lundi 30 avril 2012

Alatsinainy 30 Aprily 2012 - Rom 12 : 14 - 21


14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. 15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. 16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo] 17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra. 18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. 19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35). 20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22). 21 Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.

dimanche 29 avril 2012

Alahady 29 Aprily 2012 - Mat 5 : 21 - 26


21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. 22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] 23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, 24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. 25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao. 26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

samedi 28 avril 2012

Sabotsy 28 Aprily 2012 - 1 Sam 16 : 1 - 5


1  Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny zanany Aho. 2 Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren'i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho. 3 Ary antsoy Jese mba ho any amin'ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao. 4 Ary Samoela nanao izay nolazain'i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao? 5 Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra.

vendredi 27 avril 2012

Zoma 27 Aprily 2012 - I Pet 4 : 7 - 11


7 Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana. 8 Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12) 9 Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona. 10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra. 11 Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,

jeudi 26 avril 2012

Alakamisy 26 Aprily 2012 - Heb 11 : 27 - 31


27 Finoana no nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy. 28 Finoana no nitandremany* ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa. [* Na: nanendreny] 29 Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman'ny Egyptiana, ka dia voatelina izy. 30 Finoana no nampirodana ny màndan'i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana. 31 Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin'ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy.

mercredi 25 avril 2012

Alarobia 25 Aprily 2012 - II Tim 2 : 22 - 25


22 Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio. 23 Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. 24 Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, 25 mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,

mardi 24 avril 2012

Talata 24 Aprily 2012 - Mat 5 : 1 - 9


1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. 2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe: 3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. 5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11). 6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. 7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. 8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, 9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.

lundi 23 avril 2012

Alatsinainy 23 Aprily 2012 : Oha 17 : 10 - 20


10 Ny anatra dia manan-kery kokoa amin'ny hendry Noho ny kapoka injato amin'ny adala. 11 Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy. 12 Aleo mifanena amin'ny bera very anaka Toy izay amin'ny adala feno hadalana. 13 Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony. 14 Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra. 15 Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina,Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah. 16 Hatao inona re ity vola an-tànan'ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy. 17 Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho* ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.[Heb. ateraka] 18 Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany. 19 Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana. 20 Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin'ny loza.

dimanche 22 avril 2012

Alahady 22 Aprily 2012 : File 8 - 21


8 Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho, 9 nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy* sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [* Na: ambasadôra] 10 Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy*, [* Onesimosy = Mahasoa] 11 ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho; 12 izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko; 13 saiky nohazoniko taty amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara; 14 nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.  15 Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, 16 tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo. 17 Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy. 18 Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany; 19 izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao. 20 Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy. 21 Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.

samedi 21 avril 2012

Sabotsy 21 Aprily 2012 - Sal 37 : 27 - 40


27 Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao. 28 Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana, 29 Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay 30 Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny. 31 Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany. 32 Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy. 33 Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy. 34 Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao. 35 Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy; 36 Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy. 37 Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany* ho an'ny olona tia fihavanana*. [*Na: taranaka][**Na: Fa fiadanana no faran'izany olona izany] 38 Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra. 39 Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy. 40 Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.

vendredi 20 avril 2012

Zoma 20 Aprily 2012 - Kol 1 : 15 - 23


15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; 16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy et? ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana*, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; [* Gr. seza fiandrianana] 17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.
18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana*; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [* Gr. eklesia] 19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra, 20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny et? ambonin'ny tany, na ny any an-danitra. 21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny 22 tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany, 23 raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.

jeudi 19 avril 2012

Alakamisy 19 Aprily 2012 - Jak 3 : 13 - 18


13 Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena. 14 Fa raha misy fialonana mirehitra* sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. [* Gr. mangidy] 15 Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny et? an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia. 16 Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra. 17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana* na mihatsaravelatsihy. [* Na: miangatra] 18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana*. [* Na: Izay mampandroso ny fihavanana no mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fihavanana]

mercredi 18 avril 2012

Alarobia 18 Aprily 2012 - Sal 34 : 11 - 22


11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo. 12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, 13 Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. 14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. 15 Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. 16 Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy. 17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. 18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. 19 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany. 20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. 21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. 22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

mardi 17 avril 2012

Talata 17 Aprily 2012 - Mar 16 : 9 - 13


9 Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy 10 Ary Maria nandeha ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany 11 Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany 12 Ary taorian'izany Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha 13 Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin'ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa

lundi 16 avril 2012

Alatsinainy 16 Aprily 2012 - Gal 2 : 1 - 10


1 Ary nony afaka efatra ambin'ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa. 2 Ary niakatra araka ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin'ny jentilisa, nefa nangingina ihany tamin'izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana. 3 Kanefa na dia Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza izy, 4 dia noho ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin'i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika; 5 fa tsy nety nikoy ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran'ny fahamarinan'ny filazantsara aminareo. 6 Fa ny amin'ny olona atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona), izaho tsy nomen'ireo manan-daza ireo saina na tamin'inona na tamin'inona. 7 Fa hafa kosa no nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an'ny tsy voafora aho, tahaka an'i Petera ho an'ny voafora 8 (fa Izay niasa ho an'i Petera hah'Apostoly azy ho an'ny voafora no niasa ho ahy koa ho an'ny jentilisa), 9 ary nony fantatr'i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana ankavanan'ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin'ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin'ny voafora. 10 Izao ihany no tiany, dia ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.

vendredi 13 avril 2012

Zoma 13 Aprily 2012 - II Pet 3 : 14 - 18


14 Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana. 15 Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, 16 tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. 17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo; 18 fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena

jeudi 12 avril 2012

Alakamisy 12 Aprily 2012 - Rom 5 : 6 - 11


6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy fanahy. 7 Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa. 8 Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. 9 Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin'ny ràny isika. 10 Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina. 11 Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.

mercredi 11 avril 2012

Alarobia 11 Aprily 2012 - Rom 11 : 13 - 24


13 Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako, 14 raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko*, mba hamonjeko ny sasany aminy. [* Gr. ny nofoko] 15 Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana* amin'ny maty ny fandraisana azy? [* Gr. fiainana] 16 Ary koa, raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany. 17 Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky* ny hazo oliva [* Na: (fakany sy ny menaky)] 18 dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao. 19 Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy. 20 Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora; 21 fa raha ny tena sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao. 22 Koa indro ny fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao. 23 Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon'Andriamanitra atsofoka indray izy. 24 Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy.

mardi 10 avril 2012

Talata 10 Aprily 2012 - Eze 37 : 1 - 14


1 Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho. 2 Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo. 3 Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. 4 Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah! 5 Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; 6 ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 7 Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. 8 Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. 9 Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. 10 Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa. 11 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. 12 Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely; 13 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo. 14 Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah

lundi 9 avril 2012

Alatsinainy 09 Aprily 2012 - Heb 12 : 14 - 17


14 Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. 15 Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro; 16 fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava. 17 Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.

dimanche 8 avril 2012

Alahady 08 Aprily 2012 - Heb 12 : 14 - 17


14 Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. 15 Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro; 16 fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava. 17 Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.

samedi 7 avril 2012

Sabotsy 07 Aprily 2012 - Isa 53 : 4 - 6


4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika*; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb. fanaintainantsika] 5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana* nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana] 6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.

vendredi 6 avril 2012

Zoma 06 Aprily 2012 - Mar 15 : 1 - 15


1 Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin*'ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato.[*Na: dia] 2 Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao. 3 Ary ny lohan'ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro. 4 Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! izao hamaroan'ny zavatra iampangany Anao izao! 5 Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato. 6 Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin'ny vahoaka. 7 Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin'ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin'ny fikomiana. 8 Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy. 9 Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny Mpanjakan'ny Jiosy no halefako ho anareo? 10 Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona Azy. 11 Fa ny lohan'ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan'i Pilato ho azy. 12 Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin'ilay ataonareo hoe: Mpanjakan'ny Jiosy? 13 Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! 14 Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! 15 Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin'ny vahoaka, ka dia nandefa an'i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina*, dia natolony azy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.[*Izahao Mat. 27.36]

jeudi 5 avril 2012

Alakamisy 05 Aprily 2012 - Mar 14 : 12 - 25


12 Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska? 13 Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy. 14 Ary lazao amin'ny tompon'ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro? 15 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika. 16 Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy. 17 Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin'ny folo lahy. 18 Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy. 19 Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany? 20 Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin'ny roa ambin'ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin'ny lovia no izy. 21 Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory. 22 Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako. 23 Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan'izy rehetra izany. 24 Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin'ny fanekena*, izay alatsaka hamonjy ny maro.[*Na: fanekena vaovao] 25 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin'ny andro hisotroako izay vaovao any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

mercredi 4 avril 2012

Alarobia 04 Aprily 2012 - Nom 28 : 16 - 25


16 Ary ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany dia Paskan'i Jehovah. 17 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira. 18 Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory; 19 fa izao no atero ho fanatitra atao amin'ny afo, dia fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo). 20 ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinareo amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy iray, 21 ary ampahafolon'ny efaha no hiaraka haterinao amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry fito), 22 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo. 23 Atero ireo ho fanampin'ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva. 24 Araka izany no hanateranareo isan'andro amin'ny hafitoana, ho hanina ho an'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy. 25 Ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.

mardi 3 avril 2012

Talata 03 Aprily 2012 - Mar 11 : 1 - 11


1 Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Jesosy 2 ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin'izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento ety. 3 Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; dia havelany ho entina et? indray miaraka amin'izay izy. 4 Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan'ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy. 5 Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky? 6 Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain'i Jesosy taminy, dia navelan'ny olona handeha izy.
7 Ary nentiny teo amin'i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy. 8 Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha. 9 Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! 10 Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26). 11 Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan'ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin'izay, dia niala Izy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy ka nankany Betania.

lundi 2 avril 2012

Alatsinainy 02 Aprily 2012 - Efe 2 : 14 - 18


14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, 15 fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, 16 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. 17 Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana* taminareo izay lavitra ary fihavanana* tamin'izay akaiky koa. *[ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19] 18 Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.

dimanche 1 avril 2012

Alahady 01 April 2012 - Sal 85 : 8 - 13


8 Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo. 9 Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika. 10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. 11 Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. 12 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra. 13 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12