samedi 31 août 2019

Sabotsy 31 Aogositra 2019 - II Tim 2 : 1 - 7

1Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny alalan’ny fahasoavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa. 2Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia ankino amin’ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa.

3Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran’i Kristy Jesoa. 4Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin’ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin’izay mandatsaka azy hiantafika. 5Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. 6Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin’ny vokatra. 7Saino izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.

vendredi 30 août 2019

Zoma 30 Aogositra 2019 - I Jao 5 : 4 - 9

4satria izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao. Ary ny fitaovam-pandresena izay maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5Iza moa no maharesy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no ilay Zanak’Andriamanitra?

6I Jesoa Kristy dia Ilay avy tamin’ny alalan’ny rano sy tamin’ny alalan’ny ra. Tsy tamin’ny rano ihany no nahatongavany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara izany, satria ny Fanahy Masina no fahamarinana. 7Fa ankehitriny, telo no vavolombelona manambara: 8dia ny Fanahy Masina sy ny rano ary ny ra; sady mifanaraka tsara izy telo. 9Raisintsika ny zavatra ambaran’ny olona; ary lehibe noho izany ny zavatra ambaran’Andriamanitra, satria ny zavatra ambaran’Andriamanitra dia izay efa nambarany momba ny Zanany.

mercredi 28 août 2019

Alarobia 28 Aogositra 2019 - Mat 12 : 22 - 30

22Tamin’izay dia nisy lehilahy azon’ny demony nentina teo amin’i Jesoa. Jamba sy moana ralehilahy ka nositranin’i Jesoa ary dia niteny sy nahita. 23Talanjona ny vahoaka rehetra sady vaky vava hoe:
–Tsy ity ve ny Zanak’i Davida?

24Nony nandre izany kosa ny Farisianina, dia niteny hoe:
–Tsy misy androahan’ilay io ny demony, afa-tsy fahefana avy amin’i Belzeboba, filohan’ny demony!

25Fantatr’i Jesoa anefa ny eritreritr’ireo Farisianina ka hoy Izy taminy:
–Ho rava izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na koa ankohonana miady an-trano. 26Raha i Satàna no mandroaka an’i Satàna, dia miady an-trano izy samy izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? 27Ary raha fahefana avy amin’i Belzeboba no androahako ny demony, fahefana avy amin’iza kosa no androahan’ny mpomba anareo azy? Noho izany, ny mpomba anareo ihany no hanameloka anareo. 28Raha Izaho dia ny Fanahin’Andriamanitra mihitsy no androahako ny demony ary miharihary amin’izany fa efa tonga eo aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra.

29Hatao ahoana moa no fiditra an-tranon’ny olona matanjaka handroba ny fananany, raha tsy voafatotra aloha ilay olona matanjaka? Dia izay vao robaina ny ao an-tranony.

30Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka.

mardi 27 août 2019

Talata 27 Aogositra 2019 - Apo 3 : 14 - 22

14–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Laôdisia:
«Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’ny zavaboaarin’Andriamanitra: 15Fantatro ny asanao; fantatro fa tsy mangatsiaka tsy mafana ianao; satriko ianao mangatsiaka na mafana. 16Saingy noho ianao matimaty ka tsy mafana tsy mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao! 17Hoy ianao hoe: manan-karena sy efa nihary fananam-be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mampalahelo, mahantra sy jamba ary mitanjaka. 18Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan’ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao. 19Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao. 20Indro mijoro eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy olona mihaino ny feoko sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiara-misakafo amiko.

21«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.

22«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana.»

lundi 26 août 2019

Alatsinainy 26 Aogositra 2019 - Nom 13 : 30 - 14 : 9

30Nampanginin’i Kaleba ny vahoaka izay nimonomonona tamin’i Mosesy ka nataony hoe:
–Aoka hiakarantsika ny tany ka halaintsika fa haharesy azy tokoa isika.
31Ireo olona niara-niakatra tamin’i Kaleba kosa nanao hoe:
–Tsy afaka manafika ireo olona ireo isika fa mahery lavitra noho isika izy.
32Dia nanao izay haharatsy laza ny tany izay nosafoiny tamin’ny Israelita izy ireo ka niteny hoe:
–Ny tany izay nosafoinay dia tany mamono ny olona tonga monina ao, ary ny olona izay hitanay tao dia ranjanana avokoa. 33Hitanay tao hatramin’ireo olona goavambe taranak’i Hanàka aza; tahaka ny valala izahay miohatra aminy, ary dia toy izany koa no fijeriny anay.

1Nandritra ny alina manontolo dia nikiakiaka sy nitomany avokoa ny vahoaka tafangona teo. 2Nimonomonona tamin’i Mosesy sy I Aharôna ny Israelita rehetra ka nanao hoe:
–Tsara kokoa ho antsika ny maty tany Ejipta na koa maty tatỳ an-taniefitra. 3Fa nahoana isika no nentin’ny TOMPO ho lavon-tsabatra amin’ny tany toy izany? Ho lasan-ko babo avokoa ny vady aman-janatsika; koa tsy aleontsika ve miverina indray any Ejipta?
4Dia nifampilaza izy ireo nanao hoe:
–Aoka isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta!
5Niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israelita rehetra vory teo i Mosesy sy Aharôna. 6I Josa zanakalahin’i Nona sy i Kaleba zanakalahin’i Jefonè izay samy anisan’ny nisafo tany kosa dia nandriatra ny fitafiany 7ary niteny tamin’ny fiangonana israelita tsivakivolo hoe:
–Ny tany izay nosafoinay dia tany tena tsara tokoa. 8Raha ambinin’ny TOMPO isika, dia hoentiny any amin’io tany tondra-dronono sy tantely io ka homeny antsika izany. 9Koa aza mikomy amin’ny Tompo ianareo; ary aza matahotra ny mponin’io tany io, fa tsy misy hataontsika indraim-bava akory ireo. Efa niala taminy ireo andriamanitra fiarovany, fa ny Tompo kosa momba antsika; koa aza matahotra azy ireny ianareo.

dimanche 25 août 2019

Alahady 25 Aogositra 2019 - Mat 15 : 21 - 28

21Dia niala teo i Jesoa ary nankany amin’ny faritanin’i Tiro sy i Sidôna. 22Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin’izany faritany izany, tonga teo amin’i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe:
–Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida ô; fa ampahorîn’ny demony mafy loatra ny zanako vavy!

23Tsy namaly teny azy i Jesoa, ka nohatonin’ny mpianany ary nangatahany hoe:
–Omeo an-dramatoa io izay tadiaviny, satria miantsoantso mafy manjohy antsika izy.

24Fa novalian’i Jesoa hoe:
–Tsy nirahina Aho afa-tsy amin’ireo ondry very, dia ny vahoaka Israely!

25Tonga niankohoka teo anatrehan’i Jesoa anefa ravehivavy ka nanao hoe:
–Tompo ô, ampio re aho!

26Dia novalian’i Jesoa hoe:
–Tsy mety raha mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboakely.

27Fa hoy kosa ravehivavy:
–Marina izany, Tompoko, kanefa na ny amboakely aza dia mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.

28Tamin’izay dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe:
–Lehibe ny finoanao, ramatoa; aoka ho tonga aminao araka izay irînao.

Ary nanomboka tamin’io ora io dia sitrana ilay zanany vavy.

samedi 24 août 2019

Sabotsy 24 Aogositra 2019 - Jak 5 : 12 - 20

12Ary indrindra indrindra, ry havako, aza mianiana mihitsy ianareo, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa; fa aoka hanao «eny» ianareo rehefa manaiky, ary hanao «tsia» rehefa mandà, fandrao hihatra aminareo ny fanamelohan’Andriamanitra.

13Misy ory ve ianareo? Aoka izy hivavaka. Misy finaritra ve? Aoka izy ho velon-kira fiderana. 14Misy marary ve ianareo? Aoka izy hampiantso ireo loholom-piangonana hivavaka eo aminy sady hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo? 15Fa izany vavaka izany, rehefa atao amim-pinoana, dia hahavonjy ilay marary: hositranin’ny Tompo izy ary, raha nanota, dia havela ny helony. 16Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina. 17Olona tahaka antsika izao ihany i Elià; fa nivavaka mafy izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany, dia tsy nilatsaka ny ranonorana telo taona sy tapany; 18ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.

19Ry havako, raha sendra misy aminareo miala amin’ny marina, ka misy mamerina azy, 20dia izao no tsarovy: izay namerin-dalana ny mpanota hiala amin’ny fahadisoany, dia namonjy ny fanahin’izany mpanota izany tsy ho faty sady mikosoka ny fahotana maro miavosa.

vendredi 23 août 2019

Zoma 23 Aogositra 2019 - Lio 4 : 14 - 30

14Nombàn’ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina tany Galilea; ary nanomboka niely tamin’ny faritany manontolo ny lazany. 15Nampianatra tany amin’ny sinagôga Izy sady nomen’ny olona rehetra voninahitra.

16Nandeha tany Nazareta tanàna nahabe Azy i Jesoa ary tamin’ny andro sabata dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony. Nitsangana Izy hamaky ny Soratra Masina 17ka natolotra Azy ny bokin’i Isaià mpaminany. Novelariny ilay boky ary izao no andinin-tsoratra hitany:

18«Ato amiko ny Fanahy avy amin’ny Tompo.
Ka natokan’ny Tompo Aho hanambara
Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra;
nirahiny Aho hitory fanafahana amin’ny mpigadra
sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka ny ampahorîna
19ary hitory taona hanehoan’ny Tompo fanambinana.»

20Rehefa nahorony ilay boky ka naveriny tamin’ny mpandraharaha, dia nipetraka i Jesoa. Nifantoka teny aminy avokoa ny mason’izay rehetra tao amin’ny sinagôga. 21Fa i Jesoa kosa niteny taminy hoe:
–Tanteraka androany amin’izao andrenesanareo azy izao izany andinin’ny Soratra Masina izany.

22Ary samy vavolombelona niaiky Azy daholo ny olona sady gaga noho ny teny soa naloaky ny vavany, ka hoy izy rehetra hoe:
–Tsy zanak’i Jôsefa ve ity?

23Fa i Jesoa kosa nanao taminy hoe:
–Ampiharinareo amiko tokoa ilay ohabolana hoe: «Dokotera, sitrano aloha ny tenanao», satria hoy ianareo tamiko: «Izay rehetra renay fa nataonao tany Kafarnahòma, mba ataovy eto an-tanindrazanao koa!»

24Ary niteny indray i Jesoa hoe:
–Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany to teny eo amin’ny tanàna nahabe azy. 25Ary izao koa no ambarako tsotra aminareo: marobe ireo mpitondratena teo amin’i Israely tamin’ny andron’i Elià, raha nihantona telo taona sy tapany ny ranonorana ka nahatonga mosary lehibe manerana ny tany; 26kanefa tsy nisy nanirahan’Andriamanitra an’i Elià na dia iray aza, fa ilay mpitondratena tany Sarefàta ao amin’ny faritr’i Sidôna ihany. 27Marobe koa ny marary hoditra teo amin’i Israely faha-Elisà mpaminany; kanefa tsy nisy nodioviny na dia iray aza, fa i Nahamàna Sirianina ihany.

28Nisafoaka daholo ny olona teo amin’ny sinagôga nony nandre izany, 29ka niara-nitsangana nandroaka an’i Jesoa tany ivelan’ny tanàna sy nitondra Azy tany an-tampon’ilay havoana iorenan’ny tanàna mba hamarina Azy any an-tevana. 30Izy kosa namakivaky teo afovoan’izy rehetra, dia lasa.

jeudi 22 août 2019

Alakamisy 22 Aogositra 2019 - Isa 54 : 10 - 17

10Fa na dia hifindra hiala aza ny tendrombohitra
ary na dia hihozongozona aza ny havoana,
dia tsy hiala aminao ny fitiavako
ary tsy hihozongozona ny fanekempihavanako
mikendry ny hampiadam-pinaritra anao.
Izaho TOMPO mpamindra fo aminao no milaza izany.»

11Ry ilay Jerosalema ory ô,
nasafotofoton’ny tafio-drivotra ianao
saingy tsy nisy olona nampahery!
Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO aminao:
«Indro Aho hanangana anao amin’ny vato miloko,
ary hamboatra ny fanorenanao amin’ny vato safira.
12Hataoko vato robisa ny tilikambo madinika
eny an-tampon’ny mandanao,
hataoko vato kristaly ny vavahadinao
ary hataoko vatosoa ny manda
izay manodidina anao manontolo.
13Izaho TOMPO no hahatonga
ny zanakao rehetra ho mpianatro,
ka hiadam-pinaritra fatratra ireo.
14Hitombina mafy amin’ny fahamarinana ianao:
hampanalaviriko anao ny famoretana,
ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao;
hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana,
ka tsy hananontanona anao intsony.
15Na dia misy miara-mioko aza,
dia tsy avy amiko izany;
sady na iza na iza miara-mioko hamely anao,
dia ho lavo eo anoloanao izy.
16Jereo fa Izaho ihany no nahary ny mpanefy
izay mifofotra ny afon’arina
ka mahavita fitaovam-piadiana
hampiasaina amin’izay ilana azy;
nefa Izaho ihany koa no nahary ny mpandrava
izay hamotika izany fitaovam-piadiana izany.
17Ny fiadiana isan-karazany
tefena hamelezana anao
dia tsy hahomby mihitsy;
ary ny olona rehetra izay miampanga anao
eo anoloan’ny fitsarana
dia horesenao lahatra.
Izany no ho anjaran’ireo mpanompoko,
ary izany no rariny hananany avy amiko.»

mercredi 21 août 2019

Alarobia 21 Aogositra 2019 - Heb 11 : 1 - 12

1Ny hoe mino dia mahazo antoka tsara ny zavatra antenaina ary matoky ny zavatra tsy hita. 2Izany finoana izany manko no vavolombelon’ny mahatsara laza ny ntaolo.

3Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao; koa izao hita maso izao dia natao avy amin’ny tsy hita maso.

4Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona tsara noho ny an’i Kaina. Izany finoany izany no vavolombelona niantoka fa marina i Abela, satria nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho ny finoany, dia mbola miteny ihany i Abela na dia efa maty aza.

5Finoana no nahatafafindra an’i Henôka ho eo akaikin’Andriamanitra, ka tsy mba niharan’ny fahafatesana izy; ary tsy nisy olona nahita an’i Henôka intsony, noho izy nafindran’Andriamanitra ho eo akaikiny. Ny Soratra Masina no mijoro ho vavolombelona fa efa sitrak’Andriamanitra i Henôka talohan’ny namindrany azy. 6Raha tsy misy finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra; koa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra sady mamaly soa izay mitady Azy.

7Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.

8Finoana no naneken’i Abrahama fony izy nantsoin’Andriamanitra hiainga ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin’i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany. 10Fa i Abrahama dia niandry ilay tanàna mafy orina, ka Andriamanitra no tompo-marika tamin’izany sady nanao azy.

11Finoana no nahazoan’i Abrahama hery hanana anaka, na dia efa antidahibe aza izy ary na dia vehivavy momba aza i Sarà vadiny; satria azon’i Abrahama antoka fa mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 12Olona efa naman’ny maty ihany i Abrahama, nefa dia avy amin’izany lehilahy anankiray izany no niavian’ny taranaka maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka sy toy ny fasika tsy tambo isaina eny amoron-dranomasina.

mardi 20 août 2019

Talata 20 Aogositra 2019 - I Kor 6 : 1 - 8

1Raha misy aminareo manana fifanolanana amin’ny havana kristianina, ahoana no dia ahasahiany mangataka fitsarana amin’ny olona tsy mpino fa tsy amin’ny vahoakan’Andriamanitra? 2Sa tsy fantatrareo ve fa ny vahoakan’Andriamanitra no hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia tsy mendrika anareo ve ny fitsarana izay raharaha madinika indrindra. 3Tsy fantatrareo ve fa hitsara anjely aza isika? Mainka fa izay raharaha momba izao fiainana izao! 4Koa raha zavatra momba izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, dia olona ivelan’ny Fiangonana ve no tendrenareo ho mpitsara? 5Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ve tsy misy olon-kendry na dia anankiray aza eo aminareo mba afaka handamina ny fifanolanan’ny samy kristianina? 6Sady kristianina ve dia hanana ady amina kristianina ary izay indray tsaraina eo anatrehan’ny tsy mpino?

7Efa tena mikorosy fahana ianareo matoa misy fifanolanana samy ianareo. Tsy aleonareo ve mizaka ny tsy rariny? Tsy aleonareo ve miaritra ny fanambakana? 8Kanefa dia ianareo indray no manao ny tsy rariny sy manambaka, ary dia ny havanareo iray finoana ihany no anaovanareo izany.

lundi 19 août 2019

Alatsinainy 19 Aogositra 2019 - Jos 6 : 20 - 23

20Dia nitsoka trompetra ny mpisorona. Ka raha vao nandre ny feon-trompetra ny vahoaka, dia nanezaka mafy nanao akoran’ady; koa nirodana tamin’izay ny manda. Dia niakatra hamely tao an-tanàna samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita ka naka ny tanàna. 21Ary naringany tamin’ny sabatra avokoa ny mponina rehetra tao na lehilahy na vehivavy na antitra na tanora, mbamin’ny omby sy ny ondry aman’osy ary ny boriky.

22Ary hoy i Josoa tamin’ireo roa lahy nisafo ny tany:
–Mankanesa any an-tranon’i Rahaba mpivaro-tena, ka avoahy tao izy sy ny havany rehetra araka izay efa nianiananareo taminy.

23Dia nandeha tany izy roa lahy ka namoaka an’i Rahaba sy ny ray aman-dreniny ary ny mpiray tampo aminy sy ireo havany sisa rehetra; ary toerana azo antoka teo ivelan’ilay tobin’ny Israelita no nametrahany azy.

dimanche 18 août 2019

Alahady 18 Aogositra 2019 - Mar 5 : 25 - 34

25Ary nisy vehivavy marary mitsi-dra nandritra ny 12 taona; 26efa niaritra zavatra mafy maro tamin’ny dokotera maro izy io ka lany fananana tamin’izany rehetra izany, nefa tsy nihatsara velively fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. 27Nandre ny amin’i Jesoa ravehivavy, dia lasa nifanjevo tamin’ny vahoaka avy tao ivoho, ka nikasika ny lamban’i Jesoa 28fa hoy mantsy izy: «Na dia ny lambany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.» 29Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsapany tao amin’ny tenany fa sitrana tsy nandeha ra intsony izy.

30Niaraka tamin’izay koa dia tsapan’i Jesoa fa nisy hery niala avy tao aminy; ka niherikerika teo afovoan’ny vahoaka Izy nanontany hoe:
–Iza no nikasika ny lambako teo?

31Ary hoy ny mpianany taminy:
–Hitanao ireto vahoaka mifanety aminao, ka hoy indray Ianao hoe: Iza no nikasika Ahy?

32Dia nanopy maso manodidina Azy i Jesoa mba hijery ilay vehivavy izay efa nanao izany. 33Dia raiki-tahotra sady nangovitra ravehivavy satria nahalala tsara ny zavatra nitranga tao aminy; ka tonga niankohoka teo anatrehan’i Jesoa izy ary nilaza taminy ny marina rehetra.

34Dia hoy i Jesoa taminy:
–Ny finoanao, anaka, no nahasitrana anao! Ndeha àry ka veloma finaritra, mitohiza fahasalamana soa aman-tsara!

samedi 17 août 2019

Sabotsy 17 Aogositra 2019 - I Tim 4 : 1 - 5

1Lazain’ny Fanahy Masina mazava tsara fa any am-parany any dia hisy olona sasany handao ny finoana; ny hahababo azy dia fanahy mamitaka sy fampianaran-demony 2izay haelina mpihatsaravelatsihy sy mpilaza lainga. Maty toy ny efa nasiana vy mahamay mihitsy ny eritreritr’ireto mpilaza lainga ireto; 3raran-dry zareo ny fanambadiana; ary asainy fadina ny hanina sasantsasany. Hanina noarîn’Andriamanitra anefa ireny; ka ho an’ireo mpino sady mpahafantatra ny hafatra marim-pototra dia amim-pisaorana an’Andriamanitra no ihinanana azy. 4Fa tsara avokoa izay noarîn’Andriamanitra, ka tsy misy tokony holavina fa horaisina amim-pisaorana an’Andriamanitra; 5satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany.

vendredi 16 août 2019

Zoma16 Aogositra 2019 - Heb 11 : 1 - 12

1Voahodidina vavolombelona marobe tokoa àry isika; noho izany, dia aoka hanaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka ataontsika sy hanaisotra ny ota mora mangeja antsika, ary hiezaka amim-paharetana eo amin’izao fifaninanana hazakazaka naroso hataontsika izao. 2Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.

3Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo. 4Fa tsy mbola nihatra taman’aina tsy akory ny ady nataonareo hanoherana ny fahotana. 5Ary efa hadinonareo ve ny teny fampaherezana milaza aminareo toy ny amin-janaka hoe:

«Anaka, aza atao tsirambina ny famaizana ampiharin’ny Tompo;
ary aza ketraka rehefa anariny.
6Fa ny zanaka tiany no faizin’ny Tompo
ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny»?

7Ho famaizana anareo no aoka hiaretanareo fijaliana; toy ny zanaka no itondran’Andriamanitra anareo, satria iza moa no zanaka tsy faizin-drainy? 8Fa raha tsy faizina tahaka ny atao amin’ny zanaka rehetra ianareo, dia tsy tena zanaka fa zazasary. 9Nanana ny raintsika eto an-tany isika, ary nampihatra famaizana tamintsika izy ka izany no anajantsika azy; fa vao mainka tokony hanaiky ilay Raintsika any an-danitra isika mba ho velona. 10Famaizana mandritra ny andro vitsivitsy ihany no nampiharin’ireo raintsika eto an-tany, araka izay heveriny fa mety; fa soa ho antsika kosa no amaizan’Andriamanitra antsika, dia ny mba hiombonantsika anjara amin’ny fahamasinany. 11Rehefa faizina isika, dia heverintsika ho zavatra mampahory fa tsy mahafaly izany eo no ho eo; fa atỳ aoriana, ny olona tinaiza tamin’izany famaizana izany vao mahita ny voka-tsoany: dia fiadanana vokatry ny fitondrantena mahitsy.

12Hatanjaho àry ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy.

jeudi 15 août 2019

Alakamisy 15 Aogositra 2019 - I Tim 1 : 18 - 20

18Ry Timôty zanako, izany fepetra izany no atolotro anao, araka ireo hafatr’Andriamanitra voalaza fahiny tamin’ny fanendrena anao. Raiso ireo ho fitaovam-piadiana amin’ny ady tsara, 19tano ny finoana ary manàna fieritreretana tsara. Fa misy olona nitsipaka ny feon’ny fieritreretany, ka nandrendrika ny finoany; 20anisan’ireny ry i Himeneo sy i Aleksandra izay natolotro an’i Satàna mba ho faizina tsy hanevateva an’Andriamanitra intsony.

mercredi 14 août 2019

Alarobia 14 Aogositra 2019 - Mat 16 : 13 - 21

13Dia lasa nankany amin’ny faritany manodidina ny tanàna atao hoe Kesaria-Filipo ry i Jesoa; ary nanontany ny mpianany Izy nanao hoe:
–Iza moa ny Zanak’olona, araka ny filàzan’ny olona Azy?

14Dia novalian’ny mpianany hoe:
–Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe i Jeremià na anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra.

Ary hoy i Jesoa taminy:
15–Fa ianareo kosa, Iza moa Aho aminareo?

16Dia novalian’i Simôna Petera hoe:
–Ianao no ilay Mesia, ny Zanak’ilay Andriamanitra velona!

17Ary niteny tamin’i Petera i Jesoa nanao hoe:
–Sambatra ianao, ry Simôna zanakalahin’i Jônà, satria tsy olombelona nofo aman-dra no nanambara izany taminao fa ny Raiko Izay any an-danitra. 18Izaho koa milaza aminao fa ianao no Vato, ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako; ary ny herin’ny fahafatesana tsy hahatohitra ny Fiangonako. 19Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakàn’ny lanitra: ka na inona na inona hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.

20Tamin’izay dia nofeperan’i Jesoa ny mpianany mba tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza fa hoe Izy no ilay Mesia.

21Hatramin’io fotoana io i Jesoa dia nanomboka nilaza mazava tamin’ny mpianany hoe:
–Tsy maintsy hankany Jerosalema Aho ka hataon’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna mijaly mafy tokoa, dia hovonoina ho faty; nefa hitsangana velona amin’ny andro fahatelo.

mardi 13 août 2019

Talata 13 Aogositra 2019 - II Sam 10 : 6 - 14

6Tsapan’i Hamônita fa tonga halan’i Davida izy. Koa naniraka olona ireo mba hanarama Sirianina avy any Bety-Rehôba sy avy any Tsôbà, dia miaramila an-tongotra miisa antokony roapolo; nokaramainy koa ny lehilahy antokony iray avy amin’ny mpanjakan’i Mahekà ary ny lehilahy antokony 12 avy any Tôba. 7Nony ren’i Davida izany, dia nirahiny ho any an-toerana i Jôaba sy ny miaramila mahery fo rehetra izy. 8Dia niainga ny Hamônita ka nilahatra hiady teo akaikin’ny vavahadin-drenivohiny, fa ny Sirianina avy any Tsôbà sy avy any Rehôba mbamin’ny miaramila avy any Tôba sy avy any Mahekà kosa naka toerana teny an-tsaha. 9Rehefa hitan’i Jôaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny vava ady, dia nifantina izay miaramila israelita mendrika indrindra izy ka nandahatra azy teo anoloan’ny Sirianina. 10Ny miaramila sisa kosa nankininy tamin’i Abisay rahalahiny ka nalahany teo anoloan’ny Hamônita.

11Dia hoy i Jôaba tamin’ity rahalahiny:
–Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia aoka ianao hamonjy ahy; fa raha ny Hamônita kosa no mahery noho ianao, dia izaho no ho avy hamonjy anao. 12Mahereza ianao, ary aoka isika hahery miady ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO hanao izay heveriny ho tsara.

13Nandroso hiady amin’ny Sirianina i Jôaba sy ny tafiny ka vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo. 14Rehefa hitan’ny Hamônita fa nandositra ny Sirianina, dia mba nandositra teo anoloan’i Abisay koa ry zareo ka nitsofoka tao an-tanàna. Ary nitsahatra nanafika ny Hamônita i Jôaba ka niverina ho any Jerosalema.

lundi 12 août 2019

Alatsinainy 12 Aogositra 2019 - Lio 21 : 12 - 19

12Kanefa alohan’izany rehetra izany, dia hosamborina sy hoenjehina ianareo, hatolotra hotsaraina any amin’ny sinagôga ary hatao am-ponja, hoentina eo anatrehan’ireo mpanjaka sy mpifehy noho ianareo miandany amiko. 13Ho tonga aminareo izany mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy. 14Koa ataovy latsaka ao am-ponareo fa tsy tokony hihevitra mialoha izay hiarovanareo tena ianareo; 15satria Izaho ihany no hampiteny anareo sy hanome fahendrena anareo, ka tsy hahatohitra sady tsy haharesy lahatra anareo izay rehetra miampanga anareo. 16Hanolotra anareo na dia ny ray aman-dreny sy ny mpiray tampo ary ny havana aman-tsakaiza aza, ka hovonoin’olona ny sasany aminareo. 17Ho halan’ny olon-drehetra ianareo satria miandany amiko, 18nefa tsy hisy very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. 19Aoka ho amim-paharetana no hahazoanareo famonjena ny ainareo.

dimanche 11 août 2019

Alahady 11 Aogositra 2019 - Gen 22 : 1 - 8

1Taorian’izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe:
–Ry Abrahama!

Dia namaly i Abrahama hoe:
–Inty aho.

2Dia hoy Andriamanitra hoe:
–Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin’ny tany Môrià eo ambonin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy.
3Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy. 4Nony afaka ampitso maraina dia tazan’i Abrahama tery lavitra tery ny tendrombohitra izay halehany.

5Koa hoy izy tamin’ireo zatovony roa lahy:
–Mijanòna eto ianareo miaraka amin’ny boriky, fa izaho sy ny zazalahy handeha hatreny an-tendrombohitra mba hivavaka amin’Andriamanitra, dia hiverina aty aminareo indray.

6Dia nalain’i Abrahama ny kitay hanaovana sorona ka natataony an’i Itsehàka zanany; fa izy kosa nitondra ny vainafo sy ny antsy. Ary raha mbola niara-nandeha izy mianaka, 7dia hoy i Itsehàka tamin’i Abrahama rainy:
–Dada ô!

Ka novaliany hoe:
–Mihaino anao aho, anaka.

Ary hoy i Itsehàka hoe:
–Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo?

8Fa namaly azy i Abrahama hoe:
–Andriamanitra no hahita izay zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka!
Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka.

samedi 10 août 2019

Sabotsy 10 Aogositra 2019 - Lio 22 : 24 - 32

24Nisy fifandirana teo amin’ny apôstôly ny amin’izay tokony ho lehibe indrindra amin’izy samy izy. 25Dia hoy i Jesoa taminy:

–Eo amin’ny hafa firenena, ny mpanjaka dia manjakazaka; ary ny mpanampatra fahefana dia antsoina hoe mpanasoa. 26Aminareo kosa tsy mba toy izany: izay lehibe kokoa eo aminareo no aoka ho toy ny zandriny, ary izay mpifehy ho toy ny mpanompo. 27Satria iza moa no lehibe kokoa: ny mipetraka mihinana sa ny mpanompo mampihinana? Moa ve tsy izay mipetraka mihinana? Izaho anefa eto afovoanareo dia toy ny mpanompo mampihinana. 28Ianareo dia naharitra niaraka tamiko tamin’ny fitsapana nanjo Ahy; 29Izaho kosa manendry anareo ho mpanjaka tahaka ny nanendren’ny Ray Ahy ho mpanjaka. 30Ka hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ianareo any amin’ny Fanjakàko ary hipetraka ambony sezafiandrianana hitsara ny foko 12 amin’i Israely.

31Hoy i Jesoa tamin’i Petera:
–Ry Simôna, ry Simôna, indro efa notakîn’i Satàna hokotranina toy ny vary sivanina ianareo. 32Izaho efa nangataka ho anao mba tsy ho lefy ny finoanao; ianao kosa, rehefa tafaverina amiko, herezo ny rahalahinao.

vendredi 9 août 2019

Zoma 09 Aogositra 2019 - Efe 6 : 10 - 13

10Farany, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo dia matanjaha ombàn’ny heriny tsy hay tohaina. 11Itafio avokoa ny fiadiana omen’Andriamanitra, mba hahazoanareo hamahatra tsara eo anatrehan’ireo tetika afitsoky ny devoly. 12Tsy olombelona nofo aman-dra tsy akory no ifanandrinantsika, fa ireo fanahy ratsy eny ana habakabaka: dia ireo fanapahana, ireo fahefana, ireo hery mifehy ny sehatry ny haizina. 13Noho izany, raiso avokoa ny fiadiana omen’Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra ny fahavalo amin’ny andro ratsy; ka rehefa nandresy ny famelezana rehetra nafitsony ianareo, dia mbola hamahatra tsara ihany.

jeudi 8 août 2019

Alakamisy 08 Aogositra 2019 - Oha 3 : 27 - 35

27Aza misalasala manao soa
amin’izay mila izany
raha azonao atao ihany.
28Aza manao amin’ny namanao hoe:
«Miverena fa rahampitso aho manome»,
raha manan-komena azy izao ianao.
29Aza mikendry hanisy ratsy namana
izay mitoetra amin-toky eo anilanao.
30Aza miady tsy amin’antony amin’olona,
raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
31Aza mialona ny mpanao an-keriny
ary aza misy alain-tahaka ny ataony,
32satria halan’ny TOMPO ny mpaniasia
fa ny olo-marina kosa isakaizany fatratra.
33Ozonin’ny TOMPO ny tranon’ny olon-dratsy
fa ny fonenan’ny olo-marina kosa tahîny.
34Maniratsira izay mpaniratsira Azy Izy
nefa kosa manome fahasoavana ny manetry tena.
35Haja no anjaran’ny hendry
fa henatra kosa ny an’ireo adala.

mercredi 7 août 2019

Alarobia 07 Aogositra 2019 - Mar 9 : 14 - 29

14Nony tafaverina teo amin’ny mpianatra hafa ry i Jesoa efa-mianaka, dia nahita vahoaka maro nanodidina ireto mpianatra ary koa mpahay lalàna niady hevitra taminy teo. 15Raha vao nahita an’i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy. 16Dia nanontany ireto mpianatra i Jesoa nanao hoe:
–Inona izato iadianareo hevitra amin’ny mpahay lalàna?

17Fa nisy olona iray tamin’ny vahoaka namaly Azy hoe:
–Mpampianatra ô, nentiko eto aminao ny zanako lahy fa azon’ny fanahy mampahamoana. 18Ary na aiza na aiza ahazoany azy, dia alavony amin’ny tany ilay zaza ary ataony mandoa vory sy mikitro-nify dia mihinjitra eo. Niangaviako ny mpianatrao handroaka ilay fanahy, kanefa tsy vitany.

19Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka:
–Karazan’olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!

20Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany ary niolanolana sy nandoa vory. 21Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe:
–Hatramin’ny oviana izao?
Dia hoy ny rainy:
–Hatramin’ny fahakeliny. 22Ary matetika izy no nazeran’io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay!

23Fa hoy ny navalin’i Jesoa azy:
–Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan’izay mino!

24Avy hatrany ilay rain’ilay zaza dia niantsoantso mafy nanao hoe:
–Mino aho, nefa vonjeo fa tsy ampy finoana.

25Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe:
–Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!

26Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon’ny maro hoe maty. 27Fa noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.
28Rehefa tonga tao an-trano i Jesoa, dia nanontany Azy manokana ny mpianany nanao hoe:
–Nahoana izahay no tsy naharoaka azy iny?

29Dia hoy i Jesoa taminy:
–Iny karazana iny dia tsy misy fomba azo amoahana azy afa-tsy ny fivavahana ihany.

mardi 6 août 2019

Talata 06 Aogositra 2019 - Oha 20 : 18 - 22

18Ny hevitra tsara no mahatanteraka ny fikasana;
ary tetika voarindra no tokony hoenti-miady.
19Izay mifosa namana dia manambara tsiambaratelo;
koa aza mifanerasera amin’ny olona basivava.
20Raha misy manozona ny rainy na ny reniny,
dia ho toy ny jiro maty ao anaty haizim-pito ny fiainany.
21Izay maika hangoron-karena am-boalohany,
dia tsy hotahina any am-parany.
22Aza manao hoe: «Hamaly ny ratsy natao tamiko aho!»
Fa matokia ny TOMPO, dia hamonjy anao Izy.

lundi 5 août 2019

Alatsinainy 05 Aogositra 2019 - I Tim 2 : 14 - 21

 14tsy mba i Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka sady tonga nandika ny didin’Andriamanitra. 15Kanefa hovonjena ihany ny vehivavy amin’ny fananan-janaka, raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana ombàn’ny fahononan-tena.

dimanche 4 août 2019

Alahady 04 Aogositra 2019 - Eks 17 : 7 - 16

7Nantsoina hoe Masà sy Meribà io toerana io, izany hoe «fakana fanahy» sy «filàna ady» satria nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita, ary naka fanahy ny TOMPO tamin’ny nitenenany hoe: «Moa eto aminay tokoa ve ny TOMPO sa tsia?»

8Tonga hiady amin’ny Israelita tao Refidima ny Hamalekita.
9Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa:

–Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin’ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana miaraka amin’ny tehin’Andriamanitra eny an-tanako. 10Dia lasa i Josoa niady tamin’ny Hamalekita araka izay efa nandidian’i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon’ny havoana. 11Ary raha mbola nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita. 12Ary nony vizaka ireo sandrin’i Mosesy, dia nalain’i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan’i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin’io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro. 13Koa resin’i Josoa tanteraka tamin’ny lelan-tsabatra ny tafika hamalekita.

14Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:
–Soraty ao amin’ny boky izany mba tsy hohadinoina; ary ambarao amin’i Josoa fa hofoanako tsy ho eto ambonin’ny tany mihitsy ny fahatsiarovana ny Hamalekita.

15Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe «Ny TOMPO fanevako». 16Ary hoy izy hoe:
–Satria ny Hamalekita efa nanainga tanana hanohitra ny sezafiandrianan’ny Tompo, dia hiady amin’izy ireo hatrany hatrany ny TOMPO.

samedi 3 août 2019

Sabotsy 03 Aogositra 2019 - Lio 17 : 1 - 10

1Hoy indray i Jesoa tamin’ny mpianany:
–Hisy lalandava ny toe-javatra mitarika amin’ny ratsy; nefa mampalahelo izay olona mahatonga izany! 2Aleo izy anantonana vatobe fikoseham-bary eo amin’ny vozony ka atsipy any an-dranomasina mba tsy hitarika ny anankiray amin’ireny madinika ireny hanao ratsy. 3Koa mitandrema tena ianareo!

Raha diso ny rahalahinao, dia anaro; ka raha mivalo izy, dia avelao. 4Ary raha diso aminao hatramin’ny impito anatin’ny indray andro aza ny rahalahinao, nefa miverina aminao hatrany manao hoe: «mivalo aho», dia avelao!

5Ary hoy ny apôstôly tamin’ny Tompo:
–Mba ampitomboy ny finoanay!

6Ka novalian’ny Tompo hoe:
–Raha manam-pinoana hoatra ny voan-tsinapy ianareo dia ho afa-milaza amin’ity voaroihazo ity hoe: «Miongota, ary aoka haniry any an-dranomasina»; dia hanoa anareo izy.

7–Aoka hatao hoe misy aminareo manana mpanompo, mpiasa tany na mpiandry biby fiompy. Raha mody avy any an-tsaha ve ilay mpanompo, dia hilazana hoe: «Avia faingana hisakafo»? 8Tsia, fa izao no hatao aminy: «Anamboary sakafo aho; ary misikîna hampihinana ahy mandritra ny isakafoanako. Aorian’izany vao hisakafo ianao.» 9Ary ankasitrahina ve ilay mpanompo, rehefa vitany izay nasaina hataony? Tsia! 10Torak’izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasain’Andriamanitra hatao, dia milazà hoe: «Mpanompo tsy mendrika sitraka izahay, fa izay nataonay dia adidinay rahateo!»

vendredi 2 août 2019

Zoma 02 Aogositra 2019 - Neh 4 : 1 - 12

1Rehefa ren’i Sanebalato sy i Tôbià mbamin’ny Arabo sy ny Hamônita ary ny Asdôdita fa mandroso ny fanamboarana ny mandan’i Jerosalema ka efa ho voatampina ny banga, dia nirehitra mafy ny fahatezerany. 2Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an’i Jerosalema sy hanimba ny asa. 3Dia nivavaka tamin’Andriamanitray izahay sady nametraka mpiambina andro aman’alina hiatrehana sy hanoherana an-dry zareo. 4Saingy hoy ny lehilahin’i Joda hoe:

«Mihena hery ny mpitondra entana
ary be ny korontan-javatra
ka dia tsy ho vitanay mihitsy
ny handrafitra ny manda!»

5Ny fahavalonay kosa nihevitra fa tsy hahalala na hahita izahay, raha tsy tonga eo afovoanay izy ka mahafaty anay ary mampitsahatra ny asa.


6Ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ireo fahavalonay ireo dia tonga nampandre anay impolo kely hoe: «Hatraiza hatraiza no iavian-dry zareo hamely antsika!» 7Dia nasiako miaramila tamina toerana iva saingy voaaro, teo ivelan’ny manda; araka ny tarika nipoirany avy no nandaharako azy, samy nitana sabatra sy lefona ary tsipîka. 8Rehefa nijery izany aho, dia niainga nilaza tamin’ny loholona sy mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa hoe:
–Aza atahorana ny fahavalonareo! Tsarovy fa ny Tompo no lehibe sy mahatahotra; ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy ary ny vadinareo sy ny tranonareo.

9Nony ren’ny fahavalonay fa efa fantatray sady efa nofoanan’Andriamanitra ny tetik’adiny, dia niverina ho any amin’ny manda izahay rehetra, samy nandray ny asany avy. 10Saingy nanomboka tamin’io andro io, dia ny antsasaky ny oloko no nanao ny asa, fa ny antsasany kosa nitana lefona sy ampinga ary tsipîka aman’akanjo fiarovan-tratra; ireo filoha dia samy teo ivohon’ny olona rehetra amin’i Joda 11izay namboatra ny manda. Ny mpitondra entana dia samy niasa tamin’ny tanany anankiray ary nitan-defona kosa ny tanany an’ila; 12ny mpandrafitra rehetra, teo am-pandrafetana, dia samy nanan-tsabatra anankiray voafehy teo amin’ny etrany avy; ary ny mpitsoka anjomara dia teo anilako.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12