samedi 27 septembre 2014
Sabotsy 27 Septambra 2014 - Lio 8 : 1 - 3
1Taorian'izany, lasa nitety tanàn-dehibe sy tanàna kely i Jesoa nitoriteny sy nanambara ny Vaovao Mahafaly* momba ny Fanjakàn'Andriamanitra*. Niaraka tamin'i Jesoa ny 12 lahy 2ary koa ireo vehivavy sasany izay nositraniny tamin'ny fanahy maloto* sy ny aretina: dia i Maria, antsoina hoe Magdalèna, izay nialana demony* fito, 3sy i Jôhanina, vadin'i Kozà mpitandrim-pananan'i Herôda*, ary i Sozanina sy ny maro hafa koa. Ireo vehivavy ireo dia samy nanampy an'i Jesoa sy ny mpianany tamin'ny fananany.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...