mercredi 28 février 2018

Alarobia 28 Febroary 2018 - Jao 8 : 39 - 47

39Dia niteny tamin'i Jesoa ry zareo nanao hoe:
–I Abrahama no rainay!

Fa hoy i Jesoa taminy:
–Raha tena zanak'i Abrahama ianareo, dia ho nanao ireo asan'i Abrahama8.39 dia ho nanao ireo asan'i Abrahama: misy stf maro ahitana hoe dia manaova ireo asan'i Abrahama.–ireo asan'i Abrahama: ampit Heb 11.8-19.. 40Nefa ankehitriny tadiavianareo hovonoina Aho, dia Izaho nilaza taminareo ny marina izay efa reko tamin'Andriamanitra: tsy mba nanao izany i Abrahama! 41Fa ianareo kosa dia ny asan'ny rainareo no ataonareo.

Dia hoy ireo taminy:
–Tsy zaza sary izahay no nateraka; tokana ihany ny rainay, dia Andriamanitra.

42I Jesoa kosa nanao taminy hoe:
–Raha Andriamanitra no tena Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; tsy avy amin'ny tenako no nahatongavako, fa Izy no naniraka Ahy. 43Ahoana no tsy ahazoanareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin'ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin'ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain'ny mpandainga. 45Fa Izaho kosa tsy inoanareo, satria ny marina no lazaiko. 46Iza moa aminareo no afaka hanaporofo fa nanota Aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy 47Izay avy amin'Andriamanitra no mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin'Andriamanitra ianareo!

Ny tena zanak' Andriamanitra

1- Manao asa tsara
Milaza ho zanak i Abrahama ireto jiosy miresaka amin'i Jesoa Kristy. Ny toetra anefa dia mifanohitra tanteraka amin'izany satria i Abrahama dia olon'ny finoana, feno fahatokiana sy fankatoavana an' Andriamanitra. Tsy manana ny toetran'i Abrahama ireto jiosy ireto. I Jesoa Kristy milaza ny marina, manao ny asan'Andriamanitra indray no notadiavin'izy ireo hovonoina. Asa ratsy no kasain'izy ireo atao. Tsarovy fa ny tena zanak' Andriamanitra dia mino sy mankatoa ny Tenin'Andriamanitra ary mivonona hanao asa tsara mandrakariva.

2- Mihaino nv Tenin' Andriamanitra
Aharihary eto fa zava-dehibe eo amin'ny fíainan'ny zanak'Andriamanitra ny fahaizana mihaino Azy, ny fanarahana, ny fankatoavana na fampiharana eo amin' ny fiainana izay lazainy. Ny Teniny no mampifandray ny zanany amin'Andriamanitra Ray koa izay zanany marina tokoa dia mangetaheta ihaino izay lazainy isan'andro. Manokana fotoana isan'andro ahafahanao mihaino ny Tenin'Andriamanitra, hifaneraseranao Aminy, handraisanao ny toro-lalana hitondranao ny fiainana dia ho tena zanany marina tokoa ianao.

Fanontaniana:
Inona no vokatsoa azo amin'ny fíhainoana ny Tenin' Andriamanitra ?

mardi 27 février 2018

Talata 27 Febroary 2018 - I Mpa 11 : 38 - 39

38Raha henoinao izay rehetra andidiako anao ka izoranao ny sori-dalako ary ataonao izay mahitsy eo imasoko sady tandremanao ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ka hampiorina taranaka maharitra ho anao tahaka izay nataoko tamin'i Davida; ary dia homeko anao i Israely11.38 Israely: ireo foko folo any avaratra no ambara amin'izany., 39mba hampietreko ny taranak'i Davida –nefa tsy ho mandrakizay akory izany.

Ny olom-boafidin'Andriamanitra

1- Manaraka nv toro-lalana avy amin'Andriamanitra
Aseho fa Andriamanitra mihitsy no mifìdy sv hametraka an'i Jeroboama ho mpanjakan'ny Israely rehefa hizara roa ny fanjakana. Manoloana izany andraikitra izany dia mananatra an'i Jeroboama Izy fa mandeha amin'izany tíany hitondrany nv fanjakana izy fa manaraka ny toro- marika avy amin'Andriamanitra hatrany. Adidiny nv mihaino ny Tenin'Andriamanitra ambara aminy. ny manaraka ny làlana voasoritr'Andriamanitra hizorana arv indrindra ny miaina sy ny mivelona amin'izany.

2- Ampanantenana fitahiana
Raha manaraka tsara ny toro-marika omen' Andriamanitra azy i Jeroboama dia voalaza eto fa hotanterahin'Andriamanitra aminy ny fiainam-pitahiana: "ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao ... ary homeko anao ny Israely". Maneho izany fa fahombiazana ho aifny fítondran'ny olomboafidin' Andriamanitra ny fanekena hihaino sy handray ny toro- marika omeny. Izay tsy mety mihaino. tsy mandray kosa dia fahapotehana sy faharavana. Meteza ianao hihaino. handray ny toro-marika avy amin'ny tenin' Andriamanitra hitondranao ny fiainanao dia ho tsapanao fa fìainam-pitahiana ho tanterahiny ho anao.

Fanontaniana :
Nanao ahoana ny fiainan'i Jeroboama rehefa tonga mpanjaka tao amin'ny fanjakana avaratra izy? Inona no fampianarana ho anao amin'izany?

lundi 26 février 2018

Alatsinainy 26 Febroary 2018 - Asa 13 : 44 - 52

44Ary tamin'ny sabata herin'io, dia saika tafangona avokoa ny mponina rehetra ao an-tanàna mba hihaino ny tenin'Andriamanitra. 45Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan'i Paoly no nanevateva azy. 46Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe:

–Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin'ny hafa firenena izahay. 47Fa izao no nandidian'ny Tompo anay:

«Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao,
mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran'ny tany13.47 Is 49.6.!»

48Nandre izany ny hafa firenena ka faly sady nanome voninahitra ny tenin'ny Tompo; ary izay rehetra voalahatra hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay dia tonga mpino.

49Dia niely manerana izany faritany izany ny tenin'ny Tompo. 50Nomen'ny Jiosy fo anefa ireo vehivavy mpanaja an'Andriamanitra sady ambony toerana ary koa ireo lehibe tao an-tanàna; dia nahatonga fanenjehana an'i Paoly sy i Barnabà ry zareo ka nandroaka azy roa lahy hiala tamin'ny faritany. 51Nahintsan'i Paoly sy i Barnabà ny vovoka teny amin'ny tongony13.51 Jereo Mk 6.11 sy nta. ho fiampangana azy ireo, dia lasa izy roa lahy nankany Ikôniôma. 52Ary heni-kafaliana sy feno Fanahy Masina ny mpianatra tao Antiôkia.

Ny Filazantsaran'I Jesoa Kristy
1- Natao ho an'ny olona rehetra
Mitombo hatrany ireo sokajin'olona nihaino ny fitoriana ny Filazantsara nataon'i Paoly sy Barnabasy. Tsy ireo jiosy ihany fa teo ny jentilisa izay tena liana tokoa. Rehefa nahita izany nv jiosv dia velom-pialonana, nanohitra ary nitadv nv fomba rehetra hanakoron-tanana mba ahatonga fanenjehana ireto mpitory ny fílazantsara. Tsy nampihemotra ny mpitory nv filazantsara izany fa feno fahasahiana hatranv izv ireo nanambara. Isan'ny andraikitra nanirahana azy nv hitondra fanazavana any amin'ny jentilisa (and.47). Tian'Andriamanitra loatra ianao, maniraka ny mpanompony hitory ny Teniny aminao Izy. Mahaiza mihaino ny Tenin'Andriamanitra.

2- Mitondra fifaliana ho an'izav mandray
Ireo jiosy tsy nihaino ny Tenin'Andriamanitra dia feno fialonana ary nitorika fanakoron-tanana. Na dia teo aza izany sy ny fanoherana nataon'ireo mpitarika tao amin'ny synagoga dia nandroso hatrany ny asa fitoriana nataon'i Paoly sy Barnabasv. Niavaka kosa ny fiainan'ireo nihaino sy nandray ny Tenin'Andriamanitra: "faly izy ka nankalaza ny Tenin'Andriamanitra ; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino" (and.49). Meteza isika mba hihaino sy handray marina ny Tenin' Andriamanitra dia ho resy ny fialonana ka hanana fiainam- pifaliana mandrakariva isika satria azo antoka ny Fiainana mandrakizay omen'ny Tompo antsiky mpino azy.

Fanontaniana :
Manana andraikitra ve ianao amin'ny fanohanana ny mpitory ny filazantsara ? Inona avy izany ?

dimanche 25 février 2018

Alahady 25 Febroary 2018 - I Sam 15 : 16 - 29

16Fa hoy i Samoela tamin'i Saoly:
–Aoka izay, fa hambarako anao izay nolazain'ny TOMPO tamiko halina.

Ary hoy izy taminy:
–Ambarao àry!

17Dia hoy i Samoela hoe:
–Na dia nihevitra ny tenanao ho tsy nanao ahoana aza ianao taloha, dia efa tonga filohan'ny fokon'i Israely, fa ny TOMPO efa nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely. 18Ary IZY efa nanoro lalana anao handeha hamongotra tanteraka ireo Hamalekita mpanota ireo ary hiady aminy mandra-paharingany. 19Koa nahoana no tsy nohenoinao ny tenin'ny TOMPO, fa avy hatrany ianao dia niantoraka tamin'ny remby, ary nanao izay nampalahelo ny TOMPO?

20Fa hoy i Saoly tamin'i Samoela:
–Efa nanaiky ny tenin'ny TOMPO aho, ary efa nanaraka izay natorony ahy. Efa novonoin-ko faty avokoa ny Hamalekita, afa-tsy i Agaga mpanjakany ihany izay nentiko eto; 21fa ny miaramila kosa, raha nanavaka ireo biby izay tsara indrindra tokony ho naringana, dia ny hanolorana azy ho sorona ho an'ny TOMPO Andriamanitrao eto Gilgàla.

22Dia hoy indray i Samoela hoe:
–Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran'ondrilahy ny fanekena Azy. 23Fa ratsy toy ny sikidy ny fikomiana aminy, ary ratsy toy ny fanompoan-tsampy ny tsy fanekena Azy. Koa satria nandà ny tenin'ny TOMPO ianao, dia mba laviny kosa tsy ho mpanjaka intsony.

24Ka hoy ny navalin'i Saoly azy:
–Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin'ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny. 25Ankehitriny, miangavy anao re aho, mamelà ny heloko ka miverena miaraka amiko mba hahazoako miankohoka eo anatrehan'ny TOMPO.

26Hoy kosa i Samoela taminy:
–Tsia, tsy hiverina hiaraka aminao aho, satria efa nandà ny tenin'ny TOMPO ianao, ka dia laviny koa tsy ho mpanjakan'i Israely intsony.

27Ary raha nihodina handeha iny i Samoela, dia nohazonin'i Saoly tamin'ny rebareban'akanjony, izay rovitra niendaka terỳ. 28Dia hoy i Samoela taminy:
–Tahaka izany koa androany no hanendahan'ny TOMPO aminao ny fanjakan'i Israely mba homeny ho an'ny hafa15.28 Dia i Davida izany, ampit 13.14 sy nta. izay mendrika kokoa noho ianao. 29Fa ny TOMPO, Ilay Herin'i Israely, dia tsy mba mandainga na miova hevitra. Tsy olombelona Izy ka hiova hevitra.

Ny olona mihaino ny Tenin'Andriamanitra

1- Tsy maintsv mankatoa
Tsy nandray ny toro-marika nambaran'i Samoela i Saoly mpanjaka. Nihevitra ny tenany ho nanan-tsaina ambony, ary hahazo sitraka avy amiin'Andriamanitra rehefa nahazo sambo-belona an'i Agaga mpanjakan'ny Amalekita ka nanao fanatitra ho an'Andriamanitra tamin'ireo biby heveriny ho tsara sy matavy. Diso hevitra izy noho izany, nihaino fotsiny fa tsy nanatanteraka ny toro-marika nomen'Andriamanitra fa tokony haringana nv Amalekita sy ny fananany. Tsy nankasitrahan'Andriamanitra ny zavatra nataony, Tsarovy fa ianao mankatoa ny Tenin' Andriamanitra no zava-dehibe fa tsy ny fanatitra entinao na dia heverina ho tsara indrindra aza izany.

2- Tsaraina
Noho ny tsy fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra dia niharan'nv sazy i Saoly mpanjaka. Nolavin'Andriamanitra ny maha-mpanjaka azy. tsv afaka ny hanao ny asan'ny mpanjaka ny tarananv. Tsy azo vazivaziana nv Tompo, eny fa na dia niaiky nv fahadisoany, nifona noho ny fahotana nataonv aza izv dia mazava nv fanapahan-kevitr'Andriamanitra. Esoriny amin'ny fanjakana i Saoly. Efa misv olona voahomana handimbv azv eo amin'ny fanjakana. Ataovv ho zava-dehibe hatrany eo amin'ny fìainanao ny Tenin'Andriamanitra, ankatoavy. hiaino izay ambarany aminao dia ho azo antoka ny ho avinao.

Fanontaniana :
Nahoana no misy olona manao ho ambony ny feon'ny fíeritrertany na ny olona akaiky azy noho ny Tenin' Andriamanitra ?

samedi 24 février 2018

Sabotsy 24 Febroary 2018 - Mat 10 : 5 - 15

5Izy 12 lahy ireo dia nirahin'i Jesoa sady nohafatrafarany hoe:

–Aza mandeha any amin'ny faritra onenan'ny hafa firenena ary aza miditra amin'ny tanànan'ny Samaritanina; 6fa aleo manatona ny ondry very, dia ny vahoaka Israely. 7Ary rehefa mandeha ianareo, dia manaova antso avo hoe: «Efa tonga ny Fanjakàn'ny lanitra!» 8Sitrano ny marary, atsangano ho velona ny maty, diovy ny marary hoditra, roahy ny demony; nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. 9Aza mitady vola hatao am-paosy, na volamena izany na volafotsy na varahina; 10aza mitondra kitapom-batsy ho amin'ny dia, na akanjo hisoloana, na kapa, na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika homena izay hivelomany10.10 Ireo mpampianatra jiosy dia afaka mivelona amin'ny fanomezana atolotr'ireo mpianany.

11Raha misy tanàna lehibe na tanàna kely idiranareo, dia fotory izay olona mendrika handray anareo; ka mitoera ao aminy mandra-piàlanareo ny tanàna. 12Vao miditra ny trano ianareo dia miarahabà hoe: «Ho ao aminareo anie ny fiadanana10.12 Ny fiarahabana, eo amin'ny Jiosy, dia nirary fiadanana.!» 13Koa raha mandray anareo ny ao an-trano, dia aoka ho tonga aminy tokoa ny fiadanana rarînareo; fa raha tsy mandray anareo ny ao an-trano, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana rarînareo. 14Ary izay trano na tanàna tsy handraisan'ny olona anareo na tsy hihainoany teny anareo, dia ialao; ka ahintsano eo ny vovoka avy amin'ny tongotrareo10.14 Jereo Mk 6.11 sy nta; Asa 13.51; ampit Asa 18.6.. 15Lazaiko marina aminareo fa amin'ny andro fitsarana dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Sôdôma sy i Gômôra10.15 I Sôdôma sy i Gômôra: jereo Gen 18–19. noho ny hihatra amin'izany tanàna izany!

Ny mpianatry ny Tompo

1- Mitoritenv
Nambaran'I Jesoa Kristy mazava tsara tamin'ny mpianany ny lalana hizorana. Tsy handendeha fotsiny anefa fa hitoriteny, hanambara amin'ny zanak'Israely fa "Efa mby akaiky ny fanjakan'Andriamanitra". Tsarovy fa ny olona nantsoin'i Jesoa Kristv dia tsy mandehandeha amin'izay lalana tiany hizorana. Jesoa Kristy no mamaritra ny lalana sy ny andraikitra hotanterahina. Hanambara ny fanjakany.

2- Matoky ny fitondran'nv Tompo
Asa sarotra nv miandry. Hitondra fanafahana, fíainana ho an'ireo voafatotr'i satana. Tsy miantehitra amin'ny herin' ny tena, tsy mitady tombotsoa manokana. Ambarany fa manana ny hevitra hitondrany ny fiainan'ny olomboafidiny ny Tompo. Ny olona nofidian'ny Tompo hanao ny asanv dia tsinjovinv mandrakariva.

3- Mitondra fitahiana ho an'ny hafa
Asa fanompoana miavaka no tanterahin'ny mpianatry ny Tompo. Ireo mino, manaiky handray azy ireo dia mandray fiadanana. Ireo izav minia tsv mandray kosa dia fiampangana no anjarany. Tsarovy ary fa ny mpanompo irahin'Andriamanitra mitory ny fílazantsara dia hitondra fitahiana, fiadanana ho antsika. Mahaiza mandray azy ireny dia hotanteraka aminao ny fiadanan'i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:
Inona no mahasarobidy ny asan'ny mpitory ny filazantsara ?

vendredi 23 février 2018

Zoma 23 Febroary 2018 - Jer 2 : 4 - 13

4Ry taranak'i Jakôba
sy ry fokon'i Israely rehetra,
henoy ny tenin'ny TOMPO
5fa izao no lazainy aminareo:
Inona moa no hadisoana
hitan'ny razanareo tamiko
no dia nanalavitra Ahy TOMPO izy?
Nandeha nanaraka zava-poana izy
ka dia tonga zava-poana koa!
6Tsy nanontany tena akory izy hoe:
Mba aiza àry izao ny TOMPO
izay nitondra antsika niala tany Ejipta
sy nitarika antsika namakivaky ny taniefitra,
faritany karankaina sy be hantsana,
tany mangentana sy mampahatahotra
fa tsy andalovan'olona sady tsy misy mponina?
7Izaho no nampiditra anareo
ho ao amin'ny tany lonaka
mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy;
kanjo rehefa tafiditra tao ianareo
dia nolotoinareo ny taniko
ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.
8Tsy nanontany akory ny mpisorona hoe:
«Mba aiza àry izao ny TOMPO?»
Ny mpahay lalàna kosa tsy nahalala Ahy,
ireo mpitarika nikomy tamiko,
ny mpaminany niteny tamin'ny anaran'i Bahala,
ary izy rehetra samy nifikitra
tamin'ny andriamani-tsiizy sady tsy mahasoa.
9Noho izany dia hifandahatra
hiady aminareo Aho,
ary hatrany amin'ny zafinareo no hiadiako;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10Fa mba mandehana ange miampita
any amin'ny nosy Kitima ka zahao,
mba maniraha olona hanadihady
any amin'ny Arabo ao Kedara2.10 ny nosy Kitima na ireo nosy Grika. –Kedara: any avaratry ny taniefitr'i Arabia, izany hoe any atsinanan'i Palestinina, mifanohitra amin'ny mankany amin'ireo nosy grika.,
raha mahita toe-javatra tahaka izao any e!
11Moa ve nisy firenena
efa nanova ny andriamaniny,
nefa tsy andriamanitra akory ireny!
Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny
tamin'ireo andriamanitra tsy mahasoa akory.
12Koa aoka ho gaga ianareo any an-danitra
ka samia raiki-tahotra sy mangorohoro;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
13Faharatsiana roa sosona
no nataon'ny vahoakako:
fa sady nahafoy Ahy loharano velona izy
no nihady lava-drano ho azy,
kanjo lava-drano mitriatra ireny
ka tsy nahatan-drano.

Ny olona tsy mihaino an'Andriamanitra

1- Manadino nv famonjen'Andriamanitra
Ahariharin'i Jeremia eto ny toetra nananan'ny Zanak'Israely. Ilay fìrenena nanehoan'Andriamanitra fitiavana manokana, nokarakariana fatratra kanjo niova tanteraka. Niodina, nanda Ilay Andriamanitra efa naneho famonjena raha nanafaka azv ireo tanv amin'ny tanv Egypta ka namponina tao amin'ny tany Kanana, tany nahitany ny tena fiainana. Tsv nihaino an'Andriamanitra izy ireo fa ny fanompoan-tsainpy no nomeny toerana. Rehefa tsv manokana fotoana hihainoana ny Tenin' Andriamanitra ny olona dia latsaka amin'ny fandrikv satana.

2- Tsv mahita fitahiana
Ny sokajin'olona rehetra teo amin'ny Israely no nivadika tamin'Andriamanitra, isan'izany ireo tompon'andraikitra ara-pivavahana izay tokonv nitaiza sy nitarika nv vahoaka iaina amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. Nandao tanteraka an'Andriamanitra ny zanak'Israelv, niaina tamin'ny faharatsiana lalina tokoa.Vokatry ny fanadinoana an'Andriamanitra rava ny fiainany. Tsy misy fiainam- pitahiana ho azy ireo intsony: «Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany. nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano» (and.13). Na toa inona na toa inona ezaka itondran'ny olona ny fiainany. Rehefa tsy miaraka amin'Andriamanitra dia tsy mahita fitahiana izy.

Fanontaniana:
Nahoana ny manadino an'Andriamanitra ny olona rehefa milamina ny fiainany ?


jeudi 22 février 2018

Alakamisy 22 Febroary 2018 - Apo 1 : 1 - 3

1Fanambaràna1.1 Ny teny grika midika hoe fanambaràna no nahatonga ity boky ity hantsoina hoe Apôkalipsỳ.  nataon'i Jesoa Kristy no aroso amin'ity boky ity. Izany fanambaràna izany dia nomen'Andriamanitra Azy mba hanehoan'i Jesoa Kristy amin'ireo mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. I Jesoa Kristy, tamin'ny alalan'ny anjely izay nirahiny, no nampahalala izany tamin'i Jôhany. 2Io Jôhany io no vavolombelona nampita ny teny avy amin'Andriamanitra sy ny hafatra nijoroan'i Jesoa Kristy ho vavolombelona, dia ny zavatra rehetra efa hitany1.2 Jereo 1.11,12 sns: zavatra hitany no tena hovisavisain'i Jôhany, kanefa misy zavatra reny ihany koa ombieniombieny.. 3Sambatra izay mamaky sy ireo mihaino ny tenin'ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoanandro hahatanterahan'ireo zavatra ireo.

Ny irak'Andriamanitra

Aseho eto amin'itv fitarihan-tonin'ny Bokin'ny Apokalipsy ity maha izv azy ny irak'Andriamanitra

1- Mihaino arv manambara
Ny fanambarany an'i Jesoa Kristy ho ren'ny olona rehetra no anjara fanompoana niantsoany nv mpanompony. Aseho eto fa mba ahatanteraka izany dia Andriamanitra Ray no manome toro-hevitra ny Zanany ny amin'izay tokony hambara sy haseho. I Jesoa Kristy indray no manolotra sy mampahafantatra amin'ny olony izay tokonv holazainy amin'ny fanirahany ny anjely. Noho izany izay mahay mihaino no afaka mandrav tsara ilay hafatra sy mampahafantatra izany. Isan'andro ianao dia mandray ny hafatr'Andriamanilra. Meteza ho tena irak'Andriamanitra hanambara izany amin'nv manodidina anao.

2 - Maneho nv fikasan'Andriamanitra
Tanjon'Andriamanitra amin'ny fanirahana ny mpanompony ny ahatonga izao rehetra izao ahalala fa i Jesoa Kristy irery ihany no Mpamonjy. Noho izanv izay manaiky sy mihaino ary indrindra mitandrina. miaina amin'ny teny filazana ny amin'i Jesoa Kristy sy asanv notanterahiny teto amin'izao tontolo izao dia mandray fiainana vaovao. Manana ny fiainam-pahasambarana anjara fanompoana anirahan'Andriamanitra n>ympanompony araka izany ny maneho izany fikasan' Andriamanitra izany. Koa raha nihaino ianao, fantaro ny lalana mitondra ho amin'ny fìainam-pahasambarana dia lazao. amharao amin'nv namanao izanv.

Fanontaniana
Fantatrao ve ny andraikitra nifidian'i Jesoa Kristy anao

mercredi 21 février 2018

Alarobia 21 Febroary 2018 - Mar 7 : 14 - 23

14Dia nantsoin'i Jesoa hankeo aminy indray ny vahoaka sady nilazany hoe:
–Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka mahafantara. 15Tsy misy zavatra avy etỳ ivelany miditra ao anatin'ny olona ka mahaloto azy, fa izay mipoitra avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy. [ 16Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!]

17Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka i Jesoa ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy momba io fanoharana io ny mpianany;

18ka hoy i Jesoa taminy:
–Hay ve ianareo koa mba tsy mahafantatra? Tsy takatrareo ve fa izay rehetra avy etỳ ivelany ka miditra ao amin'ny olona dia tsy mahaloto azy, 19satria tsy miditra ao am-pony fa ao an-kibony ihany, ka alefa any amin'ny fanariana azy.

(Izany no nentin'i Jesoa nanambara fa madio avokoa ny hanina rehetra7.19 Ampit Asa 10.9-16.).

20Dia hoy koa i Jesoa:
–Ny zavatra mipoitra avy ao amin'ny olona, izany no mahaloto ny olona; 21satria avy ao anaty, avy ao am-pon'ny olona no ipoiran'ny sain-dratsy mahatonga azy hijangajanga, hangalatra, hamono olona, 22haka vadin'olona, ho tia harena, hasiaka, hanambaka, haloto fitondrantena, hialona, hanao vava ratsy, hiavonavona, ho adala toetra. 23Ireo zava-dratsy rehetra ireo no mipoitra avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.

Ny mahaloto ny olona

1- Tsv nv sakafo
Nanome tsiny an'i Jesoa ny fariseo sy ny mpanora-dalana satria tsy mba nanaraka ny fampianarana voatolotry ny razana izy ireo. Avy hatrany dia nihinan-kanina tamin'ny tanana tsy voasasa. Nampianatra noho izany i Jesoa Kristy fa ny sakafo avy any ivelany miditra ao an-kibo. Tsy mahakasika ny toetry ny fo izany. Araka izany tsy ny sakafo no mampahaloto. Tsy mampisaraka ny olona amin' Andriamanitra ny fanajana ny fampianarana voatolotry ny razana. Ny fampianaran'Andriamanitra no tokony kajiana sy tandremana fatratra.

2- Nv toetry nv fo
Ahariharin'i Jesoa Kristy eto fa ny mivoaka avy ao anatv no tena mampahaloto ny olona. Ny toetry ny fon'ny olona tokoa mantsy dia miseho hitan'ny rehetra. Ny fo anatv no maneho nv maha olona nv olona. Avv ao am-po no miainga nv fihetseham-po, ny faniriana koa rehefa tsv madio ny fo dia mitarika ny olona ho amin'ny faharatsiana. fandikana ny sitrapoin'Andriamanitra sy ny fìtondran-tena tsy mendrika izanv. Rehefa madio nv fon'ny olona mitandrina sy mankatoa ny tenin' Andriamanitra dia resy nv fahotana. Jesoa Kristy dia efa nilaza fa "sambatra ny madio am-po: fa izy no hahita an'Andriamanitra"

Fanontaniana:
Inona avy ireo toe-javatra mahaloto ny olona ? Misy mahakasika ny fiainanao ve ? Inona no tokony ataonao ?

mardi 20 février 2018

Talata 20 Febroary 2018 - I Jao 4 : 4 - 6

4Rey anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy an'ireny mpaminany sandoka ireny; satria lehibe ny Fanahy Masina izay ao anatinareo noho ny fanahy izay ao amin'izao tontolo izao. 5Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan'izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin'izao tontolo izao sy ihainoan'izao tontolo izao azy. 6Fa izahay kosa dia avy amin'Andriamanitra; ka izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny Fanahy fahamarinana sy ny fanahy fahadisoan-kevitra.

Ny olona mahay manavaka ny fampianarana

Mampitandrina ny mpino manoloana ny fisian'ny fampianaran-diso i Jaona. Fantaro izay ireo mampianatra.

1- Manana ny Fanahv Masina
Mananatra nv kristiana i Jaona mba tsy hinohino foana ny fanahy rehetra. Miankina amin'ny fanahy miasa ao anatin' ny olona ny fampianarana ambarany. I satana dia miezaka mandrakariva ampirenireny ny olon'Andriamanitra. Kanefa rehefa manaiky tarihin'ny Fanahy Masina dia mahay manavaka ny fampianarana marina amin'ny fampiaran-diso ny mpino. Tsarovy fa miaina eto anivon'izao tontolo izao isika. Maro ireo karazam-pampianarana miseho ankehitriny. Meteza hotarihiin'ny Fanahy Masina ianao dia iorina tsara amin'ny finoana. hitoetra amin'ny famonjena efa notanterahin'i Kristy.

2- Tena olon'Andriamanitra
Ambaran'i Jaona eto fa iraka avy amin'Andriamanitra izv. Iraka maneho ny fahamarinana araka an'Andriamanitra. Ny tena olon'Andriainanitra. miombom-piainana amin' Andriamanitra "mahalala an 'Andriamanitra" mahay mihaino. mahay mandray ny fampianarana entiny. Izao tontolo izao ihany no afaka mifampihaino. mifampizara fampianarana. Ampitandremana fatratra noho izany ny mpino tsy handray ny fampianarana mifanohitra amin'ny finoana marina mahakasika an'i Jesoa Kristy ilay Andriamanitra tonga nofo namonjy ny olona rehetra

Fanontaniana :
Nahoana no misy olona efa nandroso tamin'ny f'anompoana kanefa mihemotra noho ny fandraisana fampianarana hafa?

lundi 19 février 2018

Alatsinainy 19 Febroary 2018 - I Sam 3 : 1 - 14

1Fa i Samoela kely kosa nanompo ny TOMPO teo ambany fitantanan'i Helỳ.

Tamin'izany fotoana izany, dia efa nahalana ny fitenenan'ny TOMPO mivantana tamin'olona ary efa vitsy koa ny fahitana avy aminy.

2Indray alina dia natory teo amin'ny toerana nahazatra azy i Helỳ izay efa akaiky ho jamba. 3I Samoela koa mba natory tao an-tranon'ny TOMPO, tao amin'izay nisy ny Vatamasina. Nony hadiva haraina ny andro, raha mbola nirehitra ny jiro tao amin'ny Toeramasin'ny TOMPO3.3 teo anilan'ny Vatamasina: araka ny Eks 25.22 dia avy eo ambonin'ny Vatamasina no itenenan'Andriamanitra amin'ireo olona ao anatin'ny Toeramasina. –Ny amin'ilay jiron'ny Toeramasina (mirehitra mandritra ny alina), dia jereo Eks 27.20-21., 4dia niantso an'i Samoela ny TOMPO, ary izy namaly hoe: «Inty aho, tompoko»; 5avy teo dia nihazakazaka nankany amin'i Helỳ i Samoela ka nanao taminy hoe:
–Niantso ahy ianao, koa intỳ aho!

Fa hoy i Helỳ hoe:

–Tsy niantso anao aho, fa 'ndeha miverina matory.
Dia lasa niverina natory i Samoela. 6Niantso azy fanindroany ny TOMPO hoe: «Ry Samoela!»

Dia nitsangana i Samoela ka nankany amin'i Helỳ ary niteny taminy hoe:
–Niantso ahy ianao, koa intỳ aho!

–Tsy niantso anao aho, anaka, fa miverena matory.

7Ary i Samoela tsy mbola nahalala ny TOMPO, satria tsy mbola nitenenany mivantana.

8Niantso fanintelony an'i Samoela ny TOMPO, koa dia nitsangana indray izy nankany amin'i Helỳ ka nanao taminy hoe:
–Niantso ahy ianao, koa intỳ aho!

Izay vao fantatr'i Helỳ fa ny TOMPO no niantso ny zaza. 9Ary hoy izy taminy:
–'Ndeha miverina matory; fa raha toa mbola misy miantso anao, dia valio hoe: «Mitenena, TOMPO ô, fa mihaino ny mpanomponao!» Dia lasa natory teo amin'ny fatoriany indray i Samoela.

10Ary avy ny TOMPO, dia nitsangana teo, ka niantso toy ny fanaony hoe: «Ry Samoela, ry Samoela!»

Dia hoy izy namaly:
–Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.

11Ary hoy ny TOMPO tamin'i Samoela:
–Indro hanao zavatra amin'i Israely Aho, dia zavatra hampangirintsina ny sofin'izay rehetra mandre azy. 12Hampihariko amin'i Helỳ sy ny taranany amin'izany andro izany ny loza rehetra, efa nambarako hamelezana azy; eny, hampihariko hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany izany. 13Efa nampitandrina azy Aho manko fa hohelohiko mandrakizay ny fianakaviany noho ny fahotan-janany izay fantany tsara nefa tsy mba nosakanany. 14Koa izany no nianianako tamin'ny fianakavian'i Helỳ fa tsy misy sorona na fanatitra hahafa-pahotana azy.

Ny olona itenenan'Andriamanitra

1- Miombom-piainana Aminv
Noho ny fahotan'ny zanak' Israely dia nahalana ny tenin' Andriamanitra. Ny fahitan'Andriamanitra ny toe-panahy nanan'i Samoela dia indro miverina miteny amin'ny olony indray Izy. Na dia mbola zaza tokoa aza i Samoela dia efa nanatanteraka ny asa fanompoana tao amin'nv Tempoly. Natokany ho an'Andriamanitra ny androm-piainana manontolo satria na dia amin'ny alina aza dia tao amin'ny Tempoly izy no natory ary navelany hirehitra ny jiron'ny tempoly mba hazava izanv toerana izany. Tsarovy fa raha manaikv hiombom-piainana mandrakariva amin' Andriamanitra isika, mitoetra amin'ny fiainan'ny zanaky ny mazava dia handray ny tenim-pahasoavany.

2- Maneho nv fahavononana hihaino
Nandre feon'olona miantso azy i Samoela. Na dia alina aza ny andro tsy namono sotìna izy fa feno fahavononana hihaino izay miantso azy. Noheveriny fa i Ely no miantso ka nihazakazaka nanatona azy izy. Rehefa niverina in-telo ilay antso dia fantatr'i Ely fa Andriamanitra no miantso, te-hilaza hafatra amin'ity zaza koa nomeny toro-marika ny amin'ny hoe : « mitenena fa mihaino ny mpanomponao ». Nv fanehoam-pahavononana nasehon'i Samoela hihaino izany miantso azy no nahafany nandray tokoa ny hafatr'Andriamanitra. Raha manana fahavononana hihaino izay miantso antsika isika dia ahafantatra hatrany ny fíkasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika.

Fanontaniana :
Nahoana no misy olona tonga any am-piangonana kanefa tsy mihaino ny tenin'Andriamanitra fa varian-dresaka?


dimanche 18 février 2018

Alahady 18 Febroary 2018 - Heb 3 : 7 - 15

7Noho izany, araka izay lazain'ny Fanahy Masina hoe:
«Anio, raha renareo ny feon'Andriamanitra,

8dia aza hamafisina ny fonareo, tahaka ny tamin'ny
andro niodinan'ny razanareo tamin'Andriamanitra,
tahaka ny tamin'ny andro nakana fanahy Azy tany an-taniefitra.
9Tany no nakan'ny razanareo fanahy Ahy
sy nizahany toetra Ahy, hoy Andriamanitra,
na dia efa hitany aza ny asa vitako
10nandritra ny efapolo taona.
Izany no nahatezitra Ahy tamin'ireo olona ireo,
ka hoy Aho hoe: ‹Maniasia lalandava ny fisainany;
tsy nahafantatra ny lalako ireo.›
11Tezitra Aho ka nianiana hoe:
Tsy hiditra mihitsy ao amin'ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo3.11 and 7-11: Sal 95.7-11, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.!»
12Tandremo, ry havana, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona. 13Fa aoka ianareo hifampirisika isan'andro, dieny mbola misy ny hoe «anio» lazain'ny Soratra Masina, mba tsy hisy ho voafitaky ny fahotana ianareo ka ho tonga mafy fo. 14Eny, efa tonga mpiombon-tsoa amin'i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin'ny farany ny toky izay nananantsika hatrany am-boalohany.
15Izao no lazain'ny Soratra Masina:
«Anio, raha renareo ny feon'Andriamanitra,
dia aza hamafisina ny fonareo,
tahaka ny tamin'ny niodinan'ny razanareo
tamin'Andriamanitra3.15 Sal 95.7-8, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

Ny olona mihaino ny Tenin'Andriainanitra

1- Matoky ny fitondrany
Mitaona ny kristiana mba tena hino sy hatoky ny fitondran'Andriamanitra nv mpanoratra. Mitarika ny olona araka izany izy mba tsy hanahaka ny nataon'ny Zanak'Israely tamin'ny amin'i Mosesy. Nahalala sy nahita ny asa lehibe nataon'Andriamanitra ho azv tokoa mantsv ny olona tamin'izany fotoana izany kanefa rehefa misy fitsapana na zava-tsarotra miseho eo amin'ny fiainany dia nimonomonona, nanome tsinv hatranv. Endriky ny tsy finoana sv fankatoavana ilav Andriamanitra niara-nandeha tamin'izy ireo izany. Manana ny hevitra hiheverana ny mahasoa anao ny Tompo. Matokia mandrakariva ny fitondrany ny fiainanao. Aza mimonomonona.

2- Mifananatra
Raha mbola manana tombon'andro ahavelomana ianao dia aza avela handalo fotsiny izany. Meteza hifananatra, hifanitsy eo amin'ny fanarahana dia ny Tompo mba ahazoana miditra amin'ny tena fiainana. Ny famonjena antsika, ny asan'Andriamanitra notanterahiny tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy dia tokony horaisina sy ekena amin'ny finoana. Koa raha misy kristiana tsy miorina tsara, mitady hiala amin'ny finoana marina dia mila mifananatra araka izany ny mpino. Tsy ankasitrahan' Andriamanitra ny fialana amin'nv fìnoana Azy. Iharan' ny fahatezerany izav mivadika miala Aminv.

Fanontaniana:
Efa nandray andraikitra tamin'ny havanao, ny mpiara- mivavaka taminy niala tamin'ny finoana marina. nitady mpamonjy hafa ve ianao ? Inona no nataonao ?

samedi 17 février 2018

Sabotsy 17 Febroary 2018 - Eks 23 : 20 - 23

20«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin'ny tany izay efa nomaniko ho anareo. 21Mitandrema tsara eo anatrehany ka henoy izay lazainy, ary aza manohitra azy; fa tsy mahazaka fikomiana izy, satria mitondra ny anarako. 22Raha mankatò azy hatrany ianareo, ka manatanteraka an-tsipiriany izay rehetra nandidiako anareo, dia Izaho Tompo no ho fahavalon'izay fahavalonareo, ary handrafy izay mandrafy anareo.

23«Rehefa mandeha eo alohanareo ny anjeliko, ka mitarika anareo ho any amin'ny Amôrita sy ny Hitita, ny Perizita sy ny Kanahanita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia hofongorako ireo firenena ireo.

Ilay Andriamanitra mitana ny teny nomeny

1- Manome lova nv olony
Nampanantena Andriamanitra fa ny tany Kanana no omeny ho lova ho an'ny Zanak'Israely. Mba ahatanteraka izany dia manome toky Izy fa maniraka ny Anjeliny ho mpitari-dalana, hanokatra ny lalana hizorana, eny hiady raha misy fahavalo manakatsakana eny an-dalana. Tsarovy fa efa naniraka an'i Jesoa Kristy hanokatra ny lalana handovanao ny Fanjakany Andriamanitra. Matokia Azy.

2- Miteny mandrakariva
Mialoha lalana ilay Anjelv irak'Andriamanitra. Miteny manome toro-marika mandrakariva ho an'ny Zanak' Israely Izy mba ho lavorary nv dia ho anv amin'ny tany Kanana. Tsy maintsy mihaino sy mankatoa ny teny ambarany ny olona. Ny fandavana ny teny ataony dia fandavana toyny fandavana an'Andriamanitra. Miteny aminao isan'andro Andriamanitra. Tiany handova ny Fanjakany ianao. Meteza hankatoa izay lazainv amínao.

3- Miady ho an'nv olonv
Rehefa mihaino ka mankatoa izay lazain'Andriamanitra amin'ny alalan'ilay Anjely ny olona dia hiaro sy hiady ho azy ireo amin'ny hetraketraky ny fahavalo mandrakariva ilay Anjely. Fanomezantoky izanv fa tsy miady irerv ny olony fa eo Andriamanitra miady ka mampandresy. Tsarovy tsy irery ianao eo am-piatrehana ny fiainana. Na dia misy aza ny fahavalo manakana ny dianao ankatoavy ny Tenin'Andriamanitra dia ho mpandresy ianao.

Fanontaniana :
Inona no fitaovana mahomby omen'Andriamanitra anao mba handresena asan'ny ratsy ?

vendredi 16 février 2018

Zoma 16 Febroary 2018 - Jak 1 : 16 - 25

16Aza mamita-tena, ry havako malala: 17ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana lavorary rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin'Andriamanitra Ray, mpahary ny fanazavana eny amin'ny habakabaka, Ilay tsy manam-piovaovana ary tsy misy aloka avy amin'ny fihodinana. 18Sitrapon'Andriamanitra Ray no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santa-bokatra atolotra Azy eo amin'ny samy zavaboaariny isika.

19Efa fantatrareo izany, ry havako malala; kanefa aoka ny isam-batan'olona samy ho dodona hihaino fa tsy ho maimaika hiteny na halaky tezitra1.19 Efa fantatrareo izany... samy: misy stf sasany ahitana hoe noho izany, ry havako malala, aoka ny isam-batan'olona samy. –tsy halaky tezitra: ampit Mpitor 7.9., 20satria ny olona tezitra tsy mahefa izay marina soritan'Andriamanitra. 21Noho izany, ario avokoa ny fahalotoana sy ny haratsiam-panahy rehetra; raiso amin'ny fahalemem-panahy ny teny ambolen'Andriamanitra ao anatinareo sady mahavonjy ny tenanareo.

22Aoka ianareo ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, ka mamita-tena. 23Satria raha misy olona mpihaino ny teny, nefa tsy mpanatanteraka, dia tahaka ny mijery ny tarehiny ao anaty fitaratra: 24eny, mahita ny tena endriny izy, dia lasa ka hadinony miaraka amin'izay ny toe-tarehiny. 25Fa izay fatra-pandinika ny lalàna lavorary, dia ny lalàna mitondra fahafahana, ka maharitra amin'izany ary tsy ho mpihaino manadino fa mpanatanteraka an'asa, dia ho sambatra izy amin'izay asa tanterahiny.

Miteny aminao Andriamanitra

1- Mahaiza mihaino Azy
Manoloana ny toe-javatra iainan'ny fiangonana dia mitaona ny olona tsy hihaino teny hamitahana i Jakoba. Manazava izy fa tsy maka fanahy ny olona Andriainanitra. Nv ataon'Andriamanitra dia ny mizaha toetra. Ny tanjon'Andriamanitra amin'izany dia ny ahatonga ny olony hiorina tsara amin'ny fínoana ka handray ny satroboninahitry ny fiainana. Mihevitra mandrakariva ny mahasoa ny olona Andriamanitra. Fanomezana miavaka no atolony avy any an-danitra. Tanteraka tamin'ny nanomezanv ny Zanany lahy tokana ho famonjena izany. Tsara Andriamanitra. mpanao ny tsara, ary indrindra tsy miova amin'ny fikasany. Mahaiza mihaino ny Teniny.

2- Ankatoavy izay lazainv
Tsy ny hihaino ihany no itarihin'i Jakoba ny mpino eto fa ny hankatoa ihanv koa. Fankatoavana izav ambaranv fa mitondra ny olona ho amin'ny fahafenoam-piainana. Rehefa mihaino tsara, mandray ny Tenin'Andriamanitra ny olona dia fantany ny anjara toerany eo anatrehan" Andriamanitra. Izay mankatoa dia manitsy ny lalany, manaiky hanavao ny fifandraisany amin' Andriamanitra. Araka izany mitaona ny olona hibebaka ny Tenin' Andriamanitra. Ny fiverenan'ny olona amin' Andriamanitra no handraisany ny fiainana feno, fiainam- pahasambarany. Miteny aminao isan'andro Andriamanitra, raiso, ankatoavy izay Iazainy dia ho sambatra ianao.

Fanontaniana :
Fotoana manao ahoana no atokana mba hihaonana sy hihainoana an'Andriamanitra ?

jeudi 15 février 2018

Alakamisy 15 Febroary 2018 - Apo 3 : 14 - 22

14–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Laôdisia:
«Izao no lazain'ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan3.14 Izay niandohana: ampit Ohab 8.22.'ny zavaboaarin'Andriamanitra: 15Fantatro ny asanao; fantatro fa tsy mangatsiaka tsy mafana ianao; satriko ianao mangatsiaka na mafana. 16Saingy noho ianao matimaty ka tsy mafana tsy mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao! 17Hoy ianao hoe: manan-karena sy efa nihary fananam-be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mampalahelo, mahantra sy jamba ary mitanjaka. 18Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan'ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao. 19Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko3.19 Ampit Ohab 3.12; Heb 12.6.; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao. 20Indro mijoro eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy olona mihaino ny feoko sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiara-misakafo amiko.

21«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.

22«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

Antsom-pitiavana

1- Ny toerana misy anao ankehitriny
Tanana nanankarena i Laodikia satria tao no nisy nv lamba volon'ondry mainty manompy manga izay heverina ho tsara tokoa. Tao koa ny fisian'ny sekoly fitsaboana sy ny menaka fanosotra amin'ny maso. Nirehareha fatratra ny mponina. Tafapaka hatrany amin'ny fiainam-piangonana sy ny fanoloran-tenan'ny olona izany. Mandroso ny toekarena ka tsy dia nahoana loatra ny fanarahana ny Tompo : «fa satria tsy mafana na mangatsiaka». Matetika tokoa rehefa mizotra tsara ny fiainan'ny olona ara-toekarena dia mihena ny fahavononana hanompo ny Tompo. Tsarovy tsy ankasitrahan'ny Tompo izany.

2- Miantso anao hiverina Aminy nv Tompo
Tia ny olony Andriamanitra. Indro Izy manao antso mba hanavaozan'ny olona ny fanoloran-tena. Asehon' Andriamanitra eto fa ny tena fiainana dia ao Aminy irery ihany. Izy no manana nv fítafiana mendrika maneho ny fahamasinan'ny olona, Izy no manana ny odi-maso manafaka ny olona amin'ny fahajambana ka mampitodika ny olona ho amin'nv tena fiainana. Raha manaiky hiverina amin'Andriamanitra ny olona. mampandroso Azy ao am- po dia manana fifandraisana akaiky Aminy ka ho fiainam- pifaliana no ivelomany isan'andro satria manana ny zavatra rehetra Andriamanitra. Miantso anao koa miverena. Aza variana amin'ny zavatra hita maso ankehitriny.

Fanontanìana :
Nahoana no tsy ankasitrahan'ny Tompo ny fiainan'ny fíangonana tao Laodikia ? Inona no toro-marika ho anao ?

mercredi 14 février 2018

Alarobia 14 Febroary 2018 - Jos 3 : 9 - 17

9Ary i Josoa nanao tamin'ny Israelita hoe:
–Manatona etỳ ka mihainoa izay lazain'ny TOMPO Andriamanitrareo. 10Ho fantatrareo amin'izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivîta sy Perizîta, ny Girgasita sy Amôrita ary Jebosita. 11Indro ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ilay Tompon'ny tany rehetra handroso eo alohanareo ao Jôrdàna. 12Koa ankehitriny, mifidiana 12 lahy eo aminareo. iray avy isaky ny foko israelita. 13Raha vao mandroboka tongotra ao anaty rano ireo mpisorona mitondra ny Vatamasin'ny TOMPO, dia ho tapaka ny ranon'i Jôrdàna: hijanona ny rano avy any ambony ka hisavovona toy ny antontan-javatra.

14Dia nandao ny toby mba hiampita an'i Jôrdàna ny vahoaka; ary ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana no teo alohany. 15Fotoan'ny fararano tamin'izay ka tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jôrdàna3.15 Ny lazaina eto dia fararano fijinjana ny ôrza aorian'ny fiotazana ny rongony (jereo 2.6); amin'izay no tondraka ny ranon'i Jôrdàna noho ny fiempon'ny ranomandry eny an-tendrombohitr'i Libano (Volana Avrily).. Raha vao tonga teo ny mpisorona nitondra ny Vatamasina ka nandroboka tongotra tao anaty renirano, 16dia nijanona ny rano avy any ambony ka nisavovona toy ny antontan-javatra terỳ lavitra terỳ, dia terỳ amin'ny tanàna Adama izay takaikin'ny tanàna Tsaratàna3.16 I Adama, voalaza koa ao amin'ny Hôs 6.7, dia tanàna iray any ampita atsinanan'i Jôrdàna, eo anilan'ny fihaonany amin'ny renirano Jabôka. –I Tsaratàna dia tanàna mifanila aminy saingy tsy tena mazava ny toerana nisy azy.; ary ny rano ambany izay nikoriana ho any amin'ny Ranomasina Maty kosa dia ritra tanteraka, hany ka afaka niampita tandrifin'i Jerikao ny vahoaka. 17Ny mpisorona izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO dia nijoro tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jôrdàna, mandra-pahatafita ny Israelita rehetra izay nandia tany maina ho eny ampita.

Entin'ny Tompo handova ny tany isika

1- Araho nv toromarika
Nodimbiasan'i Josoa i Mosesy. ary mitovy tanteraka ny fombàn'Andriamanitra an'i Mosesy sy i Josoa (and 7). Famantarana lehibe no nomen'ny Tompo an' i Josoa, ka nahafahanv nanome torolalana ny olona. Torolalana avy amin'ny Tompo. araka ny teny eto hoe : « Mankanesa aty ka mihainoa ny tenin 'i Jehovah Andriamanitrareo » Tsy misv angatahina amin'nv olona afa tsy ny mihaino sy mankato. Tsy afaka handroso handova ny tany ny vahoaka raha tsy mankato aloha. Ho ao an-tsain'ireto taranaka ireto ny fomban'Andriamanitra ireo razany tany aloha fony, raha niampita ny ranomasina mena. Tsy miova Andriamanitra fa eo koa ny fombàn'Andriamanitra azy ireo rehefa tafìta nv rano.

2- Ataovy nv fampiharana
Voalaza eto fa nialoha ny olona rehetra ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny faneken' Andriamanitra. Naroboky ny mpisorona ny tongony (and 14-15) dia nijanona ny rano ka afaka niampita tamin'ny tany maina ny olona. Famantarana izany fa miaraka sy miandany amin'ny vahoakany ny Tompo. Nisy izany zavatra rehetra izany noho ny tenin'Andriamanitra. ary noho ny fankatoavan'ny olona : ary entina manaporofo koa fa tsy miova velively Andriamanitra. Mariho tsara fa tsv misy nisalasala ny mpisorona sy ny olona eto noho ny fankatoavana ny tenin' Andriamanitra, rehefa miteny Andriamanitra. Foana ny fisalasalana fa tanteraka izay rehetra nolazain' Andriamanitra rehefa mankato ny olona.

Fanontaniana
Mahay mankatoa ny tenin'Andriamanitra ve ny kristiana manoloana ny zavatra manjo azy?

mardi 13 février 2018

Talata 13 Febroary 2018 - Lio 10 : 8 - 12

 8Raha misy tanàna idiranareo ka mandray anareo ny olona, dia hano izay aroso anareo; 9sitrano izay marary ao ary ny mponina ilazao hoe: «Efa tonga eto aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra.» 10Fa raha misy kosa tanàna idiranareo nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja milaza hoe: 11«Na dia ny vovoky ny tanànanareo nanaraka ny tongotray aza, dia ahintsanay10.11 Jereo 9.5; Mk 6.11 sy nta. hiampanga anareo. Izao anefa no fantaro: efa tonga ny Fanjakàn'Andriamanitra.» 12Lazaiko aminareo fa amin'ny andro fitsarana, dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Sôdôma10.12 Jereo Gen 19.24-28. noho ny hihatra amin'izany tanàna izany.

Raiso ny Filazantsara

1- Mandray ny Filazantsara izav mandray ny Mpitory
«Izay tanàna hiakaranareo. ka mandray anareo ny olona... » (and.8) Manatona amin'ny isan-tanàna ny Tenin'Andriamanitra sy ny Filazantsara. Tazana eto fa ny olona, na ny tanànana vonona handray ny Filazantsara sy ny Tenin'Andriamanitra dia mandray tsara izay iraka mpitondra ny Tenin'Andriamanitra aloha. Tsy zava- baovao ity fahatongavan'ny Teny, na ny Filazantsara any amin'ny toeram-ponenan'ny olona ity. Tandindon'ny nahatongavan'i Jesoa ho olona tety an-tany io, mba hiara- monina amintsika. Ny teny dia tonga nofo ka niara-nonina tamintsika. Ka izay mandray ny mpitory dia mandray an'i Jesoa, ary izay mandrav an'i Jesoa dia mandray an' Andriamanitra izay naniraka an'i Jesoa (vakio Mat 10,40)

2- Manakaiky nv fanjakan'Andrianianitra ny mandrav Azv
Rehefa tonga ny Mpitory, ka raisin'ny olona dia misy fanasitranana, izay mariky ny fanjakan'Andriamanitra. Efà eo am-baravaran'ny fanjakan'Andriamanitra izay mandrav ny Teny sy ny Filazantsara. Rehefa eo am-baravarana isika, dia miandry ny feo mampandroso sisa dia tafiditra : «Midira amin 'ny fìfalian 'ny Tomponao». Ny fiampangana sy ny fanamelohana ambara eto ho an'izay «tsy mandray» dia tsy fampitahorana, fa fitaomana antsika tsy hizotra mankamin' izany. Koa raiso ny Filazantsara, ary raiso ny mpitory Filazantsara dia handray an'i Jesoa ianao.

Fanontaniana:
Misy olona minia mifidy zavatra ratsy ve?

lundi 12 février 2018

Alatsinainy 12 Febroary 2018 - Lev 26 : 3 - 8

3«Raha manaraka ny lalànako ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, 4dia homeko ny ranonorana sahaza anareo amin'ny fotoanandrony mba hahavokaran'ny tany ary hamoazan'ny hazo eny an-tsaha. 5Ho tratry ny fiotazam-boaloboka ny fivelezam-bary eo aminareo, ary ho tratry ny famafazana ny fiotazam-boaloboka; dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry feizay eo amin'ny taninareo26.5 And 3-5: jereo Deot 11.13-15.. 6Hasiako fiadanana eo amin'ny tany, ka handry tsy hisy hanaitra ianareo; fa hofongorako ny biby masiaka eo amin'ny tany, ary tsy mba handalovan'ady intsony izy. 7Hataonareo mandositra ny fahavalonareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo; 8hampandositra zato ny dimy aminareo ary hampandositra iray alina ny zato aminareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ireny.

Mitondra fitahiana ny fanarahana ny lalàna

Mandrakariva dia ny didy folo ihany no heverin'ny maro ho lalàn'Andriamanitra. Ny boky dimy voalohany ao amin'ny Baiboly no lazaina hoe bokin'ny lalàna. Rehefa nivoatra ny hevitry ny teny dia niantsoana ny Soratra Masina amin'ny ankapobeny ny lalàna. Noho izany, ny and.3 eto dia itaoman'Andriamanitra antsika ahay hisafidy fitahiana: Rehefa manaraka ny lalàna, ka mankato izay nolazain'ny Tompo isika. Raha manaraka ny lalàna isika, dia hilatsaka amin'ny tany ny ranonorana, ho be ny vokatra, ho zina ny taona, sns. (and.5). Teny entina milaza fitahiana izany ao amin'ny Baiboly. Mitahy antsika ny Tompo rehefa mankato isika. Tsy fitahiana ho an'ny olona iray izany, fa tena fitahiana ho an'ny firenena. Voalaza eto koa ny fiadanana : « ary homeko fìadanana eo amin 'ny tany ianareo » (and.6). Ny fiadanana dia teny tokana enti-milaza fandriampahalemana, fiainana, fahasalamana, fahafaham-po amin'ny soa sy ny tsara. Omena hisitrahan'ny mponina eo amin'ny tany izany rehef'a mihaino sy mankato ny olona : « homeko fiadanana eo amin'ny tany ianareo ». Tsy fiadanana hiainantsika any amin'ny fiainan-ko avy no ampanantenaina antsika rehefa mankato, fa eto amin'ny tanintsika dieny ankehitriny. Koa ankatoavy sy araho ary ampiharo eo amin'ny fiainantsika ny teny ! Tsy ampy velively ny fandrenesana fotsiny, fa hoy ny Soratra Masina : « Aoka ho mpankatoa ny teny ianareo fa tsy mpihaino fotsiny ihany. » Ankatoavy ny teny raha tiantsika hiadana isika eto amin'ny firenentsika !

Fanontaniana:
Moa hainao hazavaina amin'ny lafin-kevitra iray ve ny hoe tena mitondra fiainana ny Tenin'Andriamanitra ?

dimanche 11 février 2018

Alahady 11 Febroary 2018 - Lio 8 : 4 - 15

4Nirohotra avy any amin'ny tanàna samihafa ny olona hanatona an'i Jesoa, hany ka vahoaka betsaka no tafangona teo aminy. Dia niteny Izy nanao izao fanoharana izao:
5–Niainga ity mpamafy hamafy voa. Nony namafy izy, ny voa sasany dia latsaka teny amoron-dalana ka voahosin'ny mpandalo ary lanin'ny voro-manidina; 6ny voa sasany kosa latsaka teny ambony vatolampy, ka vao naniry dia nalazo satria tsy ampy hamandoana; 7ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo, ka niara-naniry tamin'ny tsilo dia voageja; 8ary ny voa sasany latsaka tamin'ny tany tsara, ka naniry ary namoa zato heny.

Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso hoe:
–Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

9Nanontanian'ny mpianany ny dikan'ilay fanoharana i Jesoa, 10ka namaly hoe:
–Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn'Andriamanitra; fa ho an'ny hafa kosa dia ankamantatra saro-pantarina no itenenana izany, hany ka
«hijery izy fa tsy hahita
ary hihaino fa tsy hahafantatra8.10 Is 6.9, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

11–Koa izao àry no dikan'ilay fanoharana teo. Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. 12Ireny teo amoron-dalana dia izay mahaheno ihany; kanjo avy ny devoly, ka manaisotra ny teny tao am-pony sao mino izy ka ho voavonjy. 13Ireny teo ambony vatolampy kosa dia izay mahaheno sady mandray ny teny an-kafaliana nefa tsy mandatsaka lalina izany ao aminy; mba mino vetivety ihany izy, kanjo mihemotra amin'ny fotoana fitsapana. 14Ny latsaka teo amin'ny tsilo indray dia izay mahaheno ihany koa; kanjo eny an-dalam-pivahiniana, voagejan'ny ahiahy sy ny harena ary ny fahafinaretan'ny fiainana mandalo ka tsy mahavanom-boa. 15Ny latsaka tamin'ny tany tsara kosa dia izay mahaheno ny teny amin'ny fo tsara sy lavorary, ka mitana azy, ary mamokatra amin'ny faharetana.

Mahaiza mihaino mba hamonjena anao !

Mampieritreritra ny filazana ny voa nafafy any amin'ny toerana samihafa tsy tokony hamafazana akory, araka ny voalazan'ny fanoharana. Ny famafazana voa ho an'ny mpamboly dia tokonv ho any amin'ny tanv efa voaomana. Ny mpamafy koa tokony ho olona efa mahafantatra ny hataony. Mazava kosa anefa ny hafatra tiana hampitaina amin'izao fanoharana izao satria ny mpamafy, dia olona tsy mifìdy tany amafazana. Tena mahalasa saina ny fiheverana, fa afafy nv voa, na amin'nv toerana fambolena na tsia, ary tsy amin'ny tanv efa voavoatra sv vonona ihany akory no amafazana azy. Nafafy tamin'nv toerana efatra samihafa àrv ny voa. ka ireo voalaza ireo ny vokanv. Raha ambara fa ny tenin' Andriamanitra ny voa afafv. ary ny mpitory no mpamafy. ny olona mandray ny tenv no tanv amafazana. dia hita miharihaiy fa tsy mitovy velively nv fandraisan'ny olona izav hafafy aminy. Tsy ny voa no tsy mitovy. tsy miankina amin'nv mpamafy fa miankina amin'ny tany amafazana ! Tsy mampitovy nv vokatra ny toe-tsain'nv mpihaino, ny faharesen-dahatra ao aminy, nv tenv samy manana ny tianv (jereo Asa 17, 32- 34). Ny fampianaran'nv Tompo anefa dia mampitovy ny olona eo anatrehan'Andriamanitra izany hoe tianv raha mandrav nv tenin'Andriamanitra avokoa ny olona rehetra. Marobe ny sakana tsy ahazoan'nv olona mandray ny tenin'Andriamanitra mba haniry sy hitera-boka-tsoa eo amin'ny fìainany: ny asan'i satana; ny fiahiana loatra ny fìainana sy ny maro hafa koa. Sakana tsy ananantsika finoana izany, sady misakana ny famonjena tsy hisitrahantsika.

Fanontaniana:
Inona ny fomba ahaizanao mihaino ny tenin' Andriamanitra ka hitera-bokatra eo amin'ny fiainanao izany?


samedi 10 février 2018

Sabotsy 10 Febroary 2018 - Kol 3 : 16 - 17

16Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo, ka hifampianatra sy hifananatra amim-pahendrena tanteraka ianareo; noho ny fahasoavana manenika anareo, dia mihirà amin'ny fonareo tokoa ho an'Andriamanitra ka mikaloa salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina3.16 Ampit Ef 5.19-20.. 17Ary ny zavatra rehetra, lazainareo na ataonareo, dia tontosao avokoa amin'ny anaran'i Jesoa Tompo ka isaory an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany.

Ny tenin'Andriamanitra ao anaty

Raha miteny i Paoly hoe "aoka ny tenin'Andriamanitra hitoetra betsaka ao aminareo ". Izany hoe: tokony ho fanananareo ary honina ao anatinareo ny tenin' Andriamanitra, ary ampiasaina amin' izay mahasoa anareo. Tsy manome didy na iza na iza izy amin'izany satria tsy misy mihitsy eto ny hoe: tsy maintsy mameno ny ao anatinareo amin'ny tenin'Andriamanitra ianareo. Na izany aza, tsy mamela amin'izao koa anefa izy ka manao hoe: tsy mampaninona na dia tsy misy tenin'Andriamanitra aza ao aminareo. Misy fandresen-dahatra mafonja mihitsy ny teniny: aoka nv tenin'Andriamanitra hitoetra betsaka aminareo. Fomba fiaina mahamendrika ny kristiana ny mihetsika sy miasa ary miteny araka ny Tenin'Andriamanitra. Ny tenin'Andriamanitra mitoetra ao anatin'ny mpino dia tsy mamela ny azy hifampijerv maso na hifampitazana fotsinv, na amin'ny soa na amin'ny ratsy. Raha misy hadisoana na fihoaram-pefy dia mitarika ny olona hifananatra sy hifampianatra ny Tenin'Andriamanitra; raha misy zava- mahafaly dia mitarika ny olona hidera nv Tompo izv. Ny fitoeran'ny tenin'Andriamanitra ao anaty, no ananan'ny mpino fahononan-tena, ka ahalalany ny tokony hatao sy ny tokony hofadiana, sady mahatonga ny olona tsy hihevi-tena ho zavatra fa ahay hanetrv tena kosa arv hiantehitra sy hatokv an'Andriamanitra. Izay itoeran'nv tenin' Andriamanitra no itoeran'ny Fanahy, ary izay itoeran'ny Fanahy no misy ny Tenin'Andriamanitra. Raha mitoetra ao amintsika ny Tenin'Andriamanitra, dia monina ao i Jesoa. satria Izy no tenin' Andriamanitra tonga nofo.

Fanontaniana.
Inona no zavatra betsaka tian'ny olona ananana?

vendredi 9 février 2018

Zoma 09 Febroary 2018 - Jao 10 : 22 - 30

22Ririnina ny andro tamin'izay ary notontosaina tao Jerosalema ny fankalazana ny Fitokanana. 23I Jesoa dia nitsangantsangana tao an-kianjan'ny tempoly, teo amin'ny lala-mitafon'i Salômôna. 24Koa nitangoronan'ny Jiosy Izy nanontaniany hoe:
–Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao tokoa no ilay Mesia, mba lazao mazava aminay!

25Dia hoy i Jesoa taminy:
–Efa nilaza taminareo Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy, 26nefa ianareo tsy mino satria tsy mba isan'ny ondriko. 27Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy. 28Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. 29Ny Raiko Izay nanolotra azy tamiko dia lehibe noho ny rehetra, ka tsy misy olona maharombaka azy eo an-tanan'ny Ray10.29 Ny Raiko Izay nanolotra... eo an-tanan'ny Ray: misy stf sasany ahitana hoe Izay nomen'ny Raiko Ahy dia lehibe noho izao rehetra izao; ary tsy misy olona maharombaka zavatra eo an-tanan'ny Ray. . 30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Izay te hahafantatra an'i Jesoa Kristy

1- Taomina hino nv teninv
Misv fanirina mafy te hahafantatra marina an'i Jesoa ho Ilay Kristy eto. Tokony ho fantatry nv Jiosy ny momba izany Mesia, na Kristy izany. Voalaza fa tsv vao izao ihanv akory no nanontany izany ireto Jiosy ireto, ary tsy vao izao koa i Jesoa no namalv izany nefa mbola misisika manontany hatrany izv ireo. Raha ny zava-bitan'i Jesoa mantsy no jerena dia te hanaiky Azv ho Kristv izv ireo ; saingy ny fahalalany an'i Jesoa ho zanak'i Josefa sy i Maria Azy no mibahana ao am-pony. Raha vao manana fìheverana manokana an'i Jesoa isika. fa tsy mifototra amin'ny fanambaran'ny Soratra Masina dia tsv ahalala marina an'i Jesoa ho Kristy. Fahalalana ivelany no mety hananatsika. Koa esory ny fíheverana sy fahalalana an'i Jesoa araka nv fíjerin'olombelona. raha te ahalala marina an'i Jesoa ho Kristy isika.

2- Ilazany ny fiombonany amin'ny Rav
Ambaran'i Jesoa Kristv koa fa irav ihanv Izy sy ny Ray (and 30). Tsy zakan'nv Jiosy velively anefa izanv, ka nahatonga azy ireo nankahala an'i Jesoa. Io maha iray an'i Jesoa sy ny Rav io no maha Andriamanitra Azy, ary izany no mampiavaka ny finoana kristiana amin'ny fivavahana hafa. Fototra iorenan'ny finoana kristiana nv fínoana an'i Jesoa ho Tompo sv Andriamanitra. Ny finoana an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy, araka ny fanekena nataontsika fony noraisina ho Mpandray, dia milaza fa Andriamanitra Izy amintsika. Koa esory ny fisalasalana, aoka tsv ho tahaka ireto Jiosy ireto ny kristiana mitondra ny anaran'i Kristy.

Fanontaniana:


Afaka miteny ve ny olona hoe iray amin'Andriamanitra ?

jeudi 8 février 2018

Alakamisy 08 Febroary 2018 - Jer 11 : 1 - 5

1Izao no hafatra avy amin'ny TOMPO nampitondraina an'i Jeremià:
2–Hajaonareo ny tenin'ity fanekempihavanana ity! Hitenenanao kosa, ry Jeremià, ny olon'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema 3ka hilazanao hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Voaozona ny olona izay tsy manaja ny tenin'ity fanekempihavanana ity, 4izay nandidiako ny razanareo. Fony izy navoakako avy tany Ejipta, avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, no nilazako hoe: Henoy ny feoko, ka araho izay rehetra andidiako anareo; dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo. 5Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin'ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny.»

Dia novaliako hoe:
–Eny tokoa, ry TOMPO.

Izay tsy manaiky ny tenin'Andriamanitra

1- Ho voaozona
Rehefa niantso an' i Abrahama Andriamanitra dia nanao fanekena taminy (Gen 17, 7-14) ary nitohy tamin'ny taranany rehetra izany fanekena izany ka nipàka hatramin'i Jesoa Kristy Ilay Fanekena Vaovao. Raha fintinina ny Fanekena nataon'ny Tompo dia izao : Izy Tompo ho Andriamanitry ny olona anaovany fanekena ; ary ireo anaovanv fanekena kosa ho vahoakany. Hitahy ny olona sy hiaro arv hanao izay hahatomombana nv fiainan'ny olona amin'ny lafinv rehetra Andriamanitra, fa ny olona kosa dia hanompo Azy, hivavaka Aminy, tsy hanana Andriamanitra afatsy Izy. Efa natao ary ny fanekena ka ny olona izav mivadi-panekana no atao hoe ho voaozona eto. Mila mitandrina isika ka ny fanekena ny tenin' Andriamanitra no hahatonga antsika ho ao anatin' izany.

2- Tsv handova nv tanv kanana
Ny fankatoavana an'Andriamanitra sy fanarahana ny teniny no anisan'ny voizín'ny Soratra Masina fa antoka hisitrahana ny tany nomena ny vahoakan'Andriamanitra. Azo hamarinina ao anatin'ny tantararn-pirenen'ny Israely izany. fa raha vao te hivadika amin'ny fanekena ny Israely. na tsy mankato. dia tonga ny fahavalo te handroaka azy eo amin'ny tany, na haka ny tany Kanana. Izay mankato no hisitraka ny tany sy handova ny tany (Jer 11, 5). Marina ara-bakiteny izany amin'ny fanomezana antsika ny tanindrazantsika; kanefa tsarovy fa tsy hisitraka ny Kanana vaovao nomanin'i Jesoa ho antsika isika raha tsy manana ny fanahin'ny fenkatoavana. Ny fepetra handovàna « nv tanv » dia tsotra ihany: mankato ny tenin'Andi'iamanitra sy mitoetra ao amin'ny tànekena. Fanontanianev.
Ahoana ny fanatanterahana ny faneken'Andriamanitra?

mercredi 7 février 2018

Alarobia 07 Febroary 2018 - I Tes 2 : 13 - 16

13Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an'Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra notorînay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin'Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino. 14Ianareo, ry havana, dia efa tahaka ny kristianina ao amin'ireo Fiangonan'Andriamanitra any Jodea, izay tafaray amin'i Kristy Jesoa; izay nanjo anareo tamin'ny nafitsoky ny mpiray firenena aminareo no nanjo azy ireo koa tamin'ny nafitsoky ny Jiosy2.14 Jereo Asa 17.5-6.. 15Namono nahafaty an'i Jesoa Tompo sy ny mpaminany ry zareo Jiosy sady nanenjika anay2.15 Jereo Asa 9.23-29; 13.45, 50; 14.2, 5, 19; 17.5, 13; 18.2.; ka tsy mahazo sitraka amin'Andriamanitra ireo sady fahavalon'ny olona rehetra. 16Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin'ny hafa firenena ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran'ny fahotana vitan'ny Jiosy, kanjo, tamin'ny farany, dia niharan'ny fahatezeran'Andriamanitra ireo.

Ny tenin'Andriamanitra torina

1- Aza raisina ho tenin'olona fotsiny
« Rehefa nandray ny tenin 'Andriamanitra izay notorinay ianareo dia tsy noraisinareo ho tenin'olona... » Noho ny asan'ny Fanahy Masina dia tonga Andriamanitra miteny ny olona mitoriteny. Nahoana moa isika FJKM no nanao fandaminana, ka ny mpitoriteny dia tsy maintsy nandalo ao amin'ny sekoly manomana ho mpitoriteny aloha, na miomana ho Mpitandrina? Tsy ny fandaharan-teny rehetra, na izay manonona teny avy amin'ny Soratra Masina dia mitoriteny. Tsy izay mahay mandaha-teny na irony antsoina amin'ny teny hafahafa hoe : « malama vava » dia ekena hitoriteny avokoa. Ny toriteny na dia teny ambaran'ny olona aza dia tenin' Andriamanitra mitondra fìnoana, tsy maintsy miainga amin'ny Soratra Masina ary manazava Soratra Masina. Koa raha tsy mitandrina isika dia mety hivaona izany, ary hitera-doza ho an'ny Fiangonana. Tokony hotsaroana àry fa tsy kabary tsara lahatra mahate hihaino fotsiny ny toriteny.

2- Tenin'Andriamanitra mampiorina ny finoan'nv olona
Hoy i Paoly apostoly ao amin'ny Rom 10.17: "ny finoana dia avy amin'ny toriteny ary ny toriteny dia avy amin'ny tenin'i Kristy'. Koa nv tenv torina, na ny tenin'Andriamanitra henoina dia tsv zavatra mandalo fotsiny amin'ny olona fa misy akony ao aminy, miteraka finoana, faharesen-dahatra, fahavononana hanao asa ho fanompoana ny Tompo amin'ny nahim-po. Ankoatra izany dia tsy tokony hoadinoina fa mahery sy mahitsy ary mavesatra tokoa any tenin' Andriamanitra fa tsy tonga hanafosal'o ny olona fotsiny akory (jereo Jer 23, 29/Heb 4, 12)
Fanontaniana:
Efa voatsindron'ny tenin'Andriamanitra ve ianao?

mardi 6 février 2018

Talata 06 Febroary - Isa 51 : 4 - 8

4«Mandrenesa tsara ianareo vahoakako, hoy ny Tompo,
ary atongilano amiko ny sofinareo, ry fireneko.
Satria Izaho no hamoaka ny lalàna;
ary ny fitsarana ataoko dia hampitoeriko
ho fanazavana ny firenen-kafa
5Efa akaiky ny fanafahako,
efa hiseho ny famonjeko;
ary ny fahefàko no hitsara ny firenen-kafa.
Koa ny mponina any amin'ny nosy any
dia hanantena Ahy sy hiantehitra amin'ny fahefàko.
6Atopazo eny an-danitra ny masonareo,
dia jereo koa ny tany etỳ ambany:
ny lanitra ho levona toy ny setroka
ary ny tany ho rotidrotika toy ny lamba,
ka ho faty toy ny lalitra ny mponina eo aminy;
fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay
ary ny fanafahako tsy mba ho rava.

7Mihainoa Ahy ianareo izay mandala ny rariny,
ianareo vahoaka mitana am-po ny lalànako;
aza matahotra izay fanaratsian'ny olona
na milefitra amin'ny fanalam-baràka ataony,
8satria ho toy ny lamba lanin'ny kalalao ireny
sy ho tahaka ny volonondry lanin'ny fositra;
fa ny fanafahako kosa haharitra mandrakizay
ary ny famonjeko ho amin'ny taonjato mifandimby.»

Ny lalàn'Andriamanitra

Ny lalàna ao amin'ny Testamenta Taloha dia tsv enti-milaza didy aman-dalàna fotsiny, fa ny sitrapon' Andriamanitra. Raha ny momba ny lalàna voasoratra aza dia enti-milaza ny Soratra Masina amin'ny ankapobeny izany, ka niteraka ny hoe lalàn'i Mosesy, izay ny fizarana voaloliany ao amin'ny testamenta taloha. Koa andeha hotsorina hoe ny lalàn'Andriamanitra dia ny Tenin'Andriamanitra sy ny sitrapony. Natao hamonjena ny olony ny lalàna. Raha ny fihevitry ny olona ny lalàna amin'ny ankapobeny dia natao hangejana sy hamoretana fotsiny, na dia mety hisy aza izay mihevitra azy ho ambonin'ny lalàna. Raha misy olona voaheloka, na tena nanao ilay heloka voalaza izy na tsia, satria mety hisy olona voaendrikendrika fotsiny, rehefa avoakan'ny mpanao lalàny ny valim-pitsarana dia voaheloka ilay olona. Hafa noho izany fiheverana izany no aroson'ny Tompo eto, satria natao hamonjena ny olona indrindra ny lalàna. Izao no voalaza: « Hisy lalàna hivoaka avy Amiko arv ny fltsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana nv fìrenena, akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko. » Tsy mpamaly ny olona araka ny nataony ihany Andriamanitra, fa Tompo manomana famonjena ho an'ny olony Izy, amin'ny alalan'ny lalàna hitondrany ny vahoaka. Mavesa-danja ary mitondra fiainana ny Tenin'Andriamanitra, na ny lalàna, fa tsy mangeja. Mpitaiza antsika ho amin'i Kristy aza ny lalàna (Gal 3. 24). Koa ampitoero ao am-pontsika i Jesoa Kristy, satria Izy no faran'ny lalàna (Rom 10. 4). Aza atao fahazarana fotsiny ny fivavahana Aminy fa fiainana ho anao izany.

Fanontaniana.
Ahoana ny fahazoanao ilay hoe isika tsy eo arnbany lalàna fa eo ambany fahasoavana?

lundi 5 février 2018

Alatsinainy 05 Febroary 2018 - Jao 12 : 44 - 50

44I Jesoa kosa niantso mafy hoe:
–Izay mino Ahy, dia tsy Izaho ihany no inoany fa Ilay naniraka Ahy; 45ary izay mahita Ahy, dia mahita Ilay naniraka Ahy. 46Izaho, ilay fahazavana, dia tonga amin'izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ao anatin'ny haizina izay rehetra mino Ahy. 47Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina ireny, dia tsy manameloka azy Aho; satria tsy hanameloka an'izao tontolo izao no nahatongavako, fa hamonjy an'izao tontolo izao. 48Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay manameloka azy: ny teny izay nambarako ihany no hanameloka azy amin'ny andro farany; 49satria tsy avy amin'ny tenako no nanaovako fanambaràna, fa ny Ray Izay naniraka Ahy no nandidy izay holazaiko sy hambarako. 50Fantatro fa ny didin'ny Ray no mitondra fiaina-maharitra mandrakizay. Koa ireo zavatra nambarako dia nambarako araka ny voalazan'ny Ray tamiko.

Ny olona miaina ao anaty fahazavana

1- Mino an'Andriamanitra
Miroborobo ny fiangonana samihafa. Maro amin' izy ireny no mitompo teny fantatra fa tena manana ny fahamarinana sy manana an'Andriamanitra. ary atobak'Andriamanitra aminy sy ho an'izay manaraka azy ny fiadanana sy ny vola aman- karena. Amin'ny teny hafà dia hoe: mihevi-tena ho hany "mahafantatra ny tena fahazavana izv ireny. Vokatr'izany dia roboka nv olona. Tokony hataontsika an-tsaina anefa fa nv teninAndriamanitra dia tena làlana hananan'nv olona sv hahafahan'ny olona miaina izanv fahazavana izany. lo tenin'Andriamanitra io no mitondra mazava. ary isika Protestanta dia manome toerana lehibe ny tenin' Andriamanitra. Hov i Jesoa: izay mino Ahv dia hahita nv Rav ary hiaina ao anaty fahazavana satria ny Rav no fahazavana (jereo 1 Jao 1. 5). Koa minoa ny Tompo, fa izay mino Azy dia handray ny teniny hitondra mazava ho amin'ny fiainanv.

2- Mitandrina ny tenin'nv Tompo
Voalaza eto nv hoe raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina dia ho voatsara. Fantatry ny olona izany tontolon'ny fitsarana izany. Eto dia habaribary amintsika izany fitsarana izany mba hiheverana ny atao amin'ny maha kristiana antsika. Raha misy olona tokony hisitraka ny fahafahana sy fahazavana omanin'ny Tompo ho an'ny mpanara-dia Azy dia isika kristiana. Tsy lokony hisalasalana ny amin'izany izany isika, kanefà tsy mandeha ho azy izany, satria tsy rehefa manana anarana kristiana dia hanana fahazavana sy fahafahana amin'izao. Tsia, fa ireo izay mankato sy mitandrina ny tenin'Andriamanitra ihany.

Fanontaniana.
Ahoana no atao hiainana ao amin'ny fahazavana?

samedi 3 février 2018

Sabotsy 03 Febroary 2018 - I Pet 3 : 8 - 12

8Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa3.9 Ampit Mt 5.44., satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10Fa izao no tenin'ny Soratra Masina:

«Izay te hankamamy fiainana
sy te hahita andro soa,
aoka izy hitsaha-miteny ratsy
ary hitsaha-milaza fitaka;
11aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa,
aoka hitady fihavanana tsy an-kiato;
12satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina
sy mihaino ny fitarainany,
fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy3.12 and 10-12: Sal 34.13-17, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»


Mizara roa ny olona rehetra

1- Ireo izav hasoavin'ny Tompo
Inoana fa zavatra katsahin'ny maro izany hoe ho lava andro iainana izanv. Mariky ny fitahiana izanv ! Tsy tonga ho azy amin'izao anefa izany, araka ny ambaran'i Petera eto fa misy fepetra tsy maintsy atao hahazoana azy. Misy ve ny fahavononan'ny olona, ny mpino na ny kristiana hikatsaka izany amin'nv alalan'ny fanarahana ny tari- dàlana avy amin'ny Tompo'? Izany no hanavahana ny olona mba hisitraka ny fahasoavan'ny Tompo. dia ireo jereny raha misy manjo ary henoiny raha mangata-javatra Aminy. Mandray fahasoavana manokana avy amin' Andriamanitra ity sokajin'olona ity. Ny mpino mifikitra sy mametraka ny fiainany amin'ny Tompo izanv.

2- Ireo izay tezerany
Tsv vaovao amin'nv olona velively, indrindra ho an'ny nv mpino kristiana, izany fitarihana azy hisitraka ny fanasoavan'ny Tompo izanv. Matetika anefa dia fanaon'ny olona ny tsy miraharaha izay re sy ambara aminy satria ny olona dia tonga amin'ny izay lazain'i isaia mpaminanv manao hoe mijerv ihany izy fa tsy mahita arv mihaino ihanv izy fa tsy mandre. Ampahafantarina antsika anefa fa isan'ireo izay tezeran' Andriamanitra ny olona manao izay fa tsy mba hasoaviny. Nv anton'nv nilazan'Andriamanitra izay zavatra izany eto dia tiany raha mba isan'nv hisitraka ny fahasoavany ny mpanara-dia Azy. Mbola manome fotoana ho anao hanapahanao hevitra amin'ny fíronana manaraka Azy ary izao teny izao ka tsy isan'izay hotezerany ianao.

Fgnontaniana:
Ahoana ny hahatonga ny olona hohasoavin'ny Tompo'?

vendredi 2 février 2018

Zoma 02 Febroary 2018 - Lio 11 : 27 - 28

27Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray teo afovoan'ny vahoaka nanandra-peo nanao taminy hoe:
–Sambatra izay reny nitondra Anao tao an-kibony sy nampinono Anao!

28Fa hoy i Jesoa:
–Vao mainka sambatra aza ireo mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina azy!

Ny tena fahasambarana

1- Hasambarana tsv araka izav hiheveran'nv maro azv
Tenin'ilay vehivavy iray nahita ny asa nataon'i Jesoa Kristy ity. Niloa-bava izy, ka toy ny niteny fa raha izy no niteraka an'i Jesoa dia ho sambatra indrindra. Heverina anefa fa hasambarana an'olon-tokana izany ; hasambaran'ny reny nahavita nitaiza sy nanabe zanaka, ka nahatonga azy hanan-daza eo amin'ny tany ama-monina. Izany no hasambarana heverin'ny ray aman- dreny sasany. Nofínofy anefa ny azy satria tsy zanaka naterany tsinona io Jesoa Kristy io. Koa tsy araka izay hevitra handraisan'ny olona azy, na izay zavatra isitrahana mahafalifaly ny saina no atao hoe hasambarana.

2- Hasambarana araka izay ambaran'ny Tomno
Rehefa ren'i Jesoa Kristy ny hetahetan'ity vehivevy ity dia manome vahaolana Izy. Ny fomba ahitana hasambarana ho an'ny rehetra. tsy ho an'olon-tokana. dia nomen'i Jesoa Kristy. Ny tena hasambarana dia ny mihaino ny Tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany. Hasambarana tsy mandalo na miserana fotsiny fa tena maharitra, ary azon'ny olona rehetra isitrahana. Koa raha te ho sambatra kokoa ianao, aza atao mandalo aminao fotsiny, na natao ho fahafinaretan' ny sofina ny mihaino sy miaina amin'ny tenin'Andriamanitra. Ao anatin'izany ny famakiana sy Soratra Masina. Ho tsapanao fa ho loharanom-pahasambarana ho anao tokoa izany.

Fanontaniana:
Moa manaiky ny lojikam-pahasambarana lazain'i Jesoa Kristy ve ianao?

jeudi 1 février 2018

Alakamisy 01 Febroary 2018 - Deo 21 : 18 - 21

18Mety hisy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra, ka tsy mihaino ny tenin'ny ray aman-dreniny sady tsy zakany anarina. 19Hosamborin'ireo ray aman-dreniny izy ka hoentiny amin'ny fitsarana eo anoloan'ny loholon'ny tanàna onenany; 20ary hiteny amin'ny loholona izy mivady hoe: «Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny teninay fa mpandany sy mpimamo.» 21Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo; ary handre izany ny Israelita rehetra ka hatahotra.

Andraikitra lehibe ny fitaizana zanaka

1- Tsv maintsy ataon'ny ray aman-dreny izany
Sarotra ny fìtaizana sy fanabeazana taranaka ankehitriny. Eo nv fahasarotam-piainana sy nv rotoroto andavanandro izay manery ny mpianakavy tsy hifànkahita. Etsy an-kilan' izany, tsapa fa tena mihatanora ny salan-taonan'ny olona miditra amin'ny sehatry ny fanambadiana ka tsv matotra ary tsy afaka hiatrika ny adidy amin'ny maha rav aman-dreny. Miara- miaiky isika fa sarotra ny fitaizana. Izany anefa tsy mamela ny ray aman-dreny hialangalana, na hiala andraikitra satria adidy masina ny maha ray aman-dreny. Tsy maintsy mitady fomba hamahana olana ny ray aman-dreny, anisan'izany ny fitaizana ny zanaka mba hihaino ny Tenin'Andriamanitra.

2- Manampv amin'nv fanabeazana ny fiaraha-monina
Hita eto fa manana andraikitra miara manabe ny taranaka amin'nv ray aman-dreny ny fìarahamonina, raha tsy hiresaka afatsy ny haino aman-jery isan-karazany sy ny tambazotram- pifandraisana, "face book" fotsiny aza isika. Ekena fa tsy mitovy ny sehatra hiainantsika izao sy tamin'izay niainan'ny Israelita azy fahiny; nela tsapa fa misy zavatra mamono ny taranaka ihanv ankehitriny, na dia tsy mamono mivantana tahaka ny tamin'izany aza. Ilaina ihany nv mifehy ny tontolom-panabeazana any amin'ny fiarahamonina satria mety mamono sy manimba ny zanaka beazina ihany izy ireny. Ny Fiangonana, amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra dia fiasana sy mpiara-miasa amin'ny Tompo mba hanarenana ny fitaizana sy fanabeazana tahaka izany !

Fanontanìana:
Ahoana ny fomba tsara hanabeazana ny zanaka ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12