vendredi 31 janvier 2020

Zoma 31 Janoary 2020 - Rom 16 : 25 - 27

25Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay mampahery anareo araka ny Vaovao Mahafaly ambarako, araka ny hafatra torîko momba an’i Jesoa Kristy, araka ny fanehoana tamiko ny tsiambaratelo takona hatrizay tao amin’Izy Andriamanitra. 26Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin’ny alalan’ny soratr’ireo mpaminany, araka ny didin’ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an’i Kristy. 27Eny, ho an’Andriamanitra hany manam-pahendrena anie ny voninahitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mandrakizay mandrakizay! Amen.

jeudi 30 janvier 2020

Alakamisy 30 Janoary 2020 - Kol 1 : 24 - 29

24Ankehitriny aho dia mifaly amin’ny fijaliana iaretako noho ny aminareo, satria miferinaina ara-batana aho ka mameno izay tsy ampy tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, izany hoe ho an’ny Fiangonana. 25Tonga mpanompon’ny Fiangonana aho, araka ny andraikitra nomen’Andriamanitra hotontosaiko aminareo: dia ny manatanteraka ny fitoriana ilay tenin’Andriamanitra, 26izany hoe ilay tsiambaratelo nafenin’Andriamanitra tamin’ny taranak’olombelona hatramin’ny fahagola, fa ankehitriny kosa efa nasehony tamin’ny vahoakany. 27Ny vahoakany tokoa no nirin’Andriamanitra hampahafantarina ny maha sarobidy sy maha be voninahitra izany tsiambaratelo anasoavana ny firenena rehetra izany, dia intỳ: ao anatinareo i Kristy, antoky ny voninahitra homena anareo. 28Koa dia mitory an’i Kristy amin’ny olona rehetra izahay. Samy anarinay sy ampianarinay amim-pahendrena tokoa ny olona, mba hahatonga azy rehetra ho tanteraka noho izy tafaray amin’i Kristy. 29Hahatontosako izany andraikitra izany, dia mikely aina sy miezaka mafy aho, araka ny hery tsy hay tohaina omen’i Kristy sady miasa fatratra ato anatiko.

mercredi 29 janvier 2020

Alarobia 29 Janoary 2020 - Job 37 : 14 - 24

14Anongilano sofina izao lazaiko izao, ry Jôba.
Miatoa kely aloha ka diniho
ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra.
15Fantatrao ve ny fibaikoan’Andriamanitra ireny
sy ny mahatonga ny tselatra eny amin’ny rahona?
16Fantatrao koa ve ny mampihevaheva ny raho-matevina?
Ny manao ireny zava-mahagaga ireny
dia Ilay tanteraka amin’ny fahalalana;
17Ianao kosa dia mafana loatra anaty fitafianao,
rehefa vesaran’ny andro migaingaina ny tany
noho ny rivotra manempotra avy any atsimo.
18Afaka nanampy an’Andriamanitra ve ianao,
fony Izy nanefy ny habakabaka
sy nahamafy izany toa fitara-by?

19Mba ampianaro anay ireto àry, ry Jôba,
izay holazainay amin’Andriamanitra.
Fa tsy hitanay izay hotenenina
noho ny haizin’ny tsy fahalalanay.
20Tsy hangataka ny hiteny aminy aho;
sa maniry ny hataony levona ve ny tenako?
21Tampotampoka teo dia tsy hita ny fahazavana
fa voatakon-drahona ny masoandro.
Avy eo dia nisy rivotra nitsoka
sy nampisava izany rahona izany.
22Tara-bolamena no nipoitra avy any avaratra,
ary famirapiratana mahatahotra
no indro manodidina an’Andriamanitra.
23Izy no ilay Tsitoha tsy haintsika akaikezina,
sady lehibe amin’ny hery ananany;
fatra-pitandro ny rariny sy ny fahamarinana Izy
ka tsy mba mampahory ny olona.
24Koa izany no tokony hanajana an’Andriamanitra;
fa tsy jereny kosa izay mihambo ho hendry.

lundi 27 janvier 2020

Alatsinainy 27 Janoary 2020 - Lio 19 : 45 - 48

45Nony tafiditra tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia nandroaka ireo mpivarotra 46sady nanao taminy hoe:
–izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia trano fivavahana.» Nefa he itỳ izy ataonareo zohy fieren’ny mpangalatra!

47Ary nampianatra isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; fa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna mbamin’ny loholom-bahoaka kosa nitady hahafaty Azy. 48Saingy tsy hitan-dry zareo izay hatao satria liana fatratra ny vahoaka rehetra mihaino Azy.

dimanche 26 janvier 2020

Alahady 26 Janoary 2020 - Mat 8 : 1 - 4

1Raha nidina avy teo an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahina vahoaka maro. 2Ary indro nisy lehilahy marary hoditra nanatona Azy, dia niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe:
–Tompo ô, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!

3Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe:
–Sitrako, madiova ianao!
Avy hatrany dia nadio ny aretin-koditra nahazo an-dralehilahy.

4Ary hoy i Jesoa taminy:
–Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.

samedi 25 janvier 2020

Sabotsy 25 Janoary 2020 - Hos 6 : 1 - 3

1Hoy ianareo roa tonta hoe:
«Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika;
fa Izy no nahatonga ny ratrantsika,
nefa Izy ihany no hahasitrana antsika.
Izy no nikapoka antsika
nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.
2Rehefa afaka roa andro,
dia hovelominy indray isika;
amin’ny andro fahatelo
dia hatsangany indray isika
ho velona eo anatrehany.
3Amin’izay aoka hiaiky ny TOMPO isika;
eny, aoka hiezaka hiaiky Azy isika!
Azo antoka toy ny mazava atsinanana
ny firotsahany hanao izany.
Fa toy ny oram-baratra no hiaviany amintsika,
dia toy ny oran-dohataona manamando tany.»

vendredi 24 janvier 2020

Zoma 24 Janoary 2020 - Jos 4 : 20 - 24

20Dia nasain’i Josoa natsangana tao Gilgala ireo vato 12 nalaina tao Jôrdàna; 21avy eo dia hoy izy tamin’ny vahoaka israelita:

–Any aoriana any, rehefa hanontanian’ny zanakareo ny anton’ireto vato ireto ianareo, 22dia izao no hampahafantarinareo azy: «Nandia tany maina isika Israelita fahizany raha nita io Jôrdàna io. 23Eny, nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo maina ny falehan’ny ranon’i Jôrdàna teo anoloantsika mandra-pitantsika, tahaka izay nataony tamin’ny Ranomasin’ny Volotara teo anoloan’ny razantsika mandra-pitany.» 24Izany no hahafantaran’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa lehibe ny herin’ny TOMPO, ary hanajanareo mandrakizay ny TOMPO Andriamanitrareo!

jeudi 23 janvier 2020

Alakamisy 23 Janoary 2020 - II Kor 2 : 14 - 17

14Kanefa hisaorana anie Andriamanitra Izay mampiombona anay mandrakariva amin’ny fandresen’i Kristy. Ampiasain’Andriamanitra izahay hampiely amin’ny toerana rehetra ny fahalalana an’i Kristy, ho toy ny hanitra mamerovero hatraiza hatraiza. 15Fa tahaka ny zava-manitra ataon’i Kristy fanatitra ho an’Andriamanitra izahay, na amin’ny voavonjy na amin’ny very: 16fofona mahafaty tokoa izany ho an’ny very, fa fofona mahavelona tokoa ho an’ny voavonjy. Koa iza moa no antonona ho amin’izany asa izany? 17Izahay dia tsy toy ny sasany manao ny tenin’Andriamanitra ho filàm-bola, fa miteny toy ny olona irahin’Andriamanitra sady mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny maha mpanompon’i Kristy anay.

mercredi 22 janvier 2020

Alarobia 22 Janoary 2020 - Jer 31 : 35 - 37

35Iza no mametraka ny masoandro
ho fanazavana amin’ny antoandro?
Iza no mandidy ny volana aman-kintana
ho fanazavana amin’ny alina?
Iza no manetsika ny ranomasina
mba hampisafoaka ny onjany?
Ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.
Fa izao no lazain’io TOMPO io:
36«Raha tàhiny tsy manan-kery intsony
ireo lalàna voajanahary ireo eo anatrehako,
dia hitsahatra tsy ho firenena intsony
ny taranak’i Israely eo anatrehako.
Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
37Raha misy maharefy ny haavon’ny lanitra, hoy AHO,
na afaka hahafantatra ny halalin’ny tany,
dia holaviko i Israely manontolo
noho ny ratsy rehetra nataony,
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»

mardi 21 janvier 2020

Talata 21 Janoary 2020 - Mar 8 : 22 - 26

22Ary tonga tao Betsaidà i Jesoa sy ny mpianany. Dia indreo nisy olona nitondra lehilahy jamba teo amin’i Jesoa, ka niangavy Azy hikasika ilay jamba. 23Dia notantanan’i Jesoa ilay jamba, ka nentiny nankany ivelan’ny tanàna; dia nasiany rora ny mason’ilay jamba ary rehefa nametrahany tanana izy, dia nanontaniany hoe:
–Mahita ve ianao?

24Nitraka ralehilahy sady namaly hoe:
–Mahita aho, indreny ny olona fa tahaka ny hazo no ahitako azy, saingy izy mandehandeha.

25Dia nametrahan’i Jesoa tanana fanindroany ny masony; ary nahiratry ralehilahy ny masony ka sitrana, ary dia nazava tsara no nahitany ny zavatra rehetra. 26Nalefan’i Jesoa hody any an-tranony ralehilahy sady nilazany hoe: «Aza mankao an-tanàna!»

lundi 20 janvier 2020

Alatsinainy 20 Janoary 2020 - Eze 34 : 20 - 26

 20Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY amin’ny andianondriny: ‹Izaho mihitsy no hitsara ny adinareo ondry matavy sy ondry mahia. 21Natositosikareo matanjaka tamin’ny sorokareo sy ny tehezanareo ireo ondry osaosa rehetra, ary nototoin’ny tandrokareo ambara-pandroakanareo azy ho any ivelan’ny tanim-bilona. 22Koa tonga Aho hamonjy azy mba tsy ho lasan’ny mpangalatra intsony, ary hotsaraiko ny adin’ny ondry samy ondry. 23Mpiandry tokana no hatsangako hitarika azy, ka izy no hiandry azy, dia i Davida mpanompoko izany. Izy no hikarakara azy ary ho mpiandry azy tokoa. 24Izaho TOMPO no ho Andriamaniny ary i Davida mpanompoko no ho filoha eo anivony. Izaho TOMPO no miteny izany.›

25«Hanao fanekempihavanana amin’ny andianondriko Aho: Hofoanako tsy ho eo amin’ny tany ny biby masiaka ka honina am-pilaminana any an-taniefitra izy ary handry any an’ala aza. 26Avelako honina eny amin’ny manodidina ny tendrombohitra voatokana ho Ahy izy. Harotsako ara-potoana ny ranonorana ka hitondra fitahiambe izany.

dimanche 19 janvier 2020

Alahady 19 Janoary 2020 - Asa 5 : 29 - 32

29Fa novalian’i Petera sy ny apôstôly hoe:
–Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan’ilay Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, Izay nahantonareo teo amin’ny hazofijaliana no namonoanareo azy. 31Efa nasandratr’Andriamanitra eo ankavanany Izy ka tonga Mpitari-dalana sy Mpamonjy mba hahazoan’ny vahoaka Israely miala amin’ny toe-dratsy sady mandray famelan-keloka. 32Vavolombelona manambara izany ny tenanay mbamin’ny Fanahy Masina nomen’Andriamanitra ny olona manaiky Azy.

samedi 18 janvier 2020

Sabotsy 18 Janoary 2020 - Isa 54 : 11 - 17

11Ry ilay Jerosalema ory ô,
nasafotofoton’ny tafio-drivotra ianao
saingy tsy nisy olona nampahery!
Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO aminao:
«Indro Aho hanangana anao amin’ny vato miloko,
ary hamboatra ny fanorenanao amin’ny vato safira.
12Hataoko vato robisa ny tilikambo madinika
eny an-tampon’ny mandanao,
hataoko vato kristaly ny vavahadinao
ary hataoko vatosoa ny manda
izay manodidina anao manontolo.
13Izaho TOMPO no hahatonga
ny zanakao rehetra ho mpianatro,
ka hiadam-pinaritra fatratra ireo.
14Hitombina mafy amin’ny fahamarinana ianao:
hampanalaviriko anao ny famoretana,
ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao;
hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana,
ka tsy hananontanona anao intsony.
15Na dia misy miara-mioko aza,
dia tsy avy amiko izany;
sady na iza na iza miara-mioko hamely anao,
dia ho lavo eo anoloanao izy.
16Jereo fa Izaho ihany no nahary ny mpanefy
izay mifofotra ny afon’arina
ka mahavita fitaovam-piadiana
hampiasaina amin’izay ilana azy;
nefa Izaho ihany koa no nahary ny mpandrava
izay hamotika izany fitaovam-piadiana izany.
17Ny fiadiana isan-karazany
tefena hamelezana anao
dia tsy hahomby mihitsy;
ary ny olona rehetra izay miampanga anao
eo anoloan’ny fitsarana
dia horesenao lahatra.
Izany no ho anjaran’ireo mpanompoko,
ary izany no rariny hananany avy amiko.»

vendredi 17 janvier 2020

Zoma 17 Janoary 2020 - Mar 4 : 35 - 41

35Ny harivan’iny andro iny ihany dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:
–Andeha isika hankerỳ ampita!

36Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an’i Jesoa tamin’ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy. 37Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely. 

38I Jesoa anefa natory teo amin’ny zoron-tsambo terỳ aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe:
–Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?
39Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra ary nanao tamin’ny farihy hoe:
–Mangîna! Mitonia!
Dia nitsahatra ny rivotra ary nanjary tony dia tony ny andro. 40Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:
–Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana angaha ianareo?
41Ary natahotra dia natahotra tokoa iretsy mpianany, ka nifampilaza hoe:
–Fa iza àry io no manaiky Azy hatramin’ny rivotra sy ny farihy?

jeudi 16 janvier 2020

Alakamisy 16 Janoary 2020 - Eks 6 : 2 - 8

2Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe:
–Izaho no «TOMPO». 3Tamin’ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha» no nisehoako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr’ireo ny anarako hoe «TOMPO.» 4Nanao fanekempihavanana tamin’izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany. 5Efa reko ny fitarainan’ny Israelita amin’ny asa fanandevozana ampanaovin’ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho. 6Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo. 7Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin’ny asa an-terivozona nampanaovin’ny Ejiptianina.

8Hoentiko any amin’ny tany izay efa nianianako tamin’ny tsangan-tanana fa homeko an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.»

mercredi 15 janvier 2020

Alarobia 15 Janoary 2020 - Rom 1 : 18 - 23

18Efa anehoan’Andriamanitra ny fahatezerany avy any an-danitra ny olona, satria tsy manaja an’Andriamanitra ary manao ny tsy rariny amin’ny namana; ka noho ny asa ratsin’ny olona, dia voasarona ilay Andriamanitra tena Izy. 19Fa miharihary amin’ny olona ny tokony ho fantany momba an’Andriamanitra taminy. 20Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin’ny nahariany an’izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ny olona. 21Nahalala an’Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto. 22Nilaza ho hendry ny olona, nefa tonga adala. 23Ilay Andriamanitra be voninahitra sy tsy mety levona nosoloany sarin-javatra mety levona, dia sary mampiseho olona, vorona, biby mandeha tongotra efatra na biby mikisaka.

mardi 14 janvier 2020

Talata 14 Janoary 2020 - Isa 41 : 8 - 13

8Ianao kosa, ry Israely mpanompoko,
firenen’i Jakôba izay nofidiko,
taranak’i Abrahama sakaizako,
9ianao izay nalaiko avy tany am-paran’ny tany
sady nantsoiko avy amin’ny faritra lavitra indrindra,
ianao no itenenako hoe: «Mpanompoko ianao;
Izaho no nifidy anao ka tsy manary anao.»
10Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho,
aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao.
Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa;
ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.
11Indro ho menatra sy ho afa-baràka
izay rehetra naneso anao.
Hanjary tsinontsinona sy ho levona
ny mpanohitra anao.
12Hotadiavinao ireo mpisetrasetra anao
fa tsy ho hitanao;
hanjary tsinontsinona sy zava-poana
ireo mpiady aminao.
13Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao,
Izay mitantana anao amin’ny tanan-kavananao
sady mamerimberina aminao hoe:
«Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.»

lundi 13 janvier 2020

Alatsinainy 13 Janoary 2020 - Lio 13 : 10 - 13

10Nampianatra tao amin’izay sinagôga izay i Jesoa indray sabata. 11Nisy vehivavy anankiray teo, azon’ny fanahy ratsy mahafarofy nandritra ny 18 taona ka nanjoko tsy nahatraka mihitsy. 12Niantso azy i Jesoa nony nahita azy, ka nanao taminy hoe:
–Ramatoa, afaka amin’ny rofinao ianao!

13Dia nametrahan’i Jesoa tanana ravehivavy ary nitraka niaraka tamin’izay ka nanome voninahitra an’Andriamanitra. 14Tezitra ny lehiben’ny sinagôga satria andro sabata no nanaovan’i Jesoa fanasitranana. Nandray fitenenana ny lehiben’ny sinagôga ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe:
–Andro enina no tokony hiasana; ka mandritra ireo andro ireo ianareo no tongava hositranina, fa tsy amin’ny andro sabata!

dimanche 12 janvier 2020

Alahady 12 Janoary 2020 - Eks 3 : 15 - 22

15Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby. 16Mandehana, vorio ny loholon’i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta; 17koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.» 18Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.» 19Kanefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta raha tsy terem-pahefana mahery.

20Izany no hanehoako ny fahefako tsy hay tohaina ka hamelezako an’i Ejipta amin’ny zava-mahagaga rehetra izay hataoko ao anatiny, ary aorian’izany vao halefany ianareo. 21Homeko tombontsoa eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity ka tsy hitondra tanam-polo mody. 22Ny vehivavy israelita tsirairay avy dia samy hangataka amin’ny vehivavy ejiptianina ao aminy na manodidina azy firavaka volafotsy sy volamena mbamin’ny fitafiana. Hampitondrainareo ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo ireny, ka hataonareo fongana ny Ejiptianina.

samedi 11 janvier 2020

Sabotsy 11 Janoary 2020 - Mat 14 : 22 - 33

22Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiditra tao an-tsambokely ireo mpianatra ary nasainy hialoha Azy eny ampita; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody. 23Rehefa avy nandefa ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka. Nony maizina ny andro, dia i Jesoa irery sisa teo. 24Ny sambokely tamin’izay dia efa kilaometatra vitsivitsy avy eny amorona ary natopatopan’ny alon-drano, satria notohain’ny rivotra. 25Ary tamin’ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony rano. 26Kanjo nahatazana an’i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ka raiki-tahotra sady nanao hoe:
–Matoatoa io!

Niantsoantso mafy ny mpianatra noho ny tahotra. 27Avy hatrany anefa dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe:
–Mahereza, fa Izaho ity; aoka izay ny tahotra!

28Dia hoy i Petera tamin’i Jesoa:
–Tompo ô, raha Ianao tokoa, dia asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.

29Dia novalian’i Jesoa hoe:
–Avia!

Ary niala tao an-tsambokely i Petera ka nandeha teny ambony rano hankeny amin’i Jesoa. 30Kanjo nony hitan’i Petera fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary raha nanomboka nilentika izy, dia niantsoantso mafy hoe:
–Tompo ô, vonjeo aho!

31Avy hatrany i Jesoa dia nanatsotra tanana ka nandray an’i Petera ary nanao taminy hoe:
–Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?

32Ary rehefa tafakatra tao an-tsambokely i Jesoa sy i Petera, dia nitsahatra ny rivotra. 33Ry zareo tao an-tsambokely kosa niankohoka teo anatrehan’i Jesoa sady niteny hoe:
–Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!

vendredi 10 janvier 2020

Zoma 10 Janoary 2020 - Asa 12 : 1 - 10

1Tamin’izany fotoana izany, dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina ny olona sasantsasany anisan’ny Fiangonana mba hampahorîna. 2Novonoiny tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Jôhany; 3ka nony hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera. (Andro fankalazana ny Azima indrindra tamin’izay.) 4Rehefa voasambotr’i Herôda i Petera, dia nataony am-ponja; andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy, no nasain’ity mpanjaka niandraikitra ny fiambenana azy. Nokasain’i Herôda hotsaraina imasom-bahoaka manko izy aorian’ny Paska. 5Voatana tao am-ponja àry i Petera, fa ny Fiangonana kosa nivavaka mafy tamin’Andriamanitra ho azy.

6Ny alina mialoha ny hitsaran’i Herôda azy ampahibemaso, dia natory teo anelanelana miaramila roa lahy i Petera. Voafatotra gadra vy anankiroa izy, ary teo am-baravaran’ny fonja dia efa nasiana mpiambina. 7Dia indro nisy anjelin’ny Tompo tonga teo, ary namirapiratry ny hazavana tao amin’ilay efitry ny fonja. Notohinin’ilay anjely teo amin’ny tehezany i Petera, dia nofohaziny ka nataony hoe:
–Mitsangàna faingana!

Nilatsaka ho azy ny gadra tamin’ny tanan’i Petera. 8Dia hoy ilay anjely taminy:
–Misikîna ary anaovy ny kapa.

Dia nataon’i Petera izany. Ary hoy koa ilay anjely taminy:
–Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.

9Dia niala tao am-ponja nanaraka an’ilay anjely i Petera. Saingy tsy fantany ho zavatra tena marina izay nataon’ny anjely fa noheveriny ho fahitana fotsiny. 10Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy ireo, dia tonga teo amin’ny vavahady vy mahazo ny lalana ho any an-tanàna. Nivoha nidanadana ho azy ilay vavahady ka dia tafavoaka soa aman-tsara izy ireo. Nizotra tamin’izay lalana anankiray izay izy ireo, ary dia nilaozan’ny anjely tampoka i Petera.

jeudi 9 janvier 2020

Alakamisy 09 Janoary 2020 - Jao 11 : 32 - 41

32I Maria kosa, nony tonga teo amin’izay nitoeran’i Jesoa, ka nahita Azy, dia niankohoka teo an-tongony sady niteny taminy hoe:
–Raha teto Ianao, ry Tompo, dia tsy maty ny anadahiko!

33Nony hitan’i Jesoa fa nitomany i Maria ary nitomany koa ireo Jiosy niaraka taminy, dia niontana ny fony ka tora-kovitra Izy 34sady nanao hoe:
–Aiza no nandevenanareo azy?

Dia hoy ireo taminy:
–Avia Ianao hizaha, ry Tompo!

35Nitomany i Jesoa, 36ka hoy ny Jiosy:
–Akory ity haben’ny fitiavany an’i Lazara!

37Fa hoy kosa ny sasany tamin’izy ireo:
–Efa nampahiratra ny mason’ilay jamba Izy, ka tsy hainy natao ve ny tsy hahafaty an-dralehilahy ity?

Velona aina indray i Lazara
38Dia niontana indray ny fon’i Jesoa ka nankeo amin’ny fasana Izy. Zohy notampenana vato izany fasana izany.

39Dia hoy i Jesoa:
–Esory ny vato!

Fa i Marta, ilay anabavin’ny maty, no namaly Azy hoe:
–Efa maimbo ny faty, ry Tompo, satria efatra andro izay no nandevenana azy.

40Ary hoy i Jesoa taminy:
–Tsy efa voalazako taminao ve fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?

41Dia nesorin’ny olona ny vato. I Jesoa kosa nanandratra ny masony any ambony sady nanao hoe:
–Ray ô, misaotra Anao Aho, satria efa nihaino Ahy Ianao. 42Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ny vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy.

mercredi 8 janvier 2020

Alarobia 08 Janoary 2020 - Jao 10 : 24 - 30

24Koa nitangoronan’ny Jiosy Izy nanontaniany hoe:
–Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao tokoa no ilay Mesia, mba lazao mazava aminay!

25Dia hoy i Jesoa taminy:
–Efa nilaza taminareo Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin’ny anaran’ny Raiko dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy, 26nefa ianareo tsy mino satria tsy mba isan’ny ondriko. 27Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy. 28Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. 29Ny Raiko Izay nanolotra azy tamiko dia lehibe noho ny rehetra, ka tsy misy olona maharombaka azy eo an-tanan’ny Ray. 30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

mardi 7 janvier 2020

Talata 07 Janoary 2020 - Jon 2 : 1 - 11

1Nandefa trondro lehibe hitelina an’i Jônà ny TOMPO. Koa nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon’ilay trondro i Jônà. 2Tao izy no nanandratra izao vavaka izao tamin’ny TOMPO Andriamaniny 3ka nanao hoe:

Tao an-katerena aho, TOMPO ô,
no velon-taraina taminao,
ka namaly ahy Ianao;
tao anatin’ny toeran’ny maty
no niantsoako vonjy taminao,
ka nihaino ahy Ianao.
4Natsipinao tao amin’ny lalina aho,
dia tao an-kibon’ny ranomasina.
Nanafotra ahy ny riaka;
natosakao tamiko avokoa
ny alon-dranonao aman’onjanao.
5Dia hoy aho anakampo hoe:
«Indro aho voaroaka tsy ho eo imasonao, Tompo ô,
kanefa mbola manatrika ny tempolinao masina ihany.»
6Efa mby hatendako ny rano;
nanafotra ahy ny ranomasina,
ary ny ahidrano nisaringotra amin’ny lohako.
7Tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra
no nahatafalatsaka ahy,
ka nihidy tamiko mandrakizay
ny vavahadin’ny sehatry ny maty.
Nefa Ianao, ry TOMPO Andriamanitro ô,
nampiakatra ahy velona avy tao an-davaka.
8Raha iny efa ho faty iny aho,
dia nahatsiaro Anao, TOMPO ô,
ary ny vavaka nataoko taminao
dia tonga tao an-tempolinao masina.
9Fa izay mivavaka amin’ny andriamani-tsiizy
dia aoka hiala amin’ireny sampy ifikirany ireny.
10Fa izaho kosa amin-kira fiderana
no hanolorako sorona aminao,
ary hanefako ny voady izay nataoko.
Anao, TOMPO ô, ny famonjena!

11Ary notenenin’ny TOMPO ilay trondro mba hamoaka an’i Jônà, dia naloany ho eny amin’ny tany maina izy.

lundi 6 janvier 2020

Alatsinainy 06 Janoary 2020 - Isa 43 : 11 - 13

11Izaho dia Izaho ihany no TOMPO,
ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
12Izaho no nanambara sy nanome ny famonjena
ka nampahafantatra izany rahateo,
fa tsy nisy andriamani-kafa tao aminareo.
Koa ianareo no vavolombeloko,
hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO;
ary Izaho no Andriamanitra.
13Eny, hatrizay hatrizay
dia izany no maha Izaho Ahy.
Tsy misy maharombaka izay eo an-tanako,
ary tsy misy mahaova izay ataoko.

samedi 4 janvier 2020

Sabotsy 04 Janoary 2020 - Sal 34 : 1 - 8

1 Nataon’i Davida, fony izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka , dia noroahiny ka lasa nandeha.

ALEFA
2Hisaotra ny TOMPO lalandava aho
ary tsy hitsahatra hidera Azy ny vavako.

BETA
3Ny TOMPO no reharehako;
koa mifalia, ry mpandefitra,
rehefa mandre ny fideràko Azy.

GIMELA
4Mankalazà ny TOMPO miaraka amiko ianareo,
ary aoka hiara-manandratra ny voninahiny isika.

DALETA
5Nitady ny TOMPO aho, dia novaliany vavaka;
ka nafahany avokoa ny tahotro rehetra.

HE
6Mijere Azy ianareo, dia aoka ho mirana;

VAO
ny tavanareo tsy ho safo-kenatra intsony.

ZAINA
7Niantso vonjy aho fa olo-mahantra
ka nohenoin’ny TOMPO sy novonjeny
tamin’izay fahoriako rehetra.

HETA
8Ny anjelin’ny TOMPO miambina
manodidina ny mpanaja an’Andriamanitra
ka manafaka azy amin’ny loza.

vendredi 3 janvier 2020

Zoma 03 Janoary 2020 - Est 7 : 1 - 10

1Dia lasa ny amperôra sy i Hamàna nankany amin’i Estera mpanjakavavy, ho ao amin’ilay fanasana faharoa. 2Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy indray ny amperôra tamin’i Estera:
–Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany ary ho azonao tokoa.

3Dia namaly i Estera mpanjakavavy ka nanao hoe:
–Ry andriamanjaka, raha mba mahazo fitia eo imasonao ary raha sitrakao izao, dia aoka hotsimbininao aina ny tenako sy ny mpiray firenena amiko fa izany no angatahiko sy tadiaviko.

4Namidy manko ny tenako sy ny mpiray firenena amiko mba haringana sy hovonoina ho ripaka; fa raha tàhiny namidy handevozina fotsiny izahay, dia ho nangina ihany aho satria tsy tokony hanahiranana anao izany fampahoriana izany.

5Dia nanontany an’i Estera mpanjakavavy ny amperôra Kserksesa nanao hoe:
–Iza moa ilay olona mikasa hanao izany ary aiza no misy azy?

6Ka novalian’i Estera hoe:
–Io Hamàna ratsy fanahy io no fahavalonay sy mpankahala anay!

Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny amperôra sy ny mpanjakavavy i Hamàna. 7Ary tezitra mafy ny amperôra, dia niala teo amin’ny fanasana ho eny amin’ny zaridainan’ny lapa. I Hamàna kosa nahatsapa fa misy loza hamelezan’ny amperôra azy ka nijanona nangataka tamin’i Estera mpanjakavavy izy mba hotsimbinina ny ainy; 8ary niankohoka teo am-parafaran’i Estera mihitsy aza i Hamàna. Tamin’izay indrindra ny amperôra no niverina avy teo an-jaridaina ho ao an’efitrano fanasana ka vaky vava hoe:
–Dia sahin’ilehio koa ve ny misavika ny mpanjakavavy, eto anatrehako, ato an-dapako?

Vantany vao niloa-bava ireo teny ireo ny amperôra, dia nisy mpanompony nanarona ny tavan’i Hamàna. 9Fa i Harbonà, anisan’ireo tandapa, dia nilaza tamin’ny amperôra hoe:
–Ry andriamanjaka, i Hamàna dia efa nampanamboatra hazo hanantonany an’i Môrdôkay, ilay nanao tatitra hanasoavana anao. Indro miorina eo akaikin’ny tranon’i Hamàna io hazo io, ka 25 metatra ny haavony.

Dia hoy ny amperôra hoe:
–Ahantony amin’io i Hamàna!

10Ary nahantona tamin’ilay hazo efa nomaniny hanantonana an’i Môrdôkay i Hamàna. Dia vao izay no nionona ny fahatezeran’ny amperôra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12