lundi 31 juillet 2017

Alatsinainy 31 Jolay 2017 - Efe 6 : 14 - 20

14Koa mamahara tsara hatrany ianareo: ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra; 15ny fahavononan-kitory ny Vaovao Mahafaly* mampihavana no ataovy toy ny kiraro eny an-tongotrareo; 16tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipîka mirehitra rehetra alefan'ilay Ratsy*; 17raiso ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha, ary raiso ny tenin'Andriamanitra ho toy ny sabatra omen'ny Fanahy Masina#6.17 Loharanon'ny and 14-17: and 14: ampit Is 11.5; 59.17. –and 15: ampit Is 52.7 –and 16: ilay Ratsy dia manondro ny devoly (Mt 6.13; Jôh 17.15). –and 17: ampit Is 59.17; 49.2.. 18Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian'Andriamanitra amin'izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan'ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin'io tanjona io, ary dia mivavaha ho an'ny vahoakan'Andriamanitra* rehetra. 19Mivavaha ho ahy koa mba homen'Andriamanitra ny teny hotononiko rehefa hiloa-bava aho, ka dia ho sahy hampahafantatra ny tsiambaratelo raketin'ny Vaovao Mahafaly. 20Iraka mitondra izany Vaovao Mahafaly izany aho, na dia migadra aza ankehitriny; koa mivavaha ho ahy mba hilazako izany amim-pahasahiana, araka ny tokony hoteneniko.

dimanche 30 juillet 2017

Alahady 30 Jolay 2017 - Eze 2 : 1 - 3

1Ary hoy ilay feo tamiko: «Ry ilay taranak'olombelona#2.1 Ry ilay taranak'olombelona: ao amin'ny bokin'i Ezekiela dia fiteny matetika izany mba hilazana ny elanelana misy eo amin'Andriamanitra sy ny mpaminany izay tsy inona fa olona manam-petra mety maty ihany., mitsangàna ianao fa hiteny aminao Aho.» 2Fa raha mbola niteny izany ilay feo, dia niditra tao amiko ny Fanahin'Andriamanitra ka nampitsangana ahy; dia nihaino Ilay niteny tamiko aho, 3ary nilazany hoe: «Ry ilay taranak'olombelona, maniraka anao Aho ho any amin'ireo Israelita, dia ireo andia-mpikomy izay efa nikomy tamiko; fa tahaka ireo razany ihany izy, ka tsy nitsahatra namadika Ahy.

samedi 29 juillet 2017

Sabotsy 29 Jolay 2017 - Mar 16 : 14 - 20

14Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan'i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona. 15Dia hoy koa i Jesoa taminy:
–Mandehana eran'izao tontolo izao, torio amin'ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly*#16.15 Ampit Asa 1.8.. 16Izay hino ka hatao batisa*, dia ho voavonjy; fa izay tsy hino, dia hohelohina. 17Ary ireto no famantarana homba izay mino: handroaka demony* amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny vaovao; 18handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin'ny marary, dia ho sitrana ireny.

19Ary i Jesoa Tompo, rehefa avy niteny tamin'ny 11 lahy toy izany, dia nakarina any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra#16.19 Ampit Asa 1.9-11.. 20Ireo mpianany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly hatraiza haraiza; ary ny Tompo dia niara-niasa taminy sy nanome hery ny teny notorîny tamin'ny alalan'ny famantarana nampombany azy.]

vendredi 28 juillet 2017

Zoma 28 Jolay 2017 - Asa 14 : 1 - 10

1Tao Ikôniôma dia niditra tao amin'ny sinagôga* fivavahan'ny Jiosy ihany koa i Paoly sy i Barnabà; ary fatratra ny teny nataon'izy roa lahy, ka marobe ny Jiosy mbamin'ny hafa firenena* no tonga mpino. 2Fa ny Jiosy izay tsy nety nino kosa nitaona sy nanome fo ny mpanompo sampy hanohitra ny havana iray finoana. 3Nijanona elaela tao Ikôniôma i Paoly sy i Barnabà ary niteny tamim-pahasahiana satria ny Tompo no nitokiany. Io Tompo io no manome porofo hahamarina ny teny torîna momba ny fahasoavany ka nampanao azy roa lahy famantarana* sy zava-mahagaga. 4Dia nisara-tsaina ny olona marobe tao an-tanàna: tao ireo niandany tamin'ny Jiosy, ary tao ireo niandany tamin'ny apôstôly*. 5Efa nivonombonona terỳ ny mpanompo sampy sy ny Jiosy mbamin'ny lehibeny hanala baràka an'i Paoly sy i Barnabà ary hamono azy amin'ny tora-bato. 6Vao nahatsikaritra izany izy roa lahy, dia lasa nandositra tany Listra sy Derba, tanàna any Likaônia, ary tany amin'ny faritra manodidina. 7Dia naharitra nitory ny Vaovao Mahafaly* tany izy roa lahy.

8Tao Listra dia nisy lehilahy izay nitalapetraka foana satria malemy tongotra, kilemaina hatrany an-kibon-dreniny ka tsy mbola namindra hatrizay niainany. 9Nihaino an'i Paoly nandaha-teny ralehilahy. Nibanjina azy i Paoly ka nahita fa manam-pinoana ny ho sitrana izy. 10Dia nitenenany mafy izy nataony hoe:

–Mitsangàna ka mijoroa mahitsy amin'ny tongotrao!
Niantsambotra ralehilahy ary dia namindra.

jeudi 27 juillet 2017

Alakamisy 27 Jolay 2017 - Eks 4 : 19 - 23

19Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy tao Midiana#4.19 Midiana: Jereo 2.15 sy nta. hoe:
–Ndeha tokoa miverina any Ejipta ianao satria efa maty ireo olona nifofo ny ainao.

20Koa nalain'i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin'ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain'Andriamanitra nentiny. 21Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan'ny Farao* ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy. 22Dia ambarao amin'ny Farao hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO: Zanako lahimatoa ny vahoaka Israely. 23Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa#4.23 Jereo 12.29..»

mercredi 26 juillet 2017

Alarobia 26 Jolay 2017 - Mat 24 : 1 - 14

1Dia niala teo an-kianjan'ny tempoly* i Jesoa ka lasa nandeha; fa nanatona Azy kosa ny mpianany* hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly*. 2Ary niteny i Jesoa nanao tamin'ny mpianany hoe:
–Hitanareo moa ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana!

3Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Analanôliva i Jesoa; dia nanatona Azy manokana ireo mpianany* ka nanao hoe:
–Lazao aminay izay fotoana hahatongavan'izany ary izay hamantarana ny fiavianao sy ny fiafaran'izao tontolo izao.

4Fa novalian'i Jesoa hoe:
–Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo. 5Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: «Izaho no ilay Mesia*»; ary maro ny olona ho voafitany. 6Handre ady sy filazana ady ianareo, koa fadio izay hatahotra; eny, tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no farany. 7Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny toerana samihafa. 8Izany rehetra izany no toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.

9Amin'izany andro izany, dia hatolotry ny olona ianareo hampijalîna sy hovonoina; ary ho halan'ny firenen-drehetra ianareo, satria miandany amiko. 10Amin'izany andro izany koa, dia maro ny olona ho voatarika amin'ny ratsy ka hifampiampanga sy hifankahala. 11Betsaka ireo mpisandoka ho mpaminany* no hijoro, ka hamitaka olona maro. 12Ary dia hihanaka tokoa ny ratsy ka hihamangatsiaka ny fitiavana an'Andriamanitra ao am-pon'ny maro; 13Kanefa izay maharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 14Ary dia hatao antso avo eran'izao tontolo izao ity Vaovao Mahafaly* momba ny Fanjakàn'Andriamanitra* ity, mba ho vavolombelona amin'ny firenen-drehetra; izay vao ho tonga ny farany.

mardi 25 juillet 2017

Talata 25 Jolay 2017 - Fil 1 : 12 - 18

12Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly*; 13ka ny ato an-dapa manontolo sy ny olon-kafa rehetra dia samy mahalala fa voafonja noho ny amin'i Kristy aho#1.13 Ampit Asa 28.30; Ef 3.1; 4.1.. 14Nony nahita ahy voafonja ny ankamaroan'ireo havana iray finoana, dia vao mainka nataon'ny Tompo feno fahatokiana ka mihasahisahy kokoa mitory ny tenin'Andriamanitra#1.14 tenin'Andriamanitra: tsy ahitana ny hoe n'Andriamanitra ny stf sasany. tsy amin-tahotra.

15Eny, fialonana ahy sy fitia te hifanditra no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa hitsim-po kosa no manentana ny sasany. 16Ireto dia asesiky ny fitiavana, satria fantany fa voatendrin'Andriamanitra hampandresy lahatra ny Vaovao Mahafaly aho; 17irerỳ kosa asesiky ny fifampiandaniana, ka tsy manambara an'i Kristy amin-kitsim-po, fa mihevitra hanampy trotraka ny fijaliako amin'izao maha voafonja ahy izao.

18Kanefa mampaninona moa izany? Amin'ny atao rehetra, na asesiky ny fihatsarambelatsihy na asesiky ny hevitra mahitsy, dia i Kristy no torîna, ka ifaliako izany; eny, hifaliako hatrany izany

lundi 24 juillet 2017

Alatsinainy 24 Jolay 2017 - Lio 8 : 38 - 39

38Niangavy tamin'i Jesoa kosa ralehilahy nialan'ny demony mba hiaraka aminy, fa nampodîny nataony hoe:

39–Modia any an-tranonao, ka tantarao ny zava-dehibe nataon'Andriamanitra taminao.
Dia lasa ralehilahy nitory teny eran'ny tanàna ny zava-dehibe nataon'i Jesoa taminy.

dimanche 23 juillet 2017

Alahady 23 Jolay 2017 - Mal 3 : 1 - 7

1Ka hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo: «Indro Aho handefa ny irako mba hanamboatra lalana#3.1 Jereo Is 40.3 sy Mt 11.10. eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny*. Ho tonga hitondra ny fanekempihavanako* ilay iraka izay irinareo; indro avy tokoa Izy!» 2Nefa zovy no hahatanty ny andro hiaviany? Ary zovy koa no hahajoro rehefa hiseho Izy? Fa ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ho tahaka ny savonin'ny mpanasa lamba Izy. 3Hipetraka toa handrendrika sy hanadio volafotsy izy. Eny, tahaka ny fanadio ny volamena sy volafotsy no hanadiovany tanteraka ireo taranak'i Levỳ. Koa dia hanolotra fanatitra amin'ny TOMPO ara-pahamarinana ireo. 4Ary ho mamin'ny TOMPO ireo fanatitry ny vahoakan'i Joda sy i Jerosalema toy ny tamin'ny andro taloha sy tamin'ny taona fahiny. 5Ary hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman'ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»

6«Eny, Izaho TOMPO dia tsy miova; fa tsy mitsahatra kosa ny maha taranak'i Jakôba anareo#3.6 Ny maha taranak'i Jakôba: mpamitaka i Jakôba (jereo Is 43.27; Hôs 12.3,4) ka toetra arahin'ny taranany izany (jereo and 8). –fa tsy mitsahatra kosa ny maha taranak'i Jakôba anareo: dkt hafa Ary ianareo, ry taranak'i Jakôba, dia tsy fongana. . 7Fa hatramin'ireo razana talohanareo no efa nialanareo tamin'ny didiko ka tsy nitandremanareo izany. Miverena amiko, dia hiverina aminareo koa ny tenako, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao. Nefa dia hoy ianareo hoe: ‹Ahoana no iverenanay aminao?›

samedi 22 juillet 2017

Sabotsy 22 Jolay 2017 - Gal 1 : 11 - 24

11Ampahafantariko anareo, ry havana, fa ny Vaovao Mahafaly* notorîko taminareo dia tsy zavatra novolavolain'olombelona. 12Tsy hoe olombelona no nandraisako azy na nianarako azy, fa i Jesoa Kristy* no nanambara azy tamiko.

13Eny, efa renareo ny fomba fiainako fahiny fony aho mbola nanaraka ny fivavahana jiosy: nanenjika lozantany ny Fiangonan'Andriamanitra aho ary nilofo handrava azy. 14Nandroso tokoa aho tamin'ny fivavahana jiosy ary nihoatra ny ankamaroan'ireo indray nihira tamiko teo amin'ny fireneko sady fatra-pitana kokoa noho izy ireo ny fampianarana nampitain'ny razako#1.14 and 13-14: jereo Asa 8.3; 22.3-5; 26.9-11..

15Kanefa natokan'Andriamanitra dieny hatrany am-bohòka aho ary nantsoiny hanompo Azy noho ny fahasoavany. 16Ary rehefa sitrak'Andriamanitra ny nanambara ny Zanany* tato anatiko, mba hitoriako ny Vaovao Mahafaly momba azy amin'ny hafa firenena*, dia tsy naka saina tamin'olombelona osa sy malemy aho#1.16 and 15: ampit Is 49.1; Jer 1.5. –and 15-16: jereo Asa 9.3-6; 22.6-10; 26.13-18., 17ary tsy niakatra tany Jerosalema hanatona ireo apôstôly* talohako; fa lasa aho nankany Arabia ary dia niverina tany Damasy indray. 18Telo taona taorian'izany vao niakatra tany Jerosalema aho mba hifankahita amin'i Petera ary dia nitoetra tapa-bolana niaraka taminy#1.18 Jereo Asa 9.26-30. –Petera: ny rijan-teny grika fototra dia mampiasa ny hoe Kefasy, izay teny aramianina mitovy hevitra amin'ny hoe Petera (jereo Jôh 1.42). Toraka izany koa 2.11.. 19Tsy nahita apôstôly hafa aho; fa ny hitako dia i Jakôba rahalahin'ny Tompo#1.19 I Jakôba rahalahin'ny Tompo dia iray tamin'ireo tompon'andraikitra lohandohany niadidy ny Fiangonana tao Jerosalema (jereo 2.9; Asa 15.13)..

20Momba izao zavatra soratako aminareo izao, dia ijoroako eto anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho!

21Taorian'izany, dia lasa nankany amin'ny faritany Siria sy Silisia aho. 22Nandritra izany fotoana izany, dia tsy mbola nisy nahita tava ahy ireo anisan'ny Fiangonana kristianina tany Jodea. 23Fa nandre fotsiny izy ireo hoe: «Ilay mpanenjika antsika fahiny dia indro ankehitriny mitory ny finoana izay nilofosany horavana fahiny!» 24Ary dia nanome voninahitra an'Andriamanitra ry zareo noho ny amiko.

vendredi 21 juillet 2017

Zoma 21 Jolay 2017 - Mat 11 : 2 - 15

2Ren'i Jôhany Mpanao batisa tao am-ponja ny asa nataon'i Jesoa, ka nisy nirahin'i Jôhany ny mpianany 3hanontany azy hoe:
–Ianao ve no Ilay ho avy#11.3 Ilay ho avy: izany hoe ilay Mesia nandrandrain'ny Jiosy tamin'izay. Jereo 3.11; Jôh 1.27. sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?

4Dia hoy i Jesoa namaly ireto iraka:
–Ndeha ambarao an'i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: 5mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra*, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra#11.5 Ampit Is 26.19; 29.18; 35.5-6; 61.1.. 6Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy#11.6 tsy voasakana hino Ahy: dkt hafa tsy misalasala noho ny amiko. !

7Nony lasa ireto iraka, dia niteny momba an'i Jôhany tamin'ny vahoaka i Jesoa nanao hoe:
–Hizaha inona no nalehanareo tany an-taniefitra? Volotara hetsiketsehin-drivotra ve? Tsia! 8Fa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana dia any amin'ny lapan'ny mpanjaka! 9Koa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Mpaminany* ve? Izany tokoa, hoy Aho aminareo, ary mihoatra noho ny mpaminany aza. 10Fa i Jôhany no ilay voalazan'ny Soratra Masina hoe:

«Indro alefako hialoha Anao ny irako,
hoy Andriamanitra,
mba hamboatra ny lalan-kalehanao#11.10 Mal 3.1.!»

11–Tsy mbola nisy lehibe noho i Jôhany tamin'ny olombelona rehetra; kanefa lazaiko marina aminareo fa izay kely indrindra ao amin'ny Fanjakàn'ny lanitra dia lehibe noho izy. 12Hatramin'ny andro nitorian'i Jôhany Mpanao batisa no mankatỳ, ny Fanjakàn'ny lanitra dia toherina amin'ny alalan'ny herisetra ka ny mpanao herisetra no mitady handrombaka azy#11.12 ny Fanjakàn'ny lanitra... handrombaka azy: dkt hafa mahery fiavy ny Fanjakàn'ny lanitra ka izay mahery miezaka no mahazo azy (Jereo Lk 16.16).. 13Eny, ny mpaminany rehetra sy ny lalànan*'i Mosesy ka miafara amin'ny andron'i Jôhany dia nanambara mialoha ny Fanjakàn'ny lanitra. 14Ary raha mety mandray ianareo, dia i Jôhany no Elià* voalaza fa ho avy. 15Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

jeudi 20 juillet 2017

Alakamisy 20 Jolay 2017 - I Pet 2 : 18 - 25

18Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amim-panajana tanteraka, tsy ny tsara fanahy sy ny malemy paika ihany fa ny sarotiny koa; 19satria izao no ankasitrahin'Andriamanitra: ny miaritra fampahoriana mihatra tsy an-drariny, noho ny fieritreretanao an'Andriamanitra. 20Inona tokoa moa no lazanareo, raha tàhiny manao hadisoana ianareo no kapohina ka mandefitra? Fa raha tàhiny manao soa ianareo no nampahorîna ka mandefitra, dia izany no ankasitrahin'Andriamanitra. 21Eny, izany no niantsoan'Andriamanitra anareo; fa i Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany: 22i Kristy tsy nanota akory sady tsy mba niloa-bava hilaza fitaka#2.22 Ampit Is 53.9.; 23notevatevaina Izy, nefa tsy mba nanevateva; nijaly Izy, nefa tsy mba nandrahona, fa nanankin-tena tamin'Andriamanitra Izay mitsara ara-drariny; 24ny tenan'i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin'ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo. 25Eny, efa toy ny ondry nania ianareo#2.25 and 24-25a: ampit Is 53.4-6, araka ny dkt grika tranainy Septoazinta., nefa ankehitriny dia tafaverina amin'ilay mpiandry sy mpitandrina ny fanahinareo.

mercredi 19 juillet 2017

Alarobia 19 Jolay 2017 - Lio 16 : 9 - 13

9Ka hoy Aho aminareo mpianatro: ampiasao ny haren'izao tontolo izao hananan-kavana handray anareo any amin'ny fonenana mandrakizay, rehefa tonga ilay andro hamoizana ireny harena ireny. 10Izay mahatoky amin'ny zava-madinika, dia mahatoky koa amin'ny zava-dehibe; ary izay tsy marina amin'ny zava-madinika, dia tsy marina koa amin'ny zava-dehibe. 11Raha tsy azo itokiana amin'ny haren'izao tontolo izao ianareo, iza no hametraka aminareo ny tena harena; 12ary raha tsy azo itokiana amin'izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo ny fananana tena anareo?

13Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa: satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an'Andriamanitra no manompo ny harena#16.13 Ampit Mt 6.24.

mardi 18 juillet 2017

Talata 18 Jolay 2017 - I Tim 3 : 8 - 13

8Toy izany koa ireo diakônina: tokony ho olona maotina, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy maloto fila harena, 9mitana tsara ny tsiambaratelo nambara momba ny finoana ka mitana izany amin'ny fieritreretana mahitsy. 10Ary aoka hozahan-toetra aloha izy ireo; ka rehefa hita fa tsy manan-tsiny, vao hahazo manao ny asan'ny diakônina. 11Tokony ho maotina toy izany koa ny vehivavy, ka#3.11 Tokony ho... ny vehivavy ka: mety ho vadin'ny diakônina; mety ho vehivavy nantsoina hanana andraikitra toy ny an'ny diakônina ao amin'ny Fiangonana, ka amin'izay dia azo adika hoe Ny vehivavy manan-draharaha mitovy amin'izany dia tokony ho maotina ka... (jereo Rm 16.1). tsy ho mpanendrikendrika fa hahafehy tena ary mahatoky amin'ny zavatra rehetra. 12Aoka ny diakônina tsy hampirafy#3.12 tsy hampirafy: dkt hafa ho indray mandeha monja no hanambady. , ary aoka izy hahay mitondra tsara ny zanany sy ny ankohonany; 13fa ireo diakônina manatontosa tsara ny raharahany dia mahazo laharana mihaja ho an'ny tenany ary manana fahatokiana be miorina amin'ny finoana an'i Kristy* Jesoa.

lundi 17 juillet 2017

Alatsinainy 17 Jolay 2017 - I Tim 3 : 1 - 7

1Azo antoka izao teny izao: raha misy olona maniry ny asan'ny mpitondra Fiangonana, dia maniry asa tsara izy. 2Koa ny mpitondra Fiangonana dia tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mampirafy#3.2 tsy mampirafy (tokam-bady): dkt hafa indray mandeha monja no nanambady (tsy misolosolo vady; tsy manambady imbetsaka)., mahafehy tena, matotra, maotina, mahay mandray olona, havanana amin'ny fampianarana; 3tsy tokony ho mpidoroka na hahery vaika, fa handefitra, tsy ho fiadîna, tsy ho matimatim-bola; 4tokony hahay mitondra tsara ny ankohonany, hahataona ny zanany hanaiky azy amim-panajana tanteraka ( 5fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fikarakara ny Fiangonan'Andriamanitra?); 6tsy tokony ho kristianina zazavao izy, fandrao hieboebo foana ka ho voaheloka tahaka ny nanjo ny devoly*; 7tokony ho tsara laza amin'ny olona tsy kristianina koa izy, fandrao ho afa-baràka sy ho voan'ny fandriky ny devoly#3.7 and 2-7: ampit Tit 1.6-9..

dimanche 16 juillet 2017

Alahady 16 Jolay 2017 - Eks 7 : 14 - 25

14Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Mafy fo ny Farao* ka tsy mety mandefa ny Israelita. 15Koa mankanesa any aminy ianao rahampitso maraina, rehefa mivoaka hankeo amoron-drano izy. Ento eny an-tananao ilay tehina tonga bibilava, dia andraso eo amoron'i Neily izy. 16Ka izao no ambarao aminy: «Ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy hilaza aminao hoe: ‹Alefaso ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko any an-taniefitra.› Nefa tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny. 17Noho izany, dia lazain'ny TOMPO fa hahafantatra ny maha IZY AZY ianao amin'ity indray mandeha ity. Hokapohiko amin'ity tehina eto an-tanako ity manko ny ranon'i Neily, dia hiova ho ra#7.17 Jereo Apôk 16.4.. 18Ho faty ny trondro ka ho maimbo ny ony, dia tsy ho azon'ny Ejiptianina sotroina intsony ny rano ao.»

19Ary hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Lazao i Aharôna handray ny tehinao ka haninjitra ny tanany manandrify ny rano rehetra eto Ejipta, izany hoe ny renirano sy ny lakan-drano mbamin'ny farihy rehetra; dia hiova ho ra ny rano amin'ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, hatrany an-tsinibe hazo sy vato.

20Dia notanterahin'i Mosesy sy i Aharôna#7.20 Aharôna na hoe Mosesy araka ny and 17; ao amin'ny RM dia tsy voatondro ny lazaina. izay nandidian'ny TOMPO azy; ary teo imason'ny Farao sy ny tandapany no nanaingan'i Aharôna ny tehiny ka nikapohany ny ranon'i Neily, dia niova ho ra ny rano rehetra tao amin'ny ony. 21Maty ny trondro ka maimbo ny ony, dia tsy azon'ny Ejiptianina nosotroina intsony ny rano, fa nisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo.

22Dia mba nanao toy izany tamin'ny fitokavany koa ireo mpimasy ejiptianina; koa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino akory izay nangatahan'i Mosesy sy i Aharôna, araka izay efa nambaran'ny TOMPO. 23Lasa nody ny Farao, dia nankao an-tranony fa tsy nahoany akory io raharaha io. 24Nihady lava-drano manodidina an'i Neily ny Ejiptianina satria tsy azony nosotroina ny rano tamin'ny ony.

25Ary fito andro izay no lasa taorian'ny namelezan'ny TOMPO ny ony Neily.

samedi 15 juillet 2017

Sabotsy 15 Jolay - Asa 19 : 1 - 10

1Raha mbola tany Kôrinto i Apôlao, dia namakivaky ny havoana lembalemban'i Azia Minôra kosa i Paoly ka tonga tao Efeso. Mpianatra* vitsivitsy no hitan'i Paoly tao 2ka nanontaniany hoe:
–Efa nandray ny Fanahy Masina ve ianareo fony vao nino?

Dia novalian'ireo hoe:
–Tsy renay akory aza fa misy ny Fanahy Masina.

3Ka hoy indray i Paoly nanontany hoe:
–Batisa*n'iza moa no voarainareo?

Dia nataon'ireo hoe:
–Ny batisan'i Jôhany.

4Ary hoy i Paoly taminy:
–I Jôhany dia nanao batisa ny olona nanaiky hiala tamin'ny toe-dratsy#19.4 Jereo Mt 3.11; Mk 1.4, 7-8. ary nilaza tamin'ny vahoaka mba hino an'Ilay ho tamy aoriany, izany hoe i Jesoa.

5Raha nahare izany teny izany ireto mpianatra, dia nangataka hatao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Tompo. 6Nametrahan'i Paoly tanana izy rehetra ka nahazo ny Fanahy Masina, ary dia niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sady nilaza hafatra avy amin'Andriamanitra. 7Lehilahy avokoa ireo mpianatra ireo ary tokony ho 12 no isany.

8Dia nankao amin'ny sinagôga* i Paoly, ka niteny tamim-pahasahiana; nandritra ny telo volana izy dia nifanakalo hevitra sady niezaka handresy lahatra ny amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*. 9Maro anefa no nikiribiby tsy nety nino sady naniratsira teo imason'ny besinimaro ny lalana nosoritan'ny Tompo. Dia niala teo amin-dry zareo i Paoly ary nitondra mpianatra niaraka taminy, ka nitoriteny isan'andro tao amin'ny sekolin'i Tirano#19.9 Misy stf sasany manampy sy manondro fotoana marina hoe hatramin'ny 11 maraina ka hatramin'ny 4 tolakandro. . 10Naharitra roa taona mahery izany, ka nandre ny tenin'ny Tompo avokoa ny mponina manerana ny faritany Azia, na Jiosy na hafa firenena*.

vendredi 14 juillet 2017

Zoma 14 Jolay 2017 - Jao 1 : 19 - 28

19Toy izao no fijoroan'i Jôhany ho vavolombelona. Nisy mpisorona sy levita* nirahin'ny manampahefana jiosy avy any Jerosalema hankeo aminy, mba hanontany azy hoe:
–Iza moa ianao?

20Tsy nandà ny hamaly izy fa nilaza mazava hoe:
–Tsy izaho no ilay Mesia*!

21Ary nanontany azy ry zareo hoe:
–Ahoana àry? I Elià* ve ianao?

Dia novaliany hoe:
–Tsy izy aho!

Ka hoy ireo taminy:
–Ilay Mpaminany* ve ianao?

Fa novaliany hoe:
–Tsia#1.21 Jereo Mal 3.23; Deot 18.15,18.!

22Tamin'izay ry zareo dia niteny tamin'i Jôhany hoe:
–Iza àry ianao, mba hitondranay valin-teny any amin'izay naniraka anay? Lazainao ho iza ny tenanao!

23Dia hoy izy:
–Izaho no «feon'olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: ahitsio ny lalan'ny Tompo#1.23 Is 40.3, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.», araka ny tenin'i Isaià mpaminanin'Andriamanitra.

24Ary nisy avy amin'ny Farisianina*#1.24 Ary nisy... Farisianina: dkt hafa Ary Farisianina.  ireto olona nirahina teo amin'i Jôhany, 25ka nanontany azy hoe:
–Nahoana àry ianao no manao batisa*, raha toa tsy ianao no ilay Mesia na i Elià na ilay Mpaminany?

26Ka novalian'i Jôhany hoe:
–Ny ahy, ao amin'ny rano no anaovako batisa; fa eo anivonareo misy olona anankiray tsy fantatrareo,
27dia Ilay tamy aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho!

28Izany zavatra izany dia niseho tany Betania#1.28 Betania: tanàna kely tsy dia fantatra toerana mazava tsara teo ampita atsinanan'ny ony Jôrdàna; tsy tokony hampifangaroina amin'ilay Betania akaikin'i Jerosalema (Jereo 11.1)., andafy atsinanan'ny ony Jôrdàna, teo amin'ny fanaovan'i Jôhany batisa.

jeudi 13 juillet 2017

Alakamisy 13 Jolay 2017 - I Sam 24 : 1 - 8

1Avy teo i Davida dia niakatra tany amin'ny toerana be harambato, tany Haîna-Gedỳ#24.1 Haîna-Gedỳ: tanàna eo amin'ny morony andrefan'ny Ranomasina Maty., ary nipetraka tao. 2Rehefa tafaverina avy niady tamin'ny Filistinina i Saoly, dia reny fa efa any an-taniefitr'i Haîna-Gedỳ i Davida. 3Ary i Saoly naka telo arivo lahy izay notsongaina tamin'i Israely manontolo, ka lasa nitady an'i Davida sy ny olony izay teo anoloan'ny Vatolampin'ny Osidia#24.3 Ity Vatolampin'ny Osidia ity dia eny amin'ny manodidina an'i Haîna-Gedỳ, kanefa tsy fantatra mazava ny misy azy.. 4Raha tonga teo amin'ny valan'ondry nanamorona ny lalana i Saoly, dia sendra zohy#24.4 zohy: jereo Sal 57.1; 142.1., ka dia niditra tao mba hivoaka kely.

Nefa i Davida sy ny olony dia efa tao anaty zohy tao. 5Dia hoy ny olon'i Davida taminy:
–Izao no andro voalazan'ny TOMPO taminao hoe: «Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy aminy izay fantatrao fa mety.»

Dia nitsangana i Davida ka nitsaitsaika nanapaka moramora ny moron-tongotr'akanjon'i Saoly. 6Nefa taorian'izany dia nidobodoboka mafy ny fon'i Davida noho ny nanapahany ny morotongotr'akanjon'i Saoly.

7Koa hoy izy tamin'ny olony:
–Ho sanatriaviko ary hisakanan'ny TOMPO ahy anie ny haninji-tanana amin'ny mpanjakako, satria Izy TOMPO ihany no efa nifidy azy ho mpanjaka.

8Izany teny izany no nanakanan'i Davida ny olony ka tsy namelany azy ireo hamely an'i Saoly.
Dia nandao ny zohy i Saoly ary nanohy ny diany.

mercredi 12 juillet 2017

Alarobia 12 Jolay 2017 - I Pet 5 : 1 - 11

1Mananatra ny loholom*-piangonana eo aminareo aho, dia izaho loholona tahaka azy ireo sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy* ary koa mpiombona amin'ny voninahitra efa haseho. 2Aoka ianareo ho mpiandry ny andianondry napetrak'Andriamanitra hiandraiketanareo#5.2 Ampit Jôh 21.15-17., ka hitandrina azy tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an'Andriamanitra: tsy amim-pitiavan-karena fa amin-jotom-po, 3tsy ho mpanjakazaka amin'ny anjara fiandrasana fa ho fakàn-tahaka harahin'ny andianondry; 4ka rehefa miseho ilay Filohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo.

5Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina* hoe:

«Toherin'Andriamanitra ny mpiavonavona
fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena#5.5 Ohab 3.34, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..»

6Koa manetre tena eo ambany tana-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoanandro voatendriny#5.6 Ampit Mt 3.12; Lk 14.11; 18.14.. 7Apetraho aminy avokoa ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo#5.7 Ampit Sal 55.23..

8Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly* fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany. 9Finoana mafy orina entina manohitra azy, satria fantatrareo fa fijaliana toraka izany koa no iaretan'ny havanareo mpino eran'izao tontolo izao*. 10Rehefa avy niaritra fijaliana vetivety kosa ianareo, dia ilay Andriamanitra loharanon'ny fahasoavana rehetra, Izay niantso anareo ho amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'ny Kristy Jesoa, no handavorary sy hankahery anareo ary hanamafy sy hampiorina anareo. 11Ho Azy Andriamanitra anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen*.

mardi 11 juillet 2017

Talata 11 Jolay 2017 - Asa 7 : 54- 60

54Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin'ny Fitsarana ambony*, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin'i Stefàna. 55Feno Fanahy Masina kosa i Stefàna ka nibanjina ny lanitra, nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy i Jesoa teo ankavanan'Andriamanitra,

56ary niteny hoe:
–Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak'olona* mijoro eo ankavanan'Andriamanitra.

57Dia nihoraka ireo tao amin'ny Fitsarana ambony sady vao mainka nanentsin-tadîny. Ary indray niantoraka teny amin'i Stefàna izy rehetra, 58ka nitarika azy tany ivelan'ny tanàna sy nitora-bato azy. Ary ny vavolombelona dia nametra-damba teo an-tongotr'izay tovolahy antsoina hoe Saoly izay.

59Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefàna kosa niantso ny Tompo nanao hoe:
–Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko#7.59 and 59-60: ampit Lk 23.46, 34.!

60Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe:
–Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!

lundi 10 juillet 2017

Alatsinainy 10 Jolay 2017 - Lio 7 : 21 - 30

21Tamin'izany indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro tamin'ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra ny jamba maro. 22Ka hoy Izy namaly ireto iraka hoe:
–Ndeha ambarao amin'i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo: mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra*, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly* ny mahantra#7.22 Ampit Is 35.5-6; 61.1.. 23Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy#7.23 tsy voasakana hino Ahy: dkt hafa tsy misalasala noho ny ataoko. !

24Nony lasa ireto iraka, dia niteny momba an'i Jôhany tamin'ny vahoaka i Jesoa nanao hoe:
–Hizaha inona no nalehanareo tany an-taniefitra? Bararata hetsiketsehin-drivotra ve? Tsia! 25Fa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana sy manaram-po amin'ny fiainana, dia any amin'ny lapan'ny mpanjaka! 26Koa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Mpaminany* ve? Izany tokoa, hoy Aho aminareo, ary mihoatra noho ny mpaminany aza. 27Fa i Jôhany no ilay voalazan'ny Soratra Masina* hoe:

Indro alefako hialoha Anao ny irako,
hoy Andriamanitra,
mba hanomana ny lalan-kombànao#7.27 Mal 3.1.!»

28Tsy misy lehibe noho i Jôhany amin'ny tera-behivavy; nefa lazaiko aminareo fa izay kely indrindra ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra* dia lehibe noho izy.

29Ary ny vahoaka rehetra izay nandre an'i Jôhany, mbamin'ny mpamory hetra* aza, dia nanaiky an'Andriamanitra ho marina ka niroso hataon'i Jôhany batisa. 30Ny Farisianina* sy ny mpahay lalàna* kosa nitsipaka ny fikasan'Andriamanitra ka nandà tsy hataon'i Jôhany batisa.

dimanche 9 juillet 2017

Alahady 09 Jolay 2017 - II Sam 23 : 1 - 5

1Izao no fanambaràna farany nataon'i Davida:
Teny hentitr'i Davida, zanakalahin'i Jisay,
dia teny hentitry ny lehilahy
izay voafidin'ilay Andriamanitr'i Jakôba
mba ho voasandratra ho mpanjaka
sady voahasohason'ireo hiran'i Israely#23.1 Ny 1 Sam 18.7 dia manome ohatra an-kira mankalaza ireo zava-bitan'i Davida.:
2Ny Fanahin'ny TOMPO no mampiteny ahy
sy mametraka ao am-bavako ny teniny.
3Ny Andriamanitr'i Israely sady mpiaro azy
no efa niteny ka nanao tamiko hoe:
«Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana
sy mitondra azy amim-panajana an'Andriamanitra
4dia toy ny fahazavan'ny maraina
raha miposaka ny masoandro
amin'iny maraina tsy misy rahona iny.
Ny tarany mafana mandimby ny orana
no mampaniry ny ahitra amin'ny tany.»
5Toy izany indrindra ny fianakaviako
eo anoloan'Andriamanitra;
fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay
no nataon'Andriamanitra tamiko,
dia fanekempihavanana mirindra
sy voatandro amin'ny lafiny rehetra.
Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko
dia Izy no ipoiran'ireny rehetra ireny.

samedi 8 juillet 2017

Sabotsy 08 Jolay 2017 - I Kor 8 : 8 - 13

8Tsy izay hanina akory no hahasoa na haharatsy antsika eo anatrehan'Andriamanitra: raha tsy homana isika, tsy maty antoka; ary raha homana isika, tsy mahazo tombony#8.8 Ampit Rm 14.17..

9Tandremo anefa ny fahafahanareo sao dia mitarika ny malemy ara-pinoana amin'ny fahotana. 10Satria raha ianao izay manam-pahalalana no hitan'ny malemy ara-pinoana mihinana ao amin'ny trano fanompoan-tsampy, moa tsy hampirisika azy ao amin'ny fieritreretany koa ve izany hihinana ny hena natao sorona tamin'ny sampy? 11Ka verin'ny fahalalànao ilay malemy ara-pinoana, dia ilay havana izay nahafoizan'i Kristy ny ainy. 12Raha manota toy izany amin'ny havanareo iray finoana ianareo ka manimba ny fieritreretan'izy ireo mbola osa, dia i Kristy no anotanareo. 13Koa raha izay hanina àry no hitarika ny havako amin'ny fahotana, dia tsy hihinan-kanina mandrakizay aho mba tsy hitarika ny havako amin'ny fahotana.

vendredi 7 juillet 2017

Zoma 08 Jolay 2017 - I Kor 8 : 8 - 13

. 8Tsy izay hanina akory no hahasoa na haharatsy antsika eo anatrehan'Andriamanitra: raha tsy homana isika, tsy maty antoka; ary raha homana isika, tsy mahazo tombony#8.8 Ampit Rm 14.17..

9Tandremo anefa ny fahafahanareo sao dia mitarika ny malemy ara-pinoana amin'ny fahotana. 10Satria raha ianao izay manam-pahalalana no hitan'ny malemy ara-pinoana mihinana ao amin'ny trano fanompoan-tsampy, moa tsy hampirisika azy ao amin'ny fieritreretany koa ve izany hihinana ny hena natao sorona tamin'ny sampy? 11Ka verin'ny fahalalànao ilay malemy ara-pinoana, dia ilay havana izay nahafoizan'i Kristy ny ainy. 12Raha manota toy izany amin'ny havanareo iray finoana ianareo ka manimba ny fieritreretan'izy ireo mbola osa, dia i Kristy no anotanareo. 13Koa raha izay hanina àry no hitarika ny havako amin'ny fahotana, dia tsy hihinan-kanina mandrakizay aho mba tsy hitarika ny havako amin'ny fahotana.

jeudi 6 juillet 2017

Alakamisy 06 Jolay 2017 - Jer 10 : 1 - 10

1Mihainoa ny hafatra izay nambaran'ny TOMPO momba anareo, ry olon'i Israely. 2Izao no lazain'ny TOMPO:

«Aza ianaranareo ny fomban'ny firenen-kafa;
ary aza atahoranareo ny famantarana
izay miseho eny an-danitra,
fa ny firenen-kafa no matahotra ireny.
3Ny fanaon'ny firenen-kafa
dia zava-poana ihany.
Hazo any an'ala no kapainy,
dia sokirin'ny mpandrafitra ho sampy.
4Ravahany volamena na volafotsy izany,
hamafisiny amin'ny tantanana sy ny fantsika
mba tsy hampihetsiketsika azy.
5Toy ny kalo eny an-tanin-kôkômbra
ireo andriamanitra sampy ireo
ka tsy miteny akory;
entina izy fa tsy mba afa-mandeha.
Aza matahotra azy ianareo,
fa tsy afaka manisy ratsy izy
ary tsy afaka manisy soa ihany koa.»
6Tsy misy tahaka Anao, ry TOMPO,
fa lehibe Ianao ary lehibe ny lazanao
amin'ny asa mahery nataonao.
7Iza no tsy hatahotra Anao,
ry Mpanjakan'ireo firenena,
fa mendrika anao izany.
Ny hendry rehetra amin'ireo firenena
sy ao amin'ireo fanjakana rehetra
dia tsy misy mitovy aminao#10.7 Ampit Apôk 15.4..
8Fa adala sy very saina izy rehetra:
zava-poana ny fampianarany
fa tapa-kazo ihany izany.
9Ireo sampy ireo dia ravahana
takela-bolafotsy avy any Tarsisy
na volamena avy any Ôfira#10.9 Tarsisy: seranan-tsambo na faritany iray any Mediteranea andrefana, heverina ho tany Espaina. –Ôfira: faritany malaza noho ny volamenany (1 Mp 22.49), nefa ny TM manao hoe Ofaza izay faritany tsy fantatra kanefa voalaza koa ao amin'ny Dan 10.5.,
izay namboarin'ny mpanao asan-tanana
sy ny mpanefy firavaka;
ary lamba jaky sy volomparasy
no nampitafiana azy.
Asan'ny mpahay taozavatra avokoa
ireny sampy rehetra ireny.
10Fa ny TOMPO kosa
no tena Andriamanitra,
Andriamanitra velona
sy Mpanjaka mandrakizay.
Rehefa tezitra Izy,
dia mihorohoro ny tany;
ary ny firenena dia tsy mahatanty
ny fahavinirany.

mercredi 5 juillet 2017

Alarobia 05 Jolay 2017 - Jao 20 : 21 - 32

21Dia hoy indray i Jesoa taminy:
Ho ao aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa.

22Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka taminy ary nanao hoe:
–Raiso ny Fanahy Masina. 23Na iza na iza avelanareo heloka, dia voavela; ary na iza na iza tsy avelanareo heloka, dia tsy voavela#20.23 Ampit Mt 16.19; 18.18..

24Fa i Tômà, ilay atao hoe Ikambana, anankiray tamin'ny 12 lahy, dia tsy mba tafaraka tamin'ireo mpianatra* fony tonga i Jesoa. 25Ka hoy ny mpianatra sasany tamin'i Tômà:
–Efa nahita ny Tompo izahay!

Fa hoy i Tômà taminy:
–Raha tsy hitako eo amin'ny tanany roa ny loaky ny fantsika, ka atsofoko eo amin'ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atsofoko eo amin'ny fony ny tanako, dia tsy mba hino aho#20.25 Jereo 20.20 sy nta..

26Nony afaka herinandro, dia vory tao an-trano indray ny mpianatr'i Jesoa; ary tafaraka tamin'ireo koa i Tômà. Voahidy avokoa ny varavarana, kanefa dia tonga i Jesoa nijoro teo afovoan'ny mpianatra ary nanao hoe:
–Ho ao aminareo anie ny fiadanana!

27Avy eo dia hoy Izy tamin'i Tômà:
–Arosoy eto ny rantsan-tananao ka jereo ny tanako roa; arosoy koa ny tananao ka atsofoy eto amin'ny foko; ary aza malain-kino, fa minoa!

28Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe:
–Tompoko sy Andriamanitro!

29Fa hoy i Jesoa taminy:
–Noho ianao nahita Ahy, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino#20.29 Ampit 1Pt 1.8..

30Maro koa ny famantarana* hafa nataon'i Jesoa teo imason'ny mpianany* no tsy voasoratra amin'ity boky ity. 31Fa voasoratra ireo famantarana ireo mba hinoanareo#20.31 mba hinoanareo: misy stf sasany ahitana hoe mba hinoanareo hatrany (ampit 19.35). fa i Jesoa no ilay Mesia*, ilay Zanak'Andriamanitra*, ary mba hahavelona aina anareo amin'ny alalany, raha mino Azy ianareo.

mardi 4 juillet 2017

Talata 04 Jolay 2017 - Asa 2 : 36 - 39

36Noho izany, dia aoka ho fantatry ny vahoaka Israely* rehetra mazava tsara fa iny Jesoa nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana iny indrindra no efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Mesia.
37Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanontany an'i Petera sy ny apôstôly namany hoe:
–Ry havana, inona no tokony hataonay?

38Dia hoy i Petera taminy:
–Ialao ny toe-dratsy#2.38 Ialao ny toe-dratsy: jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA., ary aoka ianareo samy hatao batisa* amin'ny anaran'i Jesoa Kristy mba ho voavela heloka, dia handray ny Fanahy Masina fanomezan'Andriamanitra. 39Fa ny fanomezana nampanantenain'Andriamanitra dia ho anareo sy ny zanakareo, ary ho an'ireo rehetra any lavitra any, na iza na iza hantsoin'ny Tompo Andriamanitsika hanatona Azy.

lundi 3 juillet 2017

Alatsinainy 03 Jolay 2017 - I Pet 1 : 13 - 16

13Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Kristy*. 14Aoka ho fatra-panaiky an'Andriamanitra ianareo, ka aza manaraka ny filàndratsinareo fahiny, fony ianareo mbola tao anatin'ny tsy fahalalana. 15Fa masina* ilay Andriamanitra niantso anareo; noho izany, aoka ho masina tahaka Azy koa ianareo amin'ny lafim-pitondrantena rehetra, 16satria izao no voalazan'ny Soratra Masina*: «Aoka ho masina ianareo satria masina Aho#1.16 Lev 19.2..»

dimanche 2 juillet 2017

Alahady 02 Jolay 2017 - Jer 26 : 8 - 15

 8Koa rehefa tapitra voalazan'i Jeremià ny teny rehetra izay nasain'ny TOMPO nambarany tamin'ny besinimaro teo, dia nosamborin'izy rehetra i Jeremià ka nataony hoe:
–Mendrika ho faty ianao. 9Ahoana no ahasahianao milaza amin'ny anaran'ny TOMPO fa horavana tahaka ny tao Silao ity trano ity, ary ho simba sady tsy hisy mponina ity tanàna ity?

Tamin'izay dia nitangorona hamely an'i Jeremià izay rehetra teo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO. 10Nony ren'ireo mpitondran'i Joda ny zava-nitranga, dia niakatra avy tao an-dapan'ny mpanjaka hankao an-tranon'ny TOMPO izy, ka nipetraka hitsara teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'ny TOMPO. 11Dia hoy ireo mpisorona ama-mpaminany tamin'ny mpitondran'i Joda ary koa tamin'ny vahoaka rehetra teo:
–Mendrika ho faty io lehilahy io, satria naminany ny hamelezana ity tanàna ity izy, ary ny sofinareo mihitsy no efa nandre.

12Fa namaly ny mpitondra sy ny vahoaka rehetra teo i Jeremià ka nanao hoe:
–Ny TOMPO no naniraka ahy hanambara ny hamelezana ity trano ity sy ity tanàna ity araka izay efa renareo teo. 13Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain'ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin'ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo. 14Ary raha ny tenako dia indro eo am-pelatananareo; ka ataovy amiko izay heverinareo ho tsara sy mahitsy. 15Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr'izany ianareo sy ny mponina rehetra amin'ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12