jeudi 31 décembre 2015

Alakamisy 31 Desambra 2015 - Isa 44 : 21 - 23

21Ry firenen'i Jakôba, ry vahoaka Israely,
aoka hotsarovanao izao: «Mpanompoko ianao!
Izaho no namolavola anao hanompo Ahy.
Tsy hohadinoiko ianao, ry vahoaka Israely!
22Nofafako toy ny rahona ny fahadisoanao
ary nolevoniko toy ny zavona ny fahotanao.
Koa miverena amiko ianao fa efa navotako.»

23Miasa ny TOMPO ka mihobia, ry lanitra,
ary miravoravoa, ry fanambanin'ny tany.
Ataovy manako ny hoby, ry tendrombohitra
mbamin'ny ala sy ny hazo rehetra ao,
fa ny TOMPO efa nanavotra ny firenen'i Jakôba
ary efa naneho voninahitra tamin'ny vahoaka Israely.

mercredi 30 décembre 2015

Alarobia 30 Desambra 2015 - Eks 23 : 25 - 30

25Izaho TOMPO Andriamanitrareo irery ihany no hivavahanareo; amin'izay Aho dia hitahy anareo ka hanome anareo sakafo sy fisotro, sady hampanalavitra ny aretina aminareo. 26Tsy hisy vehivavy ho afa-jaza na ho momba eo amin'ny taninareo, ary hataoko ela velona ianareo.
27«Halefako hialoha anareo ny tahotra Ahy, ka hisavoritaka ny firenena rehetra izay hidiranareo.28Halefako hialoha anareo koa ny takolapanenitra ka hampandositra ny Hivita sy ny Kanahanita ary ny Hetita mialoha ny fahatongavanareo. 29Tsy hampandosiriko anareo ao anatin'ny taona iray ihany anefa ireo firenena ireo, fandrao hanjary ho lao ny tany ka hihamaro hamely anareo ny bibidia.30Horoahiko tsikelikely ny fahavalonareo, arakaraka ny hihamaroanareo ka handraisanareo ny tany ho anareo.

mardi 29 décembre 2015

Talata 29 Desambra 2015 - Rom 1 : 1 - 7

1Avy amiko Paoly mpanompon'i Kristy* Jesoa ity taratasy ity, dia izaho nantsoin'Andriamanitra ho apôstôly*, ary natokany mba hampahafantatra ny Vaovao Mahafaly* avy aminy.
2Ao amin'ny Soratra Masina no efa nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany*io Vaovao Mahafaly io: 3dia ny amin'ny Zanany*, i Jesoa Kristy Tompontsika. Araka ny maha olombelona, dia avy amin'ny taranak'i Davida mpanjaka i Jesoa; 4araka ny Fanahy Masina kosa, dia naharihary tamin-kery fa Zanak'Andriamanitrajereo Mt 1.1. –Zanak'Andriamanitra: jereo Sal 2.7.'>fony Izy tafatsangana velona avy tany amin'ny maty. 5Tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy no nandraisanay tombon-tsoa maha apôstôly ho voninahitr'i Kristy, mba hitarihanay ny firenen-drehetra hino sy hanaiky Azy. 6Ary ianareo, voaantson'Andriamanitra mba hatokana ho an'i Kristy, dia isan'ireny olona notarihinay ireny koa.

7Mamangy anareo atỳ Rôma aho, dia ianareo rehetra malalan'Andriamanitra sy nantsoiny ho vahoakany*. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

lundi 28 décembre 2015

Alatsinainy 28 Desambra 2015 - Sal 111 : 1 - 10

1 Haleloià*!
ALEFA
              Hoderaiko amin'ny foko manontolo ny TOMPO
BETA
              eo amin'ireo olo-mahitsy
              tafavory sy tafangona.
GIMELA
              2Lehibe ny asa ataon'ny TOMPO
DALETA
              ka tsapan'izay rehetra mankafỳ an'ireny.
HE
              3Madera sady malaza ny zava-bitany;
VAO
              maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
ZAINA
              4Tiany hotsaroana ny zava-mahagaga nataony.
HETA
              Miantra sy mamindrafo ny TOMPO.
TETA
              5Omeny sakafo ireo matahotra Azy;
JODA
              tsaroany lalandava ny fanekempihavanany.
KAFA
              6Ny vahoakany nanehoany ny hery ampiasainy,
LAMEDA
              fony nomeny azy ny tanin'ireo hafa firenena.
MEMA
              7Mahatoky sy ara-drariny ny asa vitany;
NONA
              azo antoka avokoa ny fandaharany:
SAMEKA
              8mafy orina hatrany ka ho mandrakizay ireny,
HAINA
              mahatoky sy mahitsy no nanaovany azy.
PE
              9Nandefasany fanafahana ny vahoakany
TSADE
              sy nandraiketany fanekempihavanana mandrakizay.
KÔFA
              Andriamanitra masina sy mahatahotra Izy.
RESA
              10Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena:
SINA
              malina tsara izay rehetra mankatò izany.
              Maharitra mandrakizay ny fiderana ny TOMPO.

dimanche 27 décembre 2015

Alahady 27 Desambra 2015 - Lio 2 : 15 - 20

15Rehefa nilaozan'ny anjely* niverina any an-danitra ireto mpiandry* ondry, dia nifampiresaka hoe:
–Andao mihitsy ho any Betlehema isika hizaha izany zava-baovao nampahalalain'ny Tompo antsika izany!

16Dia nandeha faingana izy ireo nankany, ka nahita an'i Maria sy i Jôsefa ary nahita zazakely mandry eo amin'ny fihinanam-bilona. 17Nony avy nahita ireto mpamangy, dia nampiely ny teny nolazain'ny anjely taminy momba io zazakely io; 18ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'ny zavatra voalazan'ireo mpiandry ondry. 19I Maria kosa nitadidy izany rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. 20Dia lasa nody ireo mpiandry ondry ka nanome voninahitra sy dera an'Andriamanitra noho izay rehetra reny sy hitany, araka ny voalazan'ny anjely taminy.

samedi 26 décembre 2015

Sabotsy 26 Desambra 2015 - Jao 1 : 14 - 18

14Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin'ny Ray ho an'ny Zanaka lahitokana. 15Vavolombelona manambara Azy i Jôhany ka niantso mafy hoe:
–Izy no Ilay voalazako hoe: «Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.»

16Feno harem-pahasoavana ilay Teny ka nandraisantsika rehetra fahasoavana tovozin-tsy ritra: 17satria ny lalàna* dia nomen'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy*. 18Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin'ny Ray, no efa nanambara Azy.

vendredi 25 décembre 2015

Zoma 25 Desambra 2015 - Isa 9 : 1 - 6

1Ny vahoaka mandeha ao anatin'ny haizina
dia hahita hazavana lehibe;
ary ny olona mipetraka ao amin'ny tany
izay tandindomin'ny fahafatesana
dia hiposahan'ny hazavana.
2Nohamaroinao ny fifaliany
ary nampitomboinao ny firavoravoany.
Miravoravo eo anatrehanao izy
tahaka ny iravoravoana amin'ny fararano
sy anaovana antsoantsom-pifaliana
rehefa injay mizara babo ny olona.

3Fa ny ziogam*-pamoretana nanindry ny vahoakanao
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny kibay namelezan'ny mpampiasa azy
dia samy hopotehinao avokoa
toy ny tamin'ny andro nampandosiranao ny Midianita'>.
4Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo
ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany
ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra
dia samy hodorana avokoa ho levon'ny afo.
5Satria misy zaza teraka ho antsika,
zazalahy no omena antsika;
eny an-tsorony ny mari-piandrianany,
ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe:
Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery,
Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.
6Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy
ary hampisy fiadanana tsy misy fetra.
Ny sezafiandrianan'i Davida no hipetrahany
ary ny fanjakany no hofeheziny
ka haoriny sy hohamafisiny
amin'ny rariny sy ny hitsiny,
hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Izany no hotanterahin'ny TOMPOn'izao rehetra izao,
vokatry ny firedaredam-pitiavany

jeudi 24 décembre 2015

Alakamisy 24 Desambra 2015 - Lio 1 : 26 - 38

26Rehefa bevohòka enim-bolana i Elizabeta, dia nirahin'Andriamanitra ny anjely* Gabriela ho any amin'ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, 27hankao amin'ny tovovavy fofombadin'ny lehilahy atao hoe Jôsefa. Io Jôsefa io dia taranak'i Davida mpanjaka; ary i Maria no anaran'ilay tovovavy.

28Niditra tao an-tranon'i Maria ilay anjely ka nanao taminy hoe:
–Mifalia, ry nohasoavin'ny Tompo! Momba anao hatrany Izy!

29Taitra tokoa i Maria noho izany teny izany, ka nieritreritra izay mety ho hevitr'ilay fiarahabana.

30Ary hoy ny anjely taminy:
–Aoka izay ny tahotra, ry Maria, fa efa nahazo tombon-tsoa tamin'Andriamanitra ianao! 31Hitoe-jaza ianao, ho tera-dahy, ary i Jesoa no hataonao anarany. 32Ho lehibe Izy sady hantsoina hoe Zanaky ny Avo indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hahatonga Azy ho mpanjaka handimby an'i Davida razambeny; 33dia hanjaka mandrakizay amin'ny vahoaka Israely* Izy ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakàny.

34Fa hoy i Maria tamin'ny anjely:
–Hanao ahoana àry no hahatanterahan'izany, fa izaho manko virijiny?

35Dia novalian'ny anjely hoe:
–Ho tonga eo aminao ny Fanahy Masina, ka ny herin'ny Avo indrindra hanarona anao. Noho izany ilay Masina haterakao dia hantsoina hoe Zanak'Andriamanitra*. 36Ary indro i Elizabeta havanao efa mitoe-jaza koa, na iny izy antitra iny aza, ary efa bevohòka enim-bolana izao ilay natao hoe momba.

37Fa tsy misy zavatra tsy ho vitan'Andriamanitra!

38Tamin'izay dia hoy i Maria:
–Intỳ aho mpanompovavin'ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao!

Dia nandao azy ilay anjely.

mercredi 23 décembre 2015

Alarobia 23 Desambra 2015 - Mik 5 : 1 - 5

1Dia hoy ny Tompo hoe:
«Ianao, ry Betlehema Efratà,
isan'ireo tanàna kely indrindra ao Joda ianao!
Kanefa avy aminao no hamoahako
ilay ho Mpanjaka an'i Israely.
Efa hatramin'ny fahagola no niandohany,
dia hatramin'ny andro taloha elabe.»

2–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany
amin'ny fahavalo
mandra-piavin'ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray;
ka izay sisa velona, amin'ireo rahalahiny
voasesi-tany,
dia hiverina ho any amin'ireo Israelita namany.
3Ary hitsangana hitondra ny vahoaka
izany mpanapaka nampanantenaina izany,
hombàn'ny hery sy heniky ny famirapiratana
avy amin'ny TOMPO Andriamaniny.
Dia handry feizay ny vahoakany,
satria ho lehibe hatrany am-paran'ny tany
izany mpanapaka izany:

4izy no hitondra fiadanana!
–Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina
ka hitsofoka hatraty an-dapantsika,
dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.
5Ary handresy amin'ny sabatra sy lefom-pohy
ireo mpitari-tafika ireo
ka hifehy an'i Asiria, tanin'i Nimrôda.
Izany mpanapaka izany mihitsy
no hanafaka antsika–Izany mpanapaka izany mihitsy no hanafaka antsika: dkt hafa Ireo no hanafaka antsika (jereo and 2, 3).'> amin'ny Asirianina
izay hihoatra sisitany
ka ho tonga hanafika ny tanintsika.

mardi 22 décembre 2015

Talata 22 Desambra 2015 - I Tan 16 : 28 - 37

28Ianareo fianakaviamben'ny firenen-drehetra, tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.

29Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy. Mitondra fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; dia miankohofa eo anatrehan'ny TOMPO, rehefa miseho ny fahamasinany.

30Mangovita eo anoloany, ry mponin'ny tany tontolo, fa izao rehetra izao voaorina mafy ka tsy hihontsona.

31Aoka hifaly ny lanitra, ary hiravoravo ny tany! Lazao amin'ny olona hoe: "Ny TOMPO no mpanjaka!"

32Aoka hirohondrohona ny ranomasina mbamin'izay ao anatiny! Aoka hibita-kafaliana ny saha mbamin'izay rehetra ao aminy!

33Aoka ny hazo any an'ala hihoby mba hitsena ny TOMPO, satria tamy Izy. Eny, tamy Izy mba hifehy ny tany.

34Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany.

35Lazao hoe: "Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay o! Afaho avy any amin'ny hafa firenena izahay ka angony mba hideranay ny anaranao masina, sy hireharehanay amin'ny fankalazana Anao !"

36Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr'i Israely hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Ary ny vahoaka rehetra niredona hoe: " Amen!" sy hoe: "Ankalazao ny TOMPO!"

37Dia teo anoloan'ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO teo i Davida no nanankina adidy tamin-dry i Asafa sy ny namany mba hanao fanompoam-pivavahana tsy an-kiato eo, araka ny raharaha tokony hatao isan'andro,

38nanankinany adidy koa ry i Hobeda-Edoma sy ny namany 68 lahy, sy ilay Hobeda-Edoma zanakalahin'i Jeditona, ary i Hosa mba ho mpiandry vavahady

lundi 21 décembre 2015

Alatsinainy 21 Desambra 2015 - Rom 11: 33 - 36

33Endrey tsy hita pesimpesenina ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Endrey tsy takatry ny saina ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany!

Ka hoy ny Soratra Masina* hoe:
34«Iza no mahalala ny hevitry ny Tompo,
ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?

35Iza no nanome zavatra Azy voalohany
mba handray valiny avy aminy?»

36Fa Izy no iavian'ny zavatra rehetra, Izy no mihazona azy, ary Izy no iafarany. Ho Azy mandrakizay anie ny voninahitra! Amen*.

dimanche 20 décembre 2015

Alahady 20 Desambra 2015 - Fil 1 : 9 - 11

9Ary izao no tonombavaka ataoko ho anareo: hitombo bebe kokoa hatrany anie ny fitiavanareo ka hombàn'ny fahalalana marina sy ny tena fahatakaran-javatra 10mba hahaizanareo mifidy izay tsara; dia hadio sady tsy hanan-tsiny amin'ny andro hiavian'i Kristy ianareo, 11ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an'Andriamanitra.

samedi 19 décembre 2015

Sabotsy 19 Desambra 2015 - Eks 29 : 38 - 46

38«Zanakondry iray taona roa isan'andro no hatolotra tsy tapaka eo ambony alitara*. 39Ny iray hatolotra ny maraina, ary ny iray hatolotra ny hariva. 40-41Miaraka amin'ny zanakondry amin'ny maraina sy ny hariva, dia hitondrana koba telopolo kilao efa voakapoka amin'ny diloilo tsara iray litatra sy sasany sy fanatitra divay iray litatra sy sasany. Ireo dia ho sorona* atolotra Ahy TOMPO, ka ho hanitra ankasitrahina ho Ahy. 42Amin'ny hoavy dia tsy ho tapaka na oviana na oviana ny fanolorana sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO eo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana*, fa eo no hihaonako aminareo sy hitenenako aminao.

43«Eo amin'io toerana io no hihaonako amin'ny Israelita, ka ny voninahitro hanome hasina izany. 44Ny tenako mihitsy no hanokana ny Tranolay fihaonana sy ny alitara, tahaka ny hanokanako an'i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy. 45Hitoetra eo anivon'ny Israelita Aho sady ho Andriamaniny. 46Ka amin'izay no hiekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, dia Izaho Ilay namoaka azy hiala tany Ejipta mba hahazoako miara-monina aminy.
«Izaho no TOMPO Andriamaniny.»

vendredi 18 décembre 2015

Zoma 18 Desambra 2015 - Apo 4 : 9 - 11

9Raha maninona ny tanora no hadio toetra?
Raha mitandrina ny teninao.
10Amin'ny foko manontolo no itadiavako Anao,
koa aza avela handao ny didinao aho.
11Raketiko ato am-poko ny hafatrao
mba tsy hanotako aminao.

jeudi 17 décembre 2015

Alakamisy 17 Desambra 2015 - Mpi 13 : 8 - 25

8Dia nivavaka tamin'ny TOMPO i Manôà ka nanao hoe:
–Tompo ô, miangavy anao aho, mba avereno atỳ aminay ilay lehilahin'Andriamanitra izay efa nirahinao ka hampianatra anay ny tokony hataonay amin'ny zaza izay ho teraka.

9Dia nohenoin'Andriamanitra ny fangatahan'i Manôà; koa niseho tamin-dravehivavy indray ilay anjely raha mbola tany an-tsaha izy. Tsy tafaraka taminy anefa ny lahy; 10koa nihazakazaka ravehivavy nampandre azy hoe:
–Miseho amiko ao indray ange ilay lehilahy tonga tamiko indray andro.

11Dia nanaraka ny vadiny avy hatrany i Manôà, ka nankany amin-dralehilahy ary nanontany azy hoe:
–Ianao ve ilay lehilahy izay niteny tamin'ny vadiko?

Ka novaliany hoe:
–Eny, izaho no izy.

12Fa hoy indray i Manôà hoe:
–Izao àry, rehefa ho tanteraka tokoa ny teninao, dia inona no fitsipika tokony harahinay momba ny zaza? Ary inona no tokony hataonay aminy?

13Dia hoy ilay anjelin'ny TOMPO tamin'i Manôà:
–Tokony hotandreman'ny vadinao avokoa izay rehetra nolazaiko taminy: 14tsy mahazo mihinana izay rehetra avy amin'ny voaloboka izy, tsy hisotro divay na toaka, tsy hihinana sakafo maloto; izay rehetra nandidiako azy dia tokony hotandremany avokoa.

15Ary hoy i Manôà tamin'ilay anjelin'ny TOMPO:
–Mba mijanòna kely aloha ianao ambara-pamboatray zanak'osy ho anao.

16Fa novalian'ilay anjely hoe:
–Na hijanona aza aho, dia tsy hihinana ny sakafo amboarinao; fa raha te hanao sorona* dorana manontolo ianao, dia atolory ho an'ny TOMPO izany.

Fa mbola tsy fantatr'i Manôà ho anjelin'ny TOMPO izy, 17ka nanontaniany hoe:
–Iza moa no anaranao mba hanomezanay voninahitra anao, rehefa tanteraka ny teninao?

18Ary hoy ilay anjelin'ny TOMPO taminy:
–Ahoana moa no anontanianao ny anarako? Anarana mahagaga izany!

19Dia naka zanak'osy sy fanatitra hohanina i Manôà ka napetrany teo ambony vatolampy mba hatolotra ny TOMPO Izay mpanao zavatra mahagaga. Raha mbola nijery teo i Manôà sy ny vadiny, 20dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin'ny sorona teo amin'ny alitara*. Ary hitan'izy roa fa niakatra tao anatin'ny lelafo ilay anjelin'ny TOMPO; koa niankohoka tamin'ny tany izy mivady. 21Dia fantatr'i Manôà tamin'izay fa anjelin'ny TOMPO izy; ary tsy niseho tamin'izy mivady intsony ilay anjely.

22Ary hoy i Manôà tamin'ny vadiny:
–Tena ho faty tokoa isika, satria nahita an'Andriamanitra.

23Fa namaly azy ny vavy hoe:
–Raha te hamono antsika ny TOMPO, dia tsy ho nanaiky ny sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina natolotsika, ary tsy ho nampahita antsika ireny zavatra rehetra ireny na ho nampandre antsika akory torolalana toy ireny aninkeo ireny.

24Ary nitera-dahy ny vadin'i Manôà ka ny anarany nataony hoe Samsôna. Dia nihalehibe ny zaza, ary ny TOMPO nitahy* azy. 25Fony i Samsôna tao an-tobin'i Dana, teo anelanelan'i Tsôrehà sy i Estaôla, no nanomboka nanetsika azy ny Fanahin'ny TOMPO.

mercredi 16 décembre 2015

Alarobia 16 Desambra 2015 - Jao 2 : 1 - 11

1Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea; ary tao ny renin'i Jesoa. 2Nasaina ho amin'io fampakaram-bady io koa i Jesoa mbamin'ny mpianany*. 3Ary satria efa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesoa taminy:
–Tapitra ny divain-dry zareo!

4Ary hoy i Jesoa tamin'ny reniny:
–Ravehivavy, inona no tadiavinao amiko? Moa tsy efa tonga ve ny fotoanandroko?

5Dia hoy ny renin'i Jesoa tamin'ireo mpanompo:
–Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!

6Ary nisy siny vato enina nipetraka teo, ho fidiovana araka ny fanaon'ny Jiosy. Samy nahalany zato litatra eo ho eo ny siny tsirairay avy.

7Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpanompo:
–Fenoy rano ireto siny ireto.

Dia nofenoiny hatramin'ny molony. 8Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpanompo:
–Tovozy amin'izao ka ento any amin'ny mpandahatra ny fanasana.

Dia nentin'ireo mpanompo. 9Ary nanandrana ny rano nanjary divay ity mpandahatra ny fanasana, nefa tsy fantany izay niaviany (fa ireo mpanompo nanovo ny rano no nahafantatra).

Dia niantso ny mpampakatra kosa ity mpandahatra ny fanasana 10ka nilaza taminy hoe:
–Ny an'ny olona rehetra dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa mamomamo ny nasaina, vao arosony izay ratsiratsy kokoa. Fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara hatramin'izao!
11Izany nataon'i Jesoa tao Kanà any Galilea izany no santatr'ireo famantarana narosony. Ary nasehon'i Jesoa ny voninahiny, ka nino Azy ny mpianany.

mardi 15 décembre 2015

Talata 15 Desambra 2015 - Rom 4 : 13 - 25

13Nampanantenain'Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany. Tsy noho izy ireo nandala lalàna*, fa noho izy ireo nino ka neken'Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany. 14Raha ny fanatanterahana ny lalàna no nahatonga azy ireo ho mpandova, dia ho poaka àty ny finoana ary ho foana ny fampanantenana. 15Fa mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra* ny lalàna; ka raha tsy misy ny lalàna, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalàna.

16Noho izany, dia avy amin'ny finoana no ahazoana ny fampanantenana, hany ka fanomezana azo antoka ho an'ny taranak'i Abrahama rehetra: tsy ho an'izay mandala ny lalàna ihany, fa ho an'izay mino tahaka ny nataon'i Abrahama koa. Fa raintsika rehetra i Abrahama, 17araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe: «Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho.» Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan'ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy. 18Nanantena i Abrahama na dia tsy nisy hanantenany aza, ary dia nino fa ho tonga «raim-pirenena» maro, araka ny voalazan'Andriamanitra taminy hoe: «Ho tahaka izany ny taranakao.» 19Tsy nalemy finoana i Abrahama raha nandinika ny tenany izay naman'ny maty, fa efa tokony ho zato taona izy tamin'izay, ary koa raha nandinika an'i Sarà vadiny, izay tsy afa-niteraka intsony. 20Tsy very finoana ny amin'ny fampanantenana izay nataon'Andriamanitra i Abrahama, fa vao mainka aza nankahery azy ny finoany; ka dia nanome voninahitra an'Andriamanitra izy, 21sady natoky mihitsy fa izay nampanantenain'Andriamanitra dia hain'Andriamanitra tanterahina. 22Izany no «nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina.» 23Tsy ho an'i Abrahama ihany anefa ilay voasoratra hoe «nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina», 24fa ho antsika koa, dia isika mino Ilay nanangana an'i Jesoa Tompontsika ho velona avy tany amin'ny maty. 25Fa natolotra ho faty noho ny fahotantsika i Jesoa ary natsangana ho velona mba hahatonga antsika ho olo-marina eo imason'Andriamanitra.

lundi 14 décembre 2015

Alatsinainy 14 Desambra 2015 - Sal 66 : 1 - 4

1 Tononkira tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira.* Salamo.

Mihobia an'Andriamanitra, ry mponina eran-tany.
2Ihirao salamo Izy satria be voninahitra.
Tolory voninahitra Izy amin'ny fiderànareo.
3Lazao amin'Andriamanitra hoe:
«Endrey mampitolagaga ny asanao!
Lehibe dia lehibe tokoa ity herinao,
ka indro fa ikoizan'ny fahavalonao.
4Hiankohoka aminao anie ny mponina eran-tany,
sy hihira salamo ho Anao Andriamanitra,
eny, hihira salamo ho fanajana Anao!»

dimanche 13 décembre 2015

Alahady 13 Desambra 2015 - Mat 21 : 12 - 17

12Dia namantana tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo dia noroahiny avokoa, ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ireo mpivaro-boromahailala nazerany; 13ary hoy i Jesoa tamin'ireo olona ireo:
–Izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana.» Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren'ny mpangalatra!

14Ary nisy jamba sy mandringa nanatona an'i Jesoa tao an-kianjan'ny tempoly ka dia nositraniny. 15Fa tezitra mafy kosa ireo lohandoha-mpisorona sy ireo mpahay lalàna nony nahita ny zava-mahagaga nataony sy nahita ny ankizy madinika niantsoantso tao an-kianjan'ny tempoly hoe: «Dera anie ho an'ny Zanak'i Davida*!» 16Ka hoy ry zareo tamin'i Jesoa:
–Renao ve izay lazain'ireo?

Dia novaliany hoe:
–Eny, reko tokoa! Sady tsy mbola novakînareo ve ny andinin'ny Soratra Masina hoe: «Ny vavan'ny ankizy madinika aman-jaza minono avy no nataonao hahazoan-dera»?

17Dia nilaozan'i Jesoa ry zareo; ary niala tao an-tanàna Izy hankany Betania, ka nandry tany.
Tsy hamoa intsony ilay aviavy

samedi 12 décembre 2015

Sabotsy 12 Desambra 2015 - Isa 66 : 5 - 9

5Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo
izay mandray ny teniny amin-kovitra:
«Misy mankahala anareo ny mpiray firenena aminareo
ka manilika anareo noho ny fanajanareo Ahy,
sady loa-bolana maneso anareo hoe:
‹Aoka ny TOMPO hampiseho ny voninahiny,
dia hahita anareo mandresy izahay!›
Kanjo ireny kosa no ho menatra.»
6Injany misy feo avy any an-tanàna,
misy feo avy ao amin'ny tempoly:
dia feon'ny Tompo Izay mamaly
ny nataon'ny fahavalony.

7Mbola tsy nihetsi-jaza akory, dia niteraka;
ary mbola tsy nanaintaina akory, dia velon-jaza!
8Iza no efa nandre sy nahita zavatra toy izany?
Tany anankiray ve hateraka indray andro monja?
ary firenena iray ve ho azo atao indray miteraka?
Kanefa izany no niseho tamin'i Tsiôna*:
vao nihetsi-jaza izy, dia teraka ireo zanany.
9Ka hoy ny TOMPO Andriamanitrao hoe:
«Raha Izaho no nikarakara ny vehivavy iray
nandritra ny fitondràny vohòka,
dia tsy Izaho no hisakana ny hahaterahany.
Raha Izaho no nanomana ny fahaterahana,
dia tsy Izaho no hanao izay tsy hiterahany.»

vendredi 11 décembre 2015

Zoma 11 Desambra 2015 - Apo 5 : 11 - 14

11Dia nahita aho sady nandre ny anjely maro, miisa arivoarivo sy alinalina. Nanodidina ilay sezafiandrianana sy ny zava-miaina ary ny loholona ireo, 12ka nanao tamin'ny feo mahery hoe:
«Ny Zanakondry, Izay efa voavono ho faty,
no mendrika handray ny fahefana sy ny harena,
ny fahendrena sy ny hery,
ny haja sy ny voninahitra ary ny dera.»

13Ary ny voaary tontolo eny ana habakabaka sy etỳ an-tany ary any ambanin'ny tany sy any an-dranomasina, izany hoe ny zavatra rehetra ao anatin'ireo, dia reko samy nanao hoe:
«An'Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana
sy an'ny Zanakondry
ny dera sy ny haja ary ny voninahitra sy ny fanjakana
mandrakizay mandrakizay!»

14Dia novalian'ny zava-miaina efatra hoe: «Amen*!» Ary ny loholona kosa niankohoka sy nitsaoka.

jeudi 10 décembre 2015

Alakamisy 10 Desambra 2015 - Roma 15 : 5 - 12

5Ary Andriamanitra loharanon'ny faharetana sy ny fampaherezana anie hampiray hina anareo, hanaraka ny ohatra nomen'i Kristy Jesoa. 6Ka mba hiray feo ianareo hiara-manome voninahitra an'Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika.

7Koa mifandraisa tsara ianareo, tahaka ny nandraisan'i Kristy* anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra. 8Fa izao no ambarako aminareo: Tonga mpanompon'ny Jiosy i Kristy mba hahatanteraka ny fampanantenana natao tamin'ny razan'izy ireo ka anehoana fa azo antoka Andriamanitra.

9Ary izany koa dia mba hahazoan'ny hafa firenena* manome voninahitra an'Andriamanitra noho ny famindrampony, araka izay voalazan'ny Soratra Masina* hoe:
«Izany no hiderako Anao any amin'ny hafa firenena
sy hihirako ho voninahitry ny anaranao.»

10Ary hoy indray ny Soratra Masina hoe:
«Miaraha miravo amin'ny vahoakan'ny Tompo,
ry hafa firenena!»

11Ary koa hoe: «Derao ny Tompo, ry firenena rehetra;
ankalazao Izy, ry vahoaka rehetra!»

12Ary hoy indray i Isaià hoe:
«Ho avy ilay solofon'i Jisay,
dia ilay hitsangana hifehy ny firenena:
Izy no hitokian'ireo firenena!»

mercredi 9 décembre 2015

Alarobia 09 Desambra 2015 - Sal 86 : 8 - 13

8Tompo ô, tsy misy tahaka Anao
amin'ireo andriamanitra;
tsy misy mahavita ny vitanao.
9Ianao no namorona ny firenen-drehetra,
ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao izy
ary hanome voninahitra Anao, Tompo ô,
10fa lehibe Ianao sy manao zava-mahagaga;
Ianao ihany no tena Andriamanitra.

11TOMPO ô, toroy ny lalanao aho
mba handehanako araka ny fahamarinanao,
ataovy tokam-po aho mba hankatò Anao.
12Tompo Andriamanitro ô,
hoderaiko amin'ny foko manontolo Ianao
ary homeko voninahitra mandrakizay,
13satria lehibe ny fitiavanao ahy;
fa izaho no efa nafahanao
tsy ho lasa any an-davaka,
any amin'ny toeran'ny maty any.

mardi 8 décembre 2015

Talata 08 Desambra 2015 - Mat 15 : 29 - 31

29Niainga avy teo i Jesoa dia lasa nankany amoron'ny farihin'i Galilea, ary niakatra nankeo an-tendrombohitra ka nipetraka teo. 30Ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy sady nitondra ny mandringa, ny jamba, ny kilemaina, ny moana, mbamin'ny maro hafa koa; napetraka teo an-tongotr'i Jesoa ireo marary ireo ka nositraniny. 31Gaga ny vahoaka raha nahita ny moana niteny, ny kilemaina nanjary tomady, ny mandringa nandeha tsara sy ny jamba nahiratra, ka dia nanome voninahitra an'ilay Andriamanitr'i Israely*.

lundi 7 décembre 2015

Alatsinainy 07 Desambra 2015 - Efe 1 : 7 - 14

7Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan'Andriamanitra ny harem-pahasoavany, 8izay natosany be dia be tamintsika ka nahazoantsika fahendrena amam-pahalalana feno. 9Dia nampahafantarin'Andriamanitra antsika ilay tsiambaratelon'ny sitrapony, araka ny safidy noheveriny hotontosaina ao amin'ny Zanany. 10Eny, hotanterahiny mandra-pahatongan'ny fotoanandro farany izany tsiambaratelo izany: dia ny hampivondrona ny zavatra rehetra, ny any an-danitra sy ny eto an-tany, ao amin'i Kristy Filoha tokana.

11Tafaray amin'i Kristy izahay ka tonga anjara lovan'Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan'Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain'ny sitrapony. 12Hideranay an'Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an'i Kristy.

13Tafaray amin'i Kristy koa ianareo, satria efa renareo ilay hafatra marim-pototra, izany hoe ny Vaovao Mahafaly* izay nitondra ny famonjena taminareo, ary efa ninoanareo i Kristy. Ka dia nasiana tombokase maha fananan'Andriamanitra ianareo, tamin'ny nanomezana anareo ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina. 14Io Fanahy Masina io no antoka hahazoantsika ny lova natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany*, mba hahatanteraka ny fanavotana ireo olona natao mba ho fananan'Andriamanitra, hiderantsika ny voninahitr'Andriamanitra izany!

dimanche 6 décembre 2015

Alahady 06 Desambra 2015 - Isa 60 : 1 - 3

1Mitsangàna, ry Jerosalema ô, mamirapirata,
satria tonga ny famirapiratanao:
ny voninahitry ny TOMPO no manazava anao
toy ny masoandro miposaka.
2Ny haizim-pito manarona ny tany,
ary ny alina mandrakotra ireo firenena;
fa ianao kosa no iposahan'ny TOMPO
sady isehoan'ny voninahiny.
3Ireo firenena hanatona ny fahazavanao
ary ny mpanjaka ho voasariky ny famirapiratana
izay vao miposaka eo aminao.

samedi 5 décembre 2015

Sabotsy 05 Desambra 2015 - II Kor 4 : 12 - 15

12hany ka ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana no miasa ao aminareo.
13Hoy ny Soratra Masina*: «Nino aho, ka izany no nitenenako.» Noho izahay manana io finoana omen'ny Fanahy Masina io, dia mino koa izahay ka izany no itenenanay. 14Fantatray fa Andriamanitra, Izay nanangana an'i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay koa ho velona miaraka amin'i Jesoa, ary hametraka anay mbaminareo ho eo akaikiny.

vendredi 4 décembre 2015

Zoma 04 Novambra 2015 - Apo 14 : 6 - 8

6Ary hitako nisy anjely anankiray hafa koa nanidina teny amin'ny habakabaka farany ambony. Io anjely io dia nanana hafatra soa maharitra mandrakizay hotorîny amin'izay monina ambonin'ny tany, dia amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena mbamin'ny olona samy hafa fiteny sy ny vahoaka isan-tokony; 7ka hoy izy tamin'ny feo mahery hoe: «Manajà an'Andriamanitra ka manomeza voninahitra Azy, fa tonga ny andro fitsaràny! Mitsaoha an'Ilay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'ny loharano.»

8Nanaraka an'io dia nisy anjely faharoa nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, izay nampisotro ny firenena rehetra tamin'ny divainy, dia ny divain'ny fijangajangàny* mihoa-pampana!»

jeudi 3 décembre 2015

Alakamisy 03 Desambra 2015 - Sal 79 : 8 - 13

8Aza tsaroana hamelezana anay
ny heloka vitan'ireo talohanay;
fa aoka ny famindramponao
no ho tonga haingana hitsena anay,
satria voa mafy tokoa izahay!
9Andriamanitra mpamonjinay ô,
vonjeo izahay noho ny voninahitrao;
mba avelao re ny fahotanay,
ka afaho izahay noho ny lazanao.
10Nahoana ny firenen-kafa no hanontany hoe:
«Aiza àry izay Andriamanitrareo?»
Aoka ho fantany sy hohitanay
fa valianao ny ran'ireo mpanomponao
izay novonoin'izy ireny ho faty!
11Aoka ho tonga eo anatrehanao
ny fitarainan'ireo voafonja!
Araka ny haben'ny herinao
no iarovy ny ain'ireo voaheloka ho faty.
12Tompo ô, mba valio impito heny
amin'ireo firenena mifanila aminay
ny fanalàm-baràka nataony Anao.

13Fa izahay vahoakanao,
andian'ondry fiandrinao*,
dia hanolotra fisaorana Anao mandrakizay,
hanambara ny fiderana Anao hatrany hatrany.

mercredi 2 décembre 2015

Alarobia 02 Desambra 2015 - Heb 6 : 7 - 12

7Izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka mahavokatra anana tsara ho an'ny olona iasana azy, dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra. 8Fa izay tany maniry tsilo sy songosongo kosa dia tsy misy antony sady efa hiharan'ny ozon'Andriamanitra; ary hodorana no hiafarany.

9Na izany aza no teninay, ry hava-malala, dia zavatra tsara kokoa sady miantoka ny famonjena anareo no antenainay, raha ny aminareo. 10Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin'ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo. 11Ary dia irînay haneho fahazotoana toy izany hatramin'ny farany ianareo tsirairay avy, mba ho tanteraka tokoa ny zavatra antenainareo. 12Tsy tianay ho ketraka ianareo fa mba hanahaka ireo mino sy maharitra ka manana anjara amin'ny soa nampanantenain'Andriamanitra.

mardi 1 décembre 2015

Talata 01 Desambra 2015 - II Tan 20 : 20 - 30

20Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin'i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin'ny taniefitr'i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe:
–Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin'i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny*, dia handresy ianareo!

21Rehefa niara-nidinika tamin'ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»

22Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo mpihira, dia nataon'ny Tompo nisy fifanjevoana teo amin'ny Hamônita sy Môabita ary Edômita izay tonga hanafika ny Jodeanina, ka dia nifamely ireo. 23Nitsangana ny Hamônita sy Môabita hamely ny Edômita, ka namono nahafaty sy nandringana azy; ary nony voaringan'izy roa tonta ny Edômita, dia izy samy izy kosa avy eo no nifandringana. 24Rehefa tonga teo amin'ilay toerana fitazanana ny taniefitra ireto Jodeanina, dia nijery ity tafika goavana; ka indreo faty niampatrampatra tamin'ny tany no hitany, fa tsy nisy afa-nandositra. 25Dia nandeha nandroba azy i Jôsafata sy ny vahoakany, ka betsaka tokoa ny biby fiompy sy harena ary fitafiana sy fanaka sarobidy hitany. Be loatra ny remby ka na dia nandany telo andro hanangonana aza izy ireo, dia tsy nahazaka azy rehetra.

26Tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny Lohasaha Berakà izy. Tao no nisaorany ny TOMPO, ka izany no niantsoana io toerana io hoe Lohasaha Berakà mandraka androany. 27Ny mponin'i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra izay teo ambany fitarihan'i Jôsafata dia niainga hiverina any Jerosalema indray tamim-pifaliana, satria ny TOMPO efa nampifaly azy fony nafahany tamin'ny fahavalony. 28Dia tonga tany Jerosalema izy nombàn'ny feom-baliha sy lokanga ary trompetra, ka nankao an-tranon'ny TOMPO*.

29Ary azon'ny tahotra an'Andriamanitra ny fanjakana rehetra manodidina, rehefa nandre fa ny TOMPO no niady tamin'ny fahavalon'i Israely. 30Dia nandry feizay ny fanjakàn'i Jôsafata, satria nomen'Andriamanitra fiadanana tamin'ny sisin-tany manodidina izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12