vendredi 28 octobre 2022

Zoma 28 Oktobra 2022 - II Tan 34 : 29 - 33

 Dia nitondra izany valinteny izany ho an’ny mpanjaka i Hilkià sy ireo namany. 29Ary nandefa iraka i Jôsià hanainga tsy an-kanavaka ny loholon’i Joda sy i Jerosalema mba ho vory. 30Dia niaraka nankao an-tranon’ny TOMPO ireo mbamin’ny lehilahy rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, izany hoe ny mpisorona sy ny levita ary ny sarambabem-bahoaka rehetra na kely na lehibe. Novakin’i Jôsià teo anatrehan’ny besinimaro ny teny rehetra tao anatin’ny bokin’ny fanekempihavanana, dia ilay boky izay hita tao an-tranon’ny TOMPO. 31Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandrina ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io. 32Avy eo dia nasainy nanome toky ny olona rehetra izay tao Jerosalema mbamin’ny Benjaminita. Izany no nahatonga ny mponin’i Jerosalema hitondra tena araka ny fanekempihavanana nataon’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny razany. 33Taorian’izay dia nofoanan’i Jôsià avokoa ny fombam-tsampy maharikoriko tamin’ny tany manontolo izay an’ny Israelita sady notereny ny mponina rehetra teo amin’i Israely mba hanompo ny TOMPO Andriamaniny. Tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôsià dia tsy mba nialan’ny olona ilay TOMPO Andriamanitry ny razany.

jeudi 27 octobre 2022

Alakamisy 27 Oktobra 2022 - Mat 5 : 21 - 26

 21–Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: «Aza mamono olona»; ary izay mamono olona dia mendrika hatolotra ny fitsarana! 22Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo. 23Koa raha manolotra ny fanatitrao amin’Andriamanitra eo amin’ny alitara ianao ary eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao iray finoana, 24dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha mihavana amin’ilay namanao; izay vao miverina manolotra ny fanatitrao.

25Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao dieny samy mbola eny an-dalana ho any amin’ny fitsarana ianareo; fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara; ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ny miaramila, ka hatao am-ponja ianao. 26Lazaiko marina aminao fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-panèfanao ny iraimbilanja farany.

mercredi 26 octobre 2022

Alarobia 26 Oktobra 2022 - I Pet 4 : 7 - 11

 7Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka. 8Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa. 9Mifampiantranoa ka aza asiana monomonona. 10Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, mova tsy mpitandrim-pananana mitantana tsara ny fanomezana maro samy hafa avy amin’Andriamanitra. 11Izay mitoriteny, aoka ho toy ny milaza ireo hafatr’Andriamanitra; izay manompo, aoka ho araka ny hery ampombain’Andriamanitra azy; ka dia amin’ny zavatra rehetra no hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, fa an’Andriamanitra ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen.

mardi 25 octobre 2022

Talata 25 Oktobra 2022 - Jos 24 : 34 - 24

 14Dia hoy ihany i Josoa hoe:

–Koa ankehitriny manajà ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO. 15Nefa raha tàhiny tsy sitrakareo ny hanompo ny TOMPO, dia fidio anio izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata na ny andriamanitry ny Amôrita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo; fa izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny TOMPO izahay.

16Dia namaly ny vahoaka nanao hoe:

–Sanatria anay ny handao ny TOMPO mba hanompo andriamani-kafa! 17Satria ny TOMPO Andriamanitsika ihany no nampakatra ny razantsika niala tamin’ny toerana fanandevozana tany Ejipta; Izy no nanao ireny famantarana lehibe fantatsika tsara ireny; Izy no niaro ny razantsika teny amin’ny lalana rehetra nalehany sy teny amin’ny firenena rehetra noteteziny. 18IZY no nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, indrindra ny Amôrita izay nonina teto amin’ity tany ity. Koa hanompo ny TOMPO ihany koa izahay fa Izy no Andriamanitray.

19Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka:

–Tsy hainareo ny hanompo ny TOMPO; fa Andriamanitra masina Izy, ka tsy hahazaka ny fahadisoanareo aman’otanareo. 20Raha mandao ny TOMPO ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hisapotina hampahory anareo Izy Tompo ka hahafongana anareo rehefa avy nasiany soa.

21Fa hoy ny vahoaka tamin’i Josoa:

–Tsia, fa ny TOMPO ihany no hotompoinay.

22Dia hoy indray i Josoa tamin’ny vahoaka:

–Ny tenanareo ihany no vavolombelona fa efa nifidy ny hanompo ny TOMPO ianareo.

Ka novalian’ny vahoaka hoe:

–Eny, vavolombelon’izany izahay!

23Dia nofaranan’i Josoa hoe:

–Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin’ny TOMPO Andriamanitr’Israely ny fonareo.

24Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe:

–Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hanka

lundi 24 octobre 2022

Alatsinainy 24 Oktobra 2022 - Apo 21 - 22 - 27

 22Tsy nahita tempoly tao amin’ilay tanàna aho, satria ny Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanakondry no tempoliny. 23Ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra ao aminy: fa ny voninahitr’Andriamanitra no efa manazava azy, ary ny Zanakondry no jiro manilo azy. 24Handeha amin’ny fahazavàn’ilay tanàna ny firenena rehetra: ary ny mpanjakan’ny tany dia hitondra ny voninahiny ho ao anatiny. 25Hisokatra tontolo andro ny vavahadin’ny tanàna, (satria tsy mba hisy alina ao aminy). 26Ny voninahitra sy ny zava-tsoan’ny firenena rehetra dia hoentina ho ao anatiny; 27ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan’ny Zanakondry.

dimanche 23 octobre 2022

Alahady 23 Oktobra 2022 - II Tan 15 : 8 - 9

 8Rehefa ren’i Asà izany teny izany na hoe ny faminanian’i Hazarià mpaminany zanakalahin’i Hôdeda, dia nihasahy izy ka nanaisotra ny sampy tamin’ny faritanin’i Joda sy i Benjamîna manontolo ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Avy eo dia nohavaoziny ny alitaran’ny TOMPO, izay teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranon’ny TOMPO. 9Nisy Israelita betsaka, avy tamin’ny foko efraîmita sy manasita ary simehônita, nifindra monina sy nanatona an’i Asà rehefa nahita fa niaraka tamin’i Asà ny TOMPO Andriamaniny. Novorîn’ny mpanjaka ireo mbamin’ny Jodeanina sy ny Benjaminita rehetra

samedi 22 octobre 2022

Sabotsy 22 Oktobra 2022 - Jos 22 : 21 - 29

 21Dia namaly ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase ka nanambara tamin’iretsy iraka israelita mpifehy arivo hoe:

22–Ny TOMPO no Andriamanitry ny andriamanitra, eny, ny TOMPO no Andriamanitry ny andriamanitra! Izy dia mahalala ary ny Israelita rehetra koa hahalala ny anton’ny nanorenanay io alitara io. Raha ho fikomiana na ho fivadihana amin’ny TOMPO izany, dia aoka tsy hovonjeny izahay anio! 23Raha tàhiny hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina na sorom-pihavanana izany, dia aoka ny TOMPO mihitsy no hanafay anay. 24Tsia, fa raha nanao izao zavatra izao izahay, dia natahotra fandao any aoriana any ny taranakareo hiteny amin’ny taranakay hoe: «Inona moa no ifandraisanareo sy ny TOMPO Andriamanitr’i Israely? 25Ny TOMPO mihitsy manko no nametraka an’i Jôrdàna ho faritra mampisaraka anay aminareo taranak’i Reobena sy taranak’i Gada, ka tsy misy anjaranareo amin’ny TOMPO!» Dia mety hampitsahatra ny taranakay tsy hanaja ny TOMPO intsony ny taranakareo. 26Izany no nahatonga anay hanapa-kevitra hanao io alitara io, saingy tsy hanaterana sorona dorana manontolo na sorona hafa; 27ho vavolombelona aminay sy aminareo ary amin’ny taranatsika mifandimby kosa io alitara io fa zonay ny hanao fanompoana eo anatrehan’ny TOMPO amin’ny fanolorana sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina ary sorom-pihavanana. Amin’izay ny taranakareo, any aoriana any, dia tsy ho afa-milaza amin’ny taranakay hoe: «Tsy misy anjaranareo amin’ny TOMPO». 28Raha sendra ka hambarany aminay na amin’ny taranakay izany rahatrizay, dia hovaliana hoe: «Jereo io alitara nataon’ny razanay io fa mitovy amin’ny alitaran’ny TOMPO; saingy tsy natao hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina izany, fa ho vavolombelona aminay sy aminareo». 29Sanatria aminay mihitsy ny hikomy amin’ny TOMPO na hiala amin’ny fanarahana AZY ankehitriny, ka hanorina alitara mba hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina na sorona hafa. Eo amin’ny alitaran’ny TOMPO Andriamanitray, dia ilay alitara manoloana ny fonena-masiny ihany, no hanoloranay ireny.

vendredi 21 octobre 2022

Zoma 21 Oktobra 2022 - Lio 2 : 36 - 38

 36Nisy koa vehivavy mpaminany natao hoe Ana, zanakavavin’i Fanoela, avy amin’ny fokon’i Asera. Tena antitra izy. Fito taona ihany no nanambadiany taorian’ny nahatovovavy azy. 37Dia nipetraka ho mpitondratena izy ary feno 84 taona izao ny andro niainany. Tsy niala tao amin’ny tempoly mihitsy izy, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina, ka nifady hanina sy nivavaka. 38Tonga koa i Ana tamin’io fotoana io ka nisaotra an’Andriamanitra ary nilazalaza momba ity zaza ity tamin’izay rehetra fatra-piandry ny hanavotan’Andriamanitra an’i Jerosalema.

jeudi 20 octobre 2022

Alakamisy 20 Oktobra 2022 - Fil 3 : 1 - 11

 1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo, sady azonareo toky tsara amin’izay. 2Tandremo ny tenanareo amin’ireo mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ireo amboa, tandremo ny tenanareo amin’ireo manan-takaitra! 3Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana, dia isika manompo an’Andriamanitra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin’i Kristy Jesoa fa tsy mitoky amin’ny fombafomban’olombelona. 4Kanefa mba manana izay ahafahako mitoky amin’ny fombafomban’olombelona ihany aho; ka raha misy olon-kafa mihevitra azy ho afa-mitoky amin’ny fombafomban’olombelona, mainka fa izaho. 5Voafora fony teraka herinandro aho; taranak’i Israely; avy amin’ny fokon’i Benjamîna; hebreo ray, hebreo reny; ny amin’ny fitandroana ny lalàna jiosy, dia Farisianina aho; 6nafana fo tokoa aho tamin’ny maha Farisianina ahy, ka nanenjika ny Fiangonana; ny amin’ny maha olo-marina mpanara-dalàna, dia tsy misy hokianina aho. 7Kanefa ireo zavatra izay noheveriko ho tombony ho ahy ireo dia ataoko ho tsinontsinona kosa ankehitriny noho ny amin’i Kristy. 8Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin’ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin’i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an’i Kristy 9ary mba hahatafaray ahy aminy. Tsy manana fahamarinana avy amin’ny fanarahan-dalàna aho; fa ny finoana niainan’i Kristy no ahazoako fahamarinana, dia ilay fahamarinana avy amin’Andriamanitra ka miorina amin’ny finoana. 10Ny hany iriko dia ny hahalalako an’i Kristy, ka hahatsapako ny herin’ny fitsanganany ho velona sy hiombonako fijaliana aminy ary hanahafako Azy amin’ny fahafatesany; 11koa manantena aho amin’izany fa hahatratra ny zava-kendrena, dia ny hitsanganan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty.

mercredi 19 octobre 2022

Alarobia 19 Oktobra 2022 - Mal 3 : 13 - 24

 13Hoy ny TOMPO hoe: «Mafy loatra ny teny amelezanareo Ahy; nefa manontany ianareo hoe: ‹Inona no resaka nifanaovanay hamelezana Anao?› 14Izao no nolazainareo: ‹Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra. Efa nitandrina izay nasainy notandremana izahay ary efa nisaona araka ny fomba fanao teo anatrehan’ny TOMPOn’izao rehetra izao, nefa tsy nisy soa azonay akory. 15Ankehitriny dia ny mpirehaka no tokony hataonay hoe sambatra ary ny olon-dratsy no tokony hataonay hoe ambinina. Eny, fa na dia maka fanahy an’Andriamanitra aza ireo, dia afaka hatrany!› »

16Toy izany no nifampiresahan’ireo manaja ny TOMPO. Dia nihaino tsara ny TOMPO ka nandre izany. Nisy firaketana an-tsoratra teo anatrehan’ny TOMPO an’ireo manaja Azy sy mankamamy ny anarany. 17Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe:

–Amin’ny andro izay hotendreko dia ho raki-tsoa fananako ireo olona ireo. Ary hitsimbina azy Aho toy ny fitsimbin-dray ny zanany izay manompo azy. 18Ka dia ho hitanareo indray ny fahasamihafan’ny olo-marina sy ny olon-dratsy, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. 19Fa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao: Indro avy ilay andro ka mandoro tahaka ny fatana mivaivay. Amin’io andro io ny mpirehaka sy ny mpanao ratsy dia hodorana avokoa toy ny vodivary, ka tsy hisy miangana na ny fakany na ny sampany. 20Fa ho an’izay manaja ny anarako, dia izao no teniko: hiseho ny famonjeko toy ny masoandro miposaka manana fanasitranana ao amin’ny tànany. Ho afaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mivoaka ny vala. 21Amin’io andro izay hotendreko io, dia hohitsakitsahinareo ny olon-dratsy ka ho toy ny vovoka eo ambany faladianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.»

22«Tsarovy ny lalànan’i Mosesy mpanompoko, dia ny didy amam-pitsipika izay nomeko azy tao Hôreba ho an’ny Israelita rehetra.

23«Fa alohan’ny hiavian’ny andron’ny TOMPO, ilay andro lehibe sady mahatahotra, dia haniraka an’i Elià mpaminany ho aminareo Aho. 24Izy no hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanany ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy; amin’izay Aho dia tsy ho avy hamely ny tany amin’ny fandringanana.»

mardi 18 octobre 2022

Alatsinainy 24 Oktobra 2022 - Apo 21 - 22 - 27

 22Tsy nahita tempoly tao amin’ilay tanàna aho, satria ny Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanakondry no tempoliny. 23Ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra ao aminy: fa ny voninahitr’Andriamanitra no efa manazava azy, ary ny Zanakondry no jiro manilo azy. 24Handeha amin’ny fahazavàn’ilay tanàna ny firenena rehetra: ary ny mpanjakan’ny tany dia hitondra ny voninahiny ho ao anatiny. 25Hisokatra tontolo andro ny vavahadin’ny tanàna, (satria tsy mba hisy alina ao aminy). 26Ny voninahitra sy ny zava-tsoan’ny firenena rehetra dia hoentina ho ao anatiny; 27ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan’ny Zanakondry.

Talata 18 Oktobra 2022 - Asa 17 : 16 - 31

 16Raha mbola niandry an’i Silasy sy i Timôty tao Atena i Paoly, dia niontana ny fony tamin’izy nahita ity tanàna feno sampy. 17Koa tao amin’ny sinagôga i Paoly no nifanakalo hevitra tamin’ny Jiosy sy ny mpanaja an’Andriamanitra, ary teny an-kianja isan’andro tamin’ny olona sendra teo. 18Nisy koa filôzôfy epikorianina sy stôisianina nifanakalo hevitra taminy, ka hoy ny sasany hoe:

–Inona no tian’ity mpirediredy holazaina?

Ny sasany kosa, nony nandre an’i Paoly nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa sy ny fitsanganan’ny maty, dia niteny hoe:

–Toa andriamanitra vahiny no torîny!

19Dia nentin’izy rehetra i Paoly ka notarihiny hankeo amin’ny antenimiera Areôpazy sady nilazany hoe:

–Moa azonay fantarina ve izao fampianarana vaovao resahinao izao? 20Zavatra hafahafa manko izao renay aminao izao, ka tianay ho fantatra izay mety ho hevitr’izany. ( 21Fa ny Atenianina rehetra mbamin’ny vahiny niara-nonina taminy moa dia nandany andro fotsiny hilaza na hihaino izay zava-baovao farany).

22Dia nijoro teo afovoan’ny Areôpazy i Paoly ka nanao hoe:

–Ry Atenianina, hitako fa amin’ny lafin-javatra rehetra dia olona fatra-pivavaka ianareo. 23Raha nitsangantsangana eran’ny tanàna aho, ka nijerijery ireo toeram-pivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: «Ho an’ilay Andriamanitra tsy fantatra.» Ka izany tsy fantatrareo izany, kanefa ivavahanareo, no ambarako aminareo. 24Ilay Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanan’olombelona. 25Tsy hoe orin-javatra Andriamanitra ka tompoin’olombelona, satria Izy ihany no manome ny aina sy ny fofon’aina mbamin’ny zavatra rehetra ho an’ny olombelona tsy an-kanavaka. 26Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany. 27Nataon’Andriamanitra izany mba hahazoan’ny olombelona mitady Azy, sao izy ireo mba mety maminavina Azy sy mifandray aminy; fa Andriamanitra dia tsy lavitra antsika tsirairay avy, 28satria

«Ao aminy no ivelomantsika sy ihetsiketsehantsika

ary isiantsika.»

Izany indrindra koa no nilazan’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe:

«Avy amin’Andriamanitra no ipoirantsika.»

29Koa satria avy amin’Andriamanitra no ipoirantsika, dia tsy tokony hoheverintsika fa Andriamanitra dia mitovy endrika amin’ny sampy volamena na volafotsy na vato, sary sokitra vokatry ny fahaizana amam-pisaintsainan’olombelona. 30Kanefa ninian’Andriamanitra tsy jerena intsony ireo andro tsy nahalalana Azy, fa antsoiny hiala amin’ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra, na aiza na aiza. 31Nisy manko andro anankiray natao hitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny lehilahy anankiray efa voatendriny; ary ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty no nataony porofon’izany ho an’ny olona rehetra!

lundi 17 octobre 2022

Alatsinainy 17 Oktobra 2022 - Deo 6 : 10 - 19

 10Rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homeny anareo, 11dia hahita tanàna lehibe sady tsara izay tsy ianareo no nanorina azy, sy lavaka famorian-drano izay tsy ianareo no nandavaka azy, ary saham-boaloboka aman’ôliva izay tsy ianareo no namboly azy; ka hihinana sy hivoky ianareo. 12Amin’izay, dia tandremonareo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Izay nampiala anareo tany Ejipta, toera-nanandevozana anareo. 13Ilay TOMPO Andriamanitrareo ihany no hohajainareo, Izy no hotompoinareo, ary ny anarany no aoka hianiananareo. 14Aza manaraka andriamani-kafa amin’ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo ireny, 15satria Andriamanitra saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Azy ilay TOMPO Andriamanitrareo Izay eo afovoanareo. Koa tandremo fandrao hirehitra aminareo ny fahatezeran’ilay TOMPO Andriamanitrareo ka hofongorany tsy ho eto ambonin’ny tany ianareo. 16Aza maka fanahy ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, tahaka ny nataonareo tany Masà. 17Tandremo tsara ny didy sy baiko aman-dalàna izay efa nampitain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo. 18Tanteraho izay mahitsy sady tsara eo imason’ny TOMPO mba ho sambatra ianareo sy hiditra hahazo ny tany soa izay tamim-pianianana no nampanantenan’ny TOMPO azy ny razambenareo; 19ary dia horoahinareo lavitra anareo avokoa ny fahavalonareo, araka izay voalazan’ny TOMPO.

dimanche 16 octobre 2022

Alahady 16 Oktobra 2022 - Rom 7 : 5 - 13

 5Fa fony isika niaina araka ny naha olona mpanota antsika, dia ny filàn’ny fahotana, izay nohetsehin’ny lalàna, no niasa tao amin’ireo zavatra anisan’ny tenantsika, mba hahavokarantsika asa mahatonga fahafatesana. 6Ankehitriny kosa dia afaka amin’ny lalàna isika, fa maty tamin’izay namehezana antsika; hany ka fomba vaovao araka ny Fanahy Masina no anompoantsika an’Andriamanitra fa tsy fomba tranainy araka ny lalàna voasoratra.

7Inona àry no holazaintsika? Fahotana ve ny lalàna? Sanatria izany! Nefa tsy ho nahafantatra ny fahotana aho raha tsy tamin’ny alalan’ny lalàna. Ohatra: tsy ho nahafantatra ny fitsiriritana aho, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: «Aza mitsiriritra.» 8Saingy nohararaotin’ny fahotana ny didy hampihetsika ny fitsiriritana rehetra ato amiko, fa maty ny fahotana raha tsy misy lalàna. 9Taloha, fony tsy mbola nisy ny lalàna, dia velona aho; fa nony tonga ny didy, dia ny fahotana no velona, 10fa izaho kosa maty; hany ka ny didy izay natao hahazoana fiainana no tonga nahazoako fahafatesana, 11satria nohararaotin’ny fahotana ny didy hamitahana ahy sy hamonoana ahy.

12Noho izany, dia masina ny lalàna; masina koa ny didy, ary ara-drariny sady tsara. 13Koa ny zavatra tsara àry ve izany no nahatonga fahafatesana ho ahy? Sanatria! Fa ny fahotana, mba hihariharian’ny maha fahotana azy, no nahafaty ahy tamin’ny alalan’ny zavatra tsara; hany ka ny fahotana dia hita ho tena fahotana hiringiriny, amin’ny alalan’ny didy.

samedi 15 octobre 2022

Sabotsy 15 Oktobra 2022 - Jer 31 : 21 - 25

 21Manangàna mari-dalana ho anao

ka asio orim-bato eny amoron-dalana;

hevero ny lalana efa nodiavinao,

dia ny lalana efa narahinao,

ka miverena, ry Israely malala,

miverena amin’ireo tanànanao.

22Mandra-pahoviana ianao

no mbola hiriorio etsy sy eroa,

ry zanakavavy mpikomy?

Fa ny TOMPO efa namorona

zava-baovao eto an-tany:

ny vehivavy indray no

manenji-dehilahy.

Fanarenana sy fanekempihavanana vaovao

23Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Rehefa hanova ny anjaran’ity tanin’i Joda sy ireto tanànany Aho, dia hotononina indray ny fiteny hoe:

‹Hitahy anao anie ny TOMPO

ry Tsiôna tendrombohitra masina,

fonenan’ny famonjena!›

24«Amin’izay ny olona tambanivohitra sy an-tanàn-dehibe ao Joda dia hiara-monina eo amin’ny tany, isan’izany ireo tantsaha sy ireo mpiompy mifindrafindra lasy miaraka amin’ny biby fiompiny. 25Fa hampahereziko ireo efa reraka, ary homeko izay ilainy ireo rehetra efa trotraka. ( 26Izany no hilazana hoe: ‹Nony nifoha aho, dia hitako fa nahasoa ahy ny torimasoko.›)

vendredi 14 octobre 2022

Zoma 14 Oktobra 2022 - Jao 12 : 37 - 43

 37Na dia betsaka aza ny famantarana nataony teo anatrehan-dry zareo, dia tsy ninoan’ireo Izy; 38hany ka tanteraka ny tenin’i Isaià mpaminany hoe:

«Tompo ô, iza no nino ny hafatra nambaranay?

Ary iza no nampisehoana ny herin’ny Tompo?»

39Ny tsy nahazoan’izy ireo nino, dia satria hoy indray i Isaià:

40«Andriamanitra efa nanajamba ny mason’ireo

sy nanamafy ny fony;

hany ka ny masony tsy hahita,

ny fony tsy hahafantatra,

ary tsy hiverina amiko ireo mba hositraniko,

hoy Andriamanitra.»

41I Isaià no nilaza izany, dia satria nahita mialoha ny voninahitra hananan’i Jesoa izy sy niteny momba Azy.

42Kanefa i Jesoa dia ninoan’olona maro ihany na tamin’ireo manampahefana jiosy aza; saingy noho ny Farisianina dia tsy nanaiky ho mpiandany amin’i Jesoa izy ireo, fandrao voaroaka hiala amin’ny sinagôga: 43satria tiany kokoa ny voninahitra avy amin’ny olombelona noho ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.

jeudi 13 octobre 2022

Alakamisy 13 Oktobra 2022 - II Kor 4 : 1 - 6

 1Izahay no manana izany fanompoana izany, dia noho ny indrafon’Andriamanitra taminay; koa tsy mety ketraka izahay. 2Efa nolavinay ny asa miafina mahamenatra, ka tsy manao zavatra amin-kafetsena izahay sady tsy manatsatso ny tenin’Andriamanitra; fa asehonay mazava tsara ny marina, ka eo imason’Andriamanitra dia tonga mendrika hitokian’ny fieritreretan’ny olona rehetra izahay. 3Fa raha saronan-javatra ny Vaovao Mahafaly torînay, dia saronan-javatra amin’izay ho very. 4Tsy mino izy ireo, satria ny sainy efa nohajambain’i Satàna zanahary tompoin’izao tontolo izao; hany ka voasakana izy ireo tsy hahita ny fahazavàn’ny Vaovao Mahafaly momba ny voninahitr’i Kristy, ilay tena endrik’Andriamanitra. 5Tsy ny tenanay manko no ambaranay rehefa mitoriteny izahay, fa i Jesoa Kristy Tompo; izahay kosa dia milaza ny tenanay ho mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa. 6Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: «Aoka ny mazava hamirapiratra avy ao anaty haizina», no nampamirapiratra ny mazava ao am-ponay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay hita eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy.

mercredi 12 octobre 2022

Alarobia 12 Oktobra 2022 - Lio 14 : 25 - 35

 25Nisy vahoaka marobe niara-dia tamin’i Jesoa. Dia nitodika niatrika azy ireo i Jesoa ka nanao hoe:

26–Raha misy manatona Ahy, aoka ho tia Ahy mihoatra noho ny ray aman-dreniny sy ny vady aman-janany mbamin’ny mpiray tampo aminy, ary mihoatra noho ny tenany aza; fa raha tsy izany, tsy afaka ho mpianatro. 27Izay tsy mizaka ny hazofijaliany ary tsy miaraka amiko, dia tsy afaka ho mpianatro.

28Raha misy aminareo te hanorina tilikambo, dia hipetraka izy aloha hitetika tsara izay ho lany, hahitany raha misy vola hanefana izany. 29Sao vita manko ny fototra vao tsy afa-manohy, ka holatsain’ny mpitazana rehetra 30hoe: «Mba nanomboka nanorina rangahy io, nefa tsy nahatody!»

31Ary raha misy mpanjaka handeha hanafika mpanjaka hafa, dia hipetraka izy aloha handinika tsara, hahitany raha azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hifanandrina amin’ny fahavalony manana miaramila roa alina. 32Raha tsy azony atao manko, dieny mbola lavitra ilay fahavalo, dia handefasany iraka hanao raharaham-pihavanana.

33Ary nofaranan’i Jesoa hoe:

–Dia toy izany koa àry, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy afaka ho mpianatro!

Ny sira tonga matsatso

(Jereo Mt 5.13; Mk 9.50)

34–Zavatra tsara ny sira; kanefa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no hanome hasina azy? 35Fa sady tsy mahasoa tany no tsy mahasoa zezika intsony ka dia ariam-potsiny. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

mardi 11 octobre 2022

Talata 11 Oktobra 2022 - Deo 13 : 7 - 12

 7Mety misy aminareo hotaomin’ny mpiray tampo na zanaka na vady na sakaiza tsy foy, ka hataony hoe: «Andeha isika hanompo andriamani-kafa!» Tsy fantatrareo na ny razambenareo ireny andriamani-kafa ireny, 8dia ny andriamanitry ny firenena manodidina anareo, na ny akaiky na ny lavitra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny. 9Koa aza manaiky na mihaino ny havana aman-tsakaiza toy ireny ianareo. Ary aza mba angorahana izy na amindrana fo na arovana, 10fa vonoy ho faty mihitsy; ny tanan’izay olona notaominy no hiainga voalohany hamely torabato azy, vao ny tanan’ny vahoaka rehetra. 11Torahy vato izy ho faty, satria efa nitady hitaona anareo hiala amin’ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo. 12Ary handre izany ny Israelita rehetra, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony.

13Mety anankiray amin’ny tanàna nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo honenanareo, no holazaina hoe: 14«Nisy olona tena ratsy fanahy mpiray firenena aminareo ka nahataona ny mponina tao an-tanànany hanompo andriamani-kafa!». Tsy fantatrareo ireny andriamani-kafa ireny; ka raha misy filazana toy izany,

lundi 10 octobre 2022

Alatsinainy 10 Oktobra 2022 - Isa 43 : 14 - 21

 14Izao no lazain’ny TOMPO mpanavotra anareo,

dia ilay Masin’i Israely:

«Noho ny fitiavako anareo

dia haniraka olona hankany Babilôna Aho,

mba hamaha ny hidy rehetra.

15Izaho no TOMPO, ilay Masinareo,

Mpahary an’i Israely sady mpanjakanareo.»


16Izao no lazain’ny TOMPO,

ilay nanokatra lalana tany an-dranomasina

sy nitari-dalana teo anivon’ny rano manonja,

17Ilay nampamoaka ny kalesy sy ny soavaly

ary ny miaramila sy ny andian-tafika mahery,

dia indray lavo ireo ka tsy tafarina intsony,

sempotra ka maty toy ny lahin-jiro milofika;

eny, izao no lazain’ny TOMPO ankehitriny:

18«Aza tsaroanareo intsony

ny zava-niseho voalohany,

aza itodihana intsony ny lasa.

19Fa hanao zavatra vaovao Aho;

ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany,

ka ho hainareo fantarina tokoa.

Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho

sady hampandriaka ony an-tany karakaina.

20Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia

mbamin’ny amboahaolo sy ny vorombe,

satria manisy rano any an-taniefitra Aho

sy nampandriaka ony an-tany karakaina

mba hampisotroako ny vahoaka nofidiko,

21dia ilay vahoaka noforoniko ho Ahy

ka hitantara ny antony hiderany Ahy.»

lundi 3 octobre 2022

Alakamisy 03 Novambra 2022 - Rom 15 : 7 : 12

 7Koa mifandraisa tsara ianareo, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra. 8Fa izao no ambarako aminareo: Tonga mpanompon’ny Jiosy i Kristy mba hahatanteraka ny fampanantenana natao tamin’ny razan’izy ireo ka anehoana fa azo antoka Andriamanitra. 9Ary izany koa dia mba hahazoan’ny hafa firenena manome voninahitra an’Andriamanitra noho ny famindrampony, araka izay voalazan’ny Soratra Masina hoe:


«Izany no hiderako Anao any amin’ny hafa firenena

sy hihirako ho voninahitry ny anaranao.»

10Ary hoy indray ny Soratra Masina hoe:

«Miaraha miravo amin’ny vahoakan’ny Tompo,

ry hafa firenena!»

11Ary koa hoe: «Derao ny Tompo, ry firenena rehetra;

ankalazao Izy, ry vahoaka rehetra!»

12Ary hoy indray i Isaià hoe:

«Ho avy ilay solofon’i Jisay,

dia ilay hitsangana hifehy ny firenena:

Izy no hitokian’ireo firenena!»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12