mardi 31 mai 2016

Talata 31 May 2016 - I Sam 10 : 9 - 13

9Raha vao nihodina i Saoly ka dify an'i Samoela, dia novan'Andriamanitra fo, ary tanteraka taminy androtrizay ihany ireo zavatra rehetra voalazan'i Samoela. 10Koa rehefa tonga tany Gibehà i Saoly sy ny mpanompony, dia indreo andiana mpaminany nifanena taminy; dia nilatsahan'ny Fanahin'Andriamanitra i Saoly, ary niara-naminany tamin'izy ireo. 11Ary izay rehetra efa nahalala azy hatramin'izay, raha nahita azy tsindrian-daona miaraka amin'ny mpaminany, dia nifampanontany hoe: «Fa inona no nanjò ity zanakalahin'i Kisy? Lasa mpaminany koa angaha i Saoly?» 12Dia hoy koa ny iray tamin'izy ireo: «Fa mba iza no rain'ireto mpaminany hafa ireto'>?» Izany no nahatonga ilay ohabolana hoe: «Mba tonga anisan'ny mpaminany koa ve i Saoly?»

13Rehefa tony tsy naminany intsony i Saoly, dia nankeo amin'ny toeram-panasinana.

lundi 30 mai 2016

Alatsinainy 30 May 2016 - II Kor 3 : 1 - 6

1Manomboka midera tena indray ve izahay amin'izany?

Sa kosa toy ny sasany izahay ka mila taratasy filazàn-tsoa momba anay ho anareo na avy aminareo? 2Ianareo mihitsy no taratasinay, taratasy voasoratra ato am-ponay ka fantatry ny olona rehetra sady vakîny. 3Miharihary fa taratasy soratanan'i Kristy* ianareo, ary nampitondraina anay; kanefa tsy taratasy voasoratra tamina ranomainty fa tamin'ny alalan'ny Fanahin'ilay Andriamanitra velona, tsy taratasy voasokitra eo amina takela-bato fa ao am-pon'olombelona.

4Milaza izany izahay satria Andriamanitra no itokianay tokoa amin'ny alalan'i Kristy. 5Izahay dia tsy mihambo hanana fahaleovana hahahevitra asa toy izany avy amin'ny tenanay; fa avy amin'Andriamanitra ny fahaleovana ananany. 6Eny, Andriamanitra no anananay fahaleovana ho mpanompon'ny Fanekempihavanana Vaovao, dia ilay Fanekempihavanana tsy miankina amin'ny lalàna* voasoratra fa amin'ny Fanahy Masina. Mahafaty manko ny lalàna voasoratra fa ny Fanahy Masina no mahavelona

dimanche 29 mai 2016

Alahady 29 May 2016 - Mat 12 : 22 - 30

22Tamin'izay dia nisy lehilahy azon'ny demony nentina teo amin'i Jesoa. Jamba sy moana ralehilahy ka nositranin'i Jesoa ary dia niteny sy nahita. 23Talanjona ny vahoaka rehetra sady vaky vava hoe:
–Tsy ity ve ny Zanak'i Davida*?

24Nony nandre izany kosa ny Farisianina*, dia niteny hoe:
–Tsy misy androahan'ilay io ny demony, afa-tsy fahefana avy amin'i Belzeboba*, filohan'ny demony!

25Fantatr'i Jesoa anefa ny eritreritr'ireo Farisianina ka hoy Izy taminy:
–Ho rava izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na koa ankohonana miady an-trano. 26Raha i Satàna no mandroaka an'i Satàna, dia miady an-trano izy samy izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany? 27Ary raha fahefana avy amin'i Belzeboba no androahako ny demony, fahefana avy amin'iza kosa no androahan'ny mpomba anareo azy? Noho izany, ny mpomba anareo ihany no hanameloka anareo. 28Raha Izaho dia ny Fanahin'Andriamanitra mihitsy no androahako ny demony ary miharihary amin'izany fa efa tonga eo aminareo ny Fanjakàn'Andriamanitra*.

29Hatao ahoana moa no fiditra an-tranon'ny olona matanjaka handroba ny fananany, raha tsy voafatotra aloha ilay olona matanjaka? Dia izay vao robaina ny ao an-tranony.

30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka'>. 31Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan'Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan'ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an'Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka. 32Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak'olona* dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin'izao fiainana izao na amin'ny fiainan-ko avy.

samedi 28 mai 2016

Sabotsy 28 May 2016 - Nom 24 : 1 - 9

1Hitan'i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano* an'ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny. 2Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra izy, 3dia nanao izao tononkalo izao:

«Teny hentitr'i Balahama, zanakalahin'i Behôra,
teny hentitry ny lehilahy matsilo fijery
4sady mandre ny tenin'Andriamanitra
no mahita izay asehon'ilay Tsitoha*,
rehefa mahazo tsindrimandry avy aminy
ka tonga mahiratra fijery.

5«Akory ny hatsàran'ny lainareo,
ry taranak'i Jakôba;
endrey ny hasoan'ny fonenanareo,
ry vahoaka Israelita!
6Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny,
mandrobona tahaka ny zaridaina amoron'ny ony,
velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera
nambolen'ny TOMPO teo amoron'ny sakeli-drano,
7mitobaka toy ny rano avy amin'ny fanovozana
ka manondraka tsara ny saha voafafy.
Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita
ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.
8Nentin'Andriamanitra niala tany Ejipta
izany vahoaka izany,
ka manan-kery tsy hay tohaina
tahaka ny an'ny omby dia.
Mandevona ny hafa firenena fahavalony izy,
ka manapatapaka ny taolany
sy mandoadoaka azy amin'ny zana-tsipîka.
9Mamita-mandry toy ny liona
na tahakan'ny bibidia masiaka izy,
koa zovy no sahy hanaitra azy?

«Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely,
ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»

vendredi 27 mai 2016

Zoma 27 May 2016 - II Pet 1 : 16 - 21

16Tsy angano tsara lahatra no narahinay, raha nampahafantatra anareo ny hery nampombana ny fiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany izahay. 17Eny, nahazo haja amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray i Jesoa, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin'Andriamanitra be voninahitra indrindra nanao hoe: «Ity no Zanako* Malalako; Izy no sitrako.» 18Renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka tamin'i Jesoa tany an-tendrombohitra masina izahay.

19Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin'ireo mpaminanin*'Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin'ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazàvan'ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo. 20Izao anefa voalohany indrindra no tsara ho fantatrareo: ny fivoaboasana ny teny faminaniana rehetra raketin'ny Soratra Masina* dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany '>; 21satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona, fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona izay nentanin'ny Fanahy Masina.

jeudi 26 mai 2016

Alakamisy 26 May 2016 - Asa 7 : 51 - 60

51Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo. 52Iza moa no mpaminany tsy nenjehin'ny razanareo? Novonoiny hatramin'ireo mpanambara ny hahatongavan'ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina. 53Nandray ny lalànan*'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny anjely ianareo, kanefa tsy nitandrina azy'>.

54Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin'ny Fitsarana ambony*, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin'i Stefàna. 55Feno Fanahy Masina kosa i Stefàna ka nibanjina ny lanitra, nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy i Jesoa teo ankavanan'Andriamanitra, 56ary niteny hoe:
–Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak'olona* mijoro eo ankavanan'Andriamanitra.

57Dia nihoraka ireo tao amin'ny Fitsarana ambony sady vao mainka nanentsin-tadîny. Ary indray niantoraka teny amin'i Stefàna izy rehetra, 58ka nitarika azy tany ivelan'ny tanàna sy nitora-bato azy. Ary ny vavolombelona dia nametra-damba teo an-tongotr'izay tovolahy antsoina hoe Saoly izay.

59Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefàna kosa niantso ny Tompo nanao hoe:
–Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko!

60Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe:
–Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!

mercredi 25 mai 2016

Alarobia 25 May 2016 - Lio 2 : 21 - 32

21Tonga ny fotoana hamorana ilay zaza nony afaka herinandro; ary natao hoe Jesoa ny anarany, araka ilay nolazain'ny anjely* talohan'ny nahatorontoronina Azy.

22Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an'i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalànan*'i Mosesy. Dia nentin'i Maria sy i Jôsefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo, 23satria voasoratra ao amin'ny lalànan'ny Tompo hoe: «Hatokana ho an'ny Tompo ny lahimatoa rehetra.» 24Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin'ny lalànan'ny Tompo ihany koa i Maria sy i Jôsefa, izany hoe fanatitra «domohina roa na voromahailala roa».
25Tao Jerosalema tamin'izay dia nisy lehilahy nantsoina hoe Simehôna; olo-marina sady tena mpivavaka izany lehilahy izany ary fatra-piandry an'Ilay ho avy hampionona ny vahoaka Israely. Nombàn'ny Fanahy Masina izy 26ary nampahalalainy fa tsy ho faty raha tsy efa mahita ilay Mesia* avy amin'ny Tompo. 27Nentin'ny Fanahy Masina hankao an-kianjan'ny tempoly* i Simehôna, raha niditra indrindra ny ray aman-drenin'i Jesoa zazakely mba hanatanteraka izay andidian'ny lalàna ny amin'ny zaza; 28dia nitrotro Azy i Simehôna sady velom-pisaorana an'Andriamanitra nanao hoe:

29–Tompo ô, alefaso amim-piadanana amin'izay
ity mpanomponao, araka ny teninao!
30Efa hitako maso manko ny famonjena avy aminao
31izay nomaninao ho an'ny firenena rehetra:
32dia fahazavana hampahalala Anao amin'ny hafa firenena
ary hanome voninahitra an'i Israely* vahoakanao.
Milaza teny faminaniana i Simehôna

mardi 24 mai 2016

Talata 24 May 2016 - Lio 4 : 14 - 22

14Nombàn'ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina tany Galilea; ary nanomboka niely tamin'ny faritany manontolo ny lazany. 15Nampianatra tany amin'ny sinagôga* Izy sady nomen'ny olona rehetra voninahitra.

16Nandeha tany Nazareta tanàna nahabe Azy i Jesoa ary tamin'ny andro sabata* dia niditra tao amin'ny sinagôga* araka ny fanaony. Nitsangana Izy hamaky ny Soratra Masina* 17ka natolotra Azy ny bokin'i Isaià mpaminany*. Novelariny ilay boky ary izao no andinin-tsoratra hitany:

18«Ato amiko ny Fanahy avy amin'ny Tompo.
Ka natokan'ny Tompo Aho hanambara
Vaovao Mahafaly* amin'ny mahantra;
nirahiny Aho hitory fanafahana amin'ny mpigadra
sy fahiratana amin'ny jamba,
hanafaka ny ampahorîna
19ary hitory taona hanehoan'ny Tompo fanambinana.»

20Rehefa nahorony ilay boky ka naveriny tamin'ny mpandraharaha, dia nipetraka i Jesoa. Nifantoka teny aminy avokoa ny mason'izay rehetra tao amin'ny sinagôga. 21Fa i Jesoa kosa niteny taminy hoe:
–Tanteraka androany amin'izao andrenesanareo azy izao izany andinin'ny Soratra Masina izany.

22Ary samy vavolombelona niaiky Azy daholo ny olona sady gaga noho ny teny soa naloaky ny vavany, ka hoy izy rehetra hoe:
–Tsy zanak'i Jôsefa ve ity?

lundi 23 mai 2016

Alatsinainy 23 May 2016 - Rom 8 : 9 - 17

9Ianareo kosa, tsy anjakan'ny maha olona mpanota ianareo fa anjakan'ny Fanahy Masina, satria efa monina ao anatinareo ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy an'i Kristy. 10Fa raha ao anatinareo kosa i Kristy, na dia ho faty aza ny vatanareo noho ny fahotana, ny Fanahy Masina no fiainanareo satria efa neken'Andriamanitra ho marina ianareo. 11Ary raha monina ao anatinareo ny Fanahin'ilay Andriamanitra nanangana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty, dia Izy nanangana an'i Jesoa ho velona avy tany amin'ny maty no hamelona koa ny vatanareo mety maty, amin'ny alalan'ilay Fanahiny monina ao anatinareo.

12Koa amin'izany, ry havana, misy adidy ananantsika, nefa tsy adidy amin'ny maha olona mpanota ka hivelomantsika araka ny maha olona mpanota. 13Satria raha velona araka ny maha olona mpanota ianareo, dia ho faty; fa raha ny Fanahy Masina no amonoanareo ny asan'ny maha olona mpanota, dia ho velona ianareo. 14Eny, izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra*. 15Satria tsy fanahy maha mpanompo no voarainareo ka hahatonga anareo hatahotra indray; fa ny Fanahy Masina maha zanak'Andriamanitra no voarainareo, ka ahafahantsika miantso an'Andriamanitra hoe: «Raiko ô!» 16Ny Fanahy Masina mihitsy no manambara amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain'Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin'i Kristy: satria raha miara-mijaly amin'i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra aminy koa

dimanche 22 mai 2016

Alahady 22 May 2016 - Isa 42 : 1 - 4

1Indro ny mpanompoko'> izay tohanako,
ilay voafidiko sady ankasitrahiko.
Napetrako tao aminy ny Fanahiko
mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an'ny firenena.
2Tsy hiantsoantso izy na hampiaka-peo
sady tsy hanao kabary eny an-dalambe.
3Tsy hotapahiny ny volotara folaka,
ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona
fa hamoaka ny lamina ara-drariny tokoa izy.
4Tsy ho reraka na ho kivy izy
mandra-panoriny ny lamina ara-drariny amin'ny tany
fa hiandry dia hiandry ny lalànany
ireo mponina any amin'ny nosy.

samedi 21 mai 2016

Sabotsy 21 may 2016 - Mpi 3 : 7 - 11

7Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO ny Israelita fa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ka nanompo ireo Bahala* sy ireo Aserà*'>. 8Dia nirehi-pahatezerana tamin'ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan'i Kosàna-Risehataîma, mpanjakan'i Mezôpôtamia; ary nandritra ny valo taona no nanompoany azy. 9Koa niantso vonjy tamin'ny TOMPO ny Israelita; ary IZY nanangana mpamonjy izay hanafaka ny Israelita, dia i Hôtniela, zanakalahin'i Kenaza izay zandrin'i Kaleba. 10Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin'ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan'i Mezôpôtamia ka resiny. 11Dia nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona; avy eo dia maty i Hôtniela, zanakalahin'i Kenaza.

vendredi 20 mai 2016

Zoma 20 May 2016 - Jao 15 : 26 - 27

26Ho tonga ilay Mpampahery anareo, dia ilay Fanahy fahamarinana Izay mivoaka avy any amin'ny Ray: Izy no hirahiko ho etỳ aminareo avy any amin'ny Ray, ary Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. 27Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara Ahy, satria miaraka amiko hatramin'ny voalohany ianareo!

jeudi 19 mai 2016

Alakamisy 19 May 2016 - Dan 4 : 1 - 15

1«Izaho Nebokadnetsara dia niadam-pinaritra tato an-dapako. 2Nanonofy zava-nampatahotra ahy aho ka nieritreritra teo am-pandriana; fa izay hitako dia nampitebiteby ahy. 3Ary nanome baiko aho mba hoentina eo anatrehako avokoa ny olon-kendrin'i Babilôna rehetra hampahafantatra ahy ny hevitry ny nofy. 4Vao niditra ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy, dia nambarako teo anatrehany ny nofiko, nefa tsy nisy afaka nampahafantatra ahy ny heviny ireo. 5Nony farany, tonga teo anatrehako i Daniela izay atao hoe Beltesatsara araka ny anaran'ny andriamanitro sady entanin'ny fanahin'ireo andriamanitra–Ireo andriamanitra masina na ilay Andriamanitra masina. Mitovy amin'izany ny and 6.'> masina; dia ny nofiko no nambarako teo anatrehany hoe: 6‹Ry Beltesatsara, filohan'ny mpanao majika, fantatro fa entanin'ny fanahin'ireo andriamanitra masina ianao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao; koa ambarao ahy ny hevitr'izao zavatra hitako tamin'ny nofy izao. 7Fa rehefa nandry teo am-parafara aho, dia izao no hitako:

Indro nisy hazo iray teo afovoan'ny tany;
ary fatratra tokoa ny haavony.
8Nitombo sy nihanatanjaka io hazo io,
ka ny haavony nahatakatra ny lanitra;
ary tazana hatrany amin'ny faran'ny tany izy.
9Tsara tarehy ny raviny ary betsaka ny voany,
sady nisy sakafo ho an'ny rehetra teo aminy.
Tao ambaniny no nialokaloka ny bibidia,
ary tao amin'ny rantsany no nitoetra ny voro-manidina.
Ary ny miaina rehetra nahazo sakafo avy aminy.

10«Fa raha mbola nandry teo am-pandriako aho, dia nisy anjely* anankiray fatra-piahy hitako nidina avy tany an-danitra*. 11Niantso mafy izy ka nanao hoe:

Kapao io hazo io, dia rantsano;
ahintsano ny raviny, ary aparitaho ny voany!
Aoka ny biby handositra lavitra azy
ary ny voro-manidina hiala amin'ny rantsany.
12Kanefa avelao ao amin'ny tany,
eo anivon'ny ahi-maitso any an-tsaha,
ny fotony sy ny fakany,
ka hodidino fehy vy sy halimo.
Aoka ho kotsan'ny ando io foto-kazo io;
ary aoka izy hihinana ahitra tahaka ny biby '>.
13Aoka ny fisainan'olombelona ao aminy
hosoloina fironam-biby;
ary aoka izy hitoetra toy izany
mandritra ny fito taona!

14«Didin'ireo anjely fatra-piahy no anaovana izany zavatra izany mba hahafantaran'ny velona fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olombelona ka manome izany ho an'izay tiany; ary mety ny olona farany ambany aza no asandrany eo.

15«Izany no nofy hitako, izaho Nebokadnetsara mpanjaka; ary ianao, ry Beltesatsara, no milazà ny heviny, fa tsy nisy afaka nampahafantatra ahy ny heviny ireo olon-kendry rehetra tao amin'ny fanjakako; fa ianao kosa no afaka manao izany satria entanin'ny fanahin'ireo andriamanitra masina.› »

mercredi 18 mai 2016

Alarobia 18 May 2016 - Joe 3 : 1 - 5

1Dia hoy ny TOMPO hoe'>:
«Rehefa afaka izany
dia handatsaka ny Fanahiko
amin'ny olombelona rehetra Aho,
ka haminany* ny zanakalahinareo
mbamin'ny zanakavavinareo,
hanonofy ny lahiantitrareo
ary hisehoam-pahitana ny tanoranareo.
2Na dia ny mpanompolahy
sy ny mpanompovavy aza
dia handatsahako ny Fanahiko
amin'izany andro izany.
3Hampiseho zava-mahagaga
eny amin'ny lanitra
sy etỳ amin'ny tany Aho,
dia ra sy afo ary setroka mitambolina.
4Ho maizina ny masoandro
ary ho mena toy ny ra ny volana
mialoha ny hiavian'ny andron'ny TOMPOjereo 1.15 sy nta.'>
izay andro lehibe sady mahatahotra.
5Ary na iza na iza hiantso
ny anaran'ny TOMPO
dia ho voavonjy'>.
Fa eo an-tendrombohitra Tsiôna* sy ao Jerosalema
dia hisy sisa afaka, araka ny voalazan'ny TOMPO.
Ary izay antsoin'ny TOMPO
dia ho isan'ny afa-mandositra.

mardi 17 mai 2016

Talata 17 Martsa 2016 - Jao 14 : 18 - 26

18Tsy hamela anareo ho kamboty Aho, fa hiverina atỳ aminareo. 19Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao*; fa ianareo no hahita Ahy satria velona Aho ary ho velona koa ianareo. 20Amin'izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ianareo ato anatiko ary Izaho ao anatinareo.

21Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin'ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy.

22Fa i Jodasy, (tsy ilay Iskariôta*), nanao tamin'i Jesoa hoe:
–Nahoana, ry Tompo, no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa?

23Dia novaliany hoe:
–Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ho tia azy ny Raiko, ary Izaho sy ny Raiko dia hankao aminy ka honina ao. 24Izay tsy tia Ahy, dia tsy mitandrina ireo teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy avy amiko fa avy amin'ny Ray Izay naniraka Ahy.

25Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. 26Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin'ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

lundi 16 mai 2016

Alatsinainy 16 Martsa 2016 - Job 27 : 1 - 12

1Mbola nanohy ny teniny ihany i Jôba ka nanao hoe:
                        2Velona Andriamanitra Izay tsy manome rariny ahy,
                          velona ilay Tsitoha Izay mameno ahy fahoriana mangidy
                         ka manao izao fianianana izao aho:
                       3raha mbola misy koa aina kely ato amiko
                         ary eo am-bavoroko ny fofonain'Andriamanitra,
                       4dia tsy hiteny fitaka ny molotro
                         ary tsy hilaza lainga ny lelako.
                       5Sanatria amiko ny hihevitra
                         fa manana ny marina ianareo!
                         Hizingiziniko mandra-pahafatiko kosa
                         fa tsy manan-tsiny ny tenako.
                       6Hazoniko mafy ny fahamarinako
                         ka tsy havelako hiala:
                         Mandry ny eritreritro
                         ka tsy misy hampahamenatra ahy akory
                         na dia ny amin'ny androko iray monja aza.

                       7Ny anjaran'ny ratsy fanahy anie
                         no ho an'ny fahavaloko!
                         Ary ny anjaran'ny olon-dratsy kosa
                         no ho an'ny mpifanandrina amiko!
                       8Fa hanantena inona ireo tsy mivavaka,
                         raha esorin'Andriamanitra ny ainy?
                      9Hihaino ny fitarainany ve Andriamanitra
                         raha sendra zoim-pahoriana izy?
                     10Raha mba nahita fahafinaretana
                         teo anilan'ilay Tsitoha izy,
                         dia ho niantso an'Andriamanitra mandrakariva.
                     11Hampiseho anareo ny asan-tanan'Andriamanitra aho,
                         ary tsy hanafina ihany koa ny hevitr'ilay Tsitoha.
                     12Satria efa tsapanareo rehetra izany,
                         koa nahoana no miteniteny foana ianareo?

dimanche 15 mai 2016

Alahady 15 May 2016 - Asa 2 : 14 - 21

14Fa nitsangana i Petera, niaraka tamin'ny apôstôly* 11 lahy, ka nanandra-peo nandahatra tamin'ny vahoaka hoe:
–Ry Jiosy mbamy ianareo rehetra tafatoetra eto Jerosalema, izao no aoka ho fantatrareo, ka henoy tsara ny teniko. 15Tsy mamo velively araka ny fieritreretanareo akory ireo olona ireo, satria vao amin'ny sivy maraina izao. 16Fa izay mitranga eto izao dia fahatanterahan'ilay voalazan'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Joela mpaminany* hoe:
                       17«Izao no ho tonga amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra:
                             Handrotsahako ny Fanahiko ny olombelona rehetra;
                             hilaza hafatra avy amiko
                            ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy,
                            hisehoam-pahitana ny tanoranareo,
                            ary hahazo tsindrimandry ny zokiolonareo.
                        18Eny, amin'izany andro izany, dia samy handrotsahako ny Fanahiko
                            ireo mpanompoko na lahy na vavy
                            ka hilaza hafatra avy amiko izy rehetra.
                        19Hampisehoako zava-mahatalanjona eny amin'ny habakabaka ambony
                            ary famantarana etỳ amin'ny tany ambany:
                            hisy ra sy afo ary zavon-tsetroka,
                        20hiova ho haizina ny masoandro
                            ary ny volana ho tonga mena tahaka ny ra
                            alohan'ny higadonan'ny andro hiavian'ny Tompo,
                            dia ilay andro lehibe sy mamirapiratra.
                        21Ary izay rehetra hiantso ny anaran'ny Tompo dia ho voavonjy!»

samedi 14 mai 2016

Sabotsy 14 May 2016 - Lio 12 : 8 - 12

8–Izao no lazaiko aminareo: na iza na iza manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'olona* koa mba hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra*! 9Fa izay mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'olona koa mba handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.

10Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.

11Raha entina hotsaraina eo amin'ny sinagôga* na eo anatrehan'ny mpitondra sy ny manampahefana ianareo, dia aza manahy ny amin'izay havalinareo na izay holazainareo; 12fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo eo no ho eo ihany izay tokony holazainareo.

vendredi 13 mai 2016

Zoma 13 May 2016 - Asa 8 : 26 - 35

26Nisy anjelin*'ny Tompo nanao tamin'i Filipo hoe:
–Ndeha ianao mianatsimo (jereo 22.6).'> ka mizora ny lalana midina avy eto Jerosalema mankany Gaza, dia ny lalana mamakivaky taniefitra.

27Dia nandeha avy hatrany i Filipo. Ary indro nisy lehilahy etiôpianina: izy io dia manamboninahitra tandapan'ny KandasyFarao iantsoana ny mpanjakan'i Ejipta.'> (mpanjakavavin'i Etiôpia) sady mpitandrina ny fananany rehetra; nivahiny tany Jerosalema ralehilahy mba hivavaka, 28ary efa mby an-dalana hody tamin'izay. Nipetraka tao amin'ny kalesiny izy ary namaky ny bokin'i Isaià mpaminany*. 29Dia hoy ny Fanahy Masina tamin'i Filipo:
–Mandrosoa ka hatòny io kalesy io.

30Nilomay nanatona i Filipo ka nandre ilay Etiôpianina namaky ny bokin'i Isaià mpaminany, ary nanontany azy hoe:
–Azonao ve ny teny vakînao?

31Dia novalian-dralehilahy hoe:
–Ahoana moa no ho azoko, raha tsy mba misy manazava?

Niangavian'ilay tandapa i Filipo mba hitaingina ny kalesiny ary hipetraka eo anilany. 32Izao kosa no andalan'ny Soratra Masina* vinakin'ilay tandapa:
«Toy ny ondry nentina hovonoina Izy,
ary toy ny zanak'ondry moana manoloana ny mpanety azy:
tsy niloa-bava akory!
33Natao tsinontsinona Izy ary tsy nahazo rariny.
Ary iza moa no hanan-kotantaraina ny amin'izay taranany?
Satria fongotra teto an-tany ny fiainany.»

34Ka hoy ilay tandapa tamin'i Filipo:
–Azafady, tompoko, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany sa olon-kafa?

35Dia niteny i Filipo ary niainga avy amin'ireo andalan-tSoratra Masina ireo no nanambara ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa. 36Nizotra ny dian'izy roa lahy, ary mby teo amin'ny toerana anankiray misy rano, ka hoy ilay tandapa:
–Inty eto misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa*?

jeudi 12 mai 2016

Alakamisy 12 May 2016 - Eks 31 : 1 - 5

1Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy:

2–Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin'i Orỳ sady zafikelin'i Hora, avy amin'ny fokon'i Joda, 3ary nofenoiko ny Fanahiko mba ho tena kinga sy marani-tsaina ka mahalala ny haitao isan-karazany: 4hainy ny manao vinavinan'asa, ny miasa volamena sy volafotsy ary halimo, 5ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa.

mercredi 11 mai 2016

Alarobia 11 May 2016 - Asa 2 : 1 - 13

1Nony tonga ny andro Pentekôsta*, dia tafangona teo amin'io efitrano io ihany ny mpino rehetra. 2Ary nisy feo avy tany an-danitra tonga tampoka tahaka ny rivo-mahery mifofofofo ka nanenika ny trano nitoerany. 3Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho tamin'ny mpivory ka nizarazara nipetraka teny ambonin'ny tsirairay avy. 4Dia feno Fanahy Masina avokoa izy rehetra ary niteny fiteny samihafa araka izay nampitenenan'ny Fanahy azy avy.

5Tamin'izay dia nisy Jiosy mpivavaka tsara, zanaka am-pielezana avy tamin'ny firenen-tsamihafa ambanin'ny lanitra, tafatoetra tao Jerosalema. 6Vao nanomboka ilay feo, dia nirohotra nanatona ny besinimaro sady sanganehana fatratra satria nandre ny mpino nampiasa ny fiteny manokana mahazatra azy mpihaino tsirairay avy.

7Talanjona sy gaga izy rehetra sady vaky vava hoe:
–Fa tsy avy any Galilea avokoa ve ireo miteny ireo? 8Ka ahoana no andrenesantsika tsirairay avy ny fiteny manokana nahabe antsika? 9Misy amintsika avy any Partia, Media, Elama ary misy mponina any Mezôpôtamia; misy mponina eto Jodea; misy koa ny any Kapadôsia, Pônto, Azia, 10Frijia sy Pamfilia; ao koa ny avy any Ejipta mbamin'ny faritanin'i Sirena any Libia; ary misy ny mpivahiny avy any Rôma; 11ao ny Jiosy, ary ao ny hafa firenena* mpanaraka ny fivavahana jiosy; mbola misy koa ny avy any Kreta sy Arabia; kanefa dia rentsika izy ireo milaza, amin'ny fitenintsika avy, ny zava-dehibe ataon'Andriamanitra?

12Talanjona sady very hevitra izy rehetra ka velon-dresaka hoe:
–Inona re no hevitr'izao?

13Ny sasany anefa naneso ka nanao hoe:
–Mamon-divay vaovao ry zareo!

mardi 10 mai 2016

Talata 10 May 2016 - Jao 14 : 15 - 17

15Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko. 16Izaho koa hangataka amin'ny Ray, ary Izy no hanome anareo Mpampionona hafa mba homba anareo mandrakizay. 17Izany Mpampionona hafa izany dia ny Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo–mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo: misy stf sasany ahitana hoe mitoetra eo anilanareo Izy sady ao anatinareo; ary misy koa ahitana hoe hitoetra eo anilanareo Izy ary ho ao anatinareo. '>.

lundi 9 mai 2016

Alatsinainy 09 May 2016 - Asa 1 : 1 - 8

1Any ianao ry Teôfily,

Ilay boky voalohany dia tohin'ny Vaovao Mahafaly araka an'i Lioka.'> dia nanoratako ny zavatra rehetra nataon'i Jesoa sy nampianariny, hatrany am-panombohany 2ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy ho any an-danitra. Talohan'ny nampiakarana Azy, dia namelany baiko tamin'ny herin'ny Fanahy Masina ireo nofidiny ho apôstôly* Misy mampitohy ny hoe tamin'ny herin'ny Fanahy Masina amin'ny hoe nampiakarana Azy (talohan'ny nampiakarana Azy tamin'ny herin'ny Fanahy Masina). '>. 3Porofo maro no nentin'i Jesoa nanambara tena fa velona Izy taorian'ny nahafatesany: niseho tamin'ny apôstôly Izy nandritra ny efapolo andro sady nidinidinika taminy momba ny Fanjakàn'Andriamanitra*.

4Ary indray andro i Jesoa dia niara-nisakafo taminy'> ka nanafatrafatra azy hoe:
–Aza miala eto Jerosalema, fa andraso ilay fanomezana nampanantenain'ny Ray, izay efa renareo tamiko. 5I Jôhany dia nanao batisa* tamin'ny rano; fa ianareo kosa, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina.

6Koa izay tafangona teo amin'i Jesoa dia nanontany Azy hoe:
–Tompo ô, izao ve no fotoana hanarenanao indray ny fanjakana ho an'i Israely?

7Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Tsy anjaranareo ny mahalala ny fotoana na ny vaninandro voatendrin'ny Ray araka ny fahefàny manokana. 8Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan'ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran'i Jodea mbamin'i Samaria ary hatrany amin'ny faran'ny tany.

dimanche 8 mai 2016

Alahady 08 May 2016 - Mpi 14 : 5 - 9

5Dia niainga hankany Timnà i Samsôna. Nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka akaikin'i Timnà izy, dia nisy liona tanora nierona nanatona azy. 6Fa nilatsaka tamin'i Samsôna ny Fanahin'ny TOMPO, ka tanam-polo no nentiny nanasamatsamaka ilay liona tanora toy ny fanasamatsamahana zanak'osy; saingy tsy nambarany tamin'ny ray aman-dreniny izany zavatra nataony izany. 7Ary nanohy ny diany i Samsôna ka nandeha nifampidinika tamin'ilay tovovavy filistinina, fa nahafinaritra azy razazavavy. 8Andro vitsivitsy tato aoriana dia niverina tao Timnà izy mba hampakatra azy. Ary nivily izy mba hijery ny fatin'ilay liona ka nahita renitantely sy tantely tao anatin'ny vondron-taolan'ilay fatin-diona. 9Dia nalainy tamin'ny tanany ny tantely ka nihinanany teny am-pandehanana. Ary nankany amin'ireo ray aman-dreniny izy, dia nanome tantely azy ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambaran-janany taminy fa tao anatin'ny vondron-taolana fatin-diona no nangalany azy.

samedi 7 mai 2016

Sabotsy 07 May 2016 - Lio 24 : 44 - 53

44Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe:
–Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan'ny Soratra Masina* momba Ahy ao amin'ny lalànan*'i Mosesy sy ny bokin'ny mpaminany* ary ny salamo.

45Tamin'izay dia nosokafan'i Jesoa ny sain'ireo mpianatra mba hahafantatra ny Soratra Masina, 46sady hoy Izy taminy:
–Izao no voalazan'ny Soratra Masina: tsy maintsy hijaly ny Mesia*, nefa tsy maintsy hitsangana velona avy any amin'ny maty, amin'ny andro fahatelo; 47ary ny anarany no tsy maintsy hotorîna hatao antso avo amin'ny firenen-drehetra miantomboka eto Jerosalema, mba hanainga ny olona hiala amin'ny toetra ratsinyjereo ny FTS amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA.'> sy handray famelan-keloka.

48Ianareo no vavolombelona hanambara izany! 49Indro hirahiko ho eo aminareo Ilay nampanantenain'ny Raiko; ianareo kosa mitoera eto an-tanàna mandra-pahahenika anareo ny hery avy any ambony.

50Dia nentin'i Jesoa ivelan'ny tanàna hatrany akaikin'i Betania ireo mpianany*, ary nasandrany ny tanany hitso-drano azy rehetra. 51Raha mbola nitsodrano Izy, dia nisaraka taminy sy nakarina ho any an-danitra. 52Ireto mpianany kosa, rehefa nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe, 53ary tsy tapaka nankalaza an'Andriamanitra tao an-kianjan'ny tempoly*.

vendredi 6 mai 2016

Zoma 06 may 2016 - Sal 47 : 1 - 9

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*. Salamo nataon'ireo terak'i Kôra.

2Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana
sy manaova hobim-pifaliana ho an'Andriamanitra;
3fa ny TOMPO no avo indrindra ka mahatahotra,
Mpanjaka lehibe amin'ny tany tontolo Izy.
4Vahoaka maro no reseny hofehezinay,
firenen-tsamy hafa no ataony manaiky anay.
5Nofidiny ny zaratany holovanay
ka izany no ireharehanay,
satria izahay taranak'i Jakôba
dia vahoaka tiany tokoa.

6Arahina hoby Andriamanitra no miakatra ao Tsiôna*.
Ombàn'ny feon'anjomara no tonga ao Izy TOMPO.
7Ankalazao Andriamanitra, ankalazao amin-tsalamo!
Ankalazao ny Mpanjakantsika, ankalazao amin-tsalamo!
8Fa Mpanjakan'ny tany tontolo Andriamanitra,
koa ankalazao amin-kira faran'izay mirindra.
9Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-drehetra
sy mitoetra amin'ny sezafiandrianany manokana.
10Ireo mpanapaka ny firenen-kafa dia nikambana
ho mpomba an'ilay Andriamanitr'i Abrahama;
ka voasandratra ambony dia ambony Andriamanitra
noho Izy mifehy ireo andriambaventin'ny tany!

jeudi 5 mai 2016

Alakamisy 05 may 2016 - Kol 3 : 1 - 4

1Natsangana ho velona niaraka tamin'i Kristy ianareo. Noho izany, katsaho ny zavatra any ambony, any amin'izay itoeran'i Kristy eo ankavanan'Andriamanitra. 2Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. 3Fa efa maty ianareo, ka ny fiainanareo dia miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra. 4I Kristy no tena fiainanareo ka rahatrizay hiseho Izy, dia hiara-miseho aminy koa ianareo sady hiray voninahitra aminy.

mercredi 4 mai 2016

Alarobia 04 May 2016 - Gen 41 : 37 - 45

37Sitraky ny Farao* sy ny mpanompony ny soso-kevitr'i Jôsefa, 38ka hoy ny Farao tamin'ireo mpanompony:
–Aiza indray isika no hahita lehilahy manana ny Fanahin'Andriamanitra tahaka ity?

39Dia hoy izy tamin'i Jôsefa:
–Satria nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy olon-kendry sy manan-tsaina toa anao. 40Koa ianao no hitantana ny fanjakako, ary ny vahoakako rehetra dia hankato ny baikonao, ka ny maha mpanjaka ahy ihany no maha ambony ahy noho ianao. 41Jereo fa efa nomeko anao ny fahefana amin'i Ejipta manontolo.

42Dia nesorin'ny Farao teny an-tanany ny peratra maha mpanjaka, ka napetrany teny an-tanan'i Jôsefa, sady nampitafiny akanjo rongony fotsy madinika izy; ary napetrany teny am-bozony ny rojo volamena. 43Nampitaingeniny teo amin'ny kalesiny faharoa izy; ary ireo mpihazakazaka nialoha azy dia niantsoantso hoe: «Mandohaleha!» Toy izany no nanomezan'ny Farao an'i Jôsefa ny fahefana tamin'i Ejipta manontolo.

44Ary hoy koa ny Farao tamin'i Jôsefa:
–Izaho ihany no Farao, kanefa tsy misy olona mahazo mihetsika eran'ny tany Ejipta manontolo, raha tsy mahazo lalana avy aminao.

45Avy eo dia nomen'ny Farao anarana hoe Tsafenata-Pahenea i Jôsefa, sady nomeny azy ho vady i Asenata zanakavavin'i Pôtifara, mpisorona tao Ona'>. Dia niainga hisafo ny tany Ejipta manontolo i Jôsefa.

mardi 3 mai 2016

Talala 03 May 2016 - I Kor 12 : 1 - 6

1Izaho kosa, ry havako, ny amin'ireo fanomezan'ny Fanahy Masina: Iriko ny hahalalanareo ireo fanomezana ireo. 2Fantatrareo fa fony mbola tsy kristianina ianareo, dia voasintona tany amin'ny sampy moa araka izay nitaomana anareo.

3Koa ampahafantariko anareo fa tsy misy olona tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra ka hiteny hanao hoe: Voaozona i Jesoa! Ary tsy misy koa afaka hilaza hoe: I Jesoa no Tompo, raha tsy tarihin'ny Fanahy Masina. 4Voazarazara ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy Masina dia iray ihany. 5Voazarazara ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. 6Voazarazara ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, loharano ipoiran'ny asa rehetra ao amin'ny olona rehetra.

lundi 2 mai 2016

Alatsinainy 02 May 2016 - Mat 10 : 16 - 20

16–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala. 17Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin'ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin'ny sinagôgany*; 18ary hoentina eo anoloan'ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan'ny Jiosy sy ny hafa firenena. 19Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo. 20Tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin'ny Fanahy Masina irahin'ilay Rainareo.

dimanche 1 mai 2016

Alahady 01 May 2016 - Gen 1 : 1 - 5

1Tamin'ny fiandohana, fony Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany'> 2dia tsy nisy endriny sady foana ny tany fa ny haizina no nandrakotra ny lalina, ary ny Fanahin'Andriamanitraazo adika koa hoe ny fofonain'Andriamanitra, na ny rivotra mahery. '> no nanomba tambonin'ny rano.

3Ary Andriamanitra niteny hoe: «Misia mazava.» Dia nisy mazava. 4Hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava, koa nosarahiny ny mazava sy ny haizina. 5Ny mazava nantsoin'Andriamanitra hoe andro, fa ny haizina kosa nantsoiny hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro voalohany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12