mardi 31 août 2021

Talata 31 Aogositra 2021 - II Sam 9 : 1 - 13

1Hoy i Davida indray andro:

–Mbola misy olona sisa velona ve amin’ny fianakavian’i Saoly? Mba tiako ny hanisy soa azy noho ny amin’i Jônatàna.

2Fa nanana mpanompo iray nantsoina hoe Tsibà ny fianakavian’i Saoly; ary nampanantsoina hankeo amin’i Davida izy, ka nanontanian’ity mpanjaka hoe:

–Ianao va no Tsibà?

Ary hoy izy namaly:

–Izaho, tompoko, no izy.

3Dia nanontany indray ny mpanjaka hoe:

–Mbola misy olona sisa velona ve amin’ny fianakavian’i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’Andriamanitra?

Ka novalian’i Tsibà hoe:

–Mbola misy zanakalahin’i Jônatàna iray izay, nefa malemy tongotra izy.

4Ary hoy ny mpanjaka taminy:

–Aiza izy?

Dia hoy i Tsibà namaly ny mpanjaka:

–Ao an-tranon’i Makira zanakalahin’i Hamiela ao Lô-Debàra izy.

5Ary naniraka olona haka azy any an-tranon’i Makira zanakalahin’i Hamiela ao Lô-Debàra i Davida mpanjaka. 6Rehefa tonga teo amin’i Davida i Mefibôseta zanakalahin’i Jônatàna sady zafikelin’i Saoly, dia niankohoka tamin’ny tany ho fanajana azy.

Ary hoy i Davida taminy:

–Mefibôseta!

Ka novaliany hoe:

–Inty aho, tompoko.

7Dia hoy indray i Davida taminy:

–Aza matahotra fa te hanisy soa anao noho ny amin’i Jônatàna rainao aho, ka hamerina aminao ny tany rehetra izay an’i Saoly raibenao; ary ianao dia hisakafo isan’andro eo amin’ny latabatro.

8Dia niankohoka izy sady namaly hoe:

–Zinona moa aho izay toa fatin’amboa ity no mba itodihanao, tompoko?

9Nantsoin’ny mpanjaka i Tsibà mpanompon’i Saoly, ka nilazany hoe:

–Nomeko an’i Mefibôseta, zafikelin’ny tomponao avokoa izay rehetra nananan’i Saoly sy ny fianakaviany. 10Koa ianao sy ireo zanakalahinao ary ireo mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra izay hiveloman’ny fianakaviany. Fa i Mefibôseta zafikelin’ny tomponao kosa dia hisakafo isan’andro eo amin’ny latabatro.

Nanana zanakalahy 15 sy mpanompo 20 i Tsibà, 11ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe:

–Tompoko, araka izay rehetra nandidianao mpanjaka no hataoko. Kanefa i Mefibôseta dia hisakafo eo amin’ny latabatro toy ny anankiray amin’ireo zanakalahin’i Saoly mpanjaka.

12Nanan-janakalahy tanora nantsoina hoe Mikà i Mefibôseta, ary ny olona rehetra tao an-tranon’i Tsibà dia nanompo an’i Mefibôseta avokoa. 13Fa na dia nalemy aza ny tongony roa, dia nonina tany Jerosalema i Mefibôseta satria nisakafo isan’andro teo amin’ny latabatry ny mpanjaka izy.

lundi 30 août 2021

Alatsinainy 30 Aogositra 2021 - Eks 36 : 1 - 7

 1Fa namaly an’i Mosesy ny TOMPO hoe:

–Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin’ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin’ny taniny izy ireo!

Mampanantena an’i Mosesy ny Tompo fa hanafaka ny Israelita

2Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe:

–Izaho no «TOMPO». 3Tamin’ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha» no nisehoako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr’ireo ny anarako hoe «TOMPO.» 4Nanao fanekempihavanana tamin’izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany. 5Efa reko ny fitarainan’ny Israelita amin’ny asa fanandevozana ampanaovin’ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho. 6Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo. 7Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin’ny asa an-terivozona nampanaovin’ny Ejiptianina.

dimanche 29 août 2021

Alahady 29 Aogositra 2021 - Eks 36 : 1 - 7

 1I Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sy faharanitan-tsaina ilaina hanatanterahana ny asa, dia hanamboatra ny zavatra rehetra hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina araka izay rehetra nodidian’ny TOMPO.

2Nampanantsoin’i Mosesy i Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sady vonona hanatanteraka ny asa. 3Natolotr’i Mosesy an-dry zareo ny fanomezana nentin’ny Israelita hanaovana ny Toeramasina. Isa-maraina dia mbola nisy nitondra fanomezana an-tsitrapo teo anatrehan’i Mosesy. 4Noho izany, ireo mpahay taozavatra rehetra izay nirotsaka tamin’ny fanamboarana ny Toeramasina dia nanapaka ny asany, 5mba hilaza amin’i Mosesy hoe: «Nitondra mihoatra noho izay ilaina amin’ny fanatontosana ny asa nodidian’ny TOMPO hatao ny vahoaka.» 6Niaraka tamin’izay dia nanome baiko manerana ny toby i Mosesy hoe: «Aoka tsy hisy intsony olona, na lahy na vavy, hanomana fanomezana hanaovana ny Toeramasina.» Dia nitsahatra tsy nitondra fanomezana intsony ny vahoaka, 7satria ampy hanaovana ny asa rehetra ny efa voaray ka nisy ambiny aza.

samedi 28 août 2021

Sabotsy 28 Aogositra 2021 - Heb 10 : 19 - 25

 19Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin’i Jesoa. 20Nanokafany lalana vaovao mitondra amin’ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin’ny efitra lamba, izany hoe eo amin’ny tenan’i Jesoa. 21Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon’Andriamanitra isika; 22koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika23Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian’ny Tompo.

vendredi 27 août 2021

Zoma 27 Aogositra 2021 - Mat 12 : 31 - 37

 31Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan’Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan’ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an’Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka. 32Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin’izao fiainana izao na amin’ny fiainan-ko avy.

33–Ataovy hoe tsara ny voany ka tsara koa ny hazo, na ataovy hoe ratsy ny voany ka ratsy koa ny hazo: satria ny voany no ahafantarana ny hazo. 34Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon’ny olona manko no aloaky ny vavany. 35Ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy dia mamoaka zavatra ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony. 36Ary lazaiko aminareo fa ny olona, amin’ny andro fitsarana dia hampamoahina momba ny teny tsy misy antony rehetra nataony: 37satria ny teninao no hanomezan-drariny anao ary ny teninao no hanamelohana anao.

jeudi 26 août 2021

Alakamisy 26 Aogositra 2021 - Fil 1 : 1 - 11

 1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.

Mamangy anareo vahoakan’Andriamanitra rehetra atỳ Filipy aho, dia ianareo efa tafaray amin’i Kristy Jesoa ary ao anatin’izany ireo mpitondra Fiangonana sy diakônina. Mamangy anareo koa i Timôty. Samy mpanompon’i Kristy Jesoa izahay. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

3Velom-pisaorana an’Andriamanitro ny aminareo aho, isaky ny mahatsiaro anareo. 4Ary isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho, dia manao izany amin-kafaliana, 5noho ianareo niray hina nanampy ahy hampandroso ny Vaovao Mahafaly hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny. 6Matoky aho fa Andriamanitra, Izay nanomboka asa tsara tao aminareo, dia hanohy izany hatrany ka hahatanteraka azy amin’ny andro hiavian’i Kristy Jesoa. 7Rariny tokoa ny iheverako anareo rehetra toy izany. Eny, entiko ato am-poko ianareo, satria mpiombona ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy ianareo rehetra, na amin’izao maha voafonja ahy izao na fony aho nampandresy lahatra sy nanamafy orina ny Vaovao Mahafaly. 8Andriamanitra no vavolombeloko fa marina izao lazaiko izao: manina anareo rehetra amin’ny fon’i Kristy Jesoa aho.

9Ary izao no tonombavaka ataoko ho anareo: hitombo bebe kokoa hatrany anie ny fitiavanareo ka hombàn’ny fahalalana marina sy ny tena fahatakaran-javatra 10mba hahaizanareo mifidy izay tsara; dia hadio sady tsy hanan-tsiny amin’ny andro hiavian’i Kristy ianareo, 11ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an’Andriamanitra.

mercredi 25 août 2021

Alarobia 25 Aogositra 2021 - Sal 133 : 1 - 3

 1 Hira fiakarana. Nataon’i Davida.

Endrey, tsara sady mahafinaritra tokoa

izany firîndran’ny mpiray tampo miara-monina!

2Toy ny ilomanitra mby an-dohan’olona nasaina

ka mitsororoka hatreny amin’ny somotra.

Toy ny somotr’i Aharôna mpisorombe

ka midina hatreny amin’ny vozon’akanjony.

3Toy ny ando avy any amin’ny tendrombohitra Hermôna

ka mirotsaka eo amin’ny tendrombohitra Tsiôna;

satria eo Tsiôna no fanomezan’ny TOMPO fitahiana,

dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

mardi 24 août 2021

Talata 24 Aogositra 2021 - Mik 6 : 6 - 8

 6«Inona àry no hoentiko,

rehefa manatona aho hiankohoka

eo anatrehan’ny TOMPO,

Andriamanitra avo indrindra?

Moa zanak’omby iray taona

hatao sorona dorana manontolo ve

no hoentiko rehefa manatona Azy aho?

7Ho sitraky ny TOMPO ve ny ondrilahy an’arivony

na ny menaka mikoriana toy ny renirano?

Hatolotro Azy ve ny zazalahy voalohan-terako

ho fanalana ny heloka amam-pahotàko?»

8Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao

ny fitondrantena tsara

sy izay tadiavin’ny TOMPO aminao:

dia ny hanao ny rariny

sy handala ny fitiavana

ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amim-panetrentena.

lundi 23 août 2021

Alatsinainy 23 Aogositra 2021 - Lio 3 : 7 - 14

 7Toy izao àry no tenin’i Jôhany tamin’ny vahoaka nidodododo hataony batisa:

–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra? 8Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: «Manana an’i Abrahama ho razambenay izahay!» Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. 9Indro efa eo am-poto-kazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

10Ary hoy ny vahoaka nanontany an’i Jôhany hoe:

–Inona àry no tokony hataonay?

11Dia novaliany hoe:

–Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin’izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa.

12Mba nisy koa mpamory hetra tonga hatao batisa ka niteny tamin’i Jôhany hoe:

–Mpampianatra ô, inona no tokony hataonay?

13Dia novaliany hoe:

–Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo.

14Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe:

–Mba inona kosa no tokony hataonay?

Dia hoy izy taminy:

–Aza maka zavatr’olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin’ny karamanareo.

dimanche 22 août 2021

Alahady 22 Aogositra 2021 - Mar 12 : 41 - 44

 41Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive, ka hanameloka azy; fa niala tamin’ny toetra ratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin’i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto. 42Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ilay mpanjakavavy avy any atsimo, ka hanameloka azy; fa niala avy any am-paran’ny tany izy mba hihaino ny fahendren’i Salômôna mpanjaka! Indro anefa misy mihoatra noho i Salômôna eto!

43–Rehefa miala amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mivezika etsy mivezika eroa any an-tany karakaina, mitady toerana hialana sasatra kanefa tsy mahita. 44Amin’izay dia hoy izy hoe: «Hody any amin’ny tranoko izay nialako ihany aho.» Miverina izy ary mahita ny tranony teo aloha foana sy voafafa ary voalamina.

samedi 21 août 2021

Sabotsy 21 Aogositra 2021 - I Pet 5 : 1 - 4

 1Mananatra ny loholom-piangonana eo aminareo aho, dia izaho loholona tahaka azy ireo sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary koa mpiombona amin’ny voninahitra efa haseho. 2Aoka ianareo ho mpiandry ny andianondry napetrak’Andriamanitra hiandraiketanareo, ka hitandrina azy tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra: tsy amim-pitiavan-karena fa amin-jotom-po, 3tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fakàn-tahaka harahin’ny andianondry; 4ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo.

vendredi 20 août 2021

Zoma 20 Aogositra 2021 - Jao 14 : 12 - 14

 12Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia hanao ny asa ataoko ihany koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho. 13Ary na inona na inona angatahinareo noho ny anarako, dia hataoko izany, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. 14Raha noho ny anarako no angatahanareo zavatra amiko, dia hataoko izany.

jeudi 19 août 2021

Alakamisy 19 Aogositra 2021 - II Kor 9 : 6 - 15

  6Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be. 7Aoka samy hanome araka izay nokasain’ny fony avy, tsy amin’alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian’Andriamanitra. 8Ary hain’Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany, 9araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:

«Malala-tanana izy nanome ny mahantra;

maharitra mandrakizay ny asa fiantrany.»

10Andriamanitra, Izay miantoka masomboly ho an’ny mpamafy sy hanin-kohanina, no hiantoka masomboly ho anareo sy hampitombo azy, ka hampamokatra be dia be ny asa fiantrana ataonareo. 11Hataon’Andriamanitra hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo mba hahafoy be amin’ny fanasoavana isan-karazany; ka hahatonga ny olona hisaotra an’Andriamanitra noho ny fanomezanareo entinay ho azy ireo. 12Satria ny fanaovana izao asa famoriam-bola izao dia tsy hoe mahafa-pahasahiranana ny vahoakan’Andriamanitra any Jodea fotsiny, fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa. 13Misy vidiny tokoa izao asa fanasoavana izao, ka maro no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny fanoavana anehoanareo fa inoanareo ny Vaovao Mahafaly nentin’i Kristy; maro koa no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo any Jodea sy tamin’ny olona rehetra. 14Hivavaka ho anareo izy rehetra, fa ankamamiany tokoa ianareo satria nihoa-pampana ny fahasoavana nomen’Andriamanitra anareo. 15Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay visavisaina!

mercredi 18 août 2021

Alarobia 18 Aogositra 2021 - Mat 7 : 15 - 23

 15–Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra. 16Ny asany no hahafantaranareo ny mpaminany sandoka: fa foto-tsilo tsy ahazoana voaloboka; ary songosongo tsy ahazoana voanaviavy. 17Dia toy izany: ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. 18Tsy mba hazo tsara no mety hamoa voa ratsy, na hazo ratsy no mety hamoa voa tsara. 19Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy ao anaty afo. 20Koa dia ny asany no hahafantaranareo ny mpaminany sandoka.

21–Tsy izay rehetra manao amiko hoe: «Tompo ô! Tompo ô!», no hiditra any amin’ny Fanjakàn’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. 22Amin’izany andro izany, dia maro no hanao amiko hoe: «Tompo ô, Tompo ô, tsy efa nilaza hafatra tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nandroaka demony tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nanao asa mahagaga maro tamin’ny anaranao ve izahay?» 23Ary amin’izay no hanambarako aminy hoe: «Tsy fantatro na oviana na oviana ianareo; mialà amiko, ianareo mpanao ratsy!»

mardi 17 août 2021

Talata 17 Aogositra 2021 - Oha 14 : 22 - 27

 22Maniasia ny olona mikasa hanao ratsy;
fa fitiavana sy fihavanana kosa
no ho hitan’izay mikasa hanao soa.
23Ny ezaka tsara rehetra dia misy tombontsoa avokoa,
fa ny fitsaontsaom-bava kosa miteraka fahantrana.
24Ny hareny no satroboninahitry ny hendry;
fa hadalana kosa no ironan’ny adala.
25Ny vavolombelona marina mahavonjy ain’olona,
fa ny vavolombelona sandoka kosa dia fiasan’ny lainga.
26Izay manaja ny TOMPO dia manam-pialofana mahatoky;
ary misy fiarovana koa ho an’ny zanany.
27Ny fanajana ny TOMPO dia loharanom-piainana,
hahazoana miala amin’ny fandrika mahafaty

lundi 16 août 2021

Alatsinainy 16 Aogositra 2021 - Sal 34 : 11 - 22

 KAFA

11Na dia ireo mpanankarena aza,

mety tsy ampy hanina ka ho noana;

fa izay mitady ny TOMPO

tsy mba ho orin-java-tsoa.

LAMEDA

12Avia hihaino ahy ianareo, rey anaka,

fa hampianariko hanaja ny TOMPO.

MEMA

13Raha misy olona mankamamy fiainana

ka te ho ela velona sy ho sambatra,

NONA

14dia tsy maintsy mitandrina tsy hiteny ratsy

ary koa mitandrina tsy hilaza fitaka,

SAMEKA

15hiala amin’ny ratsy ka hanao ny tsara

ary haharitra hikatsaka fiadanana.

HAINA

16Tsinjovin’ny TOMPO ireo olo-marina

ary henoiny hatrany ny antsony.

PE

17Toherin’ny TOMPO kosa ny mpanao ratsy,

ka fongorany tsy eo amin’ny tany

ny fahatsiarovana azy ireny.

TSADE

18Vao miantso vonjy ny olo-marina,

dia henoin’ny TOMPO sy afahany

tamin’izay fahoriany rehetra.

KÔFA

19Fa akaikin’ny torotoro fo IZY

sady mamonjy ny rera-tsaina.

RESA

20Na maro fahoriana aza ny olo-marina,

dia afahan’ny TOMPO amin’izany rehetra izany.

SINA

21Arovan’ny Tompo avokoa ny rantsam-batany

ka tsy hisy tapaka na taolana iray aza.

TAO

22Ho fatin’ny haratsiany kosa ny olon-dratsy

ary hohelohina ny mpankahala olo-marina.

dimanche 15 août 2021

Alahady 15 Aogositra 2021 - Lio 18 : 18 - 30

 18Ary nisy manampahefana jiosy nanontany an’i Jesoa hoe:

–Ry Mpampianatra tapitra ohatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay?

19Dia hoy i Jesoa taminy:

–Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 20Fantatrao ny didy hoe: «Aza maka vadin’olona; aza mamono olona; aza mangalatra; aza manao vavolombelona tsy marina; hajao ny rainao sy ny reninao!»

21Dia hoy ilay manampahefana hoe:

–Izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin’ny fahatanorako!

22Nandre izany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Zavatra iray no mbola tsy ampy aminao: amidio avokoa ny fanananao rehetra ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!

23Vao nandre izany kosa ralehilahy, dia nanjary nalahelo erỳ, satria tena mpanankarena izy. 24Ary nahita azy nalahelo toy izany i Jesoa ka nanao hoe:

–Sarotra mihitsy amin’ny mpanankarena ny miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. 25Eny, moramora kokoa ny idiran’ny rameva amin’ny vodifanjaikely noho ny idiran’ny mpanankarena ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.

26Dia hoy ny olona nandre izany:

–Koa iza àry no mety ho voavonjy?

27Fa novalian’i Jesoa hoe:

–Ny tsy vitan’olombelona, vitan’Andriamanitra.

28Hoy kosa i Petera:

–Jereo ange! Izahay dia efa nahafoy izay mba anay ka niaraka taminao!

29Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

–Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona nahafoy trano na vady na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka noho ny Fanjakàn’Andriamanitra 30ka tsy hahazo be lavitra amin’izao etỳ izao, ary ny fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny andro ho avy.

samedi 14 août 2021

Sabotsy 14 Aogositra 2021 - Jao 5 : 17 - 29

 17Fa hoy i Jesoa tamin’ireo:

–Ny Raiko dia miasa tsy an-kiato ary Izaho koa miasa.

18Noho izany teny izany dia vao mainka nitady hamono Azy ny manampahefana jiosy; satria tsy vitan’ny hoe nandika ny fepetra momba ny sabata fotsiny i Jesoa, fa nilaza koa hoe Andriamanitra no Rainy, ka dia nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra.

Dia niteny indray i Jesoa nanao tamin’ny manampahefana jiosy hoe:

19–Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny Zanaka dia tsy mahavita na inona na inona avy amin’ny tenany: izay hitany ataon’ny Ray no ataony, satria na inona na inona ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka. 20Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ka ny zavatra rehetra ataon’Izy Ray dia asehony Azy; ary asa lehibe noho ireto aza no mbola hasehony Azy, mba higaganareo. 21Ny Ray dia mampitsangana ireo maty sy mamelona aina azy: toy izany koa, ny Zanaka dia mamelona aina ireo tiany hovelomina aina. 22Ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no efa nomeny fahefana feno hitsara, 23mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny anajan’ny olona rehetra ny Ray: izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray Izay naniraka Azy.

24Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mihaino ireo teniko sy mino Ilay naniraka Ahy no velona aina mandrakizay; ka tsy hohelohina izy, satria efa niala tamin’ny fahafatesana mba ho velona aina. 25Lazaiko marina dia marina aminareo fa avy ary efa tonga sahady aza ny fotoana handrenesan’ny maty ilay feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay mandre dia ho velona. 26Ny Ray dia manana fahefana hanome ny aina: toy izany koa no nanomezany fahefana ny Zanaka hanome ny aina. 27Ary nomen’ny Ray fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona. 28Aza gaga amin’izany, fa avy ny fotoana handrenesan’ireo rehetra any am-pasana ilay feon’ny Zanak’Andriamanitra; 29ary hiala avy ao izy rehetra, ka izay manao ny tsara dia hitsangana mba ho velona aina, fa izay manao ny ratsy kosa dia hitsangana mba hohelohina.

jeudi 12 août 2021

Zoma 13 Aogositra 2021 - Mat 19 : 16 - 26

 16Ary indro nisy tovolahy nanatona an’i Jesoa ka nanao taminy hoe:

–Mpampianatra ô, inona no tsara tokony hataoko hahavelona aina ahy mandrakizay?

17Dia hoy i Jesoa taminy:

–Nahoana Aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Tokana no tsara tapitra ohatra. Raha te hiroso amin’ny fiainana kosa ianao, dia tandremo ny didy!

18Fa hoy ilay zatovo taminy:

–Didy sahala amin’inona moa izany?

Ka izao no navalin’i Jesoa:

–Ny didy sahala amin’ny hoe: Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina; 19hajao ny rainao sy ny reninao, ary tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao!

20Dia hoy ilay zatovo taminy:

–Izany rehetra izany dia efa voatandriko; ka inona no mbola tsy ampy amiko?

21Ary i Jesoa nanao taminy hoe:

–Raha te ho velona aina tanteraka ianao, ndeha amidio ny fanananao ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!

22Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia lasa nandeha tamin’alahelo, satria nanan-karem-be.

23Tamin’izay i Jesoa dia niteny tamin’ny mpianany hoe:

–Lazaiko marina aminareo fa sarotra amin’ny mpanankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra. 24Ary hoy koa Aho aminareo: moramora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaikely noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!

25Talanjona tokoa ny mpianatra raha nandre izany ka vaky vava hoe:

–Iza àry no mety ho voavonjy?

26Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe:

–Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa raha amin’Andriamanitra, dia hainy avokoa ny zavatra rehetra.

Alakamisy 12 Aogositra 2021 - Asa 7:51 - 8:1

 51Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo. 52Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina. 53Nandray ny lalànan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny anjely ianareo, kanefa tsy nitandrina azy.

54Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin’ny Fitsarana ambony, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin’i Stefàna. 55Feno Fanahy Masina kosa i Stefàna ka nibanjina ny lanitra, nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa teo ankavanan’Andriamanitra, 56ary niteny hoe:

–Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak’olona mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.

57Dia nihoraka ireo tao amin’ny Fitsarana ambony sady vao mainka nanentsin-tadîny. Ary indray niantoraka teny amin’i Stefàna izy rehetra, 58ka nitarika azy tany ivelan’ny tanàna sy nitora-bato azy. Ary ny vavolombelona dia nametra-damba teo an-tongotr’izay tovolahy antsoina hoe Saoly izay. 59Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefàna kosa niantso ny Tompo nanao hoe:

–Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko!

60Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe:

–Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!

Avy nilaza izany izy, dia nodimandry.

1Ary i Saoly nankasitraka ny namonoana an’i Stefàna.

mercredi 11 août 2021

Alarobia 11 Aogositra 2021 - Eks 31 : 1 - 11

 1Hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy:

2–Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, 3ary nofenoiko ny Fanahiko mba ho tena kinga sy marani-tsaina ka mahalala ny haitao isan-karazany: 4hainy ny manao vinavinan’asa, ny miasa volamena sy volafotsy ary halimo, 5ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa. 6Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an’ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao: 7dia ny Tranolay fihaonana, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, ny saron’ny Vatamasina, ny fitaovana rehetra momba ny tranolay masina, 8ny latabatra voatokana, ny fitoeran-jiro volamena madio sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny alitara fandoroana vovo-javamanitra, 9ny alitara fanaovana sorona sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny tavy fidiovana sy ny faladiany, 10ny lamba fandrakofana ny fanaka, ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany, 11ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana, ary ny vovo-javamanitra voatokana ho an’ny Toeramasina. Hanaraka tanteraka ny torolalana izay nandidiako anao ny mpahay taozavatra amin’ny fanaovana ireo rehetra ireo.

mardi 10 août 2021

Talata 10 Aogositra 2021 - Sal 31 : 1 - 8

 1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida.

2TOMPO ô, Ianao no fialofako;

tsy ho diso fanantenana

na oviana na oviana aho.

Araka ny fahamarinanao

dia afaho amin’ny loza aho!

3Mba anongilano sofina aho ka vonjeo faingana;

aoka Ianao ho Vatolampy fiereko

ary ho manda hahitako famonjena!

4Eny, harambato sy manda fiarovana ho ahy Ianao;

ary mba ho voninahitry ny anaranao,

dia aoka Ianao hitarika ahy sy hiandry ahy!

5Tsoahy amin’ny fandrika harato

izay novelarina tamiko aho,

satria Ianao no miaro ahy.

6Eo an-tananao no apetrako ny fiainako;

TOMPO ô, Ianao no nanafaka ahy,

Ianao Ilay Andriamanitra mahatoky.

7Halako ny mivavaka amin’ny sampy;

fa izaho, TOMPO ô, dia mitoky aminao.

8Te hifaly sy hiravo aho noho ny fitiavanao,

satria hitanao ny fahantrako

sady fantatrao ny fahoriako;

lundi 9 août 2021

Alatsinainy 09 Aogositra 2021 - Lio 5 : 27 - 32

 27Taorian’izany, raha nandeha i Jesoa, dia nahita mpamory hetra atao hoe Levỳ nipetraka tao amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

–Avia hiaraka amiko!

28Dia nitsangana i Levỳ namoy ny zavatra rehetra ary nandeha niaraka taminy.

29Avy eo ry i Jesoa dia nanaovan’i Levỳ fanasambe tao an-tranony, ka betsaka ny mpamory hetra sy ny olon-kafa no niara-nisakafo taminy sy ny mpianany. 30Nimonomonona ny Farisianina sy ireo mpahay lalàna mpomba azy ka nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe:

–Ahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?

31Dia novalian’i Jesoa hoe:

–Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary. 32Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota mba hialany amin’ny toetra ratsiny.

dimanche 8 août 2021

Alahady 08 Aogositra 2021 - Mat 21 : 31 - 46

 33–Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy mpanan-tany nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana; dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa. 34Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra. 35Fa nosamborin’ireo mpamboly ny mpiasany ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny ary ny anankiray notorahany vato. 36Dia mpiasa hafa, maro noho ny teo indray, no nirahiny; kanefa nataon’ireo mpamboly toy izany koa. 37Tamin’ny farany dia ny zanany no nirahiny ho any amin’ireo mpamboly, fa hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka: «Hananan’ireo hena-maso ny zanako!» 38Vao nahita ity zanany kosa ireo mpamboly, dia nifampiresaka hoe: «Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina dia ho lasantsika ny lovany.» 39Dia nosamborin’ireo mpamboly izy ka natosiny tany ivelan’ny tanimboaloboka ary novonoiny.

40Dia hoy i Jesoa nanontany hoe:

–Raha tonga àry ilay tompon’ny tanimboaloboka, inona moa no hataony amin’ireo mpamboly ireo?

41Dia hoy ry zareo taminy:

–Ireo olona tsy manana antra ireo dia haringany tsy hananany antra ary ny tanimboaloboka dia hahofany amina mpamboly hafa izay hanome azy ny vokatra isaky ny fotoam-pahavokarana.

42Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina:

–Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe:

«Ny vato nolavin’ny mpanao tranono
nanjary vato fehizoro;
avy amin’ny Tompo izao,
ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!»

43Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [ 44Izay mianjera amin’izany vato izany dia ho torotoro; ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.]

45Nony nandre ireo fanoharana nataon’i Jesoa ireo ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina, dia nahatsiaro tena ho lazainy amin’izany. 46Ary nitady hisambotra Azy ry zareo, saingy natahotra ny vahoaka izay nankatò an’i Jesoa ho mpaminanin’Andriamanitra.

samedi 7 août 2021

Sabotsy 07 Aogositra 2021 - Jao 10 : 22 - 30

 22Ririnina ny andro tamin’izay ary notontosaina tao Jerosalema ny fankalazana ny Fitokanana. 23I Jesoa dia nitsangantsangana tao an-kianjan’ny tempoly, teo amin’ny lala-mitafon’i Salômôna. 24Koa nitangoronan’ny Jiosy Izy nanontaniany hoe:

–Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao tokoa no ilay Mesia, mba lazao mazava aminay!

25Dia hoy i Jesoa taminy:

–Efa nilaza taminareo Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin’ny anaran’ny Raiko dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy, 26nefa ianareo tsy mino satria tsy mba isan’ny ondriko. 27Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy. 28Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. 29Ny Raiko Izay nanolotra azy tamiko dia lehibe noho ny rehetra, ka tsy misy olona maharombaka azy eo an-tanan’ny Ray. 30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

vendredi 6 août 2021

Zoma 06 Aogositra 2021 - Oha 10 : 9 - 20

 9Izay mizotra ho olom-banona no mizotra amim-pitokiana;

fa izay manan-toetra miolikolika kosa hiharan-doza.

10Izay manafina ny zava-nitranga dia mahatonga alahelo;

fa izay mananatra tsy misorona kosa mitondra fiadanana.

11Ny tenin’ny olo-marina dia loharanon’aina

fa ny tenin’ny olon-dratsy kosa mifono herisetra.

12Ny fankahalana dia manetsika ady;

fa ny fitiavana manarona ny hadisoana rehetra.

13Ahitana fahendrena ny tenin’ny manan-tsaina;

fa tsorakazo kosa no ho an’ny lamosin’ny bado.

14Harem-pahalalana no voaangon’ny hendry;

fandringanana antomotra kosa no hateraky ny tenin’ny adala.

15Ny fananan’ny mpanankarena no toy ny manda miaro azy;

fa ny fahantran’ny ory kosa no hiteraka fandringanana azy.

16Ny karaman’ny olo-marina dia hivelomany;

fa ny vola azon’ny olon-dratsy kosa hahotany.

17Izay mitandro fifehezan-tena dia mizotra ho amin’ny fiainana;

fa izay mandà anatra kosa no haniasia.

18Mpihatsaravelatsihy izay manafina ny fankahalany;

fa adala izay mampiely endrikendrika.

19Ny teny maro tsy ilaozam-pahadisoana;

fa olo-misaina kosa ny mahatam-bava.

20Volafotsy voafantina ny tenin’ny olo-marina;

fa ny fon’ny olon-dratsy kosa tsisy vidiny.

jeudi 5 août 2021

Alakamisy 05 Aogositra 2021 - Mat 6 : 1 - 4

 1–Tandremo ny manao adidy ara-pivavahana eo imason’ny olona mba ho hitany, sao ianareo tsy mahazo valisoa avy amin’ny Rainareo Izay any an-danitra.

2Koa rehefa manao fiantrana ianao, aza dia antsoantsoina ho ren’ny tany ama-monina, sahala amin’ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy any amin’ny sinagôga sy eny an-dalambe, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany. 3Fa ianao kosa, rehefa manao fiantrana, aoka na dia ny olona sakaizanao indrindra aza tsy hahalala izay ataonao, 4hany ka miafina no anaovanao ny fiantrànao; ary ny Rainao Izay mahita ao amin’ny miafina no hamaly soa anao.

mercredi 4 août 2021

Alarobia 04 Aogositra 2021 - I Kor 15 : 54 - 58

 54Fa rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ilay tenin’ny Soratra Masina hoe:

«Noresena ny fahafatesana ka levona!»

55«Aiza ny fandresenao, ry fahafatesana?

Aiza ny lefonao maranitra, ry fahafatesana?»

56Fa ny fahotana no lefona maranitra anindronan’ny fahafatesana, ary ny lalàna no hery ahombiazan’ny fahotana. 57Kanefa hisaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!

58Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin’ny fanompoana ny Tompo.

mardi 3 août 2021

Talata 03 Aogositra 2021 - Deo 15 : 7 - 11

 7Raha sendra misy mahantra ny mpiray firenena aminareo ao an-tanàna anankiray amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia aza anidianareo fo izy na anakombonanareo tanana; 8fa sokafy tsara amin’io mahantra mpiray firenena aminareo io ny tananareo, ka ampisambory azy ny sahaza ilainy, araka izay mahory azy. 9Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponareo ny hevi-dratsy manao hoe: «Antomotra ity ny taona fahafito, dia ny taona famoizan-trosa.» Aoka ianareo tsy ho ratsy fijery an’ilay mahantra mpiray firenena aminareo, ka tsy hanome azy na inona na inona; fa hitaraina amin’ny TOMPO hiampanga anareo izy, ka dia ho fahotanareo izany. 10Omeo tokoa izy ary aoka tsy halahelo ny fonareo raha manome azy, satria izany fahalalahan-tananareo izany no hitahian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin’ny asa aman-draharaha rehetra ataonareo. 11Koa satria hisy mandrakariva ny mahantra eo amin’ny taninareo, dia izany no andidiako anareo hoe: Sokafy tsara amin’ny mpiray firenena aminareo ny tananareo, dia amin’ny ory sy mahantra eo amin’ny taninareo.

lundi 2 août 2021

Alatsinainy 02 Aogositra 2021 - Efe 2 : 8 - 10

 8Eny, fahasoavan’Andriamanitra no namonjena anareo, tamin’ny alalan’ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan’Andriamanitra; 9tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. 10Fa asan’Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin’i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman’Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin’ny fiainantsika.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12