lundi 29 août 2016
Alatsinainy 29 Aogositra 2016 - Jak 1 : 2 - 7
2Ry havako, ataovy ho tretrika tokoa ny tenanareo raha ifandafaran'ny fitsapana samihafa; 3satria fantatrareo fa ny fisedrana ny finoanareo dia mahatonga faharetana. 4Ary aoka ny faharetanareo homban'asa tanteraka mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy ho orin-javatra na amin'inona na amin'inona. 5Kanefa raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin'Andriamanitra fa homeny; satria manome malalaka ho an'ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy mba mandatsa. 6Tsy maintsy mino tsara anefa izy rehefa mangataka, fa tsy hiahanahana; satria izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina tsofin'ny rivotra sy atopatopany. 7Aoka tsy hanampo handray zavatra avy amin'ny Tompo ny olona toy izany, 8fa miroa saina sady mivadibadika amin'ny fiaimpiainany rehetra.
-
51 Indro misy tsiambaratelo ambarako aminareo: tsy hodimandry avokoa isika rehetra; 52 vetivety foana, indray mipy maso, rehefa maneno ny t...
-
29Fa novalian'i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona. 30Efa natsangan'ilay Andriaman...