbola ny tenin'Andriamanitra no mihazona azy, ka voatahiry hodorana amin'ny andro fitsarana izay natao hamerezana ny olona tsy niraiki-po tamin'Andriamanitra.

8Kanefa izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin'ny Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro. 9Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenàny: saingy mahari-po aminareo Izy, satria tsy tiany hisy ho very fa mba hiroso hiala amin'ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra. 10Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo; ary amin'izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminyho rava. '>

vendredi 19 février 2016

Zoma 19 Febroary 2016 - Hag 1 : 1 - 7

1Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariôsa, fony andro voalohan'ny volana fahenina, dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany*. Hafatra ho an'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin'i Sealtielany taona faharoa... ny volana fahenina: izany hoe tokony ho tamin'ny faran'ny volana aogositra 520 tal. J.K. –I Zerobabela, zanakalahin'i Sealtiela: araka ny 1 Tan 3.17–19 dia zafikelin'i Jekônià mpanjaka izay nantsoina koa hoe Jôakîna. Noho izany dia taranak'i Davida izy.

Ny mpanjakan'i Persia dia nanendry azy ho governoran'i Joda.'>, sy ho an'i Josoa mpisorombe zanakalahin'i Jôtsadaky izany ka nanao hoe:
2–Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: «Ny vahoakan'ity firenena ity milaza fa tsy mbola tonga ny fotoana hananganana indray ny tranoko*'>.» 3Dia nisy indray tenin'ny Tompo tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany. Hafatra ho an'ny vahoaka izany ka nanao hoe: 4–Moa ve fotoana tokony hipetrahanareo amina trano voaravaka zava-tsarobidy ankehitriny, kanefa rava ity tempoly ity? 5Koa izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo: Hevero tsara ny manjo anareo. 6Namafy be ianareo nefa kely no jinjainareo; mihinana ianareo nefa tsy voky ary misotro nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy mafana; ary ny karaman'ny mpiasa dia mora lany toy ny amin'ny kitapo loaka.» 7Izany no ilazan'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo hoe: Hevero tsara ny manjo anareo.

jeudi 18 février 2016

Alakamisy 18 Febroary 2016 - Sal 111 : 1 - 9

1 Haleloià*!
ALEFA
                Hoderaiko amin'ny foko manontolo ny TOMPO
BETA
                eo amin'ireo olo-mahitsy
                tafavory sy tafangona.
GIMELA
                2Lehibe ny asa ataon'ny TOMPO
DALETA
                ka tsapan'izay rehetra mankafỳ an'ireny.
HE
                3Madera sady malaza ny zava-bitany;
VAO
                maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
ZAINA
                4Tiany hotsaroana ny zava-mahagaga nataony.
HETA
                Miantra sy mamindrafo ny TOMPO.
TETA
                5Omeny sakafo ireo matahotra Azy;
JODA
                tsaroany lalandava ny fanekempihavanany.
KAFA
                6Ny vahoakany nanehoany ny hery ampiasainy,
LAMEDA
                fony nomeny azy ny tanin'ireo hafa firenena.
MEMA
                7Mahatoky sy ara-drariny ny asa vitany;
NONA
                azo antoka avokoa ny fandaharany:
SAMEKA
                8mafy orina hatrany ka ho mandrakizay ireny,

mercredi 17 février 2016

Alarobia 17 Febroary 2016 - Hos 6 : 1 - 13

1Hoy ianareo roa tonta hoe:

«Ndeha hiverina amin'ny TOMPO isika;
fa Izy no nahatonga ny ratrantsika,
nefa Izy ihany no hahasitrana antsika.
Izy no nikapoka antsika
nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.
2Rehefa afaka roa andro,
dia hovelominy indray isika;
amin'ny andro fahatelo
dia hatsangany indray isika
ho velona eo anatrehany.
3Amin'izay aoka hiaiky ny TOMPO isika;
eny, aoka hiezaka hiaiky Azy isika!
Azo antoka toy ny mazava atsinanana
ny firotsahany hanao izany.
Fa toy ny oram-baratra no hiaviany amintsika,
dia toy ny oran-dohataona manamando tany.»

mardi 16 février 2016

Talata 16 Febroary 2016 - Mar 1 : 9 - 15

9Tamin'izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanàna any Galilea i Jesoa ary nataon'i Jôhany batisa* tao Jôrdàna. 10Vantany vao niakatra avy ao anaty rano i Jesoa, dia nahita ny lanitra nitriatra sy ny Fanahy Masina nidina teo aminy tahaka ny voromahailala. 11Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe:
–Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako.

12Ary niaraka tamin'izay dia nasesiky ny Fanahy Masina hankany an-taniefitra i Jesoa 13ka nijanona efapolo andro tany, nalain'i Satàna* fanahy, niara-nonina tamin'ny bibidia, ary notompoin'ny anjely*.

14Ary naiditra am-ponja i Jôhany. Taorian'izay, dia nankany Galilea i Jesoa, nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly* avy amin'Andriamanitra 15ka nilaza hoe:
–Tonga ny fotoanandro; efa akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra*, ialao ny toe-dratsy'> ary minoa ny Vaovao Mahafaly.

lundi 15 février 2016

Alatsinainy 15 Febroary 2016 - Mar 7 : 31 - 37

31Dia niala tao amin'ny faritanin'i Tiro i Jesoa ka nandalo tany Sidôna ary niverina teo amin'ny farihin'i Galilea, rehefa avy namakivaky ny faritany atao hoe Dekapôly*. 32Dia nisy lehilahy sady marenina no raiki-dela, nentin'ny olona ho eo aminy ary niangaviany Azy hametrahany tanana. 33Dia nentin'i Jesoa nihataka irery lavitra ny vahoaka ralehilahy ka noharoniny tamin'ny rantsan-tanana ny sofiny, ary nokasihiny sady nasiany rora ny lelany.

34Dia niandrandra ny lanitra i Jesoa sady nisento ary niteny tamin-dralehilahy hoe:
–Efatà! (izany hoe: «misokafa!»).

35Ary niaraka tamin'izay dia nisokatra ny sofin-dralehilahy ary nivaha ny fatoran'ny lelany, ka afaka niteny tsara izy. 36Dia namepetra ny olona teo i Jesoa tsy hitantara na amin'iza na amin'iza; kanefa arakaraka ny nameperan'i Jesoa azy no vao mainka koa nampielezany izany.

37Ary dia talanjona izaitsizy ny olona ka vaky vava hoe:
–Tsara avokoa no nanaovany ny zavatra rehetra, fa sady nampalady ny marenina Izy no nampiteny ny moana.

dimanche 14 février 2016

Alahady 14 Febroary 2016 - Sal 33 : 1 - 11

1Manaova horakora-pihobiana, ry olo-marina,
noho ny amin'izay nataon'ny TOMPO;
fa tombontsoa ho anareo
ny midera Azy, ry olo-mahitsy.
2Miderà ny TOMPO amin'ny lokanga;
ka salamo arahim-baliha torifolo
no ataovy ho fankalazana Azy.
3Mihirà hira vaovao ho Azy.
Manaova feon-java-maneno kanto
miaraka amin'ny fihobiana.

4Fa mahitsy ny tenin'ny TOMPO
ka azo antoka avokoa izay ataony.
5Ny rariny sy ny hitsiny lalainy;
ny fitiavany manenika ny tany.
6Nandidy ny TOMPO, dia vita ny lanitra;
niteny Izy, dia ary ny planeta sy ny kintana.
7Angoniny sy fefeny ny rano an-dranomasina
ataony am-pitahirizana azy ny rano lalimbe.
8Hatahotra ny TOMPO anie ny tany tontolo;
hangovitra eo anatrehany anie
ny mponina rehetra ao aminy!
9Fa niteny Izy, dia tonga izay voalazany;
nandidy Izy, dia nisy avy hatrany ireny.

10Ny TOMPO maharava ny fikasan'ny firenena
ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;
11fa ny fikasan'ny TOMPO no maharitra mandrakizay,
ny hevitry ny fony manerana ny taranaka mifandimby.

samedi 13 février 2016

Sabotsy 13 Febroary 2016 - Rom 9 : 27 - 33

27Ary i Isaià mpaminany dia miantsoantso ny amin'i Israely* hoe: «Na dia mifanisa amin'ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny Israelita, dia izay hany sisa tavela tamin'izy ireo ihany no hovonjena; 28satria hampihàrin'ny Tompo tanteraka sy haingana eto ambonin'ny tany ny teniny.» 29Ary izany dia araka izay voalazan'i Isaià taloha hoe:
                  «Raha tsy ny Tompon'izao rehetra izao
                    no namela taranaka ho antsika,
                    dia ho efa sahala amin'i Sôdôma* isika
                    ary ho efa nanahaka an'i Gômôra*.»


30Inona àry no holazaintsika? Izao: ny hafa firenena* tsy nitady ho marina teo anatrehan'Andriamanitra no neken'Andriamanitra ho marina noho ny finoana; 31fa ny vahoaka Israely*, izay nitady lalàna* hahamarina eo anatrehan'Andriamanitra, dia tsy tody tamin'izay nokendren'ny lalàna. 32Inona no antony? Satria tsy tamin'ny finoana fa tamin'ny asa vitany no heveriny hahamarina eo anatrehan'Andriamanitra.

Ka dia solafaka tamin'ny «vato mahasolafaka» ny vahoaka Israely, 33araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
«Indro Aho mametraka vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera ao Tsiôna*;
kanefa izay mino Azy tsy mba hangaihay.»

vendredi 12 février 2016

Zoma 12 Febroary 20116 - Sal 139 : 13 - 18

13Ianao no nahary ny saina amam-panahiko
sy namolavola ahy tao an-kibon-dreniko.
14Midera Anao aho fa nataonao
ho zava-mahatalanjona tokoa;
zava-mahagaga ny asanao
ary ekeko mihitsy izany.
15Tsy misy takona taminao izany tenako,
fony aho noforoninao tao amin'ny miafina
ka notenominao tao an-kibon-dreniko.
16Tsy mbola nisy endrika aho no efa hitanao;
voasoratrao tao amin'ny bokinao avokoa
ireo andro voatendrinao hiainako,
talohan'ny tsy mbola nisiany akory.

17Tsy haiko takarina velively ny hevitrao
sady akory ity hamaroany, ry Andriamanitra ô!
18Raha hanisa aho, dia maro noho ny fasika ireny;
raha hahisa aza, dia mbola tsy hahatakatra Anao.

jeudi 11 février 2016

Alakamisy 11 Febroary 2016 - Gen 1 : 20 - 23

20Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny rano ho feno zava-miaina mihetsiketsika isan-karazany, ary aoka ny vorona hanidintsidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra!» 21Dia noarin'Andriamanitra ireo fanano anaty ranomasina sy ireo zava-miaina rehetra isan-karazany mihetsiketsika sady miriaria ao anaty rano, ary koa ireo voro-manidina isan-karazany. Ka hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 22Dia nitsodrano* azy Andriamanitra nanao hoe: «Aoka ireo zava-miaina ao anaty rano hiteraka maro sy hihabetsaka ary hameno ny ranomasina; ary aoka ny voro-manidina hihabetsaka eny ambonin'ny tany!» 23Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahadimy.

mercredi 10 février 2016

Alarobia 10 Febroary 2016 - Kol 2 : 9 - 15

 9satria ao amin'i Kristy, araka ny maha olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan'ny fomban'Andriamanitra. 10Ka efa heni-tsoa tokoa ianareo satria tafaray amin'Ilay ambonin'ny fanapahana sy fahefana isan-tokony.

11Noho ny firaisana amin'i Kristy, dia voafora ianareo nefa tsy tamin'ny famorana* nataon-tanan'olona fa tamin'ny famorana nataon'i Kristy, izany hoe famorana manaisotra ny herin'ny maha olona mpanota; 12fa tamin'ny nanaovana batisa* anareo, dia niara-nilevina tamin'i Kristy ianareo ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin'ilay Andriamanitra nanangana Azy ho velona avy tany amin'ny maty. 13Maty ara-panahy ianareo fahiny noho ny fahadisoanareo ary noho ianareo tsy voafora tamin'ny maha olona mpanota; ankehitriny kosa, dia novelomin'Andriamanitra niaraka amin'i Kristy ianareo, rehefa navelany avokoa ny fahadisoantsika. 14Novonoiny ny sora-tanana namely antsika, dia ilay nirakitra ny didy niampanga antsika; ary mova tsy nofantsihany teo amin'ny hazofijaliana izany sora-tanana izany ka nofoanany tsy hanan-kery intsony. 15Koa ny hazofijaliana no nandravan'i Kristy ny herin'ny fanapahana sy fahefana ampit 1Kôr 15.24.'>; dia nataony babo ireo ka nanjohy ny matsom-pandreseny ary nasehony miharihary ho fizàhan'ny olona.

mardi 9 février 2016

Talata 09 Febroary 2016 - Mar 1 : 1 - 8

1Manomboka eto ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra* '>.

2Izao no voalazan'ny Soratra Masina* ao amin'ny bokin'i Isaià mpaminany*:
                  «Indro alefako hialoha Anao ny irako,
                    hoy Andriamanitra,
                    mba hanomana ny lalanao
                    misy stf sasany ahitana hoe ao amin'ny bokin'ny mpaminany. –Mal 3.1.'>.»
                   «Injany misy feon'olona miantso mafy
                    ao an-taniefitra hoe:
                    Amboary ny lalan'ny Tompo;
                    ahitsio ny hizorany!»

4Araka izany, dia niseho i Jôhany ka nanao batisa* tany an-taniefitra sy nanao antso avo hoe:
–Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan'Andriamanitra ny helokareo'>.

5Nirohotra nankeo amin'i Jôhany avokoa ny olona avy any Jodea lafy valo sy avy any Jerosalema; ary niaiky heloka ireo ka dia nataon'i Jôhany batisa tao amin'ny ony Jôrdàna.

6Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan'i Jôhany; valala sy tantely remby no fihinany.

7Ary hoy ny antso avo nataony:
–Tamy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehikapany akory aho. 8Ny ahy, rano no nanaovako batisa anareo; ny Azy kosa, ny Fanahy Masina no hanaovany batisa anareo.

lundi 8 février 2016

Alatsinainy 08 Febroary 2016 - Lio 24 : 17 - 31

 17Dia hoy i Jesoa taminy:
–Inona izao iadianareo hevitra etỳ an-dalana izao?

Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika erỳ. 18Ary namaly Azy ny anankiray atao hoe Kleôpasy ka nanao hoe:
–Ianao irery ve no vahiny mandalo eto Jerosalema tsy mahalala ny zava-nitranga tao, tato ho ato?

19Dia hoy i Jesoa taminy:
–Zavatra inona moa izany?

Ka novalian'izy roa lahy hoe:
–Ny amin'i Jesoa avy any Nazareta, Izay mpaminany* mahery tamin'ny asany sy tamin'ny teniny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka manontolo; 20kanjo natolotry ny lohandoha-mpisorona sy ny manampahefana eto amintsika mba hohelohina ho faty ary nasainy nohomboana tamin'ny hazofijaliana. 21Nanantena izahay fa Izy no Ilay hanavotra an'i Israely*, ary tsy izany ihany fa androany izao no andro fahatelo hatramin'ny nitrangan'izany. 22Nisy ihany anefa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra: tany amin'ny fasana vao maraina be ry zareo, 23saingy tsy nahita ny vatan'i Jesoa, ary niverina nitantara taminay fa nisehoan'ny anjely* anankiroa, ka ireo anjely, hono, nilaza fa velona Izy. 24Dia nisy tamin'ny lehilahy namanay mba nankany amin'ny fasana ka nahita araka ny filazan'ireo vehivavy, fa Izy tsy hitany.

25Dia hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy:
–Olona votsa saina ianareo ary ela vao mino izay rehetra voalazan'ny mpaminany*! 26Moa tsy tokony ho niaritra izany ve ny Mesia*, alohan'ny hidirany any amin'ny voninahiny?

27Dia nohazavain'i Jesoa tamin'ireto mpianatra ny momba Azy ao amin'ny Soratra Masina* manontolo, nanomboka tamin'ny bokin'i Mosesy ka nitohy tamin'ny bokin'ny mpaminany rehetra.

28Nony injay izy telo mianaka efa akaiky ny tanàna halehan'ireto mpianatra roa lahy, dia mody nanohy ny diany hatrany i Jesoa,

29fa notazonin'ireo nataony hoe:
–Mijanòna re miaraka aminay, fa efa hariva izao ary efa mandrorona ny andro!

Dia niantrano Izy ka niara-nijanona taminy. 30Raha nipetraka hiara-misakafo iny izy telo mianaka, dia nandray ny mofo i Jesoa; ary nisaorany an'Andriamanitra izany ka nozarainy sy nomeny azy roa lahy. 31Izay vao nisokatra ny mason'ireto mpianatra, ka nahafantatra Azy; fa i Jesoa kosa nanjary tsy hitany intsony.

dimanche 7 février 2016

Alahady 07 Febroary 2016 - I Sam 3 : 15 -21

15Dia nandry mandra-maraina i Samoela; ary novohany avy eo ireo varavaran'ny tranon'ny TOMPO*, nefa dia natahotra ny hilaza amin'i Helỳ ny fahitàny i Samoela; 16kanjo niantso azy i Helỳ ary nanao taminy hoe:
–Samoela zanako ô!

Dia hoy i Samoela namaly:
–Ahoana izay, tompoko?

Ary i Helỳ nanontany hoe:
17–Ahoana, hoy ny TOMPO taminao? Aza misy afeninao ahy. Fa raha misy afeninao ahy na dia teny iray fotsiny amin'izay nambarany taminao aza ianao, dia hosazîn'Andriamanitra mafy tokoa anie ianao!

18Dia notaterin'i Samoela tamin'i Helỳ avokoa tsy nisy nafenina azy ny zava-drehetra. Ka hoy i Helỳ hoe:
–Izy no TOMPO, hataony anie izay heveriny fa tsara!

19Ary nihalehibe i Samoela sady nomba azy ny TOMPO; ka tsy nisy tsy tanteraka izay teny rehetra nasainy nambaran'i Samoela. 20Izany no nahafantaran'i Israely manontolo, manomboka any Dana ka mipaka any Beera-Seba, fa mpaminanin*'ny TOMPO i Samoela. 21Dia mbola niseho hatrany ny TOMPO tao Silao; satria tao no fisehoan'ny TOMPO mivantana tamin'i Samoela mba hampahafantatra azy ny teniny.

samedi 6 février 2016

Sabotsy 06 Febroary 2016 - Jao 9 : 1 - 7

1Raha nandalo ry i Jesoa, dia nahita lehilahy jamba hatry ny vao teraka. 2Dia nanontany an'i Jesoa ny mpianany nanao hoe:
–Mpampianatra ô, iza moa no nanota, ralehilahy io sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?

3Dia novalian'i Jesoa hoe:
–Tsy izy no nanota na ny ray aman-dreniny, fa mba hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy. 4Isika tsy maintsy manao ny asan'Ilay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy ahafahan'iza na iza miasa! 5Raha mbola eo amin'izao tontolo izao* Aho, dia fahazavana ho an'izao tontolo izao.

6Nony avy nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany sy nanao feta tamin'ny rorany, ka nanosotra feta ny mason'ilay jamba 7ary nanao taminy hoe:
–Ndeha ianao misasa maso any amin'ny dobo Silôà' (Silôà dia midika hoe «Nirahina».)
Dia lasa nankany izy ary nisasa maso ka nahiratra rehefa niverina.

vendredi 5 février 2016

Zoma 05 Febroary 2016 - Isa 40 : 27 - 31

27Ry vahoaka Israely, firenen'i Jakôba,
nahoana ianao no miteny sy manamafy hoe:
«Tsy hitan'ny Tompo akory izay mahazo ahy,
lalovan'Andriamanitra fotsiny ny zoko?»
28Tsy fantatrao sady tsy efa renao va
fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay?
Izy no namorona ny tany manontolo.
Tsy mba reraka Izy na sasatra,
ary tsy misy fetra ny fahalalàny.
29Manome hery ny reraka Izy
ary manatanjaka ny malemy.
30Ny tanora aza dia mihareraka sy mety sasatra,
ny mahery tompon-daka aza dia mety ho solafaka.
31Fa izay matoky ny TOMPO kosa
dia hahazo hery vaovao hatrany,
ka hisidina ambony toy ny voromahery.
Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra,
handeha izy nefa tsy ho reraka.

jeudi 4 février 2016

Alakamisy 04 Febroary 2016 - Mat 21 : 33 - 46

33–Mihainoa fanoharana* hafa koa: Nisy mpanan-tany nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana; dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa. 34Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin'ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra. 35Fa nosamborin'ireo mpamboly ny mpiasany ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny ary ny anankiray notorahany vato. 36Dia mpiasa hafa, maro noho ny teo indray, no nirahiny; kanefa nataon'ireo mpamboly toy izany koa. 37Tamin'ny farany dia ny zanany no nirahiny ho any amin'ireo mpamboly, fa hoy ilay tompon'ny tanimboaloboka: «Hananan'ireo hena-maso ny zanako!» 38Vao nahita ity zanany kosa ireo mpamboly, dia nifampiresaka hoe: «Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina dia ho lasantsika ny lovany.» 39Dia nosamborin'ireo mpamboly izy ka natosiny tany ivelan'ny tanimboaloboka ary novonoiny.

40Dia hoy i Jesoa nanontany hoe:
–Raha tonga àry ilay tompon'ny tanimboaloboka, inona moa no hataony amin'ireo mpamboly ireo?

41Dia hoy ry zareo taminy:
–Ireo olona tsy manana antra ireo dia haringany tsy hananany antra ary ny tanimboaloboka dia hahofany amina mpamboly hafa izay hanome azy ny vokatra isaky ny fotoam-pahavokarana.

42Ary izao no tenin'i Jesoa tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina:
–Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina* manao hoe:

                     «Ny vato nolavin'ny mpanao trano
                       no nanjary vato fehizoro;
                       avy amin'ny Tompo izao,
                       ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!»

43Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [ 44Izay mianjera amin'izany vato izany dia ho torotoro; ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.]

45Nony nandre ireo fanoharana nataon'i Jesoa ireo ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina*, dia nahatsiaro tena ho lazainy amin'izany. 46Ary nitady hisambotra Azy ry zareo, saingy natahotra ny vahoaka izay nankatò an'i Jesoa ho mpaminanin'Andriamanitra*.

mercredi 3 février 2016

Alarobia 03 Febroary 2016 - Efe 2 : 1 - 10

1Fahiny ianareo dia maty ara-panahy noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo. 2Niaina araka ny fomban'izao tontolo izao* ianareo; narahinareo ilay mpanapaka ny fahefana mifehy eny amin'ny rivotra, dia ilay fanahy izay miasa ankehitriny ao amin'ireo olona tsy manaiky an'Andriamanitra. 3Izahay rehetra koa dia anisan'ireo olona ireo, fa nanao fitondrantena araka ny filàndratsin'ny maha olona mpanota izahay fahiny ka nanao izay danin'ny kibo sy saim-pantatra. Noho izany toetranay izany, dia natao hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra* tahaka ny hafa koa izahay.

4Kanefa lehibe tokoa ny famindrampon'Andriamanitra, satria fatratra ny fitiavana asehony amintsika; 5ka fony mbola maty ara-panahy isika noho ny fahadisoantsika, dia novelominy indray niaraka tamin'i Kristy*. Fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo! 6Fa noho isika efa tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia niara-natsangan'Andriamanitra ho velona isika sy niara-napetrany any an-danitra. 7Nataony izany mba hanehoany amin'ny andro ho avy rehetra ny harem-pahasoavany mihoa-pampana, satria mora fo tamintsika Izy tao amin'i Kristy Jesoa. 8Eny, fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo, tamin'ny alalan'ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan'Andriamanitra; 9tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. 10Fa asan'Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin'i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman'Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin'ny fiainantsika.

mardi 2 février 2016

Talata 02 Febroary 2016 - Mat 12 : 9 - 13

9Nony niala teo i Jesoa, dia niditra tao amin'ny sinagôga*n-dry zareo Jiosy. 10Nisy lehilahy maty tanana anila tao; ary te hiampanga an'i Jesoa ny olona ka nanontany Azy hoe:
–Azo atao ve ny manasitrana amin'ny andro sabata*?

11Dia hoy i Jesoa taminy:
–Aoka hatao hoe misy tsy manana afa-tsy ondry anankiray monja aminareo. Raha sendra latsaka any an-kady amin'ny andro sabata ilay ondry, moa tsy handeha ve ny tompony haka sy hanatsoaka azy tao androtr'iny ihany? 12Mihoatra lavitra noho ny ondry anefa ny olona; koa amin'izany, azo atao ny manao soa olona amin'ny andro sabata.

13Tamin'izay i Jesoa dia niteny tamin-dralehilahy hoe:
–Atsory ny tananao!

Dia natsotran'ilay marary ny tanany ka sitrana, nanjary salama tahaka ny ilany.

lundi 1 février 2016

Alatsinainy 01 Febroary 2016 - Sal 66 : 1 - 7

1 Tononkira tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira.* Salamo.

Mihobia an'Andriamanitra, ry mponina eran-tany.
2Ihirao salamo Izy satria be voninahitra.
Tolory voninahitra Izy amin'ny fiderànareo.
3Lazao amin'Andriamanitra hoe:
«Endrey mampitolagaga ny asanao!
Lehibe dia lehibe tokoa ity herinao,
ka indro fa ikoizan'ny fahavalonao.
4Hiankohoka aminao anie ny mponina eran-tany,
sy hihira salamo ho Anao Andriamanitra,
eny, hihira salamo ho fanajana Anao!»

5Tongava hizaha ny asan'Andriamanitra;
mitolagaga ny olombelona amin'ity ataony:
6ny ranomasina novany ho tany maina,
nitan'ny razanay an-tongotra ny ony.
Aoka hifaliantsika eto izany asany izany!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12